FIANGONAN’ANDRIAMANITRA MIRAY
United Church of God Madagascar
Mitory ny Filazantsara Manomana Vahoaka
FANAMASINANA NY
FOTOAM-PIVAVAHANA VOATENDRIN’I JEHOVAH
2
FIANGONAN’ANDRIAMANITRA MIRAY
United Church of God Madagascar
FANDALINANA SORATRA MASINA Mitory ny Filazantsara
Manomana Vahoaka
FANDALINANA SORATRA MASINA - FSM Mitory ny Filazantsara
Manomana Vahoaka
FANAMASINANA NY
FOTOAM-PIVAVAHANA VOATENDRIN’I
JEHOVAH
« Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka
aminy.»(Salamo 34:8)
Dr. RAKOTONDRAVONY Daniel FIANGONAN’ANDRIAMANITRA MIRAY
United Church of God Madagascar
Faritra Afrika Atsinanana
https://fiamiray.blogspot.com
Edition Juin 2019
3
TENY MIALOHA
FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH
Noho ny voninahitr‘Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany
taorian‘ny fikomian‘i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny
fahasimban‘ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefanyhamerina indray io Fanjakany io
eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10).
Nyhevi-panahin‘ny Planin‘ny Famonjena, misy dingana fito ambaran‘ny
Fotoam-pivavahana voatendrin‘i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny
olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io.
Nomen‘i Jehovah tenin‘Andriamanitra maro, mifanandrify amin‘ny datin‘ireo
andro firavoravoana ireony fiangonanamandritry ny taona maro. Hafatra ho an‘ny
fiangonana izany, mba hitodihany amin‘ireo Andro Masina ireo, handinihanyny maha
tenan‘i Kristy ny dingana amin‘ny Planina, satria natao ho an‘ny Isiraely ara-panahy
ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16).
Ampahafantarina ny vahoakan‘Andriamanitra sy ampianarina azy ny
andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin‘nyhevi-panahin‘ny
andro masina nodidin‘i Jehovah ho tandremana mandrakizay.
Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan‘ny
Soratra Masina no tanjona amin‘izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina
amin‘ny Fanamgonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.
FOMBA FAMPITANA NY LESONA
« Andramo ka izahao fa tsara Jehovah…. » (Sal 34:8)
TSY ny fitandremana ny Andro Masina akory no ahazoana famonjena hidirana ao
amin‘ny Fanjakan‘Andriamanitra. Nefa kosa ny fitandremana azy ireo amin‘ny
fotoany avy dia atrehin‘i Jehovah sy anomezany fitahiana mivantana. Diniho ny
HEVITRA ARA-BAKITENY voalahatra.
Ny fitandremana ny HEVI-PANAHINY no ahazoana famonjena sy fiainana
mandrakizay ary idirana ao amin‘ny Fanjakan‘Andriamanitra,satria MIKATSAKA ny
Fanjakan‘Andriamanitra (Mat 6:33), MITAFY AN‘I KRISTY (Gal 3:27-29; Kol 3:1-
25), MITAFY NY FIADIAN‘ANDRIAMANITRA (Efe 6:11-20). Misy FITAHIANA
AVY HATRANY ireo. Diniho ny HEVITRA ARA-PANAHY voalahatra.
Ny Filoha Nasionalin‘ny Sekoly Biblika Fototra
Loholona RAKOTONDRAVONY Daniel
4
FOMBA FAMPITANA NY LESONA
Fotoana iray isan-kerinandro (Sabata), sy fotoana iray isan-taona isak‘ireo dingam-
pamonjena fito,izay no takin‘i Jehovah hampianarana ny hevi-panahiny amin‘ny
fiangonana.
Hevi-panahin‘ireo dingam-pamonjena rehetra
= Mikatsaka ny Fanjakany sy ny Fahamarinany
- Sabata andro fahafito : Amantaran‘i Jehovah ny olony sy Amantaran‘ny olonyAzy
- Paska : Fibebahana, Batisa, Fandraisana Fanahy Masina.
- Mofo Tsy Misy Masirasira : Mitafy an‘i Kristy (Gal 3:27-28 ; Kol 3:10-14) ;
Mitafy ny fiadian‘Andriamanitra rehetra (Efe 6 :11-20).
- Pentekosta : Batisan‘ny Fanahy Masina.
- Fitsofana Trompetra : Filazana Ady; Loza Fito ; Fiverenan‘i Kristy Hampitsahatra
ny Ady; Fitsanganana Voalohany sy Fanangonana ny Olom-Boafidy.
- Fanavotana(Délivrance): Fibebahana Omba-Pifadian-Kanina; Fibebahan‘ny
Mpisorona; Fankatoavana ny Famonjen‘i Jesosy Kristy; Fandroahana sy Fanidiana
an‘i Satana.
- Tabernakely: Andro Famelombelomana; Fanjakana Arivo Taona.
- Fara-fivoriana (Andro Lehibe Farany): Fitsanganana Faharoa sy Fitsaran‘ilay Seza
Fiandranana Fotsy Lehibe.
Rehefa vita ny famonjena, ireto ny zavatra hitranga:
- Fahafatesana faharoa ho an‘ireo tsy voavonjy;
- Fanavaozana ny Tarehin‘ny Tany;
- Jerosalema Vaovao;
- Fanjakana sy fanomezana aina amin‘ny Zavaboary rehetra (Univers).
Ho an‘Andriamanitra sy Jesosy Kristy ary ny Fanahy Masina anie ny voninahitra!
5
TENY FANOLORANA
« Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka
aminy. » (Salamo 34:8)
« Raha masina ny santatra, dia masina koa ny vongany; ary raha masina
ny fakany, dia masina koa ny sampany. » « Fa raha notapahina ny
sampany sasany, ary ianao izay tahaka ny hazo oliva maniry ho azy
kosa no natsofoka teo aminy mba niombona ny fakan'ny menaky ny
hazo oliva » « dia aza mirehareha amin'ny sampany; fa raha mirehareha
ianao, tsy ianao no mitondra ny fakany, fa ny fakany no mitondra
anao. » « Ary ianao dia hanao hoe: Notapahina ny sampany sasany
hanatsofohana ahy. » « Marina ihany izany; ny tsi-finoany no
nanapahana azy, ary ny finoanao kosa no itoeranao. Aza miavonavona,
fa matahora; » « fa raha ny tena sampana aza tsy
navelan'Andriamanitra, dia tsy havelany koa ianao. » « Koa indro ny
fahamoram-panahin'Andriamanitra sy ny fahasaro-pony: amin'izay lavo
dia fahasaro-po; fa aminao kosa dia fahamoram-panahin'Andriamanitra,
raha maharitra ao amin'ny fahamoram-panahiny ianao; fa raha tsy
izany, dia hotapahina koa ianao. » « Ary ireny kosa, raha tsy mikikitra
eo amin'ny tsi-finoana, dia hatsofoka ihany; fa azon'Andriamanitra
atsofoka indray izy. »« Fa raha notapahina tamin'ny hazo oliva naniry
ho azy ianao ka natsofoka tamin'ny hazo oliva tsara, nefa tsy tena
sampany, mainka fa izay tena sampany no hatsofoka amin'ny hazo oliva
nanapahana azy. » (Rom 11:16-24)
Isika Isiraely ara-panahy, „ndeha hitandrina ny zava-panahy nodidian‟i
Jehovah hotehirizin‟ny tena Isiraely ho an‟ny Kristiana mpandova ny
Fanjakan‟Andriamanitra!
Nysaotra sy voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay anie ho an’i:
Jesosy Kristy, Ilay Vavolombelona Marina, manana Maso toy ny
Lelafo, sy Sabatra Maranitra Roa Lela
6
FIANGONAN’ANDRIAMANITRA MIRAY
FANDALINANA SORATRA MASINA - FSM SAMPANDRAHARAHA FANABEAZANA
FANAMASINANA NY
FOTOAM-PIVAVAHANA VOATENDRIN’I
JEHOVAH
Natao ho an‘iza ireo Fotoa-pivavahana notendrin‘i Jehovah?Manatrika
eo va Jehovah amin‘ny fotoana itandremana azy? Mbola manan-kery
ankehitriny ve ny fitandremana azy amin‘ny fotoany avy? Sa tsy ilaina
satria ‖aloka fa tsy ny tena izy‖? Mirakitra inona moa izy ireo? Jesosy
va no manatanteraka izay raketiny? Nefa tsy hampianatra azy ireo koa
vany olom-boafidy amin‘ny Fanjakana arivo taona? Ny olona mahay no
fidina hampianatra! Mahay ve ianao?
« Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka
aminy. » (Salamo 34:8)
Raha hanandrana ny hatsaran‟i Jehovah ihany, tsy aleo ve ny
Fivoriana Masina nodidiany ho mandrakizay?
Fiangonan’Andriamanitra Miray,
United Church of God, Madagascar
Faritra Afrika Atsinanana
7
FANOROANA Fampidirana ...................................................................................................... 9 Fitandremana ny Fotoam-Pivavahana Ankehitriny ........................................ 10 Jery Ankapobeny ny Planin’ Andriamanitra .................................................... 14 Fankalazana ny Fotoam-Pivavahana Voantendry ao amin’ny Testamenta
Vaovao .................................................................................................. 20 Manatrika eo Foana Jehovah amin’ny Fotoan’ny Fivoriana Masina .............. 23 Tabilao Mira-Zotra Fampitahana ny Hevitra Ara-Bakiteny sy Ara-Panahin’ireo
Dingam-Pamonjena .............................................................................. 24 1. Paska (14 Nisana) ................................................................................ 24 2. Mofo Tsy Misy Masirasira (15-21 Nisana) ........................................... 26
Amboara Iray Ahevaheva, Fanisana 50 Andro ................................... 31 Manatrika ny Olony Foana Jehovah sy Jesosy Kristy ......................... 31
3. Pentekosta (Andro faha 50) ................................................................ 34 4. Fitsofana Trompetra (1er Volana faha 7) ............................................. 36
Fanangonana ny Olom-Boafidy .......................................................... 41 5. Andro Fanavotana (10e Volana faha 7) ............................................... 42
Dingana Voalohany ............................................................................ 43 Dingana Faharoa ................................................................................ 44 Dingana Fahatelo ............................................................................... 46 Dingana Fahefatra .............................................................................. 46
6. Tabernakely (15-21 Volana faha 7) ..................................................... 50 Fanjakana Arivo Taona ....................................................................... 51 Eto an-Tany ny Fanjakana Arivo Taona .............................................. 52 Hitandrina ny Fetin’ny Tabernakely ny Firenen-Drehetra ................. 55 Fanagonam-Bokatra Lehibe Ara-Panahy ny Fanjanaka Arivo Taona . 55 Endrika Hankalazana ny Fetin’ny Tabernakely ................................... 56 Ny Fianakavian’Andriamanitra Manjaka ............................................ 56 Ny Fanjakana Lavorary an’Andriamanitra .......................................... 57 Voantso Hanjaka sy Hampianatra ...................................................... 59
7. Fara-Fivoriana na Fitsarana Farany (22e Volana faha 7) ..................... 60 Fanazavana ny amin’ny Fara-Fivoriana na Fitsarana Farany ............. 62 100 Taona ny Fitsaran’Ilay Seza Fiandrianana Fotsy Lehibe .............. 64
Fahafatesana Faharoa sy Fanavaozana ny Tarehin’ny Tany ....................... 65 Ny Fahafatesana Faharoa ................................................................... 66 Fanavaozana ny Tarehin’ny Tany ....................................................... 67
Kol 2:16. Nitandrina ny Fotoam-Pivavahana ny Jentilisa Kristiana ............. 68
8
Fehiny .............................................................................................................. 70 Voalohany: Nandidy Andro Fivoriana Masina Isan-Taona Jehovah ............ 70 Faharoa: Famintinana ireo Andro Firavoravoana Isan-Taona .................... 74 Fahatelo: Ahoana ny amin’ny Firavoravoan’ny Sabata? ............................. 76 Fahefatra: Ny Farihy Afo na Helo sy ny Fahafatesana Faharoa .................. 77 Fahadimy : Ny Lanitra Vaovao sy ny Tany Vaovao ...................................... 79
Tovana ............................................................................................................. 82 1. Anaram-Bolana Jiosy sy Gregoriana .................................................... 82 2. Andro Firavoravoana ao amin’ny Testamenta Vaovao ....................... 82 3. Kalandarin’ny Andro Firavoavoana 2018-2026 ................................... 83
9
FAMPIDIRANA
Lalàna ny amin'ny fanamasinana ny fotoam-pivavahana
voatendrin'i Jehovah
(Lev 23:1, 2, 4, 37) 1« Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: »
2« Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny amin'ny fotoam-pivavahana voatendrin'i
Jehovah, izay hantsoinareo ho fivoriana masina, dia izao no izy: » 4« Izao no fotoam-
pivavahana voatendrin'i Jehovah, dia fivoriana masina hantsoinareo amin'ny fotoany
avy: » 37
« Ireo no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, ka hantsoinareo ho
fivoriana masina … samy amin'ny fotoany avy izy rehetra, »
Nohamafisin‘i Jehovah in-telo ny fandidiana izany.
Natao ho an‘iza ary nyFotoa-pivavahana notendren‘i Jehovah?Ho an‘Isiraely ara-
nofo ihany ve, izay nasainy nitandrina azy mandrakizay? Sanatao ho antsika Isiraely
ara-panahy indrindra (zaranak‘i Abrahama koa, Gal 3:27-29; Rom 4:16)?Inona avy
tamin‘ny Zanak‘Isiraely ara-nofo no lovaintsika Isiraely ara-panahy?Inona no ataon‘i
Jehovahizay manatrikaireo Fotoam-pivavahana notendreny?Mbola manankery ve
ankehitriny ny fitandremanaazy ireo amin‘ny fotoany avy?Satsy ilaina satria ―aloka fa
tsy tena izy‖? Mirakitra inona moa izy ireo?Raha Jesosy Mpamonjy no manatanteraka
izay raketiny,moa tsy misy andraikitra takiana amin‘ny olona izay hovonjena ve? Tsy
hampianatra azy ireo koa vanyolom-boafidy amin‘ny Fanjakana arivo taona? (Zak
14:1-4, 16-19).
« Andramo ka izahao fa tsara Jehovah! » (Sal 34:8)
Raha hanandrana Azy ihany, ahoana ireo Andro Masina nodidianyho mandrakizay?
Hoy Jesosy, nanome tsiny ny mpitondra fiangonana tamin‘ny androny:
« Hay! tsara ny nahafoizanareo ny didin'Andriamanitra mba hitandremanareo ny
fampianarana voatolotra anareo? » (Mar 7:9). Mariho tsara io tsikera nataon‘i Jesosy
io ! Mihatra indrindra amin‘ny fitandremana ireo Fotoam-pivavahana notendren‘i
Jehovah ho masina io. Izany tokoa, satria tsy misy olona mahay manompo tompo roa,
afaka sady hitandrina ireo fety nampidirina ao am-piangonana avy tamin‘ny
lovantsofina, no hanao izany koa amin‘ireo Andro masina nodidian‘i Jehovah ao
amin‘ny Baiboly, izay notandreman‘i Jeososy sy ny fiangonana apostolika.
Tsy maintsy MISAFIDY isika!Diniho tsara ny lanjan‘ny fandidianain-3hoe
« Fivoriana masina hantsoinareo amin'ny fotoany avy » (Lev 23), izay mitantara ny
dingana rehetra amin‘ny Planin‘Andrianamitra hamonjena ny olombelona ho tafiditra
ao amin‘ny Fanjakany eto an-tany. Tsy maintsy misafidy isika na hanaraka an‘i Kristy
sy ireo apostoly voalohany, amin‘ny fitandremana ireo dingam-pamonjena ireo,
na―hanamasina‖ fotoana hafa araka izay heverintsika!
10
FITANDREMANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA ANKEHITRINY
Nataon’i Jehovah hantsoina ho fivoriana masina ary ho
tsarovana mandrakizay
Raha niteny tamin‘ny ny mpitondra fiangonana tamin‘ny
andronyJesosy dia nanome tsiny azy ireo hoe: « Hay! tsara ny
nahafoizanareo ny didin'Andriamanitra mba hitandremanareo ny
fampianarana voatolotra anareo? » (Mar 7:9). Io tsikera nataon‘i Jesosy
iodia mihatra amin‘ny fitandremana ireo Fotoam-pivavahana
notendren‘i Jehovah ho masina. Marina tokoa izany satria tsy misy
olonaafaka sady hitandrina ireo fety nampidirinaao am-piangonana avy
tamin‘ny lovantsofina, no hitandrina koaireoAndro masina nodidian‘i
Jehovah ao amin‘ny Baiboly.Iretsy farany anefa dia nohajain‘i Jesosy
sy ny fiangonana apostolika.
Mavesa-danja eo amin‘i Jehovah ny namerenany in-telo ny teny hoe
« Fivoriana masina hantsoinareo amin'ny fotoany avy »ao amin‘ny
Levitikosy 23,sady nasaina tandremana mandrakizay (Lev 12:14, 17 ;
31:13 ; Nom 15:15, 23,29).Mitantara nydingana rehetra amin‘ny
Planin‘Andrianamitra hamonjena ny olona ho tafiditra ao amin‘ny
Fanjakany eto an-tany ireo. Tsy maintsy tandremana avokoa izy ireo
mandram-pahatanteraky ny dingam-pamonjena ambarany amin‘ny
fiverenan‘i Kristy sy aorian‘izany.Ary isika izay voaloham-bokatra dia
hampianatra izany rehefa hitandrina ny Jentilisa amin‘ny tehim-by
mandritra ny Fanjakana arivo taona, satria ny lalànan‘i Jehovah dia tsy
misy miova (Eks 13:3; Sal 2:8-9; Mat 5:18; 26:29; Apo 2:26-27; 19:15;
Zak 14:16).
« Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan'ny lanitra
sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin'ny lalàna, na dia litera*
iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak'izy rehetra. »
(Mat 5:18)
Ny zava-marina voalazan‘ny mpaminany ao amin‘ny Testamenta
Taloha dia avy amin‘Andriamanitra, ary tao an-tendrombohitra Sinay
dia nomeny an‘i Mosesyhotehirizin‘ny Zanak‘Isiraely hatramin‘ny
11
taranaka fara-mandimby, mba homena antsika Kristiana aty amin‘ny
Testamenta Vaovao. Ireo zava-marina ireo dia:nySabata isan-
kerinandro, ny Sabata lehibe sy Fety fito isan-taona, ary ny Tetiandro
masina (calendrier sacré). Ny teny hoe Sabata dia midika hoe andro
fitsaharana sy fivoriana masina, fa ny Fety kosa dia firavoravoana.
Izao no nampanoratina ny apostoly ao amin‘ny Testamenta Vaovao:
« Mosesy nilaza tamin'ny Zanak'isiraely hoe: Mpaminany no
hatsangan'Andriamanitra ho anareo avy amin'ny rahalahinareo, tahaka
ahy, (Deo 18:15) », (Asa 7:37).« Izy ilay teo amin'ny fiangonana tany
an-efitra mbamin'ny Anjely izay niteny taminy tany an-tendrombohitra
Sinay sy tamin'ny razantsika, ka izy no nandray teny velona mba
homeny antsika. » (Asa 7:38)
Koa tsy maintsy misafidy isika na hanaraka an‘i Kristy sy ireo
apostoly voalohany, amin‘ny fampianarana ireo dingam-pamonjena
ireo, na hanamasina fotoana hafa araka izay heverintsika!
« Ary izany andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo ka
hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an'i Jehovah; hatramin'ny
taranakareo fara mandimby no hitandremanareo izany ho andro
firavoravoana, ho Lalàna mandrakizay. » (Eks 12:14)
Raha mahatsapa isika fa tena fototry ny aim-panahin‘ny
olombelona ny Fotoam-pivavahana voatendrin‘i Jehovah,satria
dingana amin‘ny Planin‘ny Famonjena, sady azo ampiharina tsara
amin‘izao androntsika izao, dia tiantsika hianarana ny fomba
fitandremana azy ankehitriny.
Aiza no tsy maintsy ankalazana azy? Any an-tokatrano ve sa any
am-piangonana? Inona no tsy maintsy atao amin‘ireo andro
ireo?Eken‘Andriamanitra ve ny iasana toy ny an-davanandro, sa tsy
maintsy mitsahatra, ka manao fanompoam-pivavahana? Inona no ho
vokatry ny fitandremantsika azy ireo amin‘ny fiainam-pianakaviana
sy ny asa aman-draharaha?
Fanontaniana mavesa-danja avokoa ireo, izay tsy maintsy
itadiavam-baliny raha hianatra ny fitandremana ny Fotoam-
pivavahana Voatendrin‘i Jehovah. ‗Ndeha hodinihintsika ny foto-
12
kevitra ara-baiboly sasany izay tsy maintsy hajainaeoam-
pitandremana ireo andro fototry ny aim-panahintsika ireo.
Ny sasany amin‘ireo Fotoam-pivavahana ireo dia manondro
fomba fitandremana azy miavaka amin‘ny hafa. Ohatra, ny Pasaka
irery no mampiasa mofo sy divay hanambarana ny nahafatesan‘i
Kristy. Ny andro Fihinanana Mofo Tsy Misy Masirasira irery no
andidian‘i Jehovah fanesorana ny masirasira na leviora tao an-
tokatrano. Ny Fanisana 50 andro no mampiavaka ny Pentekosta.
Fampilazana adysy Fiverenan‘i Kristy, ary Fanagonana ny Olom-
boavonjy no mampivohitra ny Fety Fitsofana Trompetra.Ny Andro
Fanavotana kosa dia miavaka noho ny fifadiana rano sy sakafo
mandritry ny 24 ora. Ny Fitoerana amin‘ny Trano Rantsan-kazo dia
ipetrahana amin‘ny toerana tsy maharitra.Ny Fara-Fivoriana dia
tandremana miaraka amin‘ny Trano Rantsan-kazo.
Nytena fitandremana ireo andro ireo dia miaraka amin‘ny
fankatoavana ireo mampiavaka azy ireo, izay natao hampianarana
lesona ara-panahy ho antsika.
Amin‘ny ankapobeny anefa, misy fitsipika itovizan‘nyFotoam-
pivavahana rehetra.
Voalohany, tsy maintsy tadidina fa masina eo anatrehan‘i
Jehovahizy ireo.Ireo dia « fotoam-pivavahana voatendrin’i
Jehovah, izay hantsoinareo ho fivoriana masina, » (Lev 23:2)
Faharoa sy fahatelo ary fahefatra:torina sy ampianarina, ary
ampiharinanyhevi-panahin‟ny dingana lalovana amin‘ny fotoana
itandremana azy. Jehovah manatrika sy manampy mba hahatanteraka
izay ilaina, sy hamaha ny olana, ary handresy ny fahavalo.
Ny fiainana an‘ireo rehetra ireo no atao hoe Fikatsahana ny
Fanjakan‘Andriamanitra, sy Fitafiana an‘i Jesosy Kristy, ary
Fitafiana ny fiadian‘Andriamanitra rehetra.
Ohatra
Jehovah niaro ny Zanak‘Isiraely tsy ho faty tamin‘ny
Paska voalohany tany Egypta,fa nandringana ny fahavalo (14 Abiba
na Nisana; Eks 12:1-19); Nitantana sy niaro ary namonjy azy ireo
Izy (nandringana ny fahavalo endriky ny ota sy Satana) nandritry
13
nyFetin‘ny Mofo Tsy Misy Masirasira voalohany (15-21 Abiba; Eks
12:51; 13:1-10); Nanome sy nampianatra ny Didy folo ary
nanamasina nyZanak‘Isiraely Izy tamin‘ny Fetin‘ny Pentekosta
voalohany teo an-tendrombohitra Sinay (50 andro taorian‘ny
nivoahana avy any Egypta; Eks 19:1-25); sns…
Mosesy feno ny voniahitr‘Andriamanitra sady feno ny
Fanahy Masina ary manana ny Didy folon‘Andriamanitra
hampianarina sy ho enti-mitandrina ny olony raha nidina
fanindroany avy any an-tendrombohitra, avy tany amin‘i Jehovah, ka
nanantona ny vahoakan‘Andriamanitra sy nampianatra azy (Eks
34:29-35). Fotoan‘ny Fetin‘ny Tabernakely voalohany tany an‘efitra
io, endriky ny fiverenan‘i Jesosy Kristy fanindroany amim-
boninahitra, amin‘ny Fanjakana arivo taona.
Jesosy Zanak‘Andriamanitranitandrina nyPaska niaraka
tamin‘ny fianakaviany mandrakariva fony Izy mbola zaza (Lio 2:40-
41). Nitandrina ny Fety Fihinana Mofo Tsy Misy Masirasira koa Izy
(Lio 2:43). Nitandrina nyPaskakoa Izy rehefa lehibe, hatramin‘ny
Fety natrehiny farany talohan‘ny namonoana Azy (Lio 22:7-8, 15).
Nitandrina ny Fetin‘ny Tabernakely koa Izy, sady nampianatra ny
olona (Jao 7:8-14). Nitandrina ny FetyFara-fivorianasy nampianatra
toy izany koa (Jao 7:37). Nanome ny Fanahy Masina tamin‘ny andro
Pentekosta nanorenany ny Fiangonana Kristiana voalohany Izy (Asa
2).
Ny Fiangonana apostolika voalohany nitandrina ny
Fetin‘ny Pentekosta (Asa 2; Asa 20:16).
Paoly nitandrina sy nampianatra ny amin‘ny Fetin‘ny
Mofo Tsy Misy Masirasira (1Kor 5:7-8); Nitandrina ny Pentekosta
koa izy (1Kor 16:8-9)
Petera nitandrina ny Fetin‘ny Tabernakely, nanasitrana
marary sy nitory teny momba ny famonjen‘i Kristy, sy ny
hiverenany hitondra fiadanana amin‘ny Fanjakana arivo taona (andro
famelombelomana) (Asa 3:1-7, 19-21).
Andrimanitra irery no afaka manokan-javatra ho masina
ho Azy
14
Jehovah no nametraka ireo andro voatokana ireo amin‘ny toerana
ambony kokoa noho izay fankalazana noforonin‘olombelona
rehetra.Ny lehilahy sy ny vehivavy dia afaka manokana fotoana ho
an‘Andriamanitra noho ny zava-kendreny;fa Andriamanitra irery no
afaka manokana fotoana masina ho Azy. (Gen 2:3;Eks 20:8, 11; Lev
23:2, 4, 37). Rehefa mampisehofankatoavana marina sy mankafỳ
ireo andro voatokana isan-taona ireo isika, dia manome haja sy
voninahitra an‘Andriamanitra,satria manaiky nyfahefany eo amin‘ny
fiainantsika. Ny fahatakarana izany fitsipika izany dia zava-dehibe
raha hivavaka marina amin‘Andriamanitra, araka izay nolazainy hoe:
« Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy,
satria tamin'izany no nitsaharan'Andriamanitra tamin'ny asany
rehetra izay noforoniny tamin'ny nanaovany azy. » (Gen 2:3)
« Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy. » (Eks
20:8)« Fa henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy
ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy
tamin'ny andro fahafito; izany no nitahian'i Jehovah ny andro
Sabata sy nanamasinany azy. » (Eks 20:11)
JERY ANKAPOBENY NY PLANIN’ ANDRIAMANITRA
Ny ankamaroan‘ireo milaza ho Kristiana dia mitandrina izay
antsoiny hoe « Fanasan‘ny Tompo », « Lamesa »,« Eokaristia », na izay
fanao mitovy amin‘izany, mitarika ho amin‘ny fizarana ny mofo sy ny
divay izay manamarika ny sorona nataon‘i Kristy.
Vitsy amin‘izy ireo anefa no mahazo ny antony anaovany izany,
sady samy hafa koa ny fanatanterahany azy araka ny antokom-
pivavahana (anara-piangonana) arahiny.
Io fomba fanao io dia fahatsiarovana ny DINGANA VOALOHANY
IHANY amin‘ny Planin‘Andriamanitra. Ho an‘ny ankabeazan‘ny
Kristiana, ireo dingana hafa rehetra dia tena tsy jerena akory, koa noho
izany dia tena tsy azony izay dikany.Manana Planina misy dinganafito
Andriamanitra – toy ny nampahafantarany zavatra sasany mifototra
15
amin‘ny isa fito. Hatrany am-boalohany, Andriamanitra dia namorona
ny andro fito amin‘ny herinandro (Gen 1). Nyandro fahafito dia
nofidiny ho Sabatany masina(Gen 2:1-3).Taorian‘izay dia nanome
nyAndro masina fito isan-taona Izy, hampahafantarany ny Planiny sy
ny Tanjony ho an‘ny zanakolombelona (Lev 23).Ao amin‘ny
Testamenta Vaovao, dia hitantsika ny fanoritany ny Fiangonana FITO
ao amin‘ny Apokalypsy (Apo 1:20 ;Apo 2 ; Apo 3). Azontsika vakina
koa fa misy nyTombokase FITO, Trompetra FITO, Loza FITO
farany, ets.Satria ny isa fito dia mariky ny fahatotontasana na ny
fahatanterahana.
Noho izany, raha azontsika, toa tsy misy dikany ny fankalazana
Fetin‘Andriamanitra fanao isan-taona IRAY IHANY, izay manoritra ny
am-pahany iray fotsiny amin‘ny Planiny, fa HADINOINA kosa ny sisa.
Mba hijerena ankapobeny izay ho hitantsika amin‘ny antsipiriany, dia
‗ndeha hodinihina fohy ireo Fetin‘Andriamanitra ara-panahy FITO
isan-taona, hahazoantsika bebe kokoa ny Planina sy ny TANJONA
ambaran‘izy ireo.
Voalohany, ankalazaintsika manetriketrika ny fijaliana sy ny
fahafatesan‘i Kristy nisolo antsika. Ny Baiboly dia miantso izany hoe «
Paska ». Io no manamarika ny fankatoavantsika ny tenan‘i Kristy
torotoro sy ny rany latsaka, izay natolony antsika amin‘ny maha
Mpamonjy Azy. Tadidio anefa fa dingana voalohany amin‘ny
Planin‘Andriamanitra ihany io!
Manaraka izany, tsy maintsy MITOMBO amin‘ny fahasoavana sy
fahalalana an‘i Jesosy Kristy isika (2 Pet 3:18), ary MANARYany
ivelan‘ny fiainantsika ny lalantsika taloha sy ny fahazarantsika manota.
Izany fahaiza-miaina izay manery antsika « handresy » izany no
tantarain‘ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Masirasira.
Fahatelo, isika rehetra izay mamorona ny Fiangonana nateraky ny
Fanahy Masina – ny « ondry vitsy » (Lio12 :32) – isika dia « santatra »
ihany amin‘ny vokatra ara-panahy lehibe izay hiseho aorian‘ny
Fiverenan‘i Kristy. Noho izany, nyFety isan-taona fahatelo, ny
16
Fetin’ny Pentekosta na Fetin’ny Voaloham-bokatra, dia mampiseho
fa tsy misy afa-tsy vokatra ara-panahy kely ihany, no
angonin‘Andriamanitra ankehitriny. Ny tena marina dia izao:TSY EO
AM-PANANDRAMANA « mamonjy » izao tontolo izao
Andriamanitra ankehitriny. Fa raha izany fanandramana izany no
ataony, dia olona tsy minoAN-DAVITRISANY maro, efa maty
hatramin‘ny elabe, ary koa betska toy izany, mbola velona ankehitriny
any Chine, Inde sy any amin‘ny firenen-kafa maro, no tsy hahafantatra
velively an‘Andriamanitra marina, na hankatò ny Zanany ho Tompo sy
Mpamonjy !
Ny zava-hitranga amin’ny ANDRO FARANY dia tantaraina ao
amin’ny volana fahafito
Fahefatra, ny Fetin’ny Trompetra, (Lev 23:24) dia mampiseho ny
FIAFARAN‘izao tontolo izao misy fikorontanana lehibe ary koa ny
Fiverenan‘i Kristy eto an-tany. Ny trompetra ara-bakiteny dia
nampiasaina tamin‘ny andron‘ny Zanak‘Isiraely taloha ho tsofina
hampiomanana rehefa misy ady. Amin‘ny androntsika izao, amin‘ny
fotoana faratampon‘ny ady sy fikorontanana eran-tany, dia hiverina
Jesosy Kristy hamonjy, ary hisy fitsanganan‘ny maty
amin‘ny« FITSOFANA NY TROMPETRA FARANY » (1 Kor 15:51-
52).
Rehefa izany, aoriana akaikin‘ny fiverenan‘i Kristy, Satana dia
hofatorana sy hatsipy ao amin‘ny lavaka tsy hita noanoa, « mba TSY
HAMITAKA NY FIRENENA INTSONY ».(Apo 20:3). Noho izany,
rehefa voafatotra i Satana, dia afaka « hampihavanina », na ―ho tena
iray‖ amin‘Andriamanitra ny olona. Izany no tantarain‘ny Fety ara-
panahy fahadimy– Andro Fanavotana.
Aorian‘ny fiverenan‘i Kristy, Andriamanitra dia handrotsaka ny
Fanahy Masina amin‘ny olona rehetra, ary hanomboka hanazava ny
fahafantarana marina ny Planiny lehibe. Miteny momba izany fotoana
izany Izy, ary milaza hoe :« Ny tany ho henika ny fahalalana an'i
Jehovah, tahaka ny anaronan'ny rano ny fanambanin'ny ranomasina. »
17
(Isa 11:9). Izany no ambaran‘ny fitandremantsika am-pifaliana nyFety
fahenina amin‘ny Planin‘Andriamanitra, –Fetin’ny Tabernakely, na
«Fetin’ny Famoriam-bokatra » (Eks 34:22).
Nytetiandron‘ny FetyMasin‘Andriamanitra dia mifototra amin‘ny
fizaran-taona fijinjam-bokatra tany Isiraely. Arak‘izay voatondro, izy
ireo dia mitantara fijinjam-panahy ho an‘Andriamanitra.Amin‘ny
voalohany, ny vokatra kely dia ambaran‘ny Fetin‘ny ―Santa-bokatra‖
(Jesosy Kristy)sy ny―Voaloham-bokatra‖ (Kristiana amin‘ny
fitsanganana voalohany).Ary amin‘ny FARAN‘izao andro izao,
nyfijinjam-bokatra lehibe amin‘ny faran‘ny taona dia ambaran‘ny
« Fetin‘ny Tabernakely» (Fanjakana arivo taona).
Izao kosaisika dia tonga amin‘ny Fety ara-panahy fahafito sady
farany, izay nomen‘Andriamanitra ny olony.―Fa inona indray no tsy
mbola mahafeno io Planina io?‖ hoy ny fanontanianao. Aorian‘ny
fanjakan‘i Kristy arivo taona, dia mbola hisy olona AN-
DAVITRISANY MARO, maty taloha, izay TSY NANANA
MIHINTSY tamin‘ny androm-piainany, fotoana
NAHAFANTARANYizay kely indrindramomba
an‘Andriamanitramarina, sy Jesosy Kristy, ary ny Planin‘ny
Famonjena. Inona no hanjò ireo olombelona an-davitrisany ―very‖ireo,
satria ―TSY MISY FIZAHAN-
TAVAN‘OLONA‖amin‘Andriamanitra?(Rom 2:11). Ny Fety lehibe
fahafito dia manambara ny fotoana izay hanokafan‘Andriamanitra -
VOALOHANY ny fanahin‘ireo olombelona ireo – mba hahazoany ny
Tenin‘Andriamanitra, sy hananany fotoana hisoratan‘ny anarany ao
amin‘ny ―bokin‘ny fiainana‖ (Apo 20:11-12 ».
Amin‘ny fitandremana ioFety fahafito io izay antsoina hoe « Fara-
fivoriana (Lev 23:36) na Andro lehibe farany » (Jao 7:37), no maha
feno ny fahalalantsika ny sarin‘ny PLANINA nataon‘ny Mpamorona
hidiran‘ny olombelona ao amin‘ny Fianakaviany na Fanjakany. Ny
fanatanterahana ny dingana rehetra amin‘io Planina io dia manomboka
amin‘ny fanekentsika an‘i Kristy ho Mpamonjy,ka hatramin‘ny
18
fiverenany,ary mitohy hatramin‘ny Andro lehibe farany, rehefa
manana fotona hahavonjy azy ny olombelona REHETRA.
Ireo Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovahireo dia sarin‘ny
Planin‘Andriamanitra TOKOA.Nyfetim-pivavahana hafa avy amin‘ny
fanompoan-tsampy, izay nampidirin‘i Satana tamin-kasomparana sy
fitaka ao amin‘ny fiangonana diatena somonga ratsy mihitsy.
Ny marina dia izao, mivavaka amin‘ny andriamani-tsi-izy sy Kristy
sandoka ireo fiangonana ireo, ary manosika antsika hanaiky filazantsara
diso, izay mifanohitra mivantana amin‘ny hafatra marina notorin‘i
Jesosy Kristy sy ny Apostoly !
Ireo Fety fito ireo – ny roa aminy maharitra fito andro, ary ny dimy
maharitra indray andro ihany – dia misy andro sivy ambin‘ny folo isan-
taona ny fitambarany. Amin‘ireo andro sivy ambin‘ny folo ireo, ny fito
dia fitsaharana manokana na ―Sabata‖. Ireo Sabata fito isan-taona ireo –
izay antsoina hoe koa « Fivoriana Masin‘Andriamanitra isan-taona » -
na « Andro Masin‘Andriamanitra isan-taona », dia ireto avy : ny Paska,
ny Mofo Tsy Misy Masirasira, ny Pentekosta, ny Fitsofana Trompetra,
ny Andro Fanavotana, ny Tabernakely, ary ny Fara-Fivoriana (antsoina
hoe koa Andro Fahavalo amin‘ny Tabernakely).
Fotoan’ireo Fivoriana masina tsirairay isan-taona
« Ny amin'ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, izay
hantsoinareo ho fivoriana masina, dia izao no izy: » (Lev
23:2)« Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia
tena andro fitsaharana, dia fivoriana masina; aza manao raharaha
akory ianareo, fa Sabata ho an'i Jehovah eny amin'izay fonenanareo
rehetra izany. » (Lev 23:3)
« Izao no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, dia fivoriana
masina hantsoinareo amin'ny fotoany avy: » (Lev 23:2, 4, 37)
Paska : andro Faha 14 Nisana, rehefa hariva.
Mofo Tsy Misy Masirasira : andro Faha 15 hatramin‘ny faha
21 Nisana. Misy andro fitsaharana roa: faha 15 sy faha 21
Nisana.
19
Pentekosta: androFaha 50 isaina manomboka ny ampitson‘ny
Sabata ao anatin‘ny herinandron‘ny Paska.
Fitsofana trompetra: andro Voalohan‘ny volana faha 7.
Fanavotana: andro Faha 10amin‘ny volana faha 7.
Tabernakely: andro Faha 15 hatramin‘ny faha 21 amin‘ny
volana faha 7. Fivoriana masina amin‘ny andro faha 15.
Fara-fivoriana: andro Faha 22 amin‘ny volana faha 7.
Jereo ao amin‘ny tovana any amin‘ny faran‘ny boky ny datin‘ny
fivoriana masina isan-taona amin‘ny Kalandrie Gregoriana.
Andiamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba no
nandidy ireo Fivoriana masina ireo
« Ary hoy Andriamanitra tamin'i Mosesy: Izao no holazainao
amin'ny Zanak'Isiraely: Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia
Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'i Isaka ary Andriamanitr'i
Jakoba (Isiraely); … izany no anarako mandrakizay, ary izany no
hahatsiarovana Ahy hatramin'ny taranaka fara mandimby. » (Eks 3: 6,
15)
Raha Jehovah Andriamanitr‟i Abrahama sy Isaka ary Jakoba no
nandidy ireo firavoravoana masina ireo ho mandrakizay, mba
Andriamanitra iza kosa no ivavahan‟ny Kristiana tsy mankatò
hankalaza izany?Io Jehovah io koa anefa dia Andriamanitry ny firenen-
tsamy hafa, fa tsy an‘ny Isiraely ara-bakiteny ihany, araka ny
vaoasoratra hoe: « Indro, Izaho no Jehovah, Andriamanitry ny nofo
rehetra; moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va? » (Jer 32:27)
Amin‘ny ara-pinoana, vao maika nohamafisina fa izay an‘i Kristy
dia taranak‘i Abrahama, koa dia natao ho antsika Zanak‘Isiraely ara-
panahy mihitsy koanyFotoam-pivavahana voatendry, izay hantsoina ho
fivoriana masina na andro fivavahana, toy ny Sabata fitsaharana,
amin‘ny fotoany avy.
« Koa fantaro fa izay amin'ny finoana no zanak'i Abrahama. » (Gal
3:7)« Fa ianareo rehetra dia zanak'Andriamanitra amin'ny finoana an'i
20
Kristy Jesosy. » (Gal 3:26)« Fa raha an'i Kristy ianareo, dia taranak'i
Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana. »(Gal 3:29)
Ny teny fikasana dia fanantenana ny fitsanganana amin‘ny maty sy
fandovana fiainanana mandrakizay, hanjaka miaraka amin‘i Jesosy
Kristy eto an-tany.
Sabata lehibe nyFotoam-pivavahana voatendry, izay notandremana
taty amin‘ny Testamenta Vaovao avokoa (Jao 19:31):
« Ary satria andro fiomanana ny andro, dia nangataka tamin'i Pilato
ny Jiosy mba hotapahina ny ranjon'ireo, ary hesorina ny faty, mba tsy
ho tratry ny andro Sabata eo amin'ny hazo fijaliana, satria andro lehibe
izany Sabata izany. » (Jao 19:31)
FANKALAZANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOANTENDRY AO AMIN’NY TESTAMENTA VAOVAO
Nanatrika ireny Fotoam-pivavahana notendren‟i Jehovah ireny
hatrany Jesosy Zanak’Andriamanitra, sy ny Ray
Ny Ray dia nanatrika sy nampahery an’i Jesosy Kristy teoam-
panatanterahany ny dingam-pamonjena iray, toy ny Paska, sy ny
Pentekosta (tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina).
Fony mbola zaza Jesosydia nitandrina nyFotoam-pivavahana
voatendry (Fivoriana masina) niaraka tamin‘ny fianakaviany. « Ary ny
ray aman-dreniny nankany Jerosalema isan-taona, raha avy ny andro
firavoravoana amin'ny Paska. » (Lio 2:41). Tamin‘io Fety isan-taona io
indrindra Izy, fony 12 taona, no niady hevitra tamin‘ny mpampianatra
(and 42-48). Nampitolagaga ny mpitondra fivavahana ny fahalalany sy
ny faharanitan-tsainy. Ny Filazantsaran‘i Jaona dia mampiseho fa
nandritra ny taona nitoriany dia mbola nitandrina ireo andro masina ireo
hatrany Jesosy; (Jao 2:23; 4:45).
Na dia notadiavin‘ny lohan‘ny fiangonana ho vonoina aza Izy dia
mbola niakatra tany Jerosaelma ihany nandritry ny Fetin‘ny
21
Tabernakely sy ny Fara-fivoriana – na hahafaty Aza izany (Jao 7:1-2,
7-10, 14).
Izao no toriteny nataony: « Ary tamin'ny andro farany, izay andro
lehibe tamin'ny andro firavoravoana (Fara-fivoriana), dia nitsangana
Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy
hanatona Ahy ka hisotro. » (Jao 7:37)« Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny
rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra
Masina. » (Jao 7:38)« Ary nyFanahy, Izay efa horaisin'ny mino Azy, no
nolazainy tamin'izany; fa ny Fanahy* tsy mbola nomena, satria Jesosy
tsy mbola niditra tamin'ny voninahiny. [* Na: Fanahy Masina] » (Jao
7:37-39)
Ny ankamaroan‘ny Fiangonana milaza ho kristiana dia mampianatra
fa novan‘i Paoly tanteraka ny fivavahana kristiana. Heverin‘izy ireo fa
nampianatra nyJentilisa niova ho kristiana Paoly, ka nilaza hoe tsy
ilaina intsony ny fitandremna ireo andro firavoravoana voatendrin‘i
Jehovah ireo. Ekena fa saro-patarina ny soratr‘i Paoly (2 Pet 3:15), nefa
Paoly dia nanamafy hoe ―Manahafa ahy tahaka ny anahafako an‘i
Kristy‖, ary Kristy dia tsy nanafoana ireo fotoam-pivavahana
voatendrin‘i Jehovah ireo fa nanaja azy tanteraka.
Ao amin‘ny 1Kor 11:1-2 sy 23-24 dia izao no nambaran‘i Paoly: 1« Aoka hanahaka ahy ianareo, dia tahaka ny anahafako an'i Kristy. »
2« Ary midera anareo aho, satria mahatsiaro ahy amin'ny zavatra rehetra
ianareo sady mitana tsara ny fampianarana natolotra, araka ny
nanolorako azy taminareo. » 23
« Fa izaho efa nandray tamin'ny Tompo
izay natolotro anareo kosa, fa Jesosy Tompo tamin'iny alina iny izay
namadihana Azy, dia nandray mofo, » 24
« ary rehefa nisaotra Izy, dia
novakiny, ka hoy Izy: Ity no tenako* ho anareo; izao no ataovy ho
fahatsiarovana Ahy. [* Ampio hoe: [izay vakina] »
Raha tsy zatra nitandrina ny Andro Masina izy dia tsy mitombona
ireo fampianarana nomeny ny Jiosy sy nyJentilisa tany Korinto ireo.
Tsy misy toko sy andininy ao amin‘ny Soratra Masina manaporofo fa
Paoly dia nitady handresy lahatra na iza na iza mba tsy hitandrina ny
22
Andro Masin‘Andriamanitra. Mifanohitra amin‘izany aza fa tsy ho
azony eritreretina mihitsy ny toy izany (Asa 24:12-14; 25:7-8; 28:17).
Ny fandinihana ny Baiboly dia ahatsapana fa im-betsaka Paoly no
nankalaza ireo Fetin‘Andriamanitra ireo, satria noheveriny ho zava-
dehibe teo amin‘ny fiainany izany. Ny Asa 20:16 sy 1Kor 16:8 dia
ahitana fa nandamina ny diany i Paoly mba hahazoany mankalaza ny
Pentekosta amin‘ny toerana voatokana iray. Eo amin‘ny asa 27:9, i
Lioka, ilay mpiara-dia amin‘i Paoly, dia mitantara fety iray antsoiny
hoe fifadian-kanina, izay tsy hafa fa Fetin‘ny Andro Fanavotana. « Ary
rehefa lany ny andro maro, sady sarotra ny fandehanan-tsambo
tamin'izany, satria efa afaka ny Andro Fifadiana*, dia nananatra azy
Paoly [* Ny Andro Fanavotana izany] » (Asa 27:9)
Eo amin‘ny 1Kor 5:8, mandritry ny fitandremana ny Fetin‘ny Mofa
Tsy Misy Masirasira,Paoly dia mapianatra hitandrina izany miaraka
amin‘ny hevinyara-panahiny, dia ny fialana amin‘ny faharatsiana
isankarazany mandritry ny andro maro mifanesy mba hitomboan‘ny
herim-panahy sy fahamasinana.
« ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin'ny
masirasira ela, na amin'ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa
amin'ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny
fahamarinana. » (1 Kor 5:8)
Nytenin‘i Paoly eo amin‘ny Kol 2:16-17 dia mampibaribary fa ny
Jentilisa niova ho Kristiana dia niara-nitandrina tanteraka ireo
fetin‘Andriamanitra ireo tamin‘ny Jiosy. Hazavao tsirairayny teny ao
anatin‘ny andininy dia mazava izay lazain‘i Paoly ho an‘ireo Kolosiana,
Jentilisa niova ho Kristiana ireo (tsy Jiosy fa nitandrina ny Andro
Firavoravoana votendrin‘i Jehovah tamin‘ny fotoany avy):
Kol 2:16-17. « Koa aza avela hisyhitsaraanareo ny amin'ny
fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-
bolana, na ny sabata; »« aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia
an'i Kristy. » Izany hoe manambara ny famonjen‘i Kristy ireny.
23
Mariho fa ny andro firavoravoana Fitsofana Trompetra dia amin‘ny
voaloham-bolana fahafito no itandremana azy. Aoka tsy ho diso daty ny
fiangonana fa mba hanatrika eo amin‘ny fotoana marina
fanatanterahana izay ambaran‘ny Fivoriana Masina, toy ny tamin‘ny
nadrotsahana ny Fanahy Masina tamin‘ireo olona 120 nanatrika ny
Pentekosta tany Jerosalema (Asa 1:15).Toy izany koa no andrasana
amin‘ny fanangonana ny olom-boafidy amin‘ny Fitsofana ny
TrompetraFarany, amin‘ny fiverenan‘i Kristy!(1Kor 15:52).Sao dia tsy
manatrika eo isika satria tsy mitandrina ny Andro Firavoravoana noho
ny tsy finoana!
Porofo ireo fa mila mitandrina ireo Fotoam-pivavahana voatendrin‘i
Jehovah ireo isika Jentilisa niova ho Kristiana, mba hananantsika anjara
amin‘izay ambarany, dia ny fanatanterahan‘i Jesosy Kristy ny dingam-
pamonjena antsika hiditra ao amin‘ny Fanjakan‘Andriamanitra.
MANATRIKA EO FOANA JEHOVAHAMIN’NY FOTOAN’NY FIVORIANA MASINA
Manatrika foana Jehovah Ray, na Jesosy Kristy, na ny Fanahy
Masina amin’ny fotoan’ny Fivoriana Masina notendreny
Jehovah nanome ny antsipiran‘izay tsy mintsy atao rehefahanao
ny Fivoriana Masina notendreny ny olona. Tsy mbola
nampahafantatrany hevi-panahiny Izy raha nanolotra izany tamin‘ny
Zanak‘Isiraely tany Egypta sy tany an‘efitra, ary tamin‘ny
Testamenta Taloha.
Nomeny tamin‘ny endrika faminaniana kosa izany.Ny
fankatoavana ny Lalàna nodidiany no antoka nanomezany ny
fitahiana. Aloky ny zavatra ho avy no ilazan‘ny Apostoly Paoly azy
ireo, ka ny zavatra ho avy dia ny fahatanterahan‘ny hevi-panahiny,
izay dingam-pamonjena ny olombelona ho tafiditra ao amin‘ny
Fanjakan‘Andriamanitra amin‘ny alalan‘ny famonjena nataon‘i
Jesosy Kirsty.
24
Ny fampifandraisana ny hevitra ara-baikiteny hita ao amin‘ireo
Andro Firavoravoana ireo sy hevi-panahin‘ny dingam-pamonjena
tanteraka amin‘ny alalan‘i Kristy no hahazoantsika ny fomba
fitandremana azy ireo ankehitriny. Harahintsika amin‘ny tabilao
mira-zotra izany fanazavana izany.Hamafisina ny
fanatrehan’Andriamanitra isaky ny fotoam-pivavahana.
TABILAO MIRA-ZOTRA FAMPITAHANA NY HEVITRA ARA-BAKITENY SY ARA-PANAHIN’IREO DINGAM-PAMONJENA
Hevitra ara-bakiteny = aloky ny zavatra ho avy
Hevitra ara-panahy = Tenan’i Kristy=Famonjena
1. PASKA(14 Nisana) Fanokanana
zanak‟ondry amin‟ny faha
10 Nisana
Jehovah
nanatrika,nanome baiko
an‘i Mosesy
Amin‘ny andro fahafolo
amin‘ity volana ity dia aoka
samy haka zanak‘ondry iray
avy izy rehetra, araka ny
fianakaviany, dia
zanak‘ondry iray avy no ho
an‘ny isan-trano ; » (Eks
12 :3)
Famonoana ny zanak‟ondry
tamin‟ny faha 14 Nisana
Jehovah nanatrika :
nanome baiko, niaro ny
zanak‘Isiraely, nandringana
ny Egyptiana
Fanokanana an‟‟i Jesosy
tamin‟ny faha 10 Nisana
Jesosy, Zanak‘Andriamanitra
mihitsy no manatrika sy
manatanteraka
« Ary rehefa henemana no sisa
tsy tonga ny Paska, Jesosy dia tonga
tao Betania, izay nitoeran'i
Lazarosy, ilay natsangany tamin'ny
maty. » (Jao 12:1)
Fanamarihana : famonoana
zanak‘ondry, faha 14 Nisana ;
firavoravon‘ny Paska, faha 15
Nisana ; 6 andro alohan‘ny faha 15
= faha 9 Nisana.
Ny 10e Nisana:
« Ary nony ampitson'iny ny
vahoaka betsaka, izay tonga ho
amin'ny andro firavoravoana, rehefa
nahare fa hankany Jerosalema
Jesosy, » (Jao 12:12)« Dia naka
25
« ary hotehirizinareo izy
hatramin‘ny andro fahefatra
ambin‘ny folo amin‘ity
volana ity; dia hamono azy
amin‘ny hariva ny
fiangonana, dia ny Isiraely
rehetra. » (Eks 12:6)
« Ary hanalany ny rà, ka
hatentiny amin‘ny tolam-
baravarana roa sy amin‘ny
tataom-baravaran‘ny trano
izay hihinanany azy. » (Eks
12:7)
« Dia hohaniny
amin‘izany alina izany ny
hena; voatsatsika tamin‘ny
afo no hihinanany azy
mbamin‘ny mofo tsy misy
masirasira sady
hampiarahina amin‘ny
anana mangidy. » (Eks
12 :8)
« Ary ny rà dia ho
famantarana ho anareo eo
amin‘ny trano izay
itoeranareo ; ary raha
mahita ny rà Aho, dia
handalo anareo, ka tsy hisy
loza handringana anareo,
raha mamely ny tany
Egypta Aho. » (Eks 12 :13)
« Ny andro fahefatra
sampan-drofia ka nivoaka hitsena
Azy sady niantso hoe: Hosana!
Isaorana anie ny Mpanjakan'ny
Isiraely, Ilay avy amin'ny anaran'i
Jehovah (Sal. 118, 26). » (Jao
12:13)« Ary Jesosy nahita zana-
boriky anankiray, dia nitaingina
azy, araka ny voasoratra hoe: » (Jao
12:14)« Aza matahotra, ry Ziona
zanakavavy; indro, avy ny
Mpanjakanao mitaingina zana-
boriky (Zak. 9. 9). » (Jao 12:15)
Namonoana an‟i Jesosy tamin‟ny
faha 14 Nisana
Nifandray tamin‘ny Ray, Izay
manatrika foana,Jesosy
Zanak‘Andriamanitra raha
nanantanteraka ny famonjena
« … Fa voavono Kristy, Paska
ho antsika; » (1 Kor 5:7)
« Aryandro fiomanana amin'ny
Paska ny andro, tokony ho tamin'ny
ora fahenina dia hoy Pilato tamin'ny
Jiosy: Indro ny Mpanjakanareo! »
(Jao 19:14)
« Ary niantso tamin'ny feo
mahery Jesosy ka nanao hoe: Raiko
ô, eo an-tananao no atolotro ny
fanahiko (Sal. 31. 5); ary rehefa
niteny izany Izy, dia afaka ny
ainy. » (Lio 23:46)
« Ary rehefa nanandrana ny
vinaingitra Jesosy, dia nanao hoe:
26
ambin‘ny folo amin‘ny
volana voalohany, rehefa
hariva, dia Paskan‘i
Jehovah. » (Lev 23:5)
Vita; dia nanondrika ny lohany Izy
ka nanolotra ny fanahiny. » (Jao
19:30)
2. MOFO TSY MISY MASIRASIRA (sy anana mangidy) 15-21 Nisana
Ara-bakiteny
Tany Egypta
Masirasira = lalivay
na leviora
mampibontsina ny
mofo
« Ary ny andro
fahadimy ambin‘ny
folo amin‘izany
volana izany dia
Fotoam-pivavahana
ho an‘i Jehovah,
fihinanana ny mofo
tsy misy masirasira ;
hafitoana no
hihinananareo mofo
tsy misy masirasira. »
(Lev 23 :6) « Ary
amin‘ny andro
voalohany dia hisy
fivoriana masina ho
anareo :aza manao
tao-zavatra akory
ianareo ; » (15
Nisana) (Lev 23 :7)
« … ary amin‘ny
andro fahafito dia
hisy fivoriana masina
Ara-panahy
Tamin‟ny andron‟i Kristy sy amin‟ny
androntsika izao
Hevi-panahin‘ ny teny hoe ―masirasira‖ =
fireharehana, fihatsaram-belatsihy,
lolompo, faharatsiana rehetra
« Rehefa indroa andro no sisa tsy
hahatongavan'ny Paska, fihinanana ny
mofo tsy misy masirasira, dia nitady
hisambotra an'i Jesosy tamin'ny fitaka ny
lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-
dalàna mba hamonoany Azy. » (Mar
14:1)
« Nefa hoy izy: Tsy amin'ny andro
firavoravoana, fandrao hampitabataba ny
vahoaka. » (Mar 14:2); (2 andro
alohan‘ny Mofo Tsy Misy Masirasira;
faha 13 Nisana)
Rehefa afaka tamin‟ny fahotana taloha
noho ny famonjen‟i Kristy ny Kristiana,
dia mifaly sady miezaka hitombo amin‟ny
fahamasinana
« Ary tamin'izany, raha niangona ny
vahoaka betsaka tsy hita isa ka
nifanitsaka, Jesosy dia niteny tamin'ny
mpianany aloha ka nanao hoe:
Mitandrema* ianareo, fandrao azon'ny
27
koa ; aza manao tao-
zavatra akory
ianareo. » (21 Nisana)
(Lev 23:8)
15 Nisana: afaka
tamin‟ny fahafatesana
sy ny
fahandevozan‟ny
Egyptiana ny
Zanak‟Isiraely dia
nanao Firavoravoana
Hivoaka an‟i Egypta
« Ary ny
Zanak'Isiraely nanao
araka ny tenin'i
Mosesy ka nangataka
firavaka volafotsy sy
firavaka volamena ary
fitafiana tamin'ny
Egyptiana. » (Eks
12:35)
« Ary nataon'i
Jehovah nahita fitia
teo imason'ny
Egyptiana ny olona,
ka nomen'ireo azy
izay nangatahiny, ka
dia nofoanany ny
Egyptiana. » (Eks
12:36)
« … Tsarovy izao
andro izao, izay
nivoahanareo avy
tany Egypta, tamin'ny
trano nahandevozana,
masirasiran'ny Fariseo, dia ny fihatsaram-
belatsihy » (Lio 12:1)
« Tsy mety ny fireharehanareo. Tsy
fantatrareo va fa ny masirasira kely dia
mahazo ny vongana rehetra? » (1 Kor5:6)
« Esory ny masirasira ela, mba ho
vongana vaovao ianareo, araka izay tsy
maha-misy masirasira anareo.Fa voavono
Kristy, Paska ho antsika; » (1 Kor 5:7)
« ka dia aoka isika hanao andro
firavoravoana, tsy amin'ny masirasira ela,
na amin'ny masirasira lolompo sy
faharatsiana, fa amin'ny mofo tsy misy
masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny
fahamarinana. » (1 Kor 5:8)
Ny ran‘i Kristy sy ny fahafatesany
nanafakaantsika tamin‘ny fahotana tany
aloha, koa mifalia sy miravoravoa, ary
manalavira ny ota, tahaka ny
nanalaviran‘ny Zanak‘Isiraely an‘i
Egypta, izay endrikyny ota.
MITAFY AN‘I KRISTY
(Kol 3:1, 10-14) [Ny tokony
hanariana ny asan'ny nofo sy ny
hitondran-tena miendrika ny filazantsara] 1« Koa raha niara-natsangana tamin'i
Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any
ambony, any amin'ny itoeran'i Kristy,
Izay mipetraka eo an-tanana
ankavanan'Andriamanitra. » 10
« ary efa
notafinareo ny toetra* vaovao, izay
28
fa tamin'ny tanana
mahery no nitondran'i
Jehovah anareo
nivoaka avy tany; koa
aza misy mihinana
izay misy
masirasira. » (Eks
13:3)
Nanenjika ny
Zanak‟Isiraely ny
Egyptiana (endrik‟i
Satana), ka nangidy
taminy ny fandosirana
an‟i Egypta (endriky
ny ota)
« Dia nanendy
mofo tsy nisy
masirasira tamin'ny
koba voalena izay
nentiny avy tany
Egypta izy: fa tsy
mbola voaisy
masirasira izany,
satria noroahina tany
Egypta izy ka tsy
nahazo nijanona sady
tsy nahafehy vatsy ho
azy. » (Eks 12:39)
« Alina
notandreman'i
Jehovah izany,
hitondrany azy
hivoaka avy tamin'ny
tany Egypta; eny,
havaozina ho amin'ny fahalalana tsara
araka ny endrik'izay nahary azy. [* Gr.
olona] » 11
« Fa amin'izany dia tsy misy
jentilisa* sy Jiosy, na voafora sy tsy
voafora, na barbariana sy Skytiana, na
andevo sy tsy andevo, fa Kristy no
zavatra rehetra sady amin'ny rehetra. [*
Gr. Grika] » 12
« Koa mitafia famindram-
po sy fiantrana,, fahamoram-panahy,
fanetren-tena, fahalemem-panahy,
fandeferana, araka ny olom-
boafidin'Andriamanitra sady masina no
malala. » 13
« Mifandefera,ka mifamelà
heloka ianareo, raha misy manana alahelo
amin'ny sasany; tahaka ny namelan'ny
Tompo* ny helokareo no aoka mba
hamelanareo heloka kosa. [* Na:
(Kristy)] » 14
« Ary aoka ho
ambonin'izany rehetra izany ny fitiavana,
fa fehin'ny fahatanterahana izany. »
MITAFY NY FIADIANA
Atolotr'Andriamanitra
(Efe 6:11-20)
« Tafio avokoa ny
fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo
hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly. »
(Efe 6:11)
« Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo
aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy
amin'ny fanjakana sy amin'ny
mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia
amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny
rivotra*. [* Gr. lanitra] » (Efe 6:12)
« Ary noho izany, dia raiso avokoa
ny fiadian'Andriamanitra, mba
29
izany alina izany dia
an'i Jehovah ka
hotandreman'ny
Zanak'Isiraely rehetra
hatramin'ny taranany
fara mandimby. »
(Eks 12:42)
21 Nisana: Tafita ny
Ranomasina Mena ny
Zank‟Isiraely =
Firavoravoana
Jehovah nanatrika sy
nandringana ny
Egyptiana fahavalony
« Ny Egyptiana,
izay hitanareo anio,
dia tsy ho hitanareo
intsony
mandrakizay. » (Eks
14:13)« Jehovah
hiady ho anareo, fa
ianareo kosa
hangina. » (Eks
14:14)
« Dia nahinjitr'i
Mosesy teo
ambonin'ny
ranomasina ny
tànany, ka nikatona
ho tahaka ny teo ny
ranomasina, rehefa
nadiva ho maraina ny
andro; ary ny
hahazoanareo hanohitra amin'ny andro
mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia
hahafahatra ianareo. » (Efe 6:13)
« Mifahara ary, ka sikino
fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia
ny rariny ho fiarovan-tratra, » (Efe 6:14)
« ary kiraroy ny fahavononam-
panahy avy amin'ny filazantsaran'ny
fihavanana ny tongotrareo; » (Efe 6:15)
« ary ho fanampin'izany rehetra
izany dia tano ny finoana ho ampinga,
izay hahazoanareo hamono ny zana-
tsipìka mirehitra rehetra izay alefan'ilay
ratsy. » (Efe 6:16)
« Ary raiso ny famonjena ho
fiarovan-doha sy ny tenin'Andriamanitra
ho sabatry ny Fanahy; » (Efe 6:17)
Manenjika ny Kristiana ny devoly sy ny
ota, tahaka ny nanejehan‟ny Egyptiana
ny Zanak‟Isiraely
« Mahonòna tena, miambena: fa ny
devoly fahavalonareo mandehandeha
tahaka ny liona mierona mitady izay
harapany; » (1 Pet 5:8)« Mifalia amin'ny
fanantenana; miareta amin'ny fahoriana;
mahareta amin'ny fivavahana. » (Rom
12:12)« Mahareta amin'ny fivavahana, ka
miambena amin'izany amin'ny
fisaorana, » (Kol 4:2)
Ny fahafahan'ny mino an'i Kristy amin'ny
herin'ny ota, ary ny fanamasinana azy
« Inona ary no holazaintsika? Mbola
30
Egyptiana nandositra,
kanjo nitsena ny rano
ihany izy, dia narian'i
Jehovah teo
afovoan'ny
ranomasina ny
Egyptiana. » (Eks
14:27)
« Ary dia nikatona
ny rano ka nanarona
ny kalesy sy ny
mpitaingin-tsoavaly,
dia ny miaramilan'i
Farao rehetra izay
niditra teo amin'ny
ranomasina nanenjika
ny Zanak'Isiraely; koa
tsy nisy niangana na
dia iray akory aza. »
(Eks 14:28)
« … Hihira ho an'i
Jehovah aho, fa avo
indrindra Izy; ny
soavaly sy ny
mpitaingina azy efa
nariany ao amin'ny
ranomasina. » (Eks
15:1)
« Jehovah no
heriko sy fiderako, fa
efa famonjena ahy
Izy; izao no
Andriamanitro, ka
hankalaza Azy aho,
hitoetra amin'ny ota ihany va isika
hitomboan'ny fahasoavana? » (Rom
6:1)« Sanatria izany! Hataontsika izay efa
maty ny amin'ny ota ahoana no ho velona
aminy ihany? » (Rom 6:2)
« Tsy fantatrareo va fa na iza na iza
isika no efa natao batisa ho amin'i Kristy
Jesosy dia natao batisa ho amin'ny
fahafatesany? » (Rom 6:3)
« Koa niara-nalevina taminy tamin'ny
batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba
ho tahaka ny nananganana an'i Kristy
tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny
Ray no handehanantsika kosa amin'ny
fiainam-baovao. » (Rom 6:4)
« fa fantatsika fa ny toetsika taloha
dia niaraka nohomboana taminy
hanimbana ny tenan'ny ota, mba tsy
hanompoantsika ny ota intsony. » (Rom
6:6)« Ary raha niara-maty tamin'i Kristy
isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa
isika; » (Rom 6:8)
« Hovonjena amin'ny “fahoriana” ny
vehivavy (=fiangonana)raha maharitra
amin'ny finoana sy ny fitiavana ary ny
fahamasinana mbamin'ny fahononan-
tena. » (1 Tim 2:15)
31
dia Andriamanitry ny
razako, ka
hanandratra Azy
aho. » (Eks 15:2)
Amboara iray ahevaheva
(tsy anaovana fivoriana masina)
Ara-bakiteny
Voaloham-bokatra
nojinjaina
« Rehefa tonga any
amin'ny tany izay omeko
anareo ianareo ka hijinja
ny vokatra any, dia
mitondrà amboara iray
amin'ny voaloham-
bokatrareo ho any
amin'ny mpisorona
ianareo; » (Lev 23:10)
« ary hanevaheva ny
amboara eo anatrehan'i
Jehovah izy,
hankasitrahana anareo;
amin'ny ampitson'ny
Sabata no
hanevahevan'ny
mpisorona azy. » (Lev
23:11)
Ara-panahy
Jesosy Fanahy, Santatra, niseho tany
amin‟ny Ray
« Hoy Jesosy taminy: Aza
manendry Ahy; fa tsy mbola niakatra
tany amin'ny Ray Aho; fa mandehana
mankany amin'ny rahalahiko, ka lazao
aminy hoe: Miakatra ho any amin'ny
Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any
amin'Andriamanitro sy Andria-
manitrareo. » (Jao 20:17)
« Ary rehefa harivan'ilay andro
voalohany amin'ny herinandro, raha
voarindrina ny varavaran'izay
niangonan'ny mpianatra, noho ny
fahatahorany ny Jiosy, dia tonga
Jesosy ka nitsangana teo afovoany, dia
nanao taminy hoe: Fiadanana ho
anareo. » (Jao 20:19)
« Ary rehefa nilaza izany Izy, dia
nasehony azy ny tànany sy ny
lanivoany. Dia faly ny mpianatra, raha
nahita ny Tompo. » (Jao 20:20)
Manatrika ny olony foana Jehovah sy Jesosy Kristy
Mandritry ny Andro Firavoravoana Voatendry
rehefa mankatò izay takiny aminy ny Fiangonana
Ara-bakiteny
Jehovah manatrika sy mampia-
natra,miady amin‟ny fahavalo
Ara-panahy
Jesosy nanatrika sy
nampianatra
32
Paska:Jehovah namono ny
lahimatoan‘i Egypta fa namonjy ny
Zanak‘Isiraely (Eks 12:1, 29).
Mofo Tsy Misy Masira-
sira: Jehovah niaro ny
Zanak‘Isiraely sy nanokatra ny
Rano-masina Mena, fa namono ny
miaramila Egyptiana (Eks 15:19).
Jehovah manome rano sy
sakafo: Rano sy Mana sy Papelika
(Eks 15:25-27; Eks 16)
Jehovahnampianatrany
Sabata, andro fahafito, tamin‘ny
fanomezana ny mana(Eks 16:30).
« Ary hoy Jehovah tamin‘i
Mosesy: Indro, Izaho handatsaka
mofo avy any an-danitra ho
anareo ; dia hivoaka ny olona ka
hanangona izay sahaza hohaniny
isan‘andro, hizahako toetra azy, na
handeha manaraka ny lalako izy, na
tsia. » (Eks 16 :4)
« Ary nony tamin‘ny andro
fahenina dia nanangona avy sasaka
noho ny isan‘andro ny olona, dia
indroan‘ny vata omera ho an‘ny
isan-olona avy ; dia avy ny
lohan‘ny fiangonana ka nanambara
tamin‘i Mosesy. » (Eks 16 :22)
« Ary hoy Mosesy taminy : …
Rahampitso dia tena andro
fitsaharana masina ho an‘i
Jehovah; koa manendasa izay
hendasinareo, ary mahandroa izay
handrahoinareo, ary izay sisa
rehetra dia avelao ho anareo,
hotehirizina ho tra-maraina. » (Eks
16 :23)
Jesosy nampahery ny mpianatra
sy nitory ny Filazantsaran‟ny
Fanjakan‟ Andriamanitra
Talohan‟ny nitsanganany
« Ny niandohan'ny filazan-
tsaran'i Jesosy Kristy,
Zanak'Andriamanitra. » (Mar 1:1)
« Ary rehefa voasambotra
Jaona, dia nankany Galilia Jesosy
nitory ny
filazantsaran'Andriamanitra »
(Mar 1:14)
« Fa hoy Izy taminy: Tsy
maintsy mitory ny teny soa
mahafaly ny amin'ny
fanjakan'Andriamanitra any
amin'ny tanàna hafa koa Aho,
satria izany no nanirahana Ahy. »
(Lio 4:43)
Taorian‟ny nitsanganany
« Niseho tamin‘ny mpianany
tamin'ny famantarana maro fa
velona Jesosy taorian'ny nijaliany,
ka niseho taminy efa-polo andro
Izy ary nilaza ny amin'ny
fanjakan'Andriamanitra. » (Asa
1:3)
« Ary rehefa harivan'ilay
andro voalohany amin'ny
herinandro, raha voarindrina ny
varavaran'izay niangonan'ny
mpianatra, noho ny fahatahorany
ny Jiosy, dia tonga Jesosy ka
nitsangana teo afovoany, dia
nanao taminy hoe: Fiadanana ho
33
« Dia namela izany ho tra-
maraina izy, araka izay nandidian‘i
Mosesy; ary tsy mba maimbo na
niteraka olitra izany. » (Eks 16:24)
« Ary hoy Mosesy: Hano ireny
anio, fa Sabata ho an‘i Jehovah
anio, ka anio no tsy hahitanareo
azy any an-tsaha. » (Eks 16:25)
« Dia nitsahatra ny olona
tamin‘ny andro fahafito. » (Eks
16:30)
Nampanamboatra fitoe-
rana masina (tabernakely) Jehovah
« Ary asaovy manao fitoerana
masina ho Ahy izy, dia honina eo
aminy Aho. » (Eks 25:8) « Ary ao
no hihaona aminao Aho … ka
holazaiko izay rehetra handidiako
anao holazainao amin‘ny
Zanak‘Isiraely. » (Eks 25:22)
Nandidy ny Zanak‘Isiraely
Jehovah, hanamasina ny tenany,fa
hihaona Aminy amin‘ny andro
―Pentekosta.‖
« Ary hoy Jehovah tamin‘i
Mosesy: Mandehana ho eny
amin‘ny olona, ka manamasina azy
anio sy ampitso, ary ampanasao ny
fitafiany izy: » (Eks 19:10)« ary
aoka samy hiomana ho amin‘ny
andro fahatelo izy; fa amin‘ny
andro fahatelo no hidinan‘i
Jehovah ho eo imason‘ny olona
rehetra eo an-tampon‘ny
tendrombo-hitra Sinay. » (Eks
19:11)
anareo. » (Jao 20:19) « Ary rehefa
nilaza izany Izy, dia nasehony azy
ny tànany sy ny lanivoany. Dia
faly ny mpianatra, raha nahita ny
Tompo. » (Jao 20:20) « Ary hoy
indray Jesosy taminy: Fiadanana
ho anareo; tahaka ny nanirahan'ny
Ray Ahy no anirahako anareo
kosa. » (Jao 20:21)
« [Rehefa afaka izany, dia
niseho tamin'ny iraika ambin'ny
folo lahy Jesosy, raha nipetraka
nihinana ireo; ary izy nanome
tsiny azy noho ny tsi-finoany sy
ny hamafin'ny fony, satria tsy
ninoany ireo efa nahita Azy,
rehefa nitsangana Izy] » (Mar
16:14)
« [Ary hoy Izy taminy:
Mandehana any amin'izao tontolo
izao ianareo, ka mitoria ny
filazantsara amin'ny olombelona
rehetra] » (Mar 16:15)« [Izay
mino sy atao batisa no hovonjena;
fa izay tsy mety mino no
hohelohina] » (Mar 16:16)« [Ary
izao famantarana izao no hanaraka
izay mino: hamoaka demonia
amin'ny anarako izy; hiteny
amin'ny fiteny izay tsy mbola
hainy izy;] » (Mar
16:17)« [handray menarana izy;
ary na dia misotro zava-mahafaty
aza izy, dia tsy hampaninona azy
izany; hametra-tanana amin'ny
marary izy, dia ho sitrana ireny] »
(Mar 16:18)« [Ary Jesosy Tompo,
rehefa niteny taminy, dia
nampiakarina ho any an-danitra ka
34
« Ary aoka ny mpisorona koa,
izay manakaiky an‘i Jehovah,
hanamasina ny tenany, fandrao
himaona hamely azy Jehovah. »
(Eks 19 :22)
nipetraka eo an-
kavanan'Andriamanitra] » (Mar
16:19)« [Fa izy ireo kosa dia lasa
ka nitoriteny eny tontolo eny, ary
ny Tompo niara-niasa taminy ka
nanamarina ny teny tamin'ny
famantarana izay nomba azy.
Amena] » (Mar 16:20)
3. PENTEKOSTA Ara-bakiteny
50 andro
taorian‟ny
nivoahana avy any
Egypta no nanome-
zan‟Andria-manitra
ny Didy Folo. Io no
Pentekosta 1er
!
Nanatrika ny
Fotoam-pivavahana
Jehovah, nanome ny
Didy Folo
Rehefa kajina ny
isan‘ny andro
manomboka ny
ampitson‘ny faha 15
Nisana, nivoahan‘ny
Zanak‘Isiraely avy
tao Egypta, hatra-
min‘ny faha 6
Sivana
nanomezan‘Andria
ma-nitra ny Didy
folo teo amin‘ny
Ara-panahy
Jesosy nanafatra ny mpianany hiandry
ny fanomezana ny Fanahy Masina amin‟ny
andro Pentekosta
« Ary, indro, Izaho mampitondra ny
teny fikasan'ny Raiko ho anareo; fa mitoera
eto an-tanàna mandra-panafiana anareo
amin'ny hery avy any amin'ny avo. » (Lio
24:49)
« Fa hahazo hery ianareo amin'ny
hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary
ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i
Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny
tany. » (Asa 1:8)
120 ihany ny mpianatra nandray ny
Fanahy Masina tamin‟ny Pentekosta
An‘arivony maro ny olona nitorian‘i
Jesosy teny ny amin‘ny
Fanjakan‘Andriamanitra sy
nampanantenainy ny Fanahy Masina, fa
ireo ihany no niandry araka izay
nohafarany.
Ny nifidianan'ny Apostoly ny anankiray ho
namany hisolo an'i Jodasy
« Ary tamin'izany andro izany dia
35
tendrombo-hitra
Sinay, dia manome
50 andro marina
tsara. Isao: 15 andro
amin‘ny Nisana
mandra-pahatongan‘
ny faran‘ny volana
izay misy andro 30.
Ampio 29 andro
amin‘ny volana faha
2 Ziva, sy 6 andro
amin‘ny volana
fahatelo Sivana:
Totaliny: 50 andro
=fe-potoana
atongavana amin‘ny
Pentekosta (Lev
23:15-16).
Fanisana 50 andro
hahatongavana
amin‟ny Pentekosta
« Ary manisà ho
anareo hatramin'ny
ampitson'ny Sabata,
dia hatramin'izay
andro itondranareo
ny amboara ho
fanatitra ahevaheva,
dia fito herinandro
mipaka. » (Lev
23:15)
« Dia amin'ny
ampitson'ny Sabata
fahafito no haha-
nitsangana teo afovoan'ny rahalahy Petera
(tokony ho roa-polo amby zato no isan'ny
olona vory teo) » (Asa 1:15)
Rehefa niakatra any an-danitra Jesosy, dia
ny Fanahy Masina no manatrika ny
Fotoam-pivavahana rehetra
« Ary nony tonga ny Andro
Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana iray
izy rehetra. » (Asa 2:1)« Ary samy feno ny
Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny
tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny
nampitenenan'ny Fanahy Masina azy. »
(Asa 2:4)« Dia talanjona sady gaga izy
rehetra ka nanao hoe: Indreo, tsy Galiliana
va ireo rehetra miteny ireo? » (Asa
2:7)« Koa ahoana no andrenesantsika
amin'ny fitenintsika avy izay nahabe
antsika » (Asa 2:8)
« Fa nitsangana Petera sy ny iraika
ambin'ny folo lahy, dia nanandra-peo izy
ka nanao taminy hoe: Ry lehilahy Jiosy sy
izay rehetra monina eto Jerosalema, aoka
ho fantatrareo izao, ka henoy ny teniko: »
(Asa 2:14)
« Ary amin'ny andro farany, hoy
Andriamanitra, No handatsahako ny
Fanahiko amin'ny nofo rehetra; Ary ny
zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo
haminany, Ary ny zatovonareo hahita
fahitana, Ary ny lahiantitrareo hanonofy; »
(Asa 2:17)« Ary ny mpanompoko, na lahy
na vavy, Dia handatsahako ny Fanahiko
amin'izany andro izany, Ka dia haminany
izy; » (Asa 2:18)« Ary hanisy fahagagana
eny amin'ny lanitra ambony Aho sy
36
taperan'ny andro
dimam-polo
hisainareo … » (Lev
23:16)
« Ary miantsoa
izany andro izany ho
fivoriana masina ho
anareo, ka aza
manao tao-zavatra
akory; ho lalàna
mandrakizay
amin'ny taranaka-
reo hatramin'ny fara
mandimby izany eny
amin'izay fonenana-
reo rehetra. » (Lev
23:21).
famantarana amin'ny tany ambany, Dia rà
sy afo ary zavon'ny setroka; » (Asa 2:19)
« Koa aoka ho fantatry ny
taranak'isiraely rehetra marimarina fa iny
Jesosy nohomboanareo tamin'ny hazo
fijaliana iny dia efa nataon'Andriamanitra
ho Tompo sy Kristy. » (Asa 2:36)
« Ary raha nandre izany ny olona, dia
voatsindrona tam-pony ka nanao tamin'i
Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry
rahalahy, inona no hataonay? » (Asa 2:37)
« Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary
aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i
Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo
famelana ny helokareo; ary ianareo
handray ny fanomezana, dia ny Fanahy
Masina; » (Asa 2:38)
« Ary izay nandray tsara ny teniny dia
natao batisa; ary tokony ho telo arivo no
olona nanampy ho isany tamin'izany andro
izany. » (Asa 2:41)
4. FITSOFANA TROMPETRA Ara-bakiteny
« Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao
hoe: » (Lev 23:23) « Mitenena
amin'ny Zanak'Isiraely hoe:
Ny andro voalohany amin'ny
volana fahafito dia ho andro
fitsaharana ho anareo, dia
fahatsiarovana amin'ny
fitsofana trompetra, ho
fivoriana masina. » (Lev
23:24) « Aza manao tao-
zavatra akory; … » (Lev
Ara-panahy
« Jesosy namaly ka nanao
taminy hoe: Lazaiko aminao
marina dia marina tokoa: Raha
tsy ateraka indray* ny olona, dia
tsy mahazo mahita ny
fanjakan'Andriamanitra. [*Na:
ateraka avy ambony] » (Jao 3:3)
« Hoy Nikodemosy taminy:
Hataon'ny olona ahoana no
hateraka rehefa lehibe; moa
mahazo miditra any an-kibon-
dreniny indray va izy ka
37
23:25)
Sabata fitsaharana isan-
taona no hevitry ny hoe: « Aza
manao taozavatra akory »,
sady ―Fivoviana Masina‖
(Andro Fivavahana).
Nisy trompetra vola-
fotsy roa nampanamboarin‘
Andriamanitra an‘i Mosesy
tamin‘ny andro nandehanan‘ny
Zanak‘Isiraely tany an‘efitra:
ho fiantsoana ny fiangonana sy
ho fampiaingana ny toby.
(Nom 10: 1-2, 10: 8)
Ho fampitairana
handehahiady koa no itsofana
ny trompetra, na koa ho tsofina
any am-piadiana araka izay
ibaikoan‘i Jehovah azy (Nom
10: 9-10, 31:6).
Ampanenoina amin‘ny
androm-pifaliana koa ny
trompetra (2 Mpan 11: 14; 1
Tantara 13: 8).
Tsofina teoanoloan‘ny
fiaran‘i Jehovah ny trompetra
rehefa afindra io (1 Tan 15: 24,
28)
Rehefa manao hira
fiderana ho an‘i Jehovah koa
dia tsofina ny trompetra. (Sal
81:1-4).
Vakio: 2 Tan 5: 12-13 ;
7:6 ; 13: 12, 14 ; 15 : 28 ; 29 :
26-28 ; Ezr 3: 10 ; Neh 12: 35,
hateraka? » (Jao 3:4)
« Jesosy namaly hoe:
Lazaiko aminao marina dia
marina tokoa: Raha misy olona
tsy ateraky ny rano sy ny
Fanahy, dia tsy mahazo miditra
amin'ny fanjakan'Andriamanitra
izy. » (Jao 3:5)
« Izay ateraky ny nofo dia
nofo; ary izay ateraky ny Fanahy
dia fanahy. » (Jao 3:6)
« Aza gaga noho ny nilazako
taminao hoe: Tsy maintsy
hateraka indray* ianareo. [*Na:
hateraka avy any ambony] » (Jao
3:7)
« Ny rivotra mitsoka
amin'izay tiany, ary renao ny
feony, nefa tsy fantatrao izay
ihaviany na izay alehany, dia
tahaka izany izay rehetra ateraky
ny Fanahy. » (Jao 3:8)
« Ary amin'ny ampanenoana
mafy ny trompetra dia haniraka
ny anjeliny Izy, ary
hangonin'ireo ny olom-boafidy
avy amin'ny vazan-tany* efatra
hatramin'ny faravodilanitra
rehetra.[*Gr. rivotra] » (Mat
24:31)« fa vetivety, toy ny
indray mipi-maso, rehefa
maneno ny trompetra farany, dia
hovana isika rehetra; fa hotsofina
ny trompetra, ary ny maty
38
41 ; Sal 98: 6.
Tsofina ny trompetra
hofiantsoana ny fiangonana sy
ho fampiaingana ny toby. (Nom
10: 1-2, 10: 8)
[Ny trompetra
volafotsy]«Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe»:
(Nom 10:1)« Manaova
trompetra volafotsy roa ho
anao; voasana no hanaovanao
azy; dia ho fiantsoanao ny
fiangonana sy ho
fampiainganao ny toby ireo. »
(Nom 10:2)« Ary ireo
mpisorona, zanak'i Arona, no
hitsoka ny trompetra; dia ho
lalàna mandrakizay ho anareo
hatramin'ny taranakareo fara
mandimby izany. » (Nom
10:8)
Fotoan‘ady lehibe eto an-
tany amin‘ny fiverenan‘i
Jesosy Kristy
« Ary nipetraka teo an-
tendrombohitra Oliva Izy, dia
nanatona Azy mangingina ny
mpianany ka nanao hoe: Lazao
aminay izay andro haha-
tongavan'izany, ary izay ho
famantarana ny fihavianao sy
ny fahataperan'izao tontolo
izao. » (Mat 24:3)
hatsangana tsy ho lò intsony, ary
isika hovana. » (1 Kor
15:52)« Fa ny tenan'ny Tompo
no hidina avy any an-danitra
amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny
arikanjely ary ny
trompetran'Andriamanitra, ka
izay maty ao amin i Kristy no
hitsangana aloha; » (1 Tes 4:16)
Sabata fitsaharana isan-taona
no dikan‘ny hoe: « Aza manao
taozavatra akory », sady
―Fivoriana Masina‖, Andro
Fivavahana (Lev 23:24-25).
Fahatsiarovana ny Fitsofana
Trompetra koa no hevitry ny
Andro Fivavahana amin‘io andro
voalohany amin‘ny volana
fahafito io.
Ny fitsofana trompetra dia
misy heviny maro.
Ny isa 7 amin‘ny
Planin‘Andriamanitra dia
manambara fahatanterahana sy
fahafenoana. Ny volana fahafito
amin‘ny tetiandrono masin‘
Andriama-nitra (calendrier sacré
de dieu) no misy ireo dingana
efatra farany amin‘ny Planin‘ny
Famonjena. Ny Fety Fitsofana
Trompetra no manomboka azy
efatra.
Tsofina ny trompetra
39
« Ary handre ady sy
filazana ady ianareo; koa
mitandrema, aza matahotra; fa
tsy maintsy ho tonga izany;
nefa tsy mbola tonga ny
farany. » (Mat 24:6)
« Fa hisy firenena
hitsangana hamely firenena,
ary hisy fanjakana hitsangana
hamely fanjakana; ary hisy
mosary sy horohorontany
amin'ny tany samy hafa. »
(Mat 24:7)
« Fa izany rehetra izany no
fiandohan'ny fahoriana*.[*Gr.
faharariam-piterahana; izahao
19. 28] » (Mat 24:8)
« Dia tahaka izany koa
ianareo, raha vao hitanareo fa
tonga izany zavatra izany, dia
aoka ho fantatrareo fa akaiky
ny fanjakan'Andriamanitra. »
(Lio 21:31)
[Ny namahana ny tombo-
kase fahafito, sy ny nitsofana
ny trompetra efatra] « Ary
rehefa novahany ny tombo-
kase fahafito, dia nangina
tokony ho antsasaky ny ora ny
tany an-danitra. » (Apo
8:1)« Ary hitako ny anjely fito
izay mitsangana eo
anatrehan'Andriamanitra; ary
hampahafantarana ny fety
rehetra izay manomboka. Atao
koa ny Andro Firavoravoana
(―Tsofina ny trompetra‖) ho
fanambarana izao Andro Farany
misy antsika izao, ho
fampandrenesana fa antomotra
ny ady lehibe farany eto
amin‘izao tontolo izao! Izany
fampilazana ady izany no
mampiavaka ny Fety Fitsofana
Trompetra.
Amin‘ny fotoan‘ady
lehibe manerana izao tontolo
izao no nambaran‘i Jesosy fa
hampijoroana ny Fanjakan‘
Andriamanitra eto an-tany (Mat
24:3, 6-8; Lio 21:31-32).
Voalazan‘ny boky
Apokalypsy fa hisy feon‘ny
trompetra mahagaga mafy
faneno mialohan‘ny fiavian‘i
Jesosy Kristy sy nyFanangonana
ny olom-boafidy(Apo 8:1-2, 6).
Rehefa novahan‘i Jesosy
Kristy ny tombo-kase fahafito
teo amin‘ny boky izay noraisiny
teny an-tanan‘ilay nipetraka teo
amin‘ny seza fiandrianana(Apo
5:1),dia niomana hitsoka ireo
anjely fito nomena trompetra fito
izay hampirotsaka ny loza
famaizana ny mponin‘ny
40
nomena trompetra fito ireo. »
(Apo 8:2)
« Ary ny anjely fito izay
nanana ny trompetra fito dia
niomana hitsoka. » (Apo 8:6)
« Ary raha tsy efa
nohafohezina izany andro
izany, dia tsy nisy nofo
hovonjena; fa noho ny olom-
boafidy dia hohafohezina
izany andro izany. » (Mat
24:22)
tany,satria manao ny ady lehibe
farany izy ireo.
Izany ady lehibe izany,
raha tsy atsahatr‘i Kristy
amin‘ny fiverenany, dia tsy hisy
nofo hovonjena intsony eto an-
tany, hatramin‘ny olom-boafidy,
hahatanteraka ny Fanavotana sy
ny Fanjakana arivo taona. Tsy ho
feno izany ny Planin‘Andria-
manitra amin‘ny famonjena ny
olombelona! (Mat 24:22).
41
FANANGONANA NY OLOM-BOAFIDY
AMBARAN’NY FITSOFANA TROMPETRA (1Kor 15:52) “… Ny maty hatsangna tsy ho lò intsony ary isika hovana”
Tsy ho voangona ao amin‘ny Fianakavian‘Andriamanitra nyolom-
boafidy raha tsy ―nateraka indray izy‖, izany hoe natsangana tamin‘ny
maty ary voaova ho Fanahy (Jao 3:3-8). Fanangonana ireo voaova ho
Fanahy ireo no ambaran‘ny dingana fahefatra amin‘ny
Planin‘Andriamanitra (Fitsofana Trompetra).Ny Fety Fitsofana
Trompetra dia manambara zava-miseho misy lafiny roa ao amin‘ny
Planin‘Andriamanitra.
Amin‘ny lafiny iray izy dia manambara fotoan‘ady mahatsiravina ho
avy ifanaovan‘ny olombelona, izay ilanany fidiran‘i Jesosy Kristy an-
42
tsehatra, hisakana ny fifandringanan‘ny olona tanteraka (tsy hisy olona
velona intsony).Famerenana ny Fanjakan‘Andriamanitra eto an-tany no
mahasakana izany. Nolazain‘i Jesosy fa « Raha tsy efa nohafohezina
izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-
boafidy dia hohafohezina izany andro izany. » (Mat 24:22).
Amin‘ny lafiny faharoa kosa izy dia manambara ny fiverenan‘i
Kristy hanangana amin‘ny maty ireo olom-boafidy.
Raha tsy misy olona intsonyeto an-tany noho ny fifandringanana
ataony, dia tsy misyhampianarina sy hovonjena intsony.Tsy misy ilana
ny ―Fanavotana‖ sy ny ―Fanjakana arivo taona‖ instony ao amin‘ny
Planin‘Andriamanitra, satria ho famonjena ny olona no antom-pisian‘ny
―Fanavotana‖, ary fanangonam-bokatra ara-panahy lehibe ny
―Fanjakana arivo taona‖. Ireo izay notorontoronin‘ny Fanahy sy
voafidy ho voaloham-bokatra koa dia tsy hahatanteraka ny fitomboany
raha iharan‘io fifandringanana io alohan‘ny fotoana ny olona.
Amin‘ny voalohan‘ny volana fahafito no fahatsiarovana ny fitsofana
Trompetra. Io volana fahafito io dia misy Andro firavoravoana efatra:
Fitsofana Trompetra (Fanangonana ny voaloham-bokatra), Fanavotana
(Fanidiana an‘i Satana), Tabernakely (Fanjakana arivo taona), ary Fara-
fivoriana (Fitsarana farany).
5. ANDRO FANAVOTANA Ara-bakiteny
-Fivoriana masina omba-
pifadian-kanina sy fibeba-
hana,
« Ary amin'ny andro
fahafolo amin'izany volana
fahafito izany (dia ny andro
fanavotana) hisy fivoriana
masina ho anareo; ary
hampahory ny tenanareo
ianareo. » (Lev 23:27) « Ho
Ara-panahy:
Fivoriana masina sy
“Deliverance”
Ny amin'ny namatorana an'i
Satana, sy ny amin'ny
fitsanganana voalohany, ary ny
arivo taona
« Ary hitako fa, indro, nisy
anjely nidina avy tany an-
danitra, nanana ny
43
tena andro fitsaharana ho
anareo izany, ary hampahory
ny tenanareo ianareo; amin'ny
andro fahasivy amin'ny volana,
rehefa hariva dia hatramin'ny
hariva ka hatramin'ny ampitso
hariva no hitandremanareo ny
andro fitsaharanareo. » (Lev
23:32)
-Fifonan‟ny mpisorona sy ho
an‟ny ankohonany
« Ary hampanatonin'i Arona
ny vantotr'ombilahy, izay hatao
fanatitra noho ny ota ho an'ny
tenany, ka dia hanao
fanavotana ho azy sy ny
ankohonany izy, dia hovonoiny
ny vantotr'ombilahy, izay hatao
fanatitra noho ny ota ho an'ny
tenany. » (Lev 16:11)
-Ran‟ny osilahy an‟i Jehovah
« Ary ny fiangonan'ny
Zanak'Isiraely, dia handraisany
osilahy roa hatao fanatitra noho
ny ota sy ondrilahy izay hatao
fanatitra dorana. » (Lev 16:5)
« Ary hampanatonin'i Arona
ny osilahy izay niharan'ny
filokana ho an'i Jehovah ka
hataony fanatitra noho ny ota. »
(Lev 16:9)
-Fandroahana ny osilahy an‟i
Azazela
fanalahidin'ny lavaka tsy hita
noanoa sy gadra lehibe eny an-
tànany; » (Apo 20:1) « dia
nisambotra ilay dragona izy (dia
ilay menarana ela, ny devoly sy
Satana izany) ka namatotra azy
arivo taona, » (Apo 20:2) « dia
nanipy azy ho amin'ny lavaka
tsy hita noanoa ka nanidy izany,
dia nanisy tombo-kase teo
amboniny, mba tsy hamitahany
ny firenena maro intsony
mandra-pahatapitry ny arivo
taona; ary rehefa afaka izany,
dia tsy maintsy hovahana
kelikely aloha izy. » (Apo 20:3)
Dingana voalohany
Miantso fivoriana masina sy
fibebahana ombam-pifadian-
kanina 24 ora, ho an‘ny
fiangonana rehetra mihoatra ny
10 taona, na lahy na vavy, na
antitra na tanora.
Fivavahana ombam-panetre-
tena sy fifonana noho ny
fahotana rehetra natao;
fibebahana ombam-panomezan-
toky hialana amin‘ny ratsy
fanao.
44
« Fa ny osilahy izay
niharan'ny filokana ho an'i
Azazela kosa dia hapetraka
velona eo anatrehan'i Jehovah
hanaovana fanavotana ho azy,
mba handefasana azy hankany
an-efitra ho an'i Azazela. »
(Lev 16:10)
Ao anatin‘ny fanetre-tena
ny fankatoavana ny fepetra
rehetra andidiana ny fiangonana,
na dia tsy mbola takatry ny
saina aza ny heviny (ohatra:
akanjo fotsy sy manga).
Fanavotana: Hevitra ara-panahy (Tohiny)
Dingana faharoa
Amin’izao androntsika izao
Ny mpisorona manao fanavotana ho an‘ny tenany sy ny ankohonany
Mandritryny litorjia, ny loholona rehetra, sy ny diakona, afa-tsy izay
nanatanteraka ny fisoronana, dia miara-mipetraka amin‘ny fiangonana
fa tsy miavaka eny aloha akaikin‘ny polipitra; tsy manao ny akanjo
pastoraly fa manao fitafiana tsotra toy ny an‘ny rehetra, ho mariky ny
fanetretena sy fanekena ny fitsipika navoakan‘ny mpitondra. Nyrehetra
dia mangatam-pamelan-keloka sy mibebaka, ary mifamela heloka sy
mifady hanina toy fiangonana manontolo.
Araka ny Tenin‘ Andriamanitra tokoa, mialoha ny hanaovany
fanavotana ho an‘ny olon-drehetra, dia manao izany ho an‘ny tenany sy
ny ankohonany ny mpisorona, mba tsy hahazo azy ny tenin‘i Jesosy
manao hoe: « Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin'ny
masonao, ary amin'izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny
sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao. » (Mat 7:5).
Mpisorona (Pastera, Loholona, Diakona) nanamasin-tena sy
mendrika hanao ny fanompoana an‘Andriamanitra no manatanteraka ny
fanaovam-panavotana ho an‘ny olona (Lev 16:6), satria misolo an‘i
45
Kristy izy, ary koaolom-boafidin‘Andriamanitra sy fanjakam-pisorona
ary firenena masina ho an‘i Jehovah; toy izany koa ny ankohonany.
Ny fanamasinan-tena ataony dia manatanteraka ny dingana efatra ho
an‘ny tenany sy ny ankohonany izy. Ny fanapahana ozona tsy maintsy
ataony dia hamarinin‘ireto tenin‘Andriamanitra ireto:
Eks 20: 4-5 « Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny
mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay
ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany. »
(Eks 20:4)« Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa
Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka
mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny
zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy; » (Eks 20:5).
Ravao ny sampin’ny razana (Mpits 6: 25)
Tsy fanapotehana ara-bakiteny intsony no atao, fa araka izay
nanomezan‘i Jehovah azy ny Fiangonana, dia ny ―fandravana amin‘ny
alalan‘ny vavaka sy fanondroana ary fanosorana azy amin‘ny ràn‘i
Jesosy Kristy, Ilay Zanak‘ondry maty sy nilevina ary nitsangana araka
ny Soratra Masina‖.
Ifony ny helokareo sy ny an‘ny razanareo dia hatsahatr‘i Jehovah ny
ozona namelezany anareo hatrany amin‘ny taranaka fahefatra (Lev 26:
40-42; Dan 9: 16; Neh 9: 2). Tapaho ny ozona noho ny fahadisoan‘ny
razana sy ny fahotany fa hamindra fo aminao Jehovah ary tsy ho
tsarovany intsony ny fahotanao (Eks 20: 4-5; Isa 43: 25; Fit 5: 1-8; Heb
8: 12; 10: 17;Sal 79:8; Jer 14:20).
Fit 5:7: « Nanota ny razanay; tsy ety intsony izy; ary izahay no
mivesatra ny helony. »
« Tompo ô, mifona aminao aho, araka ny fahamarinanao rehetra,
aoka re hionona ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao amin'i
Jerosalema tanànanao, tendrombohitrao masina, fa ny helokay sy ny
fahotan'ny razanay no nahatonga an'i Jerosalema sy ny olonao ho latsa
amin'izay rehetra manodidina anay. » (Dan 9:16)
46
Dingana fahatelo
Fahatokiana nyfamonjen‘i Jesosy Kristy
Ohatra: Nahasitranan‘ilay vehivavy narary efa ela; noho ny finoany
ka nanendry ny somotraviavin-damban‘i Jesosy (Mat 9:20-22).
Ho an‘ny fiangonana, dia ny fahatokiana sy fankatoavana ny
famonjena nataon‘i Jesosy Kristy tamin‘ny nanolorany ny rany sy ny
ainy teo ambony hazo fijaliana no antoka.
Fanolorana ny vavaka rehetra amin‘ny anaran‘i Jesosy Kristy maty
sy nilevina ary nitsangana tamin‘ny andro fahatelo araka ny Soratra
Masina.
« Ary ny anarany no nampahatanjaka io lehilahy hitanareo sy
fantatrareo io noho ny finoana ny anarany; eny, ny finoana izay azo
amin'ny alalany no nahazoany izao fahasitranana tsara eto imasonareo
rehetra izao. » (Asa 3:16)
« Izy no ambaran'ny mpaminany rehetra, fa amin'ny anarany no
hahazoan'izay rehetra mino Azy famelan-keloka. » (Asa 10:43)
« Ary ankehitriny inona no mampijanona anao? Mitsangàna,
miantsoa ny anarany, ary aoka hatao batisa ianao ka hosasana ho afaka
amin'ny fahotanao. » (Asa 22:16)
Dingana fahefatra
Fandroahana an‘i Satanahanalavitra ny toerana masin‘
Andriamanitra sy ny fiainan‘ny olona (Délivrance).
Amin’ny fotoan’ny Fanjakana arivo toana: dia fanidiana an‘i
Satana any amin‘ny lavaka tsy hita noanoa, mba tsy hamitahany ny
firenena intsony (Apo 20:1-3).
Amin’izao androntsika izao:
Nyohatra amin‘ny fanavotana dia ny nanasitranan‘i Jesosy ilay
lehilahy azon‘ny demonia tany amin'ny tanin'ny Gerasena izay
tandrifin'i Galilia.
Mila miambina ny olona efa nanaovam-panavotana mba tsy ho
voafitak‘i Satana, sy ho lavo amin‘ny fahotana efa nanadiovana azy
47
intsony; toy izany no nataon‘i Davida mpanjaka (Sal. 32:5, 51:4, 10;
Levitikosy 16:7-10, 15-16, 29-30).
Tari-dalana ho fanatanterahana ny fanavotana na“délivrance”
a. Noho ny fanekeny tamin‘i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, Jehovah
dia nanafaka faobe (délivrance faobe) ny Isiraely tamin‘ny
fahandevozany tany Egypta.
b. Nanome didy sy fitsipika an-tsipiriany tsy maintsy tandremana
Jehovah na dia nanafaka faobe tamin‘ny fahandevozana aza.
c. Nafahin‘Andriamanitra faobe tamin‘ny ota sy ny tambiny isika
tamin‘ny nahafatesan‘i Jesosy Kristy. Ireto manaraka ireto kosa ny
fitsipika an-tsipiriany handraisana ny vokatr‘izany fanafahana faobe
izany (Andraikitra takina amin‘ny Kristiana):
i. Mila mankatò izany famonjena izany isika;
ii. Mila mahafatatra tsara Ilay Mpamonjy;
iii. Mila maharitra amin‘ny fahamasinana sy toe-panahy araka
an‘Andriamanitra;
iv. Esory ny masirasira ela araka izay tsy maha-misy masirasira
anareo, fa voavono Kristy, Paska ho antsika;
v. Esory ny fireharehana, ny lolompo, ny fialonana, ny fitsiriritana,
ny faharatsiana rehetra;
vi. Manàna fahadiovam-po sy fahamarinana ;
vii. Aza mijangajanga, na dia ao am-po ihany aza;
viii. Manàna fahamoram-panahy sy fahalemem-panahy;
ix. Manaova soa ;
x. Manàna fahononam-po ;
xi. Mandehana araka ny Fanahy mba ho velon‘ny Fanahy;
xii. Aza avela hanjaka aminareo intsony ny ota.
d. Voasoratra hoe:Ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin'i Kristy,
mba hohamarinina noho ny finoana isika. » (Gal 3:24). Fa rehefa
tongany finoana, dia tsy fehezin'izay mpitaiza intsony isika. » (Gal
3:25).
i. Nefa fantatrao tsara sy iainanao ve nyfinoana nampianarin‘ny
lalàna anao?
48
ii. Ohatra: Fantatrao ve fa ny lalàna dia nampianatra haharitra
amin‘ny fahamasinana rehefa nafahina tamin‘ny ota?
(Fihinanana Mofo tsy Misy Masirasira fito andro = Maharitra
amin‘ny fifadiana ny ota). Noho izany,
1. Moa ve mifady ny ota farafaharatsiny fito andro hianao :
a. Rehefa vita ny batisa?
b. Rehefa vita ny fanasan‘ny Tompo?
c. Rehefa vita ny Sabata?
2. Sa miverina amin‘ny fanao isan‘andro, fa hadino ny
fanafahana?
3. Ny fifadian-kaninadiatokony hatao miaraka amin‘ny
fifadiana ny ota sy fandinihana Soratra Masina, fa tsy
fiaretana hanoanana fotsiny !
e. Manao fanafahana faobe koa Jehovah Andriamanitra, nanafaka antsika
tamin‘ny finoan-diso nisy antsika taloha isika, dia ny finoana an'i Jesosy
maty Zoma nitsangana Alahady, izay maty tsy araka ny Soratra Masina.
i. Fomba maro samy hafa no nanafahany antsika
1. Fahasitranana tamin‘ny aretina
2. Fahafahana tamin‘ny loza
3. Fahafahana tamin‘ny fatorana samihafa, toy ny toaka,
sigara, fahazaran-dratsy isan-karazany, ny fonja, ets.
4. Fanafahana tamin‘ny olana samy hafa
5. Faharesen-dahatra tamin‘ny fampianarana.
6. Fitahiana maro isan-karazany, ets.
ii. Rehefa tonga ato amin‘ny Fiangonan‘Andriamanitra Marina ary,
dia izao no tsy maintsy atao mba hahazoam-bokatra amin‘ny
fanafahana faobe:
1. Mianara ny an-tsipirian‘ny didin‘Andriamanitra toy izay tsy
maintsy nataon‘ny Isiraely
2. Aza manadino an‘Andria-manitra izay nanafaka anao
tamin‘ny loza sy ny olana ary ny aretina
3. Mazotoa amin‘ny asa fanompoana sy fampiorenana ny finoana
49
4. Mamonje vondrom-bavaka
5. Manaova asa fampandrosoana ny fiangonana
6. Mandraisa adidy amin‘ny fitiavana ny namana
7. Mianara ny sitrapon‘Andriamanitra
8. Tapaho ny ozona hahatanteraka ny fanafahana : « délivrance »
amin‘ ny antsipiriany fa tsy mionona amin‘ny délivrance
faobe
9. Aza manota intsony ary diovy ny tenanao ho afaka amin‘ny
tsy fahamarinana rehetra
10. Katsaho aloha ny fanjakan‘Andriamanitra sy ny fahamarinany
Izay maharitra amin‘ny fitandremana ny didin‘Andriamanitra sy ny
filazana an‘i Jesosy Kristy Ilay marina no masina sy mahazo ny fiainana
mandrakizay, AMENA!
Tsy manao fanatitra biby intsony
Ny fibebahana amin‘ny fo torotoro sy mangorakoraka ary ny
fiderana an‘Andriamanitra sy ny fanaovan-tsoa sy fiantrana no
fanatitra ankasitrahan’i Jehovah.(Heb. 13: 15-16). Io fanatitra
ankasitrahan‘i Jehovah io dia fanamafisana fa foana ny finoana tsy misy
asa (Jakoba 2:14-26).Ny ràn‘ondrilahy sy osilahy ary ombilahy dia
soloin‘ny finoana sy fankatoavany ny fanati-panavotana sy
fampihavanana nataon‘i Jesosy Kristy tamin‘ny tenany sy ny rany.
Fibebahana sy fanoloran-tena hatao batisa ary fandraisana ny
Fanahy Masina ho tombo-kase no vokatr‘izany ho an‘ny olona. Tena
ilaina nyfandravana ny sampy rehetra sy ny fialana amin‘ny ratsy fanao
ary ny fiverenana tanteraka amin‘i Jehovah sy amin‘ny fitiavana
voalohany, satria izany no fanapahana ny fifandraisana nataontsika
tamin‘ny devoly fony mbola nanompo sampy isika na ireo razan-tsika.
Mila manohitra ny devoly isika hampandositra azy.
50
6. TABERNAKELY Ara-bakiteny
Fanamasinana ny Fetin‟ny
Tabernakely
7 andro taorian‘ny
1er
Pente-kosta, Mosesy
nifady hanina 40 andro sy 40
alina in-telo taoSinay (Eks
34:1-4, 28; Deo 9:17-21).
127e andro aorian‘ny
Pente-kosta 1er
= andro 15e,
Volana 7e (=Tabernakely
1er
),Mosesy feno
voninahitra,midina avy any
an-tendrombohitra Sinay,
mitondra ny Didy Folo
fanindroany (Eks 34:29)
Endriky ny
fiverenan‘i Jesosy Kristy
fanindroany io!
Nanomezana ny
Fetin‘ny Tabernakely ho
lalàla mandrakizay
« Mitenena amin'ny
Zanak'Isiraely hoe: Ny
amin'ny fotoam-pivavahana
voatendrin'i Jehovah, izay
hantsoinareo ho fivoriana
masina, dia izao no izy: »
(Lev 23:2)
« Amin'ny andro fahadimy
ambin'ny folo amin'izany
Ara-panahy
Nitandrina ny Tabernakely Jesosy
« Ary efa akaiky ny andro
firavoravoan'ny Jiosy, dia ny
amin'ny Tabernakely, » (Jao
7:2)« Ary rehefa nisasaka ny
andro firavoravoana, dia niakatra
teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy
ka nampianatra. » (Jao 7:14)
Andro fahavalo = Fara-fivoriana
« Ary tamin'ny andro farany,
izay andro lehibe tamin'ny andro
firavoravoana, dia nitsangana
Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha
misy olona mangetaheta, aoka izy
hanatona Ahy ka hisotro. » (Jao
7:37)« Izay mino Ahy, dia hisy
onin'ny rano velona miboiboika
avy ao an-kibony, araka ny
voalazan'ny Soratra Masina. » (Jao
7:38)« Ary ny Fanahy, Izay efa
horaisin'ny mino Azy, no
nolazainy tamin'izany; fa ny
Fanahy* tsy mbola nomena, satria
Jesosy tsy mbola niditra tamin'ny
voninahiny. [* Na: Fanahy
Masina] » (Jao 7:39)
« Ary ny sasany tamin'ny
vahoaka, raha nandre izany teny
izany, dia nanao hoe: Ity tokoa no
Ilay Mpaminany. » (Jao 7:40)
Ny amin'ny fitsanganana
voalohany sy ny arivo taona
51
volana fahafito izany no
hiantombohan'ny Fotoam-
pivavahana fitoerana amin'ny
trano rantsan-kazo hafitoana
ho an'i Jehovah. » (Lev
23:34)
« Amin'ny andro
voalohany dia hisy fivoriana
masina: aza manao tao-
zavatra akory. » (Lev 23:35)
Fanamarihana :Antsoina
hoe Fetin‘ny fijinam-bokatra
koa ny Fetin‘ny Tabernakely
(Eks 23:26; 34:22), satria
ankalazana ny vokatra azo
tamin‘ny faran‘ny
fahavaratra sy voalohan‘ny
fararano tany Palestina (Lev
23:39). Ny Fetin‘ny
Tabernakely, izay dingana
fahenina amin‘ny
Planin‘Andriamanitra, dia
fotana firavoravoana lehibe.
Tamin‘ny andron‘ny
Zanak‘Isiraely dia Fetibe fito
andro satria voangona ny
tahirin-tsakafo rehetra ho
amin‘ny ririnina.
Anaty toerana tsy
maharitra no ankalazanany
Fetin‘ny Tabernakely (Lev
23:40, 42).
« Ary nahita seza fiandrianana
maro aho, ary nisy nipetraka teo
amboniny, ary nomena fahefana
hitsara izy; ary hitako koa ny
fanahin'izay notapahin-doha noho
ny filazana an'i Jesosy sy ny
tenin'Andriamanitra sy izay
rehetra tsy niankohoka teo
anoloan'ny bibi-dia na teo
anoloan'ny sariny ary tsy nandray
ny marika ho eo amin'ny handriny
na ho eo amin'ny tànany; ary
velona izy ka niara-nanjaka
tamin'i Kristy arivo taona. » (Apo
20:4)
« Fa ny sisa amin'ny maty dia
tsy mbola velona mandra-
pahatapitry ny arivo taona. Izany
no fitsanganana voalohany. »
(Apo 20:5)
« Sambatra sy masina izay
manana anjara amin'ny
fitsanganana voalohany; ireo tsy
mba ananan'ny fahafatesana
faharoa fahefana, fa ho
mpisoron'Andriamanitra sy Kristy
ireo ka hiara-manjaka aminy arivo
taona. » (Apo 20:6)
FANJAKANA ARIVO TAONA
52
« Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary
nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay notapahin-doha noho ny
filazana an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo
anoloan'ny bibi-dia na teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny
handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo
taona. » (Apo 20:4)« Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana
voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana; fa ho
mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona. » (Apo
20:6)« Ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an'Andriamanitsika ireo; Ary
manjaka ambonin'ny tany izy. » (Apo 5:10)
Mandritra nyMilenioma izay ambaran‘ny Fetin‘ny Tabernakely,
Jesosy Kristy dia hanjaka arivo taona eto an-tany, hitondra fiadanana sy
fifaliana ary fandrosoana manerana izao tontolo izao.
(Joe 3:1-5):[Ny amin'ny handatsahana ny Fanahy Masina, sy
hitsarana ny firenena nyrehetra] :
« Ary rehefa afaka izany, dia handatsaka ny Fanahiko amin'ny
nofo rehetra Aho; dia haminany ny zanakalahinareo sy ny
zanakavavinareo, ny lahiantitrareo hanonofy, ary ny zatovonareo hahita
fahitana; » (Joe 3:1) « Ary na dia ny mpanompolahy sy ny
mpanompovavy aza dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro
izany. » (Joe 3:2)
Ny firenena izay tsy hanaiky hankalaza ny Fety eo am-
boalohany ka tsy hety hampianarina, dia ho faizina mafy (Zak 14:16-
19).
Jesosy Kristy sy ny olom-boafidy, voaloham-bokatra, dia
hampianatra ny firenena rehetra amin‘ny alalana‘ireo Fety isan-taona
ireo amin‘ny fiverenany.
Hahafantatra ny Planin‘Andriamanitra ny firenen-drehetra ary
olona an-davitrisany maro no ho tafiditra ao amin‘ny Fanjakan‘
Andriamanitra.
Eto an-tany ny Fanjakana arivo taona
Jesosy Kristy miara-monina amintsika indray.
53
Raha ny filahatry ny andro firavoravoana voatendry milaza ny
zavatra ho avy no dinihina, dia tsy miaraka ny fanangonana ny olom-
boafidy sy fanidiana an‘i Satana ary ny fanombohan‘ny Fanjakana arivo
taona. Raha ny nitsanganan‘i Jesosy no dinihina dia niakatra niseho
tany amin‘ny Ray Izy vao niverina nampianatra sy nanafatra ny
mpianatra indray (Jao 20:16-19), avy eo vao niakatra any an-danitra
miandry ny fiverenany. Ho antsika kosa dia mazava fa eto an-tany ny
Fanjakana arivo taona hiarahana amin‘i Kristy.Nyfanovana antsika ho
fanahy kosa dia amin‘ny fitsofana ny trompetra farany, mialoha ny
fanidiana an‘i Satana, sy ny fampandehanana ny Fanjaka arivo taona.
Ny ampahany amin‘ny Fanjakana dia voatantara ao amin‘ny Zakaria
14, izay milaza fa Mpanjakan‘ny tany rehetra i Jesosy Kristy.
Zak 14:4, 9: « Ary amin'izany andro izany ny tongony hijoro eo an-
Tendrombohitra Oliva,izay eo atsinanana tandrifin'i Jerosalema, ary ny
Tendrombohitra Oliva hitresaka eo afovoany hiatsinanana sy
hiankandrefana, ka hisy lohasaha lehibe; ary ny antsasaky ny
tendrombohitra hifindra hianavaratra, fa ny an-tsasany kosa
hianatsimo. » « Ary Jehovah ho Mpanjakan'ny tany rehetra;amin'izany
andro izany dia iray no Jehovah, sady iray no anarany. »
Faminaniana maro no milaza fa ho Mpanjakan‘ny tany rehetra
Jesosy Kristy sy ny olo-masin‘ny Avo Indrindra:
a) Nofin’i Nebokadinezara mpanjaka babyloniana momba ilay
sariolona lehibe nopotehin‘Ilay vato tsy nendahan-tanana. Izany vato
tsy nendahan-tanana izany (Fanjakan‘i Jesosy Kristy) dia voalaza fa
tonga tendrombohitra lehibe nameno ny tany fa tsy lasa niakatra any an-
danitra, izany hoe eto an-tany no manjaka mandritra ny arivo taona
Jesosy Kristy sy ireo mpanaraka azy (Dan 2:35, 39-45):
―nampahafantarin‟Andriamanitra izay zavatra ho avy rahatrizay”.
b) Fahitan’i Daniela biby efatra = Fanjakana 4 lehibe mifandimby
sy ny hitsaran‘Andriamanitra azy ireo(Dan 7:1-28).« Ary ny fanjakana
sy ny fanapahana ary ny fahalehibiazan'ny fanjakana eny ambanin'ny
lanitra rehetra dia homena ny olo-masin'ny Avo Indrindra; ny
54
fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahana rehetra dia
hanompo sy hanoa Azy. » (Daniela 7:27).
c) Daniela sy ny fanjakana Media, Persia, Grisia ary Papaly
Fanjakana nampahory ny olon‘Andriamanitra.
Dan 8: 18-26: Hitsangana hanohitra ny Andrianan‟ny andriana izy
kanjo hotorotoro kosa nefa tsy hisy hamely azy tsinona.
d) Fanoharan’i Jesosy Kristy ny amin’ny talenta (Mat 25:14-30);
e) Fanoharana ny amin’ny farantsa folo (Lioka 19:12-28):
―andrian-dahy iray (Jesosy Kristy) nandeha lavitra (any an-danitra)
handray fahefana hanjaka dia hiverina‖ eto an-tany.
f) Handova ny tany ny malemy fanahy sy ny marina fa tsy ny
lanitra! (Mat 5:5; Sal 37:11, 29).
g) Ny fanjakan’izao tontolo izao izay hanafika an’i Jerosalema
no ho ravan’i Jehovah (Zak 13, 14) fa ny vahoaka dia mitoetra ka
hiakatra hankalaza ny fetin‘ny tabernakely isan-taona any Jerosalema
(Zak14:16).
h) Hitsara ny adin’ny jentilisa ny Zanak’Isiraely (Isa 2:1-4).
i) Hofaizina sy hariganana ireo firenena tsy mankatò mandritra
ny fanjakana arivo taona: Hanorotoro ny jentilisa amin‘ny tehim-by
izay maharesy (Apo 2:26-27). Ny am-pahatelon‘ny mponin‘ny firenen-
drehetra no hasiana amin‘ny areti-mandringana satria miakatra hamely
sy handroba an‘i Jerosalema (Isa 11:4; Zak 13:1, 2, 7-9; 14:1, 2, 8-9,
12, 17-19).
« Fa hotsarainy amin'ny fahamarinana ny malahelo; ary homeny
rariny ny mpandefitra amin'ny tany; hamely ny tany amin'ny
tsorakazon'ny vavany Izy, ary ny fofonain'ny molony no hamonoany ny
ratsy fanahy. » (Isa 11:4).
55
Hitandrina ny Fetin’ny Tabernakely ny firenen-drehetra
Ny hevitra ara-panahin‘ireo faminaniana voalaza eo aloha ireo dia ny
fitambaran‘ny taranak‘i Jakoba ho fanjakana iray indray, izay hanana
ny foibe-pitondrany ao Jerosalema (Isa 11: 11-16), koa dia hiakatra any
ny firenen-drehetra hianatra ny tenin‘i Jehovah sy hitandrina ny Andro
Firavoravoana Fitoerana amin‘ny Trano Ratsan-kazo, satria ho
fantatr‘izy ireo fa avy any Ziona ny Mpanafaka.
« Ary ny sisa rehetra amin'ny jentilisa rehetra, izay niakatra namely
an'i Jerosalema, dia hiakatra isan-taona isan-taona hiankohoka eo
anatrehan'ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, sy hitandrina
ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo. » (Zak 14:16)
Vakio koa: Zak 14:16-19, Rom 11:26, Dan 7:13-14, Mik 4:1-3.
Fanagonam-bokatra lehibe ara-panahyny Fanjanaka arivo taona
Izany indrindra no tanterahina mandritra ny fanjakana arivo taona,
satria tsy hifampianatra intsony ny olona hoe: ―Mahalalà an‟i Jehovah,
fa samy hahalala Azy tahaka ny anaronan‟ny rano ny fanambanin‟ny
ranomasina izy, ary ny lalàna dia ho soratana ao am-pony‖. Noho
izany, fanahy maro avy amin‘ny firenena samy hafa no ho tafiditra ao
amin‘ny Fanjakan‘Andriamanitra satria voavonjy mandritra
nyFanjakana arivo taona. Izany no mampitoetra ny fankalazana ny
andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo isan-taona
mandritra io Fanjakana arivo taona io, satria dia ho faizin‘i Jehovah
izay firenea tsy tonga miakatra isan-taona mankalaza ny andro
firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo (Rom 11: 25-26, 30-
31;Isaia 2: 3; 11: 9; Jeremia 31: 33; Hebreo 8: 10, 10: 16).
« Fa tahaka anareo tsy nanaiky an'Andriamanitra fahiny, nefa
ankehitriny ny tsi-faneken'ireny no nahazoanareo famindram-po, dia
toy izany kosa ankehitriny, tsy nanaiky ireny, mba hahazoany
famindram-po ankehitriny noho ny famindram-po azonareo. » (Rom
11:30-31)
56
Endrika hankalazana ny Fetin’ny Tabernakely
Manambara ny Fanjakana arivo taona ny Fetin’ny Tabernakely
Any amin‘ny toeram-pilasiana no mety hanaovana ny
fitandremanany Fetin‘ny Tabenakely, misintaka sy manalavitra ny
faneriterena mahazatra sy mampihemotra isan-karazany.
Ny Fetin‘ny Tabernakely dia toy ny fisantarana ny fahafahana,
sy fiadanana ary fifaliana manerana izao tontolo izao, hiseho amin‘ny
Fanjakana arivo taona (Milenioma), rehefa tsy afaka hanapotika intsony
Satana, fa ny Fanahin‘Andriamanitra kosa hitarika ny olombelona
rehetra.
Izany fisantarana fizika izany dia andro misy firahalahiana
kristiana maharitra sy mahitsy, ary fiaraha-miaina am-piadana sy
malalaka.
Hiaraka amin‘ireo koa nyFety ara-panahy fanabeazana sy
fampianarana ny làlam-piainan‘Andriamanitra, toy izay hiseho amin‘ny
fiverenan‘i Kristy manerana izao tontolo izao.
Ny fianakavian’Andriamanitra manjaka
Ny Fanjakan‘Andriamanitra, izay hanerana ny tany rehetra, dia ho
tantanan‘ny Fianakavian‘Andriamanitra. Raha nitory ny Fanjakan‘
Andriamanitra Jesosy dia niresaka ny amin‘ny
Fianakavian‘Andriamanitra, sady nanazava ny fomba hahateraka ny
olona ao anatiny amin‘ny alalan‘i Kristy.
Nohazavain‘i Jesosy fa ny Fanjakan‘Andriamanitra dia
Fianakaviana izay azon‘ny olona idirana amin‘ny fahateraham-baovao,
saingy amin‘ny fombam-panahy fa tsy amin‘ny nofo.
« Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia
marina tokoa: Raha tsy ateraka indray* ny olona, dia tsy mahazo mahita
ny fanjakan'Andriamanitra. [*Na: ateraka avy any ambony] » (Jao 3:3)
« … Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo
miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy. » (Jao 3:5)
Araka izay efa hitantsika tamin‘ny lesona tany aloha, Andriamanitra
dia tsy zavatra tokana.Ny teny Hebreo nadika hoe Andriamanitra dia
57
Elohim (Gen 1:1), izay teny milaza fahamaroana, midika hoe ―Ireo
Mahery‖. Andriamanitra dia Fianakaviana, na Fanjakana misy
mpikambana mihoatra ny iray.
Inona no modelin‘ny Fanjakana noforonin‘Andriamanitra ho
an‘ny fianakavian‘olombelona?
« Fa ny lahy no lohan'ny vavy, dia tahaka an'i Kristy koa no
Lohan'ny fiangonana*; ary Izy no mpamonjy ny tena. [* Gr. eklesia] »
(Efe 5:23)« Fa tahaka ny aneken'ny fiangonana* an'i Kristy no
haneken'ny vavy ny lahy koa amin'ny zavatra rehetra. [* Gr. eklesia] »
(Efe 5:24)
« Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin'ny Tompo, fa
marina izany. » (Efe 6:1)« Manajà ny ray sy ny reninao (fa izany no
didy voalohany misy teny fikasana), » (Efe 6:2)
Fanamarihana: Noforonin‘Andriamanitra ho ohatra amin‘ny
Fianakaviany ny fianakavian‘olombelona. Izany no nandidiany ny
olombelona hitantana ny ankohonany amin‘ny fankana ohatra amin‘ny
Fianakavian‘Andriamanitra, izany hoe amin‘ny fanekena ny baikon‘ny
―filoha‖ na ny ―mpitondra‖.
Ny Fianakavian‘Andriamanitra dia manaraka rafitra natao
hanjaka.Io rafitra io dia misy andraikitra maro isan-karazany tsy
maintsy tanterahin‘ny zanak‘Andriamanitra, rehefa teraka amin‘ny
maha fanahy azy izy ireo, izany hoe rehefa mpikambana ao amin‘ny
Fanjakana manerana izao tontolo izao.
Ny Fanjakana lavorary an’Andriamanitra
Vakio Isa 58 :12 (Hanangana ny efa rava ela)
Napetrak‘Andriamanitra teto an-tany aloha ny arkanjely Losifera
mba hitantana ny Fanjakan‘Andraiamanitra; tsy maintsy nampaneken‘i
Losifera io Fanjakana io koa ireo anjely napetraky ny Mamporona
niaraka taminy teto. Nitsahatra tsy niasa teto an-tany intsony anefa
ioFanjakanalavorary io rehefa nikomy tamin‘Andriamanitra i Losifera
(izay novana anarana hoe Satana).
Tao amin‘ny Saha Edena, Adama dia nomen‘Andriamanitra
fotoana hisolo an‘i Satana amin‘ny maha mpanapakaizao tontolo
58
izao.Tsy nahomby anefa i Adama satria nadray fanapahan-kevitra ratsy.
Efatra arivo taona taty aoriana dia tonga ilay ―Adama farany‖ – Jesosy
Kristy – izay nahombytamin‘ny toetra ilaina hisolo an‘i Satana, noho ny
fankatoavany tanteraka an‘Andriamanitra.Na izany aza anefa, tsy
nandray avy hatrany ny seza fiandrianana eto an-tany i Kristy. Niakatra
any an-danitra Izy, ary nanorina ny Fiangonany eto an-tany tamin‘ny
alalan‘ny Fanahiny Masina – Fiangonana izay ahafahan‘ny olona
marobemanana ny toetra ilaina hanjaka miaraka aminy. Sahabo ho roa
arivo taona aty aoriana kosa dia hiverina eto an-tany indray Kristy
hanangana ny Fanjakanan‘Andriamanitra manerana izao tontolo izao
(Asa 3:19-21), sady hipetraka eo amin‘ny seza fiandrianan‘i Davida
rainy (Lio 1:32).Ireo olom-boavonjy, mpiara-manjaka aminy koa dia
hanana ny seza fiandrianany eto an-tany(Lio 19:17, 19; Jao 14:2-3).
Tenin‘Andriamanitra maro no manambara ny rafitra ara-
pitantanan‘ny Fanjakan‘Andriamanitra manerana izao tontolo izao.
Ohatra: Vakio daholo misesy ny toko sy andininy omena.
Hisolo ny fanapahana rehetra eran‘izao tontolo izao
mandrakizay mandrakizay ny Fanjakan‘Andriamanitra rehefa mijoro
eto an-tany. (Apo 11:15; Zak 14:9; Apo 19:16; Jao 18:37).
Tsy mbola mijoro eto an-tany amin‘izao fotoana izao ny
Fanjakan‘Andriamanitra: ―Tsy avy amin‘izao tontolo izao ny
Fanajakan‘i Jesosy Kristy‖. (Jao 18:36). Efa akaiky ny Fanjakana (Mar
1:14-15). Tsy maintsy ateraka indray aloha ny olona (Jao 3:3-8; Jao
6:54). Ambasadaoron‘ny Fanjakanaeto an-tany ireo olona
notorontoronin‘ny Fanahy (Lio 17:21; 9:1-2; 10:1; Mar 16:15-16).
Mivavaha hahatongavan‘ny Fanjakana eto an-tany (Mat 6:10).
Andraikitra sasany amin‘ny firafitry ny Fanjakana rehefa tonga
eto an-tany: Mpanjaka faratampony: Jesosy Kristy (Apo 19:16);
Davida: amin‘ny Zanak‘Isiraely rehetra (2 Tan 13:5); Apostoly 12:
amin‘ny Firenena Isiraely 12 (Lio 22:28-30); Olom-boafidy: amin‘ny
firenena jentilisa (Apo 2:26); sns. Vakio koa: Heb 11.
59
Hanjaka avy ao Jerosalema Jesosy Kristy, ary hisolo ny
fanapahana rehetra eran‘izao tontolo izao ny Fanjakany mandritra ny
arivo taona (Milenioma), hitondra fiadanana sy fifaliana ho an‘ny olona
rehetra mbola mety maty (Mik 4:1-4; Isa 11:6-9). Ny Kristiana
ankehitriny dia notorontoronin‘ny Fanahy Masina ary hateraka ho
Fanahy amin‘ny fitsanganany amin‘ny maty rehefa miverina Jesosy
Kristy. Noho izany, mandritry nyMilenioma dia hiara monina eto an-
tany ny olona mbola nofo aman-drà sy ny olona izay efa Fanahy, ka
ireto farany dia mpanjaka miaraka amin‘i Jesosy Kristy.
Satana dia hesorina mandritry nyarivo taona fa soloin‘i Jesosy
Kristy amin‘ny Fanjakana eto an-tany, ka ho feno ny Fanahy Masina ny
olombelona rehetra sy hositraniny ny aretim-panahy rehetra. (Zak 14:8;
Jao 7:38-39).
Voantso hanjaka sy hampianatra
Rehefa miverina Jesosy Kristy, dia sady hanjaka no hampianatra
ny làlan‘ny famonjena amin‘ny olombelona. Tsy hanjaka irery anefa izy
fa miaraka amin‘ireo zanak‘Andriamanitra teraka ho Fanahy.Ny
Baiboly dia manambara mazava fa ny olona notorontoronin‘ny Fanahy
mandritry ny taona rehetra tamin‘ny tantara, dia hateraka ho Fanahy ao
amin‘ny Fianakavian‘Andriamanitra, ary hanjaka mandritry ny arivo
taona (Milenioma) amin‘ny olona mbola nofo aman-drà izay hiaina eto
an-tany.
Vakio ny Apo 2:26-27; 3:21; 5:10; 20:4b; Dan 7:27.
Maro amin‘ireo olom-boavonjy hiara-manjaka amin‘i Kristy ireo no
hanapaka tanàna betsaka na vitsy araka ny fiezahany nandritry ny
fiofanany teto an-tany (Lio 19:16-19).
Misy ny olona tsy mino ny fisian‘izany fanjakana hataony izany, na
tsy te-hanao izany akory aza ny sasany.
Ankoatry ny maha mpanjaka azy, ireo olom-mboafidy ireo dia
ho mpisoron‘Andriamanitra, izay hampianatra ny olona toy izay
60
nataon‘ireo mpisorona tamin‘ny andron‘ny Zanak‘Isiraely (Apo 1:6;
5:10; 20:6).
Izao no asa ataon‘ny mpisorona: « Fa ny molotry ny mpisorona
tokony hitahiry fahalalana, ary ny lalàna hotadiavina eo am-bavany,
satria irak'i Jehovah, Tompon'ny maro, izy. » (Mal 2:7)
Nyfampiarana ny olombelona araka ny fomban‘Andriamanitra dia
ho lohalaharana ao amin‘ny Fanjakana. Handray ny didy mivantana avy
amin‘i Kristy ireo mpanjaka ary hampihantra ny lalàn‘Andrimanitra
manontolo izay hitondra fiadanana sy fifaliana ho an‘ny olon-drehetra.
Amin‘ny faran‘ny Fanjakana arivo taona, ny Fianakavian‘
Andriamanitra dia vonona ho amin‘ny dingana farany amin‘ny Planin‘
Andriamanitra, dia Fitsarana sy Fampianarana ireo olombelona amin‘ny
Fitsanganana Faharoa, ambaran‘ nyFara-fivoriana.
7. FARA-FIVORIANA NA FITSARANA FARANY Ara-bakiteny
Tohin‟ny asa tamin‟ny
Fetin‟ny Tabernakely ny
amin‟ny Fara-fivoriana,
saingyamin‟ny lafiny
hafa
« Hafitoana no
hanateranareo fanatitra
atao amin'ny afo ho an'i
Jehovah; ary amin'ny
andro fahavalo dia hisy
fivoriana masina ho
anareo koa,fara-fivoriana
izany, koa aza manao
tao-zavatra akory. » (Lev
23:36)
―… ny andro fahavalo
Ara-panahy
Fanombohan‟ny fiainana mandrakizay
ihany ho an‟ny olombelona ny
Fanjakana arivo taona
« Ary rehefa tapitra ny arivo taona,
dia hovahana Satana ho afaka ao
amin'ny tranomaizina nitoerany » (Apo
20:7)« ka hivoaka hamitaka ny
firenena eny amin'ny vazan-tany
efatra, dia Goga sy Magoga, mba
hanangona azy ho any amin'ny ady;
tahaka ny fasiky ny ranomasina ny
isany. » (Apo 20:8)
« Ary hitako fa, indro, nisy seza
fiandrianana fotsy lehibe sy Ilay
mipetraka eo amboniny; ny tany sy ny
61
dia andro fitsaharana
koa.‖ (Lev 23:39c)
« Ary amin'ny andro
fahavalo dia hisy fara-
fivoriana ho anareo; aza
manao tao-zavatra
akory. » (Nomery 29:35)
« Ary tamin'ny andro
fahavalo dia nanao fara-
fivoriana Izy; fa
hafitoana no
nitandremany ny
fitokanana ny alitara, ary
hafitoana koa ny andro
firavoravoana. » (2 Tan
7:9)
« Ary namaky ny teny
tao amin'ny bokin'ny
lalàn'Andriamanitra
isan'andro isan'andro izy
hatramin'ny andro
voalohany ka
hatramin'ny andro
farany. Ary nanao
Fotoam-pivavahana
hafitoana izy; ary
tamin'ny andro fahavalo
dia fara-fivoriana araka
ny fanao. » (Neh 8:18)
lanitra nandositra ny tavany, ka tsy
nisy hitoerany intsony. » (Apo 20:11)
« Ary nahita ny maty aho, na ny
lehibe na ny kely, nitsangana teo
anoloan'ny seza fiandrianana; ary
novelarina ny boky; ary nisy boky iray
koa novelarina, dia ny bokin'ny
fiainana izany; ary ny maty dia
notsaraina araka izay zavatra
voasoratra teo anatin'ny boky, araka ny
asany. » (Apo 20:12)
« Ary ny ranomasina dia namoaka
ny maty tao anatiny; ary ny
fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita*
namoaka ny maty tao aminy; dia samy
notsaraina araka ny asany izy. [* Gr.
Hadesy] » (Apo 20:13)
« Ary rehefa nisasaka ny andro
firavoravoana (Tabernakely), dia
niakatra teo an-kianjan'ny tempoly
Jesosy ka nampianatra. » (Jao 7:14)
« Ary tamin'ny andro farany, izay
andro lehibe tamin'ny andro
firavoravoana, dia nitsangana Jesosy
ka niantso nanao hoe: Raha misy olona
mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy
ka hisotro. » (Jao 7:37)
« Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny
rano velona miboiboika avy ao an-
kibony, araka ny voalazan'ny Soratra
Masina. » (Jao 7:38)
62
FANAZAVANA NY AMIN’NY FARA-FIVORIANA NA FITSARANA FARANY
Ny Fety fahafito izay notendren‘i Jehovah hotandreman‘ny olony no
ambaran‘ny Fara-fivoriana.Io Andro lehibe faranyio dia manambara
zavatra betsaka kokoa fa tsy iray ihany, toy ny mifanohitra amin‘izay
ambaran‘ny Fety hafa rehetra teo alohany. Io Fety farany io no
manambara ny andro Fitsarana farany sy ireo zava-mitranga manaraka
ny Fanjakana arivo taona eto an-tany. Ny marina dia izao: ny Fanjakana
arivo taona (Milenioma) dia fanombohana ihany amin‘ny fiainana
mandrakizay ho an‘ny olombelona. Ireo olo-masina natsangana
tamin‘ny fitsanganana voalohany dia nampianarina sy nomanina hanao
zava-dehibe amin‘ny ho avy.Toy nyfototra hanomezana fifaliana lehibe
sy fahatanterahana ho avy aorian‘ny Mileniomaizy ireo.
Raha « mitsangana eo anoloan‘ny Seza fiandriana » sy tsaraina ireo
maty voalaza ao amin‘ny Apo 20:12-13, dia milaza fa fitsanganana
amin‘ny maty izany ! Mariho koa fa io andininy faha 12 io dia milaza fa
misy « boky novelarina ». Ny teny grika hoe biblia, izay nakana ny teny
hoe « Baiboly », no nampiasaina eto. Noho izany – fotoana voalohany
izao – no hampihiratan‘ireo olona ireo nymasom-panahiny sy ny fony
amin‘ny Baiboly. Hanana fotoana hahazoany famonjena izy ireo – sy
hisoratan‘ny anaranyao amin‘ny « bokin‘ny fiainana ».Amin‘izao
« fitsaran‘ny Seza Fiandrianana Fotsy Lehibe » izao izy ireo no
« hantsoina ».
Hosokafana amin‘ny fahazoana tanteraka ny marina ny fanahin‘izy
ireo. Amin‘izany fotoana izany, na dia ireo mponin‘i Sodoma aza, sy ny
tanana jentilisa hafa marobe izay nofitahin‘i Satana tamin‘ny andro
taloha, dia hahazo fitsarana moramora kokoa noho ny an‘ireo niara-
belona tamin‘i Kristy. Satria ireo jentilisa taloha ireo dia TSY
NAHAFANTATRA akory izay momba an‘Andriamanitra sy ny làlany.
TSY AZOheverina ho tompon‘andraikitra tamin‘ny « fahajambany »
izy ireo ! Nilaza ny amin‘io fitsanganana ho amin‘ny nofo aman-drà io
63
Kristy:Mat 11: 20-24; 12: 41-42. Nanome tsiny ireo tanàna nanaovany
fahagagana sy asa hafa Izy, satria nanao tsinontsinona izany fijoroany
ho vavolombelona izany ireo mponina ireo.Nambarany fa raha natao
tany Tyro sy Sidona ireo asa ireo, dia efa ho nibebaka marina izy ireo.
Toy izany koa ny tany Sodoma sy Kapernaomy.
Ao amin‘ny Mat 12:41-42, dia ampitahain‘i Kristy amin‘ny
mponin‘i Ninive sy ny fampitandremana nataon‘i Jona, ary koa ny
mpanjakavavin‘ny Seba teo anatrehan‘ny fahendren‘i Solomona, ireo
mpiara-belona tamin‘i Kristy ireo.
Misy olona sasany antsoina ho amin‘ny fitsanganana voalohany, ary
ny sasany kosa tsy maintsy miandry ny fitsanganana faharoa:Apo. 20:4,
6. Ny fitsanganana voalohany dia natao ho an‘izay nantsoina ho
voaloham-bokatra hiara-manjaka amin‘i Kristy. Saingy miaraka amin‘io
tombotsoa io kosa dia misy fisedrana sy fitsapana izay tsy tanty na tsy
vitan‘ny ankabeazan‘ny olona. Ireo izay voafidy tany amin‘ny andro
taloha dia niaritra hatramin‘ny fahafatesana. Izany no ilazany ao
amin‘ny andininy faha 4 toy ny hoe tsy maintsy ho tapa-doha izy ireo,
izany hoe manaiky hatramin‟ny fahafatesana.
Olona an-davitrisany marobe izay niaina sy maty talohan‘ny
nihavian‘i Kristy voalohany no hatsangan‘Andriamanitra amin‘ny maty
amin‘ny fitsanganana faharoa. Ao koa ireo an-davitrisany marobe izay
niaina sy maty taorian‘i Kristy, sy ireo izay mbola velona ankehitriny
nefa JAMBA ny masom-panahiny eo anatrehan‘ny fahalalana
an‘Andriamanitra marina sy ny tanjony amin‘ny namoronana ny
olombelona. Ireo rehetra ireo dia ho entina amin‘ny fahafantarana
MARINA sy ny fibebahana ! Handray ny Fanahy Masina koaizy ireo,
izany hoe ny tena toetran‘Andriamanitra, rehefa nibebaka sy vita batisa,
tahaka antsika amin‘izao fotoana izao. Rehefa izany, aorian‘ny taona
maro dia hitombo amin‘ny fitiavana sy fahalalana an‘Andriamanitra sy
Jesosy Kristy Mpamonjy izy ireo (2 Pet 3:18).
Hanana anjara amin‘ny famonjena koa izy ireo, homena fiainana
mandrakizay ao amin‘ny Fanjakana sy ny Fianakavian‘Andriamanitra.
64
Ny fiantsoana azy ireo izany dia mbola any aoriana miohatra amin‘ny
antsika, saingy tsy maintsy ho tonga izany !
Amin‘ny farany izany, ny olombelona rehetra dia hanana anjara
manandrify azy amin‘ny famonjena marina. Ny ANDRO MASINA
FAHAFITO amin‘ny Planin‘Andriamanitra, ilay antsoina hoe
« ANDRO FAHAVALO » ao amin‘ny Fetin‘ny Tabernakely – izay
andro Fety mitokana (Lev 23:36) – no manambara io fotoana lehibe sy
mahafinaritra aorian‘ny Milenioma io, rehefa hahazo ny anjara
hahafantatra ny MARINA ny olombelona rehetra.
Nilaza ny amin‘io fotoana io Kristy ao amin‘ny Jao7 :37-38,
manao hoe « Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny
andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha
misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. » « Izay
mino* Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony,
araka ny voalazan'ny Soratra Masina. » (*Mino = midika hoe koa
Misotro ami‘ny teny Malagasy)
Mandritra ny fitsaran‘ilay Seza Fiandrianana Fotsy Lehibe dia
hisokatra ny mason‘IREO IZAY NIAINA REHETRA ary ho afaka
mamaly*an‘Andriamanitra izy sy homena ny Fanahy Masina (*Mamaly
= Manaiky na mandà mandritry ny fitsarana).
Ity Fety fahafito notendren‘i Jehovah ity no MAHAFENO ny jery
an-kapobeny momba ny Planin‘Andriamanitra amin‘ny famonjena.
Nisy ireo marobe tsy nahafantatra ny fomba sy fotoana
hamonjen‘Andriamanitra azy ireo, satria izay no Planiny, araka izay
nosoratan‘i Paoly ao amin‘ny Rom 11 :32-33 hoe: « dia toy izany kosa
ankehitriny, tsy nanaiky ireny, mba hahazoany famindram-po
ankehitriny noho ny famindram-po azonareo. » (Rom 11:31) « Fa
Andriamanitra nanidy azy rehetra tamin'ny tsi-fanekena, mba
hamindrany fo amin'izy rehetra. » (Rom 11:32).
100 taona ny Fitsaran’Ilay Seza Fiandrianana Fotsy Lehibe
Rehefa tapitra ny arivo taona,ireo olona atsangana amin‘ny
maty ara-nofo (fitsanganana faharoa) dia tsy dorana avy hatrany fa
mbola omena fotoana hitsapana azy, eny hampahafantarana azy koa
65
an‘Andriamanitra sy Jesosy Kristy Mpamonjy ary ny
Planin‘Andriamanitra hamonjena ny olombelona rehetra.
Hanana fotoana hianarana ny marina sy hanampahan-kevitra
hiditra ao amin‘ny Fanjakan‘Andriamanitra ireo tsy misafidy hanaraka
an‘i Satana, satria na ny ratsy fanahy aza dia haharitra zato taona vao
hozonina noho ny fahari-pon‘Andriamanitra (Isaia 65:20).
Andriamanitra Mpamonjy antsika koa dia tia ny hamonjy ny olona
rehetra (1 Timoty 2: 4), sady tsy tiany hisy very fa mba ho tonga
amin‘ny fibebahana izy rehetra (2 Petera 3:9a). Raha tsy marina izany
fa haringana avy hatrany ireo vao natsangana ireo dia tsy ilaina akory
ny fanokafana indray ny boky (Baiboly) hampianarana ny olona sy ny
boky fanoratana izay ataon‘ny olona,ary ny bokin‘ny fiainana.
Tsy sanatria akory Andriamanitra misalasala fa sao nanao
fahadisoana ka nisy olona hadino tamin‘ny nadraisany ireo voaloham-
bokatra natsangana voalohany, ary izao vao hanarina ny diso, na hoe
hanome vintana fanindroany ho an‘ireo tsy tafita tamin‘ny fitsanganana
voalohany! Ny marina dia izao: ireto vao natsangana ireto dia tsy
nahalala akory an‘Andriamanitra marina sy ny Planin‘ny famonjena,
ary tsy nahafantatra an‘i Jesosy Kristy marina sy ny famonjena izay
nataony.Koa izao izy ireo vao mandre ny amin‘izany fahamarinana
rehetra izany, ary izao izy vao hanana fotoana hisoratan‘ny anarany ao
amin‘ny bokin‘ny fiainana araka ny fahatahorany an‘i Jehovah izay
inoany rehefa fantany.
FAHAFATESANA FAHAROA SY FANAVAOZANA NY TAREHIN’NY
TANY
Inona no zavatra hiseho manaraka ny Fitsaran’ny Seza
Fiandrianana Fotsy Lehibe? Apo. 20: 8, 13-15; Sal 104:30.
« Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy
ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary
ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy
mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa. » (Apo 21:8)
66
« Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny
fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* namoaka ny maty tao aminy; dia
samy notsaraina araka ny asany izy. [* Gr. Hadesy] » (Apo 20:13)« Ary
ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* dia natsipy tany amin'ny farihy
afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. [* Gr. Hadesy] »
(Apo 20:14)« Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny
fiainana, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy. » (Apo 20:15)
« Maniraka ny Fanahinao Hianao, dia ary izy, ary manavao ny
tarehin'ny tany Hianao. » (Sal 104:30)
Ny Fahafatesana faharoa
Ankoatry ny famonjena ireo olona tsy nanana anjara tamin‘ny
fitsanganana voalohany, ny fitsanganana faharoa dia natao koa
handringanana ireo izay nanda ny famonjena natolotr‘Andriamanitra
azy. Andriamanitra dia namorona ny olombelona mba hovolavolaina sy
hampitomboina ho tonga zanaka ao anatin‘ny
Fianakavian‘Andriamanitra.Nefa nomena fahafahana mandray
fanapahan-kevitra amin‘ny tenany ny olombelona. Tsy maintsy misy
amin‘izy ireo izay hitsipaka tanteraka izany tanjon‘Andriamanitra
izany. Noho ny indrafon‘Andriamanitra dia tsy hijaly mandrakizay ao
anaty afo izy ireo mandritra ny fanjakan‘Andriamanitra, fa holevonina
mandrakizay kosa, toy ny tsy nisy. Ho levon‘ny afo vetivety izy ireo
(Mal 3:19-21), toy izay miandry an‘ilay mpanakarena ao amin‘i
fanoharana nataon‘i Jesosy (Lio 16:24). Izy ireo no ambaran‘ny Apo
21:8 hoe hiharan‘ny fahafatesana faharoa, aorian‘ny fananganana azy
tamin‘ny maty.
Ny Apo 20:15 dia milaza fa raha nisy tsy hita voasoratra teo
anatin'ny bokin'ny fiainana voalaza eo amin‘ny Apo 20:12, dia natsipy
tany amin'ny farihy afo izy. Ny voasoratra ao anatin‘ny bokin‘ny
fiainana dia ireo izay naharesy tamin‘ny fotoana 6000 taona tao ambany
fanjakan‘i Satana, na tamin‘ny fotoan‘ny Milenioma, na tamin‘ny
fotoan‘ny Fitsaran‘ilay Seza Fiandrianana Fotsy Lehibe naharitra 100
taona. Fa ireo izay nandàny dingana tsirairay tamin‘ny Planin‘ny
Famonjena natolotr‘Andriamanitra no hodorana ao anaty farihy afo.
67
Fanavaozanany tarehin’ny tany Aorian’ny fandringanana ny ratsy fanahy
Ny Apo 20:14 dia milaza fa ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita dia
hatsipy ao anaty farihy afo. Rehefa levon‘ny afo ny ratsy fanahy, dia
hodiovina koa ny tarehin‘ny tany ka ho levonin‘ny afo avokoa ny asa
ratsy rehetra napetraky ny olombelona mpanompo sampy nonina teo (2
Pet 3: 7, 10-12; Apo 20:11). Izany no ilay batisa amin‘ny afo nolazain‘i
Jaona fa hataon‘i Jesosy amin‘ny fiverenany, (Mat 3: 11).
« efa fantatrareo voalohany indrindra fa amin'ny andro farany dia
hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany » (2 Pet 3:3)
« fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin'izany teny izany ho
amin'ny afo ka tehirizina ho amin'ny andro fitsarana sy fandringanana
ny ratsy fanahy. » (2 Pet 3:7)
« Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo, ary
amin'izany ny lanitra dia ho lasa amin'ny firimorimoana mafy, ary ho
levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra, ka hodorana avokoa ny tany sy
ny asa izay eo aminy. » (2 Pet 3:10).« Koa raha ho levona toy izany
izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa ianareo
amin'ny fitondran-tena masina sy ny toe-panahy araka
an'Andriamanitra, » (2 Pet 3:11);« sady manantena no
mampahafaingana* ny hihavian'ny andron'Andriamanitra, izay
hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny
tenan'ny zavatra rehetra! [* Na: maniry mafy] » (2 Pet 3:12).
« Izaho dia manao batisa anareo amin'ny rano ho amin'ny
fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy
miendrika hitondra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo
amin'ny Fanahy Masina sy ny afo; » (Mat 3:11)
Izy no manavao ny tarehin‘ny tany, araka ny teny ao amin‘ny
Salamo hoe: « Maniraka ny Fanahinao Hianao, dia ary izy, ary manavao
ny tarehin'ny tany Hianao. » (Sal 104:30)
68
KOL 2:16. NITANDRINA NY FOTOAM-PIVAVAHANA NY JENTILISA
KRISTIANA
Izao no nosoratan‘i Paoly ao amin‘ny Kol 2:16-17:
« Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny
fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny
Sabata; » (Kol 2:16)« aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia
an'i Kristy. » (Kol 2:17)
Diso matetika ny fandikan‘ny olona io Soratra Masina io. Inona no
tena lazainy?
Miady amin‘ny mpanohitra tompon-tany i Paoly. Misy
mpampianatra sandoka nampiditra ny filozofian‘ny fivavahany, izay
fifangaroan‘ny fitsipika Jiosy sy Jentilisa. Izany hevi-dison-dry zareo
izany dia mifototra amin‘ny fomba fanaon‘ny olona sy ny fampianarana
voatolotry ny razana, fa tsy avy amin‘ny Tenin‘Andriamanitra.
Mampitandrina ny Kolosiana i Paoly hoe:
« Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin'ny
filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny
razana, araka ny abidim-pianaran'izao tontolo izao, fa tsy araka an'i
Kristy. » (Kol 2:8)
Ireo Kristiana tany Kolosy ireo dia nankatò an‘Andriamanitra.
Nitandrinany Sabata sy ny andro firavoravoana ary voaloham-bolana
izy ireo, ary nifaly tamin‘ireo, araka ny fitsipiky ny Baiboly (Deo 16:
10-11, 13-14), izay manao hoe:
« Ary mitandrema Fotoam-pivavahana manarakaraka ireo
herinandro ho an'i Jehovah Andriamanitrao, ka manatera fanati-tsitrapo,
izay homenao araka izay itahian'i Jehovah Andriamanitrao anao; » (Deo
16:10) « ary mifalia eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao ianao sy ny
zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ary ny ankizilahinao sy ny
ankizivavinao ary ny Levita izay ao an-tanànanao mbamin'ny vahiny sy
ny kamboty ary ny mpitondratena izay eo aminao, dia eo amin'ny tany
69
izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany. »
(Deo 16:11)
« Tandremo hafitoana ny Fotoam-pivavahana fitoerana amin'ny
trano rantsan-kazo, rehefa nangoninao ny avy amin'ny famoloanao sy
ny famiazanao. » (Deo 16:13) « Ary mifalia amin'ny andro
firavoravoanao ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy sy ny
ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita mbamin'ny vahiny sy
ny kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tanànanao. » (Deo 16:14)
Ireo mpanohitra dia nanameloka ny fiangonana Kolosiana tamin‘ny
fomba fitandremany ny andro Firavoravoana. Mariho fa tsy nitsipaka
nyfitandremana ireo andro masina ireoi Paoly.
Ivereno indray ny tenin‘i Paoly:
« Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny
fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny
Sabata; » (Kol 2:16) « aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia
an'i Kristy. » (Kol 2:17)
Miteny amin‘ny Kolosiana i Paoly, manao hoe: azamihaino izay
fitsaran‘ireo mpanohitra ireo ny amin‘ny fomba fifalianareo, na ny
fisotro, na ny fihinana amin‘ny andro firavoravoan‘i Jehovah.
Tsy ny fitandremana ny Fotoam-pivavahana no lazain‘i Paoly hoe
tsy azo atao, fa ny fitsikeran‘ireo mpanohitra no resahiny amin‘ny
Kolosiana hoe aza henoina. Ny Kolosiana Kristiana, izay Jentilisa
taloha (Kol 2:13), dia miara-mitandrina amin‘ny Jiosy ny andro
firavoravoana sy ny Sabata isan-kerinandro, sy ny voaloham-bolana, 30
taona mahery aty aorian‘ny nahafatesana sy ny nitsanganan‘i Jesosy
Kristy tamin‘ny maty.
Raha tsy nitandrina ireo Fotoam-pivavahana ireo ny Kolosiana
Kristiana dia tsy nanana antony hitsarana ny fihinana sy fisotro fanao
miaraka amin‘ny andro firavoravona ireo mpanohitra ireo.
Ny ambaran‘ny teny eo amin‘ny andininy faha 17 dia izao:
Aloka =tandindona. Ny tandindona dia avy amin‘ny zavatra tena izy
iray tarafin‘ny hazavana. Tsy ahitana nyantsipirian‘ny tena izy ny
70
aloka, fa anjaran‘izay mijery no mandinika ny tena izy nanome ny
aloka mba hahafantarany ny andinindininy rehetra.
Zavatra ho avy = dingana manaraka amin‘ny Planin‘ny Famonjena.
Ireny = ny andro firavoravoana voatendry sy ny voaloham-bolana sy ny
Sabata, hita ao amin‘ny Planina.
Ny tenany dia an‘i Kristy = ny dingana tsirairay amin‘io Planina io dia
izay ataon‘i Kristy amin‘ny fanatanterahanyazy, hanovana ny
olombelona hanana ny fombam-panahy rehetra ilainy‘ny
zanak‘Andriamanitra,rehefa mpikambana ao amin‘ny Fianakaviany,
mandova ny Fanjakany mandrakizay.
Ny famonjena ataon‘i Kristy dia tanteraka, fa misy andraikitra
takiana amin‘ny olombelona mba hahavoavonjy azy: tsy maintsy
manaja sy mankatò ny fepetra ilaina amin‘ny dingam-pamonjena
rehetraizy. Hoy Jesosy: « Fianarana no nomeko anareo, mba
hanaovanareo araka izay nataoko taminareo. » (Jao 13:15).
FEHINY
Voalohany: Nandidy Andro Fivoriana Masina Isan-Taona
Jehovah
Fihetsika manao ahoana no tian‟Andriamanitra hataontsika
amin‟ireo Fotoam-pivavahana notendreny ireo?
Izao no baiko fototra:
« Izao no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, dia fivoriana masina
hantsoinareo amin'ny fotoany avy » (Miverina in-3 ao amin‘ny Lev 23).
Fotoana voatondro isan-taona ireo, ary ivoriantsika miaraka
amin‘ireo mpiray fanantenana.
Tamin‟ny andron‟i Nehemia, dia nila nampaherezina ny olona satria
nanao tsinontsinona ny Fotoam-pivavahana izy.
Ny boky Nehemia 8 dia manambara ny fomba nitandreman‘ny
olon‘Andriamanitra ny Fetin‘ny Trompetra. Tamin‘ny fivoriam-bavaka
71
nataon‘izy ireo, ny mpitarika dia nanampy ny olona hahazo tsarany
lalàna, araka izao hita izao:
(Neh 8:2, 7-8) « Dia nentin'i Ezra mpisorona ny lalàna tamin'ny
andro voalohany tamin'ny volana fahafito ho eo anatrehan'ny
fiangonana, na lehilahy na vehivavy, mbamin'izay rehetra efa
mahahaino. »(Neh 8:7) « Ary Jesoa sy Bany sy Serebia sy Jamina sy
Akoba sy Sabetahy sy Hodia sy Mahaseia sy Kelita sy Azaria sy
Jozabada sy Hanana sy Pelaia ary ny Levita dia nampianatra ny olona
ny lalàna; ary ny olona dia teo amin'izay nitoerany ihany. »(Neh 8:8)
« Dia novakiny mazava ny teny tao amin'ny bokin'ny
lalàn'Andriamanitra, sady nohazavainy tsara ny heviny, ka dia azon'ny
olona tsara ny teny novakina. »
« Ary Nehemia governora sy Ezra mpisorona, mpanora-dalàna, ary
ny Levita izay nampianatra ny olona dia nanao tamin'ny olona rehetra
hoe: Masina ho an'i Jehovah Andriamanitrareo ity andro ity; koa
aza malahelo na mitomany. Fa nitomany ny olona rehetra raha nandre
ny tenin'ny lalàna. » (Neh 8:9)« Dia hoy izy taminy: Mandehana, hano
ny matavy, ary sotroy ny mamy, dia mba anatero anjara izay tsy manan-
javatra voavoatra; fa masina ho an'ny Tompontsika ity andro ity; koa
aza malahelo ianareo, fa ny fifaliana avy amin'i Jehovah no fiarovana
mafy ho anareo. » (Neh 8:10)
Tahaka ny fanao isan-kerinandro amin‟ny Sabata, Andriamanitra
dia nandidy fotoam-pivavahana isak‟ireo Andro Masina notendreny
isan-taona ireo.
Ny Mpamorona antsika diatiaizay olonamino Azy sy manaraka ny
didiny rehetra an-tsitrapo (Isa 66:2).Nymarina diaizao: na isika tena
mino na tsia an‘Andriamanitra. Ny apostoly Jaona dia nampahafantatra
ny toetra ankasitrahan‘Andriamanitra raha nanoratra hoe: « Fa izao no
fitiavana an'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy
mavesatra ny didiny. » (1 Jao 5:3)
Mitovy ny fiaraha-miangona fanao amin‟ny Sabata sy amin‟ireo
Fotoam-pivavahana notendren‟i Jehovah isan-taona
72
Nambaran‘Andriamanitra tamin‘ireo Kristiana voalohany
nyfitovian‘izay atao amin‘ny fiaraha-miangona fanao amin‘ny Sabata
sy amin‘ireo Fotoam-pivavahana notendreny isan-taona:
(Heb 10:23-25) « aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny
fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky Ilay efa nanao ny
teny fikasana); »« ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny
fitiavana sy ny asa tsara; »« aza mahafoy ny fiarahantsika miangona,
tahaka ny fanaon'ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo
fa mihantomotra ny andro. »
Fotoana tsara indrindra hifampaherezana sy hifaporisihan‘ny mpino
nyAndro Firavoravoanasatria manambara ny Planin‘Andriamanitra ho
famonjena ny olombelona rehetra, sadySabata lehibe izany! (Jao
19:31c).
Rehefa miombom-bavaka amin‘ireo andro fivoriana masina isan-
taona ireo isika, dia manana fotoana hianarana bebe kokoa momba ny
Planin‘Andriamanitra amin‘ny famonjena.
Ny Fiangonana voalohany dia nanohy nitandrina ireo andro fety
isan-taona ireo araka izany fitsipika izany ihany, saingy miampy
fahalalana ny hevi-panahiny bebe kokoa(Asa 2; 1 Kor 5:6-8). Nitory
koa izy ny amin‘ny Fanjakan‘Andriamanitra sy ny fanomezana ny
Fanahy Masina ho an‘ny olona izay mino.Nampianariny koa
nyfamonjena sy fanasitrananaary famahana olana ataon‘i Jesosy
KristyIzay efa any an-kavanan‘ny Ray any an-danitra. Nohazavainy
nyhevi-panahin‘ireo Fotoam-pivavahana voatendrin‘i Jehovah, toy izao
hita manaraka izao.
Ny nilatsahan'ny Fanahy Masina tamin'ny Andro
Pentekosta, sy nytori-teny nataon'i Petera tamin'izany
« Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana
iray izy rehetra. » (Asa 2:1)« Ary nitsangana Petera sy ny iraika
ambin'ny folo lahy, dia nanandra-peo izy ka nanao taminy hoe: Ry
73
lehilahy Jiosy sy izay rehetra monina eto Jerosalema, aoka ho
fantatrareo izao, ka henoy ny teniko: » (Asa 2:14)
« Fa izao ilay nampilazaina an'i Joela mpaminany hoe: » (Asa
2:16)« Amin'ny andro farany, hoy Andriamanitra, no handatsahako ny
Fanahiko amin'ny nofo rehetra; Ary ny zanakalahinareo sy ny
zanakavavinareo haminany, ary ny zatovonareo hahita fahitana, ary ny
lahiantitrareo hanonofy; » (Asa 2:17)« Ary ny mpanompoko, na lahy na
vavy, dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany, ka dia
haminany izy; » (Asa 2:18)
« Izany Jesosy izany dia efa natsangan'Andriamanitra, ary
vavolombelon'izany izahay rehetra. » (Asa 2:32)« Ary rehefa
nasandratry ny tanana ankavanan'Andriamanitra* Izy, ary nandray
tamin'ny Ray ny Fanahy Masina Izay nokasainy, dia efa nampilatsaka
izao hitanareo sy renareo izao Izy. » (Asa 2:33)« Koa aoka ho fantatry
ny taranak'isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo
tamin'ny hazo fijaliana iny dia efa nataon'Andriamanitra ho Tompo sy
Kristy. » (Asa 2:36)
« Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka
nanao tamin'i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no
hataonay? » (Asa 2:37)« Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka
samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba
hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia
ny Fanahy Masina; » (Asa 2:38)
Toriteny nataon‟i Paoly tamin‟ny fety Fihinanana Mofo Tsy
Misy msirasira
« Tsy mety ny fireharehanareo. Tsy fantatrareo va fa ny masirasira
kely dia mahazo ny vongana rehetra? » (1 Kor 5:6)
« Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka
izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho
antsika; » (1 Kor 5:7)« ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy
amin'ny masirasira ela, na amin'ny masirasira lolompo sy faharatsiana,
74
fa amin'ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny
fahamarinana. » (1 Kor 5:8)
Ireo andro vatokana ireo dia natao hifalian‘ny fianakaviana
rehetra—izay rehetra manatrika! Tsindriana manokana nyamin‘ny
Fetin‘ny Tabernakely, izaymisy fotoana betsaka ho an‘ny
fianakavianatsirairay, sy fotoana hialam-boly; ao koa firavoravoana
noho ny fahalalana ara-panahy izay ampahafantarin‘Andriamanitra.
Mba tena hifaliana tsara amin‘ny fankalazana ny Andro
Firavoravoan‘i Jehovah, dia tsy tokony hanao ny asa fanao an-
davanandro isika: mitsahatra toy ny fanao amin‘ny Sabata, andro
fahafito (Lev 23:3, 7-8, 21, 25, 35-36).
Mariho fa na dia miteraka asa aza ny fikarakarana sakafo hohanina
amin‘ny andro firavoravoana, dia ambaran‘i Jehovah fa azo atao tsara
izany. Nefa naizany aza, mandritra ny Andro Fanavotana, atsahatra ny
asa rehetra, ao anatin‘izany ny fandrahoan-tsakafo, fa atao mialoha
izany(and 28, 30-31).
Maneho fankatoavana sy fanarahana ny didin‘Andriamanitra koa
isika amin‘ny fandaminam-potoana any amin‘ny toeram-piasana mba
hahazoantsika mitandrina ny Andro Firavoravoana.
Rehefa alamina tsara sy dinihina amim-panajana miaraka amin‘ny
mpampiasa ny fotoana dia afaka manatrika tsara ireo andro ireo ny
ankabeazan‘ny mpino.
Andraikitsika ny mampiasa fahendrena sy faharetana rehefa
mampahafantatra ny ankohonana izay fanapahan-kevitsika hitandrina
ny andro firavoravoana.
Faharoa: Famintinana Ireo Andro Firavoravoana Isan-Taona
Ny fanarahana didin‘Andriamanitra dia arakany finoana. Hoy
Paoly: « fa finoana no andehanantsika, fa tsy fahitana; » (2 Kor 5:7)
Araka izany dia zava-dehibe amintsika ny manomboka mitandrina
ny Andro Masin‘Andriamanitrarehefamianatra momba azy ireo. Na dia
tsy mbola mahazo ny zava-drehetra aza isika eo am-boalohany, dia
hianatra zavatra betsaka kokoa rehefa tena manomboka mitandrina azy.
75
Fotoam-pifaliana ho an‘ny zanak‘Andriamanitra nyandro
firavoravoan fanao isan-taona, tsy noho ny dikany amintsika ihany, fa
noho ny fanantenana entiny ho an‘ny olon-drehetra. Ny fitanandremana
ny Fotoam-pivavahana voatendrin‘i Jehovah dia mampahatsiaro antsika
ny fitiavan-dehibe omen‘Andriamanitra ho an‘ny olombelona. Ny
fivavahana amin‘ireo andro ireo dia fifaliana sy fahafinaretana. Tena
fanomezan‘Andriamanitra ho an‘ny olony marina tokoa ireo.
Ny dingam-pamonjena harahin‘izay maniry ho voaloham-bokatra
ara-panahy miditra ao amin‘ny Fanjakan‘Andriamanitra dia hazavaina
ao amin‘ny Fetin‘ny Paska hatramin‘ny Fetin‘ny Tabernakely. Ireo tsy
nanana anjara tamin‘ny fitsanganana volohany kosa dia amin‘ny
fitsanganana faharoa vao hahafantatrany Planin‘ny Famonjena sy
Jesosy Kristy Mpamonjy ary Andriamanitra marina. Ireo izay mino sy
mankatò dia hovonjena fa izay tsy mino sy mandà kosa dia holevonina
mandrakizay any amin‘ny farihy afo.
Ny Paska dia manamarika ny nahafatesan‘i Kristy, hofamonjena
antsika.
Ny Fetin‘ny Mofo Tsy Misy Masirasira, manamarika ny
fivoahantsika amin‘ny ota.
Ny Pentekosta, manambara ny fandraisantsika ny Fanahy
Masina avy amin‘Andriamanitra.
Ny Fetin‘ny Trompetra, manambara ny fivererenan‘i Kristy
hamonjy ny olombelona tsy ho fongotra noho ny ataony ihany, ary koa
handray ireo olo-masina, voaloham-bokatry ny Fanahy nomena fiainana
mandrakizay, ary hamerina ny Fanjakan‘Andriamanitra eto an-tany.
Ny Andro Fanavotana, manambara izay hitranga amin‘i Satana
sy ny devoly namany aorian‘ny fiavian‘i Kristy indray.
Ny Fetin‘ny Tabernakely: manambara ny Fanjakana arivo taona,
fotoam-piadanana mahagaga manerana izao tontolo izao, andro
famelombelomana andrasana sady tanjona antenain‘ny Kristiana.
Ny Andro Lehibe Farany :Fitsanganana faharoa, fotoana zato
taona ahazoana mianatra sy mahafantatra tanteraka an‘Andriamanitra
marina sy mankatò ny làlany.
76
Ireto zavatra ireto izany no hitranga aorian‘ny Mileniomana
Fanjakana arivo taona: Fitsanganana faharoa, arahin‘ny fahafatesana
faharoa ho an‘ireo tsy nibebaka mihitsy;ary farany dia ny lanitra vaovao
sy ny tany vaovao.
Amin‘izao fotoana fanombohan‘ny andro farany izao, dia mety
amintsika ny miezaka hanana toetra tsara mendrika ny fitsanganana
voalohany mba ho isan‘ny voaloham-bokatra ao amin‘ny
Planin‘Andriamanitra ho famonjena. Io Planina io dia efa namboariny
hatrany am-piandohana ary nomaniny ho mandrakizay.
Fahatelo: Ahoana ny Amin’ny Firavoravoan’ny Sabata?
Nahoana Andriamanitra no nandidy nyfitandremana ny Sabata
isan-kerinandro ho isan‘ny didy folo? Ary nahoana io didy io no tsy
ekena saika eran‘izao tontolo izao?
Ny an-kabeazan‘ny tsy fahazoana sy tsy fampiharana ny didy
Folon‘Andriamanitra dia ny didy hoe: “Mahatsiarova ny andro sabata
hanamasina azy” (Eks 20:8). Betsaka no mijery ny Sabata ho toy
ny“zavatra tonta mahafinaritra”teo amin‘ny tantara, angamba fomba
fijery tamin‘ny fotoana iray taloha, tsy mahazatra intsony amin‘izao
andro ankehitriny feno fahasahiranana izao.
Misy mino fa ny Alahady no Sabata ary mandany ora iray na roa ao
am-piangonana dia mahafeno izay lazain‘ny didy Fahefatra.
Ny sasany kosa mino fa efa nofoanan‘i Jesosy Kristy ny Sabata, ary
nosoloina andro fitsaharana manokana, araka izay fidin‘ny tsirairay ho
masina hanompoany an‘Andriamanitra. Betsaka no mino fa ny
Apostoly Paoly na ny Fiangonana voalohany dia nanova ny Sabata ho
Alahady.
Nahoana anefa Andriamanitra no nandidy andro fitsaharana iray
isan-kerinandro?Manana tanjona amin‘izany ve Izy?Raha eny, inona
izany tanjona izany? Nahoana no misy fifangaroana toy izany amin‘ny
didy iray ao amin‘ireo Didy 10 fototra sy lalàna nomen‘Andriamanitra
hitarihana ny olombelona? Nahoana no misy fifanipahana mafy toy
izany amin‘ny didy iray, fa toa mifanaraka sy tsy mifanditra kosa ny
77
ankabeazan‘ny olona, ao anatin‘izany ny filoham-pivavahana sy ny
fiangonana tarihiny amin‘ny didy sivy hafa?
Mila fantarinao ny valin‘ireo fanontaniana lehibe ireo. Raha tianao,
vakio ny boky momba ny Sabata (FSM, Fandalinana Soratra Masina).
Fahefatra: Ny Farihy Afo na Helo sy ny Fahafatesana faharoa
Aorian‟ny fitsarana farany no hisy ny fahafatesana faharoa; midika
izany fa aorian‟ny fitsanganana faharoa, izay aorian‟ny fanjakana
arivo taona koa.
« Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy
ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary
ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy
mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa. » (Apo 21:8)
« Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny
fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* namoaka ny maty tao aminy; dia
samy notsaraina araka ny asany izy. [* Gr. Hadesy] » (Apo 20:13)
Ny fahafatesana faharoa dia fahafatesana mandrakizay, tsy misy
fitsanganana intsony. Olona nofo aman-drà ireo dorana any ireo, ka
holevon‘ny afo!
Aorian‟ny fanjakana arivo taona no hanadiovana ny tarehin‟ny tany
amin‟ny afo.
« Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo, ary
amin'izany ny lanitra dia ho lasa amin'ny firimorimoana mafy, ary ho
levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra*, ka hodorana avokoa ny tany
sy ny asa izay eo aminy. [* Na: ny masoandro sy ny volana ary ny
kintana] » (2 Pet 3:10).
Ireo fahavalon‟i Kristy roalahy (Satana sy ny mpaminany
sandoka)sy ireo olona tsy nety nibebaka mihitsy dia hatsipy any
amin‟ny farihy afo amin‟ny fiverenan‟i Kristy.
78
« Ary nosamborina ilay bibi-dia mbamin'ny mpaminany sandoka, dia
ilay nanao ny famantarana teo anatrehany, izay nentiny namitaka ny efa
nandray ny mariky ny bibi-dia sady miankohoka eo anoloan'ny sariny;
ary dia natsipy velona ho any amin'ny farihy afo mirehitra solifara izy
roroa. » (Apo 19:20)
« Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana,
dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy. »(Apo 20:15)
Ho levon‟ny afo toy ny lavenona ireo olona tsy nibebaka ireo
« Fa, indro, avy ny andro, mandoro toy na fatana fandoroana izy; ary
ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary; ka
dia handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro,
ka tsy hasiany miangana, na ny fakany na ny sampany. » (Mal
3:19)« Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny
Masoandron'ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin'ny
tanany*; ary hivoaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak'omby
mifahy; [Heb. elany] » (Mal 3:20)« ary hohitsahinareo ny ratsy fanahy;
fa ho lavenona eo ambanin'ny faladianareo izay amin'ny andro izay
hotendreko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. » (Mal 3:21)
Hatsipy any amin‟ny farihy afo nyfahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita
« Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* dia natsipy tany
amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. [*
Gr. Hadesy] » (Apo 20:14)
Izao no hevitr‘izany: Ireo olona tsy nibebaka fa nandà
an‘Andriamanitra ihany no olona mety maty halefa ao anatin‘io afo
iomandritry ny fitsanganana faharoa. Noho izany, dia hitsahatra tsy hisy
intsony ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hitarehefa tapitra nirehitra ireo
mety maty tsy nibebaka ireo!
Ahoana ny amin‟i Satana sy ny bibi-dia sy ny mpaminany sandoka?
79
« Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin'ny farihy
afo sy solifara, izay misy ilay bibi-dia sy ilay mpaminany sandoka koa,
ary hampijalina andro amin'alina mandrakizay mandrakizay ireo. »
(Apo 20:10)
Satana dia fanahy, ary tsy levon‘ny afo na mandre maharary sy
mijaly amin‘ny maha ao anaty afo azy. Fantastika koa fa tsy hirehitra
mandrakizay ny afo rehefalevona izay olona sy ―kitay‖ mampirehitra
azy. Ny fahoriam-panahy no hanjò an‘iSatana mandrakizay satria tsy
hahita olona hofitahiny sy hampijaliany intsony, sady very mainany
ezaka nataony nandritry ny taona arivony maro!
Ny bibi-dia sy ny mpaminany sandoka kosa dia tsy mijaly ao
amin‘ny afo mandrakizay fa may sy levona mandakizay izy ireo.
Fahadimy :Ny Lanitra Vaovao sy ny Tany Vaovao
(1) Inona no zavatra hitranga manaraka rehefa voadio tamin‘ny afo
ny Tany ?Apo 21:1.« [Ny amin'i Jerosalema vaovao] Ary nahita Lanitra
Vaovao sy Tany Vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny
tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. »
Fanamarihana: Ny teny izay voasoratra ao amin‘ny Apo 21:1, dia
milaza fa tsy mila ranomasina hanohana ny fiainana fizika intsony ny
Tany Vaovao sy ny Lanitra Vaovao. ―Olona‖ araka ny fanahy ihany no
honina eto an-tany amin‘izany fotoana izany.
(2) Amin‘izany fotoana izany, hidina eto an-tany va ny seza
fiandrianan‘Andriamanitra izay any amin‘ny lanitra fahatelo
ankehitriny, ary honina eto an-tany va Andriamanitra Ray ?Apo. 21: 2-
3.
« Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao,
nidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny
ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny. » (Apo 21:2)« Ary
nahare feo mahery avy teo amin'ny seza fiandrianana aho nanao hoe:
Indro, ny tabernakelin'Andriamanitra dia eo amin'ny olona, ary Izy
80
hitoetra* eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo
aminy, dia ho Andriamaniny. [* Gr. hitoetra an-day] » (Apo 21:3)
« Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy
fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na
fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha. » (Apo 21:4)« Ary hoy Ilay
mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny
zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty; fa mahatoky sy marina ireo
teny ireo. » (Apo 21:5)
(3) Voalaza any amin‘ny toeran-kafa ao amin‘ny Baiboly ankoatry
ny boky Apokalypsy koa va ny amin‘ny Tany Vaovao sy ny Lanitra
Vaovao ?Isa. 65: 17-19; 66: 22; 2Pet 3: 13.
« Fa, indro, Izaho mahary Lanitra Vaovao sy Tany Vaovao, ka dia
tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza. »
(Isa 65:17) « Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria
mahary izany Aho; fa, indro, mahary an'i Jerosalema ho fifaliana Aho
ary ny olony ho firavoravoana. » (Isa 65:18)« Dia ho faly amin'i
Jerosalema Aho sy ho ravoravo amin'ny oloko; ary ny feo mitomany tsy
ho re any intsony, na ny feo mitaraina. » (Isa 65:19)
« Fa tahaka nyLanitra Vaovao sy ny Tany Vaovao, izay hataoko, no
haharitra eo anatrehako, hoy Jehovah, dia toy izany ny haharetan'ny
taranakareo sy ny anaranareo. » (Isa 66:22)
« Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena Lanitra
Vaovao sy Tany Vaovao, izay itoeran'ny fahamarinana. » (2 Pet 3:13)
(4) Toy inona no refin‘ny Tanana Masina, dia Jerosalema Vaovao
izay midina avy any an-danitra ?Apo. 21: 12-17.
« ary manana mànda lehibe sady avo sy vavahady roa ambin'ny folo
izy, ary eo amin'ny vavahady dia misy anjely roa ambin'ny folo, ary
misy anarana voasoratra eo, dia ny an'ny firenena roa ambin'ny folo
amin'ny Zanak'Isiraely; » (Apo 21:12)
« eo atsinanana vavahady telo; eo avaratra vavahady telo; eo atsimo
vavahady telo; eo andrefana vavahady telo. » (Apo 21:13)
81
« Ary ny màndan'ny tanàna dia misy fanorenana roa ambin'ny folo,
ary misy anarana roa ambin'ny folo koa eo, dia ny an ny Apostoly roa
ambin'ny folon'ny Zanak'ondry. » (Apo 21:14)
« Ary ilay niteny tamiko dia nanana fandrefesana volotara volamena
handrefesany ny tanàna sy ny vavahadiny ary ny màndany. » (Apo
21:15)« Ary ny tanàna dia efa-joro, ka mitovy ny lavany sy ny sakany;
ary nandrefy ny tanàna tamin'ny volotara izy, ka roa arivo sy iray alina
stadio. Mitovy ny lavany sy ny sakany ary ny hahavony. » (Apo 21:16)
« Ary nandrefy ny màndany izy, ka efatra amby efa-polo amby zato
hakiho, araka ny refin'ny olona, dia ny an'ny anjely. »(Apo 21:17)
Fanamarihana: Ny refin‘ny lafiny iray dia 12000 stadio, izany
hoe1500 maily na 2778km (1 maily = 1852 m).Mihoatra ny halavan‘i
Madasikara manelanelana ny tendrony roa antsimo sy avaratra ny
lavany sy ny sakany ary ny haavon‘ny Tanana.
Ny andininy faha 16 dia milaza fa mitovy ny halavany sy ny sakany
ary ny haavony, izany hoe toy ny kioba goavam-be io tanana io.
FAMINTINANA :Araka ny fanampiana sy fitarihan‘ny
Fanahin‘Andriamanitra antsika amin‘ny zavatra nataony ho masina
sady miafina, isika dia tokony hifantoka amin‘ny lanitra vaovao sy ny
tany vaovao izay hotanterahin‘Andriamanitra.
Izao no voasoratra: « Isika no nanambaran'Andriamanitra izany
tamin'ny Fanahy; fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny
saina lalina izay an'Andriamanitra aza. » (1 Kor 2:10)« Kanefa isika,
araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao,
izay itoeran'ny fahamarinana. »(2 Pet 3:13)
82
TOVANA
1. ANARAM-BOLANA JIOSY SY GREGORIANA N
o JIOSY GREGORIANA
1. Abiba na Nisana. Eks 13:4; Est 3 :7 Mars-Avril
2. Ziva (Iyar). Gen 7 :1 ; 1Mpanj 6 :1 Avril-Mai
3. Sivana.Eks 19 :1 ; Est 8 :9 Mai-Juin
4. Fahefatra(Tammuz). 2Mpanj 25 :3 Juin-Juillet
5. Fahadimy (Av). Nom 33 :38 Juillet-Août
6. Elola (Ellul). Nom 5 :15 Août-Septembre
7. Etanima (Tishri). 1Mpanj 8 :2 Septembre-Octobre
8. Bola (Chechvan). 1Mpaj 6 :38 Octobre-Novembre
9. Kisleva. Zak 7 :1 Novembre-Décembre
10. Tebeta. Est 2 :16 Décembre-Janvier
11. Sebata (Ch‘vat). Zak 1 :7 Janvier-Février
12. Adara. Est 3 :7 Février-Mars
2. ANDRO FIRAVORAVOANA AO AMIN’NY TESTAMENTA
VAOVAO
Fivoriana masina Testamenta
Taloha
Testamenta Vaovao
Paska Lev 23:5 Mat 26:2, 17-19; Mar 14:12-16; Lio
2:41-42; 22:1, 7-20; Jao 2:13, 23; 6:4;
13:1-30; 1Kor 11:23-29
Mofo Tsy Misy
Masirasira
Lev 23:6-8 Mat 26:17; Mar 14:12; Lio 2:41-42,
22:1,7; Asa 2:1-21; 20:16; 1Kor 5:6-8
Pentekosta Lev 23:15-22 Asa 2:1-21; 20:16; 1Kor 16:8
Fitsofana Trompetra Lev 23:23-25 Mat 24:30-31; 1Tes 4:16-17; Apo
11:15
83
Fanavotana Lev 23:26-30 Asa 27:9
Tabernakely Lev 23:33-43 Jao 7:1-2, 8, 10, 14; Asa 3:19-23;
18:21
Fara-fivoriana Lev 23:36 Jao 7:37-38
Ny Fitsofana trompetra dia tsy voalaza mivantana ao amin‘ny Testamenta Vaovao, fa
ny foto-kevitr‘io Fivoriana masina io – Fitsofanany trompetra manambara ny
fiverenan‘i Kristy – dia voalazan‘ny mpanoratra ny Testamenta Vaovao araka ireo
toko sy andininy ireo.
3.KALANDARIN’NY ANDRO FIRAVOAVOANA 2020 -2026 Source: www.ucg.org: Holy Day Calender
2020 Daty
Paska *++ Aprily 8
Mofo Tsy Misy Masirasira * Aprily 9-15
Pentekosta* May 31
Fitsofana Trompetra* Septambra 19
Andro Fanavotana* Septambra 28
Fetin‘ny Tabernakely* Oktobra 3-9
Fara-Fivoriana* Oktobra 10
* Manomboka ny hariva mialoha
++ Tandremana ny hariva mialoha
2021 Daty
Paska *++ Marsa 27
Mofo Tsy Misy Masirasira * Marsa 28 - Aprily 3
Pentekosta* May 16
Fitsofana Trompetra* Septambra 7
Andro Fanavotana* Septambra 16
Fetin‘ny Tabernakely* Septambra 21-27
Fara-Fivoriana* Septambra 28
* Manomboka ny hariva mialoha
++ Tandremana ny hariva mialoha
2022 Daty
Paska *++ Aprily 15
Mofo Tsy Misy Masirasira * Aprily 16-22
Pentekosta* Jiona 5
84
Fitsofana Trompetra* Septambra 26
Andro Fanavotana* Oktobra 5
Fetin‘ny Tabernakely* Oktobra 10-16
Fara-Fivoriana* Oktobra 17
* Manomboka ny hariva mialoha
++ Tandremana ny hariva mialoha
2023 Daty
Paska *++ Aprily 5
Mofo Tsy Misy Masirasira * Aprily 6-12
Pentekosta* May 28
Fitsofana Trompetra* Septambra 16
Andro Fanavotana* Septambra 25
Fetin‘ny Tabernakely* Septambra 30-Oktobra 6
Fara-Fivoriana* Oktobbra 7
* Manomboka ny hariva mialoha
++ Tandremana ny hariva mialoha
2024 Daty
Paska *++ Aprily 22
Mofo Tsy Misy Masirasira * Aprily 23-29
Pentekosta* Jiona 16
Fitsofana Trompetra* Oktobra 3
Andro Fanavotana* Oktobra 12
Fetin‘ny Tabernakely* Oktobra 17-23
Fara-Fivoriana* Oktobra 24
* Manomboka ny hariva mialoha
++ Tandremana ny hariva mialoha
2025 Daty
Paska *++ Aprily 12
Mofo Tsy Misy Masirasira * Aprily 13-19
Pentekosta* Jiona 1
Fitsofana Trompetra* Septambra 23
Andro Fanavotana* Oktobra 2
Fetin‘ny Tabernakely* Oktobra 7-13
Fara-Fivoriana* Oktobra 14
* Manomboka ny hariva mialoha
++ Tandremana ny hariva mialoha
85
2026 Daty
Paska *++ Aprily 1
Mofo Tsy Misy Masirasira * Aprily 2-8
Pentekosta* May 24
Fitsofana Trompetra* Septambra 12
Andro Fanavotana* Septambra 21
Fetin‘ny Tabernakely* Septambra 26-Oktobra 2
Fara-Fivoriana* Oktobra 3
* Manomboka ny hariva mialoha
++ Tandremana ny hariva mialoha
Ny saotra sy voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay anie ho an’i:
Jesosy Kristy, Ilay Vavolombelona Marina, manana Maso toy ny
Lelafo, sy Sabatra Maranitra Roa Lela
Hifandray:
Dr. Daniel Rakotondravony FIANGONAN’ANDRIAMANITRA MIRAY
United Church of God Madagascar
Faritra Afrika Atsinanana
Mitory ny Filazantsara Manomana Vahoaka
Https://fiamiray.blogspot.com [email protected]