fanelanelanana mafana/ firotsahan’ny fanahy...

47
Andro 1 Fanelanelanana mafana/ firotsahan’ny fanahy masina “Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika izy; ary raha fantatsika fa mihaino antsika izy, na inona na inona no angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika izay angatahintsika aminy.” (1 jaona 5: 14-15) “koa amin'izany dia mahavonjy tokoa* izay manatona an'andriamanitra amin'ny alalany izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy.” (hebreo 7: 25). - [*na: hatramin'ny farany] “ary toy izany koa, ny fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny fanahy no mifona amin'ny fitarainana tsy azo tononina. Ary izay mandinika ny fo no mahalala izay hevitry ny fanahy, satria araka an'andriamanitra ny fifonany ho an'ny olona masina.” (Romana 8:26, 27). “ary haidiko amin'ny taranak'i davida sy amin'ny mponina any jerosalema ny fanahin'ny fahasoavana sy ny fifonana, ... ” (zakaria 12:10) “ary ianareo, ry zanak'i ziona, miravoravoa sy mifalia amin'i jehovah andriamanitrareo; fa hanome anareo ny loha-orana onony izy*, dia handatsaka ranonorana mivatravatra ho anareo, eny, ny loha-orana sy ny fara-orana aloha ..., ary rehefa afaka izany, dia handatsaka ny fanahiko amin'ny nofo rehetra aho” (joela 2:23,3:1).

Upload: others

Post on 18-Feb-2020

11 views

Category:

Documents


0 download

TRANSCRIPT

Andro 1

Fanelanelanana mafana/ firotsahan’ny fanahy masina

“Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: raha

mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino

antsika izy; ary raha fantatsika fa mihaino antsika izy, na

inona na inona no angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika

izay angatahintsika aminy.” (1 jaona 5: 14-15)

“koa amin'izany dia mahavonjy tokoa* izay manatona

an'andriamanitra amin'ny alalany izy, satria velona

mandrakizay hanao fifonana ho azy.” (hebreo 7: 25). - [*na:

hatramin'ny farany]

“ary toy izany koa, ny fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa

tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny fanahy no

mifona amin'ny fitarainana tsy azo tononina. Ary izay

mandinika ny fo no mahalala izay hevitry ny fanahy, satria

araka an'andriamanitra ny fifonany ho an'ny olona masina.”

(Romana 8:26, 27).

“ary haidiko amin'ny taranak'i davida sy amin'ny mponina any

jerosalema ny fanahin'ny fahasoavana sy ny fifonana, ... ”

(zakaria 12:10)

“ary ianareo, ry zanak'i ziona, miravoravoa sy mifalia amin'i

jehovah andriamanitrareo; fa hanome anareo ny loha-orana onony

izy*, dia handatsaka ranonorana mivatravatra ho anareo, eny,

ny loha-orana sy ny fara-orana aloha ..., ary rehefa afaka

izany, dia handatsaka ny fanahiko amin'ny nofo rehetra aho”

(joela 2:23,3:1).

“koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa

ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny ray, izay any an-danitra,

no hanome ny fanahy masina ho an'izay mangataka aminy?.”

(lioka 11:13).

“eo amin’ozao ankatoky ny famaranana ny taom-pijinjana ny tany

izao. Dia nomena ny firotsahan’ny fahasoavana mba hanomanana

ny fiangonana ho amin’ny fihavian’ny zanak’olona. Noharina

tamin’ny firotsahan’ny ranonorana farany io firotsahan’ny

fanahy io; ary ho amin’izany hery fanampiny izany no

handefasan’ny kristiana ny fitalahoana any amin’i jehovah

mandritra ny taom-pijinjana, « amin’ny fotoan’ny ranonorana

farany ».” (zakaria 10 :1 ; joela 2 : 23 ; vavolombelona

mahery, p.55).

“isa maraina isa maraina, raha mbola mandohalika eo

anatrehan’i jehovah ireo maherin’ny filazantsara ka manavao ny

fanoloran-tenany, izy kosa mamaly soa azy ireo amin’ny

fanatrehan’ny fanahiny mamelombelona, amin’ny fanamasinany

feno hery. Ary raha mandeha hanao ny adidiny toy ny fanao

isan’andro izy ireo, dia mahazo mahatoky fa misy ireo mpiasa

tsy hita maso manampy azy ireo ho tonga « tena mpiara-miasa

amin’andriamanitra ». ” (vavolombelona mahery, p.56)

Ivon’ny fanelanelanana – ny firotsahan’ny fanahy masina

Mivava ho an’ny firotsahan’ny fanahy masina indrindra ho

an’ireto aatokon’olona ireto:

- Ny mpitarika ny fiangonana - ny mpampianatra

- Ny ray aman-dreny - ny mpitandrina

- Ny ankizy sy ny tanora - ny misionera

Tari-dalana ho an’ny mpitarika

Soso-kevitra ho an’ny drafitra hitondrana ny fanelanelana ho

amin’ny fanelanelanana mafana / firotsahan’ny fanahy masina

. Fampidirana – 10 mn :

- Hazavao ny toro-lalana ankapobe ho an’ny vavaka iombonana

ao amin’ny taridalana ho an’ny vavaka iombonana (hita ao

amin’ny www.revivalandreformation.org).

- Ampidiro ny lohahevitry ny vavaka ho an’ny fanelanelanana

mafana sy ny firotsahan’ny ranonorana farany

Vavaka iombonana

- Derao ny tompo noho izy andramanitra mpamaly vavaka.

Ampiasao ny soratra ka ataovy amin’ny taratasy lehibe

fasiana lohahevitra hitarihana ny vavaka

- Derao jesosy noho izy maniky ho mpanalalana antsika

- Derao ny fanahy masina mahatonga ny fivavahantsika ho

ekena eo anatrehan’andriamanitra

. Vavaka fiaiken-keloka – 5 mn :

- Omeo 3 mn ny olona hanaovany vavaka mangina sy fiaiken-

keloka. Aoka izy hangataka amin’andriamanitra izay

ilainy manokana hiaikeny heloka ary noho ny nanaovany

tsirambina ny vavaka ka nanimba ny finoany.

- Omeo 2 mn fiaiken-keloka ho an’ny fikambanana,

hangatahana famelana ny otan’ny fiangonana toy ny tsy

fahampian’ny fivavahana, ny nampalahelovana ny fanahy

masina, ny avonavona.

. Vavaka fitalahoana – 30mn :

- Mangataha amin’andriamanitra hampianatra antsika hivavaka

ho an’ny fanahy masina.

- Mitalahoa amin’andriamanitra mba haneho ny tenany amin’ny

fiangonana mandritra izao folo andro fivavahana izao izy.

- Takio ny firotsahan’ny fanahy masina nampanantenaina tao

amin’ny tenin’andriamanitra, mivavaha ho an’ireto

antokon’olona ireto manokana:

o Ny mpitondra ny fiangonana - ny ray aman-dreny

o Ny ankizy sy ny tanora - ny mpampianatra

o Ny pasitera - ny misionera

. Vavaka fisaorana – 5 mn :

- Misaora an’andriamanitra ny amin’izay nataony sy ny

fampianarany antsika hivavaka.

Karatra fanelanelanana – 5mn : omeo karatra mirefy 3 x 5 ny

olona aorian’ny programa. Asaivo entiny mody ireny dia asaivo

mivavaka ho an’olona dimy izay heverina fa tian’andriamanitra

hanaovany fanelanelanana mandritra izao folo andro izy. Aoka

izy hanoratra ny anaran’olona tsirairay isaky ny karatra 3 x

5, miaraka amin’ny fanoritsoritana ny filan’ireny vavaka, dia

ho entiny amin’ny fotoana fivavahana ny ampitso ireny. Azony

atao ny manoratra ny anaran’ny tenany eo amin’ny karatra raha

tiany.

Sosokevitra amin’ny hira: avia fanahy masina ô; voninahitra

anie; ô baboy zahay ho anao; he injao mamelombelona ahy ’lay

fanahy masina.

Jour 2

Finoana lalina kokoa / mitoetra ao amin’i kristy

“sitraky ny tompo raha sambatra, miadana ary mankato ny zanany

lahy sy vavy. Amin’ny fanazarana ny finoana no hamenoana ny

fahabangan-toetra, hanadiovana ny fahatsontsana, hanarenana ny

fahadisoana, hampitomboana ny fahatsarana” (vavolombelona

mahery, p.564)

“tsy hain'ny olona izany, fa hain'andriamanitra ny zavatra

rehetra.” (matio 19: 26).

“mijery an'i jesosy, tompon'ny finoantsika sy mpanefa azy,

izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba

hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa

mipetraka eo amin'ny ankavanan'ny seza

fiandrianan'andriamanitra izy.” (hébreo 12:2)

“fa izay rehetra naterak'andriamanitra dia maharesy izao

tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao

tontolo izao dia ny finoantsika.” (1 jaona 5:4).

“izany no iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety

ankehitriny amin'ny fakam-panahy maro samy hafa aza ianareo,

raha tsy maintsy hisy izany, mba ho hita ho fiderana sy

voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo

(izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia

voazaha toetra tamin'ny afo aza), dia amin'ny hisehoan'i

jesosy kristy;” (1 petera 1:6-7)

“ilay fotoana hahatsapantsika ho tsy manana ny anahy iny

indrindra no tena fotoana mety hianantsika ny finoana. Rehefa

matevina ny raho-mikitroky ny aizina mieloelo eo an-

tsaintsika, dia iny indrindra no fotoana hanavatsavan’ny

finoana velona ny aizina ka hampisavany ny rahona. Mihazona

mafy ny teny fikasana voatahiry ao anatin’ny

tenin’andriamanitra ny fonoana marina, ka ireo mankato ihany

no ho afaka hitaky ireo teny fikasana be voninahitra”

(christian experiences & teachings, 126).

“fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana

sitraka aminy; fa izay manatona an'andriamanitra dia tsy

maintsy mino fa misy izy sady mpamaly soa izay mazoto mitady

azy.” (hebreo 11: 6)

“ary "ny oloko marina* dia ho velon'ny finoana;" fa raha

mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko.” (hebreo 10:38)

“koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana

amin'ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy

hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin'izay andro mahory.”

(hebreo 4:16)

Ivon’ny fanelanelanana – mitoetra ao amin’i kristy

Mivavaha mba hianatra ny mitoetra ao amin’i kristy ny

zanak’andriamanitra rehetra amin’ny:

- Firaisany tsy tapaka amin’andriamanitra - fandraisana ny

heriny sy ny fiainany

- Fiomanany handray ny fanahy masina - fanekeny ny

fahamarinany mandresy

- Fiankinany tanteraka amin’ny fitiavan’andriamanitra

- Fitondrany ny vokatra ho voninahitr’andriamanitra

- Fihazonany an’i jesosy amin’ny finoana

- Fandehanany amin’ny fankatoavana mitohy

Taridalana ho an’ny mpitarika

Andro 2

Soso-kevitra drafitra hitondrana ho amin’ny finoana lalina

kokoa / fitoerana ao amin’i Kristy

- Fampidirana – 5 mn

o Ampahatsiahivo ny mpivory ny toro-lalana ankapobe ho

an’ny vavaka iombonana ao amin’ny taridalana ho an’ny

vavaka iombonana (hita ao amin’ny

www.revivalandreformation.org).

o Ampidiro ny lohahevitry ny vavaka ho an’ny finoana

lalina kokoa sy ny fitoerana ao amin’i kristy

o Asaivo mifidy karatra dimy avy ao anaty boaty misy ireo

vavaka fanelanelanana ny tsirairay ho entiny am-bavaka

mandritra ny vavaka fitalahoana. Tandremo mba ho

voaveriny ao anaty boaty ireo karatra rehefa mirava

Vavaka iombonana

- Vavaka fiderana – 10mn

o Derao andriamanitra tompon’ny finoantsika sy mpanefa

azy. Ampiasao ny soratra ho an’ny lohahevitra

hitarihana ho amin’ny fiderana

o Ampirisiho ny olona hizaara ny valim-bavaka arakaraka

ny hiderany an’andriamanitra

- Vavaka fiaiken-keloka – 5mn

o Avelao handany 3 mn ny isam-batan’olona hangatahany

amin’andriamanitra haneho aminy ireo tranga rehetra tsy

nanany finoana azy.

o Makà 2 mn hiaikena ny heloky ny fiangonana hangatahana

famelan-keloka noho ireo ota noho ny tsy fnanana

finoana

- Vavaka fitalahoana – 30 mn

o Mangataha finoana bebe kokoa. Takio ny teny fikasana

voasoratra eo amin’ny lohahevitra

o Takio ny firotsahan’ny fanahy masina nampanantenaina ao

amin’ny tenin’andriamanitra

o Zarao roa na telo ny olona hivavaka ho an’ireo olona na

toe-javatra voasoratra ao amin’ny karatra nosintonina

tao amin’ny boaty.

o Mivavaha ho an’ny zanak’andriamanitra rehetra mba

hianarany mitoetra ao amin’i kristy amin’ny :

Fifandraisana tsy tapaka amin’andriamanitra

Fahavononana handray ny fanahy masina

Fiantorahana tanteraka amin’ny

fitiavan’andriamanitra

Fihazonana an’i jesosy amin’ny finoana

Fandraisana ny heriny sy ny fiainany

Fanekena ny fahamarinany mandresy

Fitondrana vokatra ho voninahitr’andriamanitra

Fandehanana mandrakariva ao amin’ny fankatoavana

- Vavaka fisaorana – 5 mn

o Misaora an’andriamanitra nanome antsika finoana

misimisy kokoa sy mampianatra antsika hitoetra ao

aminy!

Soso-kevitra hira: jiro mazava (186); eo aminao (421); tsy

mahalala ny ampitso aho (408) ; ry tompo ô mpahary ny

rehetra (23); vonona aho ry mpamonjy (686)

Andro 3

Fibebahana avy ao am-po

“koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo,

mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin'ny

fanatrehan'ny tompo,” (asa. 3:19).

“ary mifaly kosa aho ankehitriny, nefa tsy noho ny

nampalahelovana anareo, fa noho ny nampalahelovana anareo mba

hibebaka; fa nampahelovina araka an'andriamanitra ianareo, mba

tsy hataonay matiantoka na amin'inona na amin'inona. Fa ny

alahelo araka an'andriamanitra miasa fibebahana ho famonjena

tsy hanenenana; fa miasa fahafatesana kosa ny alahelon'izao

tontolo izao.” (2 kor. 7:9, 10 ).

“koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia

mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia

ho avy aminao aho ka hamindra ny fanaovan-jironao hiala

amin'ny fitoerany, raha tsy mibebaka ianao.” (apocalypsy 2:5)

“ny tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny

sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo izy, ka tsy tiany

hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy

rehetra,.” (2 petera 3:9).

“19 izay* rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa

ianao, ka mibebaha. [* gr. Raha izaho, dia izay].” (apocalypsy

3: 19)

“koa na dia ankehitriny aza, hoy jehovah, miverena amiko

amin'ny fonareo rehetra ary amin'ny fifadian-kanina sy ny

fitomaniana ary ny fitarainana. Ary ny fonareo no triatriaro,

fa aza ny fitafianareo, ary miverena amin'i jehovah

andriamanitrareo; fa mamindra fo sy miantra izy, mahari-po

sady be famindram-po ary manenina ny amin'ny loza, fandrao

mba* hanenina ihany izy ka hamela fitahiana ao aoriany, dia

fanatitra hohanina sy fanatitra aidina ho an'i jehovah

andriamanitrareo. [heb. Iza no mahalala na]” (joela 2:12-

14).

“izy nasandratry ny tanana ankavanan'andriamanitra* ho tompo

sy mpamonjy, hanome fibebahana sy famelan-keloka ho an'ny

isiraely. [* na: nasandratra ho eo an-tanana

ankavanan'andriamanitra].” (asa. 5:31).

“kristy no loharanon’ny fironana tsara rehetra. Izy irery no

afaka mampiditra fampirafesana manohitra ny fahotana. Ny

faniriana tsirairay avy ho amin’ny fahamarinana sy ny

fahadiovana, ny fandresen-dahatra ny amin’ny fahatsapana ho

meloka, dia samy porofon’ny fanahy masina manohina ny

fontsika.” (ny dia ho eo amin’i kristy, p. 26)

“amorony fo madio aho, andriamanitra ô; ary havaozy hiorina

marina ny fanahiko ato anatiko. Aza manary ahy hiala eo

anatrehanao; ary aza manaisotra ny fanahinao masina amiko.”

(psaumes 51:10, 11).

Ivon’ny faanelanelanana – fihaonana amin’andriamanitra amin’ny

vavaka

Mangataha amin’andriamanitra am-pivavahana mafana raha ilainao

ny mibebaka sy hanohitra ny fahotana mikasika ireto lafin-

javatra ireto:

- Laharam-pahamehana tsy voafaritra tsara

- Tsy fahampian’ny vavaka sy ny fianarana baiboly

- Avonavona sy fitiavan-tena

- Fampiasana ny vola sy fotoana - fialonana

- Fiankinan-doha amin’ny haino aman-jery

- Fifandraisana amin’ny hafa - fahasarotana mamela heloka

- Fahamainan’ny fo - hatendan-kanina

- Fimonomononana, tsy fihainoana ny fanahy masina

Tari-dalana ho an’ny mpitarika

Andro 3

Soso-kevitra programa hananana fo tena mibebaka

- Fampidirana – 5 mn

o Hazavao fa androany dia fotoana manokana hanginana,

hivavahana manokana sy hibebahana. Manoso-kevitra

izahay mba ho entinareo hihaona am-bavaka

amin’andriamanitra ny zanany.

o Zarao koa ny karatra fanelanelanana mba hahazoan’ny

mpivory mitondra am-bavaka izay voasoratra ao mandritra

ny fotoana voatokana ho an’ny vavaka ho an’ny

fiangonana. Aza hadino ny manangona ny karatra

aorian’ny fotoam-pivavahana.

Mihaona amin’andriamanitra ao amin’ny vavaka – (vavak môdely,

manokana, am-pahanginana – 35 mn) - juanita kretschmar

(Mampiasà voambolana mitovitovy amin’izao, hampidirana

amin’ny fotoam-bavaka: «izao isika dia handroso amin’ny

fotoam-bavaka sy fibebahana, dia isika sy andriamanitra irery.

Ho tarihiko isaky ny dingana ho amin’ny fivavahana, fibebahana

sy fiderana ianareo. Ho lazaiko tsikelikely ireny, atomboy

amin’ny vavaka manokana am-pahanginana aloha. Satria fotoana

manokana hiaikenao ny helokao manokana izany. Miangavy

indrindra aoka hatao am-pahanginana. Tsy misy mahazo manao

vavaka mafy afa-tsy ny tenako. Andeha ary hiaraka hihaona

amin’ny Raintsika feno fitiavana ao anatin’ny vavaka. »)

1. Angataho ny raintsika handrakotra antsika amin’ny

fanahiny masina sy hitondra ny fanatrehan’i jesosy. Takio

ny ràn’i jesosy handrakotra ny fahotana rehetra. Angataho

ny anjely hiaro antsika, araka ny teny fikasany. Angataho

izy mba tsy hisy eritreritra ratsy na hery miasa mangina

hafa hanelingelina antsika, ka hiaro antsika izy.

2. Miankohofa amin’ilay mpahary, mpamonjy, mpanjaka, sns.

3. Asao izy hampitsikafona avy ao amin’ny fiainantsika ireo

fahotana miafina rehetra. Avelao izy hikaroka hatrany

amin’ny fahazazana raha ilaina. Tandremo tsara ary

mihaino fatratra.

4. Arakaraka ny hiavian’ny fandresen-dahatra ao an-

tsaintsika, eritreritsika, asantsika, ireo heverintsika

ho zò mamintsika toy ny hatezerana, ny fikomiana, ny

fahasosorana, ny fanandramana hita fa fahotana eo

anatrehan’ny hazo fijaliana, ataovy mazava tsara, antsoy

amin’ny anarany ny fahotana, ka mangataha famelàna. Ekeo

ny famelan-keloka ka misaora azy amin’ny feo mafy. (aoka

ho ren’ny sofinao ny feonao manambara ny fahatokisanao sy

ny fideranao).

5. Angataho ny fibebahana lalina. Ary satria fanomezana

izany, dia misaora azy na misy zavatra tsapanao na tsia.

6. Lazao ny raintsika any an-danitra fa sitraponao no

hanomezanao azy alalana hanala ny fahotana sy ny

fahatsapana ho meloka na fanamelohana miara-dalana

amin’ny fahotana. Ampahafantaro an’andriamanitra fa

ekenao ny hametrahany ny vesatra avy eo aminao ho eo an-

tsoron’ny zanany. Ekeo ny fanirian’i jesosy hanamaivana

anao amin’ny fanamelohana. Te hanao izany ho anao kristy.

Ataovy azo antoka fa tononinao mafy ny fisaorana ataonao.

7. Angataho amin’andriamanitra izay tiany hasolo izany.

Inona no toetran’i jesosy tiany homena anao? Inona no

toro-lalana na fahitana natokany ho anao? Makà fotoana

am-pitandremana fatratra ka mihainoa.

8. Ampahafantaro an’andriamanitra fa ekenao ny fanomezany

(na eritreritra, na teny, na sary entiny ao an-tsainao).

Aoka ho azo antoka fa nisaotra azy ianao.

9. Averimbereno araka izay tianao izany. Ankasitrao ny

fanatrehany. Derao izy.

10. Rehefa nanaiky ny fanomezanao avy amin’andriamanitra

ianao, raha nanohina anao ny amin’ny fahotana manokana

izy, dia mety haniry ianao hoe inona no fanampiana

manokana homeny anao, na ny fanoloran-tena tanteraka

ataonao amin’ireny fotoan’ny fakam-panahy ireny. Na izay

mety ho nataon’i jesosy teo amin’ny toeranao. Mety homeny

fahitana mahafinaritra mazava kokoa ianao.

11. Amin’ny faran’ny fotoana manokana toy izao dia angataho

aminy raha misy olona na toe-javatra manokana tiany ho

entinao am-bavaka, na misy torolalana manokana homeny

anao, sns. Maka fotoana, tandremo tsara ary mihainoa.

12. Ataovy azo antoka fa nidera azy tamin’ny feo mafy ianao,

amin’ny faran’ny vavaka. Sitrakao ve izany ?

Andriamanitra mahatalanjona izy, sady sakaiza tonga

lafatra, malala-tanana, be fitiavana.

Vavaka ho an’ny fiangonana– 20 mn

- Karatra fanelanelanana – aoka hisy olona hivavaka ho an’ny

filàna voambara ao amin’ny karatra, anaty vondron’olona roa

na telo.

- Farano amina 5-10 mn vavaka ho an’ny fiangonana. Misaora

an’andriamanitra noho ny nanomezany fibebahana sy famelan-

keloka.

Soso-kevitra hira : Tompo ô, ovao ny foko. Saotra no atolotra

anao. Jesosy irery no famonjana. Aza manadino ahy. Moa ve tsy

ho lazaiko. Nomeko anao ny aiko. Raha mafy izao ny mahory.

Andro 4

Fiaiken-keloka marina

“raha ny oloko izay nantsoina amin'ny anarako ho avy hanetry

tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy

fanaony, dia hihaino any an-danitra aho ka hamela ny helony

ary hahasitrana ny taniny.” (2 tantara 7:14).

“indro, ny tànan'i jehovah tsy fohy, fa mahavonjy, ary ny

sofiny tsy lalodalovana, fa mahare; fa ny helokareo no efitra

mampisaraka anareo amin'andriamanitrareo, ary ny fahotanareo

no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino izy”

(isaia 59: 1, 2)

“koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha, mba ho

sitrana ianareo. Ny fiàsan'ny fivavaky ny marina dia mahery

indrindra.” (jakoba 5 : 16).

“raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina izy

ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny

tsi-fahamarinana rehetra.” (1 jaona 1: 9)

“fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra

ny fahalementsika, fa izay efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra

rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota. Koa aoka isika

hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin'ny

fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika

fahasoavana ho famonjena amin'izay andro mahory.” (hebreo 4:

15-16).

“tahaka ny halavitry ny atsinanana amin'ny andrefana no

halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika.” (salamo

103: 12)

“manana toetra mampiavaka azy hatrany ny tena fiaiken-keloka,

saingy fiaikena fahotana manokana hatrany. Mety hatao

amin’andriamanitra irery ihany; mety ho fahadisoana atao

amin’olona nanaovantsika fahadisoana ihany koa; na mety ho

fiaikena ampahibe maso. Fa ny fiaikena rehetra kosa dia tsy

maintsy voafaritra tsara, fiaikena ny fahotana izay nahameloka

anao”. (the faith i live by, p. 128).

“maro, tena maro ny fiaiken-keloka tsy tokony ho ren’ny

sofin’olombelona mety maty mihitsy; satria ny vokatry ny

fitsarana voafetra avy amin’olombelona voafetra dia tsy ho azo

vinavinaina mihitsy … omem-boninahitra andriamanitra raha

ekentsika amin’i jesosy ilay tsiambaratelo, fahalovan’ny fo,

toy izay ho sokafana amin’olona voafetra ny toerana

miafinafiny, dia olombelona mety mania, tsy afaka hitsara

marina raha tsy hoe angaha vonton’ny fanahin’andriamanitra …

aza aboraka ao an-tsofin’olombelona ny tantara izay tokony ho

ny sofin’andriamanitra ihany no handre azy” (our father cares,

p. 73)

Ivon’ny fanelanelanana – fampihavanana

Mivavaha mba hitondra fampihavanana sy fanasitranana amin’ireo

rohim-pihavananao simba andriamanitra, isan’izany ireto:

- Ray aman-derny sy zanaka, mpianakavy

- Namana – samy mambra ny fiangonana na tsy kristiana

- Mpitarika ny fiangonana sy ny mambra laika

Taridalana ho an’ny mpitarika

Andro 4

Soso-kevitra ho amin’ny fiaiken-keloka marina

- Fampidirana – 5 mn

o Ampahatsiahivo ny mpivory ny toro-lalana ankapobe ho an’ny

vavaka iombonana ao amin’ny taridalana ho an’ny vavaka

iombonana (hita ao amin’ny www.revivalandreformation.org).

o Ampidiro ny lohahevitry ny vavaka ho an’ny fiaiken-keloka.

Sosokevitray ny hanoratana ny andalan-teny nosoratan’i egw

eo amin’ny taratasy fasiana ny lohahevitra sady

ampirisihana ny olona hanao fiaiken-keloka mangina, dia

izay mampisaraka azy sy andriamanitra. Hazavao azy fa raha

misy zavatra ilainy alamina amin’ny namany dia azony atao

ny mamonjy azy mandritra ny vavaka mangina. Azo atao koa

ny mivatsy penina ka manoratra taratasy fifonana ho

an’olona iray. Ny ota ankapobeny, misokatra ho an’ny

rehetra dia atao ampahibemaso mandritra ny fifonana ho

an’ny fiangonana.

Fotoana vavaka iombonana

- Vavaka fiderana– 10mn

o Derao andriamanitra fa tompotsika sy mamela ny

fahotantsika. Soraty amin’ny taratasy fasiana

lohahevitra ny hitarihana ny fiderana.

o Ifampizarana ny valim-bavaka mandritra ny fotoana

fiderana an’andriamanitra

- Vavaka fiaiken-keloka – 20 mn

o Fotoana fanaovana vavaka mangina sy fiaiken-keloka:

asao ny mpanatrika hibebaka manokana ny amin’ny

fahotany ka hangataka amin’andriamanitra hampiseho ny

fomba fisehon’izany eo amin’ny fiainany –

ampahatsiahivo azy fa azony atao izany raha misy

zavatra tiany halamina na ataony an-taratasy fialan-

tsiny.

o Anokany 5mn hiaikena ny fahotana am-pahibemaso. Azo

atao koa ny mangataka olona hamaky ny vavak’i daniela

ao amin’ny daniela 9 : 4-79 na hampiasa azy toy ny

modely fivavahana iombonana.

Vavaka fitalahoana – 20 mn

- Mivavaha mba hiseho ao amin’ny fiangonana ny fanahin’ny

fiaiken-keloka marina. Takio manokana ny teny fikasana

napetraka eo amin’ny taratasy fasiana lohahevitra.

- Takio ny firotsahan’ny fanahy masina voalazan’ny

tenin’andriamanitra

- Asao ny mpanatrika hivavaka manokana ho an’ny fifandraisana

ao amin’ny fiainany mila fampihavanana sy fanasitranana.

Mivavaha koa ho an’ny fifandraisana ao am-piangonana ilàna

fampihavanana.

- Zarao atokony misy olona roa na telo ny mpivory mba hivavaka

ho an’olona na toe-javatra voasoratra ao amin’ny karatra avy

ao anaty boaty.

Soso-kevitra hira: Jesosy tia, he fantatrao ; atolotro anao ny

tenako ry raiko ; tompo ô ovay ny foko; fitiavana tsy hay

lazaina; saotra no atolotro anao re, ry raiko; raha mafy izao

ny mahory.

Andro 6

Fandihihan-tena/fianakaviana nania

sy mambran’ny fiangonana nihemotra

“Diniho aho, andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; izahao

toetra aho, ary fantaro ny eritreritro; ary izahao na misy

lalana mampahory ato anatiko, dia tariho amin'ny lalana

mandrakizay aho.” (salamo 139 :23-24).

“koa hatanjaho* ny tanana miraviravy sy ny lohalika malemy; [*

na: ahitsio] ary manaova lala-mahitsy halehan'ny tongotrareo,

mba tsy hampipitsoka ny tongotry ny mandringa, fa ny mba

hahasitrana azy kosa. Miezaha mitady fihavanana amin'ny olona

rehetra ary fahamasinana; fa izay. Tsy manam-pahamasinana dia

tsy hahita ny tompo. Ary mitandrema tsara, fandrao hisy hiala

amin'ny fahasoavan'andriamanitra; fandrao hisy faka mangidy

mitsimoka hampikorontana, ka ho voaloto ny maro.” (hebreux 12:

12-15)

“koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha, mba ho

sitrana ianareo. Ny fiàsan'ny fivavaky ny marina dia mahery

indrindra.” (jacques 5 : 16).

“ireo andro fiomanana dia andro fandinihan-tena lalina.

Tsapan’ny mpianatra ny filàny ara-panahy ka dia nitalaho mafy

tamin’andriamanitra izy ireo mba hahazo hosotra masina

hahatonga azy ireo ho afaka hamonjy fanahy. Tsy nangataka

fitahiana ho azy mihitsy izy. Vesaran’ny lanjan’ny famonjem-

panahy izy ireo. Fantany fa tokony ho entina eo amin’izao

tontolo izao ny filazantsara, ka dia nitaky ny herin’i kristy

nampanantenaina izy.” (vavolobelona mahery, p. 37).

“taorian’ny niakaran’i kristy, dia nivory tamin’ny toerana

iray hitalaho amin’amdriamanitra tamim-panetren-tena izy ireo.

Folo andro taty aorian’ny fandinihan-tena sy fandinihana ny

fo, dia vonona ny lalana handraisana ny fanahy masina, ny

tempoly voadio, ny fanahy voatokana. Feno ny fanahy masina ny

fo rehetra, toy ny hoe te-haneho andriamanitra fa zony

tanteraka ny hitahy azy ireo amin’ny fitahiana tsara indrindra

avy any an-danitra” (evangelism, p. 698).

“diniho aho, jehovah ô, ka fantaro; izahao toetra ny voako sy

ny foko. Fa ny famindram-ponao no eo anoloan'ny masoko; ary

mandeha amin'ny fahamarinanao aho.” (salamo 26:2-3)

“ao anatin’ny fianakaviana iray, raha misy mambra iray very,

dia atao avokoa izay azo atao hitadiavana azy. Raha ny hafa

indray, dia feno fahazotoana sy fandinihan-tena matotra izy

ireo. Aoka hodinihana tsara ny fomba fiainana. Jerena raha

misy fahadisoana, fahadisoam-pitantanana, niraki-tapisaka ao

amin’ny fanahy”. (ny dia ho eo amin’ kristy, p. 194).

“nefa izao no lazain'i jehovah: na dia ny sambotry ny mahery

aza dia halaina ihany, ary ho afaka ny babon'ny mpandrombaka;

fa izaho no hiady amin'izay miady aminao, ary izaho no hamonjy

ny zanakao.” (isaia 49:25)

Ivon’ny fanelanelanana – fianakaviana naniasia sy mambra ny

fiangonana nihemotra

- Angataho andriamanitra haneho izay manakana ao aminao tsy

hahavoavonjy ny hafa, ary izay fomba mety hiarahanao aminy

hamonjena azy ireo.

- Mivavaha ho an’ny fianakavianao sy ny fiangonanao mba ho

tonga fialofana ho an’ireo nania ka hahitan’izy ireo an’i

jesosy indray. Takio am-pinoana ireo teny fikasana tahaka

izay hita ao amin’ny isaia 49 : 25, ezekiela 11:19-20, joela

2:28-29, jeremie 24:7, marksy ny mambra ny fiangonana.

- Derao ny tompo ny amin’izay efa ataony sy ny amonjeny azy

ireo.

Tari-dalana ho an’ny mpitarika

Andro 6

Soso-kevitra plana ho an’ny fandinihan-tena sy ny fianakaviana

naniasia sy ny mambran’ny fiangonana.

- Fampidirana – 5 mn

o Ampahatsiahivo ny mpivory ny toro-lalana ankapobe ho

an’ny vavaka iombonana ao amin’ny taridalana ho an’ny

vavaka iombonana (hita ao amin’ny

www.revivalandreformation.org).

o Ampidiro ny lohahevitry ny fandinihan-tena lalina sy ny

vavaka ho an’ny fianakaviana naniasia ary ny mambra ny

fiangonana nihemotra. Hazavao ny hahatonga ny soratra

masina ho foto-piainan’ny mpandray anjara amin’ny

alalan’ny finoana. Jereo ny fanazavana eo amin’ny

sokajy manaraka.

o Asaivo mifidy karatra dimy avy ao anaty boaty misy ireo

vavaka fanelanelanana ny tsirairay ho entiny am-bavaka

mandritra ny vavaka fitalahoana. Tandremo mba ho

voaveriny ao anaty boaty ireo karatra rehefa mirava.

Fotoana vavaka iombonana

- Vavaka fiderana – 10mn

o Derao ny tompo maneho ny zava-miafina rehetra ao am-

pontsika. Ampiasao ny soratra eny amin’ny taratasin’ny

lohahevitra hitarihana ny fiderana.

o Derao ny tompo noho izay efa ataony ao amin’ny

fiainan’ireo olo-malalantsika sahady.

o Ampirisiho ny olona hizara ny valim-bavaka eo am-

piderana ny tompo.

- Vavaka fiaiken-keloka – 20 mn

o Omeo 5-8 mn ny olona handinihany ny fony amim-

pahanginana sy hanehoan’andriamanitra izany aminy.

o Omeo 3-5 mn hiaikena ny heloky niarahan’ny daholobe ka

nampanalavitra ny olona ny fiangonana.

Vavaka fitalahoana – 25 mn

- Mivavaha mba hananan’ny mambra tsirairay fotoana handinihana

ny fony sy hamelana an’andriamanitra hampiseho aminy ny

fahotany miafina.

- Takio ny firotsahan’ny fanahy masina nampanantenaina ao

amin’ny tenin’andriamanitra. Mivavaha mba hiasa ao amin’ny

fiainan’ny fianakavianao mbola mania sy ny mambra nihemotra

ny soratra masina. Ianao aloha mivavaka mba hanehoana

amin’ny hafa ny fomba fanaovana azy. Ohatra, 1 tesal. 3:13,

« mba hampiorina ny fonareo tsy hanan-tsiny amin'ny

fahamasinana eo anatrehan'andriamanitra raintsika amin'ny

fihavian'i jesosy tompontsika mbamin'ny masiny rehetra. »

dia mivavaha toy izao avy eo: « tompo malala ô, aoreno tsara

ny fahavononana ao am-pon’ny zanako mba hanao ny tsara. Omeo

azy ny fahasoavanao mba handraisany fanapahan-kevitra

mitondra ho amin’ny fahamasinana. Jesosy ô, enga anie ka

hiandrandra ny fihavianao izy … »

- Zarao roa na telo ny olona hivavaka ho an’ireo olona na toe-

javatra voasoratra ao amin’ny karatra nosintonina tao

amin’ny boaty. Ampirisiho izy ireo mba hanohy hivavaka ho

an’izay voasoratra ao.

Vavaka fisaorana – 5 mn

- Misaora an’andriamanitra noho ny amonjeny ny

fianakaviantsika nania sy ireo mambra nihemotra!

Soso-kevitra hira :

Avia, fanahy masina ô (184) ; toeram-piadanana (504); tompo

malala (77); anao ny laza (102); ampangino ny izahoko (466);

misy baiko re (367).

Andro fahadimy

Fitiavana sy firaisam-po / Tia ny olom-bery

“Ary nony tong any andro pentekosta dia teo amin’ny fitoerana

iray izy rehetra. Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-

danitra toy ny rivotra mahery mifofofofo ka nanenika ilay

trano niangonany.” (Asa 2:1, 2).

“Andeha misaora an’I Jehovah hianareo rehetra mpanompon’I

Jehovah izay mitoetra alina ao an-tranon’i Jehovah” (Salamo

133:1).

“Izao no didiko dia ny mba hifankatiavanareo toy ny nitiavako

anareo. Tsy misy fitiavana lehibe mihoatra noho izao dia ny

manolotra ny ainy ho an’ny sakaizany” (Jaona 15:12, 13).

“Nefa tsy ho an’ireto ihany no angatahiko, fa ho an’izay mino

Ahy koa noho ny teniny; mba ho iray ihany izy rehetra tahaka

Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao Aminao mba ho ao

amintsika koa izy, mba hinoan’izao tontolo izao fa Hianao no

naniraka Ahy. Ary nomeko azy ny voninahitra izay nomenao Ahy

mba ho iray izy, tahaka ny mahiray antsika; Izaho ao aminy ary

Hianao ato Amiko mba ho tanteraka ho iray izy mba ho

fantatr’izao tontolo izao fa Hianao efa naniraka Ahy sady efa

tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy” (Jaona 17:20-23).

“Na dia maro aza ireo toetra tsara ananan’ny olona dia tsy

afaka ho miaramila tsara izy raha miasa irery tsy mifandray

amin’ny hafa. Misy fihetsika tsy azo antoka amin’ny fotoana

sasany izay na dia atao amin’ny firehetam-po sy fahavitrihana

aza dia tsy hitondra afa-tsy tsy fahombiazana. Makà soavaly

maromaro matanjaka. Raha toa ka tsy miaraka misintona ny

soavaly roa fa ny sasany misintona mandroso ary ny sasany

misintona mihemotra dia tsy hikisaka mihitsy ny entana

entin’izy ireo na dia matanjaka toy inona aza izy ireo. Noho

izany dia tokony hiara-miasa ireo miaramilan’i Kristy, raha

tsy izany dia ho lasa atoma mandeha irery manao fifaninanana

fotsiny izy ireo. Ilay tanjaka izay tokony hotehirizina

hanaovan-javatra manokana dia ho very maina amin’ny ezaka tsy

misy fifantohana sy tsy misy dikany. Ny firaisan-kina no hery.

Ireo lehilahy sy vehivavy izay miray hina ka mibanjina ny

voninahitr’Andriamanitra dia hitombo hery sy fahendrena ary

hahazo fandresena vaovao maro” (Signs of the Times, Sept. 7,

1891, par. 7).

Vavaka fanelanelanana: fitiavana nasiam-panavaozana, indrindra

ho an’ny olom-bery

Mivavaha mba hahatonga ny vahoakan’Andriamanitra handalo ny

fanandraman’ny fitiavana nasiam-panavaozana amin’ireto voalaza

manaraka ireto:

• ho an’Andriamanitra sy ny tenin’Andriamanitra

• ho an’ireo mambran’ny fiangonana – dia ireo rahalahy sy

rahavavy ao amin’i Kristy.

• ho an’ireo mambra tsirairay avy ao amin’ny fianakaviana

• ho an’ireo olom-bery, indrindra fa:

• ireo izay tsy mbola nandre ny amin’i Jesosy eto amin’ity

izao tontolo izao ity.

• ireo izay efa nandre ny amin’i Jesosy kanefa mbola tsy

nihaona taminy manokana

• ireo izay efa nitia an’i Jesosy saingy lavo indray.

• ireo fianakaviana na ireo namantsika akaiky izay nania na

diso lalana

Taraidalana ho an’ny mpitarika

Andro 5

Soso-kevitra mikasika ny drafitra hitondrana ho amin’ny

Fitiavana sy firaisam-po / fitiavana ny olom-bery

• Fampidirana – 10 mn :

• Hazavao ny toro-lalana ankapobe ho an’ny fiombonam-

bavaka ao amin’ny taridalana ho an’ny fiombonam-

bavaka (hita ao amin’ny

www.revivalandreformation.org).

• ampidiro ny lohahevitra mikasika ny vavaka ho an’ny

firaisam-po sy fitiavana eo amin’ny samy kristiana

sy ny fitiavana ny olom-bery.

• Asaivo mifidy karatra dimy avy ao anaty boaty misy

ireo vavaka fanelanelanana ny tsirairay ho entiny

am-bavaka mandritra ny vavaka fitalahoana. Tandremo

mba ho voaveriny ao anaty boaty ireo karatra rehefa

mirava

Vavaka iombonana

- Vavaka fiderana – 10minitra

Derao Andriamanitra Tompon’ny finoantsika sy mpanefa

azy. Ampiasao ny soratra ho an’ny lohahevitra

hitarihana ho amin’ny fiderana

Ampirisiho ny olona hizaara ny valim-bavaka arakaraka

ny hiderany an’Andriamanitra

- Vavaka fiaiken-keloka – 5minitra

o Avelao handany 3 mn ny isam-batan’olona hangatahany

amin’Andriamanitra haneho aminy ireo tranga rehetra tsy

nanany finoana Azy.

o Makà 2 mn hiaikena ny heloky ny fiangonana hangatahana

famelan-keloka noho ireo ota noho ny tsy fnanana

finoana

• Vavaka fitalahoana - 25 Minitra:

• Mivavaha mba hisy firaisam-po sy fitiavana ao

anatin’ny fiangonana. Mivavaha manokana/takio ny

teny fikasana voasoratra tao anatin’ny taratasy.

• Ny vavaka nataon’i Jesosy ao amin’ny Jaona 17 dia

vavaka mahafinaritra azon’ny rehetra atao miaraka.

• Mandania fotoana hiarahana mivavaka mba hahazoanareo

fitiavana lehibebe kokoa sy firaisam-po araak izay

navoitra teo amin’ny faran’ ny pejy misy ny

lohahevitra.

• Italahoy ny firotsahan’ny Fanahy Masina izay efa

namanantenain’ny tenin’Andriamanitra.

• Zarao vondrona roan a telo ny olona mba ahafahany

mivavaka ho an’ny isam-batan’olona na ho an’ ny toe-

javatra manokana izay voasoratra ao amin’ireo

karatra 5 nosafidiany tao amin’ny boaty. Mba

hisian’ny firaisam-po bebe kokoa dia amporisiho ny

olona hitady namana hiara-mivavaka aminy izay mbola

tsy naira-nivavaka taminy mihitsy teo aloha.

• Vavaka fisaorana- 10 Minitra:

Andeha hisaotra an’Andriamanitra isika noho ny nanomezany

antsika firaisam-po sy fitiavana sy fitiavana bebe kokoa ireo

olom-bery!

Soso-kevitra hira: Avia Fanahy Masina o (FFA 184); Hiara-

mandeha Aminao hatrizao (FFA 353); Lay tanàna masina (FFA

612); Tsara indrindra (FFA 112); Efa anananao ve (FFA 114);

Tsy misy tantara zay mamin’ny fo (FFA 737); Feon’I Kristy no

miantso (FFA 376).

Andro 6

Fandihihan-tena/fianakaviana nania sy mambran’ny fiangonana

nihemotra

“Diniho aho, andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; izahao

toetra aho, ary fantaro ny eritreritro; ary izahao na misy

lalana mampahory ato anatiko, dia tariho amin'ny lalana

mandrakizay aho.” (Salamo 139 :23-24).

“koa hatanjaho* ny tanana miraviravy sy ny lohalika malemy; [*

na: ahitsio] ary manaova lala-mahitsy halehan'ny tongotrareo,

mba tsy hampipitsoka ny tongotry ny mandringa, fa ny mba

hahasitrana azy kosa. Miezaha mitady fihavanana amin'ny olona

rehetra ary fahamasinana; fa izay. Tsy manam-pahamasinana dia

tsy hahita ny tompo. Ary mitandrema tsara, fandrao hisy hiala

amin'ny fahasoavan'andriamanitra; fandrao hisy faka mangidy

mitsimoka hampikorontana, ka ho voaloto ny maro.” (hebreux 12:

12-15)

“koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha, mba ho

sitrana ianareo. Ny fiàsan'ny fivavaky ny marina dia mahery

indrindra.” (jakoba 5 : 16).

“ireo andro fiomanana dia andro fandinihan-tena lalina.

Tsapan’ny mpianatra ny filàny ara-panahy ka dia nitalaho mafy

tamin’andriamanitra izy ireo mba hahazo hosotra masina

hahatonga azy ireo ho afaka hamonjy fanahy. Tsy nangataka

fitahiana ho azy mihitsy izy. Vesaran’ny lanjan’ny famonjem-

panahy izy ireo. Fantany fa tokony ho entina eo amin’izao

tontolo izao ny filazantsara, ka dia nitaky ny herin’i kristy

nampanantenaina izy.” (vavolobelona mahery, p. 37).

“taorian’ny niakaran’i kristy, dia nivory tamin’ny toerana

iray hitalaho amin’amdriamanitra tamim-panetren-tena izy ireo.

Folo andro taty aorian’ny fandinihan-tena sy fandinihana ny

fo, dia vonona ny lalana handraisana ny fanahy masina, ny

tempoly voadio, ny fanahy voatokana. Feno ny fanahy masina ny

fo rehetra, toy ny hoe te-haneho andriamanitra fa zony

tanteraka ny hitahy azy ireo amin’ny fitahiana tsara indrindra

avy any an-danitra” (evangelism, p. 698).

“diniho aho, jehovah ô, ka fantaro; izahao toetra ny voako sy

ny foko. Fa ny famindram-ponao no eo anoloan'ny masoko; ary

mandeha amin'ny fahamarinanao aho.” (salamo 26:2-3)

“ao anatin’ny fianakaviana iray, raha misy mambra iray very,

dia atao avokoa izay azo atao hitadiavana azy. Raha ny hafa

indray, dia feno fahazotoana sy fandinihan-tena matotra izy

ireo. Aoka hodinihana tsara ny fomba fiainana. Jerena raha

misy fahadisoana, fahadisoam-pitantanana, niraki-tapisaka ao

amin’ny fanahy”. (ny dia ho eo amin’ kristy, p. 194).

“nefa izao no lazain'i jehovah: na dia ny sambotry ny mahery

aza dia halaina ihany, ary ho afaka ny babon'ny mpandrombaka;

fa izaho no hiady amin'izay miady aminao, ary izaho no hamonjy

ny zanakao.” (isaia 49:25)

Ivon’ny fanelanelanana – fianakaviana naniasia sy mambra ny

fiangonana nihemotra

- Angataho andriamanitra haneho izay manakana ao aminao tsy

hahavoavonjy ny hafa, ary izay fomba mety hiarahanao aminy

hamonjena azy ireo.

- Mivavaha ho an’ny fianakavianao sy ny fiangonanao mba ho

tonga fialofana ho an’ireo nania ka hahitan’izy ireo an’i

jesosy indray. Takio am-pinoana ireo teny fikasana tahaka

izay hita ao amin’ny isaia 49 : 25, ezekiela 11:19-20, joela

2:28-29, jeremie 24:7, marksy ny mambra ny fiangonana.

- Derao ny tompo ny amin’izay efa ataony sy ny amonjeny azy

ireo.

Tari-dalana ho an’ny mpitarika

Andro 6

Soso-kevitra plana ho an’ny fandinihan-tena sy ny fianakaviana

naniasia sy ny mambran’ny fiangonana.

- Fampidirana – 5 mn

o Ampahatsiahivo ny mpivory ny toro-lalana ankapobe ho

an’ny vavaka iombonana ao amin’ny taridalana ho an’ny

vavaka iombonana (hita ao amin’ny

www.revivalandreformation.org).

o Ampidiro ny lohahevitry ny fandinihan-tena lalina sy ny

vavaka ho an’ny fianakaviana naniasia ary ny mambra ny

fiangonana nihemotra. Hazavao ny hahatonga ny soratra

masina ho foto-piainan’ny mpandray anjara amin’ny

alalan’ny finoana. Jereo ny fanazavana eo amin’ny

sokajy manaraka.

o Asaivo mifidy karatra dimy avy ao anaty boaty misy ireo

vavaka fanelanelanana ny tsirairay ho entiny am-bavaka

mandritra ny vavaka fitalahoana. Tandremo mba ho

voaveriny ao anaty boaty ireo karatra rehefa mirava.

Fotoana vavaka iombonana

- Vavaka fiderana – 10mn

o Derao ny tompo maneho ny zava-miafina rehetra ao am-

pontsika. Ampiasao ny soratra eny amin’ny taratasin’ny

lohahevitra hitarihana ny fiderana.

o Derao ny tompo noho izay efa ataony ao amin’ny

fiainan’ireo olo-malalantsika sahady.

o Ampirisiho ny olona hizara ny valim-bavaka eo am-

piderana ny tompo.

- Vavaka fiaiken-keloka – 20 mn

o Omeo 5-8 mn ny olona handinihany ny fony amim-

pahanginana sy hanehoan’andriamanitra izany aminy.

o Omeo 3-5 mn hiaikena ny heloky niarahan’ny daholobe ka

nampanalavitra ny olona ny fiangonana.

Vavaka fitalahoana – 25 mn

- Mivavaha mba hananan’ny mambra tsirairay fotoana handinihana

ny fony sy hamelana an’andriamanitra hampiseho aminy ny

fahotany miafina.

- Takio ny firotsahan’ny fanahy masina nampanantenaina ao

amin’ny tenin’andriamanitra. Mivavaha mba hiasa ao amin’ny

fiainan’ny fianakavianao mbola mania sy ny mambra nihemotra

ny soratra masina. Ianao aloha mivavaka mba hanehoana

amin’ny hafa ny fomba fanaovana azy. Ohatra, 1 tesal. 3:13,

« mba hampiorina ny fonareo tsy hanan-tsiny amin'ny

fahamasinana eo anatrehan'andriamanitra raintsika amin'ny

fihavian'i jesosy tompontsika mbamin'ny masiny rehetra. »

dia mivavaha toy izao avy eo: « tompo malala ô, aoreno tsara

ny fahavononana ao am-pon’ny zanako mba hanao ny tsara. Omeo

azy ny fahasoavanao mba handraisany fanapahan-kevitra

mitondra ho amin’ny fahamasinana. Jesosy ô, enga anie ka

hiandrandra ny fihavianao izy … »

- Zarao roa na telo ny olona hivavaka ho an’ireo olona na toe-

javatra voasoratra ao amin’ny karatra nosintonina tao

amin’ny boaty. Ampirisiho izy ireo mba hanohy hivavaka ho

an’izay voasoratra ao.

Vavaka fisaorana – 5 mn

- Misaora an’andriamanitra noho ny amonjeny ny

fianakaviantsika nania sy ireo mambra nihemotra!

Soso-kevitra hira :

Avia, fanahy masina ô (184) ; toeram-piadanana (504); tompo

malala (77); anao ny laza (102); ampangino ny izahoko (466);

misy baiko re (367).

Andro 7

Sorona feno fanetren-tena/fanohanana ara-bola ny

asan’andriamanitra

“ Tsy manao na inona na inona amin'ny fifampiandaniana, na

mandrani-tena foana fa amin'ny fanetren-tena dia aoka samy

hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany. Aza samy mihevitra

ny azy ihany, fa samy ny an'ny namany koa. Aoka ho ao aminareo

izao saina izao, izay tao amin'i kristy jesosy koa, izay, na

dia nanana ny endrik'andriamanitra aza, dia tsy nataony ho

zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'andriamanitra, fa

nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy

nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona; ary rehefa

hita fa nanan-tarehy ho olona izy, dia nanetry tena ka nanaiky

hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo

fijaliana. Koa izany no nanandratan'andriamanitra azy

indrindra sy nanomezany azy ny anarana izay ambony noho ny

anarana rehetra,…” ( fil. 2:3-9).

“ary ianareo izay mbola tanora fanahy kosa, dia maneke ny

loholona*. Eny, samia misikina fanetren-tena ianareo ka

mifanompoa; fa "andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa

manome fahasoavana ho an'ny manetry tena" (oha. 3.34). [* gr.

Presbytera] koa amin'izany manetre tena ambanin'ny tàna-

maherin'andriamanitra, mba hanandratany anareo amin'ny

fotoan'andro;” (1 petera 5:5, 6).

“tao amin’ny fanetren-tena, novolavolain’ny hery miasa

manginan’ny fanahy masina, no nandraisany (ny mpiantra) ny

fahafenoan’ny fitarihan’andriamanitra sy namolavolany azy ireo

hitovy amin’andriamanitra.” (vavolombelona mahery, p. 49).

“rehefa mambabo ny fon’ny olona ny fanahin’andriamanitra, dia

ovany ny fiainany. Miala ny eritreritra manota, mihemotra ny

asa ratsy; ny fitiavana, ny fanetren-tena sy ny fiadanam-po no

maka ny toeran’ny fahatezerana, ny fitsiriritana, ary ny saina

tia adiady. Ny hafaliana no misolo toerana ny alahelo, ary ny

endriny mandefa ny taratry ny hazavan’ny lanitra.» (Ilay

Fitiavana Mandresy, p. 173).

“koa mitafia famindram-po sy fiantrana,, fahamoram-panahy,

fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-

boafidin'andriamanitra sady masina no malala..” (kol. 3:12).

“mitarika ny mpandefitra amin'ny marina izy, ary mampianatra

ny mpandefitra ny lalany.” (salamo 25:9)

“fa izao no lazain'ny iray avo sy manerinerina, izay monina

mandrakizay, masina no anarany: ao amin'ny fitoerana avo sy

masina no onenako, ary ao amin'ny torotoro fo sy ny manetry

tena, hamelombelona ny fanahin'ny manetry tena sy

hamelombelona ny fon'ny torotoro fo.” (isaia 57:15).

Ivon’ny fanelanelanana: manohana ara-bola ny

asan’andriamanitra

Miavavaha mba ho voavatsy ara-bola am-pahalalahan-tanana an’ny

asan’andriamanitra manerana izao tontolo izao. Vavaka manokana

ho an’ireto antony manaraka ireto:

Mba havelan’ny mambra ho andriamanitra no hifehy ny ara-

bolany sy ny fananany, ka tsy ho hita eo amin’ny fiainana

ny fieremana.

Mba hitahian’ny tompo be dia be ny mambran’ny fiangonana

amin’ny ara-bola, mba hahafahan’izy ireo manohana be dia

be ny asa.

Mba hanomezan’ny mambra amim-pahatokiana ny ampahafolony

sy ny fanatitra.

Mba ho mpitantana tsara ny mpitarika ny fiangonana ka

hampiasa am-pahendrena ny vola nankinina taminy.

Mba hitondran’ny tompo ny haren’ny mpanota ao amin’ny

trano firaiketany!

Tari-dalana ho an’ny mpitarika

Andro 7

Soso-kevitra ho amin’ny sorona am-panetren-tena – 5 mn

o Ampahatsiahivo ny mpivory ny toro-lalana ankapobe ho an’ny

vavaka iombonana ao amin’ny taridalana ho an’ny vavaka

iombonana (hita ao amin’ny www.revivalandreformation.org).

o Ampidiro ny lohahevitry ny fanetren-tena amin’ny fanaovana

sorona ny tena sy ny vesatra ara-bola ho an’ny

asan’andriamanitra.

o Asaivo mifidy karatra dimy avy ao anaty boaty misy ireo

vavaka fanelanelanana ny tsirairay ho entiny am-bavaka

mandritra ny vavaka fitalahoana. Tandremo mba ho voaveriny

ao anaty boaty ireo karatra rehefa mirava.

Vavaka iombonana

- Vavaka fiderana – 10mn

o Derao ny tompo manome fo manetri-tena antsika, vonona

hanao sorona ny zava-drehetra ho an’i jesosy. Derao ny

tompo noho ireo otrikarena ananany ilaina amin’ny asany.

Soraty eo amin’ny taratasy ny lohahevitra fiderana.

o Derao ny tompo noho ireo malalantsika nania sy ny

fidiran’andriamanitra an-tsehatra eo amin’ny fiainany.

o Asao ny olona hizara ny valim-bavaka azony rehefa midera

an’andriamanitra.

- Vavaka fiaiken-keloka – 10 mn

o Omeo 5-8 mn ny olona handinihany ny fony sy hangatahany

mangina amin’andriamanitra haneho izany, indrindra ireo

avonavona sy ny vola manefitra azy amin’andriamanitra.

o Omeo 3-5 mn ho an’ny fiaiken-keloka ho an’ny fiangonana

noho ireo otan’ny avonavona sy fitiavan-tena.

Vavaka fitalahoana – 25 mn

- Mivavaha mba homen’andriamanitra fo manetri-tena sy

finiavana hanao sorona ny tena ho an’ny hafa ny mambran’ny

fiangonana.

- Mivavaha ho an’ny mpitondra mba tsy hiavonavona amin’ny

toerana misy azy izy ireo, fa mba tena hanetri-tena ka

handre ny feon’andriamanitra ary hanompo ny rahalahiny sy ny

anabaviny.

- Mivavaha / takio ny teny fikasan’andriamanitra sy ny

andalan-teny voasoratra eny amin’ny taratasy misy ny

lohahevitra.

- Atokano hivavahana ho an’ny famatsiana ara-bola ny asa ny

ampahany lehibe amin’ny fotoana.

- Takio ny firotsahan’ny fanahy masina

nampanantenain’andriamanitra.

- Zarao ho vondrona misy olona roa na telo avy ny mpivory mba

hivavaka ho an’ny olona na toe-javatra voasoratra ao amin’ny

karatra kely avy ao anaty boaty. Ampirisiho izy hanohy ny

vavaka ho an’ireny.

Vavaka fisaorana – 10 mn

- Misaora an’andriamanitra nanome ny fanahin’ny fanaovana

sorona, fanetren-tena sy namatsy vola betsaka antsika!

Soso-kevitra hira:

Avia fanahy masina; atolotro anao; sanctuary; mamiko

indrindra; jeso ô avia; jesosy tia, he fantatrao; zanaka

adala; zay tianao; raiso aho, tompo ô.

Andro 8

Fileferana ombam-pankatoavana/fahamatorana ao amin’i Kristy

“Nefa manome fahasoavana bebe kokoa izy. Koa hoy izy:

"andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome

fahasoavana ho an'ny manetry tena" (oha. 3.34]. Ka dia maneke

an andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia

handositra anareo izy. Manatòna an'andriamanitra, dia hanatona

anareo izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy madio

ny fonareo, ry mpiroa saina.” (jakoba 4:6-8).

“dia hoy jesosy tamin'ny mpianany: raha misy olona ta-hanaraka

ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka

hanaraka ahy.” (matio 16:24).

“tsy herisetra ny fahamasinana: fileferana tanteraka amin’ny

sitrapon’andriamanitra izany; fiainana ny teny rehetra avy

amin’ny vavan’andriamanitra; fanaovana ny sitrapon’ny ray any

an-danitra; fahatokisana an’andriamanitra ao amin’ny fizahan-

toetra, na amin’ny maizina na amin’ny mazava; mandeha amin’ny

finoana fa tsy amin’ny fahalalana; fiankinana amin’ny

fahatokiana tsy misy fanontaniana, sy mijanona ao amin’ny

fitiavany.” (vavolombelona mahery, p. 51).

“fantatr’i paoly tsara ny ady mamaivay mahazo ny fanahy

tsirairay eo anoloan’ny mpiasan’ilay ratsy, izay mitady ny

hamitaka sy hamandrika azy mandrakariva, ka dia niasa tsy an-

kijanona izy hanatanjaka sy hampahery ireo zazavao amin’ny

finoana. Nentaniny izy ireo hanolo-tena tanteraka ho

an’andriamanitra; fantany mantsy fa raha tsy manolo-tena feno

izy ireo, dia tsy ho voatosika ny fahotana, hiady ny ho

tompony ny hatenda-kanina sy ny firehetan’ny filàna, ka

hampanjavozavo ny saina ny fakam-panahy. Tsy maintsy atao

tanteraka ny fileferana. Ny fanahy marefo eo am-piadiana, nefa

milefitra tanteraka amin’andriamanitra, dia mifandray

mivantana amin’ny mpiasan’ny lanitra izay hahatonga azy ho

mpandresy. Akaiky azy ny lanitra, manana ny fanampian’ny

anjelin’ny famindram-po isaky ny miatrika fizahan-toetra sy

izay ilainy izy.” (Vavolombelona mahery, p. 298-299).

“ny hanao ny sitraponao, andriamanitra ô, no sitrako; ary ny

lalanao no ato anatiko.” (Salamo 40:8).

“arakaraka ny hanakekezana ny fotoana farany, “ny andro

fahorian’i jakoba,” no hitomboan’ny mambra ao amin’i kristy,

ka hizarany malalaka ny fanahiny. Arakaraka ny hitomboan’ny

hafatry ny anjely faha-telo ho antso avo, ka mizotra ho

amin’ny hery sy voninahitra lehibe ny fikatonan’ny asa, no

hizaràn’ny vahoakan’andriamanitra mahatoky izany voninahitra

izany. Ny ranonorana farany no mamelombelona sy mampahatanjaka

azy ireo handalo ny androm-pahoriana. Hamirapiratry ny

voninahitra mandrakotra ny anjely fahatelo ny tavan’izy ireo.”

(testimonies, vol 1, p. 353).

Ivon’ny fanelanelanana : fahamatorana ao amin’i kristy

Vavaka fitalahoana mba hanampian’andriamanitra sy hahamasaka

antsika ao amin’i kristy amin’ny lafiny rehetra:

Fitiavana tsy misy fepetra ho an’ny hafa sy ireo nania.

Finoana matanjaka, tsy azo hozongozonina an’andriamanitra

sy ny teny fikasany.

Fahatakarana mazava sy mahitsy ny tenin’andriamanitra

Fileferana tanteraka amin’andriamanitra ka hankatoavana

azy amin’ny lafiny rehetra

Fahavononana ho amin’ny ranonorana farany sy ny fotoan-

tsarotra farany.

Fifandraisana manokana amin’i jesosy sy fiainam-bavaka

mandrehitra fitiavana.

Tari-dalana ho an’ny mpitarika

Andro 8

Soso-kevitra ho amin’ny fileferana feno fankatoavana /

fahamatorana ao amin’i Kristy

Fampidirana - 5 mn

- Ampahatsiahivo ny mpivory ny toro-lalana ankapobe ho an’ny

vavaka iombonana ao amin’ny taridalana ho an’ny vavaka

iombonana (hita ao amin’ny www.revivalandreformation.org).

- Ampidiro ny lohahevitry ny fileferana ombam-

pankatoavana/fahamatorana ao amin’i kristy.

- Asaivo mifidy karatra dimy avy ao anaty boaty misy ireo

vavaka fanelanelanana ny tsirairay ho entiny am-bavaka

mandritra ny vavaka fitalahoana. Tandremo mba ho voaveriny

ao anaty boaty ireo karatra rehefa mirava.

Vavaka iombonana

- Vavaka fiderana – 10mn

- Derao ny tompo manampy antsika hilefitra tanteraka sy

hankato azy amin’ny fahafenoana mba hahatrarantsikia ny

fahamatorana ao aminy. Ampiasao ny soratra sy ny andalan-

teny mikasika ny lohahevitra eny amin’ny taratasy lehibe

hitarihana ny fiderana.

- Derao ny tompo noho ireo olon-tiantsika sy ny asany eo

amin’ny fiainan’izy ireo.

- Vavaka fiaiken-keloka – 5 mn

- Omeo 3 mn ny olona mba handinihany ny fony ka hangatahany

amim-pahanginana an’andriamanitra ny zavatra rehetra eo

aminy.

- Omeo 2mn ho an’ny fiaiken-keloka ho an’ny fiangonana noho

ireo fahotana niraisana.

- Vavaka fitalahoana – 30 mn

- Mivavaha mba hanomezan’andriamanitra fo mahay milefitra

ho an’ny mambra.

- Mivavaha ho an’ny fankatoavana tanteraka ny

tenin’andriamanitra ka izany no ho filamatry ny fiainana

ho an’ny mambra tsirairay.

- Mivavaha/takio ny teny fikasana sy ny voalazan’ireo

andalan-teny voasoratra eo amin’ny taratasy mirakitra ny

lohahevitra.

- Atokany ny ankamaroan’ny fotoana ho an’ny advantista ny

andro fahafito hahamatotra azy ireo ao amin’ny finoana

araka ireo lisitra ao amin’ny ivon’ny fitalahoana.

- Takio ny firotsahan’ny fanahy masina araka izay

nampanantenaina ao amin’ny tenin’andriamanitra.

- Zarao ho vondrona misy olona roa na telo avy ny mpivory mba

hivavaka ho an’ny olona na toe-javatra voasoratra ao amin’ny

karatra kely avy ao anaty boaty. Ampirisiho izy hanohy ny

vavaka ho an’ireny.

Vavaka fisaorana – 10 mn

- Misaora an’andriamanitra nanome antsika fileferana ombam-

pankatoavana sy fahamatorana ao amin’ kristy!

Soso-kevitra hira

Avia fanahy masina ô; atolotro anao; mpamonjy be fiantra

(752); nanaiky jeso fa ho mpiandry ahy (591)zay tianao, ry

tompo (443); jesosy tompo, he fantatrao; vonona aho ry

mpamonjy; ry tompo zanaharinay.

Andro 9

Fankasitrahana feno hafaliana/fahasitranan’ny marary

“Midira eo amin'ny vavahadiny amin'ny fisaorana, ary eo an-

kianjany amin'ny fiderana; misaora azy, mankalazà ny anarany!”

(Salamo 100 :4).

“tsy tokony hijanona amin’ny fangatahana sy fandraisana

fotsiny ny fivavahantsika. Tsy mihevitra afa-tsy izay

ilaintsika fa tsy mba misy fiheverana izay tombotsoa

noraisintsika.” (Call to stand apart, p. 28).

“hidera an'i jehovah araka ny fahamarinany aho, ary hankalaza

ny anaran'i jehovah avo indrindra.” (salamo 7 :17).

“hitako fa tsy maintsy ampiakarina sy tazonina avo ambonin’ny

herin’ny maizina ny fahamboniantsika. Mahery dia mahery ny

andriamanitsika. Hitako ny hira fiderana an’andriamanitra

nanosika matetika ny fahavalo, ary ny fiderana an’i jehovah no

nanosika azy sy nanome antsika ny fandresena.” (voice in

speech and song, p. 409).

“Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko, ka mitoloko ato

anatiko? Manantenà an'andriamanitra ianao, fa mbola hidera azy

ihany aho noho ny famonjen'ny tavany.” (salamo 42:5).

“Jehovah ô, sitrano aho, dia ho sitrana; vonjeo aho, dia ho

voavonjy; fa hianao no fiderako.” (jeremia 17 : 14).

“...hiderana an'i jehovah, fa mandrakizay ny famindram-

pony,...” (2 tantara 7:6)

“kanefa masina hianao, ry mipetraka eo ambonin'ny fideran'ny

isiraely” (salamo 22: 3)

“ny fanahin'i jehovah tompo no ato amiko, satria jehovah efa

nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny mpandefitra,

efa naniraka ahy hahasitrana* ny torotoro fo izy, ary hitory

fanafahana amin'ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho

amin'ny mazava, [heb. Hamehy] hitory taona ankasitrahan'i

jehovah sy andro famalian'andriamanitsika, hampionona ny

malahelo rehetra, hanolotra ho an'ny malahelo ao ziona, eny,

hanome azy namama ho solon'ny lavenona, sy diloilo fifaliana

ho solon'ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon'ny

fanahy reradreraka, mba hanaovana azy hoe hazon'ny

fahamarinana, nambolen'i jehovah ho fampisehoam-boninahitra.

Koa hatsangana ny efa rava hatry ny fony fahagola, ary

hamboarina ny efa lao hatramin'ny fahiny, dia hohavaozina

indray ny tanàna rava, izay efa lao hatramin'ny taranaka lasa

ela. ” (isaia 61:1-4).

Ivon’ny fanelanelanana : manasitrana ny marary

Mivavaha mba homem-boninahitra andriamanitra noho ireto

manaraka ireto:

Aretina ara-batana. - aretina ara-panahy

Ratra am-po - aretin-tsaina

Tari-dalana ho an’ny mpitarika

Andro 9

Soso-kevitra ho amin’ny fankasitrahana feno hafaliana/

fanasitranana ny marary

Fampidirana - 5 mn

- Ampidiro ny lohahevitra momba ny fankasitrahana feno

hafaliana sy ny vavaka ho an’ny marary

- Ampahatsiahivo ny toro-lalana ho an’ny vavaka iombonana.

- Raha hanosotra diloilo ny marary mandritra ny fotoana

fitalahoana, dia lazao dieny izao. Jereo ny antontan-

kevitra mitondra ny lohateny hoe «tari-dalana ho an’ny

olona maniry fanosorana diloilo» ao amin’ny

www.revivalandreformation.org ao amin’ny sokajy tahiry ho

an’ny vavaka raha mila fanampiana ianao ny amin’ny fomba

fanaovana azy ho an’ny vondrona lehibebe.

- Zarao ny karatra fanelanelanana mba ho ampiasain’ny

tsirairay mandritra ny fotoana fitalahoana.

Vavaka iombonana

Vavaka fiderana – 15mn

- Derao ao amin’ny fiombonana andriamanitra noho ny maha-

izy azy. Ampiasao ny salamo ho fanosika

- Derao ny tompo noho ny toetrany voasehon’ireto anarana

hebreo ireto:

o Adonai-jehovah – jehovah, mpanjakantsika

o Jehovah-tsidkenu – jehovah, fahamarinantsika

o El-elyon – jehovah, avo indrindra

o Jehovah-mekaddishkem – jehovah, mpisoranabentsika

o El-olam – jehovah mandrakizay

o El-shaddai – jehovah, ilay andrimanitra mpiahy izay

ilaintsika

o Jehovah-sabaoth – jehovah, tompon’ny maro

o Jehovah-shammah – jehovah, ilay ankehitriny

o Jehovah-elohim – jehovah, mpamorona

o Jehovah-rohi – jehovah, mpiandry antsika

o Jehovah-jireh – jehovah, mpamelona antsika

o Jehovah-hoseenu – jehovah, mpanao antsika

o Jehovah-nissi – jehovah, fanevantsika

o Jehovah-eloheenu – jehovah, andriamanitsika

o Jehovah-ropheka – jehovah, mpanasitrana antsika

o Jehovah-shalom – jehovah, fiadanantsika

- Fiaiken-keloka – 5 mn

o Ekeo ny tsy fahampian’ny fiderana sy fankasitrahana

ataontsika

o Omeo 2-3 mn ny tsirairay hangatahany

amin’andriamanitra haneho aminy fa ny tsy

fahampian’ny fiderana sy fankasitrahana no nanapaka

ny fifandraisany taminy.

Vavaka fitalahoana – 10 mn

- Mivavaha mba hanomezan’andriamanitra antsika ny

fanahin’ny fiderana sy fankasitrahana. Mangataha manokana

mba ho tonga ao anatin’ny rantsika ny fiderana sy

fankasitrahana amin’ny maha fiangonana antsika.

- Makà fotoana hivavahana ho an’ny mambra ny fiangonana

marary. Azo atao ny manana ny pasitera sy ny loholona

hanosotra diloilo ny marary araka izay voasoratra ao

amin’ny jakoba 5 :14, 15.

- Takio ny fandresena izay efa natokan’andriamnitra amin’ny

fiderantsika azy

Vavaka fisaorana – 25 mn

- Misaora an’andriamanitra noho izay nataony sy ny fomba

hampianarany antsika hidera azy

- Misaora an’andriamanitra noho ireo valim-bavaka be dia be

nataony

- Omeo taratasy sy pensily ny mpivory hanoratany ny

fitahiana tsirairay tadidiny mandritra ny 5 mn. Asaivo

zarainy ireny fitahiana ireny mandritra ny vavaka

fiderana.

Sosokevitra hira

(Ataovy be dia be ny hira anio hariva!) ‘zaho te ho tia anao

jeso; masina indrindra; eo aminao ry mpamonjy malala, mamiko

loatra; ny hasoavanao; ry tompo ô maphary ny rehetra; avia ry

vazan-tany ô; voninahitra anie; masina indrindra; saotra

atolotro anao re ry raiko; zanahary lehibe; toy ny diera

maniry rano, avia fanahy masina; atolotro anao; midera ny

ananrao; tsaroanay tokoa izao; deraiko ny anaranao; jesosy

tia; vonona aho re ry tompo; ry tompo zanaharinay.

ANDRO FAHA 10

VAVOLOMBELONA MAFANA FO/ iraka ho any amin’izao tontolo izao

“Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy hoe: ‘Efa nomena Ahy ny

fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany; koa mandehana

ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao

batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy

Masina sady mampianatra azy izay rehetra nandidiako anareo;

ary indro izaho momba anareo mandrakariva ambarapaha-tongan’ny

fahataperan’izao tontolo izao’” (Matio 28:18-20).

“Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Tsy azo afenina ny

tanàna miorina eny an-tampon-tendrombohitra. Ary koa, tsy misy

olona mametraka jiro ka manao azy ao ambanin’ny vata famarana

fa apetrany eo amin’ny fanaovan-jiro ka dia mazava amin’izay

rehetra ao an-trano izany. Aoka hazava eo imason’ny olona toy

izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo

ka hankalazany ny asa soa ataonareo, ka hankalazany ny

Rainareo izay any an-danitra” (Matio 5:14-16).

“hihetsika amin’ny alalan’ireo olona heverina fa tsy manana

toerana ambony Andriamanitra hoentiny manambara ny hafatry nyf

fahamarinana ankehitriny. Maro no hiolomay avy etsy sy eroa,

hoteren’ny Fanahy Masina mba hanome hazavana ho an’ireo izay

mbola ao anatin’ny haizina. Toy ny afo ao anatin’ny

taaolan’izy ireo ny fahamarinana, hameno faniriana miredareda

ao anatiny ka hahatonga azy haniry hitondra fanazavana ho

an’ireo izay mbola mitoetra ao amin’ny maizina. Maro ireo tsy

nahita fianarana akory aza no hanambara ny tenin’ny Tompo.

Handre ny antson’ny Fanahy Masina ny ankizy ka handeha history

ny hafatry ny lanitra. Harotsaka ho an’ireo izay mandray ny

bitsika avy aminy ny Fanahy Masina. Hamaha ireo fatoran’n

lalàna sy ny fihetsika mila fitandremana apetraky ny

olombelona izy ireo ka hirotsaka ho anisan’ny tafiky ny

Tompo” (Testimonies, Vol. 7, pp. 26, 27).

“Ireo izay mandray vatsim-pahasoavana vaovao mandrakariva

ihany no hanana ny hery ilaina isan’andro sy hahafantatra ny

fomba tokony hampiasana izany hery izany. Tsy miandry ny

fotoana ho avy izay hiandrandrana fotoana manokana hahazoana

hery ara-panahy miavaka izy ireo mba hahazoana fomba mahagaga

hambaboana fanahy. Mifanohitra amin’izany dia manolo-tena

izan’andro ho an’Andriamanitra izy ireo, ka mangataka mba ho

tonga fiasana mahomby ho azony ampiasaina. Manatsara

isan’andro ny fomba ahafahany manompo izy ireo, dia fomba izay

mifandray amin’ny tanjon’izany asa fanompoany izany. Mijoro ho

vavolombelon’ny Tompony eny amin’izay rehetra misy azy izy

ireo, na eo am-panaovana ireo asam-panetren-tena ao an-trano

izany, na eny amin’ny sahan’asa imasom-bahoaka” (Acts of the

Apostles, p. 55).

“Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana fa amin’ny fanahiko hoy

Jehovah Tompon’ny maro” (Zakaria 4:6).

Vavaka fanelanelanana: Iraka maneran-tany

• mivavaha ho an’ireo misisonera rehetra, sy ireo mpampiely ny

baiboly, ny pasitora sy ny mambra laika rehetra izay mitory

maneran-tany ny hafatry ny anjely telo.

• mivavaha mba hiparitaka haingana any amin’ny faritry ny

varavaran-kely 10/40 sy ireo toerana hafa mbola tsy nidiran’ny

hafatra ny filazan-tsara.

• mitalahoa mba hesorina ireo sakana ka ho azo toriana amin’ny

firenena mbola mikatona amin’izany ny filazan-tsara.

• mivavaha mba hijoro ho vavolombelona manana firehetam-po

maneho ny finoany ny mambran’ny fiangonana tsirairay avy.

• mangataha amin’Andriamanitra ny amin’ireo olona

tian’Andriamanitra ho baboinao sy hotarihinao eo Aminy

amin’ity taona ity..

• mivavaha mba hitondra fahombiazana ireo ezaka fitoriana ny

filazan-tsara ataon’ny fiangonana misy anao.

Tari-dalana ho an’ny mpitarika

Soso-kevitra ho an’ny drafitra hitondrana ny fanelanelana ho

amin’ny fanelanelanana mafana / Firotsahan’ny Fanahy Masina

. Fampidirana – 5 mn :

• Ampidiro anaty vavaka ny lohahevitra mikasika ny

vavolombelona manana firehetam-po sy ny iraka

ampanaovina azy eto amin’izao tontolo izao.

• ampahatsiahivo ny tari-dalana ankapobeny mikasika ny

vavaka iombonana.

• Asaivo mifidy karatra dimy avy ao anaty boaty misy

ireo vavaka fanelanelanana ny tsirairay ho entiny

am-bavaka mandritra ny vavaka fitalahoana. Tandremo

mba ho voaveriny ao anaty boaty ireo karatra rehefa

mirava.

Vavaka iombonana

• vavaka fisaorana:

• miderà an’i Jehovah noho ny firehetam-po sy

fitiavana izay namonjeny ny olona rehetra eto an-

tany.

• miaraha midera an’I Jehovah noho ny maha-Izy Azy.

Ampiasao ny salamo rehefa manao ny fiderana ianareo.

• misaora an’Andriamanitra noho ny fipariahan’ny

Filazan-tsara eto amin’izao tontolo izao sy ny

firoboroboan’ny fiangonana Advantista Mitanddrina ny

Andro Fahafito.

• amporisiho ny olona hizara ny valim-bavaka azon’izy

ireo mandritra ny fotoanan’ny vavaka fisaorana.

• vavaka fiaiken-keloka - 5 Minitra:

• Mibebaha noho ny tsy fahampian’ny fitiavantsika ny

olom-bery sy noho ny tahotra ny hijoro vavolombelona

ao amintsika.

• omeo 3-4 miitra hanaovany vavaka fiaiken-keloka

manokana ny olona sy hialany amin’ny fo vato ananany

mikasika ny olom-bery.

• vavaka fitalahoana - 30 minitra:

• Mivavaha mba homen’Andriamanitra firehetam-po hizara

ny fitiavan’Andriamanitra sy hijoro vavolombelon’ny

finoany ny mambran’ny fiangonana Advantista

tsirairay.

• Mitalahoa ny firotsahan’ny Fanahy Masina mba

hitondra fifohazana sy fanavaozana eo amiin’ny

fiainantsika sy hanome antsika fijery vaovao

mikasika ny andraikitsika eo amin’ny fijoroana ho

vavolombelona manoloana izao tontolo izao.

• Manaova vavaka fanelanelanana ho an’ny olom-bery eo

amin’ny faraha-monina misy anao sy manerana izao

tontolo izao amin’ny alalan’ny fampiasana ny

taratasy misy antom-mbavaka na ny vavaka

fanelanelanana. Mety hibahana bebe kokoa ny fotoana

ity fandaharana iray ity.

• Omeo 2-3 minitra ny mpino hanaovany vavaka mangina

mba hahafantarany izay tian’Andriamanitra

hotanterahiny sy hitadiavany ny fitarihana avy Aminy

mandritra ity taona 2012 ity. Asao ny mpivory mba

hizara hanonona ny anaran’ireo olona izay

napetrak’Andriamanitra tao am-pony mandritra ny

vavaka atao..

• Zarazarao ho vondrona kely maromaro ny olona ary

asaovy mampiasa ny karatra misy ny vavaka

fanelanelanana ny vondron’olona tsirairay avy.

• Vavaka fiderana - 10 Minitra:

• Misaora an’Andriamanitra noho ny nanomezany antsika

ny faniriana hizara Azy amin’ny hafa sy ny

firehetam-po te-hijoro ho vavolombelony ao

anatintsika.

• Asio fotoana hiderana an’Andriamanitra noho ireo

valim-mavaka maro nomeny sym bola homeny koa.

Soso-kevitra mikasika ny hira:

Oh andrandrao re ny maso (481); Fa toy izao no

nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao; Jeso avia;; feon’i

Kristy no miantso (FFA 376).