ireo fototry ny famerenana amin’ny - church of jesus christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany...

210

Upload: others

Post on 17-Apr-2020

3 views

Category:

Documents


0 download

TRANSCRIPT

Page 1: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra
Page 2: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra
Page 3: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Ireo Fototry ny Famerenana amin’nyLaoniny - Bokin’ny mpampianatraFianarana ny filazantsara faha-225

Navoakan’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro FaranySalt Lake City, Utah

Page 4: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Sary eo amin’ny fonony: Famerenana ny Fisoronana Melkizedeka amin’ny laoniny, nataon’i Walter Rane

Ho raisina an-tanan-droa ireo fanamarihana sy fanitsiana. Mba alefaso izany, miaraka amin’ireo zavatra diso, aoamin’ny:

Seminaries and Institutes of Religion Curriculum Services50 E. North Temple St., Floor 8

Salt Lake City, Utah 84150-0008USA

Email: [email protected] soraty azafady ny anaranao feno, ny adiresinao, ny paroasy sy ny tsatòka misy anao.

Aza adino ny manome mazava ny lohatenin’ilay boky. Avy eo dia zarao ny fanamarihana avy aminao.

© 2015, 2016 an’ny Intellectual Reserve, Inc.Zo Rehetra Voatokana.Natonta tany Etazonia

Version 3, 5/16

Fankatoavana ny tamin’ny teny Anglisy: 8/14Fankatoavana ny Fandikana: 8/14

Fandikana ny Foundations of the Restoration Teacher ManualMalagasy12556 654

Page 5: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

123456789

10111213141516171819

2021222324252627

28

VotoatinyIreo Fototry ny Famerenana amin’ny Laoniny - Bokin’ny Mpampianatra . . . . . . . . v

Asa Mahagaga sy Mahatalanjona . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 1Ny Fahitana Voalohany . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 7Ny Fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 13Ny Bokin’i Môrmôna—Vato Ifaharan’ny Fivavahantsika . . . . . . . . . . . . 20Ny Famerenana amin’ny Laoniny ny Filazantsara . . . . . . . . . . . . . . . 26Ny Firafitry ny Fiangonana . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 31Mitory ilay Filazantsara Mandrakizay . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 36Ny Fanangonana an’i Isiraely amin’ny Andro Farany . . . . . . . . . . . . . 42Manaraka ny Mpaminany Velona . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 48Mikatsaka Fahamarinana . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 54Ny Feon’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 62Soratra Masina fanampiny amin’ny Androntsika . . . . . . . . . . . . . . . . 67“Ilay Fahitana” . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 73Ny Tempolin’i Kirtland sy ireo Fanalahidin’ny Fisoronana . . . . . . . . . . . 79Hery ao anatin’ny Fanoherana . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 85Ny Fanavotana ny Maty . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 91Ireo Fampianaran’ny Filazantsara tany Nauvoo . . . . . . . . . . . . . . . . . 97Ny Fikambanana Ifanampiana sy ny Fiangonana . . . . . . . . . . . . . . . 103Ny Fotopampianarana momba ny Fanambadiana sy ny FianakavianaMandrakizay . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 110Ny Fanambadiana Maro . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 117Ny Iraka amin’ny maha-mpaminany an’i Joseph Smith . . . . . . . . . . . 126Ny Fahafatesan’ny Mpaminany Joseph Smith ho maritiora . . . . . . . . . 132Ny fifandimbiasana ao amin’ny Fiadidiana . . . . . . . . . . . . . . . . . . 138Ny fandaozana an’i Nauvoo sy ny dia niankandrefana . . . . . . . . . . . . 145Ny Ady tao Utah sy ny Fandripahana tao Mountain Meadows . . . . . . . 154Ny Fanambarana mikasika ny Fisoronana . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 162Manomana an’Izao Tontolo Izao ho amin’ny Fiavian’i Jesoa KristyFanindroany . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 168Fanafainganana ny Asa Famonjena . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 173

Handouts . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 179

Page 6: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra
Page 7: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Ireo Fototry ny Famerenanaamin’ny Laoniny - Bokin’nyMpampianatraInona no andrasana amin’ny mpampianatrafilazantsara?Rehefa miomana hampianatra ianao, dia zava-dehibe ny mahatakatra ireoTanjon’ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara:

“Ny tanjontsika dia ny hanampy ny zatovo sy ny tanora manambady sy tsy manambadyhahatakatra sy hiantehitra amin’ny fampianarana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, sy homendrika ny hahazo ireo fitahiana avy amin’ny tempoly, ary hiomana sy hanomana nyfianakaviany ary ny hafa ho amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Ray any An-danitra”(Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara: Boky Torolalana ho an’ireo Mpampianatra syMpitarika ao amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara [2012], x).

Afaka manatratra io tanjona io ianao raha miaina ny filazantsara, sy mampianatraamin’ny fomba mahomby ny filazantsara ho an’ireo mpianatra, ary mitantana arakany tokony ho izy ny kilasinao na ny fandaharam-pianaranao. Rehefa miomana symampianatra ny filazantsara araka ireo fomba ireo ianao, dia ho mendrika nyhahazo ny fitarihan’ny Fanahy Masina (jereo ny F&F 42:14).

Fahafahana ho anao ny manampy ireo mpianatra hianatra amin’ny alalan’nyFanahy Masina mba hahafahan’izy ireo mampahatanjaka ny finoany syhampiorim-paka ny fiovam-pony. Afaka manampy ireo mpianatra hanatanterakaizany ianao rehefa mitarika azy ireo mba hamantatra sy hahatakatra ary hahatsapany fahamarinan’ireo fotopampianarana sy fitsipika manan-danjan’ny nyfilazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny maha-zava-dehibe ka miomana hampihatra izany.

Ilay boky torolalana hoe Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara dia loharanotena ilaina mba hahatakarana ny fandehan’ny fampianarana sy ny fomba hahitanafahombiazana ao an-dakilasy. Jereo matetika io boky torolalana io.

Inona avy ireo tanjon’ity fampianarana ity?Ity fampianarana ity, Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny Laoniny (Fianarana nyfilazantsara faha-225), dia manome fahafahana ny mpianatra mba handalina nyfanambarana fototra, ny fotopampianarana, ny zava-nitranga ara-tantara ary nyolona manan-danja tamin’ny fanatanterahana ny Famerenana tamin’ny laoniny nyFiangonan’i Jesoa Kristy araka ny hita ao amin’ireo soratra masina nankatoavina, syireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ityfampianarana ity dia hitondra fototra ara-potopampianarana sy fahafantaranaara-tantara ho an’ny mpianatra izay ilaina amin’ny fahatakarana marina nyfotopampianarana sy tantaran’ny Fiangonana. Hitombo ny fahafahan’ny mpianatramikatsaka fahamarinana, handanjalanja ny fahamarinana sy ny maha-azo antoka

v

Page 8: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

ny loharanom-pitaovana ary hanavaka ny marina sy ny diso. Handalina ny soratramasina, ny fotopampianaran’ny Fiangonana, ary ny tantaran’ny Fiangonanaamin’ny fomba izay ahafahany mampihatra izany amin’ny fiainany sy nytoe-javatra misy azy manokana ny mpianatra. Ny Filoha Gordon B. Hinckley(1910–2008) dia nijoro ho vavolombelona fa tena misy ny Famerenana amin’nylaoniny:

“Ity no Fiangonan’i Jesoa Kristy tafaverina amin’ny laoniny. Olomasin’ny AndroFarany isika amin’ny maha-vahoaka antsika. Mijoro ho vavolombelona isika fa nylanitra dia nisokatra, ary ny voaly dia nisinda, Andriamanitra dia miresaka ary iJesoa Kristy tenany mihitsy no niseho. …

“Isaorana anie Andriamanitra amin’ny fanolorany fijoroana ho vavolombelona syfahefana ary Fotopampianarana miaraka amin’ity fiangonan’i Jesoa Kristy

naverina tamin’ny laoniny ity.

“Tsy maintsy izany no hafatra lehibe sy tokana atolotsika an’izao tontolo izao. Tsy manolotraizany amim-pireharehana isika. Mijoro ho vavolombelona amim-panetrentena isika, saingyamim-pahamatorana sy amim-pahatsorana tanteraka” (“The Marvelous Foundation of OurFaith,” Ensign, nôv. 2002, 81).

Rehefa mampitombo misimisy kokoa ny finoany an’i Jesoa Kristy sy mankaherybebe kokoa ny fijoroany ho vavolombelona momba ny filazantsara tafaverinaamin’ny laoniny ny mpianatra, dia hitombo hatrany ny fanapahany hevitra hanaosy hitandrina fanekempihavanana masina ary ho vonona bebe kokoa amin’nyfizarana ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny izy ireo.

Inona no andrasana amin’ireo mpianatra?Mba hahazoana ny salan’isa ilaina amin’ny fanatanterahana hatramin’ny farany nyinstitiota, dia takiana amin’ny mpianatra ny hamakiany ireo andinin-tsoratramasina, ny lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana, ary ny fitaovana hafavoatanisa ao amin’ny Vakitenin’ny Mpianatra amin’ny lesona tsirairay. Tokonyhahafeno ireo fepetra takiana mikasika ny fanatrehana fotoam-pianarana ihany koaireo mpianatra ary haneho fahaizana momba ireo fitaovana ampiasaina amin’nyfampianarana.

Ahoana no firafitr’ireo lesona ao amin’ity bokytorolalana ity?Ity fampianarana ity dia narafitra ho an’ny fampianarana mandritra ny tapa-taonaary ahitana lesona 28 izay nosoratana ho an’ny fotoam-pianarana maharitra 50minitra. Raha mianatra in-droa isan-kerinandro ny mpianatrao dia mampianaralesona iray isaky ny fotoam-pianarana. Raha indray mandeha isan-kerinandroihany ny mpianatrao no mianatra mandritra ny 90 na 100 minitra dia mampianaralesona roa natambatra isaky ny fotoam-pianarana. Ny topimaso amin’nyankapobeny ho an’ny lesona tsirairay dia ahitana fizarana efatra:

• Fampidirana

• Vakiteny enti-mampianatra

FAMPIDIRANA

vi

Page 9: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

• Sosokevitra Enti-mampianatra

• Vakintenin’ny mpianatra

FampidiranaIo fizarana io dia manome fampahalalana fohy momba ny lohahevitra sy ireotanjon’ny lesona.

Vakiteny enti-mandalinaIo fizarana io dia manolotra loharanom-pitaovana hovakiana, toy ny hafatra avyamin’ny mpaminany maoderina, izay hanampy anao hahatakatra bebe kokoa ireofotopampianarana sy fitsipika ary ireo fahamarinan’ny filazantsara izay tafiditra aoamin’ilay topimaso amin’ny ankapobeny ho an’ny lesona.

Sosokevitra Enti-mampianatraIlay fizarana hoe Sosokevitra enti-mampianatra dia ahitana fitaovana izaymanampy anao mba hahafantatra ny hoe inona no ampianarina sy ny hoe fombaahoana no hampianarana azy (jereo koa ny fizarana 4.3.3 sy 4.3.4 ao amin’ny bokytorolalana Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara). Ireo asa ampanaovina hoenti-mianatra izay aroso dia narafitra mba hanampiana ireo mpianatra hamantatrasy hahatakatra ary hampihatra fahamarinana masina. Azonao atao ny mampiasa nysasany amin’ireo izay tolo-kevitra na izy rehetra rehefa ataonao izay hampifandrayazy ireny amin’ny fomba fampianaranao sy izay hanomezana ny zavatra ilain’nympianatra sy mety amin’ny toe-javatra misy azy ireo. Rehefa mandinika ny fombahampifanarahana ny votoatin’ny lesona amin’izay zavatra ilaina ianao, dia ataovyizay hanarahana ity torohevitra avy amin’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’nyKôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

“Matetika ny Filoha Packer no nampianatra, araka ny fahenoako azy, hoemandray aloha isika, ary avy eo vao mampifanaraka. Raha mahay tsara nyfitaovana ampiasaina amin’ny lesona izay ampianarintsika isika, dia ho afakahanaraka ny Fanahy Masina isika mba hahafahana mampifanaraka tsara nylesona amin’izay ilaina avy eo. Kanefa raha ny fahafahana manova no resahinadia misy fakam-panahy hanomboka amin’ny fampifanarahana raha tokony hoe

manomboka amin’ny fanarahana. Mila fandanjalanjana izany. Olana mipetraka mandrakarivaizany. Kanefa ilay hoe manaraka aloha vao mampifanaraka dia tena fomba tsara ahafahanamijanona amin’ny tany marina” (“A Panel Discussion with Elder Dallin H. Oaks” [Fampitanaamin’ny alalan’ny zanabolana ataon’ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara, 7 aog.2012]; lds.org/broadcasts).

Hita ao anatin’ity fampianarana ity ny fanambarana nomen’ny mpitarika aoamin’ny Fiangonana izay tena mety misy amin’ny fiteny hafa maro tokoa. Rehefamiomana hampianatra ianao, dia mety ho ilainao ny mampifanaraka ny lesonaamin’ny alalan’ny fampiasana ireo fanambarana hafa nomen’ny mpitarika aoamin’ny Fiangonana izay misy eo am-pelatanana ka mifanaraka amin’nylohahevitra dinihina.

Ilay fizarana hoe Sosokevitra Enti-mampianatra dia ahitana fanambarana irayfarafahakeliny miseho amin’ny sora-matevina mikasika fotopampianarana na

FAMPIDIRANA

vii

Page 10: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

fitsipika iray. Rehefa hitan’ireo mpianatra ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo kamizara ny zavatra nianarany izy, dia mety tsy hitovy amin’izay voasoratra aoamin’ity boky torolalana ity ny teny ampiasainy. Rehefa izay no mitranga, diatandremo sao manao izay hiheveran’izy ireo hoe diso ny valinteniny. Na izany aza,raha misy fanambarana izay azo ahitsy mba ho marina kokoa, dia ataovyamim-pahamalinana izay hahatakaran’izy ireo izany mazava tsara.

Ity fandaharam-pianarana ity dia maodely mampiseho ny fomba hampidirana nyfototra hiaingana amin’ny fampianarana sy fianarana ny filazantsara ao amin’nyfampianarana araka ny lohahevitra (jereo ny Gospel Teaching and Learning, 10,23–31, 38–41). Afaka volana vitsivitsy, dia hamoaka lahatsoratra atao hoe“Fampianarana sy fianarana ny soratra masina ao amin’ny Institiota Fianarana nyfilazantsara” ny Seminera sy Institiota, izay hanazava misimisy kokoa ny fombahampidirana ny fototra hiaingana amin’ny fampianarana sy fianarana nyfilazantsara ao amin’ny fampianarana araka ny lohahevitra.

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dianamariparitra ny tombontsoa sasany izay azo avy amin’ny fandalinana nyfilazantsara araka ny lohahevitra:

“Raha ny famakiana ny bokin’ny soratra masina manomboka amin’ny voalohanyka hatramin’ny farany no mampanome fahalalana fototra maro, ny fandalinanaizany araka ny lohahevitra kosa dia mampivelatra ny fahalalantsika. Ny fikarohanafifandraisana, maodely, sy lohahevitra ao amin’ireo fanambarana dia manorina symanampy ny fahalalantsika ara-panahy … . Mampivelatra ny fomba fijerintsika syny fahatakarantsika ny drafitry ny famonjena izany.

“Araka ny fahitako azy, ny fikarohana amim-pahazotoana mba hahita ireofifandraisana, maodely ary lohahevitra dia tafiditra ao anatin’ny hoe ‘mivoky’amin’ny tenin’i Kristy. Io fomba fanao io dia afaka manokatra ireo vavahadin’nydobo fitehirizana rano ara-panahy, sy manazava ny fahatakarantsika amin’nyalalan’ny Fanahiny, ary mitondra fankasitrahana lalina noho ny soratra masina syfanoloran-tena ara-panahy izay tsy afaka raisina amin’ny alalan’ny fomba hafa.Izany fikarohana izany dia mahatonga antsika ho mafy orina eo amin’nyvatolampin’ny Mpanavotra antsika ary hahatohitra ny rivotry ny faharatsianaamin’izao andro farany izao” (“A Reservoir of Living Water” [Brigham YoungUniversity fireside, 4 feb, 2007], 3, speeches.byu.edu).

Ny fitaovana sasany ao amin’ity boky torolalana ity dia miainga avy amin’nyfitaovana ao amin’ny Boky torolalana ho an’ny Seminera - Fotopampianarana syFanekempihavanana sy Tantaran’ny Fiangonana.

Vakitenin’ny MpianatraIo fizarana io dia mitanisa ny andinin-tsoratra masina, lahatenin’ny mpitarika aoamin’ny Fiangonana ary ny fitaovana hafa izay hampitombo ny fahatakaran’nympianatra ny lohahevitra antitranterina ao amin’ny lesona. Amporisiho ireompianatra hamaky ireo fitaovana ireo alohan’ny handehanany hanatrika nyfotoam-pianarana tsirairay. Rehefa mandalina ireo fitaovana nentanim-panahy ireoizy dia tsy vitan’ny hoe ho vonona kokoa handray anjara amin’nyfifanakalozan-kevitra ao am-pianarana, fa hahazo fahatakarana misimisy ihany koa

FAMPIDIRANA

viii

Page 11: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

momba ireo lohahevitra ao amin’ny fandaharam-pianarana. Omeo ny mpianatrany lisitry ny Vakitenin’ny Mpianatra rehetra any am-piandohan’ny tapa-taona.

Ahoana no ahafahako miomana hampianatra?Hanampy anao ny Tompo rehefa miomana ny hampianatra ianao. Rehefa miomanaianao, dia mety ho hitanao hoe manampy ny mametraka ireto fanontanianamanaraka ireto amin’ny tenanao:

• Efa nivavaka ve aho mba hahazo ny fitarihan’ny Fanahy Masina?

• Efa nandalina ireo andinin-tsoratra masina sy vakiteny enti-mandalina nasainanovakiana ve aho?

• Efa namaky ny fandaharam-pianarana ve aho sy namaritra raha misy zavatratokony amboarina mba hampifanaraka izany amin’ny zavatra ilain’nympianatro?

• Ahoana no ahafahako manara-maso ny mpianatra mba hahazoana antoka famahazo tombony betsaka indrindra izy ireo avy amin’ny vakiteny nomena azy?

• Ahoana no ahafahako manampy ny mpianatro tsirairay handray anjara fenoamin’ny lesona?

Mety hanampy ireto sosokevitra manaraka ireto.

• Amporisiho ireo mpianatra hamaky ireo andinin-tsoratra masina sy ireolahatsoratra nasaina novakiana alohan’ny lesona tsirairay.

• Andrandrao ny mba hanatontosan’ireo mpianatra ny anjara asany amin’nymaha-mpandranto fahalalana azy.

• Omeo fahafahana matetika ireo mpianatra hanazava ireo fotopampianarana syfitsipika amin’ny fomba filazany azy manokana sy hizara traikefa izay tenamanampy ary hijoro ho vavolombelona momba ny zavatra fantany sy tsapany.

• Ovaovao ireo asa ampanaovina sy ny fomba fampianaranao isaky nyfotoam-pianarana ary koa Ovaovao isan’andro.

• Mamorona tontolo ahafahana mianatra izay manasa ny Fanahy Masina aryhahazoan’ireo mpianatra fahafahana sy andraikitra hifampianatra (jereo ny F&F88:78, 122).

Nampianatra ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’nyRoambinifololahy hoe:

“Ataovy izay hisian’ny fandraisana anjara betsaka satria ny fampiasan’nympianatra ny fahafahana misafidy toy izany no manome fahafahana ny FanahyMasina hampianatra. … Rehefa tenenin’ireo mpianatra ny fahamarinana, diavoamarina ao amin’ny fanahin’izy ireo izany ary manamafy ny fijoroana hovavolombelona ananan’izy ireo manokana” (“To Understand and Live Truth”[evening with Elder Richard G. Scott, feb. 4, 2005], 3; si.lds.org).

FAMPIDIRANA

ix

Page 12: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Ahoana no ahafahako mampifanaraka ny lesona hoan’ireo izay manana kilema?Rehefa miomana ny hampianatra ianao dia aoka hahatsiaro ireo mpianatra izaymila fanampiana manokana. Amboary ireo atrikasa sy ny zavatra takiana mbahanampiana azy ireo hahomby.

Mba hahazoana hevitra sy loharano fanampiny, dia jereo ny pejin’ny Loharano hoan’ireo manana kilema ao amin’ny disabilities.lds.org sy ny fizarana mikasika nyKilasy sy Fandaharam-pianarana Mifanaraka amin’ireo Mpianatra manana Kilemaao amin’ny boky torolalana mikasika ny fitsipika arahin’ny Seminera sy InstitiotaFianarana ny filazantsara.

FAMPIDIRANA

x

Page 13: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

LESONA 1

Asa Mahagaga syMahatalanjona

FampidiranaHatrany am-piandohan’ny tantara, dia namarana nyvanim-potoan’ny apôstazia ny Ray any an-danitra tamin’nyfiantsoana mpaminany izay mandray fahefana avy anyan-danitra mba hamerina amin’ny laoniny ny fahafenoan’nyfilazantsara sy hanangana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. IJoseph Smith io mpaminany io, izay an’ny fotoampitantananamisy antsika. Ny fahatakarana ny fomba hitarihan’

Andriamanitra ny vahoakany sy ny fomba hananganany nyFiangonany amin’ny alalan’ny mpaminany dia hanampy nympianatra hampitombo bebe kokoa ny fankafizany ny antonyilàna ny Famerenana amin’ny laoniny sy hampitombo nyfahaizany hampianatra ny hafa momba ny Famerenanaamin’ny laoniny.

Vakiteny enti-mandalina• M. Russell Ballard, “The Miracle of the Holy Bible,” Ensign na Liahona, mey

2007, 80–82.

• Gordon B. Hinckley, “At the Summit of the Ages,” Ensign, nôv. 1999, 72–74.

• Neal A. Maxwell, “From the Beginning,” Ensign, nôv. 1993, 18–20.

• Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny Asa Fanompoan’ny Misiônera (2004),36–43.

Sosokevitra Enti-mampianatraAmosa 8:11–12; Joseph Smith—Tantara 1:5–10Ny Apôstazia Lehibe sy ny antony ilàna ny Famerenana amin’ny laoninyAtombohy amin’ny fanoratana izao manaraka izao eo amin’ny solaitrabeny lesona:

Mosary =

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Amosa 8:11–12. Asaivo manaraka nyvakiteny ny mpianatra ka hamantatra ny fomba nampiasana ny teny hoe mosary hotandindona.

• Karazana mosary manao ahoana no naminanian’i Amosa fa hitranga? (Soratyeo amin’ny solaitrabe eo akaikin’ny hoe “Mosary =” ny valintenin’nympianatra.)

• Inona ny faminanian’i Amosa mikasika ny zavatra hataon’ny olona noho iomosary io?

• Inona ny porofo hitanao eo amin’izao tontolo izao izay maneho fa nisy hatranyny mosary momba ny “[fandrenesana] ny tenin’i Jehovah”? (Amosa 8:11).

1

Page 14: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Hazavao fa na dia tena nitranga tamin’ny fotoana maro teo amin’ny tantara aza nyfaminaniana ao amin’ny Amosa 8:11–12, ny fahatanterahan’izany iray lehibe diafantatra amin’ny hoe ny Apôstazia Lehibe. Azonao atao ny manoro hevitra nympianatra mba hanoratra hoe Apôstazia, anisan’izany ny Apôstazia Lehibe eoamin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masina eo akaikin’ny Amosa 8:11–12.

Asehoy ity fanambarana manaraka ity, ary asao ny mpianatra iray hamaky izanymafy. Asao ny mpianatra hijery ny antony sasany izay nahatonga nyApôstazia Lehibe.

“Taorian’ny nahafatesan’i Jesoa Kristy dia nenjehin’ireo olona ratsy fanahy ireo Apôstôly sy ireompikamban’ny Fiangonana ary novonoiny ny maro tamin’izy ireo. Niaraka tamin’nyfahafatesan’ny Apôstôly, dia nesorina teto an-tany ireo fanalahidin’ny fisoronana sy ny fahefanamiahy ao amin’ny fisoronana. Ireo Apôstôly dia nitazona ireo fotopampianaran’ny filazantsara homadio tsy misy pentina ary nitandrina ny filaminana sy nametraka ny fitsipiky nyfahamendrehana ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana. Noho ny tsy fisian’ny Apôstôly dia niovaireo fotopampianarana rehefa nandeha ny fotoana, ary nisy ireo fanovana tsy nahazoana lalananatao teo amin’ny rafitry ny Fiangonana sy ireo ôrdônansin’ny fisoronana, toy ny batisa sy nyfanomezana ny Fanahy Masina.

“Noho ny tsy fisian’ny fanambarana sy ny fahefan’ny fisoronana dia niantehitra tamin’nyfahaizan’olombelona ny olona nentina nanazavana ny soratra masina sy ireo fitsipika syôrdônansin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Hevi-diso no nampianarina ho fahamarinana. Veryavokoa ny ankamaroan’ny fahalalana momba ny toe-tena sy ny toetoetra marin’ AndriamanitraRay sy ny Zanany Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina. Ireo fotopampianarana momba ny finoanaan’i Jesoa Kristy, ny fibebahana, ny batisa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina dia novaina nanohadinoina. Ny fahefan’ny fisoronana izay nomena ireo Apôstôlin’i Kristy dia tsy teto an-tanyintsony” (Torio ny Filazantsarako: Torolalana Ho an’ny Asa Fanompoan’ny Misiônera [2004], 41).

• Inona ireo antony sasany izay nahatonga ny Apôstazia Lehibe, araka nyvoalazan’io fanambarana io?

• Inona ny maha-zava-dehibe ny fahatakarana fa tena nitranga tokoa nyApôstazia Lehibe? (Mety ho samihafa ny teny hampiasan’ny mpianatra, saingyataovy izay ahitan’izy ireo ity fitsipika manaraka ity: Ny fahafantarana fa nisyny Apôstazia Lehibe dia afaka manampy antsika hahita fa nilaina nyFamerenana amin’ny laoniny ny filazantsara.)

Hazavao fa nandritra ny vanim-potoan’ny apôstazia, ny Ray any an-danitra dia tsynitsahatra nampiasa ny fitaomany teo amin’izao tontolo izao tamin’ny alalan’nyFahazavan’i Kristy, izay “omena ny olona tsirairay” (Môrônia 7:16), sy tamin’nyalalan’ny herin’ny Fanahy Masina, izay mijoro ho vavolombelona fa marina nyfilazantsara (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanahy Masina,”scriptures.lds.org). Nanome fanentanam-panahy ny lehilahy sy vehivavy avyamin’ny kolontsaina maro izay nikatsaka ny fanampiany Izy tamin’iovanim-potoana io. Niasa mafy ireo mpitondra fanavaozana Kristianina toa an’iMartin Luther sy i William Tyndale mba hanampy ny Kristianina hanana fiainanaakaiky kokoa ireo fitsipika marina izay hitany tao amin’ny Baiboly. Nanamafyhatrany ny fahamendrehana amin’ny maha-olombelona sy ny fahalalahanaara-pivavahana tany amin’ny faritra maro teo amin’izao tontolo izao ireo ezakanataon’ny mpitondra fanavaozana sy ny mpahay filôzôfia ary na dia ireo

LESONA 1

2

Page 15: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

olom-panjakana tany Eoropa sy Amerika Avaratra aza. Na dia teo aza ireofivoarana manan-danja ireo, dia mbola tsy namerina tamin’ny laoniny tanteraka nyFiangonany Andriamanitra. (Jereo ny Torio ny Filazantsarako, 53–54.)

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley ity (1910–2008), aryasao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

“Nihidy nandritra ny taon-jato maro ny lanitra. Lehilahy sy vehivavy tsara, izaytsy vitsy—ary olona tena lehibe sy mahavariana tokoa—no nanandrana nanitsysy nankahery ary nanatsara ny fomba fiderany sy ny votoatin’nyfotopampianarany. Manome voninahitra sy haja ho azy ireo ny tenako. Akory nyhatsaran’izao tontolo izao noho ny hetsika feno fahasahiana nataon’izy ireo.Raha mino aho fa nentanim-panahy ny asan’izy ireo, dia tsy nitranga niaraka

tamin’izany ny fisokafan’ny lanitra, omban’ny fisehoan’ Andriamanitra” (“The MarvelousFoundation of Our Faith,” Ensign, nôv. 2002, 80).

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa tamin’ny taona 1820, dia nitady ny Fiangonanamarina ny zatovolahy kely Joseph Smith kanefa tsy nahita izany. Asao ny mpianatrahamaky mangina ny Joseph Smith—Tantara 1:5–10, ary hitady ireo andian-tenyizay mamariparitra ny toe-javatra sarotra izay vokatry ny Apôstazia Lehibe.

• Inona ireo andian-teny sasany izay nampiasan’i Joseph Smith mba hilazana nyfahasahiranana ara-panahy izy nisy tamin’izany?

• Ahoana no namariparitan’i Joseph ny fahatsapana nananany noho nykorontana ara-pivavahana izay nanodidina azy?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny fikarohan’i Joseph Smith ny fahamarinana dianahatonga ny Fahitana Voalohany sy ny fiantsoana azy ho mpaminany. (Mbolahoresahina ao amin’ny lesona manaraka izany.) Hamafiso fa ny fiantsoana an’nyMpaminany Joseph Smith sy ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara diananaraka maodely izay napetrak’ Andriamanitra izay niverimberina hatrany teoamin’ny tantara. Ohatra: ny niantsoana an’i Enôka (jereo ny Mosesy 6:26–32) sy iNoa (jereo ny Mosesy 8:17–20) dia nanaraka io maodely io. Asehoy ity fanazavanamanaraka ity momba io maodely io, ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

“Ny tantara ao amin’ny Baiboly dia mirakitra ohatra maro momba ny niresahan’ Andriamanitratamin’ireo mpaminany, ary miresaka ihany koa ohatra maro momba ny apôstazia. Mbahamaranana ny vanim-potoan’ny apôstazia teo anivon’ny olona dia nampiseho ny fitiavanyan’ireo zanany Andriamanitra tamin’ny fiantsoana mpaminany sy tamin’ny fanomezana azy nyfahefan’ny fisoronana mba hamerenana amin’ny laoniny sy hampianarana indray nyfilazantsaran’i Jesoa Kristy. Raha ny marina, dia miasa ho toy ny mpitandrina izay miambina nyfanjakan’ Andriamanitra eto an-tany ny mpaminany. Ireo vanim-potoana tarihan’ny mpaminanyireo dia antsoina hoe fotoampitantanana” (Torio ny Filazantsarako, 39; jereo koa ny Torolalanaho an’ny Soratra Masina, “Fotoampitantanana”).

• Amin’ny fomba ahoana no hilazana fa manaraka ny maodely hita tamin’nyfotoampitantanana taloha ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaratamin’ny alalan’i Joseph Smith? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra, saingy

LESONA 1

3

Page 16: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

ataovy izay ahitan’izy ireo ity fotopampianarana manaraka ity: Aorian’nyfotoan’ny apôstazia miseho eo anivon’ny olona, dia miantso mpaminanysy manome azy ireo fahefana hamerina amin’ny laoniny sy hampianatrany filazantsara indray Andriamanitra. Tokony hahatakatra ityfotopampianarana ity koa ny mpianatra: Nantsoin’ Andriamanitra i JosephSmith mba hamerina amin’ny laoniny ny filazantsara ho an’nyfotoampitantanana misy antsika.)

• Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana an’io maodely io hanampy anaohanazava amin’ny olona avy amin’ny fivavahana hafa ny Famerenana amin’nylaoniny ny filazantsara?

Hamafiso fa nandritra ny Fahitana Voalohany dia nianatra i Joseph Smith fa tsy nisyFiangonana marina teto an-tany ary ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Kristy dia milaaverina amin’ny laoniny. Na dia ahitana faminaniana momba ny Apôstazia Lehibeaza ao amin’ny Baiboly, dia ny niantsoana an’i Joseph Smith ho mpaminany sy nynamerenana tamin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsara no nampisehoindrindra fa nisy tokoa io apôstazia io.

2 Nefia 27:25–26; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:12–30“Asa mahagaga sy mahatalanjona” ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaraHazavao fa ny soratra masina dia milaza ny antony sasany izay namerenan’nyTompo tamin’ny laoniny ny filazantsara eto an-tany amin’ny andro farany.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny faminanian’i Isaia mikasika nyFamerenana amin’ny laoniny izay hita ao amin’ny 2 Nefia 27:25–26, ary hijery nyfomba namariparitan’ny Tompo ny toe-piainana ara-panahy misy eo amin’izaotontolo izao amin’ny fotoan’ny Famerenana amin’ny laoniny. Azonao atao nymanoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ny teny sy andian-teny izaymamariparitra ireo toe-piainana ara-panahy ireo. (Fanamarihana: Ny fanisianamarika ny teny na andian-teny manan-danja dia anisan’ny fomba tsara indrindramanampy ny mpianatra handray sy hitadidy ny zavatra ianarany avy amin’nysoratra masina.) Rehefa avy nanome fotoana ampy ho azy ireo dia asao ireompianatra hizara izay zavatra hitany.

• Nahoana, araka ny hevitrao, no hilazana ny Famerenana amin’ny laoniny nyfilazantsara ho “asa mahagaga sy mahatalanjona”?

• Inona no hitanao fa “mahagaga” sy “mahatalanjona” momba ny Famerenanaamin’ny laoniny? (Rehefa manome valinteny ny mpianatra, dia mariho fa nyFamerenana amin’ny laoniny ny filazantsara izay “asa mahagaga symahatalanjona” dia ohatra iray mikasika ny lohahevitra izay miverimberinahatrany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. “Ny lohahevitradia toetra na hevitra izay mavesa-danja, miverimberina ary mampiray”[David A. Bednar, “A Reservoir of Living Water” (Takariva amorom-patanaan’ny Oniversite Brigham Young, feb. 4, 2007), 6, speeches.byu.edu].)

Asao ny antsasakin’ny mpianatra mba handalina ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 1:12–17, ary hitady ny antony nomen’ny Tompo momba nynanatanterahany ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara. Asao nympianatra ambiny mba handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

LESONA 1

4

Page 17: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

1:18–30, ary hitady ny fomba izay hitahian’ny Famerenana amin’ny laoniny nyfilazantsara ny zanak’ Andriamanitra. (Fanamarihana: ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 1:30 dia hohalalinina bebe kokoa amin’ny antsipiriany aoamin’ny lesona 6.)

Rehefa avy nanome fotoana ampy, dia asao izy ireo hanao tatitra ny zavatrahitan’izy ireo. Ataovy izay ahatakaran’ny mpianatra ity fahamarinana manaraka ity:Ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara dia manampy an’ireo izaymino an’i Kristy amin’ny fampitomboana ny finoany sy amin’ny fandresenany antambo amin’ny andro farany.

Vakio mafy ity teny manaraka nataon’ny Mpaminany Joseph Smith (1805–1844) ity:

“[Ireo mpaminany] dia niandrandra am-pifaliana ny andro izay iainantsika; arynientanentana amin’ny fiandrasana izany am-pifaliana sy miaraka amin’ny lanitraizy ireo ka nihira sy nanoratra ary naminany an’izao andro misy antsika izao”(Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 198).

• Nahoana ny mpaminany taloha no niandrandra an’izao androntsika izao? (Nyhevitra iray izay tena mety hitan’ny mpianatra dia ny hoe ny Famerenanaamin’ny laoniny dia miely patrana maneran-tany ary manomana an’izaotontolo izao ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.)

Asehoy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley,ary asao ny mpianatra vitsivitsy mba hifandimby hamaky izany mafy:

“Ry rahalahiko sy anabaviko, azonareo an-tsaina ve ny zavatra ananantsika?Moa ve ianareo mahafantatra ny toerana misy antsika ao amin’ilay tantaraan-tsehatra lehibe eo amin’ny tantaram-piainan’ny olombelona? Io no ivon’nyzavatra rehetra lasa teo aloha. …

“… Ny asan’Ilay Tsitoha amin’ny andro farany, izay noresahin’ny olona taloha,izay naminanian’ny mpaminany sy ny apôstôly, dia mitranga. Eto amintsika no

misy izany. Noho ny antony izay tsy fantatsika, fa araka ny fahendren’ Andriamanitra, diamanana tombontsoa isika ny hitoetra eto an-tany amin’izao vanim-potoana fenovoninahitra izao. …

“Noho ny zavatra ananantsika sy fantatsika, dia tokony ho vahoaka tsaratsara kokoa hatranyisika. Tokony hitovy bebe kokoa amin’i Kristy, sy tokony hamela heloka bebe kokoa, ary tokonyhanampy sy hahatsiaro bebe kokoa ny manodidina antsika isika.

“Mitsangana eo amin’ny tendron’ny vanim-potoana rehetra isika, ary talanjona noho ny tantaraizay lehibe sy feno voninahitra. Ity no fotoampitantanana farany indrindra izay nifantohan’nylasa rehetra. Mijoro ho vavolombelona aho fa tena misy ary marina ireo zavatra rehetra ireo”(“At the Summit of the Ages,” Ensign, nôv. 1999, 74).

• Inona no eritreritra sy fahatsapana misy ateraky ny fanambarana manao hoe“mitsangana eo amin’ny tendron’ny vanim-potoana rehetra isika” aminao?

LESONA 1

5

Page 18: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

• Raha tsy mahakasika ny tenanao manokana loatra izany, dia mizarà zavatra iraytamin’ny fiainanao izay nankahery ny fijoroanao ho vavolombelona momba nyfilazantsaran’i Jesoa Kristy tafaverina amin’ny laoniny.

• Inona no azontsika atao mba hanehoana fankasitrahana ny Famerenanaamin’ny laoniny ny filazantsara?

Vakitenin’ny Mpianatra• Isaia 29:13–14; Amosa 8:11–12; 2 Nefia 27:1–5, 25–26; Fotopampianarana sy

Fanekempihavanana 1:12–30; Joseph Smith—Tantara 1:5–10.

• Gordon B. Hinckley, “At the Summit of the Ages,” Ensign, nôv. 1999, 72–74.

LESONA 1

6

Page 19: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

LESONA 2

Ny Fahitana VoalohanyFampidiranaNy tantaran’ny Fahitana Voalohan’i Joseph Smith izay hita aoamin’ny Voahangy Lafo Vidy dia nosoratana mba hanitsianaireo tatitra diso momba ny Fiangonana. Nandritra ny fiainanymanontolo, dia nitantara zavatra maro momba ny FahitanaVoalohany ny Mpaminany Joseph Smith. Ireo zavatranotantarainy ireo dia afaka mampitombo ny fahatakarantsika

io zava-nitranga io ary mankahery ny finoantsika nyFamerenana amin’ny laoniny. Ity lesona ity dia natao mbahanampiana ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibeny fananana fijoroana ho vavolombelona momba iozava-nitranga mahagaga tsy manam-paharoa io.

Vakiteny enti-mandalina• Gordon B. Hinckley, “The Marvelous Foundation of Our Faith,” Ensign, nôv.

2002, 78–81.

• “First Vision Accounts,” Gospel Topics, lds.org/topics.

Sosokevitra Enti-mampianatraJoseph Smith—Tantara 1:1–2Nanoratra momba ny Fahitana Voalohany ny Mpaminany mba hanitsiana ireotatitra diso.Hazavao fa nanomboka nanao asa mikasika ny tantara ôfisialiny i Joseph Smithtamin’ny 1838. Ny fizarana ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy fantatra amin’nyanarana hoe Joseph Smith—Tantara dia notsoahina tamin’ny tantara izaylava kokoa.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Joseph Smith—Tantara 1:1–2. Asao nympianatra hanaraka ny vakiteny ary hikaroka ny antony nomen’i Joseph Smithnahatonga azy nanoratra ny tantarany.

• Araka ny andininy 1, inona no niely teo anivon’ny vahoaka tanyam-piandohan’ny Fiangonana?

• Inona no tanjon’ireo izay namporisika ny famoahana ny tatitra diso hanoheranany Fiangonana?

• Inona ireo trangan-javatra misy izay mitovy amin’io zava-nitranga io amin’izaovanim-potoanantsika izao?

Hazavao fa ankehitriny dia mbola mitohy ny fisian’olona manokana syandian’olona izay mampiely fampahalalana diso na mamitaka momba nyFiangonana mba hampihozongozonana ny finoana.

• Inona no antony nomen’i Joseph Smith nahatonga azy nanoratra ny tantarany?(Mba “hanazavana ny saim-bahoaka, ka ireo mpikatsaka ny fahamarinanarehetra dia mba hahalala ny zava-misy araka ny … fitrangany” [JosephSmith—Tantara 1:1].)

7

Page 20: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

• Nahoana no zava-dehibe ny fianteheran’ireo “mpikatsaka fahamarinana”mikasika ny Famerenana amin’ny laoniny amin’ny zavatra notantarain’i JosephSmith izy tenany? (Mety ho samihafa ny teny hampiasan’ny mpianatra, nefaalaivo antoka fa mazava ny hoe ny fahatokisana ny zavatra notantarain’iJoseph Smith dia afaka manampy ny tsirairay mba tsy ho voafitakin’nyfampahalalana diso na mamitaka.)

Asehoy ity torohevitra manaraka ity izay nomen’ny Loholona Neil L. Andersen, avyao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary asao ny mpianatra hamaky izanyam-pahanginana:

“Nisy hatrany ny olom-bitsy izay te-hanoso-potaka ny Fiangonana sy handrava nyfinoana. Mampiasa ny Internet izy ireo amin’izao fotoana izao.

“Ny fampahalalana sasany mikasika ny Fiangonana, na dia mandresy lahatratahaka ny inona aza, dia tsy marina tsotra izao. (“Fitsapana ny finoanao,” Ensignna Liahona, nôv. 2012, 41).

• Inona no loharano tokony hotadiavintsika sy hatokisantsika rehefa mikarokamanokana ny fahamarinana mikasika ny Fahitana Voalohany sy ny Famerenanaamin’ny laoniny ny filazantsara, ary ny zava-nitranga hafa amin’ny tantaran’nyFiangonana isika? Nahoana? (Ampio ny mpianatra hahatakatra ityfahamarinana manaraka ity: Mba tsy ho voafitaky ny fampahalalana diso namamitaka, dia tokony hikaroka ireo loharanon’ny fampahalalana mombany Fiangonana sy ny tantarany izay azo atokisana ny mpikatsakafahamarinana fa tsy manaiky fotsiny ny fampahalalana rehetra izay re navakiana, anisan’izany ny fampahalalana avy amin’ny fikarohana amin’nyInternet.)

Hazavao fa ny mpitsikera ny Fiangonana dia miady hevitra fa tsy tena nitranga nyFahitana Voalohany amin’ny filazana fa taona maro taorian’ny nitrangan’izany nonanoratan’i Joseph Smith ny tantarany. Hazavao fa i Joseph Smith izay 14 taona,dia nisalasala ny hiresaka momba ny fahitany taorian’ny fihetsika nasehon’ny olonaizay notantarany izany tany am-boalohany (jereo ny Joseph Smith—Tantara1:21–26). Noraisiny an-tsoratra ny zavatra niainany rehefa nahatsapa izy fa tongany fotoana tokony hanaovany izany. Nanome torolalana an’i Petera sy i Jakoba ary iJaona ny Mpamonjy mba tsy hiresaka ny zava-nitranga teny amin’nyTendrombohitry ny Fiovan-tarehy raha tsy taorian’ny Fitsanganany tamin’ny Maty(jereo ny Matio 17:9), ka mazava tsara fa ny traikefa ara-panahy sasany dia tsytokony zaraina raha tsy hoe entanin’ny Fanahy Masina.

Ireo tantaran’ny Fahitana VoalohanyFanamarihana: Rehefa mampianatra ity ampahan-desona ity ianao; dia manokànafotoana ampy tsara hampianarana ny fizarana farany amin’ny lesona, izay mikasikany ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:8–20.

Hazavao amin’ny mpianatra fa, na tamin’ny alalan’ny tenany samirery, na tamin’nyalalan’ny mpitan-tsoratra, dia nanome fitantarana farafahakeliny efatraisan-karazany mikasika ny Fahitana Voalohany i Joseph Smith. Ho fanampin’izany,

LESONA 2

8

Page 21: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

dia tantara maro momba io fahitana io no noraketin’ny olona sasany izay niainatamin’ny vanim-potoan’i Joseph Smith. Ny tantara tsirairay dia manantitrantitra nylafiny samihafa momba ny zavatra niainan’i Joseph, saingy samy mizara ny zavatramanan-danja mikasika ny zavatra hita sy ren’i Joseph avokoa anefa izy rehetra.Mba hanazavana ny hoe maninona no nisy fahasamihafana ny tantaraisan-karazany, dia asao ny mpianatra handinika momba izao manaraka izao:

• Mieritrereta zavatra izay niainanao ka tena miavaka na manan-danja tokoaaminao. Inona no mety hahasamihafa ny fitantaranao izany, arakaraka ny olonaizay hitantarana azy? Ahoana no mety hiovan’izany arakaraka ny fotoana na nyantony hitantarana azy?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity, ary asao nympianatra hihaino ny zavatra izay andrasan’ny mpahay tantara rehefa tantarainaim-betsaka ny zava-nitranga iray:

“Ireo tantara isan-karazany momba ny Fahitana Voalohany dia milaza zavatra iray ihany, na diasamy hafa aza ny fomba fanamafisany azy sy ny antsipiriany. Ny zavatra andrasan’ireo mpahaytantara dia ny hoe rehefa tantarain’ny olona iray amin’ny sehatra samy hafa sy amin’ny mpihainosamy hafa ny zava-nitranga iray, dia hanantitrantitra lafiny isan-karazany mikasika an’ilayzava-nitranga sy hahitana antsipiriany miavaka ny fitantarana tsirairay. Eny tokoa, misy tsyfitoviana toy ny amin’ireo izay hita ao amin’ny fitantarana ny Fahitana Voalohany ny fitantaranamomba ny fahitan’i Paoly tany amin’ny lalana nankany Damaskosy sy ny zavatra niainan’nyApôstôly tany amin’ny Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy [Asan’ny Apôstôly 9:3–9; 22:6–21;26:12–18; Matio 17:1–13; Marka 9:2–13; Lioka 9:28–36]. Na dia eo aza anefa ireofahasamihafana, dia misy fototra iray izay tsy miova mitoetra manerana ireo tantaran’nyFahitana Voalohany. Ny olona sasany dia milaza am-pahadisoana fa ny fiovana rehetra mety hitaamin’ny famerenana ilay tantara dia mampiseho fa tsy tena marina ilay izy. Ny fisian’nyrakitsoratra ara-tantara isan-karazany anefa dia afaka mampianatra antsika bebe kokoa mombaan’io zava-nitranga manan-danja io, noho ny hoe tsy manana loharanom-pahafantarana firyisika” (“First Vision Accounts,” Gospel Topics, lds.org/topics).

Ho ohatra mikasika ny fahasamihafana amin’ireo tantara, dia afaka milaza amin’nympianatra ianao fa “raha manantitrantitra ny zava-nitranga manokana tamin’iJoseph Smith tamin’ny naha-tovolahy nikatsaka famelan-keloka azy ny tantaratamin’ny 1832, ny tamin’ny 1838 kosa dia mifantoka amin’ilay fahitana amin’nymaha-fanombohan’ny ‘fitsanganana sy fivoaran’ny Fiangonana’ azy” (“First VisionAccounts,” Gospel Topics, lds.org/topics). Ampatsiahivo ny mpianatra fa nyvakiteny asaina ataony dia ahitana ny lahatsoratr’ireo Lohahevitry ny Filazantsarahoe “Ireo Tantaran’ny Fahitana Voalohany,” izay mitondra fanadihadiana amin’nyantsipiriany bebe kokoa momba ireo fitantarana isan-karazany mikasika nyFahitana Voalohany. Asao ny mpianatra handalina ny lahatsoratra amin’ny fotoanaivelan’ny fotoam-pianarana mba hahatakarana ny fandraisan’ny tantara tsirairayanjara amin’ny fahalalantsika momba ny Fahitana Voalohany. (Fanamarihana:Ampatsiahivo ny mpianatra fa zava-dehibe ny mamaky ny zavatra nomena aoamin’ny “Vakitenin’ny Mpianatra” alohan’ny fotoam-pianarana. Ny fanaovanaizany dia hanampy azy ireo handray anjara amin’ny fifanakalozan-kevitra atao aoamin’ny kilasy.)

LESONA 2

9

Page 22: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

• Ahoana no nahafahan’ireo fitantarana isan-karazany momba ny FahitanaVoalohany manamafy amintsika ny fahamarinan’izany sy mampitombo nyfahatakarantsika an’io zava-nitranga masina io? (Ampio ny mpianatrahahatakatra fa ny fisian’ny fitantarana isan-karazany momba ny FahitanaVoalohan’i Joseph Smith dia afaka mampianatra antsika misimisy kokoamomba an’io zava-nitranga masina io noho ny hoe tsy nananaloharanom-pahafantarana firy isika.)

Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley(1910–2008) ity, ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

“Tsy manahirana ny saiko ny hoe nanome fitantarana isan-karazany ny FahitanaVoalohany ny Mpaminany Joseph Smith, tahaka ny hoe tsy manahirana ny saikony fisian’ny mpanoratra ny filazantsara efatra samy hafa ao amin’ny TestamentaVaovao, izay samy manana ny zavatra tsapany manokana, ary samy milaza nyzava-nitranga mba hanatanterahana ny tanjona manokana nananany amin’nyfanoratana tamin’izany fotoana izany” (“God Hath Not Given Us the Spirit of

Fear,” Ensign, ôkt. 1984, 5).

Mijoroa ho vavolombelona fa tena nisy ny Fahitana Voalohany sy ny Famerenanany filazantsara amin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith.

Joseph Smith—Tantara 1: 8–20Ny fahamarinan’ny Fiangonana dia miankina amin’ny fahamarinan’ny FahitanaVoalohanyManasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny JosephSmith—Tantara 1:8–15.

• Inona ireo zavatra sasany nataon’i Joseph Smith mba hahazoana ny valin’nyfanontaniany?

• Nahoana araka ny eritreritrao no niezaka nanakana an’i Joseph Smith tsyhivavaka i Satana?

Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny JosephSmith—Tantara 1:16–19.

• Inona ireo fahamarinana manan-danja sasany izay ianarantsika avy amin’nyandininy 16–17? (Rehefa mamaly ny mpianatra, dia antitrantero fafahamarinana mandrakizay no naverina tamin’ny laoniny teto an-tanyrehefa niseho tamin’i Joseph Smith ny Ray any an-danitra sy i JesoaKristy.)

Asehoy sy vakio mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Tad R.Callister ity, izay nanompo tao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy. Rehefa mamakyity fanambarana ity ianao, dia azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mbahanisy marika ny fahamarinana nantitranterin’ny Rahalahy Callister ao amin’nysoratra masin’izy ireo. Azonao atao koa ny manoro hevitra azy ireo ny hanoratanyhoe ireo fahamarinana izay nianaran’i Joseph eo amin’ny sisin’ny pejin’ny soratramasina eo akaikin’ny Joseph Smith—Tantara 1:16–19. (Fanamarihana: Ny fianarana

LESONA 2

10

Page 23: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

manisy marika sy manoratra fanamarihana ao amin’ny soratra masina diafahaizana mandalina soratra masina manan-danja izay afaka hanampianao nympianatra ny fanatsarana ny fanaovany izany [jereo ny Gospel Teaching andLearning: A Handbook for Teachers and Leaders in Seminaries and Institutes of Religion(2012), 21].)

“I Joseph Smith no voahosotrin’ny Tompo mba hamerina amin’ny laoniny nyFiangonan’i Kristy eto an-tany. Rehefa nivoaka avy tao amin’ilay alakely izy, dianianatra fahamarinana fototra efatra izay tsy nampianarin’ny ankabeazan’nyfiangonana Kristianina tamin’izany fotoana.

“Voalohany, Nianatra izy fa Andriamanitra Ray sy ny Zanany, Jesoa Kristy, diaolona roa mitokana sy samy hafa. …

“Ny fahamarinana lehibe faharoa hitan’i Joseph Smith dia ny fananan’ny Ray sy ny Zanakavatana nofo sy taolana feno voninahitra. …

“Ny fahamarinana fahatelo nianaran’i Joseph Smith dia ny hoe mbola miresaka amin’nyolombelona Andriamanitra ankehitriny—tsy mikatona ny lanitra. …

“Ny fahamarinana fahefatra nianaran’i Joseph Smith dia ny hoe tsy teto an-tany izany nyFiangonan’i Jesoa Kristy tamin’ny fahafenoany” (“Joseph Smith—Prophet of the Restoration,”Ensign na Liahona, nôv. 2009, 35–36).

• Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe mila fantarina sy takarina ireofahamarinana mikasika ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy ireo?

• Nahoana no manampy amin’ny fanazavana ny antony nanandraman’i Satanany fanakanana ny zatovolahy kely Joseph Smith hivavaka ny filàna an’ireofahamarinana ireo?

Mba hanamafisana ny maha-zava-dehibe ny Fahitana Voalohan’i Joseph Smith, diaasehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley ity aryasao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

“Ny herintsika manontolo dia miankina amin’ny fahamarinan’ny [FahitanaVoalohany]. Na nitranga izany na tsy nitranga. Raha tsy nitranga izany dia laingaity asa ity. Raha nitranga izany, dia ity izany no asa manan-danja symahatalanjona indrindra eto ambany lanitra. …

“… Tamin’ny 1820 no tonga ilay fisehoana feno voninahitra mba ho valin’nyvavaka izay nataon’ny zazalahy iray izay namaky tao amin’ny Baibolin’ny

fianakaviany ny tenin’i Jakoba manao hoe: ‘Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aokaizy hangataka amin’ Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsymandatsa; ary dia homena azy izany’ (Jakoba 1:5).

“Miankina amin’ny fahamarinan’io zava-nitranga miavaka sy mahatalanjona io nyfahamarinan’ity Fiangonana ity” (“The Marvelous Foundation of Our Faith,” Ensign, nôv.2002, 80).

• Inona no ifandraisan’ny fahamarinan’ny Fiangonana amin’ny FahitanaVoalohan’i Joseph Smith?

LESONA 2

11

Page 24: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

• Nahoana no manan-danja ny manana fijoroana ho vavolombelona fa nahita an’Andriamanitra sy ny Zanany Jesoa Kristy i Joseph Smith? (Mety hanomekarazana valinteny samy hafa ny mpianatra, nefa alaivo antoka fa mazava ityfitsipika manaraka ity: Rehefa mahazo fijoroana ho vavolombelona isika fanahita an’ Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy i Joseph Smith, dia afakamahafantatra ihany koa ny fahamarinan’ny Famerenana amin’ny laoninyny filazantsara isika.)

Rehefa mamarana ny lesona ianao, dia antitrantero ny maha-zava-dehibe nyfananana fijoroana ho vavolombelona manokana ny fahamarinan’ny FahitanaVoalohany. Io fijoroana ho vavolombelona manokana io, izay miorina eo amin’nyvatolampin’ny fanambarana, dia manampy antsika hitoetra ho mafy orina amin’nyfinoantsika rehefa manoloana ny fampahalalana diso momba ny MpaminanyJoseph Smith sy ny Fiangonana isika. Mijoroa ho vavolombelona fa ny fombanianaran’i Joseph Smith ny fahamarinana dia hahomby amin’ny tenantsika ihanykoa. Afaka mikatsaka fahamarinana isika, mamaky ireo soratra masina,misaintsaina ary manontany an’ Andriamanitra amin’ny farany, ka dia hamaly Izy(jereo ny Jakoba 1:5). Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fomba nahazoanyfijoroana ho vavolombelona fa ny Ray sy ny Zanaka dia niseho tamin’i JosephSmith. Manokàna fotoana mba hahafahan’ny mpianatra iray na roa mizara nyfomba nahazoany fijoroana ho vavolombelona mikasika ny Fahitana Voalohany.

Vakitenin’ny Mpianatra• Joseph Smith—Tantara 1:1–26.

• Gordon B. Hinckley, “The Marvelous Foundation of Our Faith,” Ensign, nôv.2002, 78–81.

LESONA 2

12

Page 25: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

LESONA 3

Ny Fahatongavan’nyBokin’i Môrmôna

FampidiranaNaniraka ny anjely Môrônia mba hanomana ny MpaminanyJoseph Smith amin’ny fandraisana sy amin’ny fandikana nyBokin’i Môrmôna ny Tompo. Kely ny zavatra fantatra mombany fomba nanatanterahana ny dikan-teny. I Joseph Smith dianilaza fa ny Bokin’i Môrmôna dia nadika “araka nyfanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny”

(sasin-tenin’ny Bokin’i Môrmôna, edisiona tamin’ny 1830).Mba hifanaraka amin’ny ny lalàn’ny fisian’ny vavolombelona(jereo ny 2 Korintiana 13:1), dia namela olona vitsivitsy hafany Tompo mba ho vavolombelon’io rakitsoratra fahiny io. Nytenivavolombelon’izy ireo dia manamafy ny fahamarinan’nyBokin’i Môrmôna ho an’izao tontolo izao.

Vakiteny enti-mandalina• Neal A. Maxwell, “By the Gift and Power of God,” Ensign, jan. 1997, 36–41.

• “Book of Mormon Translation,” Gospel Topics, lds.org/topics.

• “Coming Forth of the Book of Mormon and Restoration of the Priesthood,”toko faha 5 ao amin’ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, ed.faha 2 (Boky torolalan’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana,2003), 52–66.

Sosokevitra Enti-mampianatraJoseph Smith—Tantara 1:30–35, 42–54Nadika araka ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny herinyAsao ny mpianatra iray na roa mba hanolo-tena hamintina amin’ny mpianatrarehetra ny zavatra tadidin’izy ireo mikasika ny famangian’ny anjely Môrônia nytovolahy Joseph Smith tamin’ny alin’ny 21 septambra 1823. Raha ilaina izany, diazarao ity fampahafantarana manaraka ity:

“Ny alin’ny 21 septambra 1823, dia namonjy ny efitrano fandriany tao amin’ny tranohazon’nyfianakaviany tany Palmyra, New York i Joseph Smith, fa tsy natory anefa izy rehefa lasa natorydaholo ny olona hafa, fa nivavaka amim-pahatsorana mba hahafantarany ny tanjon’Andriamanitra ho an’ny tenany. …

“Ho valin’ny vavaka nataony, dia nahita hazavana nipoitra tao an’efitranony, izay tsynitsaha-nitombo mandra-pahatongan’ny efitrano ‘hazava bebe kokoa noho nymitataovovonana’izy. Dia nisy iraka avy any an-danitra niseho teo anilan’ny fandriany, synitsingevaheva ka tsy nandia tany ny tongony ary nanao akanjo lava malalaka izay ‘fotsymangatsakatsaka’. (Joseph Smith—Tantara 1:30–31.) I Môrônia io iraka io, ilay mpaminanyNefita farany indrindra, izay nandevina tany ambanin’ny tany, taonjato maro lasa izay nytakelaka izay mirakitra ny Bokin’i Môrmôna ary mihazona ny fanalahidy momba an’iorakitsoratra masina io izy ankehitriny (jereo ny F&F 27:5). Nirahina izy mba hilaza amin’i Josephfa navelan’ Andriamanitra ny fahotany ary manana asa lehibe hampanaovina azy Izy.Ampahan’izany asa izany ny tokony hankanesan’i Joseph any amin’ny vohitra salasalany iray tsy

13

Page 26: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

lavitra ny toerana misy azy, izay nilevenan’ny rakitsoratra masina iray, voasoratra amin’nytakela-bolamena. … i Joseph dia handika ny rakitsoratra ary hitondra izany ho an’izaotontolo izao.

“Ny ampitson’iny, dia namonjy ilay vohitra salasalany izay nilevenan’ny takelaka mirakitra nyBokin’i Môrmôna i Joseph. Nifankahita tamin’i Môrônia izy ary nahita ny takelaka, fa nolazainakosa izy fa tsy mbola afaka mandray izany mandritra ny efatra taona. …

“… Ny 22 septambra 1827, dia niaraka taminy tany amin’ilay vohitra salasalany [i Emma, vadin’iJoseph] ary niandry azy tsy lavitra tao izy raha napetrak’i Môrônia teo am-pelatanan’nyMpaminany ny takelaka” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007],63–65).

Asao ny mpianatra hanokatra ny pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna ka hamakyny andinin-tsoratra voalohany, ka hijery ny fampahalalana momba an’iorakitsoratra taloha io izay ho tonga sy ho voadika. Rehefa vita ny famakiana, diaasao ny mpianatra hizara ny zavatra hitany. (Tokony hahita ity fahamarinanamanaraka ity ny mpianatra: Nadika araka ny fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra sy ny heriny ny Bokin’i Môrmôna.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Joseph Smith—Tantara 1:34–35. Asaivomanaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady ny fomba iray izay nanampian’nyTompo an’i Joseph Smith tamin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna.

• Araka ireo andininy ireo, inona no fomba iray izay nanampian’ny Tompo an’iJoseph Smith tamin’ny fandikana ny rakitsoratra taloha? (Nanome ny Orima syny Tomima ho an’ny fandikan-teny ny Tompo.)

Hazavao fa fitaovana hafa izay nampiasain’i Joseph Smith tamin’ny fandikana nyBokin’i Môrmôna ny vato kely miendrika atody, antsoina indraindray hoe “nyvaton’ny mpahita,” izay hitany taona vitsivitsy talohan’ny nandraisany nytakela-bolamena (jereo ny “Book of Mormon Translation,” Gospel Topics, lds.org/topics). Ny tantara dia milaza fa indraindray ny Mpaminany dia nampiasa ny Orimasy ny Tomima ary indraindray izy dia nampiasa ny vaton’ny mpahita tamin’nyfandikan-teny.

Vakio mafy ity fanambarana manaraka ity mba hanampiana ny mpianatrahahatakatra fa nanambara ny dikan-tenin’ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny tenyAnglisy ny Tompo ho an’ny Mpaminany tamin’ny alalan’ny Orima sy ny Tomimaary ny vaton’ny mpahita.

“Rehefa nanaovana fanadihadiana momba ny antsipirian’ny fomba nanaovana ny fandikan-tenyi Joseph, dia namerimberina hatrany izy fa nanatontosa izany ‘araka ny fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra sy ny heriny’, ary nisy fotoana izy nanampy hoe: ‘Tsy natao izany mba hilazanaan’izao tontolo izao mikasika ny pitsipitsiny manokana rehetra momba ny fahatongavan’nyBokin’i Môrmôna.’

“Na dia teo aza izany, dia namela tantara maro ireo mpitan-tsoratra sy ireo olona hafa izaynandinika ny fandikan-teny, izay manome fampahafantarana mikasika ny fandikan-teny. Nytantara sasany dia manamarika fa nandalina ny litera teo amin’ny takelaka i Joseph. Nyankamaroan’ny tantara dia miresaka mikasika ny nampiasan’i Joseph ny Orima sy ny Tomima (ny

LESONA 3

14

Page 27: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

fitaovana nampiasaina tamin’ny fandikan-teny na ny vaton’ny mpahita), ary ny tantara maro diamilaza ny nampiasany vato tokana iray. Araka ireo tantara ireo, dia napetrak’i Joseph taoanatin’ny satroka iray ny fitaovana nampiasaina tamin’ny fandikan-teny na ny vaton’ny mpahita,dia nametraka ny tarehiny tao amin’ny satroka izy mba hanakanana ny hazavana ivelany arynamaky mafy ny teny anglisy izay niseho tamin’ilay fitaovana. Ny fomba fandikan-teny izayvoalaza io dia mampahatsiahy ny andinin-tsoratra masina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izaymilaza fa Andriamanitra dia nanomana ‘vato iray izay hamirapiratra ao amin’ny haizina hofahazavana’ [Alma 37: 23–24]” (“Book of Mormon Translation,” Gospel Topics, lds.org/topics).

Hazavao fa niharihary ny fanampian’ny Tompo tamin’ny fotoana kely monjananaovan’i Joseph Smith ny fandikan-tenin’ny Bokin’i Môrmôna. Asehoy ityfanambarana nataon’ny Loholona Russell M. Nelson avy ao amin’ny Kôlejin’nyApôstôly Roambinifolo ity, ary miangavia mpianatra iray hamaky izany mafy:

“Diniho ilay fotoana kely monja nandikan’i Joseph ny Bokin’i Môrmôna. Rahaniasa nanomboka tamin’ny aprily ka hatramin’ny jona 1828 i Joseph, dia nandikany pejy 116 izay narian’i Martin Harris. Namerina indray ny fandikan-tenytamin’ny talata 7 aprily 1829, niaraka tamin’i Oliver Cowdery izaympitan-tsoratra i Joseph. Vonona ilay rakitsoratra dimy amby valopolo andro tatyaoriana, tamin’ny 30 jona an’io taona io. Mazava ho azy fa tsy natokana

tamin’ny fandikan-teny daholo izany fotoana rehetra izany. … Raha heverina tsara izany rehetraizany ka atao tombatombana, dia hita fa dimy amby enimpolo andro niasana na latsak’izany nonanaovan’ny mpaminany sy ireo mpitantsoratra ny fandikan-teny an’ity boky ity, izay ahitana531 pejy ny edisiôna amin’izao fotoana. (See John W. Welch, Ensign, jan. 1988, pp. 46–47.) Rahaaravona ny kajy dia manome pejy valo isan’andro. Diniho izany rehefa mandika boky iray ianao,na rehefa mandamina ny famakianao manokana ny Bokin’i Môrmôna” (“A TreasuredTestament,” Ensign, jolay 1993, 61–62).

• Inona avy ireo fomba sasany izay nitrangan’ny fahatongavan’ny Bokin’iMôrmôna ‘araka ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny”?

• Ahoana no ahafantarantsika fa marina ny Bokin’i Môrmôna, raha tsymahafantatra ny pitsipitsiny rehetra manodidina ny fahatongavan’io boky ioisika? (Afaka mandray fijoroana ho vavolombelona ara-panahy ny Bokin’iMôrmôna isika na dia tsy mahafantratra ny pitsipitsiny rehetra momba nyfandikan-teny.)

• Inona no nanampy anao hahazo fijoroana ho vavolombelona ny Bokin’iMôrmôna?

Asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka ity, izay nataon’ny FilohaGordon B. Hinckley:

“Tamin’ny voalohany dia tonga aloha i Môrônia, niaraka tamin’ny takelaka izaynanaovana ny fandikan-tenin’ny Bokin’i Môrmôna. Tena zava-nitranga tsymanam-paharoa sy manan-danja tokoa izany. Mahatalanjona ny tantaran’iJoseph mikasika ny takela-bolamena. Sarotra ninoana izany fa mora toherina.Mety afaka nanoratra tamin’ny alalan’ny fahaizany manokana ve izy? Ity ilay

LESONA 3

15

Page 28: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

boky, ry rahalahiko sy rahavaviko, mba ho hitan’ny tsirairay, mba ho tsapain’ny tsirairay, mba hovakian’ny tsirairay. Ireo izay nanandrana ny hanazava ny fiaviany, ankoatra ny fitantaran’i JosephSmith, dia tsy nahomby avokoa. Tena tsy nandalo fianarana firy i Joseph; tao anatin’nyfe-potoana kely dia kely anefa no nitondrany ny dikan-teny izay ahitana mihoatran’ny 500 pejyrehefa vita printy. …

“Nandritra izay taona rehetra izay dia maro ny mpitsikera izay nanandrana nanazava izany.Nanohitra izany izy ireo. Nanesoeso izany izy ireo. Mbola naharitra kokoa noho izy rehetra anefany boky, ary lehibe kokoa ny fitaomany ankehitriny raha oharina amin’ny fotoana hafa rehetra aoamin’ny tantarany” (“The Stone Cut Out of the Mountain,” Ensign na Liahona, nôv. 2007, 85).

• Inona no azonao tenenina mba hanampiana ny olona iray izay manana olanaamin’ny finoana ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna?

Mijoroa ho vavolombelona fa ny Bokin’i Môrmôna dia tonga araka nyfanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo sy ireo Vavolombelona ValoHazavao fa teo am-panaovana ny fandikan-tenin’ny Bokin’i Môrmôna i JosephSmith no nianatra fa hanendry olona hafa ny Tompo ho vavolombelon’ilayrakitsoratra taloha (jereo ny 2 Nefia 27:12–13; Etera 5:2–5). Tamin’izany fotoanaizany i Oliver Cowdery, David Whitmer, sy Martin Harris no samy naneho nyfanirian’izy ireo ho vavolombelona telo manokana. Ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 17 dia ahitana ny torolalana nomen’ny Tompo ho an’ireolehilahy ireo.

Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy avy ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:1–6. Asaivo manaraka ny vakiteny nympianatra ka hitady ny zavatra nasain’ny Tompo hataon’ireo vavolombelonaaorian’ny hahitan’izy ireo ny takelaka. Rehefa nizara ny zavatra hitany nympianatra, dia manontania hoe:

• Araka ny eritreritrareo, nahoana ireo lehilahy ireo no nila nampiseho finoanatahaka ireo mpaminany fahiny talohan’ny nanomezan’ny Tompo alalana azyireo hahita ireo takelaka?

• Araka ny andininy 3–5, inona no andraikitra ananan’ireo vavolombelona ireoaorian’ny ahitany ny takelaka?

• Inona no andraikitra ananantsika rehefa asehon’ny Tompo antsika ny amin’nyfahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna? (Tokony hahita ity fitsipika manaraka ityireo mpianatra: Rehefa avy mahazo fijoroana ho vavolombelona nyamin’ny fahamarinana isika dia manana andraikitra hijoro hovavolombelona mikasika izany. [Jereo koa ny F&F 88:81. ]) Azonao atao nymanamarika fa ity fitsipika ity dia ohatra iray ihany koa momba ny fomba fanaoiray izay hita ao amin’ny soratra masina. “Ny fomba fanao dia drafitra, maodely,na fenitra izay afaka ampiasana ho torolalana amin’ny fanaovana nafanamboarana zavatra iray ombieny ombieny” [David A. Bednar, “A Reservoir of

LESONA 3

16

Page 29: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Living Water” (Takariva amorom-patan’ny Oniversite Brigham Young, feb. 4,2007), 5, speeches.byu.edu].)

• Amin’ny fomba ahoana no ilazana fa fanehoana ny finoantsika ny mijoro hovavolombelon’ny fahamarinana?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny tantaran’i Joseph Smith momba ny zavatraniainany niaraka tamin’ny Vavolombelona Telo:

“I Martin Harris, David Whitmer, Oliver Cowdery ary ny tenako dia nifanaiky mba hisitaka ho anyan’ala, ary ny hanandrana handray ny fanatanterahan’ny fampanantenana amin’ny alalan’nyvavaka atao an-kafanam-po sy am-panetrentena. … [Taorian]’ny andrana faharoa nataonay, izaytsy nahomby ihany koa dia niteny taminay i Martin Harris fa tokony hisitaka ny tenany tsyhiara-hivavaka aminay satria, araka ny nolazainy, dia nino izy fa ny naha-teo azy no antony tsynahazoanay ny zavatra nirinay. Noho izany dia nisitaka izy, nandohalika indray izahay, ary tsynivavaka nandritra ny minitra maro akory, no … nitsanganan’ny anjely [Môrônia] teo anoloanay.Nihazona ny takelaka teo an-tanany izy. … Navadibadiny tsirairay ireo takelaka, mbahahafahanay mahita izany, sy manavaka tsara ireo soratra voasokitra eo aminy. … Nahare feoavy amin’ilay hazavana mamirapiratra teo amboninay izahay, nilaza hoe: ‘Nambara tamin’nyalalan’ny herin’ Andriamanitra sy nadika tamin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra ireo takelakaireo. Marina ny dikan-tenin’izy ireo izay hitanareo, ary mandidy anareo aho hijoro hovavolombelon’ny zavatra izay hitanareo sy renareo ankehitriny.’

“Nandao an’i David sy Oliver aho avy eo, ka nandeha nankany amin’i Martin Harris, izay hitakonivavaka tamin-kafanampo tamin’ny toerana lavitra avy teo amin’ny nisy anay. Nilaza tamiko avyhatrany izy anefa fa tsy mbola naharesy lahatra ny Tompo, ary nangataka ahy fatratra izy ny mbahiarahako mivavaka aminy, mba hahazoany fitahiana mitovy amin’izay vao azonay teo.Niara-nivavaka araka izany izahay ka nahazo izay nirinay ihany nony farany, satria tsy mbola vitaakory ny vavaka nataonay dia naseho mba ho hitanay ilay fahitana toy ny teo aloha ihany,farafahakeliny dia naseho tamiko indray izany, ary nahita sy nandre indray ireo zavatra toy ny teoaloha; izay nahatonga an’i Martin Harris, izay hita fa heniky ny fifaliana tokoa, hihiaka tamin’izayfotoana izay hoe: ‘‘Ampy izay; ‘ampy izay; nahita ny masoko; nahita ny masoko’” (ao amin’nyHistory of the Church, 1:54–55).

Niverina tany an-tranon’ny Whitmer i Joseph ary nilaza tamin’ny ray aman-dreniny hoe: “NyTompo dia namela ny takelaka ho aseho ny vavolombelona telo hafa ankoatran’ny tenako, izaynahita anjely ary hanana ny andraikitra ny hanome tenivavolombelona momba nyfahamarinan’ny zavatra voalaza, satria mahafantatra ho an’ny tenany izy ireo fa tsymandehandeha fotsiny aho mba hamitaka ny olona, ary mahatsapa aho fa toy ny nohamaivaninatamin’ny zioga mavesatra izay lehibe loatra ka tsy hay zakaina, … ary mahafaly ny fanahiko nymahafantatra fa tsy irery intsony aho eto amin’izao tontolo izao” (ao amin’ny Lucy Mack Smith,History, 1844–1845, boky 8, pejy 11, josephsmithpapers.org/paperSummarylucy-mack-smith-history-1844-1845).

• Nahoana araka ny hevitrao no nifaly i Joseph taorian’io zavatra niainany io?(Tsy irery intsony izy amin’ny maha-vavolombelon’ny takelaka sy ny iraka avyany an-danitra.)

Hazavao fa nisy ihany koa vavolombelona valo fanampiny izay nanana fahafahanahahita ny takelaka.

Asao ny antsasakin’ny mpianatra hamaky “Ny Tenivavolombelon’ireoVavolombelona Telo” ary ny antsasany hafa hamaky “Ny Tenivavolombelon’ireoVavolombelona Valo”, izay samy hita ao amin’ny pejy teny fampidirana ny Bokin’i

LESONA 3

17

Page 30: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Môrmôna. Asaivo mijery ny singa manan-danja mikasika ny zavatra niainan’ireovavolombelona ny mpianatra. Rehefa avy nomena fotoana ampy izy ireo dia asaony mpianatra maromaro hizara ny zavatra hitany.

• Inona no maha-samy hafa ny zavatra niainan’ny Vavolombelona Telo sy nyan’ny Vavolombelona Valo? (Ny Vavolombelona Telo dia naheno ny feon’Andriamanitra sy nahita anjely iray fa tsy nihazona ny takelaka. NyVavolombelona Valo dia nahita ny takelaka tamin’ny alalan’i Joseph Smith aryafaka nihazona izany. Ny Vavolombelona Valo dia nahazo vavolombelonanotsapain-tanana kokoa momba ny fisian’ny takelaka, raha traikefa ara-panahykosa ny an’ny Vavolombelona Telo.)

• Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe ny fisian’ny vavolombelona maromomba ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna?

Mety tsy mahafantatra ny mpianatra sasany fa ny tsirairay amin’ny VavolombelonaTelo sy ny sasany amin’ny Vavolombelona Valo dia nandao ny Fiangonana tatyaoriana. Asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka ity, izaynataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

“Raha ampitahana amin’ny … fanoherana mety hisy rehetra, dia mitsangana hohery lehibe ny tenivavolombelon’ny Vavolombelona Telo. … Tena fantatra tokoafa, noho ny tsy fifankahazoana na ny fialonana izay nisy teo amin’ny mpitarikahafa tao amin’ny Fiangonana, dia nesorina tsy ho mpikamban’ Ny Fiangonan’iJesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny tsirairay amin’nyvavolombelona telo, teo amin’ny valo taona taorian’ny namoahana ny

tenivavolombelona nomen’izy ireo teo. … Na dia teo aza izany ary na hihatra amin’nyfahafatesan’izy ireo … dia tsy nisy na iray aza no nivadika tamin’ny tenivavolombelona nomenyna nilaza zavatra izay mety niteraka ahiahy mikasika ny fahamarinany.

“Ho fanampin’izany dia hita fa tsy nifanohitra tamin’ny tenivavolombelona nomen’nyvavolombelona valo mihitsy ny an’izy ireo. Mety handà izany ny olona iray, nefa ahoana nohanazavana ny firaisan-kina sy ny fikirizana nananan’ny olona tsara laza telo amin’nyfampahafantarana ny tenivavolombelon’izy ireo, eny fa na dia niantraika tamin’ny fiainany teoanoloan’ny esoeso lehibe sy ny fahavoazana manokana aza? Tahaka ny Bokin’i Môrmôna, dia tsymisy fanazavana tsaratsara kokoa noho izay nomen’ilay tenivavolombelona, ilay fanambarananatao am-boninahitra nomen’ny lehilahy tsara sy mari-toetra izay nilaza fa marina ny zavatrahitany” (“The Witness: Martin Harris,” Ensign, mey 1999, 36).

• Amin’ny fomba ahoana araka ny hevitrao no mahatonga ny tsy fandavanymihitsy ny tenivavolombelona nomeny manamafy ny tenivavolombelon’ireoVavolombelona Telo, na dia taorian’ny nanesorana azy ireo tsy hompikamban’ny Fiangonana aza? (Hazavao fa taty aoriana dia natao batisaindray i Oliver Cowdery sy i Martin Harris.)

Asaivo mijery indray ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:6ny mpianatra, ary antitrantero fa ity andininy ity dia ahitana ny mety hotenivavolombelona lehibe indrindra momba ny Bokin’i Môrmôna. Io andininy iodia mirakitra ny tenivavolombelon’ Andriamanitra Tenany mihitsy, izay nianianatamin’ny velirano, fa ny Bokin’i Môrmôna dia marina.

LESONA 3

18

Page 31: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina hoe azo ampidirina ao amin’ny Bokin’iMôrmôna tsirairay avy ny fijoroana ho vavolombelona an’izy ireo manokanamomba ny Bokin’i Môrmôna. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra izay metyhanampiany ny tenivavolombelony na ny fijoroana ho vavolombelona ananany.

Asao ny mpianatra hizara ny fijoroany ho vavolombelona momba ny Bokin’iMôrmôna amin’ny olona iray, alohan’ny fotoam-pianarana manaraka.

Vakitenin’ny Mpianatra• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17; Joseph Smith—Tantara 1:29–54.

• Neal A. Maxwell, “By the Gift and Power of God,” Ensign, jan. 1997, 36–41.

LESONA 3

19

Page 32: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

LESONA 4

Ny Bokin’i Môrmôna—VatoIfaharan’ny Fivavahantsika

FampidiranaNy Bokin’i Môrmôna no vato ifaharan’ny fivavahantsika aryporofo fa Andriamanitra dia namerina tamin’ny laoniny nyfilazantsaran’i Jesoa Kristy teto an-tany, ho an’nyvanim-potoana iainantsika. Ny Filoha Ezra Taft Benson(1899–1994) dia nampianatra fa ny Bokin’i Môrmôna “novato ifaharana ao amin’ny fijoroantsika ho vavolombelonamomba an’i Kristy. Vato ifaharan’ny fotopampianarantsika

izany. Vato ifaharan’ny fijoroana ho vavolombelona izany”(“The Book of Mormon—Keystone of Our Religion,” Ensign,nôv. 1986, 5). Rehefa manao izay hahatonga ny fijoroany hovavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna ho lalina kokoany mpianatra, dia afaka ho mafy orina manoloana an’ireoizay mikatsaka ny hanaporofo ny tsy fahamarinany izy ireo.

Vakiteny enti-mandalina• Ezra Taft Benson, “The Book of Mormon—Keystone of Our Religion,” Ensign,

nôv. 1986, 4–7.

• Jeffrey R. Holland, “Safety for the Soul,” Ensign na Liahona, nôv. 2009, 88–90.

• “Book of Mormon and DNA Studies,” Gospel Topics, lds.org/topics.

Sosokevitra enti-mampianatraFotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:6; 19:26; 20:5–12Ny Bokin’i Môrmôna no mampiseho fa Andriamanitra dia namerina tamin’ny laoninyfahamarinana amin’izao fotoana izao.Alohan’ny fotoam-pianarana dia soraty eo amin’ny solaitrabe ireto daty syzava-nitranga manaraka ireto.

1820 Nandraisana ny Fahitana Voalohany

1823 Nanomboka namangy i Môrônia

1829 Naverina tamin’ny laoniny ny fisoronana

Jona 1829 Vita ny fandikan-teny ny Bokin’i Môrmôna

6 aprily 1830 Natsangana ny Fiangonana

• Inona no zavatra afaka ianarantsika momba ny fomba nifandimbiasan’ireotrangan-javatra ireo mikasika ny anjara asan’ny Bokin’i Môrmôna amin’nyFamerenana amin’ny laoniny ny filazantsara? (Tsy maintsy vitaina aloha nyBokin’i Môrmôna izay vao afaka averina amin’ny laoniny ny Fiangonana.Hanana anjara asa manan-danja amin’ny fampielezana ny filazantsara izany.)

20

Page 33: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Hazavao fa rehefa naorina tamin’ny aprily 1830 ny Fiangonana, dia vao tapitra tsyela ny nanaovana printy ny Bokin’i Môrmôna, ary ny boky dia vao natao doka hoamin’ny varotra latsaky ny roa herinandro talohan’izay. Asao ny mpianatra hamakymangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:8–12 ary hitady nyzavatra hita ao anatin’ny Bokin’i Môrmôna ary ny zavatra izay porofoiny. Azonaoatao ny miteny ireo mpianatra hanisy marika ny zavatra hitany. (Fanamarihana:Mandritra ity fandaharam-pianarana ity, dia azonao atao ny mamporisika nympianatra ny hanisiany marika ny fahamarinana manan-danja izay hitany aoamin’ny soratra masiny.) Rehefa eo am-pamakiana ny mpianatra dia soraty eoamin’ny solaitrabe ity fanambarana tsy feno manaraka ity:

Manaporofo amin’izao tontolo izao ny Bokin’i Môrmôna fa …

Rehefa nahazo fotoana ampy izy ireo dia apetraho ireto fanontanianamanaraka ireto:

• Araka ny zavatra izay novakianao, ahoana no hamenoanao ny fanambarana tsyampy eo amin’ny solaitrabe. (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra, saingyataovy izay ahitan’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Ny Bokin’iMôrmôna dia manaporofo amin’izao tontolo izao fa marina ireo soratramasina, fa Andriamanitra dia mitaona ny olona am-panahy sy miantso azyho amin’ny asany amin’izao fotoana izao, ary Andriamanitra dia tsymiova.)

• Ahoana no fomba hanaporofoin’ny Bokin’i Môrmôna fa Andriamanitra diamitaona ny olona am-panahy sy miantso azy ho amin’ny asany amin’izaofotoana izao?

• Inona ny fahalalana azon’ny olona iray momba an’i Joseph Smith, rehefa tongaamin’ny fahafantarana izy fa marina ny Bokin’i Môrmôna?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana17:6 sy 19:26 ka hitady ny zavatra izay mampitovy ireo andininy roa ireo.

• Inona no mampitovy ireo andininy roa ireo? (Ny fanambaran’ny Tompo mombany fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna.)

• Inona no lanjan’ny fahafantaranao fa ny Tompo dia nanambara nytenivavolombelony momba ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna?

Vato ifaharan’ny fivavahantsika ny Bokin’i Môrmôna.Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Vato ifaharan’nyfivavahantsika ny Bokin’i Môrmôna.

• Inona no dikan’izany araka ny eritreritrareo?

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson ity (1899–1994), aryasao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

LESONA 4

21

Page 34: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

“Misy antony telo mahatonga ny Bokin’i Môrmôna ho vato ifaharan’nyfivavahantsika. Vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’iKristy izany. Vato ifaharan’ny fotopampianarantsika izany. Vato ifaharan’nyfijoroana ho vavolombelona izany” (“The Book of Mormon—Keystone of OurReligion,” Ensign, nôv. 1986, 5).

Zarao ho vondrona madinidinika ireo mpianatra. Omeo anjara nyvondrona tsirairay mba hifanakalo hevitra momba ireto lohahevitra

manaraka ireto: nahoana ny Bokin’i Môrmôna no “vato ifaharan’ny fijoroantsika hovavolombelona momba an’i Kristy”, nahoana ny Bokin’i Môrmôna no “vatoifaharan’ny fotopampianarantsika”, na nahoana ny Bokin’i Môrmôna no “vatoifaharan’ny fijoroana ho vavolombelona”. (Mety ho ilaina ny hanomezanao anjarany lohahevitra tsirairay ho an’ny vondrona maromaro.) Omeo ny vondrona tsirairayny tahadika mitovy amin’ity taratasy zaraina manaraka ity ary asao izy ireohampiasa ny fanambarana izay mifandray amin’ny lohahevitry nyfifanakalozan-kevitra voarainy.

Ny Bokin’i Môrmôna— Vato Ifaharan’nyFivavahantsika“Vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’i Kristy”

“Ny Bokin’i Môrmôna no vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelonamomba an’i Jesoa Kristy, ary Izy dia vato ifaharan’ny zava-drehetraataontsika koa. Mijoro ho vavolombelona izany fa tena misy Izy. … Nyfijoroany ho vavolombelon’ny Tompo dia mazava, madio tsara ary fenohery. … Maro amin’ireo Kristianina eto amin’izao tontolo izao ankehitrinyno mandà ny maha-Andriamanitra ny Mpamonjy. Mametra-panontaniana

mikasika ilay Fahaterahany mahagaga izy ireo, ilay Fiainany tonga lafatra ary ilayFitsanganany tamin’ny maty tamim-boninahitra izay tena nisy marina. Mampianatramikasika ny fahamarinan’ireo rehetra ireo mazava tsara ny Bokin’i Môrmôna. Mitondra nyfanazavana feno indrindra ny amin’ny fotopampianaran’ny Sorompanavotana koa izany”(Ezra Taft Benson, “The Book of Mormon—Keystone of Our Religion,” Ensign, nôv.1986, 5).

“Vato ifaharan’ny Fotopampianarantsika”

“Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna no ahitantsika ireo fahafenoan’nyfotopampianarana izay ilaina amin’ny famonjena. Ary nampianarinaamin’ny fomba mazava sy tsotra izy ireo ka na dia ny zaza madinika azadia afaka ny hianatra ireo lalan’ny famonjena sy fisandratana. Manolotrazavatra maro izay mampivelatra ny fahatakarantsika nyfotopampianaran’ny famonjena ny Bokin’i Môrmôna. Raha tsy teo izany,

LESONA 4

22

Page 35: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

dia tsy ho feno sy sarobidy toy izao ny ankabeazan’ny fampianarana any amin’ny soratramasina hafa” (Ezra Taft Benson, “The Book of Mormon—Keystone of Our Religion,”Ensign, nôv. 1986, 6).

“Vato ifaharan’ny Fijoroana ho Vavolombelona”

“Vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona ny Bokin’i Môrmôna. Toyny firodanan’ny andohalambo rehefa esorina ny vato ifaharana dia nyfahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna ihany koa no mampijoro na maharava nyFiangonana. … Raha marina ny Bokin’i Môrmôna … dia tsy azo lavina ireozavatra takian’ny Famerenana amin’ny laoniny sy izay rehetra miarakaamin’izany” (Ezra Taft Benson, “The Book of Mormon—Keystone of Our

Religion,” Ensign, nôv. 1986, 6).

Rehefa nomena fotoana ampy, dia asao ny vondrona tsirairay hizara amin’nympianatra rehetra ny zavatra izay nanaovany fifanakalozan-kevitra.

Farano ity ampahan-desona ity amin’ny fangatahana ny mpianatra mba hizara nyzavatra tsapany momba ny Bokin’i Môrmôna ary mba hizara ny nahatonga izanyho vato ifaharan’ny fijoroana ho vavolombelona ho an’ny tenany manokana.

Ireo fahavalo dia miezaka ny hanaporofo fa diso ny Bokin’i MôrmônaAsao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’nyLoholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Nandritra ny fotoana [mihoatra ny 180] taona dia nodinihina sy nenjehina,nolavina sy nofakafakaina tamin’ny singany rehetra ary natao tsikera fatratramihoatra lavitra noho ny boky hafa tamin’ny tantaran’ny fivavahanamaoderina—na mihoatra lavitra noho ny boky rehetra amin’ny tantaran’nyfivavahana ity boky ity. Ary mbola mijoro izany. Ny foto-kevitra tsy nahombymomba ny niandohany dia niforona sy niverimberina ary nanjavona—izay

nanomboka tamin’i Ethan Smith ka hatrany amin’i Solomon Spaulding sy hatrany amin’ny olonanifikitra tamin’ny hadalany ary hatrany amin’ny olona nanana fahaizana ambony manokana izaynanana hevi-dratsy manoloana ny boky. Tsy nisy na dia iray aza tamin’ireo valinteny tenamampalahelo tokoa ireo no nahomby tamin’ny fanadihadiana satria tsy misy valinteny hafaankoatra ny hany izay nomen’i Joseph, ilay mpandika teny vao herotrerony tsy nanam-pahaizana.Amin’izany no hijoroako miaraka amin’ny razambeko, izay nilaza tsotra fotsiny hoe: ‘Tsy misyolon-dratsy afaka nanoratra boky tahaka ity; ary tsy misy olona tsara afaka nanoratra izany, rahatsy hoe marina izany ary nodidian’ Andriamanitra hanao izany izy’” (“Safety for the Soul,”Ensign na Liahona, nôv. 2009, 89).

LESONA 4

23

Page 36: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

• Nahoana no zava-dehibe ny mahatsiaro fa ireo fahavalon’ny Fiangonanaamin’izao fotoana izao dia matetika manandrana ny hanoso-potaka ny Bokin’iMôrmôna?

• Ahoana no hanohanan’ny fanambarana nataon’ny razamben’i LoholonaHolland ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna?

Ho ohatra, dia azonao atao ny manazava fa ny fomba iray hanandraman’nyfahavalon’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao amin’ny fanosoram-potaka nyBokin’i Môrmôna dia ny fampiasana ny porofo amin’ny alalan’ny ADN mbahanandramana ny fanaporofoana fa diso ny rohy rehetra izay mety hisy amin’nyvahoaka ao amin’ny Bokin’i Môrmôna sy ny Amerikana Indiana. Raha mananaolana manoloana an’ity zavatra ity ny mpianatra dia amporisiho izy ireo mbahamaky ny lahatsoratra ao amin’ny Ireo Lohahevitry ny Filazantsara “Book ofMormon and DNA Studies,” izay hita ao amin’ny lds.org/topics.

Hazony mafy ny fahamarinana fantatraoAsaivo maka sary an-tsaina ny mpianatra hoe misy namany iray izay nilaza fanahare zavatra izay toa mifanohitra amin’ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna.

• Inona no torohevitra izay homenao an’ilay namanao?

• Ahoana no hanampian’ny fijoroanao ho vavolombelona momba nyfahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna anao rehefa miatrika tsikera manenjika nyBokin’i Môrmôna ianao?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’nyLolohona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Amin’ny fotoan’ny … ahiahy na ny tebiteby dia hazony ilay finoana izay efaanananao, na dia voafetra ihany aza izany. … Rehefa tonga ireny fotoana irenyka mitranga ny olana dia tsy ho tonga avy hatrany ny vahaolana, hazony mafyizay efa fantatrao ary mahatanjaha hatrany mandra-pahazoanao fahalalanamisimisy kokoa” (“Tompo ô, Mino aho” Ensign na Liahona, mey 2013, 93–94).

• Ahoana no mety hampiharanao ny fanambarana nataon’ny Loholona Hollandrehefa miatrika fanontaniana momba ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmônaianao? (Mety handroso valinteny isan-karazany ny mpianatra, kanefa tokonyantitranterinao ity fitsipika manaraka ity: Rehefa miatrika fanontaniana nafisalasalana momba ny filazantsara isika, dia tokony hihazona mafy izayefa fantatsika fa marina isika ary mahatoky fa na hahita valintenyamin’ny fandalinana misimisy kokoa isika na Andriamanitra nohanambara ny valinteny amin’ny fotoana ho avy.)

• Inona ireo fahamarinana efa fantatrao momba ny Bokin’i Môrmôna sy nyfitsipika hita ao aminy? Ahoana no nahafantaranao izany?

Farano ny lesona amin’ny fampisehoana ity fanambarana manaraka ity, izaynataon’ny Filoha Ezra Taft Benson ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

LESONA 4

24

Page 37: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

“Tokony handalina ny Bokin’i Môrmôna mandritra ny androm-piainany nyOlomasin’ny Andro Farany tsirairay. Fa raha tsy izany dia tandindomin-doza nyfanahiny ary mandà ireo zavatra izay tokony hitondra firaisan-kina ara-panahy syara-pahalalana eo amin’ny fiainany manontolo izy. Misy maha-samy hafa azy nyolona iray izay niova fo ka miorina eo amin’ny vatolampin’i Kristy amin’nyalalan’ny Bokin’i Môrmôna ary mihazona mafy ny anjam-by, sy ny olona izay tsy

manao izany” (“The Book of Mormon Is the Word of God,” Ensign, jan. 1988, 5).

• Ahoana no fomba niarovan’ny fandalinana tsy tapaka ny Bokin’i Môrmônaanao ho afaka amin’ireo izay mikasa ny hamotika ny finoanao?

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna. Asaoireo mpianatra handinika ny fomba nisian’ny Bokin’i Môrmôna fiantraikany teoamin’ny fiainan’izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra ny zavatra afaka ataony mbahanaovany laharam-pahamehana bebe kokoa ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna.Ampahatsiahivo ny mpianatra ny fampanantenana nomen’i Môrônia, izay hita aoamin’ny Môrônia 10:3–5, fa ireo izay maniry ny hankahery ny fijoroana hovavolombelona ananany momba ny Bokin’i Môrmôna dia afaka manao izanyamin’ny fandalinana ny boky sy amin’ny fivavahana mikasika ny fahamarinany.

Vakitenin’ny Mpianatra• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:6; 19:26; 20:5–12.

• Jeffrey R. Holland, “Safety for the Soul,” Ensign na Liahona, nôv. 2009, 88–90.

LESONA 4

25

Page 38: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

LESONA 5

Ny Famerenana amin’nyLaoniny ny Fisoronana

FampidiranaNy 15 mey 1829, dia niseho tamin’i Joseph Smith sy i OliverCowdery i Jaona Mpanao Batisa ary namerina tamin’nylaoniny ny Fisoronana Aharôna. Fotoana fohy taorian’izay,dia niseho tamin’i Joseph sy i Oliver i Petera, Jakoba aryJaona, Apôstôly taloha ary namerina tamin’ny laoniny nyFisoronana Melkizedeka. Ny Fisoronana Melkizedeka no

mihazona ny fahefana eo ambonin’ny anjara fanompoanarehetra ao amin’ny Fiangonana ary mitantana ny zavatraara-panahy rehetra. Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatrahahatakatra ny fomba fiasan’ny Fiangonana eo ambanyfitarihan’ny Fisoronana Melkizedeka.

Vakiteny enti-mandalina• Thomas S. Monson, “The Priesthood—a Sacred Gift,” Ensign na Liahona, mey

2007, 57–60.

• Dallin H. Oaks, “Ny fanalahidy sy ny fahefan’ny Fisoronana,” Ensign naLiahona, mey 2014, 49–52.

• Larry C. Porter, “The Restoration of the Aaronic and Melchizedek Priesthoods,”Ensign, des. 1996, 30–47.

Sosokevitra Enti-mampianatraJoseph Smith—Tantara 1:68–71; Fotopampianarana syFanekempihavanana 13:1Namerina tamin’ny laoniny ny Fisoronana Aharôna i Jaona Mpanao BatisaAsehoy ny sarin’ ny batisa iray (jereo nyZatovolahy iray atao Batisa [Bokymirakitra sary momba ny Filazantsara(2009), lah. 103; jereo koa ny LDS.org])ary ny sary izay mampiseho nyfanamasinana ny fanasan’ny Tompo(jereo ny Manamasina ny Fanasan’nyTompo [ Boky mirakitra sary momba nyFilazantsara, lah. 107; jereo koa nyLDS.org]). Asao ny mpianatrahamariparitra ny mety hiova amin’nyfiainany raha tsy nanana fahafahanahandray ireo ôrdônansy masina ireo izy.Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ireoôrdônansy ireo dia anisan’ireo fitahianaazontsika noho ny famerenanatamin’ny laoniny ny FisoronanaAharôna.

26

Page 39: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Asao ny mpianatra iray hamaky mafyny Joseph Smith—Tantara 1:68. Asaivomanaraka ny vakiteny ny mpianatra kahamantatra ny zavatra nataon’i JosephSmith sy i Oliver Cowdery izay nitarikaazy ireo hanontany ny Tompo mikasikany batisa. Asaivo manao tatitra nyzavatra hitany izy ireo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafyny Joseph Smith—Tantara 1:69. Marihofa ny teny nolazain’ilay iraka, i JaonaMpanao Batisa, dia voasoratra ihanykoa ao amin’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 13. Anontanio nyiray kilasy hoe:

• Nahoana no nilain’i Joseph Smith syi Oliver Cowdery ny fandraisana nyfisoronana avy amin’ny iraka avyany an-danitra? (Tsy nisy olona nihazona ny fanalahidin’ny fisoronana tetoan-tany tamin’izany fotoana izany [jereo ny Ireo Fanekem-pinoana 1:5].)

Asao ny mpianatra hamaky ny Joseph Smith—Tantara 1:70–71. Hazavao fa ireoandininy ireo dia manome fanazavana ny hoe ny Mpaminany Joseph no nampiasavoalohany indrindra ny fisoronana tamin’ity fotoampitantanana ity. Manontanytena ny olona sasany hoe nahoana i Jaona Mpanao Batisa no tsy nanao batisa an’iJoseph Smith sy i Oliver Cowdery ary nahoana ny lehilahy roa no nodidiana nyhifanome indray ny fisoronana. Azonao atao ny manazava fa raha nilain’ny irakaavy any an-danitra izay mihazona ny fahefana ny namerina ny fahefan’nyfisoronana tamin’ny laoniny teto an-tany ho an’ny fotoampitantanana vaovao, nyôrdônansy atao eto an-tany rehetra kosa toy ny batisa na ny fanendrena dia tokonytontosain’ny olona mety maty, vantany vao tafaverina amin’ny laoniny io fahefanaio. Ho fanampin’izay, ny torolalana nomen’i Jaona Mpanao Batisa fa tokonyhifanome ny fisoronana indray i Joseph sy i Oliver dia nametraka “ny fanendrenasy ny batisa ho eo amin’ny fifandraisana tokony hisy azy [na amin’ny laminatokony hisy azy]” (Joseph Fielding Smith, Doctrines of Salvation, natambatr’iBruce R. McConkie, boky 3. [1954–56], 3:91).

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity:

Ahoana no fomba hanampian’ny Fisoronana Aharôna antsika amin’nyfandraisana ny fitahian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

Amporisiho ny mpianatra handinika an’io fanontaniana io rehefa mamaky mafy ityfanambarana manaraka nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks avy ao amin’nyKolejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity ianao:

LESONA 5

27

Page 40: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

“Inona no hevitry ny hoe ny Fisoronana Aharôna dia mihazona ny ‘fanalahidin’nyfanompoan’ny anjely’ sy ny ‘an’ny filazantsaran’ny fibebahana ary ny batisa sy nyfamelana ny fahotana’? Ny hevitr’izany dia hita ao amin’ny ôrdônansin’ny batisasy ny fanasan’ny Tompo. Ny batisa dia ho an’ny famelana ny fahotana, ary nyfanasan’ny Tompo dia fanavaozana ny fanekempihavanan’ny batisa sy ireofitahiana entiny. Samy tokony hialohavan’ny fibebahana izy roa ireo. …

“Tsy misy na dia iray aza [amintsika] ka hoe niaina tsy nanao fahotana hafa taorian’nybatisa[ntsika]. Raha tsy misy fanadiovana fanampiny atolotra aorian’ny batisantsika dia samyvery avokoa isika tsirairay raha ny ara-panahy. …

“Didiana isika mba hibebaka amin’ny fahotantsika ka hanatona ny Tompo amin’ny fo torotoro syfanahy manenina ka handray ny fanasan’ny Tompo mba hankatoavana ny fanakempihavananamifandraika amin’izany. Rehefa manavao ny fanekempihavanantsika tamin’ny batisa amin’iofomba io isika, dia havaozin’ny Tompo ilay hery manadio ananan’ny batisantsika. …

“Tsy afaka ny hoe diso manantitrantitra be loatra ny lanjan’ny Fisoronana Aharôna isikamikasika izany. Ireo dingana manan-danja rehetra ireo izay mikasika ny famelan-keloka diatanterahina amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny famonjen’ny batisa sy ny ôrdônansy manavaon’nyfanasan’ny Tompo” (“The Aaronic Priesthood and the Sacrament,” Ensign, nôv. 1998, 37–38).

Asao ny mpianatra hizara ny valintenin’izy ireo mikasika ilay fanontaniana enyamin’ny solaitrabe. Mijoroa ho vavolombelona fa ny ôrdônansin’ny FisoronanaAharôna dia mamela antsika ny fitahiana maro avy amin’nySorompanavotan’i Jesoa Kristy, anisan’izany ny batisa ho an’nyfamelan-keloka.

Joseph Smith—Tantara 1:72; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana84:19–22; 107:8, 18–19Namerina tamin’ny laoniny ny Fisoronana Melkizedeka i Petera, sy i Jakôba aryi Jaona.Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra rehefa nasainao hamaky mafy nyJoseph Smith—Tantara 1:72 ny mpianatra iray. Mba hanampiana ny mpianatrahanana fahatakarana mivelatra kokoa momba ny toe-javatra nisy tamin’ityandinin-tsoratra masina ity, dia hazavao fa fotoana kely taorian’ny famangian’iJaona Mpanao Batisa, no nandraisan’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery nyFisoronana Melkizedeka avy tamin’i Petera, sy i Jakoba ary i Jaona. Tamin’ny mey1829 izany no nitranga, tamin’ny toerana akaiky ny Renirano Susquehanna (jereony Larry C. Porter, “The Restoration of the Aaronic and Melchizedek Priesthoods,”Ensign, des. 1996, 30–47). Taorian’ny nananganana ny Fiangonana, dia nandrayfanambarana hafa mikasika ny fotopampianarana sy tanjon’ny fisoronana nyMpaminany. Ny fisoronana dia lohahevitra iray miverimberina ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Asao ny mpianatra handalina am-pahanginana ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 84:19 sy ny 107:8, 18–19, ary hitady ny fombahamariparitan’ireo andininy ireo ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka. Azonaoatao ny manoro hevitra ny mpianatra ny hampifandraisany ny soratra masina eoamin’ireo andininy ireo. (Fanamarihana: Ny fampifandraisana soratra masina diafitaovana fandalinana soratra masina iray izay afaka mitondra fampahafantarana

LESONA 5

28

Page 41: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

fanampiny sy hevi-baovao amin’ny andinin-tsoratra masina izay ianarana. Rehefanomena fotoana ampy ny mpianatra, dia asao izy ireo hizara ny zavatra izaynianarany momba ny Fisoronana Melkizedeka. Rehefa manome valinteny izy ireo,dia soraty ireto andian-teny ireto eo amin’ny solaitrabe:

Mitantana ny filazantsara

Mihazona ireo fanalahidin’ny misterin’ny fanjakana

Mihazona ny fanalahidin’ny fahalalana an’ Andriamanitra

Mihazona ny fanalahidin’ny fitahiana ara-panahy ao amin’ny Fiangonana

Mihazona ireo fanalahidin’ny fandraisana fanambarana

Mihazona ireo fanalahidy mba hifanerasera amin’ny tafika avy any an-danitraary amin’ny fitoerana miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka

Azonao atao ny mamintina ireo valinteny eo amin’ny solaitrabe amin’ny fanaovanany fanantitranterana ity fahamarinana manaraka ity: Ny Fisoronana Melkizedekadia mihazona ny fanalahidin’ny ôrdônansy sy ny fitahiana ara-panahyrehetra ao amin’ny Fiangonana. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatrabebe kokoa ny andian-teny eo amin’ny solaitrabe, dia manaovafifanakalozan-kevitra mikasika ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka iretona mikasika an’ireo fanontaniana manontolo:

• Inona no fomba sasany izay mahatonga ny Fisoronana Melkizedeka “mitantanany filazantsara”? (F&F 84:19). (Ny valinteny dia mety ahitana ny fitantananaôrdônansy manokana na ny fiahiana sy fitarihana ny Fiangonana.)

• Inona araka ny hevitrao no mety ho dikan’ny hoe ny Fisoronana Melkizedekadia “mihazona ny fanalahidin’ny misterin’ny fanjakana”? (F&F 84:19). (Metyilaina ny hanazavanao fa “ny misterin’ny fanjakan’ Andriamanitra dia ireofahamarinana ara-panahy tsy hay fantarina afa-tsy amin’ny alalan’nyfanambarana” [Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Misterin’ Andriamanitra,”scriptures.lds.org]. Ankoatran’ny mistery hafa, ity andininy ity dia milazamomba ny ôrdônansin’ny tempoly izay hambara tsy ho ela amin’i Joseph Smithary ny tsy maintsy hitantanana izany amin’ny alalan’ny fahefan’ny FisoronanaMelkizedeka. Ny mpikamban’ny Fiangonana mendrika dia afaka mianatra nysasantsasany amin’ny “misterin’ Andriamanitra” ao amin’ny tempoly, rehefamandray anjara amin’ny ôrdônansy izay tanterahina any ary rehefa mitandrinany fanekempihavanana mifanaraka amin’izany.)

• Ahoana no hanampian’ny Fisoronana Melkizedeka antsika hahazo “fahalalanaan’ Andriamanitra”? (F&F 84:19). (Mahazo fahalalana an’ Andriamanitra isikarehefa mandray anjara amin’ny ôrdônansy izay tanterahin’ny FisoronanaMelkizedeka.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny andian-teny hoe “ny fahalalana an’Andriamanitra” dia azonao atao ny mamaky ity fanambarana manaraka nataon’nyFiloha James E. Faust (1920–2007) tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity:

LESONA 5

29

Page 42: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

“Inona no atao hoe fanalahidin’ny fahalalana an’ Andriamanitra, ary afakamandray izany daholo ve ny rehetra? Raha tsy misy ny fisoronana dia tsy misy nyfahafenoan’ny fahalalana an’ Andriamanitra. Ny Mpaminany Joseph Smith dianilaza fa ny ‘Fisoronana Melkizedeka … no lalana hahatongavan’ny fahalalanarehetra, ny fotopampianarana rehetra, ny drafitry ny famonjena, ary ny zavatramanan-danja rehetra izay hambara avy any an-danitra’ [Enseignements des

Présidents de l’Église: Joseph Smith (2007), 115]” (“The Key of the Knowledge of God,” Ensign,nôv. 2004, 52).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 84:20–22. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra, kahitady ny fomba handraisan’ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay ny fitahianaara-panahy izay misy noho ny Fisoronana Melkizedeka. Avy eo dia apetraho iretofanontaniana ireto:

• Inona no ôrdônansy izay tsy afaka tanterahina afa-tsy amin’ny alalan’nyfahefan’ny Fisoronana Melkizedeka? (Ny fandraisana ho mpikambana, nyfanomezana ny Fisoronana Melkizedeka, ny ôrdônansin’ny tempoly, nyfitsofandrano ny zazakely, ny fametrahan-tanana ny marary, ny tsodranon’nypatriarika, ny fanokanana ny olona iray ho amin’ny antso iray)

• Ahoana no hanampian’ny ôrdônansin’ny fisoronana ny olona mba hiaina “nyherin’ny toetra araka an’ Andriamanitra”, izany hoe ny hery mba ho lasa tahakaan’ Andriamanitra?

• Ahoana no hanampian’ny ôrdônansin’ny Fisoronana Melkizedeka antsikahiomana hahita ny tavan’ Andriamanitra?

• Ahoana no nanampian’ny ôrdônansin’ny fisoronana anao hitovy bebe kokoaamin’ Andriamanitra?

• Inona ireo traikefa hafa izay nandray anjara tamin’ny fankasitrahanao sytamin’ny fanananao fijoroana ho vavolombelona momba ny fisoronana?

Hevero ny hizara ny fijoroana ho vavolombelona izay anananao mikasika nyfitahian’ny fisoronana. Amporisiho ny mpianatra handinika ny zavatra afaka ataonymba hanarahany bebe kokoa ny torolalana avy amin’ny mpitarika ao amin’nyfisoronana.

Vakitenin’ny Mpianatra• Joseph Smith—Tantara 1:68–72; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

13:1; 84:18–22; 107:1–19.

• Thomas S. Monson, “The Priesthood—a Sacred Gift,” Ensign na Liahona, mey2007, 57–60.

LESONA 5

30

Page 43: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

LESONA 6

Ny Firafitry ny FiangonanaFampidiranaNandidy ny Tompo, tamin’ny alalan’ny fanambarana nomenany Mpaminany Joseph Smith, fa tokony hatsangana ny6 aprily 1830 ny Fiangonany (jereo ny F&F 20, sasin-tenin’nyfizarana; F&F 20:1). Io fanambarana io koa dia nanomefahatakarana misimisy kokoa ny mpikambana mikasika nyasa sy fampianaran’ny Mpamonjy. Tamin’ny fanambarana

izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 1:30, dia nolazain’ny Tompo ho ilay“hany fiangonana marina sy velona eto ambonin’ny tanymanontolo” ny Fiangonana tafaverina amin’ny laoniny, izaymanantitrantitra hatrany ny anjara asan’ny Fiangonanaamin’ny andro farany sy amin’ny fiainantsika.

Vakiteny enti-mandalina• Henry B. Eyring, “The True and Living Church,” Ensign na Liahona, mey

2008, 20–24.

• “Organization of the Church of Jesus Christ,” toko 6 ao amin’ny Church Historyin the Fulness of Times Student Manual, ed. faharoa (Boky torolalan’nyDepartemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003), 67–68.

• Boyd K. Packer, “The Only True Church,” Ensign, nôv. 1985, 80–83.

• Jeffrey G. Cannon, “ ‘Build Up My Church’: D&C 18, 20, 21, 22,” Revelations inContext series, jan. 3, 2013, history.lds.org.

Sosokevitra Enti-mampianatraFotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:1–3Ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa KristyAtombohy ny lesona amin’ny fangatahana ireo mpianatra mba hamariparitra nyzavatra fantany momba ny Fiangonana natsangan’i Jesoa Kristy tamin’nyvanim-potoan’ny Testamenta Vaovao. Anontanio avy eo hoe:

• Inona no zavatra fantatsika fa nitranga tamin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristytaorian’ny nahafatesan’ireo Apôstôly?

• Ahoana no hanazavan’izany fa ilaina ny famerenana amin’ny laoniny nyFiangonan’i Jesoa Kristy?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity ary asaivomihaino ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny fomba nahafahan’ny fanangananaNy Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany namerinatamin’ny laoniny ny toetra manokana manan-danja nisy tao amin’ny Fiangonananatsangan’i Jesoa Kristy tamin’ny vanim-potoan’ny Testamenta Vaovao.

“Ny 6 aprily 1830, 11 andro monja taorian’ny namoahana ny Bokin’i Môrmôna ho amin’nyvarotra, dia nisy vondrona olona niisa 60 teo ho eo niangona tao amin’ny tranohazon’i PeterWhitmer rainy tao Fayette, New York. Tao no nandrafetana tamin’ny fomba ôfisialy nyFiangonana, izay nantsoina taty aoriana tamin’ny alalan’ny fanambarana hoe Ny Fiangonan’i

31

Page 44: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (jereo ny F&F 115:4). Izany dia fotoan-kafaliana,izay nahatsapana betsaka ny Fanahy. Notanterahina ny fanasan’ny Tompo, natao batisa nympino, noraisina ny fanomezan’ny Fanahy Masina, ary notendrena tao amin’ny fisoronana nylehilahy. Tamin’ny fanambarana noraisina nandritra ny fivoriana, no nanendren’ny Tompo an’iJoseph Smith ho mpitarika ny Fiangonana: ‘ho mpahita, ho mpandika teny, ho mpaminany, hoapostolin’i Jesoa Kristy, ho loholon’ny fiangonana, noho ny sitrapon’ Andriamanitra Ray sy nyfahasoavan’i Jesoa Kristy Tomponao’ (F&F 21:1). Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia tafaorina indrayteto ambonin’ny tany” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 9–10).

Asao ny mpianatra hamariparitra ny toetra manokana sasany izay itovizan’nyFiangonan’i Jesoa Kristy tafaverina amin’ny laoniny sy ny Fiangonana tamin’nyTestamenta Vaovao.

Hazavao fa rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, diaafaka manampy ny famakiana ny sasin-tenin’ny fizarana. Izany dia manampyamin’ny fahafantarana ny sahan-kevitra ara-tantaran’ny fanambarana. Asao nympianatra iray hamaky mafy ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 20. (Mety ho ilainao ny manamarika faao amin’ny edisiona 2013 ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, dianampiana tao amin’ny sasin-tenin’ny fizarana ny fampahafantarana ara-tantarasasany izay tsy tafiditra tao amin’ny edisiona 1981.) Asao ny mpianatra iray hafahamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:1–3. Asaivomanaraka ny vakiteny ny mpianatra, ary hitady ny hevi-baovao momba nyFamerenana amin’ny laoniny ny filazantsara. Anontanio hoe:

• Inona ireo fahamarinana mikasika ny Famerenana amin’ny laoniny nyfilazantsara, izay ampianarina ao amin’ireo andininy ireo? (Iray amin’ireofotopampianarana izay mety ho hitan’ireo mpianatra ny hoe: Voantson’Andriamanitra i Joseph Smith ary nodidiany handamina ny Fiangonan’iJesoa Kristy.

Vakio mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley(1910–2008) ity:

“I Joseph Smith sy ny mpiara-miasa taminy dia nivory tao amin’ny tranohazo tsynisy haingony tao amin’ny toeram-piompiana sy fambolen’i Peter Whitmer taoamin’ny tanana kelin’i Fayette, New York, ary nanorina ny Fiangonan’i Kristy. …

“Avy tamin’ireo mpikambana enina tany am-piandohana no nitomboan’nyfianakaviamben’ny mpivavaka. … Avy tamin’ny tanana kely tsotsotra nonitomboan’ny asa lehibe izay mieli-patrana maneran’ny firenena miisa 160 eto

an-tany ankehitriny. … Fitomboana tena mahavariana izany. Betsaka kokoa ny mpikamban’nyFiangonana monina ivelan’ity firenena ity noho ireo monina ao aminy. Izany, koa, dia zavatratena mahavariana. Tsy nisy fiangonana hafa nipoitra avy tamin’ny Amerika izay nitombohaingana kokoa na niely bebe kokoa. … Zava-nitranga tsy mbola nisy tamin’ny tantara izany”(“The Church Goes Forward,” Ensign, mey 2002, 4).

• Inona no zavatra mahavariana anao amin’ny fitombon’ny Fiangonana hainganaamin’ny andro farany?

LESONA 6

32

Page 45: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

• Amin’ny maha olon-tsotra antsika, Inona no fomba hanampiana nyFiangonan’ny Tompo mba hitombo hatrany amin’izao fotoana izao?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:17–37, 68–69Ny fotopampianaran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy sy ny adidin’ny mpikambanavita batisa.Hazavao fa ny fizarana 20 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavananadia fantatry ny mpikambana teny am-piandohana ho Fanekem-pinoana syFanekempihavanan’ny Fiangonana. Mirakitra torolalana maro avy amin’ny Tompomikasika ny fotopampianaran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy sy ny adidin’nympikambana ao aminy io fizarana io. Novakiana mafy tamin’ny fihaonamben’nyFiangonana tany am-piandohana sasany ity fanambarana ity.

Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina fa izy ireo dia mpikambana vaovao taoamin’ny Fiangonana tamin’ny 1830 ary mikatsaka ny hahafantatra ny zavatratokony hinoany amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy azy ireo.Asao ny antsasakin’ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 20:17–28 ary ny antsasany ambiny hamaky ny andininy 29–36,ka hitady ny fotopampianarana izay zava-dehibe ny fahafantaran’ny mpikambanatsirairay ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo tafaverina amin’ny laoniny azy. Azonaoatao ny manasa azy ireo hanisy marika ny zavatra hitany.

Rehefa nomena fotoana ampy ny mpianatra, dia asao izy ireo hizara nyfahamarinana hitany ary hanazava ny antony maha-zava-dehibe ny fahamarinanatsirairay. Azonao atao ny manoratra ity fahamarinana manaraka ity eo amin’nysolaitrabe: Tamin’ny alalan’ny fanambarana no nanazavan’ny Tompo nyfotopampianarana sy ny fitsipika izay ifotoran’ny filazantsara.

Azonao atao ny manasa ny antsasakin’ny mpianatra mba hamaky nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37, ka hitady ny fepetra takianaamin’ireo izay maniry hatao batisa. Asao ny antsasany ambiny hamaky nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:68–69, ka hitady ny zavatraandrasan’ny Tompo amintsika aorian’ny batisantsika. Mariho fa ny torolalana hitaao amin’ireo andininy ireo dia mandrafitra fomba mazava tsara ho an’nympikamban’ny Fiangonana.

Ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny mpianatra ireto fanontaniana manaraka ireto:

• Inona no zavatra tsy maintsy asehon’ny olona iray alohan’ny hanaovana batisaazy? (Tokony hahita ity manaraka ity ny mpianatra: Alohan’ny tokonyhanaovana batisa ny olona iray, dia tsy maintsy mampiseho izy fa manetrytena, mibebaka, vonona ny hitondra ny anaran’i Jesoa Kristy ary mananany finiavana hanompo Azy hatramin’ny farany.)

• Inona no zavatra andrasan’ny Tompo amintsika aorian’ny batisantsika? (Metyho samy hafa ny valintenin’ireo mpianatra, kanefa tokony ho hitan’izy ireo ityfitsipika manaraka ity: Aorian’ny batisa dia maneho amin’ny Tompo nyfahamendrehantsika isika amin’ny alalan’ny fandehanantsika sy nyfiresahantsika araka an’ Andriamanitra.

• Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “maneho … fandehanana syfiresahana araka an’ Andriamanitra”? (F&F 20:69).

LESONA 6

33

Page 46: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

• Nahoana no afaka tonga amin’ny mpikamban’ny Fiangonana izay “[mandeha]amin’ny fahamasinana eo anoloan’ny Tompo” ny fitahiana? (F&F 20:69).

Raha mbola misy ny fotoana, dia manaova fanamarihana amin’ny mpianatra fa nyfotopampianarana sy ny fombafomba ao amin’ny Fiangonana voasoratra aoamin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20 dia hita ihany koa aoamin’ny Bokin’i Môrmôna, izay manampy antsika hahatakatra fa ny Fiangonan’iJesoa Kristy amin’ny fotoampitantanana rehetra dia mitovy hatrany. Ohatra, ireofotopampianarana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana20:17–36 dia hita ihany koa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Tahaka izany koa, ireoôrdônansy sy ireo fombafomba voasoratra ao amin’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 20:73–80 dia voasoratra ihany koa ao amin’ny Bokin’iMôrmôna.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30Ilay “hany Fiangonana velona sady marina”Hazavao fa betsaka ny olona ankehitriny no mino fa ny fiangonana rehetra diamarina avokoa ary manana zo mitovy eo anatrehan’ Andriamanitra. Teo amin’nyherintaona sy tapany teo ho eo taorian’ny nandrafetana Ny Fiangonan’i JesoaKristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany anefa, dia nanome famariparitanamanan-danja tokoa mikasika ny Fiangonana ny Tompo. Asao ny mpianatrahamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30. Anontanioavy eo hoe:

• Ahoana no namariparitan’ny Tompo ny Fiangonana tafaverina amin’nylaoniny? (Tokony haneho ity fahamarinana manaraka ity ny mpianatra: NyFiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no hanyfiangonana marina sady velona eto ambonin’ny tany.)

• Midika inona aminao ny hoe Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’nyAndro Farany no “hany fiangonana marina sady velona” eto ambonin’ny tany?(Alohan’ny fanomezan’ny mpianatra valinteny, dia mety ilaina nyhampahatsiahivanao azy ireo fa ity fotopampianarana ity dia tsy natao mbahahatsapantsika ny tenantsika ho ambonimbony kokoa noho ny hafa.)

Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Henry B. Eyring avy amin’nyFiadidiana Voalohany sy ny Loholona David A. Bednar avy amin’ny Kolejin’nyApôstôly Roambinifolo ity, ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy. Asaivomanaraka ny vakiteny ny mpianatra ambiny, ary hitady ny antony hilazana fa NyFiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ho ilay “hanyfiangonana marina sy velona.”

“Ity no Fiangonana marina, ilay hany Fiangonana marina, satria hita ao aminy nyfanalahidin’ny fisoronana. Ato amin’ity Fiangonana ity ihany no nametrahan’nyTompo ny hery mamehy eto an-tany sy mamehy any an-danitra tahaka nynataony tamin’ny vanim-potoan’ny Apôstôly Petera. Ireo fanalahidy ireo dianaverina tamin’ny laoniny tamin’i Joseph Smith, izay nahazo alalana avy eo nyhanome izany ho an’ny mpikamban’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo”

(Henry B. Eyring, “The True and Living Church,” Ensign na Liahona, mey 2008, 20).

LESONA 6

34

Page 47: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

“Ny Tompo dia nanambara fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’nyAndro Farany dia “ilay hany Fiangonana marina sy velona eto ambony tanymanontolo’ (F&F 1:30). Ity Fiangonana naverina tamin’ny laoniny ity dia marinasatria Fiangonan’ny Mpamonjy; Izy no ‘lalana sy fahamarinana ary fiainana’(Jaona 14:6). Ary fiangonana velona izany satria ahitana ireo fiasa syfanomezam-pahasoavan’ny Fanahy Masina” (David A. Bednar, “Receive the Holy

Ghost,” Ensign na Liahona, nôv. 2010, 97).

• Nahoana ireo fahamarinana nolazain’ny Filoha Eyring sy ny Loholona Bednarireo no mampiavaka Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny AndroFarany amin’ny fiangonana hafa rehetra eto an-tany? (Fiangonan’ny Mpamonjyizany, ahitana ireo fiasa sy fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy Masina, ary nyfanalahidin’ny fisoronana dia hita ao aminy. Azonao atao ny manoro hevitra nympianatra ny hanoratany ny sasany amin’ireo hevitra ireo eo amin’ny sisin’nypejin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 1:30.)

Hazavao fa ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolodia nanonona ny teny avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30ary nazavainy avy eo ny antony maha-zava-dehibe an’ity famariparitana nyFiangonana avy amin’ Andriamanitra ity. Manasà mpianatra iray hamaky mafy ityfanambarana nataon’ny Filoha Packer ity:

“Raha manalavitra ity fotopampianarana ity ianao, dia tsy afaka hanamarina nyFamerenana amin’ny laoniny. …

“Tsy namorona velively ny fotopampianaran’ilay hany fiangonana marina isika.Avy amin’ny Tompo izany. Na manao ahoana na manao ahoana fandraisan’nyhafa antsika, na dia toa miseho ho mpianjonanjona aza isika, na manao ahoanana manao ahoana ireo tsikera atao amintsika, dia tsy maintsy mampianatra izany

amin’ireo rehetra izay hihaino antsika isika. …

“Tsy milaza akory isika fa tsy manana fahamarinana ny hafa. Ny Tompo dia nilaza fa izy ireo diamanana “endriky ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra.” Ireo niova fo tamin’ny Fiangonanadia afaka mitondra ny fahamarinana rehetra ananany miaraka aminy ary hampiana eo aminyizany” (“The Only True Church,” Ensign, nôv. 1985, 82).

• Amin’ny fomba ahoana no anazavan’ity fotopampianarana ity bebe kokoa nyfilàna ny Famerenana tamin’ny laoniny?

Asao ny mpianatra hanazava ny fomba ahafahan’ny olona tsirairay mahafantatraho an’ny tenany manokana fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’nyAndro Farany dia marina.

Vakitenin’ny Mpianatra• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30; 20:1–3, 17–37, 68–69.

• Henry B. Eyring, “The True and Living Church,” Ensign na Liahona, mey2008, 20–24.

LESONA 6

35

Page 48: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

LESONA 7

Mitory ilay FilazantsaraMandrakizay

FampidiranaNy Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia mirakitrafanambarana avy amin’ny Tompo tamin’ny alalan’nyMpaminany Joseph Smith ho an’ny mpikamban’nyFiangonana sasany manokana, izay manome didy nympikambana mba hitory ny fibebahana sy hanangona nyolom-boafidny. Nitombo haingana ny Fiangonana rehefa

nantsoin’ny Mpaminany Joseph Smith ny misiônera izay lasafitaovana teo am-pelantanan’ Andriamanitra. Mandrayfitahiana avy amin’ny asa fitoriana ny mpikamban’nyFiangonana ankehitriny rehefa mahafantatra symanatanteraka ny andraikiny amin’ny fandraisana anjaraamin’ny fizarana ny filazantsara izy ireo.

Vakiteny enti-mandalina• Neil L. Andersen, “Fahagagana izany,” Ensign na Liahona, mey 2013, 77–80.

• L. Tom Perry, “Bring Souls unto Me,” Ensign na Liahona, mey 2009, 109–12.

Sosokevitra Enti-mampianatraFotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:4–7; 33:2–7Miantso mpanompo ny Tompo mba hanampy amin’ny fanangonana ny zananyAsehoy ity fanambarana nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley ity (1910–2008), aryasao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

“Ny asa fitoriana no manome aina ny Fiangonana. Amin’ny alalany no fombavoalohany hitomboan’ny Fiangonana. Noho io fanompoana io no nahafahan’nyFiangonana ho tonga amin’izao halehibeny izao” (“Missionary Service,” FirstWorldwide Leadership Training Meeting, 11 jan. 2003, 17).

• Araka ny hevitrao manokana, nahoana no afaka lazaina fa “manome aina nyFiangonana” ny asa fitoriana?

Hazavao fa tany am-piandohan’ny Famerenana tamin’ny laoniny, dia matetikamanontany ny Mpaminany ny olon-tokana mba hikatsaka fanambarana ho an’nytenan’izy ireo manokana mba hahafantaran’izy ireo ny fomba handraisany anjaraamin’ny asan’ny Tompo. Indraindray ireo fanambarana ireo dia voaray ho an’nyolon-tokana ary indraindray ho an’ny olona maro. Hazavao fa nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 33 dia ohatra iray mikasika nyfanambarana voaray ho an’ny olona roa: Ezra Thayer (na Thayre) sy iNorthrop Sweet.

Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hifandimby hamaky mafy ny ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:2–7. Asaivo manaraka ny vakiteny ny

36

Page 49: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

mpianatra, ka hitady ny teny na andian-teny, na fanoharana ampiasan’ny Tompoizay afaka ampiharina amin’ny anjara asantsika manoloana ny asa fitoriana sy nyteny na andian-teny, na fanoharana izay manantitrantitra ny maha-zava-dehibe nyfitoriana ny filazantsara amin’ny andro farany.

• Inona ireo fanoharana nampiasan’ny Tompo? (Rehefa mamaly ny mpianatra diaazonao atao ny manoratra ny valinteniny eny amin’ny solaitrabe.)

• Ahoana no hamariparitan’ireo fanoharana ireo ny anjara asantsika manoloanany asa fitoriana sy ny fanantitranterany ny maha-zava-dehibe ny fitoriana nyfilazantsara?

Asao ny mpianatra handalina tsara ny andininy 6 ary hamantatra ny zavatratanteraka rehefa mitory ny filazantsara amin’ny hafa isika. Rehefa izany dia asaivomilaza ny zavatra hitany amin’ny alalan’ny fiteniny manokana izy ireo. (Metyhampiasa teny samihafa ny mpianatra, kanefa tokony hahita ity fitsipika manarakaity izy ireo: Rehefa mitory ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny hafa isika,dia manampy amin’ny fanangonana ny olom-boafidin’ny Tompo. Mety ilainany hitantaranao fa taorian’ity fanambarana ity, dia “nameno ny trano fitoeram-bibynananany” tamin’ny olona naniry ny hihaino an’i Joseph Smith sy ny olon-kafamitory ny filazantsara i Ezra Thayer [Documents, Boky 1: jolay 1828–jona 1831,boky. 1 ao amin’ireo andian’antontan-taratasy ao amin’ny The Joseph SmithPapers(2013), 206].)

Zarao amin’ny mpianatra ity famaritana ny fanangonana an’i Isiraely manaraka ityizay nataon’ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–85) tao amin’ny Kolejin’nyApôstôly Roambinifolo:

“Ny fanangonana an’i Isiraely dia ahitana ny finoana sy ny fanekena ary nyfiainana araka ireo zavatra rehetra natolotry ny Tompo ho an’ny vahoakanofinidiny fahiny. … Izany dia ny finoana ny filazantsara, ny fidirana hompikamban’ny Fiangonana, ary ny fanatonana ny fanjakana” (A New Witness forthe Articles of Faith [1985], 515).

Asaivo vakian’ny mpianatra iray mafy ity tantara manaraka ity izay mikasika nysasany amin’ireo misiônera nantsoina voalohany indrindra taorian’ny nandrafetanany Fiangonana. Asaivo mihaino ny fomba nahafahan’ireo mpitory tanyam-boalohany ireo nahita fahombiazana tamin’ny fanangonana ny sasany amin’nyolom-boafidin’ny Tompo ny mpianatra.

“[Ny fararanon’ny taona 1830], dia nanambara tamin’i Joseph Smith ny Tompo hoe i OliverCowdery, Peter Whitmer zanany, Parley P. Pratt, ary Ziba Peterson dia ‘handeha ho any amin’nyLamanita ary hitory ny filazantsarako aminy’ (F&F 28:8; 30:5–6; 32:1–3). Ireo misiônera ireo dianandeha teo amin’ny 2.414 km, ary nitory nandritra ny fotoana fohy tamin’ny foko Indianaisan-karazany. … Ny fahombiazan’ny misiônera lehibe indrindra anefa dia tamin’ny nijanonanytany amin’ny faritr’i Kirtland, Ohio. Nanao batisa olona niova fo 130 izy ireo tany, izay avy taoamin’ny fiangonana Batista Nohavaozina izay nosahanin’i Sidney Rigdon ny ankamaroany, kanisava lalana ny ho lasa toeram-piangonan’ny mpikamban’ny Fiangonana aman-jatony

LESONA 7

37

Page 50: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

herintaona taty aoriana. Nahita olona niova fo sasany izay anisan’ny mpiorim-ponenana tanyamin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri, ihany koa ireo misiônera, izay nananganana nytananan’i Ziona taty aoriana” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith[2007], 160; jereo koa ny Richard Dilworth Rust, “A Mission to the Lamanites: D&C 28, 30, 32,”Revelations in Context series, feb. 22, 2013, history.lds.org).

Hazavao fa ireo fiovam-po tany Ohio avaratra ireo dia nampitombo mihoatra nyindroa ny isan’ny mpikamban’ny Fiangonana tamin’izany fotoana izany.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana29:4–7 ary hijery ny famariparitana iray nomena ny “olom-boafidin’ny Tompo.”

• Ahoana no namaritan’ny Mpamonjy ny olom-boafidiny?

Hazavao amin’ny mpianatra fa ny asan’ireo misiônera voalohany izay nanompoivelan’ny Amerika Avaratra dia ahitana ohatra mahatalanjona ny amin’ny fombaampiasan’ny Tompo ny mpanompony amin’ny fanangonana ny olom-boafidiny.Manasà mpianatra iray hamaky mafy ity famintinana manaraka ity. Asaivomanaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hihaino ny torohevitra nomen’nyMpaminany Joseph Smith an’i Heber C. Kimball (1801–1868).

“Heber C. Kimball, izay mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dianahatsiaro hoe: ‘Teo amin’ny andro voalohan’ny jona 1837, dia nanatona ahy ny MpaminanyJoseph Smith, nandritra ny fotoana nipetrahako … tao amin’ny Tempoly, tao Kirtland, arynibitsibitsika tamiko hoe: “Rahalahy Heber, nibitsibitsika tamiko ny Fanahin’ny Tompo hoe: ‘Aokany mpanompoko Heber handeha any Angletera sy hitory ny filazantsara ary hanokatra nyvaravaran’ny famonjena ho an’io firenena io.’”‘ Tsy nampino ny Loholona Kimball nyfieritreretana izany adidy goavana izany: ‘Nahatsapa ny tenako fa isan’ny mpanompon’Andriamanitra bitika indrindra. Nanontaniako i Joseph momba ny zavatra tokony holazaikorehefa tonga any. Namaly izy fa tokony hanatona ny Tompo aho ary Izy no hitarika ahy, aryhiresaka amiko amin’ny alalan’ilay fanahy izay [notarihany] azy.’

“Ny Mpaminany dia niantso ihany koa an’i Orson Hyde, Willard Richards, Joseph Fielding avytany Kirtland, ary i Isaac Russell, John Snyder, ary John Goodson avy tany Toronto, Canada. Ireoralalahy ireo dia tokony niaraka tamin’ny Loholola Kimball tamin’ny fitoriana tany Angletera.Taorian’ny nifanaovany fotoana tany New York City, dia niainga tamin’ny sambo Garrick nankanyGrande Bretagne ny 1 jolay 1837 izy ireo. Ny asa fitoriana voalohany ivelan’ny Amerika Avaratradia nahafahana nanao batisa olona niisa 2.000 tao amin’ny Fiangonana nandritra ny taonavoalohany niasan’ireo misiônera tany Angletera. Nanoratra tamin-kafaliana tamin’ny Mpaminanyny Loholona Kimball hoe: ‘Voninahitra ho an’ Andriamanitra, ry Joseph, miaraka amintsika nyTompo, eto anivon’ny firenena rehetra!’

“Ny iraka apôstôlika faharoa ho any Grande Bretagne, izay nandraisan’ny ankamaroan’ireompikambana tao amin’ny Roambinifolo anjara teo ambany fitarihan’i Brigham Young, dianotantanan’ny Mpaminany avy tany Nauvoo. Niainga tamin’ny fararanon’ny taona 1839 nyRoambinifololahy ary tonga tany Angletera ny taona 1840. Tany no nanomboka niasan’izy ireo,ary hatramin’ny 1841 dia nitondra olona niova fo nihoatra ny 6.000 tao amin’ny Fiangonana izyireo” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith, 351, 354).

• Inona no torohevitra azon’i Heber C. Kimball avy tamin’ny MpaminanyJoseph Smith?

LESONA 7

38

Page 51: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

• Miresaha fotoana iray izay niainanao ny fanampian’ny Tompo anao tamin’nyezaka nataonao tamin’ny fizarana ny filazantsara.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:1–7; 18:10–16; 31:1–12;34:5–6; 39:20–23; 88:81Ireo izay nampitandremana dia tokony hampitandrina ny namanyHazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia mampahatsiahyhatrany hatrany ny mpikamban’ny Fiangonana momba ny andraikitra sy nyfitahiana avy amin’ny fandraisana anjara amin’ny asa fitoriana. Ny andraikitsikaamin’ny fizarana ny filazantsara amin’ny hafa dia maodely sy lohahevitramiverimberina ao amin’ireo fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianaranasy Fanekempihavanana. Ny fianarana mamantatra ny maodely sy lohahevitra diamahatonga ny mpamaky hivoky misimisy kokoa amin’ny tenin’i Kristy (jereo nyDavid A. Bednar, “A Reservoir of Living Water” [Takariva amorom-patan’nyOniversite Brigham Young, 4 feb. 2007], speeches.byu.edu).

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana88:81 ary hamintina amin’ny teniny manokana ny fomba izay iantefan’izanyamin’ny mpikamban’ny Fiangonana ankehitriny. (Ny valinteny iray mety homen’nympianatra dia ny hoe ireo rehetra izay nanaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristydia manana andraikitra ny hizara izany amin’ny hafa.)

Asehoy ity tabilao manaraka ity, na adikao eny amin’ny solaitrabeizany. Zarao hovondrona telo ny mpianatra ary omeo anjara iray amin’ireto andinin-tsoratramasina ireto ny vondrona tsirairay. Asao ny mpianatra hamaky ny andinin-tsoratramasina nomena azy ka hitady ny andraikitra sy fitahiana nampanantenana amin’nyfizarana ny filazantsara.

Andraikitra Fitahiana

Fotopampianarana syFanekempihavanana 4:1–7

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana18:10–16

Fotopampianarana syFanekempihavanana 31:1–12

Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra, dia asao izy ireo hizara ny zavatrahitany amin’ny mpianatra hafa.

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Loholona David A. Bednar avy ao amin’nyKôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary miangavia mpianatra iray hamaky izanymafy: Asaivo mihaino ny famariparitan’ny Loholona Bednar ny andraikitsikamanokana amin’ny fitoriana ny filazantsara ny mpianatra ambiny.

LESONA 7

39

Page 52: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

“Hatrizay ireo mpianatr’i Jesoa Kristy feno fanolorantena dia misiônera mazotohatrany ary ho toy izany foana rahatrizay. Ny misiônera dia mpanara-dia an’iKristy izay mijoro ho vavolombelona ny amin’ny maha-Mpanavotra Azy symanambara ireo fahamarinan’ny Filazantsarany.

“Hatrizay ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia fiangonana mitory ny filazantsara aryho toy izany foana rahatrizay. Ireo mpikambana tsirairay ao amin’ny

Fiangonan’ny Mpamonjy dia nanaiky ilay andraikitra sarobidy hanampy amin’ny fanatanterahanailay fanendrena avy amin’ Andriamanitra nomen’ny Tompo ireo Apôstôliny, araka ny voasoratraao amin’ny Testamenta Vaovao:

“‘Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy hoamin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina:

“‘Sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho mombaanareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao. Amena’ (Matio28:19–20).

“Manan-danja lehibe ho an’ireo Olomasin’ny Andro Farany io andraikitra io, dia ny hampianatrany olona rehetra momba an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny filazantsarany naverina tamin’nylaoniny. …

“Eny tokoa, mahatsapa ho manana andraikitra goavana izahay ny hitondra ity hafatra ity ho anyamin’ny firenena, ny foko sy ny samy hafa fiteny ary ny mponina rehetra” (“Avia fa hohitanareo,” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 107).

• Nahoana ny mpikamban’ny Fiangonan’ny Mpamonjy no tokony handray nyasa fitoriana ho andraikitra sarobidy?

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Loholona L. Tom Perry avy ao amin’nyKôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary miangavia mpianatra iray hamaky izanymafy: Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hisaintsaina ny antony tokonyhiheveran’izy ireo ny ho mpizara ny filazantsara mazoto kokoa.

“Mifototra amin’ny Sorompanavotan’ny Tompo sy Mpamonjy ny filazantsara. NySorompanavotana dia mitondra hery mba hanadiovana ny fahotana, mbahanasitranana ary mba handraisana fiainana mandrakizay. Ireo izay miaina nyfitsipika sy mandray ny ôrdônansin’ny filazantsara—finoana an’i Jesoa Kristy,fibebahana, batisa, fandraisana ny Fanahy Masina, sy faharetana hatramin’nyfarany ihany no afaka omena ireo fitahiana tsy azo saintsainina avy amin’ny

Sorompanavotana. Ny hafatra fitoriana lehibe omentsika an’izao tontolo izao dia ny hoe asainany olombelona rehetra mba ho avotra sy hiditra ao amin’ny valan’ny Mpiandry Ondry Tsara, dia iJesoa Kristy izany.

“Ny hafatra fitoriana lehibe omentsika dia mandray hery avy amin’ny fahafantarana nyFamerenana amin’ny laoniny. Fantatsika fa Andriamanitra dia miresaka amin’ny Mpaminaninyankehitriny, tahaka ny tamin’ny fotoana fahiny. Fantatsika koa fa ny Filazantsarany dia tantaninaamin’ny alalan’ny hery sy fahefan’ny fisoronana tafaverina amin’ny laoniny. Tsy misy hafatra hafaho an’ny olona eto an-tany ankehitriny izay manan-danja mandrakizay noho io hafatra io”(“Bring Souls unto Me,” Ensign na Liahona, mey 2009, 110–11).

• Nahoana araka ny hevitrao no tokony hihamazoto bebe kokoa ny tsirairayamin’ny fizarana ny filazantsara? (Ny valinteny dia tokony hahitana ity

LESONA 7

40

Page 53: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

manaraka ity: Rehefa mizara ny filazantsara amin’ny hafa isika, diamanome azy ireo fahafahana handray ny fitahian’ny Sorompanavotan’iJesoa Kristy.)

Asao ny mpianatra handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana34:5–6; 39:20–23, ka hitady antony manan-danja iray hafa nandidian’ny Tompohizara ny hafatry ny filazantsara amin’ny hafa. (Mety ho samihafa ny tenyhampiasan’ny mpianatra, kanefa tokony hahita ity fahamarinana manaraka ity izyireo: Rehefa mizara ny hafatry ny filazantsara amin’ny hafa isika, diamanampy azy ireo hiomana ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.)

• Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ny maha-zava-dehibemandrakizay ny filazantsara manampy anao mba hazoto kokoa amin’nyfizarana izany amin’ny olona hafa tsy mitovy finoana amintsika?

• Mitantarà traikefa iray izay niainanao mikasika ny fizarana ny filazantsaraamin’ny hafa.

Omeo minitra vitsivitsy ny mpianatra mba hisaintsaina sy hanoratra ny zavatraafaka ataony amin’ny fandraisana anjara amin’ny fizarana ny filazantsara. Azonyatao, ohatra, ny manoratra ny anaran’ny olona iray fantany izay tsy mpikamban’nyFiangonana ankehitriny ary mandray fanapahan-kevitra ny hizara ny filazantsaraamin’io olona io. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra kasainy hatao.Amporisiho ny mpianatra hampihatra ny fitsapana voarainy ary hivavakaisan’andro ho an’ny fahafahana ny hizara ny filazantsara amin’ny hafa.

Vakitenin’ny Mpianatra• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:1–7; 18:10–16; 29:4–7; 31:1–12;

33:2–7; 34:5–6; 39:20–23; 88:81.

• Neil L. Andersen, “Fahagagana izany,” Ensign na Liahona, mey 2013, 77–80.

LESONA 7

41

Page 54: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

LESONA 8

Ny Fanangonana an’iIsiraely amin’nyAndro Farany

FampidiranaTao anatin’ny herin-taona nananganana ny Fiangonana, dianandidy ireo Olomasina ny Tompo mba hiangona ao amin’nyfaritr’i Ohio (jereo ny F&F 37:3). Nanomboka tamin’izanyfotoana izany, dia niangona tamin’ny toerana samihafa ireoOlomasina rehefa nikatsaka ny hanaraka ny mpaminanyvelona sy hanorina toerana azo antoka mba honenany. Ao

amin’ity lesona ity ireo mpianatra dia hahita fa manangonany vahoakany mba hampatanjahana azy ireo sy hanomananaazy ireo handray fitahiana lehibe kokoa ny Tompo,anisan’izany ireo fitahiana avy amin’ny tempoly (jereo ny F&F84:4).

Vakiteny enti-mandalina• Russell M. Nelson, “The Gathering of Scattered Israel,” Ensign na Liahona, nôv.

2006, 79–82.

Sosokevitra Enti-mampianatraFotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:31–33; 39:15; 95:8; 110:9Antso mba hiangona any OhioAsehoy ny sarintany “Ny faritr’i New York, Pennsylvanie ary Ohio any Etazonia”(Sarintanin’ny Tantaran’ny Fiangonana, lah. 3), hita ao amin’ny faran’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana na sarintany hafa maneho io faritra io.

Asao ireo mpianatra hitady ireo toerana ankapobeny nisehoan’ireto zava-nitrangatamin’ny Famerenana amin’ny laoniny ireto: Ny Fahitana Voalohany (Manchester,New York), ny famerenana amin’ny laoniny ny fisoronana (Harmony,Pennsylvanie), ary ny fananganana ny Fiangonana (Fayette, New York).

42

Page 55: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Avy eo dia mangataha mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy iretofanambarana manaraka ireto:

“I Sidney Rigdon, izay mpitandrina teo aloha ka nanjary niova fo tao amin’ny faritr’i Kirtland, synamana iray tsy mpikambana atao hoe Edward Partridge dia naniry fatratra ny hihaona amin’nympaminany ka hianatra misimisy kokoa momba ireo fampianaran’ny fiangonana. Tamin’nyvolana desambra 1830 dia nandeha nihoatra ny [400 km] ho any Fayette, New York, izy ireo mbahitsidika an’i Joseph Smith. Nangataka azy mba hikatsaka ny sitrapon’ny Tompo mikasika azyireo sy ny Olomasina ao Kirtland izy ireo. Ho valin’izany, dia nambaran’ny Tompo fa ny Olomasinaao New York dia tokony ‘hiara-hitambatra ao Ohio’ (F&F 37:3). Tamin’ny fihaonamben’nyfiangonana fahatelo sady farany tao New York, izay natao tao amin’ny toeram-piompiana syfambolen’i Whitmer tamin’ny 2 Janoary 1831, dia naverin’ny Tompo ho an’ny mpikambana nytorolalana nomeny [dia ny hifindran’ireo mpikamban’ny Fiangonana ho any Ohio]. … Izany noantso voalohany ho an’ny Olomasina mba hiaraka hiangona amin’izaofotoampitantanana izao. …

“… Mpikambana avy any Colesville miisa 68 no nanainga ho any Ohio tamin’ny tapaky nyvolana Aprily 1831. Olomasina 80 avy any amin’ny sampana tao Fayette sy 50 avy ao amin’nysampana ao Manchester no samy nankatò ny didin’ny Tompo, ka nandao ny toeram-ponenanytamin’ny fiandohan’ny volana Mey 1831. … Talohan’ny tapaky ny volana Mey, ny sampan’nyfiangonana avy any New York dia afaka nandeha sambo namakivaky ny farihin’i Erie ho anyFairport Harbor, Ohio, izay toerana nifankahitany tamin’ny Olomasina namany ka nitondrana azytany amin’ny fiantsonana tany Kirtland sy tany Thompson. Nanomboka teo ny fanangonanalehibe natao tamin’ny Isiraelin’ny andro farany” (Ny Lovantsika: Tantara Fohy mikasika NyFiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany [1996], 21–23).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 38:31–33. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mbahitady ireo fomba izay ho nitahiana ireo Olomasina raha nankatò ilay didyhiangona tany Ohio izy ireo. Tokony hahita fitahiana efatra ny mpianatra: (1) “mba[ho afaka hiala] ny herin’ny fahavalo” izy ireo; (2) “hangonina [ao amin’Andriamanitra] ho vahoaka marina” izy ireo; (3) omena ny didin’ Andriamanitraizy ireo; ary (4) “[hotafiana] amin-kery avy any ambony” izy ireo. Azonao atao nymanoro hevitra ny mba hitanisan’ireo mpianatra ireo fitahiana efatra ireo aoanatin’ny soratra masin’izy ireo. (Fanamarihana: Ny fitadiavana lisitra ao amin’nysoratra masina dia manampy ireo mpianatra hamantatra ireo hevitra manan-danjaizay antintranterin’ny Tompo na ny mpaminany.)

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Manangona ny olony nyTompo mba hiarovana azy ireo sy hampatanjahana azy ireo ara-panahy.Azonao atao ny manamarika fa ao amin’ny soratra masina, dia matetika mifandrayamin’ny fiarovana ny fotopampianaran’ny fanangonana. “Ny fifampifandraisanadia fampikambanana na fitohizan’ny hevitra, olona, zavatra na trangan-javatra, aryny soratra masina dia feno fifampifandraisana” (David A. Bednar, “A Reservoir ofLiving Water” (takariva amorom-patana tao Brigham Young University, feb. 4,2007), 4, speeches.byu.edu).

Hazavao fa tahaka ny nitondran’ny Tompo an’i Isiraely tany amin’nyTendrombohitra Sinay sy nanomezany azy ireo ny lalàny, dia toy izany nonanomezany torolalana ireo Olomasin’ny Andro Farany mba hiangona ao Ohiomba hahafahan’izy ireo mandray ny lalàny amin’ity fotoampitantanana ity (jereo ny

LESONA 8

43

Page 56: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

F&F 38:32). Tao Ohio, dia nanomboka nanambara ny lalàny ho an’ny Fiangonanany Tompo (jereo ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny F&F 42). Anontanio avyeo hoe:

• Ahoana no hahatonga anao ho voaro amin’ny herin’i Satana rehefa miangonamiaraka amin’ireo izay mitovy finoana sy fenitra aminao ianao?

• Ahoana no hampatanjahana antsika ara-panahy rehefa mahazo ireo lalàn’Andriamanitra?

• Inona araka ny eritreritrao no hevitry ny hoe ireo Olomasina ao Ohio dia“[hotafiana] amin-kery avy any ambony.”

Hazavao fa ilay fitahiana nampanantenaina hoe “[hotafiana] amin-kery avy anyambony” dia nanomboka tanteraka rehefa vita ny Tempolin’i Kirtland dimy taonataorian’ny niangonan’ireo Olomasina tao Ohio. Nisy iraka avy any an-danitranamangy ilay tempoly voaorina mba hamerina tamin’i Joseph Smith sy i OliverCowdery ireo fanalahidy sy fahefana izay ilaina mba hanatanterahana ireoôrdônansy masina. Nirotsaka tamim-pahafenoana teo amin’ny Olomasina maro nyfisehoana ara-panahy tamin’ny fotoana nanokanana ny tempoly. Ary nisyOlomasina vitsivitsy nandray ny fidiovana sy ny fanosorana tao amin’ny tempoly.Taona vitsivitsy taty aoriana tao Nauvoo, dia mbola niampy ny fahatanterahan’ilayfampanantenana hoe ho voatafy amin-kery rehefa nampahafantarina ireoOlomasina ireo ôrdônansin’ny fanafiana masina any amin’ny tempoly. Asehoy ityfanambarana nomena tao Nauvoo ity izay nataon’ny Mpaminany Joseph Smith, aryasao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

“Inona no antony nanangonana ny … vahoakan’ Andriamanitra amin’nyvanim-potoana rehetra an’izao tontolo izao? … Ny antony lehibe indrindra diany hanorenana trano ho an’ny Tompo izay hahafahany manambara amin’nyvahoakany ireo ôrdônansin’ny tranony sy ireo voninahitry ny fanjakany, syampianarana ny vahoakany ny fomba hahazoana famonjena” (Enseignementsdes Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 447).

• Inona avy ireo fomba hitanao fa nitahian’ Andriamanitra ireo Olomasina rehefaniangona izy ireo sy nanorina tempoly araka izay efa nitarihan’ Andriamanitraazy ireo?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:62–67Mamariparitra ilay Jerosalema Vaovao, na Ziona ny TompoHazavao fa tsy ela taorian’ny niangonan’ireo Olomasina avy any New York ho aoOhio, dia maro ny lahatsoratra an-gazety sy sihosihon-dresaka diso izay nanaratsysy nanoso-potaka ny Fiangonana. Nandritra izany fotoana izany, ny MpaminanyJoseph Smith dia nandray fanambarana momba ny toerana izay voatondro hotoerana feno fiadanana sy fandriam-pahalemana.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 45:62–67. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra sadymitady ireo tanjon’ny Tompo tamin’ny nandidiany ireo Olomasina mba hiaraka

LESONA 8

44

Page 57: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

hivory mankany amin’ny “tany andrefana” (F&F 45:64). Apetraho iretofanontaniana manaraka ireto:

• Inona no nolazain’ny Tompo fa “[efa] eo am-baravaranareo aza”? Midika inonaaminao ny andian-teny hoe “[efa] eo am-baravaranareo aza”?

• Inona no tian’ny Tompo hataon’ireo Olomasina rehefa niaraka nivory nankanyamin’ny tany andrefana izy ireo?

• Nahoana izy ireo no nasaina nanangona ny hareny? (Hazavao fa ny teny hoelova dia milaza ny tany hovidian’izy ireo izay ahafahan’izy ireo mitoetra symitsaoka ny Tompo.)

• Inona no anarana hiantsoana ny tany lovan’ny Olomasina?

Hazavao fa ao amin’ny soratra masina, ny teny hoe Ziona dia mety manana hevinymaro. Indraindray ilay teny dia entina ilazana ny vahoakan’i Ziona ary mamaritraazy ireo ho “ny madio am-po” (F&F 97:21). Any an-kafa indray ny hoe Ziona diaentina ilazana ny Fiangonana sy ireo tsatòka ao aminy (jereo ny F&F 82:14). Metymamaritra toerana manokana koa ny teny hoe Ziona. Ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:66–67, ny hoe Ziona dia milazatanàna iray tena misy izay haorin’ireo Olomasina sy hiangonan’izy ireo,indraindray izy io dia antsoina hoe Jerosalema Vaovao (jereo koa ny 3 Nefia 20:22;21:23; Etera 13:1–8; Bible Dictionary, “Zion”). Mifanakaloza hevitra momba iretofanontaniana manaraka ireto:

• Ahoana no namaritan’ny Tompo an’i Jerosalema Vaovao na i Ziona? (Tokonyhahita ireto fotopampianarana ireto ireo mpianatra: Ilay Jerosalema Vaovaodia ho toerana feno fiadanana, fialofana ary fiarovana, ary ho ao nyvoninahitry ny Tompo.)

• Inona avy ireo fomba izay nahazoanao fandriam-pahalemana sy fiadanana taoZiona noho ny maha-mpikamban’ny Fiangonana anao?

Hazavao fa teo am-pamaranana ny fihaonamben’ny Fiangonana fahefatra, izaynatao tamin’ny volana Jona 1831, tany Kirtland, Ohio, dia nodidian’ny Tompo iJoseph Smith sy ireo loholona hafa mba handeha tsiroaroa hanao dia teo ho eoamin’ny 1.450 kilometatra teo ho any Missouri, mba hitory ny filazantsara ombienyombieny (jereo ny famintinana ny andininy ho an’ny F&F 52, ). Taorian’nynahatongavany, dia nandray fanambarana ny Mpaminany izay nanondro an’iMissouri ho “tanin’ny fampanantenana sy toeran’ny tanànan’i Ziona” ary iIndependance, Missouri no voatondro ho ilay “toerana afovoany” (F&F 57:1–3).Roa taona taty aoriana dia Olomasin’ny Andro Farany an’arivony maro izay nanirymafy ny hanorina an’i Ziona no nifindra ho any amin’ny Fivondronan’i Jackson anyamin’ny faritr’i Missouri. Indrisy anefa, fa niseho ny fifandirana teo amin’ireompikamban’ny Fiangonana sy ireo mponina hafa tao amin’ilay faritra ary nonyfarany dia nivadika ho herisetra ny toe-draharaha. Noterena handao ny fonenanytao amin’ny Fivondronan’i Jackson ny volana Nôvambra sy Desambra 1833 ireoOlomasina.

LESONA 8

45

Page 58: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:5–6Ankehitriny ny vahoakan’ Andriamanitra dia miangona ao amin’ireo tsatòkan’i ZionaMba hanehoana ireo ezaka nataon’ny Olomasina mba hiangona ho any amin’nytoerana hafa feno fandriam-pahalemana sy fiadanana, dia asehoy ny sarintany “Nydian’ny Fiangonana miankandrefana” (Sarintanin’ny Tantaran’ny Fiangonana,lah. 6), izay hita any amin’ny faran’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Hazavao fa tamin’ny farany ireo Olomasina dia voatery nandao an’i Kirtland, Ohio,sy ireo toerana tany andrefan’i Missouri. Nanomboka niangona tany Nauvoo,Illinois, ireo Olomasina tamin’ny taona 1839 ary tany no nanorenan’izy ireo tanànairay lehibe. Kanefa fotoana fohy taorian’ny nahafatesan’ny Mpaminany JosephSmith, dia voatery nandao ny fonenany indray ireo mpikamban’ny Fiangonana.Nifindra ho any amin’ny Montagnes Rocheuses izy ireo ary nanorim-ponenanananerana ny faritra Avaratra atsinanan’i Amerika ary nanorina ny foiben’nyFiangonana tao Salt Lake City.

Asao hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:5–6 ireompianatra. Anontanio avy eo hoe:

• Araka ireo andinin-tsoratra masina ireo, inona avy ireo fitahiana izayampanantenaina an’ireo izay miangona ao amin’ny tsatòkan’i Ziona? (Tokonyhahitana ireto fahamarinana manaraka ireto ny valiny: Miangona ao amin’nytsatòkan’i Ziona isika mba hahazoana fiarovana sy fialofana tsy hoazon’ny ratsy.)

• Inona avy ireo fomba mety hanomezan’i Ziona fiarovana sy fialofana ho an’ireompikamban’ny Fiangonana any amin’ny tanindrazan’izy ireo?

• Oviana ianao no nahatsapa hery sy fiarovana rehefa niangona niarakatamin’ireo Olomasina tao amin’ny paroasy na ny sampana misy anao?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa hoe inona ankehitriny nodikan’ny hoe miangona any amin’ireo tsatòkan’i Ziona ho an’ireo mpikamban’nyFiangonana, dia asehoy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny LoholonaDallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary asao nympianatra iray hamaky azy mafy:

LESONA 8

46

Page 59: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

“Nandritra ireo taona voalohany amin’ity fotoampitantanana ity, dia toeranamaro any Etazonia no voakasika amin’ny fanangonana ho ao Ziona: Kirtland,Missouri, Nauvoo ary eo an-tampon-tendrombohitra. Izy ireny dia fanangonanaho eo amin’ny toerana izay hanorenana tempoly. Amin’ny fisian’ny fanangananatsatòka maro sy ny fanorenana tempoly maro any amin’ny ankamaroan’nyfirenena izay misy mpikamban’ny Fiangonana maro an’isa, dia tsy ny miangona

ho amin’ny toerana iray no didy omena ankehitriny fa ny miangona ho any amin’ireo tsatòka aoamin’ny firenentsika. Any no ahafahan’ireo mahatoky migoka ireo fitahiana fenon’nymandrakizay ao amin’ny tranon’ny Tompo. … Toy izany no mahatonga ireo tsatòkan’i Ziona ho‘fiarovana sy fialofana amin’ny tafio-drivotra, sy amin’ny fisafoahana, rehefa haidina tsy misyfangarony amin’ny tany manontolo izany’ (F&F 115:6)” (“Preparation for the Second Coming,”Ensign na Liahona, mey 2004, 8).

Asao ny mpianatra iray hamaky ity filazana manaraka ity izay nataon’ny FilohaSpencer W. Kimball (1895–1985):

“Ny fanangonana an’i Isiraely dia ny fidirana ho mpikambana ao amin’nyfiangonana marina sy ny fahafantarany ilay Andriamanitra marina. … Na iza naiza, noho izany, no nanaiky ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, ary mitadyny hitsaoka ny Tompo amin’ny fiteniny manokana sy miaraka amin’ireoOlomasina any amin’ny firenena misy azy amin’izao fotoana izao, dia efananaraka ny lalàn’ny fanangonana an’i Isiraely ary izy dia mpandova ireo

fitahiana nampanantenaina an’ireo Olomasina amin’izao andro farany izao” (The Teachings ofSpencer W. Kimball, ed. Edward L. Kimball [1982], 439). 439).

• Inona no hitanao fa nitranga tamin’ny isan’ny tempoly izay naorin’nyFiangonana nandritra ny androm-piainanao?

• Ahoana no nitahiana anao noho ny maha-mpikambana anao ao amin’nytsatòka na distrikan’i Ziona? Ahoana no nitahian’ny tempoly masina anao?

Farano ny lesona amin’ny fangatahana ireo mpianatra mba hieritreritra hoe inonano afaka ataon’izy ireo mba hanampiana ny hafa handray ny fiarovana sy heryara-panahy izay azo amin’ny fandraisana anjara amim-pahatokiana ao amin’ireotsatòkan’i Ziona sy amin’ny fandehanana any amin’ny tempoly. Asao ireompianatra hanaraka ireo bitsiky ny Fanahy Masina izay mety ho voarain’izy ireo.

Vakitenin’ny Mpianatra• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37:1–3; 38:31–33; 39:15; 45:62–67;

95:8; 110:9; 115:5–6.

• Russell M. Nelson, “The Gathering of Scattered Israel,” Ensign na Liahona, nôv.2006, 79–82.

LESONA 8

47

Page 60: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

LESONA 9

Manaraka nyMpaminany Velona

FampidiranaTamin’ny andro nananganana ny Fiangonana, dianampanantena fiarovana ara-panahy ho an’ireo izaymampandry sofina amin’ny tenin’ny mpaminaniny ny Tompo(jereo ny F&F 21:4–6). Fotoana fohy taorian’izay, mbahanampiana ireo mpikamban’ny Fiangonana hiala amin’nyfamitahana, dia nanambara ihany koa ny Tompo fa ny

mpaminany ihany no nahazo lalana handray fanambarana hoan’ny Fiangonana manontolo (jereo ny F&F 28:1–7). Mananany fahefana hanazava ny soratra masina ihany koa nympaminany. Ny fahatakarana ireo fahamarinana ireo diamitondra fiarovana ara-panahy fanampiny amin’izao androfarany izao.

Vakiteny enti-mandalina• Russell M. Nelson, “Fanohanana ireo mpaminany,” Ensign na Liahona, nôv.

2014, 74–77.

• Kevin R. Duncan, “Our very survival”, speeches.byu.edu Ensign na Liahona nôv.2010, 34–36.

Sosokevitra Enti-mampianatraFotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:1–6Mampandria sofina amin’ireo tenin’ny mpaminanyAnontanio ireo mpianatra hoe inona avy ireo anarana entintsika hiantsoana nyFilohan’ny Fiangonana indraindray. Soraty eny amin’ny solaitrabe nyvalintenin’ireo mpianatra. Avy eo asao ny mpianatra iray hamaky mafy nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:1 ary manaraka ny vakiteny kosa ireompianatra ambiny. Tanisao eny amin’ny solaitrabe izay mety ho anarana fiantsoanafanampiny. Anontanio avy eo hoe:

• Amin’ny fomba ahoana no hamariparitan’ny anarana fiantsoana tsirairay aoamin’io andinin-tsoratra masina io ny asan’ny Filohan’ny Fiangonana?

Ampio ireo mpianatra hahatakatra ny toe-javatra nisy tao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 21 amin’ny fanazavana fa nyfanambarana izay voarakitra ao dia nomena tamin’ny andro nananganana nyFiangonana. (Fanamarihana: Rehefa mianatra ny mahatakatra ny toe-javatra misyao amin’ny soratra masina iray ny mpianatra, dia mora amin’izy ireo kokoa nymahatakatra ny hevitra sy ny maha-zava-dehibe ny zavatra vakiany.) Anontanioavy eo hoe:

• Nahoana no ho zava-dehibe ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana taloha nymahafantatra fa ny antson’i Joseph Smith amin’ny maha-mpaminany azy diamisy fahasamihafana lehibe raha miohatra amin’ny anjara asan’ireo mpitarikaany amin’ny fiangonana hafa?

48

Page 61: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 21:4–5 ary ireo mpianatra kosa dia manaraka ny vakiteny. Avyeo dia mifanakaloza hevitra momba izao manaraka izao:

• Nahoana no mila faharetana sy finoana indraindray ny mampandry sofinaamin’ny torohevitry ny mpaminany?

Raha ilaina, dia azonao atao ny mizara amin’ireo mpianatra ity teny manaraka ityizay nataon’ny Filoha Harold B. Lee (1899–1973):

“Tsy maintsy mianatra mampandry sofina amin’ireo teny sy didy izay homen’nyTompo amin’ny alalan’ny mpaminany isika. … Mety tsy ho tianareo ny zavatralazain’ireo manam-pahefana ambonin’ny Fiangonana. Mety hifanohitra amin’nyfomba fijerinao ara-pôlitika izany. Mety hifanohitra amin’ny fomba fijerinareoara-piaraha-monina izany. Mety hanelingelina ny sasany amin’ny fiainanareoara-piaraha-monina izany. Kanefa raha mihaino ireo zavatra ireo ianareo, toy ny

hoe avy amin’ny vavan’ny Tompo mihitsy izany, amim-paharetana sy am-pinoana, nyfampanantenana dia hoe ‘tsy haharesy anareo ny vavahadin’ny helo; … ary ny TompoAndriamanitra dia hampihahaka ny herin’ny maizina eo anoloanareo, ary hampihozongozona nylanitra mba ho soa ho anareo sy ho voninahitry ny anarany’ (F&F 21:6)” (Enseignements desPrésidents de l’Église: Harold B. Lee [2000], 84)

Arakaraky ny bitsiky ny Fanahy Masina, dia azonao atao ny manazava izaomanaraka izao:

1. Amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany antsika, dia tsy mino isika hoe olonatonga lafatra ny mpaminany. Na izany aza, ny Tompo dia tsy hamela azy ireo naoviana na oviana hitarika ny Fiangonana haniasia (jereo ny Filazana Ôfisialy 1,“Ampahany amin’ny Fandraisam-pitenenana Telo nataon’ny Filoha WilfordWoodruff mikasika ny Manifesto”).

2. Mino sy mifaly amin’ny fitohizan’ny fanambarana isika. Nisy fotoana taoamin’ny tantaran’ny Fiangonana izay nanazavan’ny mpaminany iray torohevitraaraka ny faminaniana teo aloha na nahitan’ny mpaminany iray fampianaranana fomba fanao izay nekena amin’ny ankapobeny taloha kanefa taty aoriana dianila novaina. Ohatra, tamin’ny fiatombohan’ny Fiangonana dia namporisihanaireo mpikambana mba hiangona ho amin’ny foiben-toerana iray, toa an’iKirtland, Ohio, na ny Fivondronan’i Jackson, Missouri. Ankehitriny, ireompikamban’ny Fiangonana dia amporisihina hiangona ao amin’ny tsatòkany nany distrikany eny an-toerana.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 21:6. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra sadymitady ilay fampanantenana nomena ireo izay mampandry sofina amin’ny tenin’nympaminany. Afaka asainao asian’ireo mpianatra marika ireo zavatra hitany.Anontanio avy eo hoe:

• Ahoana no hamintinanao ireo fampanantenana nomena ireo izay mihaino nytenin’ny mpaminany? (Mety ho amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatraizany, kanefa tokony hilaza ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Raha mihaino nytenin’ny mpaminany isika dia ho voaro amin’ilay fahavalo. Rehefa mamaly

LESONA 9

49

Page 62: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

ireo mpianatra, dia azonao atao ny manazava fa ny dikan’ny hoemampihozongozona dia manaisotra na mamaha zavatra iray tsy ho eo amin’nyfitoerany na ny fasiana azy. Noho izany, azo adika toy izao ny andininy 6 hoerehefa mihozongozona ny lanitra “mba ho soa ho [antsika],” dia “vahana” ireofitahiana ka arotsaka amintsika.)

Asehoy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Henry B. Eyring aoamin’ny Fiadidiana Voalohany, ary mangataha mpianatra iray mba hamakyizany mafy:

“Mitombina ho an’ireo izay manam-pinoana matanjaka ny fitadiavana ilay lalanaahitana fiarovana ao anatin’ny torohevitr’ireo mpaminany. Rehefa miteny nympaminany iray dia mety mieritreritra ireo izay kely finoana fa mihaino lehilahyiray hendry fotsiny izay manolotra torohevitra tsara izy ireo. …

“… Kanefa ny fisafidianana ny tsy hanaiky ireo torohevitra nomena tamin’nyfaminaniana dia manova tanteraka ny faritra ijoroantsika. Lasa mampidi-doza

kokoa izany. Ny tsy fanekena ny torohevitra nomena tamin’ny faminaniana dia mampihena nyherintsika handray torohevitra nentanim-panahy amin’ny ho avy” (“Finding Safety in Counsel,”Ensign, mey 1997, 25).

• Nahoana ny “faritra ijoroantsika” no ho lasa “mampidi-doza kokoa” raha toaisika ka mandà ny torohevitr’ireo mpaminany? Inona no ohatra maneho famarina izany?

• Oviana ianao na ny olona iray fantatrao no voatahy noho ny fampandrianasofina tamin’ny torohevitry ny mpaminany velona?

• Amin’ny fomba ahoana no hiharan’ilay fitsipika hoe mihaino ny torohevitranomena tamin’ny faminaniana amin’ireo fanontaniana ara-pivavahana syara-pitondrantena ary ara-piarahamonina amin’izao androntsika izao?

Amporisiho ireo mpianatra hisaintsaina ny zavatra tsy maintsy ataon’izy ireo mbahangatahana ireo fitahiana nampanantenaina ao amin’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 21:6. Omeo toky izy ireo fa rehefa mihainoamim-pahazotoana ny tenin’ny mpaminany izy ireo dia hahazo fitahiana lehibemaro amin’izao fotoana izao sy amin’ny mandrakizay. Hazavao fa ny fihainoana nytorohevitr’ireo mpaminany dia tsy midika hoe mankatò an-jambany ny teniny isika.

Vakio ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Harold B. Lee:

“Tsy ampy ho antsika Olomasin’ny Andro Farany ny manaraka ireo mpitarikaantsika sy manaiky ireo toroheviny, fa manana andraikitra lehibe kokoa isika nyhahazo ho antsika manokana ny fijoroana ho vavolombelona tsyvoahozongozona momba ny antso avy amin’ Andriamanitra azon’ireo lehilahyireo sy ny tenivavolombelona fa izay nolazain’izy ireo tamintsika dia sitrapon’nyRaintsika any An-danitra” (Enseignements des Présidents de l’Église: Harold B.

Lee, 44).

LESONA 9

50

Page 63: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:2, 6–7; 43:1–7Manome fanambarana amin’ny fomba voalamina ny TompoHazavao fa fotoana fohy taorian’ny nananganana ny Fiangonana, dia nisympikamban’ny Fiangonana sasany izay voafitaka noho ny ezaka nataon’ilayfahavalo mba hanome torolalana ara-paminaniana diso. Asao ny mpianatra irayhamaky mafy ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 28 ary ny mpianatra ambiny kosa manaraka ny vakiteny (jereokoa ny Jeffrey G. Cannon, “All Things Must Be Done in Order: D&C 28, 43,”Revelations in Context series, apr. 4, 2013, history.lds.org). Anontanio avy eo hoe:

• Inona no olana mety ho nitranga raha toa ireo mpikamban’ny Fiangonana kananohy nino ilay nambara fa fanambarana avy tamin’i Hiram Page?

Omeo fotoana ireo mpianatra handalina ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 28:2, 6–7. Anontanio avy eo hoe:

• Tamin’ny fomba ahoana no nanazavan’ilay hafatra avy amin’ny Tompo nyanjara asan’ny Filohan’ny Fiangonana? (Tokony hahatakatra izaofotopampianarana manaraka izao ireo mpianatra: Ny Filohan’ny Fiangonanano mihazona ny fanalahidy handray fanambarana ho an’ny Fiangonana.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hampitombo bebe kokoa ny fahatakarany iofotopampianarana io, dia angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ityfampahalalana ara-tantara ity izay mikasika ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 43:

Tamin’ny volana febroary 1831 dia nisy vehivavy iray atao hoe Ramatoa Hubble tonga teoanivon’ireo Olomasina tao Kirtland, Ohio. Nambarany fa mpaminany vavy izy, ary naharayfanambarana ho an’ny Fiangonana, ary fantany koa fa marina ny Bokin’i Môrmôna, ary tokonyho lasa mpampianatra ao amin’ny Fiangonana izy. Nahavita namitaka ny sasany tamin’ireoOlomasina izy. Nitebiteby noho ny fitaomana nananany sy ireo fanambarana sandoka teoanivon’ny Olomasina i Joseph Smith sy ireo olona hafa. Nanapa-kevitra ny hanontany ny Tompomomba ny zavatra tokony hatao ny Mpaminany, ary naharay fanambarana izy, izay voarakitra aoamin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43 (jereo ny Documents, Boky 1: jolay1828–jona 1831, boky 1 ao amin’ireo andian’antontan-taratasy ao amin’ny The Joseph SmithPapers [2013], 257).

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 43:1–7 ka hitady ireo fotopampianarana izay nampianarin’nyTompo tamin’izany fotoana izany. Afaka asainao asian’ireo mpianatra marika ireozavatra hitany. Azonao atao koa ny manoro hevitra mba hampifandray ireoandinin-tsoratra masina ireo amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana28:2. Hazavao fa ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny fizarana 28 dia niantefatany amin’ireo Olomasina tany New York, ary ilay fanambarana voarakitra aoamin’ny fizarana 43 dia niantefa tany amin’ireo Olomasina tany Kirtland.Anontanio avy eo hoe:

• Tamin’ny fotoana nanomezana ny fanambarana voarakitra ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 43 dia iza no voatendry handray ireodidy sy fanambarana ho an’ny Fiangonana manontolo?

LESONA 9

51

Page 64: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

• Inona no fotopampianarana azontsika ianarana avy amin’ireo andinin-tsoratramasina ireo? (Mety hampiasa teny samihafa ireo mpianatra, kanefa tokonyhahita ity fotopampianarana manaraka ity izy ireo: Olona iray ihany nonotendrena amin’ny fotoana iray mba handray ny fanambarana ho an’nyFiangonana manontolo. Ireo izay mihaino ny Filohan’ny Fiangonana diatsy ho voafitaka.)

Zarao ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona L. Tom Perry ao amin’nyKôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

“Misy lamina ny fomba hanambaran’ny Tompo ny sitrapony amin’ny olombelona.Isika rehetra dia manana zo hangataka amin’ny Tompo sy handrayfitaomam-panahy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ao amin’ny sehatra izayiandraiketantsika. Afaka mandray fanambarana ho an’ny fianakaviany ny rayaman-dreny, ary ny eveka ho an’ny mpiangona izay iandraiketany, ary toy izanyhatrany amin’ny Fiadidiana Voalohany ho an’ny Fiangonana manontolo. …

Nanambara ny Mpaminany Joseph Smith hoe:

“‘Tsy mifanaraka amin’ny fitantanan’ Andriamanitra raha misy mpikamban’ny Fiangonana iray,na olona iray, mandray torolalana ho an’ireo izay manana fahefana lehibe kokoa noho ny azy’[Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith (2007), 210–98]” (“We Believe All ThatGod Has Revealed,” Ensign na Liahona, nôv. 2003, 85–86).

• Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao misoroka ny famitahana rehefamahafantatra fa ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra dia azo hatranyamin’ny alalan’ireo lalam-pifandraisan’ny fisoronana izay efa nankatoavina?Ahoana no hitondran’izany fahalalana izany fiadanana eo amin’ny fiainanao?

• Ahoana no hahatonga ny filaminana ao amin’ny Fiangonana ho voatandronoho ilay fomba napetraky ny Tompo hanomezany fanambarana?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:1–6Nametraka lamina ao amin’ny Fiangonana ny TompoHazavao fa rehefa nitombo ny Fiangonana dia nanome torolalana ny MpaminanyJoseph Smith ny Tompo momba ny handaminana ny fisoronana sy nymaha-mpikambana ao amin’ny Fiangonana.

Vakio mafy na fintino ity fanambarana manaraka ity:

“Rehefa nitombo ny mpikambana ao amin’ny fiangonana, ny mpaminany dia mbola nahazofanambarana momba ny asan’ny fisoronana ihany. Araka ny nitarihan’ny Tompo, dia izy nonanangana ny Fiadidiana Voalohany, izay misy azy ho filoha sy misy an’i Sidney Rigdon sy iFrederick G. Williams ho mpanolotsaina. Natsangany koa ny Kolejin’ny Apostoly Roambinifolo syny Kolejin’ny Fitopololahy voalohany. Niantso sy nanendry ny eveka sy ireo mpanolotsainy izy, nympisorona avo, ny patriarika, ny filankevitra avo, ny fitopololahy, ary ny loholona. Natsangany nytsatòka voalohany” (Ny Lovantsika: Tantara Fohy mikasika Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’nyOlomasin’ny Andro Farany [1996], 32).

LESONA 9

52

Page 65: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Hazavao fa ny Fiadidiana Voalohany dia mihazona ny andraikitra tena miavaka aoamin’ny Fiangonana. Asao ireo mpianatra handalina ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 90:1–6 ary hitady ny andraikitra manokana an’ny FiadidianaVoalohany. (Ny Fiadidiana Voalohany dia “mitondra ny fanalahidin’ny fanjakana”[andininy 2] ary amin’ny alalany no “hanomezana ny … fanambarana” ho an’nyFiangonana [andininy 4]). Rehefa mamaly ireo mpianatra dia azonao atao nymanazava fa ny teny hoe “fanambarana” dia entina ilazana ireo fanambarana izayomen’ Andriamanitra amin’ny alalan’ireo mpaminaniny.

Asao ny mpianatra iray hamaky izao teny manaraka izao, izay nataon’ny LoholonaD. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asao ireompianatra mba hihaino ny fomba roa izay ametrahana ny fotopampianarana aoamin’ny Fiangonana.

“Tamin’ny 1954, ny Filoha J. Reuben Clark zanany, izay mpanolotsaina iray taoamin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanazava ny fomba hampahafantarana nyandraikitra faran’izay lehibe indrindra sahanin’ny Filohan’ny Fiangonana. Rahaniresaka momba ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy nyKôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izy dia nilaza hoe: ‘Tokony ho [ataontsika] aoan-tsaina fa ny sasany amin’ireo Manampahefana Ambony dia nomena antso

manokana ho sahanin’izy ireo. Manana fanomezam-pahasoavana manokana izy ireo, arytohanana ho mpaminany, mpahita ary mpanambara izay manome azy ireofanomezam-pahasoavana manokana ara-panahy mifandray amin’ny fampianarany ny olona. Izyireo dia manana ny zo sy ny hery ary ny fahefana mba hanambara ny saina sy ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny fampianariny ny olony, izay mifanaraka amin’ny hery sy ny fahefanafaran’izay lehibe ananan’ny Filohan’ny Fiangonana. …’

“… Ny Filohan’ny Fiangonana dia afaka manambara na manazava fotopampianarana izaymifototra amin’ny fanambarana omena azy (jereo ohatra ny F&F 138). Ny fanazavanaara-potopampianarana koa dia mety tonga amin’ny alalan’ny filankevitra itambaran’nyFiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo (jereo ohatra ny FanambaranaÔfisialy 2)” (“Ny fotopampianaran’i Kristy,” Ensign na Liahona, mey 2012, 86–88).

• Nahoana no zava-dehibe ny mahatsiaro hoe iza no manana fahefanahanambara ny “saina sy ny sitrapon’ Andriamanitra” amin’izao tontolo izao?

Farano ny lesona amin’ny fangatahana ireo mpianatra mba hieritreritra ny zavatraizay nianaran’izy ireo avy amin’ny hafatr’ireo mpaminany sy apôstôly velona. Asaoireo mpianatra hizara ny fijoroany ho vavolombelona momba ny fombanahazoan’izy ireo fitahiana avy amin’ireo hafatra ireo.

Vakitenin’ny Mpianatra• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:1–6; 28:2, 6–7; 43:1–7; 90:1–6, 16.

• Russell M. Nelson, “Fanohanana ireo mpaminany,” Ensign na Liahona, nôv.2014, 74–77.

LESONA 9

53

Page 66: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

LESONA 10

Mikatsaka FahamarinanaFampidiranaAmporisihina ny zanak’ Andriamanitra mba “[hikatsaka] nyfianarana, … amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’nyalalan’ny finoana” (F&F 88:118). Ny fanarahana io fombafianarana io dia manampy ny tsirairay ho mendriky nyfanampian’ny Fanahy Masina mandritra ilay fianarana. NyInternet sy ny loharano hafa, ankehitriny, dia mitondrafampahafantarana betsaka—ny sasany marina, ny sasanydiso, ary ny sasany mamitaka—momba ny

fotopampianaran’ny Fiangonana sy ny tantara ary ny fombafijery mikasika ny olana ara-piaraha-monina, ka hahatongaizany ho manan-danja manokana amintsika tokoa nymiantehitra amin’ny Fanahy Masina mba hanampianaantsika hanavaka ny marina amin’ny diso. Ny fianaranamamantatra sy mampiasa ireo loharanom-pahalalana azoampiasaina dia tafiditra ao amin’izany fikatsahana izany.

Vakiteny enti-mandalina• Dieter F. Uchtdorf, “What Is Truth?” (Fampaherezam-panahin’ny

Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 13 jan. 2013), lds.org/broadcasts.

• “Gospel Learning,” Gospel Topics, lds.org/topics.

Sosokevitra Enti-mampianatraFotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118, 121–26Fomba iray ho an’ny fianaranaVakio mafy ity famariparitana ny Sekolin’ny Mpaminany ity, izay nitranga tanyKirtland, Ohio:

“Ny taona 1833, dia nanana fahafahana tsy nanam-paharoa handalina ny filazantsara nyMpaminany sy ny vondron’ny Olomasina avy tao Kirtland. Ny volana janoary tamin’io taona io,ary araka ny didin’ny Tompo (jereo ny F&F 88:127–41), dia nanangana ny Sekolin’ny Mpaminanyi Joseph mba hanofanana ny mpitarika ao amin’ny fisoronana amin’ny asa fanompoana syhanomanana azy ireo amin’ny fitoriana ny filazantsara. Ilay sekoly dia natao tao amin’ny efitry nyrihana faharoa tao amin’ny tranofitehirizan’i Newel K. Whitney, izay toeram-ponenan’nyMpaminany. Teo amin’ny rahalahy niisa 25 teo ho eo no nanatrika izany, ny sasany nanao ny diaizay naharitra kilaometatra aman-jatony maro mba hanana tombontsoa handalina nyfilazantsara ao amin’ny efitra izay tsy nihoatra ny 3,3 metatra sy 4,3 metatra. Nyankabeazan’ireo lehilahy ireo dia ho lasa Apôstôly, Fitopololahy, na mpitarika hafa ao amin’nyFiangonana aty aoriana. Na dia nianatra fiteny tsindraindray aza ny Mpaminany sy ny olona hafadia nifantoka voalohany indrindra tamin’ny fianarana ireo fotopampianaran’ny filazantsara izyireo, ka tamim-pahazotoana no nanatontosana ny fandalinana izay nanomboka vao maraina katsy nifarana raha tsy tamin’ny fiafaran’ny tolakandro. Naharitra teo amin’ny efa-bolana teo ho eoio sekoly io, ary ny sekoly hafa toy izany dia natsangana tany Kirtland sy tany Missouri koa tatyaoriana, izay natrehan’ny olona aman-jatony” (Enseignements des Présidents de l’Église: JosephSmith [2007], 279).

Hazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88 dia mirakitratorolalana avy amin’ny Tompo ho an’ireo izay handray anjara amin’ny Sekolin’ny

54

Page 67: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Mpaminany. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 88:118 ka hitady ny fomba fianarana izay nomen’ny Tompo.Avy eo dia mifanakaloza hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto:

• Araka ny hevitrao, midika inona aminao ny hoe “katsahonareo ny fianarana …amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana”?

• Ahoana no fomba hitomboan’ny fahafahantsika mianatra amin’ny fanarahanaio fomba io? (Mety ho samihafa ny valinteny omen’ny mpianatra, nefa ataovymazava tsara fa rehefa ampidirintsika ny finoana mandritra ilay fianarana,dia mendrika ny fanampian’ny Tompo isika.)

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 88:121–26, izay mirakitra torolalana misimisy kokoa avyamin’ny Tompo ho an’ny Sekolin’ny Mpaminany. Asaivo manaraka ny vakiteny nympianatra, sy hitady ireo fitsipika izay manampy antsika hahatakatra ny fianaranaamin’ny alalan’ny finoana. Afaka asainao asian’ireo mpianatra marika ireo zavatrahitany. Azonao atao ny manao lisitra an’ireo fitsipika ireo eny amin’ny solaitraberehefa mizara izany ny mpianatra. Azonao atao koa ny manoro hevitra nympianatra ny hanoratany ny andian-teny “fitsipika izay mampianatra ny fombafianarana amin’ny alalan’ny finoana” eo amin’ny sisin’ny soratra masina, eoakaikin’ireo andininy ireo. (Fanamarihana: Ny fanaovana naoty eny amin’ny sisin’nypejin’ny soratra masina dia afaka manampy ny mpianatra hahita sy hitadidy ireofitsipika manan-danja moramora kokoa.) Raha ampy ny fotoana, dia azonao ataony manasa ny mpianatra hitady fitsipika fanampiny ao amin’ny Almà 32:28, 41–43sy Jaona 7:17.

• Nahoana no manampy antsika hianatra amin’ny alalan’ny fandinihana ary koaamin’ny alalan’ny finoana ny fanarahana ireo fitsipika nampianarina taoamin’ireo andininy ireo? (Rehefa mamaly ny mpianatra, dia mety ilainao nymanantitrantitra fa ny fanarahana ireo fitsipika ireo dia hanampy antsika homendriky ny fanampian’ny Fanahy.)

• Inona no fiantraikan’ny Fanahin’ny Tompo amin’ny fikarohantsikafahamarinana, rehefa mendrika ny fiarahana amin’io Fanahy io isika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 91:1–6Manavaka ny marina amin’ny disoAsehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, avyamin’ny Fiadidiana Voalohany ity ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

“Tsy mbola nisy teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao fotoana ahafahantsika,tahaka ny amin’izao fotoana izao, mahazo mora foana ireo karazam-baovaorehetra—misy marina ny sasany amin’izy ireny, ny sasany diso, ary betsaka no tsydia tena marina tanteraka.

“Vokatr’izany dia tsy mbola nisy teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao fotoanatahaka ny amin’izao fotoana izao izay mampanan-danja bebe kokoa ny ianarana

ny fomba anavahana amin’ny fomba mahitsy ny marina amin’ny diso” (“What Is Truth?”

LESONA 10

55

Page 68: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

[Fampaherezam-panahin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 13 jan 2013], 3,lds.org/broadcasts).

• Inona no mety hitranga raha toa tsy mianatra manavaka ny marina amin’nydiso isika?

Soraty eny amin’ny solaitrabeity fanontaniana manaraka ity:

Ahoana no ahafahantsika manavaka amin’ny fomba mahitsy ny marinaamin’ny diso?

Hazavao fa ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 91 dia nampianatra an’i Joseph Smith ny fombahoenti-manavaka raha toa marina ny zavatra iray vakiany ao amin’ny Apôkrifa.Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny sasin-tenin’ny fizarana 91 ary nympianatra ambiny hanaraka ny vakiteny. Asao ireo mpianatra, avy eo, handinika nyfanontaniana eny amin’ny solaitrabe rehefa mandalina ny Fotopampianarana syFanekempihavanan 91 ny kilasy iray manontolo.

Hazavao fa ny Apôkrifa dia fitambaran’ireo boky masin’ny vahoaka Jiosy. Ireo bokyireo dia tsy nampidirina tao amin’ny Baiboly Hebreo (Testamenta Taloha) tanyam-boalohany, fa nampidirina tao amin’ny dikan-teny Grika ny Baiboly kosafotoana fohy talohan’ny vanim-potoan’i Kristy. Rehefa nanambatra ireo bokin’nyBaiboly ny Kristianina tany am-boalohany taonjato maro taty aoriana, dianampidirin’izy ireo ho tovana ny bokin’ny Apôkrifa. Ny fivavahana Kristianinasasany dia manaiky ny bokin’ny Apôkrifa ho soratra masina, fa ny fivavahana hafakosa dia tsy mino izany ho lahatsoratra nentanim-panahy. Ny tahadikan’ny Baibolyizay nampiasain’i Joseph Smith mba hanaovany ny dikan-teniny nentanim-panahydia nahitana ny Apôkrifa. Nanontany ny Tompo i Joseph raha tokony hampidirinaao amin’ny dikan-tenin’ny Baiboly ataony ireo boky ireo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 91:1–3.

• Inona no nianaran’i Joseph Smith mikasika ny Apôkrifa? (Mety ho ilainao nymanazava fa ny soratra mifangaro dia soratra izay natsofoka tao amin’nysora-tanana, ka indraindray miteraka ny fiovan’ilay lahatsoratra tanyam-boalohany.)

Asao ny mpianatra iray hafa hamaky mafy ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 91:4–6.

• Ahoana no hanampian’ny torohevitra ao amin’ny andininy 4–6 antsika amin’nyfanavahana ny marina amin’ny diso ary amin’ny fandanjalanjana ny maha-azoantoka na tsia ny zavatra vakiantsika? (Mety hampiasa teny samihafa nympianatra, saingy ataovy izay ahitan’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: NyFanahy Masina dia afaka manampy antsika hahafantatra ny amin’nyfahamarinan’ny zavatra vakiantsika.)

LESONA 10

56

Page 69: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Hazavao fa ny zava-baovao betsaka azo fantarina amin’ny Internet dianampitombo hatrany hatrany ny filantsika tsirairay ny fananana nyfanomezam-pahasoavana ara-panahin’ny famantarana (jereo ny F&F 46:23) mbahahafahantsika manavaka amin’ny fomba mahitsy ny marina amin’ny diso. (Rahamila fampahafantarana misimisy kokoa momba ny antony maha-tena-zava-dehibeny fanomezam-pahasoavan’ny famantarana amin’ny fiainantsika, dia jereo nylahatsoratry ny Loholona David A. Bednar “Quick to Observe,” Ensign na Liahona,des. 2006, 31–36.)

Omeo tahadikan’ity fanambarana manaraka nataon’ny LoholonaSteven E. Snow ao amin’ny Kôlejin’ny Fitopololahy ity ny mpianatra. Asao

ny mpianatra hikaroka ny torolalana nomen’ny Loholona Snow ao amin’nyandinin-tsoratra roa voalohany, izay momba ny fandanjalanjana ny zava-baovaomety hovakiantsika mikasika ny tantara sy ny fampianaran’ny Fiangonana.

Fandanjalanjana ny Tantaran’ny FiangonanaHoy ny Loholona Steven E. Snow ao amin’ny Fitopololahy:

“Ny Internet dia manome fampahafantarana mora alaina tokoa—ao ny tsara,ao ny ratsy, ny marina, ny tsy marina—anisan’izany ny fampahafantaranamomba ny tantaran’ny Fiangonana. Afaka mamaky zavatra maro dia maromomba ny tantarantsika ianareo, kanefa zava-dehibe ny mamaky mikasikaizany sy mahatakatra izany ao anatin’ny toe-javatra nisehoany. Ny mahasarotrany fampahafantarana amin’ny Internet dia satria izy ireny dia tsy ao anatin’nysahan-kevitra tena misy azy akory ary tsy tena hitanao avokoa izay zavatra

manodidina azy rehetra.

“Ny fampahafantarana izay miezaka ny manala-baraka ny Fiangonana dia amin’ny ankapobenyhevitr’olon-tokana sy hevitra mitanila. Tokony hikaroka loharano izay milazalaza ny finoantsika sy nytantarantsika amin’ny fomba tsy miangatra kokoa isika. Ny tranonkala sasany dia mananafikasan-dratsy ary mety hanaitra tokoa ny fomba fanehoany ny fampahafantarana. Mitadiavaloharano avy amin’ny mpahay tantara fanta-daza sy azo antoka, na mpikamban’ny Fiangonana izyireo na tsia.

“Ny tanora sasany dia taitra sy tohina amin’ireo fitaovana manenjika ny Môrmôna ao amin’nyInternet satria izy ireo tsy nanamafy ny tenany mba hanohitra izany. Mety tsy ampy ny fotoananatokan’izy ireo amin’ny lafiny ara-panahy mba hiomanana sy hampatanjahana ny tenany hoamin’izay rehetra mety hitranga. Rehefa misy zavatra mitranga eo amin’ny fiainany izay mitondraolana tsy nampoizina, dia zava-dehibe ny hanaovan’izy ireo ireo zavatra fototra izay resahantsikahatrany hatrany: manohy mandalina ny soratra masina ary mivavaka lalina amin’ny Raintsika anyAn-danitra. Ireo zavatra fototra ireo dia manomana ny olona amin’ny karazana fotoan-tsarotrarehetra, anisan’izany ireo lahatsoratry ny mpanenjika ny Môrmôna izay sendra hitan’izy ireo aoamin’ny Internet” (“Balancing Church History,” New Era, jona 2013, 21–22).

• Koa satria isika mila mandanjalanja tsara ny maha-azo antoka na tsia nyloharanon’ny zava-baovao mikasika ny tantara sy fampianaran’ny Fiangonana,ahoana no ahafahanao mampiasa ny fampianaran’ny Loholona Snow mbahanampy anao handanjalanja ny maha-azo antoka ny zavatra iray izay vakianaomomba ny Fiangonana?

LESONA 10

57

Page 70: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny andinin-tsoratra fahatelo ao amin’ilayfanambarana nataon’ny Loholona Snow. Avy eo dia mifanakaloza hevitra mombaity fanontaniana manaraka ity:

• Ahoana no fomba mety hanampian’ny torohevitry ny Loholona Snow rehefamanoloana fampahafantarana izay mifanohitra amin’ny zavatra inoanao ianao?

Mijanona ho mahatoky rehefa misy fanontaniana mipoitraHazavao fa ireo mpikamban’ny Fiangonana dia mety hametra-panontaniana nahanana ahiahy momba ny fotopampianarana, ny tantara na hevitra ijoroan’nyFiangonana momba ny olana iray ara-piaraha-monina. Zarao amin’ireo mpianatraoity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf:

“Voajanahary ny fananana fanontaniana—ny voa kelin’ny fangatahanaamin-kitsimpo matetika dia nitsimoka ary nitombo ka lasa hazo lehiben’nyfahatakarana. Misy mpikambana vitsivitsy ato amin’ny Fiangonana izay tsy niadymafy nanontany tena nametraka fanontaniana lehibe na manohina, tao anatin’nyfotoana iray na ny fotoana hafa. Iray amin’ireo tanjon’ny Fiangonana nymikolokolo sy mamboly ny voan’ny finoana—eny fa na dia ao anatin’ireo tany

fasiky ny ahiahy sy ny tsy fahazoana antoka aza indraindray” (“Andao hiaraka aminay,” Ensignna Liahona, nôv. 2013, 23).

Omeo tahadikan’ny taratasy zaraina “Manavaka ny marina amin’ny diso”ny mpianatra tsirairay, izay ahitana torohevitra avy amin’ny mpitarika ao

amin’ny Fiangonana ho an’ireo izay manana fanontaniana na ahiahy. Asao nympianatra hamaky ireo fanambarana ao amin’ny taratasy zaraina ary hamantatraireo fitsipika izay hanampy ny olona iray hiatrika ny fanontaniany na ny ahiahinyamim-pahatokiana. Rehefa avy nomena fotoana ampy, dia asao ny mpianatrahanazava ny fomba hanampian’ny zavatra iray novakiany tao amin’ny taratasyzaraina ny olona iray izay manana fanontaniana na ahiahy mikasika nyfotopampianarana, tantara, na fomba fijerin’ny Fiangonana momba ny olanaara-piaraha-monina.

Eo am-pamaranana ny lesona, dia antitrantero fa na dia mety hisy aza nyfanontaniana izay tsy hahazoantsika valiny mandritra ity fiainana ity dia afakamahita ireo valintenin’ny fanontaniantsika manan-danja indrindra isikarehefa mankatò ny didy, mandalina ireo loharano nankatoavina—indrindraindrindra ny tenin’ny mpaminany velona—ary mikatsaka fitarihana amin’nyalalan’ny vavaka, sy amin’ny fanehoana faharetana sy finoana.

Asaivo mizara traikefa izay nahatsapany ny fanampian’ny Tompo amin’ny fahitanafahamarinana sy valintenin’ny fanontaniany ny mpianatra.

Amporisiho ny mpianatra hanao famerenana ny fanambarana ao amin’ny taratasyzaraina, ary asao izy ireo hanaraka ny torolalana avy amin’ny lesona, dia nyfikatsahana fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’nyfinoana.

LESONA 10

58

Page 71: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Vakitenin’ny Mpianatra• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118–26; 91:1–6.

• Dieter F. Uchtdorf, “What Is Truth?” (Fampaherezam-panahin’nyDepartemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 13 jan. 2013), lds.org/broadcasts.

Manavaka ny marina amin’ny disoNy herin’ny ratsy dia nanohitra an’ Andriamanitra sy ny asany hatrany hatrany, nandritra nyfotoampitantanan’ny filazantsara rehetra. Fa ny asan’ Andriamanitra dia tsy azo sakanana ary tsy azofoanana. Amin’izao andro farany izao, ny vato [dia] nendahina hiala tamin’ny tendrombohitra nefa tsynendahan-tanana, ary izany dia “hikodiadia ambara-pamenoany ny tany manontolo” (F&F 65:2).Satria anefa, ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay dia mety ho voafitaka dia tsy maintsy “miambinasy mivavaka mandrakariva” ny tsirairay (3 Nefia 18:18).

“Tsy ilaintsika sy ianao, amin’izao andro ananana fahalalana betsaka izao,izay hoe efa tafaverina amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsara, nymikaroka ny fahamarinana amin’ny fomba sarotra sy tsy mbola nisy nanaomihitsy teo aloha. Ny Ray any An-danitra be fitiavana dia nanoritra nylalantsika ary nanome mpitarika mahatoky—dia ny fankatoavana. Tongaeo amintsika ny fahalalana ny fahamarinana sy valin’ireo fanontaniana

lehibe ananantsika rehefa mankatò ny didin’ Andriamanitra isika” (Thomas S. Monson,“Mitondra fitahiana ny fankatoavana,” Ensign na Liahona, mey 2013, 89).

“Ry namako malala—miangavy anareo aho hoe ny ahiahinareo aloha noahiahio alohan’ny hiahiahianareo ny finoanareo. Tsy tokony hamela nyahiahintsika mihitsy isika hanagadra sy hanakana antsika tsy hahazo ilayfitiavan’ Andriamanitra sy ny fiadanany ary ireo fanomezam-pahasoavanaizay tonga amin’ny alalan’ny finoana ny Tompo Jesoa Kristy” (Dieter F.Uchtdorf, “Andao hiaraka aminay,” Ensign na Liahona, nôv. 2013, 23).

“I Satana no ilay mpamitaka lehibe, ‘ilay mpiampanga ny rahalah[y]’[Apokalypsy 12:10], ilay rain’ny lainga [jereo ny Jaona 8:44], izaymikatsaka hatrany ny hamitaka mba handresena antsika [jereo ny F&F50:3]. …

“Ho an’ireo izay efa nandray ny fahamarinana, dia ny hanaparitaka nyvoan’ny fiahiahiana no tetik’adiny. Ohatra, mpikamban’ny Fiangonana

maro no nataony izay hahatafintohina azy rehefa nahita fampahafantarana momba nyFiangonana izy ireo izay toa mifanohitra amin’ny zavatra izay efa nianarany taloha.

“Raha miaina zavatra toy izany ianao, tsarovy fa amin’izao fotoana mampitosaka nyfampahalalana izao dia maro ny olona izay mampisy ahiahy momba izao zavatra rehetraizao, amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra. …

LESONA 10

59

Page 72: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

“… Ary tsara foana ny mitadidy fa tsy hoe satria ny zavatra iray natonta an-taratasy,miseho amin’ny Internet, averimberina matetika, na manana vondron’olona matanjakamanaraka azy dia hoe marina izy izay.

“Indraindray ny fanambarana sy fampahalalana diso dia aseho amin’ny fomba izay toamitombina ihany. …

“… Izay toa feno fifanoherana dia toa mora takarina ankehitriny rehefa mikatsaka symahazo fampahalalana azo itokisana kokoa isika” (Dieter F. Uchtdorf, “What Is Truth?”[Fampaherezam-panahy an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 13 jan.2013], lds.org/broadcasts).

“Rehefa manomboka mampitaha ireo fomba fanao sy firehan-kevitramaoderina amin’ny zavatra fantatsika momba ny drafitr’ Andriamanitra syireo fialofana nomena antsika ao amin’ny tenin’ Andriamanitra ary nyfampianaran’ireo mpaminaniny velona isika, … dia fantatsika famametraka antsika amin’ny toerana azo antoka mandrakizay izany ”(Dallin H. Oaks, “As He Thinketh in His Heart” [takariva iarahana amin’ny

Loholona Dallin H. Oaks, 8 feb. 2013], lds.org/broadcasts).

“Amin’ny fotoan’ny tahotra na ny ahiahy na ny tebiteby dia hazony ilayfinoana izay efa anananao, na dia voafetra ihany aza izany. … Rehefatonga ireny fotoana ireny ka mitranga ny olana dia tsy ho tonga avyhatrany ny vahaolana, hazony mafy izay efa fantatrao ary mahatanjahahatrany mandra-pahazoanao fahalalana misimisy kokoa” (Jeffrey R.Holland, “Tompo ô, Mino Aho” Ensign na Liahona, mey 2013, 93–94).

“Afaka mampahatsiahy an’ilay olona mikatsaka marina ny hahafantatraisika fa tsy misy sivana hanesorana ireo fampahalalana tsy marina aoamin’ny Internet. Ny fampahalalana sasany, na dia mandresy lahatra toy nyahoana aza, dia tsy marina tsotra izao” (Neil L. Andersen, “Joseph Smith,”Ensign na Liahona, nôv. 2014, 29).

“Ny valin’ireo fanontaniana ara-panahy dia omena ho an’ny olona tsirairayizay tsy manamafy ny fony; izay mangataka amim-pinoana, mahatoky fahandray; ary mitandrina amim-pahazotoana ireo didy” (Paul V. Johnson, “APattern for Learning Spiritual Things” [Lahateny nataon’nyDepartemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana ho an’ireo mpanabeara-pivavahana, 7 aôg 2012], si.lds.org).

LESONA 10

60

Page 73: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

“Ny mandalina ny momba ny Fiangonana … amin’ny fomba fijerin’ireompanenjika azy dia toy ny manao dinidinika amin’i Jodasy mbahahatakarana an’i Jesoa” (Neal A. Maxwell, “All Hell Is Moved”[fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite Brigham Young, 8 nôv1977], 3, speeches.byu.edu).

LESONA 10

61

Page 74: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

LESONA 11

Ny Feon’ny Tompo aoamin’ny Fotopampianaranasy Fanekempihavanana

FampidiranaNy Fotopampianarana sy Fanekempihavanana diamampiseho fa Andriamanitra dia miresaka amin’nympaminany amin’ny andro farany ary manomana an’izaotontolo izao ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany Izy.Rehefa mamaky ny fanambarana hita ao amin’ny

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana isika, dia afakamahare ny feon’i Jesoa Kristy. Rehefa tonga amin’nyfahatakarana ny maha-zava-dehibe ny Fotopampianarana syFanekempihavanana isika, dia hanome lanja izany mihoatrany haren’ny tany rehetra.

Vakiteny enti-mandalina• Ezra Taft Benson, “The Book of Mormon and the Doctrine and Covenants,”

Ensign, jan. 2005, 24–28.

Sosokevitra Enti-mampianatraFampidiran’ny Fotopampianarana sy FanekempihavananaNy feon’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy FanekempihavananaVakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994)ity. Mangataha mpianatra iray hamaky izany mafy ary asaivo manaraka ny vakitenyny mpianatra ambiny.

“Mitondra ny olona ho eo amin’i Kristy ny Bokin’i Môrmôna. NyFotopampianarana sy Fanekempihavanana dia mitondra ny olona ho eo amin’nyfanjakan’i Kristy, dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny AndroFarany, ‘Ilay hany fiangonana marina sy velona eto ambonin’ny tany manontolo’[F&F 1:30]. Fantatro izany.

“Ny Bokin’i Môrmôna no ‘vato ifaharan’ny’ finoantsika, ary nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana no tilikambo, miaraka amin’ny fanambaranamitohin’ny andro farany. Napetraky ny Tompo teo amin’ny vato ifaharana sy ny vato faratamponyny tombokase maneho ny fankatoavany” (“The Book of Mormon and the Doctrine andCovenants,” Ensign, jan. 2005, 26)

• Inona no zavatra hitanao ao amin’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana izay mampiseho ny maha-zava-dehibe izany boky izanyho an’ny Fiangonana sy ny mpikambana tsirairay?

Asao ireo mpianatra mba hanokatra ny soratra masin’izy ireo ao amin’nyFampidiran’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, izay hita eny amin’nyfanombohan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Asao ny mpianatra

62

Page 75: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny andinin-tsoratra voalohany sy fahatelo aryny mpianatra ambiny hanaraka ny vakiteny. Asaivo mitady ireo antony tsymampitovy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana amin’ny boky soratramasina hafa ny mpianatra ary hanamarika ny fanatitranteran’ny teny fampidiranany fihainoana ny feon’ny Tompo. Anontanio avy eo hoe:

• Inona no tsy mampitovy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana amin’nyboky soratra masina nankatoavina hafa?

• Inona no lazain’ny fampidirana momba ny “feon’i Jesoa Kristy Tompo”?(Ampio ny mpianatra mba hahatakatra fa rehefa mandalina nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana isika dia afaka mianatramamantatra ny feon’i Jesoa Kristy Tompo. Hazavao fa ny andian-teny hoe“feon’ny Tompo,” na ny fiovan’izany, dia mitranga mihoatra ny in-40 aoamin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana [ohatra, jereo ny F&F 1:2;18:35–36; 76:30]; ny andian-teny hoe “Izao no lazain’ny Tompo” dia mitrangamihoatra ny in-60 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana[ohatra, jereo ny F&F 36:1; 56:14].) Ny fihainoana ny feon’ny Tompo dialohahevitra manan-danja ao amin’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana.

Asehoy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Neal A. Maxwell(1926–2004) ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asao ny mpianatra irayhamaky izany mafy ary ny mpianatra ambiny hanaraka ny vakiteny.

“Raha anontaniana hoe boky inona amin’ireo soratra masina no manomefahafahana im-betsaka indrindra mba ‘hihaino’ ny Tompo miresaka, dia nyTestamenta Vaovao no eritreretin’ny ankabeazan’ny olona voalohany indrindra.Ny Testamenta Vaovao dia fitambarana mahatalanjona ny asa sy nyfotopampianarana maro an’ny Mesia. Fa ao amin’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana kosa no handraisana ny feo sy ny tenin’ny Tompo. Tena

ohatran’ny hoe ‘henontsika’ mihitsy Izy miresaka” (“The Doctrine and Covenants: The Voice ofthe Lord,” Ensign, des. 1978, 4).

• Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fianarana mihaino sy mamantatra nyfeon’ny Tompo amin’ny alalan’ny fandalinana sy Fotopampianarana syFanekempihavanana mety hitondra fiovana eo amin’ny fiainanao?

Omeo minitra vitsivitsy ny mpianatra mba handalinany ny andinin-tsoratrafahavalo ao amin’ny fampidiran’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.Asaivo mitady ireo fotopampianarana izay voarakitra ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana izy ireo. Rehefa avy nanome fotoanaampy ho an’ny mpianatra dia manontania hoe:

• Nahoana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana no “sarobidy mihoatranoho ny haren’ny tany manontolo”?

Azonao atao ny mizara ny zavatra nolazain’ny Loholona Steven E. Snow aoamin’ny Fitopololahy momba ireo fanambarana hita ao amin’ny Fotopampianaranasy Fanekempihavanana:

LESONA 11

63

Page 76: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

“Amin’ny alalan’ireo fanambarana nentanim-panahy sy mankahery ireo, diamampianatra sy manamafy fotopampianarana manan-danja nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana. … Ny Loholona John A. Widtsoe(1872–1952) dia nanoratra hoe: ‘Ny fotopampianarana tsirairay ampianarin’ NyFiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia hita, na amin’nyfanazavana izany na amin’ny faminaniana ao amin’ny bokin’ny

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Raha ny fantatro manokana aloha, dia tsy misyfotopampianarana izay ampianarin’ny Fiangonana ka tsy hita na amin’ny fomba na endrika hafaaza izany ao anatin’io boky io.’ Nanampy izy fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana diamanan-danja satria ‘tsy misy na iray aza amin’ireo boky masina hafa ananantsika no afakamilaza toa azy ny fahafahany misahana feno ireo fotopampianaran’ny Fiangonana rehetra’ [TheMessage of the Doctrine and Covenants (1969), 117]” (“Treasuring the Doctrine and Covenants,”Ensign, jan. 2009, 52).

Asao ny mpianatra hizara ny fomba notahian’ny fandalinana ny Fotopampianaranasy Fanekempihavanana azy ireo teo amin’ny fiainany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:1–17; 5:10Fampahalalana ny Fotopampianarana sy FanekempihavananaHazavao amin’ny mpianatra fa ny fanambarana voarakitra ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 1 dia nomen’ny Tompo tamin’nyvoalohany ho sasin-tenin’ny Bokin’ny Didy, izay boky firaketana voalohany nyfanambaran’i Joseph Smith. Io firaketana ny fanambarana io, miaraka amin’nyfanambaran’ny Mpaminany hafa sy ny Lectures on Faith, dia natonta taty aoriana hoFotopampianarana sy Fanekempihavanana. Nyfizarana 1 dia miresaka momba nyilàna an’ity boky soratra masina ity amin’izao fotoana izao. Asao ny mpianatra irayhamaky mafy ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 1. Ampio ny mpianatra hamakafaka ny sasin-tenin’ny fizaranaamin’ny fametrahana ity fanontaniana ity:

• Inona no fanapahan-kevitra tapaka tamin’ny fihaonambe manokana nataon’nyloholona? (Ireo fanambarana izay noraisin’i Joseph Smith hatramin’io fotoanaio dia havoaka printy ho boky. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa na dianantsoina hoe Bokin’ny Didy aza io boky io tany am-boalohany, dia nantsoinahoe Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izany taty aoriana.)

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:1–5. Avy eo dia anontanio ireompianatra hoe:

• Niresaka tamin’iza i Jesoa Kristy tao amin’ireo andininy ireo?

• Ahoana no hamintinanao ny faminaniana voarakitra ao amin’ireoandinin-tsoratra masina ireo?

• Amin’ny fomba ahoana hoy ny Tompo no hanomezany ny fampitandremanyamin’ny olona rehetra? (Ny mpianatra dia tokony hahita ity fotopampianaranaity: Ny Tompo dia mampitandrina ny vahoaka rehetra amin’ny alalan’nympanompony voafidy.)

LESONA 11

64

Page 77: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 1:12. Anontanio avy eo hoe:

• Araka ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejyb amin’ny andininy 12, inonano irian’ny Tompo hampiomanana an’izao tontolo izao? (Rehefa manomevalinteny ny mpianatra, dia mety ilaina ny hamporisihanao azy ireo mba hijerymatetika ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy ho fanazavana syfampitomboana misimisy kokoa ny fahatakarany ny lahatsoratry ny soratramasina.)

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana1:14–16, ka hitady ny famariparitan’ny Tompo ny tontolo izay misy antsikaankehitriny. Rehefa avy nizara ny zavatra hitany ny mpianatra, dia asaivo mamakyny andininy 17 izy ireo ary hanazava ny zavatra nataon’ny Tompo mba hiatrehanany olana hita ao amin’ny andininy 14–16.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 5:10 ary ny mpianatra ambiny hanaraka ny vakiteny. Rehefaizany dia ifanakalozy hevitra ity manaraka ity

• Inona no zavatra ianaranao mikasika ny antso tsy manam-paharoa an’i JosephSmith avy amin’io andinin-tsoratra masina io? (Tokony hahita ity fahamarinanamanaraka ity ny mpianatra: Ny Tompo dia niantso an’i Joseph Smith mbahitondra ny Teniny ho an’izao tontolo izao.)

Asao ny mpianatra iray hamaky ity teny nambara ity izay nataon’ny LoholonaJeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Tamin’ireo zavatra rehetra notanterahany … i Joseph [Smith] dia namela,ambonin’ny zavatra rehetra, ho antsika ny lova matotry ny fanambarana avyamin’ Andriamanitra—tsy fanambarana tokana izay fanambarana miavaka tsymisy porofo sy tsy misy tohiny, ary tsy ‘karazana fanentanam-panahy matimatyizay hiampita tsikelikely any an-tsain’ny olona tsara sitrapo’ rehetra, fa torolalanavoatokana sy tsara omana ary tsy tapaka avy amin’ Andriamanitra. Ny namana

akaiky sy manam-pahaizana OMAF mahatoky iray dia nanazava tsara momba an’izany nanaohoe: ‘Tamin’ny vanim-potoana izay nanafihan’ny herin’ny tsara lahatry ny Fanazavana nyfiavian’ny maha-Kristianina, i Joseph Smith dia namerina [tsy tamim-pisalasalana sy tamin’nyherin’ny tenany manokana] ny maha-Kristianina maoderina tamin’ny niaviany, tao amin’nyfanambarana’ [Richard L. Bushman, “A Joseph Smith for the Twenty-First Century,” ao amin’nyBelieving History (2004), 274]” (“Prophets, Seers, and Revelators,” Ensign na Liahona, nôv.2004, 8).

• Tamin’ny fomba ahoana no nampitomboan’ity lesona ity ny fahatakaranao nytanjona sy ny maha-zava-dehibe ny Fotopampianarana syFanekempihavanana?

• Ahoana no nanamafisan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana nyfijoroanao ho vavolombelona mikasika ny maha-mpaminany nantsoin’Andriamanitra an’i Joseph Smith?

LESONA 11

65

Page 78: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Farano ny lesona amin’ny fangatahana raha misy ny maniry hizara ny fijoroany hovavolombelona mikasika ireo fotopampianarana, fitsipika, ary fahamarinanavoarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Vakitenin’ny Mpianatra• Fampidiran’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ; Fotopampianarana

sy Fanekempihavanana 1:1–39; 5:10.

• Ezra Taft Benson, “The Book of Mormon and the Doctrine and Covenants,”Ensign, jan. 2005, 24–28.

LESONA 11

66

Page 79: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

LESONA 12

Soratra Masina fanampinyamin’ny Androntsika

FampidiranaMbola manome torolalana ho antsika hatrany ny Tompoamin’ny fanambarana ny Teniny sy ny Sitrapony amin’nympanompony amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Satria mbolamiresaka amin’ny mpaminany maoderina Andriamanitra, diambola miampy hatrany ny soratra masina ankatoavina. Ireo

soratra masina fanampiny navoaka ho antsika amin’izaofotoana—toy ny Dikan-tenin’ny Baiboly nataon’i JosephSmith sy ny Bokin’i Abrahama—dia manamafy, manazava,ary manitatra ny fahatakarantsika ny filazantsara.

Vakiteny enti-mandalina• Jeffrey R. Holland, “My Words … Never Cease,” Ensign na Liahona, mey

2008, 91–94.

• “Translation and Historicity of the Book of Abraham,” Gospel Topics, lds.org/topics.

• Elizabeth Maki, “Joseph Smith’s Bible Translation: D&C 45, 76, 77, 86, 91,”Revelations in Context series, 20 mar. 2013, history.lds.org.

Sosokevitra Enti-mampianatraSoratra masina amin’ny andro faranyAsao ireo mpianatra haka sary an-tsaina hoe manontany amim-pahatsorana azyireo ny namany iray manao hoe: “Nahoana ny Môrmôna no manana soratramasina fanampiny amin’ny Baiboly? Nihevitra aho hoe ny Baiboly no nirakitra nytenin’ Andriamanitra rehetra.” Asao ny mpianatra hanangana ny tanany raha efanametrahana fanontaniana tahaka izany. Mangataha mpianatra vitsivitsy hizara nyfomba namaliany ny fanontaniana sy ny zavatra tsapany rehefa nijoro hovavolombelona momba ny soratra masina izy ireo.

Soraty eo amin’ny solaitrabe ny teny hoe soratra masina nankatoavina. Asehoy iretofanambarana ireto izay nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland sy ny LoholonaDallin H. Oaks izay samy avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, aryasao ny mpianatra roa hifandimby hamaky izany mafy. Asaivo mihaino ny dikan’nyandian-teny hoe soratra masina nankatoavina ny mpianatra raha ny toe-javatra misyamin’ireo fanambarana ireo no heverina.

“Betsaka tokoa ny Kristianina no nilaza, noho ny fitiavana marina ananany hoan’ny Baiboly fa tsy afaka misy soratra masina nahazo lalana hafa intsonyankoatra ny Baiboly. Amin’ny fanapahana fa tapitra hatreo ny fanambaran’nysoratra masina nankatoavina, dia mandà ny fanambarana avy amin’Andriamanitra izay sarobidy amintsika ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy hoan’ny Olomasin’ny Andro Farany ny namantsika avy amin’ny finoana hafa: ny

67

Page 80: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ny Voahangy Lafo Vidy ary nyfitarihana tsy tapaka izay raisin’ny mpaminany sy apôstôly voahosotr’ Andriamanitra” (Jeffrey R.Holland, “My Words … Never Cease,” Ensign na Liahona, mey 2008, 91).

“Ny ankamaroan’ny Kristianina dia mino fa nofaranan’ Andriamanitra ny soratramasina nankatoavina—izany hoe ny firaketana ny boky masina izay ampiasainaho soratra masina—fotoana fohy taorian’ny nahafatesan’i Kristy ary mino fa tsynisy intsony ny fanambarana nitovy lenta tamin’izany taty aoriana. I Joseph Smithdia nampianatra sy nanamarina fa mbola misy hatrany ny soratra masinanankatoavina [jereo ny Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith

(2007), 208]. …

“… I Joseph Smith dia nampianatra fa Andriamanitra dia hitarika ny zanany amin’nyfanampiana soratra masina nankatoavina. Ny Bokin’i Môrmôna dia anisan’izany soratra masinanampiana izany. Toy izany koa ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana ary ny Voahangy Lafo Vidy” (Dallin H. Oaks, “Fundamental to Our Faith,”Ensign, jan. 2011, 29).

• Inona ny dikan’ny andian-teny hoe “soratra masina nankatoavina”? (Izany dia“firaketana nekena sy nahazoana lalana ny boky masina. Ny boky nekena hosoratra masina, ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’nyAndro Farany, dia antsoina koa hoe soratra masina nankatoavina” [Guide to theScriptures, “Canon,” scriptures.lds.org].)

• Midika inona ny hoe ny Olomasin’ny Andro Farany dia mino fa mbola misyhatrany ny soratra masina nankatoavina? (Na dia samihafa aza ny tenyhampiasany, dia alaivo antoka fa mahatakatra ity fahamarinana manaraka ity nympianatra: Ny tenin’ Andriamanitra manan-kery dia tsy hita ao amin’nyBaiboly fotsiny [jereo ny Ireo Fanekem-pinoana 1:9].)

• Inona no mety hiova noho ny finoana fa mbola manambara soratra masinaamin’ny mpaminany amin’ny andro farany foana ny Tompo?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:56; 45:60–62; 76:15–19;93:53; 94:10Ny Dikan-tenin’ny Baiboly nataon’i Joseph SmithSoraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity:

Tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith, no nanambara soratramasina fanampiny ny Tompo, izay manamafy, manazava sy manitatrany fahalalantsika ny fahamarinana.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 35. Asaivo manaraka ny vakiteny nympianatra ambiny ary hitady ny zavatra nataon’ny Mpaminany Joseph Smith sy i

LESONA 12

68

Page 81: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Sidney Rigdon tamin’ny fotoana nandraisan’izy ireo ny fanambarana hita aoamin’ity fizarana ity.

• Inona ny asa izay nanoloran’ny Mpaminany Joseph Smith sy i Sidney Rigdontena tamin’ny fotoana nandraisan’izy ireo ity fanambarana ity?

Mba hanampiana ny fanazavana ny atao hoe Dikan-tenin’ny Baiboly nataon’iJoseph Smith, dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ireto andinin-tsoratra roaireto:

Nanodidina ny fararanon’ny taona 1830 dia nandidy ny Mpaminany Joseph Smith mba handikany Baiboly ny Tompo. Tsy nandika ny Baiboly avy amin’ny fiteny iray ho amin’ny fiteny iray hafaizy, na hoe nanana sora-tanana voalohany momba ny Baiboly mba hanaovana ny fandikana. Fa iJoseph kosa dia namaky sy nandalina ireo andinin-tsoratra masina avy ao amin’ny Baiboly KingJames Version ary avy eo dia nanao fanitsiana sy nanampy zavatra araka izay nitaoman’nyFanahy Masina. Noho izany, ilay fandikana dia nirona bebe kokoa tamin’ny fanitsiana mazavakokoa fa tsy fandikan-teny araka ny fomba mahazatra hatrizay.

Ny Dikan-tenin’ny Baiboly nataon’i Joseph Smith dia niantefa tamin’ny andininy miisa 3.000 aony Baiboly King James Version. Ireo fahasamihafana ireo dia nahitana ny fanampiana (mbahanazavana ny dikany na ny toe-javatra na mba hamerenana faminaniana amin’ny laoniny,tahaka ny bokin’i Mosesy), famafana, andininy naverina narindra ary fanovana tanteraka nyfirafitry ny toko sasany. Ho fanazavana misimisy kokoa ny mikasika ny Dikan-tenin’i JosephSmith, dia jereo ny Bible Dictionary na ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Dikan-tenin’iJoseph Smith (DJS).”

Adikao eny amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity:

Fotopampianarana syFanekempihavanana 45:60–62

Fotopampianarana syFanekempihavanana 42:56,fanovozan-kevitra eny ambanin’nypejy a

Fotopampianarana syFanekempihavanana 76:15–19

Fotopampianarana syFanekempihavanana 93:53

Sasin-tenin’ny fizarana ho an’nyFotopampianarana syFanekempihavanana 35; 76; 77; 86;91

Fotopampianarana syFanekempihavanana 94:10,fanovozan-kevitra eny ambanin’nypejy b

Zarao ho vondrona roa ireo mpianatra. Asao ny vondrona tsirairay handalina nyzavatra ao amin’iray amin’ireo tsanganana ireo, ary hitady fampahafantaranamikasika ny Dikan-tenin’ny Baiboly nataon’i Joseph Smith. Rehefa avy nanomefotoana ampy ho azy ireo dia asao ireo mpianatra hizara izay zavatra nianarany. Diaapetraho ity fanontaniana manaraka ity avy eo:

LESONA 12

69

Page 82: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

• Inona araka ny hevitrao no vokatry ny asa fandikan-teny tamin’ny fanabeazanaara-panahin’i Joseph Smith sy tamin’ny famerenana tamin’ny laoniny nyfahamarinan’ny filazantsara?

Mba hanampiana ny mpianatra hankafỳ ny fiantraikan’ny asa fandikan-tenin’nyBaiboly nataon’i Joseph Smith teo amin’ny Fiangonana, dia asao ny mpianatra irayhankany amin’ny “Filahatr’ireo fizarana araka ny vanim-potoany” (izay hita enyamin’ny fiatombohan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana) ary hanazavafa ny Mpaminany dia nifantoka indrindra indrindra tamin’ny asa fandikan-teny teoanelanelan’ny jona 1830 sy jolay 1833. Anontanio avy eo hoe:

• Firy no isan’ny fizarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavananavoaray teo anelanelan’ny jona 1830 sy jolay 1833? (Ny Mpaminany dia nandrayfanambarana niisa 74 izay lasa ho anisan’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana tamin’io fotoana io.)

Mety ilainao ny manoritra fa ny bokinʼi Mosesy sy ny Joseph Smith--Matio, izaysamy hita ao aminʼny Voahangy Lafo Vidy, dia ampahanʼny fandikan-teninʼi JosephSmith ny Baiboly ihany koa ary noraisiny nandritra izany fotoana fandikana izany.Ny bokinʼi Mosesy dia ny fandikana ny toko fahavalonʼny Genesisy izay nataonʼiJoseph Smith. Tsikaritrʼi Joseph Smith fa misy tsy ampy betsaka ny avy tao aminʼnyBaiboly teo am-pandikana ireo andininy mikasika anʼi Enôka izy. Ahitana teny 109mikasika anʼi Enôka ny Baiboly King James ary teny 5.240 mikasika anʼi Enôka kosany ao aminʼny bokinʼi Mosesy.

• Inona no mety ho hevitry ny fisian’ny fanambarana maro voaray nandritra iofotoana io manoloana ny anjara asan’ny Dikan-tenin’i Joseph Smith amin’nyFamerenana amin’ny laoniny?

• Inona no fotopampianarana manan-danja sasany izay nomena nandritra iovanim-potoana io, raha mijery ny fizaran’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana voaray nandritra io fotoana io ianao? (Ireo ohatra mikasikany fotopampianarana manan-danja nomena nandritra io vanim-potoana io diaafaka hita ao amin’ny andininy 29, 42, 45, 76, 88, sy 93.)

Asehoy ity manaraka ity ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

“Ny dikan-tenin’ny Baiboly nataon’ny Mpaminany dia ampahany lehibe iray amin’nyfanabeazana ara-panahy ny tenany manokana sy amin’ny famerenana amin’ny laoniny nyfahamarinan’ny filazantsara. Raha nanao fanitsiana ny Testamenta Taloha sy ny TestamentaVaovao izy, dia matetika nandray ny fanambarana izay nanazava na nanitatra ny andinin-tsoratramasina tao amin’ny Baiboly. Tamin’izany fomba izany no nahafahan’ny Mpaminany nandrayfotopampianarana maro avy amin’ny Tompo, anisan’izany ny hita ao amin’nyFotopampianaranasy Fanekempihavanana 74, 76, 77, 86, sy 91, ary ny ampahan’ny fizarana maro ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana” (Enseignements des Présidents de l’Église: JosephSmith, 222).

Mijoroa ho vavolombelona fa ny Tompo dia nanambara ampahany manan-danjaamin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izay vokatra mivantan’nyasan’i Joseph Smith amin’ny fandikana teny ny Baiboly. Azonao atao koa nymanazava fa nisy ireo ampahan’ny Dikan-tenin’i Joseph Smith izay nampiana tao

LESONA 12

70

Page 83: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

amin’ny Baiboly King James Version, edisionan’ny OMAF tamin’ny 1979, izaynahafahan’ireo fanambarana manan-danja ireo mitahy ny fiainan’nympikamban’ny Fiangonana maro.

Ny bokin’i AbrahamaAsao ny mpianatra hamaky ny sasin-teny ho an’ny bokin’i Abrahama. Ifanakalozyhevitra amin’ny mpianatra vetivety monja ny votoatin’ny bokin’i Abrahama. Rehefaizany dia hazavao fa ny fahavaratry ny 1835, dia nisy lehilahy iray antsoina hoeMichael Chandler izay nitondra nankany Kirtland, Ohio ny faty maina voatahiryefatra avy tany Egypta sy papirosy maromaro nahitana lahatsoratra egyptianatranainy. Ny mpikamban’ny Fiangonana dia nividy ny faty maina voatahiry sy nypapirosy. Na dia tsy fantatra mazava tsara aza ny fomba nanatontosaina nydikan-teny, dia nataon’ny Mpaminany Joseph Smith ny fandikana teny ny sasanyamin’ny lahatsoratra nandritra ny volana vitsivitsy taorian’ny nandraisana nypapirosy egyptiana. Nanomboka tamin’ny martsa 1842, dia natonta tao amin’nygazety fananan’ny Fiangonana atao hoe Times and Seasons, ny ampahany maromaroao amin’ny bokin’i Abrahama. Navoaka tao amin’ny Voahangy Lafo Vidy ny bokin’iAbrahama taty aoriana.

Zarao ity famintinana ny mombamomba ny fahatongavan’ny bokin’i Abrahama ity.Asao ny mpianatra hihaino ny zavatra fantatsika momba ny fomba nanaovana nydikan-teny.

Ny tsy fanekena ny fahamarinan’ny bokin’i Abrahama mazàna mitranga dia ny hoe ireolahatsoratra (papirosy) ireo dia tsy tranainy loatra ka tsy afaka nosoratan’i Abrahama, izay niainateo amin’ny 2.000 taona teo ho eo talohan’i Jesoa Kristy. I Joseph Smith dia tsy nilaza velively fany papirosy dia nosoratan’i Abrahama izy tenany na hoe izany dia avy amin’ny vanim-potoan’iAbrahama. “Matetika ny rakitsoratra fahiny dia miampita amin’ny endrika tahadika natahadikan’ny tahadika. Ny rakitsoratr’i Abrahama dia mety novain’ny … mpanoratra taty aorianatahaka ny hoe nohavaozin’ny mpaminany-mpahay tantara Môrmôna sy Môrônia ny rakitsoratryny vahoaka tany aloha, ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ” (“Translation and Historicity of the Bookof Abraham,” Gospel Topics, lds.org/topics).

Raha nandika teny ny Mpaminany Joseph Smith, dia mety niasa tamin’ny fizaran’ny papirosy izaynopotehana taty aoriana izy. Araka izany, dia “tokony ho zava-poana ny fanadihadiana nyfahafahan’i Joseph mandika teny ny papirosy raha ampahan’izany fotsiny ihany no eoam-pelatanantsika ankehitriny” (“Translation and Historicity of the Book of Abraham”). Metyazo heverina koa fa ny fandinihan’i Joseph Smith tsara ny rakitsoratra no nahatonga azy handray“fanambarana momba ny zava-nitranga nanan-danja sy fampianarana avy amin’ny fiainan’iAbrahama, tahaka ny nandraisany tany aloha fanambarana mikasika ny fiainan’i Mosesytamin’ny fotoana nandalinany ny Baiboly” (“Translation and Historicity of the Book ofAbraham”). Na dia tsy fantatsika mazava tsara aza ny fomba nandikan’i Joseph Smith ny bokin’iAbrahama, dia fantatsika fa natao tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra syny heriny ny dikan-teny.

• Inona ireo ohatra sasany mikasika ny fomba nanampian’ny fisian’ny soratramasina fanampiny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith amin’nyfahatakarantsika ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny zanany?

Mety ilaina ny hijoroanao ho vavolombelona fa rehefa ny mpianatra no mandalinany bokin’i Abrahama izay manan-danja ara-potopampianarana, dia hijoro ho

LESONA 12

71

Page 84: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

vavolombelona aminy ny Fanahy Masina ny amin’ny maha-zava-dehibe izany sy nyamin’ny fahamarinany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38; 68:3–5Ny fanambarana mitohy dia tonga amin’ny alalan’ireo mpaminany velonaAsao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 1:38 ary ny mpianatra iray hafa hamaky mafy nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:4. Manontania ny mpianatra mombany zavatra nianarany avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. (Tokony hitan’nympianatra ity fitsipika manaraka ity: Rehefa miteny amin’ny herin’ny FanahyMasina ny mpanompon’ny Tompo, dia mampita ny sitrapon’ny Tompo nytenin’izy ireo.)

• Inona no zavatra niainanao izay nahatonga anao hahatsapa fankasitrahana nyamin’ny hoe ny Tompo dia mbola mampidina fanambarana ankehitriny?

Hazavao amin’ny mpianatra fa ao amin’ny Fiangonana, dia hankatoavina hosoratra masina (ekena ho soratra masina) ny fanambaran’ny mpaminany amin’nyandro farany sasany amin’ny alalan’ny lalàn’ny faneken’ny rehetra (jereo ny F&F26:1–2). Ny mpikamban’ny Fiangonana dia asaina hanohana ny mpaminany sy nyapôstôly amin’ny fanampiana ny fanambarana ao amin’ny soratra masina. Ohatra,nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny ôktôbra 1978, dia nanohana nympaminany sy ny apôstôly amin’ny fanampiana ny Filazana Ôfisialy 2, hoanisan’ny soratra masina nankatoavina ny mpikambana, izay namela nyfandraisan’ny mpikambana lehilahy mendrika rehetra ny fisoronana.

Asao ny mpianatra hitodika any amin’ny olona mipetraka eo akaikiny aryhifanakalo hevitra mandritra ny fotoana fohy ny amin’ny mety holazainy ny olonairay mino fa ny soratra masina nankatoavina dia tsy azo ampiana intsony ary isikadia tsy afaka mandray soratra masina fanampiny avy amin’ Andriamanitra.

Farano amin’ny fangatahana ny mpianatra mba handinika ny zavatra mety hataonymba hankaherezany ny fijoroany ho vavolombelona fa misokatra ny lanitra ary nyTompo dia mbola manambara ny teniny ankehitriny.

Vakitenin’ny Mpianatra• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38; 42:56; 45:60–62; 68:3–5;

76:15–19; 93:53; 94:10.

• Jeffrey R. Holland, “My Words … Never Cease,” Ensign na Liahona, mey2008, 91–94.

LESONA 12

72

Page 85: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

LESONA 13

“Ilay Fahitana”FampidiranaIlay fahitana nomena ny Mpaminany Joseph Smith izayvoarakitra ankehitriny ao amin’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 76 dia manome antsika fahatakaranafototra ny amin’ny fiainana aorian’ny fahafatesana,

anisan’izany ny ambaratongam-boninahitra. Avy amin’izanyno ianarantsika koa ny zavatra tsy maintsy ataontsika mbahiverenana indray eo anatrehan’ny Ray any An-danitra syJesoa Kristy.

Vakiteny enti-mandalina• L. Tom Perry, “The Plan of Salvation,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 69–72.

• Matthew McBride, “‘The Vision’: D&C 76,” Revelations in Context series,11 mar. 2013, history.lds.org.

Sosokevitra Enti-mampianatraFotopampianarana sy Fanekempihavanana 76Fahatakarana fototra momba ny fiainana aorian’ny fahafatesanaHazavao fa tamin’ny taona 1830 dia maro ny Kristianina no nihazona finoanaankapobeny iray na roa mikasika ny lanitra sy ny helo, izay atao indraindray hoefijery “nentim-paharazana” na “araka izao tontolo izao.” “Ny fijery“nentim-paharazana” dia lanitra tsotra fotsiny ho an’ny marina ary helo ho an’nytsy mpankatò. Ny fijery “araka izao tontolo izao” dia ny hoe tsy afaka hanasazy nympanota mandrakizay Andriamanitra, satria any amin’ny farany any dia hovoavonjy ao fanjakan’ Andriamanitra izy ireo. Tamin’io fotoana io dia kely kokoa nyzavatra fantatry ny mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy mikasika ny lanitra syny helo noho ny Kristianina hafa. Ny febroary 1832, dia niaina fahitana izayhampiova betsaka ny fahatakaran’ny Olomasin’ny Andro Farany momba nyfiainana aorian’ny fahafatesana i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon. Io fahitana io,izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76, diananambara fampiraisana maro sosona iray ny fitiavana, famindrampo,fahamarinana ary fitsaran’ Andriamanitra, ary nanokatra ny varavaran’ny fijerytonga lafatra kokoa ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra. Nandritra nytaona maro, ny mpikamban’ny Fiangonana tany am-piandohana dia nanomeanarana an’io fahitana io tamin’ny fomba tsotra ho “Ilay Fahitana.” (Jereo nyMatthew McBride, “‘The Vision’: D&C 76,” Revelations in Context series, mar. 11,2013, history.lds.org.)

Asaivo manome famariparitana fohy mikasika ny zavatra voasoratra ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 ny mpianatra iray. Asehoy ityfanambarana nataon’ny Filoha Wilford Woodruff ity (1807–98), ary asao nympianatra iray hamaky izany mafy:

73

Page 86: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

“Azoko heverina fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia [mirakitra]ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra indrindra izay nomena ny olombelonarehetra hatrizay. Raha ny “Fahitana’ [ao amin’nyfizarana 76] fotsiny no resahikodia ampitahaiko amin’ny fanambarana manome fahazavana bebe kokoa,fahamarinana bebe kokoa, ary fitsipika bebe kokoa mihoatra ny fanambaranahafa izay voarakitra amin’ny boky hafa izay vakiantsika izany. Manome

fahatakarana mazava tsara mikasika ny toerana misy antsika amin’izao izany, avy aiza isika,nahoana isika no eto, ary handeha ho aiza isika. Ny olona tsirairay dia afaka mahafantatraamin’ny alalan’ny fanambarana ny anjara toerany sy ny mety ho fepetra iainany”(Enseignements des Présidents de l’Église: Wilford Woodruff [2004], 126–27).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 76. Miangavia mpianatra iray hafahamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:15–19.

• Inona no zavatra nataon’i Joseph sy i Sidney izay nitondra tamin’ny fandraisanaity fanambarana ity?

• Inona no afaka ianarantsika avy amin’ny zavatra niainan’izy ireo mikasika nymaha-zava-dehibe ny mandalina sy misaintsaina momba ny soratra masina?(Alaivo antoka fa takatry ny mpianatra ny fifandraisan’ny misaintsaina mombany soratra masina sy ny fandraisana fanambarana.)

Fanamarihana: Antitrantero fa ny fianarana misaintsaina momba ny soratra masinadia fitaovana sarobidy fandalinana ny soratra masina izay manome fahafahanalehibe kokoa ny Fanahy Masina hanambara amintsika ny fahamarinana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76: 1–10Fampanantenana ho an’ny mahatokyAsao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 76:1–4. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra, ary hitadyny teny na andian-teny izay mamariparitra an’i Jesoa Kristy. Afaka asainaoasian’ireo mpianatra marika ireo zavatra hitany. Hazavao fa ny toetran’nyMpamonjy hita ao amin’ireo andininy ireo dia ohatra iray mikasika ny lisitra aoamin’ny soratra masina. Ny lisitra dia “fitambaran’ireo eritreritra, hevitra natorolalana mifandray. Ny fikarohana ireo lisitra ao amin’ny soratra masina dia afakamanampy ny mpampianatra sy ny mpianatra hamantatra ny hevitra fototra izaytian’ny mpanoratra antitranterina” (Gospel Teaching and Learning [2012], 23).Mariho fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 dia ahitana lisitra maroavy ao amin’ny soratra masina.

• Inona no toetran’ny Mpamonjy voalaza ao amin’ny andininy 1–4 izaymanan-danja indrindra aminao? Nahoana?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana76:5–10 ary hijery ny fampanantenan’ny Tompo ho an’ny mahatoky. Asao nympianatra hikaroka ireo fampanantenana voatanisa ao amin’ny andininy 6–10.Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ny zavatra aoamin’io lisitra io izay manantitrantitra ny fampanantenan’ny Tompo.

LESONA 13

74

Page 87: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

• Araka ny andininy 5, inona no tsy maintsy ataontsika mba hahazoana nyfamindrampo sy ny fiantrana ary ny fankalazan’ny Tompo?

Ampio ny mpianatra hamantatra ity fitsipika manaraka ity avy amin’ny fandalinanyireo andininy ireo: Rehefa matahotra ny Tompo sy manompo Azyam-pahamarinana isika, dia hankalaza sy hamindra fo antsika Izy.Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny tiana holazaina amin’ny hoe “matahotra” nyTompo eto dia ny fanajana Azy.

Mba hanampiana ny mpianatra hanana fahatakarana lalina mikasika ireoandinin-tsoratra masina ireo dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

• Inona amin’ireo fampanantenana hitanao tao amin’ny andininy 5–10 no tianaoho raisina manokana? Nahoana?

• Inona araka ny hevitrao no zavatra ilainao atao mba handraisana io fitahiana io?

Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsaina ny antony mahatonga ireo fitahiana ireoho mendrika ny hokatsahina ary hanao tomban’ezaka ny amin’ny fanajan’izy ireony Tompo sy ny fanompoana Azy amim-pahamarinana sy am-pahatokiana.

Hazavao amin’ny mpianatra fa manomboka amin’ny andininy 11, dia voarakitra aoamin’ny ambin’ny fizarana 76 ny fanambaran’ny Tompo mikasika ny “misterin’nyfanjakana,” izay “manoatra noho ny fahatakarana rehetra” (andininy 114).Manokatra ny fahatakarantsika an’ireo zavatra mahatalanjona mikasika ny fiainanamandrakizay ny fanambarana, mampianatra antsika momba ny fiainan-koavy symampahafantatra ny zavatra izay tsy fantatra teo aloha.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:19–24Fahitana ny Ray sy ny ZanakaHazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 dia ahitana andianafahitana. Mba hanomezana ny mpianatra topimaso ny amin’ny zavatra hitan’iJoseph Smith sy i Sidney Rigdon tao amin’ireo fahitana ireo dia asehoy ity sarymanaraka ity na omeo tahadikan’izany ny mpianatra tsirairay. Hazavao fa ny singairay avy amin’ny sary dia mifantoka amin’ny fahitana iray.

Mariho fa ny iray amin’ny fahitana nisokatra tamin’i Joseph Smith sy i SidneyRigdon tamin’io andro io dia fahitana ny Ray sy ny Zanany Jesoa Kristy. Asehoyireto fanontaniana manaraka ireto, na soraty eny amin’ny solaitrabe:

LESONA 13

75

Page 88: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Inona no fahamarinana ianarantsika avy amin’io fanambarana io mikasika an’iJesoa Kristy?

Iza amin’ireo fotopampianarana ireo no azonao hijoroana ho vavolombelona?Ahoana no ahafantaranao fa marina izany?

Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 76:19–24 ka hieritreritra ny fomba hamaliana ireofanontaniana eny amin’ny solaitrabe. Rehefa avy nomena fotoana ampy ireompianatra, dia asao izy ireo hizara ny valinteniny. Mety ho samihafa ireo valinteny,nefa alaivo antoka fa mahatakatra ireto fitsipika manaraka ireto ny mpianatra. IJesoa Kristy dia olona velona sy feno voninahitra. I Jesoa Kristy noZanakalahy Tokan’ny Ray. I Jesoa Kristy no Mpahary ity tontolo ity sy nytontolo hafa. Ny vahoaka amin’ity tontolo ity sy amin’ny tontolo hafa diazanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra.

Hevero ny hizaranao ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Mpamonjy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:25–113Ny drafitry ny famonjenaHazavao fa ny andininy 25–113 amin’ny fizarana 76 dia mampianatra fahamarinanamahatalanjona mikasika ny drafitry ny famonjena. Asao ny mpianatra hisafidyvondrona iray amin’ireo andininy ireo araka ny voatanisa eo amin’ny sary aryhamaky izany haingana. Zarao tsiroaroa ny mpianatra ary asaivo manaofifanakalozan-kevitra mikasika ny zavatra nianarany na ny zavatra izay hitany fatena mampientam-panahy avy amin’ny vakiteniny. Rehefa izany dia manaovafifanakalozan-kevitra momba ity fanontaniana manaraka ity:

• Inona no fotopampianarana fototra mikasika ny fiainana sy ny fahafatesana izayampian’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 antsika ho takarina?(Mety hampiasa teny samihafa ny mpianatra, nefa alaivo antoka nyhahatakarany fa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76no andraisantsika fahatakarana fototra ny amin’ny fiainana sy nyfahafatesana ary ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba hiainantsikaindray eo anatrehan’ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy.)

Hazavao fa iray amin’ireo fahitana manan-danja indrindra nomena an’i JosephSmith sy i Sidney Rigdon ny mikasika ny fanjakana selestialy. Asao ny mpianatrahamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–53, sy hitady ny lisitryny fepetra takiana amin’ny fidirana ao amin’ny fanjakana selestialy. Azonao atao nymanoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika na hanisy tarehimarika an’ireofepetra ireo ao amin’ny soratra masiny. Rehefa avy nizara ny zavatra hitany nympianatra iray, dia manontania fanontaniana tahaka ity manaraka ity:

• Araka ny eritreritrao, inona no dikan’ny hoe mandray ny “tenivavolombelon’iJesoa”? (Manana finoana ny asa fanavotan’ny Mpamonjy sy miaina araka nydidiny.)

LESONA 13

76

Page 89: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

• Inona ny dikan’ny hoe “mandresy amin’ny finoana”? (Mahatohitra nyfakam-panahy sy ny fahotana amin’ny fanehoana finoana an’i Jesoa Kristy symaharitra amim-pahatokiana hatramin’ny farany.)

• Inona no dikan’ny hoe “fehezin’ny Fanahy Masin’ny fampanantenana”? (NyFanahy Masina, izay Fanahy Masin’ny Fampanantenana ihany koa, dia mijoroho vavolombelona amin’ny Ray fa nandray araka ny tokony ho izy nyôrdônansin’ny famonjena ao amin’ny Filazantsarany isika ary nitandrinaamim-pahatokiana ny fanekempihavanana nataontsika.)

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:54–70 amin’ny alalan’nyfanazavana fa mitanisa ireo fitahiana maro izay horaisin’ireo mponin’ny fanjakanaselestialy io andinin-tsoratra masina io. Omeo fotoana fohy ny mpianatrahamakiany ireo andininy ireo sy hitadiavany ireo fitahiana nampanantenaina na nyfepetra izay manan-danja manokana ho azy ireo.

• Inona no fitahiana nampanantenaina ny mahatoky izay manan-danjamanokana aminao? Nahoana?

• Ahoana no hanampian’ny andininy 69 antsika amin’ny fahatakarana ny anjaraasan’ny Mpamonjy amin’ny fiainan’ireo izay mandova ny fanjakana selestialy?(Isika tsirairay dia tsy hahomby amin’ny fanaovana ny zavatra rehetra ilainaamin’ny fandraisana ny fanjakana selestialy, na dia manao izay faran’nyvitantsika aza. Amin’ny alalan’ny sorompanavotan’ny Mpamonjy ihany noahafahantsika ho voadio amin’ny fahotantsika sy ho lasa tonga lafatra.)

• Ahoana no hanampian’ny fahafantarana ireo fahamarinana mikasika ny drafitryny famonjena voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana76 antsika amin’ny fanaovana safidy tsaratsara eo amin’ny fiainana?

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Filoha Boyd K. Packer ity, ary asao ny mpianatrairay hamaky izany mafy:

“Raha tsy misy ny fahafantarana ny drafitry ny filazantsara, dia toa mandeha hoazy, sy tsy hananan-tsiny na voamarina mihitsy aza ny fandikan-dalàna. Tsy misyfiarovana amin’ny fahavalo lehibe kokoa noho ny fahafantarantsika nyfahamarinana—ny fahafantarantsika ilay drafitra!” (Our Father’s Plan[1994], 27).

• Ahoana no fomba hanampian’ny fahafantarana ny fahamarinana hita aoamin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 antsika amin’nyfiarovan-tena amin’ny fitaoman’i Satana?

• Ahoana no fomba nanampiana sy notahiana anao amin’ny alalan’nyfahafantarana ny drafitry ny Ray any An-danitra?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 76:114–117. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra aryhitady ny fampanantenana nomena an’ireo izay manadio ny tenany. Asao nympianatra hamariparitra ny fampanantenana ao amin’io andinin-tsoratramasina io.

LESONA 13

77

Page 90: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Rehefa avy namaly ny mpianatra, dia asehoy ity fanambarana manaraka nataon’nyMpaminany Joseph Smith (1805–44) ity izay mifandray amin’ny fahitana voarakitraao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:

“Afaka nazavaiko in-jato, eny mihoatra ny nataoko hatramin’izay ny voninahitryny fanjakana izay nampisehoana ahy tamin’ny fahitana, izay nahazoako lalana,ary izay nisian’ny olona vonona hihaino izany” (ao amin’ny History of theChurch, 5:402).

Mba hanampiana ny mpianatra hampihatra ny zavatra nianarany tao amin’nyfotoam-pampianarana, dia asehoy na soraty eny amin’ny solaitrabe ity andian-tenytsy fenoity:

Rehefa avy nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:

Fantatro fa …

Izaho dia maniry ny …

Izaho dia …

Asao ny mpianatra hameno ireo andian-teny ireo amin’ny taratasy iray. Amporisihoizy ireo mba handinika raha toa ka hahatonga azy ho mendrika ny handova nyfanjakana selestialy sy hanampy azy ho mendrika ny fitahiana hafanampanantenana tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 nysafidy izay ataon’izy ireo. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasikaireo fahamarinana izay noresahina androany nandritra ny fotoam-pampianarana.

Vakitenin’ny Mpianatra• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76.

• L. Tom Perry, “The Plan of Salvation,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 69–72.

LESONA 13

78

Page 91: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

LESONA 14

Ny Tempolin’i Kirtland syireo Fanalahidin’nyFisoronana

FampidiranaTaorian’ny telo taona teo ho eo izay niainana fahasahirananasy fahafoizana ara-bola, dia notokanana tamin’ny 27 mey1836 ny Tempolin’i Kirtland. Nisy ny zava-nitranga nahagagaizay nanaraka ny fanokanana, ary herinandro taty aoriana dianamerina tamin’ny laoniny ireo fanalahidin’ny fisoronana

tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ny iraka avy anyan-danitra. Ireo fanalahidy ireo dia toetra manokanamampiavaka ny Fiangonana ary nitondra fitahiana ho an’nyolona an-tapitrisany izay niangona tao amin’ny Fiangonana.

Vakiteny enti-mandalina• Jeffrey R. Holland, “Our Most Distinguishing Feature,” Ensign na Liahona, mey

2005, 43–45.

• David A. Bednar, “Honorably Hold a Name and Standing,” Ensign na Liahona,mey 2009, 97–100.

• “Glorious Days in Kirtland, 1834–1836,” toko 13 ao amin’ny Church History inthe Fulness of Times Student Manual, ed. faharoa (Boky Torolalan’nyDepartemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003), 153–68.

Sosokevitra Enti-mampianatraFotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:1–28Nahafoy tena ireo Olomasina mba hanorenana ny Tempolin’i KirtlandAsehoy ny mpianatra ny sarin’ny Tempolin’i Kirtland (jereo ny Boky mirakitra sarymomba ny Filazantsara [2009], lah. 117; jereo koa ny LDS.org). Hazavao fa nyOlomasina dia niasa mafy sy nahafoy tena nandritra ny telo taona teo ho eo mbahanorenana ny Tempolin’i Kirtland. Rehefa nanao izany izy ireo, dia nahita nyfahatanterahan’ny fampanantenan’ny Tompo fa raha mitandrina ny Didiny izy ireo,dia “hanan-kery hanorenana izany” (F&F 95:11). Teo amin’ny 1.000 teo ho eo noisan’ny olona nanatrika ny fanokanana ny tempoly, izay natao ny 27 martsa 1836.Ny vavaka fanokanana, izay voarain’i Joseph Smith tamin’ny alalan’nyfanambarana dia voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 109.

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:1–5. Amporisiho ny mpianatra mbahanaraka ny vakiteny, ary haka naoty ny andian-teny izay mamariparitra nyfahafoizan-tenan’ireo Olomasina mba hanorina ny tempoly. Avy eo dia apetrahoireto fanontaniana manaraka ireto:

79

Page 92: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

© Busath.com

• Inona ireo andian-teny nampiasan’i Joseph Smith mba hamariparitana nyfahafoizan-tenan’ireo Olomasina?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny fahafoizan-tenan’ireoOlomasina, dia asaivo mamaky mafy ity famintinana ity ny mpianatra iray:

Teo anelanelan’ny jona 1833 sy martsa 1836, no niasan’ny lehilahy sy vehivavy niaraka mbahanorenana sy hamitàna ny tranon’ny Tompo. Ny sasany nandrafitra vato, ary ny hafa kosanitatitra vato, nisy ireo nanodinkodina kofehy ary ny hafa kosa nanjaitra akanjo ho an’ny mpiasa,sy niasa ho an’ny lambam-baravaran’ny tranon’ny Tompo. Izany rehetra izany dia natao “mbahananan’ny Zanak’olona toerana hanehoana ny tenany amin’ny vahoakany” (F&F 109:5). MisyOlomasin’ny Andro Farany, toa an’i John Tanner, izay nanome betsaka tamin’ny harenany hoan’ny fanorenana ny tempoly. Raha atambatra, dia mety nitentina teo amin’ny 40.000 dolaraamerikana ny vidin’ny fanorenana ny tempoly—izay vola betsaka tokoa tamin’izany fotoanaizany. Na dia teo aza ny vidiny sy ny fahafoizan-tena natao, dia nahatoky tamin’ny asafankatoavana ny didin’ Andriamanitra ny Olomasina (jereo ny F&F 95:11). Ny Tempolin’i Kirtlanddia asa natao vokatry ny fo sy fampisehoana fankatoavana, fahafoizan-tena ary finoana.

• Inona ireo fahafoizan-tena takiana amintsika ankehitriny mba handraisana ireofitahian’ny tempoly?

• Inona ireo fitahiana tonga amin’ny fiainantsika rehefa mahafoy tena isikamanoloana ny fanatanterahana ny asan’ny Tompo?

Mba hamaliana ity fanontaniana ity dia asehoy izao fanambarana nataon’nyRahavavy Carol B. Thomas izao, izay tao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavymaneran-tany. Asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

“Ny fahafoizan-tena dia fitsipika mahatalanjona. Rehefa manome ny fotoana sytalenta ary ny rehetra ananantsika an-tsitrapo isika, dia lasa fomba fiderantsikamarina indrindra izany. Afaka mampitombo ao anatintsika ny fitiavana lalina hoan’ny hafa sy ho an’ny Mpamonjy, Jesoa Kristy izany. Afaka miova ny fontsika,amin’ny alalan’ny fahafoizan-tena; miaina akaiky kokoa amin’ny Fanahy isika arymihena tsikelikely ny faniriantsika ny zavatr’izao tontolo izao ” (“Sacrifice: AnEternal Investment,” Ensign, mey 2001, 64).

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana109:12–13 sy 20–21, ka hitady ny fomba nanehoana ny fahamasinan’ny tempoly aoamin’io vavaka io. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra niavaka taminy indrindra aoamin’ireo andininy ireo.

Lazao ny mpianatra fa nandritra ny vavaka fanokanana, dia nangataka fitahianamanokana amin’ny Tompo i Joseph Smith. Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimbyhamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:12–15, 22–28.Amporisiho ny mpianatra ambiny mba hanaraka ny vakiteny ary hitady ny fitahianaafaka azon’ireo izay manompo amim-pahamendrehana any amin’ny tempoly.Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ireo teny syandian-teny izay manan-danja amin’izy ireo. Avy eo dia mifanakaloza hevitramomba ireto fanontaniana manaraka ireto:

LESONA 14

80

Page 93: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

• Inona amin’ireo fitahiana hitanao no manan-danja aminao indrindra?Nahoana?

• Inona no fotopampianarana na fitsipika afaka ianarantsika avy amin’ireoandininy ireo? (Alaivo antoka fa hitan’ireo mpianatra ity fitsipika manaraka ity:Rehefa manompo amim-pahamendrehana ao amin’ny tempoly isika, diaafaka mandray fiarovana bebe kokoa ary hery hiadiana amin’nyfaharatsian’izao tontolo izao.)

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Loholona David A. Bednar avy ao amin’nyKôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary asao ny mpianatra iray hamakyizany mafy:

“Mba diniho anie ny [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:24–28]manoloana ny fahaviniran’ny fahavalo ankehitriny ary … ny fahavononantsikahitondra eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy sy ny fitahian’ny fiarovananampanantenana an’ireo izay mihazona amin-kaja ny anarana sy mitoetra aoamin’ny tempoly masina. Noho izany ireo fitahiana ireo dia natokana ho an’nytaranaka rehetra ary haharitra mandrakizay. Manasa anao aho mba handalina tsy

an-kiato ary hisaintsaina am-bavaka ny vokatr’ireo soratra masina ireo eo amin’ny fiainanao syny fianakavianao.

“Tsy tokony ho gaga isika amin’ny ezaka ataon’i Satana mba hanakanana na hanosoram-potakany fiderana sy ny asan’ny tempoly. Ny devoly dia mankahala ny fahadiovana sy ny hery aoamin’ny tranon’ny Tompo. Ary ny fiarovana izay azontsika tsirairay ao amin’ny ôrdônansin’nytempoly sy ny fanekempihavanana sy amin’ny alalan’izany dia mijoro ho sakana lehibe ho an’nytanjona ratsin’i Losifera” (“Honorably Hold a Name and Standing,” Ensign na Liahona, mey2009, 99–100).

• Ahoana no nahatsapanao fitomboan’ny herinao ara-panahy noho nyfanompoana tany amin’ny tempoly?

Asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra tokony hataony mba handraisany bebekokoa ny fitahiana nampanantenana an’ireo izay manompo amim-pahatokiana anyamin’ny tempoly. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa rehefa misaintsaina ny soratramasina sy ny tenin’ny mpaminany izy ireo, dia misokatra bebe kokoa amin’nyfanentanam-panahy avy amin’ny Tompo ny fo sy ny sain’izy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110I Jesoa Kristy, Mosesy, Elia ary Elià dia niseho tao amin’ny Tempolin’i KirtlandHazavao fa Andriamanitra dia namaly soa ny fahafoizan-tenan’ireo Olomasinatamin’ny fanorenana ny Tempolin’i Kirtland tamin’ny alalan’ny fandrotsahanafahagagana ara-panahy isan-karazany nandritra ny fanokanana. Raha mbola misyny fotoana, dia zarao vetivety ny sasany amin’ny tantara hita ao amin’ny toko 13(“Glorious Days in Kirtland, 1834–36”) amin’ny Church History in the Fulness ofTimes Student Manual, ed. faharoa (Boky Torolalan’ny Departemantan’nyFampianarana an’ny Fiangonana, 2003), indrindra indrindra ny ao amin’ny fizaranamitondra ny lohateny hoe “A Pentecostal Season” (pejy 164–67). Lazao nympianatra fa angamba ny tranga nanan-danja indrindra tamin’ireo dia niseho ny3 aprily 1836, herinandro taorian’ny fanokanana.

LESONA 14

81

Page 94: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 110, ary asaivo manaraka ny vakitenyny mpianatra ambiny. Avy eo dia manontania hoe:

• Natokana ho an’iza ity fahitana ity? Inona no zavatra nataon’i Joseph Smith sy iOliver Cowdery talohan’ny nitrangan’io fahitana io?

Hazavao amin’ny mpianatra fa ny andininy folo voalohany ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 110 dia fahitana feno voninahitranomena an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ny Mpamonjy, izay niseho tamin’izyireo mba hilazana fa nekeny ny Tempolin’i Kirtland. Asaivo mamaky ireo andininyireo am-pahanginana ny mpianatra ka hitady ireo fahamarinana lehibe izay sadymikasika ny Mpamonjy no mikasika ny tempoly. Rehefa nahazo fotoana ampy izyireo dia anotanio hoe:

• Inona amin’ireto andininy ireto no manan-danja aminao? Nahoana?

• Araka ny andininy 6, dia nilaza ny Mpamonjy hoe: “Aoka ny fon’ny vahoakakorehetra hifaly.” Nahoana araka ny eritreritrao no nanana antony hifaliana nyvahoaka tamin’io fotoana io?

Hazavao fa rehefa tanteraka ilay fahitana ny Mpamonjy, dia nisy andiana fahitanahafa nanaraka izany. Tao amin’ireo fahitana ireo no nisehoan’i Mosesy, Elià ary Eliaizay niseho tsirairay tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery.

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao:

Mosesy: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11

Elià: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:12

Elia: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:13–15

Zarao ho vondrona telo ny mpianatra. Ampandraiketo ny iray amin’ireoandinin-tsoratra masina eo amin’ny solaitrabe ny vondrona mpianatra tsirairay.Asao ny mpianatra handalina ny andinin-tsoratra masina nomena azy mbahianatra mikasika fanalahidin’ny fisoronana manokana izay naverina tamin’nylaoniny. Rehefa avy nanome fotoana ampy, dia asao izy ireo hanao tatitra ny zavatrahitan’izy ireo.

Ity fanazavana manaraka ity dia afaka manome ny mpianatra fahatakarana lalinakokoa momba ny zavatra novakiany. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy nyfanambarana tsirairay aorian’ny fanaovana fifanakalozan-kevitra mikasika nyandinin-tsoratra masina mifandray aminy.

Mosesy: Ny fanalahidin’ny fanangonana an’i Isiraely dia manome ny fahefana hitarika nyfitoriana ny filazantsara avy any amin’ny vazan-tany efatra. “Tena mety tokoa ny hoe i Mosesy,izay nitarika ny zanak’ Andriamanitra nankany amin’ny tany nampanantenana tanyam-boalohany no manolotra ny fanalahidin’ny fanangonana an’i Isiraely sy ny Fiangonana

LESONA 14

82

Page 95: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

tafaverina amin’ny laoniny” (Russell M. Nelson, “The Gathering of Scattered Israel,” Ensign naLiahona, nôv. 2006, 82, Fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy 28).

Elià: “Ny lehilahy iray nantsoina hoe Elià dia toa hoe niaina teto an-tany nandritra nyvanim-potoan’i Abrahama, ary izy dia nanolotra ny fotoampitantanan’ny filazantsaran’iAbrahama tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tao amin’ny Tempolin’i Kirtland (Ohio) ny3 aprily 1836” (Bible Dictionary, “Elias”). “I Elià dia [namerina] indray ny ‘filazantsaran’iAbrahama,’ ilay Fanekempihavanan’i Abrahama lehibe izay ahafahan’ny mahatoky mandray ireofampanantenana ny fitomboana mandrakizay, ny fampanantenana fa amin’ny alalan’nyfanambadiana selestialy dia ho maro toy ny kintana eny amin’ny lanitra sy toy ny fasika enyamoron-dranomasina, izay tsy hita isa ny taranany” (Bruce R. McConkie, “The Keys of theKingdom,” Ensign, mey 1983, 22).

Elia: “Io hery famehezana nomena an’i Elia io, no ilay hery mamehy ny mpivady, sy ny zanakaamin’ny ray aman-dreny mandritra izao fiainana izao sy ho amin’ny mandrakizay. Io no herymamatotra misy isaky ny ôrdônansin’ny Filazantsara. … Amin’ny alalan’io hery io no voafatotra,na voafehy ny ôrdônansy mikasika ny famonjena rehetra, ary iraka nampandraiketina an’i Elia nyho avy sy hamerina izany amin’ny laoniny” (Joseph Fielding Smith, Elijah the Prophet and HisMission [1957], 5).

Vakio mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:16 ary amporisiho nympianatra mba hanaraka ny vakiteny. Asao ny mpianatra hamantatra ny zavatranatolotra an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tamin’io fotoana io (“ireofanalahidin’ity fotoampitantanana ity”). Rehefa izany dia manontania hoe:

• Araka ny voalaza ao amin’ny andininy 16, inona no zavatra afaka fantarintsikanoho ny namerenana ireo fanalahidy ireo tamin’ny laoniny? (Efa akaiky nyFiaviana Fanindroany.)

• Raha heverina hatrany ny andininy 16, nahoana no nilaina ny namerenan’iMosesy, Elià ary Elia an’ireo fanalahidy ireo alohan’ny “andron’ny Tompo, izaylehibe sy mahatahotra”?

• Ahoana no nandraisanao fitahiana noho ny namerenana ireo fanalahidin’nyfisoronana ireo tamin’ny laoniny? (Rehefa avy namaly ny mpianatra, dia fintinony maha-zava-dehibe ny famerenana ireo fanalahidy ireo tamin’ny laoninyamin’ny fanambarana ity fitsipika ity: Ny fanalahidin’ny asa fitoriana, nyfianakaviana mandrakizay, sy ny asan’ny tempoly dia manampy antsikahiomana sy hampiomana an’izao tontolo izao ho amin’ny Fiavian’i JesoaKristy Fanindroany.)

Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland aoamin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity ary asao ny mpianatra iray hamakyizany mafy:

LESONA 14

83

Page 96: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

“Ny fisoronan’ Andriamanitra, miaraka amin’ny fanalahidiny, ny ôrdônansiny, nyfiandohany tany amin’ Andriamanitra ary ny fahafahana mamatotra anyan-danitra izay voafatotra eto an-tany, dia sady tsy azo soloina ao amin’nyFiangonana marin’ Andriamanitra no tsy manam-paharoa ao aminy ary … rahatsy misy izany dia tsy misy Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’nyAndro Farany” (“Our Most Distinguishing Feature,” Ensign na Liahona, mey

2005, 43).

Zarao ny fomba nitahiana anao noho ny namerenana tamin’ny laoniny ireofanalahidin’ny fisoronana ireo. Mijoroa ho vavolombelona fa ny fanalahidin’nyfisoronana dia zavatra ananana manokana mampiavaka ny Fiangonana;manasaraka Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Faranyamin’ny fiangonana hafa eto an-tany izany.

Vakitenin’ny Mpianatra• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:1–28; 110:1–16.

• David A. Bednar, “Honorably Hold a Name and Standing,” Ensign na Liahona,mey 2009, 97–100.

LESONA 14

84

Page 97: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

LESONA 15

Tanjaka ao anatin’nyFanoherana

FampidiranaNandritra ny taona 1837 sy 1838 dia niely patrana teoamin’ny mpitarika sy mpikamban’ny Fiangonana sasany tanyKirtland sy Ohio ary Missouri avaratra ny toetran’nyfanakianana sy ny fifandirana ary ny apôstazia. Nitombo nyolana rehefa nampiseho mivantana ny fanoherana ny

mpaminany Joseph Smith ny olona. Afaka mianatra isika avyamin’ireo zavatra izay niainan’ny Olomasina tanyam-boalohany fa rehefa miaina amim-pahamarinana symanohana ireo mpanompon’ny Tompo isika dia mahazo heryara-panahy ao anatin’ny fanoherana.

Vakiteny Enti-mandalina• “Prenez garde aux fruits amers de l’apostasie,” toko 27 ao amin’ny

Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith (2007), 339–50.

• Jeffrey R. Holland, “Lessons from Liberty Jail” (takariva amorom-patana an’nyDepartemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 7 sept. 2008), lds.org/broadcasts.

• Neil L. Andersen, “Fitsapana ny Finoanao,” Ensign na Liahona, nôv.2012, 39–42.

Sosokevitra Enti-mampianatraFotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:10–15Apôstazia tao Kirtland, OhioSoraty eny amin’ny solaitrabe ireto teny manaraka ireto: tezitra, tafintohina, mialona.Asao ireo mpianatra mba hieritreritra ny fotoana izay efa nahatsapany an’ireofahatsapana ireo.

Asehoy ity tantara manaraka ity ary asao ny mpianatra iray mba hamaky izanymafy. Asao ireo mpianatra mba hamantatra ny toe-javatra izay nahatonga an’iThomas B. Marsh hahatsapa ireo fahatsapana voasoratra eny amin’nysolaitrabe ireo.

Taoriana kelin’ny niantsoana an’i Thomas B. Marsh ho Apôstôly tamin’ny 1835, diavoatendry ho Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izy. Tamin’nylohataonan’ny 1837 dia nahare ny Filoha Marsh fa nikasa ny hanao asa fitoriana nyfilazantsara tany Angletera ny iray tamin’ireo Apôstôly, ny Loholona Parley P. Pratt,kanefa tsy nahazo tari-dàlana avy tamin’ny Filoha Marsh akory. Nanoratra taratasyho an’ny Loholona Pratt sy ireo mpikambana hafa tao amin’ny Roambinifololahyny Filoha Marsh, izay tany Missouri, ary nanasa azy ireo mba hihaona aminy taoKirtland, Ohio, ny 24 jolay 1837, mba hahatonga azy ireo hitovy drafitra mikasikany fanaovana asa fitoriana. Volana iray talohan’ny fotoana nanaovana io fivoriana ioanefa dia nandeha tany Angletera ny mpikambana roa hafa tao amin’nyRoambinifololahy, ny Loholona Heber C. Kimball sy ny Loholona Orson Hyde,

85

Page 98: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

rehefa nahazo antso avy tamin’ny Mpaminany Joseph Smith mba hitory nyfilazantsara. Tezitra ny Filoha Marsh fa nandeha nitory ny filazantsara tanyAngletera ireo mpikambana tao amin’ny Roambinifololahy kanefa tsy nisy nyfandraisany anjara.

• Manoloana an’io trangan-javatra io, inona no afaka nataon’ny Filoha Marshmba hisorohana ireo fahatsapana voatanisa eny amin’ny solaitrabe ireo?

• Inona ireo loza sasany izay ateraky ny famelana ny fahatsapana toy izany hifehyny eritreritsika sy ny zavatra ataontsika? (Mariho amin’ny mpianatra famanafintohina ny Fanahy Masina ny fahatsapana toy izany ary matetikamitarika ho amin’ny fahotana lehibe kokoa.)

Asaivo manohy amin’ny famakiana izao manaraka izao ny mpianatra:

Nilaza ny ahiahiny tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ny Filoha Marsh arynangataka ny toroheviny. Ho valin’izany dia nanome ny fanambarana izayvoarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112 ny Tompo.

Tamin’ny fotoana nanomezan’ny Tompo ity fanambarana ity, ny volana jolay 1837,dia nahitana fisaraham-bazana sy fifandirana ary apôstazia teo amin’nyFiangonana. Nitarika ireo mpikamban’ny Fiangonana sasany hitsikeraampahibemaso ny Mpaminany Joseph Smith sy hisalasala ny amin’ny fahefany nyavonavona sy ny fitiavan-karena. Nikatsaka ny hanala an’i Joseph Smith amin’nymaha-Filohan’ny Fiangonana azy mihitsy aza ny mpikamban’ny Fiangonanasasany, anisan’izany ny sasany tamin’ireo mpikambana tao amin’ny Kôlejin’nyApôstôly Roambinifolo.

• Inona no fahatsapana nahatonga ny mpikamban’ny Fiangonana sasany tsyniraharaha ny fijoroany ho vavolombelona momba ny fahamarinana kananohitra ampahibemaso ny Mpaminany Joseph Smith?

Asao ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana112:10–12, 15, ka hitady ny torohevitra izay nomen’ny Tompo an’ny Filoha Marshsy ireo mpikambana hafa tao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy izay afakamanampy ny mpikamban’ny Fiangonana mba tsy ho lasa mpitsikera ny mpitarika.

Asao ny mpianatra hanao ny tatitra momba ny zavatra hitany. Anontanio avyeo hoe:

• Ahoana no fomba hanampian’ny torohevitra ao amin’ireo andininy ireo nympikamban’ny Fiangonana mba tsy ho lasa mpitsikera ny mpitarika ao amin’nyFiangonana? (Rehefa mizara ny valinteniny ireo mpianatra dia ampio izy ireohahatakatra izao fitsipika manaraka izao: Hitarika antsika sy hanome antsikany valin’ny vavaka ataontsika ny Tompo raha manetry tena isika.Takian’ny Tompo amintsika ny hanohana ireo mpitarika izay mihazonany fanalahidy hitarihana ny Fiangonana. Toroy hevitra ny mpianatra fasoratra masina mifandray ny andininy 15 sy ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 84:35–38. Azonao atao ihany koa ny manamarika fanomena ny Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny torohevitra mbahananatra ny mpikambana ao amin’ny Roambinifololahy fa tsy an’nympikamban’ny Fiangonana.)

LESONA 15

86

Page 99: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Omeo tahadikan’ny taratasy zaraina izay hita any amin’ny faran’ny lesonany mpianatra tsirairay. Zarao ho vondrona kely ireo mpianatra ary asao ny

vondrona tsirairay hamaky miaraka ny fizarana mitondra ny lohateny hoe:“Apôstazia tao Kirtland: Ny Ilàna ny Fanarahana ny Mpitarika ao amin’nyFiangonana.” Asao ireo mpianatra mba hifanakalo hevitra momba ilayfanontaniana amin’ny faran’ilay fizaràna amin’ny vondrona misy azy.

Azonao faranana ity ampahan-desona ity amin’ny fampisehoana ity fanambaranamanaraka nataon’ny Filoha Heber C. Kimball (1801–68) tao amin’ny FiadidianaVoalohany ity, ka hifanakalo hevitra mikasika izany:

“Homeko fanalahidy iray izay fanolotry Rahalahy Joseph Smith tany Nauvooianareo. Nilaza izy fa ny dingana voalohany indrindra izay mitondra mankanyamin’ny apôstazia dia manomboka rehefa very ny fahatokisantsika ireo mpitarikaato amin’ity fiangonana sy fanjakana ity, ary isaky ny mamantatra izanyfahatsapana izany ianao dia fantaro fa ny fananana izany dia hitarika anyamin’ny làlan’ny apôstazia” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph

Smith [2007], 341).

Mba hanamafisana ny maha-zava-dehibe ny fanarahana amim-pahatokiana nympaminany sy ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia vakio ity traikefa manarakaity avy tamin’ny fiainan’i Brigham Young (1801–77), izay mpikambana tao amin’nyKôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’izany fotoana izany:

“Raha tao Kirtland ny Filoha Brigham Young dia nifanena tamin’nyvondron’olona nihemotra izay nikonokonona ny hanohitra ny Mpaminany JosephSmith tao amin’ny tempoly. Hoy izy: ‘Nitsangana aho ary nilaza tamin’izy ireotamin’ny fomba mazava tsara sy feno fahefana fa Mpaminany i Joseph, aryfantatro izany, ary izy ireo dia afaka mitsikera sy mivazavaza araka izaymahafinaritra azy ireo fa tsy afaka hanafoana ny fanendren’ Andriamanitra, ny

fahefan’izy ireo manokana no afaka potehiny, manapaka ny tady izay nampifamatotra azy ireotamin’ny Mpaminany sy tamin’ Andriamanitra, ary mitsoraka any amin’ny helo’” (Enseignementsdes Présidents de l’Église: Brigham Young [1997], 79).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–10, 16–17; 122:1–9Fanoherana tao Missouri AvaratraHevero ny hijanonan’ny mpianatra ao amin’ny vondrona kely ary asao ny vondronatsirairay hamaky ny fizarana faharoa izay mitondra ny lohateny hoe: “Fifandiranatao Missouri Avaratra: Mianatra ny Miaritra Tsara ny Fanoherana” ao amin’nytaratasy zaraina. Hazavao fa ity fizarana ity dia mamariparitra ny sasany tamin’ireozavatra nahatonga ny Olomasina ho voaroaka avy tao Missouri Avaratra synahatonga ny Mpaminany Joseph Smith ho voatazona tao amin’ny fonjan’i Liberty.Asao ireo mpianatra hifanakalo hevitra mikasika ireo fanontaniana amin’nyfaran’ity fizaràna ity amin’ny vondrona misy azy.

Rehefa vitan’ireo mpianatra ny taratasy zaraina, dia hazavao fa misy fantina avytamin’ny taratasy ho an’ireo Olomasina izay nosoratan’ny Mpaminany Joseph

LESONA 15

87

Page 100: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Smith tamin’ny faramparan’ny nahavoafonja azy tao amin’ny fonjan’i Liberty nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–23.

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–6. Asao ireo mpianatra mbahitady ny fanontaniana izay napetraky ny Mpaminany tamin’ny Tompo.

• Inona ireo fanontaniana hitanao?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 121:7–10, 16–17; 122:7–9. Asaivo manaraka ny vakiteny nympianatra ary hieritreritra ny fomba nankaherezan’ny valintenin’ny Tompo an’iJoseph Smith mba hiatrika ny fanoheran’ireo fahavalony.

Asao ireo mpianatra mba hilaza ny fotopampianarana sy ny fitsipika izay nianaranyavy tamin’ireo andininy izay novakiany ireo. (Mety ho toy izao ireo valinteny: Rahamiaritra tsara ny fanoherana eto amin’ny fiainana an-tany isika, dia hitahyantsika Andriamanitra ankehitriny ary amin’ny mandrakizay. Ireo izaymiampanga ny mpanompon’ny Tompo dia mpanompon’ny fahotana. Afakamahazo hery isika ao anatin’ny fitsapana rehefa miantehitra amin’nySorompanavotan’ny Mpamonjy sy mahatsiaro ny ohatry ny faharetanaamim-pahatokiana izay nasehony.)

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Loholona Neil L. Andersen avy ao amin’nyKôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary miangavia mpianatra iray hamakyizany mafy:

“Raha jerena ifotony dia tena hizaha-toetra tokoa ireo fizahan-toetra. Mety hisyfanaintainana, fikorontanan-tsaina, alina tsy ahitan-tory, ary ondanakotsan-dranomaso. Saingy tsy tokony hiteraka fahafatesana ara-panahy ireofizahan-toetra antsika. Tsy tokony hanala antsika amin’ireo fanekempihavanananataontsika na hanala antsika tsy ho ao amin’ny ankohonan’ Andriamanitraizy ireo. …

“Toy ilay afo midedadeda izay manova ny vy ho lasa vy tsy, rehefa mitoetra ho mahatoky isikamandritra ny fizahan-toetra ny finoantsika, dia misy fandiovana ara-panahy mitranga ary diamitombo ny herintsika ara-panahy” (“Fitsapana ny Finoanao,” Ensign or Liahona, nôv.2012, 41–42).

Asao ny mpianatra mba hieritreritra ny zavatra izay efa nataony na mbola hataonymba hahatsiarovana fa afaka mampatanjaka azy ireo Andriamanitra rehefamandalo fitsapana na fanoherana ny finoany izy ireo. Omeo fotoana ireo mpianatramba hizaràny ny traikefany na ny eritreriny mikasika ny fianteherana amin’Andriamanitra mandritra ny fotoan-tsarotra.

Vakitenin’ny Mpianatra• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:10–15; 121:1–10, 16–17; 122:1–9.

• Neil L. Andersen, “Fitsapana ny Finoanao,” Ensign na Liahona, nôv.2012, 39–42.

LESONA 15

88

Page 101: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Mijanona ho Mafy Orina ao anatin’ny Fotoan’nyFanoheranaApôstazia tao Kirtland: Ny Ilàna ny Fanarahana ny Mpitarika ao amin’nyFiangonanaTamin’ny taona 1837, dia nandalo olana ara-bola ireo Olomasina teo Kirtland, Ohio. Mbahanampiana ireo Olomasina hahaleo tena bebe kokoa ara-bola dia nanangana orinasa iray mitovitovyamin’ny banky i Joseph Smith sy ny mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana izay nantsoina hoeKirtland Safety Society. Noho ny fahaketrahana ara-toekarena izay niely patrana tamin’izany fotoanaizany dia maro ireo banky izay maty antoka nanerana an’i Etazonia. Maty antoka koa ny KirtlandSafety Society tamin’ny fararano 1837. Mpampiasa vola roan-jato tao amin’ilay banky no very saikany rehetra izay nananany ary i Joseph Smith no nianteheran’ny fatiantoka lehibe indrindra. Na dia tsyny Fiangonana aza no namatsy ny Kirtland Safety Society dia maro tamin’ireo Olomasina no nihevitraizany ho bankin’ny Fiangonana na bankin’ny Mpaminany ka nanome tsiny an’i Joseph Smith noho nyolany ara-bola. Nanomboka niantso azy ho mpaminany lany hery mihitsy aza ny sasany. Fa na dia teoaza ny tsy fahombiazan’ilay banky dia maro tamin’ireo izay very vola no nanohy tao amin’ny finoanaka nijanona ho marina tamin’ny Mpaminany.

Nanomboka niely patrana teo amin’ireo Olomasina maro ny toetran’ny apôstazia sy ny fanakianana.Ny volana jona 1838, olona nihemotra 200 na 300 teo ho eo no niala ny Fiangonana, anisan’izany nyApôstôly efatra, ireo Vavolombelona Telon’ny Bokin’i Môrmôna ary mpikambana iray tao amin’nyFiadidiana Voalohany. Na izany aza maro tamin’ireo Olomasina no nandray io fotoan’ny fitsapana iotamim-pinoana, tahaka ny nataon’i Brigham Young. Nampatanjahan’ny Tompo izy ireo ary nijanonaho marina tamin’ny fijoroana ho vavolombelona izay nananany. Maro tamin’ireo izay nandao nyFiangonana nandritra io fotoan’ny apôstazia io no niverina indray taty aoriana ary nangataka nyhampiraisana azy ireo indray tamin’ny Fiangonan’ny Tompo. Anisan’izany i Oliver Cowdery sy i MartinHarris sy Luke Johnson ary i Frederick G. Williams.

Tao anatin’ireo fahasahiranana tao Kirtland ireo dia nisy olona izay nihemotra vitsivitsy nitadyhamono an’i Joseph Smith. Rehefa nampitandreman’ny Fanahy izy sy i Sidney Rigdon dia nandehanandritra ny alina tamin’ny 12 janoary 1838. Nanenjika azy ireo ny fahavalony nandritra ny andromaromaro saingy niaro azy ireo ny Tompo. Tonga tao Far West, Missouri izy ireo niaraka tamin’nyfianakaviany tamin’ny 14 martsa 1838.

Ifampiresaho amin’ny mpianatra rehetra ireto fanontaniana manaraka ireto:

• Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ireo zava-nitranga ireo momba ny fombahandraisana ny fanoherana eo amin’ny fiainantsika. Inona no azontsika ianarana avy amin’ireozava-nitranga ireo momba ny fomba handraisantsika ny fanoherana ny Fiangonana?

• Inona no azontsika atao mba hijanonana ho mahatoky amin’ireo mpitarika ao amin’nyFiangonana na dia mety haheno ny olona hafa mitsikera azy ireo aza isika?

• Amin’ny fomba ahoana no nitahiana anao satria nanaraka ny tenin’ny mpaminany ianao?

Fifandirana tao Missouri Avaratra: Mianatra ny Miaritra Tsara nyFanoheranaTamin’ny taona 1837 sy 1838 dia nanomboka nitory ny Fiangonana sy ny mpitarika tao aminy nympikambana tsy faly sy nesorina tsy ho mpikambana sasany izay nonina niaraka tamin’ireoOlomasina tao Far West ary nampijaly ny Fiangonana. Tamin’ny volana Jona 1838, dia nanaolahateny nampientanentana tokoa izay lasa fantatra amin’ny hoe “Toriteny momba ny Fanasina” iSydney Rigdon. Naka hevitra avy tamin’ny Matio 5:13 izy ary nilaza fa raha ny fanasina no tongamatsatso, dia tsy ho tsara na amin’ny inona na amin’ny inona izany ka tokony hariana, izay nidika fatokony ho roahina hiala teo anivon’ny Olomasina ireo izay niala ny Fiangonana. Tapa-bolana taty

LESONA 15

89

Page 102: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

aoriana, tamin’ny 4 jolay, dia nanao lahateny i Sidney Rigdon izay nampanantenany fa hiaro tena nyOlomasina na dia hiafara amin’ny “ady fandringanana” aza izany. Na dia nifanohitra tamin’nyfampianaran’ny Tompo amin’ny hoe “mamitràna fihavanana” (F&F 105:38) aza ireo lahateny roaireo, dia navoaka avokoa ireo lahateny ireo ka niteraka fahatairana be teo amin’ireo tsy Olomasin’nyAndro Farany.

Nandritra io fotoana io dia nisy olona niova fo iray atao hoe Sampson Avard izay nampanaofianianana miafina ho an’ireo izay hiaraka aminy amin’ny fananganana vondrona jiolahy atao hoeDanita. Nilaza tamin’izy ireo i Avard mba hangalatra sy handroba ny mponin’i Missouri, fa hoehanampy amin’ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra izany. Nandresy lahatra ireo mpanara-diaazy i Avard fa avy tany amin’ny Fiadidiana Voalohany ny fitarihany. Hita ny marina taty aoriana kanesorina tsy ho mpikambana i Avard. Niteraka fahavoazana lehibe teo amin’ny fijerin’ny olona nyFiangonana ny zavatra nataon’i Avard ary nitarika ny fampidirana am-ponja ny Mpaminany taoamin’ny Fonjan’i Liberty.

Tamin’ny volana ôktôbra 1837 dia namela fatin’olona vitsy teo amin’ny roa tonta ny adynifanaovan’ny mpikamban’ny Fiangonana sasany sy ny milisy tao Missouri. Tonga tany amin’nyGovernora Lilburn W. Boggs, governoran’i Missouri, ny tatitra feno lainga mihoapampana momba ilayady ary namoaka ilay didy izay fantatra amin’ny hoe didy fandripahana izy avy eo: “Tsy maintsyraisina ho toy ny fahavalo ny Môrmôna ary tsy maintsy ripahina na roahina hiala amin’ny fanjakanaraha ilaina izany mba ho tombotsoan’ny vahoaka” (voalaza ao amin’ny History of the Church, 3:175).Tsy ela dia voadidinin’ireo milisy izay maro an’isa lavitra, efa ho dimy avo heny noho ny herin’nyOlomasina ny tanànan’i Far West. Naiditra am-ponja tao amin’ny Fonjan’i Liberty i Joseph Smith sy nympitarika tao amin’ny Fiangonana hafa ary nijanona tany izy ireo nandritra ny ririnina manontolo.Noterena hiala ny fanjakana ireo Olomasina sisa.

Ifampiresaho amin’ny mpianatra rehetra ireto fanontaniana manaraka ireto:

• Inona no fitsipika izay azontsika ianarana avy amin’ireo trangan-javatra ireo mba hanampianaantsika hiaritra ny fanoherana?

• Nahoana no zava-dehibe amintsika tsirairay ny manaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy amin’nyfotoan-tsarotra sy ny fanoherana? Inona no nitranga tao Missouri Avaratra noho ny tsyfanaovan’ireo Olomasina izany?

• Oviana no efa nahitanao ny teny na zavatra izay nataon’ny olona iray ka nisy fiantraikany tsaratamin’ny fomba fijerin’ny olona iray hafa ny Fiangonana?

LESONA 15

90

Page 103: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

LESONA 16

Ny Fanavotana ny MatyFampidiranaTao anatin’ny Famerenana amin’ny Laoniny ny zava-drehetraamin’ny fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana nonamerenan’ny Tompo tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’nyMpaminany Joseph Smith ny fotopampianaran’ny fanavotanany maty. Naverina tamin’ny laoniny “andalan-tsoratraanampy andalan-tsoratra” ity fotopampianarana ity. Ilainaamin’ny famonjena an’ilay velona sy ilay maty ny asan’ny

fanavotana ny maty ary dia nampianatra nymaha-zava-dehibe ny fandraisana anjara amin’izany asaizany ny Mpaminany Joseph Smith: “Ny andraikitra lehibeindrindra izay nankinin’ Andriamanitra tamintsika etoan-tany dia ny mitady ireo matintsika” (Enseignements desPrésidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 509).

Vakiteny Enti-mandalina• Richard G. Scott, “Ny Fifaliana amin’ny Fanavotana ny Maty,” Ensign na

Liahona, nôv. 2012, 93–95.

• D. Todd Christofferson, “The Redemption of the Dead and the Testimony ofJesus,” Ensign, nôv. 2000, 9–12.

• “Devenir des libérateurs sur la montagne de Sion,” toko 41 ao amin’nyEnseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 503–14.

• Matthew S. McBride, “Letters on Baptism for the Dead: D&C 127, 128,”Revelations in Context series, 29 mey 2013; history.lds.org.

Sosokevitra Enti-mampianatraFotopampianarana sy Fanekempihavanana 137Ny fahitan’ny Mpaminany Joseph Smith ny fanjakana selestialyAsehoy ny mpianatra ity fampahalalana ara-tantara manaraka ity:

“Tamin’ny volana nôvambra 1823 dia narary mafy sady efa akaiky ho faty i Alvin Smith, zanak’iLucy Mack Smith sy i Joseph Smith Rainy, zokiny indrindra. 25 taona i Alvin tamin’izay,zatovolahy matanjaka sy mahavita azy ary ny fiasany mafy no nandray anjara lehibe tamin’nyfahampiana ara-bolan’ny fianakaviana. Nofaritan’ny reniny ho ‘zatovo izay manana toetraamin’ny fahatsarana miavaka’ izy, izay mitahy ny manodidina azy ‘isan’ora teo amin’ny fiainany’ny ‘fiavahany sy ny fahalalan-tànany.’ …

“Rehefa fantany fa ho faty izy dia nantsoin’i Alvin ho eo aminy ireo rahalahiny sy ireo anabavinyary niresaka taminy tsirairay izy. Hoy i Alvin tamin’i Joseph, izay efa ho 18 taona ary mbola tsynahazo ireo takela-bolamena tamin’izay, nanao hoe: ‘Tiako ho lehilahy hendry ianao ka hanaoizay rehetra vitan’ny herinao mba hahazoana ireo rakitsoratra. Mahatokia amin’ny fandraisanatorolalana, sy amin’ny fitandremana ny didy rehetra izay omena anao. …’

“Rehefa nodimandry i Alvin, dia nangataka mpitondra fivavahana Presbyterianina iray taoPalmyra, New York, ny fianakaviana mba hitarika ny fotoam-pandevenana azy. Koa satria tsympikambana tao amin’ilay antokom-pivavahana i Alvin dia nilaza ilay mpitondra fivavahana taoamin’ny toriteniny fa tsy ho azo vonjena i Alvin. Hoy i William Smith, zandrilahin’i Joseph Smith,nitantara izany: ‘Nanantitrantitra mafy mihitsy ilay [pasitera] fa lasa tany amin’ny helo i [Alvin]

91

Page 104: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

satria tsy mba niditra ho mpikamban’ny fiangonana, kanefa zazalahy tsara izy hany ka tsy dianankasitrahan’ny raiko izany’” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007],431, 433).

• Noho ny fotopampianarana momba ny fanavotana ho an’ny maty izay tsymbola naverina tamin’ny laoniny tamin’ny fotoana nahafatesan’i Alvin, diainona no ahiahin’ny fianakaviana Smith mikasika ny famonjena an’i Alvin?

Lazao ireo mpianatra fa ity lesona ity dia hanampy azy ireo hahatakatra fanambaran’ny Tompo tsikelikely, andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra nyfotopampianarana momba ny fanavotana ho an’ny maty. Asao ireo mpianatrahamaky am-pahanginana ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianaranasy Fanekempihavanana 137. Hazavao fa nialoha ny fanokanana ny Tempolin’iKirtland volana vitsy monja ity fanambarana ity. (Azonao marihina fa ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana fanontana 2013, dia nasiana fanitsianavitsivitsy ny sasin-tenin’ny fizarana 137.)

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 137:1–6 ary ny ambiny kosa hanaraka ny vakiteny. Ifanakalozyhevitra ity manaraka ity:

• Iza no hitan’i Joseph Smith tao amin’ny fanjakana selestialy? (Mety ho liana nyhahafantatra ireo mpianatra fa velona ny ray sy renin’i Joseph Smith tamin’nyfotoana nahazoana ity fahitana ity. Tao amin’ilay efitrano niaraka taminymihitsy aza ny rainy tamin’ny nitrangan’ilay fanambarana.)

• Araka ny andininy 6, nahoana no nahagaga an’i Joseph Smith ny nahita an’iAlvin rahalahiny tao amin’ny fanjakana selestialy? (Azonao atao nymampahatsiahy ireo mpianatra fa taona maro talohan’ny nianaran’i JosephSmith mikasika ny fotopampianarana momba ny fanavotana ho an’ny maty nonandraisana ity fahitana ity.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 137:7–9. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitadyfotopampianarana iray izay nanampy ny Olomasin’ny Andro Farany hahatakatrabebe kokoa ny drafitr’ Andriamanitra mba hamonjena ireo zanany.

• Inona no zavatra nomanin’ Andriamanitra ao amin’ny drafiny ho an’ny olonatahaka an’i Alvin Smith izay maty tsy nanana fahafahana ny handray nyfilazantsaran’i Jesoa Kristy na ny ôrdônansin’ny batisa? (Rehefa mizara nyheviny ireo mpianatra dia ampio izy ireo hamantatra izao fotopampianaranaizao: Ny olona rehetra izay maty tsy nahalala ny filazantsara, fa metynandray izany fahalalana izany raha toa ka nandre izany, dia handova nyfanjakana selestialy.)

• Inona no ampianarin’ity fotopampianarana ity mikasika ny toetran’ny Ray anyAn-danitra sy ny fitiavany ireo zanany?

• Oviana ianao no efa nampaherezin’izany fotopampianarana izany? Oviana noefa nahitanao ny hafa, mety ireo olona izay nampianarinao tamin’ny

LESONA 16

92

Page 105: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

naha-misiônera anao, nahazo fampaherezana avy tamin’ny fahatakarana iofotopampianarana io?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:30–34; 127:5–8; 128:1–18;138:28–37Ôrdônansy isoloana tena ho an’ny matyNandritra ny fandevenana an’i Seymour Brunson ny 15 aogôsitra 1840, fotoanafohy taorian’ny nitoeran’ireo Olomasina tao Nauvoo, Illinois no niresahan’nyMpaminany Joseph Smith voalohany momba ny fotopampianaranan’ny batisa hoan’ny maty. Talanjona sy faly ireo mpikamban’ny Fiangonana rehefa nahare ityfotopampianarana nambara ity. Nandritra ny volana maro taorian’ny nilazana izanydia tao amin’ny renirano akaikin’ny Mississipi no nanaovan’ireo Olomasina nybatisa ho an’ireo olona tiany izay efa nodimandry (jereo ny Teachings: JosephSmith, 403; Church History in the Fulness of Times Student Manual, fanontana faha-2[Boky fampianarana an’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana,2003], 251).

• Ahoana no nampitomboan’ity toriteny ity ny fahatakarana ny drafitry ny Rayany An-danitra mba hamonjena ireo zanany? (Rehefa mamaly ny mpianatra diasoraty eny amin’ny solaitrabe izao fahamarinana manaraka izao: Azotanterahina ho an’ireo izay tsy nandray ny filazantsara tamin’ny fiainanamety maty ny ôrdônansin’ny famonjenan’ny batisa.)

• Ahoana no mety ho fandraisanao izany, araka ny hevitrao, raha toa ka nahenoan’ny Mpaminany Joseph Smith miresaka momba ny fotopampianaranamomba ny batisa ho an’ny maty voalohany ianao tamin’ityfotoampitantanana ity?

Hazavao fa nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana tao Nauvoo, Illinois,tamin’ny ôktôbra 1841, dia nanambara i Joseph Smith fa tian’ny Tompo nyhitsaharan’ireo Olomasina amin’ny fanatanterahana ny batisa ho an’ny matymandra-pahafahana manatanteraka ny batisa ho an’ny maty ao amin’ny Tranony(jereo ny F&F 124:29–34). Tamin’ny 8 nôvambra 1841, dia notokanan’i BrighamYoung, izay Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’izany, ny toeranafanaovana batisa tao ambany rihan’ny Tempolin’i Nauvoo izay mbola tsy vita, kananomboka nanatanteraka ny batisa isoloana tena ho an’ny maty ireompikamban’ny Fiangonana.

Asao ny mpianatra mba hamaky ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 127, izay manazava fa ny fizarana 127dia taratasy avy tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ho an’ireo Olomasina, izaymanoro hevitra azy ireo mba handray an-tsoratra ireo batisa izay notanterahiny hoan’ny maty. Hazavao fa tokony ho iray volana taty aoriana dia nanoratra taratasyhafa izay niresaka momba ny batisa ho an’ny maty i Joseph izay hita ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 128.

Soraty eo amin’ny solaitrabeireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto. (Azaampidirina ao ny zavatra izay ao anaty fononteny fa natao ho anaompampianatra izany.)

LESONA 16

93

Page 106: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127:5–7; 128:8 (Rehefa ataoamin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana sy voarakitra an-tsoratraaraka ny tokony ho izy ny ôrdônansy iray dia fehezina eto an-tany syany an-danitra izany.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:6–7 (Tafiditra ao anatin’ireoboky izay hovelarina ny rakitsoratry ny ôrdônansy isoloana tena mbahitsarana ny maty.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:15, 17–18 (Manan-danjaamin’ny famonjena antsika ny famonjena ireo razambentsika efanodimandry.)

Asaivo mamaky ireo andinin-tsoratra masina voasoratra eny amin’ny solaitrabe ireompianatra. Asao izy ireo hitady ireo fotopampianarana izay niampy tamin’nyfahatakarantsika ny drafitr’ Andriamanitra momba ny fanavotana ny maty. Asao nympianatra hamintina ny fotopampianarana mikasika ny fanavotana ny maty izayampianarina ao amin’ny andinin-tsoratra masina tsirairay. Asao ny mpianatravitsivitsy mba hanoratra ireo fotopampianarana eny amin’ny solaitrabe eoakaikin’ireo andinin-tsoratra masina. Mariho fa ny fanambarana voarakitra aoamin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127 sy 128 dia mampiseho nyfomba iray izay mahazatra ao amin’ny Famerenana amin’ny Laoniny nyfilazantsara—manambara ny fahamarinana andalan-tsoratra anampyandalan-tsoratra ny Tompo, fa tsy tonga dia indray mandeha.

Hazavao fa taona maro taorian’ny nahazoana ireo fanambarana ireo dia nanomefahatakarana bebe kokoa momba ny drafiny mba hanavotana ny maty ny Tompo.Tamin’ny taona 1918 dia nahazo fahitana ny Filoha Joseph F. Smith momba nyfanavotana ny maty. Tonga ilay fahitana raha nisaona ny fahafatesan’ny zananyHyrum M. Smith izy, izay maty tamin’ny voalohandohan’izany taona izanynandritra ny fotoana naha mpikambana azy tao amin’ny Kôlejin’ny ApôstôlyRoambinifolo.

Asao ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana138:28–37, sady hitady ny fahamarinana izay nambara tamin’ny Filoha Joseph F.Smith momba ny fanavotana ny maty.

• Inona no fahamarinana momba ny fanavotana ny maty ampianarina aoamin’ireo andininy ireo? (Rehefa mizara ireo fahamarinana izay hitany nympianatra, dia ataovy izay ahatakarany izao fahamarinana izao: Eo ambanyfitarihan’i Jesoa Kristy dia mampianatra ny filazantsara amin’ireo izayany amin’ny tranomaizina ireo iraka marina.)

• Ahoana no hanampian’ireo fahamarinana fanampiny ireo antsika amin’nyfahatakarana fa ny olona izay maty nefa tsy nandray ireo ôrdônansin’nyfilazantsara, toa an’i Alvin Smith, dia afaka mahazo anjara ao amin’nyfanjakana selestialy?

Avy eo dia vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona David A. Bednarao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

LESONA 16

94

Page 107: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

“Amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonan’i Kristy naverina tamin’ny laoninyantsika, ny andraikitra nekentsika tamin’ny alalan’ny fanaovanafanekempihavanana dia ny hanao fikarohana momba ireo razambentsika aryhanome azy ireo ireo ôrdônansin’ny famonjena ao amin’ny filazantsara. ‘Mba tsyhatao tanteraka ireo, raha tsy efa mby eo koa isika’ (Hebreo 11:40; jereo koa nyTeachings: Joseph Smith,475.) Ary ‘isika koa dia tsy hatao tanteraka raha tsy eo

ny maty eo amintsika’ (F&F 128:15)” (“Hitodika ny Fon’ny Zanaka,” Ensign na Liahona, nôv.2011, 25).

• Nahoana no tsy maintsy atao ho laharam-pahamehana eo amin’ny fiainantsikany asan’ny fanavotana ny maty?

• Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fanatanterahana ireo ôrdônansin’nyfamonjena an’ireo havantsika efa maty antsika, isika sy ireo maty, mba ho lasatanteraka?

Vakio ity filazana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Russell M. Nelson aoamin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Raha manana hery hitahiana ireo izay any ampitan’ny voaly ny asan’ny tempolysy ny tantaram-pianakaviana, dia manana hery mitovy mba hitahiana ny velonakoa izany. Izany dia mitondra hery manadio ho an’ireo izay mirotsaka amin’izany.Manampy ara-bakiteny amin’ny fisandratan’ireo fianakaviany izy ireo”(“Generations Linked in Love,” Ensign na Liahona, mey 2010, 93).

• Amin’ny fomba ahoana no hanamarinan’ny fotopampianarana momba nyfanavotana ny maty ny maha-tsy misy fetra ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

Vakio ity fanambarana nataon’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kolejin’nyApôstôly Roambinifolo manaraka ity:

“Nanambara fotopampianarana ambony dia ambony mikasika ny ôrdônansymasin’ny batisa tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo. Tonga izanyfanambarana izany tamin’ny fotoana nampianaran’ireo fiangonana Kristianinahafa fa ny toe-panahinao amin’ny fotoana ahafatesanao no mamaritra tanterakasy mandrakizay izay hiafaran’ny fanahy. Nampianatra izy ireo fa izay vita batisadia hahazo fifaliana mandrakizay ary ireo hafa rehetra kosa dia hiaina fijaliana

mandrakizay ka tsy hanana fanantenana ny hahazo fanavotana. …

“Vavolombelona iray hafa mikasika ny maha-tonga lafatra sy tsy manam-petra nySorompanavotan’i Jesoa Kristy izany fotopampianarana lehibe izany. Nanao izay ahafahan’nyolona mibebaka rehetra hahazo famonjena Izy. Nandresy ny fahafatesana ny Sorompanavotanyary nataony izay ahafahan’ireo olona mendrika efa nodimandry mandray ireo ôrdônansin’nyfamonjena amin’ny alalan’ny fisoloana tena azy ireo” (“Ny Fifaliana avy amin’ny Fanavotananany Maty,” Ensign na Liahona, nôv. 2012, 93).

• Inona ireo traikefa izay nampianatra anao momba ny maha-zava-dehibe nyfandraisana anjara amin’ny asa fanavotana ny maty?

LESONA 16

95

Page 108: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

• Tamin’ny fomba ahoana no nitomboan’ny fijoroanao ho vavolombelona nohony fandraisanao anjara tamin’ny asa fanavotana ny maty? (Asao ny mpianatravitsivitsy hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo.)

Amporisiho ireo mpianatra mba handinika ny fomba mety handraisan’izy ireoanjara amin’ny asa lehiben’ny fanavotana ny maty, na amin’ny alalan’ny fikarohanany tantaram-pianakaviana na amin’ny alalan’ny fanompoana amin’nymaha-mpisolo tena amin’ny fanatanterahana ôrdônansy any amin’ny tempoly.Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa afaka handray ireo ôrdônansy rehetrailaina amin’ny fanavotana ireo zanaky ny Ray any An-danitra rehetra amin’nyalalan’ny asa tanterahina any amin’ireo tempoly maoderina.

Vakitenin’ny Mpianatra• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:30–41; 127:1–9; 128:1–18;

137:1–10; 138:28–37.

• Richard G. Scott, “Ny Fifaliana avy amin’ny Fanavotana ny Maty,” Ensign naLiahona, nôv. 2012, 93–95.

LESONA 16

96

Page 109: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

LESONA 17

Ireo Fampianaran’nyFilazantsara tany Nauvoo

FampidiranaFiadanana sy firoboroboana no nanamarika ireo taona marovoalohany niainan’ireo Olomasina tao Nauvoo, Illinois.Nandritra io fotoana io dia nandray fanambarana synampianatra ary nanazava ireo fotopampianarana sasanyizay an’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’nyAndro Farany manokana i Joseph Smith. Anisan’izany ny

tanjon’ny tempoly sy ny fahafahana masina izay ananantsikaho tonga tahaka ny Ray any An-danitra ary ireofotopampianarana hafa izay ampianarina ao amin’nyFanekem-pinoana. Hanampy ny mpianatra hahatakatra nyhalehiben’ny Mpaminany Joseph Smith sy ny fahafahantsikaho tonga tahaka an’ Andriamanitra ity lesona ity.

Vakiteny Enti-mandalina• “Dieu le Père Éternel,” toko 2 ao amin’ny Enseignements des Présidents de l’Église:

Joseph Smith (2007), 41–48.

• “Doctrinal Developments in Nauvoo,” toko 20 ao amin’ny Church History in theFulness of Times Student Manual, fanontana faha-2 (Boky fampianarana an’nyDepartemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, 2003), 251–62.

• “Becoming Like God,” Gospel Topics, lds.org/topics.

Sosokevitra Enti-mampianatraFanekem-pinoanaIreo fanambarana mikasika ny fotopampianaran’ny filazantsaraHazavao fa tao Nauvoo, Illinois, i Joseph Smith dia nanoratra taratasy ho an’i JohnWentworth, mpamoaka lahatsoratry ny gazety iray antsoina hoe Chicago Democrat,izay nangataka fampahalalana momba ny Môrmôna. Nitantara mikasika nytantaran’ny Olomasin’ny Andro Farany i Joseph Smith tao amin’ilay taratasy arynasiany lisitra fohy misy ireo finoana ara-potopampianarana izay fantatra tatyaoriana amin’ny hoe Fanekem-pinoana. (Hita ao amin’ny Enseignements desPrésidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 467–78 ny taratasy iray manontolo.)

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Loholona L. Tom Perry tao amin’ny Kôlejin’nyApôstôly Roambinifolo ity, ary miangavia mpianatra iray hamaky izany mafy:

“Anisan’ny fanambarana manan-danja indrindra [ireo Fanekem-pinoana] ary azoantoka fa fanambarana tsara fintina indrindra mikasika ny fotopampianarana atoamin’ny Fiangonana. Raha mampiasa azy ireo ianareo ho toy ny torolalanahitantanana ny fandalinanareo ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia ho hitanareo faho vonona ianareo hanambara amin’izao tontolo izao ny fijoroanareo hovavolombelona momba ny fahamarinana naverina amin’ny laoniny. Ho vitanareo

ny hanambara amin’ny fomba tsotra sy mivantana ary lalina ireo zavatra fototra inoanareo mafyamin’ny maha mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany

97

Page 110: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

anareo” (“Ireo Fotopampianarana sy Fitsipika ao anatin’ireo Fanekem-pinoana,” Ensign naLiahona, nôv. 2013, 48).

• Ahoana no hamintinanao ny zavatra nampianarin’ny Loholona Perry? (Rehefamizara ireo teny famintinany ny mpianatra, dia ampio izy ireo hahatakatra izaofahamarinana izao: Ho vonona tsara hilaza amin’ny hafa momba nyfinoantsika isika rehefa mianatra ireo fotopampianarana izayampianarina ao amin’ireo Fanekem-pinoana.)

• Oviana ianao no efa nampiasa ireo Fanekem-pinoana mba hanampiana ny hafahahatakatra ny filazantsara?

Asaivo mijery ao amin’ireo Fanekem-pinoana ireo mpianatra ka hamaky izanyam-pahanginana. Mifanakaloza hevitra momba ireto fanontaniana manaraka iretorehefa avy nanome fotoana ampy tsara ho an’ireo mpianatra:

• Inona amin’ireo fanekem-pinoana no tena ankasitrahanao manokana arynahoana?

• Ahoana no anampian’ireo fotopampianarana ao amin’ireo Fanekem-pinoanamba hitari-dalana anao sy hampatanjaka ny fijoroanao ho vavolombelona fampaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:25–28, 37–42Famerenana amin’ny Laoniny ny ôrdônansin’ny tempolyHazavao fa nahazo didy mba hanorina tempoly ny Mpaminany Joseph Smithtaorian’ny nitoeran’ireo Olomasina tao Nauvoo, Illinois. Tamin’ny nanorenana nytempoly tao Kirtland, Ohio, dia nitaky fahafoizana lehibe avy tamin’ireoOlomasin’ny Andro farany ity asa ity.

Asao ny mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 124:25–28, 37–42. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatraka hitady ny fampianaran’ny Tompo mikasika ny antony nilan’ireo Olomasinatempoly. Alohan’ny handinihana ireo andininy ireo dia hazavao fa miresakamomba ny tabernakely izay namboarin’i Mosesy sy ny vahoakany izany. Tsynanatanteraka batisa ho an’ny maty ny vahoakan’i Mosesy. Tsy mbola nisy asa hoan’ny maty notanterahina talohan’ny nametrahan’ny Mpamonjy izany asa izanytao amin’ny tontolon’ny fanahy taorian’ny nahafatesany. Avy eo dia anontanio ireompianatra hoe:

• Nahoana no mila Tempoly ireo Olomasina tao Nauvoo araka nyfampianaran’ny Tompo ao amin’ireo andininy ireo? (Rehefa mamaly nympianatra dia hamafiso izao fotopampianarana izao: Misy ireo ôrdônansin’nyfamonjena sasany izay tsy eken’ny Tompo raha tsy any amin’ny tempolyihany no anatanterahana azy.)

Hazavao amin’ny mpianatra fa ny Tempolin’ny Kirtland “tamin’ny voalohany dianaorina ho amin’ny famerenana tamin’ny laoniny ny fanalahidin’ny fahefana”(Joseph Fielding Smith, Doctrines of Salvation, natambatr’i Bruce R. McConkie, boky3 [1954–56], 2:242). Nampiasaina mba hanatanterahana ireo ôrdônansin’ny

LESONA 17

98

Page 111: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

famonjena ho an’ny velona sy batisa isoloana tena ho an’ny maty ireofanalahidin’ny fisoronana ireo tao amin’ny Tempolin’i Nauvoo. Nandritra ny roataona farany tamin’ny fiainany dia nampiditra ny fanafiana masina tao amin’nytempoly i Joseph Smith ho an’ny vondrona mpikambana mahatoky vitsivitsy.Nampiditra ny ôrdônansin’ny famehezana mandrakizay ny mpivady koa izy.

• Inona ireo ôrdônansin’ny tempoly izay voalaza ao amin’ny Fotopampianaranasy Fanekempihavanana 124:39?

Angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity. Asao ireompianatra mba hihaino ny antony maha-zava-dehibe ireo ôrdônasin’ny tempoly aoamin’ny drafitry ny Ray any An-danitra:

“Ho valin’ny didin’ny Tompo [mba hanorina tempoly tao Nauvoo], dia nandroso haingana arakaizay azony natao ny Mpaminany sy ireo Olomasina mba hanomboka amin’ny fanorenana nytranon’ny Tompo. Saingy fantatry ny Mpaminany fa haharitra aman-taona ny fanorenana aryfantany koa fa nila ireo fitahiana fenon’ny tempoly ireo Olomasina. Noho izany diananatanteraka ny fanafiana masina ho an’ny vondron’ny rahalahy mahatoky vitsivitsy izytamin’ny 4 mey 1842, na dia mbola tsy vita aza ny tempoly.

“Nihaona tao amin’ny efitrano lehibe ambony rihan’ny Trano Fitehirizam-bokatry ny Mpaminanyvita amin’ny biriky mena io vondrona io. …

“Toy izao ny firaketana ara-tantara an’ny Mpaminany: ‘Tao amin’ny rihana ambonin’ilay tranofitehirizam-bokatra no nandaniako ny tontolo andro, … nivory niaraka tamin’ny Jeneraly JamesAdams, avy tao Springfield, ny Patriarka Hyrum Smith, ny Eveka Newel K. Whitney sy i GeorgeMiller, ny Filoha Brigham Young sy ny Loholona Heber C. Kimball ary i Williard Richards,nampianatra azy ireo ny fitsipika sy ny lamin’ny Fisoronana, ny fanatanterahana ny fanasana,fanosorana, fanafiana ary ny fifandraisan’ireo fanalahidy izay an’ny Fisoronana Aharôna sy nysisa, ho amin’ny lamina ambony indrindra an’ny Fisoronana Melkizedeka, namelabelatra nylamin’ilay Fahagolan’ny Andro, ireo drafitra sy fitsipika izay ahafahan’ny tsirairay mandray nyfahafenoan’ireo fitahiana izay efa nomanina ho an’ny Fiangonan’ny Lahimatoa, ka ho tonga syhitoetra eo anatrehan’ilay Elohima ao amin’ilay tontolo mandrakizay’” (Teachings: Joseph Smith,413–14).

Anontanio ireo mpianatra hoe:

• Inona no antony nilàna ny famerenana ireo ôrdônansin’ny tempoly amin’nylaoniny?

Rehefa mamaly ny mpianatra dia ampitomboy ny fahatakaran’izy ireo amin’nyfizarana izao fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Robert D. Hales aoamin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izao:

“Ny tanjona voalohan’ny tempoly dia ny hanome ireo ôrdônansy ilaina ho an’nyfisandratantsika any amin’ny fanjakana selestialy. Mitari-dalana antsika mankanyamin’ny Mpamonjintsika ireo ôrdônansin’ny tempoly ary manome antsika ireofitahiana izay tonga amintsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy”(“Blessings of the Temple,” Ensign, ôkt. 2009, 48).

LESONA 17

99

Page 112: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

• Tamin’ny fomba ahoana no nitahian’ny famerenana ireo ôrdônansin’ny tempolytamin’ny laoniny ny fiainanao?

Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina mandritra ny herinandro ho avy ny fombahanaovany ny fitsaohana ao amin’ny tranon’ny Tompo ho laharam-pahamehana eoamin’ny fiainany.

Salamo 82:6; Matio 5:48; Jaona 10:32–34; Romana 8:16–17; 2 Petera 1:3–4;1 Jaona 3:2–3; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:11–20; 132:20Ny fahafahantsika ho tonga tahaka an’ AndriamanitraHazavao fa mirakitra ny soratr’ireo mpaminany fahiny ny Baiboly izay nanoratramomba ny fahafahantsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra. Soraty eny amin’nysolaitrabe ireto andinin-tsoratra masina ireto ary asao ny mpianatra mba hamakyizany ka hitady ny zavatra izay ampianarin’izany momba ny hery anaty ananantsikamandrakizay: Salamo 82:6; Matio 5:48; Jaona 10:32–34; Romana 8:16–17; 2 Petera1:3–4; 1 Jaona 3:2–3. Azonao amporisihina ireo mpianatra mba hampifandray nahampifandrohy ireo andinin-tsoratra masina ireo eo am-pandalinan’izy ireo izany.

Rehefa avy nanome fotoana ampy ho an’ny mpianatra dia manontania hoe:

• Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireomikasika ny fahafahantsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra? (Na dia metyhampiasa teny hafa aza ny mpianatra, dia tokony hahatakatra izaofotopampianarana izao izy ireo: Amin’ny maha-zanaky ny Ray anyAn-danitra antsika dia manana ny fahafahana ho lasa tahaka Azy isika.)

• Inona tao amin’ireo andininy ireo no andian-teny mamariparitra nyfahafahantsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra?

Hazavao fa ampianarina ao amin’ny soratra masina maoderina ihany koa nyfahafahantsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra. Asao ny mpianatra iray mbahamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:11–13, 19–20 sy nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:20. Ampio ireo mpianatrahahatakatra izao fotopampianarana izao: Tahaka ny mpamonjy, dia afakamitombo amin’ny fahasoavana miampy fahasoavana isikaambara-pandraisantsika ny fahafenoan’ny Ray.

Hazavao fa iray tamin’ireo lahateny lehibe indrindra nataon’nyMpaminany Joseph Smith ny lahateny izay nataony nandritra ny

fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny aprily 1844. Nandritra io lahateny io dianahatsiaro an’i Rahalahy King Follett, izay maty vao haingana, ny Mpaminany.Lasa fantatra tamin’ny hoe lahateny King Follett izany lahateny izany. Omeo nytahadikan’ny taratasy zaraina “Sombin-dahateny avy tamin’ny Lahateny KingFollett” ny mpianatra rehetra. Asao izy ireo mba hamaky ilay sombin-dahateny kahanipika ireo teny na andian-teny izay manazava ny antony tokony hikatsahantsikany hahatakatra ny toetran’ Andriamanitra.

Sombin-dahateny avy tamin’ny Lahateny King FollettNampianatra ny Mpaminany Joseph Smith (1805–44) hoe:

LESONA 17

100

Page 113: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

“Raha tsy mianatra na inona na inona ankoatra ny mihinana sy misotro arymatory ny olona, ka tsy mahatakatra ny fikasan’ Andriamanitra, dia mitovyamin’izany ny zavatra takatry ny biby. Ny biby dia mihinana, misotro,matory, ary tsy mahafantatra zavatra ankoatra izany momba an’Andriamanitra. Ka dia mitovy amin’ny zavatra fantatsika ny zavatrafantany raha tsy hoe afaka mahatakatra isika amin’ny alalan’ny

fitaomam-panahy avy amin’ Andriamanitra Tsitoha. Raha tsy mahatakatra ny toetran’Andriamanitra ny olombelona dia tsy mahatakatra ny tenany manokana izy. …

“Ny tanjoko voalohany dia ny hijery ny toetran’ilay hany Andriamanitra hendry sy marinasy ny hoe karazan’olona manao ahoana Izy. …

“Andriamanitra koa dia tahaka antsika izao tany aloha tany, ary olona nisandratra izy arymipetraka eo amin’ny seza fiandrianany any an-danitra ambony any! Zava-miafina lehibeizany. Raha tritra ny voaly ankehitriny, ka mampiseho ny tenany ilay Andriamanitra lehibeizay mihazona ity tontolo ity sy ny manodidina azy, ary mihazona izao tontolo rehetra izaosy ny zava-drehetra amin’ny heriny,—dia hoy aho hoe raha toa ka mahita azy ianareoandroany, dia ho hitanareo izy fa tahaka ny olona—tahaka anareo, ny endrikareo, satria iAdama dia noforonina araka ny hatsara sy endrika ary mitovy amin’ Andriamanitra, arynandray ny torolalana, nandeha, niresaka ary nifanakalo hevitra taminy, tahaka ny olonairay miresaka amin’ny iray hafa” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith[2007], 44-45).

“Izao ary no fiainana mandrakizay—ny mahafantatra an’ilay hany Andriamanitra hendrysy marina; ary hianatra ny fomba ahafahana ho lasa andriamanitra koa ianareo, ary hompanjaka sy mpisorona ho an’ Andriamanitra, … amin’ny fiaingana avy amin’nyambaratonga kely iray miampy iray hafa, sy avy amin’ny fahafahana kely iray miampy iraylehibe; avy amin’ny fahasoavana miampy fahasoavana, avy amin’ny fisandratana miampyfisandratana, mandra-pahatratraranareo ny fitsanganan’ny maty, ka afaka mitoetra aoamin’ny lelafo mandrakizay, sy hipetraka amim-boninahitra, tahaka ireo izay mipetraka eoamin’ny seza fiandrianana amin’ny hery maharitra mandrakizay” (Teachings: JosephSmith, 221).

Ampio ireo mpianatra mba handinika ireo fampianarana ireo amin’ny fametrahafanontaniana hoe:

• Nahoana no zava-dehibe amintsika ny mianatra momba ny toetra sy nytoetoetran’ Andriamanitra sy ny fifandraisantsika aminy amin’nymaha-Raintsika any An-danitra Azy?

• Inona no dingana hahatongavana ho tahaka ny Ray any An-danitra?

Mba hampitombo bebe kokoa ny fahatakaran’ireo mpianatra ny fahafahany hotonga tahaka an’ Andriamanitra dia asehoy ity fanambarana manaraka izaynataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) ity. Asao ny mpianatra iray mbahamaky izany mafy:

LESONA 17

101

Page 114: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

“Ny tanjon’ny filazantsara manontolo dia ny hitarika antsika handroso syhiakatra ho amin’ny fahombiazana tsaratsara kokoa dia ny ho lasa andriamanitraamin’ny farany. Nolazain’ny Mpaminany Joseph Smith io fahafahana lehibe io taoamin’ny lahateny King Follett [jereo ny History of the Church, 6:302–17] arynohamafisin’ny Filoha Lorenzo Snow. Izao no fotokevitra lehibe sy tsymanam-paharoa: Ny toetran’ Andriamanitra amin’izao, afaka ny ho tahaka izany

ny olona! [Jereo ny The Teachings of Lorenzo Snow, natambatr’i Clyde J. Williams (1984), 1.]

“Nitsikera antsika ireo fahavalo noho ny finoantsika izany. Ny havalintsika manoloana izany diahoe tsy mampihena an’ Andriamanitra ilay Ray Mandrakizay velively io fotokevitra avo io. Izy noilay Tsitoha. Izy no Mpahary sy Mpanapaka izao rehetra izao. Izy no lehibe indrindra ary ho izanyfoana mandrakizay. Fa tahaka ny ray ety an-tany izay maniry ny fahombiazana rehetra ho an’nyzanany, dia toy izany koa no inoako fa maniry ireo zanany mba ho tonga lehibe tahaka Azy syhitsangana eo anilany, feno voninahitry ny hery sy ny fahendrena araka an’ Andriamanitra nyRaintsika any An-danitra” (“Don’t Drop the Ball,” Ensign, nôv. 1994, 48).

Ho famintinana dia apetraho ireto fanontaninana manaraka ireto:

• Inona no fahasamihafana nentin’ny fahalalana ireo fahamarinana manan-danjamomba ny Ray any An-danitra sy ny fahafahantsika ho tonga tahaka an’Andriamanitra ireo eo amin’ny fiainantsika?

• Rehefa misaintsaina ireo zavatra izay nodinihantsika androany ianao (ireoFanekem-pinoana, ireo ôrdônansin’ny tempoly ary ny fahafahantsika ho tongatahaka an’ Andriamanitra), nahoana no hahatonga anao hankasitraka nyMpaminany Joseph Smith ny fahatakarana ireo fahamarinana ireo? Ahoana nofomba hanampian’ny fahatakarana ireo fahamarinana ireo anao mbahahatakatra ny toetran’ Andriamanitra sy ny fifandraisanao aminy amin’nymaha-Rainao any An-danitra Azy? (Omeo fotoana ireo mpianatra mbahahafahany manoratra ny fahatsapany.)

Asao ireo mpianatra mba hijoro ho vavolombelona na hizara ny sasany amin’ireofahatsapana izay nosoratany, raha toa ka tsy dia mahakasika azy irery ihany loatraizany. Farano amin’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasikaireo fotopampianarana izay nianarana tato amin’ity lesona ity sy mikasika nyMpaminany Joseph Smith amin’ny maha mpanambara mahery azy.

Vakitenin’ny Mpianatra• Salamo 82:6; Matio 5:48; Jaona 10:32–34; Romana 8:16–17; 2 Petera 1:3–4;

1 Jaona 3:2–3; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana–22; 124:25–28, 37–42;132:20–24.

• “Dieu le Père Éternel,” toko 2 ao amin’ny Enseignements des Présidents de l’Église:Joseph Smith (2007), 41–48.

LESONA 17

102

Page 115: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

LESONA 18

Ny FikambananaIfanampiana sy nyFiangonana

Fampidirana“Ny Fikambanana Ifanampiana dia manomana ny vehivavyamin’ireo fitahiana avy amin’ny fiainana mandrakizayamin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo hampitombo nyfinoany sy ny fahamarinany, hampatanjaka ny fianakavianasy ny tokantrano, ary hanampy ny sahirana” (“The Purposeof Relief Society,” lds.org/callings/relief-society/purposes).

Hanampy ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa nyfananganana ny Fikambanana Ifanampiana sy ny tanjony itylesona ity. Ho hitan’ireo mpianatra ihany koa fa ny vehivavydia manana fahafahana sy andraikitra lehibe izay manokanaho azy ireo amin’ny fanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra.

Vakiteny Enti-mandalina• Dallin H. Oaks, “Ny Fanalahidy sy ny Fahefan’ny Fisoronana,” Ensign na

Liahona, mey 2014, 49–52.

• M. Russell Ballard, “Men and Women and Priesthood Power,” Ensign, sept.2014, 28–33.

• Julie B. Beck, “Ny Tanjon’ireo Mpaminany mikasika ny FikambananaIfanampiana: Finoana, Fianakaviana, Fanampiana,” Ensign na Liahona, mey2012, 83–85.

Sosokevitra Enti-mampianatraFotopampianarana sy Fanekempihavanana 25Ny torolalan’ny Tompo ho an’i Emma SmithAsehoy ity fanambarana ity izay nataon’ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985),ary miangavia mpianatra iray hamaky mafy an’izany:

“Ny ankamaroan’ny fitomboana izay hitranga amin’ny Fiangonana amin’nyandro farany dia hiseho satria maro amin’ireo vehivavy tsara eto an-tany … noho voasarika ho ato amin’ny Fiangonana. Hitranga izany amin’ny fomba izayhahatonga ny vehivavin’ny Fiangonana ho fitaratry ny fahamarinana sy ho afakahaneho hevitra tsara eo amin’ny fiainany ary amin’ny fomba izay hahatonga nyvehivavin’ny Fiangonana ho hita miavaka sy hafa—amin’ny fomba

mahafaly—amin’ireo vehivavin’izao tontolo izao” (Enseignements des Présidents de l’Église:Spencer W. Kimball [2006], 247).

• Inona no eritreritrao rehefa mandinika io fanambarana io ianao?

103

Page 116: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

• Mahafantatra vehivavy ve ianao izay ohatra tsara azo alain-tahaka amin’ny hoemahazo fifaliana rehefa miaina amim-pahamarinana? Tamin’ny fomba ahoanano nitondrany fiovana teo amin’ny fiainan’ireo izay mahafantatra azy?

Hazavao fa ifantoka amin’ny fomba itahian’ny Fikambanana Ifanampiana an’ireozanakavavy sy zanakalahin’ny Ray any An-danitra ao amin’ny Fiangonan’i JesoaKristy naverina tamin’ny laoniny ity lesona ity.

Asao ireo mpianatra mba hanokatra ao amin’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 25 ka hijery ny sasin-tenin’ny fizarana hitadiavana ny olonaizay resahin’ny Tompo ao amin’io fanambarana io. Avy eo dia vakio mafy nyandininy 3. Hazavao amin’ny mpianatra fa teo imason’ny Tompo dia “vehivavynofinidy” i Emma Smith. Tamin’ny fivoriana voalohan’ny FikambananaIfanampian’ny Vehivavy tao Nauvoo dia nanazava i Joseph Smith fa “ny hoenofinidy dia nidika hoe voafidy ho amin’ny asa iray.” Nilaza ihany koa izy fa ilayfanambarana nomena an’i Emma Smith dia “tanteraka tamin’ny fifidianana an’nyRahavavy Emma ho ao amin’ny Fiadidian’ilay Fikambanana [Ifanampiana]” (aoamin’ny History of the Church, 4:552–53). Zarao ho vondrona roa ireo mpianatra, aryasao ny antsasany mba hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana25:4–9 ary ny antsasany hafa mba hamaky ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 25:10–15. Asao ireo mpianatra mba hitady ireo andraikitra naantso izay nomen’ny Tompo an’i Emma Smith. Afaka manao ny lisitr’ireoandraikitra ireo izy ireo na hanamarika izany ao amin’ny soratra masin’izy ireo.Rehefa avy nanome fotoana ampy, dia asao izy ireo hanao tatitra ny zavatra izayhitany.

• Amin’ny fomba ahoana no mety handraisan’ny fahatanterahan’ireo andraikitraireo anjara amin’ny fitomboan’ny Fiangonana?

• Inona no fitahiana izay nampanantenan’ny Tompo an’i Emma Smith raha toaka nankatò ny didiny izy?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 25:16.

• Raha toa ka nomena an’i Emma Smith io fanambarana io, dia amin’ny fombaahoana kosa no azo ampiharina amintsika ireo tenin’ny Tompo tamin’i Emmaireo? (Ny fampianarana mikasika ny fankatoavana sy ny fotopampianaran’nyfilazantsara izay ampianarina ao amin’io fanambarana io dia azo ampiharinaamin’ny olon-drehetra. [Fanamarihana: Hazavao fa ny fampiharana ny soratramasina amin’ny fiainantsika manokana dia fahaizana mandalina ny soratramasina tena manan-danja izay manampy antsika hahita ny fitoviana misy eoamin’ny fiainantsika manokana sy ny an’ireo izay ao anatin’ny soratra masina.])

Rehefa mizara ny valinteniny mikasika io fanontaniana io ny mpianatra, dia ampioizy ireo hahatakatra izao fahamarinana manaraka izao: Raha toa ka mitandrinaamim-pahatokiana ny didy sy manatanteraka ireo andraikitsika avy amin’nyTompo isika, dia hahazo ny satroboninahitry ny fahamarinana. Azonao ataony mijoro ho vavolombelona ny amin’io fahamarinana io.

LESONA 18

104

Page 117: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Ny Fikambanana Ifanampiana dia anisan’ny zavatra manan-danja ao amin’nyFiangonan’ny Jesoa Kristy naverina amin’ny laoniny.Lazao ny mpianatra fa nambaran’ny Tompo andalan-tsoratra anampyandalan-tsoratra ny firafitry ny Fiangonana. Tao anatin’ny dingan’izany nonanomezany antso iray tena manan-danja an’i Emma Smith. Asao ny mpianatrairay hamaky mafy ity famintinana manaraka ity mikasika ny fananganana nyFikambanana Ifanampiana. Asao ireo mpianatra mba hihaino ny fombaahafahan’ny fijerin’ny Mpaminany Joseph Smith ny Fikambanana Ifanampiananampivelatra ny fijerin’ny vehivavy tamin’ny voalohany.

Tao Nauvoo dia voatahy ny vehivavin’ny Olomasin’ny Andro Farany tamin’nynananan’izy ireo manokana fikambanana tao amin’ny Fiangonana. Nanombokaizany rehefa niara-niasa ireo vehivavy maromaro, izay notarihin’i Sarah GrangerKimball, nanamboatra lobaka ho an’ireo lehilahy niasa tao amin’ny tempoly.Nanapa-kevitra ireo vehivavy fa hatsangana ara-dalàna ny fikambanana kanangataka an’i Eliza R. Snow izy ireo mba hanoratra ny sata mifehy nyfikambanana. Rehefa nakàna hevitra ny Mpaminany Joseph Smith dia nilaza izy fatena tsara ny satan’izy ireo saingy nanoro hevitra izy ny handamina ny vehivavyamin’ny fomba tsaratsara kokoa. Tamin’ny 17 martsa 1842, dia nivory nyMpaminany, niaraka tamin’ny Loholona John Taylor sy i Willard Richards aryvehivavy niisa 20 tao amin’ny efitrano ambony rihan’ny Trano Fitehirizam-bokatravita amin’ny biriky mena, izay nananganan’ny Mpaminany an’ilay FikambananaIfanampian’ny vehivavy tao Nauvoo. I Emma Smith no voafidy ho filohan’ilayfikambanana, dia toy izany no nahatanterahan’ilay fanambarana nilaza azy ho“vehivavy nofinidy” (F&F 25:3). Nolazain’ny Mpaminany taty aoriana ny tanjon’ilayfikambanana dia ny “hanampy ny mahantra” sy “hamonjy fanahy” (Enseignementsdes Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 453).

Ny 28 aprily 1842 dia nivory niaraka tamin’ireo vehivavy indray ny Mpaminany.Nolazainy izy ireo fa hahazo toromarika amin’ny alalan’ny lamin’ny fisoronana izyireo ary nilaza izy avy eo hoe: “Atolotro anareo izao ny fanalahidy amin’nyanaran’ny Tompo, ary ity fikambanana ity dia hifaly, ary ny fahalalana sy nyfaharanitan-tsaina no hirotsaka manomboka amin’izao fotoana izao” (Teachings:Joseph Smith, 484).

Azonao marihina amin’ny mpianatra fa afaka vakiany ao amin’nyjosephsmithpapers.org/paperSummary/Nauvoo-relief-society-minute-book nytantaran’ireo fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana tany am-boalohany.

• Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fijerin’ny Mpaminany ny zavatra metyho vitan’ny Fikambanana Ifanampiana mampivelatra ny tolokevitra nomen’iSarah Kimball tany am-boalohany?

• Inona, araka ny hevitrao, no tiana hambara amin’ity fanambarana nataon’nyMpaminany Joseph Smith manaraka ity: “Atolotro anareo izao ny fanalahidyamin’ny anaran’ny Tompo”? (Natsangana teo ambany fitarihan’ny fisoronanany Fikambanana Ifanampiana tamin’ny alalan’ireo izay nihazona nyfanalahidin’ny fisoronana.)

Asehoy ity fanambarana manaraka mikasika ny tanjon’ny FikambananaIfanampiana izay nataon’ny Rahavavy Zina D. H. Young (1821–1901) sy Rahavavy

LESONA 18

105

Page 118: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Busath.com

Julie B. Beck, filoha teo aloha an’ny Fikambanana Ifanampiana ity ary angataho nympianatra telo mba hamaky ny fanambarana. Asaivo manaraka ny vakiteny nympianatra ka hijery ny zavatra ampianarin’ireo fanambarana ireo mikasika nytanjon’ny Fikambanana Ifanampiana.

“Ny Fikambanana Ifanampiana … dia natsangan’ny Mpaminany Joseph Smithtamin’ny voalohany, efa ho dimampolo taona lasa izay; araka ny lamin’nyfisoronana sy teo ambany fitarihany mba hitondra fitahiana ara-nofo ho an’nymahantra sy ny sahirana: ary hanome fankaherezana ho an’ny ketraka, hitazonaireo izay nania, ary ho an’ny fandrosoana tsara kokoa, sy ho an’ny fampiasana nyfangorahana sy ny fiantran’ny vehivavy, mba hananany fahafahana mahatratra

ny tanjaka ara-panahy, sy ny hery hanatanterahana ny soa lehibe kokoa ao amin’ny asan’nyfanavotana ny fianakaviamben’ny olombelona” (Zina D. H. Young, “Fivoriamben’ny FikambananaIfanampiana voalohany,” Woman’s Exponent, 15 apr. 1889, 172).

“Ny Mpaminany Joseph Smith no namaritra ny tanjon’ny FikambananaIfanampiana ary nampianatra ireo vehivavy mikasika ny tanjon’izy ireo. … Mbolatarihin’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara ny fikambanantsikaankehitriny” (Julie B. Beck, “Relief Society: A Sacred Work,” Ensign na Liahona,nôv. 2009, 110–11).

“Toy ny nampianaran’ireo mpaminanin’ny Tompo an’ireo loholona sy ireompisorona avo mikasika ny tanjony sy ny adidy dia nizara ny fahitan’izy ireo

mikasika ny Fikambanana Ifanampiana izy ireo. Raha jerena ny torohevitra nomen’izy ireo diamazava fa ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana dia ny hampitombo ny finoana sy nyfahamarinan-toetran’ny tena manokana, hanamafy orina ny fianakaviana sy ny tokantrano aryhitady sy hanampy an’ireo izay mila fanampiana. Finoana, fianakaviana, ary fanampiana—ireoteny tsotra telo ireo dia lasa maneho ny tanjon’ireo mpaminany mikasika an’ireo rahavavy aoamin’ny Fiangonana” (Julie B. Beck, “Ny Tanjon’ireo Mpaminany mikasika ny FikambananaIfanampiana: Finoana, Fianakaviana, Fanampiana,” Ensign na Liahona, mey 2012, 83).

• Ahoana no hitahian’ireo tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana ny Fiangonanamanontolo? (Tokony hahita izao fahamarinana manaraka izao ny mpianatra:Ny Fikambanana Ifanampiana dia mikatsaka ny hampitombo ny finoanasy ny fahamarinan’ny tena manokana, mampatanjaka ny fianakaviana syny tokantrano ary mitondra fanamaivanana fahasahiranana amin’nyfitadiavana sy fanampiana ireo izay mila fanampiana. Voatahy nyfiangonana manontolo rehefa manatanteraka ireo tanjona ireo ny vehivavy.)

• Oviana ianao no nahita ny Fikambanana Ifanampiana nanatanteraka ireotanjony?

Asehoy ity fanambarana manaraka ity, ary asao ny mpianatra iray hamakyizany mafy:

“Hoy ny Mpaminany Joseph Smith: ‘Tsy mbola tafatsangana tsara mihitsy ny Fiangonana rahatsy voarindra toy izao ny vehivavy’ [Teachings: Joseph Smith, 451]. …

LESONA 18

106

Page 119: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

“Ankoatra an’i Joseph Smith, dia nijoro ho vavolombelona ireo mpaminanin’ny andro farany hafafa ny fananganana ny Fikambanana Ifanampiana dia anisan’ny zavatra nentanim-panahy taoamin’ny Famerenana amin’ny Laoniny, izay ahafahan’ny vehivavy ato amin’ny fiangonana hovoantso amin’ny toerana ao amin’ny Fiangonana mba hifanompo sy hitondra fitahiana ho an’nyFiangonana manontolo. Hoy ny Filoha Joseph F. Smith: ‘Ity fikambanana ity dia natao araka an’Andriamanitra, nahazo fankatoavana avy amin’ Andriamanitra, natsangana araka an’Andriamanitra, voatendry araka an’ Andriamanitra mba hanompo amin’ny famonjena nyfanahin’ny vehivavy sy ny lehilahy’ [Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph F. Smith(1998), 184]” (Filles dans Mon Royaume: L’histoire et l’Oeuvre de la Société de Secours[2011], 7).

• Inona no ampianarin’ity fanambarana ity mikasika ny anjara asa sahanin’nyFikambanana Ifanampiana ao amin’ny Famerenana amin’ny Laoniny nyfilazantsara? (Rehefa mamaly ny mpianatra, dia ataovy izay hahatakarany izaofahamarinana izao, na dia lazaina amin’ny teny hafa aza izany: NyFikambanana Ifanampiana dia anisan’ny zavatra nentanim-panahy arakaan’ Andriamanitra ao amin’ny Famerenana amin’ny Laoniny. Soraty eoamin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)

• Mitondra fiovana manao ahoana eo amin’ny fiainanao ny fahafantarana fa nynananganana ny Fikambanana Ifanampiana dia ao anatin’ny Famerenanaamin’ny Laoniny?

• Ahoana no anampian’ny fandraisan’ny vehivavy anjara amin’ireo antso aoamin’ny Fiangonana ny Fiangonana mba ho “tafatsangana tsara”?

Ny vehivavy sy ny fisoronanaHazavao amin’ny mpianatra fa misy ny sasany izay manontany ny antonymahatonga ny vehivavy tsy ho tendrena ho amin’ny anjara fanompoan’nyfisoronana. Hamafiso fa na dia tsy fantatsika aza ny antony mahatonga ny vehivavytsy ho tendrena amin’ny anjara fanompoan’ny fisoronana, dia fantatsika fa nyvehivavy dia mandray anjara ao amin’ny fisoronana ao amin’ny antsony aoam-piangonana sy any an-tokantranony.

Zarao amin’ny mpianatra tsirairay ny tahadikan’ity fanambaranamanaraka izay nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny

Apôstôly Roambinifolo ity, ary angataho ny mpianatra iray hamaky mafy izany.Asao ireo mpianatra mba hamantatra ireo fomba ahafahan’ny vehivavy mampiasany fahefan’ny fisoronana:

Ny Vehivavy sy ny FisoronanaHoy ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, hoe:

LESONA 18

107

Page 120: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

“Tao amin’ny lahateny izay nataony tamin’ny Fikambanana Ifanampiana,ny Filoha Joseph Fielding Smith, izay Filohan’ny Kôlejin’ny ApôstôlyRoambinifolo tamin’izany, dia nilaza izao: ‘Na dia tsy nomena nyFisoronana aza ny vehivavy, tsy nomena ho azy ireo izany, dia tsy midikaakory izany fa ny Tompo dia tsy nanome azy ireo ny fahefana. … Metymisy olona manana fahefana izay nomena azy, na vehivavy izay manana ny

fahefana, mba hanaovany zavatra sasantsasany ao amin’ny Fiangonana izay tsyafa-misaraka sy tena ilaina amin’ny famonjena antsika, toy ny asa izay ataon’ireorahavavintsika any amin’ny Tranon’ny Tompo. Manana ny fahefana izay nomena azy izymba hanaovana zavatra lehibe sy mahatalanjona, masina eo anatrehan’ny Tompo, arymamehy mitovy tsy misy hafa amin’ireo fitahiana izay omen’ny lehilahy mihazona nyFisoronana’ [‘Relief Society—An Aid to the Priesthood,’ Relief Society Magazine, jan.1959, 4].

“Tao anatin’io lahateny manan-danja io ny Filoha Smith dia namerimberina hatrany fa ireovehivavy dia nomena fahefana. Hoy izy tamin’ireo vehivavy hoe: ‘Afaka mitenyombam-pahefana ianareo satria nametrahan’ny Tompo fahefana.’ Nilaza ihany koa izy fany Fikambanana Ifanampiana ‘[dia] nomena hery sy fahefana hanao zavatra lehibe maro.Ny asa izay ataon’izy ireo dia atao amin’ny alalan’ny fahefan’ Andriamanitra.’ Ary mazavaho azy fa ny asam-piangonana izay ataon’ny vehivavy na ny lehilahy, na any amin’nytempoly izany na any amin’ny paroasy na sampana dia atao eo ambany fitarihan’ireo izaymihazona ny fanalahidin’ny fisoronana. Noho izany, raha niresaka momba ny FikambananaIfanampiana ny Filoha Smith dia nanazava hoe: Nomen’ny [Tompo] azy ireo ityfikambanana lehibe ity ary ao izy ireo no manana fahefana hanompo eo ambanyfitarihan’ireo evekan’ny paroasy … , mikarakara ny tombontsoan’ny vahoakantsika naara-batana izany na ara-panahy’ [‘Relief Society—An Aid to the Priesthood,’ 4–5]. …

“Tsy mahazatra antsika ny fitenenana mikasika ny fananan’ny vehivavy ny fahefan’nyfisoronana ao amin’ny antson’izy ireo ato am-piangonana, saingy fahefana hafa inona aryizany? Rehefa atokana ny vehivavy iray—na tanora na antitra—hitory ny filazantsaraamin’ny fotoana feno, dia omena fahefan’ny fisoronana izy hanatanterahana andraikitrairay izay an’ny fisoronana. Marina koa izany rehefa atokana amin’ny andraikitra toy nympiandraikitra na mpampianatra ao amin’ny rafitra iray ao amin’ny Fiangonana nyvehivavy iray eo ambany fitarihan’ny olona iray izay mihazona ireo fanalahidin’nyfisoronana. Na iza na iza miasa eo amin’ny toerana na antso iray voaray avy tamin’olonairay izay mihazona fanalahidin’ny fisoronana dia mampiasa ny fahefan’ny fisoronana eoam-panatanterahana ireo andraikitra nanendrena azy” (“Ny Fanalahidy sy ny Fahefan’nyFisoronana,” Ensign na Liahona, mey 2014, 50–51).

• Inona no fahamarinana nianaranao mikasika ny anjara asa sy andraikitry nyvehivavy ao amin’ny Fiangonana avy amin’ny Loholona Oaks? (Rehefa mizarany valinteniny ny mpianatra, dia ataovy izay ahatakarany izao fahamarinanamanaraka izao: Rehefa atokana ny vehivavy mba hanompo ao amin’nyFiangonana, dia mandray ny fahefan’ny fisoronana izy ireo mbahanatanterahana ny andraikiny.)

Mba hampitomboana ny fahatakaran’ireo mpianatra sy ny fahatsapany mikasikaireo fahamarinana izay nifanakalozany hevitra tao an-dakilasy dia zarao hotsiroaroa izy ireo ka asao mba hifanakalo hevitra momba ity manaraka ity:

LESONA 18

108

Page 121: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

• Ahoana no ahafahantsika manatsara ny zavatra lazaintsika mikasika nyvehivavy ao amin’ny Fiangonana mba hifanaraka amin’ny tena dikan’nyfandraisan’izy ireo anjara?

Asao ireo mpianatra mba hizara ny fahatsapany mikasika ny fitaoman’ny vehivavysy ny asa ataony amin’ny maha-mpianatra ao amin’ny fanjakan’ny Tompo azy ireo.Amporisiho ireo mpianatra mba hanao zavatra mifanaraka amin’izay tsapan’izyireo nandritra ny lesona, indrindra indrindra amin’ny fampiakarana ny lanjan’nyFikambanana Ifanampiana eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Vakitenin’ny Mpianatra• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25.

• Julie B. Beck, “Ny Tanjon’ireo Mpaminany mikasika ny FikambananaIfanampiana: Finoana, Fianakaviana, Fanampiana,” Ensign na Liahona, mey2012, 83–85.

LESONA 18

109

Page 122: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

LESONA 19

Ny Fotopampianaran’nyFanambadiana sy nyFianakaviana Mandrakizay

FampidiranaNy filazantsaran’i Jesoa Kristy dia manantitrantitra ilayfotopampianarana hoe ny fanambadiana sy ny fianakavianadia voatendrin’ Andriamanitra. Nampianatra ny MpaminanyJoseph Smith fa ny mpivady dia afaka mbola hitohy hompivady aorian’ny fitsanganana amin’ny maty. Nyfanambarana avy amin’ Andriamanitra dia manazava fa ny“fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny

fanambadiana” (F&F 131:2) dia ilaina mba hahazoana nyfisandratana. Ity lesona ity dia hanazava tsara amin’ireompianatra fa mba hampaharitra mandrakizay nyfanambadiana dia tsy maintsy fehezin’ny olona izay mananaireo fanalahidin’ny fisoronana ny mpivady ary miainaamim-pahamarinana avy eo.

Vakiteny Enti-mandalina• Russell M. Nelson, “Celestial Marriage,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 92–95.

• David A. Bednar, “Marriage Is Essential to His Eternal Plan,” Ensign, jona2006, 82–87.

• Joshua J. Perkey, “Why Temple Marriage?” New Era, aog. 2013, 30–32.

Sosokevitra Enti-mampianatraFotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–17131:1–4“Ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana”Fanamarihana: Rehefa mampianatra ity lesona ity ianao, dia fantaro fa mety misympianatra izay efa nanana fiainana an-tokantrano sarotra na efa nandaloratram-po na fanaintainana mifandray amin’ny fanambadiana na nyfananan-janaka. Eritrereto ny filàn’ireo mpianatra ireo rehefa manomana symampianatra ny lesona ianao.

Lazao ireo mpianatra fa tamin’ny 1831 tao Kirtland, Ohio, dia niditra hompikamban’ny Fiangonana i Leman Copley. Mpikambana tao amin’nyFikambanana Mitambatry ny Mpino ny Fisehoan’i Jesoa Kristy Fanindroany izy izaynantsoin’ny maro hoe Shakers noho ny fomba fitsaohan’izy ireo izaymanetsiketsika ny vatany rehefa mihira ary mandihy sy mitehaka amin’ny mozika.Rehefa nino ny filazantsara i Leman Copley dia mbola nino foana ny sasanytamin’ireo fampianaran’ny Shakers izy. Nitsidika an’i Joseph Smith izy, ka hovalin’ilay fitsidihana, dia nanome an’i Joseph Smith ny fanambarana izay fantatraankehitriny amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49 ny Tompotamin’ny 7 mey 1831. (Ny sasin-tenin’ny fizarana tao amin’ny fanontana tanyam-boalohany an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia nanome io

110

Page 123: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

daty io ho martsa 1831. Vao tsy ela ny mpahay tantara no nahatsikaritra fa ny datymarina kokoa dia ny 7 mey 1831.)

Notsipahin’ny Shakers ny fanambadiana ary nino ny fitokanan-tena tanteraka izyireo (fifadiana ny firaisana ara-nofo). Nahitsin’ny Tompo io fotopampianarana disoio tao anatin’ilay fanambarana ary nandidy an’i Leman Copley sy ny hafa koa Izymba hitory ny filazantsara amin’ny Shakers.

Asao ny mpianatra mba hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana49:15–17, mba hitady ny zavatra izay nolazain’ny Tompo momba nymaha-zava-dehibe ny fanambadiana sy ny fianakaviana. Anontanio hoe:

• Araka ireo andininy ireo, inona no ampianarin’ny Tompo momba nyfanambadiana? (Tokony ho fantatry ny mpianatra ity fotopampianaranamanaraka ity: Ny fanambadian’ny lahy sy ny vavy dia voatendrin’Andriamanitra.)

• Inona araka ny hevitrao ny dikan’ny hoe ny fanambadiana dia voatendrin’Andriamanitra “mba hahatratraran’ny tany ny tanjona namoronana azy”?(Mety ahitana ireto fahamarinana manaraka ireto ny valintenin’ny mpianatra:Nodidiana ny mpivady mba hanan-janaka. Noforonina ny tany mbahanome toerana hahafahan’ireo zanak’ Andriamanitra hiaina ny fiainanamiaraka amin’ny fianakaviana.)

• Ahoana no mety ahafahan’ny fahatakarana ireo fahamarinana ampianarina aoamin’ireo andininy ireo manampy antsika hanazava ny fampianaran’nyFiangonana momba ny fanambadiana?

Hazavao fa taona maro taty aoriana dia nitombo be ny fahatakaran’ny Olomasinany maha-zava-dehibe ny fotopampianarana momba ny fanambadiana sy nyfianakaviana mandrakizay. Ny 16 mey 1843, dia nandeha nankany Ramus, Illinois, iJoseph Smith. Rehefa nipetraka tao amin’ny tranon’i Benjamin sy Melissa Johnsonny Mpaminany dia nampianatra azy ireo momba ny fanambadiana mandrakizay.Ny sasany tamin’ireo fampianaran’ny Mpaminany tao Ramus dia voarakitra aoamin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131. Asao ireo mpianatrahamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4, ary anontanioavy eo hoe:

• Inona no zavatra tsy maintsy ataontsika mba hahazoana ny ambaratonga avoindrindra ao amin’ny fanjakana selestialy? (Tokony ho fantatry ny mpianatra ityfotopampianarana manaraka ity: Mba hahazoana ny ambaratonga avoindrindra ao amin’ny fanjakana selestialy, dia tsy maintsy miditra aoamin’ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’nyfanambadiana isika. Hazavao fa ny teny hoe vaovao eto amin’ity sahan-kevitraity dia midika fa vao haingana io fanekempihavanana io no tafaverina amin’nylaoniny amin’izao fotoampitantanana misy antsika izao. Ny teny hoe maharitramandrakizay dia midika fa efa nisy hatrizay io fanekempihavanana io aryhaharitra mandrakizay. Azonao atao ny mangataka ireo mpianatra hanoratraireo fahamarinana ireo eo amin’ny sisin’ny pejy ao amin’ny soratra masiny.)

• Amin’izao androntsika izao, ahoana no idiran’ny lehilahy iray sy vehivavy irayao amin’io “fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’nyfanambadiana” io?

LESONA 19

111

Page 124: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Hamafiso fa any amin’ny tempoly masina ihany no ahafahan’ny lehilahy sy nyvehivavy miditra amin’ny fanekempihavanana vaovao sy maharitramandrakizain’ny fanambadiana. Mety hampiasa ny teny hoe “vady mandritra izaofiainana izao sy mandrakizay” ny olona izay manambady ivelan’ny tempoly aoamin’ny voadin’ny fanambadiany, saingy tsy hankasitrahan’ Andriamanitra izanyfanambadiana izany any amin’ny mandrakizay.

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Loholona Russell M. Nelson avy ao amin’nyKôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary miangavia mpianatra iray hamaky izanymafy: Amporisiho ny mpianatra mba hitady ny zavatra nampianarin’ny LoholonaNelson mikasika ny antony mahatonga ny fanambadiana ho manan-danja lehibeaok’izany:

“Iadian-kevitra manerana izao tontolo izao ny momba ny fanambadiana, izayahitana karazana fifanarahana maro ho amin’ny olona roa izay miara-mipetrakatoy ny mpivady. Ny tanjoko amin’ny firesahana momba io lohahevitra io dia nyhanambara, amin’ny maha-Apôstôlin’ny Tompo ahy, fa ny fanambadian’ny lahysy ny vavy dia masina—voatendrin’ Andriamanitra izany. Milaza ihany koa ahony amin’ny fahamasinan’ny fanambadiana any amin’ny tempoly. Io no karazana

fanambadiana ambony indrindra sy maharitra indrindra izay afaka omen’ Andriamanitraireo zanany.

“Raha zavatra mahakasika ny tsirairay ny fanavotana, ny fisandratana kosa dia zavatramahakasika ny fianakaviana. …

“… Mba ho mendriky ny hahazo ny fiainana mandrakizay, dia tsy maintsy manaofanekempihavanana mandrakizay sy maharitra mandrakizay amin’ny Raintsika any An-danitraisika [jereo ny F&F 132:19]. Midika izany fa tsy ho an’ny mpivady ihany ny fanambadiana anyamin’ny tempoly fa mahafaoka ny fiaraha-miasa miaraka amin’ Andriamanitra ihany koa izany[jereo ny Matio 19:6]” (“Celestial Marriage,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 92–93).

• Inona araka ny hevitrao ny dikan’ity fehezanteny ity: “Raha zavatra mahakasikany tsirairay ny fanavotana, ny fisandratana kosa dia zavatra mahakasika nyfianakaviana”?

• Inona ny dikan’ny hoe mahafaoka “ny fiaraha-miasa miaraka amin’Andriamanitra” ao amin’ny fanambadiana mandrakizay? Nahoana araka nyhevitrao no manan-danja ny manana fiaraha-miasa amin’ Andriamanitra aoamin’ny fanambadiana mandrakizay? (Ao amin’ny fanambadiana ihany noanaovan’ny olona iray fanekempihavanana amin’ny olona iray hafa miarakaamin’ Andriamanitra. Ireo fanekempihavan’ny filazantsara hafa rehetra diaataon’ny olona iray amin’ Andriamanitra.)

• Ahoana ahafahan’ny fotopampianarana momba ny fanambadiana sy nyfianakaviana mandrakizay izay naverina tamin’ny laoniny mampiakatra nyfanirian’ny olona iray hanorina fanambadiana feno fitiavana sy maharitra?

Ny Loholona Parley P. Pratt (1807–57) avy tao amin’ny Kôlejin’ny ApôstôlyRoambinifolo dia nanazava ny vokatry ny fahalalana an’io fotopampianarananaverina tamin’ny laoniny io teo aminy. Asao ny mpianatra iray hamaky izaomanaraka izao:

LESONA 19

112

Page 125: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

“Avy tamin’i [Joseph Smith] no nianarako fa ny vady malalako dia mety hofehezina amiko mandritra izao fiainana izao sy mandrakizay. … Avy taminy nonianarako fa afaka kolokolointsika ireo fitiavana ireo, ary hitombo kahampivoatra izany mankany amin’ny mandrakizay; raha toa ka ny vokatry nyfiarahantsika tsy misy fiafarany dia ho taranaka maro be tahaka ny kintana enyamin’ny lanitra na ny fasika eny amoron-dranomasina. … Efa nitia aho teo

aloha, fa tsy fantatro hoe nahoana. Fa ankehitriny kosa dia mitia aho—amin’nyfahadiovana—fahatsapana mahery vaika sy tretrika eo amin’ny hamafiny” (Autobiography ofParley P. Pratt, ed. Parley P. Pratt Jr. [1938], 297–98).

Alohan’ny hanohizana ity lesona ity dia mety ho fahendrena ny mifanakalo hevitramomba ity manaraka ity:

“Ireo mpikambana sasany ato am-piangonana dia mijanona ho tokan-tena tsy fidiny na diamanam-paniriana ny hanambady aza izy ireo. Raha ao anatin’izany toe-javatra izany ianao diamatokia fa ‘ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’ Andriamanitra’ (Romana8:28). Rehefa mitoetra ho mendrika ianao dia indray andro any, eto amin’ity fiainana ity naamin’ny fiainana ho avy, dia homena ireo fitahiana rehetra an’ny fifandraisan’ny fianakavianamandrakizay” (True to the Faith: A Gospel Reference [2004], 99).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:1–21Ilaina ho an’ny fisandratana ny fanambadiana mandrakizayHazavao fa tokony ho roa volana taorian’ny nanomezan’i Joseph Smith nyfampianarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 131, dia nanonona ny fanambarana izay fantatra ankehitrinyamin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132 izy. Asao ny mpianatrahamaky mafy ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 132. Hazavao fa horesahina ao amin’ny lesona manaraka nymikasika ny fananana vady maro. Asao ny mpianatra iray hafa hamaky mafy nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:3–6. Asaivo manaraka ny vakitenyny mpianatra ka hamantatra ireo teny na andian-teny izay milaza nymaha-zava-dehibe ny fidirana ao amin’ilay fanekempihavanana vaovao symaharitra mandrakizain’ny fanambadiana. Mifanakaloza hevitra momba iretofanontaniana manaraka ireto:

• Inona ao amin’ireo andininy ireo no teny na andian-teny manazava nymaha-zava-dehibe ny fanambadiana?

• Inona no vokatry ny fandavana an’io fotopampianarana io? (Azonao atao nymanazava fa ny teny hoe voaheloka dia milaza fa tsy afaka ny hivoatramandrakizay intsony ny olona iray.)

Fanamarihana: Makà minitra vitsivitsy mba hanamarihana amin’ny mpianatra fafahaiza-mandalina ny soratra masina tena manan-danja ny mijery ireo teny naandian-teny, ilay fahaiza-manao izay vao avy nampiharin’izy ireo tamin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:3–6. Tena ilaina ny mijery symanakatra ireo teny na andian-teny rehefa mandalina ny soratra masina. Aoamin’ny andininy 3–6, dia ilaina ny mahatakatra ireto andian-teny manaraka ireto:

LESONA 19

113

Page 126: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

“handray sy hankatò,” “tsy maintsy mankatò,” “raha tsy mandray izany ianareo diavoaheloka,” “tsy misy afaka mitsipaka,” “tsy maintsy sy tokony.” Ohatramampiseho ny fifandraisan’ireo hevitra ao amin’ny soratra masina ihany koa nysasany amin’ireo andian-teny ireo. Ny fifandraisana dia mampiseho nyfifandraisana na rohy mampifandray ireo hevitra. Ohatra: ny andininy 3 diamampiseho ny fifandraisana eo amin’ny fiomanana, fandraisana ary fankatoavana.

Asao ireo mpianatra hamaky am-pahanginana ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 132:7–8, ka hitady ireo fepetran’ny lalàn’ny Tompo izaymahatonga ny mpivady ho afaka ny hiaina amin’ny maha-mpivady azy aorian’izaofiainana izao.

• Araka ireo andininy ireo, inona avy ireo fepetra ilaina amin’ny fanambadianamba haharitra mandrakizay? (Rehefa mamaly ny mpianatra, dia soraty enyamin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Rehefa atao amin’nyalalan’ny fahefan’ny fisoronana sy fehezina amin’ny alalan’ny FanahyMasin’ny Fampanantenana ny fanekempihavanana, dia haharitramandrakizay.)

Zarao ity famaritana ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana manaraka ity: “NyFanahy Masina dia ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana (Asa 2:33). Amafisiny hoazo ekena amin’ Andriamanitra ny asa marina sy ny ôrdônansy ary nyfanekempihavanan’ny olona. Ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana diavavolombelona manambara amin’ny Ray fa efa notontosaina araka ny fanao ireoôrdônansy mamonjy ary efa notandremana ny fanekempihavanana mifandrayamin’izany” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanahy Masin’nyFampanantenana,” scriptures.lds.org).

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa an’io fitsipika io, diahevero ny hampiseho ity fanambarana manaraka izay nataon’ny Loholona Bruce R.McConkie (1915–85) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

“Ny atao hoe mamehy dia mankatò, manamarina, na manaiky. Araka izany, nyasa atao iray izay fehezin’ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana dia asa iray izayankatoavin’ny Fanahy Masina; izay eken’ny Tompo; ary ilay olona izay nandrayilay asa natao teo aminy dia hamarinin’ny Fanahy amin’ny zavatra izay nataony.Tsy apetraka eo amin’ilay asa atao iray ihany ilay hery famehezan’ny fanekenaraha toa ka tsy mendrika ireo izay manao ny fifanekena noho ny fahamarinan’ny

tenany manokana mba ahafahany mahazo ny fankatoavana avy amin’ Andriamanitra” (MormonDoctrine, fanontana faha-2 [1966], 361–62).

Nanoritra hatrany ireo fepetra ilaina sy ireo fitahian’ny fanambadiana mandrakizayny Tompo, izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana132:19–21. Asaivo miasa anaty vondrona tsiroaroa ireo mpianatra mba handalina ioandinin-tsoratra masina io. Asao ireo vondrona mba hanao lisitra anankiroa:(1) ireo fepetra takiana mba hampaharitra mandrakizay ny fanambadiana, ary(2) ireo fitahiana azo rehefa feno ireo fepetra ireo. Rehefa vita dia mety ahitana izaomanaraka izao ireo lisitra:

LESONA 19

114

Page 127: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Fepetra takiana mba hampaharitra mandrakizay ny fanambadianaTsy maintsy tanterahina mifanaraka amin’ny lalàn’ny Tompo sy “nyfanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay” ny fanambadiana.

Tsy maintsy fehezin’ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana ny fanambadiana.

Tsy maintsy tanterahin’ny olona izay mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronanany fanambadiana.

Tsy maintsy mandray ny fanekempihavanan’ Andriamanitra ny mpivady.

Ireo fitahiana izay ho azoHitsangana amin’ny Fitsanganan’ny Maty Voalohany ny mpivady.

Handova fiandrianana, fanjakana, fanapahana, hery sy ireo rehetra izay avo sylalina ilay mpivady.

Hanan-kery tanteraka ilay fanambadiana aorian’ny fahafatesan’ny vatana.

Handalo amin’ireo anjely ilay mpivady.

Hasandratra ilay mpivady ka hahazo ny voninahitra amin’ny zavatra rehetra.

Hahazo ny “fitohizan’ny voa mandrakizay” ilay mpivady (hitohy mandritra nymandrakizay ny fianakaviany sy ny taranany; hanana fitohizana mandrakizayizy ireo).

Ho lasa andriamanitra ilay mpivady ka tsy hanana fahataperana.

Ho ambonin’ny zava-drehetra ilay mpivady ka hanana ny hery rehetra, ary nyzava-drehetra dia hankatò azy ireo.

Ifanakalozy hevitra ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana ireompianatra hahatakatra bebe kokoa ireo fepetra ilaina sy ireo fitahiananampanantenaina an’ny fanambadiana mandrakizay:

• Inona araka ny hevitrao ny dikan’ny hoe “mandray” ao amin’nyfanekempihavanan’ny fanambadiana? (Azonao atao ny manazava fa dikany irayan’ny teny hoe mandray ny hoe mijanona na manohy. Midika ihany koa izanyhoe miaina mifanaraka amin’ilay fanekempihavanana.)

• Nahoana no tsy ampy hahatratrarana ny fanambadiana mandrakizay ny hoefehezina fotsiny any amin’ny tempoly?

• Inona no eritreritra sy fahatsapana anananao rehefa mieritreritra ny zavatranampanantenan’ny Ray any An-danitra anao ianao?

Vakio ity filazana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Russell M. Nelson aoamin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Zavatra iray tena manan-danja amin’ny fiomanana ho amin’ny fiainanamandrakizay ny fanambadiana selestialy. Izany dia mitaky ho an’ny olona iraymba hanambady ny olona tokony hovadiany, amin’ny toerana izay maha-metyizany, amin’ny alalan’ny fahefana izay tokony hanao izany, ary mba hankatòamim-pahatokiana izany fanekempihavanana izany. Afaka mahazo antoka avy eo

LESONA 19

115

Page 128: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

ilay olona fa hahazo ny fisandratana ao amin’ny fanjakana selestialin’ Andriamanitra” (“CelestialMarriage,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 94).

• Ahoana no hanazavanao amin’ny olona iray izay tsy mpikamban’ny Fiangonanany maha-zava-dehibe ny manambady “amin’ny toerana izay maha-mety izanysy amin’ny alalan’ny fahefana izay tokony hanao izany”?

• Noho ny maha-zava-dehibe ny fotopampianarana momba ny fanambadiana syny fianakaviana mandrakizay, inona no azonao atao izao mba hiomananaamin’ny fanambadiana mandrakizay sy hanorina fiarahana matanjaka?

Asao ireo mpianatra mba handinika ny zavatra izay mila fiovana amin’ny fiainanymba ho voaomana tsara kokoa amin’ny famehezana any amin’ny tempoly nahitandrina ireo fanekempihavanana miaraka amin’izany famehezana izany. Zaraony fijoroanao ho vavolombelona fa mendrika ny hanaovantsika fahafoizan-tena syezaka ny fikatsahana ny fanambadiana mandrakizay.

Vakitenin’ny Mpianatra• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana–17; 131:1–4; 132:1–24.

• Russell M. Nelson, “Celestial Marriage,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 92–95.

LESONA 19

116

Page 129: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

LESONA 20

Ny Fanambadiana MaroFampidiranaNy fanambadian’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dialalàn’ny Tompo raha tsy hoe Izy no mandidy hanova izany(jereo ny Jakôba 2:27–30). Nodidiana ny hamerina nyfampiharana ny fanambadiana maro ny Mpaminany JosephSmith, izay nampiharina tao amin’ny Fiangonana efa hodimampolo taona mandra-pahatonga an’ny Filoha WilfordWoodruff nahazo aingam-panahy avy tamin’ny Tompo mba

hanajanona ilay fomba fanao. Fitsapam-pinoana lehibe hoan’i Joseph Smith sy ny ankamaroan’ireo izay nanao izany nyfanambadiana maro. Rehefa mampihatra finoana ireompianatra, dia afaka ho tonga amin’ny fahafantarana fa nyfananana vady maro tamin’ny andro farany dia tao anatin’nyFamerenana amin’ny Laoniny ny zava-drehetra.

Vakiteny Enti-mandalina• “Plural Marriage in The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints,” [Ny

Fanambadiana Maro tao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’nyOlomasin’ny Andro Farany] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics.

• “Plural Marriage in Kirtland and Nauvoo,” [Ny Fanambadiana Maro taoKirtland] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics.

• “Plural Marriage and Families in Early Utah,” [Ny Fanambadiana syFianakaviana Maro tao Utah Fahiny] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics.

• “The Manifesto and the End of Plural Marriage,” [Ilay Manifesto sy nyFiafaran’ny Fanambadiana Maro] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics.

Fanamarihana: Ireo fanadihadiana ao amin’ny Lohahevitry ny Filazantsara ireo diahanome anao fitaovana maro lavitra ka tsy ho ampy ny fotoana anananao rahahampianatra izany. Aoka hotsaroana izany rehefa manomana sy mampianatra nylesona ianao.

Sosokevitra Enti-mampianatraJakôba 2:27–30; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:1–2, 34–48,54, 63Nanambara ny fampiharana ny fanambadiana maro ny TompoHazavao fa tamin’ny taona 1831, raha mbola niasa tamin’ny fandikan-tenynentanim-panahy ny bokin’ny Testamenta Taloha i Joseph Smith, izay fantatraamin’ny hoe Dikantenin’i Joseph Smith, dia namaky izy fa ny sasany tamin’ireompaminany taloha dia nanambady maro. Anisan’ireo mpaminany ireo i Abrahama,Jakoba, Mosesy ary i Davida. Nandalina sy nisaintsaina ny soratra masina i JosephSmith hahafantarany ny fomba nanamarinana ireo mpaminany ireo tamin’io fombafanao io (jereo ny F&F 132:1–2). Nambaran’ny Tompo ny valin’ny fanontaniany taoamin’ny fanambarana izay fantatra ankehitriny amin’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 132. Na dia tamin’ny 12 jolay 1843 aza ny datin’ityfanambarana ity, dia azo inoana fa voarain’i Joseph Smith niandalana nyfanambarana momba ireo fitsipika voarakitra ato amin’ity fizarana ity rehefanandeha ny fotoana, nanomboka hatramin’ny 1831.

117

Page 130: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:34–36. Asaivo manaraka nyvakiteny ny mpianatra ka hitady ny antony nahatonga an’i Abrahama sy i Sarahananomboka nampihatra ny fanambadiana maro.

• Araka ny andininy 34, nahoana i Saraha no nanome vady hafa an’i Abrahama?Inona no ampianarin’izany mikasika ny fampiharana ny fanambadiana maro?(Rehefa mamaly ny mpianatra, dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipikamanaraka ity: Tsy azo ekena ny fanambadiana maro raha tsy ny Tompo nomandidy izany.)

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy Jakôba 2:27, 30. Hamafiso ity fitsipikamanaraka ity: Ny fanambadian’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray no fenitr’Andriamanitra raha tsy hoe Izy no mandidy ny ankoatr’izany. Mariho faahitana ny antony izay nomen’ny Tompo ny amin’ny fampiharana nyfanambadiana maro ihany koa ireo andininy ireo—mba “hanangana taranaka ho[an’ny Tompo]” amin’ny fampitomboana ny isan’ireo zanaka ateraky ny rayaman-dreny mahatoky (jereo koa ny F&F 132:63).

Hazavao fa nambaran’ny Tompo tamin’i Joseph Smith, izay voarakitra ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:37–43, fa rehefa mampihatra nyfanambadiana maro ny vahoakany satria nodidiany hanao izany, dia tsy melokanoho ilay fahotan’ny fijanganjagana izy ireo. Kanefa, na iza na iza mampihatra nyfanambadiana maro ka tsy nahazo didy avy tamin’ny Tompo tamin’ny alalan’nympaminaniny dia meloka noho ny fijanganjangana. Mariho amin’ny mpianatra fany teny hoe hofongorana ao amin’ny andininy 41 sy ny 54 dia midika fa ireo izaymandika ny fanekempihavanany masina, anisan’izany ny fanekampihavanan’nyfanambadiany, dia hosarahina amin’ Andriamanitra sy ny vahoakan’nyfanekempihavanany (jereo koa ny Asa 3:22–23; 1 Nefia 22:20).

Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 132:40 ka hamantatra ny antony iray hafa izay nomen’nyTompo ny amin’ny fampiharana ny fanambadiana maro.

• Araka ny andininy 40, inona no zavatra hataon’ny Tompo ao amin’nyfotoampitantanana farany? (“Hamerina amin’ny laoniny ny zava-drehetra.”)

Hazavao fa ny teny hoe “zava-drehetra” dia manondro ireo lalàna sy ôrdônansin’nyfilazantsara izay nambara tao amin’ny fotoampitantanana teo aloha. Soraty enyamin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Ny didy mba hiaina nylalàn’ny fanambadiana mandrakizay dia tao anatin’ny Famerenana amin’nyLaoniny ny zava-drehetra (jereo koa ny Asa 3:20–21).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 132:45, 48. Asao ireo mpianatra mba hanaraka ny vakiteny,sady hitady ny fomba nahafahan’i Joseph Smith nandray anjara tamin’nyfanatanterahana ny Famerenana amin’ny Laoniny ny zava-drehetra. Ampio ireompianatra hahatakatra ity fitsipika manaraka ity: Amin’ny alalan’ireofanalahidin’ny fisoronana izay nomena ny Filohan’ny Fiangonana ihany nohahazoana lalana ny fanambadiana mandrakizay.

LESONA 20

118

Page 131: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Omeo tahadikan’ny taratasy zaraina izay hita any amin’ny faran’ny lesonany mpianatra tsirairay. Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny

fizarana voalohany, izay mitondra ny lohateny hoe “Fanambadiana Maro.”

• Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fahafantarana fa ny fampiharana nyfanambadiana maro dia nomena tamin’ny alalan’ny fanambarana tamin’nyMpaminany Joseph Smith manampy anao hahatakatra tsara kokoa nyfampiharana izany tamin’ny andro voalohan’ny Fiangonana?

Fitsapam-pinoana ny fampiharana ny fanambadiana maroAsao ny antsasaky ny mpianatra mba hamaky am-pahanginana ny fizarana izaymitondra ny lohateny hoe “Didy Iray Sarotra” ao amin’ny taratasy zaraina. Asao naantsasany hafa hamaky ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Fitsapam-pinoana.”Avy eo dia mifanakaloza hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto:

• Inona avy ireo antony mety nahatonga ny Mpaminany Joseph Smith sy ny hafahisalasala ny amin’ny fampiharana ny fanambadiana maro?

• Inona no niainan’i Joseph Smith sy i Lucy Walker ary ny hafa izay nanampy azyireo handresy ireo fahasarotana lehibe tamin’ny farany ka nahafahan’izy ireonanaiky sy niaina ny lalàn’ny fanambadiana maro?

Asao ny mpianatra maromaro mba hifandimby hamaky mafy ny fizarana izaymitondra ny lohateny hoe “Joseph Smith sy ny Fanambadiana Maro” ao amin’nytaratasy zaraina.

Hazavao amin’ny mpianatra fa misy zavatra maro izay tsy fantatsika mikasika nyfananana vady maro tao amin’ny Fiangonana tany am-boalohany. Ohatra, nyfahatakarantsika ny teny hoe famehezana dia tsy mitovy loatra tamin’nyfahatakarana izany teny izany tany amin’ny taona 1840, tamin’ny mbola vaovao nyfomba fanaovana ny famehezana ary ny lafin-javatra sasany mikasika an’ilay fombafanao dia mbola tsy takatra tanteraka. Rehefa maheno ny teny hoe famehezana isikadia tonga dia mieritreritra hoe fanambadiana, fa ho an’i Joseph Smith sy ireoOlomasina tany am-boalohany, ny hoe famehezana dia tsy nidika foana hoefanambadiana amin’ny heviny feno, izany hoe miara-miaina amin’nymaha-mpivady. Notazonina ho tsiambaratelo ny antsipiriany maro tamin’nyfampiharana ny fanambadiana maro, ary ireo firaketana ara-tantara fotsiny dia tsymamaly ny fanontaniantsika rehetra. Amporisiho ireo mpianatra handalina ireoVakitenin’ny Mpianatra hita amin’ny faran’ny lesona mba ho fampahalalanafanampiny mikasika ny fampiharana ny fanambadiana maro.

Azonao atao ny mampahatsiahy ny mpianatra fa rehefa mandalina momba nyfanambadiana maro izy ireo dia tokony hotsaroany ny fomba fianarana nyfilazantsara izay narahin’ny Mpaminany Joseph Smith. Nandalina izy, nisaintsainaary nivavaka mba hahazo fahalalana. Tokony hotsaroany ihany koa fa misyfampahalalana maro izay tsy azo antoka mikasika ny fanambadiana maro enyamin’ny Internet sy amin’ny loharano vita printy maro. Ny mpanoratra sasany izaymanoratra momba ny Fiangonana sy ny tantarany dia maneho fampahalalana tsymarina akory na mampiditra fahamarinana tsy feno izay mety hamitaka. Nyfikasan’ny sasany amin’ireo soratra ireo dia ny handrava ny finoana.

LESONA 20

119

Page 132: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Fanambarana Ôfisialy 1Nanambara ny Tompo fa tokony hatsahatr’ireo Olomasin’ny Andro Farany nyfampiharana ny fanambadiana maroHazavao fa mbola nitohy ny fampiharana ny fanambadiana maro taorian’nynahatongavan’ireo Olomasina tao Utah ary najanona izany taty aoriana araka nyfanambarana. Asao ireo mpianatra mba hifandimby hamaky mafy ireo fizarana izaymitondra ny lohateny hoe “Fanoherana ny Fanambadiana Maro” sy “Ny ManifestoFaharoa” ao amin’ny taratasy zaraina.

• Inona no zavatra niainan’ireo Olomasin’ny Andro Farany tany am-boalohanynoho ny fankatoavany ny didin’ny Tompo hampihatra ny fanambadiana maro?

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy avy amin’nyandinin-tsoratra roa farany amin’ny Fanambarana Ôfisialy 1 ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana ary ny andian-tsoratra voalohany syfahafito amin’ny “Ampahany tamin’ireo Lahateny Telo nataon’ny Filoha WilfordWoodruff Mikasika ny Manifesto,” izay manaraka ny Fanambarana Ôfisialy 1.Anontanio avy eo hoe:

• Inona no zavatra nampianarin’ny Filoha Woodruff an’ireo Olomasina?(Anisan’ny fitsipika sasany izay nampianariny ireto manaraka ireto: Tsy hamelany Filohan’ny Fiangonana hitarika ny Fiangonana ho any amin’nylalan-diso velively ny Tompo. Mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’nyfanambarana amin’ny Filohan’ny Fiangonana ny Tompo.)

Mety hanampy amin’ny fanazavana an’ilay fanapahan-kevitra ny hanajanona nyfampiharana ny fanambadiana maro ity manaraka ity:

“Ny Filoha George Q. Cannon dia niresaka momba ny dingana ara-panambaranaizay nahatonga ny Manifesto: ‘Mba mandeha tahaka anareo ihany koa nyFiadidian’ny Fiangonana,’ hoy izy. ‘Mila mandroso tahaka ny ataonareo izy ireo.Mila miantehitra amin’ireo fanambaran’ Andriamanitra izy ireo rehefa tongaaminy izany. Tsy afaka mahita ny farany hatrany am-boalohany izy ireo, tahakany ataon’ny Tompo.’ ‘Ny zavatra izay azontsika atao,’ hoy i Cannon, niresaka

momba ny Fiadidiana Voalohany, ‘dia ny mikatsaka ny fisainana sy ny fikasan’ Andriamanitra, aryrehefa tonga amintsika izany, na dia mety hifanohitra amin’ireo fahatsapana rehetra izay efatsapantsika teo aloha aza, dia tsy manana safidy afa-tsy ny hanaraka ilay dingana izay tondroin’Andriamanitra isika, ka hatoky Azy’” (“The Manifesto and the End of Plural Marriage,” [IlayManifesto sy ny Fiafaran’ny Fanambadiana Maro] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics).

Farano ny lesona amin’ny fanontaniana ireo mpianatra hoe:

• Araka ny zavatra izay nianaranao, inona no mety havalinao raha misymanontany anao hoe mampihatra ny fanambadiana maro ve ny Olomasin’nyAndro Farany?

Zarao ity fanambarana manaraka izay nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley(1910–2008) ity:

LESONA 20

120

Page 133: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

“Raha misy mpikambana ato amintsika tratra mampihatra ny fanambadianamaro, dia esorina tsy ho mpikambana izy, ilay sazy lehibe indrindra afakaomen’ny Fiangonana. … Mihoatra ny zato taona lasa izay no nambaran’Andriamanitra mazava tsara tamin’ny Mpaminaniny Wilford Woodruff fa nyfampiharana ny fanambadiana maro dia tokony hajanona, izany hoe ankehitrinyizany dia mifanohitra amin’ny lalàn’ Andriamanitra. Na dia any amin’ny firenena

izay manana lalàna sivily sy lalàm-piangonana manaiky ny fananana vady maro aza, diamampianatra ny Fiangonana fa vady tokana ihany no ao amin’ny fanambadiana ary tsy ekena nyfampiharan’ny mpikambana ao aminy ny fanambadiana maro” (“What Are People Asking aboutUs?” Ensign, nôv. 1998, 71–72).

Mety hanampy ihany koa ity andinin-tsoratra manaraka ity rehefa mifanakalohevitra momba ny fanaon’ny Fiangonana ankehitriny ianao:

“Araka ny fampianaran’i Joseph Smith, ny Fiangonana dia mamela ny lehilahy iray izay matyvady mba ho fehezina amin’ny vehivavy iray hafa rehefa manambady indray izy. Ankoatra izany,ny mpikambana dia afaka manatanteraka ny ôrdônansy ho an’ny lehilahy sy vehivavy efa matyizay nanambady maro teto an-tany, ka hamehy ilay lehilahy amin’ireo vady rehetra izaynovadiany ara-dalàna. Ny toetran’ireo fanambadiana ireo any amin’ny fiainana manaraka izaofiainana izao dia tsy fantatra, ary fifandraisam-pianakaviana maro no halamina any amin’nyfiainan-ko avy. Amporisihina ny Olomasin’ny Andro Farany mba hatoky ny fahendren’ny Ray anyAn-danitra, izay tia an’ireo zanany sy manao ny zava-drehetra ho amin’ny fivoarany sy nyfamonjena azy ireo” (“Plural Marriage in Kirtland and Nauvoo,” [Ny Fanambadiana Maro taoKirtland sy Nauvoo] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics).

Alohan’ny hamaranana ity lesona ity dia mety ho fahendrena ny milaza amin’ireompianatra fa misy olona sasany izay nihemotra avy tamin’ny Fiangonana nomampihatra ny fanambadiana maro ankehitriny. Mamporisika ny olona izy ireomba hivavaka sy hisaintsaina momba fampiharana ny fanambadiana maro rahamety. Tsy tokony hikatsaka ny hahazo fanambarana izay mifanohitra amin’nyzavatra izay efa nambaran’ny Tompo tamin’ny Mpaminaniny isika. Nanambara nyTompo tamin’ny alalan’ny mpaminaniny fa efa natsahatra ny fampiharana nyfanambadiana maro ao amin’ny Fiangonana. Na iza na iza manohana nyfampiharana ny fanambadiana maro ankehitriny dia tsy mpanompon’ny Tompo izy.

Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona momba an’i Joseph Smith. Azonao atao nymijoro ho vavolombelona fa nandray ary nankatò fanambarana avy tamin’Andriamanitra izy, tahaka ny nataon’ireo mpaminany taloha toa an’i Abrahama syIsaka ary Jakoba (jereo ny F&F 132:37).

Vakitenin’ny Mpianatra• Jakôba 2:27–30; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:1–3, 34–48, 54,

63; Fanambarana Ôfisialy 1.

• “Plural Marriage in The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints,” [NyFanambadiana Maro tao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’nyOlomasin’ny Andro Farany] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics.

LESONA 20

121

Page 134: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Fahatakarana ny Fanambadiana MaroFanambadiana Maro

“Mino ny Olomasin’ny Andro farany fa ny fanambadian’ny lehilahy iray sy ny vehivavy irayno lalàn’ny Tompo manan-kery mikasika ny fanambadiana. Tamin’ny fotoan’andron’nyBaiboly, dia nandidy ny sasany hanana vady maro ny Tompo—ny fanambadian’ny lehilahyiray sy ny vehivavy maro. Tamin’ny alalan’ny fanambarana, dia nandidy an’i Joseph Smithny Tompo mba hametraka ny fomba fampiharana ny fanambadiana maro teo anivon’nympikamban’ny Fiangonanana tamin’ny fiandohan’ny taona 1840. Nandritra ny dimampolotaona mihoatra, dia nampiharin’ny Olomasin’ny Andro Farany sasany ny fanambadianamaro teo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Fiangonana” (“Plural Marriage in The Church ofJesus Christ of Latter-day Saints,” [Ny Fanambadiana Maro tao amin’ny Fiangonan’i JesoaKristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics).

Didy Iray SarotraI Eliza R. Snow (1804–87), filoha faharoa an’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, dianofehezina tamin’ny Mpaminany Joseph Smith. Nanoratra izao traikefa manaraka izao izy izay ahitanany Mpaminany Joseph Smith nampianatra ny fitsipiky ny fanambadiana maro tamin’ny Lorenzo Snowanadahiny.

“Nanokatra ny fony tamin’ [i Lorenzo Snow] ny Mpaminany Joseph Smith, arynamariparitra ny hasarotan’ny fahorian-tsaina niainany mba handresy ny rikorikon’nyfahatsapany, ilay vokatra voajanaharin’ny fanabeazana sy ny fomba amam-panaoara-piaraha-monina, izay mifandray amin’ny fampidirana ny fanambadiana maro. Fantanyny feon’ Andriamanitra—fantany fa mila mandroso ilay didin’ilay Tsitoha ho azy—mbahaneho ny ohatra, ka hanorina ny fanambadiana maro araka ny fomba selestialy. Fantanyfa tsy ny fomba fiheviny sy ny fahatakarany taloha ihany no tsy maintsy niadiany synoreseny, fa ireo fitsarana an-tendrony izay avy amin’ny Kristianina rehetra ihany koa;saingy Andriamanitra, izay ambonin’ny rehetra, no nanome azy ny didy, ary tsy maintsyankatoavina Izy. Kanefa dia nisalasala ny Mpaminany ary nanemotra ombieny ombienyraha tsy nisy anjelin’ Andriamanitra nitsangana teo anilany niaraka tamin’ny sabatra, kaniteny azy hoe raha tsy nandroso izy ka nampiorina ny fanambadiana maro dia hoesorinany Fisoronany ary tsy maintsy hofongorana izy. Tsy tamin’ny anadahiko ihany no nizaranyizany tenivavolombelona izany, fa tamin’ny hafa ihany koa—tenivavolombelona izay tsyazo tsipahina” (Biography and Family Record of Lorenzo Snow [1884], 69–70).

Fitsapam-pinoanaMaro ireo izay nanana fahasahiranana tamin’ny fitsipiky ny fanambadiana maro no nahazo nyfitahian’ny tenivavolombelona izay nohamafisin’ny fanahy mikasika ny fahamarinan’ilay fitsipika.

“Araka ny nolazain’i Helen Mar Kimball, i Joseph Smith dia nilaza fa ‘ny fampiharana iofitsipika io no fitsapana mafy indrindra izay mety hitsapana ny finoan’ny Olomasina.’ Na

LESONA 20

122

Page 135: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

dia iray tamin’ireo fitsapana ‘mafy’ indrindra tamin’ny fiainany aza izany, dia nijoro hovavolombelona izy fa ‘iray tamin’ireo fitahiana lehibe’ azony ihany koa izany. …

“Nampahatsiahivin’i Lucy Walker ny korontana nisy tao aminy rehefa nasain’i Joseph Smithho lasa vadiny izy. ‘Ny fahatsapan’ny fanahiko rehetra dia nikomy nanohitra izany,’ hoy nynosoratany. Kanefa, taorian’ny tsy fatoriana maro nandohalihana amim-bavaka, dianahazo fahamaivanana izy rehefa ‘feno ny fitaomana masina’ tahaka ny ‘masoandromamiratra’ ny efitranony. Hoy izy hoe: ‘Feno fiadanana milamina sy tony ny fanahiko izaymbola tsy fantatro mihitsy,’ ary ‘fahasambaranana ambony dia ambony no nameno nytenako manontolo’” (“Plural Marriage in Kirtland and Nauvoo,” [Ny Fanambadiana Marotao Kirtland sy Nauvoo] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics).

I Joseph Smith sy ny Fanambadiana MaroMaro ireo vehivavy nofehezina tamin’i Joseph Smith, saingy tsy fantatra ny tena isany marina.

“Nandritra ny fotoana izay nampiharana ny fanambadiana maro, ny Olomasin’ny AndroFarany dia nampiavaka ny famehezana mandritra izao fiainana izao sy ho an’nymandrakizay amin’ny famehezana ho an’ny mandrakizay fotsiny. Ny famehezana mandritraizao fiainana izao sy ny mandrakizay dia ahitana ny fanoloran-tena sy ny fifandraisanamandritra ity fiainana ity, amin’ny ankapobeny dia ny mety hisian’ny firaisana ara-nofo. Nyfamehezana ho amin’ny mandrakizay fotsiny dia milaza ny fifandraisana any amin’nyfiainana aorian’izao fiainana izao fotsiny.

“… Nijoro ho vavolombelona ny sasany tamin’ireo vehivavy izay nofehezina tamin’iJoseph taty aoriana fa ny fanambadiany dia mandritra izao fiainana izao sy nymandrakizay, raha toa ka ny hafa dia nilaza fa ny fifandraisany dia ho amin’nymandrakizay fotsiny ihany.

“Ny ankamaroan’ireo izay nofehezina tamin’i Joseph Smith ireo dia nanelanelana ny 20 kahatramin’ny 40 taona tamin’ny fotoana izay nanaovana ny famehezana taminy. Ny zokinyindrindra dia i Fanny Young, izay 56 taona tamin’izay. Ny zandriny indrindra dia i HelenMar Kimball, … izay nofehezina tamin’i Joseph Smith volana vitsivitsy talohan’ny faha-15taonany. Ny fanambadiana amin’izany taona izany, izay tsy mety amin’ny fitsipikaamin’izao androntsika izao, dia ara-dalàna tamin’izany vanim-potoana izany, ary nyvehivavy sasany dia nanambady tany anelanelan’ny fahatanorany. Nilaza i Helen MarKimball momba ny famehezana azy tamin’i Joseph Smith fa ‘ho an’ny mandrakizay fotsiny’izany, izay midika fa tsy tafiditra tao amin’ny fiarahany ny firaisana ara-nofo. …

“… I Joseph Smith dia nofehezina tamin’ny vehivavy maro efa nanambady. Samy tsy nisynanazava betsaka mikasika an’ireo famehezana ireo na ireo vehivavy na i Joseph Smith, nadia betsaka aza ireo vehivavy nilaza fa ho an’ny mandrakizay fotsiny izany. Ny vehivavyhafa dia tsy nametraka rakitsoratra, ka nanjary tsy fantatra na nandritra izao fiainana izaosy ny mandrakizay ny famehezany na ho an’ny mandrakizay fotsiny.

“Misy fanazavana maro izay afaka ho hita momba an’io fomba io. Mety ho nanome lalananahafahana namorona fifamatorana mandrakizay na rohy mampifandray ny fianakavian’iJoseph sy ny fianakaviana hafa tao amin’ny fiangonana ireo famehezana ireo. Ireofamehezana ireo dia sady mivelatra amin’ny lafiny iray dia, manomboka amin’ny rayaman-dreny hatrany amin’ny zanaka, sy amin’ny ankilany, avy amin’ny fianakaviana iray

LESONA 20

123

Page 136: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

mankany amin’ny fianakaviana iray hafa. Ankehitriny dia tanteraka ny famatoranamandrakizay toy izany amin’ny alalan’ny fanambadiana any amin’ny tempolin’ny olonaizay fehezina ihany koa amin’ny zanaka ateraky ny fianakaviany, dia toy izany noampifandraisana miaraka ny fianakaviana” (“Plural Marriage in Kirtland and Nauvoo,” [NyFanambadiana Maro tao Kirtland sy Nauvoo] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics).

Taorian’ny nahafatesan’ny Mpaminany, dia maro ireo vehivavy nofehezina taminy izay tsy nananafifandraisana taminy teto an-tany.

Fanoherana ny Fanambadiana MaroMpitarika fivavahana sy ara-pôlitika maro tao Etazonia no nanohitra ny rafitry ny fanambadiana maro,izay noheveriny fa tsy mendrika sy tsy manaraka ny fandrosoana. Noesoina ny Olomasin’ny AndroFarany teny amin’ny resadresaka isan-karazany teo anivon’ny fiaraha-monina, ny boky, ny gazetibokyary ny gazety. Namoaka lalàna ny Kongresy Amerikanina izay nametra ny fahalalahan’nympikamban’ny Fiangonana sy nanimba ara-toe-karena ny Fiangonana tamin’ny fampihenana nyisan’ny fananana izay azon’ny Fiangonana ananana. “Izany lalàna izany dia nahatonga nymanampahefana hihazona sy hampiditra am-ponja ireo lehilahy izay nanam-bady mihoatra ny iray arynanaisotra tamin’izy ireo ny zo hifidy, ny zo ananany fiainana manokana any an-tokantranony, ary nyfizakana ireo ny zo hafa an’ny olom-pirenena” (Ny Lovantsika: Tantara fohy mikasika Ny Fiangonan’iJesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany [1996], 119-120). Ny taona 1890, dia Olomasin’nyAndro Farany an-jatony maro no naiditra am-ponja. Ny hafa kosa dia niafina mba tsy ho voasambotrana tafiditra am-ponja. Tamin’izany toe-javatra izany, maro ireo fianakaviana izay nijaly noho nyadin-tsaina, fahoriana, fahantrana, ary hanoanana.

Na dia naneso azy ireo aza izao tontolo izao noho ny fampiharany ny fanambadiana maro, diaOlomasin’ny Andro Farany maro no niaro ilay fomba sy nijoro ho vavolombelona fa nambaran’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith izany.

Ireo toe-javatra sarotra ireo no nitarika an’ny Filoha Wilford Woodruff ho nikatsaka amim-bavaka nyfitarihan’ny Tompo mikasika ny fampiharan’ny Olomasina ny fanambadiana maro. Tamin’ny taona1889, dia nampianatra ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana ny Filoha Woodruff mba hanajanonany fampianarana ny fitsipiky ny fanambadiana maro. Tamin’ny taona 1890, fanambadiana marovitsivitsy no notanterahina, ary ireo dia tsy araky ny torohevitry ny Filoha Woodruff. Na dia izany aza,dia mamoaka tatitra ny olona sasany fa mbola namporisika ny fampiharana ny fanambadiana marony Fiangonana. Ireo tatitra ireo no nitondra fanoherana bebe kokoa ny Fiangonana. Tamin’ny volanaseptambra 1890, dia namoaka ilay Manifesto ny Filoha Wilford Woodruff, izay fantatra amin’nyFanambarana Ôfisialy 1 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Ny Manifesto Faharoa“Ny Manifesto [Fanambarana Ôfisialy 1] dia milaza ny fikasan’ny Filoha [Wilford] Woodruff izaynanaiky ny lalàn’ny Etazonia. Tsy nilaza ny mikasika ny lalàn’ny firenena hafa izany. Hatramin’nynisokafan’ny fanjanahana tany Mexique sy Canada, dia nanatanteraka ny fanambadiana maro nympitarika tao amin’ny Fiangonana tamin’ireo firenena ireo, ary taorian’ny ôktôbra 1890, dia mbolanotanterahina mangingina tany hatrany ny fanambadiana maro. … Manoloana toe-javatra miavaka,dia fanambadiana maro vitsivitsy no notanterahina tany Etazonia teo anelanelan’ny taona 1890 sy1904, fa tsy mazava na nahazo lalana ireo fanambadiana ireo mba ho tanterahina tao amin’ireofirenena nanaovana azy” (“The Manifesto and the End of Plural Marriage,” [Ilay Manifesto sy nyFiafaran’ny Fanambadiana Maro] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics).

LESONA 20

124

Page 137: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

“Tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana aprily 1904, dia namoaka filazana feno fanerena ny Filoha[Joseph F.] Smith, izay fantatra amin’ny hoe Manifesto Faharoa, izay milaza fa saziana amin’nyfanalana tsy ho mpikambana ny fanambadiana maro” (“Plural Marriage in The Church of Jesus Christof Latter-day Saints,” [Ny Fanambadiana Maro tao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’nyOlomasin’ny Andro Farany] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics).

LESONA 20

125

Page 138: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

LESONA 21

Ilay Iraka amin’nymaha-Mpaminany an’iJoseph Smith

FampidiranaTaorian’ny nahafaty maritiora an’i Joseph Smith, ny LoholonaJohn Taylor, izay niaraka tamin’i Joseph Smith tamin’nynamonoana azy, dia nidera ny Mpaminany (angamba niarakatamin’ny Olomasina iray na mihoatra) tamin’ny filazana hoe:“Joseph Smith, ilay Mpaminany sy Mpahitan’ny Tompo diaefa nahavita mihoatra noho ny olona rehetra niaina tetoafa-tsy i Jesoa Kristy irery ihany, ho famonjena ny olona eo

amin’ity izao tontolo izao ity” (F&F 135:3). Hanampy nympianatra hahita ny fomba nanatanterahan’ny asafanompoan’ny Mpaminany an’ireo faminaniana taloha itylesona ity. Ity lesona ity ihany koa dia handinika ny anjarabiriky izay nentin’i Joseph ho amin’ny famonjena ny zanak’Andriamanitra rehetra.

Vakiteny Enti-mandalina• Neil L. Andersen, “Joseph Smith,” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 28–31.

• Tad R. Callister, “Joseph Smith—Prophet of the Restoration,” Ensign na Liahona,nôv. 2009, 35–37.

• “F&F 135:3. I Joseph Smith dia nahavita mihoatra noho ny olona rehetra niainateto, afa-tsy i Jesoa irery ihany,” Doctrine and Covenants Student Manual (Bokyfampianarana an’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana,2001), 349–50.

Sosokevitra Enti-mampianatra2 Nefia 3:1–21Ilay iraka nanendrena mialoha an’i Joseph SmithAsao ny mpianatra hizara ny zavatra tonga ao an-tsainy voalohany rehefamieritreritra an’i Joseph Smith izy ireo. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara fohifohyny fotoana iray izay nahafeno fankasitrahana azy ireo an’ny MpaminanyJoseph Smith.

Lazao ireo mpianatra fa i Nefia dia nanoratra torohevitra vitsivitsy izay nomen’iLehia an’i Josefa zanany. Io torohevitra io dia voarakitra ao amin’ny 2 Nefia 3 aryahitana faminaniana izay nomen’i Josefa tany Egypta mikasika ny fianakavian’iLehia sy ny andro farany. Azo inoana fa nianatra ireo faminaniana ireo i Lehia avytamin’ny famakiana ireo takela-barahina. Ao amin’ny 2 Nefia 3 isika dia mianatrafa i Josefa tany Egypta dia nilaza mialoha ilay asa nanirahana an’i Joseph Smithamin’ny andro farany. Angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Nefia 3:6–9.Amporisiho ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny sady hitady ny fombanamariparitan’i Josefa tany Egypta an’i Joseph Smith.

126

Page 139: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

• Inona ireo teny na andian-teny sasany izay nampiasain’i Josefa tany Egypta mbahamariparitana an’i Joseph Smith? (Tokony hahitana ireto ny valinteny:“mpahita nofinidy,” “hohajaina fatratra,” “lehibe eo imasoko,” ary “lehibetahaka an’i Mosesy.” Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisymarika ireo teny ireo ao amin’ny soratra masiny; eo amin’ny sisin’ny pejyakaikin’ny andininy 6–9, afaka soratany ihany koa hoe Joseph Smith.)

• Amin’ny fomba ahoana i Joseph Smith no tahaka an’i Mosesy sy i Josefa tanyEgypta? (Jereo koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 50:24–35 [aoamin’ny Torolalana ho an’ny Soraatra Masina].)

• Araka ny andininy 7–8, inona no hitan’i Josefa tany Egypta mialoha momba nyasa fanompoan’i Joseph Smith? (Alaivo antoka fa mahatakatra ity fahamarinanamanaraka ity ny mpianatra: Hatsangan’ny Tompo i Joseph Smith mbahitondra ny vahoaka ho amin’ny fahalalana ny fanekempihavanany syhanao ny asany.)

Asao ireo mpianatra mba hiasa tsiroaroa ka handalina ny 2 Nefia 3:7, 11–15, 18–21.Asao ny ekipa tsirairay mba hanao ny lisitr’ireo zavatra izay lazain’ny soratramasina fa hataon’i Joseph Smith mba hanampiana ny fanatanterahana ny asan’nyTompo. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra ny hanaovan’izy ireo io lisitraio amin’ny fanisiana marika ireo andian-teny manan-danja hitany ao amin’ireoandininy ireo. Rehefa avy nanome fotoana ampy, dia asao ny ekipa maromaro mbahizara ny zavatra hitany. (Tokony hahitana ireto ny valinteny: hitondra ny olona hoamin’ny fahalalana ireo fanekempihavanana [andininy 7]; hamoaka ny Bokin’iMôrmôna [andininy 13, 18–21]; handresy lahatra ny olona ny amin’nyfahamarinan’ny Baiboly [andininy 11]; hohatanjahina [andininy 13]; ary hitondrany olona ho amin’ny famonjena [andininy 15].)

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Filoha Brigham Young (1801–77) ity, ary asao nympianatra iray hamaky izany mafy:

“Efa nodidiana tany amin’ny filankevitry ny mandrakizay, ela be talohan’nynametrahana ny fototry ny tany, fa izy, Joseph Smith, no ilay lehilahy, amin’ityfotoampitantanana faran’ity tontolo ity, hamoaka ny tenin’ Andriamanitra hoan’ny vahoaka. … Ny Tompo dia nametraka ny fiahiany teo aminy, sy teoamin’ny rainy, sy teo amin’ny rain’ny rainy, ary teo amin’ny razambenymihemotra hatrany amin’i … Adama. Efa narahiny maso izany fianakaviana

izany sy izany firazanana izany nanomboka hatrany am-boalohany ka hatramin’nynahaterahan’izany lehilahy izany. Notendrena mialoha izy tao amin’ny mandrakizay mba hitarikaity fotoampitantanana farany ity” (Enseignements des Présidents de l’Église: Brigham Young[1997], 343).

Mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa ny fahamarinana sy nymaha-zava-dehibe ny iraka nanendrena mialoha an’i Joseph Smith, dia ifanakalozyhevitra ity manaraka ity:

• Nahoana no manan-danja aminao ny mahafantatra fa i Joseph Smith dia efanotendrena mialoha sy efa nomanina tany amin’ny fiainana talohan’nynahaterahana mba ho Mpaminanin’ny Famerenana amin’ny Laoniny?

LESONA 21

127

Page 140: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3I Joseph Smith dia efa “nahavita mihoatra noho ny olona rehetra niaina teto afa-tsyi Jesoa Kristy irery ihany, ho famonjena ny olona”Asao ny mpianatra hizara ny zavatra izay holazainy na hijoroany ho vavolombelonamikasika an’i Joseph Smith raha toa ka fehezanteny vitsy fotsiny no asainaanaovany izany. Hazavao fa taorian’ny nahafatesan’i Joseph Smith, dia nisyfanomezam-boninahitra an’i Joseph Smith izay nosoratana ary notehirizina hoantsika taty aoriana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Asaony mpianatra iray hamaky mafy ny fehezanteny voalohany ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3. Anontanio hoe:

• Inona no fahamarinana ambara ao amin’io fehezanteny io mikasika an’i JosephSmith? (Tokony ho hitan’ny mpianatra ity fahamarinana manaraka ity: I JosephSmith dia efa nahavita mihoatra noho ny olona rehetra niaina teto afa-tsy iJesoa Kristy, ho famonjena ny olona eo amin’ity izao tontolo izao ity.)

Mba hijerena ny asa sy ny fandraisana anjaran’ny Mpaminany Joseph Smith, diaalamino ho vondrona kely ireo mpianatra. Asaivo manao jery todika nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana izy ireo ary hieritreritra ireo lesona izayefa nianarana tato amin’ity fandaharam-pianarana ity hatreto. Asao izy ireo hanaony lisitr’ireo fitahiana sy fotopampianarana naverina tamin’ny laoniny tamin’nyalalan’ny Mpaminany Joseph Smith izay manampy amin’ny famonjena antsika.Rehafa avy nanome fotoana ampy, dia asao ny mpianatra mba hisafidy lohahevitrairay amin’ny lisitra izay nataony ka hizara amin’ny vondrona misy azy ny fombaiasan’izany eo amin’ny fiainany sy ny fomba itondran’izany azy mankany amin’nyfamonjena.

Mba hamintinana ny valintenin’ny mpianatra, dia asehoy ity fanambaranamanaraka nataon’ny Loholona Tad R. Callister ity, izay nanompo tao amin’nyFiadidian’ny Fitopololahy. Asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy ka manarakany mpianatra hafa:

“Tamin’ny alalan’i Joseph Smith no namerenana tamin’ny laoniny ny hery, nyfanalahidy, ny fampianarana, ary ny ôrdônansy rehetra ilaina amin’ny fanavotanasy ny fisandratana. Tsy afaka ny handeha any an-toeran-kafa ianao eto an-tanyka hahita izany. Tsy natao ho hita any amin’ny fiangonana hafa izany. Tsy nataoho hita ao amin’ny filôzôfian’ny olombelona na ny fikarohana ara-tsiansa na nyfivahinianana masina izany, na manao ahoana na manao ahoana ny mety ho

fahaizan’izany. Amin’ny toerana iray irery ihany no ahitana ny famonjena, araka izaynotondroin’ny Tompo rehefa nilaza Izy fa ity no ‘ilay hany fiangonana marina sy velona etoambonin’ny tany manontolo’ (F&F 1:30)” (“Joseph Smith—Prophet of the Restoration,” Ensignna Liahona, nôv. 2009, 37).

Omeo fotoana ireo mpianatra mba hisaintsaina ny fomba nandraisan’ny asafanompoan’i Joseph Smith anjara tamin’ny fanavotana azy ireo, dia anontanio avyeo hoe:

• Inona no fomba manokana izay mety hampiova ny fiainanao raha tsy nisy nyasa fanompoan’ny Mpaminany Joseph Smith?

LESONA 21

128

Page 141: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:1–2; JosephSmith—Tantara 1:33“Ho tsara sy ho ratsy laza any anivon’ny firenena … rehetra” ny anaran’iJoseph SmithLazao ireo mpianatra fa na dia teo aza ireo zavatra tsara izay nataon’i Joseph Smith,dia maro ireo mpanaratsy azy, indrindra indrindra rehefa akaiky ho faty izy. Efahitan’ireo mpaminany taloha mialoha ihany koa io lafiny amin’ny fiainany io (jereoohatra ny, 3 Nefia 21:10). Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny zavatra izaynolazain’i Môrônia tamin’i Joseph Smith momba ireo izay hanohitra azy, araka nyvoarakitra ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:33. Asao ny mpianatra iray hafahamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:1–2. Ampio ireompianatra mba hilaza fahamarinana iray avy amin’ireo andinin-tsoratra masinaireo amin’ny fanontaniana hoe:

• Ahoana no hamintinanao ny zavatra nianarantsika tamin’ireo andinin-tsoratramasina roa ireo momba ny fomba izay handraisan’ny olona an’i Joseph Smith?(Rehefa mizara ny famintinana izay natolony ny mpianatra, dia ampio izy ireohahatakatra ity fahamarinana ity: Raha maro amin’izao tontolo izao nohaneso sy tsy hanaja an’i Joseph Smith, ireo marina kosa dia hikatsakaireo fitahiana azo avy amin’ny alalan’ny asa fanompoany.)

• Nahoana araka ny hevitrao no manana mpitsikera sy fahavalo maro nyMpaminany Joseph Smith, na dia efa taona maro aza no efa lasa hatramin’nynahafatesany? (Ny fijoroana ho vavolombelona momba ny Famerenanaamin’ny Laoniny dia miankina amin’ny hoe mpaminany nanatanteraka nyasan’Andriamantra ve i Joseph Smith sa tsia. Noho izany i Satana dia tsymitsahatra nanaratsy an’i Joseph Smith.)

Asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’nyLoholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Ireo izay tsy mino ny asan’ny Famerenana amin’ny Laoniny dia tsy mino tsotraizao fa miteny amin’ny olona eto an-tany ny olona any an-danitra. Tsy mety hohisy izany, hoy izy ireo, ny hoe nisy takela-bolamena natolotry ny anjely iray kanadika tamin’ny herin’ Andriamanitra. Noho izany tsy finoana izany, dia mandàhaingana ny tenivavolombelon’i Joseph izy ireo, ary indrisy ny sasany dia hiafaraamin’ny fanalam-baraka ny fiainan’ny mpaminany ka hanendrikendrika azy.

“Malahelo isika indrindra fa rehefa misy olona iray izay nanaja an’i Joseph miala amin’izanyfahatokiany izany ka manaratsy ny Mpaminany.

“‘Ny mandalina ny Fiangonana … amin’ny mason’ireo mpamadika,’ hoy ny Loholona Neal A.Maxwell indray andro, dia ‘mitovy amin’ny hoe manadihady an’i Jodasy mba hahatakatra an’iJesoa. Ireo mpamadika dia milaza momba ny tenany manokana kokoa noho ny zavatra na olonaizay novadihany’ [“All Hell Is Moved” (Fivoriana fampaherezam-panahy tao amin’ny OniversiteBrigham Young, 8 nôv. 1977), 3; speeches.byu.edu]. …

“Hitombo ireo fanaratsiana atao momba ny Mpaminany Joseph Smith arakaraky ny fanatonan’nyFiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Tsy hihena ny filazana zavatra tsy tena marina sy nyfamitahana miaro hafetsena. Hisy olona ao amin’ny fianakaviana sy namana izay hila nyfanampianao. Izao no fotoana [hiomananao] hanampy ny hafa izay mikatsaka ny fahamarinana”(“Joseph Smith,” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 28–30).

LESONA 21

129

Page 142: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Mifanakaloza hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto:

• Nahoana no manampy ny mahafantatra fa na dia taona maro aza no efa lasahatramin’ny nahafatesan’i Joseph Smith, dia tsy mitsahatra mamely ny lazanyireo fahavalon’ny Fiangonana?

• Inona no azontsika atao mba hanampiana ireo izay mikatsaka ny fahamarinanahahafantatra fa mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith?

Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Neil L. Andersen ity, aryasao ny mpianatra iray mba hamaky mafy izany:

“Ny olona mikatsaka marina ny hahafantatra dia tokony hahita fa ny fielezan’nyfilazantsara naverina tamin’ny laoniny dia vokatry ny asan’ny Tompo amin’nyalalan’ny Mpaminany. …

“Hoy i Jesoa hoe:

“‘Ny hazo tsara tsy afaka mamoa voa ratsy, ny hazo ratsy tsy mamoa voatsara. …

“‘… Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy’ [Matio 7:18, 20].

“Mandresy lahatra ireo fanazavana ireo saingy tsy tokony hiantehitra amin’izy ireo fotsiny nyolona mikatsaka marina ny hahafantatra raha te-hampiorina ny fikarohany ny fahamarinana.

“Ny mpino tsirairay dia mila fanamafisana ara-panahy mikasika ny iraka masina nampanaovinany Mpaminany Joseph Smith sy mikasika ny toetrany. Marina izany ho an’ny taranaka rehetraizay mifandimby. Mendrika valinteny ara-panahy avy amin’ Andriamanitra ireo fanontanianaara-panahy” (“Joseph Smith,” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 29–30).

Omeo fahafahana hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany mikasika nyMpaminany Joseph Smith ny mpianatra amin’ny fametrahana ireto fanontanianamanaraka ireto:

• Inona eo amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny AndroFarany no hitanao fa manamarina ilay iraka amin’ny maha-Mpaminany an’iJoseph Smith?

• Inona no zavatra izay efa niainanao ka nanampy tamin’ny fanananao fijoroanaho vavolombelona momba ny Mpaminany Joseph Smith?

Farano ny lesona amin’ny fampisehoana ireto fanambarana manaraka ireto, izaynataon’i Bathsheba W. Smith (1822–1910), filoha fahefatra an’ny FikambananaIfanampiana maneran-tany, sy ny Filoha Brigham Young (1801–77). Samynahafantatra an’i Joseph Smith ny Rahavavy Smith sy ny Filoha Young tamin’nyfahavelony. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ireo fanambarana ireo:

“Vao naheno ny Filazantsara aho dia fantatro fa marina izany. Vao namakyvoalohany ny Bokin’i Môrmôna aho, dia fantatro fa araka ny tsindrimandrin’Andriamanitra izany. Vao nahita voalohany an’i Joseph Smith aho dia fantatro fanijoro nifanatrika tamin’ny mpaminan’ilay Andriamanitra velona, ary tsy nananafisalasalana tao an-tsaiko aho mikasika ny fahefany” (Bathsheba W. Smith,

LESONA 21

130

Page 143: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

voalaza ao amin’ny Filles dans Mon Royaume: L’histoire et l’Oeuvre de la Société de Secours[2011], 38).

“Te hihoby hoe ‘aleloia’ foana aho rehefa mieritreritra fa nahafantatra an’iJoseph Smith, ilay Mpaminany natsangana sy voatendrin’ny Tompo, sy nomenyireo fanalahidy sy hery hananganana ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany”(voalaza ao amin’ny Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith[2007], 531).

Asao ny mpianatra handinika ny fijoroany ho vavolombelona momba nyMpaminany Joseph Smith sy ny zavatra tokony hataony mba hizarana izanyamin’ny hafa, na izany amin’olona mivantana na amin’ny alalan’ny tambazotraifaneraserana. Amporisiho izy ireo mba hamantatra olona izay tiany hizarana izanyfijoroana ho vavolombelona izany ka hampihatra izany faniriana izany.

Vakitenin’ny Mpianatra• 2 Nefia 3:1–21; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:1–2; 135:3;

Joseph Smith—Tantara 1:33.

• Neil L. Andersen, “Joseph Smith,” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 28–31.

LESONA 21

131

Page 144: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

LESONA 22

Maty Maritiora nyMpaminany Joseph Smith

FampidiranaIreo mpikomy tao anatin’ny Fiangonana sy ireo mpanohitraivelan’ny Fiangonana no nahatonga ny Mpaminany JosephSmith sy i Hyrum Smith rahalahiny ho maty maritiora.Nanampy tamin’ny famehezana mahery nytenivavolombelon’izy ireo momba ny Bokin’i Môrmôna sy nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana ary nyfilazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ny

fahafatesan’izy ireo. Hanampy ireo mpianatra hanome lanjaireo fitahiana maro izay nomen’ny Tompo azy ireo tamin’nyalalan’ny asa fanompoan’ny Mpaminany Joseph Smith nyfandalinana ny fiainana sy ny nahafaty maritiora an’nyMpaminany Joseph Smith, izay tamin’ny alalany nonamerenan’ny Tompo tamin’ny laoniny ny filazantsaranytamin’ny andro farany.

Vakiteny Enti-mandalina• Thomas S. Monson, “The Prophet Joseph Smith: Teacher by Example,” Ensign

na Liahona, nôv. 2005, 67–70.

• “The Martyrdom,” toko 22 ao amin’ny Church History in the Fulness of TimesStudent Manual, fanon. faharoa (Boky fampianarana an’ny Departemantan’nyFampianaran’ny Fiangonana, 2003), 273–85.

• “Le martyre, le prophète scelle son témoignage de son sang,” toko 46 aoamin’ny Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith (2007), 567–80.

Sosokevitra Enti-mampianatraFotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:4–5; 136:36–39Nikasa hamono an’i Joseph Smith ireo fahavaloAsehoy ny sarin’ ny Fonjan’i Carthage.Hazavao amin’ny mpianatra fatamin’ny 27 jona 1844, dia matymaritiora tao amin’io fonja taoCarthage io ny mpaminany JosephSmith sy i Hyrum rahalahiny, izayPatriarikan’ny Fiangonana. 38 taona iJoseph Smith tamin’ny fotoananahafatesany, ary i Hyrum kosa 44.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafyny Fotopampianarana syFanekempihavanana 136:36–39 raha manaraka ny vakiteny ny mpianatra.Amporisiho ireo mpianatra rehefa mamaky mba hamantatra ny fombanamintinan’ny Tompo ny fiainan’i Joseph Smith sy ny asa notanterahiny. Avy eo diamifanakaloza hevitra momba ity fanontaniana manaraka ity:

• Ahoana no fomba namariparitan’ny Tompo ny fiainana sy ny asan’nyMpaminany Joseph Smith? (Tokony hahitana izao fahamarinana manaraka izao

132

Page 145: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

ny valintenin’ny mpianatra: Napetrak’i Joseph Smith ireo fototry ny asan’Andriamanitra ho an’ity fotoampitantanan’ny filazantsara ity. Tsynanan-tsiny ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny fotoana nahafatesany,ary notanterahiny tamin-pahatokiana ny iraka izay nomen’ Andriamanitraazy.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny sasany tamin’ireo toe-javatra izaynitondra tamin’ny fahafatesan’ny Mpaminany dia lazao izy ireo fa niaina fiadananaireo Olomasina tao amin’ny fanjakan’i Illinois nandritra ny telo taona, saingytamin’ny 1842 dia nanomboka niatrika fanoherana indray izy ireo. Mponina taoIllinois izay natahotra ny tanjaka ara-pôlitikan’ny Olomasina no anisan’ireompanohitra ny Fiangonana. Ny hafa indray dia nampitombo ny fialonana nyfiroboroboana ara-toekarena tao Nauvoo sy nitsikera ny herin’ny governemanta syny milisin’ny tanànan’i Nauvoo. Ny sasany dia diso fandray ny amin’ireofotopampianarana sy fombafomba manokan’ny Môrmôna. Ireo mpikomy taoamin’ny Fiangonana sy ireo mpanohitra ivelan’ny Fiangonana no nanambatra nyezaka nataony mba hiady tamin’ny Mpaminany sy ny Fiangonana.

Omeo tahadikan’ny taratasy zaraina izay hita any amin’ny faran’ity lesonaity ny mpianatra tsirairay. Asao ny mpianatra iray hamaky ny fizarana izay

mitondra ny lohateny hoe “Fanoherana ny Mpaminany sy ny Fiangonana.”

Hazavao fa tsy fandikan-dalàna ny manimba ny toerana fanaovan-gazety araka nylalàna izay nisy tamin’ny fotoana nahafatesan’ny Mpaminany. Vakio ityfanambarana manaraka nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’nyApôstôly Roambinifolo ity:

“Mbola tsy nolaniana ny fanitsiana ny lalam-panorenan’i Etazonia izay nanitatrany antoka amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety hiarovana amin’nyasan’ny governemantan’ny tany sy ny firenena raha tsy tamin’ny taona 1868, arytsy nampiharina ho raharahan’ny lalàna federaly izany raha tsy tamin’ny taona1931. … Tokony hifototra amin’ny lalàna sy ny didy ary ny toe-javatra nisytamin’ny andron’izy ireo no hitsarantsika ny asan’ireo izay nialoha lalana antsika

fa tsy araka ny androntsika” (“Joseph, the Man and the Prophet,” Ensign, mey 1996, 72).

• Nahoana no zava-dehibe ny mitadidy an’io fehezanteny farany amin’nyfanambaran’ny Loholona Oaks io rehefa mandinika na zavatra nataon’ireompitarika tao amin’ny Fiangonana tany am-boalohany isika? (Azonao atao nymanamarika fa mpikamban’ny Fiangonana ny ankamaroan’ireo mpikambanatao amin’ny filankevitry ny tanànan’i Nauvoo, kanefa dia nampihatra nyfahefany amin’ny maha mpiasam-panjakana voafidy azy izy ireo rehefa nandidyny handravàna asa fanaovan-gazety. Tsy nanao zavatra nanoherana ny asafanaovan-gazety ny Fiangonana amin’ny maha fikambanana azy, fa nyfilankevitry ny tanàna no nandray fepetra mba “hampihena ny …fanakorontanana” [ao amin’ny Tantaran’ny Fiangonana, 6:432]).

Asao ny mpianatra mba hamaky mafy ny fizarana izay mitondra ny lohateny hoe“Noampangaina tsy ara-drariny i Joseph sy i Hyrum” ao amin’ny taratasy zaraina.Miangavia mpianatra iray hafa hamaky mafy ny Fotopampianarana sy

LESONA 22

133

Page 146: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Fanekempihavanana 135:4. Asaivo manaraka ny mpianatra sady mitady nyfaminaniana nataon’i Joseph Smith rehefa nandeha tany Carthage izy.

• Na dia tsy lavorary avokoa aza ny olombelona rehetra, inona araka ny hevitraono hilaina amin’ny olona iray mba ho “madio ny fieritrereta[ny] ary tsy melokaamin’ Andriamanitra sy amin’ny olon-drehetra” izy? (F&F 135:4).

Hazavao fa rehefa niomana ny ho any amin’ny Fonjan’i Carthage i Hyrum Smithdia namaky ny Etera 12:36–38 izy ary avy eo dia navadiny ilay pejy. Asao nympianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:5,izay teny nindramina mivantana avy ao amin’ny Etera, sady manaraka nympianatra. Asao ny mpianatra handinika ny antony nahatonga an’ioandinin-tsoratra masina io ho nanan-danja tamin’i Hyrum. Afaka atoronao hevitraireo mpianatra mba hanisy marika ny teny na andian-teny izay hitan’izy ireo famiavaka.

• Inona ireo teny na andian-teny manokana amin’ireo andininy avy amin’nybokin’i Etera ireo no heverinao fa mety ho nanan-danja tamin’i Hyrum rehefaniatrika ny fanagadrana sy ny mety ho fahafatesana izy?

• Inona araka ny hevitrao no dikan’ity andian-teny ity: “Hahafantaran’nyolon-drehetra fa tsy voapentin’ny ranareo ny fitafiako”? (Asaivoampifandraisan’ny mpianatra ny andininy 5 sy ny Jakôba 1:19 ary ny Môsià 2:27hahitana ny hevitr’io andian-teny io. Fomba fandalinana soratra masina tenamanan-danja ny mianatra mampifandray ny andinin-tsoratra masina irayamin’ny andininy hafa izay misy hevi-baovao fanampiny.)

Asao ny mpianatra mba handinika ny fahatsapana izay mety ho nananan’i Josephsy i Hyrum rehefa nahafantatra fa nahatanteraka ny antsony sy ny andraikinymanoloana an’ Andriamanitra tamin’ny fahafahana izay tsara indrindra vitanyizy ireo.

• Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatr’i Joseph sy i Hyrum izay metyhanampy antsika hanatanteraka ireo adidy omen’ Andriamanitra antsika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:1–3, 6–7Famonoana ho maritiora tao amin’ny Fonjan’i Carthage sy ireofanomezam-boninahitra an’i Joseph SmithAsao ny mpianatra iray hamaky mafy ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 135. (Azonao atao ny manamarika fa nyfahasamihafana misy ao amin’ny sasin-teny ho an’io fizarana io ao amin’ny soratramasina fanontana 1981 sy 2013 dia mampiseho ny fikarohana natao vao tsy ela.)Asao ny mpianatra maromaro hifandimby hamaky ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 135:1–2 sy ny fizarana izay mitondra ny lohateny hoe “MatyMaritiora tao amin’ny Fonjan’i Carthage” ao amin’ny taratasy zaraina. Asaivomanaraka ny vakiteny ny mpianatra mandritra ny famakian’ireo mpianatra ireo.

• Inona araka ny hevitrao no dikan’ny andian-teny hoe: “ho famehezana nytenivavolombelon’ity boky ity sy ny Bokin’i Môrmôna”?

Rehefa mizara ny heviny ireo mpianatra, dia soraty eny amin’ny solaitrabe ityfamaritana manaraka ity: ny hoe “famehezana” dia fanorenana zavatra maharitra, toy

LESONA 22

134

Page 147: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

ny tenivavolombelona. Azonao toroina hevitra ny mpianatra mba hanoratra iofamaritana io ao amin’ny soratra masiny eo akaikin’ny andininy 1.

Asao ny mpianatra mba hamaky am-pahanginana ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 135:3, 6–7, sady hitady ny sasany amin’ireo fahamarinana izayianarantsika avy amin’io filazana ny fahafatesana ho maritiora an’i Joseph sy iHyrum Smith io.

• Inona no fahamarinana nianaranao avy amin’io filazana ny fahafatesana homaritiora an’i Joseph sy i Hyrum Smith io? (Mety hahita fahamarinana maro nympianatra, anisan’izany ity manaraka ity: I Joseph Smith dia efa nahavitamihoatra noho ny olona rehetra niaina teto afa-tsy i Jesoa Kristy, hofamonjena ny olona eto amin’ity izao tontolo izao ity. Navoaka ny Bokin’iMôrmôna sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ho famonjenaan’izao tontolo izao ity.)

• Amin’ny fomba manokana ahoana, araka ny hevitrao, no mety hiovan’nyfiainanao raha tsy nisy ny asa fanompoan’ny Mpaminany Joseph Smith?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fanambarana avy amin’ny LoholonaDallin H. Oaks izay hita eo amin’ny taratasy zaraina, fizarana mitondra ny lohatenyhoe “Fanomezam-boninahitra ny Mpaminany Joseph Smith.”

• Inona no maha-zava-dehibe ny fahafantarana fa nihevitra an’i Joseph Smith hompaminany ary “olona manan-kaja sy tsara toetra” ireo mpiara-miasaakaiky aminy?

Farano amin’ny fanontaniana ny mpianatra raha misy te hizara ny fijoroany hovavolombelona mikasika an’i Joseph Smith ny sasany amin’izy ireo. Amporisiho nympianatra mba hitady fahafahana hizara ny fijoroany ho vavolombelona amin’nyhafa mandritra ny andro vitsivitsy manaraka mikasika ny Mpaminany Joseph Smithsy ny andraikiny tamin’ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’iJesoa Kristy.

Vakitenin’ny Mpianatra• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:1–7; 136:36–39.

• Thomas S. Monson, “The Prophet Joseph Smith: Teacher by Example,” Ensignna Liahona, nôv. 2005, 67–70.

Maty Maritiora ny Mpaminany Joseph SmithFanoherana ny Mpaminany sy ny FiangonanaNihamafy ny lolom-pon’ny olona tamin’ny Fiangonana ny volana jona 1844. Nifanakalo hevitramikasika ny fandroahana ny Olomasina hiala ny firenena ny mponina sasany tao Illinois, raha ny hafakosa nitetika ny hamono an’i Joseph Smith. Mpikamban’ny Fiangonana taloha izay nihemotra nysasany tamin’ireo izay niray tetika nanohitra an’i Joseph Smith sy ny Fiangonana. Tamin’ny 7 jona1844, dia namoaka ny laharana voalohan’ny gazety iray izay nantsoina hoe Nauvoo Expositor iWilliam Law, izay nanompo tamin’ny maha-Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohanyniaraka tamin’ireo mpihemotra hafa. Nampiasain’ireo lehilahy ireo io gazety io mbahanendrikendrehana an’i Joseph Smith sy ny mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana, tao anatin’ny

LESONA 22

135

Page 148: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

fikasana hampirehitra ny vahoaka hanohitra an’i Joseph Smith sy ny Fiangonana. Niaiky i Joseph, izayniasa tamin’ny naha-ben’ny tanànan’i Nauvoo azy, niaraka tamin’ny ankamaroan’ny filankevitrytanànan’i Nauvoo fa hiteraka korontana ao amin’ny tanàna io gazety nilaza zavatra mampiady io.Nambaran’izy ireo fa mpihetraketraka vahoaka ilay gazety ka nanome baiko ny handravana ilaygazety Nauvoo Expositor izy ireo.

Noampangaina tsy ara-drariny i Joseph sy i Hyrum“Noho ny [fandravana ny Nauvoo Expositor] izay nataon’ny ben’ny tanàna sy ny filankevitry nytanàna, dia namoaka fiampangana tsy marim-pototra ho famporisihana ho amin’ny korontanananohitra an’i Joseph Smith, Hyrum rahalahiny sy manampahefana hafa tao an-tanànan’i Nauvoo ireomanampahefana tao Illinois. Nandidy ireo lehilahy mba hotsaraina tany Carthage, Illinois, izay toeranamisy ny fitantanana ny fanjakana, i Thomas Ford, governoran’i Illinois ary nampanantena fiarovana hoazy ireo. Fantatr’i Joseph fa hiharan-doza lehibe ny ainy raha mankany Carthage izy, noho ireompihetraketraka izay nandrahona azy.

“Noho ny fieritreretany fa izy ireo ihany no tadiavin’ireo mpihetraketraka, dia nanapa-kevitra i Josephsy i Hyrum ny hiala nankany andrefana mba hitsimbinana ny ain’izy ireo. Niampita ny reniranoMississipi izy ireo ny 23 jona, fa taorian’izay tamin’io andro io, dia nisy rahalahy avy tany Nauvoonahita ny Mpaminany ka nilaza taminy fa hisy andian’olona hanafika ny tanàna raha toa ka tsynivoaka nanatona ny manampahefana tany Carthage izy. Nanaiky nanao izany ny Mpaminany,nanantena fa nampitony ny governemanta sy ireo mpihetraketraka. Ny 24 jona dia nanao veloma nyfianakaviany i Joseph sy i Hyrum Smith ary nandeha tany Carthage niaraka tamin’ireomanampahefan’ny tanàna, nitonon-tena an-tsitrapo tamin’ireo manampahefana tao Carthage nyampitson’iny. Rehefa nahazo fahafahana vonjimaika ireo mpirahalahy tamin’ny fiampanganavoalohany, dia noampangaina tsy ara-drariny ho mpamadika ny faritanin’i Illinois izy ireo,nosamborina ary naiditra am-ponja tao amin’ny Fonjan’i Carthage mandra-piandry ny fitsarana.Niaraka tamin’izy ireo an-tsitrapo ny Loholona John Taylor sy Willard Richards, ireo hany mpikambanatao amin’ny Roambinifololahy izay tsy nanao asa fitoriana” (Enseignements des Présidents de l’Église:Joseph Smith [2007], 567–68).

Fahafatesana ho Maritiora tao amin’ny Fonjan’i CarthageNandritra ny andro tamin’ny 27 jona 1844, dia nisy mpitsidika iray nanome basy an’i Joseph. Rehefaniezaka niditra ny efitrano nisy ny Mpaminany sy ireo lehilahy hafa ireo mpihetraketraka, dia voatifitrai Hyrum ka maty, ho fiarovana ireo rehetra izay tao anatin’ilay efitrano. Nihazakazaka nankeo amin’nyvaravarana i Joseph ka nahazo ny sisin’ny varavarana ka nitifitra nankany amin’ny lalantsara. Telotamin’ireo bala enina ihany no nipoaka, ka nahavoa ny maro tamin’ireo mpihetraketraka.Nampidirin’ireo mpihetraketraka tamin’ny varavarana izay tsy mikatona tsara ny basiny, arynanandrana nikapoka tamin’ny tehina ny loham-basin’izy ireo i John Taylor.

Rehefa nihamafy ny ady teo am-baravarana, dia niezaka nitsoaka ny efitrano teo am-baravarankely iJohn Taylor. Rehefa nanandrana nitsambikina teo am-baravarankely izy, dia voatifitra tamin’ny fenyary nisy olona ihany koa nahatifitra azy avy tany ivelany. Lavo tamin’ny tany izy, ary raha nanandranany hisitrika tao ambany fandriana teo akaikin’ny varavarana izy dia voatifitra intelo ka naratra mafy.Nandritra izany fotoana izany, rehefa niditra teo amin’ny varavarana ny basy maro, dia nanombokanamely azy ireo tamin’ny tehina i Willard Richards.

Ary nanapa-kevitra ny hitsoaka tamin’ilay varavarankely i Joseph Smith. Raha mbola nanohy nampialaireo mpihetraketraka teo amin’ny varavarana i Willard Richards, dia nitsambikina avy teo amin’nyvaravarankely i Joseph Smith. Teo am-panaovany izany no nahavoa azy ny bala na avy tao anaty natany ivelan’ny fonja. Nianjera teo amin’ny varavarankely izy sady nihiaka hoe: “Tompo, Andriamanitroô!” ka latsaka tamin’ny tany. Nihazakazaka nankany ivelany ireo izay anisan’ny mpihetraketraka taoanatin’ny fonja mba haka toky fa maty i Joseph. Na dia tsy nisy mpikamban’ny Fiangonana aza

LESONA 22

136

Page 149: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

tamin’ny lalana nankany Carthage, dia nisy olona nihiaka hoe: “Tonga ny Môrmôna!” ka nandositraireo mpihetraketraka rehetra.

Ireo fanomezam-boninahitra ny Mpaminany Joseph SmithNilaza ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, hoe:

“Ny olona izay nahafantatra an’i Joseph Smith sy niaraka taminy teoakaikiny tao amin’ny fitarihana ny Fiangonana dia tia sy nanohana azy hompaminany. Nisafidy ny ho faty teo akaikiny i Hyrum rahalahiny. I JohnTaylor, izay niaraka taminy koa tamin’ny namonoana azy, dia nilaza hoe:‘Mijoro ho vavolombelona aho manoloana an’ Andriamanitra sy ireo anjelyary ny olona, fa olona tsara sy mendri-kaja ary tsara toetra izy … —fa

fakan-tahaka ny toetrany manokana sy ny toetrany amin’ny olona—ary niaina sy matytamin’ny naha olon’ Andriamanitra azy izy’ (The Gospel Kingdom [1987], 355; jereo koa nyF&F 135:3). Hoy i Brigham Young: ‘Tsy mino aho hoe misy lehilahy miaina eto an-tany kanahafantatra an’i [Joseph Smith] kokoa noho izaho; ary sahy aho milaza fa, ankoatra an’iJesoa Kristy, dia tsy misy olona tsara noho izy izay niaina na miaina eto an-tany’[Discourses of Brigham Young, sel. John A. Widtsoe (1954), 459]” (“Joseph, the Man andthe Prophet,” Ensign, mey 1996, 73).

LESONA 22

137

Page 150: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

LESONA 23

Ny Fifandimbiasana aoamin’ny Fiadidiana

FampidiranaTamin’ny faramparan’ny fiainany dia nanome nyfanalahidin’ny fisoronana an’ity fotoampitantanana itytamin’ireo mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny ApôstolyRoambinifolo i Joseph Smith. Taorian’ny nahafaty maritioraan’ny Mpaminany dia nisy fivoriana natao tamin’ny8 aogôsitra 1844, izay nahazoan’ny Olomasina marofisehoana ara-panahy nanamafy azy ireo fa i Brigham Young,

izay Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, nohitantana ny Fiangonana. Rehefa mahatakatra ny fitsipikamifandray amin’ny fifandimbiasana ao amin’ny Fiadidian’nyFiangonana ireo mpianatra, dia hanana fahatokiana izy ireofa efa nofinidy sy nomanin’ny Tompo ny olona tsirairay izaylasa Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’nyOlomasin’ny Andro Farany.

Vakiteny Enti-mandalina• “Succession in the Presidency,” toko 3 ao amin’ny Teachings of the Living

Prophets Student Manual (Boky fampianarana an’ny Departemantan’nyFampianaran’ny Fiangonana, 2010), 28–41.

• “The Twelve to Bear Off the Kingdom,” toko 23 ao amin’ny Church History inthe Fulness of Times Student Manual, fanontana faha-2 (Boky fampianarana an’nyDepartemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, 2003), 286–96.

• Brent L. Top and Lawrence R. Flake, “‘The Kingdom of God Will Roll On’:Succession in the Presidency,” Ensign, aog. 1996, 22–35.

Sosokevitra Enti-mampianatraFotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:33; 112:30–32Mihazona ireo fanalahidin’ity fotoampitantanana ity ny ApôstôlyApetraho ity fanontaniana manaraka ity:

• Inona no mahasamihafa ny fomba fifidianana ny Filohan’ Ny Fiangonan’i JesoaKristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’ny fomba fifidianana ireompitarika amin’ny fikambanana hafa?

Ampahafantaro ny mpianatra fa ity lesona ity dia handinika ny famindrana nyfitarihana ny Fiangonana taorian’ny nahafatesan’ny Mpaminany Joseph Smith.Hazavao fa taona maro talohan’ny nahafatesany dia efa nandray fanambaranamikasika ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo nyMpaminany. Asao ny mpianatra mba handalina ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 107:33 sy 112:30–32 sady hitady ny famariparitan’ny Tompony fahefan’ny fisoronana izay hazonin’ny mpikambana ao amin’ny FiadidianaVoalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

• Ahoana no namariparitan’ny Tompo ny fahefan’ny Fiadidiana Voalohany sy nyKôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo? (Ataovy izay hahatakaran’ny mpianatra ityfitsipika manaraka ity: Mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana an’ity

138

Page 151: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

fotoampitantanana ity ireo mpikambana ao amin’ny FiadidianaVoalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary nyRoambinifololahy dia miasa eo ambany fitarihan’ny FiadidianaVoalohany.)

Omeo tahadikan’ny taratasy zaraina izay hita any amin’ny faran’ny lesonany mpianatra tsirairay. Hazavao fa nandany ireo volana farany izay

niainany tamin’ny fivoriana matetika niaraka tamin’ireo mpikambana tao amin’nyKôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo i Joseph Smith mba hanomana azy ireo hitarikany Fiangonana. Asaivo mamaky mafy ny fizarana izay mitondra ny lohateny hoe“Fivoriana niaraka tamin’ireo Apôstôly Roambinifolo, martsa 1844” ao amin’nytaratasy zaraina ny mpianatra iray. Lazao ireo mpianatra fa fitantarana fohy nyfivoriana nataon’ny Mpaminany Joseph Smith niaraka tamin’ireo Apôstôly sy nympitarika hafa tao amin’ny Fiangonana ity, araka ny fitantarana izay nataon’iWilford Woodruff, izay Apôstôly tamin’izany fotoana izany. Aorian’ny vakiteny, diaanontanio hoe:

• Tamin’ny fomba ahoana no nahafahan’io fanomezana fanalahidy an’ireompikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo io nanampytamin’ny fanomanana azy ireo amin’ny fotoana izay tsy hiarahan’nyMpaminany Joseph Smith intsony amin’izy ireo? (Nahazo ireo fanalahidin’nyfisoronana nitovy tamin’ireo izay nohazonin’ny Mpaminany Joseph izy ireo.)

• Inona no naha-zava-dehibe ny nanomezan’i Joseph Smith ireo fanalahidin’nyfisoronana ireo ho an’ireo Apôstôly talohan’ny nahafatesany? (Tamin’izanyfotoana izany dia i Joseph Smith irery ihany no hany nihazona ireofanalahidin’ny fisoronana rehetra an’ity fotoampitantanana ity. Raha tsynanome ireo fanalahidy ireo tamin’ny hafa izy, dia tsy maintsy ho tonga etyan-tany indray ireo anjely mba hamerina izany.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:127–28Nandimby an’i Joseph Smith i Brigham Young ho Filohan’ny FiangonanaHazavao fa tamin’ny voalohany izay nananganana ny Kôlejin’ny ApôstôlyRoambinifolo tamin’ny 1835, dia arakaraka ny taona no namaritana ny fizokiana. IThomas B. Marsh, izay noheverina ho be taona indrindra tamin’izany fotoanaizany, no natao ho Apôstôly zokiny indrindra (fantatra taty aoriana fa i David W.Patten no be taona indrindra tamin’ireo Apôstôly).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 124:127–28. Hazavao fa tamin’ny volana ôktôbra 1838, dianihemotra ny Filoha Marsh ka nandao ny Fiangonana ary maty kosa i David W.Patten. I Brigham Young avy eo no lasa Apôstoly zokiny indrindra, araka ny voazavaao amin’ireo andininy ireo. Taorian’ny fifidianana voalohany ny Apôstôly kahatramin’izao, dia ny datin’ny fanendrena no namaritana ny Apôstôly ela niasanaindrindra.

Hazavao fa rehefa maty maritiora i Joseph Smith tamin’ny 27 jona 1844, dia nanaoasa fitoriana tany andrefan’i Etazonia ny Roambinifololahy, ankoatra an’i JohnTaylor sy i Willard Richards. Tao anatin’ny telo herinandro anefa dia nahafantatraan’ilay vaovao mampalahelo avokoa ireo Apôstôly ka niverina haingana tany

LESONA 23

139

Page 152: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Nauvoo. Rehefa tonga ireo Apôstôly, dia nahita fisafotofotoana teo anivon’nympikambana momba ny hoe iza no hitarika ny Fiangonana. Ny mpikamban’nyFiangonana sasany dia nino fa rariny ny tokony handraisan’ny Kôlejin’ny ApôstôlyRoambinifolo ny fitarihana. Tao anatin’ny volana manaraka dia lehilahy maro nonihambo fa nanana ny zo hitarihana ny Fiangonana izy ireo. Asao ny mpianatra roahamaky mafy ny fizarana izay mitondra ny lohateny hoe “Ny Fitakian’i SidneyRigdon” sy “Ny Fitakian’i James Strang” ao amin’ny taratasy zaraina. Eoam-pihainoan’ny mpianatra, dia asao izy ireo hieritreritra ny mety ho ahiahinymomba ireo fihamboana ireo raha toa ka tany Nauvoo izy ireo tamin’izanyfotoana izany.

Tohizo izany amin’ny fanontaniana ireo mpianatra hoe:

• Nahoana no tsy ara-drariny ny fitakiana izay nataon’ireo lehilahy ireo? (Metyho ilainao ny manamarika fa na dia tao amin’ny Fiadidiana Voalohany aza iSidney Rigdon dia tsy nomen’i Joseph ireo fanalahidin’ny fisoronana izy.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fizarana izay mitondra ny lohateny hoe“7 aogôsitra 1844” ao amin’ny taratasy zaraina. Ifanakalozy hevitra miarakaamin’ny mpianatra izao fanontaniana izao:

• Inona no maha-zava-dehibe ny tenivavolombelon’i Brigham Young mikasikaireo fanalahidin’ny maha-Apôstôly? (Aorian’ny valintenin’ny mpianatra, diasoraty eny amin’ny solaitrabe ity fotompianarana manaraka ity: Mihazona ireofanalahidin’ny fisoronana rehetra izay ilaina hitarihana ny Fiangonanaireo Apôstôly.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fizarana mitondra ny lohateny hoe:“8 aogôsitra 1844, tamin’ny 10 ora maraina” ao amin’ny taratasy zaraina.

• Ahoana no nitahian’ny Tompo ireo Olomasina mba hahafantarany ny olonaizay voatendriny hitarika ny Fiangonana?

• Ahoana no ahafantarantsika fa voantson’ Andriamanitra ireo mpitarika aoamin’ny Fiangonana ankehitriny? (Aorian’ny valintenin’ireo mpianatra, diasoraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Amin’ny alalan’nyFanahy Masina dia afaka mandray tenivavolombelona isika fa voantson’Andriamanitra ireo izay mitarika ny Fiangonana.)

• Oviana no efa nahatsapanao ny Fanahy Masina nijoro ho vavolombelonataminao fa voantson’ Andriamanitra ny Filohan’ny Fiangonana ankehitriny?

Hazavao fa nandritra ny fivoriana izay natao tamin’ny 2 ora tolakandron’ny8 aogôsitra, dia nandray fitenenana i Brigham Young sy ny Apôstôly hafa. Asaivomamaky mafy ny fizarana izay mitondra ny lohateny hoe “8 aogôsitra 1844,tamin’ny 2 ora tolakandro” ao amin’ny taratasy zaraina ny mpianatra iray.

Hazavao fa rehefa maty i Joseph Smith, dia afaka nampiasa avy hatrany ireofanalahidin’ny fisoronana rehetra i Brigham Young, amin’ny maha-Apôstôly elaniasana indrindra azy. Nandritra ny telo taona mahery taorian’ny nahafatymaritiora an’ny Mpaminany dia nitarika ny Fiangonana ny Kôlejin’ny ApôstôlyRoambinifolo, teo ambany fitarihan’i Brigham Young. Ary tamin’ny 5 desambra1847 dia notohanana ho Filohan’ny Fiangonana i Brigham Young ary naverinanarafitra ny Fiadidiana Voalohany.

LESONA 23

140

Page 153: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Nifindra tany Pittsburgh, Pennsylvanie i Sidney Rigdon ary nanangana Fiangonan’iKristy iray izay nisy apôstôly, mpaminany, mpisorona ary mpanjaka. Rava iofiangonana io tamin’ny 1847. Ary na dia tsy marina aza ny fihamboan’i JamesStrang ho ao amin’ny fiadidiana, dia nanohana azy ny telo tamin’ireo Apôstôly tanyam-boalohany—i William E. McLellin sy i John E. Page ary i William Smith.Novonoin’ireo mpanara-dia nanana lolom-po taminy i Strang tamin’ny 1856.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny dingana amin’ny fifandimbiasanaao amin’ny Fiadidian’ny Fiangonana ankehitriny, dia asehoy ity fanambaranamanaraka ntaon’ny Filoha Boyd K. Packer tao amin’ny Kôlejin’ny ApôstôlyRoambinifolo ity, izay miresaka momba ny zava-nitranga taorian’ny nahafatesan’nyFiloha Gordon B. Hinckley. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ilay fanambarana:

“Tsy nisy fanontaniana mikasika ny zavatra tokony ho natao, tsy nisyfisalalasalana. Fantatray fa ny Apôstôly ela niasana indrindra no Filohan’nyFiangonana. Ary tamin’izany fivoriana masina izany dia i Thomas SpencerMonson no notohanan’ny Kôlejin’ny Apôstoly Roambinifolo ho Filohan’nyFiangonana. … Ankehitriny, araka ny voalazan’ny soratra masina, dia izy no hanylehilahy eto an-tany izay manana ny zo hampiasa ny fanalahidy rehetra. Saingy

mihazona izany avokoa izahay amin’ny maha-Apôstôly anay. Misy lehilahy iray eo anivonayvoantso sy notendrena, ka lasa Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny AndroFarany izy” (“The Twelve,” Ensign na Liahona, mey 2008, 83).

• Aorian’ny fahafatesan’ny Filohan’ny Fiangonana, iza foana no lasa Filohan’nyFiangonana manaraka? (Ny Apôstôly ela niasana indrindra, izay Filohan’nyKôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.)

Mety hanontany tena ireo mpianatra hoe oviana ny Filohan’ny Fiangonana nomandray ireo fanalahidy ilaina hitarihana ny Fiangonana. Hazavao fa omena nyApôstôly ireo fanalahidy rehetra rehefa tendrena ho Apôstôly izy. Asao nympianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny FilohaGordon B. Hinckley (1910–2008) ity:

“Fa ny fahefana hampiasa ireo fanalahidy ireo dia voafetra ho an’ny Filohan’nyFiangonana ihany. Rehefa maty izy, dia lasa manan-kery eo am-pelatanan’nyApôstôly ela niasana indrindra izany fahefana izany, izay antsoina sy atokana arytendren’ny mpiara-miasa aminy ao amin’ny Filankevitry ny Roambinifololahy avyeo ho mpaminany sy Filoha” (“Come and Partake,” Ensign, mey 1986, 47).

• Inona no fahatsapana anananao rehefa mahafantatra fa handroso hatrany nyfanjakan’ny Tompo miaraka amin’ny fiatoana kely rehefa maty ny Filohan’nyFiangonana iray?

Azonao atao ny mamarana ity lesona ity amin’ny fijoroana ho vavolombelona faireo fanalahidy sy herin’ny fisoronana izay nomen’i Joseph Smith an’i BrighamYoung sy ireo mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ihany nohazonin’ny Filohan’ny Fiangonana sy ireo mpanolotsainy ary ireo mpikambana aoamin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ankehitriny. Azonao zaraina ihany koa

LESONA 23

141

Page 154: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

ny fomba nahazoanao ny fijoroanao ho vavolombelona fa voantson’ Andriamanitraireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Asao ny mpianatra hikatsaka amim-bavakamba hahazo na hampatanjaka ny fijoroany ho vavolombelona momba nyfahamarinana izay nianarany androany.

Vakitenin’ny Mpianatra• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:33; 112:30–32; 124:127–28.

• Boyd K. Packer, “The Twelve,” Ensign na Liahona, mey 2008, 83–87.

Fifandimbiasana tao amin’ny Fiadidian’nyFiangonanaFivoriana niaraka tamin’ireo Apôstôly Roambinifolo, martsa 1844Nampahatsiahy ny Filoha Wilford Woodruff (1807–98) hoe:

“Tsaroako ny lahateny farany nomen’i [Joseph Smith] anay talohan’nynahafatesany. … Nijoro nandritra ny telo ora izy. Tahaka ny heniky ny afomandevona ny efitrano, nazava tahaka ny metaly mamiratra ny tarehiny,ary nitafy ny herin’ Andriamanitra izy. Nazavainy taminay ny andraikitray.Nazavainy taminay ny fahafenoan’ity asa lehiben’ Andriamanitra ity; aryhoy izy nanao fanamarihana taminay: ‘Efa nofeheziko teo ambony lohako

avokoa ny fanalahidy rehetra, ny hery rehetra, ny fitsipiky ny fiainana sy ny famonjenarehetra izay nomen’ Andriamanitra ny lehilahy rehetra izay niaina teto ambonin’ny tany.Ary ireo fitsipika ireo sy io Fisoronana sy hery io dia an’ity fotoampitantanana lehibe syfarany ity izay naninjiran’ Andriamanitry ny Lanitra ny tanany mba hatsangana eto an-tany.Ankehitriny’ hoy izy, niresaka tamin’ny Roambinifololahy, ‘nofeheziko teo ambonylohanareo ny fanalahidy rehetra sy ny hery rehetra ary ny fitsipika rehetra izay nofehezin’Andriamanitra tambonin’ny lohako.’ …

“Rehefa avy niresaka taminay toy izany izy dia niteny hoe: ‘Milaza aminareo aho,mipetraka eo an-tsorokareo izao ny enta-mavesatr’ity fanjakana ity; anjaranareo nymitondra izany amin’izao tontolo izao’” (voalaza ao amin’ny Enseignements des Présidentsde l’Église: Joseph Smith [2007], 571-71).

Ny Fitakian’i Sidney RigdonTonga tao Nauvoo i Sidney Rigdon, Mpanolotsaina Voalohany tao amin’ny Fiadidiana Voalohany,tamin’ny 3 aogôsitra 1844, avy tany Pittsburgh, Pennsylvanie. Nanao fiantsoana fivoriana manokanaizy ho tanterahina tamin’ny talata 6 aogôsitra mba hahafahan’ny mpikamban’ny Fiangonana nifidympiahy ny Fiangonana. Sahala amin’ny hoe niezaka nanao io fivoriana io i Sidney Rigdon mbahahafahan’ny mpikamban’ny Fiangonana hanamarina ny toerany amin’ny maha mpiahy nyFiangonana azy alohan’ny hiverenan’ireo Apôstôly Roambinifolo avy any amin’ny asa fitoriany tanyandrefan’i Etazonia. Soa ihany fa, noho ny ezaka nataon’ny Loholona Willard Richards sy ny LoholonaParley P. Pratt, dia nahemotra ny alakamisy 8 aogôsitra 1844 ilay fivoriana, izay fotoana niverenan’nyankamaroan’ireo Apôstôly tao Nauvoo.

Nitaky i Sidney Rigdon fa satria nantsoina sy notendrena ho mpitondra tenin’i Joseph Smith izy teoaloha (jereo ny F&F 100:9), dia andraikiny ny “mijery fa voatantana amin’ny fomba mety nyFiangonana” (ao amin’ny History of the Church, 7:229).

LESONA 23

142

Page 155: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Ny Fitakian’i James StrangTaorian’ny nahafatesan’i Joseph Smith dia nilaza i James Strang, izay natao batisa tamin’ny volanafebroary 1844, fa nahazo taratasy avy tamin’i Joseph Smith izy izay nilaza fa nanondro an’i Strang iJoseph mba ho mpandimby azy. Hosoka ilay taratasy, saingy toa nahitana ny sonian’i Joseph Smithizany, ka namitaka ny sasany tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana izany rehefa nasehon’i Strangtamin’izy ireo. Nilaza ihany koa i Strang fa notsidihin’ny anjely iray izy, izay nanome fanalahidy azy.

7 aogôsitra 1844Efa tao Nauvoo ny Loholona isany John Taylor, Willard Richards, Parley P. Pratt, ary George A. Smithtamin’ny nahatongavan’i Sydney Rigdon. Ny ankamaroan’ireo Apôstôly, anisan’izany i BrighamYoung, dia niverina tao Nauvoo ny tolakandron’ny 6 aogôsitra 1844. Ny ampitson’io, ny 7 aogôsitra,dia nivory nanao filankevitra tao amin’ny tranon’i John Taylor ireo Apôstôly. Avy eo ny tolakandron’io,dia niara-nivory ireo Apôstoly Roambinifolo, ny filankevitra avo, sy ireo mpisorona avo. Nangatakaan’i Sidney Rigdon ny Filoha Young mba hilaza ny hafany tamin’ny Olomasina. Nilazatamim-pahasahiana i Sidney Rigdon fa nahita fahitana ary tsy misy olona afaka mandimby an’i JosephSmith ho Filohan’ny Fiangonana. Dia nanome sosokevitra izy fa izy no voatondro ho mpiahy nyvahoaka.

Taorian’ny namaranan’i Sidney Rigdon ny fanamarihany, dia niteny i Brigham Young (1801–77):

“Tsy miraharaha izay hitarika ny fiangonana aho, … fa ny zavatra iray izaytsy maintsy fantako, dia ny zavatra lazain’ Andriamanitra momba izany.Ananako ireo fanalahidy sy ny fomba hahazoana mahafantatra ny sain’Andriamanitra momba io lohahevitra io. …

“Nomen’i Joseph teo ambony lohanay avokoa ireo fanalahidy sy heryrehetran’ny maha-Apôstôly izay nohazoniny talohan’ny nahalasana, ary tsy

misy olona na olona voatokana eto amin’izao tontolo izao na ny tontolo hoavy izay afakamipetraka eo anelanelan’i Joseph sy ny Roambinifololahy.

“Impiry i Joseph no niteny tamin’ny Roambinifololahy hoe: ‘Efa napetrako ny fototra ka tsymaintsy manorina eo amboniny ianareo, fa mitoetra eo an-tsorokareo ny fanjakana’” (aoamin’ny History of the Church, 7:230).

8 aogôsitra 1844, tamin’ny 10 ora marainaTamin’ny 8 aogôsitra 1844 dia nivory ireo Olomasina tao Nauvoo tamin’ny 10 maraina mba hihainony fihamboan’i Sidney Rigdon ho mpiahy ny Fiangonana. Niresaka tamin’ireo Olomasina tafavoryan’arivony maro izy nandritra ny adiny iray sy sasany, nanazava ny antony tsy maintsy ho izy nympiahy ny Fiangonana. Olona maro no nanoritsoritra ny lahateniny ho tsy nentanim-panahy.

Niteny fohifohy ny Filoha Brigham Young ka nilaza fa naleony niverina tany Nauvoo mba hisaonaan’ny Mpaminany toy izay hijanona nanendry mpitarika vaovao. Nanambara izy fa hisy fivorian’nympitarika sy mpikambana ny harivan’io andro io tamin’ny 2 ora tolakandro. Mpikamban’nyFiangonana maro no nijoro ho vavolombelona taty aoriana fa rehefa niteny i Brigham Young, diahitany niova ny endriny ary henony niova ny feony, ka nandray ny endrika sy ny feon’ny MpaminanyJoseph Smith izy.

Nahatsiaro i Emily Smith Hoyt: “Nampihetsi-po be ny fanahiko manontolo ilay fomba fisainana, ilayfisehon’ny tarehy, ilay fahenoana ny feo. … Fantatro fa maty i Joseph. Kanefa dia matetika aho notaitra ka nijery tsy nahy teny amin’ny lampihazo mba hijery raha tsy i Joseph izany. Tsy izy izany, fa iBrigham Young” (voalaza ao amin’ny Lynne Watkins Jorgensen, “The Mantle of the Prophet Joseph

LESONA 23

143

Page 156: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Passes to Brother Brigham: A Collective Spiritual Witness,” BYU Studies, boky 36, lah. 4[1996–97], 142).

Nanoratra i Wilford Woodruff hoe: “Raha tsy hitako tamin’ny masoko izy, dia tsy nisy afaka nandresylahatra ahy hoe tsy i Joseph Smith izany, ary na iza na iza dia afaka mijoro ho vavolombelon’izanyizay nahafantatra an’ireo lehilahy roa ireo” (ao amin’ny History of the Church, 7:236).

8 aogôsitra 1844, tamin’ny 2 ora tolakandroTamin’ny 2 ora tolakandro dia Olomasina an’arivony maro no vory ho amin’izay noheverin’izy ireo hofivoriana manan-danja. Nilaza mazava i Brigham Young momba ilay fanosoran-tenan’i Sidney Rigdonho mpiahy sy ny fisarahany tamin’i Joseph Smith nandritra ny roa taona mialoha ka hoy izy hoe:

“Raha tian’ny vahoaka hitarika azy ireo ny Filoha Rigdon dia ho izany izy; nefa milazaaminareo aho fa ny Kôlejin’ny Roambinifololahy no manana ireo fanalahidin’ny fanjakan’Andriamanitra amin’izao tontolo izao manontolo.

“Ny Roambinifololahy no notendren’ny rantsantanan’ Andriamanitra. Indro i Brigham, efaniahotrahotra ve izy tamin’ny zavatra tokony nataony? Efa nandainga ve izy? Indro i Heber[C. Kimball] sy ny ambiny amin’ny Roambinifolo, olona samihafa manana ireofanalahidy—ireo fanalahidin’ny fanjakan’ Andriamanitra ho an’izao tontolo izao: marinaizany, koa ampio aho Andriamanitra. Nanara-dia an’i Joseph izy ireo, ary mitovy amin’nyFiadidiana Voalohany” (ao amin’ny History of the Church, 7:233).

Nanamarika ny Olomasina maro fa nitovy tamin’i Joseph ny endrika sy ny feon’i Brigham Youngrehefa niteny izy tamin’io tolakandro io. Ankoatra ilay fahagagana dia maro tamin’ny Olomasina koano nahatsapa ny Fanahy Masina nijoro ho vavolombelona fa voantson’ Andriamanitra mba hitarika nyFiangonana i Brigham Young sy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy. Tamin’ny faran’io fivoriana io, dianiray feo ny Olomasina tao Nauvoo nanohana ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, niaraka tamin’iBrigham Young ho lohany, mba hitarika ny Fiangonana. Na izany aza, dia tsy ny mpikamban’nyFiangonana rehetra no nisafidy nanaraka ny Apôstôly tamin’ny farany. Nisafidy ny hanaraka an’ireoolon-tokana toa an-dry Sidney Rigdon sy i James Strang ny sasany tamin’ireo vahoaka izaynanangana ny fiangonany manokana.

LESONA 23

144

Page 157: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

LESONA 24

Ny nandaozana an’iNauvoo sy ny dianiankandrefana

FampidiranaTeo ambany fitarihana nentanim-panahy an’i Brigham Youngdia vitan’ny Olomasina ny fanorenana ny Tempolin’i Nauvoo,izay toerana nanaovan’izy ireo fanekempihavanana masinatalohan’ny nanombohan’izy ireo ny dia tena mafy nankanyamin’ny fonenany vaovao tany amin’ny MontagnesRocheuses. Nanome hery sy fitaomam-panahy ho an’ireo

Olomasina ireo fanekempihavanan’ny tempoly ireo tamin’nyfiatrehana ireo zava-tsarotra teny amin’ny lalany. Amin’nymaha-mpandova ny lova napetrak’ireo Olomasina mahatokyireo antsika dia afaka mianatra avy amin’ny ohatr’izy ireoisika ka manomana ny fomba ahafahan’ny hafa mandray nyfitahian’ny filazantsara.

Vakiteny Enti-mandalina• Gordon B. Hinckley, “True to the Faith,” Ensign, mey 1997, 65–67.

• M. Russell Ballard, “You Have Nothing to Fear from the Journey,” Ensign, mey1997, 59–61.

• Church History in the Fulness of Times Student Manual, fanontana faha-2 (Bokyfampianarana an’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, 2003),302–14, 329–36.

145

Page 158: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Sosokevitra Enti-mampianatraFahavitan’ny Tempolin’i Nauvoo

LESONA 24

146

Page 159: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Asehoy ny sarin’ ny Tempolin’i Nauvoo voalohany, na ampiasao ny sarin’nyTempolin’i Nauvoo Illinois vaovao (jereo ny Boky mirakitra sary momba nyFilazantsara [2009], lah. 118). Lazao ireo mpianatra fa taorian’ny nandaozan’ireoOlomasina an’i Nauvoo dia ravan’ny afo ny tempoly izay naorin’izy ireo tamin’ny1848 ary saika narodan’ny rambon-danitra tanteraka izany tamin’ny 1850. Tokonyho 150 taona taty aoriana dia nisy tempoly vaovao izay tena nitovy tamin’nytempoly tamin’ny voalohany naorina ary notokanana tamin’ny jona 2002.

Hazavao fa taorian’ny nahafaty maritiora an’i Joseph Smith dia niasa teo ambanyfitarihan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny Olomasina mba hamita hainganaaraka izay vitany ilay Tempolin’i Nauvoo tany am-boalohany. Asehoy ityfanambarana manaraka ity ary asao ny mpianatra hamaky izany mafy. Asao ireompianatra handray naoty ireo sorona nataon’ireo Olomasina mba hanamboaranany Tempolin’i Nauvoo.

LESONA 24

147

Page 160: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

“1.000 mahery ireo olona nanome ny andro fahafolo hiasana. I Louisa Decker, tovovavy kely, dianihetsi-po tokoa nahita an-dreniny nivarotra ny vilia bakoliny sy ny lambam-pandrianany tsaratarehy ho fandraisany anjara amin’ny fananganana ny tempoly. Ny Olomasin’ny Andro Faranysasany dia nanome soavaly, kalesy, omby, kisoa ary voamaina mba hanampiana amin’nyfananganana ny tempoly. Ny vehivavy tao Nauvoo dia nasaina nandoa ny anjara vola kelinyamin’ny vola hanamboarana tempoly” (Ny Lovantsika: Tantara fohy mikasika Ny Fiangonan’iJesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany [1996], 72).

I Elizabeth Terry Kirby Heward dia nanome ny hany fananany izay azony nomena—nyfamantaranandron’ny vadiny izay maty vao tsy ela. “Nomeko izany mba hanampiana nyTempolin’i Nauvoo sy ireo zavatra hafa rehetra izay azoko nomena ary ny vola kely farany izaymba nananako tamin’izao tontolo izao, izay raha natambatra dia nanome 50 dôlara” (voalaza aoamin’ny Carol Cornwall Madsen, In Their Own Words: Women and the Story of Nauvoo[1994], 180).

Hazavao fa noho ny fitombon’ny fanenjehana ny olomasina sy ny fandrahonanaavy amin’ireo fahavalon’ny Fiangonana, dia nilaza ny mpitarika tao amin’nyFiangonana tamin’ny 24 septambra 1845 fa tokony handao an’i Nauvoo ireoOlomasina ny lohataona manaraka. Anontanio ireo mpianatra hoe:

• Inona araka ny hevitrao no fiantraikan’ny fanapahan-kevitra ny handao an’iNauvoo teo amin’ny ezaky ny Olomasina tamin’ny famitana ny tempoly?

Hazavao amin’ny mpianatra fa na dia efa nahafantatra aza ny Olomasina fa tokonyhandao an’i Nauvoo, dia nampitomboiny ny ezaka nataony mba hamitana nytempoly alohan’ny niaingany. Notokanana ireo efitrano tao amin’ny tempoly rehefavita mba hahafahana nanatanteraka ôrdônansy faran’izay aloha. Talohan’nynahafatesany, dia nanatanteraka fombafomban’ny fanafiana masin’ny tempoly hoan’ny andiana lehilahy sy vehivavy vitsy ny Mpaminany Joseph Smith. Tamin’ny10 desambra 1845, dia nanomboka nanatanteraka ordônansin’ny tempoly ho an’nympikambana hafa ireo lehilahy ireo tao amin’ny efitranon’ny tempoly voatokana.Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ireto andinin-tsoratra roa ireto, izaymanoritsoritra ny ezak’ireo Olomasina sy ny mpitarika azy ireo mba nahafahan’nyolona farany izay betsaka indrindra nandray ireo ôrdonansin’ny tempolymialohan’ny nandaozana an’i Nauvoo:

Nanomboka tamin’ny 1844 ka hatramin’ny 1846, dia nataon’ny Filoha BrighamYoung sy ireo Apôstôly Roambinifolo ho laharam-pahamehana ny famitana nyTempolin’i Nauvoo. Nisy ny fanafiana masina izay notanterahina tao na diatalohan’ny nahavitan’ny fanamboarana aza. Ny Filoha Brigham Young (1801–77)dia nilaza hoe: “Lehibe aok’izany ny hetahetan’ireo olomasina handraisan’izy ireoireo ôrdônansin’[ny tempoly], ary lehibe aok’izany koa ny hetahetanaynanatanteraka izany ho azy ireo, ka nahatonga ahy nanolo-tena tanteraka hoamin’ny asan’ny Tompo tao amin’ny Tempoly andro aman’alina, ary tsy natorynihoatra ny adiny efatra teo isan’andro, ary tsy nody tany an-trano afa-tsy indraymandeha isan-kerinandro” (ao amin’ny History of the Church, 7:567).

Ankoatr’ireo lehilahy izay niasa tao amin’ny Tempoly, dia “vehivavy enina ambytelopolo no lasa mpisahana ny fanaovana ôrdônansy tao amin’ny Tempolin’ny

LESONA 24

148

Page 161: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Nauvoo, niasa andro aman’alina nandritra ny ririnina 1845–46 mba hanatanterakany ôrdônansy ho an’ny olona farany izay betsaka mialohan’ny fifindrana. ‘Niasa tsyan-kijanona tao amin’ny tempoly aho isan’andro mandra-pikatony,’ hoy ElizabethAnn Whitney, iray tamin’ireo enina amby telopolo. ‘Nahafoy ny tenako sy nyfotoanako ary ny saiko aho ho amin’izany asa izany.’ Vehivavy hafa am-polonymaro no nanasa ny akanjo sy nikarakara ny sakafo izay nanohana izany asamiavaka izany” (Carol Cornwall Madsen, “Faith and Community: Women ofNauvoo,” ao amin’ny Joseph Smith: The Prophet, The Man, ed. Susan Easton Black syCharles D. Tate Zanany. [1993], 233–34).

Hazavao fa teo anelanelan’ny 10 desambra 1845 sy ny 7 febroary 1846—daty izaynanombohan’ireo Olomasina niainga ho amin’ny dia nankany andrefana—diaOlomasina niisa 5.615 no nandray ny ôrdônansin’ny fanafiana masina tao amin’nyTempolin’i Nauvoo ary maro ireo fianakaviana izay nofehezina tao.

• Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fahafoizana izay nataon’ireoOlomasina mba hamitana ny tempoly, na dia fantany aza fa tsy ho ela dia hialaan’i Nauvoo izy ireo? (Mety hahita fitsipika isan-karazany ireo mpianatra, toyizao manaraka izao: Mendriky ny ezaka marina sy ny fahafoizana rehetraataontsika ny fandraisana ireo ôrdônansin’ny tempoly. Soraty eny amin’nysolaitrabe izany ho fanamafisana.)

• Tamin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no mety nahafahan’ny fandraisanaireo ôrdônansy ireo nanomana an’ireo izay nandao an’i Nauvoo nandehamihoatra ny 1.600 km mba hikaroka fialofana tany amin’ny faritra andrefan’iEtazonia?

Mba hanampiana amin’ny famaliana io fanontaniana io, dia asehoy iretofanambarana manaraka nataon’ny Rahavavy Sarah Rich sy ny Loholona Robert D.Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ireto, ary asao ny mpianatrairay hamaky izany mafy:

“Raha tsy ny finoana sy ny fahalalana izay nomena anay tao amin’io tempoly iotamin’ny alalan’ny fitaomana sy ny fanampian’ny Fanahin’ny Tompo, dia hotahaka ny olona iray izay mitsambikina ao anatin’ny haizina ny dianay” (SarahRich, voalaza ao amin’ny Filles dans Mon Royaume: L’histoire et l’Oeuvre de laSociété de Secours [2011], 34).

“Nofehezina tamin’ny naha-fianakaviana azy ireo razambentsika mpamaky laytao Nauvoo. Nitondra fiarovana ho azy ireo nandritra ny diany niankandrefanaireo fanekempihavanana nataony tamin’ny Tompo tao amin’ny Tempolin’iNauvoo, tahaka izany koa ho antsika tsirairay ankehitriny sy mandritra nyfiainantsika. …

“Ho an’ireo Olomasina tany am-boalohany ireo, dia nanan-danja tamin’nyfijoroany ho vavolombelona ny fandraisany anjara tamin’ireo ôrdônansin’ny tempoly ireo rehefaniatrika ny zava-tsarotra, ny mpihetraketraka, ny fandroahana azy ireo hiala ny fonenany tsaratao Nauvoo, ary ny dia lava sy sarotra hataony. Nandray ny fanafiana masina tamin-kery taoamin’ny tempoly masina izy ireo. Nofehezina ny mpivady. Nofehezina tamin’ny ray aman-dreniny

LESONA 24

149

Page 162: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

ny ankizy. Maro tamin’izy ireo no namoy fianakaviana teny an-dalana, kanefa fantatr’izy ireo fatsy mbola tapitra teo ny an’izy ireo. Nofehezina ho amin’ny mandrakizay tany amin’ny tempolyizy ireo” (Robert D. Hales, “Temple Blessings,” New Era, feb. 2014, 4).

Anontanio ireo mpianatra hoe:

• Inona no fiantraikan’ny fandraisana ireo ôrdônasin’ny tempoly teo amin’ireoOlomasina tany am-boalohany izay voatery nanao dia lava niankandrefana?(Rehefa mizara ny valinteniny ny mpianatra, dia ampio izy ireo hahatakatra ityfitsipika manaraka ity: Afaka mitondra fiarovana sy hery ho antsika ireoôrdônansin’ny tempoly rehefa miatrika fotoan-tsarotra sy fahoriana isika.)

• Ahoana no efa niarovana sy nampaherezan’ny fitsaohana any amin’ny tempolyanao na ny olona fantatrao nandritra ny fotoan-tsarotra?

Amporisiho ireo mpianatra hisaintsaina ny zavatra izay azony atao mba hahitafiarovana sy hery bebe kokoa amin’ny alalan’ny fitsaohana any amin’nytranon’ny Tompo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136Ny toromariky ny Tompo ho an’ireo izay nandeha niankandrefana

Asao ny mpianatra hijery ny ao amin’ny sarintanin’ny toerana manan-tantara hoan’ny Fiangonana lah. 6, “Ny Dia Miankandrefana nataon’ny Fiangonana,” aryasao izy ireo hitady an’i Nauvoo sy Winter Quarters. Hazavao fa noho ny orana betafahoatra sy ny tsy fahampian’ny fitaovana, dia nandany efa-bolana ireoOlomasina izay nandao an’i Nauvoo tamin’ny febroary 1846 nanaovana ny 480 kmnamakivaky an’i Iowa. Nandritra io fotoana io dia lehilahy Olomasin’ny AndroFarany mihoatra ny 500—izay lasa fantatra tamin’ny hoe Andia-miaramilaMôrmôna—no nanaiky ny fiantsoan’ny Filoha Brigham Young ka nirotsaka taoamin’ny Tafika Amerikanina mba hanompo nandritra ny ady nifanaovan’i Etazoniasy i Mexique. Nanaraka ny sasany tamin’ireo lehilahy ireo ny vady aman-janany.Nahazoana vola ny fanompoan’izy ireo mba hanampiana ireo mpikamban’nyFiangonana mahantra hanao ny dia niankandrefana, kanefa fianakaviana maro notsy nisy vady na ray nandritra ny ampahany tamin’ny dian’izy ireo niankandrefana.Noho ireo antony ireo dia nanapa-kevitra ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonanany tsy nanohy niankandrefana ho any amin’ny Montagnes Rocheuses raha tsy ny

LESONA 24

150

Page 163: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

lohataonan’ny 1847. Nanorim-ponenana tao amin’ny toerana izay nantsoin’izy ireohoe Winter Quarters ireo Olomasina. Tao no nandraisan’i Brigham Young nyfanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 136.

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:1–5. Asaivo manaraka ny vakitenyny mpianatra sady mitady ny zavatra nampianarin’ny Tompo mba hataon’nyOlomasina hiomanana amin’ny fanohizana ny dia niankandrefana.

• Tamin’ny fomba ahoana no nandaminana ireo andiany? Ahoana araka nyhevitrao no nanampian’io fandaminana io ny Olomasina tamin’nydian’izy ireo?

• Ahoana no itovizan’io fandaminana io amin’ny fomba izay andaminana nyFiangonana ankehitriny? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra, dia azonao atao nymanoratra ity famaritana ity eny amin’ny solaitrabe: Alamin’ny Tompo hovondrona ny Olomasiny mba ahafahan’ny olona tsirairay ho voatarika syvoakarakara.)

• Inona no ampianarin’ny andininy 4 momba ny fomba hahazoan’ny Olomasinahery rehefa miezaka manatanteraka ny sitrapon’ny Tompo izy?

Asaivo mamaky am-pahanginana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana136:6–11 ny mpianatra, sady mitady ny fomba nandaminana ny Olomasina mbahifampijery ny filàn’ny tsirairay ka hanampy ireo mahantra sy ny sahirana nandritrailay dia niakandrefana. Rehefa nanome fotoana ampy, dia apetraho iretofanontaniana manaraka ireto mba hitarihana ny ady hevitra:

• Inona ao amin’nyandininy 6–11 no teny na andian-teny izay manondro nyfomba nifampikarakaran’ireo Olomasina sy ny nikarakarany ireo mahantra?(Azonao hamafisina ny teny hoe “manomana” ao amin’ny andininy 6 sy 7 ary 9.Hanintona ny saina amin’ilay fahaiza-mandalina ny soratra masina amin’nyfijerena ny teny miverimberina izany.)

• Araka ny andininy 11, inona avy ireo fampananten’ny Tompo ho an’ireo izaymikatsaka ny hanampy ny hafa sy manomana ny lalana ho azy ireo? (Rehefamamaly ny mpianatra, dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manarakaity: Hitahy antsika ny Tompo rehefa manampy ny hafa sy manomana nylalana ho azy ireo isika.)

• Iza no nanomana ny lalana ho anao mba handraisanao ireo fitahian’nyfilazantsara? Inona no nataon’izy ireo nanomanana ny lalana ho anao?

Azonao atao ny manazava fa ny hoe mpamaky lay dia azo faritana amin’ny hoeolona iray izay mialoha lalana mba hanomana na hanokatra ny lalana harahin’nyhafa, izany hoe isika rehetra dia afaka ny ho mpamaky lay amin’ny heviny hafa.Omeo fotoana ireo mpianatra hisaintsainany ny zavatra azony atao mbahanampiana ny hafa sy hanomanany ny lalana ho azy ireo handray ireo fitahian’nyfilazantsara. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny hevitr’izy ireo. Mijoroa hovavolombelona fa maniry antsika ny Tompo mba hiezaka mandritra ny fiainantsikahanampy amin’ny fanomanana ny lalana ho an’ny zanany tsirairay mba handray nyfilazantsara sy hiverina hiaina miaraka aminy indray.

LESONA 24

151

Page 164: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Hazavao fa nankatò ny didin’ny Tompo ireo Olomasina tamin’ny fifanampian’izyireo sy ny fanomanana ny lalana ho an’ireo izay mbola ho avy aorian’izy ireo.Niainga avy tao Winter Quarters tamin’ny 5 aprily 1847 ny andiany voalohanytamin’ireo mpamaky lay. Nandeha nihoatra ny 1.600 km izy ireo ary tonga taoamin’ny tany lemak’i Salt Lake tamin’ny faramparan’ny jolay 1847. Niditra taoamin’ilay tany lemaka i Brigham Young tamin’ny 24 jolay 1847 ary nahazofanamafisana fa nahita ny fonenany vaovao ny Olomasina.

Asehoy ity fanambarana manaraka avy tamin’ny Loholona William R. Walker,mpikambana teo aloha tao amin’ny Fotopololahy, ity ary asao ny mpianatra iraymba hamaky mafy izany:

“Na taranak’ireo mpamaky lay ianareo na tsia dia lovanareo ny lovan’ny finoanasy ny fahafoizan-tenan’ny mpamaky lay Môrmôna. Izany no lova sarobidin’ NyFiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany” (“Aoka IanaoHiaina ao anatin’ny Fifikirana amin’ny Finoana,” Ensign na Liahona, mey2014, 97-98).

• Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe amin’ny mpikamban’ny Fiangonanatsirairay ny mahatakatra fa lovan’izy ireo ny “lovan’ny finoana sy nyfahafoizan-tenan’ny mpamaky lay Môrmôna,” na inona na inona razambeny?

• Amin’ny fomba ahoana no anentanan’ny fianarana momba ny dian’ireompamaky lay Môrmôna an’ireo mpikamban’ny Fiangonana ankehitrinyamin’ny ezaka izay ataony hanompoana ny hafa sy hanampy azy amin’ny diamiverina mankany amin’ny Ray any An-danitra?

Asehoy ity fanambarana manaraka avy tamin’ny Filoha Gordon B. Hinckley(1910–2008) ity, ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

“Mpandray ny ezaka lehiben’ireo [mpamaky lay] isika ankehitriny. Manantenaaho fa feno fankasitrahana isika. Manantena aho fa misy fahatsapana lalinahankasitraka ny zavatra rehetra izay nataony ho antsika ao anatin’ny fontsika. …

“Ry rahalahiko sy anabaviko malala, tena voatahy isika! Endrey izany lova tenatsara izay ananantsika! Nitaky sorona, fangirifiriana, fahafatesana, fahitana,finoana ary fahalalana sy fijoroana ho vavolombelona an’ Andriamanitra ilay Ray

Mandrakizay sy ny Zanany, ilay Jesoa Kristy Tompo nitsangan-ko velona izany. …

“Manome voninahitra an’ireo izay efa lasa teo aloha isika rehefa manompo tsara ao amin’nyasan’ny fahamarinana” (“True to the Faith,” Ensign, mey 1997, 66–67).

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay dia efanotahian’ny hafa izay nanomana ny lalana ho azy mba handray ireo fitahian’nyfilazantsara. Amporisiho ny mpianatra mba handinika ny zavatra izay azony ataomba hanomana ny hafa, anisan’izany ny taranany, mba hiaina ao amin’ny finoanasy ny fankatoavana an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

LESONA 24

152

Page 165: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Vakitenin’ny Mpianatra• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136.

• Gordon B. Hinckley, “True to the Faith,” Ensign, mey 1997, 65–67.

LESONA 24

153

Page 166: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

LESONA 25

Ny Ady tao Utah sy nyFandripahana taoMountain Meadows

FampidiranaNandritra ny taona 1850, dia ny nitarika ny ady tao Utahtamin’ny 1857–58 ny fifanenjanana sy ny tsy fifankahazoanatamin’ny Olomasin’ny Andro Farany sy ireomanampahefan’ny governemanta Amerikanina. Tamin’nyvolana septambra 1857, dia teraka ny fifandirana teoamin’ny Olomasin’ny Andro Farany tao amin’ny faritra

atsimon’i Utah sy ireo mpifindra monina an-tsarety izay teoan-dalana ho any Californie, ka nikasa sy nanatanteraka nyfandripahana an’ireo mpifindra monina tokony ho 120 ireoOlomasina izay nentanin’ny fahatezerana sy ny tahotra.Fantatra amin’ny hoe ny Fandripahana tao MountainMeadows izany habibiana izany.

Vakiteny Enti-mandalina• Richard E. Turley Zanany., “The Mountain Meadows Massacre,” Ensign, sept.

2007, 17–21.

• “Peace and Violence among 19th-Century Latter-day Saints,” Gospel Topics,lds.org/topics.

• Henry B. Eyring, “150th Anniversary of Mountain Meadows Massacre,” 11 sept.2007, mormonnewsroom.org/article/150th-anniversary-of-mountain-meadows-massacre.

Sosokevitra Enti-mampianatraNy fifanenjanana nisy teo amin’ireo Olomasin’ny Andro Farany tanyam-boalohany sy ny governemanta Amerikanina

Omeo tahadikan’ny taratasy zaraina any amin’ny faran’ny lesona nympianatra tsirairay. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fizarana

mitondra ny lohateny hoe “Nitarika tany amin’ny Ady tao Utah ny fitomboan’nyfifanenjanana” ao amin’ny taratasy zaraina.

• Raha toa ka Olomasin’ny Andro Farany tamin’ny 1857 ianao ka naheno fa nisytafika lehibe nanatona ny tanànanao, inona no mety ho ahiahinao? (Metyhilaza ny mpianatra fa efa noroahina niala tany Ohio sy Missouri ary Illinoisireo Olomasina; maro no very fananana sy tany sarobidy; ary ny sasanynovonoina na maty nandritra ireo fanenjehana ireo. Ny fahenoana hoe misytafika manatona dia hiteraka fahatahorana ho an’ny Olomasina sasany fa metyhiseho indray ny zavatra toy izany any Utah.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fizarana mitondra ny lohateny hoe“Miomana ny hiaro ny faritra” ao amin’ny taratasy zaraina.

154

Page 167: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Nisy fifandirana teo amin’ny Olomasin’ny Andro Farany sasany sy ireompifindra monina an-tsarety.

Asehoy ny sarintany mitovy amin’ity aseho ity, na manaova iray toy izany enyamin’ny solaitrabe.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Nyfifandirana tamin’ny Andian-tsarety nitondra Mpifindra monina” ao amin’nytaratasy zaraina.

Asao ny mpianatra mba hieritreritra ny fotoana izay efa nampifanditra azy tamin’nyolona iray na andian’olona. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 12:25.Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady mitady ny fitsipika iraynampianarin’i Jesoa Kristy izay afaka manampy antsika rehefa mifanditra amin’nyolon-kafa isika.

• Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe “mihavàna faingana amin’nyfahavalonao”?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra io fehezanteny io, dia azonao atao nymanasa mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’nyLoholona David E. Sorensen avy tao amin’ny Fitopololahy ity:

“Hoy ny Tompo: ‘Mihavàna faingana amin’ny fahavalonao … ,’ toy izany nonandidiany antsika mba handamina ny tsy fifankahazoana raha vantany vao misyizany, fandrao lasa mivadika ho habibiana ara-batana sy ara-tsaina nyfirehetam-po amin’io fotoana io ka ho lavo eo ambanin’ny fahatezerantsikaisika” (“Forgiveness Will Change Bitterness to Love,” Ensign na Liahona, mey2003, 11).

• Ahoana no hamintinanao ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia12:25? (Rehefa mamaly ny mpianatra, dia manorata fitsipika iray mitovy

LESONA 25

155

Page 168: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

amin’ity manaraka ity eny amin’ny solaitrabe: Rehefa mandamina amin’nyfomban’ny Tompo ny fifandirana amin’ny hafa isika, dia afaka misorokany vokatra manimban’ny fifandirana.)

• Ahoana no tokony nampiharan’ireo izay nikasa hanimba ireo olona taoamin’ilay andian-tsarety an’ity fitsipika ity?

Asaivo mamaky ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Fiharatsian’nyFifandonana” ao amin’ny taratasy zaraina ny mpianatra iray.

• Inona no tokony nataon’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana tao Cedar Cityrehefa nanoro hevitra azy mba tsy hampiasa ny milisy i William Dame? Nitarikaazy ireo hanao inona avy eo ny fanipahana ny torohevitra? (Rehefa avy mamalyny mpianatra, dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity:Rehefa tsy miraharaha ny torohevitra izay mampanao zavatra tsara isika,dia lasa ho mora amintsika kokoa ny manao safidy ratsy sy feno fahotanamihitsy aza. Azonao marihina ihany koa fa misy fahendrena lehibe ao amin’nyrafitry ny filankevitra izay itantanana ny Fiangonana.)

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny fizarana mitondra nylohateny hoe “Fanafihana ireo mpifindra monina” ao amin’ny taratasy zaraina, kaasao ny mpianatra hitady ny fomba nanohizan’ireo mpitarika tao Cedar Citytamin’ny fanaovana safidy feno fahotana rehefa tsy niraharaha ny torohevitraazon’izy ireo.

• Inona no vokatry ny fanapahan-kevitr’ireo mpitarika tao Cedar City tsy nankatòny torohevitr’i William Dame, mpifehy ny milisy?

• Tamin’io fotoana io, inona no safidy nananan’ireo tompon’andraikitry nyfanafihana? (Afaka nibaboka ny zavatra nataony izy ireo ka nandray ny vokany,na afaka niezaka nanafina ny helony sy ny fahotany.)

Asao ireo mpianatra hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto:

• Inona no ataonao rehefa manao zavatra ratsy ianao? Mibaboka ny zavatra ratsynataonao ve ianao ka mandray ny vokany, sa moa ve ianao miezaka manafinailay fahotana amin’ny alalan’ny fitaka?

Nikasa sy nanatanteraka ny Fandripahana tao Mountain Meadows ireoOlomasin’ny Andro Farany sasanyHazavao fa ireo mpikamban’ny Fiangonana izay nandray anjara tamin’nyfanafihana ireo mpifindra monina dia nisafidy ny hanafina ny fahotany. Asao nympianatra mba hihaino ny zava-nitranga vokatr’io fanapahan-kevitra io rehefamifandimby mamaky mafy ireo fizarana mitondra ny lohateny hoe “NyFandripahana tao Mountain Meadows” sy ny hoe “Vokatra Mahatsiravina” aoamin’ny taratasy zaraina izy ireo.

Hazavao fa ny safidy izay nataon’ny Olomasin’ny Andro Farany sasany sy ireomponina tao amin’ny faritra atsimon’i Utah no nitarika tamin’ilay Fandripahanamahatsiravina tao Mountain Meadows. Teo ankilan’izany, dia nandamina ny adyniaraka tamin’ny governemanta Amerikanina ireo mpitarika tao amin’nyFiangonana sy ny an’ny faritany tamin’ny alalan’ny lahateny sy fifampiraharahanaho amin’ny filaminana tamin’ny taona 1858. Nandritra io ady io—izay nantsoina

LESONA 25

156

Page 169: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

hoe Ady tao Utah taty aoriana—dia tsy niditra tao amin’ny ady mihitsy nymiaramilan’i Etazonia sy ireo milisy tao Utah fa kosa nanao herisetra.

• Ahoana no hamintinanao ireo safidy izay nitarika tamin’ny Fandripahana taoMountain Meadows?

• Inona avy no fitsipika azontsika hianarana avy amin’io tantara io? (Mety hahitafitsipika isan-karazany ireo mpianatra, anisan’izany izao manaraka izao: Afakamitondra antsika hanao fahotana bebe kokoa ny misafidy hanafina nyfahotantsika. Mety hitondra fanenenana sy fangirifiriana ny misafidyhanafina ny fahotantsika.)

Omeo toky ireo mpianatra fa raha efa nanomboka nandray ny lalan’ny fahadisoanasy fahotana izy ireo, dia afaka misoroka ratram-po sy fanenenana amin’nyfitodihana amin’ny Tompo sy amin’ny fibebahana amin’ny fahotany.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fizarana mitondra ny lohateny hoe“Nianatra avy tamin’ilay Fandripahana ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana” aoamin’ny taratasy zaraina.

Hazavao fa nentin’ny olona sasany nanaratsiana ny fomba fijeriny ny Fiangonanairay manontolo io trangan-javatra io noho ny hamaroan’ny Olomasin’ny AndroFarany tao an-toerana izay tompon’andraikitra tamin’ny fikasana syfanatanterahana ny Fandripahana tao Mountain Meadows.

• Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra fa tsy mamaritra ny fahamarinan’nyfilazantsara ny asa ratsy izay ataon’ny mpikamban’ny Fiangonana sasany?

Asao ny mpianatra iray hamaky ny fanambarana izay nataon’ny Filoha Henry B.Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany izay hita ao amin’ny fizarana mitondra nylohateny hoe “Faha-150 taonan’ny Fandripahana tao Mountain Meadows” aoamin’ny taratasy zaraina.

• Inona no tokony hataontsika raha mahafantatra toe-javatra iray nahalavo nympikamban’ny Fiangonana ka tsy niaina nifanaraka tamin’ny fampianaran’iJesoa Kristy isika?

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Helamàna 5:12. Asaivo manaraka nyvakiteny ny mpianatra sady mitady ny zavatra azontsika hatao mba hampivoaranasy hitazonana ny fijoroantsika ho vavolombelona ka rehefa ao anatin’nyfotoan-tsarotra, tahaka ny rehefa mahafantatra mpikamban’ny Fiangonana izaylavo ka tsy niaina nifanaraka tamin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy, dia tsy hovoahozongozona ny finoantsika.

• Araka ny Helamàna 5:12, inona no azontsika atao mba hampivoarana syhitazonana ny fijoroantsika ho vavolombelona? (Rehefa avy mamaly nympianatra, dia azonao atao ny manoratra ity fitsipika manaraka ity eny amin’nysolaitrabe: Afaka hanana fijoroana ho vavolombelona matanjaka isikaamin’ny fanorenana ny finoantsika eo ambony fanorenan’i Jesoa Kristy.)

Mba hamelabelarana io fitsipika io, dia asehoy ity manaraka ity ary asao nympianatra iray hamaky mafy izany:

LESONA 25

157

Page 170: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

“I James Sanders dia taranaky ny … iray tamin’ireo ankizy izay tsy maty tamin’ny fandripahana[sady mpikamban’ny Fiangonana ihany koa izy]. Nilaza … ny Rahalahy Sanders … fa nyfahafantarany fa maty tao amin’ilay fandripahana ny razambeny dia ‘tsy nampiova ny finoanysatria mifototra amin’i Jesoa Kristy izany, fa tsy amin’iza na amin’iza izay ao am-piangonana’”(Richard E. Turley Jr., “The Mountain Meadows Massacre,” Ensign, sept. 2007, 21).

• Ahoana ho ahafahan’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy mankahery antsika rehefamahafantatra ny toe-javatra iray izay nahalavo ny mpikamban’ny Fiangonanaka tsy niaina nifanaraka tamin’ny fampianaran’ny Mpamonjy isika?

• Inona no zavatra ataonao izay manampy anao hanorina ny finoanao ifototraamin’i Jesoa Kristy?

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny maha-zava-dehibe ny fiainana nyfampianaran’ny Mpamonjy sy ny mametraka ny finoantsika eo ambony fanorenanysy ny fanorenan’ny filazantsarany. Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fomba metyhanorenany ny finoany eo ambony fanorenan’i Jesoa Kristy ka hametraka tanjonahanaovana izany.

Vakitenin’ny Mpianatra• “Peace and Violence among 19th-Century Latter-day Saints,” Gospel Topics,

lds.org/topics.

Ny Ady tao Utah sy ny Fandripahana taoMountain MeadowsNitarika ny Ady tao Utah ny fitomboan’ny fifanenjananaTelo taona taorian’ny nahatongavan’ireo mpamaky lay Olomasin’ny Andro Farany voalohany taoamin’ny tany lemak’i Salt Lake, dia nandamina ny faritanin’ny Utah ny governemanta Amerikanina kananondro an’i Brigham Young ho governora voalohan’ny faritany. Teo amin’ny tapaky ny taona 1857,dia nahare tsaho ireo Olomasin’ny Andro Farany fa hosoloin’ny governemanta federaly amin’nygovernora vaovaon’ny Faritanin’i Utah izay tohanan’ny ankamaroan’ny tafika federaly i BrighamYoung. Ny 24 jolay 1857, dia niaraka tamin’ny vondrona Olomasina ny Filoha Brigham Youngnankalaza ny faha-10 taonan’ny nahatongavany tao amin’ny tany lemak’i Salt Lake raha nahazofanamafisana momba ny vaovao izay reny teo aloha izay nilaza fa nisy tafika ho any Salt Lake City.

Tamin’ny taona mialohan’izany, dia nisy tsy fifanarahana sy tsy fifankahazoana nateraky nyfitomboan’ny fifanenjanana teo amin’ny Olomasin’ny Andro Farany sy ny manampahefan’nygovernemanta Amerikanina. Ny tarihin’ny mpitarika izay nofidiny no tian’ny Olomasina ka nolavin’izyireo ny olona notendren’ny fanjakana izay tsy nitovy fitsipika tamin’izy ireo, ny sasany izay tsymarin-toetra, mpanao kolikoly, ary ratsy fitondran-tena. Nieritreritra ny sasany tamin’ireomanampahefana fa midika ho fikomiana hanohitra ny governemanta Amerikanina ny zavatra sy nyfihetsika izay nataon’ireo Olomasina.

Nandefa miaramila tokony ho 2.500 tany Salt Lake City ny filohan’ny Etazonia, i James Buchanan,nitondra ny governora vaovao tany Utah ary nampiasa ny hery mba hanajanonana izay noheveriny hofikomiana teo anivon’ny Olomasina. Natao tsy nisy fampahalalana marina mikasika ilay toe-draharahatao Utah io fanapahan-kevitra io (jereo ny Church History in the Fulness of Times Student Manual,

LESONA 25

158

Page 171: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

fanontana faha-2 [Boky fampianarana an’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, 2003],368–71).

Miomana ny hiaro ny faritanyTamin’ny lahateny izay nataony tamin’ireo Olomasina dia nofaritan’ny Filoha Young sy ireo mpitarikatao amin’ny Fiangonana ho fahavalo ireo miaramila izay ho tonga. Natahotra izy ireo sao handroakaazy ireo hiala an’i Utah ireo miaramila ireo, tahaka ny nandroahana azy ireo niala avy tany Ohio syMissouri ary Illinois teo aloha. Ny Filoha Young, izay nilaza tamin’ireo Olomasina nandritra ny taonamaro mba hanangona ny voa, namerimberina ny toromariny mba hananan’izy ireo sakafo hohaninarehefa mila mandositra ny miaramila izy ireo. Amin’ny maha-governoran’ny faritanin’i Utah azy dianandidy ny milisin’ny faritany koa izy mba hiomana amin’ny fiarovana ny faritany.

Ny fifandirana tamin’ny Andian-tsarety nitondra Mpifindra moninaNisy andian-tsarety nitondra mpifindra monina niainga avy tany Arkansas ka ho any Californie niditratao Utah tamin’izay, tamin’ny fotoana izay efa niomanan’ny Olomasin’ny Andro Farany hiaro nyfaritaniny tamin’ireo miaramilan’ny Etazonia. Sorena ny olona sasany avy tamin’ilay andian-tsaretysatria nandalo fotoan-tsarotra izy ireo tamin’ny fividianana voa izay nilainy tamin’ny Olomasina, izayefa nomena torolalana mba hanangona ny voany. Niady tamin’ny Olomasina ihany koa ireo mpifindramonina noho ny tsy fitiavan’ny Olomasina ny soavaly maro sy ny biby fiompy izay nihinana ny sakafosy ny rano tokony ho an’ny biby fiompiny.

Nipoaka ny fifanenjanana tao Cedar City, tanàna farany tao Utah amin’ny lalana mankany Californie.Ny fifandonana dia nifanaovan’ny olona sasany tao amin’ilay andian-tsarety sy ny Olomasin’ny AndroFarany sasany. Nandrahona ny hiaraka amin’ny miaramilan’ny governemanta izay ho tonga hanohitrany Olomasina ny sasany tamin’ireo mpifindra monina an-tsarety. Na dia niteny mafy an’ireompiara-dia taminy izay nanao ireo fandrahonana ireo aza ny kapitenin’ilay andian-tsarety dianoraisin’ireo mpitarika sy ny mpiorim-ponenana tao Cedar City ho fahavalo izy ireo. Tokony ho adinyiray taorian’ny nahatongavany fotsiny dia nandeha ilay andian-tsarety, saingy nitady ny hanenjika syhanafay ireo lehilahy izay nandrahona azy ny sasany tamin’ireo mponina sy ny mpitarika taoCedar City.

Fiharatsian’ny FifandonanaNoho ny tsy nandaminan’ireo Olomasina ireo tamin’ny fomban’ny Tompo ny ady tamin’ireo mpifindramonina dia lasa nihamafy ny toe-draharaha. Nangataka lalana tamin’ny mpibaiko ny milisy, izaynonina teo akaikin’ny tanànan’ny mpifindra monin’i Parowan i Isaac Haight, ben’ny tanànan’i CedarCity, lehibe tamin’ny milisy, ary filohan’ny tsatòka, mba hiantso ny milisy hifandona amin’ireompihetraketraka avy tamin’ilay andian-tsarety. Nanoro hevitra an’i Isaac Haight i William Dane,mpibaiko ny milisy, mpikamban’ny Fiangonana, mba tsy hiraharaha ny fandrahonan’ireo mpifindramonina. Tsy nanaiky an’io torohevitra io anefa i Isaac Haight sy ny mpitarika hafa tao Cedar City kananapa-kevitra ny handresy lahatra ireo Indiana teo an-toerana mba hanafika an’ilay andian-tsaretysy handroba ny biby fiompiny mba hanafaizana ireo mpifindra monina. Nangataka an’i John D. Lee,mpikamban’ny Fiangonana tao an-toerana sy lehibe tao amin’ny milisy, i Isaac Haight mba hitarikailay fanafihana, ary nikasa ny nanome tsiny ny Indiana izy ireo tamin’io zavatra io.

Fanafihana ireo mpifindra moninaNatolotr’i Isaac Haight tamin’ny filankevitry ny mpitarika tao amin’ny Fiangonana sy nyfiaraha-monina ary ny milisy teo an-toerana ilay drafitra hanafihana ny andian-tsarety. Tsy nanaikymafy an’ilay drafitra ny sasany tamin’ny filankevitra ary nanontany an’i Haight raha toa ka efaniara-nidinika momba izany zavatra izany tamin’ny Filoha Brigham Young izy. Rehefa niteny hoe tsia iHaight dia nanaiky handefa iraka, i James Haslam, izy ho any Salt Lake City miaraka amin’ny taratasynanazava ny toe-draharaha sy nanontany ny zavatra tokony hatao. Kanefa, tokony ho 400 km miala

LESONA 25

159

Page 172: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

avy eo Cedar City i Salt Lake City, dia hitaky dia mafy an-tsoavaly mandritra ny herinandro ho an’ilayiraka ny mihazo an’i Salt Lake City ka hiverina any Cedar City miaraka amin’ny toromariky nyFiloha Young.

Fotoana fohy talohan’ny nandefasan’i Haight ny taratasiny niaraka tamin’ilay iraka, dia notafihin’iJohn D. Lee sy ny andiana Indiana ny lasin’ireo mpifindra monina teo amin’ny toerana izay antsoinahoe Mountain Meadows. I Lee no nitarika ny fanafihana, saingy nanafina ny tenany izy ka nahatongaizany ho toy ny hoe ireo Indiana ihany no nandray anjara. Maty na naratra ny sasany tamin’ireompifindra monina, ary ny sisa dia niady tamin’ireo mpanafika, nanery an’i Lee sy ny Indiana mbahihemotra. Nosintomin’ireo mpifindra monina haingana hanome faribolana kely ny saretiny mba hofiarovana. Nisy fanafihana roa hafa taorian’io nandritra ny dimy andro nijanonan’ny andian-tsarety.

Nisy fotoana ireo milisin’i Cedar City nahatsikaritra mpifindra monina roa ivelan’ilay faribolan-tsarety.Notifirin’ireo milisy izy ireo ka maty ny iray. Nitsoaka ny anankiray ka nampahafantatra ilay vaovaotamin’ny lasiny fa tompon’andraikitra tamin’ny fanafihana azy ireo ny fotsy. Tratra tamin’ny lainganyary izao ireo izay nanomana ny fanafihana. Raha navela nandeha tany Californie ireo mpifindramonina dia hiparitaka ny vaovao fa tompon’andraikitra tamin’ny fanafihana ny andian-tsarety nyOlomasin’ny Andro Farany. Natahotra ireo mpiray tetika fa hitondra vokatra ratsy eo aminy sy eoamin’ny vahoakany io vaovao io.

Fandripahana tao Mountain MeadowsTao anatin’ny tetika hisorohana ny fiparitahan’ny vaovao fa tompon’andraikitra tamin’ny fanafihanany andian-tsarety ny Olomasin’ny Andro Farany dia nanao drafitra ny hamono ny mpifindra moninasisa rehetra afa-tsy ny zaza madinika i Isaac Haight sy i John D. Lee ary ireo mpitarika tao amin’nyFiangonana sy ny milisy tao an-toerana. Ho fampiharana ilay drafitra dia nanatona ny mpifindramonina i John D. Lee ary nilaza fa hiaro azy ireo amin’ny fanafihana hafa ny milisy ka nitondra azyireo niverina soa aman-tsara tany Cedar City. Teo am-pandehanana ho any Cedar City dia nivadika nymilisy ka nitifitra ireo mpifindra monina. Nisy Indiana sasany izay nalain’ireo mpiorim-ponenana taoan-toerana nipoitra avy tamin’ny fiafenany no nanatevin-daharana ny fanafihana. Tamin’ireompifindra monina tokony ho 140 izay tao amin’ilay andian-tsarety, zaza madinika 17 no voatsimbina.

Roa andro taorian’ilay fandripahana dia tonga tao Cedar City dia tonga i James Haslam niarakatamin’ny hafatra valinteny avy tamin’ny Filoha Young, izay nilaza tamin’ireo mpitarika tao an-toeranamba hamela ny andian-tsarety handeha am-pilaminana. “Rehefa namaky ny tenin’i Young i Haight,dia nigogogogo nitomany toy ny zazakely ka tsy afaka niteny afa-tsy ny hoe: ‘Tara loatra, tara loatra’”(Richard E. Turley Jr., “The Mountain Meadows Massacre,” Ensign, sept. 2007, 20).

Ireo Vokany MahatsiravinaTsy ireo izay maty tokony ho 120 ihany no vokatry ny Fandripahana tao Mountain Meadows faniteraka fijaliana lehibe ho an’ireo zaza tsy maty sy ny havan’ireo maty koa izany. Nisy Olomasin’nyAndro Farany sasany nandray sy nikarakara ireo zaza mpifindra monina tsy maty tamin’ilayfandripahana. Tamin’ny 1859, dia nalain’ny manampahefana federaly ireo zaza ireo ka naveriny tanyamin’ny havany tany Arkansas. Nijaly ihany koa ireo Indiana Paiute noho ny fiampangana tsyara-drariny azy ireo tamin’ilay heloka.

Nianatra avy tamin’ilay Fandripahana ireo mpitarika tao amin’nyFiangonana“Na dia fantatr’i BrighamYoung sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana tao Salt Lake City azailay fandripahana fotoana fohy taorian’ny nisehoany, dia tonga tsikelikely nandritra ny fotoana nyfahatakarany ny halehiben’ny fandraisana anjaran’ireo mponina sy ny antsipiriany mahatsiravinaan’ilay vono olona. Tamin’ny taona 1859 dia nesoriny tamin’ny antsony i Isaac Haight tamin’nynaha-filohan’ny tsatòka azy sy ireo mpitarika ambony tao amin’ny Fiangonana tao Cedar City izay

LESONA 25

160

Page 173: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

nanana anjara asa tamin’ilay fandripahana. Nalàna tsy ho mpikamban’ny Fiangonana i Isaac Haightsy i John D. Lee tamin’ny 1870.

“Nisy mpitsara lehiben’ny faritany niampanga lehilahy sivy noho ny fandraisany anjara tamin’ilayfandripahana tamin’ny 1874. Nosamborina tamin’ny farany ny ankamaroan’izy ireo, fa i Lee kosa dianotsaraina sy nomelohina ka novonoina noho ilay heloka. Nisy lehilahy iray hafa izay voampanganifampiraharaha tamin’ny fanjakana [nitonon-tena nijoro ho vavolombelona sy nitondra porofohiampangana ireo voampanga hafa], ary ny hafa kosa nandany taona maro nitsoaka ny lalàna. Niainatao anatin’ny fahamelohana mahatsiravina sy fanofisan-dratsy ny zavatra nataony sy hitany nandritrany fiainany ireo milisy maro hafa izay nandray anjara tamin’ilay fandripahana” (Richard E. Turley Jr.,“The Mountain Meadows Massacre,” Ensign, sept. 2007, 20).

Faha-150 taonan’ny Fandripahana tao Mountain MeadowsNilaza ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

“Ny maha-tompon’andraikitra tamin’ny [Fandripahana tao Mountain Meadows] dia an’ny mpitarikatao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tao an-toerana tao amin’nyfaritra akaikin’ny Mountain Meadows izay nihazona toerana teo amin’ny fiaraha-monina sy ny tafikaihany koa niaraka tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana izay nanao zavatra teo ambanin’nyfitarihany. …

“… Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay ankamamintsika, dia mankahala ny famonoana olonaan-kitsirano na lahy na vavy na ankizy. Eny tokoa, mitory fiadanana sy famelana izany. Mampisehozavatra mahatsiravina sy tsy azo leferina izay mifanohitra amin’ny fampianarana sy ny fitondrantenaKristianina ny zavatra izay nataon’ireo mpikamban’ny Fiangonana [tao Mountain Meadows] fotoanaela lasa izay. … Azo inoana fa hametra ny sazy ara-drariny eo amin’ireo izay tompon’andraikitratamin’ilay fandripahana ny Fitsaran’ Andriamanitra. …

“… Ny Andriamanitry ny Lanitra anie, izay manana zanakalahy sy zanakavavy antsika rehetra, hitahyantsika mba hanome voninahitra ireo izay maty teto, amin’ny fifanomezantsika fitiavana madio sy nyfanahin’ny famelana izay ny Zanany Lahitokana no ohatra velona” (“150th Anniversary of MountainMeadows Massacre,” sept. 11, 2007, mormonnewsroom.org/article/150th-anniversary-of-mountain-meadows-massacre).

LESONA 25

161

Page 174: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

LESONA 26

Ny Fanambarana mikasikany Fisoronana

FampidiranaNandritra ny taonjato faha 20 dia nivavaka ireo mpitarika taoamin’ny Fiangonana, rehefa niparitaka eran’izao tontolo izaony asa fitoriana, mba hahazo fitarihana momba ny fameranany fanendrena amin’ny fisoronana sy ny ôrdônansin’nyTempoly ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana taranakaAfrikanina. Nisy fanambarana mazava tsara tonga tamin’nyFiloha Spencer W. Kimball sy ireo mpanolotsainy tao amin’nyFiadidiana Voalohany ary ireo mpikambana tao amin’ny

Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tao amin’ny Tempolin’nySalt Lake tamin’ny 1 jona 1978. Rehefa mandray anjaraamin’ity lesona ity ireo mpianatra dia hahatakatra bebekokoa ny fomba hiatrehana am-pahatokiana ireofanontanian’ny filazantsara ary hianatra ihany koa ireotoe-javatra sy ireo fahamarinana mikasika io fanambaranamazava io.

Vakiteny Enti-mandalina• Gordon B. Hinckley, “Priesthood Restoration,” Ensign, ôkt. 1988, 69–72.

• “Race and the Priesthood,” Gospel Topics, lds.org/topics.

• Ahmad Corbitt, “A Personal Essay on Race and the Priesthood,” fizarana 1–4,Perspectives on Church History series, history.lds.org/section/perspectives-on-church-history.

Sosokevitra Enti-mampianatraFampidirana ny Fanambarana Ôfisialy 2Miatrika amim-pahatokiana ireo fanontanian’ny filazantsaraAtolory ny mpianatra ity tantara manaraka ity:

Natonin’ny mpikamban’ny Fiangonana iray hafa izay nanana fanontaniana mombany fotopampianaran’ny Fiangonana i Scott indray andro rehefa avy nianatra.Nahatsapa i Scott fa afaka nitondra fanampiana ho an’ilay namany, saingynanontany tena izy taorian’izany ny amin’ny zavatra izay mety hataony amin’nyfomba hafa raha misy mpikamban’ny Fiangonana hafa manatona azy ka mananafanontaniana mitovy amin’izany indray.

Anontanio ny mpianatra ny amin’ny zavatra izay efa nataony hanampiana ireompikamban’ny Fiangonana izay manatona azy ireo manana fanontaniana avyamin’ny fo momba ny Fiangonana sy ny fotopampianarany.

Asehoy ka vakio ity fanambarana manaraka avy amin’ny Filoha Dieter F. Uchtdorfao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity:

162

Page 175: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

“Ny fanontaniana no loharano ipoiran’ny fijoroana ho vavolombelona. Metyhahatsapa tena ho menatra na tsy mendrika ny sasany noho ny fanananafanontaniana mandalina momba ny filazantsara, kanefa tsy tokony hahatsapatoy izany izy ireo. Tsy midika fahalemena ny fametrahana fanontaniana fa izanyno fanombohan’ny fitomboana.

“Mandidy antsika hikatsaka ny valin’ireo fanontaniantsika Andriamanitra arymangataka ny hikatsahantsika ‘amin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoanaan’i Kristy’ fotsiny [Môrônia 10:4]. Raha manao izany isika dia afaka aseho antsika ‘amin’nyherin’ny Fanahy Masina’ ny fahamarinan’ny zava-drehetra [Môrônia 10:5].

“Aza matahotra; mametraha fanontaniana. Aoka ho lialian-javatra, kanefa aza misalasala!Mifikira foana mafy amin’ny finoana sy amin’ny fahazavana izay efa azonao” (“The Reflection inthe Water” [takariva amorom-patana ho an’ny tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotreronyan’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 1 nôv. 2009], 7,ldschurchnewsarchive.com).

• Inona no zavatra nampianarin’ny Filoha Uchtdorf izay mety hanampy ny olonairay manana fanontaniana momba ireo olana ara-potopampianarana naara-tantara na ara-tsôsialy mikasika ny Fiangonana? (Ampio ireo mpianatramba hahatakatra ity fitsipika manaraka ity: Raha toa ka mampihatra nyfinoana an’i Jesoa Kristy isika dia hitondra valiny avy amin’ny Ray anyAn-danitra amin’ny farany ireo fanontaniana avy amin’ny fo.)

Hazavao fa iray amin’ireo olana ara-tantara izay nananan’ny mpikamban’nyFiangonana sasany fanontaniana dia vokatry ny lalàna mifehy an’ny Fiangonanaizay nisy nanomboka tamin’ny tapaky ny taona 1800 ka hatramin’ny 1978 izaymametra ny lehilahy mainty hoditra taranaka Afrikanina tsy ho tendrena amin’nyfisoronana. Nandrara ny vehivavy sy lehilahy mainty hoditra amin’ny fandraisanaanjara amin’ny fanafiana masina na amin’ny fombafomba famehezana ihany koaizany. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity izayampahany amin’ny fampidirana ny Fanambarana Ôfisialy 2 (izay hita ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana). Asao ny mpianatra mba hieritreritramomba ny fomba mety hanampian’ity fampahalalana ity an’ireo izay mananaahiahy mikasika io olana ara-tantara io.

“Mampianatra ny Bokin’i Môrmôna fa ‘amin’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra,’ na ‘maintyna fotsy, na andevo na olon’afaka, na lahy na vavy’ (2 Nefia 26:33). Nandritra ny tantaran’nyFiangonana dia olona avy amin’ny firazanana sy foko maro any amin’ny firenena maro no efavita batisa sy niaina amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana mahatoky azy. Tamin’nyandrom-piainan’i Joseph Smith dia mpikamban’ny Fiangonana mainty hoditra vitsivitsy nonotendrena ho amin’ny fisoronana. Tany am-piandohan’ny tantarany dia najanon’ireo mpitarikatao amin’ny Fiangonana ny fanomezana ny fisoronana tamin’ny lehilahy mainty hoditra taranakaAfrikanina. Tsy manome fahalalana mazava momba ny niandohan’io fomba fanao io nyfiraketan’ny Fiangonana” (fampidirana ny Fanambarana Ôfisialy 2).

• Inona no fahamarinana manan-danja izay hita ao amin’io fanambarana io hoan’ireo izay manana olana mikasika io teo-javatra io?

LESONA 26

163

Page 176: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Mariho ny andalana izay milaza hoe: “Tsy manome fahalalana mazava momba nyniandohan’io fomba fanao io ny firaketan’ny Fiangonana.” Raha milaza ny hevinymomba ny antony tsy nanendrena ny lehilahy mainty hoditra taranaka Afrikaninaho amin’ny fisoronana ny olona sasany dia mety tsy ho marina izany antony izany.Asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’nyLoholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Raha mamaky ny soratra masina miaraka amin’ity fanontaniana ity ao an-tsainaianao, ‘Nahoana ny Tompo no nandidy ity na nahoana ny Tompo no nandidyizany,’ dia ho hitanao fa latsaky ny iray amin’ireo didy zato no misy antonynomena. Tsy fomban’ny Tompo ny manome antony. Afaka manisy ny anton’nyfanambarana isika [olombelona mety maty]. Afaka manisy ny anton’ireo didyisika. Rehefa manao isika dia mandeha irery isika. Misy olona sasany manisy ny

anton’io zavatra resahintsika eto io [ny volonkoditra sy ny fisoronana], ary dia tena disoizy ireo. …

“… Ndao tsy hanao ireo fahadisoana izay efa natao tamin’ny lasa, teto sy tany amin’ny faritrahafa, izay niezaka nanisy ny anton’ny fanambarana. Amin’ny ankapobeny dianoforonin’olombelona ny antony” (Life’s Lessons Learned [2011], 68–69).

• Nahoana no fahendrena ny tsy mamorona ny antony nahatonga ny olonataranaka Afrikanina tsy nomena ny fisoronana na tsy nomena fahafahanahahazo ireo ôrdônansin’ny tempoly talohan’ny 1978? (Miteny amin’ny fijeryvoafetra ny olona, ary Andriamanitra mbola tsy nilaza tamintsika ny antony.)

Hamafiso fa ankehitriny dia miala amin’ny fomba fijery izay naroso teo alohamomba an’ity resaka ity ny Fiangonana: ny hoditra mainty dia famantarana ny tsyfankasitrahana na ozona avy amin’ Andriamanitra, fahotana ny fanambadian’nysamy hafa firazanana; na olona mainty hoditra na olona avy amin’ny firazanana nafoko hafa dia ambaniny raha mitaha amin’ny olona iray hafa na amin’inona naamin’inona. Manameloka mazava tsara ny fanavakavahana rehetra, na taloha naankehitriny, na amin’ny endriny manao ahoana na amin’ny endriny manao ahoanany mpitarika ao amin’ny Fiangonana ankehitriny. (Jereo ny “Race and thePriesthood,” Gospel Topics, lds.org/topics.)

• Ahoana no ahafahan’ny finoana an’i Jesoa Kristy manampy ny olona hamaly nyfanontaniany na ny olany momba ny famerana ny fisoronana izay nisytalohan’ny 1978?

Fanambarana Ôfisialy 2Omena ny mpikamban’ny Fiangonana mendrika rehetra ny fitahian’ny fisoronana syny tempolyHazavao fa talohan’ny 1978 dia olona an’arivony maro taranaka Afrikanina avyamin’ny firenena samihafa no nanomboka nahafantatra ny fahamarinan’nyfilazantsara naverina tamin’ny laoniny. Naharay taratasy betsaka avy tamin’nyolona niova fo tsy vita batisa tany Nigeria sy Ghana ireo mpitarika tao amin’nyFiangonana tao Salt Lake City izay nangataka ny nandefasana ireo misiônera anyAfrika. Nandritra ny taona maro dia nandinika amim-bavaka ilay raharaha ireompitarika tao amin’ny Fiangonana saingy nahatsapa izy ireo fa mbola tsy tonga ny

LESONA 26

164

Page 177: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

fotoana nandefasana ny misiônera tany Afrika. Tany Brésil dia nisy mpikamban’nyFiangonana mainty hoditra nanampy tamin’ny fanorenana ny Tempolin’i SãoPaulo, izay nambara tamin’ny 1975, na dia fantatr’izy ireo aza fa tsy ho afaka nyhiditra ny tempoly izy ireo.

Ampahafantaro ny mpianatra fa ahitana ny filazana ôfisialin’ny fanambaranavoarain’ny Filoha Spencer W. Kimball sy ny mpanolotsainy ary ny mpikambanafolo tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny Fanambarana Ôfisialy 2.Tamin’ny 1 jona 1978 no nahazoana ny fanambarana. Asao ny mpianatra irayhamaky mafy ny andinin-tsoratra voalohany eo ambanin’ny “Ry Rahalahy Malala.”Asao ny mpianatra hanaraka sady hitady ny zavatra nolazain’ireo mpitarika taoamin’ny Fiangonana fa hitan’izy ireo maso.

• Inona no natrehin’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana maso maneranany tany?

• Inona no nanentana an’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana rehefananatri-maso ny fihitaran’ny asan’ny Tompo?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny andinin-tsoratra manaraka, izaymanomboka amin’ny hoe “Noho ny fahalalana.” Asao ireo mpianatra hitady nyfomba nandraisan’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana andraikitra tamin’nyfanentanan’ny faniriany? Anontanio hoe:

• Ahoana no nandraisan’ny Filoha Spencer W. Kimball sy ireo mpitarika hafa taoamin’ny Fiangonana andraikitra tamin’ny fanentanan’ny faniriany?

• Araka ny andalana telo voalohany amin’ity andinin-tsoratra ity, inona nozavatra fantatr’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana mikasika ny famerana nyfisoronana? (Nahafantatra izy ireo fa amin’ny fotoana iray, ireo rahalahymendrika rehetra dia hahazo ny fahafahana mandray ny fisoronana.)

Hazavao fa taona maro talohan’ny 1978, rehefa nahafantatra fa tsy maintsy nisy nyfanambarana vao misy ny fanovana, dia efa niady hevitra momba ny famerana nyfisoronana ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary efanivavaka momba izany. Asehoy ity fanambarana nataon’ny Filoha Spencer W.Kimball (1895–1985) manaraka ity, ary miangavia mpianatra iray hamakymafy izany:

“Nandeha irery aho isan’andro isan’andro, tamin’ny fomba manetriketrika sytamin-kafanam-po lehibe tao amin’ny efitrano ambony rihan’ny tempoly, ary taoaho no nanolotra ny fanahiko sy nanolotra ny ezako hampandroso ilayfandaharanasa. Te hanao ny zavatra tiany aho. Noresahiko taminy izany ka hoyaho hoe: ‘Tompo ô, izay mety ihany no tadiaviko. Tsy mieritreritra ny hanaozavatra lehibe izahay. Izay zavatra tianao ihany no tadiavinay, ka tianay izany

amin’ny fotoana itiavanao azy ary tsy aloha’” (Enseignements des Présidents de l’Église:Spencer W. Kimball [2006], 262).

• Inona no ampianarin’ny tenin’ny Filoha Kimball antsika momba ny fombafikatsahan’ny mpaminany fanambarana? (Rehefa mamaly ny mpianatra, diaazonao atao ny manoratra ity fahamarinana manaraka ity eny amin’ny

LESONA 26

165

Page 178: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

solaitrabe: Mikatsaka ny fikasan’ Andriamanitra ny mpaminany amin’nyfitarihana ny Fiangonana.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny andinin-tsoratra roa manaraka ao amin’nyFanambarana Ôfisialy 2, izay manomboka amin’ny hoe “Efa nihaino ny fivavakayIzy.” Asao ny mpianatra hitady ny valintenin’ny Tompo tamin’ny vavaka nataon’nyFiloha Kimball sy ny mpanolotsainy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ary nympikambana tao amin’ny Apôstôly Roambinifolo.

• Inona no valintenin’ny Tompo tamin’ny vavaka nataon’ny mpaminaniny?(Hamafiso ny hafatry ny Tompo izay voaray ao amin’ity fanambarana ity: Nataoho an’ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra ireo fitahian’nyfilazantsaran’i Jesoa Kristy.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba nahazoana ny fanambaranavoarakitra ao amin’ny Fanambarana Ôfisialy 2, dia zarao ity fanambarana manarakanataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) ity, izay teo tamin’nynandraisana ity fanambarana ity tao amin’ny tempoly:

“Nisy tontolo masina sy nohamasinina tao amin’ilay efitrano. Ho ahy dianahatsapa ho toy ny nisy lalantsara nisokatra nanelanelana ny seza fiandriananatany an-danitra sy ny mpaminanin’ Andriamanitra izay niaraka tamin’ireorahalahiny nandohalika sy nitalaho. Teo ny Fanahin’ Andriamanitra. Ary tamin’nyalalan’ny herin’ny Fanahy Masina dia tonga tamin’izany mpaminany izany nyfanomezan-toky fa ny zavatra izay nivavahany dia marina, ary efa tonga ny

fotoana, ka ankehitriny dia tokony homena ny lehilahy mendrika ireo fitahiana mahatalanjon’nyfisoronana na aiza na aiza, na inona na inona rohim-pihavanany. …

“Nahafantatra izahay rehetra fa efa tonga ny fotoana izay hisian’ny fiovana ary ilayfanapahan-kevitra dia avy any an-danitra. Nazava ny valinteny. Nisy firaisankina feno teoanivonay tamin’ny zavatra niainanay sy tao amin’ny fahatakaranay” (“Priesthood Restoration,”Ensign, ôkt. 1988, 70).

Hazavao fa fotoana fohy taorian’ny nandraisana ilay fanambarana hanajanonana nyfamerana ny fisoronana dia nisy misiônera nalefa tany Afrika. Nanomboka nisytempoly naorina tamin’izany kaontinanta izany, tsatòka mihoatra ny zato nonatsangana, ary olona an’arivony maro no nandray ireo ôrdônansin’ny filazantsaraho an’ny tenany sy ho an’ireo razambeny efa maty. (Jereo ohatra ny, “Mormons inAfrica: A Bright Land of Hope,” mormonnewsroom.org; “Emerging with Faith inAfrica,” fizarana 1–3, lds.org/prophets-and-apostles/unto-all-the-world.)

Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Russell M. Nelson aoamin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary mangataha mpianatra irayhamaky izany:

LESONA 26

166

Page 179: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

“Any amin’ny kaontinanta sy ny nosin-dranomasina rehetra, dia angonina aoamin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny mpinorehetra. Tsy misy lanjany ny tsy fitoviana ara-kolontsaina, fiteny, ny maha-lahy symaha-vavy, ary ny endrikendrika ara-tarehy rehefa mahafoy tena amin’nyfanompoana ny Tompo malalany izy ireo. Tanteraka ny fanambaran’i Paolymanao hoe: ‘Fa na iza na iza hianareo no natao batisa ho an’i Kristy dia nitafy

an’i Kristy.

“‘Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihanyhianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesosy’ [Galatiana 3:27–28].

“Ny fahatakarana ny maha Ray marina an’ Andriamanitra ihany no afaka mitondrafankasitrahana feno ny maha mpirahalahy marina ny olombelona. Izany fahatakarana izany diamanentana ny faniriana hanorina tetezan’ny fiaraha-miasa fa tsy rindrin’ny fanavakavahana”(“Teach Us Tolerance and Love,” Ensign, mey 1994, 70).

• Ahoana no anomanan’ny filazantsara antsika hiray hina amin’ny olona tsymitovy fiaviana amintsika?

• Inona no ohatra efa hitanao ny amin’ny mpikamban’ny Fiangonana avyamin’ny fiaviana samihafa niara-nitombo tamin’ny firaisan-kina syfiaraha-miasa?

Ho famaranana dia asao ny mpianatra handinika ny fomba mety havaliny rahaanontaniana hoe nahoana ny Fiangonana no tsy nanendry ireo lehilahy taranakaAfrikanina ho amin’ny fisoronana nandritra ny fotoana voafetra? Hamafiso fa tsarany manazava amin’ny hafa fa tsy fantatsika hoe nahoana no nisy ny famerana nyfisoronana ary tokony hozaraintsika sy hijoroantsika ho vavolombelona nyfahamarinana izay fantatsika.

Vakitenin’ny Mpianatra• 2 Nefia 26:33; Fanambarana Ôfisialy 2.

• “Race and the Priesthood,” Gospel Topics, lds.org/topics.

LESONA 26

167

Page 180: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

LESONA 27

Fanomanana an’IzaoTontolo Izao ho amin’nyFiavian’i Jesoa KristyFanindroany

FampidiranaHiverina eto an-tany amin-kery sy amim-boninahitra lehibeny Mpamonjy indray andro any. Ho fiomanana amin’izanyandro lehibe izany, dia ampianarina ny Olomasina mbahandalina ireo famantarana ny fiaviany sy hiomana hoamin’izany amin’ny fitsanganana eo amin’ny toerana masina

sy mandray “ny Fanahy Masina ho mpitari-dàlana” (F&F45:57). Nanambara ny Tompo fa manana andraikitra amin’nyfanomanana an’izao tontolo izao amin’ny Fiavian’nyMpamonjy Fanindroany ny Fiangonana sy ny mpikambanaao aminy.

Vakiteny Enti-mandalina• Neil L. Andersen, “Fanomanana an’Izao Tontolo Izao ho amin’ny Fiaviana

Fanindroany,” Ensign na Liahona, mey 2011, 49–52.

• Dallin H. Oaks, “Preparation for the Second Coming,” Ensign na Liahona, mey2004, 7–10.

• “Se préparer à la seconde venue du Christ,” toko 44 ao amin’ny Enseignementsdes Présidents de l’Église: Joseph F. Smith (1998), 391–400.

Sosokevitra Enti-mampianatraFotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:15–46, 56–57Ireo famantarana izay hialoha ny Fiaviana FanindroanyApetraho amin’ny mpianatra ity fanontaniana manaraka ity:

• Ahoana no ahafahanao milaza fa mitady ho avy ny orana?

Hazavao fa tahaka ny fisian’ireo famantarana izay manampy antsika hamantatra nyfotoana hiavian’ny orana dia misy ihany koa ireo famantarana izay hanampyantsika hahafantatra ny fotoana hitrangan’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.Lazao ny mpianatra fa araka ny vosoratra ao amin’ny Matio 24, dia nihaonataomin’ireo mpianany teo amin’ny Tendrombohitra Oliva ny Mpamonjy talohakelin’ny nahafatesany ary nilazalaza ny famantarana ny Fiaviany Fanindroany.Naveriny tamin’i Joseph ny sasany tamin’ireo fampianarana ireo amin’izaoandrontsika izao, araka ny voasoratra ao amin’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 45. Hamafiso amin’ny mpianatra fa lohahevitra manan-danjaao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ny fiomanana amin’nyFiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Asao ny mpianatra haka fotoana hanamarihanaireo fampianarana mikasika ny Fiaviana Fanindroany rehefa mandalina ny

168

Page 181: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ka hisaintsaina ny fomba ahafahanymiomana amin’izany.

Asao ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana45:15–17, sady hitady ny zavatra izay nanontanian’ireo mpianatry ny MpamonjyAzy sy ny fomba namaliany izany.

• Inona no nanontanian’ireo mpianatra an’i Jesoa?

• Inona no valinteniny?

Mba hanampiana ny mpianatra hamantatra ireo famantarana izay hialoha nyFiaviana Fanindroany dia soraty eny amin’ny solaitrabeireto andinin-tsoratramasina ireto:

F&F 45:25–27

F&F 45:28–31, 33

F&F 45:40–43

Zarao ho tsiroaroa ny mpianatra ka omeo ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masinaeo amin’ny solaitrabe isanisany avy ny mpiara-miasa tsiroaroa. Asao izy ireohiara-hamaky ireo andininy ireo ka hitady ireo famantarana voalaza aoanatin’izany. Mariho fa efa tanteraka na eo an-dalam-pahatanterahana ny sasanyamin’ireo famantarana. Azonao atao ny mizara ity fampahafantarana manaraka ityizay mifandray amin’ny andininy 30: “Ny vanim-potoana izaynaha-laharam-pahamehana ny Jentilisa tamin’ny fandraisana ny filazantsara diaantsoina hoe andron’ny Jentilisa. Ao amin’izany ireo izay tsy Jiosy … dia mananafahafahana hanaiky ny filazantsara ka hahazo ny famonjena alohan’nyhanomezana izany zo izany, amin’ny ambaratonga ambony, farafahakeliny,amin’ny Jiosy” (Bruce R. McConkie, Mormon Doctrine, fanontana faha-2 [1966],721–22).

Rehefa avy nanome fotoana ampy dia asao ny mpiara-miasa tsiroaroa hilaza nyzavatra hitany amin’ny mpianatra rehetra. Azonao toroina hevitra ny mpianatramba hanasongadina ireo famantarana ao amin’ny soratra masin’izy ireo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 45:34 raha manaraka kosa ny mpianatra. Anontanio avyeo hoe:

• Matahotra ve ianao rehefa mamaky na maheno ireo tranga na famantarana izayhialoha ny Fiaviana Fanindroany? Nahoana, na nahoana no tsia?

• Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fianarana mikasika ireo famantarana nyFiavian’ny Mpamonjy Fanindroany manampy antsika handresy ny tahotra sy nyfanahiana amin’ny fiainantsika?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana45:35–38 handalinana ny antony nanambaran’ny Tompo ireo famantarana izayhialoha ny Fiaviany Fanindroany.

LESONA 27

169

Page 182: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

• Inona no maha-zava-dehibe ny mahafantatra ny fotoana maha-tanteraka ireofamantarana ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany?

Asao ny mpianatra hitady ny fomba fiomanana amin’ny Fiavian’i KristyFanindroany rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:32,39, 56–57 izy ireo. Manaova fifanakalozan-kevitra mikasika izao manaraka izaoavy eo:

• Inona no ianaranao avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny fomba hiomananaamin’ny Fiaviana Fanindroany? (Rehefa mizara ny heviny ny mpianatra diahamafiso ity fitsipika manaraka ity: Zava-dehibe ny mitsangana eo amin’nytoerana masina sy mandray ny Fanahy Masina ho mpitari-dàlana rehefamiomana amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany isika.)

• Inona no tsy maintsy ataontsika mba hananana ny Fanahy Masina hompitari-dàlana antsika?

• Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrareo no ahafahan’ny mpanara-dia an’iJesoa Kristy “hitsangana eo amin’ny toerana masina”? (Ny toerana masina diamilaza ny tempoly sy ny trano fiangonana ary ny tokantrano. Afaka ho masinany tokantrano amin’ny alalan’ny vavaka ataon’ny tena manokana sy miarakaamin’ny fianakaviana tsy tapaka, ny fandalinana ny soratra masina, nyfanompoana ary ny takarivan’ny mpianakavy. Ny fitsanganana eo amin’nytoerana masina ihany koa dia misy idirany amin’ny fomba fiainantsika. Rahamiaina mba ho mendrika ny fananana lalandava ny Fanahy Masina ho namanaisika dia mitsangana eo amin’ny toerana masina isika izay. Toroy hevitra nympianatra mba hanoratra ny sasany amin’ireo hevitra ireo amin’ny sisin’nypejin’ny soratra masiny eo akaikin’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 45:32.)

• Ahoana no efa nitsangananao tamin’ny toerana masina na dia miaina aoanatin’ny tontolo ratsy aza?

• Inona no sasany amin’ireo antony izay tsy andrinao amin’ny Fiavian’nyMpamonjy Fanindroany? Nahoana ianao no feno fankasitrahana fa hiverinaindray ny Mpamonjy?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:7–9; 34:5–7; 39:19–23Fanomanana an’Izao Tontolo Izao ho amin’ny Fiaviana FanindroanyAmpahatsiahivo ny mpianatra fa ny lohatenin’ity fandaharam-pianarana ity dia:Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny Laoniny. Anontanio ny mpianatra hoe:

• Inona no fifandraisana hitanao amin’ny Famerenana amin’ny Laoniny nyfilazantsara sy ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany?

Soraty eny amin’ny solaitrabeireto andinin-tsoratra masina ireto. Asaivo mandalinaizany ny mpianatra ka hitady ny lohahevitra izay ifandraisany:

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:7–9

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 34:5–7

LESONA 27

170

Page 183: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:19–23

Rehefa avy nanome fotoana ampy dia asao ny mpianatra hitodika amin’ny olonamipetraka eo akaikiny ka hifanakalo hevitra momba ny zavatra izay ifandraisan’ireoandinin-tsoratra masina ireo. Anontanio ny mpianatra vitsitsivitsy ny fombahamintinany ny hafatra ao amin’ireo soratra masina ireo. (Rehefa mizara ny hevinyny mpianatra, dia ampio izy ireo hamantatra sy hahatakatra izao fitsipika izao:Rehefa mitory ny filazantsara amin’ny hafa isika dia manampy amin’nyfanomanana an’izao tontolo izao amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.)

Asao ny mpianatra hiverina hijery ny andininy 29 sy ny 34, ary ny 39 ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana ka hanamarika ny daty nanomezana nyfanambarana. Anontanio hoe:

• Hafiriana taorian’ny nananganana ny Fiangonana ny Tompo no nanombokanampianatra io fitsipika vao fantatra io?

Asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’nyLoholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Hatramin’ny fotoana niantombohan’ny Famerenana amin’ny Laoniny dianoraisin’ireo rahalahy tsy ho sangisangy tokoa ny adidy ny hitory ny filazantsara.Tamin’ny 1837, fito taona monja taorian’ny nanorenana ny Fiangonana, taoanatin’ny fotoan’ny fahantrana sy fanenjehana, dia nandefasana misiônerahampianatra ny filazantsara tany Angletera. Tao anatin’ny taona vitsivitsymanaraka dia efa nitory ny filazantsara tamin’ny toerana maro samihafa toa an’i

Autriche, Polynésie Française, Inde, Barbades, Chili, ary Chine ireo mpitory ny filazantsara.

“Nitahy ity asa ity ny Tompo ary nanomboka naorina nanerana an’izao tontolo izao nyFiangonana. … Tsy maty masoandro mihitsy ireo mpitory ny filazantsara mijoro hovavolombelon’ny Mpamonjy. Eritrereto ny hery ara-panahin’ireo mpitory ny filazantsara miisa52.000, mitafy ny Fanahin’ny Tompo, manambara amim-pahasahiana ‘fa tsy hisy anarana hafaomena na làlan-kafa na fomba izay mety hahatongavan’ny famonjena amin’ny zanak’olombelona … , afa-tsy ao Aminy sy amin’ny alalan’ny anaran’i Kristy ihany’ [Môsià 3:17]. …Voaomana amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany izao tontolo izao vokatry ny asan’nyTompo ataon’ireo mpitory ny filazantsarany” (“Fanomanana an’Izao Tontolo Izao ho amin’nyFiaviana Fanindroany,” Ensign na Liahona, mey 2011, 51).

Manaova fifanakalozan-kevitra ny amin’ireto manaraka ireto:

• Ahoana no anampian’ny hafatra ampianarin’ireo mpitory ny filazantsaran’nyFiangonana ny olona amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany?

• Inona no naha-zava-dehibe ny Famerenana amin’ny Laoniny ny filazantsaraalohan’ny ahatongavan’ny Mpamonjy indray eto an-tany?

Asehoy ireto fanambarana manaraka ireto izay nataon’ny Filoha Joseph F. Smith(1838–1918), ka angataho ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

LESONA 27

171

Page 184: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

“Mampianatra ny olona mba hanetry tena, ho mahatoky, ho marin-toetra symarina eo anoloan’ny Tompo sy izy samy izy ny filazantsara, ary raha amin’izanytoetra izany no ampiharana ny fampianarany dia hitombo sy hiorina eto an-tanyny fiadanana sy ny fahamarinana, ary ny fahotana, ny fifandirana, nyfandatsahan-drà sy ny kolikoly isan-karazany dia tsy ho hisy intsony ka ho lasamadio sy mendrika hatao toerana hipetrahan’ny olona avy any an-danitra ny

tany; ary ho tonga ny Mpamonjy ka hitoetra eo amboniny, araka izay hataony mandritra nyArivotaona” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph F. Smith [1998], 396–97).

“Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany … dia mihevitra fa anisan’nyiraka nomena azy ny manomana ny lalana ho amin’ny Fiaviana ara-bakiteny sy amim-boninahitraan’ny Zanak’ Andriamanitra eto an-tany, mba hanjaka eo aminy sy hitoetra miaraka amin’nyvahoakany” (Teachings: Joseph F. Smith, 397).

Anontanio hoe:

• Nandritra ny fotoam-pianarana an’ity lesona ity, inona ny eritreritra nafahatsapana ara-panahy izay nanananao momba ny andraikitry ny Fiangonanasy ny mpikambana ao aminy amin’ny fanomanana an’izao tontolo izao amin’nyFiaviana Fanindroany?

• Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny fanampiana nyhafa hiomana amin’ny Fiaviana Fanindroany manampy anao hiomanaihany koa?

Mba hamaranana ity lesona ity, dia asao ny mpianatra hizara ny zavatra izay efanataon’izy ireo mba hizarana ny hafatry ny Famerenana amin’ny Laoniny amin’ireoizay tsy mitovy finoana amintsika.

Vakitenin’ny Mpianatra• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:7–9; 34:5–7; 39:19–23; 45:15–46,

56–57; 88:81–87.

• Neil L. Andersen, “Fanomanana an’Izao Tontolo Izao ho amin’ny FiavianaFanindroany,” Ensign na Liahona, mey 2011, 49–52.

LESONA 27

172

Page 185: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

LESONA 28

Fanafainganana ny AsaFamonjena

FampidiranaTao anatin’ny taona vitsy lasa izay, dia nanamafy ilayfaminanian’ny Tompo manao hoe: “hohafainganiko … nyasako” (F&F 88:73) ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana.Ny asa famonjena dia ahitana ny asa fitoriana ataon’nympikambana, ny fihazonana ireo niova fo, ny fampavitrihanaireo mpikambana malaindaina, ny asa atao any amin’ny

tempoly sy tantaram-pianakaviana, ary ny fampianarana nyfilazantsara. Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatrahahatakatra bebe kokoa ny andraikiny amin’ny mahampikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’nyOlomasin’ny Andro Farany azy amin’ny fandraisana anjaraamin’io asa io.

Vakiteny Enti-mandalina• Dieter F. Uchtdorf, “Sondrian-tory Ve Ianareo mandritra ny Famerenana

amin’ny Laoniny?”Ensign na Liahona, mey 2014, 58–62.

• “Hastening the Work of Salvation,” Ensign, ôkt. 2013, 36–39.

Sosokevitra Enti-mampianatraFotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:53–56Manafaingana ny asany ny TompoLazao ny mpianatra fa fotoana fohy talohan’ny nahafatesany, dia nanana fahitanamomba ny tontolon’ny fanahy, izay voarakitra ankehitriny ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 138 ny Filoha Joseph F. Smith. Nianatraizy fa ireo mpitarika an’ity fotoampitantanana farany ity sy ireo “maro hafa” dia efavoaomana hatrany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterana ho amin’nyandraikitr’izy ireo eto an-tany. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:53–56 raha manaraka ny vakitenyny mpianatra ka hitady ireo andraikitra izay nomena an’ireo mpitarika ireo tanyamin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana.

• Inona ireo andraikitra izay nomena an’ireo mpitarika ireo tany amin’ny fiainanatalohan’ny nahaterahana? Inona avy ireo fiomanana izay noraisin’izy ireo tany?

• Inona ireo andraikitra izay mety efa nomena anao tany amin’ny fiainanatalohan’ny nahaterahana? Inona avy ireo fiomanana izay mety efa noraisinaotany? (Rehefa mizara ny heviny ireo mpianatra dia ampio izy ireo hahita ityfitsipika ity: Efa voaomana tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahanaisika mba ho tonga eto an-tany amin’ny fahafenoan’ny fotoana ka hiasaho amin’ny famonjena ny fanahin’ny olombelona.)

Asehoy ity fanambarana manaraka izay nataon’ny Filoha Thomas S. Monson ity,ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

173

Page 186: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

“Fantatrareo ve fa 98 taona ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny izay vaonanana tsatòka 100? Kanefa 30 taona latsaka taty aoriana dia nandrafitra nytsatòkany 100 faharoa ny Fiangonana. Ary valo taona monja taorian’izay diananana tsatòka mihoatra ny 300 ny Fiangonana. Ankehitriny [2014] dia mananatsatòka mihoatra ny 3.000 isika.

“Nahoana no mihazakazaka toy izany ny tahan’io firoboroboana io? Moa vemitranga izany satria efa be mpahalala kokoa ny Fiangonana? Moa ve mitranga izany satriamanana trano fiangonana tsara tarehy isika?

“Manan-danja ireo zavatra ireo, saingy ny antony mampiroborobo ny Fiangonana amin’izaofotoana izao dia satria ny Tompo no nilaza fa hiroborobo izany. Hoy Izy ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana hoe: “Indro, hohafainganiko amin’ny fotoany nyasako” [F&F 88:73].

“Amin’ny maha-zanaka ara-panahin’ny Raintsika any An-danitra antsika dia nalefa tety an-tanyisika amin’izao fotoana izao mba hahafahantsika mandray anjara amin’ny fanafainganana ilayasa lehibe” (“Hastening the Work, Ensign, jona 2014, 4).

• Araka ny voalazan’ny Filoha Monson, nahoana isika no nalefa tety an-tanyamin’izao fotoana izao? (Rehefa mizara ny valiteniny ny mpianatra, dia ampioizy ireo hahatakatra izao fitsipika izao: Andraikitsika ny mandray anjaraamin’ny fanafainganana ny asan’ny Ray any An-dranitra.)

• Inona ny sasany amin’ireo fomba izay efa nanatrehanao maso ny“fanafainganana” ny asan’ Andriamanitra? (Misy valiny maro io fanontanianaio, anisan’izany ny fanovana ny taona ho amin’ny asa fitoriana, nyfampitomboana ny isan’ireo mpitory ny filazantsara, ny fampitomboana nyisan’ny tempoly, ary ny fampitomboana ireo fitaovana izay manamora nyasan’ny tantaram-pianakaviana.)

Mariho fa ireo valinteny ireo dia mampiseho fa manafaingana ny asany ao amin’nylafiny roa an’ny voaly ny Tompo. Hazavao fa ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonanaankehitriny dia nanome lanja sahan-kevitra dimy ao anatin’ny asan’ny famonjenaary nangataka antsika tsirairay avy mba handray anjara ao amin’ireo sahan-kevitraireo amin’ny fanafainganana ny asan’ Andriamanitra amin’izao andro farany izao.Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona L. Whitney Clayton avy aoamin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy ity, ary manasà mpianatra iray hamaky izanymafy. Asaivo mamantatra ireo sahan-kevitra dimy izay ao anatin’ny asa famonjenany mpianatra:

“Mampianatra antsika ireo mpaminany velona sy ireo apôstôly fa ‘nirahina nympikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Olomasin’nyAndro Farany mba “hiasa ao amin’ny tanim-boalobony ho famonjena nyfanahin’ny olona” (F&F 138:56). Io asa famonjena io dia ahitana ny asa fitorianaataon’ireo mpikambana, ny fihazonana ireo vao niova fo, ny famerenana ireompikambana malaindaina, ny asan’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana, ary

ny fampianarana ny filazantsara’ [Manuel 2: Administration de l’Eglise (2010), 5.0]” (“The Workof Salvation: Then and Now,” Ensign, sept. 2014, 63).

LESONA 28

174

Page 187: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Eo ampitadiavan’ny mpianatra ireo sahan-kevitra dia soraty eny amin’nysolaitrabeity manaraka ity:

Ny Asa Fitoriana Ataon’ireo Mpikambana

Fihazonana ireo vao niova fo

Famerenana ireo mpikambana malaindaina

Ny Asan’ny Tempoly sy ny Tantaram-pianakaviana

Mampianatra ny filazantsara

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:73Afaka mandray anjara amin’ny fanafainganana ny asan’ny Tompo isika tsirairay avy

Asao ny mpianatra iray mba hamaky ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 88:73 ary ny mpianatra sisa kosa manaraka ny

vakiteny. Hazavao amin’ny mpianatra fa tokony hiezaka ny hampitombo nyfandraisantsika anjara amin’ny fanafainganana ny asan’ny Tompo ny tsirairay avyamintsika. Zarao amin’ny mpianatra ny taratasy zaraina izay hita any amin’nyfaran’ny lesona, ka hazavao fa hanampy azy ireo handinika ny fomba ahafahan’izyireo mampitombo ny fandraisany anjara ity taratasy zaraina ity. Asao ireo mpianatramba hisafidy sy hamaky am-pahanginana ny iray na maromaro amin’ireofanambarana ao anatin’ilay taratasy zaraina ka asao izy ireo mba hiomana hamalyireo fanontaniana hita ao anatin’ilay taratasy zaraina.

Rehefa nanana fotoana ampy ny mpianatra hamakiana sy hiomanana dia asao nympianatra iray mba hamaky mafy ny fanambarana voalohany. Avy eo dia asao nympianatra maromaro hanome ny valintenin’izy ireo ho an’ny fanontaniana telo aoanatin’ilay taratasy zaraina, ka hifantoka amin’ny asa fitoriana ataon’ireompikambana. Avereno io dingana io ho an’ireo fanambarana dimy.

Ampio ireo mpianatra mba hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibeny fandraisana anjara amin’ny asa famonjena amin’ny fametrahana iretofanontaniana manaraka ireto:

• Inona avy ireo fitahiana efa noraisinao rehefa nandray anjara tamin’ny iray namaro amin’ireo sahan-kevitry ny asa famonjena ianao? Inona no traikefa efanoraisinao raha nandray anjara tamin’ny iray amin’ireo sahan-kevitra ireo izaynanan-danja manokana taminao ianao?

Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf avy aoamin’ny Fiadidiana Voalohany ity, ary asao ny mpianatra iray mba hamakyizany mafy:

LESONA 28

175

Page 188: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

“Rehefa tapitra ny fotoana iainantsika eto an-tany, dia traikefa manao ahoana noazontsika hozaraina mikasika ny anjara biriky nentintsika tao anatin’ityvanim-potoana manan-danja teo amin’ny fiainantsika ity sy teo amin’nyfampandrosoana ny asan’ Andriamanitra? Ho afaka hilaza ve isika fa namoritratanan’akanjo isika ka niasa tamin’ny fo manontolo, tamin’ny hery sy ny saina aryny tanjatsika manontolo? Sa ve isika ho voatery hibaboka fa ny anjara asantsika

raha bangoina dia mpitazana fotsiny? (“Sondrian-tory Ve Ianareo Mandritra ny FamerenanaAmin’ny Laoniny?”Ensign na Liahona, mey 2014, 59).

Asao ireo mpianatra handrafitra ireo zavatra izay azon’izy ireo atao mba handrayanjara misimisy kokoa amin’ny asa famonjena amin’ny fanontaniana azy ireo hoe:

• Inona ireo fomba sasany izay efa nahitanao ny hafa nanampy tamin’nyfanafainganana ny asan’ny Tompo?

• Inona ireo fomba sasany izay hanaovanao drafitra mba handraisana anjaraamin’ny fanafainganana ny asan’ny Tompo.

• Ahoana no fomba ahafahan’ny fahalalantsika sy ny fijoroana ho vavolombenaananantsika momba ny Famerenana amin’ny Laoniny manampy antsika mbahandray anjara misimisy kokoa amin’ny asan’ny famonjena?

Asao ny mpianatra vitsy mba hizara sy hijoro ho vavolombelona ny amin’ny zavatraizay nianaran’izy ireo momba ny Famerenana amin’ny Laoniny ny filazantsaratamin’ny fandalinana ity fandaharam-pianarana ity. Farano amin’ny fijoroanao hovavolombelona momba ny fahamarinan’ny Famerenana amin’ny Laoniny nyfilazantsara tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith.

Vakitenin’ny Mpianatra• Dieter F. Uchtdorf, “Sondrian-tory Ve Ianareo mandritra ny Famerenana

amin’ny Laoniny?”Ensign na Liahona, mey 2014, 58–62.

Fanafainganana ny Asa FamonjenaSaintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto izay mifandray amin’ny tsirairay amin’ireo sahan-kevitradimy izay ao anatin’ny asa famonjena:

• Ahoana no ahafahan’ny ezaka ataonao ao anatin’io sahan-kevitry ny asan’ Andriamanitra iomitondra ny hafa hanakaiky kokoa ny fitahiana entin’ny famonjena?

• Inona ireo traikefa efa nanananao ary inona ireo fitahiana izay efa noraisinao rehefa nandrayanjara tamin’io sahan-kevitry ny asan’ny famonjen’ny Tompo io ianao?

• Inona no azonao atao mba hitondrana ny anjara birikinao ao amin’io sahan-kevitry ny asan’nyfamonjena io, na inona na inona antsonao ao am-piangonana?

Ny Asa Fitoriana Ataon’ireo MpikambanaNampianatra ny Loholona Neil L. Andersen avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolonanao hoe:

LESONA 28

176

Page 189: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

“Ry rahalahy sy rahavavy, tahaka ny hanentanan’ny Tompo ny fanahin’ireomisiônera betsaka kokoa mba hanompo dia mamoha ny saina symanokatra ny fon’ny olon-tsara sy marin-toetra ihany koa Izy handray nymisiônerany. Efa fantatrao izy ireny na mbola ho fantatrao. Ao amin’nyfianakavianao izy ireny ary mipetraka ao amin’ny fiaraha-moninao.Mandalo eo amin’ny lalanao izy ireny, mipetraka eo akaikinao any

am-pianarana, ary mifanerasera aminao amin’ny Internet. Ampahany amin’ity fahagaganaizay mirongatra ity ianao.

“Raha toa ianao ka tsy misiônera manompo amin’ny fotoana feno mananamari-pamantarana iray mipaingotra eo amin’ny palitaonao, dia izao no fotoanahanoratanao anankiray amin’izany ao amin’ny fonao—soratana araka ny nolazain’i Paoly,‘tsy tamin’ny ranomainty anefa, fa amin’ny Fanahin’ Andriamanitra velona’ [2 Korintiana3:3]. … Misy anjara tokony hataontsika rehetra amin’ity fahagagana ity” (“Fahagaganaizany,” Ensign na Liahona, mey 2013, 78).

Ny Fihazonana ireo Niova FoHoy ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Tsy maintsy manao izay rehetra azontsika atao izaho sy ianao mbahahatonga ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay hahazo namana syhankafy ireo fitahiana rehetra izay omen’ny filazantsara.

“Ny Filoha Gordon B. Hinckley dia efa nampahatsiahy ahy sy anao mombaireo andraikitsika mba ho mpiara-miasa amin’ny Tompo hofanatanterahana ny drafitra nataony ho an’ny Fiangonana. Hoy ny Filoha

Hinckley tao anatin’ny fampitana tamin’ny zanabolana iray:

“‘Ny Tompo dia nametraka teo amintsika ny adidy mba hampianatra ny filazantsaraamin’ny olombelona rehetra. Hitaky ny ezaka tsara indrindra avy amin’ny misiôneratsirairay—amin’ny fotoana feno sy ny an’ny tsatòka—izany. Hitaky ny ezaka tsaraindrindra avy amin’ny eveka, avy amin’ny mpanolotsain’ny eveka, avy amin’nympikambana tsirairay ao amin’ny filan-kevitry ny paroasy izany …’ (’Find the Lambs, Feedthe Sheep,’ Ensign, mey 1999, 107). Hitaky ny ezaka tsara indrindra avy amin’nympikambana tsirairay izany” (“Members Are the Key,” Ensign, sept. 2000, 10).

Ny famerenana ireo mpikambana malaindaina

“Ny andraikitsika [amin’ny maha-mpikambana antsika] dia ny mandray anjara tanterakaamin’ny fitiavana sy fanompoana ny manodidina antsika—mankahery ny mpiara-miasairay izay mila fanampiana, manasa ny namanao hanatrika batisa, manampy ny mpirayvodirindrina iray izay efa antitra amin’ny asa fikarakarana ny tokotaniny, manasampikambana izay malaindaina iray mba hiara-misakafo, na manampy ny mpirayvodirindrina amin’ny tantaram-pianakaviany. Fomba voajanahary sy mahafaly ahafahanamanasa ireo mpikambana malaindaina sy ireo izay tsy miray finoana amitsika mba hiditraao amin’ny fiainantsika ka ho vokatr’izay dia hiditra koa ao amin’ny fahazavan’ny

LESONA 28

177

Page 190: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

filazantsara izany rehetra izany. Ny fizarana amin’izy ireo ireo fotoana mahafinaritra sy ireofotoana masina tamin’ny fiainantsika no mety ho fomba mahomby indrindra ahafahan’nytsirairay amintsika ‘hiasa ao amin’ny tanimboalobo[n’i Jesoa Kristy] ho famonjena nyfanahin’ny olona’ (F&F 138:56)” (“Hastening the Work of Salvation,” Ensign, okt.2013, 36).

Ny Asan’ny Tempoly sy ny Tantaram-pianakavianaNampianatra ny Loholona Quentin L. Cook avy aomin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

“Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia nandefa antso mazava tsara hoan’ny taranaka vao misondrotra mba hitarika ny dia amin’ny fampiasanany teknôlôjia ahafahana miaina ny fanahin’i Elia, sy hikaroka ireorazambeny, ary hanatanteraka ireo ôrdônansy any amin’ny tempoly ho azyireo. Ny ankamaroan’ireo asa sarotra amin’ny fanafainganana ilay asafamonjena ho an’ny velona sy ny maty dia ianareo tanora no hanao azy”

(“Faka sy Sampana,” Ensign na Liahona, mey 2014, 46).

Fampianarana ny Filazantsara

“Ny andraikitra hampianatra amim-pahombiazana dia tsy voafetra ho an’ireo izay mananaantso ho mpampianatra ihany. Amin’ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy hoan’ny Olomasin’ny Andro Farany anao, dia manana ny andraikitra ny hampianatra nyfilazantsara ianao. Amin’ny maha-ray aman-dreny, zanakalahy, zanakavavy, vady, rahalahy,rahavavy, mpitarika ao amin’ny Fiangonana, mpampianatra, mpampianatraisan-tokantrano, mpamangy isan-tokantrano, mpiara-miasa, mpiray vodirindrina nanamana anao dia manana fahafahana hampianatra ianao. Afaka mampianatra an-kariharysy mivantana ianao indraindray amin’ireo zavatra izay lazainao sy ny tenivavolombelonaizay zarainao. Ary mampianatra foana amin’ny alalan’ny ohatra asehonao ianao”(L’enseignement, Pas de Plus Grand Appel: Guide pour l’Enseignement de l’Évangile[1999], 3–4).

LESONA 28

178

Page 191: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

Taratasy zaraina

Page 192: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra
Page 193: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra
Page 194: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra
Page 195: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra
Page 196: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

IREO FOTOTRY NY FAMERENANA AMIN’ NY LAONINY—LESONA 15

© 2

015

AN’N

Y IN

TELL

ECTU

AL R

ESER

VE, I

NC. Z

O R

EHET

RA V

OAT

OKA

NA.

Fiangonana sasany sy ny milisy tao Missouri. Tonga tany amin’ny Governora Lilburn W. Boggs, governoran’i Missouri, ny tatitra nitarina momba ilay ady ary namoaka ilay didy izay fantatra amin’ny hoe didy fandripahana izy avy eo: “Tsy maintsy raisina ho toy ny fahavalo ny Môrmôna ary tsy main-tsy ripahina na roahina hiala amin’ny fanjakana raha ilaina izany mba ho tombontsoan’ny vahoaka” (voalaza ao amin’ny History of the Church, 3:175). Tsy ela dia voadidin’ireo milisy iray ny tanànan’i Far West izay maro an’isa lavitra ho dimy ho an’ny iray noho ny herin’ny Olomasina. Naiditra am- ponja tao amin’ny Fonjan’i Liberty i Joseph Smith sy ny mpitarika tao amin’ny Fiangonana hafa ary nijanona tany izy ireo nandri-tra ny ririnina manontolo. Noterena hiala ny fanjakana ireo Olomasina sisa.

Ifampiresaho amin’ny mpianatra rehetra ireto fanontaniana manaraka ireto:

• Inona no fitsipika izay azontsika ianarana avy amin’ireo trangan- javatra ireo mba hanampiana antsika hiaritra ny fanoherana?

• Nahoana no zava- dehibe amintsika tsirairay ny manaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy amin’ny fotoan- tsarotra sy ny fano-herana? Inona no nitranga tao Missouri Avaratra noho ny tsy fanaovan’ireo Olomasina izany?

• Oviana no efa nahitanao ny teny na zavatra izay nataon’ny olona iray ka nisy fiantraikany tsara tamin’ny fomba fije-rin’ny olona iray hafa ny Fiangonana?

Page 197: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra
Page 198: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra
Page 199: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra
Page 200: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

IREO FOTOTRY NY FAMERENANA AMIN’ NY LAONINY—LESONA 20

© 2

015

AN’N

Y IN

TELL

ECTU

AL R

ESER

VE, I

NC. Z

O R

EHET

RA V

OAT

OKA

NA.

Nilaza i Helen Mar Kimball momba ny famehezana azy tamin’i Joseph Smith fa ‘ho an’ny mandrakizay fotsiny’ izany, izay midika fa tsy tafiditra tao amin’ny fiarahany ny firaisana ara- nofo. . . .

“. . . I Joseph Smith dia nofehezina tamin’ny vehivavy maro efa nanambady. Samy tsy nisy nanazava betsaka mikasika an’i-reo famehezana ireo na ireo vehivavy na i Joseph Smith, na dia betsaka aza ireo vehivavy nilaza fa ho an’ny mandrakizay fotsiny izany. Ny vehivavy hafa dia tsy nametraka rakitsoratra, ka nanjary tsy fantatra na nandritra izao fiainana izao sy ny mandrikizay ny famehezany na ho an’ny mandrakizay fotsiny.

“Misy fanazavana maro izay afaka ho hita momba an’io fomba io. Mety ho nanome lalana nahafahana namorona fifamatorana mandrakizay na rohy mampifandray ny fianaka-vian’i Joseph sy ny fianakaviana hafa tao amin’ny fiangonana ireo famehezana ireo. Ireo famehezana ireo dia sady mivelatra amin’ny lafiny iray dia, manomboka amin’ny ray aman- dreny hatrany amin’ny zanaka, sy amin’ny ankilany, avy amin’ny fianakaviana iray mankany amin’ny fianakaviana iray hafa. Ankehitriny dia tanteraka ny famatorana mandrakizay toy izany amin’ny alalan’ny fanambadiana any amin’ny tempo-lin’ny olona izay fehezina ihany koa amin’ny zanaka ateraky ny fianakaviany, dia toy izany no ampifandraisana miaraka ny fianakaviana” (“Plural Marriage in Kirtland and Nauvoo,” [Ny Fanambadiana Maro tao Kirtland sy Nauvoo] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics).

Taorian’ny nahafatesan’ny Mpaminany, dia maro ireo vehi-vavy nofehezina taminy izay tsy nanana fifandraisana taminy teto an- tany.

Fanoherana ny Fanambadiana Maro

Mpitarika fivavahana sy ara- pôlitika maro tao Etazonia no nanohitra ny rafitry ny fanambadiana maro, izay noheveriny fa tsy mendrika sy tsy manaraka ny fandrosoana. Noesoina ny Olomasin’ny Andro Farany teny amin’ny resadresaka isan- karazany teo anivon’ny fiaraha- monina, ny boky, ny gazeti-boky ary ny gazety. Namoaka lalàna ny Kongresy Amerikanina izay nametra ny fahalalahan’ny mpikamban’ny Fiangonana sy nanimba ara- toe- karena ny Fiangonana tamin’ny fampihe-nana ny isan’ny fananana izay azon’ny Fiangonana ananana. “Izany lalàna izany dia nahatonga ny manampahefana hiha-zona sy hampiditra am- ponja ireo lehilahy izay nanam- bady mihoatra ny iray ary nanaisotra tamin’ izy ireo ny zo hifidy, ny zo ananany fiainana manokana any an- tokantranony, ary ny fizakana ireo ny zo hafa an’ ny olom- pirenena.” (Ny Lovantsika: Tantara fohy mikasika ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany [1996], 119- 120). Ny taona 1890, dia Olomasin’ny Andro Farany an- jatony maro no naiditra am- ponja. Ny hafa kosa dia niafina mba tsy ho

voasambotra na tafiditra am- ponja. Tamin’izany toe- javatra izany, maro ireo fianakaviana izay nijaly noho ny adin- tsaina, fahoriana, fahantrana, ary hanoanana.

Na dia naneso azy ireo aza izao tontolo izao noho ny fam-piharany ny fanambadiana maro, dia Olomasin’ny Andro Farany maro no niaro ilay fomba sy nijoro ho vavolombelona fa nambaran’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith izany.

Ireo toe- javatra sarotra ireo no nitarika an’ny Filoha Wilford Woodruff ho nikatsaka amim- bavaka ny fitarihan’ny Tompo mikasika ny fampiharan’ny Olomasina ny fanambadiana maro. Tamin’ny taona 1889, dia nampianatra ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana ny Filoha Woodruff mba hanaja-nona ny fampianarana ny fitsipiky ny fanambadiana maro. Tamin’ny taona 1890, fanambadiana maro vitsivitsy no notanterahina, ary ireo dia tsy araky ny torohevitry ny Filoha Woodruff. Na dia izany aza, dia mamoaka tatitra ny olona sasany fa mbola namporisika ny fampiharana ny fanam-badiana maro ny Fiangonana. Ireo tatitra ireo no nitondra fanoherana bebe kokoa ny Fiangonana. Tamin’ny volana sep-tambra 1890, dia namoaka ilay Manifesto ny Filoha Wilford Woodruff, izay fantatra amin’ny Fanambarana Ôfisialy 1 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Ny Manifesto Faharoa

“Ny Manifesto [Fanambarana Ôfisialy 1] dia milaza ny fikasan’ny Filoha [Wilford] Woodruff izay nanaiky ny lalàn’ny Etazonia. Tsy nilaza ny mikasika ny lalàn’ny firenena hafa izany. Hatramin’ny nisokafan’ny fanjanahana tany Mexique sy Canada, dia nanatanteraka ny fanambadiana maro ny mpitarika tao amin’ny Fiangonana tamin’ireo firenena ireo, ary taorian’ny oktôbra 1890, dia mbola notanterahina man-gingina tany hatrany ny fanambadiana maro. . . . Manoloana toe- javatra miavaka, dia fanambadiana maro vitsivitsy no notanterahina tany Etazonia teo anelanelan’ny taona 1890 sy 1904, fa tsy mazava na nahazo lalana ireo fanambadiana ireo mba ho tanterahina tao amin’ireo firenena nanaovana azy” (“The Manifesto and the End of Plural Marriage,” [Ilay Manifesto sy ny Fiafaran’ny Fanambadiana Maro] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics).

“Tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana aprily 1904, dia namoaka filazana feno fanerena ny Filoha [Joseph F.] Smith, izay fantatra amin’ny hoe Manifesto Faharoa, izay milaza fa saziana amin’ny fanalana tsy ho mpikambana ny fanamba-diana maro” (“Plural Marriage in The Church of Jesus Christ of Latter - day Saints,” [Ny Fanambadiana Maro tao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics).

Page 201: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra
Page 202: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra
Page 203: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

IREO FOTOTRY NY FAMERENANA AMIN’ NY LAONINY—LESONA 23

© 2

015

AN’N

Y IN

TELL

ECTU

AL R

ESER

VE, I

NC. Z

O R

EHET

RA V

OAT

OKA

NA.

8 aogôsitra 1844, tamin’ny 10 ora maraina

Tamin’ny 8 aogôsitra 1844 dia nivory ireo Olomasina tao Nauvoo tamin’ny 10 maraina mba hihaino ny fihamboan’i Sidney Rigdon ho mpiahy ny Fiangonana. Niresaka tamin’ireo Olomasina tafavory an’arivony maro izy nandritra ny adiny iray sy sasany, nanazava ny antony naha tsy maintsy ho mpiaro ny Fiangonana azy. Olona maro no nanoritsoritra ny lahateniny ho tsy nentanim- panahy.

Niteny fohifohy ny Filoha Brigham Young ka nilaza fa naleony niverina tany Nauvoo mba hisaona an’ny Mpaminany toy izay hijanona nanendry mpitarika vaovao. Nanambara izy fa hisy fivorian’ny mpitarika sy mpikambana ny harivan’io andro io tamin’ny 2 ora tolakandro. Mpikamban’ny Fiangonana maro no nijoro ho vavolombelona taty aoriana fa rehefa niteny i Brigham Young, dia hitany niova ny endriny ary henony niova ny feony, ka nandray ny endrika sy ny feon’ny Mpaminany Joseph Smith izy.

Nahatsiaro i Emily Smith Hoyt: “Nampihetsi- po be ny fana-hiko manontolo ilay fomba fisainana, ilay fisehon’ny tarehy, ilay fahenoana ny feo. . . . Fantatro fa maty i Joseph. Kanefa dia matetika aho no taitra ka nijery tsy nahy teny amin’ny lampihazo mba hijery raha tsy i Joseph izany. Tsy izy izany, fa i Brigham Young” (voalaza ao amin’ny Lynne Watkins Jorgen-sen, “The Mantle of the Prophet Joseph Passes to Brother Brigham: A Collective Spiritual Witness,” BYU Studies, boky 36, lah. 4 [1996–97], 142).

Nanoratra i Wilford Woodruff hoe: “Raha tsy hitako tamin’ny masoko izy, dia tsy nisy afaka nandresy lahatra ahy hoe tsy i Joseph Smith izany, ary na iza na iza dia afaka mijoro ho va-volombelon’izany izay nahafantatra an’ireo lehilahy roa ireo” (ao amin’ny History of the Church, 7:236).

8 aogôsitra 1844, tamin’ny 2 ora tolakandro

Tamin’ny 2 ora tolakandro dia Olomasina an’arivony maro no vory ho amin’izay noheverin’izy ireo ho fivoriana manan- danja. Nilaza mazava i Brigham Young momba ilay fanoso-ran-tenan’i Sidney Rigdon ho mpiahy sy ny fisarahany tamin’i Joseph Smith nandritra ny roa taona mialoha ka hoy izy hoe:

“Raha tian’ny vahoaka hitarika azy ireo ny Filoha Rigdon dia ho izany izy; nefa milaza aminareo aho fa ny Kôlejin’ny Roambinifololahy no manana ireo fanalahidin’ny fanjakan’ Andriamanitra amin’izao tontolo izao manontolo.

“Ny Roambinifololahy no notendren’ny rantsantanan’ Andria-manitra.. Indro i Brigham, efa niahotrahotra ve izy tamin’ny zavatra tokony nataony? Efa nandainga ve izy? Indro i Heber [C. Kimball] sy ny ambiny amin’ny Roambinifolo, olona sami-hafa manana ireo fanalahidy—ireo fanalahidin’ny fanjakan’ Andriamanitra ho an’izao tontolo izao: marina izany, koa ampio aho Andriamanitra. Nanara- dia an’i Joseph izy ireo, ary mitovy amin’ny Fiadidiana Voalohany” (ao amin’ny History of the Church, 7:233).

Nanamarika ny Olomasina maro fa nitovy tamin’i Joseph ny endrika sy ny feon’i Brigham Young rehefa niteny izy tamin’io tolakandro io. Ankoatra ilay fahagagana dia maro tamin’ny Olomasina koa no nahatsapa ny Fanahy Masina nijoro ho vavolombelona fa voantson’ Andriamanitra mba hitarika ny Fiangonana i Brigham Young sy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy. Tamin’ny faran’io fivoriana io, dia niray feo ny Olomasina tao Nauvoo nanohana ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, niaraka tamin’i Brigham Young ho lohany, mba hitarika ny Fiangonana. Na izany aza, dia tsy ny mpikam-ban’ny Fiangonana rehetra no nisafidy nanaraka ny Apôstôly tamin’ny farany. Nisafidy ny hanaraka an’ireo olon- tokana toa an- dry Sidney Rigdon sy i James Strang ny sasany tamin’ireo vahoaka izay nanangana ny fiangonany manokana.

Page 204: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra
Page 205: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

IREO FOTOTRY NY FAMERENANA AMIN’ NY LAONINY—LESONA 25

an’ilay andian- tsarety sy handroba ny biby fiompiny mba hanafaizana ireo mpifindra monina. Nangataka an’i John D. Lee, mpikamban’ny Fiangonana tao an- toerana sy lehibe tao amin’ny milisy, i Isaac Haight mba hitarika ilay fanafihana, ary nikasa ny nanome tsiny ny Indiana izy ireo tamin’io zavatra io.

Fanafihana ireo mpifindra monina

Natolotr’i Isaac Haight tamin’ny filankevitry ny mpitarika tao amin’ny Fiangonana sy ny fiaraha- monina ary ny milisy teo an- toerana ilay drafitra hanafihana ny andian- tsarety. Tsy na-naiky mafy an’ilay drafitra ny sasany tamin’ny filankevitra ary nanontany an’i Haight raha toa ka efa niara- nidinika momba izany zavatra izany tamin’ny Filoha Brigham Young izy. Rehefa niteny hoe tsia i Haight dia nanaiky nandefa iraka, i James Haslam, izy ho any Salt Lake City miaraka amin’ny taratasy nanazava ny toe- draharaha sy nanontany ny zavatra tokony hatao. Kanefa, tokony ho 400 km miala avy eo Cedar City i Salt Lake City, dia hitaky dia mafy an- tsoavaly mandritra ny herinandro ho an’ilay iraka ny mihazo an’i Salt Lake City ka hiverina any Cedar City miaraka amin’ny toromariky ny Filoha Young.

Fotoana fohy talohan’ny nandefasan’i Haight ny taratasiny niaraka tamin’ilay iraka, dia notafihin’i John D. Lee sy ny andiana Indiana ny lasin’ireo mpifindra monina teo amin’ny toerana izay antsoina hoe Mountain Meadows. I Lee no nitarika ny fanafihana, saingy nanafina ny tenany izy ka nahatonga izany ho toy ny hoe ireo Indiana ihany no nandray anjara. Maty na naratra ny sasany tamin’ireo mpifindra mo-nina, ary ny sisa dia niady tamin’ireo mpanafika, nanery an’i Lee sy ny Indiana mba hihemotra. Nosintomin’ireo mpifindra monina haingana hanome faribolana kely ny saretiny mba ho fiarovana. Nisy fanafihana roa hafa taorian’io nandritra ny dimy andro nijanonan’ny andian- tsarety.

Nisy fotoana ireo milisin'i Cedar City nahatsikaritra mpifindra monina roa ivelan’ilay faribolan- tsarety Notifirin’ireo milisy izy ireo ka maty ny iray. Nitsoaka ny anankiray ka nampahafanta-tra ilay vaovao tamin’ny lasiny fa tompon’andraikitra tamin’ny fanafihana azy ireo ny fotsy. Tratra tamin’ny laingany ary izao ireo izay nanomana ny fanafihana. Raha navela nandeha tany Californie ireo mpifindra monina dia hiparitaka ny vaovao fa tompon’andraikitra tamin’ny fanafihana ny andian- tsarety ny Olomasin’ny Andro Farany. Natahotra ireo mpiray tetika fa hitondra vokatra ratsy eo aminy sy eo amin’ny vahoakany io vaovao io.

Fandripahana tao Mountain Meadows

Tao anatin’ny tetika hisorohana ny fiparitahan’ny vaovao fa tompon’andraikitra tamin’ny fanafihana ny andian- tsarety ny Olomasin’ny Andro Farany dia nanao drafitra ny hamono ny mpifindra monina sisa rehetra afa- tsy ny zaza madinika i Isaac Haight sy i John D. Lee ary ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana sy ny milisy tao an- toerana. Ho fampiharana ilay

drafitra dia nanatona ny mpifindra monina i John D. Lee ary nilaza fa hiaro azy ireo amin’ny fanafihana hafa ny milisy ka nitondra azy ireo niverina soa aman- tsara tany Cedar City. Teo am- pandehanana ho any Cedar City dia nivadika ny milisy ka nitifitra ireo mpifindra monina. Nisy indiana sasany izay nalai-n’ireo mpifindra monina tao an- toerana nipoitra avy tamin’ny fiafonany nanatevin- daharana ny fanafihana. Tamin’ireo mpifindra monina tokony ho 140 izay tao amin’ilay andian- tsarety, zaza madinika 17 no voatsimbina

Roa andro taorian’ilay fandripahana dia tonga tao Cedar City i James Haslam niaraka tamin’ny hafatra valiteny avy tamin’ny Filoha Young, izay nilaza tamin’ireo mpitarika tao an- toerana mba hamela ny andian- tsarety handeha am- pilaminana. “Rehefa namaky ny tenin’i Young i Haight, dia nigogogogo nitomany toy ny zazakely ka tsy afaka niteny afa- tsy ny hoe: ‘Tara loatra, tara loatra’” (Richard E. Turley Jr., “The Mountain Meadows Massacre,” Ensign, sept. 2007, 20).

Ireo Vokany Mahatsiravina

Tsy ireo izay maty tokony ho 120 ihany no vokatry ny Fandri-pahana tao Mountain Meadows fa niteraka fijaliana lehibe ho an’ireo zaza tsy maty sy ny havan’ireo maty koa izany. Nisy Olomasin’ny Andro Farany sasany nandray sy nikarakara ireo zaza mpifindra monina tsy maty tamin’ilay fandripahana. Tamin’ny 1859, dia nalain’ny manampahefana federaly ireo zaza ireo ka naveriny tany amin’ny havany tany Arkansas. Nijaly ihany koa ireo Indiana Paiute noho ny fiampangana tsy ara- drariny azy ireo tamin’ilay heloka.

Nianatra avy tamin’ilay Fandripahana ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana

“Na dia fantatr’i BrighamYoung sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana tao Salt Lake City aza ilay fandripahana fotoana fohy taorian’ny nisehoany, dia tonga tsikelikely nandritra ny fotoana ny fahatakarany ny halehiben’ny fan-draisana anajaran’ireo mponina sy ny antsipiriany mahatsi-ravina an’ilay vono olona. Tamin’ny taona 1859 dia nesoriny tamin’ny antsony i Isaac Haight tamin’ny naha filohan’ny tsatòka azy sy ireo mpitarika ambony tao amin’ny Fiangonana tao Cedar City izay nanana anjara asa tamin’ilay fandripa-hana. Nalàna tsy ho mpikamban’ny Fiangonana i Isaac Haight sy i John D. Lee tamin’ny 1870.

“Nisy mpitsara lehiben’ny faritany niampanga lehilahy sivy noho ny fandraisany anjara tamin’ilay fandripahana tamin’ny 1874. Nosamborina tamin’ny farany ny ankamaroan’izy ireo, fa i Lee kosa dia notsaraina sy nomelohina ka novonoina noho ilay heloka. Nisy lehilahy iray hafa izay voampanga nifampiraharaha tamin’ny fanjakana [nitonon- tena nijoro ho vavolombelona sy nitondra porofo hiampangana ireo voam-panga hafa], ary ny hafa kosa nandany taona maro nitsoaka ny lalàna. Niaina tao anatin’ny fahamelohana mahatsiravina sy fanofisan- dratsy ny zavatra nataony sy hitany nandritra ny

Page 206: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

IREO FOTOTRY NY FAMERENANA AMIN’ NY LAONINY—LESONA 25

© 2

015

AN’N

Y IN

TELL

ECTU

AL R

ESER

VE, I

NC. Z

O R

EHET

RA V

OAT

OKA

NA.

fiainany ireo milisy maro hafa izay nandray anjara tamin’ilay fandripahana” (Richard E. Turley Jr., “The Mountain Mea-dows Massacre,” Ensign, sept. 2007, 20).

Faha 150 taonan’ny Fandripahana tao Mountain Meadows

Nilaza ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

“Ny maha tompon’andraikitra tamin’ny [Fandripahana tao Mountain Meadows] dia an’ny mpitarika tao amin’ Ny Fian-gonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tao an- toerana tao amin’ny faritra akaikin’ny Mountain Meadows izay nihazona toerana teo amin’ny fiaraha- monina sy ny ta-fika ihany koa niaraka tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana izay nanao zavatra teo ambanin’ ny fitarihany. . . .

“. . . Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay ankamamintsika, dia mankahala ny famonoana olona an- kitsirano na lahy

na vavy na ankizy. Eny tokoa, mitory fiadanana sy famelana izany. Mampiseho zavatra mahatsiravina sy tsy azo leferina izay mifanohitra amin’ny fampianarana sy ny fitondrantena Kristianina ny zavatra izay nataon’ireo mpikamban’ny Fian-gonana [tao Mountain Meadows] fotoana ela lasa izay. . . . Azo inoana fa hametra ny sazy ara- drariny eo amin’ireo izay tompon’andraikitra tamin’ilay fandripahana ny Fahamarinan’ Andriamanitra. . . .

“. . . Ny Andriamanitry ny Lanitra anie, izay manana zana-kalahy sy zanakavavy antsika rehetra, hitahy antsika mba hanome voninahitra ireo izay maty teto, amin’ny fifanome-zantsika fitiavana madio sy ny fanahin’ny famelana izay ny Zanany Lahitokana no ohatra velona” (“150th Anniversary of Mountain Meadows Massacre,” sept. 11, 2007, mor-monnewsroom.org/article/150th- anniversary- of- mountain- meadows- massacre).

Page 207: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra
Page 208: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra

IREO FOTOTRY NY FAMERENANA AMIN’NY LAONINY—LESONA 28

© 2

015

AN’N

Y IN

TELL

ECTU

AL R

ESER

VE, I

NC. Z

O R

EHET

RA V

OAT

OKA

NA.

Fampianarana ny Filazantsara

“Ny andraikitra hampianatra amim- pahombiazana dia tsy voafetra ho an’ ireo izay manana antso ho mpampianatra ihany. Amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany anao, dia manana ny an-draikitra ny hampianatra ny filazantsara ianao. Amin’ny maha ray aman- dreny, zanakalahy, zanakavavy, vady, rahalahy, rahavavy, mpitarika ao amin’ny Fiangonana, mpampianatra,

mpampianatra isan- tokantrano, mpamangy isan- tokantrano, mpiara- miasa, mpiray vodirindrina na namana anao dia manana fahafahana hampianatra ianao. Afaka mampianatra an- karihary sy mivantana ianao indraindray amin’ireo zavatra izay lazainao sy ny tenivavolombelona izay zarainao. Ary mampianatra foana amin’ny alalan’ny ohatra asehonao ia-nao” (L’enseignement, Pas de Plus Grand Appel: Guide pour l’Enseignement de l’Évangile [1999], 3–4).

Page 209: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra
Page 210: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny - Church Of Jesus Christ€¦ · ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra