politika lah 1 023t al t m rs 2 rina r n ......rahateo ny fanabeazana olom-pirenena amin’ny...

Post on 28-Feb-2021

4 Views

Category:

Documents

0 Downloads

Preview:

Click to see full reader

TRANSCRIPT

2Lah 1023 Talata 3 marsa 2020Politikawww.gvalosoa.com

Dokam-barotra

Tel. 034 79 076 00

Ny mpitsara, Fanirisoa Ernaivo.

Ny sekretera jeneralin’ny antoko TIM, Rina Randriamasinoro.

Sora-baventy fanoherana voka-pifidianana tany Anorotsangana Ambanja.

Fanabeazana an-dalambe,

haharitra sy hahomby ve ?

Ny Valosoa sy fakafaka

Anorotsangana-Ambanja

misy mijoro manohitra ny vokatra fifidiananaben’ny tanàna

Misy mijoro manohitra ny voka-pidifianana Ben’ny tanàna faranyteo amin’izao fotoana, anyamin’ny kaominina Anorotsan-gana, distrikan’Ambanja, faritraDiana. Gaga sy talanjona ny va-hoaka tany an-toerana raha nan-dre ny voka-pifidianana tanyamin’ny Kaominina Anorotsan-gana ditrikan’Ambanja, tamin’nyvoka-pifidianana Ben’ny tanànafarany teo, navoakan’ny Fitsa-rana misahana ny ady amin’nyFanjakana sy ara-bola, anyamin’ny Faritanin’Antsiranana. Ny kandida faharoa, nahazovato 31,79%, araka ny vokatravonjimaika navoakan’ny CENIno nambara, fa voafidy ofisialyho Ben’ny tanàna, fa tsy ny voa-lohany, nahazo 42,25% ny vatomanankery, nefa tsy nisy fito-riana na fitarainana, fa dia nan-deha araka ny tokony ho izy nyfifidianana. Nanao hetsika ireomanohitra io voka-pifidianana io,omaly, mitaky ny hamoahana nymarina.

Niaina

Fanirisoa Ernaivo

Foano avokoa ny fifidianana Filohampirenena, depiote ary ben’ny tanàna

Manoloana ny fanamba-rana nataon’ny CENI nyherinandro teo, milaza famisy karapanondrom-pi-renena 1 tapitrisa maherymitovy laharana nampia-saina tamin’ny fifidianananifanesy teto amintsika,mitondra ny fahitanyan’izany ny mpitsara Fa-nirisoa Ernaivo. Maro nyolona efa niteny tamin’nytaona 2018 hoy izy, famisy hosoka maro ao, aryanisan’izany ny tale jene-ralin’ny Imprimerie Natio-nale, na ny Trano Prin-tim-pirenena tamin izany,fa nodiana fanina, ary ma-hagaga aza dia izy indrayno nanaovan’ny Procu-reur de la République bemidina nanaovana saisietao amin’ny ImprimerieNationale, nefa tokonyhoe izy no vavolombelonailaina ahitana aiza ireoCIN fôsika, na tsy izy ireo.Misy mpiray tsikomba-komba koa ao amin’nyFitsarana ao Anosy ao aryhitantsika hatramin’izao,fa na dia efa malaza symampiteny ny moana nyfeo heno mikasika azy diambola tazonin’ny fiton-drana mifandimby eoihany satria nahoana?Resaka hafa izay Fitsa-rana izay, fa ny mikasikaireo CIN tsy izy aloha noresaka. Tamin’izany iza-hay hoy Fanirisoa Er-naivo, no efa niteny arytena nanitrikitrika mihitsyniaraka tamin’ny porofoteo ampelatananay, famisy ny hosoka. Izao nyCENI miaiky , koa nohoizany dia aoka ho raisinany andraikitra foano ireofifidianana nifanesy, fa fa-hotana mahafaty fanim-bazimbana ny zo fototrasy ny demokrasia: foanony fifidianana filohampire-

nena, ny fifidianana de-piote ary ny fifidiananaben’ny tanàna sy mpano-lotsaina farany teo ireny.Voasazin' ny lalàna nyolona nampiditra, na na-nala olona tao anaty lisi-pifidianana ary mahavoa-sazy izany, na olona iraymonja no nanaovanaizany, kanefa dia anarana1.270.000 no nodisoinatao anaty lisi-pifidianana,ka dia ho lazaina ve izanyfa ERREUR, na fahadi-soana izany, fa tsy fanahi-niana ? Dikany, tsy main-tsy saziana mafy dia mafyko izay tompon'antoka.Ary tena antony hanafoa-nana ny fifidianana rehe-tra nisy, ny nampiasanaizany lisitra feno hosokaizany tamin’ireo fifidia-nana nifanesy, nanom-boka tamin’ny fifidiananafilohampirenena. Arak’iza-ny hoy ihany ity mpitsara :Izahay mouvement descitoyens malagasy dumonde (MCIMM) dia ma-moaka izao fanambaranaizao manoloana ny fie-ken'ny CENI, fa tena nisyary misy tokoa ny hosokabe vava nitranga tamin’ny

fifidianana nifandimby, kanoho izany dia takiana tsymisy fepetra ny fanafoa-nana ireo fifidianana rehe-tra nifandimby teto Mada-gasikara ary faizina arakany lalana ireo tompon'an-draikitra rehetra niray pet-sapetsa sy niray tsikom-bakomba tamin'izany.Mbola tsy ampy ny fana-zavan’ny ceni mikasika nylisi-pifidianana. Mbola vaoireo 1.270.000 diso no no-lazainy, fa mbola misy koaireo olona efa maty ma-robe voasoratra ao ana-tin’io lisitra io ary tsyvoatery miverimberina nylaharan’ny CIN an’izyireny. Misy olona marokoa nesorina ankitsiranotao anaty lisi-pifidiananaary mbola voaporofo ta-min’ny fifidianana Ben’nyTanàna farany teo izany. TSY 1.270.000 ihany nodiso ao anatin’io lisitra iofa mahatratra any anyamin’ny 2.500.000 ma-hery any, na mety mbolamihoatra aza! izany hoeraha 10.000.000 ny isan’ny mpifidy, dia 25% isan-jaton’ireo mpifidy ireo diahosoka ary tadidio fa tsy

manodidina ny 50% nolatsaka ny tahan'ny mpi-fidy isaky ny fifidianananandeha tamin’ny 2018,2019, dikan’izany dia izaynahavidy ireo 25% ho-soka ireo no nandresy ta-min’ny fifidianana Filo-hampirenena. Tsy mila filoha lany ta-min’ny hosoka ny mala-gasy, ka manentana nyrehetra foano ny fifidia-nana feno hosoka arysazio izay rehetra nan-dray anjara tamin’izanyfanaovana hosoka izany,hoy ihany i Fanirisoa Er-naivo.

Stefa

Rina RandRiamasinoRo

Tsy handroso ny firenena raha mbola manjaka ny

tsy fahamarinana

Manoloana ny fanambaràna miezinezina na-taon'ny CENI tamin’ny nisian’ny karapanondromitovy laharana miisa 1 tapitrisa mahery,

tamin’ny lisi-pifidianana nampiasaina hatramin’izay, synikitihana ny lisi-pifidianana dia manamafy ny sekre-tera jeneralin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM),sady kandida ben'ny tanàna teto Antananarivo Renivo-hitra, Rina Randriamasinoro, fa mitombina tanterakany fitakiana nataon'ny vahoaka, ny hivoahan’ny marinatamin’ny fifidianana teto amin’ny firenena. Mazava izaohoy ity farany, fa tsy vokatry ny safidim-bahoaka nyvalim-pifidianana nivoaka teto. Aminay hoy i Rina Ran-driamasinoro dia tsy zava-baovao ireny fanambaranaizay nataon’ny CENI ireny , ary efa ela izahay no nitenysy nitaky, ka nametraka fitoriana teny anivon’ireo fitsa-rana mahefa tamin’izany. Nitaky ny hivoahan’ny faha-marinana hatrany , nitolona, saingy tsy nisy nihaino.Ny mahagaga anefa ankehitriny dia tsy ny Vahoaka,na ny antoko TIM no nanao ireny fanambarana ireny,fa ny tomponandraikitra mihitsy.Fanontaniana mipetraka dia ny hoe, fa naninona efavita ny fifidianana nifandimby rehetra izay vao nivoakany fahamarinana ? Iza no nanana tombontsoa tamin’nyfitazonana izany fahamarinana izany? Manana zo ha-halala ny marina ny vahoaka satria fanitsakitsahana nysafidim-bahoaka ny tsy fahamarinan’ny fifidianana. Ary

hamafisiko hoy Rina Randriamasinoro, fa tsy hisy fire-nena handroso izany eto raha mbola manjaka ny tsyfahamarinana eto Madagasikara.

Helisoa

Ho hatramin’ny oviana ny hahavitan’ny polisy syzandary mpandrindra ny fifamoivoizana manabe nympandeha an-tongotra, sy ny mpamily fiarakodia,na môtô hahay hanaja ny anjara lalana manandrifyazy ? Miseho amin’ny toerana vitsivitsy eto an-dre-nivohitra amin’ireo arabe be olona ny fandaminanaataon’ireo polisim-pirenena sy zandarimariam-pire-nena. Anisany ny eny Anosikely sy eo Analakely. Tsi-karitra koa aloha fa tsy ny arabe rehetra eo amin’ireotoerana ireo no isian’izany fandaminana na fandrin-drana ny fifamoivoizana izany. Amin’ireo fari-dalanaisian’ny hetsika dia hita beazin’ireo mpitandro fila-minana ny hanajan’ny mpandeha an-tongotra ny fo-toana handehanan’ny fiarakodia sy ny anjaranymiampita ny arabe. Hetsika tsara izany, kanefa tsi-karitra fa mbola misy ny tsy manaja izany. Ani-san’izany ireo mpitondra môtô, izay hita matetika hotsy manaraka ny fandaminan’ny polisy. Misy ihanykoa ireo mpandeha an-tongotra no toa manery fo-tsiny izao ny polisy hampijanona ny fiarakodia. Ma-zava loatra fa mbola maro amin’ireo mpandeha an-tongotra no tsy manaja ny faritra natao hiampitànyarabe. Misy amin’ireo mpamily fiarakodia aloha azoheverina ho ny tahotra polisy ihany no hijanonany,sao ho tratry ny sazy eo, fa efa zatra loatra ny tsyfanajana ny mpandeha an-tongotra izy ireo.Efa zatra gaboraraka sy tsy fanarahan-dalàna ha-tramin’ny ela ny mponina an-tanàn-dehibe enyamin’ny arabe. Samy tsy mahahaja ny tandrify azyireo mpifamezivezy ary manampy trotraka ny mpi-varotra amoron-dalana. Iaraha-mahalala, fa tsy misyrahateo ny fanabeazana olom-pirenena amin’ny fiai-nana an-tanàn-dehibe nandritry ny taona maro tetoamin’ny firenena. Efa zary raiki-tampisaka sy lalim-paka amin’ny maro ny tsy fahalalana intsony ny to-kony ho fomba atao eny an-dalambe eny fa samymanao izay saim-pantany avy ny ankolafiny mpifa-moivoy. Mazava loatra fa nisy rahateo ny fampiko-rosofahana ny firenena tato anatin’ny 10 taona izay,nanomboka tamin’ny hetsika fanonganam-panja-kana 2009 notarihan’i Andry Rajoelina ireny. Fanon-taniana hatrany ho an’ny mpanara-baovaoankehitriny ny amin’ny hoe : hahomby ve ity fana-beazana atao an’ny rehetra mifamoivoy eny an-da-lambe ity? Hanam-paharetana ve ireo mpitandrofifamoivoizana satria ezaka tsy ho vita anaty fotoanafohy io vokatry ny leson-dratsy nambolena tetoihany?

Radafy

top related