1 fanoroam-pejy - apimadagascar.files.wordpress.com · 2 teny fisaorana isaorana ireo rehetra...

20

Upload: others

Post on 07-Sep-2019

2 views

Category:

Documents


0 download

TRANSCRIPT

Page 1: 1 Fanoroam-pejy - apimadagascar.files.wordpress.com · 2 Teny fisaorana Isaorana ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanatontosana ity bokikely ity. Voalohany amin’izany ireo
Page 2: 1 Fanoroam-pejy - apimadagascar.files.wordpress.com · 2 Teny fisaorana Isaorana ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanatontosana ity bokikely ity. Voalohany amin’izany ireo

1

Fanoroam-pejyTeny fisaorana ................................................................................2Sasin-teny .......................................................................................3Teny fampidirana ...........................................................................4Ny aretina varoazy ........................................................................5

Mombamomba ankapobeny ..................................................................... 5Fisehon’ny aretina varoazy ......................................................................... 5Fifindran’ny kongon’ny renitantely ........................................................... 6Famantarana ny fahavoazan’ny andian-tantely .................................. 6

Ny varoazy eto Madagasikara .....................................................7Ny fihanaky ny aretina varoazy ................................................................. 7Fiantraikan’ny aretina .................................................................................. 7Ireo ezaka natao iadiana amin’ny aretina varoazy .............................. 8

Ny ady amin’ny varoazy ................................................................9Ireo akora nampiasaina .............................................................................. 9Ady gasy nahitam-bokatra ......................................................................... 11

Ady Gasy N°1 ............................................................................11Ady Gasy N°2 ............................................................................12Ady Gasy N°3 ...........................................................................12Ady Gasy N°4 ............................................................................13

Hampahomby ny paika .................................................................13Ny fampiasana fanafody ............................................................................ 13

Ny habetsahan’ny akora ampiasaina ........................................13Fotoana ampiasana ny fanafody ? ...........................................14

Fanaraha-maso ny fahombiazan’ny fanafody ...................................... 14Fijerena mivantana ny renitantely na ny sakivy ........................14

Fijerena amin’ny santionana renintantely .............................................. 14Fitsirihana miverimberina ny varoa ..........................................14Fitsirihana mitohy ny varoa ......................................................15

Tahan’ny aretina ............................................................................................ 15Fanamarihana ankapobeny ...................................................................... 16

Teny famaranana ...........................................................................17Fanazavan-teny .............................................................................17Bibliografia .....................................................................................18

Page 3: 1 Fanoroam-pejy - apimadagascar.files.wordpress.com · 2 Teny fisaorana Isaorana ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanatontosana ity bokikely ity. Voalohany amin’izany ireo

2

Teny fisaoranaIsaorana ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanatontosana ity bokikely ity. Voalohany amin’izany ireo mpiompy tantely eto amin’ny faritra Analamanga, nanatontosa ny andrana sy nanaiky nizara izany ka novelabelarina ato ana-tin’ity bokikely ity.

Ireo teknisianina sy ny manam-pahaizana manokana, tao ny mpahay ny zava-maniry, ny tantely, ny bibikely, sns., izay nandray anjara tamin’ny fanamafi-sana ny jery ara-teknika ho an’ireo andrana natao sy nanome ny antotam-pa-halalana momba ireo akora nampiasaina.

Ny fandaharan’asa SAHA, Sahan’asa Hampandrosoana ny Ambanivohitra, nanao tan-tsoroka ara-teknika ny tetik’asa fanadihadiana niaraka tamin’ny CITE.

Sy ireo maro tsy voatanisa nandray anjara tamin’ny fikaroham-baha-olana amin’ny ady amin’ny kongon’ny tantely.

Page 4: 1 Fanoroam-pejy - apimadagascar.files.wordpress.com · 2 Teny fisaorana Isaorana ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanatontosana ity bokikely ity. Voalohany amin’izany ireo

3

Sasin-tenyAnisan’ny Faritra mpamokatra tantely eto Madagasikara Analamanga. Mpiom-py, mpanelanelana, mpanodina manodidina ny 2 000 no voakasiky ny seha-pihariana eto amin’ny Faritra.Tamin’ny taona 2007 dia nahatratra 166 Taonina ny vokatra avy eto Analamanga izay nametraka azy tamin’ny laharana faha-7 raha ny seha-piharana tantely eto Madagasikara no resahana.

Olana iray lehibe sedrain’ny seha-pihariana Tantely eto Analamanga anke-hitriny ny fisian’ny aretina varoazy, aretina vaovao, hita teto amin’ny faritra tamin’ny taona 2009. Mandripaka ny tantely ny varoazy ary mahatonga ny fitotonganan’ny vokatra. Maro noho izany ireo mpiompy voatery nitsahatra tamin’ny fiompiana tantely.

Manoloana io zava-misy io dia napetraky ny FERAM, vovonam-pikambana-nan’ny mpiompy tantely eto Analamanga, ho laharam-pahamehana ny fikat-sahana fiaraha-miasa amin’ireo rafitra mpanohana mba hitadiavana vahaolana mahomby hiadiana amin’ny varoazy. Vaindohan-draharahan’ny fikatsahana fiaraha-miasa amin’ireo rafitra mpanohana.

Ny tetikasa “Fanomezana lanja sy fampiroboroboana ny fikarohana nataon’ireo mpiompy tantely mahakasika ny ady amin’ny varoazy” dia notanterahina tao anatin’ny fiaraha-miasan’ny federasiona tamin’ny Fandaharan’asa SAHA. Ity tahirin-kevitra ity dia vokatr’izany fiaraha-miasa izany izay marihina fa nahazo ny tohana ara-teknika avy amin’ny ONG CITE.

Page 5: 1 Fanoroam-pejy - apimadagascar.files.wordpress.com · 2 Teny fisaorana Isaorana ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanatontosana ity bokikely ity. Voalohany amin’izany ireo

4

Teny fampidiranaMirakitra ireo fikarohana nataon’ny mpiompy tantely tao amin’ny distrikan’i Manjakandriana ity tahirin-kevitra ity.

Mizara 3 lehibe ny tahirin-kevitra. Ny fizarana voalohany dia manome angom-baovao mahakasika ny varoazy sy ny fihitarany teto amin’ny Faritra Anala-manga. Ao amin’ny fizarana faharoa kosa no itrandrahana ireo fikarohana na-taon’ny mpiompy. Ny fizarana fahatelo dia manome toro-hevitra ho an’ireo mpiompy sy ireo rehetra te-hiroso lalindalina amin’ny fikarohana.

Araka izany, miantefa amin’ny sokajin’olona 2 miavaka tsara ny tahirin-kevitra : (i) ireo mpiompy izay hahazo fahalalana sy toro-hevitra iadiana amin’ny varoa-zy; (ii) ireo mpikaroka izay afaka mitrandraka ireo voka-pikarohan’ny mpiompy amin’ny asa fikarohana izay ataony.

Page 6: 1 Fanoroam-pejy - apimadagascar.files.wordpress.com · 2 Teny fisaorana Isaorana ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanatontosana ity bokikely ity. Voalohany amin’izany ireo

5

Mombamomba ankapobenyNy varoa dia bibikely mpanimba tafiditra teto amintsika taona vitsy izao. Efa tany amin’ny taona 1950 no nahitana ny varoa, antsoina hoe Varroa Desrtruc-tor tany amin’ny kaotinanta Azia. Ny taona 1966 no nambara ofisialy ny maha biby manimba azy sy ny loza aterany. Rehefa niparitaka tany Eoropa izy ny taona 1970 dia tonga teto amintsika ny taona 2010.

Bibikely mivelona amin’ny ran’ny renitantely ny varoa, ary manatody sy mi-tombo haingana mihoatra ny fitombon’ny renitantely. Azo lazaina ho toy ny ka-razana kongona na hao izy io, miloko mena matroka manompy volontany, mirefy 1,1 hatramin’ny 1,2 mm ny halavany ary 1,5 hatramin’ny 1,6 mm ny sakany, izany hoe toy ny loha-paingotra ny habeny. Rakotra volo madinika ny vatany ka ireo no hahafahany miraikitra amin’ny vatan’ny renitantely.

Hatramin’izao dia mbola tsy hita izay fanafody tena mahomby hamonoana ity bibikely mpanimba ity.

Fisehon’ny aretina varoazyMora maty ny tantely, mia-fohy ny fe-potoana hivelomany ka mety hisasa-ka mihitsy izany. Miha-marefo ireo renitantely, very ny lanjany ka mahatratra ny ampahefany izany. Matetika hita mandady eo am-bavan’ny tranotantely ireo renitantely hanin’ny varoa. Ireo ratra ataon’ny varoa amin’ireo renitantely kosa dia lasa varavarana hidiran’ny tsimok’aretina samihafa, ka lasa mora an-dairan’aretina ny renitantely. Vokatr’ireo rehetra ireo dia ripaka ny renitantely

Ny aretina varoazy

Kongona na hao no azo ilazana ny varoa, miloko mena matroka manompy volontany, ary mirefy 1,1 hatramin’ny 1,2 mm ny halavany ary 1,5 hatramin’ny 1,6 mm ny sakany, izany hoe toy ny loha-paingotra ny habeny.

Page 7: 1 Fanoroam-pejy - apimadagascar.files.wordpress.com · 2 Teny fisaorana Isaorana ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanatontosana ity bokikely ity. Voalohany amin’izany ireo

6

ary rava ireo andiany. Ho an’ny sakivy sy ny olitra tantely kosa dia maty an-karanany ny ankamaroan’izy ireo ary izay foy dia matetika ahitana fahasam-ponana.

Fifindran’ny kongon’ny renitantelyIreo renitantely ihany no mitondra ny kongona mifindra toerana. Fa indrindra fa ireo mpiompy mandendeha sy mitondra fitaovana misy kongona, satria voa-dinika fa eo amin’ny 10 andro eo ho eo no fetrandron’ny kongona raha tsy mipetraka amin’ny renitantely.

Ka ny tsy fanajana ny fe-potoana «quarantaine» dia mamindra azy amin’ny alalan’ny fifanakalozana samihafa, toy ny fitaovana.

Famantarana ny fahavoazan’ny andian-tantelyAraka ny fandinihina nataon’ireo mpikaroka any ivelany dia tsisy fanavotana intsony ireo andian-tantely rehefa tojo amin’ny varoa 50 ho an’ny renitantely 100 ny taha hita. Amin’ny ankapobeny anefa io taha io, fa mety ho latsak’izay raha ny tahirin-kevitra no jerena.

Nosintonina avy tamin’ny sarin-tany nataon’i James D. Ellis sy C.M. Zettel Nalen, Oniversite Flo-rida, ary nampiana an’i Madagasikara, 2010

Ny fiparitaky ny Varroa

Page 8: 1 Fanoroam-pejy - apimadagascar.files.wordpress.com · 2 Teny fisaorana Isaorana ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanatontosana ity bokikely ity. Voalohany amin’izany ireo

7

Ny varoazy eto MadagasikaraAraka ny hitantsika eo amin’ny saritany dia efa miparitaka amin’ny firenana maro ny kongon’ny tantely na varoa, ary anisan’izany i Madagasikara. Isika no anisan’ny firenena vao haingana no nidirin’ity bibikely mpandrava ity. Efa an-davitrisa ny andian-tantely naripany ary toy izany koa ny fatiantoka entiny ho an’ireo mpiompy. Misy fiantraikan’ny ihany koa amin’ny famokarana hafa izy ity saingy sarotra kokoa ny manombana izany.

Ny fihanaky ny aretina varoazyNy volana febroary, taona 2010 no voamarin’ny labo-ratoara AFFSA tany Frantsa ny fisian’ny varoazy teto Mada-gasikara. Teto Analamanga, tao amin’ny kaominina Ambanivohi-tra Ivato, no nahitana azy voa-lohany.

Volana vitsivitsy taty aoriana dia nahitana ny aretina ihany koa ireo kaominina manodidina: Ambohidratrimo, Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Ava-radrano. Ny faran’ny taona 2010 dia nitatra tamin’ny distrikan’i Manjakandriana ny aretina.

Amin’izao fotoana izao dia mandripaka ny renitantely any amin’ny faritra Atsinanana , Analanjirofo, Alaotra Mangoro, Vakinankaratra ary faritra hafa manodidina an’Analamanga ny aretina varoazy.

Loharano : CITE Editions, 2012

Ny kongon’ny renitantely eto Madagasikara

Page 9: 1 Fanoroam-pejy - apimadagascar.files.wordpress.com · 2 Teny fisaorana Isaorana ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanatontosana ity bokikely ity. Voalohany amin’izany ireo

8

Efa nisy ny drafitra fiarovana izay namoahana lalàna hifehezana ny fiparita-han’ny aretina any amin’ireo faritra hafa , indrindra fa any amin’ireo toerana heverina hamokarana tantely haondrana.

Fiantraikan’ny aretinaTsy mbola nisy antontan’isa mazava navoaka taorian’ny nidiran’ny aretina va-roazy, saingy ny taham-pahafatesana ambony dia ambony hita teo amin’ny renitantely teto amin’ny faritra sy ny vokatra azon’ireo mpiompy dia nahafa-hana nilaza fa nitotongana ny habetsaky ny vokatra ary nihena nanaraka izany ny vola niditra tamin’ireo mpiompy. Ireto avy no voka-dratsy misongadina :

Mihena ny vokatra tantely avy amin’ny faritra mpamokatra, ka hanaraka • an’izany koa ny vokatra ankapobeny,Ireo mpiompy madinika dia ho voa mafy tokoa satria dia fotoana fohy • ihany dia ripaky ny varoa ireo andian-tantely vitsy sy mivangongo amin’ny toerana iray,Sarotra ny famatsiana andian-tantely satria efa tsapa amin’izao fotoana • izao fa ireo tantely an’ala dia efa voa ihany koa,Eo amin’ny tsena dia hiakatra ny vidin’ny mamintantely,• Mila fanaraha-maso entitra kokoa ny fiompiana vao mety hahomby,•

Amin’ny ankapobeny dia hisy fiovana lalina ny seha-piharina fiompiana tan-tely.

Ireo ezaka natao iadiana amin’ny aretina varoazyFamoahana sy fampiharana ny drafitra fiarovana sy fiadiana amin’ny va-• roazy izay novolavolain’ny ministeran’ny Fiompiana ;

Fanentanana ny mpiompy tantely: ny FERAM, toy ireo vovonam-pikamba-• nana hafa dia niezaka nampahalala ireo mpikambana ao aminy ny momba ny aretina sy ny voka-dratsiny na eo amin’ny famokarana na eo amin’ny lafiny ara-toekarena, indrindra ny fepetra tokony ho raisina hisorohana sy hiadiana amin’ny aretina ;

Fanohanana ireo ezaka fikarohana.•

Page 10: 1 Fanoroam-pejy - apimadagascar.files.wordpress.com · 2 Teny fisaorana Isaorana ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanatontosana ity bokikely ity. Voalohany amin’izany ireo

9

Mokaranana(Macaranga madagascariensis)

Zava-maniry ao anatin’ny fiana-kaviam-ben’ny “Euphorbiacées”. Mamoaka dity miloko fotsy izay ma-napoizina noho ny fisian’ny alkaloida ao aminy ary mampangidihidy ihany koa. Mamorona sy mamoaka tsira-noka miraikidraikitra ny mokaranana. Mivaingana io tsiranoka io rehefa tafiditra ao ambavan’ny bibikely ka manakana ny fidiran’ny sakafo.

Ampangandrano(Marratia fraxinea Sm.)Zava-maniriniry ho azy sy mamono bibikely.

Seva, sevavavy(Buddlei madagascariensis Lam.)

Zava-maniry ahitana kasinga toy ny sesquiterpène sy triterpène izay mamono bibikely. Fampiasain’ireo mponina eny ambanivohitra hanadio-vana ny gorodona sy ny rindrina ary hamonoana bibikely toy ny parasy.

Varahina(karazam-by manompy mena)Ny varahina dia mamoaka tahirin’ara-tra maivana (ion) izay mampalemy ny varoa fa tsy misy fiantraikany eo amin’ny tantely.

Voandelaka(Melia azedarach Linn.)Ny raviny sy ny voany dia misy triter-pène, poizina izay ampiasaina amin’ny famonoana bibikely : parasy, hao, …

Valanirana(Mammea Madagascariensis)Zava-maniry ahitana flavonoide sy alcaloide ary triterpene izay mamono bibikely

Borona(Sapium melanosticum)Tsy mbola misy tahirin-kevitra maha-kasika azy

Vahimaimbo na vahimantsina ( )Tsy mbola nahitana tahirin-kevitra ma-hakasika azy

Ny ady amin’ny varoazy

Ireo akora nampiasainaMaro karazana ireo akora nampiasain’ireo mpiompy nanao andrana. Arak’iza-ny misy amin’ireo no mbola tsy fantatra izay singa ao anatiny, fa dia nam-piasain’ireo mpanao andrana arak’izay fiheverany azy ihany. Ho an’ireo izay nanana antontan-kevitra momba ireo kasinga ao anatiny dia misy fampaha-fantarana fohy izany. Ireo akora ireo no tanisaintsika manaraka.

Page 11: 1 Fanoroam-pejy - apimadagascar.files.wordpress.com · 2 Teny fisaorana Isaorana ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanatontosana ity bokikely ity. Voalohany amin’izany ireo

10

Vahona(Aloe macroclada)Zava-maniry ampiasaina amin’ny fit-saboana ny vavony

Ranomena ( )Ny ranomena dia efa nampiasaina hatramin’izay hamonoana bibikely.

Thym(Thymus vulgaris)Ahitana kasinga toy ny phénols terpénique, monoterpénol, mo-noterpène izay mamono bibikely. Izy ity dia ampiasaina any ivelany amin’ny fanamboarana fanafody iadiana amin’ny varoa toy ny APILIFE GUARDTM.

Ampangabe(Pteridium aquilinum kühn)Tsy mbola misy tahirin-kevitra maha-kasika azy.

Consoude(Symphytum officinale)Ampiasaina amin’ny famonoana bibi-kely mpanimba ny voly

Tongolo lay(Allium sativum)Ampiasaina amin’ny famonoana ireo bakteria sy mikraoba isan-karazany

Paraky gasy(Nicotiana tabacum)Zava-maniry ampiasaina amin’ny famonoana bibikely.

1 2 3

4 5 6

1. Mokaranana2. Consoude3. Ampangandrano

4. Thym5. Voandelaka6. Vahona

Page 12: 1 Fanoroam-pejy - apimadagascar.files.wordpress.com · 2 Teny fisaorana Isaorana ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanatontosana ity bokikely ity. Voalohany amin’izany ireo

11

Ady gasy nahitam-bokatraIreo fanandramana 4 heverina ho nahomby no ampahafantarina anatin’ity bo-kikely ity. Nosafidiana izy ireo tao anatin’ireo fanandramana 11, tabilao etsy ambany, noho izy ireo nahitam-pahombiazana. Fahombiazana hita tamin’ny ny fotoam-pahaveloman’ny andian-tantely voan’ny aretina izay nihoatra ny taom-pamokarana iray! Tsy mbola tena tomombana anefa ireo ka tokony hat-saraina ny fanarahana ny fampiasana azy, ary ireo fanandramana hafa kosa halalanina.

Azo ampifamenoana ihany koa ireo karazan’andrana sasantsany.

Ady Gasy N°1 Voandelaka, Mokaranana, Varahina

Ravina voandelaka fehezana 20 sm

Mokaranana fehezany 20 sm, halavany 20 sm

Totoina miaraka ny ravina voandelaka sy mokaranana• Tapohana rano 1 litatra ny fangaro• Avela hilona eo amin’ny adin’ny iray eo ho eo• Afafy anatin’ny tohotra ka haparitaka manaraka ny kadira•

Paika Akora nampiasaina1 Vahimaimbo + mokaranana

2 Ampangandrano

3 Voandelaka + ampangandrano + varahina

4 Sevavavy

5 Voandelaka + valanirana + borona + ranomena

6 Vahona

7 Lohamenaka Thym

8 Ampangabe + consoude

9 Thym + Tongolo gasy

10 Thym + siramamy gasy

11 Paraky gasy + diloilo coco + savoka tantely

Page 13: 1 Fanoroam-pejy - apimadagascar.files.wordpress.com · 2 Teny fisaorana Isaorana ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanatontosana ity bokikely ity. Voalohany amin’izany ireo

12

Apetraka manandrify ny varavaran’ny tohotra ny tapaka varahina •

Guy RAJAONARISONMpiompy tantelyAmpasipotsy ( ex FRIZA ), CR Ambatolaona, Manjakandriana034 79 843 37Mpikambana ao amin’ny Union Ambatomamy

Ady Gasy N°2 Sevavavy

Esorina ny saron’ny kadira• Asisika ao ny ravina seva vavy (efa somary antitrantitra ) ka rehefa mika-• soka amin’io ravina io ny tantely dia mihitsana ny varoa mamikotra aminyAtao indray mandeha isan-kerin’andro mandritra ny 21 andro• Asiana takelaka misy menaka miraikitra aty ambany mba hitatazana ireo • varoa sy tsy ahafahany mihetsika intsony rehefa latsakaTraitement Flash, izany hoe atao manelanelana ireo fampiasana fanafody • hafa.

Izay samy nanao azy daholy ireo tantsaha :Guy RAJAONARISONSamoelina RAKOTOMANGA

Ady Gasy N°3 Thym, Tongolo gasy

Maka ranona thym atsasaky ny sotro• Afangaro amin’ny ranona tongolo gasy atsasaky ny sotro• Maka baoritra kely dia atete amin’izany ny fangaro • Apetraka any amin’ny fanambanin’ny tohotra na ambony ny kadira ny • baoritra kely misy ilay fangaro

Soloina isaky ny 15 andro•

Samoelina RAKOTOMANGAMpiompy tantelyAnjepy, Manjakandriana Mpikambana ao amin’ny Union Tantely Mamy033 04 122 27

Page 14: 1 Fanoroam-pejy - apimadagascar.files.wordpress.com · 2 Teny fisaorana Isaorana ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanatontosana ity bokikely ity. Voalohany amin’izany ireo

13

Ady Gasy N°4 Paraky gasy (tsy misy laro), Diloilo coco, Savoka tantely

Maka diloilo coco 450 g• Ampiana savoka 170 g • Ampangotrahana dia andrasana mangatsiaka ny fangaro• Avela hangatsiaka• Rehefa mangatsiaka ny fangaro dia araraka ny paraky roa sotro lehibe sy • tapany Maka baoritra kely 15 sm x 3,5 sm dia hosorana amin’ny andaniny roa• Atsofoka anelanelan’ny kadira•

Tolotra RAKOTONDRASOAMpiompy Tantely sady mpampianatra mpikaroka Mipetraka ao Anjanahary Antananarivo 101032 42 687 28

Hampahomby ny paika

Ny fampiasana fanafodyToy ny fitsaboana rehetra, ny fahombiazan’ny fiadiana amin’ny kongon’ny tan-tely dia miankina : amin’ireo singa ao anatin’ny akora - ny fatran’ny fanafody ampiasaina - ny faharetan’ny fampiasana ny fanafody - ny fotoana hampiasa-na azy. Ity fizarana farany ity dia torolalana ho an’ireo mpiompy-mpanandrana mba hahatsara ny fampiarana.

Ny habetsahan’ny akora ampiasainaNy herin’ny fanafody dia voafaritry ny habetsahan’ireo akora tsirairay ao ana-tiny. Raha kely loatra dia mety tsy handaitra, raha be loatra mety hanimba ny fiompiana indray, toy ny faikan-javatra mifangaro amin’ny mamintantely. Ary isika mpanao andrana dia tsy maintsy mikaroka ny fetram-panafody ma-homby.

Tokony ho voarakitra hatrany ny fatra samihafa ampiasaina. Maro ny fandrefe-sana efa mahazatra antsika toy ny : kapoaka, fehezana, metatra, zinga, kaopy, sotrokely, sotrobe, ets. Izay tsara ho raketana mba hahamora ny fampitana.

Page 15: 1 Fanoroam-pejy - apimadagascar.files.wordpress.com · 2 Teny fisaorana Isaorana ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanatontosana ity bokikely ity. Voalohany amin’izany ireo

14

Fotoana ampiasana ny fanafody ? Ny fotoana ampiasana ny fanafody dia mamaritra ihany koa ny fahombia-zany. Tsinjovina mantsy ny fahafahan’ny andian-tantely miharitra ilay fanafody. Tokony harindra miaraka amin’ireo fivoaran’ny andian-tantely sy ireo lahasa ataon’ny mpiompy ny fampiasana fanafody.

Ohatra, ny fampiasana ny ranona thym amin’ ny baoritra izay ny fofona sy ny entona no tena ampiasaina dia tsy tokony hiohatra ny 30 °C ny hafanana mba tsy hisinan’ny voka-dratsiny eo amin’ny andian-tantely.

Fanaraha-maso ny fahombiazan’ny fanafodyNy fahalalana ny tahan’ny varoa amin’ny andian-tantely no handrefesana ny fahombiazan’ny paika hiadivana amin’ity biby mpanimba ity. Ny tanjona moa dia ny hamonoana tanteraka na hampienana ny varoa anatin’ny tranon-tantely hitohizan’ny famokaran’ireo renitantely maminy.

Fijerena mivantana ny renitantely na ny sakivyFijerena mivantana ireo varoa hita amin’ny renitantely mitangorona amin’ny papiny. Rehefa sintonina ny kadira dia hita eny amin’ny lamosin’ny renitantely na ny elany ny kongona, mety ahitana azy koa ny mpanjakany. Ny sakivy koa dia asiany ka ireo sakivy ho lahin-tantely no tena ahitana azy betsaka.

Ny fisian’ny varoa maromaro ( mihoatra ny roa) anaty mason-tantely dia azo ilazana fa efa ambony ny tahan’ny aretina varoazy.

Fijerena amin’ny santionana renintantelyFitsirihana miverimberina ny varoa

Teknika fampiasa isaky ny fotoana voarafaritra (isam-bolana, roa-volana, ets.), handrefesana ny tahan’ny varoa amin’ny renitantely 100 ity teknika manaraka ity.

Maka tantely sahabo ho 100 isa, manodidina ny 10 grama, sahabo eran’ny kaopy kely, ka vonoina amin’ny alikaola na ranon-tsavony ka rehefa miraraka ao amin’ny fanambanin’ny kôpy ny varoa dia isaina.Maka boaty misarona tsy misy loko, vita amin’ny plastika na vera tokony ho 100 ml (mitovy hadiry amin’ireny vera plastika ireny).

Fomba fanaovana azy :

Page 16: 1 Fanoroam-pejy - apimadagascar.files.wordpress.com · 2 Teny fisaorana Isaorana ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanatontosana ity bokikely ity. Voalohany amin’izany ireo

15

Alaina ny renitantely 100 ka hatramin’ny 200,• Arotsaka ao anaty boaty, plastika na vera, misy tantely ny alikaola na ilay • savony ranony,Hidina tsara ny boaty ary ahontsana,• Avela hilona ao ireo renitantely mandritra ny ora iray eo ho eo,• Tatavanina mba hisaraka ny renitantely sy ny kongon’ny renintantely,• Isaina amin’izay ireo varoa, amin’ny toerana mazava.•

Fitsirihana mitohy ny varoaTeknika hahafahana manaraka isan’andro ny fitombon’ny varoa amin’ny ala-lan’ny fanarahana ny isan’ny varoa milatsaka avy amin’ny renintantely. Tsara arak’izany ny mampiasa tohotra afaka miala ny fanambaniny.

Apetraka eo amin’ilay fanambaniny afaka miala ny takelaka plastika voaho-sotra menaka dity (tavikenan-kisoa, taratasy autocollant). Esorina sy jerena isan- kariva ny varoa maty ary raketina an-tsoratra isan’andro.

Marihina fa tena tian’ny vitsika io kongon’ny tantely io ka indray alina fotsiny dia mety ho laniny ireo varoa milatsaka izany no antony anaovana ny fanisana isan’andro.

Tahan’ny aretinaIsan’ny varoa miohatra amin’ny isan’ny renintantely :

Tahan’ny aretina = Isan’ny varoa ÷ Isan’ny renintantelyKa raha renintantely 300 no nanaovana ny fitsirihina ka nahitana varoazy 15 dia zaraina 3 ny isan’ny renintantely, zaraina 3 ny isan’ny varoa dia manome : tahan’ny aretina 3% (varoa 3 amin’ny renitantely 100).

5% na latsak’izay Tsy dia henjana ny fahavoazana, sarotsarotra ny fahitana ireo kongona.

5 hatr@ 10% Miha-henjana ny fahavoazana, raha marefo ny andian-tantely na tsy misy fiarovana dia mety ho ripaka.

10 hatr@ 20% Tsy miafina intsony ny fahavoazana. Raha dieny lohataona no hita ireo varoa dia mety tsy hahatratra ny rininina ny andian-tantely.

Mihoatra ny 20% Herinandro vitsivitsy sisa hiveloman’ny andian-tantely

Mihoatra ny 30% Potika tanteraka ny andian-tantely

Nosintonina tamin’ny asan’i Ritter (1983)

Page 17: 1 Fanoroam-pejy - apimadagascar.files.wordpress.com · 2 Teny fisaorana Isaorana ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanatontosana ity bokikely ity. Voalohany amin’izany ireo

16

Fanamarihana ankapobenyRehefa tafiditra anaty ny tohotra ny varoa dia tsy voaala intsony ! Izany dia satria tsy maintsy hisy vanim-potoana tsy anaovana ny famonoana ny varoa, indrindra mandritra ny famenoan’ny tantely mamin-tantely, izay fotoana koa mampitombo isa ny kongona.

Ny zava-dehibe dia ny fahafahan’ny tantely miaina miaraka amin’ny varoazy, noho izany dia misy ny taha farany ambany amin’ny isan’ny varoa anaty to-hotra iray (mihoatra ny 5 % fa arakaraka ny tanjaky ny andian-tantely sy ny fahabetsahan’ny sakafo).

Arak’izany dia tsara raha manaraka toro-làlana tsotsotra isika mpiompy mpa-nao fanandramana :

Tokony havaozina isaky ny telo taona faran’ny ela ny mpanjakany. Ny an-• tony dia mihena ny isan’ny zana-tantely ateraky ny mpanjaka manom-boka eo amin’ny faha-telo taona ka .

Tsinjovina ny sakafon’ny tantely mandritra ny fotoana tsy fisian’ny vovom-• bony. Azo atao ny mamahana azy mamintantely na ranon-tsiramamy mba hampantanjaka azy.

Tsara raha misy ilay fanambaniny afaka miala ka voasarona vy makara-• kara madinika (grillage) amin’ny tohotra. Ny renintantely dia manilika ara-boajanahary amin’ny hetsika ataony sy amin’ny elany ireo kongona ma-nelingelina azy ka ny karakara vy dia manakana ireo tantely tsy hidina any amin’ny fanambanin’ny tohotra ka hitondra ny varoa hiverina.

Rehefa ireto fepetra ireto no tanteraka dia azo lazaina fa mahomby ny an-drana:

Miasa tsara ireo renin-tantely , tsy mihena be ny vokatra azo ; • Maro ireo sakivy foy ara- dalana, tsy maty an-karanany ; • Miverina amin’ny toetrany teo aloha ny tantely, ohatra miverina masiaka • izy ; Tsy ahitana tsy fahatomombanana ireo zanan-tantely foy, ohatra elatra • fohy na kibony mihafohy, ireo toetra ireo koa dia mety hita amin’ny renin-tantely .

Page 18: 1 Fanoroam-pejy - apimadagascar.files.wordpress.com · 2 Teny fisaorana Isaorana ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanatontosana ity bokikely ity. Voalohany amin’izany ireo

17

Teny famarananaMaro tokoa ireo antontam-pahalalana momba ny kongon’ny renitantely noho izy efa ela no niparitaka maneran-tany. Saingy ilaina ny fahafantarana ny mam-piavaka ny varoa rehefa nizatra ny toe-tany sy ny toetoetran’ny tantely eto Madagasikara izy ireo.

Mandraka ankehitriny mantsy dia mbola tsisy nahita fanafany tena mahomby tanteraka. Noho izany, hatreto, dia tsy misy hafa tsy ny fahalalana sy fifehe-zana ny rindram-piainan’ny renitantely, ny fahafantarana ny kongon’ny tantely, ary ny fifampiankinan’ireo, no hany hitsimbinana ny fiompiana.

Ity boky kely ity dia anjara-biriky kely dia kely entina nanaitra sy niantso ireo mpisehatra amin’ity seha-pihariana iray ity.

Page 19: 1 Fanoroam-pejy - apimadagascar.files.wordpress.com · 2 Teny fisaorana Isaorana ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanatontosana ity bokikely ity. Voalohany amin’izany ireo

18

Fanazavan-teny

Andian-tantely(colonie)

Vondron-tantely sy ny zana-tantely, miaraka amin’ny mpanja-kany

Kadira(cadre)

Rafitra hazo manify miendrika mahitsizoro ary foana ny anatiny ka ao ireo renintantely no mandrafitra ny papin-tantely

Lahin-tantely(faux bourdon)

Ngalibe, renitrembony

Mamin-tantely(miel)

Ilay tantely fihinana

Mpiremby(ouvrière)

Mpiasa, mpakamamy

Papin-tantely(Gâteau de miel)

Takelaka savoka misy ny maso-tantely ampiasain’ireo renin-tantely amin’ny fiainany (asiana ny sakafo, atody, hitomboan’ny sakivy, ets.)

Renin-tantely(abeille)

Iantsoana ny tantely (abeille) ato anaty tahirin-kevitra (mety ho mpiasa, na lahin-tantely, na zanan-tantely efa tsy anaty papiny)

Sakivy(couvain oper-culé)

Ireo atody na olitra efa mitapina ny mason-tantely misy azy.

Tohotra(ruche)

Vatan-tantely, tranon-tantely

Varoa(varroa)

Kongona mivelona amin’ny rà-n’ny renintantely

Varoazy(varroase)

Ilazana ny aretina azo avy amin’ny fihanaky ny varoa ao anaty andian-tantely

Page 20: 1 Fanoroam-pejy - apimadagascar.files.wordpress.com · 2 Teny fisaorana Isaorana ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanatontosana ity bokikely ity. Voalohany amin’izany ireo

19

BibliografiaCharrière Jean Daniel et Imdorf Anton, Centre Suisse de Rechrches Apicoles, 2003, Méthodes de lutte alternative contre le varroa.

Frédéric & Eshter RANDRIAMAMONJY, Anaran’ny biby sy zavamaniry fahita andava-nandro, Edisiona SALOHY, 1977, 262 p.

Institut de recherche de l’agriculture biologique (FiBL), 2010, Maîtriser la varroase en apiculture biologique”, n° comm. 1531, Edition Suisse.

Jean Paul FAUCON, 2003, La varroase, Revue l”La santé des abeilles” n°194.

Mamisoa Raymond, Contribution à l’étude physico-chimique de la plante Buddleia Madagascariensis (logagniaceae), Faculté des Sciences, Université d’Antananarivo, 2005, 71 p.

Ranakolona Julien, Randriamananoro Jean Joseph, Ndeh hamokatra sy hivarotra mamintantely manara-penitra, CITE, 2004, 29p.

Ricodeau Michel, 2008, Traitement de la varroase

Sania Mahamodo, Contribution à l’étude chimique des feuilles de Mammea Mada-gascariensis DC. (clusiaceae), Faculté des Sciences, Université d’Antananarivo, 2007, 88 p.

Sebastien, Lucien, Paul WENDLING, 2012, Varroa destructor, un acarien ectopara-site de l’abeille domestique Apis mellifera Linnaeus, 1758. Revue bibliographique et contribution à l’étude de sa reproduction

Solofoniaina Marcellin, Etude chimique et cytotoxique de Macaranga sp. (euphorbia-ceae), Ecole Supérieur Polytechnique, Université d’Antananarivo, 2011, 62 p.

Wendling Sébastien, Revue bibliographique et contribution à l’étude de sa (varroa destructor) reproduction, Fac. Médecine de Créteil, 2012, 189 p.

Yvon Cabanis, Lucette Chabouis et Francis Chabouis, 1969, 1970, Les végétaux et groupements végétaux de Madgascar et des Mascareignes, Tomes 1, 2, 3, 4.

Zafirobson Michael Aymard, Contribution à l’étude chimique et biologique de Melia Azedarach L. (meliaceae), Faculté des Sciences, Université d’Antananarivo, 2008, 69 p.