haitao teknika manokana ho an’ny voly vary an--drano ・arovy amin’ny hain’andro ny taniketsa...
Post on 27-May-2019
244 Views
Preview:
TRANSCRIPT
Tetikasa Fanatsarana ny Famokaram-bary amin’ny
faritra avo anivon-tanin’i Madagasikara
PAPRIZ
Haitao teknika manokanaHaitao teknika manokana
ho an’ny voly varyho an’ny voly vary
anan--drano drano
2
4
Ny sarintany eto ambany dia mampiseho karazana vary mety
amin’ny faritra eto Madagasikara. Natao hanampy anao
mpamboly hisafidy ny karazam-bary tsara indrindra mety amin’ny
faritra misy anao (faritra avo sy mafana, sns).
- Karazana mahazaka ny toetrandro sy toetany misy
- Karazana mahatanty ny karazana aretina misy eo amin’ny
faritra (menalavitra, matifotsy, sns)
Masomboly tsara - vokatra tsara
FISAFIDIANANA NY MASOMBOLY
3
Faritra Karazam-bary
Alaotra Mangoro Makalioka 34, Tsemaka, Mailaka (X265).
Analamanga
Mailaka (X265), FOFIFA 160, Kelimamokatra (X243), Madera malady, 2509.
Bongolava
Mailaka (X265), 2509, X1648, Manjamena, Tsemaka
Itasy
Mailaka (X265), 2509, Madera malady, X1648, FOFIFA 160
Vakinankaratra
FOFIFA 160, Mailaka (X265).
Faritra misy anao
Fisafidianana karazam-bary :
FOFIFA 160 : 155-160 andro
Mailaka (X265) : 155-160 andro
Kelimamokatra (X 243): 155 andro
Madera malady: 145 andro
2509: 145 andro
Makalioka 34: 175-185 andro
Tsemaka: 160 andro
Masomboly tsara - vokatra tsara
FISAFIDIANANA NY MASOMBOLY
4
Mampiasà masomboly nohatsaraina sy voamarina:
Alaotra Mangoro: 25sm x 20sm = 1 kapoaka/m²= 1 ara
Bongolava-Itasy: 25sm x 25sm = 1 kapoaka/m²= 1 ara
Analamanga-Vakinankaratra:
20sm x 20sm =1 kapoaka/m²= 1 ara
Akotry maina 1 kapoaka = 200g
FIKAJIANA :
Fatran’ny masomboly ilaina amin’ny tanim-
bary 1 ara =
Isan’ny foto-bary/m2 X isan’ny ketsa
isam-potony X 100 (m2) X 0.9 (izany
hoe 90% no mitsimoka) X 2
(izany hoe 25 g ny lanjan’ny akotry
1000)
Fantaro mialoha ny fatran’ny masomboly ilaina ho an’ny taninao
FAMARANA NY MASOMBOLY
5
Mba hahazoana ketsa matanjaka:
1- Mampiasà masomboly voamarina avy
amin’ny fikambanana mpamokatra
masomboly (GPS), na mpamokatra tso-
tra voaramaso.
2- Masomboly efa voasivana tsara no
ampiasaina (tsara raha nokororohina
tamin’ny milina izay manavaka ny voa
mavesatra sy ny voa maivana)
3- Ataovy anaty rano madio na rano
misy sira ny masomboly voasivana.
Haroharohy, esory ny voa mitsingevana,
ataovy masomboly ny voa mavesatra.
Raha rano tsotra dia sivano in-droa mba
ho azo antoka tsara ny masomboly
Fanteno ny masomboly, ny tsara no ampiasao mba hahazoana ketsa matanjaka
FANOMANANA MASOMBOLY
6
Faritra Fampitsirina
Alaotra
Mangoro
Alona rano mandritra ny 1 andro;
Ahotrika anaty lavaka mafana na tobin-jezika mandritry
ny 1 na 2 andro, miankina amin’ny karazam-bary sy
toetr’andro;
Tondrahana rano dia rakofana gony raha toa ka maina
loatra ny masomboly.
Analamanga sy
Vakinankaratra
Alona rano dia atapy mandritra ny tontolo andro
Soloina in-droa isan’andro ny rano;
4 andro eo ho eo dia mitsiry ny masomboly miankina
amin’ny karazany sy ny hafanana.
Bongolava Alona rano 1 andro sy tapany;
Soloina in-droa isan’andro ny rano;
- Apetraka anaty siny misy rano dia avela eo amin’ny
masoandro ka rehefa vaky vazana dia afafy.
NA
- Ahotrika anaty lavaka mafana na tobin-jezika dia jere-
na matetika ka rehefa mitsiry dia afaka mamafy.
Itasy Alona anaty rano madio izay soloina in-2 isan’andro ka
atapy amin’ny masoandro mandrapaha-vaky vazana azy
(telo andro eo ho eo izany)
Faritra misy
anao
Voa efa vaky vazana no afafy fa tsy andrasana ho lava tsiry
FAMPITSIRINA
7
- Afangaroy tsara ny zezika sy ny
tany amin’ny taniketsa.
- Aparitaho tsara ny “Compost”
- Ataovy tsara ravona
Mora kokoa ny mikolokolo zana-bary amin’ny taniketsa vita soritra
FANOMANANA TANIKETSA
8
Antony:
- Ho voafehy tanteraka ny
rano ary marindrano ny tani-
ketsa
- Ahafahana manary rano na
mampidi-drano haingana
- Hitovy tantana ny fafy ketsa
ary mora karakaraina
Mora kokoa ny mikolokolo zana-bary amin’ny taniketsa vita soritra
FANOMANANA TANIKETSA
9
Ketsa matanjaka no tanjona:
1- Masomboly vaky tsiry 1 kapoaka dia ampy amin’ny 1m². Raha matevina loatra ny fafy dia harefo ny ketsa. 2- Ataovy mitovy tantana tsara ny famafazana:
Masomboly vaky vazana 1 kapoaka no afafy amin’ny 1 m² mba hitovy tantana
FAMAFAZANA
10
・Arovy amin’ny hain’andro ny taniketsa
・Arovy amin’ny biby mpanimba ny voly ihany koa
・Arovy amin’ny oram-be mba tsy ho entin’ny rano ny voa
・Hamaino tsara ny mololo na bozaka arakotra
・Diovy tsara ny mololo na bozaka mba tsy hisy voa hafa na
Aretina
- Tondratondraho rano tsikelikely ny
taniketsa rehefa voarakotra tany
- Raha mbola miseho ny masomboly dia
mbola tsy ampy izany ny vovotany ka
mila ampiana
- Rehefa vita izany dia afatratra tsara
Saromana tany sy bozaka ny ketsa hiarovana azy ami’ny biby
FANARONANA NY TANIKETSA REHEFA AVY NAMAFY
Rakofy vovo-tany sy
bozaka ny fafy ketsa
hiarovana amin’ny
bibikely sy ny vorona
11
Ny tanjona dia ketsa mitovy
tantana sy tsara kalitao:
- Tsidiho isan’andro ny tani-
ketsa.
- Tantano ny rano mba tsy ho be
loatra na ho maina ka manjary
ratsy faniry sy ho lanin’ny fano
- Asio rano foana ny tatatra
manodidina ny torim-boly na
pilasy ary tokony ho mora
ampidirina ny rano
Raha maina loatra dia
hitranga ny aretina
ary hanimba ny
bibikely
Raha be loatra ny
rano dia lava be sy
marefo ny ketsa
Rano voafehy: Tsy difotra ary tsy maina loatra ny taniketsa
FITANTANANA RANO-KETSA
12
Zezi-
pahitra
Zezi-
bazaha
Fatra Fotoana
hitondrana azy
Alaotra Mangoro 2 Kg/m² DAP 30g/m² Herinandro alohan’ny
fanetsana
Analamanga sy
Vakinankaratra
1 Kg/m² NPK na
DAP
Urée
72g/m²
20 g/m²
5-7 andro alohan’ny
fanetsana
Bongolava 1 Kg/m² DAP 36g/m² 3 andro alohan’ny
fanetsana
Itasy 1kg/m² DAP 36g/m² Rehefa hita fa tena
mavo ny ketsa
Faritra misy anao
Mampiasà zezika amin’ny taniketsa dia mahazo zana-bary tsara kalitao ianao!
FIKOJAKOJANA NY KETSA
13
Hahazoana tanimbary voaasa
tsara ny tanjona:
1- Ritina ho maina ny tanimbary,
tsy avela ho maina loatra sao
mihamafy ny fiasana azy
2- “Tomban-dririnina” (LAS) :atao
atao raha vao afaka ny vary satria
mbola malemy ny tany
3- Mahazo rivotra sy tara-
masoandro kokoa ny nofon-tany,
ka mamono ny bibikely sy ny areti-
na mety hamely ny vary izany.
4- Raha tsy nahavita tomban-
dririnina dia tokony hiasa 30-45
andro alohan’ny fihosena mba
hampitombo ny fahalovan’ny
ahitra.
Atao lalina ny vadibainga amin’ny fambolem-bary
FANOMANANA NY TANIMBARY
14
Zezi-pahitra
Zezi-bazaha Zezika fanampiny (Urée)
Voalohany Faharoa
Alaotra Mangoro
5-10 t/ha
DAP: 100 kg/ha
45 kg/ha
(1 volana aorian’ny fanetsana)
45 kg/ha
(Rehefa mandratsy aina)
Analamanga
5 t/ha
DAP: 150 kg/ha
na NPK(11-22-16): 300 kg/ha
50 kg/ha
(15 andro aorian’ny fanetsana)
30 kg/ha
(Rehefa mi-sondro-dreny)
Bongolava 5—10t/ha DAP: 50 kg/ha miampy Urée 25Kg/ha (Afafy man-dritra na ao-rian’ny fiho-sena)
25 kg/ha
(Alohan’ny misondro-dreny)
Itasy 5 t/ha DAP: 100 kg/ha
25 kg/ha (amin’ny fiavana voaloha-ny)
25 kg/ha (Alohan’ny misondro-dreny)
Vakinankaratra 5 t/ha NPK(11-22-16): 300 kg/ha
50 kg/ha
(15 andro aorian’ny fanetsana)
30 kg/ha
(Rehefa mi-sondro-dreny)
Faritra misy anao
Fanamarihana: Azonao atao ny mampiasa Sulfate d’Ammonium (S.A) ho solon’ny
Urée ka amin’izay fotoana izay dia atao in-droa @fatran’ny Urée ny fatran’ny S.A.
Ohatra: Urée: 50 kg/ha dia ny S.A tokony ho 100 kg/ha
Tany lonaka no tanjona ka zezi-pahitra no fenitra
FAMPIASANA ZEZIKA
15
Vary maniry sy mitombo tsara
no tanjona:
1- Hatsarao amin’ny zezi-pahitra masa-
ka tsara ny nofon-tany, farafahakeliny
50 kg/ara na 1 sarety amin’ny tany 5
ara
2- Ampio zezi-bazaha mba ho ampy
tsara ny sakafony amin’izay afaka ma-
niry tsara ny vary
3- Itondrao Azota (urée na zezika si-
ramamy) ny vary amin’ny fotoana
fisakelehana sy famelanana fa tena
ilaina izany
“Tsy maintsy mampiasa zezi-pahitra
vao afaka mampiasa zezika simika.”
Tany lonaka no tanjona ka zezi-pahitra no fenitra
FAMPIASANA ZEZIKA
16
Mba hahazoana tany vita hosy tsara :
1- Alona rano tsara ny tanimbary
alohan’ny fandragiragiana
2- Ataovy sahaza ny rano alohan’ny fan-
dragiragiana mba tsy ho very ny tsiron-
jezika
3- Ezaho ho marindrano ny tanimbary
mandritra ny fandragiragiana hahamora
ny fandravonana
Ataovy tsara hosy ny tanimbary dia ho mora ny fandravonana
FANDRAGIRAGIANA
17
Mba hanamora ny fitantanana ny
rano ary hanamora ny fanetsana:
1- Tokony halemy tsara ny tany
2- Alamino tsara amin’ny
ragiragy toy ny hita eto amin’ny
sary
3- Raha mbola be rano ny tanim-
bary dia avela ridritra vao atao
Fanarenana ny tany
Ireo fitaovana ampiasaina hanaovana ny fandravonana:
- Hazo fisaka tarihin’omby
- Vatan-kazo efa mora sitonina amin’ny tady
- Tapakazo fisaka entina tanana
Ny tanimbary marindrano dia manamora ny fitantanan-drano
FANOMANANA NY TANIMBARY
18
1
2
3
4
Ketsa 3 na 4 ravina no ampiasaina
KETSA
19
Mba hahazoana ketsa tonga dia
maniry avy hatrany dia:
- Sorohy amin’ny angady miaraka
amin’ny tany naniriany, tandremo
tsy ho tapaka ny fakany!
- Apetraka ambony sahafa na
zavatra fisaka.
- Tsy ongotana ny ketsa, tsy sasa-
na ary tsy akapoka ny vodiketsa
- Ny taniketsa dia tsara raha
akaiky ny tanimbary
- Ny zana-bary tsy tapaka faka dia
mitohy maniry avy hatrany:
Tsy miorina na main-dravina
Sorohana amin’ny angady na ongotana moramora ny ketsa
FIAVOTAN-KETSA
20
Manamora ny fikolokoloana sy mampitovy ny fizaràn’ny sakafon’ny vary ny Ketsa tora-tady
FANETSANA
21
Rano tsara tantana antoky ny fahombiazana
FITANTANAN-DRANO
22
** Ho an’ny faritra Bongolava : 10 andro aorian’ny fanetsana ny fiavana
Fomba fiavana:
- Fehezo tsara ny elanelan’ny ketsa amin’ny
fotoam-panetsana.
- Mampiasà sarklezy mifanaraka amin’ny
elanelan’ny vary.
Ampifanaraho tsara ny haben’ny sarklezy sy ny elanelan’ny ketsa
FIAVANA
23
Manatsara ny fananahan’ny vary sy ny fiterahany ny fanampin-jezibazaha (Urée)
FANAMPIN-JEZIBAZAHA
Mba hahabetsaka ny zana-bary sy mba hahatsara ny tera-bary
dia :
1- Tsy azo atao indray mitondra ny fatran’ny Azota rehetra fa lasa en-
tona ka lasan’ny rivotra fotsiny.Ny atao hoe Azota dia ny singa entin’ny
zezika “Urée”.
Tsara raha amin’ny fotoana tena ilain’ny voly azy no itondrana azy.
2- Mila Azota betsaka ny vary amin’ny fotoana fananahany ka tsara raha
itondrana izany amin’io fotoana io. Raha tsy ampy io singa io dia
mametra ny isan’ny zana-bary. Mbola mila izany koa izy amin’ny
fotoana fisondrotan-dreny na mandratsy aina ka hatramin’ny fiterahany
ka eo ny fotoana faharoa itondrana ny “urée”.
24
1- Mampiasà karazam-bary maha-
tohitra aretina
2- Tadiavo ny fototra nipoiran’ny
aretina sy ny bibikely ahafahana
mamantatra mialoha ny fanafody
ampiasaina
3- Diovy ny lobolobo manodidina
ny tanimbary hisorohana doro
tanety
4- Ataovy mandritra ny taona ny
fiarovana amin’ny aretina sy ny
bibikely
Mampiasà karazam-bary mahatanty aretina
ADY AMIN’NY ARETINA SY NY BIBIKELY
25
Ny vary voajinja aloha no ahazoana tombony
FOTOAM-PIJINJANA
26
Hahazoana fotsim-bary tsy potika:
1- Ny fivelezam-bary mahazatra
(fivelezana vary amin’ny fitaovana mafy
toy ny barika, vato, laona sns) dia
manapaka ny fotsim-bary betsaka
Be ihany koa ny very ary ambony ny
masonkarena satria mampiasa olona
maro
2- Mampiasà milina fivelezam-bary izay
haingam-piasa sy tsy mila olona maro
3- Asio labasy na korofoka na goelaka
eo ambaniny mba tsy ho very ny akotry
toy ny hita eo amin’ny sary
Fitaovana harifomba: ny fotoana tsy very ary ny vokatra tsara
FIKOROROHANA
27
Azo antoka ny fikororohana amin’ny milina
FIKOROROHANA
28
top related