ilay trondro mahayny voay manana fahalefena f - a ampifandraiso izay mifanaraka amin’ny biby...

38
ILAY TRONDRO MAHAY Tantara iray sy kilalao maromaro

Upload: others

Post on 11-Mar-2020

5 views

Category:

Documents


0 download

TRANSCRIPT

Page 1: ILAY TRONDRO MAHAYNy voay manana fahalefena F - a Ampifandraiso izay mifanaraka amin’ny biby tsirairay F na 15 Ny manao jono mihoa-pampana dia midika ho manjono ireo izay mitovy

ILAY TRONDRO MAHAY

Tantara iray sy kilalao maromaro

Page 2: ILAY TRONDRO MAHAYNy voay manana fahalefena F - a Ampifandraiso izay mifanaraka amin’ny biby tsirairay F na 15 Ny manao jono mihoa-pampana dia midika ho manjono ireo izay mitovy

Concept et scénario : Nelly Ardill

Recherche et réalisation : Maya de Salle-Essoo

Illustrations : Pierre Rajaonarison

Graphique : Shirley Chan

Supervision technique : Clotilde Bodiguel et Florence Wallemacq

Contact : Florence Wallemacq, chargée de coordination, [email protected]

Page 3: ILAY TRONDRO MAHAYNy voay manana fahalefena F - a Ampifandraiso izay mifanaraka amin’ny biby tsirairay F na 15 Ny manao jono mihoa-pampana dia midika ho manjono ireo izay mitovy

Ry naman’ny tontolo manodidina ny ranomasina,

Ireo ranomasina sy ranomasimbe izay manodidina antsika, ary ireo zavamananaina mivelona sy mitombo ao amin’izy ireo dia harena ilaintsika harovana. Mitondra voka-tsoa ho antsika ny fanaovantsika izany. Ny fianakavintsika sy ny namantsika sy ireo taranaka mifandimby dia samy miankina amin’io tontolo manodidina ny ranomasina io daholo.

Manasa anao ary ity boky ity hahafantatra sy hilalao amin’io tontolo izay tsy dia fantatsika io ary mba hahitana fomba hiarovana azy io isan’andro.

Manantena aho fa nahafinaritra anao ny niaraka tamin’i Lotta sy i Armande sy i Sam sy i Liv ary ny mpampianatra Arctik. Maniry aho mba hitohy hankafy io tontolo manodidina ny ranomasi-na io ianao amin’ny alalan’ity boky ity.

Andao isika hihaona tsy ho ela ao anaty na eny ambony ranomasina, eny amin’ny morontsira-ka na amoron-dranomasina mba hahafahatsika miahy ity planetantsika ity.

Clotilde BodiguelTale ao amin’ny tetikasan’ny FAOFandaharanasa SmartFish

Page 4: ILAY TRONDRO MAHAYNy voay manana fahalefena F - a Ampifandraiso izay mifanaraka amin’ny biby tsirairay F na 15 Ny manao jono mihoa-pampana dia midika ho manjono ireo izay mitovy

Ahoana ny fomba fampiasana ity toro lalana ity ? Raha misy tsy azonao ireo teny ireo dia aza misalasala manontany ny Ray aman-dreny, ny rahalahy sy anabavinao na koa amin’ireo mpanjono.

Hazavaiko aminao…

Voambolana

Karazan-java-manan’aina Ireo rehetra miaina ambonin’ny tany : Biby, zava-maniry, olombelona, sns ...

Fifandrohizana ara-tsakafo Biby iray mihinana biby hafa, dia io indray mihinana biby hafa,dia io koa mihinana hafa ; Ka ny lomotra dia hohanin’ny trondrokely, ny trondrokely hohanin’ny lehibe noho izy, farany ny olombelona mihinana ny trondro lehibe. Fifandrohizana toy izany no lasa fiveloman’ireo manan’aina ireo.

Fanimbana ala Simbaina ny ala, tapahina avokoa ny ala, anisan’izany ireo ala miaina anaty rano toy ny ala honko.

Rohim-piaina Io no iantsoana ny zava-manan’aina rehetra , ny fifandraisana misy eo aminy sy amin’ny toerana misy azy tsirairay avy.

Fampandrosoana maharitra Tokony hiaro ny tany, ny ranomasina sy izay zava-manan’aina rehetra eo aminy ny asa rehetra ataon’ny zanak’Olomberlona mba hiaina haharitra izy ireo ka hitondra fampandrosoana maharitra.

Fahalanian’ny tany Fahasimban’ny tany ka lasan’ny rano sy rivotra.

Fandotoana Fandotoana sy famenoana fako sy loto simika na rano maloto mety hankarary amin’ny toerana iray.

Vato hara Karazana fefy vato natoraly izay miaro ny faritra marivorivo sy amoron-dranomasina amin’ny onjan-drano mahery mety hanimba ny fiainana amorontsiraka.

Jono mihoa-pampana Jono be loatra eo amin’ny toerana tokana sy trondro karazana iray ihany tsy ankiato.

Page 5: ILAY TRONDRO MAHAYNy voay manana fahalefena F - a Ampifandraiso izay mifanaraka amin’ny biby tsirairay F na 15 Ny manao jono mihoa-pampana dia midika ho manjono ireo izay mitovy

5

Tezitra ny ranomasina: ho ringana ny karazan-java-manan’aina. voaloto ny morontsiraka, tapatapaka ny ala honko.Simba tanteraka ny vatohara, miseho ny riaka mainty, sempotra ny trondro ka noana. Tandindomin-doza ny karazan-java-manan’aina.

Ho ringana ny karazan-java-manan’aina, tandindomin-doza ihany

koa ianao satria isika koa dia zava-manan’aina. Misy rohivoaary samihafa ao anaty

ranomasina sy morontsiraka ao izay iveloman’ny karazan-java-

manan’aina maro koa. (ny ala honko , ny riakasia) , ny ranomasina, ny faritra mando.

Page 6: ILAY TRONDRO MAHAYNy voay manana fahalefena F - a Ampifandraiso izay mifanaraka amin’ny biby tsirairay F na 15 Ny manao jono mihoa-pampana dia midika ho manjono ireo izay mitovy

6

Ilay baolina Fakir

Fitaovana : baolina 02 hovokisana, hazokely maranitra 01, (toy ny fanaovana masikita na fanalàna tai-nify), savony fanasan-dovia na menaka.Abontsino ireo baolina ireo ary afatory tsara. Tsindromy amin’ny hazo kely maranitra ny baolina iray: Dia vaky. Arotsahy anaty ranon-tsavony indray ilay hazokely maranitra ary atsindromy sady ataovy mihodina moramora eo amin’ny faritra matevina amin’ilay baolina iray. Tsy ho vaky ilay baolina.Satria natsindronao teo amin’ny faritra malemy kokoa ilay hazokely maranitra no nanampy azy tsy ho tataka ilay ranon-tsavony. Mivoaka ihany ny rivotra saingy tsikelikely.

Fenoy ny sary mba

ahitàna ny biby ao

anatiny ary omeo ny

anarany.

Fanamarihana

• Lokoy mena ireo izay atahorana na masiaka.• Lokoy ireo fiadiana ampiasainy ho fiarovana.• Iza amin’ireo biby ireo no misy nify? Ary iza amin’ireo biby ireo no tsy misy nify?

Raha tezitra ny tany, inona no itarainany? Inona koa no hataony ? Asehoy an-tsary amina taratasy fotsy ao amin’ny kariné-nao ny tany tezitra.

Mba hiarovany tena, ny sokatra dia manitrika ny lohany sy ny tongony ao anatiny. Ny fano kosa tsy mba mahavita izany. Fantatrao hoe nahoana?

Hainao ve

Fampiharam-

pandinihana

6

Page 7: ILAY TRONDRO MAHAYNy voay manana fahalefena F - a Ampifandraiso izay mifanaraka amin’ny biby tsirairay F na 15 Ny manao jono mihoa-pampana dia midika ho manjono ireo izay mitovy

7

Vonjeo !Raha rava ireo rohivoaary sy karazan-java-manan’aina ireo dia ho rava daholo koa ny fifandrohizana ara-tsakafo.

Fa iza no nandratra ny ranomasina?

Vonjeo e! !

Ah Jereo !

Maty e !

Toa matahotra ry zareo izay!

Mifamono sy mifampihinana avokoa ireo biby anaty rano, izany hoe miankina amin’izany ny fahitany sakafo ka hiveloman’ny biby tsirairay avy. Ka ny fifandraisan’ny ngeza mpihinana sy izay kely hohanina rehetra no antsoina hoe : Fifandrohizana ara-tsakafo. Raha tapaka ireo fifandraisana ireo dia miantraika tanteraka any amin’ny rohivoaaryan-dranomasina sy morontsiraka izany.

Page 8: ILAY TRONDRO MAHAYNy voay manana fahalefena F - a Ampifandraiso izay mifanaraka amin’ny biby tsirairay F na 15 Ny manao jono mihoa-pampana dia midika ho manjono ireo izay mitovy

88

Inona no hiseho raha tsy misy intsony ny trondro kely ?

8

5 – 7 – 10 – 14 - …Tandremo, fa misy vahaolana roa ho an’ilay faharoa.

Fenoy araka ny lôjikaIlay voninkazo mpitsentsitra Fitaovana : Voninkazo fotsy 2, vera misy rano 2, loko (ranomainty, bleu fanasan-damba, merkiora, sns.)

Asio rano ny vera iray misy voninkazo fotsy. Ataovy toy izany koa ny vera iray faharoa fa androtsahy loko. Andraso ora vitsivitsy dia hamarino. Inona no miseho? Miova loko ny voninkazo tamin’ny vera faharoa!

Toy izany koa ny lomotra , mitsentsitra ny zavatra nataonao tao anaty rano ilay voninkazo. Ka raha mitsentsitra singa simika any anaty rano ary ny lomotra, lasa mahafaty izy ka manapoizina izay rehetra mihinana azy, ary manapotika ny fifandrohizana ara-tsakafo.

Hainao ve

Ekô-lôjika

Alamino amin’ny alalan’ny

tsipika ireo karazana

zava-manan’aina ireo

mba ahazoana

fifandrohizana

ara-tsakafo.

Fanamarihana

Fampiharam-

pandinihana

Page 9: ILAY TRONDRO MAHAYNy voay manana fahalefena F - a Ampifandraiso izay mifanaraka amin’ny biby tsirairay F na 15 Ny manao jono mihoa-pampana dia midika ho manjono ireo izay mitovy

Ireto etona mahafaty, loza ho an’ny toetr’andro

9

An’iza ny hadisoana ? Mandritra izany fotoana izany mifampiresaka ny biby an-dranomasina sy an-tanety. Inona no resahiny?

Tandindomin-doza amin’ny ataon’ny olombelona ny rohivoaary andranomasina sy morontsiraka

be loatra ireo fanafodim-biby, voapoizina ny

rononoko!

Oh ! ireto fotaka fandroako lasa

hôtely !

Tsy misy ho ahy intsony noho ny

afitsok’ireto sambo mpanjono.

Harona plastika sa hola-drano?

Riaka mainty, mamonjy aina

daholo!

Andeha hampandre ny

sasany aho

Aie! maharary ahy ny fakako ,

fahalanian’ny tany izany!

Ireto atodiko anaty fako, tsy mety kosa e !

Tsy misy hazo intsony, dia aiza

aho no hanatody ?Tsy haharitra ela akory io! Tsy maintsy

hanazava ny mpanjakan’izao tontolo

izao !

Tsy misy ahitra intsony, matin’ny

fotaka avokoa!

Vaky daholo ny akorandriaka, aiza

no hialofako?Ireto etona mahafaty, loza ho an’ny toetr’andro.

Asa an-tsokosoko, arahiko maso ireo

jiolahy ireo Aleo ho an’ny devoly ireo milim-

pahafatesana ireo

Page 10: ILAY TRONDRO MAHAYNy voay manana fahalefena F - a Ampifandraiso izay mifanaraka amin’ny biby tsirairay F na 15 Ny manao jono mihoa-pampana dia midika ho manjono ireo izay mitovy

1010

Fandotoana rano fandotoana an-dranomasina Orinasa mpandotoFanimbana ala

Fantatrao ve ny anaran’ny biby rehetra eto amin’ny sary? Misy ny vahiny izay tsy tokony hipetraka amin’ny faritra. Iza? Voasoritra ny teny sasantsasany, milaza inona aminao izany?

Efa nahita zava-mahatalanjona tahaka izao tany aminao ve

ianao ?

Ekô-lôjika

Ahoana no hampifandraisana ireo trondro ireo amin’ny tsipika telo fotsiny?

ILAY TRONDRO MADITY

Fitaovana : Ravin-taratasy.Mandraisa ravin-taratasy iray, tano any ambony lohanao. Avelao avy eo ary asaivo raisin’ny namanao. Ho hitanao fa tsy misy hafa- tsy ianao no hahasambotra an’io trondro io.

Mahagaga

Mariho eo amin’ny sary ny

loharanom-pahasimban’ny

rohivoaary an-dranomasina

sy morontsiraka dia

apetraho amin’ny

toerany tsara ireto

soratra ireto

Fanamarihana

Page 11: ILAY TRONDRO MAHAYNy voay manana fahalefena F - a Ampifandraiso izay mifanaraka amin’ny biby tsirairay F na 15 Ny manao jono mihoa-pampana dia midika ho manjono ireo izay mitovy

11

Ny karazan-java-manan’aina sy ny rohivoaariny dia hopotehin’ny fandotoana an-dranomasina (degazage, marées noires) sy ny

jono mandripaka (jono tsy ara-dalàna, sambo mandripaka, jono amin’ny fanapoahana vanja na dinamita.)

Fivoriana an-tampon’ireo Ngeza maneran-tany. Nandeha nitady ireo Ngeza maneran-tany ireto ankizy mba hitadiavany fanampiana. Ireo Ngeza maneran-tany anefa tsy manana vahaolana mahasoa. Ny tena marina dia lehiben’ny fanimbàna aza izy ireo.

Tsy ilàna nimerao, afaka manao izay tiako atao

aho, manjono izay tiako ho jonoina

AAH ! Jereo ity iray manary ny loto rehetra ao aminy ! Loza izany!

FANDIKANA LALÀNA

Mandoto sy manjono tsy ara-drariny ny jiolahin-dranomasina.

Page 12: ILAY TRONDRO MAHAYNy voay manana fahalefena F - a Ampifandraiso izay mifanaraka amin’ny biby tsirairay F na 15 Ny manao jono mihoa-pampana dia midika ho manjono ireo izay mitovy

12

Ilay taratasy mety miitatra Ahoana no ahafahan’ ny loha miditra eo anelanelan’ny taratasin’ny karinenao? Fitaovana: Taratasy 1, fihety 1. Alaivo ny taratasy fotsy iray, alefero roa, avy eo efatra. Tapaho amina fihety ilay taratasy manaraka ny fileferany miala 2sm amin’ny sisiny. Tapaho ho didy 4 mielanelana eo amin’ny lafy ngeza indrindra miala 2sm amin’ny sisiny. Avadiho ilay taratasy dia manaova didy 5 amin’ny lafy hafa iray, miala 2sm amin’ny sisiny ihany koa. Velaro ilay taratasy voadidy, fa afaka hitsofoka ao ianao!

Manjono amina fitaovana manimba ny fanambanin-dranomasina, manjono amina fanapoahana vanja na dinamita mamotika ny vatohara, manjono tsy misy alalana, mampiasa solika ao anaty ranomasina, izany no antsoina hoe : Fomba fanjonoana ratsy. Milazà fomba ratsy hafa fantatrao amin’ny fiainana andavan’andro.

12

FITADIAVANA IREO FAKO

Jereo ny sary ary farito

ireo zavatra mety

mandoto ny

riakasia.

Fanamarihana

Fampiharam-

pandinihana

Page 13: ILAY TRONDRO MAHAYNy voay manana fahalefena F - a Ampifandraiso izay mifanaraka amin’ny biby tsirairay F na 15 Ny manao jono mihoa-pampana dia midika ho manjono ireo izay mitovy

13

Fivoriana an-tampon’ireo Ngeza maneran-tany. Ny Ngeza maneran-tany OGM, Ö Zanahary! , poteho ireo vatohara sy ny riakasia amin’ny alalan’ny poizina mahafaty!

Sarobidy ho an’ny olombelona ny riakasia, toy ireo zavaboaary an-dranomasina koa. Ny vatohara sy ny ala honko dia natao ho fialofan’ny ankamaroan’ireo ho vonjy aina. Miaro antsika amin’ny loza voajanahary koa ny vatohara. Ilaina

ny fiarovana azy.

Poizina, Poiiizina,

Poiiizzziiiinnaaaaa! Ssst! Tsiambaratelo!

Ialao fa ho faty eto daholo isika!

Ity adala antitra ity manimba vatohara sady mamboly lomotra poizina mba

ahazoany trondro haingana.!

Page 14: ILAY TRONDRO MAHAYNy voay manana fahalefena F - a Ampifandraiso izay mifanaraka amin’ny biby tsirairay F na 15 Ny manao jono mihoa-pampana dia midika ho manjono ireo izay mitovy

14

Ilay vera mpitsentsitra Zavatra ilaina : rano 1vera sy taratasy iray.

Fenoy rano hatreo am-bavany ny vera. Apetraho eo amboniny ilay taratasy. Apetraho eo ny tananao dia avadiho haingana ilay vera. Esory moramora ny tananao avy eo. Oaoo!. Mipetaka tsara ny taratasy ary tsy ho very ny rano.

mandoto ny riakasia ireny zezi-bazaha sy fanafody izay ampiasaina ao amin’ny tanim-boly ireny. Mitovy amin’izany koa ny rano maloto avy amin’ireny hotely sy orinasa ireny. Ahoana no mahatonga izany?

Ekô-lôjika

Ampio io sokatra manatody eo amin’ny morontsiraka io mba hahita lalana ho any

anaty ranomasina.

Ny trozona manana nify 3 laharana

Ny atsantsa manana vombony

Ny vatohara manana kirany

Ny trondro ahitana bibikely

Ny voay manana fahalefena

14

Fampiharam-

pandinihana

Ampifandraiso izay

mifanaraka amin’ny

biby tsirairay

Fanamarihana

Page 15: ILAY TRONDRO MAHAYNy voay manana fahalefena F - a Ampifandraiso izay mifanaraka amin’ny biby tsirairay F na 15 Ny manao jono mihoa-pampana dia midika ho manjono ireo izay mitovy

15

Ny manao jono mihoa-pampana dia midika ho manjono ireo izay mitovy karazana ka tsy afaka hampitombo taranaka. Tsy tokony

hanjononjono foana, na oviana na oviana na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana.

Fivoriana an-tampon’ireo Ngeza manerantany. Manadihady an’i Sindrome ny mpampianatra Agogo, ilay lalin-tsaina amin’ny jiro mahagaga, mba ho harena tsy ritra ny loharano hanjonoany.

Izaho mitaky orinasa betsaka, vola be, ary loharanom-bola tsy manam-pahataperana mitosaka! Andao hanjono! Andao hanjono!

Tsy marina! Tsy rakitra harena tsy lany ny ranomasina. Raha

hojonoina avokoa ny rehetra ao, inona no

hohanintsika rahampitso?

Eny tompoko, ho tanteraka anie ny

fanirianao, ho rakitra harena tsy misy farany

ny ranomasina!

Page 16: ILAY TRONDRO MAHAYNy voay manana fahalefena F - a Ampifandraiso izay mifanaraka amin’ny biby tsirairay F na 15 Ny manao jono mihoa-pampana dia midika ho manjono ireo izay mitovy

1616

Efa mihavitsy izao ny loharanon-javatra ao an-dranomasina nefa mihamitombo kosa ny olona ho velominy.Raha manjono be loatra trondro mitovy karazana amina toerana iray isika, atahorana ho fongotra tanteraka io karazana io. Fa nahoana, araka ny hevitrao?

Aty amin’ny ranomasin’i Madagasikara no anjonoana ny Makamba. Diovina, voasana sy karakaraina ary ampangatsiahina any Tanzania izy avy eo dia alefa any Londra ho hamarinina sady ho fonosina anaty boaty kely fitahirizana alohan’ny handefasana azy amidy any Maorisy. Raha jerena ny elanelan-tany voalaza, kajio firy kilaometatra no vitan’ireo makamba ireo alohan’ny ahatongavany amin’ny magazay akaikin’ny namanao ao amin’ny Nosy Maorisy?

Madagasikara > Maorisy : 1058 km

Madagasikara > Tanzania : 2110 km

Tanzania > Londra : 7198 km

Tanzania > Maorisy : 2956 km

Londra > Maorisy : 9954 km

Londra > Madagasikara : 9291 km

Adin-tsaina : Ampahamarinana ve ?

ALAOLANA MORA : Raha hanondrana Sardine , dia Sardine 4 no ao anaty boaty kely iray. Ka raha manana Sardine 2 000 ianao, firy ny boaty kely ilainao?25 boaty kely no sahaza ny baoritra iray. Mila baoritra firy izany mba hanondranana io Sardine 2.000 io?ALAOLANA SAROTSAROTRA : Raha asiana 2.000 baoritra ao anaty Kontenera iray, Sardine firy no hojonoina mba hamenoana io Kontenera io ?

Alaolana

Page 17: ILAY TRONDRO MAHAYNy voay manana fahalefena F - a Ampifandraiso izay mifanaraka amin’ny biby tsirairay F na 15 Ny manao jono mihoa-pampana dia midika ho manjono ireo izay mitovy

17

Fampiharam-

pandinihana

Ampifanaraho ny sary.

Page 18: ILAY TRONDRO MAHAYNy voay manana fahalefena F - a Ampifandraiso izay mifanaraka amin’ny biby tsirairay F na 15 Ny manao jono mihoa-pampana dia midika ho manjono ireo izay mitovy

1818

Lokoy ity sary ity

mba ahitàna foza,

horita, trondro

ary ny kintan-

dranomasina

Fandokoana

Page 19: ILAY TRONDRO MAHAYNy voay manana fahalefena F - a Ampifandraiso izay mifanaraka amin’ny biby tsirairay F na 15 Ny manao jono mihoa-pampana dia midika ho manjono ireo izay mitovy

19

Mijaly ny tany sy ny ranomasina; mihavits ny loharanombokatra ary voatery mitombo ny filàna fitaovana ampiasain’ireo

mpanjono ka tsy maintsy mifanampy sy mitandrina mafy mba hiarovana ireny toerana natoraly ireny, manao jono ara-dalàna mba ho

fampihenana ny fandaniampoana.

Loza: Inona no hatao mba hamonjena ny

ranomasina ? Mba hamonjena ny ranomasina, nanapa-kevitra hanao hetsika miaraka ny ankizy maro mba hitadiavana vahaolana.

Vahaolana? Mandreraka?

Tsia, hanao saribe isika hanehoana fitondran-tena! Ahoana raha handeha

hijery tranonkalam-pifandraisana?

TsindrioSmartFish !

Jereo ato amin’ny Trondromahay, tena hevitra tsara an!

Jereo ato amin’ny Trondromahay, tena hevitra tsara an!

Page 20: ILAY TRONDRO MAHAYNy voay manana fahalefena F - a Ampifandraiso izay mifanaraka amin’ny biby tsirairay F na 15 Ny manao jono mihoa-pampana dia midika ho manjono ireo izay mitovy

2020

Ny fandaniampoana, dia toy ny fanadinoana manakatona fantson-drano, manapika jiro, fampiasàna fonosana plastika tsy misy ilàna azy.Araka ny hevitrao , ny famelàna ny trondro ho simban’ny hain’andro, ny fanapahana ny vombon’ny antsantsa dia avela mandeha anaty ranomasina, ny fanariana ireo trondro tsy ilaina an-dranomasina, ny tsy fampiasàna ny ambin’ny trondro nokarakaraina tany amin’ny ozinina, tsy fandaniampoana koa ve izany?

Ekô-lôjika

Eny an-tsena, ireo misy trondro manana lanja

samy hafa. Lokoy mena sy manga ireo trondro

ireo mba ahazoana toko roa milanja 20 kilao isany.

ILAY MANGA MAZIKA Mibanjina zavatra iray tsy mihetsika na lamba mangan- tselatra iray ka manisà hatramin’ny 50, avy eo akipio ny masonao. Inona no loko hitanao? Mavo. Resaho amin’ny na-manao izany mazika izany.

Majika

Jereo ny sary. Ataovy anaty

boribory ny famantarana

amin’ny sary tsirairay avy araka

ny mahatsara na maharatsy

ny fampiasàna azy

amin’ny fitandremam-

pahasalamana.

Fanamarihana

Page 21: ILAY TRONDRO MAHAYNy voay manana fahalefena F - a Ampifandraiso izay mifanaraka amin’ny biby tsirairay F na 15 Ny manao jono mihoa-pampana dia midika ho manjono ireo izay mitovy

21

Nametraka tetik’asa maro taty amintsika ny Smart fish. Nahita vahaolana azo ampiharina tsara isaky ny Faritra ilay trondro manampanahy. Ohatra amin’izany ny famonjena ny

valan-java-boary arovana, fanamboarana ny faritra marivorivo amoron-dranomasina izay simba, fanatsaràna ny fomba fanjonoana mandripaka

teo aloha ; fitadiavana asa hafa maro vaovao ho an’ireo mpanjono, fampianarana ny maha-zava-dehibe ara-tsakafo ny trondro, ary ny fiantohana tanteraka

ara-tsakafo ny olombelona.

Ilay Trondro mahay.Eo am-pikirakiràna ny tranon-kalam-pifandraisana no nahitan’ireo ankizy fa misy sahady ny vahaolana.Tetik’asa maro tarihin’ny Vondrona iraisam-pirenena momba ny sakafo sy ny fambolena (FAO) miaraka amin’ny olona ao anatin’ny vondrom-paritra.

Izay fa manolotra vahaolana azo antoka izy.

Oaaooo! Tetik’asa izany! Azo

hakàna hevitra tsara.

www.smartfish-coi.org

Page 22: ILAY TRONDRO MAHAYNy voay manana fahalefena F - a Ampifandraiso izay mifanaraka amin’ny biby tsirairay F na 15 Ny manao jono mihoa-pampana dia midika ho manjono ireo izay mitovy

2222

Ny COI dia midika hoe : Commission de l’Ocean Indien ( Vondrom-paritry ny ranomasim-be Indianina) . Ny FAO ( Food and Agriculture Organisation na Organisation des Nations Unies pour l’Alimentation et l’Agriculture) : Vondrona iraisam-pirenena momba ny Sakafo sy ny Fambolena.Mba fantatrao ve ny famantarana manokana misy any aminao any ? ( amin’ny paositra , amin’ny fampielezam-peo, amin’ny fahitalavitra , tranom-barotra lehibe, trano fivarotan-tsolika , sns …? Mamoròna iray ho an’ny sekolinao. Ohatra ho an’ny Fikambanana Miaro ny Riakasia, ny Vatohara ary ny Ala honko dia azo atao hoe: FMRVA , ho an’ny Ngeza (maitre) OGM izay midika sampam-piovam-piforonana ao amin’ny tantara an-tsary dia lasa : O!Zanahary (Manitou) ; eo amin’ny famantarana manokana amin’ny famoronana dia ahitana anarana mahatsikaiky hafa. Manaova ohatra amin’ny COI , FAO

Mamoròna sary iray izay mandrara

ny fanariana fako eny amin’ny morontsiraka ary

iray hafa ahazoana mitsitsy rano.

Adin-tsaina Manangona tarehimarika isaky ny firenena ary isaky ny sokajin-trondro voajono ireo olona ambony fahaizana (savants). Ataovy grafìka ny isan’ny trondro voajono isaky ny sambo ao amin’ny Ranomasimbe Indianina tato anatin’ny enin-taona farany. Apetaho ireo teboka ary ataovy an-tsary ny tsipika mivolan-tsinana (courbe) araka ny tarehimarika omena etsy ambany. Apetraho amin’ny tsipika marindrano ireo taona ary eo amin’ny tsipika mijidin’ny grafìka ny lanja.

Jereo ny fiolahana ( tsipika mivolan-tsinina), miakatra ve izy sa midina? Midika ve izany fa mihabetsaka sa mihavitsy ny mpanjono amin’ny sambo? Mandritra ny taona?

2004 2005 2006 2007 2008 2009

100

50

0Taona

Taonina

SUDOKUFenoy ny karakara nefa tsy miseho hafa-tsy indray mandeha ihany ny endrika 4 isaky ny tsipika laharana sy efamira efatra(4) , izany hoe ny vondrona tsirairay amin’ny fitambarany dia tokony hahitana ny endrika rehetra.

SEKOLY

FANODINANA FAKO

MORAMIREHITRA

MAHATEZITRA

DORO-TANETY

SY AZO IFOHANA SIGARA

MAHAFATY

BIBY IRAY DIA

Ekô-lôjika

2004 : 80 taonina2005 : 90 taonina2006 : 100 taonina2007 : 120 taonina2008 : 110 taonina2009 : 90 taonina

Ampifandraiso ireto

takila manaraka ireto

ho amin’ny dikany

tsara

Fanamarihana

Page 23: ILAY TRONDRO MAHAYNy voay manana fahalefena F - a Ampifandraiso izay mifanaraka amin’ny biby tsirairay F na 15 Ny manao jono mihoa-pampana dia midika ho manjono ireo izay mitovy

23

Ny faritra amperin’asa. Hitan’ireo ankizy tao amin’ny lasy Smart Fish ireo tetik’asa sy ny fampiharana izany.

• Ady amin’ny jono tsy ara-dalàna

• Fahavitan-tena ara-tsakafo na tsy fahampian-tsakafo

• Fiambenana ny jono • Kalitaon’ny vokatra

sy tsenabe na fampirantiana rezionaly

• Fambolena ny ala honko sy fiarovana ny faritra amoron-dranomasina

• Fitantanana ny tetik’asa miaraka amin’ny fokonolona

• Fifodiana ara- potoana sy faritra arovana

• Ady amin’ny fandaniam-poana sy ho an’ny varotra mifandanja

• Fiofanana sy fanabeazana

• Fiompiana sy fambolena an-dranomasina sy fiompiana trondro

• Lalàna sy fitsipika • Bokikely pedagojika

Page 24: ILAY TRONDRO MAHAYNy voay manana fahalefena F - a Ampifandraiso izay mifanaraka amin’ny biby tsirairay F na 15 Ny manao jono mihoa-pampana dia midika ho manjono ireo izay mitovy

2424

Raha jerena ireo sary sy ireo tetik’asa mifanaraka amin’izany, iza avy ireo izay heverinao fa ilaina kokoa ho an’ny firenenao?

Ekô-lôjika

Mba hahazoana io mpanjono mampiasa vanja na dinamita io, dia tokony handalo eo anoloan’ny dobo fambolena sy fiompiana anaty rano ity pôlisy, dia mandalo ny tetezana anoloan’ny ala honko izy avy eo, ka raha tsy mahita azy izy, dia anontaniany ilay mpanjono eo raha nahita ity mpisoloky. Asain’io mandalo anoloan’ny sekolin’ny mpanjono izy alohan’ny ahazoana ny moron-tsiraka voaarina. Farany dia nanontany ny fikambanana ao an-tanàna izy, naheno an’ilay mpanapoaka dinamita izy ireo teo akaikin’ny tetezana anoloan’ny mpivarotra. Tratrany amin’ny farany ilay mpisoloky.

MANAMBOATRA

KAPOAKA AMIN’NY

TARATASY

Fanamboarana Fitaovana ilaina : Taratasy iray.

Alefero araka ny hitanao amin’ny sary ilay taratasy. Azonao hisotroana rano io kapoaka taratasy io avy eo.

Page 25: ILAY TRONDRO MAHAYNy voay manana fahalefena F - a Ampifandraiso izay mifanaraka amin’ny biby tsirairay F na 15 Ny manao jono mihoa-pampana dia midika ho manjono ireo izay mitovy

25

Taloha raha handefa hafatra, dia atao anaty tavoahangy ary alatsaka an-dranomasina na mandefa ihany koa voromailala. Maharitra herinandro iray ny hafatra vao

tonga. Amin’izao fotoana izao ny fakitera no mitondra ny taratasy, ary afaka ihany koa mifamiresaka an-tariby na amin’ny finday na koa mailaka.

Mandeha farany izay haingana izao ny hafatra.

Fampahafantarana sy fifandraisanaNandefa hafatra ho an’ireo Ngeza maneran-tany ireo ankizy mba hahatonga azy ireo hiova eo amin’ny fitondrany.

Ao tsara! Tena vahaolana ny fampahafantarana mba hizarana sy hifanampiana.

Page 26: ILAY TRONDRO MAHAYNy voay manana fahalefena F - a Ampifandraiso izay mifanaraka amin’ny biby tsirairay F na 15 Ny manao jono mihoa-pampana dia midika ho manjono ireo izay mitovy

26

Ilay hafatra miafina

Matériel : 1 feuille blanche, 1Fitaovana ilaina:

Taratasy fotsy 1, voasary makirana 1, sarona tavoahangy 1, labozia 1, afokasoka.

Raiso ny voasary makirana ary tapaho roa. Potsero na

tereo ary araraho ao anaty sarona tavoahangy. Makà

tapa-kazo kely maranitra dia ataovy ao anaty

ranom-boasary makirana.Manorata zavatra izay tianao amin’ny alalan’ilay tapa-kazo kely eo amin’ny taratasy. Miandrasa fotoana vitsivitsy mba hiditra tsara ao amin’ilay taratasy ny ranom-boankazo. Mianga-via olon-dehibe handray ilay taratasy ka hampandalo izany moramora eo

ambony afo (tsy atao akaiky loatra sao may ny taratasy). Ho hitanao hivoaka

eo izay nosora- tanao amin’ny loko volon-tany.

Famoronana-majika

Ilay finday majika Fitaovana ilaina: kapoaka efa niasa 2, tady, fantsika.Loahy amin’ny fantsika ny vodin’ireo kapoaka 2 efa niasa. Ampifandraiso amin’ny tady ireo kapoaka ireo ary afatory tsara avy ao anaty kapoaka tsirairay ny tady. Ataovy eo amin’ny vavanao ny iray ary amin’ny sofin’ny namanao kosa ny iray. Ataovy mihenjana tsara ny tady, ary mifanalavitra ianareo roa dia miresaha amin’ny namanao amin’ny alalan’ny antso an-tariby vita gasy. Mety ihany koa izy io na any anaty rano aza fa tsy azo atao.

Ao am-pianaranao ve mba miresaka momba ny olan’ny ranomasina ianareo, ny fanimbana ny rohivoaary, ny fandotoana sy izay voalaza rehetra ato anatin’ny boky? Mba mifanakalo hevitra mikasika izany amin’ny olon-dehibe ve ianao? Ataovy toy ny mpanao gazety ianao ka miresaha amin’ny manodidina anao, soraty ny valin-tenin’ny mpanjono izay nifampiresaka taminao ary manaova laha-tsoratra.

PAPANGO

Manamboara papango dia

afatory eo ny hafatra iray

milaza ny fiarovana zava-boaary.

Fanamboarana

26

Fampiharam-

pandinihana

Page 27: ILAY TRONDRO MAHAYNy voay manana fahalefena F - a Ampifandraiso izay mifanaraka amin’ny biby tsirairay F na 15 Ny manao jono mihoa-pampana dia midika ho manjono ireo izay mitovy

27

Tandindomin-doza ny ranomasina. Ahiana ho ringana ireo karazan-javatra ao aminy. Misaotra rankizy nandray andraikitra,

nanadihady mba hahalala, fahalalana hahaiza-mitantana, fahaiza-mitantana hampijoro ny tontolo maharitra.

Oeeeh! Nahita vahaolana hanala ny ahiahin’ny ranomasina ireto ankizy.Nampihatra raikipohy izy ireo : fahaizana, fahaiza-manao ary fahaiza-miaina ka nanapa-kevitra ny hanoratra hira ho an’ny ranomasina.

Page 28: ILAY TRONDRO MAHAYNy voay manana fahalefena F - a Ampifandraiso izay mifanaraka amin’ny biby tsirairay F na 15 Ny manao jono mihoa-pampana dia midika ho manjono ireo izay mitovy

2828

Mba tsy hahatezitra intsony ny ranomasina, mitohy ny ady. Tsy maintsy mandray andraikitra ireo Firenena rehetra ato anatin’ny faritra mba samy hanao ny asa fiarovana ireo rohivoaary an-dranomasina sy morontsiraka, fiarovan-tena ara-tsakafo na ady amin’ny tsy fahampian-tsakafo, ady amin’ny jono tsy ara-dalàna , ny jono tsy manara-penitra ka isika tsirairay avy dia ho lasa trondro mahay avokoa.

ILAY TRONDRO VITA AMINA TARATASY

POTIPOTIKA

Fanamboarana

Fitaovana ilaina: Balonina hasian-drivotra, gazety, dity na lakôly, loko, baoritra.Abontsino ilay balonina , hosory dity na lakôly, rovito ny gazety dia rakofy

manodidina ny balonina ka ataovy rakotra tsara. Ataovy telo sosona. Avelao ho maina

tsara mandritra ny andro.Tsindromy ilay balonina hialan’ny rivotra dia avoahy avy

ao anatin’ny taratasy vita boribory. Azonao ampiana vombony sy rambony amin’ny

baoritra ho lasa trondro ilay taratasy vita boribory ka ho lasa sarin-trondro. Lokoy ny

trondronao amin’izay ilànao azy.

TARA-TASY MILEFITRAReseo ny namanao : Hanao fanamby aminao aho fa tsy afaka hande-fitra taratasy iray im-pito mi-antoana ianao. Na ahoana na ahoana endrik’ilay taratasy sy ny habeny, ho hitanao fa marina izany!

Mazika

Raha tsy manana ianao, manaova fifaninanana sikotra miaraka amin’ireo namanao amin’ny alalan’ny fotaka, manaova sokatra sy trondro faran’izay tsara.

Kilalao ho an’ny olon-2. Iza ? Mieritreritra olona na zavatra an-tsainao ianao. Mety ho olona iray kilasy aminao izany, na fianakavianao, na biby na zavatra. Haminavina izay ao an-tsainao ny namanao ka hanontany aminao, fanontaniana izay tsy valianao hafa-tsy ENY na TSIA. Ohatra, tovol-ahy kely ve? iray kilasy amiko ve? tia mihira ve izy? sns…Tokony ho voavinanin’ny namanao hoe iza izy, anjarany indray avy eo ny mieritreritra olon-kafa.

Lazaolana Milanja 150 kg ny antsatsa iray. Mihoatra 50 kg amin’ny lanjan’ny lamàtra izany ary avo 300 heny amin’ny lanjan’ny sabonto. Firy ny lanjan’ny lamàtra? Ary ny sabonto?

Fanontaniana fandrikaAraka ny hevitrao, volom-borona1 kg, rano 1Litatra; fasika 1 kg. Inona no mavesatra kokoa?

100 miliara

Fa manana neronina

100 miliara ianao

mifanaretsaka ao anaty

ati-doha mampita hafatra.

Ka aza misalasala

mampiasa azy ireo !

Hainao ve

Page 29: ILAY TRONDRO MAHAYNy voay manana fahalefena F - a Ampifandraiso izay mifanaraka amin’ny biby tsirairay F na 15 Ny manao jono mihoa-pampana dia midika ho manjono ireo izay mitovy

29

Ianareo ihany rankizy no afaka manova zavatra. Afaka manorina fikambanana hiaro ny natiora ianareo. Diovy miaraka amin’ny namanao

ny moron-dranomasina, hazavao amin’ny olon-dehibe fa tokony hajanona ny fandotoana sy fandaniam-poana ny rano tsy amin’antony.

Ny tononkalon’ny Trozona. Niara-nifaly tamin’ireo mponina eo amin’ny faritra marivorivo amoron-dranomasina sy izay rehetra monina ao anaty ranomasina ny Trozona ka niara-nihira. Andao koa hiaraka hihira amin’izy ireo !

« Ny trondro kely ho lasa ngeza , hafakely ny ao an-tsain-jaza . Ny reniko, ny ranomasina, aza tezitra intsony ianao, matokia ireo zanakao. … »

Page 30: ILAY TRONDRO MAHAYNy voay manana fahalefena F - a Ampifandraiso izay mifanaraka amin’ny biby tsirairay F na 15 Ny manao jono mihoa-pampana dia midika ho manjono ireo izay mitovy

3030

Manaova sary peta-drindrina ho fiarovana ny tontolo iainana na fiadiana amin’ny fandaniam-poana mba hapetaka an-tsekoly na ao an-tanànanao.

LA CATAPULTE

Fitaovana ilaina : loha-kitron-

damba hazo (pince)1, hazo

fisaka fihinanana glasy 1,

boaty kely vita baoritra 1,

taratasy naforiporitra

boribory1, lakôly.

Fanamboarana

Apetaho eo amin’ilay loha-kitron-damba hazo ny hazo fisaka fihinanana glasy, apetaho amin’ilay boaty kely vita baoritra avy eo ilay loha-kitron-damba ary aforiporeto ho boribory ilay taratasy. Manaova boribory isan-karazany eo amin’ny fasika ianao, misy isa 5, misy isa 10 na 15. Ataovy ny tsipindy handefasana ny taratasy boribory ary jereo hoe ao amin’ny isa firy no azonao.

TabatabaTabatabaTabat

aba

Samia mifidy teny iray ho tenenina : mahafaty, mazika, mahagaga, mampatanjaka, ka samia mamerina izany matetika tsirairay avy sady ataovy mihamalaky ho lasa feon-kira . Azonareo arahina amin’ny feon-java-maneno sy aponga izany rankizy a!

FAMORONANA AVY

AMIN’IREO FAKO VOASIVANA

Manamboara sarim-biby iray

avy amin’ny alalan’ireo fako

voasivana teny amoron-dranomasina.

Fanamboarana

Page 31: ILAY TRONDRO MAHAYNy voay manana fahalefena F - a Ampifandraiso izay mifanaraka amin’ny biby tsirairay F na 15 Ny manao jono mihoa-pampana dia midika ho manjono ireo izay mitovy

31

Ahoana no ahazoana

trondro roa avy amin’io?

Famoronana majika

Ao amin’ny kariné-nao, manaova sarin-trondro tahaka an’io ary ataovy miloko tsara tarehy. Tsindrot-sindromy amin’ny paingotra avy eo ny manodidina ny sary mba hampihataka azy mora foana. Re-hefa avy nesorinao moramora ilay sarin-trondro teo aloha dia hahazo sarin-trondro iray vaovao hafa holokoina indray ianao ao amin’ny pejy manaraka.

Page 32: ILAY TRONDRO MAHAYNy voay manana fahalefena F - a Ampifandraiso izay mifanaraka amin’ny biby tsirairay F na 15 Ny manao jono mihoa-pampana dia midika ho manjono ireo izay mitovy

32

Lokoy ireto

maherifon’ity tantary

antsary ity.

Fandokoana

Page 33: ILAY TRONDRO MAHAYNy voay manana fahalefena F - a Ampifandraiso izay mifanaraka amin’ny biby tsirairay F na 15 Ny manao jono mihoa-pampana dia midika ho manjono ireo izay mitovy

33

Pejy 6 Vôlovavy, foza, trondro, Hima, sokatra, atsantsa. Ny atahorana : vôlovavy, atsantsa. Ny misy nify : Atsantsa

Pejy 8

Ekô-lôjika:

Misy valiny roa : 5 – 7 – 10 – 14 - 19 - 25 ou 5 – 7 – 10 – 14 – 20 – 28 Fanazavana : azonao atao 5+2=7, 7+3=10, 10+4=14, 14+5=19, 19+6= 25, etc. Ou encore 5+5=10, 7+7=14, 10+10= 20, 14+14= 28, sns. Pejy 10 Ombin-dranomasina,Omby, elefantan- dranomasina, elefanta, fano, sokatra, vorona,

vorondreo, voninkazo, lomotra, soavaly, soavalin-dranomasina, akorandriaka, akora na sifotra, hala.

Vahiny : elefantan-dranomasina.

Ekô-lôjika:

Valin’ny kilalao

Fandotoana rano fandotoana an-dranomasina

Orinasa mpandotoFanimbana ala

Page 34: ILAY TRONDRO MAHAYNy voay manana fahalefena F - a Ampifandraiso izay mifanaraka amin’ny biby tsirairay F na 15 Ny manao jono mihoa-pampana dia midika ho manjono ireo izay mitovy

34

Pejy 12 Pejy 14

Pejy 16 • Nahavita 19 262 km ilay makamba • Mila 500 boaty ny 2 000 sardines. • Mila 20 baoritra ny 500 boatina sardine. • Azo asiana sardines 100 ny iray baoritra, noho izany dia sardines 200 000 no ao anaty kaontenera iray.

Pejy 20 Pejy 22

Ekô-lôjika: Ny toko iray dia misy trondro: 7+3+8+2 = 20 kg ary ny toko iray hafa : Sudoku 16+4 kg = 20 kg

Ny trozona manana nify 3 laharana Ny atsantsa manana vombonyNy vatohara manana kiranyNy trondro ahitana bibikelyNy voay manana fahalefena

MORAMIREHITRA

MAHAFATY

SY AZO IFOHANA SIGARA

SEKOLY

MAHATEZITRA

DORO-TANETY

BIBY IRAY DIA

FANODINANA FAKO

Page 35: ILAY TRONDRO MAHAYNy voay manana fahalefena F - a Ampifandraiso izay mifanaraka amin’ny biby tsirairay F na 15 Ny manao jono mihoa-pampana dia midika ho manjono ireo izay mitovy

35

Pejy 22

Miakatra ny tsipika mivolan-tsinana (courbe), izany hoe tena nanjono faran’izay betsaka

ary miakatra foana isan-taona ilay sambo. Nidina kely izany ny 2008, angamba noho ny fampielezan-kevitra momba ny fanoherana ny jono mihoa-pampana.

Pejy 24

Pejy 28 Milanja 100 kg ilay lamàtra ary 0,5 kg = 500 g kosa ilay sabonto. Mitovy ihany, milanja 1kg avy izy ireo.

2004 2005 2006 2007 2008 2009

100

50

0Taona

Taonina

Page 36: ILAY TRONDRO MAHAYNy voay manana fahalefena F - a Ampifandraiso izay mifanaraka amin’ny biby tsirairay F na 15 Ny manao jono mihoa-pampana dia midika ho manjono ireo izay mitovy

36

Soudan

Londres

SudSoudan

Ethiopie

Eritrée

Djibouti

Somalie

Republique démocratique

du CongoTanzanie

KenyaOuganda

Zambie

Zimbabwe

Swaziland

MadagascarMaurice

Union des Comores

Seychelles

Réunion

RwandaBurundi

MalawiMozambique

Afrique du sud

OCEAN INDIEN

Pays bénéficiaires de SmartFish

Pays impliqués mais pas bénéficiaires financiers

Page 37: ILAY TRONDRO MAHAYNy voay manana fahalefena F - a Ampifandraiso izay mifanaraka amin’ny biby tsirairay F na 15 Ny manao jono mihoa-pampana dia midika ho manjono ireo izay mitovy
Page 38: ILAY TRONDRO MAHAYNy voay manana fahalefena F - a Ampifandraiso izay mifanaraka amin’ny biby tsirairay F na 15 Ny manao jono mihoa-pampana dia midika ho manjono ireo izay mitovy

Organisation des Nations Unies pour l’alimentation et l’agriculture

Mis en oeuvre conjointement avec

Unioneuropéenne

Financé par

Ce guide d’activités a été conçu par le Programme SmartFish, dans le cadre de ses activités de sensibilisation de la jeune génération.

La FAO, au travers de la composante « gestion des pêches » du programme SmartFish, a organisé, en collaboration avec le projet ISLANDS, une tournée d’un spectacle de marionnettes sur la préservation de l’environnement marin.

Cette tournée s’est déroulée en février et mars 2014 et est passée par l’Union des Comores, le Kenya, Madagascar, Maurice, La Réunion, les Seychelles, la Tanzanie et Zanzibar. Au total, 26 représentations ont été données.

A l’issue des représentations, les enfants ont reçu ce guide d’activités, afin de leur permettre de continuer à s’amuser, tout en apprenant à protéger l’environnement marin

et ses ressources.

SmartFish est un programme régional de pêche mis en œuvre conjointement par la Commission de l’océan Indien et l’Organisation des Nations Unies pour l’alimentation et l’agriculture, et financé par l’Union européenne. SmartFish opère dans vingt pays de la région océan Indien, Afrique australe et orientale. Le projet se concentre sur la gouvernance, la gestion des pêches, le suivi, contrôle et surveillance, le commerce et la sécurité alimentaire.

ISLANDS est un projet de la Commission de l’océan Indien, financé par l’Union européenne. Il vise à contribuer au développement durable des Petits Etats Insulaires en Développement (PEID) de la région de l’Afrique Orientale et Australe et de l’Océan Indien (AfOA-OI) par l’élévation du niveau social, économique et environnemental de ses pays membres ainsi qu’une meilleure intégration régionale.