zezi-pahitra masaka tsara atao ambany asa pf version mlg_papriz2.pdfmanetsa marivo mba hahamaro ny...
Post on 01-Sep-2020
3 Views
Preview:
TRANSCRIPT
1. FANOMANANA TANIMBARY
ZEZI-PAHITRA
MASAKA TSARA
ATAO AMBANY ASA
ASAINA 1 VOLANA MIALOHA NY TANIMBARY FARA FAHATARANY
ATAO AMBANY ASA NY ZEZI-PAHITRA MBA HO MASAKA TSARA SY HIFANGARO AMIN'NY TANY.
2. FISAFIDIANANA MASOMBOLY
FAMANTARANA AVY @
"ANCOS"
Ny masomboly voamarina dia tsy maitsy misy
“Certificat”na taratasy fanamarinana.
Hita eo amin’ny “Certificat”:
Anaran’ny mpamokatra masomboly sy ny
Fitomboky ny mpitsirika
Ny masomboly ilaina dia 2kg isaky ny 10 ara na
20kg isaky ny hekitara.
3. FIFANTENANA MASOMBOLY
KETSA TSARA KALITAO
NO TANJONA
NY TANJONA DIA MBA AHAZOANA KETSA MATANJAKA
NY VOA MAVESATRA, IZAY TSY MITSINGEVANA IHANY, NO AZO AFAFY
HAROHARONA TSARA ALOHA MBA AMPIHAVAKA NY VOA MAIVANA SY MAVESATRA
4. FAMPITSIRIANA
Vao vaky vazana
TSY METY
Alona anaty rano mandrapaha vaky
vazana ny masomboly (3-5 andro eo ho eo)
miankina amin’ny hafanana.
Soloina in-2 isan’andro ny rano,amin'ny
maraina sy hariva.
Ketsa miara-mitombo sy mitovy
tantana no tanjona.
5. FANOMANANA TANIKETSA
ZEZI-PAHITRA POTIPOTIKA TSARA
FAMPIDIRAN-DRANO TANIKETSA MARIN-DRANO
Ireo refiny ireo dia manamora ny
fikarakarana eo an-taninketsa sy ho an’ny
fitantanandrano.
Atao marin-drano ny taninketsa mba
hampitovy tantana azy.
6. FAMAFAZANA
1kapoaka/m²
RAKOFANA ZEZIKA NA TANY
MASAKA
TSINDRINA MORAMORA RAKOFANA BOZAKA
1 kapoaka safo vavany no afafy ho an’ny 1m²
Rakofana ny ketsa mba harovana amin’ny orambe, hafanana be loatra ary ny biby mpanimba voly.
7. FIKOJAKOJANA TANIKETSA
a. FITANTANANANA RANO
b. FITONDRANA ZEZIKA
DAP 1tanana/m²
na NPK
2tanana/m²
Ampitovina ahavo amin’ny taninketsa
ny rano anaty tatatra rehefa ritra.
Herinandro alohan’ny hanetsana dia
asiana zezika DAP"18-46-0" (1 tanana/m²)
na NPK"11-22-16" (2 tanana/m²) mba
hampitombo haingana ny ketsa aorian’ny
fanetsana.
FOMBA
FANDRARAHANA
ZEZIKA
8. FANOMANANA TANIMBARY
Atao mitovy tantana ny
fanapariahana zezika eo an-tanimbary;
Afafy alohan’ny fihosena ny zezika
DAP (10kg/10a) na NPK (20kg/10a);
Atao marindrano ny tanimbary
mba hampitovy tantana ny fitombon’ny vary
sy manamora ny fitantanan-drano.
9. FANETSANA
Manetsa rehefa feno 2-4 ravina satria eo
Rayonneur
Tora-tady1
2
34
Halalin'ny fanetsana 3sm
Manetsa rehefa feno 2-4 ravina satria eo
no manomboka mipoitra ny sakelika
voalohany;
2 na 3 isam-pototra no aketsa;
Hajaina ny elanelan’ny ketsa mba
hahafahan’ny vary manitatra ara-dalana,
hahazoany masoandro sy rivotra ary hahamora
ny fiavana amin’ny sarklezy;
Manetsa marivo mba hahamaro ny zana-
bary.
10. FIKOJAKOJANA
Haavon’ny rano:
Tazomina ho 3-5 sm;
Ritina ny tanimbary tapa-bolana alohan’ny
fijinjana.
Fotoana fihavana:
Ny voalohany 15 andro aorian’ny
fanetsana;
15 andro aorian’ny ava voalohany ny
faha-roa;
Atao ava Tanana ny faha-telo.
11. FITONDRANA UREE NA SULFATE D'AMMONIUM
2- REHEFA MISONDRO-DRENY
1- AORIAN'NY FIHAVANA VOALOHANY
Urée 5Kg/10a NA
Sulfate d'ammonium
10Kg/10a
Urée 5Kg/10a NA
Sulfate d'ammonium
10Kg/10a
Fitondrana zezika:
1
2
Fitondrana zezika:Voalohany (Aorian’ny fihavana
voalohany): 5kg/10ara raha urée"46-0-0", 10kg/10ara raha Sulfate d'Ammonium"21-0-0-24" mba
ahabetsaka ny isan’ny zanabary isam-
pototra;Faharoa (Rehefa misondro-dreny
ny vary): 5kg/10ara raha urée, 10kg/10ara raha Sulfate d'Ammoniummba ahatonga ny voa ho
feno tsara.
12. FIJINJANA
HAMAININA 15 ANDRO
ALOHAN'NY FIJINJANA NY
TANIMBARY
Hialana amin’ny fahaverezan’ny vary dia:
Jinjana rehefa manomboka mavo ny 80% voa;
Raha aloa loatra: betsaka ny
voa mbola maitso;
Raha aorina loatra: betsaka
ny voa mora miraraka.
13. AORIAN'NY FIJINJANA
Hampihenana ny tahan’ny vary very sy potika dia ilaina ny fampiasana milina.
TSY MANDANY FOTOANA NY FAMPISANA BATEZY SY VANEZY
top related