mag61-0730m ireo toro-hevitr’i gabriela tamin’i daniela...

49
Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela Ny Tompo hitahy anao, rahalahy. Manao ahoana, ry sakaiza. Tena mafana, ny ho ato amin’ny tabernakla izao maraina izao, saingy tena be voninahitra ny ho eto. Tena faly isika fa afaka—afaka ny ho eto androany ho an’ity fotoana ity. Ary efa nolazaiko fa hanana fianarana iray aho ankehitriny eo amin’ity Fitopolo Herinandron’I Daniela ity. Izany dia mampifamatotra ny sisa amin’ny Hafatra alohan’ny ahafahako mandeha eo amin’ireo—ireo Tombokase Fito. Izany dia, Tombokase Fito; Loza Fito; Trompetra Fito; Fahoriana Telo; ilay vehivavy ao anatin’ny masoandro; fandroahana an’ilay devoly mena; ireo efatra arivo amby efatra alina amby iray hetsy voaisy tombokase; ny rehetra dia mitranga eo anelanelan’io fotoana io. Dia nieritreritra aho fa tsy maintsy hampiditra an’ity aho aloha. 2 Ankehitriny, mafana ny andro. Tsy mikasa ny hijanona ela loatra isika, arak’izay vitantsika fotsiny. Ary izao no vanim- potoana, mazàna, vanim-potoana maty, izay tsy hananan’ny olona fiangonana matetika loatra. Ary, indrindra, ary ny rehetra amin’izy ireo dia manana efitra misy rivotra mampangatsiaka, sy ny sisa, izay mampahazo aina. Maniry isika mba hanana an’izany, saingy amin’izao fotoana izao dia tsy manana an’izany isika. 3 Maro tamin’ireo razantsika no nijanona tany ivelany tao amin’ny masoandro nahamay. Rehefa mieritreritra ny ialan- tsiny amin’ny olona aho ny amin’ny tsy fananana efitra misy rivotra mampangatsiaka, dia miverina any Afrika foana ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao amin’ireo tafio-drivotra, ary ireo vehivavy niaraka tamin’ny volony nihantona nidina teo amin’ny tavany, nijanona teo andro aman’alina, tsy niala avy teo amin’ilay toerana izay nipetrahan’izy ireo mihitsy; tsy nihinana, nisotro, na inona na inona, nijanona teo mihitsy mba hahazo Teny iray fotsiny, na roa, matetitetika, an’ny Tompo. 4 Afaka mieritreritra an’i Mexico aho rehefa tena nafana ny andro izay, mba hahitsy fo, nipetrahako tao amin’ny efitra iray misy rivotra mampangatsiaka ary niezaka nikopakopaka ny tenako, tena nafana ny andro. Ary nahita an’ireo olona ireo tonga tany tamin’ny sivy ora maraina, tao amin’io kianja filalaovana goavana io, ary tsy nisy seza, mba ipetrahana. Olona narary, tena narary, teo am-pahafatesana, narary; homamiadana, fivontosana; ary reny narary, zaza kely, teo

Upload: others

Post on 05-Aug-2020

0 views

Category:

Documents


0 download

TRANSCRIPT

Page 1: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

Ireo Toro-hevitr’i

Gabriela Tamin’i Daniela

NyTompo hitahy anao, rahalahy.Manao ahoana, ry sakaiza.Tena mafana, ny ho ato amin’ny tabernakla izao maraina

izao, saingy tena be voninahitra ny ho eto. Tena faly isika faafaka—afaka ny ho eto androany ho an’ity fotoana ity. Ary efanolazaiko fa hanana fianarana iray aho ankehitriny eo amin’ityFitopolo Herinandron’I Daniela ity. Izany dia mampifamatotrany sisa amin’ny Hafatra alohan’ny ahafahako mandeha eoamin’ireo—ireo Tombokase Fito. Izany dia, Tombokase Fito;Loza Fito; Trompetra Fito; Fahoriana Telo; ilay vehivavy aoanatin’ny masoandro; fandroahana an’ilay devoly mena; ireoefatra arivo amby efatra alina amby iray hetsy voaisy tombokase;ny rehetra dia mitranga eo anelanelan’io fotoana io. Dianieritreritra aho fa tsymaintsy hampiditra an’ity aho aloha.2 Ankehitriny, mafana ny andro. Tsy mikasa ny hijanona elaloatra isika, arak’izay vitantsika fotsiny. Ary izao no vanim-potoana, mazàna, vanim-potoana maty, izay tsy hananan’nyolona fiangonana matetika loatra. Ary, indrindra, ary ny rehetraamin’izy ireo dia manana efitra misy rivotra mampangatsiaka,sy ny sisa, izay mampahazo aina. Maniry isika mba hananaan’izany, saingy amin’izao fotoana izao dia tsy mananaan’izany isika.3 Maro tamin’ireo razantsika no nijanona tany ivelany taoamin’ny masoandro nahamay. Rehefa mieritreritra ny ialan-tsiny amin’ny olona aho ny amin’ny tsy fananana efitramisy rivotra mampangatsiaka, dia miverina any Afrika foanany eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany taoamin’ireo tafio-drivotra, ary ireo vehivavy niaraka tamin’nyvolony nihantona nidina teo amin’ny tavany, nijanona teoandro aman’alina, tsy niala avy teo amin’ilay toerana izaynipetrahan’izy ireo mihitsy; tsy nihinana, nisotro, na inona nainona, nijanona teomihitsy mba hahazo Teny iray fotsiny, na roa,matetitetika, an’ny Tompo.4 Afaka mieritreritra an’i Mexico aho rehefa tena nafana nyandro izay, mba hahitsy fo, nipetrahako tao amin’ny efitrairay misy rivotra mampangatsiaka ary niezaka nikopakopakany tenako, tena nafana ny andro. Ary nahita an’ireo olonaireo tonga tany tamin’ny sivy ora maraina, tao amin’io kianjafilalaovana goavana io, ary tsy nisy seza, mba ipetrahana.Olona narary, tena narary, teo am-pahafatesana, narary;homamiadana, fivontosana; ary reny narary, zaza kely, teo

Page 2: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

2 NY TENY VOAMBARA

am-pahafatesana sy ny sisa, nijanona teo mihitsy tao amin’iomasoandro nahamay nangotraka io, tsy nisy alokaloka na taizana taiza, ary nifampiankina fotsiny nanomboka tamin’ny sivymaraina hatramin’ny sivy alina, mba handre telopolo minitrafotsiny tamin’ny alàlan’nympandika teny iray, ary hahita an’ireoasan’ny Tompo. Nipetraka tany ary niandry, nanao an’ireoakanjo mavesatra tranainy goavana, miakanjo azy ireny amin’nyririnina sy fahavaratra izy ireo. Izay ihany no ananan’izy ireo.5 Ary avy eo dia mieritreritra an’ilay fipetrahana tany taoanatin’ireo ala mikirindro aho, toy ny ahoana no nitondran’izyireo an’ireo olona narary, izay tsy afaka nihetsika akory aza.Ary tany Inde, rehefa nametraka antontany anankiray izy ireo,avy eo dia nametraka anankiray teo an-tampon’ilay anankiray,anankiray teo an-tampon’ilay anankiray, tahaka an’izany,niaraka tamin’ny habokana sy aretina; izay nitarihan’izy ireoazy ireny, ka nivoaka teny an-dàlambe, ary nametraka azy ireoteo amin’io masoandro nahamay, nangotraka, an’ny tanymafanaio. Tao amin’ireo tafio-drivotra, ary nanjelatra ny tselatra,sy ny sisa tahaka an’izany, nijanona teo mihitsy izy ireo taoanatin’io masoandro sy tafio-drivotra io, sy ny sisa, ary tsynihetsika mihitsy na nitaraina, izao fotsiny… ary niezakahahazo Tenin’Andriamanitra anankiray, matetitetika, zavatrairay ho an’ny fanahin’izy ireo. Noho izany dia nahoana isika notokony hiala tsiny izao maraina izao, miaraka amin’ny tafo eoambonin’ny lohantsika, ireo fampandehanan-drivotramandeha?Tokony homenatra isika rahamitarainamikasika an’izany.6 Noho izany tsaroako vao tsy ela akory izay, tany amin’nynosy anankiray, iray amin’ireo nosy any amin’ny RanomasinaAtsimo, nanana fivoriana iray aho tany tamin’io hariva io.Ary, oh, tonga ny tafio-drivotra iray. Oh, tsy mbola nahitatafio-drivotra tahaka an’izany mihitsy aho, tselatra nanjelatraanankiray aorian’ny iray hafa, nanazava an’ilay firenena. Arytoy ny ahoana no nitsofan’ireo rivotra hany ka nianjera tamin’nytany ireo hazo. Hoy aho hoe, “Eny, izy ireo dia…Azoko esorinatsara ny palitaoko sy ny patalohako, satria tsy hisy olona any.”7 Tao anatin’ny fotoana fohy dia nihemotra teo am-baravaranailay fiara kely, ary nandondòna ny olona iray, vonona nyhandeha.

Ary hoy aho tamin’ilay tovolahy, afaka niteny Anglisy izy,hoy aho hoe, “Misy olona ve any?”

Hoy izy, “Tsy afaka miditra ao amin’ireo trano maromaroan’ilay toerana akory aza ianao,” teo amin’ilay filalaovana base-ball goavana iray.

Dia hoy aho hoe, “Ny tianao ho lazaina ve dia hoe ny olonadia—dia any ivelany tahaka an’izany,” hoy aho, “amin’izao tafio-drivotra rehetra izao?”

Page 3: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

IREO TORO-HEVITR’I GABRIELA TAMIN’I DANIELA 3

Hoy izy ireo hoe, “Te-handre mikasika an’Andriamanitraizy ireo.”8 Ary—ary noho izany dia nandeha tany aho. Ary nisy an’ireoramatoa tany, tovovavy tanora, adolantsento, tsy nanesoeso nanihomehy, sy nanapoaka siligoma, ary niresaka mikasika an’ireosakaiza lahiny. Ny Teny rehetra, nifikitra tamin’Izany fotsinyizy ireo; ary tsy nihetsika mihitsy, nipetraka fotsiny ary nihaino.Nanao antso teny amin’ny alitara aho, nanao antso teny amin’nyalitara fotsiny, ka an’arivony no nitsangana, niaraka tamin’ireoranomaso nameno ny mason’izy ireo tahaka an’izany, niarakatamin’ny tànany nitsangana nankany amin’Andriamanitra,nangataka famindrampo ho an’ny fanahin’izy ireo, tovovavy sytovolahy tanora, fito ambin’ny folo, valo ambin’ny folo taona.Ankehitriny dia toa sarotra ny hanao an’ireo olona antitramba hihaino akory aza, hitanareo. Izany—izany no maneho fatsy misy na inona na inona tokony hampitaraina antsika. Hoan’Andriamanitra anie ny saotra! Eny, tompoko.9 Tiantsika ny hanana an’ilay izy ho moderina tanterakatahaka ny sisa amin’ny Amerika, saingy tsy tahaka an’izany noananantsika azy; noho izany dia hanao amin’izay ananantsikafotsiny isika.10 Ankehitriny, manana zavatra kely aho izay voamariko katiako hatao eto amin’ny tabernakla eto indray. Firy no mananaBaiboly, atsangano ny tànanareo. Tsara. Ndao isika hamadikaao amin’ny Salamo 99 alohan’ny hivavahantsika. Nanao an’izaoisika fahiny, Rahalahy Neville, taona maro lasa izay. Tsyfantatro na…Efa namaky Salamo iray ve ianareo izao marainaizao? [Hoy Rahalahy Neville hoe, “Tsia.”—Mpand.] Tsia. Tiakofotsiny mba, ny fiangonana, mba hamaky ny sasantsasanyamin’ny Salamo.11 Izao maraina izao, rehefa nipetraka tao amin’ny efitrafianarako aho, teo am-pisaintsainana an’ity Hafatra sy Teny ity,dia nieritreritra aho hoe, “Fantatrao, ho tsara indray ny hanao—hanao azy rehetra hamaky Salamo. Tena tiako tokoa izany.”

Ny antony naha-tara kely ahy fotsiny, dia nahazo antso irayavy tany lavitra tany ho ahy izy ireo, avy any Cheyenne, nohoizany dia izay no antony naha-tara ahy.12 Ary ankehitriny, raha mbola mamadika ao amin’ity Salamoity isika, dia manana filazana sasantsasany hatao aho, izay vaoavy nomena ahy mihitsy. Salamo 99 izany.13 “Manomboka izao, ny filazana rehetra mikasika ny fivorianaeto amin’ny tabernakla, sy ao amin’ireo asam-pitoriana, diamivoaka avy ao amin’ny birao ao Jeffersonville. Na iza naiza maniry ny hahafantatra an’ireo fivoriana dia tsy maintsymisoratra anarana, na manome ny anarany sy ny adiresin’izyireo, ary mametraka an’izany eto amin’ny polipitra amin’nyfiafaran’ny fotoana rahariva. Halefa aminareo ara-potoana ny

Page 4: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

4 NY TENY VOAMBARA

filazana iray mba hanaovanareo fandaminana hanatrehanaan’ireo fivoriana.”

Izany hoe, raha misy olona amin’ny ho avy te-hahafantatrafotsiny hoe aiza no hananantsika an’ireo fivoriana, dia mananarafitra voapetraka izahay, any amin’ny birao any ankehitriny,ka afaka mametraka ny anaranareo sy ny adiresinareo etofotsiny ianareo. Ary handefa karatra ho anareo izahay, alohan’nyfotoana, mba hahafantaranareo hoe aiza no hanaovana an’ireofivoriana, ary angamba ireo lohahevitra, sy na inona nainona koa, raha afaka mahazo anjara ianareo. Hitanareo, rahatsy manana toerana ofisialy iray izay nihaviany ianareo, nyanankiray milaza an’ity ary ny iray milaza an’itsy, ianareo—tsyho azonareo ilay izy, hitanareo. Noho izany fotsiny avelao…Soraty ny anaranareo sy ny adiresinareo dia apetraho eto izany,ary Billy Paul no haka azy ka handefa an’izany.14 Ankehitriny, dia nanontaniana, ihany koa, rahambola hisy… “Rahalahy Branham, mbola hanana asam-panasitranana ato amin’ny tabernakla ve ianao, miarakaamin’ireo famantarana?” Tsia. Tsia. Ireo famantaranadia homen’ny—ny komitinay hafa. Manana an’i RahalahyNeville isika eto ankehitriny izay manana ny fanomezam-pahasoavan’ny faminaniana, izay maminany eo amin’ny mararysy mampahafantatra azy ireo ny zavatra izay ilain’izy ireoho fantatra. Ary isika dia manana rahalahy iray amin’nyanarana hoe Higg-…Higginbotham, anankiray amin’ny…izay mpitantan-draharaha, nanompo tamim-pahatokiana teoamin’ny komity. Tsy mahita azy aho izao maraina izao, fa izymatetika dia manana fanomezam-pahasoavan’ny fitenenanaamin’ny fiteny tsy fantatra. Ary ramatoa kely iray antsoinahoe Arganbright, anabavy kely maha-te-ho tia izay mananafanomezam-pahasoavan’ny fandikana ny fiteny tsy fantatra.15 Ary ireto hafatra ireto dia voaporofo fa avyamin’Andriamanitra, satria tsy any ivelan’ny lamina tokoaizy ireo, izy ireo dia mipetraka ao amin’ny lamina mihitsy.Ary vantany vao manomboka mivangongo ireo fanomezam-pahasoavana ireo, dia hiezaka isika ny—ny hanana ny… hanaoan’izany ho voalamina tsara indray ao amin’ny fiangonana, nyfomba fanaovana azy. Ary tsy maintsy hahita azy ireo tsy hoela mihitsy aho, ary mba ireo—mba ireo—mba hitohizan’ireofivoriana tanteraka mihitsy ao amin’ny lamin’ny Tompo,arak’izay ahavitantsika azy ho tanterakamihitsy.16 Fa ireo olona malala ireo, hoy ny mpiara-monina amiko,Rtoa. Wood, izay nametraka fanamafisam-peo iray eto, syfandraisam-peo ao aoriana ao, mba handray feo ny fivoriana,manana tanjona fotsiny hahazo an’ireo hafatra ireo, kahanoratra azy ireo, ary hahita raha marina izy ireo natsia. Hitanareo? Tahaka an’izany no hanamarinany azy ireny.

Page 5: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

IREO TORO-HEVITR’I GABRIELA TAMIN’I DANIELA 5

Fantatro fa vehivavy iray mahitsy fo Rtoa. Wood. Ary mitenyamiko an’ireo zavatramaro izay voalaza izy, arymiseho.17 Ankehitriny, noho izany dia tena mankasitraka isika nyamin’izany. Fanampiana iray toy ny inona izany ho ahy ato an-trano, rehefa tonga ato an-trano aho, arak’izany. Io famantaranaeo amin’ny lafiny ara-paminaniana io dia manorotoro ahymihitsy, ary, noho izany, dia nandefa fanampiana iray ho ahyAndriamanitra ho an’izany, amin’ny alàlan’ny faminaniana, syfitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra, ary fandikana, izayfaminaniana. Fa, faminaniana izany, ny miteny amin’ny fitenytsy fantatra. Misy olona roa samihafa maminany. Ny anankirayizay miteny, ilay anankiray hafa izay mahazo an’izay lazain’ilayanankiray milaza amin’ny fiteny tsy fantatra, dia faminanianamarina tokoa. Ary ankehitriny isika dia…Manana an’izanyisika isan’andro, amin’ny fivoriana tsirairay eto rehefa manao nylaharam-bavatsika isika ao amin’ny fivoriana.18 Ankehitriny, mety misy olona hanontany arak’izany, efa…mikasika ny fanomezam-pahasoavana. Eny, mbola mananaan’ilay izy foana aho. Fa io fomba io, ny fomba tokanaampiasaiko azy, dia eo amin’ireo fifampiresahana manokana,izay ananako. Ary, mba hahazoana azy ireo, mino aho famanana an’izany izy ireo eo amin’ny tabilao fametrahana afisyao aoriana ao, mba hahazoana fahazoan-dàlana sy mandaminany fotoanareo, amin’ny alàlan’i Billy Paul, ny zanako lahy, hoan’ny eto na ao amin’ireo fivoriana aorian’ity. Any ivelany anyamin’ireo saha, na aiza na aiza, dia tsy maintsy manana karatrakely iray ianareo izay homen’i Billy Paul anareo. Raha misyzavatra iray ao amin’ny fiainana izay tsy mety azonareo, ka tsyfantatrareo hoe ahoana no hivoahana amin’izany, ary mikatsakany fahendren’ny Tompo ianareo, amin’izay fotoana izay diaaoka…Jereo i Billy Paul, ny zanakolahy, izay mpitan-tsoratra,dia hanome karatra kely iray ho anareo izy, ary hanome daty irayho anareo, amin’ny fotoana iray.

Ary avy eo rehefa hanana an’ireo fifampiresahana ireo isika,amin’izay fotoana izay no hisy izany rehefa hiditra miarakaisika, izaho sy ianareo fotsiny. Ary raha ireo vehivavy no tonga,dia hiditra miaraka amiko sy ny vadiko ianareo. Ary amin’izayfotoana izay ianareo…Hahita isika, ary hitady ny Tompo kahangataka Aminy an’izay tsy maintsy hataonareo.19 Ankehitriny, ny hafa, ireo zava-misy madinika sy ny sisatahaka an’izany, dia ampitaina amin-dRahalahy Neville, syRahalahy Higginbotham, sy Ranabavy Arganbright, ary ireohafa izay miteny amin’ny fiteny tsy fantatra sy mandika, izayato amin’ny fiangonana ato.20 Noho izany, toy ny ao amin’ny dia isika. Mino aho fa i Jetroilay izy, izay nilaza tamin’i Mosesy indray andro, hitanareo,“Ndao isika haka loholona sasantsasany.” “Ary nesorina niala

Page 6: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

6 NY TENY VOAMBARA

teo amin’i Mosesy ny Fanahin’Andriamanitra ka napetraka teoamin’ireo loholona fitopolo, ka naminany izy ireo. Fa ireo zavatralehibe sy sarotra ihany no tonga teo amin’i Mosesy irery.”Ankehitriny, tsy Mosesy izahay, na ireo loholona ireo ihany koa,fa mbolamanompo an’ilay Jehovah Andriamanitra foana izahay,miaraka amin’ilay Andry Afo iray ihany izay mitarika antsikamankao amin’ilay Tany nampanantenaina.

Koa, noho izany, eny, hisy hafa, hisy ireo fivoriana ary hisy nyfandika-…Ho tonga ireo famantarana. Izany dia hanome ahyanjara iray arak’izany ho ao amin’ny vavaka sy hianatra, ireoandro izay fantatro fa hahatongavan’ireo fifampiresahana ireo,ary ho vonona ho azy ireo.21 Tsarovy ankehitriny, Billy Paul Branham, ny mpitan-tsoratray eny amin’ny saha, no… Izany dia eo…Ny afisy diaeo amin’ny tabilao aoriana ao, amin’ny alàlan’ireo mpitantan-draharaha. Manana naoty iray aho eto mba hilazana an’izany, syhitenenana amin’ny olona fa afaka mamaky an’izany izy ireo eoamin’ny tabilaon’ny afisy, eo am-pivoahana.22 Ankehitriny, ankehitriny, izao maraina izao dia mananalesona iray lehibe isika, ary rahariva dia hiezaka hanohyan’izany. Ary, raha sitraky ny Tompo, amin’ny Alahady heriny,iray hafa, ao amin’izany. Tsy fantatro hoe lalina toy ny ahoanailay izy raha tsy efa nianatra azy aho. Ary mbola zava-miafinaamiko foana ilay izy, mbola, ka noho izany dia miankina amin’nyTompo fotsiny aho.23 Ankehitriny, ianareo miaraka amin’ny Baibolinareo, ndaoisika hamadika ao amin’ny Salamo 99, 99. Ary izaho hamakyny andininy faha-1, ny fiangonana hamaky ny andininy faha-2, avy eo isika rehetra miaraka dia hamaky ny andininy farany.Manohy isika; izaho, ny faha-1; ny fiangonana, ny faha-2; izaho,ny faha-3; ny fiangonana, ny faha-4; manohy hatrany amin’nyandininy farany, ary avy eo isika rehetra dia hamaky azymiaraka.

Hitsangana isika raha mamaky ny Tenin’Andriamanitra.[Mamaky ny Salamo 99:1-9 araka ny nolazainy RahalahyBranham sy ny fiangonana—Mpand.]

Ny TOMPO no manjaka; aoka hangovitra ny olona:mipetraka eo anelanelan’ireo kerobima izy; aokahihorohoro ny tany.Ny TOMPO dia lehibe any Ziona; ary avo ambonin’ny

olona rehetra izy.Aoka hidera ny anaranao lehibe sy mahatahotra ireo;

fa masina izany.Ny herin’ny mpanjaka koa dia tia fitsarana; ianao

no mampitoetra ny fahitsiana, ianao no manatanterakafitsarana sy fahamarinana eo amin’i Jakoba.

Page 7: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

IREO TORO-HEVITR’I GABRIELA TAMIN’I DANIELA 7

Asandrato ny TOMPOAndriamanitsika, ka miankohofaeo amin’ny fitoera-tongony; fa masina izy.

Mosesy sy Arona teo anivon’ireo mpisorony, arySamoela teo anivon’ireo izay niantso ny anarany;niantso ny TOMPO izy ireo, ary namaly azy ireo izy.

Niteny tamin’izy ireo tao anatin’ny andry rahona izy:nitandrina ny teni-vavolombelony izy ireo, ary ireo didyizay nomeny azy ireo.

Ianao no namaly azy ireo, O TOMPO Andriamanitray:ianao no Andriamanitra iray izay namela azy ireo, nadia namaly faty azy ireo nohon’ny nataony aza ianao.

Asandrato ny TOMPOAndriamanitsika, ka miankohofaao amin’ny havoana masina; fa masina ny TOMPOAndriamanitsika.

24 Ndao isika hanondrika ny lohantsika.

Marina tokoa, Tompo, fa ireo Teny ireo dia voasoratra syvoatambatry ny Mpanomponao, Davida, tao amin’ny Salamoiray ho Anao. Mitoetra eo anelanelan’ireo Kerobima Ianao.Masina Ianao, ary masina ny Havoananao. Aoka izahayhanakaiky miaraka amin’ny fonay voafafin’ny Ràn’ny TompoJesosy, miaraka amin’ny eritreritra iray madio, ary miarakaamin’ny finoana sy antoka fa tonga ao amin’ny Fanatrehan’nyAndriamanitray izahay. Aoka hanaja ity mpanatrika rehetra ityizao maraina izao. Sokafy ny sofin’ny fahazoanay. Miresahaamin’ny alàlanay, amin’ny fahendrena, mba ahafahanaymahafantatra hoe ahoana no tsy maintsy hitondranay nytenanay ao amin’ireto andro ireto sy ao amin’NyFanatrehanao.25 Hangataka Aminao izahay, ry Andriamanitray, mbahanambara aminay an’ireo zavatra tsiambaratelo izay nafeninanandritr’ireo taona rehetra ireo, raha manatona ny anankirayamin’ireo Teny tso-po, mihaja indrindra izahay. Niresaka nyamin’izany Ianao fony Ianao teto an-tany, ka nanao hoe, “Izaymamaky, aoka izy hahazo.” Noho izany, dia manatona Anaoam-pahatsaram-panahy indrindra izahay, Tompo, ka mikatsakany Fahendrenao, tsy mahafantatra fotsiny an’izay ho lazaina.Mandamina Soratra vitsivitsy eto, ary miankina Aminao am-panajana sy manontolo ho an’ny valiny, satria tsy misy tanjonahafa afa-tsy ny mba ahafahanay mahafantatra ny ora izayiainanay, mba ahafahanay ho voaomana ho an’ireo zavatralehibe izay mipetraka eo aloha. Tsy ho Ekenao ho anay veizany, Tompo, amin’ny Anaran’Ilay Izay nampianatra anayrehetra mba hivavahanay toy izao! [Miarakamivavaka RahalahyBranham sy ny fiangonana araka nyMatio 6:9-13.—Mpand.]

…Rainay izay any an-danitra, Hohamasinina anie nyanaranao.

Page 8: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

8 NY TENY VOAMBARA

Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie nysitraponao ety an-tany, tahaka ny any an-danitra.Omeo anay anio ny mofonay isan’andro.Ary mamelà anay ny amin’ny helokay, tahaka ny

namelanay an’ireo izay meloka taminay.Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy, fa

manafaha anay amin’ny ratsy: Fa anao ny fanjakana, syny hery, ary ny voninahitra, mandrakizay. Amena.

26 Mahazoa toerana. Ankehitriny, raha te-hanala ny palitaonyny iray amin’ireo lehilahy, dia aoka hahatsapa ho tongasoafotsiny. Ary ireo izay mitsanganamanerana an’ireo—ireo sisin’nyrindrina, raha manomboka marary ny tongotrareo, nahoana, diaaoka hahatsapa homalalaka hifindra fotsiny.27 Ary ankehitriny, heveriko, raha te-hankao an’ireo efitranonyireo ankizy, sa efa nirava izy ireo? [Hoy Rahalahy Neville hoe,“Tsia, tsy afaka izy ireo. Tsy afaka nanana an’ilay izy izahayizao maraina izao, nohon’ny olona betsaka.”—Mpand.] Milazany pasitera fa olona betsaka no nameno an’ireo efitra, nohoizany dia tsy afaka nanana sekoly Alahady ho an’ireo ankizykely izahay. Ary ho faly isika raha hiara-hiasa amintsika ianareoankizy kely ankehitriny, raha manana isika izao maraina izao,hanomboka Hafatra iray lehibe, goavana izay azoko antokafa hidika betsaka amin’ny rainareo sy ny reninareo, ary ireomalalanareo izay eto, ary na dia ho anareo ankizy kely mihitsyaza. Noho izany, dia manatona an’izany tena am-panajanamihitsy isika.28 Raha sitraky ny Tompo, izao maraina izao dia haka nylohahevitra mikasika an’ireo fitopolo herinandron’i Danielaisika. Ary izao maraina izao dia hiresaka ny amin’i Danielatany amin’ny fahababoana isika, ary Gabriela izay nanidinamba hanoro hevitra azy mikasika ny ho avy. Raha mbola taoamin’ny vavaka i Daniela, ilay Gabriela, ilay Anjely, dia tongamba hanoro hevitra azy.

Rahariva, dia tiako ny hiresaka eo amin’ny tanjona enin’nyFamangiany, lohahevitra enina samihafa ho entina rahariva, izaynahatongavan’i Gabriela.29 Amin’ny Alahady heriny, raha sitraky ny Tompo, dia tiakony hametraka ny antony sy ny fotoan’ireo Taona Fiton’nyFiangonana, sy hoe fotoana inona no misy azy ireo, ary aizaisika no mitsangana androany. Amin’ny Alahady heriny marainaizany, raha sitraky ny Tompo.30 Ankehitriny, ny antony ho an’ity. Nitondra naoty kelysasantsasany aho avy tamin’ireo Hafatro vitsy farany. Ary izaomaraina izao dia tiako ny hiverina kely, satria eo amin’nyhoronam-peo ity izay handeha manerana an’izao tontolo rehetraizao, firenena maro. Ary, isan’andro, ny antony hamerenako

Page 9: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

IREO TORO-HEVITR’I GABRIELA TAMIN’I DANIELA 9

azy indray, dia mety hisy olona izay handre an’ilay horonam-peo amin’ny fotoany voalohany angamba, ka tsy afaka hahazoan’izay tiako nolazaina rehefa mitodika amin’ny zavatra hafairay aho.31 Efa am-bolana maro isika ankehitriny no tao amin’nyfianarana ny Bokin’ny Apokalypsy, Ny Fanambaran’I JesosyKristy. Vao avy nahavita an’ireo taom-piangonana isika. Ireotoko telo voalohan’ny Apokalypsy dia ireo taom-piangonana.Avy eo dia nakarina i Jaona ao amin’ny toko faha-4 sy faha-5,ary nanehoana an’ireo zavatra izay—izay tsy maintsy hisy anyaoriana. Ankehitriny, eo amin’ny toko faha-6, dia midina eto an-tany indray izy, mba hahita an’ireo zavatra miseho izay hisehomanomboka amin’ny toko faha-6, ny andininy faha-1, hatranyamin’ny toko faha-19 ary ny andininy faha-21. Ao no tongaireo Tombokase, ireo Loza, ireo Fahoriana, ireo valala, ilay—ilayvehivavy ao anatin’ny masoandro, ary ny fandroahana an’ilaydragonamena, ny fanisiana tombokase an’ireo efatra arivo ambyefatra alina amby iray hetsy, ary ireo zavatra rehetra ireo.32 Ity dia efa herinandro iray an’ny fianarana goavana.Omaly, tontolo andro, dia zara aho raha afaka nihetsikatao amin’ny efitra, niezaka nianatra. Ary izany dia zavatrairay tamin’ny fotoana farany, maro aminareo olona fahinyeto, izay nampianariko, nilaza fotsiny aho hoe, “Ao no misyan’ireo fitopolo herinandron’i Daniela,” saingy tsy niezaka nynikasika an’izany aho, nanazava an’izany. Fa amin’ity fotoanaity, nohon’ny fahasoavan’Andriamanitra, dia nanao ny tenakohiezaka hangataka fahasoavana eo anatrehan’Andriamanitraaho, mba ahafahako mitondra an’izany ho an’ny olona. Ary atodia mahita an’ireo zavatra aho izay tsy misy zavatra iray izayfantatro.33 Ary, noho izany, izaho—efa namaky ny bokin’i Dr. Larkinaho, ny bokin’i Dr. Smith, ireo naotin’i Dr. Scofield, fanazavanasamihafa avy tamin’ireo lehilahy hatraiza hatraiza, kanefa tsymbola afaka mametraka ny azy ireo miaraka mba hanaovanaan’ilay izy hivoaka tsara. Hitanareo? Noho izany, amin’ityherinandro ity dia mikasa aho, efa nitsidika ny fivarotam-bokytany Kentucky, teo amin’ny iray tamin’ny fahalalana tranainymomba ny habakabaka an’ireo alimanaka sy ireo fotoana, arynaka avy tamin’ireo fivarotam-boky, sy ny sisa, ireo bokytranainy rehetra izay vitako, sy ho an’izay kely azoko atao, arymametraka ny fahatokiako feno haja amin’i Jesosy Kristy ahomba hanambara azy amiko.

Satria, tena tsy tiako ny hilaza azy hoe, “Fantatro ity, aryfantatro itsy.” Izy no mahafantatra ny foko. Mihaino ahy Izy. Fatiako ilay izy, mba ahafahako manazava ny Olony, noho izanydia mino aho fa Homeny ahy izany. Tena tsy mbola mahafantatraaho, saingy matoky Azy aho amin’ny Alahady heriny, satria

Page 10: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

10 NY TENY VOAMBARA

izany no ho ampahany goavana, amin’ny Alahady heriny, mbahahafantarana sy hametrahana an’ireo fitopolo herinandro ireo.34 Manana toerana iray samihafa ny tsirairay avy. Ary rehefamanao ianareo, mitety azy rehetra ianareo, dia tsy hivoaka tsaraizy ireo, tsy ho voapetraka tsara izy ireo. Tsy mety izany. Ary,noho izany, izaho—mety tsy afaka hahavita azy tsara angambaaho, saingy hatoky ny Tompo aho ho an’izany.35 Ary tsaroako i Solomona indray andro nivavaka arynangataka tamin’ny Tompo Andriamanitra raha hanomeazy fahendrena Izy, tsy ho an’ny tenany, “tsy fanitaranaandro, tsy andro lava, tsy harena,” fa mba ahafahany hananafahendrena hahafantarana hoe ahoana no—no—no hitsaranany vahoakan’Andriamanitra. Ary nanaja an’izany vavakaizany Andriamanitra, ka nanome an’io fahendrena io an’iSolomona, satria ho an’ny Vahoakany izany. Ary izany noangatahako amin’Andriamanitra mba hamela ahy hahafantatrany dikan’ireo fitopolo herinandro ireo, satria fantatro fa izanyno alimanaka marina ho an’ilay taona izay iainantsika. Ary,noho izany, dia tiako ny hahafantatra an’izany; tsy ho an’nytenako, izaho dia…tsy ho an’ny tenako. Mazava ho azy, tiakony hahafantatra an’izany. Tsy milaza an’ilay izy tahaka an’izaoaho hoe, “Tsy ho an’ny tenako,” satria tena ilaiko ho an’ny tenakoilay izy. Tiako ny hahafantatra, satria tiako ny hahafantatra hoeaiza isika no miaina ary fotoana inona no iainantsika. Ary, nohoizany, fantatro fa nomena izany.36 Ary olona samihafa no nisaintsaina an’izany, ary nananaan’izany izy ireo tany aoriana tany. Lehilahy iray, namaky aho,dia nanao an’izany rehetra izany nifarana tamin’ny 1919, ireofitopolo herinandro. Eny, tsy izany ilay izy.

Noho izany, aorian’ireo fitopolo herinandro, aorian’ireofitopolo herinandro, dia mifarana ny rehetra. Noho izanyisika—isika tsy…Tiantsika ny hahafantatra ny Fahamarinana.Ary mangataka amin’Andriamanitra aho mba hanome ahy nyFahamarinana.37 Ankehitriny, mba hanohanana an’ity, hiverenana, diatiako ny hitantara kely ny tany aoriana. Koa, noho izany,naoty sasantsasany izay noraisiko, izay nananantsika taoamin’ny faha-5, ny toko faha-4 sy faha-5, mba hahazoan’nyolona. Voalohany, alohan’ny hanaovantsika an’ity, dia tiako nyhamerina azy, mba hahazoanareo manomboka amin’ny faha-4…

Ankehitriny, tsarovy, ny toko faha-3 dia ny Taonan’nyFiangonana Laodikiana, ary ilay Fiangonana dia nakarina teoamin’ny fiafaran’ny Laodikia.38 Ankehitriny, niezaka aho ny nanazava zavatra iraytamin’ny vadiko mikasika an’izany. Nanana an’i Becky aho, nyzanakovavy, niaraka tamin’ireo karazana diksionera samihafa

Page 11: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

IREO TORO-HEVITR’I GABRIELA TAMIN’I DANIELA 11

sy ny sisa izay azonay nalaina. Tsy manome an’ilay valinyizy ireo. Manana an’ilay diksioneran’ny Baiboly aho. Mananaan’ilay diksionera Grika tranainy aho. Izaho—izaho mananaan’ilay—ilayWebsters sy nymaro hafa, ireo diksioneramoderina.Tsy nisy iray tamin’izy ireo akory aza afaka manana ny…manome an’ireo teny na ilay valiny, amin’ny fomba rehetra.39 Hoy ny vadiko hoe, “Ahoana no anantenanao ny olontsika,izay olona mahantra, ary maro amin’izy ireo no tsy nianatratahaka antsika, mba hahazo zavatra tahaka an’izany?”

Hoy aho hoe, “Andriamanitra no hanome ny valiny.”40 Tsy mampaninona na sarotra toy ny ahoana aza ilay izy,Andriamanitra dia afaka mamaha an’izany ka manao azy hotsotra. Satria isika dia ny…ampahan’ireo olona izay maniryfatratra ireo, mivavaka ho an’izao andro sy izao ora izao. Aryny masontsika dia mifantoka mankany An-danitra, ary miandryNy Fihaviany isika. Ary azoko antoka mihitsy fa Izy no hanehoamintsika. Ankehitriny, tsy hiteny amintsika an’ilay andro naora izany, satria tsy misy olona hahafantatra an’izany, fa hitenyamintsika marina tokoa izany an’ilay andron’ny herinandro izayiainantsika, raha afakamahazo an’izany fotsiny isika.41 Ankehitriny, ao amin’ny toko faha-4, dia nakarina avyhatrany i Jaona, taorian’ilay Fiangonana. Jaona, niakatra,nahita an’ilay taonan’ny Fiangonana feno izy. Eo no tiakohijanonana, iray segondra fotsiny, mba hilaza, hoe: olonamaro izay manantena zavatra iray lehibe, goavana, matanjakahitranga, ao amin’ny taonan’ny Jentilisa, no diso marinatokoa. Ny taonan’ny Fiangonana, ary izay rehetra hitrangamandritry ny fanjakana Jentilisa, dia voasoratra manombokaamin’ny Apokalypsy 1 hatramin’ny Apokalypsy 3, manontolo.Avy eo dia nakarina ilay Fiangonana ary nentina niakatra,ka ny sisa amin’io, hatrany amin’ny toko faha-19, dia izaymitranga amin’ny firazanana Jiosy, aorian’ny nandehanan’ilayFiangonana niakatra. Ary izany no fotoan’ny Fahoriambe lehibe,tsy misy na inona na inona mitranga eo anivon’ireo Jentilisa;famonoana fotsiny ihany, sy ny sisa, araky ny ahatongavantsikaeo amin’izany ka hahita.42 Fa ilay Fiangonana, Izy tenany, dia efa lasa ao amin’nyfaha-13…Eo amin’ny andininy farany an’ny toko faha-3-n’ny Apokalypsy, rehefa mifarana ny Taonan’ny FiangonanaLaodikiana, dia ilay farany.43 Ary nalaintsika ny taom-piangonana tsirairay, ny fotoanatsirairay, ny zavatra tsirairay izay nitranga, ny kintana tsirairay,ny iraka tsirairay, ny natioran’izy ireo, izay nataon’izy ireo, arynitondra an’izany mihitsy tamin’ny alàlan’ny tantara hatranyamin’ilay anankiray tena farany, nanoratra an’izany mihitsy teoamin’ny sary, teo amin’ny sisin’ny rindrina. Ary rehefa nahavitaisika, dia tonga ny Fanahy Masina ka nanao faribolana an’ilay

Page 12: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

12 NY TENY VOAMBARA

zavatra iray ihany teo amin’ny rindrina, ka nanambara an’izanytamin’ny alàlan’ny Tenany tetomihitsy tamintsika rehetra.44 Ankehitriny, eo am-panaovana an’ity, dia matoky aho, faamin’ny fiafaran’ity dia ho tonga miaraka amin’ny zavatra iraygoavana Izy ka haneho amintsika indray fa eo amin’ny androfarany isika.45 Firy aminareo no nandre ny an’i Kennedy…kabarin’iFiloha Kennedy, ireo filazana sy ny sisa? Firy no nandrean’io filazana mialoha io, hoe hatramin’ny Janoary faha-1,dia voalaza mialoha fa Etazonia sy Rosia dia ho lavenom-bolokano? Izay ihany no ilaintsika. Efa tara noho izayheverintsika izao. Hitanareo? Noho izany, raha tena akaikyisika hany ka ireo lehilahin’ity tany ity aza dia milazamialoha an’io zavatra goavana hitranga io, dia tsaratsara kokoaamintsika ny miambina, ny zavatra rehetra milamina tsaramihitsy, ny fiaikena rehetra vita, ny zavatra rehetra vonona,satria tsy fantatsika marina hoe amin’ny firy no hiantsoan’nyTompontsika. Ary rehefa manao an’ireo antso Izy hoe, “Miakaraavo kokoa,” dia tsaratsara kokoa ny ho vonona. Ary ho tonga aoamin’ny ora izay tsy heverinareo izany.46 Eo am-pitsaharana ankehitriny ilay fifohazana Pentekotistalehibe. Hitantsika hatraiza hatraiza izany, ilay hetsika lehibefarany. Efa nivoaka ny Hafatra. Vonona ny zavatra rehetraankehitriny, miandry. Voaisy tombokase ilay Fiangonana. Nyratsy fanahy diambola ratsy fanahy hatrany. Ireo fiangonana dialasa ara-piangonana hatrany. Ireo olo-masina dia manakaikykokoa an’Andriamanitra. Ireo fanomezam-pahasoavan’nyFanahy diamanombokamitombo ao amin’ireo vondrona kely. Eoamin’ny andro farany isika. Oh, tiako ilay hira izay nohiraintsikafahiny tao amin’ny fiangonana.

Miandry ny fihavian’io Andron’ny arivo taonafinaritra io aho,

Izay hahatongavan’ny Tompontsika isaorana kahaka Ny Ampakariny miandry;

Oh, miantsoantso ny foko, mangetaheta an’ioandron’ny fanafahana mamy io,

Izay hiverenan’ny Mpamonjintsika eto an-tanyindray.

47 Miandry an’io ora io! Ankehitriny, ao amin’ny toko faha-5 kany andininy faha-5, dia mahita isika, tao amin’ny lesontsika teoaloha, fa niresaka ny amin’io Havana Mahavotra io isika, izayhitantsika fa Kristy. Nanao tandindona an’izany tamin’i Rota:Rota nanapa-kevitra; Rota nanompo; Rota nitsahatra. Manapa-kevitra, dia ny fanamarinana; manompo, manao ny tenanyho vonona, fanamasinana; mitsahatra, dia miaraka amin’nyFanahy Masina, mandra-pahatongan’ilay Sakafo harivan’nyMpanambady. Tsara tarehy toy ny ahoana!

Page 13: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

IREO TORO-HEVITR’I GABRIELA TAMIN’I DANIELA 13

48 Ilay Fiangonana dia tonga tamin’ny alàlan’i John Wesley,fanamarinana, na…Martin Luther, fanamarinana; tamin’nyalàlan’i John Wesley, ny fanamasinana; tamin’ny alàlan’nyPentekotista, ny batisan’ny Fanahy Masina; ary ankehitriny,mitsahatra, miandry ny Fihavian’Ny Tompony. Tanterakatokoa!49 Ny Havana Mahavotra antsika, marina ny an’ireo loholonarehefa niantso Azy hoe Zanak’ondry izy ireo, mba ho lasa Lionairay, ho mpitsara. Zanak’ondry iray Izy, fantatrareo, niarakatamin’ny Boky voaisy tombokase fito. Rehefa noraisina ilayBoky, dia nifarana ilay asam-panelanelanana.50 Ankehitriny, ao amin’ny toko faha-3, dia niakatra ilayFiangonana, saingy tsy maintsy ho voambara ny fanavotanaankehitriny, hoe ahoana no nanavotana an’ilay Fiangonana—nanavotana, ny fanambarana an’izay niseho nandritr’ilaytaonan’ny Fiangonana. Hitanareo, lasa ilay Fiangonana, nohoizany dia maneho Izy ankehitriny, ao amin’ny toko faha-5,hoe ahoana no Nanaovany an’izany, izay niseho, ahoana noNanisiany tombokase an’ilay Fiangonana. Ny fanambarana NyAnarany; batisan’ny rano, mampiasa Ny Anarany; FiainanaMandrakizay; tsy misy ny helo Mandrakizay; ny taranakyny menarana; fiarovana Mandrakizay; ireo foto-pampianaranalehibe rehetra, fifidianana mialoha, an’ilay Fiangonana, izayvoambara tamin’ilay Fiangonana. Izy no maneho hoe ahoana noNanaovany an’izany.51 Ankehitriny, ilay Havantsika dia mandray Bokin’nyFanavotana iray voaisy tombokase fito avy amin’ilay Tomponytany am-boalohany. Amena! Iza no, hitantsika, no Tomponytany am-boalohany? Andriamanitra Izy tenany. “Ary tongany Zanak’ondry ka nandray ny Boky avy teo an-tànanaankavanan’Ilay mipetraka eo ambonin’ny Seza fiandrianana.”Izay ilay Zanak’ondry? Ilay Mpanavotra, ny Havana Mahavotraantsika, ilay Havan’ny Fiangonana, Izay tonga ka nanavotra nyIsiraely.52 Ho tonga ao amin’izany isika ankehitriny izao maraina izao.Navotana i Isiraely, saingy tsy nampiharina teo amin’izy ireoizany, satria nandà Azy izy ireo. Fa, ilay Fiangonana no nahazony fanavotany, ary Izy no Havana Mahavotra antsika. Tahakaan’i Boaza izay tsy maintsy nanavotra an’i Naomy, mba hahazoan’i Rota, ilay Moabita, vahiny iray, Jentilisa iray; dia toyizany koa no nanavotan’i Kristy ny Isiraely, nampihatra an’ilayfanavotana, saingy nolavina.53 Tadidinareo ve ilay famelàna, dia ilay lehilahy izaynotifirina, izay teneniko matetika? Nandritry ny adim-poko,rehefa…Lehilahy tsara iray izy. Tsy nanan-tsiny izy, nefahitan’izy ireo fa meloka. Na dia, meloka aza izy tamin’ny fombairay, fa nandositra izy tamin’ny fotoan’ny ady. Ary nahita azy ho

Page 14: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

14 NY TENY VOAMBARA

meloka izy ireo ka hitifitra azy. Dia nandeha nankany amin’nyFiloha Lincoln ny lehilahy iray ka nanao hoe, “Atoa. Lincoln,ity dia lehilahy Kristiana iray. Natahotra izy. Ilay zazalahy,fantatro ny havany. Natahotra fotsiny izy. Tsy te-hanao ratsy izy.Nandositra izy.” Hoy izy, “Atoa. Lincoln, eo an-tànanao izany.Ianao no hany tokana afaka hamela azy.”

Naka silan-taratasy iray sy ny peniny Atoa. Lincoln, kananasonia hoe, “Voavela,” ity Ranona-sy-ranona ity. “AbrahamLincoln.”

Nihazakazaka niverina nankany amin’ilay fonja izy, ka hoyizy hoe, “Ity ilay izy. Azoko ny famelanao.”54 Dia hoy ilay lehilahy hoe, “Laviko ny hijery an’izany. Honisy tombokase goavana iray ilay izy. Ho nisy ny zavatrarehetra ilay izy. Miezaka ny hanao ahy ho fihomehezana irayfotsiny ianao. Tsy Abraham Lincoln izany. Ny olona rehetra diaafaka manasonia ny anarany. Fa tsy maintsy ho voamarin’nytombokaseny izany, sy ny sisa, raha avy aminy izany.” Dianandresy lahatra azy ilay lehilahy; na dia ilay lehilahy tao an-tranomaizina aza dia nihevitra fa nivazivazy izy, ka lasa fotsiny.

Ny ampitso maraina, dia notifirina izy. Ary avy eo rehefaavy notifirina izy, tamin’izay fotoana izay dia nisy raharaham-pitsarana federaly iray, satria Abraham Lincoln, efatra ambyroapolo ora talohan’ny nitifirana an’ilay lehilahy, dia efananasonia ny anarany hoe voavela io lehilahy io. Nefa avyeo dia mbola nitifitra azy ihany ny governemanta, na ahoanana ahoana. Tamin’izay fotoana izay dia inona? Tamin’izayfotoana izay ny fitsarana federalin’i Etazonia, dia nilaza, tongatamin’ity fanapahan-kevitry ny fitsarana Federaly ity, nanaohoe, “Ny famelàna iray dia tsy famelàna raha tsy raisina hofamelàna izany.”55 Ary Jesosy dia nanavotra ny Isiraely teo Kalvary. Saingytsy famelàna iray ho azy ireo izany, satria tsy nandray an’izanyho famelàna izy ireo. Fa, ao amin’ny lesontsika ankehitrinyeo amin’ireto fitopolo herinandro ireto, dia hitantsika faniverina izy ireo ary nandray ny famelàny. Fa, nanavotra an’ilayFiangonana Izy, noho izany dia voavela isika satria nandray nyRàn’i Jesosy Kristy ho famelàna antsika.56 Ankehitriny, hitantsika fa Izy noHavanaMahavotra antsika,ary Izy no nandray ny Boky avy teo an-tànan’ilay Tomponytany am-boalohany. Didim-pananana iray ho an’ny fanavotanaizany. Hitantsika izany. Tsaroanareo ve ilay fianarana? Didim-pananana iray an’ny fanavotana izany. Didim-pananana tsyazo lavina iray miaraka aminy izany, hoe nitaky aina ho an’nyfahafatesana Andriamanitra, tao amin’ny sahan’i Edena. Nohoizany, Jesosy, ilay Anankiray marina, dia maty ary naka didim-pananana iray, ka afaka namaha an’ireo Tombokase, nanambaraan’izay tao anatin’Izy ireo; ary manome an’ilay lova, izay

Page 15: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

IREO TORO-HEVITR’I GABRIELA TAMIN’I DANIELA 15

Azy, ho an’ny Olony. Fiainana Mandrakizay, izay Nolovainytamin’ny fanaovana an’izany, nampita Ny Ainy Manokana Izy,teo Kalvary, ary nizarazara an’izany teo anivontsika tamin’nyalàlan’ny FanahyMasina. Amena! Tsy nisy olona (mihitsy) afakaho tonga hieritreritra akory aza ny fitiavana izay nisy, izayNataony!

57 Satana, ilay mpihazona indray mandeha nohon’nyfahalavoana tao amin’ny saha, dia nofatorana ary natsipy taoamin’ny Farihy Afo. Mifarana ireo androny.

58 Jesosy, ao amin’ny Filazantsara, dia nanana titra efatra.Azontsika izany. Zanak’i Davida, mpandova ny Sezafiandrianana; Zanak’i Abrahama, fanomezan’ny mpanjaka;Zanak’olona, mpandova ny tany; Zanak’Andriamanitra,mpandova ny zavatra rehetra. Ilay fanomezan’nympanjaka!

59 Ao amin’ny Testamenta Taloha, ny tany dia tsy azo hazoninaela mihoatra ny dimampolo taona. Tsy azon’ny tompony tanyam-boalohany fikirina afa-tsy dimampolo taona izany. Arytamin’ny andro fahefapolo dia Naloany ny vidiny. Tamin’nyandro fahadimampolo, dia an’ilay Fiangonana ny fanavotanasy ny hery, izay very tao amin’ny sahan’i Edena, izay navotanaindray, ary nalefa ho antsika tamin’ny alàlan’ny batisan’nyFanahyMasina, tamin’ny andro fahadimampolo.

60 Avy eo dia nalaintsika io, ilay horonana. Nalaintsikaireo horonana, ahoana fa io horonana io dia natolotra teoan-Tànany. Ahoana fa Jeremia, ao amin’ny Jeremia 32:6,ny zana-drahalahin-drainy, Hanamela, dia namela lova irayho azy. Ary handeha any amin’ny fahababoana izy ireo.Fa, isika dia handeha, hiaraka aminy, izao maraina izao:fahababoana. Ary notehirizina tao anaty vilany tany izany;maneho hoe aiza ny herin’Andriamanitra, sy ireo horonana aryireo tsiambaratelon’Andriamanitra, no fantatra, ao anatin’ny fo.Ny drafitry ny fanavotana antsika, dia mitovy samy tehirizina aoanatin’ireo vilany tany, nyAnaran’i Jesosy sy ny fanambarana.

61 Hitantsika fa io dia voaisy tombokase tamin’ireo TombokaseFito, ary ny Tombokase tsirairay dia voarakotra manodidina.Ary arakaraky ny ivoahan’ny fanambarana, no Nisintonanyan’ilay Tombokase, ary namelatra an’ity sy namakiany an’izaynolazain’io Tombokase io. Avy eo dia mamelatra an’ilayanankiray manaraka Izy, ilay horonana, ary mamaky an’izaynolazain’io Tombokase io. Mamelatra an’ilay anankiraymanaraka, misintona azy ary mahita an’izay nolazain’ioTombokase io, sy hoe inona ilay fanambarana. Izany marinatokoa ireo Tombokase Fitontsika, izay hidirantsika tsy ho ela,matoky isika, fa ho izany ilay izy. Ny Tombokase tsirairay, rehefanendahina tamin’ilay Boky izany, dia ho velarina, ary izany nohaneho marina an’izay niseho.

Page 16: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

16 NY TENY VOAMBARA

62 Hitantsika fa misy “fito,” dimy ao amin’ny drafi-panavotana. Ilay isa dia dimy. Ary misy fito dimy; TombokaseFito, Fanahy Fito, anjely fito, Trompetra Fito, ary taonafiton’ny fiangonana. Noho izany, hitanareo, ny fito dimydia fahasoavana. Ny dimy dia fahasoavana, ary ny fito diafahatanterahana. Noho izany dia mihodina tanteraka mihitsymarina tokoa ilay izy, hitanareo. Eny àry.63 Ohatra, ny Tombokase tsirairay misokatra ao amin’nyTenin’Andriamanitra, dia manambara amin’ilay lehilahin’nytaona, hoe taona inona no iainantsika, ny fanahin’ilay taona,ny fiangonan’ilay taona. Apokalypsy 10, eo amin’ny farany,dia hitantsika rehefa novahana ilay Tombokase farany, diahitantsika ilay Anjely mitsangana amin’ny tongotra iray eoambonin’ny tany, ary ny anankiray eo ambonin’ny ranomasina,miaraka amin’ny Tànany mitsangana mankany An-danitra,sy avana iray eo ambonin’ny Lohany, mianiana amin’Izayvelona mandrakizay sy mandrakizay, fa tapitra ny fotoana,amin’ilay Tombokase farany. Ary miandrasa mandra-piditsikaao amin’ireo Tombokase ireo ka hahita hoe aiza no misy an’ioTombokase io.

Rehefa avy mahita an’ireo fitopolo herinandro ianareo, avyeo dia mahita an’izay misy an’ireo Tombokase hoe, “Tapitra nyfotoana,” tapitra ny fanavotana, dia ilay Liona sy ilay MpitsaraIzy ankehitriny. Mpamonjinareo Izy izao maraina izao, fa indrayandro any dia ho Mpitsara anareo Izy.64 Ny faha-8 hatramin’ny faha-1…andininy faha-14-n’nytoko faha-5, dia manambara ny fotoana izay hanompoanany Zanak’ondry, any An-danitra sy ety an-tany; ilay Bokymisy tombokase fito, ilay Zanak’ondry mendrika, ilay HavanaMahavotra. Ary manomboka amin’ny andininy faha-8,hatramin’ny faha-14, dia ireo Anjely no manompo Azy, ireoloholona no manompo Azy, ireo Zava-manan’aina no manompoAzy. Ary nanompo Azy mafy i Jaona hany ka hoy izy hoe,“Ny famoronana rehetra tany An-danitra, teto an-tany, tanyambanin’ny tany, dia nandre ahy nanao hoe, ‘Ny saotra, nyvoninahitra, nyhery, ny fahendrena, anie ho an’nyZanak’ondry.’”Ilay fotoan’ny fanompoana ho an’ilay Zanak’ondry Mpanjaka.Ankehitriny, dia lasa ilayFiangonana, tsarovy.65 Ankehitriny dia ndao isika hamadika ao amin’i Daniela,ary ny toko faha-9, ka ny andininy faha-1 hatramin’ny faha-3.Ary avy eo dia horaisintsika ny faha-20 hatramin’ny faha-27,satria vavak’i Daniela fotsiny io. Tiako ianareo hamaky hatranysy hatrany, mandritry ny herinandro, ankehitriny, mandra-pahazoanareo azy.

Tamin’ny taona voalohan’i Dariosy ilay zanaky ny…ny taranaky ny Mediana, izay natao mpanjaka teoamin’ny fanjakan’ny Kaldeana;

Page 17: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

IREO TORO-HEVITR’I GABRIELA TAMIN’I DANIELA 17

Tamin’ny taona voalohan’ny fanjakana izahoDaniela…-hazo, nahazo tamin’ny alàlan’ireo bokyfa ny isan’ireo…taona, izay nahatongavan’nytenin’Andriamanitra tamin’i Jeremia mpaminany, izayhanaperany an’ireo fitopolo taona amin’ny faharavàn’iJerosalema.Ankehitriny (ilay manaraka) nampanatrehako an’ny

Tompo Andriamanitra ny tavako, mba hitady taoamin’ny vavaka sy fifonana, sy fifadian-kanina, sylamba fisaonana, ary lavenona:…Izaho nivavaka tamin’ny TOMPO…

Andriamanitra, ka nanao ny fiaikeko,…66 Ary manohy sy manohy izy, mandra-pahatongantsika eoamin’ny andininy faha-20 ankehitriny. Mba hitsitsiana fotoana,ny olonamitsangana, dia tiako ianareo handeha hatrany amin’ny20, hany ka hidina isika ankehitriny eo amin’ny—eo amin’nyandininy faha-20.

Ary raha mbola niteny aho, sy nivavaka, sy niaiky nyfahotako sy ny fahotan’ny Isiraely oloko, ka nanolotrany fifonako teo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitro hoan’ny tendrombohitra masin’Andriamanitro;Eny, raha mbola niteny tao amin’ny vavaka aho, dia

indro ilay lehilahy Gabriela, izay efa hitako tao amin’nyfahitana tany amin’ny voalohany, nanomboka…nampidinina faingana, nikasika ahy tokony ho tamin’nyfotoan’ny fanatitra hariva.Ary nampahalala ahy izy, sy niresaka tamiko, ka

nanao hoe, O ry Daniela, avy aho ankehitriny hanomeanao fahaizana sy fahazoana.

67 Ahoana moa raha mba afaka ny ho teo fotsiny isika! Ahoanano Nahitany azy? Tao amin’ny vavaka.

Ilay Anjely, “ilay lehilahy.” Voamarikareo, izy dia niantsoAzy hoe, “ilay lehilahy.” Ary satria…

Ary tamin’ny fiandohan’ireo fifonako dia tonga nybaiko, (ary tonga mba handehanany), ka tonga aho mbahaneho aminao; satria malala indrindra ianao: raha…noho izany dia diniho ny teny, ary fantaro ny fahitana.Fitopolo herinandro no voatendry ho an’ny olonao

sy ny tanànanao masina, na ny tanànanao, mbahahatapaka ny fahadisoana,…hanapitra ny fahotana,ary hanaovana fampihavanana nohon’ny heloka, syhampiditra fahamarinana mandrakizay, ary hanisytombokase ny fahitana sy ny faminaniana, sy hanosotraan’ilay Masina indrindra.Ireo no antony enina an’ny Fihaviany.Mariho ankehitriny.

Page 18: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

18 NY TENY VOAMBARA

Ankehitriny, noho izany, dia fantaro noho izanyka aoka hahazo, (henoy ankehitriny) fa hatramin’nyhivoahan’ny didy hanavaozana sy hanorenana an’iJerosalema ka hatramin’i…Mesia ilay Andriana dia hofito herinandro,…roa amby enimpolo herinandro: aryhamboarina indray ny làlana, sy ireo rindrina, na diaamin’ny andro mampahory aza.…aorian’ny roa amby enimpolo herinandro dia ho

vonoina ny Mesia, saingy tsy ho an’ny tenany: ary nyvahoaky ny andriana izay ho avy—ny andriana izay hoavy…dia handrava ny tanàna sy ny fitoerana masina;ary ny farany dia hisy safotra,…hatramin’ny faranydia hisy ady fandravàna voatendry.Ary hanorina fanekena (henoy) ho herinandro amin’ny

maro izy, anankiray amin’ireo fitopolo herinandro ireo:ary eo afovoan’ny herinandro dia hanao ny fanatitrasy…fanatitra alatsa-drà hitsahatra, ary amin’nyelatry ny fahavetavetana no handravàny an’izany,ka hatramin’ny fahafonganana mihitsy aza, dia izayvoatendry haidina amin’ny mpandrava.

68 Ankehitriny, io ny lesontsika ho an’ny fivoriana telo, efatra,dimy manaraka, na inona na inona hambaran’ny Tompo.“Fitopolo herinandro.”69 Ankehitriny, hangataka an’i Doc aho, raha sitrany, rahariva,hametraka ny tabilaoko eto, mba hahafahako manoratra azy.Tsy tiako ho diso an’izany ianareo. Ankehitriny dia tsy maintsymianatra miaraka amiko ianareo, ary mianatra lalina, raha tsyizany dia ho diso an’izany ianareo. Ary tiako ny hanao saryan’izany eto amin’ny tabilao, ka noho izany dia ento ny pensily syny taratasinareo ka raiso naoty ireo daty ireo, ireo fotoana ireo,ary ny rehetra mikasika an’izany.70 Ankehitriny, ireo fitopolo herinandro dia manomboka(ankehitriny dia raiso ity) aorian’ny nanesorana an’ilayFiangonana. Ankehitriny, ny olona rehetra izay mahazoan’izany, dia manaova hoe, “Amena.” [Hoy ny fiangonana hoe,“Amena.”—Mpand.] Ankehitriny, aorian’ny nanesorana an’ilayFiangonana.71 Apokalypsy 6:1, hatrany amin’ny Apokalypsy 19:21,dia mifandray amin’ireo fitopolo herinandro, noho izanydia tsy maintsy mijanona isika ary manazava, alohan’nyandehanantsika lavidavitra. Tsy maintsy mijanona isika arymanazava hoe nahoana ireto fitopolo herinandro ireto. Satria,raha tsy izany ianareo, dia ho diso an’ireo Tombokase, hodiso an’ireo Trompetra, ho diso an’ireo Lovia, ireo Loza, ireofanahy maloto telo tahaka ny sahona, ireo Fahoriana telo, nyfandroahana an’ilay dragona mena, ilay vehivavy ao anatin’nymasoandro. Ho diso an’izany rehetra izany ianareo, raha

Page 19: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

IREO TORO-HEVITR’I GABRIELA TAMIN’I DANIELA 19

tsy izany, satria izany dia miseho ato amin’ity faha-fitopoloherinandro ity mihitsy. Eo izany no miseho.72 Ankehitriny, Daniela mpaminany dia efa tany Babylonanandritry ny valo amby enimpolo taona. Ianareo izay te-hitodikaamin’ireo fanondroana, ka hitsitsy ny sasany amin’ny fotoana,izay tsy maintsy—tsy maintsy nitadiavako azy. Valo ambyenimpolo taona! Lasa tao anatin’ny fahababoana izy tamin’nyB.C. 606, ary rehefa tonga taminy ilay fahitana dia—dia tamin’nyB.C. 538. 538 anesorana 606, dia manome valo amby enimpolo.Valo amby enimpolo taona izy no tany Babylona, teo anivon’ireompanompo sampy, saingy mbola nanana fandresena foana.Amena. Tsy afaka hijanona adiny iray isika.73 Fa tena tao ampovoany mihitsy izy, tsy nisy olonaafa-tsy namana telo, ary tany amin’ireo ampahany hafaan’ilay fanjakana izy ireo. Fa, Daniela, nijoro irery niarakatamin’Andriamanitra, dia nihazona fandresena nandritry nyvalo amby enimpolo taona. Eritrereto izany! Tsy te-hanombokahitory teny aho, satria ity dia natao ho Hafatra fampianaranairay. Fa, valo amby enimpolo taona, no nihazonany ny fandresenaary tsy voaloto, teo anatrehan’Andriamanitra; tsy nisy nybatisan’ny Fanahy Masina, tsy nisy ny Ràn’i Jesosy Kristy mbahanao fanelanelanana ho azy; niaraka tamin’ny ràn’ombilahyfotsiny ihany, sy osilahy, ary ombivavy, izay tsy maintsy natolonyniafina, noho ireo fombafomban’ny mpanompo sampy an’ilayfirenena. Nentina tany izy ireo. Jeremia no naminany ny amin’izyireo, hoe handeha any izy ireo.74 Ankehitriny, Daniela, oh, oadray, tsy maintsy nanombokanahita izy fa niha-nanatona ilay fotoana, tahaka antsikaamin’izao andro izao mihitsy. Daniela dia nanomboka “nahazo,”hoy izy hoe, “tamin’ny alàlan’ny famakiana an’ireo boky.”

Ary tamin’ny taona voalohan’ny fanjakan’i…Daniela…tamin’ny fanjakana izaho Daniela dianahazo tamin’ny alàlan’ireo boky ny isan’ireo…taona,noho izany…ny tenin’ny TOMPO dia tonga tamin’iJeremia mpaminany, fa tsy maintsy ho tanteraka ireofitopolo taona ao amin’ny…faharavàn’i Jerosalema.

75 Jeremia, tamin’ny B.C. 606, dia naminany, nohon’nyfahotan’izy ireo sy ny tsi-fahamasinany, hoe fitopolo taonaizy ireo no ho any.76 Tsaroanareo, nisy mpaminany hafa iray niseho tamin’ioandro io. Tsy afaka miantso ny anarany aho amin’izao fotoanaizao. Mety afaka hahita azy ho anareo aho ao anatin’ny—aoanatin’ny minitra vitsy, raha hikaroka vetivety. Fa tonga izy kananao hoe, “Jeremia, diso ianao. Andriamanitra dia hihazona nyIsiraely any mandritry ny andro maromaro fotsiny, mandritry nymaromaro, eo amin’ny roa taona eo.”

Page 20: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

20 NY TENY VOAMBARA

77 Hoy Jeremia hoe, “Ho tanteraka anie izany. Amena.” Hoy izyhoe, “Saingy andraso iray minitra. Ndao izaho sy ianao samyhanamarina, amin’ny maha-mpaminany.” Hoy izy hoe, “Tsarovy,efa nisy ireo izay naminany talohantsika, ary niteny zavatra izaydiso izy ireo. Ary Andriamanitra no nisahana azy ireo nohon’nyfitenenana zavatra diso. Noho izany, dia aoka isika hananaantoka. Fa ny Tompo Andriamanitra no niteny tamiko fa mbolamisy fitopolo taona.”

Namely an’io mpaminany sandoka io Andriamanitra, arynaka ny ainy tamin’io taona io ihany, satria Andriamanitra dianiteny tamin’iompaminanymarina io fa nisy fitopolo taona.78 Ary tiako ianareo hanamarika hoe ahoana i Daniela, nadia vahiny iray aza, na dia nosarahina tamin’ny vahoakanyaza, nosarahina tamin’ny fiangonany, tsy nanana fivorianaam-piangonana anankiray, tsy nanana fiangonana irayhandehanana, tsy nanana hira fiderana ho hiraina afa-tsy izaynohirainy irery, teo afovoan’izany rehetra izany, dia mbolanifikitra teo amin’izay nolazain’io mpaminany io foana. Amena!Amena!79 Tsy nisy fiangonana handehanana, tsy nisy olonaniombonana; ny olona rehetra dia nandeha nankany amin’ireotempoly mpanompo sampy, ny olona rehetra dia nanompo nysampiny. Tsy nisy hira Kristiana; tsy nisy olona nino an’ilayzavatra iray ihany izay ninoany. Ary tao anatin’ny valo ambyenimpolo taona, hatramin’ny naha-tovolahy iray teo amin’nyroa ambin’ny folo, efatra ambin’ny folo taona teo, rehefanentina tany izy, dia nifikitra nahatoky tamin’Andriamanitra;ary nahazo tamin’ny alàlan’i Jeremia mpaminany fa efa saikytanteraka ireo andro.

Toy ny ahoana no hampitandreman’izany ny fon’nympaminanin’Andriamanitra marina rehetra amin’izao androizao, mba hitodihantsika ka hahita an’izay nolazain’itympaminany marina ity, ka mahafantatra fa eo amin’ny androfarany isika izao.80 Hoy izy hoe, “Nahazo tamin’ny alàlan’ireo boky aho faJeremia, ny rahalahiko, taona maro, maro lasa izay, dianaminany fa hijanona eto fitopolo taona ny Isiraely. Ary efasaiky tanteraka ilay fotoana.” Ary nanao ny tenany ho vononaizy. Dia niantso fifadian-kanina iray izy, ary nanamasinany tenany, ka rehefa…lavenona sy lamba fisaonana, arynametraka an’izany teo ambonin’ny lohany, ka nandeha nifadyhanina sy nivavaka, mba hahazo hoe saiky andro inona noiainan’izy ireo.81 Ary raha Daniela, ilay mpaminanin’ny Tompo, no afakanandinika an’ireo bokin’i Jeremia, ka nitondra azy teoamin’ny toerana iray tahaka an’izany; hoe hivoaka mihitsyaza Isiraely, ny rehetra izay velona amin’izy ireo, dia hivoaka

Page 21: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

IREO TORO-HEVITR’I GABRIELA TAMIN’I DANIELA 21

avy ao Babylona, mba hiverina any an-tanindrazana, nanaoazy hifady hanina niaraka tamin’ny lamba fisaonana sylavenona. Tsy mihoatra noho izany ve no tokony ataon’izanyamin’ilay Fiangonan’Andriamanitra velona, mba hahafantatrafa mihalasa ny fotoana ary tsy hisy intsony; ka ny Fihavian’iJesosy Kristy Tompo, sy ilay Arivo taona lehibe dia efa vononany hipetraka! Ahoana no ahafahantsika hanao fandaniam-potoana, hiloka, hilomano any amin’ny dobo filomanosana nyAlahady, tsy manam-potoana ho an’ny Tompo? Mandeha anyfotsiny…Raha miteny zavatra hafa iray izay tsy tianareo ilaypasitera, dia mitsangana ianareo ka mivoaka. Ary raha ilay—raha maharitra ela loatra ilay fiangonana, nahoana, ianareo—ianareo, ianareo dia—tsy afa-po ianareo. Jereo ny toerantsika.Jereo izay ataontsika.

Ampitahao amin’io mpaminany io ny fiainantsika. Lehilahyanankiray, tao anatin’ny fanjakana iray manontolo, tsy nisyfiangonana handehanana, ary tsy nisy hafa handehanana nataiza na taiza. Ilay izy dia nopotehina ary nodorana; nytanànany, babo ny olony. Valo amby enimpolo taona! Valo ambyenimpolo, sivy amby enimpolo, fitopolo; nanana roa taona tavelaizy. Noho izany rehefa nanomboka namaky tao amin’ilay bokyizy ka nahita fa efa nanakaiky ny ho tanteraka ilay fotoana, hotanteraka, dia nanatona an’Andriamanitra tamin’ny vavaka izy,mba hahita ny mikasika an’izany.82 Fotoana iray toy ny inona! Inona no hataontsika? Rehefa,“Rava ireo firenena; mierona ny ranomasina; raiki-tahotrany fon’ny olona; fotoana mahaketraka.” Ireo zavatra rehetraireo, ilay sora-tànana teo amin’ny rindrina. Fisaratsarahanaara-poko; ireo karazana ratsy rehetra mandeha ao amin’izaotontolo izao; sy ireo fifamaliana, sy ady, ary korontana. Aryireo fitaovam-piadiana mihantona ao amin’ireo trano eva, kafirenena anankiray tahaka ny halehiben’i Cuba eto dia afakahandrava an’izao tontolo izao ao anatin’ny folo minitra. Arymifamaly izy ireo, lehilahy tsy masina izay tsy mahafantatraan’Andriamanitra sy tsy mahafantatra ny Heriny.

Ary ny Fanahy Masina ao amin’ilay Fiangonana, mihetsikaeo anivon’ilay Voafidy, maneho ny Tenany fa velona taorian’nyroa arivo taona, hoe Izy no tsy miova omaly, anio, arymandrakizay. Ahoana no ahafahantsika hipetraka kamo?Ahoana no ahafahantsika mandeha fotsiny eo an-tampon’izany?Izao no fotoana izay handinihantsika tena, mandinika an’io oralehibe io manantona.83 Ankehitriny, namaky tao amin’ny Jeremia izy, ny toko faha-25. Ndao isika hamadika ao amin’ny Jeremia, ny toko faha-25,ary hamaky an’izay tsy maintsy nolazain’i Jeremia. Ankehitriny,dia ndao isika hanomboka amin’ny andininy faha-8, satria izanydia…Tiako ianareo hanana antoka fa mahazo an’ilay izy. Ny

Page 22: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

22 NY TENY VOAMBARA

andininy faha-11 no noraisiko naoty eto mba ho vakiana, saingyndao isika hamaky ny andininy faha-8.

Koa izao no nolazain’ny TOMPON’ny maro;…

Tiako mihitsy izany. Rehefa afaka mandre mpaminanyiray mitsangana aho miaraka amin’ny HOY NY TOMPO HOE,rahalahy, dia izay ilay izy. Ho ahy, dia milamina hatreo izany.Izay no rehetra amin’ilay izy.

…nolazain’ny TOMPON’ny maro; Satria tsy nihaino nyteniko ianareo,

Indro, haniraka ka haka ny fianakaviana rehetraany avaratra aho, hoy ny TOMPO, sy Nebokadnezarampanjakan’i Babylona, mpanompoko, ka hitondra azyireo indray…hanohitra an’ity tany ity, sy hanohitrany mponiny, ary hanohitra an’ireo firenenamanodidinarehetra, ary haringako tokoa izy ireo,…

Tsarovy, ireo voafidin’Andriamanitra no Resahany. Tsy ireotsy mahatoky io. Ireo mambram-piangonana io.

Koa hatsahatro amin’izy ireo ny feo mifaly,…nyfeo miravoravo, (tahaka ny ananantsika amin’izaoandro izao mihitsy, ny rock-an-roll rehetra, Rickysy Elvis,) ary, oh, ny feon’ny mpampakatra,…nyfeon’ny vorona…na, ny ampakarina, raha ny marina,ny feon’ny vato fikoseham-bary,…ny fahazavan’nylabozia.

Ary ity tany manontolo ity dia ho foana,…

Henoy ity mpaminany ity miantsoantso hoe, “Ity tanymanontolo ity dia ho foana!” Ary tsy hoe maka tahaka an’itympanompon’Andriamanitra lehibe ity, fa maminany aho hoeity firenena manontolo ity dia ho lasa foana. Hanasazy an’ityfirenena ity nohon’ny fahotany Andriamanitra. Raha tsy namelany Isiraely Andriamanitra, ny Voafidiny, Taranak’i Abrahama,izay Nanaovany an’ilay fanekena sy teny fikasana, raha tsynamela azy ireo hilamindamina nohon’ny fanaovan-dratsy Izy;na dia mpivavaka hatrany amin’ny tsoka aza izy ireo, nananaan’ireo fiangonana malaza, sy ireo mpisorona, ary ireo raby;saingy noho ireo tsy mendrika sy ny sisa teo anivon’izy ireo,ka nanao azy ireo hijinja an’izay nafafiny Andriamanitra, diahahazo an’izany koa isika. Andininy faha-11:

…ity manontolo ity dia ho lasa foana, sy…fahagagana;…

Izany hoe, ny olona rehetra dia mijery ka manao hoe, “Eo izyireo. Tena nalaza izy ireo. Jereo izy ireo ankehitriny.”

…ireto firenena rehetra ireto dia hanompo nympanjakan’i Babylona fitopolo taona.

Page 23: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

IREO TORO-HEVITR’I GABRIELA TAMIN’I DANIELA 23

Androm-piainana iray manontolo izany. Izany dia fony nyreninareo antitra, voatahy mbola zazakely iray. Tany izy ireotsy nanana Andriamanitra, tsy nanana fiangonana, tsy nananahira, tsy nanana na inona na inona, nandritry ny taranaka iraymanontolo, mandra-pahafoana an’io taranaka rehetra io.

Ary izao no hiseho, rehefa tapitra ny fitopolo taona,dia ho saziako ny mpanjakan’i Babylona, sy izanyfirenena izany, hoy ny TOMPO, nohon’ny helony, syny tanin’ireo Kaldeana, ka hanao azy ho faharavànamandrakizay.Ary ho entiko eo amin’izany tany izany ny teniko

rehetra izay efa notononiko hamelezana azy, dia izayrehetra voasoratra ato amin’ity boky ity, izay efanaminanian’i Jeremia hamely ny firenena rehetra.Fa firenena maro sy mpanjaka lehibe hanompo ny

tenany—ny tenany izy ireo ihany koa: ary ho valiako…araka ny ataony, sy araka ny tenin’izy ireo avy amin’nytànany manokana.Fa izao no nolazain’ny TOMPO Andriamanitry ny

Isiraely tamiko; Raiso ny kapoaky ny divay an’nyfahatezerana avy amin’ny tànako, ka ny firenenarehetra dia asaivo, izay hanirahako anao, misotro avyamin’izany.Amin’ny teny hafa dia, “Jeremia, Nomeko anao ity

hafatra ity. Aza mipetraka tsara. Aza mijanona eo amin’nytoerana anankiray, fa maminania ho an’ireo firenena rehetra.”Manaraka an’ilay izy ve ianareo? [Hoy ny fiangonana hoe,“Amena.”—Mpand.] “Maminania ho an’ny firenena rehetra.Asehoy ireo Famantarako sy fahagagako, ka ampahafantaro azyireo fa avy Aho hanao an’io.”

Ary hisotro izy ireo, ka hirepirepy, ary ho very saina,nohon’ny teny izay halefako eo anivon’izy ireo.

84 Inona no ataon’izy ireo ao amin’ity andro ity mihitsy? Izyireo dia hiantso anareo ho—ho mpaminany sandoka iray, hiantsoanareo ho—ho mpanao marimaritra iraisana, hiantso anareoho—ho fanatika iray, mpanao hatsarana iray, na mpanonofynofy iray, na karazana mpanao fifandraisana ara-tsaina iray.“Ho very saina izy ireo!” Ary ny teny hoe very saina, rahahovahavahanareo izany, dia midika hoe “adala.” “Ho lasa adalatokoa izy ireo, ka hanao hoe, ‘Ah, aza miraharaha an’io holy-roller io, io fahadalana io,’ nohon’ny Teny izay Halefako eoanivon’izy ireo.”85 Hitanareo ve fa mamerina ny tenany ny tantara? Jeremia diatsy nifanaraka tamin’ireo Fariseon’izy ireo, Sadoseo, Herodiana,na mety ho inona izy ireo. Izy, navoakany fotsiny ny Teny, aryIzany no nanao azy rehetra ireo romotra taminy. Inona? Marihoankehitriny.

Page 24: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

24 NY TENY VOAMBARA

Ary avy eo dia noraisiko ny kapoaka teny an-tànan’nyTOMPO, ka nampisotroiko ny firenena rehetra izany,…Tsy nijanona tany an-trano i Jeremia. Tsy nijanona

fotsiny tao anatin’ny toerana kely anankiray i Jeremia, fanampisotroany an’izany ireo firenena rehetra.

…any amin’izay nanirahan’ny TOMPO ahy:86 Nentin’i Jeremia ny Tenin’ny Tompo, ilay divain’Ny Teniny.Ary ny divay no herin’Ny Teniny. Manana hery iray ny divay.Ny divay dia mahamamo. Ny divay dia manana hery aoriany.“Dia nentiko ny Tenin’ny Tompo,” hoy Jeremia, “ary nataokohiseho Izany. Ny divay, ilay hery ao Anatiny, no nasehoko teoanatrehan’izy ireo, nefa tsy nihaino an’Izany izy ireo.”

Hoy Andriamanitra hoe, “Noho izany dia handefa azy ireoany Babylona mandritry ny fitopolo taona Aho.” Izany mihitsynoNataony. Nymarina sy ny tsi-marina dia nandeha, nitovy.87 Ankehitriny,miverina amin’ny lesona. Efa namaky iDaniela.Eritrereto fotsiny, Daniela dia namaky an’ireo Teny iray ihanyizay vakiantsika izao maraina izao. Daniela dia namaky an’ilayBaiboly iray ihany, ilay tsindrim-peo iray ihany, ireo fehezan-teny iray ihany, ireo zavatra iray ihany izay izaho, nohon’nyfanampian’Andriamanitra, ho vakiako aminareo ao amin’ireoHafatra vitsy manaraka, ilay zavatra iray ihany, mba hanehoaminareo fa eo amin’ny andro farany isika izao.

Ary Daniela, naka ny Teny avy tamin’i Jeremia, dia mandehamidina any Babylona. Ary izy no ilay mpaminany voahosotra.Ary nanao fahagagana izy, famantarana, afaka nandika fitenytsy fantatra, sy nanao famantarana sy zava-mahagaga teoanivon’izy ireo. Kanefa, nitsangana irery, tamin’ny tenany!Amena! Nitsangana irery izy.88 Fa Jeremia dia nanoratra an’ireo Teny ireo taona maro,maro tany aloha. Ary Daniela, teo am-pandikana ny Teny, dianahazo… “Hono ho’aho, andraso iray minitra ankehitriny.Akaikin’ilay andro farany isika, satria efa valo amby enimpolotaona aho no teto. Ary ilay mpaminanin’ny Tompo,” amena,“ny rahalahiko, ilay mpaminanin’Andriamanitra marina izaynanaporofo ny tenany ho mpaminany iray, dia naminany hoantsika. Manana an’izany voasoratra ao anatin’ny boky iray ahoeto, izay nanao hoe, ‘Ho tapitra ny fitopolo taona.’ O TompoAndriamanitra, manakaiky ny farany izahay. Efa maty ilaytaranaka rehetra. Inona no Hataonao ankehitriny, Tompo? Ianaono nampanantena fa handefa ho anay…” Ary nanao ny tenanyhilamina izy, mba hivavaka.89 O Andriamanitra, raha nisy fotoana iray izay tokonyhanaovantsika ny tenantsika hilamina, mba hivavaka, dia izaoankehitriny izao. Satria, isika amin’ny maha-Mpanomponymarina, dia hitantsika, amin’ny alàlan’ireo Epistilin’ny apostoly,amin’ny alàlan’ny fampitandreman’ny Fanahy Masina, fa ao

Page 25: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

IREO TORO-HEVITR’I GABRIELA TAMIN’I DANIELA 25

amin’ny andro farany isika. Ny Fanahy Masina no mitenyan’Izany. “Amin’ny andro farany, dia ho kirina ny olona,mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra an’Andriamanitra,mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsymahonom-po, ary tsy tiany tsara.” Azoko amin’ny alàlan’ny Epistily.90 Ary azoko fa hisy mpamingavinga, amin’ny andro farany.Azoko fa hisy firenena hanohitra firenena, amin’ny androfarany. Azoko fa hisy samonta, amin’ny andro farany. Azokofa hisy fahitana mahatahotra, toy ny zava-boribory manidina,eny amin’ny lanitra, fahitana mahagaga, ka ho raiki-tahotra nyfon’ny olona. Hisy fotoan’ny fahaketrahana iray, sy fahorianaeo anivon’ny olona. Namaky aho fa hiditra ao anatin’ireorafi-pandaminana sy anaram-piangonana izy rehetra, aryhanana fiombonambe iray, amin’ny andro farany. Azoko fahanapaka ny volony ireo vehivavy amin’ny andro farany.Azoko fa hanao akanjo fohy izy ireo, sy handeha amin’nykiraro avo voditongotra, mikitrankintrana raha mandeha izyireo, amin’ny andro farany. Azoko fa ho tena ambany nyfitondran-tena amin’ny andro farany. Azoko fa ho mpiandryondry sandoka ireo mpitory teny amin’ny andro farany, izayhanao marimaritra iraisana, ka tsy hamahana ny olona amin’nyTenin’Andriamanitra, fa hanaraka an’ireo fanekem-pinoana syny sisa, eo amin’ny toerany. Saingy azoko fa hisy Feo iray hotonga amin’ny andro farany, hiantsoantso any an-efitra, hiantsony olona hiverina amin’ny Hafatra tany am-boalohany, hiverinaamin’ireo zavatr’Andriamanitra. Azoko, amin’ny alàlan’ilayBoky, fa hiseho ireo zavatra ireo.91 Azoko fa amin’ny andro farany dia hisy mosary. Ho tenavoarafitra ireo fiangonana, ary ho tena tafapetraka sy nysisa, ka ho tonga ny mosary amin’ny andro farany, ary tsyho an’ny mofo na rano fotsiny ihany izany, fa ho an’nyfandrenesana ny Tenin’Andriamanitra marina. Ary ho tonga avyany atsinanana ny olona, avy any andrefana, avy any avaratra,ary atsimo, mitady mba handre ny Tenin’Andriamanitra marina.Fa ho tena voarafitra ireo fiangonana sy ho voageja mafy,ka ho diso amin’ny fandrenesana an’Izany izy ireo. Azokotamin’ny alàlan’ireo Boky izany. Fa, amin’izany andro izany,O Andriamanitra, dia hisy Rantsana iray hipoitra avy amin’iDavida.92 Azoko fa handefa an’i Elia Izy alohan’ny ahatongavan’iofotoana io amin’ny andro farany, ary hanana Hafatra iray izyizay hamerina ny fon’ireo zanaka amin’ireo rainy, hamerinaazy ireo amin’ilay tany am-boalohany, hiverina indray hatranyamin’ny farany, ka hanomboka. Azoko fa hiseho izany mialohaindrindra ny handaozan’ny Fanahy an’ilay fiangonana Jentilisa,mba hiverina any amin’ireo Jiosy.93 Ary tsy azoko tamin’ny alàlan’ny Epistily irery ihanyizany. Azoko tamin’ny alàlan’ny Teny, tamin’ny alàlan’ny Teny

Page 26: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

26 NY TENY VOAMBARA

voasoratra, fa hiverina any an-tanindrazany i Isiraely; arymahita azy miditra aho.94 Azoko tamin’ny alàlan’ireo Epistily, an’ireo mpaminany, faho lasa firenena iray i Isiraely. Hanorina indray an’ilay tempolyfivavahana izy ireo. Hifanaraka aminy indray Andriamanitrarehefa tonga ao an-tanindrazany izy. Oh! Mpaminany roa nohitsangana amin’ny andro farany, hiaraka amin’izy ireo. Azokoizany. Vao lasa mihitsy ilay Fiangonana Jentilisa, dia ho tongaireo mpaminany roa, Elisa sy Mosesy, ho an’ny Isiraely. Hohitantsika izany rahamandeha hatrany isika.95 Hitan’ilay mpaminany fa efa saiky tanteraka ilay fotoanatany Babylona. Eny àry.96 Miseho i Gabriela, tsy hanambara fotsiny ihany an’izaynanontaniany, fa hiteny aminy hatrany amin’izay voatendryho an’ilay firazanana Jiosy, hatrany amin’ny fahafonganana.Amena! Nanontany kely fotsiny izy, nefa nahazo an’ilay zavatramanontolo. Nanontany fotsiny izymba hahafantatra…97 Niezaka ny hahita i Daniela hoe, “Firy sisa, Tompo, nombolahisy ankehitriny? Jeremia mpaminany, ny Mpanomponao, nyrahalahiko, dia naminany valo amby enimpolo taona lasa izay,ka nanao hoe, ‘hisy fitopolo taona no hijanonan’ity vahoaka ityeto.’ Ireo taranaka fahiny rehetra dia efa saiky lasa ankehitriny.”98 Nisy taranaka pentekotista fahiny iray izay nipoitra, efapolotaona lasa izay. “Ireo mpiady tranainy,” no iantsoana azy ireo.Nandrafitra izy ireo, ary niady, sy nifamaly, hatrany amin’nyTendrombohitra Horeba sy Nebo, nanerana ny rehetra tany.Fa, farany, dia tonga eo amin’ilay renirano isika ankehitriny.Hanangana anankiray vaovao Izy, miaraka amin’i Josoa mbahitondra azy ireo hiampita. Tsy nahomby ny lalàna; nandehaniaraka tamin’izany i Mosesy; tsy nahomby i Mosesy. Josoano nitondra azy ireo niampita. Hitantsika fa tsy nahomby ireorafi-pandaminana, fa ny Fanahin’Andriamanitra…Josoa, nyteny hoe Josoa, dia midika hoe “Jesosy Mpamonjintsika.” Fa,ny Fanahy Masina no ho tonga ao amin’ilay Fiangonana. Tsyrafi-pandaminana iray, fa ny Fanahy Masina no ho tonga eoanivon’ny olona ka hanao Azy ho vonona hiakatra, hiampita an’iJordana. Azoko tamin’ny famakiana an’ilay Boky fa izany no tsymaintsy hiseho. Ary fantatr’Andriamanitra fa izany no tadiavikoankehitriny, mba ahafahako mampionona ny Olony sy hitenyamin’izy ireo an’izay antomotra, ny eto izao maraina izao, syny any ivelany manerana an’ireo firenena izay handehanan’iretohoronam-peo ireto, manerana an’izao tontolo izao, fa eo amin’nyandro farany isika.99 Nambarany hatrany mandra-pahatongan’ny Fanjakana hotafaverina tanteraka indray ka hipetraka ny Arivo taona. Izanyno hafatr’i Gabriela. Hoy Izy hoe, “Tonga Aho hiteny aminaofa misy fitopolo taona, fitopolo herinandro, mbola, voatendry

Page 27: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

IREO TORO-HEVITR’I GABRIELA TAMIN’I DANIELA 27

ho an’ny vahoakanao, voatendry hatrany amin’ny faran’nytaranaka Jiosy. Misy fitopolo herinandro.” Diniho ankehitrinyizay Nolazainy. Fa ankehitriny, hatramin’ny filazana mbahamerenana…

Fitopolo herinandro no voatendry ho an’nyvahoakanao sy ho an’ny…tanànanao,…“Ilay tanàna.” Tsy Babylona no tanànany. Iza…Taiza ny

tanànany? Jerosalema.100 Ankehitriny, rehefa tonga eo amin’ireo—ireo fito isika,na ny fanamarinana enina, dia ho hitantsika hoe inona iotanàna io, ary hametraka an’izany sy hanaporofo hoe iza izany,iza no nanorina azy, avy taiza izy. Mandra-pahoviana nohitsanganany? Ho voaorina indray ve izy? Amin’ny fotoanainona? Oh, zavatra lehibe no ao amin’ny fitehirizana ho antsika.Eny àry.

Fitopolo herinandro no voatendry ho an’nyvahoakanao sy ho an’ny…tanànanao, hampitsaharanany fahadisoana,…Ankehitriny, tsy nilaza mihitsy Izy hoe, “Daniela…” Tsy

isalasalana fa niteny taminy Izy hoe ireo fitopolo herinandrodia… Ny tiako lazaina, dia hoe efa saiky tapitra ireo fitopolotaona. Valo amby enimpolo, roa taona fotsiny sisa no tsy ampy.Ary hitantsika fa tena marina mihitsy tokoa ny faminanian’iJeremia. Roa taona taty aoriana, dia nivoaka izy ireo. Nandeha iNehemia ka nahazo alàlana iray avy tamin’ilay mpanjaka, kananorina ny rindrina tao anatin’ny fotoana sarotra. Niasa izyireo. Hoy izy hoe, “Ny rindrina…”Henoy ity.

…hampitsahatra ny fahadisoana,…hamarana nyfahotana,…“Hamarana ny fahotana.” Ho an’iza? Ireo Jiosy. “Voatendry

ho an’ny vahoakanao,” tsy ho an’ireo Jentilisa. “Ho an’nyvahoakanao,” ireo Jiosy. “Sy ny tanànanao,” tsy New York,tsy Boston, Philadelphia, Chicago, Los Angeles, Roma. Fa, “Hoan’ny tanànanao,” Jerosalema.

…sy hampitsahatra ny fahadisoana,…hamarana nyfahotana,…hanao fampihavanana nohon’ny heloka,ary hitondra ny fahamarinana mandrakizay, kahanisy tombokase ny fahitana sy ny faminaniana, aryhanosotra ny Masina indrindra. (Diniho!)Fantaro ankehitriny ary aoka hahazo, fa hatramin’ny

nivoahan’ny didy hananganana sy hanorenana an’iJerosalema (izay tanànany) hatramin’ny…Mesia ilayAndriana dia hisy fito (ireo fitopolo) herinandro,…

101 Miandrasa mandra-pahatongantsika eo amin’izany! Oh,oadray! Izany no fitahiana iray izay izaho…Haka tady iray hoahy aho ka hamatotra ny tenako eto amin’ity toerana ity.

Page 28: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

28 NY TENY VOAMBARA

102 Nanambara an’izany hatramin’ny farany, nanao hoe, “Tsyhiteny aminao fotsiny Aho ankehitriny hoe ireo roa taonaireo dia efa saiky, ho tapitra izany, tanteraka.” Ary isikarehetra dia mahafantatra fa nijanona tany fitopolo taona marinatokoa izy ireo, ary—ary nivoaka, izay nolazain’ilay mpaminanymarina tokoa. Ary Isaia, na ny tiako lazaina…Daniela dia ninoan’io mpaminany io, noho izany izy eto dia, vonona. Eny àry.Ary izy…103 Ary ankehitriny, rehefa tonga i Gabriela, dia hoy Izy hoe,“Tonga Aho haneho aminao hatramin’ny farany, hanambaraaminao an’ireo zavatra ireo, fa, hatramin’ny fahafonganana.”Hitanareo? Jereo.

…ny fahavetavetana no handravàny an’izany, diahatramin’ny fahafonganana mihitsy aza,…

104 Fahafonganana dia “ny fiafaran’ny zavatra rehetra.”“Hasehoko anao izay hitranga.” Ankehitriny henoy. Raiso ilayizy! “Izaho…Daniela, nirahina aho. Ianao dia malala anyAn-danitra. Ary Reko ny vavakao ka midina Aho ankehitrinyhiteny aminao an’izay voatendry ho an’ireo Jiosy sy Jerosalema,manomboka izao ka hatramin’ny fiafaran’ny fahafonganana,ilay zavatra manontolo.”105 Ankehitriny, azonareo ve, ry kilasy? Raha afaka mahitaisika hoe inona ireo fitopolo herinandro ireo dia, fantatsika hoerahoviana ilay fahafonganana. Oh, oadray! Hanampy antsikaanie Andriamanitra mba hahafantatra an’izany. Izany diamiteny amintsika marina tokoa any ho any ao amin’ireto pejyireto, marina tokoa hoe hatramin’io fotoana io ka hatramin’ityfotoana ity, hatramin’ny fahafonganana, ary tsy ho diso an’izanyiray minitra ilay izy.106 Ahoana fa ny Tenin’Andriamanitra lehibe… Rehefa nanaony tanyAndriamanitra ka nametraka azy teny amin’ny toeran’nykintana. Ary efa notoriako indray hariva, Alahady hariva,hoe ahoana fa tsy nisy na inona na inona diso. Nahoana, ityizao tontolo izao ity dia tena mihodina tanteraka hany kaafaka hiteny aminareo marina tokoa izy ireo hoe rahovianany masoandro sy ny volana no hilahatra, afaka roapolo taonamanomboka androany, amin’ilay minitra marina. Tsy afakamiteny aminareo aho, amin’ny alàlan’ny famantaran’ora izayananantsika ao amin’izao tontolo izao; hahavery roa na telominitra isam-bolana izany, na hahazo roa na telo minitra,ny tsara indrindra izay ananantsika. Tsy afaka hanao nainona na inona tanteraka tahaka an’izany isika. Satria, zavatraanankiray ihany no tanteraka, dia Andriamanitra izany. AryAndriamanitra sy Ny Teniny dia iray ihany, noho izany dia nyTenin’Andriamanitra no tanteraka.107 Ary raha afaka mahita an’ireo andro ireo isika, diaafaka hahita marina tokoa hoe rahoviana no hisy ilay

Page 29: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

IREO TORO-HEVITR’I GABRIELA TAMIN’I DANIELA 29

fahafonganana. Azonareo ve ilay izy? [Hoy ny fiangonana hoe,“Amena.”—Mpand.] “Voatendry hatramin’ny fahafongananaizany.” Ny andininy faha-24, “ny vahoakanao sy ny tanànanaomasina,” dia Jerosalema. Eo amin’ny faha-21…ny andininyfaha-24 eto. Nitodika tamin’ity Jesosy ao amin’nyMatio 24.108 Ankehitriny, Rahalahy Collins, raha eto izy izao marainaizao, tsy fantatro na eto izy na tsia. Tao amin’ireo fanontanianaindray hariva, dia nametraka fanontaniana iray izy. (Ataoko famety tsara ho ahy ny hilaza azy, Rahalahy Collins.) Mikasikany, “‘Ny fahavetavetana izay mahatonga fandravàna,’ hitanao,inona no dikan’izany?”109 Niresaka ny amin’izany Jesosy, ao amin’ny Matio ny tokofaha-24, ary hitantsika. Hia, Matio 24:15. Ankehitriny diamamelà ahy fotsiny haka an’izany haingana mihitsy, mbaahafahanareo hahita hoe inona, miresaka an’ilay zavatra irayihany Jesosy eto, miverina mitodika amin’i Daniela. Matio 24:15,ho anareo izay mandray naoty. Tiako ianareo, ny tsirairay avyankehitriny, indrindra rahariva sy—sy amin’ny Alahady heriny,hitondra an’ireo pensily sy taratasy, satria isika dia…raha tsyhoe manana fandraisam-peo iray ianareo. 24, ary ny andininyfaha-15, “Ary noho izany rehefa…”

Ary noho izany rehefa hitanareo ny fahavetavetan’nyfandravàna, nampilazaina an’i Daniela mpaminany,…

Eritrereto! Ity dia telo amby valopolo sy efajato, -efatra, -dimy, enina amby valopolo taona tany aloha. Enina ambyvalopolo sy efajato taona tany aloha.

…Daniela mpaminany, nitsangana tao amin’nytoerana masina,…

Ankehitriny dia jereo ao amin’ny Baibolinareo. Ao anatyfonon-teny ilay izy.

…(izay mamaky, aoka izy hahazo:)110 Ankehitriny, miresaka amin’ireo Jiosy Izy. Te-hahafantatraizy ireo hoe, “Ahoana ny amin’ity tempoly ity? Rahoviana izyno ho rava? Rahoviana izy no haorina indray? Rahoviana no hotonga ny fotoana izay tsy hisy vato iray eo ambonin’ny iray hafa?Mandra-pahoviana no haharetan’izany?”111 Hoy Izy hoe, “Rehefa hitanareo ‘ny fahavetavetana izaymahatonga fandravàna, mitsangana rehefa…’ Daniela,‘nitsangana tao amin’ny toerana masina.’” Hoy Izy, “Rehefahitanareo miseho io, ankehitriny dia aoka izay mamaky hahazoizay resahany.”

Izany no antony ivavahantsika amin’Andriamanitra, hanaoan’izany ho tena tanteraka, mba tsy hisy aloka iray an’nyfisalasalana. Satria, tsy natao hametraka ny fandikantsikamanokana an’ireo zavatra ireo isika. Izany dia tsy maintsy

Page 30: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

30 NY TENY VOAMBARA

tonga amin’ny alàlan’ny HOY NY TOMPO HOE. Noho izany, diaavelako eo mihitsy ilay izy mandra-pahazoko.

Nanambara ny zavatra rehetra taminy, hoe“fahavetavetana.”112 Ary, tsarovy, manana dikany mifangaro izany, toy ny hoefotsiny, “Miantso ny zanako hivoaka an’i Egypta.” Tahaka an’iIsiraely nantsoina nivoaka; dia toy izany koa Jesosy, Ny Zanany,nantsoina nivoaka.

Ary izany marina tokoa no hiseho, azo antoka tahakany itsanganako eto. Fa Nataony tamin’ny fomba iray izany,ary Nataony niafina tanteraka, niafina tanteraka tamin’ilayFiangonana. Oh, rehefa miditra ao amin’izany isika, aoamin’ireo fahazoana enina, hoe ahoana no Nanaovany an’io honiafina tanteraka tamin’ilay Fiangonana; mba hiambenan’ilayFiangonana an’izany isa-minitra, tsy nahafantatra hoerahoviana Izy no ho avy. Fa ankehitriny dia efa saiky tapitrany taom-Piangonana, noho izany dia vonona ho an’ny Fihavianamihitsy izany ankehitriny, mivononamihitsy.113 Ity no iray amin’ireo Soratra lehibe indrindra ao amin’ilayBoky. Inona no ataon’izany? Izany no miteny ny fiafaran’nyfirenena Jiosy, ireo vahoaka Jiosy. Ity Soratra ity, ireo fitopoloherinandro, izany no manambara sy miteny marina tokoahatramin’ny fotoana izay nanombohan’i Daniela tany, kahatramin’ny fiafaran’ny fahafonganana. Izany no iray amin’ireofamantaran’ora lehibe indrindra. Firy no efa nandre ahynilaza hoe, “Raha te-hahafantatra ianareo hoe inona ilayandro amin’ny herinandro, dia jereo ny alimanaka. Raha te-hahafantatra ianareo hoe andro inona no iainantsika, dia dinihoireo Jiosy”? Marina izany. Io no alimanakan’Andriamanitra,nalaina avy eo mihitsy. Ny teolojiana rehetra, ny mpianatraBaiboly rehetra, ny olona rehetra, dia hiteny aminareo fa io nofamantaran’ora, ireo Jiosy.

Ankehitriny ora firy no ananantsika? Isika fotsiny…nyolona, mafana, oh, izaho…114 Tsy misy idiran’izany amin’ireo Jentilisa; ireo TombokaseFito, Loza Fito, Fahoriana Fito, Trompetra Fito, dia tsy misyidirany. Ho any amin’ny Voninahitra ilay Fiangonana Jentilisaamin’io fotoana io. Tsy misy idirany amintsika, ilay FiangonanaJentilisa. Mikasika ny Isiraely fotsiny ihany izany. “Daniela, nyvahoakanao sy Jerosalema.”115 Ankehitriny, ary manambara an’ireo zava-misy izayiarahan’Andriamanitra amin’ireo Jiosy fotsiny rehefa aoan-tanindrazany izy ireo. Haleloia! Eo no heveriko fahikasihan’izany an’ilay zava-dehibe, eo mihitsy.

Miezaka foana izy ireo ny manisa hatramin’ny fotoanaizay naha-tany an’ny Isiraely tamin’ny andron’i Daniela.Ary mpanoratra malaza iray…Satria, fantatro fa ny sasany

Page 31: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

IREO TORO-HEVITR’I GABRIELA TAMIN’I DANIELA 31

amin’ireo mpanaraka azy dia mipetraka eto, tsy holazaiko ilayizy. Fa izany no antony nananan’izy ireo an’io karazan-javatrasandoka io.116 Efa fantatrareo ve hoe ahoana fa ireo Millerite, talohan’nynahalasa azy ireo ho Adventista an’ny andro Fahafito, inonano nataon’izy ireo teto? Tamin’ny 1919, naka ny elany izy ireo,(ianareo rehetra dia nahita an’izany tao amin’ny gazety Courier),ka niakatra teto mba hanidina, tamin’io maraina io. Nalainaavy tamin’ireo fitopolo herinandron’i Daniela izany. Ah-hah,Millerite. Avy eo, taty aoriana, araka an-dRtoa. Ellen White,izay mpaminanivavin’izy ireo, dia nihodina ka niantso ny tenanyhoe Adventista an’ny andro Fahafito. Ary ankehitriny izy ireodia nanova ny anarany ho Ny Feon’ny Faminaniana. Hitanareo?Anarana telo samihafa ho an’ilay sekta iray ihany.117 Ankehitriny, saingy diso izy ireo, satria niezaka nynampihatra an’ireo fitopolo herinandro ireo teo amin’ny Jiosysy ny Jentilisa izy ireo. Nefa eto Izy dia milaza hoe, “Izany diaho an’ny vahoakanao.” Fa Andriamanitra dia tsy nifanarakamihitsy tamin’ny Jiosy any ivelan’ny Palestina. Ary rehefa ilayMesia, teo amin’ny fitopolo, sy roa herinandro, dia novonoina,(tsy ho an’ny Tenany; ho antsika, no novonoina), niparitaka iIsiraely, ary tsy (mihitsy) niverina tao an-tanindrazany rahatsy vao taona vitsy lasa fotsiny. Noho izany, ny fotoana dia tsyvoaisa ho an’ilay taonan’ny Fiangonana tao anatin’io. Azonareove ilay izy? [Hoy ny fiangonana hoe, “Amena.”—Mpand.]

Tsy ho ny 1919 izany. Afaka maneho zavatra iray izaynitranga tamin’ny 1919 aho, fa izany dia rehefa ilay Anjely,ny hafatr’ilay Anjely fahatelo izay namely ka nivoaka nyFahoriana. Marina tokoa. Fa tsy izany no…Izany dia rehefanijanona tamin’ny fomba mahagaga iray ny ady. Hananaan’izany isika ao amin’ny toko faha-7 rehefa tonga eo amin’izany,rehefa tonga eo amin’ny toko faha-7 isika. Ianareo rehetra diaefa nandre ahy nitory an’izany, imbetsaka, hitanareo, rehefanilaza ny hafatr’ilay Anjely hoe, “Hazòny ireo rivotra efatraamin’ny tany mandra-panisinay tombokase an’ireo Jiosy, ireompanompo.” Ary, ankehitriny, dia manohy miandry izy ireomandra-pifaran’ny taonan’ny Jentilisa rehetra.

Avy eo rehefa miditra Izy, amin’izay fotoana izay—amin’izayfotoana izay Izy no manisy tombokase an’ireo Jiosy, mandrayny Fanahy Masina ireo efatra arivo amby efatra alina ambyiray hetsy. Eo no misy an’ireo efatra arivo amby efatraalina amby iray hetsy, voaisy tombokase. Apokalypsy 7. Efanovakianareo izany.

“Ary nahitamarobe efa tanyAn-danitra aho,” nahita i Jaona,“avy tamin’ny fokom-pirenena rehetra, fiteny, ary firenena,ary mitsangana eo anatrehan’Andriamanitra izy ireo, miarakaamin’ny sampan-drofia eny an-tànany, sy akanjo fotsy, nihira.

Page 32: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

32 NY TENY VOAMBARA

‘Haleloia! Amena! Voninahitra, fahendrena, haja, faherezana,hery, anie ho an’Andriamanitsika mandrakizay sy mandrakizay.Amena!’ nihorakoraka izy ireo.”118 Tsy nety nahazo i Jaona tamin’io fotoana io. Fa nitodika izyka nahita teo ambonin’ny Tendrombohitra Sinay, (voninahitra)efatra arivo amby efatra alina amby iray hetsy izay tsy nalototamin’ny vehivavy. Jiosy! Vehivavy, fiangonana! Tsy nikambanatamin’ireo rafi-pandaminana izy ireo, Loterana, Metodista,Batista, ary Presbyterana. Fa efa Jiosy hatrany am-piandohanaizy ireo, Ortodoksa, ary nanana ny tempoliny tany, nanompo teoambonin’ny Tendrombohitra Sinay. Ireo efatra arivo amby efatraalina amby iray hetsy izany. Izany dia aorian’ity; efa any amin’nyVoninahitra ilay Fiangonana. Hitanareo?119 Noho izany, dia diso Atoa. Smith, tsy maintsy. Satria, ahoanano hampiharanareo an’izany eto tamin’ny 1919, mamoakaan’ireo efatra arivo amby efatra alina amby iray hetsy? Nohoizany dia miverina ao amin’ny Russellite indray ianareo.Hitanareo? Noho izany dia miverina avy hatrany amin’nyfoto-pampianarana Russellite ianareo, hoe, “Tonga tamin’ny1914 Jesosy. Tamin’ny 1919 Izy no naka Ny Fiangonany.Ary ankehitriny dia vatana mahagaga iray Izy izay mandehamanodidina ny tany, manangana…handeha any amin’nyfasan’i bebe sy ny fasan’i dadabe, ary hanangana azy rehetraireo, ireo rehetra izay efa Russellite.” Fahadalana! Tsy misydikany izany amin’ny Teny. Tsy hifanitsy izany. Tsia, tompoko.Tsy mifanitsy.120 Fa, Andriamanitra no manana ny Fahamarinana. AryAndriamanitra no ilay Anankiray Izay afaka manambaraan’Izany symametraka an’Izany ao, arymaneho an’Izanymarinatokoa, amintsika. Hitanareo? Mino aho fa Hataony izany. Tsyfantatro izany. Miteny aminareo ny Fahamarinana aho. Tena tsyfantatro, saingymino aho. Mino aho fa hanao Izy.121 Noho izany, hitanareo, tsy nifanaraka tamin’ireo Jiosymihitsy Andriamanitra. (Tiako ianareo hihazona an’izany ao an-tsaina) raha mbola Isiraely foana…122 Tamin’izany no niezahako niteny tamin’ity rahalahymipetraka eto ity, izay niresaka mikasika ny handehanana anyIsiraely, mialà lavitra an’ny Isiraely! Mialà lavitra azy, ianareoolona rehetra miresaka mikasika ny hanova fo an’ireo Jiosy.Alohan’ny ifaranan’ity Hafatra ity, dia ho hitanareo fa izanyno HOY NY TOMPO HOE, araka ny Teny sy araka ny Fanahy.Isiraely dia hiova fo, ilay firenena manontolo, ao anatin’ny alinairay. Ny Baiboly no niteny an’izany. Fa tsy ho azy ireo akoryaza ny Filazantsara. Misy jiolahimboto vitsy izay any ivelany,sy ny sisa tahaka an’izany, izay miditra, nefa any ivelan’ilaytena vatana Jiosy, izay miditra ka voavonjy. Marina izany. Minoan’izany amin’ny—amin’ny foko rehetra aho.

Page 33: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

IREO TORO-HEVITR’I GABRIELA TAMIN’I DANIELA 33

Fa, tsarovy, raha mbola any ivelan’ny fireneny foana iIsiraely, dia tsy afaka ny ho voavonjy izy ireo. Ankehitrinydia miverina izy ireo. Ary ho voavonjy izy ireo, ilay firenenamanontolo, ao anatin’ny andro iray. Ny Baiboly no nitenyan’izany. Andro iray; no hitondra, manontolo, ny Isiraely rehetrahiverina amin’Andriamanitra. Hisy zavatra mahery iray hamelyny Isiraely indray andro any, hany ka hanozongozona an’ilayfirenena manontolo izany. Ilay mpaminany aza dia niantsoantsomihitsy, ka nanao hoe, “Tao anatin’ny andro iray no nanaovanaoan’izany.” Ao anatin’ny andro iray, no hahitan’izy ireo an’Izany.Hisy zavatra mahery iray.

123 Ny hevitro, izany dia ho mpaminany mahery iray izayhipoitra ka hitsangana eo anatrehan’ny Isiraely, ary hanaporofoamin’izy ireo fa mbola velona foana io Mesia io. Io Mesia izaynolavin’izy ireo io dia…?…

124 Mamaky an’io Baiboly kely io izy ireo ankehitriny, nyBaibolin’ny Isiraely. Mamaky an’Izany avy any aorianamankanyaloha izy ireo, ny fomba amakian’izy ireo Azy. Ary fantatrareohoe toy ny ahoana no nanoratana ny fiteny Jiosy. Ary nohoizany rehefa mamaky Azy izy ireo…Ary mamaky an’izanyizy ireo izay nalefan’i Lewi Pethrus ho azy ireo, Baiboly iraytapitrisa. Hoy izy ireo hoe, “Raha ity Jesosy ity…” Izanydia ireo Jiosy izay nentina avy tany Iran tany, ary avy tany,tsy nandre mihitsy ny amin’izany hoe Mesia izany. Ary rehefavonona ny hiverina any amin’ny tanindrazany izy ireo, nahoana,dia tsy te-hiakatra teo amin’ireo fiaramanidina ireo. Mbolaniasa tany tamin’ireo angadin’omby tranainy foana izy ireo.Namaky an’izany ianareo tao amin’ny magazina Look. Firy noefa namaky an’ireo lahatsoratra ireo tao amin’ny Look sy Timesmag-…? Nahoana, azo antoka fa namaky ianareo. Hitanareo?Tsy te-hiakatra tao izy ireo. Nitsangana ilay raby antitra tanyka nanao hoe, “Tsarovy, ny mpaminanintsika no nilaza faisika dia hiverina any an-tanindrazana eo ambonin’ny elatry nyvoromahery iray.” Haleloia!

Rava ireo firenena, mifoha Isiraely,Ireo famantarana voalazan’ny Baiboly mialoha;Voaisa ireo andron’ny Jentilisa, miaraka amin’nytahotra manarona;

“Miverena, O ry niely, ho amin’ny anareomanokana.”

125 Tsaratsara kokoa aminareo ny mifoha. Efa nandre an’izanysy nandre an’izany ianareo, ary nandre an’izany, saingy hoan’ny fotoana farany izany, indray andro any. Miverina any an-tanindrazany i Isiraely. Ny andro izay anapahan’Andriamanitrahevitra mba haha-firenena iray an’i Isiraely, dia izany no androizay tsy hisian’ny Jentilisa hafa iray intsony ho voavonjy.

Page 34: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

34 NY TENY VOAMBARA

126 Hanaporofo an’izany amin’ny alàlan’ireto fitopoloherinandro ireto aho, raha afaka hahita an’ireo andro ireofotsiny. Izaho dia handeha any amin’ny…hitady an’ireoalimanaka momba ny kintana, sy—sy ny Julien, ilay momba nykintana, sy ny Romana, ary izy rehetra ireo. Misy sasantsasanyamboniny, any ho any. Misy zavatra iray. Andriamanitrano mahafantatra mikasika an’izany, ary, Izy—Izy no afakamanambara an’izany. Hitanareo? Fantatro fa ny alimanakaJulien dia manana dimy amby enimpolo amby telonjato andro,amin’ny taona. Noho izany, oh, mikorontana tanteraka izy ireo,saingy misy fahamarinana iray, any ho any.127 Mahita fiangonana marobe aho, rafi-pandaminana marobe,olona marobe mandeha any amin’ity, ka ny sasany, “Arahabary Maria,” ary ny sasany manompo an’ity, sy itsy, ny hafa. Tsymaintsy misy Fahamarinana iray, any ho any. Tsy maintsy misyAndriamanitra iray, any ho any. Tsy maintsy misy Hafatra iray,any ho any. Mahita an’ireo mpaminany sandoka miseho aho,mihetsika tahaka an’ireo famantarana, ary ireo karazan-javatrahafa rehetra miseho. Noho izany, tsy maintsy misy anankiraytena izy, any ho any, izay nanaovana an’io fisandohana io.128 Mahita ny olona miditra ao amin’ny nofo aho, arymihiakiaka, sy manao hadalana, nefa mivoaka ka miainaamin’ireo karazam-piainana rehetra. Tsy maintsy misy FanahyMasina iray tena izy any, any ho any. Mahita an’ireo olonamihetsika toy ny mpivavaka aho, sy ny sisa, ary miezakany ho manam-pinoana. Fantatro fa misy Andriamanitra iraytena izy, any ho any. Misy Fanahy iray tena izy, any ho any,satria mpihatsaravelatsihy ratsy iray no naka tahaka an’izany,mpisandoka ratsy anankiray. Tsy maintsy misy zavatra irayizay tena izy: lehilahy iray, vahoaka iray, Fiangonana iray,Andriamanitra iray. Tsy maintsy misy zavatra iray marina, anyho any, satria ireto dia nadika avy tamin’izany fotsiny. Misyzavatra tena izy, any ho any.129 Nilaza tamin’ity fiangonana ity aho, mikasika an’ireofanomezam-pahasoavana. [Mandondòna in-efatra ny polipitraRahalahy Branham—Mpand.] Henoy ireo fanomezam-pahasoavanareo; tehirizo ao anatin’ny Baiboly izy ireny. Azamaka mpisolo iray, nefa feno an’ireo tena izy ny lanitra. Ndaoisika hihazona an’ireo tena izy. Ndao isika haka an’ireo tena izyna tsy hanana anankiray mihitsy. Amena.130 Ankehitriny, amin’ny farany, dia zava-misy iray nyhoe Andriamanitra dia mifanaraka amin’ny Isiraely ireryihany rehefa ao an-tanindrazany izy. Ndao alaintsika rehefaAndriamanitra…Abrahama nandao ny tanindrazany kanandeha nankany Egypta, inona no nitranga? Nanalavitra nysitrapon’Andriamanitra izy, ary tsy voatahy mihitsy raha tsyniverina tao amin’ilay tanindrazana. Tsy nifanaraka taminymihitsy Andriamanitra, tsy nisy fahitana anankiray, tsy nisy

Page 35: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

IREO TORO-HEVITR’I GABRIELA TAMIN’I DANIELA 35

na inona na inona hafa, raha tsy niverina tao amin’ilaytanindrazana izy.131 Jereo Isiraely rehefa nalefa tany Egypta izy ireo, efajatotaona. Tsy nisy fahagagana anankiray, tsy nisy famantaranaanankiray, tsy nisy zavatra anankiray nitranga teo anivon’izyireo, tsy nisy voarakitra tao amin’ny tantaran’ny Boky. Ilaymahazatra fahiny; mandeha any am-piangonana, manolotraan’ilay zanak’ondry, milaza ny “Arahaba ry Maria,” na inonailay izy, miverina. Ny taona manaraka, mitovy ihany. Mifamalyireo mpisorona rehetra, “Raby Ranona-sy-ranona! Izahay hifidyny Raby Ranona-sy-ranona. Manana fianarana iray tsaratsarakokoa izy. Mahafantatra betsaka mikasika an’ireo Egyptianaizy.” Ny zavatra voalohany fantatrareo, ireo Egyptiana sy—sy izyrehetra ireo, dia mitovy ihany.132 Izany ilay zavatra iray ihany izay nitranga tamin’nyfiangonana. Isika rehetra dia natao ho Metodista, na Batista,na Presbyterana. “Ary manana diplaoma iray avy any Hartfordizahay!Manana diplaoma iray avy anyWheaton izahay!Mananadiplaoma iray avy any an-kafa any ho any izahay, na BobJones! Izahay, izahay manana Bakalorean’ny Literatiora! Izahaymanana D.D. iray, LL.D., na zavatra iray hafa!” Inona noiafaran’izany? Andiana fahadalana iray.

Tahaka an’izany ilay izy tany Egypta. Ary tsy nifanarakatamin’ny Isiraely mihitsy Andriamanitra raha tsy niverina tanyan-tanindrazany izy.133 Henoy aho! HOY NY TOMPO HOE, Andriamanitra diatsy hifanaraka amin’Ny Fiangonany mihitsy raha tsy miverinaany amin’ilay tanindrazana Izy, ny Hafatry ny ora. Miverenaamin’ilay tany am-boalohany! Mialà amin’ireo hevitrareoMetodista, Batista, Presbyterana; ny anareo Pentekotista,Assemblées, an’ny Tokana, an’ny Telo, ary an’ny Dimy, nainona na inona ilay izy; fiangonan’Andriamanitra, Nazareana,Mpivahinin’ny Fahamasinana, fiangonan’i Kristy, ireo hetsikaantikristy rehetra! Ary fantatro fa mandòna an’izao tontoloizao ity. Ny rehetra dia diso; ny rehetra dia avy amin’ny devoly.Oh, oadray! Misy lehilahy masina ao anatin’ny tsirairay avyamin’izy ireo. Misy olona masina ao anatin’ny tsirairay avyamin’ireo hetsika ireo. Fa ilay rafi-pandaminana, ao amin’nytenany, no tsy avy amin’Andriamanitra, ka tsy hitahy an’izanymihitsy Andriamanitra. Tsy nanao an’izanymihitsy Izy.134 Manontany ny mpahay tantara rehetra aho (handre an’ityhoronam-peo ity ianareo) mba hanoratra ka hiteny amikona oviana na oviana, ilay fiangonana voarafitra, raha tsynametraka azy teo amin’ny talantalana Andriamanitra katsy nifanaraka taminy intsony mihitsy. Teneno amiko hoeoviana Izy no mba nanangana ny Loterana indray, Wesley syireo Metodista, na ny Pentekotista. Tsy nanangana mihitsy!

Page 36: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

36 NY TENY VOAMBARA

Nipetraka teo io rafi-pandaminana io, ka nihalò ary lò!Naka an’ireo isam-batan’olona Andriamanitra ka niezaka nynanondro tamin’ny olona hiverina any amin’ilay tanindrazana.Ary tamin’izay fotoana izay, dia tena nalemy sy sarimbavyireo isam-batan’olona, niaraka tamin’ny karazana diplaomasasantsasany, hany ka nandrafitra rafi-pandaminana iray hafaizy ireo, nanao zanaky ny helo roa amboniny noho ny tanyamin’ny voalohany.

135 Saingy, any ho any, azo antoka tokoa, dia manana lehilahyiray izay Azony ametrahana ny Tànany Jehovah, izay tsy hanaomarimaritra iraisana amin’ireo…-masina, rafi-pandaminanatsy masina ireo; izay hisintona ny olona hiverina eo amin’ilayVatolampy, Kristy Jesosy, hiverina amin’ny pentekosta tany am-boalohany sy ny Fanahy Masina tany am-boalohany, miarakaamin’ireo famantarana tany am-boalohany sy ireo fahagaganatany am-boalohany. Azo antoka tokoa fa manana anankirayIzy, any ho any, izay tsy hilefitra eo ambanin’ny karazanafanenjehana rehetra, handositra, hametra-pialana, ho lavo, nyzavatra hafa; izay hijanona amin’izany.

Tsy mitahy ny Isiraely mihitsy Andriamanitra raha tsy tongaao an-tanindrazany izy.

136 Andriamanitra dia tsy hitahy anareo mihitsy, Metodistairay, Batista, Presbyterana, Katolika, na Mpivahinin’nyFahamasinana iray, Nazareana, fiangonan’i Kristy, na—narafi-pandaminana Pentekotista iray. Tsy hitahy anareo tahakaan’izany mihitsy Izy. Miverena ao amin’ilay tanindrazana,any amin’ny fiandohana, miverena any amin’ilay fahatsapanapentekotista tahaka ny nitranga tamin’ny Andron’nyPentekosta rehefa nanova an’ireo olona an’arivony ireo nyHerin’Andriamanitra velona, ka nanao ny fon’izy ireo hirehitraniaraka tamin’ny Afon’Andriamanitra, izay naneho ny tenaizy; tsy ireo famantarana nalain-tahaka, tsy fifandraisana ara-tsaina iray namboamboarina, tsy fanarabiana iray, ka miditraao anatin’ny razam-boalavo iray tahaka ny ananantsika etoAmerika. “Iza no afaka manana tranolay goavana indrindra?”Na, “Iza no afaka manana olona maro goavana indrindra?”Inona no fahasamihafana ataon’izany amin’Andriamanitra?Andriamanitra dia mila an’ireo olona mahitsy fo ao am-po, fatsy olona maro goavana. Ary isika rehetra dia manana razam-boalavo iray eto, mihazakazaka. Fahafaham-baraka iray toy nyinona, ny mahita raha afaka manampy arivo amboniny isikaho an’ny rafi-pandaminantsika. Fahafaham-baraka iray izany.Mila antsika miverina amin’ny Fahamarinana Izy, miverinaamin’ny Fanahy, miverina amin’ilay Hazavana marina, miverinaamin’ny làlambe iray ao amin’i Kristy, miverina amin’nyFahamarinana. Ahoana no mba Ahafahany hitahy antsika eoamin’ny làlana andehanantsika? Tsy hitahy Izy.

Page 37: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

IREO TORO-HEVITR’I GABRIELA TAMIN’I DANIELA 37

137 Tsy nitahy ny Isiraely mihitsy Izy raha tsy niverina taoamin’ilay tany nampanantenaina izy ireo. Ary rehefa niverinatao amin’ilay tany nampanantenaina izy ireo, dia nanombokanitranga ireo famantarana sy fahagagana. Naniraka lehilahynankeo anivon’izy ireo Izy, tamin’ny anarana hoe Mosesy.Niaraka tamin’ny inona no nahatongavan’io Mosesy io, teolojiamangirana iray ve? Tonga niaraka tamin’ny diplaoman’nyBakalorea an’ny Literatiora ve izy? Tonga niaraka tamin’nyLL.D., Ph.D. iray ve izy? Tonga niaraka tamin’ny herin’i Jehovahizy, ary niaraka tamin’ny hafatra iray hoe, “Miverena, avyamin’ity firenena ity, ho any amin’ilay tanindrazana. Miverena,O ry niely, ho amin’ny anareomanokana.” Amena!138 Nandritry ny teo amin’ny roa arivo taona teo izao, no efatany ivelan’ny tanindrazany ireo Jiosy, niparitaka tany amin’nyrivotra efatry ny tany. Ahoana fa afaka hanao an’ity Hafatraity haharitra mandritry ny herinandro maro isika ankehitriny,raha tsy maintsy hiditra amin’ny antsipiriany. Afaka miverinamizaha an’Isiraely isika ka haneho hoe oviana izy no naparitakyny Fitondrana Romana, nohon’ny fandàvany ny Mesia; ahoanafa nentina nankany amin’ny firenena rehetra teo ambanin’nyLanitra izy.

Miverina amin’i Jakoba, Isiraely, miverina ao amin’nyGenesisy 44 sy 45, arymaneho indray eo hoe ahoana no nitsofanyrano an’ireo patriarka ka niteny tamin’izy ireo marina tokoaizay hijoroan’izy ireo amin’ny andro farany. Ary afakamanondromarina tokoa aminareo aho (ny firenena tsirairay) an’ny Isiraely,ny foko tsirairay an’ny Isiraely, izay mitsangana marina tokoaao amin’ireo firenena izay voalaza fa hisy azy. Ary eto isika izaoandroany.139 Ny Jiosy izay fantatsika, dia tsy ilay tena Jiosy izany.Ny tena Jiosy dia ilay tena Ortodoksa izay tsy nandoto nytenany tamin’ireo zavatr’izao tontolo izao, izay tsy nivoakaka nikambana tamin’ireo fiangonana hafa. Izy ireo no hanymiverina any, mivelona amin’ny fromazy sy mofo, eo ambonin’nysisin-kavoana, tsy avela miditra ao amin’ilay tanàna fahiny.Tsy maintsy nanorina tanàna iray ho azy ireo teo amin’iosisiny io, ao amin’ny tany-tsy-misy-olona, miaraka amin’nybasy marovava mitodika any amin’ny lafiny roa. Saingy efananomboka namoaka an’ireo tsimon-kazony izy. Amena, aryamena! Antomotra ny fotoana.140 Misy an’i Ismaela sy Isaka ao, mitsangana ao, mifamalymikasika an’ilay tany, mbola, saingy an’ny Isiraely izy. Rahasendra mandeha any amin’ilay Jerosalema vaovao ianareo, diatsy hamela anareo hankao amin’ilay Jerosalema fahiny izy ireo.Tsy maintsy mandeha any aloha ianareo ka hamela azy ireohanazava an’izany rehetra izany aminareo, ireo Arabo, avy eodia hitondra anareo ho any amin’ilay ilany hafa. Izany ireozanak’Ismaela. Fa, miandrasa, ho avy ny fotoana iray hakan’ireo

Page 38: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

38 NY TENY VOAMBARA

zanak’Andriamanitra azy. Marina izany. Ho voaorina indray iJerosalema. Ho voapetraka ireo fanatitra isan’andro.

Ary hanao fanekena amin’izy ireo ilay antikristy amin’ireoherinandro fito farany. Ary eo afovoan’izany, dia hotapahinyio fanekena io, hamerina azy rehetra ireo ao amin’nyKatolisisma. Hiparitaka manerana an’ilay zavatra manontolony fahavetavetana, tahaka an’izany, ary amin’izay fotoana izaydia ho tonga ny farany.141 Diniho, “fitopolo herinandro.” Hia, misy eo amin’ny roaarivo taona izao no nahalavitra azy ireo; noroahina izy ireoankehitriny, ireo olony; tahaka ny tamin’ny fanamafisana nyfon’i Farao, dia tsy maintsy nanamafy ny fon’i Hitler Izy.An-tapitrisany tamin’izy ireo no maty. Jereo ity Eichmannity, meloka tamin’ny famonoana Jiosy enina tapitrisa. Eninatapitrisa tamin’izy ireo, ain’olombelona, zazakely, ankizy,lehibe, ny rehetra novonoina ho faty; Eichmann, lehilahyanankiray. Jereo i Rosia, toy ny ahoana no nandroahanareoazy ireo tany. Nandroaka azy ireo hatraiza hatraiza izy ireo.Firenena iray natao tsinontsinona izy ireo.142 Saingy nohon’ny fitiavam-bolan’izy ireo, dia niverina indrayizy ireo. Fa ilay havitsina kely dia miverina ao Palestina. Amena,rahalahy! Rehefa mahita azy manomboka miverina ao an-tanindrazany ianareo!143 Manana ampy hanao an’io saiky efatra arivo amby efatraalina amby iray hetsy io izy ireo any ankehitriny. Ary inonano mitranga? Hahafantatra ny Josefany izy ireo. Aza manahy.Eny, tompoko. Ary mitsangana any izy rehetra miandry an’izanyhitranga. Ary amin’ilay ora mihitsy izay…144 Ireo firenena dia efa nanambara azy ireo ho firenena iray,tamin’iny taona lasa iny. Rehefa miseho io, dia akaikin’nyfarany isika, lasa ilay Fiangonana Jentilisa. Koa, saiky amin’nyfotoana rehetra, dia afaka hilaza Andriamanitra hoe, “IsiraelynoOloko.” Rehefamisy izany, dia vita ny amin’ireo Jentilisa.145 “Hanitsaka izy ireo,” hoy Jesosy, ao amin’ny Matio 24.“Ny fahavetavetana manao fandravàna, hanitsaka ny rindrin’iJerosalema izy ireo mandra-pahatapitry ny fizaram-potoan’nyJentilisa.” Rehefa tapitra izany, amin’izay fotoana izay diahiverina ao Jerosalema ireo Jiosy, mba hanangana indray nytempoly sy ny fivavahana ao an-tempoly. Ho hitantsika izanyrehetra izany ao amin’ireto Hafatramanaraka ireto, ireo fitopoloherinandro an’ireo tanjona enina.

Ankehitriny dia ho vakiako izany alohan’ny hamaranana,satria efa saiky fotoana handehanantsika any an-trano mihitsyizao, avy eo dia hiverina indray rahariva amin’ny fito ora.146 Voalohany, voalohany, raha handray naoty an’izanyianareo, “Hahatapaka ny fahadisoana.” Daniela, ny tokofaha-9, andininy faha-24. “Hahatapaka ny fahadisoana,” iray.

Page 39: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

IREO TORO-HEVITR’I GABRIELA TAMIN’I DANIELA 39

“Hamarana ny fahotana,” roa. “Hanao fampihavanana nohon’nyheloka,” telo. “Hampiditra fahamarinana mandrakizay,” efatra.“Hanisy tombokase ny fahitana sy ny faminaniana,” dimy.“Hanosotra an’ilay Masina indrindra,” enina. Ary izany nohoresahantsika rahariva. Andriamanitra, nomanatanteraka!147 Andraso ankehitriny, mamelà ahy hamerina azy indray, mbahahazoanareo azy. Voalohany, “manapaka ny fahadisoana.”Faharoa, “mamarana ny fahotana.” Fahatelo, “manaofampihavanana nohon’ny heloka.” Fahefatra, “mampiditrafahamarinana mandrakizay.” Fahadimy, “manisy tombokaseny fahitana sy ny faminaniana.” Fahenina, “hanosotra an’ilayMasina indrindra.”

Mamelà ahy hamaky azy aminareo ankehitriny, avy aoamin’ny Baiboly. Izany dia ny andininy faha-24.

Fito-…herinandro no voatendry ho an’nyvahoakanao (ireo Jiosy) sy ho an’ny masinao—hoan’ny tanànanao masina (Isiraely, Jiosy, Jerosalema),mba hanapaka…heloka (iray),…mba hamarana nyfahotana (roa),…mba hanao fampihavanana nohon’nyheloka (telo),… mba hampiditra fahamarinanamandrakizay (efatra), sy hanisy tombokase ny fahitana(dimy)—ny fahitana sy ny faminaniana, ary hanosotraan’ilay Masina indrindra (enina).

148 Izany marina tokoa no Nahatongavany hiteny aminy, izayhatao, ary avy eo dia ho tonga ny farany.149 Ankehitriny, rahariva dia ho hitantsika hoe inona ireozavatra ireo, ary hahita hoe akaikin’izany toy ny ahoana nomisy antsika. Ary avy eo amin’ny Alahady heriny, dia mitondraary mametraka an’ireo fizaram-potoana marina tokoa izayitsanganantsika. Tiako Izy.150 Isiraely izay miverina ao an-tanindrazany, Isiraely. Mamelàahy fotsiny hilaza an’ity ankehitriny raha mbola…Ataoko fatsy raisim-peo intsony izao. Mamelà ahy hilaza an’ity. Amin’ilayora mihitsy izay nahalasa ny Isiraely ho firenena iray… Izanyno antony inoako foana, eo anatrehan’ny kilasiko eto, fa nisyzavatra izay nananako anjara iray, alohan’ny ahafatesako, nyfamerenana ny Isiraely ho amin’ny Tompo. Satria, tamin’ilayora mihitsy, tamin’ny alàlan’ilay sarintany Pan American,izay nanambarana an’ny Isiraely ho firenena iray, ho an’nyfotoana voalohany nandritry ny roa arivo taona hatramin’nyniparitahan’izy ireo, tsy vahoaka iray; tamin’io ora io mihitsy,tamin’ilay ora marina tokoa, no nihaonan’ilay Anjelin’nyTompo tamiko tany ka naniraka ahy ho any amin’ny…niarakatamin’ny Filazantsara. Ilay zavatra iray ihany mihitsy, ny faha-7 May, 1946.151 Ankehitriny, noho izany, zavatra hafa iray izay nanao ahyahafantatra. Ilay izy dia “mamerina ny fon’ireo zanaka ho

Page 40: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

40 NY TENY VOAMBARA

amin’ireo ray, ary ny fon’ireo ray ho amin’ny zanaka,” ilayHafatra. Mariho, Malakia 4 (tsy 3), 4!152 Zavatra iray hafa. Rehefa i Billy, ny zanako lahy, syizaho, Rahalahy Ern Baxter, no teny amin’ny làlanay hankanyPalestina, rehefa avy nihaona tamin’ireo Jiosy tao amin-dryRahalahy Arganbright izahay, ka nahita an’ilay fivoriana izyireo. Lewi Pethrus no nandefa an’ireo Baiboly ireo tany. Arynilaza izy…Tonga ireo Jiosy ireo, nanao hoe, “Raha hiantsoandiany iray an’ireo mpitarika ny Isiraely ireo ianareo, nytiako lazaina, tsy ireo raby vaovao miaraka amin’ireo fombam-pivavahany rehetra, fa hiantso an’ireo mpitarika tena Isiraelitamiaraka. Ary namaky an’ity Testamenta Vaovao ity izahay, kafantatray fa rehefa tonga ny Mesia, dia Izy no hiteny aminayan’ireo zavatra ireo, tahaka an’ilay vehivavy tao Samaria.Fantatray fa Mosesy no nilaza fa nyMesianay dia ho mpaminanyiray. Ary rehefa afaka miantso azy ireo ianareo ka manehoamin’izy ireo, amin’ny alàlan’ny Soratra,” izany no ho hitantsikaao amin’ny Hafatry ny rahariva, “fa tsy maintsy nohajambainaizy ireo ary ny fon’izy ireo nesorina, mba ahafahan’ny fotoan’nyJentilisa ho tonga, mba hahazoanay fotoan’ny fampihavananairay ho an’ireo Jentilisa. Ary ny fon’izy ireo dia nohamafisinamarina tokoa tahaka azy tamin’ny andron’i Josefa, sy ny sisa.Ary avy eo dia hitondra an’ireo Jiosy ireo eo amin’ny toeranairay, ka hiantso an’ireo lehilahy ireo avy eo amin’io mpanatrikaio, tahaka ny nataonareo mihitsy tamin’ireto Jentilisa eto ireto,tamin’ny alàlan’ny tsindrimandrin’ny Fanahy.” Satria, hoy izyireo hoe, “Raha io Jesosy io, raha Izy no Mesia, ka marina nyteninareo, amin’izay fotoana izay dia tsy maty Izy, fa velonaIzy. Ary raha velona Izy, dia Izy no nampanantena fa hoao anatin’Ny…ireo mpa-…Mpanompony—ireo mpanompony,ireo Mpianany. Ary raha afaka mahita Azy manao an’ilayfamantaran’ny mpaminany izahay, amin’izay fotoana izay diahino izahay fa Izy no Mesia.”

Zavatra iray tanteraka toy ny inona, tena marina tokoa.Noho izany, inona no hataon’izany? Firenena iray no haterakaao anatin’ny andro iray, eo anivon’ireo mpitarika. Ny tsirairayavy amin’izy ireo dia hanao hoe, “Fantatray izany.” Rehefa ioraby io no milaza an’izany, dia milamina hatreo izany. Firenenairay no hateraka ao anatin’ny andro iray. Isiraely no hateraka aoanatin’ny andro iray.153 Ary teny amin’ny làlako aho, ka nitsangana tao Caire,Egypta, niaraka tamin’ny tapakila teny an-tànako, ary dimyambin’ny folo na roapolo minitra talohan’ny fotoan’ny antso.Niomana ny hanao an’ilay antso izy ireo. Dia nandeha aho mbahijery an’ilay singana ivory kely io, miaraka amin’ilay elefantakely vita tamin’ny ivory, miaraka amin’ny—ny tandroka ivoryiray. Saika handefa azy ho an’ny dokotera sakaizako iray aho,Dr. Sam Adair, ho fanakambanan-taratasy. Dia nojereko ilay

Page 41: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

IREO TORO-HEVITR’I GABRIELA TAMIN’I DANIELA 41

izy. Ary nisy Zavatra nanao tamiko hoe, “Tsy mbola izao no ora.Mijanòna any ivelan’i Palestina.”154 Noho izany dia nieritreritra aho hoe, “Izaho fotsiny ihany nomieritreritra an’izany.” Dia nanohy aho.

Nisy Zavatra nanao hoe, “Tsy izao no ora.”155 Dia nandeha tao ambadik’ilay tranoheva aho. Natrakakonankany amin’Andriamanitra ny lohako. Hoy aho hoe,“Andriamanitra, Ianao ve izanymiteny amiko izany?”156 Hoy Izy, “Tsy izao no ora. Mijanòna any ivelan’i Palestina.Tsy izao no fotoana.” Tamin’izay fotoana izay dia nalaiko nytapakilako ary novaiko izany, dia niala teo aho nankany Roma,ary niverina nankany Lisbonne, any Portugal, ary avy teo dianiverina nankany Etazonia.157 Tsy mbola tonga ny ora. Tsy mbola feno ny helok’ireoJentilisa, hatreo amin’ny tendron’ilay kapoaka fotsiny. Fa indrayandro any dia ho tonga izany, ka handefa olona iray any izaympaminany iray Andriamanitra, ka hanaporofo amin’izy ireo.Matoky aho fa hanangana azy avy hatrany Andriamanitra, namety ho iza izy, ka hanangana azy haingana mihitsy. Mino ahofa tsymaintsy ho tonga izany. Ho an’izany no ianarantsika an’ity,hoe tena akaiky isika.158 Ary, tsarovy, ilay minitra mihitsy izay andraisan’ireo Jiosyan’i Kristy, dia lasa ilay Fiangonana Jentilisa. Amin’izay fotoanaizay ireo Jentilisa dia hahazo an’ireo loza hiraraka eo amin’izyireo, ilay Fahoriambe.159 Ary—ary ahoana no ahafahan’ireo lehilahy, ireompampianatra malaza hampianatra, ary mijery an’ity Baibolyity tahaka an’izao, ka milaza fa mandalo ao amin’ny vanim-potoan’ny Fahoriambe ilay Fiangonana, nefa tsy misy Soratrairay ao amin’ny Baiboly izay milaza an’izany! Tsy mananazavatra iray izy ireo.160 Niteny tamiko ny lehilahy iray, vao tsy ela akory izay,nanao hoe, “Oh, Ranabavy McPherson dia nampianatra fahandalo amin’ny Fahoriambe ilay Fiangonana, satria isika diaho hazavana mamiratra amin’io fotoana io.” Ho Isiraely izanyamin’io fotoana io, fa tsy ireo Jentilisa.

Ireo Jentilisa dia efa lasa, ilay Fiangonana. Tsy nataohandalo Fahoriambe mihitsy izy ireo. “Namoaka rano avytamin’ny vavany ilay dragona,” ny toko faha-17, “ka nanao adytamin’ilay sisa nanamborana,” ilay virijiny natory. Tsy…Ilaytena Fiangonana dia efa lasa. Efa ao amin’ilay Sakafo harivan’nyMpanambady Izy mandritr’ireto, ilay elanelam-potoana izayhisian’ny Sakafo harivan’ny Mpanambady, ilay herinandrofarany. Ary amin’izany no mipetraka ny Fahoriambe, rehefamiseho eo amin’ireo fiangonana ireo valala sy fanenjehana, ireozavatra tahaka an’izany.

Page 42: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

42 NY TENY VOAMBARA

Avy eo, amin’ny farany, ao amin’ny toko faha-19, diaindro Izy tonga miaraka amin’ny Mpampakatra Azy. Haleloia!“Mpanjakan’ny mpanjaka, sy Tompon’ny tompo; ny fitafianavoafafy Rà, ary ny miaramilan’ny Lanitra mitaingina eoambonin’ireo soavaly fotsy, tonga miaraka Aminy. Eo Izy notonga,mba haka nyToerany ho an’ilayArivo taona. Amena!Oh!

Isaorana anie ny Anarana, oh, isaorana anie nyAnarana,

Isaorana anie ny Anaran’ny Tompo;Isaorana anie ny Anarana, oh, isaorana anie nyAnarana,

Isaorana anie ny Anaran’ny Tompo.

Jesosy no Anarana, Jesosy no Anarana,Jesosy no Anaran’ny Tompo;Jesosy no Anarana, oh, Jesosy no Anarana,Jesosy no Anaran’ny Tompo.

Ankalazao Ny Anarany, oh, ankalazao NyAnarany,

Oh, ankalazao ny Anaran’ny Tompo;Ankalazao ny Anarana, oh, ankalazao nyAnarana,

Ankalazao ny Anaran’ny Tompo.161 Ahoana no anaovanareo an’izany? Manao an’Izany holehibe ao amin’ny fiainanareo. Miaina fiainana iray ianareoizay ahafahan’izy ireo milaza hoe, “Iny ny mpanompon’iKristy.” Tahaka an’izany no ankalazanareo ny Anarana. Ndaojerentsika. Oh, tsy tianareo ve Izy? [Hoy ny fiangonanahoe, “Amena.”—Mpand.] Oh, oadray! Ilay hira kelintsikaankehitriny:

Tao anaty fihinanam-bilona efa ela izay, fantatrofa izany marina tokoa ilay izy,

No teraka ny Zazakely iray mba hamonjy ny olonaamin’ny fahotany.

Nahita Azy i Jaona teo amin’ilay morona,Zanak’ondry iray mandrakizay,

Io Zanak’ondry niaraka tamin’ireo Tombokase Fito io, ilayhany Tokana tany An-danitra sy teto an-tany izay afaka nandrayazy. Tao anatin’ny fi-…

Tao anatin’ny fihinanam-bilona efa ela izay,fantatro fa izany marina tokoa ilay izy,

No teraka ny Zazakely iray mba hamonjy ny olonaamin’ny fahotany.

Nahita Azy i Jaona teo amin’ilay morona, ilayZanak’ondry mandrakizay,

Oh, isaorana anie ny Anaran’ny Tompo.

Page 43: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

IREO TORO-HEVITR’I GABRIELA TAMIN’I DANIELA 43

Oh, isaorana anie ny Anarana, oh, isaorana anieny Anarana,

Isaorana anie ny Anaran’ny Tompo;Isaorana anie ny Anarana, isaorana anie nyAnarana,

Isaorana anie ny Anaran’ny Tompo.

162 Tiako ny manompo. Ary ianareo? [Hoy ny fiangonana hoe,“Amena.”—Mpand.] Ankehitriny, tsy tonga any am-piangonanaisika mba handre toriteny fotsiny; mandeha miaraka amin’izanyilay izy. Fa tonga any am-piangonana isika mba hanompo,manompo amin’ny Fanahy sy amin’ny Fahamarinana. Efanandre ny Fahamarinana ianareo; ny Teny izany. Hitanareo?Ankehitriny, ny manompo, dia maneho ny tenanareo Aminy.Hitanareo?

Oh, Tiako Io Lehilahy Avy Any Galilia Io! Omeo kely anayny naoty eo amin’izany. Eny, tompoko. Hainao ve ilay izy, Teddy?Adinoko ankehitriny. Ndao jerentsika. Ndao jerentsika.

Oh, tiako io Lehilahy avy any Galilia io, avy anyGalilia,

Satria tena nanao betsaka ho ahy mihitsy Izy.Namela ny fahotako rehetra Izy, nametraka nyFanahy Masina tao anaty;

Oh, tiako, tiako io Lehilahy avy any Galilia io.

Nandeha tao an-tempoly mba hivavaka nympamory hetra iray indray andro,

Niantsoantso izy hoe, “O Tompo, mamindrà foamiko!”

Namela ny fahotana rehetra Izy, ary nipetraka taoanaty ny fiadanana lalina iray;

Hoy izy hoe, “Avia, hijery an’ity Lehilahy avy anyGalilia ity.”

Oh, tiako io Lehilahy avy any Galilia io, avy anyGalilia,

Satria tena nanao betsaka ho ahy mihitsy Izy.Namela ny fahotako rehetra Izy, nametraka nyFanahy Masina tao anaty.

Oh, tiako, tiako io Lehilahy avy any Galilia io.

Lasa namindra ny malemy, lasa niresaka nymoana.

Voateny tamin’ny fitiavana teny ambonin’nyranomasina io hery io.

Lasa nahita ny jamba, fantatro fa afaka fotsinyihany ho

Ny herin’io Lehilahy avy any Galilia io.

Page 44: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

44 NY TENY VOAMBARA

Oh, tiako io Lehilahy avy any Galilia io, avy anyGalilia,

Satria tena nanao betsaka ho ahy mihitsy Izy.Namela ny fahotako rehetra Izy, nametrakaan’ilay Fanahy Masina tao anaty.

Oh, tiako, tiako io Lehilahy avy any Galilia io.

Henoy ity anankiray ity.

Ilay vehivavy teo amin’ny fantsakana, Noteneninyny fahotany rehetra,

Hoe nanana vady dimy izy tamin’io fotoana io. (Izyizany.)

Navela taminy ny fahotany rehetra, ary tonga taoanaty ny fiadanana lalina;

Avy eo izy dia niantsoantso hoe, “Avia, hijery an’ioLehilahy avy any Galilia io!”

Oh, tiako io Lehilahy avy any Galilia io, avy anyGalilia,

Satria tena nanao betsaka ho ahy mihitsy Izy.Namela ny fahotako rehetra Izy, nametraka nyFanahy Masina tao anaty.

Oh, tiako, tiako io Lehilahy avy any Galilia io.

Tiako Izy. Ary ianareo? [Hoy ny fiangonana hoe,“Amena.”—Mpand.] Amin’ny foko rehetra! Ary ianareo?[“Amena.”] Tsymahafinaritra ve Izy? [“Amena.”]

Oh, mahafinaritra, mahafinaritra, Jesosy amiko,(Inona Izy?)

Mpanolo-tsaina, ny Andrian’ny Fiadanana,Andriamanitra Mahery Izy;

Oh, mamonjy ahy, miaro ahy amin’ny fahotana syhenatra rehetra,

Mahafinaritra ny Mpanavotra ahy, deraina NyAnarany!

Ndao fotsiny isika hanondrika ny lohantsika ankehitriny kahieritreritra an’izany.

Very aho fahiny, fa hita aho ankehitriny, afakaamin’ny fanamelohana aho, (rava ireo firenena;tsy mampaninona)

Manome fahafahana sy famonjena feno Jesosy;Mamonjy ahy Izy, miaro ahy amin’ny fahotana syhenatra rehetra Izy,

Mahafinaritra ny Mpanavotra ahy, deraina NyAnarany.

Oh, mahafinaritra, mahafinaritra, Jesosy amiko,Mpanolo-tsaina, ny Andrian’ny Fiadanana,Andriamanitra Mahery Izy;

Page 45: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

IREO TORO-HEVITR’I GABRIELA TAMIN’I DANIELA 45

Mamonjy ahy, miaro ahy amin’ny fahotana syhenatra rehetra,

Mahafinaritra ny Mpanavotra ahy, deraina NyAnarany!

Oh, eritrereto izany!

Very aho fahiny, hita aho ankehitriny, afakaamin’ny fanamelohana aho,

Manome fahafahana sy famonjena feno Jesosy;Mamonjy ahy, (inona no Ataony?) miaro ahyamin’ny fahotana sy henatra rehetra, (mandehaany ambonin’izany)

Oh, mahafinaritra ny Mpanavotra ahy, deraina NyAnarany.

Ankehitriny miaraka!

Oh, mahafinaritra, mahafinaritra, Jesosy amiko,Mpanolo-tsaina, ny Andrian’ny Fiadanana,Andriamanitra Mahery Izy;

Nahoana, mamonjy ahy, miaro ahy amin’nyfahotana sy henatra rehetra,

Mahafinaritra ny Mpanavotra ahy, deraina NyAnarany.

Oh, tena tiako Jesosy, (voninahitra!)Oh, tena tiako…

Tena faly aho fa voavonjy! Tena faly aho fa miandry NyFihaviany!

Oh, tena tiako Jesosy,Satria nitia ahy mialoha Izy.

Ankehitriny miaraka amin’ny tànantsika mitsangana, rahatena matotra amin’izany isika.

Tsy handao Azy mihitsy aho,Tsy handao Azy mihitsy aho,Tsy handao Azy mihitsy aho,Satria nitia ahy mialoha Izy.

163 Tianareo ve Izy? [Hoy ny fiangonana hoe, “Eny.”—Mpand.]Noho izany dia tokony hifankatia ianareo. Satria, raha tsy tiaan’ireo izay azonareo jerena eto aza ianareo, dia ahoana noahafahanareo hitia Azy Izay tsy hitanareo? Ndao isika hifandraytànana, hanao hoe:

Oh, tena tiako Jesosy,Oh, tena tiako Jesosy,Oh, tena tiako Jesosy,Satria nitia mialoha Izy.

Page 46: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

46 NY TENY VOAMBARA

Izaho tsy mihitsy…(Atsangano mankany Aminyny tànanareo ankehitriny. Izay ilay izy.)…-ndaoAzy,

Tsy handao Azy mihitsy aho,Tsy handao Azy mihitsy aho,Satria nitia ahy mialoha Izy.

164 Eritrereto fotsiny, Izy no nampahafantatra antsika an’iofanambarana goavana io. Tsy tiantsika ve Izy? [Hoy nyfiangonana hoe, “Amena.”—Mpand.] Tsy mahafinaritra ve Izy?[“Amena.”] Toy ny ahoana no ankasitrahantsika an’i JesosyTompontsika; tsy mandao antsika mihitsy. “Indro, mombaanareo mandrakariva Aho, hatramin’ny…” Ankasitrahanareove Ireo Fitopolo Herinandron’I Daniela? [“Amena.”] Oh, tsytiantsika ve Izy? Ahoana no ataon’izany?

Ny finoako miandrandra Anao,Ianao ry Zanak’ondrin’i Kalvary,Mpamonjy…

Manompoa Azy fotsiny, avy ao am-ponareo.Ankehitriny henoy aho raha mivavaka,Esory ny otako rehetra,avelao aho manomboka amin’ity andro ityHo Anao manontolo!Raha mamindra ao amin’ny làla-maizin’nyfiainako aho, (isika rehetra dia mandehaamin’izany)

Ka miangona manodidina ahy ny fahoriana, (Eny,Tompo.)

Aoka fotsiny Ianao no ho mpitari-dàlako; (Mitari-dàlana ahy mandalo an’izany, Tompo.)

O didio ny aizina hivadika ho andro,Fohano ireo tahotry ny alahelo,Ka aza mamela ahy ho very làlanaHanalavitra Anao.[Manomboka misamonomonona NyFinoako Miandrandra Anao RahalahyBranham—Mpand.]

Ampaherezo ny foko reraka,Hetseho ny hafanam-poko;Didio ny aizina hivadika ho andro,Foano ireo tahotro rehetra,avelao aho manomboka amin’ity andro ityHo Anao manontolo!

165 O Jesosy, hitanay fa manakaiky zavatra iray izahay.Efa niresaka ny amin’izany Isaia mpaminany; niresaka nyamin’izany i Jeremia. Nitodika i Daniela ka nahita an’izaynolazain’izy ireo. Nanao ny fony ho taitra izany, ka izy—nampitodika ny tavany nankany amin’ny Lanitra izy. Nifady

Page 47: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

IREO TORO-HEVITR’I GABRIELA TAMIN’I DANIELA 47

hanina izy, lamba fisaonana sy lavenona. Te-handre izy, mbaahafahany mampitandrina ny olona.166 Tompo, hitanay tamin’ny alàlan’ireo Boky, ihany koa, NyBokinao, ny Bokin’i Isaia, ny Bokin’i Jeremia, ny Bokin’i Jakoba,Jaona, Lioka, Marka, Matio, ny Bokin’ny Apokalypsy, NyBokinao rehetra, fa akaikin’ny farany izahay. Ary mampitodikany tavanaymankany amin’ny Lanitra izahay, ao amin’ny vavaka,fifonana, mba hahita hoe aiza izahay no miaina, Tompo.Manomboka mahita ny misandratr’andro mipoitra izahay. Ary,Tompo, manatona Anao izahay. Ny finoanay miandrandra Anaoankehitriny. Manaisotra ny enta-mavesatra rehetra, ny fahotanarehetra, ny tsi-finoana kely rehetra izay malaky mahazo anay,mandroso mankany amin’ilay mariky ny antso avy any amin’nyavo izahay ankehitriny,mahafantatra fa voafetra ny fotoanay.167 Tahio ireto olona ato ireto, Tompo. Tia Anao izy ireo. Anaoizy ireo. Nivoaka izy ireo. Ianao no ilay Anankiray izaymanao nyfanambarana. Mivavaka izahay mba Hanekenao an’ireo zavatraireo ho anay raha miandry Anao izahay.168 Omeo tolakandro tsara iray an’ny fianarana izahay, Tompo.Omeo fahazoana izahay. Ento miverina indray izahay rahariva,vonona. Tompo, hosory aho amin’ity tolakandro ity, oh, rahamianatra aho, Tompo, ho an’ity antony enin’ny famangian’iGabriela ity. Raha tonga namangy i Gabriela ka nanomedikany enina, Tompo, dia tokony hahafantatra an’izany izahay.Mianatra amin’ny alàlan’ireo Boky izahay ka mahafantatrafa akaiky izahay. Noho izany dia mivavaka izahay mbaHanambaranao an’izany aminay rahariva.169 Amin’ny Alahady heriny, Tompo, O Andriamanitra, diaapetraho ao anatiny ao ireo andro ireo. Tsy fantatro hoe ahoana,fa Ianao no afaka mitondra anay avy hatrany ao amin’ilayfotoana. Ekeo izany, Ray. Miandry Anao izahay. Mifankatiaizahay ary ny Ràn’i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, nonanadio anay tamin’ny fahotana rehetra. Miandry Anao izahayankehitriny. Ampio izahay raha miandry Anao, Ray, amin’nyalàlan’i Jesosy Tomponay.

Page 48: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

IREO TORO-HEVITR’I GABRIELA TAMIN’I DANIELA MAG61-0730M(Gabriel’s Instructions To Daniel)

ANDIAN’IREO FITOPOLO HERINANDRON’I DANIELA

Ity Hafatr’i Rahalahy William Marrion Branham ity, izay notoriana tamin’nyTeny Anglisy ny Alahady maraina, 30 Jolay, 1961, tao amin’ny BranhamTabernacle ao Jeffersonville, Indiana, U.S.A., dia nalaina avy tamin’ny horonam-peo ary natonta manontolo amin’ny Teny Anglisy. Ity fandikana amin’ny TenyMalagasy ity dia natonta sy nozarain’ny Voice Of God Recordings.

MALAGASY

©2019 VGR, ALL RIGHTS RESERVED

VOICE OF GOD RECORDINGS

P.O. BOX 950, JEFFERSONVILLE, INDIANA 47131 U.S.A.www.branham.org

Page 49: MAG61-0730M Ireo Toro-hevitr’i Gabriela Tamin’i Daniela VGRdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG61-0730M Gabriels... · ny eritreritro teo amin’izay nipetrahan’izy ireo tany tao

Filazana fahefan’ny tompon’ny boky

Tsy azo adika. Ity boky ity dia azo atao printy amin’ny fanaovam-printy ao an-trano ho an’ny fampiasana manokana na ho zaraina, tsy misy sarany, ho fitaovana iray hanaparitahana ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy. Ity boky ity dia tsy azo amidy, na adika indray amin’ny refy lehibe, na alefa amin’ny siteweb iray, na tehirizina amin’ny fomba nisy nanesorana, na adika amin’ny fiteny hafa, na ampiasaina ho fangataham-bola raha tsy misy alàlana voasoratra mazava avy amin’ny Voice Of God Recordings®.

Ho an’ny fanazavana fanampiny na ho an’ny fitaovana hafa efa azo raisina, dia iangaviana hifandray amin’ny:

Voice of God RecoRdinGsP.o. Box 950, JeffeRsonVille, indiana 47131 U.s.a.

www.branham.org