antso maika ara- paminaniana

94
ANTSO MAIKA ARA- PAMINANIANA Pr TED WILSON Filohan’ny Foibe Eran-tan

Upload: atara

Post on 24-Feb-2016

59 views

Category:

Documents


0 download

DESCRIPTION

ANTSO MAIKA ARA- PAMINANIANA. Pr TED WILSON Filohan’ny Foibe Eran-tany. Ny Advantista mitandrina ny andro fahafito : Fihetsehana ara-paminaniana. - PowerPoint PPT Presentation

TRANSCRIPT

Page 1: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

ANTSO MAIKA ARA-PAMINANIANA

Pr TED WILSON Filohan’ny Foibe Eran-tany

Page 2: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Ny Advantista mitandrina ny andro fahafito :

Fihetsehana ara-paminaniana Ry rahalahy sy anabavy ao amin’i Kristy ,

amin’ny maha- Filohan’ny Foibe Eran-tany ahy , dia tena matoky aho fa eo an-tanan’Andriamani-tra ity fiangonana ity .

Izy no Mpanorina azy, Izy no Mpitarika azy , Izy no kapiteny , Izy no Jeneraly , eny Izy no Lohany.

Izy no niaro ity Fihetsehana ity tamin’ny lasa , Izy no manohana azy isan’andro ankehitriny, lzy no hitarika azy amin-kery amin’ny ho avy.

Page 3: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Ilay Mpamorona antsika , Ilay Mpamonjy antsika , Ilay Mpanjakantsika Izay ho avy dia Izy no hany fanantenan’ny Fiangonana ankehitriny , Izy no hany fanantenan’ny Fiangonana rahampitso sy ho mandrakizay.

Izy no nanorina ity Fiangonana ity ho amin’ny tanjona manokana ary tsy hivaona amin’izany tanjona nokasain’i Kristy ho azy izany ny Fiangonany.

Ny Advantista mitandrina ny andro fahafito :

Fihetsehana ara-paminaniana

Page 4: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Ny AMAF dia fihetsehana ara-paminaniana nantsoina tamin’ny fomba manokana.

Tsy antokom-pinoana tahaka ireo fiangonana hafa isika. Fihetsehana avy amin’Andriamanitra amin’ny andro

farany isika , Ho amin’ny tanjona manokana amin’izao andro farany

izao , Manana hafatra manokana ho amin’izao andro farany

izao , Hamita iraka manokana eo amin’izao tontolo izao ,

amin’izao andro farany izao.

Ny Advantista mitandrina ny andro fahafito :

Fihetsehana ara-paminaniana

Page 5: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Tsy midika akory izany fa tsy manana fihaikana ny Fiangonana .

Tena manana tokoa izy ary amim-pahatsorana no ilazako aminareo ny sasany amin’izy ireny anio.

Eo anivon’ireny fihaikana ireny anefa dia miasa amin-kery ny Fanahy Masina ary azo antoka ny fandresen’ny Fiangonana amin’ny farany .

Ny Advantista mitandrina ny andro fahafito :

Fihetsehana ara-paminaniana

Page 6: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Ny Tenan’i Kristy Hoy Jesosy ao amin’i Mat. 16 :18 :«…Ary

ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako ary ny vavahadin’ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy».

Ity fiangonana ity dia tsy fandaminana na-tsangan’ny tanan’olombelona…Ny Mpa-monjy mihitsy no niteny fa Izy no nanorina ny Fiangonany « ary ny vavahadin’ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy».

Ao amin’ny 1 Kor 12 , ny fiangonana dia antsoina hoe « ny Tenan’i Kristy ».

Page 7: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Ao amin’ny Efes. 5: «vadin’i Kristy», Ao amin’i 1 Pet. 2 , ny Fiangonana dia

«tranon’i Kristy ». Ary ao amin’ny 1 Pet. 2 :9 , ny apostoly

Petera dia manambara fa ny vahoakan’ Andriamanitra dia « taranaka voafidy , fanjaka-mpisorona ,firenena masina , olona nalain’Andrimanitra… »

Ny Tenan’i Kristy

Page 8: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

VM p.13 : «Ny fiangonana no tanàna mimandan’Andriamanitra ,tanàna fandosirana izay napetrany eo amin’izao tontolo izao mikomy. Raha tsy mahatoky ny fiangonana dia mamadika Ilay nividy ny taranak’olombelona tamin’ny ran’ny Zananilahy tokana izy.Hatrany am-piandohana dia nisy hatrany olona mahatoky nampijoro ny fiangonana teto an-tany. Tamin’ny vanim-potoana rehetra dia nanana ny mpitiliny Jehovah ,vavolombelona mahatoky teo amin’ny taranaka niara-belona taminy .

Ny Tenan’i Kristy

Page 9: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

«Nitondra hafatra fampitandremana ireo mpitily ireo, ary rehefa nantsoina hametraka ny fiadiany izy ireo ,dia nisy hafa indray nandray ny asa. Nanao fanekena tamin’ireo vavolombelona ireo Andriamanitra , ka nampiray ny fiangonana teto an-tany tamin’ny fiangonana any an-danitra . Nalefany ny anjeliny hanao asa fanompoana ho an’ny fiangonany , ka tsy afaka handresy azy ny vavahadin’ny fiainan- tsy hita. »

Ny Tenan’i Kristy

Page 10: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Tsy maintsy handresy miaraka amin’i Kristy ny Fiangonany .

Tsy mbola resy an’ady na oviana na oviana Jesosy .

Teo amin’ny hazo fijaliana dia resy tanteraka ny herin’ny maizina .

Ao amin’ny tobin’ny mpandresy no misy ahy sy ianao…

Ny Tenan’i Kristy

Page 11: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Ny devoly rehetra dia tsy afaka sady tsy ho afaka hisakana ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny Fiangonany.

Handresy ny Fiangonan’i Kristy amin’ny farany .

Hamirapiratra hatrany ny fahamarinana mandra-pahatanteraky ny faminaniana ao amin’ny Apokalypsy 18 manao hoe « ary ny tany nohazavain’ny voninahiny. »

Ny Tenan’i Kristy

Page 12: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Fitomboana tsy mampino ! Teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana , dia

manana porofo maro isika fa nandresy ny herin’ny ratsy hatrany ny fahamarinana .

Kristy dia mitarika ny Fiangonany avy amin’ny fandresena ho amin’ny fandresena.

Mamelà ahy ianareo hanambara toe-javatra vitsivitsy mahatalanjona :

Tamin’ny 1863: advantista 1 ho an’ny olona 356 000 teo amin’izao tontolo izao.

Page 13: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Novambra 2013: advantista 1 ho an’ny olona 400 eo ho eo.

Teo aloha dia nila 107 taona ny fiangonana vao nahatratra mambra 1 tapitrisa (1 million).

Ankehitriny , dia misy olona 1 tapitrisa no vita batisa isan-taona.

Olona 25 tapitrisa (25 millions) no mivavaka ao amin’ny trano fiangonana mihoatra ny 70 000 , ao amin’ny firenena mihoatra ny 200.

Miasa Andriamanitra , ary miasa amin’ny fomba mahagaga koa ny Fanahy Masina !

Fitomboana tsy mampino !

Page 14: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Ny zavatra tena ilaintsika ! Ny fifohazana no zava-dehibe sy maika

indrindra ilaintsika. Tato anatin’ny taona vitsivitsy dia nantitranterin-

tsika mafy ny momba ny fifohazana , ny fana-vaozana ary ny iraka nampanaovina antsika .

Ny hoe fanavaozana dia fifohazan’ny fiainana ara-panahy isan’andro ao amin’ny fo amam-panahin’ny tsirairay avy amintsika .

Ny hoe fanavaozana dia fanoloran-tena lalina , mikatsaka ny sitrapon’Andriamanitra sy ny hankatò izany eo amin’izay rehetra ataontsika.

Page 15: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Rehefa mampilefitra ny sitrapontsika isan’ andro, eo ambany sitrapon’Andriamanitra isika dia izay no miteraka fanavaozana.

Avy eo Andriamanitra dia manome antsika fahazavan-tsaina hahatakarantsika ny iraka nampanaovina antsika ,isam-batan’olona na amin’ny maha fiangonana antsika .

Ary dia manolo-tena hanompo Azy isika amin’ny lafim-piainantsika rehetra amin’ny fanatanterahana izany iraka izany.

Ny zavatra tena ilaintsika !

Page 16: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

1MC p.141 : “Ny zavatra lehibe sy tena maika indrindra ilaintsika dia ny fifohazan’ny tena toe-panahy araka an’Andrimanitra eo anivontsika. Ny mikatsaka izany no tokony imasoantsika voalohany. Tokony hanao ezaka mafy mihitsy isika mba handraisana ny fitahian’ny Tompo, tsy hoe tsy sitrak’Andriamanitra ny hanome izany , fa isika no tsy vonona handray izany.”

Ny zavatra tena ilaintsika !

Page 17: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

“Ilay Raintsika any an-danitra dia vonona ny hanome ny Fanahiny ho an’ireo izay mangataka izany , mihoatra noho ny fanirian’ny ray aman-dreny eto an-tany hanome zava-tsoa ho an’ny zanany. Fa anjarantsika ny mameno ny fepetra aha-zoan’Andriamanitra mandrotsaka ny fitahiany, amin’ny alalan’ny fiaiken-keloka miaraka amin’ny fanetren-tena sy fibebahana ary vavaka mafana. Amin’ny amin’ny alalan’ny vavaka ihany no hahatanteraka ny tena fifohazana.”

Ny zavatra tena ilaintsika !

Page 18: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Fanambarana kanto loatra izany! Zavatra tena ilain’ny fiangonana ankehitriny

ny fifohazana , Ambonin’izany anefa dia ny fifohazana no

tena ilaintsika maika indrindra eo lafim-piainantsika rehetra ,ary ampaherezina isika mba hanao laharam-pahamehana ny fikatsahana izany.

Ny zavatra tena ilaintsika !

Page 19: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Fanirian’ny fo ! Ankehitriny dia tiako ny milaza

aminareo ny faniriana lalina ato am-poko .

Raha tsy omban’ny ny herin’Andriamanitra isika dia tsy ho vita ity asa ity.

Tsy afaka ny hifanandrina amin’ny herin’ny ratsy amin’ny herin’olombe-lona isika .

Page 20: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Amin’ny maha Filohan’ny Foibe eran-tany ahy , dia maniry indrindra aho mba handray ny herin’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainako manokana.

Mihoatra noho ny zavatra rehetra dia faniriako ny hirotsahan’ny Fanahy Masina amin’ny fahafenoany mba ho famitana ny asan’Andriamanitra eto an-tany , ary dia hiverina Jesosy , Ilay Fanantenantsika !

Ny zavatra tena ilain’ny Fiangonana dia :

Fanirian’ny fo !

Page 21: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Tsy fandaharan’asa bebe kokoa, Tsy vola bebe kokoa, Tsy orin’asa bebe kokoa : tsy fitaovam-

pifandraisana na trano fanontam-boky bebe kokoa, na dia tena manana ny lanjany aza ireo .

Ny zava-dehibe tena ilaintsika , ny zavatra tena maika indrindra ilaintsika sy tokony haha-dodona antsika indrindra dia ny firo-tsahan’ny Fanahy Masina .« Tsy amin-kery na amin’ny fahatanjahana fa amin’ny Fanahiko, hoy Jehovah Tompon’ny maro. »

Fanirian’ny fo !

Page 22: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Ireo fandaharana hitondra fifohazana :

Tianao ve ny hiaraka amiko , hiaraka amin’ireo mpitarika ny Fiangonana advantista sy ireo mambra manerana izao tontolo izao , hanetry ny fontsika eo anatrehan’Andriamanitra,hivavaka amin’ny fontsika tokoa , hikatsaka ny firotsahan’ny Ranonorana mivatravatra dia ny Fanahy Masina ?

Tianao ve ny hiaraka aminay hitalaho amin’Andriamanitra mba handrotsahany amin’ny fahafenoany ny fitahiana avy any an-danitra ?

Page 23: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Tianao ve ny hitady an’Andriamanitra miaraka aminay ao amin’ny Division , ao amin’ny Union , ao amin’ny Fédération, ao amin’ny Mission… , ao amin’ny fiangonana misy anao ?

Tianao ve ny hitalaho amin’Andriamanitra ao amin’ny tarika madinika misy anareo , ao amin’ny fianakavianareo ?

Miantso antsika Andriamanitra mba hanolo-tena lalindalina kokoa amin’izao ora farany amin’ny tantaran’ny tany izao.

Ireo fandaharana hitondra fifohazana :

Page 24: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Tsy fotoana fanaovana antsirambina intsony izao.

Izao no fotoanan’ny fanoloran-tena tanteraka ho an’i Kristy .

Tonga ny fifohazana rehefa manokana fotoana hivavahana sy ianarana ny Tenin’Andriamanitra isika .

Izany indrindra no anton’ireo fandaharana :

Ireo fandaharana hitondra fifohazana :

Page 25: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

- 777- 111- Havaozin’ny Teniny- Fianarana ny Leson’ny Sekoly Sabata- Ny Fivoriam-bavaka Ahitana fifohazana any amin’ny toerana

maro. Mirotsaka amin’ ireo tanora mitady

an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka ny Fanahy Masina .

Ireo fandaharana hitondra fifohazana :

Page 26: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Mirotsaka amin’ireo tanora mianatra ny Teniny sady mijoro ho vavolombelon’ny Anarany.

Mampahery ahy ny mahita tanora manolo-tena tanteraka amin’ny asan’i Kristy.

Ireo fandaharana hitondra fifohazana :

Page 27: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Ireo vokatry ny fifohazana sy fanavaozana

Mitarika antsika hijoro vavolombelona ny fifohazana sy fanavaozana.

Ny fanavaozana dia hitarika antsika mandrakariva hitory ny Filazantsara .

Tsy misy tena fifohazana marina raha tsy misy faniriana lalina hamonjy fanahy.

Page 28: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Rehefa miasa ao anatintsika Andriamanitra , dia hanao zavatra amin’ny alalantsika Izy

Ary manao zavatra amin’ny alalantsika Andriamanitra satria te-hiasa miaraka amintsika Izy.

Koa dia afaka miteny tahaka an’i Petera koa isika manao hoe :

Ireo vokatry ny fifohazana sy fanavaozana

Page 29: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Asa 4: 20 :« Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay. »

Miaraka amin’i Paoly dia afaka manam-bara koa isika hoe :

Rom.1:16 :« Fa tsy menatra ny Filazan-tsara aho , fa herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany…»

Miaraka amin’ny Apostly Jaona dia hoy isika hoe :

1 Jao 1:3 « Izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo. »

Ireo vokatry ny fifohazana sy fanavaozana

Page 30: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Fijoroana vavolombelona tsy misy hery

Raha tsy misy fifohazana sy fanavaozana dia tsy hanan-kery ny fijoroantsika ho vavolombelona.

Kely fotsiny ny vokatra azo amin’ny fitoriana ny Filazantsara tsy ombam-pifohazana.

Ny herin’ny Fanahy Masina irery ihany no afaka hanohina ny fo sy hanova fiainana.

Asan’ny Fanahy Masina ny manova ny fo.

Page 31: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Nanambara izany tamin’ny fomba mazava ny mpanompovavin’ny Tompo : «hoy ny Tompo hoe : tsy amin’kery na amim-pahatanjahana fa amin’ny Fanahiko».

Ny fiaraha-miasa ny olombelona amin’ny lanitra no hamitana ny asan’Andriamanitra.

Fijoroana vavolombelona tsy misy hery

Page 32: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

R&H (4 Juillet 1893) :«Ireo izay mihevitra fa mahavita tena dia mety ho mafana fo amin’ny asan’Andriamanitra raha jerena ivelany , kanefa raha tsy manana fiainam-bavaka izy ireo dia tsy hisy vokany ny asa ataony. Enga anie ka hampifantoka ny fijeriny eo amin’Ilay anjely mitondra ny fandoroana ditin-kazo manitra eo amin’ny alitara volamena ,eo anatrehan’ny avana manodidina ny seza fiandrianana izy ireo.

Fijoroana vavolombelona tsy misy hery

Page 33: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

«Ho hitan’izy ireo fa ny vavaka sy ny ezaka ataontsika dia tsy maintsy omban’ny fahamen-drehan’i Jesosy fa raha tsy izany dia tsy misy ilana azy tahaka ny fanatitr’i Kaina izany. Raha mba azontsika atao mantsy ny mahita ny asan’olombelona tahaka ny ahitan’Andria-manitra azy , dia ho fantatsika fa ny asa tanterahina amim-bavaka , hamasinin’ny fahamendrehan’i Kristy irery ihany no afaka hisedra ny fitsarana .»

Fijoroana vavolombelona tsy misy hery

Page 34: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Raha tsy arahana fijoroana vavolombelona ny fifohazana sy fanavaozana dia manjary kabary ambony vavahady mifototra amin’ny fihetseham-po fotsiny ary farany dia maty tanteraka .

Izany no mahatonga ireo ezaka fitoriana ataon’ny Fiangonana ankehitriny .

Ny mambra tsirairay dia iraka , vavolombe-lon’ny Avo Indrindra , nantsoin’ Andriamani-tra hizara ny finoany .

Fijoroana vavolombelona tsy misy hery

Page 35: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Fitoriana amin’ny tanàn-dehibe Najoron’ny Fiangonana ilay tetik’asa «Iraka

ho an’ny tanàn-dehibe» mba hanatrarana ireo olona an-tapitrisa monina ao amin’ireo tanàna lehibe indrindra miisa 650 eto amin’izao tontolo izao.

Tamin’ny taona lasa dia nanana tombontsoa nandray anjara tamin’ny fitoriana ny Filazantsara tao New York aho.

Nisy 400 ny toeram-pitoriana tamin’izany .

Page 36: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Mpitandrina sy mpitantan’asa avy amin’ny Fiangonantsika eran’izao tontolo izao no tonga tao New York nitory ny Tenin’Andriamanitra .

Noho ny Herin’i Kristy dia misy akony mahatalanjona ny fiaraha-miasan’ny mpitandrina sy ny laika .

Aman-jatony ny laika nahazo fiofanana tamin’izany fomba fiasa izany ka nahazoan’ izy ireo nampiasa ny fanomezam-pahasoa-vana nomen’Andriamanitra azy :

Fitoriana amin’ny tanàn-dehibe

Page 37: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Fitoriana amin’ny alalan’ny hetsika ara-pahasalamana , asa atao eo anivon’ny tanora , fampianarana baiboly , fizarana lahatsoratra , asa fitoriana ataon’ny laika , fitoriana amin’ny havana aman-tsakaiza , fivoriana anasana olona .

Vokatr’izany ezaka lehibe izany dia nisy olona 4 000 no vita batisa.

Fitoriana amin’ny tanàn-dehibe

Page 38: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Tanàn-dehibe maro eran’izao tontolo izao no nanaovana ezaka , nahazoana vokatra toy izany.

Miasa Andriamanitra amin’ireo tanàn-dehibe toa an’i Londres, Tokyo, Manille,Moscou, New York, Nairobi, Johannesburg, Indianapolis, Kinshasa, Lagos, Luanda, Sydney, Paris, Bombay, Le Caire, São Paulo, Mexico, sy ny maro hafa koa.

Amin’arivony no vita batisa ary mbola fiando-hana ihany izany.

Fitoriana amin’ny tanàn-dehibe

Page 39: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Fitoriana amin’ny tanàn-dehibetato amin’ny diviziona misy antsika

! «Luanda ho an’i Kristy » (Angola): -Isan’ny fivoriana tany an-tokan-

trano : 50 000 , -Isan’ny vita batisa hatramin’izao:

47 000 , -Ireo olona liana manaraka

fianarana Baiboly : 200 000.

Page 40: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Tamin’ny fivorian’ny komitin’ny foibe eran-tany tamin’ny faran’ny taona teo dia lany ilay tetik’asa fitoriana ny Filazantsara maneran-tany hametrahana advantista amin’ny tanàna 500 manana mponina mihoatra ny 1 tapitrisa izay tsy ahitana afa tsy mambra advantista vitsy dia vitsy .

Ny ankamaroan’ireo tanàna ireo dia ao anatin’ilay antsoina hoe «fenêtre 10/40».

Fitoriana amin’ny tanàn-dehibe

Page 41: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Maro amin’ireo tanàna ireo no tsy azo anaovana fijoroana vavolombelona mivantana na fitoriana ny Filazantsara amoriana olona.

Lehibe tokoa ny fihaikana mba hanatrarana ny mponina amin’ireny tanàna ireny , kanefa ny Andriamanitsika dia lehibe lavitra noho izay mety ho fihaikana rehetra ary tsy takatry ny saintsika ny fitiavany ny mponina ao amin’ireny tanàna ireny.

Tohina ny fontsika noho ireo mponina an-tapitrisany tsy mahalala an’i Kristy sy ny fahamarinana ho amin’izao andro farany izao .

Fitoriana amin’ny tanàn-dehibe

Page 42: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Hametraka fomba ahazoana mijoro vavolombelona aman-jatony isika (centres d’influence) , toy ny trano famakiam-boky , ivon-toerana momba ny fahasalamana , toeram-pisakafoanana tsy misy hena ary koa fomba maro samy hafa ahazoana manatona ny olona ao amin’ireny toerana sarotra idirana ireny.

Fitoriana amin’ny tanàn-dehibe

Page 43: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Ankoatra ny «Ezaka an-tanàn-dehibe», dia hametraka lamin’asa feno momba ny fahasalamana isika , amin’ny fanarahana ny ohatra nomen’i Kristy.

Amporisihana ny Fiangonana tsirairay mba hanao asa ombam-pitiavana amin’ny anaran’i Jesosy ,eo anivon’ny fiaraha-monina misy azy…

Fitoriana amin’ny tanàn-dehibe

Page 44: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Amin’ny taona 2015 , ny FAMAF tsirairay, ny toeram-piasana (Institution) tsirairay dia amporisihana ihany koa hampiasa ny fanomezam-pahasoavana ananany momba ny fitsaboana mba hiasa eo anivon’ny fiaraha-monina mandritra ny herinandro manokana ho an’ny fahasalamana.

Fitoriana amin’ny tanàn-dehibe

Page 45: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Vokatra mahatalanjona Feno hery ny asa ataon’Andriamanitra ao

amin’ity Fiangonana ity ka indraindray aho dia tena talanjona mihitsy.

Betsaka ny zavatra azo ambara fa ny fotoanantsika no tsy ampy.

Ny tetik’asa «Ilay Fanantenana Lehibe» dia ahitantsika fa miasa amin’ny fomba mahery vaika Andriamanitra :

Page 46: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Teo am-piandohana dia boky 50 tapitrisa no nokasaintsika ho zaraina ;

Tamin’alalan’ny finoana dia novaina ho 100 tapitrisa izany .

Fa noho ny heriny sy ny fahasoavany dia mihoatra ny 140 tapitrisa ny boky voazarantsika – voazaranareo !

Deraina ny Tompo noho izany fitomboana tsy mampino izany.

Vokatra mahatalanjona

Page 47: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Ny boky Hery Mifanandrina mantsy dia nambaran-dRamatoa Ellen White fa tokony haparitaka mihoatra noho ny boky hafa rehetra .

Olona an-tapitrisany maro no mamaky izany boky izany ary hanova zavatra betsaka izany .

Mampahery ny mahafantatra izany

Vokatra mahatalanjona

Page 48: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Miatrika fihaikana goavana

Amin’ny maha-Fiangonana antsika anefa dia miatrika fihaikana goavana isika .

Ireto misy efatra tena mahavelon’ahiahy amin’ny fomba manokana .

Tsoriko anefa fa tsy ny mambra ny Fiangonana rehetra no tratran’izany,saingy mety hampidi-doza ka izany no mampiasa saina ahy.

Page 49: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Mitamberina ao an-tsaiko ny fampitan-dremana nomen’ny apostoly Paoly ny loholom-piangonana tao Efesosy raha hoy izy :

“Ka tsy mba nafeniko izay mahasoa , fa nambarako sy nampianariko anareo …” Ary dia mbola nampiany hoe :

“Fa tsy nafeniko anareo ,fa notoriko taminareo avokoa ny saina rehetra natolotr’ Andriamanitra.” (Asa.20:20,27 )

Miatrika fihaikana goavana

Page 50: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Amin’ny maha-Mpitandrina ny mpino advantista maneran-tany ahy , ny fitiavako ny Fiangonana sy fijoroako ho mahatoky amin’ny Tenin’Andriamanitra dia manery ahy hizara aminareo ny sasantsasany amin’ny ahiahiko.

Ireto àry ireo toe-javatra efatra tena mahave-lon’ahiahy eo amin’ny Fiangonana ankehitriny.

Mety mahita hafa ankoatra ireo ianareo nefa manasa anareo aho handinika lalina ireto efatra ireto :

Miatrika fihaikana goavana

Page 51: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

1. Very ny maha AMAF (perte de l’identité) eo amin’ny mpitandrina sy ny mambra sasan-tsasany.

2. Mitombo izay tsy izy ny fanahafana ny fomba amam-panaon’izao tontolo izao ao amin’ny Fiangonana maro.

3. Ny loza ateraky ny fisaratsarahana. 4. Fahafaham-po eo amin’ny fiainana ara-

panahy ka miteraka torimaso sy tsy firaihana eo amin’ny iraka nampanaovina ny Fiangonana.

Miatrika fihaikana goavana

Page 52: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

I. Ny maha isika antsika (notre Identité)

Voalohany dia tsara ny manamarika fa ny Fiangonana Advantista dia mihoatra noho ireo antokom-pivavahana hafa.

Araka ny voalazan’ny Apokalypsy 10, dia teraka avy tamin’Andriamanitra izy , taorian’ilay fahadisoam-panantenana tamin’ny 1844, tahaka ny nahadiso fanantenana ilay Fiangonana ao amin’ny Testamenta Vaovao , izay teraka avy tamin’ilay fahadisoam-panantenana tamin’ny taona 31 taorian’i JK.

Page 53: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Tamin’ireo tranga roa ireo dia tsy azon’ny mpianatra tsara ny faminaniana ary dia nangidy ny fahadisoam-panantenany.

Avy amin’izany fahadisoam-panantenana izany anefa no nanomanan’Andriamanitra fihetsehana izay hisy fiantraikany eo amin’ny ho avin’izao tontolo izao.

I. Ny maha isika antsika (notre Identité)

Page 54: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Araka ny hita ao amin’ny Apokalypsy 12:17, ny toetra mampiavaka ny vahoakan’ Andriamanitra amin’ny andro farany dia :

Voalohany : ny fitandremana ny didin’Andriamanitra ary faharoa , ny fananany ny filazana an’i Jesosy izay ambaran’ilay anjely ao amin’ny Apokalypsy 19:10 hoe « ny Fanahin’ny Faminaniana».

I. Ny maha isika antsika (notre Identité)

Page 55: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Ao amin’ny Apokalypsy 14 : 6-12, ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny andro farany dia :

a) Hitory ny hafatry ny Filazantsara mandrakizay , hafatry ny anjely telo sy ny fiavian’i Kristy fanindroany

b) Hiantso ny firenena rehetra , ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny , hiankohoka eo amin’ny Mpahary amin’ny alalan’ny fitandremana ny Sabata.

I. Ny maha isika antsika (notre Identité)

Page 56: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Tsy misy antokom-pivavahana hafa eo amin’izao tontolo izao izay mahafeno ireo famaritana rehetra ireo.

Tsy misy fiangonana hafa na antokom-pivavahana hafa mahatanteraka izay voalazan’ny Apokalypsy 10, 12 sy 14.

I. Ny maha isika antsika (notre Identité)

Page 57: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Ny ahiahiko dia izao : Maro loatra ireo mpitandrina sy ireo mambra izay minia tsy mahalala –na manadino-ny antso ara-paminaniana nataon’Andriamanitra amin’ity Fiangonana ity.Misy fironana mitombo manafoana ireo toetra mampiavaka antsika amin’ireo antokom-pivavahana hafa. Any amin’ireo FAMAF sasany, ny hafatra toriana avy eny ambony polipitra dia tsy misy fahasami-hafana firy amin’ny hafatra toriana any amin’ireo fiangonana protestanta hafa. Izany dia vokatry ny fampihenana ny lanjan’ny Baiboly amin’ny maha-Tenin’Andriamanitra azy.

I. Ny maha isika antsika (notre Identité)

Page 58: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Zava-dehibe ny hampiorenana ny finoantsika eo amin’ny Tenin’Andriamanitra ka rehefa mianatra ny Soratra Masina isika dia mampiasa ny fomba antsoina hoe:“fanadihadiana ara-tantara” (interprétation historique), izany hoe rehefa mandinika ny faminaniana isika dia miaraka amin’ny tantara izany . Ny Tenin’Andriamanitra no tokony ho fototry ny finoantsika sy ny fiainantsika !

I. Ny maha isika antsika (notre Identité)

Page 59: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Ny Fanahy Masina dia hitarika antsika ho amin’ny marina rehetra raha mianatra , mivavaka ary mihaino ny feon’Andriamanitra isika.

Izany dia hanampy antsika hamaritra tsara ny maha Advantista ny Andro Fahafito antsika.

I. Ny maha isika antsika (notre Identité)

Page 60: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Ny fahaverezan’ny maha advantista antsika dia nahatonga ny sasany : -Hisalasala ny amin’ilay herinandron’ny Famoronana ho fito andro ara-bakiteny, -Handà ny fisian’ny safodrano naneran-tany , -Hampihena ny tombam-bidin’ny Sabata ho toy ny fitsaharana ara-batana fotsiny fa tsy mahita izany ho toy ny famantarana ny fifandraisana amin’ny Mpamorona sy ny Mpamonjy amin’ny andro farany .

I. Ny maha isika antsika (notre Identité)

Page 61: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Ny sasany indray dia te hamerina ny fandinihana ny Bokin’i Daniela sy ny Apokalypsy ka hametraka azy amin’ny lasitra mifanaraka amin’ny toetr’andro hono. Heverin’izy ireo fa lova navelan’ny fisainana tamin’ny taon-jato faha-19 ny fomba fandalinana ara-tantara(interprétation historique).

I. Ny maha isika antsika (notre Identité)

Page 62: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Fiverenana amin’ny Filazantsara amin’ny fahafenoany :

Tonga ao an-tsaiko ity fanambaran’i E. White ity: «Ny Filazantsara amin’ny fahafenoany dia voarakitra ao amin’ny hafatry ny anjely fahatelo, ary amin’ny asa fitoriana ataontsika , dia tokony haseho ao amin’i Jesosy ny hafa-pahamarinana rehetra . Aoka tsy hisy zavatra hampihena ny herin’ny fahamarinana amin’izao androntsika izao.»«Ny fahamarinana ankehitriny dia tokony hitana toerana lehibe eo amin’ny asantsika.

Page 63: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Tsy maintsy ho tanteraka ny asan’ny anjely fahatelo : hitaona olona hivoaka avy amin’ireo fiangonana hafa ka hahatonga azy ireo hanaraka ny fahamarinana mandrakizay. » Evangeliser p. 210Hitanareo fa iankinan’ny aina ny hafatra entintsika eo amin’izao tontolo izao. Ny AMAF dia natsangan’Andriamanitra , tahaka an’i Noa , hanomana izao tontolo izao ho amin’ny ora farany.

Fiverenana amin’ny Filazantsara amin’ny fahafenoany :

Page 64: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Tahaka an’i Jaona Mpanao batisa dia natsangana isika hanomana olona ho amin’ny fiavian’ny Tompo.

Tsy tokony hohadinointsika na oviana na oviana ny hoe iza moa isika sy ny antony maha eto antsika .

Tsy azontsika atao ny hiova ho tahaka ireo fihetsehana ara-pivavahana hafa izay tsy mba manantitrantitra ny mikasika ny andro farany ary tsy mba voafaritra mazava tsara ny antom-pisiany.

Fiverenana amin’ny Filazantsara amin’ny fahafenoany :

Page 65: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Azoko antoka fa eo ambany fitarihan’i Jesosy , mahatoky amin’ny lova ara-paminaniana niantsoana antsika , dia handresy ity fihetsehana advantista ity.

Mamporisika anareo amin’ny foko manontolo aho : aoka ho mahatoky amin’ny antson’ Andriamanitra ianareo amin’ny maha AMAF anareo .

Raiso amin’ny fahafenoany ny hafatra ary aoka ho feno ny Fanahy Masina ianareo ka hizara izany amin’izao tontolo izao.

Fiverenana amin’ny Filazantsara amin’ny fahafenoany :

Page 66: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Ny zavatra mahavelon’ahiahy faharoa :

Ny hery miasa manginan’izao tontolo izao

Page 67: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

II. Hery miasa manginan’ izao tontolo izao

Mampitsangam-bolo ny hery miasa manginan’izao tontolo izao miha-mahazo vahana ao ami’ny Fiangonantsika . Hoy Jesosy ao amin’ny vavaka nataony :Jao 17 :15: « Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin’izao tontolo izao ,fa ny mba hiaro azy amin’ny ratsy. »Manampy izany ny apostoly Jaona :

Page 68: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

1 Jean 2 :15-17 : « Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao .Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao ana-tiny ny fitiavana ny Ray.Fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao ,dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao ,dia tsy avy amin’ny Ray , fa avy amin’izao tontolo izao ihany.Ary mandalo izao tontolo izao sy ny filany ; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandra-kizay.»

II. Hery miasa manginan’ izao tontolo izao

Page 69: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Tamin’ny famelany an’izao tontolo izao hamolavola ny fomba fisainany dia notandindomin-doza hatrany ny Fiangonana hiala amin’ny tanjona napetrak’Andriamanitra sy ny fijoroany mahatoky amin’i Kristy.

Arakaraka ny hanatonantsika ny farany ,dia hampiasa ny heriny rehetra ny devoly eo amin’io lafiny io .

Mampiasa saina ahy mihitsy ny onjan’ny fom-ba amam-panaon’izao tontolo izao mandifotra sy mipaoka ny Fiangonantsika sasany .

II. Hery miasa manginan’ izao tontolo izao

Page 70: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Ireo fitsipika nankamamian’ny AMAF teo aloha , teo amin’ny lafiny fihinana , fitafy , fialam-boly , ary ny fitandremana ny Sabata , dia heverina ho toy ny zavatra momba ny lasa. Rehefa mitafy tahaka ny fomba fitafin’izao tontolo izao ny mambra , mankafy ny fialam-bolin’izao tontolo izao , mihaino ny mozikan’izao tontolo izao , babon’ireo horonan-tsarimehitsika vokarin’i Hollywood,…dia miha-arafesina ny fiainana ara-panahy ka manokatra lalana ho an’ny devoly.

II. Hery miasa manginan’ izao tontolo izao

Page 71: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Ny hafatra advantista mikasika ny fahasa-lamana izay ankasitrahan’ireo olona tso-po eo amin’izao tontolo izao , dia ataontsika ankilabao na heverina ho toy ny fitandremana fatratra ny lalàna (légalisme) na toy ny hafanam-po diso toerana (fanatisme) fa tsy heverina ho toy ny fanomezana mahatalanjona avy amin’ny Mpahary be fitiavana . Misy zavatra tsy mandeha araka ny tokony ho izy ao !

II. Hery miasa manginan’ izao tontolo izao

Page 72: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Ny famonjena ao amin’i Jesosy Kristy

Marina fa tsy tonga any an-danitra isika noho ny fihinana sy ny fombafomba ivelany .

Vonjena amin’ny alalan’ny hery sy ny ran’i Jesosy isika.

Fa rehefa tonga eo amin’ny fiainantsika kosa Jesosy ary miasa amin-kery ao anatintsika , manolotra antsika ny fahamarinany , izany hery izany koa dia hitondra fanamasinana , hanampy antsika hanana ny sain’i Kristy..

Fil.2 : 5: “ Aoka ho ao aminareo izao saina izao izay tao amin’i Kristy Jesosy koa.”

2 Kor.5 : 20 : “Koa dia iraka solon’i Kristy izahay…”

Page 73: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Hitanareo fa ambasadaoron’i isika ! . Isika no fahazavan’izao tontolo izao sady

fanasin’ny tany . Ao amin’i Matio 5 dia hoy Jesosy : “Aoka

hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo ,mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra”

Page 74: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Any amin’izao tontolo izao dia marobe ireo olona mangetaheta zavatra tsara kokoa.

Ao anatiny ao dia misy faniriana lalina, nefa tsy mahafa-po azy ny zavatra atolotr’izao tontolo izao.

Maniry fatratra ny hahita ny tena fivavahana kristiana tena marina izy ireo .

Tsy hanohina ny fony mihitsy isika raha manao marimaritra iraisana ka izay hitany eo amin’izao tontolo izao ihany no hitany eo amintsika .

Page 75: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Tsy fotoana fitoriana fitiavana amin’ny lamaodin’ny devoly intsony izao , tsy fotoana fanarahana ny fomba fihinana sy ny fialam-bolin’ny devoly sy ny fomba amam-panaon’ izao tontolo izao.

Izao kosa no fotoana hanandratantsika avo ny fanevan’i Kristy mba ho hitan’izao tontolo izao .

Kristy velona ao amintsika , Kristy mitoetra ao am-pontsika dia hitondra fahasamihafana , hisy akony goavana eo amin’ny fomba fiainantsika.

Page 76: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Ny zavatra mahavelon’ahiahy fahatelo :

Ny loza ateraky ny fisaratsarahana

Page 77: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

III. Ny loza ateraky ny fisaratsarahana

Ao amin’ny Jao 17 : Nivavaka Jesosy mba ho iray ihany ny mpianany.

Anisan’ny ezaka mafy ataon’ny devoly ny tsy hisian’io firaisana io.

Fantany fa rehefa tsy misy firaisana eo anivon’ny Fiangonana dia tsy hahita fahombiazana izy eo amin’ny iraka nampanaovina azy.

Page 78: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Tamin’ny fahitana ara-paminaniana dia nanoratra izao torohevitra izao avy amin’ny tsindrimandry i E.White : 2MC p.182 :«Ny firaisana no herin’ny Fiangona-na. Fantatr’i Satana izany; noho izany dia manao ny ezaka rehetra mihitsy izy hisian’ny fisaratsara-hana. Ny zavatra iriny dia ny tsy hisian’ny firaisan-tsaina ao amin’ny Fiangonan’ Andriamanitra. Tokony hobanjinintsika bebe kokoa io lohahevitra mikasika ny firaisan-tsaina io.»

III. Ny loza ateraky ny fisaratsarahana

Page 79: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Izany fanambarana izany dia mampibaribary ny tetik’adin’ny devoly. Manokatra ny masontsika izany.

Mampiasa ny heriny rehetra ny devoly hiteraka fisaratsarahana sy adilahy ka hampandamoaka ny ezaka ataon’ny vahoakan’Andriamanitra eo amin’ny fahazoam-panahy.

III. Ny loza ateraky ny fisaratsarahana

Page 80: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Izao no fotoana mety ka ny mpitantan’asa , ny mpitandrina ary ny mambra rehetra dia tokony ho iray ao amin’i Kristy , eo ambany fanevan’ny fahamarinana , hitory ny hafatra amin’izao tontolo izao .

Nomen’Andriamanitra rafi- pandaminana avy amin’ny tsindrimandry ny AMAF.

Nomeny fitsipika iraisana antsoina hoe « Fitsipika mifehy ny Fiangonana».

III. Ny loza ateraky ny fisaratsarahana

Page 81: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina, izany fitsipika izany, dia hahatonga antsika hiaro ny mahafianakaviam-be maneran-tany antsika.

Ny tsy fanajana izany dia miteraka fisaraham-bazana .

Miangavy ny tsirairay amintsika aho , noho ny tombontsoan’ny Tenan’i Kristy , mba hametraka izay mety ho hevitsika manokana ary hiara-mandroso ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

III. Ny loza ateraky ny fisaratsarahana

Page 82: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Ny zavatra mahavelon’ahiahy fahefatra :

Ny paralisisa ara-panahy

Page 83: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

IV. Tsy firaihana ara-panahy sy fahafaham-po mamita-tena Ny fitomboan’ny tsy firaihana ara-panahy sy

ny fahafaham-po mamita-tena dia zava-misy eo fiainan’ny mpitarika sy mambra ny Fiangonana ary ao anatin’izany ny tenako.

Toa misy paralisisa ara-panahy mahazo ny advantista maro .

Tokony handini-tena isika mba hahazoan-tsika antoka fa miasa amin’ny fomba mahe-ry vaika ao anatintsika Andriamanitra – Miteny amin’ny tenako koa aho amin’izany .

Page 84: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Vao tsy ela izay dia nisy fanadihadiana natao izay nampiseho fa ny ankamaroan’ny mambra dia mino ny foto-pinoana fototry ny AMAF.

Inoany ireo foto-pinoana fototra 28 . Kanefa dia tsapa fa misy fitsilamodamohana mitombo raha ny fizarana ny finoana no jerena.

Tsy dia heverina loatra ny momba ny fijoroana ho vavolombelona.

Mino izy ireo , nefa tsy mandray anjara mavitrika eo amin’ny iraka nampanaovina ny Fiangonana.

IV. Tsy firaihana ara-panahy sy fahafaham-po mamita-tena

Page 85: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Tsy manana hafanam-po ny amin’izany izy ireo.Tsy manana fitiavana hizara ny finoany an’i Jesosy Kristy. Tsy tapa-kevitra ny amin’izany izy.

Fiainana ara-panahy mitombo : Ry rahalahy sy anabaviko, tsy hitombo ara-

panahy isika raha tsy mandray anjara amin’ny fanompoana an’i Kristy.

Mazava tsara ny fanambaran’ny mpanompo-vavin’ny Tompo :

IV. Tsy firaihana ara-panahy sy fahafaham-po mamita-tena

Page 86: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

IFM p.884 :«Miankina mihitsy amin’ny fahatokian’ - ny Fiangonana eo amin’ny fanatanterahany ny iraky ny Tompo ny ainy .Marina tokoa fa ny fanaovana antsirambina an’ io asa io dia miantso fahalemena sy fahalovana ara-panahy.» Fanambarana mafonja loatra izany ! Ny

anoloran-tena no vahaolana amin’ny tsyfiraihana.

IV. Tsy firaihana ara-panahy sy fahafaham-po mamita-tena

Page 87: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Araka ny fanambaran’ny mpanompovavin’ny Tompo : «Raha tsy misy ezaka lehibe atao ho fanasoavana ny hafa , dia mihena ny fitiavana ary mihamalemy ny finoana ».

Koa raha tianao àry ny hanana fiainam-panahy velona , dia manolora tena!

Raha tianao ny hanana fiainam-bavaka mavitrika , manolora tena !

IV. Tsy firaihana ara-panahy sy fahafaham-po mamita-tena

Page 88: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Raha maniry ny ho tia bebe kokoa ny Tenin’Andriamanitra ianao , manolora tena !

Raha irinao ny hanam-pitiavana ny hafa lalindalina kokoa , manolora tena !

Raha tianao ny hahazo fanahy ho an’i Jesosy , manolora tena !

Raha fanirianao ny hahita an’i Jesosy ho avy tsy ho ela , manolora tena !

Page 89: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Meteza hiara-dia amin’ireo mpitantan’asa an’arivony sy ireo mambra ny Fiangonana maneran-tany manolo-tena mavitrika amin’ny iraka nampanaovina ny Fiangonana.

Fanirian’Andriamanitra ny hampiasa antsika dia ianao sy izaho , mba hitory ny hafatra ara-paminaniana amin’izao andro farany izao eran’ny vazan-tany efatra , indrindra ao amin’ireo tanàn-dehibe .

Hampiasa fomba maro samihafa ho fitoriana ny Filazantsara ka ao anatin’izany ny lafiny ara-pahasalamana.

Page 90: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Famantarana ny fanatrehan’ny Fanahy Masina

Midadasika ny asa nefa Andriamanitra no mitana ny familiana ary Izy no mitarika ny vahoakany.

Manana fihaikana ve ny Fiangonana ? Eny ,nefa hita porofo miharihary fa miasa amin-

kery eo anivon’ny vahoakany ny Fanahy Masina .

Hitako porofo fa miasa amin’ny fomba manokana eo amin’ny Fiangonana ny Fanahy Masina ankehitriny.

Page 91: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Hitako porofo fa manomana ny vahoakany ho amin’ny fiavian’i Jesosy fanindroany ny Fanahy Masina.

Ry rahalahy sy anabavy , manasa antsika rehetra aho mba hanolo-tena manontolo, tanteraka sy feno ho an’i Kristy.

Manasa anareo aho mba hamaly ny antso ara-paminaniana ataon’i Jesosy ho an’ny Fiangonany, ny Fiangonana sisa, ny FAMAF,

Famantarana ny fanatrehan’ny Fanahy Masina

Page 92: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

Fiangonana mandroso eo amin’izao fihetsehana advantista izao .

Manasa anareo aho mba hanandratra avo ny faneva eo amin’ny fiainanareo manokana.

Manasa anareo aho mba hanolo-tena han-dray anjara amin’ny fijoroana ho vavolom-belon’ny Tomponareo, raha eo am-piandrasa-na ny fiverenan’i Kristy fanindroany isika.

Tianao ve ny handray izany fanapahan-kevitra izany ka hiara-mivavaka isika ?

Page 93: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

FIARAHA-MIVAVAKA

Page 94: ANTSO  MAIKA ARA- PAMINANIANA

La Vidéo en Anglais

http://vimeo.com/79438041 (408 MB)