mag61-0827 ny hafatry ny fahasoavana vgr...2 nytenyvoambara...

60
NY HA FATRY NY F A HASOAVA NA Misaotra anao, Rahalahy Neville. Ny Tompo hitahy anao. Manao ahoana, ry sakaiza. Tombontsoa iray tokoa ny tonga eto indray izao maraina izao ao amin’ny asan’ny Tompo. Ary tena miala tsiny mihitsy fa tsy manana efitra hametrahana ny olona izahay ato amin’ilay fiangonana kely. Tsy mihazona betsaka mihitsy izy. Fa tena faly izahay fa eto ianareo ary manaiky ny hanao an’ilay fahafoizan-tena, mba—mba hiandry anay am-paharetana. Ary hanao ny tsara indrindra anay izahay hitondra aminareo ny Tenin’ny Tompo amin’ny tsara indrindra izay fantatray hoe ahoana no hitondrana Azy. Ary ankehitriny fotsiny aho… 2 Ity ramatoa kely ity dia vao avy niditra, ary manana zazakely iray hatolotra izy izao maraina izao, ary avy eo dia hitany fa somary tara kely ny nahatongavan’izy ireo, ka nilaza izy fa hiandry fotsiny. Tsy mbola nahita an’ilay vehivavy mihitsy aho tany aloha, fa mivavaka aho mba hitahian’Andriamanitra azy sy hanome azy ny Fitahiany manan-karena indrindra ao am-pony, noho izy hiandry am-paharetana. 3 Ankehitriny, izao no fotoana an’ny taona izay hampangatsiaka kokoa ny andro ary tsy hafana loatra rehefa hipoka isika ato am-piangonana. Ary matoky isika fa hitahy betsaka anareo rehetra Andriamanitra. 4 Ankehitriny dia tiako ny hilaza zavatra vitsy fotsiny eto alohan’ny hiresahako mihitsy. Efa nambarako fa hiresaka aho izao maraina izao, raha sitraky ny Tompo, eo amin’ny lohahevitra hoe Ireo Rivotra Ao Anatin’Ny Tadio. Saingy Novainy fotsiny izany ho ahy. Tsy fantatro mihitsy izay ho lazaiko raha tsy angamba minitra vitsy fotsiny talohan’ny nahatongavako teto amin’ny fivoriana. Ary niezaka fanindroany aho ankehitriny teo amin’io lohahevitra io, fa tsy nety nahazo ny valiny avy tamin’Andriamanitra aho. Tsy fantatro hoe nahoana. Tiako foana, araka ny fantatrareo mpitoriteny rehetra eto, fa tsy maintsy miandry ny Tompo ianareo ny amin’izay ho lazainareo. 5 Omaly hariva teo amin’ny laharan-tariby manokana, izaho dia naharay ny—ny antso iray avy any lavitra any Arkansas any ho any, te-ho tonga eto ny fianakaviana iray amin’io herinandro ho avy io, nilaza fa izy ireo dia nandre fa hanomboka fivoriana iray isika eo amin’Ireo Tombokase Fito. Izaho dia vao avy namarana mihitsy an’Ireo Taona Fiton’Ny Fiangonana, ho an’ireo vahiny. Ary ho tonga amin’ny Alatsinainy ny vadiny hitady asa ho azy any Louisville, mba ahafahany hiasa raha mbola mipetraka akaiky mihitsy izy ireo mba hihaino an’ireo Tombokase Fito ireo. Hoy aho hoe, “Hila eo amin’ny telo

Upload: others

Post on 30-Jul-2020

1 views

Category:

Documents


0 download

TRANSCRIPT

Page 1: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

NY HAFATRY NY FAHASOAVANA

Misaotra anao, Rahalahy Neville. Ny Tompo hitahy anao.Manao ahoana, ry sakaiza. Tombontsoa iray tokoa ny tonga

eto indray izao maraina izao ao amin’ny asan’ny Tompo. Arytena miala tsiny mihitsy fa tsy manana efitra hametrahanany olona izahay ato amin’ilay fiangonana kely. Tsy mihazonabetsaka mihitsy izy. Fa tena faly izahay fa eto ianareo arymanaiky ny hanao an’ilay fahafoizan-tena, mba—mba hiandryanay am-paharetana. Ary hanao ny tsara indrindra anay izahayhitondra aminareo ny Tenin’ny Tompo amin’ny tsara indrindraizay fantatray hoe ahoana no hitondrana Azy. Ary ankehitrinyfotsiny aho…2 Ity ramatoa kely ity dia vao avy niditra, arymanana zazakelyiray hatolotra izy izao maraina izao, ary avy eo dia hitany fasomary tara kely ny nahatongavan’izy ireo, ka nilaza izy fahiandry fotsiny. Tsy mbola nahita an’ilay vehivavy mihitsy ahotany aloha, fa mivavaka aho mba hitahian’Andriamanitra azy syhanome azy ny Fitahiany manan-karena indrindra ao am-pony,noho izy hiandry am-paharetana.3 Ankehitriny, izao no fotoana an’ny taona izayhampangatsiaka kokoa ny andro ary tsy hafana loatra rehefahipoka isika ato am-piangonana. Ary matoky isika fa hitahybetsaka anareo rehetra Andriamanitra.4 Ankehitriny dia tiako ny hilaza zavatra vitsy fotsiny etoalohan’ny hiresahako mihitsy. Efa nambarako fa hiresakaaho izao maraina izao, raha sitraky ny Tompo, eo amin’nylohahevitra hoe Ireo Rivotra Ao Anatin’Ny Tadio. SaingyNovainy fotsiny izany ho ahy. Tsy fantatro mihitsy izay holazaiko raha tsy angamba minitra vitsy fotsiny talohan’nynahatongavako teto amin’ny fivoriana. Ary niezaka fanindroanyaho ankehitriny teo amin’io lohahevitra io, fa tsy nety nahazo nyvaliny avy tamin’Andriamanitra aho. Tsy fantatro hoe nahoana.Tiako foana, araka ny fantatrareo mpitoriteny rehetra eto, fa tsymaintsymiandry ny Tompo ianareo ny amin’izay ho lazainareo.5 Omaly hariva teo amin’ny laharan-tariby manokana, izahodia naharay ny—ny antso iray avy any lavitra any Arkansasany ho any, te-ho tonga eto ny fianakaviana iray amin’ioherinandro ho avy io, nilaza fa izy ireo dia nandre fa hanombokafivoriana iray isika eo amin’Ireo Tombokase Fito. Izaho dia vaoavy namarana mihitsy an’Ireo Taona Fiton’Ny Fiangonana, hoan’ireo vahiny. Ary ho tonga amin’ny Alatsinainy ny vadinyhitady asa ho azy any Louisville, mba ahafahany hiasa rahambola mipetraka akaiky mihitsy izy ireo mba hihaino an’ireoTombokase Fito ireo. Hoy aho hoe, “Hila eo amin’ny telo

Page 2: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

2 NY TENY VOAMBARA

volana eo izany, ramatoa. Tsy manana toerana iray izahay etohanaovana filazana ny fivoriana, sy ny sisa, tsy misy na inonana inona hikarakarana an’izany eto amin’ny tanàna, tsy misy nainona na inona hametrahana ny olona.”6 Ho tiako indray andro any, angamba, rahasitrak’Andriamanitra, ny hanana an’izany ao amin’ny asam-pitoriana any ho any, hametraka eo amin’ny fivoriana telo volanaeo ka hanomboka fotsiny mihitsy eo amin’ireo tombokase ireotahaka an’izany, ao amin’ny asam-pitoriana. Amin’izay fotoanaizay dia afaka hijanona mihitsy mandra-pahatapitr’izany nyolona.7 Ny Ato, izany dia manomboka amin’ny toko faha-6-n’nyApokalypsy, hatrany amin’ny faha-19. Noho izany ianareo diamanana an’ireo tombokase fito, ireo loza fito, ireo fahoriana telo,ilay vehivavy mipetraka eo ambonin’ny bibidia miloko jaky, aryireo efatra arivo amby efatra alina amby iray hetsy. Oh, misybetsaka amin’izany mihitsy no miditra mifamatotra amin’ireoalohan’ny nanomezana ny Tombokase Fahafito, milatsaka nyloza fahafito, mitsoka ny trompetra fahafito. Ary misy betsakaamin’ireo zavatra ireo no mamatotra an’io rehetra io miaraka,ka ny tsirairay avy amin’izy ireo dia lesona lehibe iray andro aoamin’ny tenany.8 Ankehitriny dia ndao isika hanondrika ny lohantsikavetivety fotsiny ho an’ny tonom-bavaka iray. Alohan’nyivavahantsika, dia hisy sasany ve ato te-ho tsarovana aoamin’ity vavaka ity, ka hampahafantatra amin’ny fanangananany tànanareo ianareo. Ary ao am-ponareo, dia mieritreretaan’Andriamanitra fotsiny ny amin’izay ilainareo ankehitriny.Ary hivavaka ahombaHanomezany an’izany ho anareo.9 Andriamanitra Tsitoha sy Mpiahy, Izay Andriamanitrairay mamaly vavaka, Ray iray izay mahafantatra an’izayrehetra ilain’ny Zanany. Efa nahafantatra anay Ianao talohan’nynahaterahanay, ary Ianao no nanisa ny dianay, voaisa ireo tenavolon-dohanay, ary voalanja tanteraka eo amin’ny Fandanjanaoireo teninay. Noho izany, Tompo Andriamanitra, dia mamelàanay hitandrina tsara an’ireto zavatra ireto izao maraina izao,ity adidymasina izay anananay eo Anatrehanao ity.10 Maro amin’ireo tànana no nitsangana izao marainaizao, ato amin’ity fiangonana kely ity, angamba ho an’nyvavaka ho an’ireo vatany marary, malala iray very. Ianao nomahafantatra ny fon’izy ireo sy izay rehetra ao anatin’izy ireo.Satria, fony nitsangana teto an-tany teto Ianao, tao amin’nyendrika olombelona iray nantsoina hoe Jesosy, Tomponay,dia nahafantatra ny tena tsiambaratelon’ny fo mihitsy Ianao.Ny zavatra rehetra izay azon’ny olona noeritreretina tao an-tsainy, dia afaka niteny avy hatrany tamin’izy ireo an’izaynoeritreretin’izy ireo Ianao hoe, “Nahoana ianareo no misaina

Page 3: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

NY HAFATRY NY FAHASOAVANA 3

ao am-ponareo an’ireo zavatra ireo?” Nahita ny fisainan’izy ireoJesosy. Ary mamaky izahay ao amin’ny Soratra fa Ianao no tsymiova omaly, anio, ary mandrakizay. Ary voasoratra ihany koafa, “Na aiza na aiza misy roa na telo miara-mivory, dia ho eoafovoan’izy ireo Aho.” Noho izany dia eto Ianao izao marainaizao, ao amin’ny endrika Fanahy Masina, ary mahafantatra nyfaniriana rehetra izay ao am-pon’ny olona.11 Mivavaka Aminao aho, Andriamanitra Ray, mbaHiresahanao amin’izy ireo ka hanao hoe, “Tapitra ilay izy.Efa novaliana ny fangatahanao, ary Izaho—Izaho no mandefa nyantoka ho anao amin’ity andro ity fa izay rehetra nangatahinaodia efa nekena.”12 Andriamanitra, mahatsiaro manokana an’ireo izay tsyvoavonjy izahay, izay nanangana ny tànany. Enga anie mba hoity no ora izay handraisan’izy ireo an’i Kristy hoMpamonjiny.13 Alohan’ny hifaranan’ny fivoriana androany, dia enga aniehisy zavatra hitranga, Tompo, izay hitondra Ny Fanatrehanaoho tena akaikin’ny olona mba hahafantaran’izy ireo fa ilayJesosy iray ihany izay nandeha tany Galilia dia mijoro eoafovoan’ny Olony, mba ahafahan’izy ireo miala eto androanymiaraka amin’ilay antoka iray ihany izay nananan’ireo avy tanyEmaosy tamin’izany andro izany. Rehefa teny amin’ny làlanyniverina izy ireo, rehefa avy nandeha niaraka Taminy nandritryny andromanontolo, niresaka Taminy, ary Izy niresaka tamin’izyireo, kanefa nanana hevitra kely izy ireo hoe Izy izany.14 O Andriamanitra, tena matetika mihitsy izahay no tahakaan’izany. Miresaka aminay Ianao ao amin’ny filentehan’nymasoandro, ao amin’ny fihiran’ireo vorona, ao amin’nyfikasaotsaokan’ireo ravin-kazo, ao amin’ny famonin’ireovoninkazo, ao amin’ireo hira fideran’ny fiangonana, ary tenakely no ahafantaranay fa Ianao izany. Ao amin’ireo efitryny marary ao amin’ny hopitaly, ireo toerana hafa maro, diamiresaka aminay Ianao nefa tena kely no ahafantaranay faIanao izany.15 Ankehitriny, Tompo, raha hiverina any an-tranonay izahayizao maraina izao, dia enga anie izahay, tahaka ny nataon’izyireo, hahafantatra, enga anie Ianao hanao zavatra androany eoafovoanay tahaka ny Nataonao tany aoriana tany. Fantatr’izyireo ilay zavatra izay Nataonao tany teo anatrehan’izy ireo.Nataonao talohan’ny fanohomboana Anao izany, ka fantatr’izyireo fa izany ilay Tompo nitsangana. Niverina nankany amin’nyvondrony izy ireo, nifaly ary nidera an’Andriamanitra, satriafantatr’izy ireo fa velona Izy. Ary hoy izy ireo hoe, “Tsynangorakoraka tao anatintsika ve ny fontsika raha niresakatamintsika Izy teny an-dàlana?” Tompo, ny Fisehoanao tanysy ny fanaovana zavatra tahaka ny Nataonao talohan’nyfanohomboana Anao, no nanaporofo ny Fitsangananao, hoe

Page 4: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

4 NY TENY VOAMBARA

Ianao no ilay Jesosy iray ihany, izay nanao azy ireo hahatsiarony resany rehetra niaraka Taminao. Niresaka taminay Ianaonandritry ny herinandro manontolo, Tompo. Ankehitriny diamisehoa eto afovoanay ary ampahafantaro amin’ny fo tsirairaymanana ilaina ny Tenanao. Fa mangataka an’izany amin’nyAnaran’i Jesosy izahay, ary nohon’ny Aminy. Amena.16 [Miteny amin’ny fiteny hafa ny anabavy iray. Elanelana tsyvoaraki-peo.Manome ny fandikana ny rahalahy iray—Mpand.]17 Ankehitriny dia aoka hivavaka ny fiangonana. [Miarakamivavaka Rahalahy Branham sy ny fiangonana—Mpand.]:Rainay Izay any An-danitra, ho hamasinina anie Ny Anaranao.Ho tonga anie Ny Fanjakanao. Hatao anie ny Sitraponao etyan-tany, tahaka ny any An-danitra. Omeo anay amin’ity androity ny mofonay isan’andro. Ary mamelà ny helokay, tahaka nyamelanay izay meloka taminay. Ary aza mitondra anay amin’nyfakam-panahy, fa manafaha anay amin’ny ratsy. Fa Anao nyFanjakana, sy ny hery, ary ny voninahitra,mandrakizay. Amena.18 Fa raha ho fitaovan’ny mpanao sokitra iray ny peniko ka nytaratasiko ho afovato, ary ireo Teny izay lazaiko ankehitriny,dia tokony ho voasokitra eo amin’izany mba ahafahan’Izanymandeha mankany amin’ny olona rehetra.19 Ny Fanahy Masin’Andriamanitra dia manana fombahafahafa hifanarahana amin’ny Olony. Matetika dia amin’nyalàlan’ireo fahagagana sy amin’ny alàlan’ireo fanomezam-pahasoavana sy antso, izay tsy misy anenenana, izayomen’Andriamanitra ny Olony nohon’ny Fahasoavany.20 Ao an-trano aho ankehitriny, karazana fialan-tsasatra kelyiray. Mazàna aho no maka an’izao fotoana izao any an-trano, mandritr’izao fotoan’ny taona rehetra izao, satria tiakony maka aina rehefa mandeha mihaza vontsira aho. Ary efatany Kentucky niaraka tamin’ireo sakaizako aho tamin’ityherinandro ity, nihaza vontsira, ilay toerana tiako indrindra.Na izany aza dia kivy aho, tsy tena hoe satria tsy afaka nahitavontsira aho, fa nahatsapa ho kivy fotsiny aho. Nisy Zavatraniteny tamiko hoe tsy maintsy miverina any an-trano aho. Arynatory tao anatin’ny fiara aho teo am-piverenana.21 Tamin’ny taon-dasa, araka ny fantatrareo rehetra, izaytao amin’ny printy sy tao amin’ny fijoroana vavolombelonaihany koa ary tao amin’ny horonam-peo. Nipetraka tanyamin’ny toerana iray eto Indiana aho izay nidinan’ny TompoAndriamanitra ary niresaka tamiko, fa, ny asam-panompoakofaharoa, izay efa vonona ny hiseho amin’ny ho avy tsy hoela. Ary voateny ho amin’ny fisiana tany ireo vontsira telo.Ianareo rehetra dia mahafantatra an’ilay tantara, azoko antoka.Na izany aza, nandeha teny an-dàlana aho…raha mbolanamela ny sisa tamin’ireo zazalahy aho, nandeha nihaza, izaho—nanana fihetseham-po hafahafa iray aho mba handeha hankany

Page 5: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

NY HAFATRY NY FAHASOAVANA 5

amin’io toerana io indray. Talohan’ny misandratr’andro izany,nanorana, ary tsy fantatro akory aza na nandeha nihaza izy ireona tsia, fa nandeha nankao amin’ilay saha aho tany. Mihazadia midika hoe “mandeha irery manokana, mba hivavaka.”Ary najanoko ny fiara dia nivoaka ka nandeha nanerana nylalàna ary niditra tao anatin’ilay kirihitra, ary talohan’nymisandratr’andro mihitsy, dia somary maizimaizina kely nyandro, mangiran-dratsy.22 Nijanona aho ary nanolotra tonom-bavaka kely iray, arakany mahazatra, ary niteny tamin’ny Ray, hoe, “Ny ilaiko fotsiny,dia ny manomana an’izany.” Tsy mino ny fandaniam-poanaamin’ny zavatra rehetra aho, na ny fanimbàna; tsy nitifitravorona iray mihitsy aho teo amin’ny fiainako ho an’ny tanjonafanazaran-tena, na ny zavatra hafa rehetra. Izay hazaiko, diahaniko, na omeko olona iray izay mihinana azy. Tsy mino nyfandaniam-poana amin’ny zavatra rehetra aho. Tsy mino nyfanaovana an’ireo zavatra ireo aho, satria tsy tsara izany.23 Tamin’izay fotoana izay dia nitodika aho ary nanombokateo amin’ny làlankely mahazatra iray teo akaikin’ny fihinanam-bilona iray izay niampita tahaka ny L iray tao anaty ala, ary nisyzavatra hafahafa iray niseho. Tamin’ny fahatsapako rehetra, diatsy mbola nahita zavatra tahaka an’izany mihitsy aho. Nijeryny tampon’ilay havoana teo ankavian’izay nitsanganako aho,ary teo, no nivoaka toy ny hoe avy teo amin’ny tampon’ilayhavoana, tonga ny avana telo. Ary izy ireo dia teo amin’ny dian-tongotra telopolo ny haavony. Voalohany, nijery aho ary nahitaan’ilay Hazavana dia nitodika fotsiny aho, satria noheveriko famety ho ilay masoandro niakatra izany. Teo amin’ilay eritreritrafaharoa, dia tsy nankany amin’ilay masoandro izany, nankanyatsimo izany. Ary ny zavatra hafa iray, dia nangina tamin’izany,nandrahona, nanorana, nanorana nanerana ny rehetra. Nyfahadimy amby roapolo Aogositra tamin’izay, tamin’ny Zomamaraina lasa, ary fantatrareo hoe nanorana toy ny ahoana izany.Ary rahona nangina hatraiza hatraiza tamin’izany.24 Dia nijery indray aho. Ary teo ilay izy, nitombo niha-lavasy niha-lava, avana telo. Nesoriko ny satroko. Napetrako nybasiko. Nanomboka nandeha nankany amin’izany aho niarakatamin’ny tànako nitsangana. Toy ny nisy Zavatra niteny tamikohoe, “Izany dia efa tena akaiky.” Nandeha aho hipetraka syhanala an’ireo kiraroko izay nanaovako, mba hahita raha afakamandeha akaikikaiky kely kokoa aho. Fa tonga teo amin’nyyards vitsivitsy aho ary nahita ny lokon’izany, manjavonatahaka ny zavona iray mihetsika manerana. Nipetraka tsaranandritry ny fotoana vitsy aho. Nivoaka avy tao an-tampon’ilaytendrombohitra kely mihitsy ilay izy. Dia nandinika aho, rahaireo telo (ny iray teo amin’ny ankavanana, ny iray teo amin’nyankavia, ary ny iray teo afovoany) nidina tao amin’ny tahakany vilia baolina iray. Na inona na inona ilay izy, dia velona,

Page 6: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

6 NY TENY VOAMBARA

nikisaka Izany ary nanao ny Fihetsehany. Dia nitsangana teofotsiny aho rahamaizimaizina ny andro, nangiran-dratsy.25 Nitodika aho ary nijery indray, ka nihiakiaka hoe,“O Andriamanitra, inona no Tianao ho fantatry nyMpanomponao?”26 Tamin’izay fotoana izay mihitsy no tonga ny Fanahin’nyTompo ka nanao hoe, “Jesosin’ny Testamenta Vaovao noJehovah-n’ny Taloha, nanova ny Saron-tavany fotsiny Izy avytamin’ny Fanahy ho Olona.” Izany no nanamarina, mazavaho azy, ny Hafatro mikasika Azy. Namela ahy hahafantatra,nanome antoka fa tsy foana ireo iraika amby telopolo taona.27 Raha nanomboka nanatona aho, dia nanomboka lasa Izany,ary nidina tao amin’io zavatra tahaka ny vilia baolina io,ary avy eo dia nanjavona. Nanatona akaiky aho. Natahotrany hanatona akaikikaiky kokoa aho, satria Najanony ahotalohan’ny nahatongavako teo.28 Nitodika aho ary nahamarika fa io Hazavana io, ny fombaNamiratany ho ahy, dia nilahatra marina tokoa tamin’ilayhazo izay nipetrahako tamin’ny taon-dasa, izay nisehoan’ireovontsira. Teo amin’ny dimy amby telopolo na efapolo minitrataty aoriana, dia nandeha nanerana ny ala aho ary teoamin’ny faran’ilay helodrano sy ny sisa, mandra-pahatongakoteo amin’io hazo io izay misaraka ho làlana efatra (atsinanana,avaratra, andrefana, ary atsimo), dia sampan-kazo efatra, nonivoaka. Dia nihanika teo amin’io sampan-kazo io aho, arynipetraka teo amin’izay nisy ahy fony Izy niteny tamiko an’ioSoratra io hoe, “Raha miteny amin’io tendrombohitra io ianaohoe, ‘Mifindrà.’” Ary raha nipetraka vetivety teo aho, tsynieritreritra akory an’ilay avana, dia niala tato an-tsaiko ilayizy. Nitsangana teo aho. Ary tena taona ratsy mihitsy ho an’nyfihazana vontsira io, tara ny zavatra rehetra, tsy nisy vontsira.29 Nieritreritra aho hoe, “Teto mihitsy nonanomezan’Andriamanitra ahy an’ireo vontsira ireo tamin’nytaon-dasa, mba hiteny ho amin’ny fisiana.” Nesoriko indrayny satroko, ka hoy aho hoe, “Tompo Andriamanitra, mbolailay Jesosy iray ihany foana Ianao. Mbola Andriamanitra foanaIanao.”30 Dia nisy Zavatra nanao tamiko hoe, “Firy no ilainao amin’ityfotoana ity?”31 Hoy aho hoe, “Izay azoko fotsiny tamin’ilay fotoana hafa,ilay fetra.” Ary avy eo dia hoy aho hoe, “Hahazo an’ilayfetra aho alohan’ny amin’ny folo ora androany.” Ary toy nyhafahafa ilay izy, tamin’izay fotoana izay mihitsy aho dia taoamin’ny faritry ny moka tena ratsy, feno moka ilay izy, arykarazana tany honahona iray, dia tonga ny moka goavana beiray nanaikitra ahy teo amin’ny maso mihitsy, ka hoy aho hoe,“Tsy hisy anankiray amin’izy ireo hanelingelina ahy amin’ity

Page 7: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

NY HAFATRY NY FAHASOAVANA 7

andro ity,” tsy nisy ody moka na inona teny amiko. Ary,talohan’ny nahafantarako an’izany, dia hoy aho hoe, “Hihiratranymasoandro ao anatin’ny telopolo minitra.”32 Ary vantany vao nilaza an’izany aho tamin’io, taoriakomihitsy, ny vontsira iray mitovy mihitsy amin’ilay anankiraytamin’ny taon-dasa, tanora, mena, no nitsambikina teo amin’ilayravina teo amin’ny fitopolo yards teo ary nanomboka nivovo.Nitodika aho. Teo amin’ireo halavirana ireo, zara aho rahaafaka, teo amin’ilay fijerena matanjaka, nahita ny masony.Nitifitra fotsiny, dia izay ihany, tsy nanao fikendrena iray akoryaza aho, afa-tsy teo amin’ilay vontsira. Ary namely an’ilay masomarina tokoa ilay bala teo amin’izay nisy azy tamin’ilay indraymandeha.33 Nanohy nandeha nanerana ny ala aho. Ary tamin’nyfolo ora latsaka telo minitra marina tokoa, dia nitifitra nyvontsirako fahatelo aho, tahaka ny tamin’ny taon-dasa mihitsy,mitovy marina tokoa. Tamin’ny folo latsaka telo minitra.Andriamanitra, no Mpitsarako masina, tsy nisy moka irayakory aza ningonongonona ny tontolo andro, teo amin’izaynisy an-taoniny tamin’izy ireo, heveriko, raha azo lanjaina izyireo. Ary tsy nahita na nandre anankiray mihitsy akory azaaho. Nihaino azy ireo aho, mba hahita raha afaka aho. Fanandre fimonomononana iray aho, nieritreritra aho hoe, “Misyanankiray any ho any,” dia nihaino aho fa fiarabe iray ilay izy,tany amin’ilay làla-malalaka tany. Ary telopolo minitra marinatokoa taorian’io fotoana io, dia nihiratra tsara sy namirapiratrany masoandro.34 Avy eo dia niverina teo amin’ilay toerana aho. Ary efanieritreritra aho, rehefa nilaza aho hoe “fetra,” izany dia nidikahoe vontsira dimy, izany no fetra any Indiana. Fa tsaroakotamin’ny taon-dasa, rehefa nanontany ahy Izy hoe firy no ilaikoho an’ny sakafo, ka hoy aho hoe, “telo,” dia nahazo telo mihitsyaho. Noho izany dia niverina aho omaly, nandeha tany amin’ilaytoerana iray ihany indray, ary nisy Zavatra iray nanao hoe, “Azamandeha. Miampità amin’ilay làlana.”35 Ary tamin’ny folo ora marina tokoa, teo amin’ilay teboka,tamin’ny folo ora tamin’ny famantaranandroko, dia nitifitraan’ilay fetran’i Indiana aho, ilay vontsira fahadimy. Tiakoianareo hahamarika fa nisy avana telo teo, ary nisy zavatra telovoalaza, vontsira telo no azo. Nisy zavatra telo teo: vontsiratelo tamin’ny folo ora, tsy nisy moka, nihiratra ny masoandrotao anatin’ny telopolo minitra. Ary nisy telo teo hijorovavolombelon’izany: Rahalahy BanksWood, ny zanakolahy BillyPaul, ary ny zananilahyDavid,mba hijoro vavolombelon’izany.36 Rehefa hitako ireo avana ireo, saiky ny halehiben’iohazavana boribory io, io Anjelin’ny Tompo io, saingy nisytelo tamin’izy ireo teo niditra tao amin’ny Anankiray. Oh, toy

Page 8: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

8 NY TENY VOAMBARA

ny ahoana no nanampian’izany ny foko, mba hahafantatra faAndriamanitra, Jesosy dia tsy lehilahy iray fotsiny araka nyiheveran’ny olona fa izany Izy, mpaminany iray fotsiny, araka nyiheveran’ity hevitra moderina amin’izao andro izao ity fa Jesosydia mpaminany iray fotsiny, Izy no Jehovah-n’ny TestamentaTaloha tonga nofo ary nonina teo anivontsika. Ary, teo, azoantoka fa izany no nampionona ahy. Avy eo, ny mieritreritraeo amin’ity lohahevitra ity, hoe Andriamanitra dia nitady olonamarobe.37 Ankehitriny, misy ny andian’olona iray, izay miantso nytenany ho “An’ny Tokana” na ny “Jesosy Irery.” Tsy mifanarakaamin’izy ireo aho eo amin’ny foto-keviny. Tsy mifanarakakoa aho—tsy mifanaraka amin’io vondrona triniterana io izaymilaza fa misy Andriamanitra telo samihafa, ilay triniteranatafahoatra. Fa mino aho fa ny telo, Ray, Zanaka, ary FanahyMasina, dia Anankiray, hoe asa telo an’Andriamanitra iray izyireo. Niaina tao anatin’ny Maha-ray Izy, tao amin’ny AndryAfo; niaina tao anatin’ny Maha-zanaka Izy, tao amin’i JesosyKristy; ary miaina ao amin’ny Fanahy Masina Izy ankehitriny,ao amin’Ny Fiangonany. Ilay Tompo Jesosy iray ihany izay tonganofo ka nonina teo anivontsika, dia miaraka amintsika amin’ityandro ity, eo anivontsika, ao amin’ny endrika FanahyMasina.38 Amin’ireo fahatsapana rehetra! Rehefa nitodika voalohanyaho ka nahita an’Izany, dia nihevitra aho aloha fa mety ho ilaymasoandro mitsirika Izany tao amin’ny—ny rahona iray tany hoany, saingy ilay izy dia talohan’ny fotoan’ny masoandro. Avy eorehefa nitodika indray aho, dia hitako fa tsy hazavana ilay izy,avana ilay izy. Ary tamin’izay fotoana izay rehefa nijery aho kanahita an’izany, dia lasa ngoly tanteraka aho.39 Nisy olona iray mihitsy nilaza tamiko hoe, “Tsy nahatsapate-hihiakiaka ve ianao?” Tsia, tsy nahatsapa te-hihiakiakaaho. Ireo fahatsapana ireo dia tsy manao anareo hahatsapate-hihiakiaka mihitsy, manao anareo hahatsapa ho mifikitrafotsiny izy ireo, eo amin’izay ahafantaranareo mihitsy famisy zavatra izay miteny aminareo, fihetseham-po afa-po irayfotsiny.40 Ankehitriny, marina ireo zavatra ireo. Fantatro fa mananaan’ireo zavatra izay lazaina isika, hoe matetika ny olona sasanydia manao hoe, “Oh, tsy mino ny karazan-javatra tahakaan’izany aho.” Tsy afakamamaly ny amin’izany aho, tsy fantatro.Afaka mamaly fotsiny ihany an’izay fantatro fa fahamarinanaaho. Ary Andriamanitra Tsitoha, Izay nanoratra an’ity Baibolyity, ary izaho dia Mpanompony, Izy no mahafantatra fa izany nofahamarinana.41 Eritrereto izany, hoe ny andro izay iainantsika, mialohaindrindra ny fihavian’ny Tompo, dia hoy Jesosy hoe, “Hisyfamantarana eny amin’ny lanitra sy eto an-tany, fahitana

Page 9: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

NY HAFATRY NY FAHASOAVANA 9

lehibe, zava-boribory manidina, bala afomanga, fotoan’nyfahaverezan-kevitra, fahoriana eo amin’ireo firenena, aryfahitana mampahatahotra eto ambonin’ny tany.” Ary miaina aoamin’izany andro izany isika,mba hahita an’ireo zavatra ireo.

42 Ankehitriny, ho an’ny Hafatra izao maraina izao izaynofidiako, dia tiako ianareo hamadika miaraka amiko aoamin’ny Soratra, ao amin’ny Zakaria. Izany no…Zakaria, ny—ny toko faha-4.

43 Ny faniriako dia ny hiteny aminareo an’ireo zavatra ireo.Matetika dia misy zavatra mitranga izay izaho tsy—tsy miresakaan’izany, tsy milaza an’izany. Fa ity dia tena sarotra loatraamiko ny hanafina azy amin’ny fiangonana. Tsy maintsy lazainailay izy! Ary, eo anatrehan’Andriamanitra Izay itsanganako, diaizany no fahamarinana. Fantatro fa misy Andriamanitra iray,ary fantatro fa JesosyKristy noZanak’Andriamanitra, Imanoela,monina eo anivon’ny Olony androany ao amin’ny endrika FanahyMasina. Ary fantatro fa akaiky ny Fihavian’ny Tompo, rehefamiseho ireo famantarana sy fahagagana.

44 Vao avy nahavita an’ireo Taona Fiton’ny Fiangonana isika,ary nianatra fa ao amin’ilay farany isika dia ny Taonan’nyFiangonana Laodikiana, izay hahatonga ny fiangonana hotsy miraika, lasa mangatsiaka, lasa anaram-piangonana, aryvoarafitra; ireo rafi-pandaminana no hifehy azy, handany azytanteraka. Fa ny teny fikasana iray dia hisy sisa nanamboranakely iray tavela. Hisy Fiangonana iray izay hiparitaka hatraizahatraiza any ivelany, fa Andriamanitra no hanangona Azymiaraka ary hampakatra Azy ao amin’ny Voninahitra; vondronakely iray nohamasinina any ho any, miandry ny Tompo.

45 Avy eo indray andro aho rehefa nitondra an’Ireo FitopoloHerinandron’i Daniela, nitsangana teto amin’ny polipitra tetomihitsy, dia nisy Zavatra nandona ahy, tsy afaka nialatamin’izany mihitsy aho. Ny mahita an’ilay ora izay iainantsika!Te-handeha any ho any aho ary hanao zavatra hafa, hanalaan’izany ao an-tsaiko. Manana olo-malala be loatra aho izaytsy voavonjy. Mahafantatra, inona no azoko atao hanao azyireo ho voavonjy? Inona no azoko atao eo? Efa nitory nyFilazantsara aho. Efa nanao famantarana sy fahagagana lehibeAndriamanitra toy izay tsy mbola Nataony mihitsy hatramin’nynisian’izao tontolo izao, hatramin’ny andron’ny Tompo Jesosy,tsy mbola Nataony mihitsy izany tao amin’ny tantaran’nyfotoana rehetra. Ary nandeha nanerana an’izao tontolo izaoizany. Nefa dia mbola mitohy miha-ratsy foana izao tontolo izao.Fa amin’izay fotoana izay dia tsy maintsy mahatsiaro aho famiaina ao amin’ny Taonan’ny Fiangonana Laodikiana isika, izaymahatonga azy ireo hiha-ratsy, ary Izao no voalaza fa hiha-ratsyizy ireo.

Page 10: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

10 NY TENY VOAMBARA

46 Noho izany dia nifidy aho izao maraina izao, satria diatena notafihana io Hafatra io, zavatra hafa iray izay azokotaorian’izany, dia, ny mitory ny fahasoavana. Hiresaka eoamin’izany aho izao maraina izao raha mamaky ny toko faha-4an’ny Zakaria, ampahany iray an’izany.

Ary niverina indray ilay anjely izay niresaka tamiko,ka namoha ahy, toy ny olona iray izay fohazinaamin’ny…torimaso,Ary hoy izy tamiko hoe, Inona no hitanao? Dia hoy

aho hoe, Nijery aho, ka indro misy fanaovan-jiro tenavolamena, miaraka amin’ny vilia baolina iray eo an-tampony, ary ny fanilony fito eo amboniny, ary ireofantsona fito dia eo ambonin’ireo fanilo fito, izay eo an-tampony:Ary misy hazo oliva telo eo akaikiny, ny iray eo

amin’ny ilany ankavanan’ilay vilia baolina, ary ilay hafaeo amin’ny ilany ankaviany.Koa namaly aho ary niteny tamin’ilay anjely izay

niresaka tamiko, nanao hoe, Inona moa ireo, tompoko?Ary namaly ahy ilay anjely izay niresaka tamiko ka

nanao tamiko hoe, Tsy fantatrao ve hoe inona ireo? Diahoy aho hoe, Tsia, tompoko.Koa namaly izy ary niteny tamiko, nanao hoe, Izao

no tenin’ny TOMPO amin’i Zerobabela, manao hoe,Tsy amim-pahatanjahana, na amin-kery, fa amin’nyfanahiko, hoy ny TOMPON’ny maro.

47 Hitanareo ve? Ny Hafatra dia tsy tonga amin’nyalàlan’ireo hery lehibe sasany na tanjaka, fa amin’nyFanahin’Andriamanitra! Ny andininy farany, ny andininyfaha-7.

Iza moa ianao, O ry tendrombohitra lehibe? holasa lemaka iray eo anoloan’i Zerobabela ianao: aryho entiny hivoaka ny vato tendro miaraka amin’nyhiakiaka, antsoantso hoe, Fahasoavana, fahasoavanaanie ho aminy. Fahasoavana, fahasoavana anie hoaminy.

48 Mahafantatra tsara an’io Soratra io isika rehetra, izaymamaky ny Baiboly. Fantatsika fa ity dia nandritry ny fotoan’nyfanomanana ny famerenana ny tempoly. Ary Zerobabela diaandriana malaza iray teo anivon’ny vahoaka, izay nametrakany fototr’ilay tranobe. Ankehitriny, ianareo, tiako ianareo hitafyny fisainanareo ara-panahy, ny lobaky ny hosotra, izao marainaizao, raha mieritreritra isika. Ary ity andriana malaza itydia tapa-kevitra ny hanorina indray ny tranon’ny Tompo. Arytamin’izay fotoana izay, rehefa nanorina izy, dia nametrakaan’ilay vato fototra.

Page 11: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

NY HAFATRY NY FAHASOAVANA 11

49 Ary raha mamaky lavidavitra isika, dia hitantsika fa hoyAndriamanitra hoe, “Zerobabela dia nametraka ny fototratamin’ny tànany, ary izy koa no hitondra hivoaka an’ilay vatotendro.” Tiako ianareo hanamarika, fa tsy nilaza mihitsy Izy hoeizy no hitondra hivoaka an’ilay “Vato fehizoro.” Izy no hitondrahivoaka an’ilay “vato tendro.”50 Ary fantatsika fa ny Soratra nomilaza fa Jesosy no Lohan’nyVato fehizoro, ary Izy ihany koa no Vato tendro. Ankehitrinyraha hieritreritra mandritry ny minitra vitsy isika, hoe, ny irakyny fiangonana fahafito no tsy maintsy “hamerina ny Finoan’nyzanaka ho amin’ireo ray.” Amin’ny teny hafa, dia manorinaindray an’ilay Fiangonana eo ambanin’ny Herin’ny Fanahy. “Tsyamin-kery, tsy amim-pahatanjahana, fa amin’Ny Fanahiko,” hoyny Tompo. Tsy amin’ny alàlan’ny rafi-pandaminana, tsy amin’nyalàlan’ny anaram-piangonana, fa amin’ny Fanahy Masina, nohitondran’Andriamanitra hivoaka an’ilay Fiangonana amin’nyandro farany.51 Zerobabela, ilay andriana niaraka tamin’i Josoa, no ilayanankiray izay tsy maintsy nitondra nivoaka an’io vato tendroio. Izy no nametraka ny fototra, izy no nitondra ny olona niverinatamin’ilay fototra, ao amin’ny tandindona.52 Fa, fantatsika rehetra fa ireo fanaovan-jiro sy ny sisa ireo diananeho ny Jiosy sy ny fiangonana. Izy ireo no “sampan’oliva,”hoy ny Baiboly eto. Ary ny sampan’oliva, isika no sampanadia izay natao grefy tao amin’ilay hazo oliva malefaka; ireoJentilisa! Ary avy tao amin’ireo sampana roa ireo no nivoaka ireofantson’ny fandoroana ditin-kazo manitra, mankao amin’ireofanaovan-jiro volamena fito, mba hanome Hazavana an’ireoTaona Fiton’ny Fiangonana.53 Tsarovy ankehitriny, ao amin’ny fampianarantsika teoamin’ireo lesona izay vao avy nandalovantsika, fa naka an’ilaypyramyda lehibe isika ka nianatra an’izany vetivety, izay tsymaintsy naorin’i Enoka. Ary tsy mbola napetraka tao amin’ilaypyramida mihitsy ilay vato tendro. Efa tany aho. Ilay mari-tranoan’izany dia tsy nety voasolo mihitsy hatramin’ity andro ity.Tsy manana milina izay afaka manorina pyramida iray isika,tsy manana hery (afa-tsy ny hery atomika) izay afaka manorinapyramida iray, satria goavana be loatra izany. Vato izay metymilanja aman-taonina sy taonina ary taonina, mitsangana enyamin’ny habakabaka, tena napetraka niaraka ka na dia harezamanify iray aza dia tsy afaka…Ary tsy misy simenitra izy ireo,nodidiana fotsiny izy ireo mba hifandray.54 Tokony ho tahaka an’izany ny Vatan’i Jesosy Kristy, tenanodidian’ny Fanahy Masina, tamin’ny Fitaovana sy Fiasanalehibe an’Andriamanitra, mba hifandraisantsika toy ny Olonaanankiray. Tsy voazarazara isika. Tokony ho Olona anankirayisika! Ary izany no haneho fa tsy misy milina afaka manao an’io

Page 12: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

12 NY TENY VOAMBARA

tahaka an’izany. Mila an’Andriamanitra ny fanaovana an’izany.Tsy mekanikan’ny rafi-pandaminana, tsy fialofana, tsy ny irayamin’ireo zavatra ireomihitsy no hanao an’izany, na dia tsara azany fikasan’izy ireo. Tsy afaka manao an’izany mihitsy izy ireo,satria dia mila an’Andriamanitra ny fanaovana an’io, ny FanahyMasina.55 Tsymihevitra aho famanana ravin-dolara iray aho ato anatypaosiko. Fa misy…Eny, manana aho, manana ravin-dolara irayaho. Miala tsiny aho. Eo an-damosin’ity ravin-dolara ity diahahita an’ilay tombokasen’ny Etazonia ianareo eo amin’ny ilanyankavia, mijery mankany aminareo. Avy aty amiko, dia ho eoamin’ny ilany ankavia izany; ny anareo, dia ny ankavanana.Ilay voromahery izany. Ary ao anatiny ao ihany koa dia ilayakanjo fiadiana sy ny sisa. Fa eto amin’ity ilany eto ity, ilayankavanana, ho ahy, dia mahita an’ilay pyramida ianareo. Arymariho, eo ambonin’ilay pyramida no misy an’ilay vatosarona,ary ao ambany dia izao no voalaza hoe, “Ilay TombokaseLehibe.”Na dia eo amin’ireo vola madinika antsika aza, dia tokonyho fantatsika izany. Tsy misy tsy mahatoky iray afaka manisyfitomboka ny Kristianisma. Ny taratasy rehetra izay asianareodaty, dia manisy daty ny fahaterahan’ny Tompontsika. Nyalimanaka rehetra, ny zavatra rehetra dia miresaka ny Aminy.Ary na dia eo amin’ny vola madinika antsika aza, ilay Vatotendro, izay Kristy! Nahoana izy ireo no tsy nametraka an’ilayvato tendro teo amin’ny pyramida? Satria nolavina ilay Vatotendro rehefa tonga Izy.56 Fa ankehitriny, araka ny faminaniana, dia ho tongailay Vato tendro. Ary tiako ianareo hanamarika fa, rehefatonga ilay Vato tendro, ilay andriana izay hiantso mafy nyHafatra dia hiantso hoe “Fahasoavana! Fahasoavana!” Satriatamin’ny fahasoavana no namonjena antsika, tsy avy amin’nyasa izany, fandrao hirehareha ny olona. Ary ny Hafatry nyfahasoavana dia efa nitsahana teo ambanin’ny tongotry nyolona hany ka lasa fahafaham-baraka iray izany. Ny sasanyamin’izy ireo dia miditra ao amin’ny fiarovana Mandrakizay, nysasany miditra ao amin’ny zavatra rehetra. Fa, ny Hafatry nyfahasoavana marina dia mijanona tsy miova, ary eo no iezahan’iSatana mamoaka azy hiala amin’ny Fiangonana. Fa tamin’nyfahasoavan’Andriamanitra no namonjena antsika rehetra.57 Noho izany ao amin’ny maha-Andriamanitra an’i JesosyKristy, raha afaka ny ho tonga eo ny Tompo Andriamanitraka manamarina fa izany no Fahamarinana, tsy izany ihany,fa raha amin’ny alàlan’Ny Teniny no Anamarinany fa izanyno Fahamarinana, ary amin’ny alàlan’ireo famantarana syfahagagana no Anamarinany fa izany no Fahamarinana,amin’izay fotoana izay, ihany koa, dia Fahamarinana nyfahasoavana. Noho izany dia ahoana no ahafahan’ny olonairay hitsikera ary hilaza fa diso ny fahasoavana, ka “isika dia

Page 13: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

NY HAFATRY NY FAHASOAVANA 13

voavonjy noho ireo asa”? Tamin’ny fahasoavana no namonjenaantsika, tamin’ny alàlan’ny finoana izany, fa tsy noho ireo asa.Ireo asa dia maneho fa efa voavonjy ianareo. Fa ny mamonjyanareo dia ny fahasoavan’Andriamanitra. Ny fahasoavana nomamonjy anareo. Ny fahasoavana dia izay ataon’Andriamanitraho anareo. Ireo asa dia izay ataonareo ho an’Andriamanitra,mba haneho fankasitrahana an’izay nataon’Andriamanitra hoanareo. Fa tamin’ny fahasoavana no namonjena anareo!58 Ny olona sasany dia mihevitra hoe, “Satria mandehamikambana amin’ny fiangonana aho, mametraka ny anarakoeo amin’ilay boky, dia izay ihany no tokony ataoko.” Ny olonasasany dia mihevitra hoe, “Satria mihiakiaka aho, dia izayihany no tokony ataoko.” Ireo hafa dia mihevitra hoe, “Satriamiteny amin’ny fiteny tsy fantatra aho, dia izay ihany no tokonyataoko.” Ny sasany dia mihevitra hoe, “Satria manana heryhanasitrana ny marary aho, dia izay ihany no tokony ataoko.”Tsy izany ilay izy! Ilay izy dia ny fahasoavan’Andriamanitra nomamonjy anareo, ny fahasoavana mahagaga an’Andriamanitra.Tsy afaka hatoky fahamendrehana iray aho. Hoy ny sasany hoe,“Eny, io ny lehilahy malaza iray. Io lehilahy io, efa nandre azynitsangana aho ka nanao an’ity, efa nandre azy nitsangana ahoka nanao an’itsy.”59 Paoly no nilaza, ao amin’ny Korintiana Voalohany 13hoe, “Na dia miteny amin’ny fitenin’ny olona sy ny Anjelyaza aho, na dia manana famantarana aza aho, na diamanana fanomezam-pahasoavana aza aho, mba hamahana,halaiko ny fananako rehetra hamahanana ny mahantra, nadia afaka mamindra tendrombohitra amin’ny finoana aza aho,na dia manana fahalalana mba hahazo ny zavatra rehetraaza aho, dia tsinontsinona aho raha tsy miditra ny fitiavana,izay fahasoavana.” Andriamanitra no tsy maintsy manaoan’izany. Afaka manao an’ireo zavatra rehetra ireo ianareo nefambola very foana. Ny fahasoavana no mamonjy anareo, nyfahasoavan’Andriamanitra ho an’ny taranak’olombelona.60 Ny mieritreritra Azy! Nieritreritra an’io fahasoavana io ahotaorian’ny nisehoan’izany avy hatrany tamin’ny Zoma maraina,teo amin’ny fiposahan’ny andro mihitsy, tany amin’io sahaio rehefa nipetraka teo ambonin’ny vatan-kazo iray aho, tatyaoriana, ka nikoriana teo amin’ny masoko ireo ranomaso. “O,Andriamanitra, ny Fahasoavanao no nidina mba hamonjy ahy.Nahoana mihitsy Ianao no nanana fitserana tahaka an’izanyteo amin’ny ory iray mahantra, tsy mahay manoratra tahaka nytenako? Ahoana no mba Nidinanao teo amin’ny tabernaklanaymanetry tena kely, misy fiadanana, ary vahoaka ambany fari-piainana, mahantra, tsy manana na inona na inona eto amin’ityizao tontolo izao ity, nefa mbola mitosaka ao am-ponayfoana ny Fahasoavanao, amin’ny alàlan’ny Fanahy Masina, kamanasitrana ny aretinay Ianao ary mamonjy ny fahotanay,

Page 14: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

14 NY TENY VOAMBARA

mamonjy anay amin’ny fahotanay, raha ny marina, ka manaoanay ho Olonao, mifanaraka aminay?”61 Avy eo dia nieritreritra an’i Davida aho, hoe ahoana fa rehefanaka hevitra iray izy mba hanorina trano iray ho an’ny Tompo,dia hoy izy, “Tsy mety amiko ny mipetraka ao amin’ny tranosedera iray, nefa ny Fiaran’ny faneken’ny Andriamanitro dia eoambanin’ny hoditr’ondry sy tabernakely iray.”62 Niteny tamin’ilay mpaminany Andriamanitra hoe,“Mandehana teneno amin’ny Mpanompoko, Davida, fa Izahono naka azy avy tany amin’ny fiandrasan’ondry, avy namahanaan’ireo ondry vitsin’ny dadany ireo tany, ka ‘nanao anao hoanaranamalaza iraymitovy amin’ireo olo-malaza eto an-tany.’”63 Nieritreritra ny amin’ny fahasoavan’Andriamanitra aho,hoe ahoana no Nahafahany nanao an’izany, namonjy hatranyamin’ny farany indrindra! Ary avy eo dia naka ory iraymahantratahaka ny tenako, ary nanome ahy an’ilay fanararaotra mbahitory ny Filazantsara ka mahita an’ireo hafa voavonjy, mahitaazy ireo sitrana; mahita an’ireo tokantrano izay efa rava,voahitsy indray; mahita an’ireo fiainana izay ringana, lasatsara indray. Ary manome ahy fahasoavana! Nieritreritra ahohoe, “Oh, fahasoavana mahagaga izany!” Avy eo dia nanatonampihaza vontsira iray naetry, ambany tao anaty ala, ka nanaony Tenany tao amin’ny endrika avana, izay midika hoe ny“fanekena,” niaraka tamin’ny Hafatra iray izay Nomeny ahy hotoriana, ary nanao an’izany tao anatin’ny fanekena iray tany, hoeIzy no ao ambadik’Izany! Ary Izy no ho ao ambadik’Izany, satrianyHafatra dia avy amin’i JesosyKristy sy ny Voninahiny.64 Ahoana fa namela ahy handeha manerana an’izao tontoloizao Izy, nanodidina an’izao tontolo izao, nankany amin’ireofirenena, nankany amin’ireo olona an-tapitrisany, nahitaan-tapitrisany nanatona ny Tompo ary nanaiky Azy hoMpamonjy manokana, nahita azy ireo feno ny Fahatsaram-panahiny sy nohamasinina tamin’ny Heriny, mahita azy ireositrana nohon’ny Heriny faratampony lehibe. Noho izanydia afaka miantsoantso tahaka an’ilay mpaminany aho, kamanao hoe, “Tsy amin-kery izany, na amim-pahatanjahana, faamin’ny Fanahin’Andriamanitra izany.” Tsy amin’ny fianarana,tsy amin’ny teolojia, fa amin’ny Fanahin’Andriamanitra noAmonjeny ny olona. Amin’ny Fanahin’Andriamanitra noAnasitranany ny olona. Ny Fanahin’Andriamanitra no manomeny Hafatra ho an’ny olona. Ny Fanahin’Andriamanitra nomanamarina ny Teny.65 Manana an’ireo teolojiana isika amin’izao andro izao,manana an’ireo Mpampianatra ny momba an’Andriamanitraisika, manana an’ireo lehilahy malaza isika manerana an’izaotontolo izao, izay mahay, manan-tsaina ary nianatra. Fa milany fahatsoran’ny finoana an’Andriamanitra, ny manao Ny

Page 15: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

NY HAFATRY NY FAHASOAVANA 15

Teniny hiteny, mba haneho fa Jesosy Kristy no tsy miovaomaly, anio, ary mandrakizay. Mila fo iray manetry tenavoatolotra an’Andriamanitra, ny mitondra an’i Jesosy Kristyao amin’ny fotoana ankehitriny. Amena! Raha nila teolojiaizany, dia ho inona ny Presbyterana, Metodista, Batista,Katolika, sy ny sisa; tsy ho nanana anjara iray isika, isikaolona mahantra tsy nampianarina. Fa tsy mila fahalalanaizany. “Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin’NyFanahiko,” hoy Andriamanitra, “Izaho no hanambara an’iozava-miafina io.” Ary, “Izy no hiantsoantso eo amin’izanyhoe, Fahasoavana, fahasoavana, miaraka amin’ny hiakiaka syantsoantso.” Izany ilay izy amin’izao andro izao, fahasoavanamahagaga an’Andriamanitra ho an’ny Olony. Ahoana fa makaan’ilay tsy mahay manoratra Izy, ilay tsy nampianarina, manehofa Jesosy no tsy miova.

66 Rehefa tonga Izy, dia tsy tonga teo amin’ireo teolojianamalaza mihitsy Izy. Tsy nandeha teo amin’i Kaiafa koa Izy, ilaympisoronabe; afa-tsy ny ho helohiny fotsiny ihany.

67 Fa naka an’ilay mpanjono Izy, ireo lehilahy izay nahantraka nandeha tamin’ny fiainana tsotra. Ary teo amin’izany noNanambarany ny Tenany, ka nanao hoe, “Manaraha Ahy, faHataoko mpanjono olona ianareo,” maneho fa mbola nihitatrafoana ny Fahasoavany na dia avy amin’ny Jiosy nankanyamin’ireo Jentilisa aza, mba hiantso vahoaka iray ho an’NyAnarany amin’izao andro farany izao, araky ny vao avynandalovantsika an’izany. Fahasoavana mahagaga, tena mamyilay feo!

68 Ny fahasoavana dia tranainy. Ny fahasoavana dia tranainytahaka an’izao tontolo izao. Ny fahasoavana dia voasehovoalohany teo amin’ny taranak’olombelona rehefa nananafiandohana iray an’ny taranak’olombelona isika. Rehefavoaforona voalohany ny taranak’olombelona tao amin’nysahan’i Edena, tamin’io maraina maizina io izay niampitan’ilayvehivavy kely an’ilay tsipika mampisaraka, ary nanohitra nyDidin’Andriamanitra ka namitaka ny vadiny mba hanao an’ilayzavatra iray ihany, tamin’izay fotoana izay no nodikaina ilaylalàna. Tsy maintsy manana sazy iray ny lalàna fa raha tsyizany dia tsy lalàna izy. Ary ilay lalàna dia hoe, “Amin’nyandro ihinananao an’io, dia azo antoka fa ho faty tokoa ianaoamin’izany andro izany.”

69 Tsarovy, ny sezam-pitsarana voalohany dia teto ambonin’nytany, ary tao amin’ny sahan’i Edena izany. Ary ny sezam-pitsarana farany dia ho eto ambonin’ny tany, amin’ny androfarany, ilay Seza fiandrianana Fotsy.

70 Fa rehefa nidina Jehovah, dia azoko eritreretina fa tsy nisykintana iray namiratra akory aza, tenamaizina izany tao amin’io

Page 16: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

16 NY TENY VOAMBARA

saha kely mazava io fahiny, satria ny fahotana no nanamaizinaazy tanteraka, naka an’ilayHazavana niala teo anivon’izy ireo.71 Izany ilay olana amin’ireo fiangonana amin’izao androizao. Izany ilay olana amin’ny olona amin’izao andro izao.Ny fahotana no nanamaizina tanteraka ny Hazavan’ilayAndriamanitra velona, mba haneho fa Kristy dia mbola ilaytsy miova omaly, anio, ary mandrakizay, ary velona Izy mbahamonjy an’ilay farany indrindra, sy hanasitrana an’ilay olonaambany indrindra, marary.72 Oh, mampahatahotra toy ny ahoana izany tamin’io marainaio, aizina no nihantona tao amin’ilay saha! Hieritreritra nyzavona an’ny kitapo mainty aho. Hieritreritra fa ny ravin-kazorehetra dia tsy nihetsika mihitsy. Tsy nisy rivotra nitsoka. Aizinasy mampahatahotra izany, satria ny fahotana no nanamaizinatanteraka.73 Indro nidina Jehovah tahaka ny fitreron’ny kotrokorana iray,nandeha nitety an’ilay saha, niantsoantso hoe, “Adama, aizaianao?” Tamin’izany no nahafantaran’i Adama fa nitanjaka izyary nanota teo anatrehan’Andriamanitra. Nanafina ny tenany izyary niezaka nanamboatra fivavahana iray ho an’ny tenany, fa tsynety ilay izy. Namono ondry iray Andriamanitra, naka an’ireohoditra, ary naneho fa misy zavatra iray tsy maintsy maty mbahanaronana ny fahotana.74 Tsy hahasarona ny fahotana mihitsy ny fikambananaamin’ny fiangonana. Tsy misy fiaikena amin’ny maso mainamihitsy mba hanarona ny fahotana. Mila alahelo sy fibebahanaizany, ary ny fahasoavan’Andriamanitra, mba hanarona nyfahotana; fa ny Ràn’i Jesosy Kristy, ilay Anankiray izaynovonoin’Andriamanitra teo Kalvary, mba hanarona nyfahotana.75 Tao amin’ny saha tao tamin’io maraina io, rehefa tenamainty ny fahotana, no nidina Jehovah. Indro nitsanganateo ilay Mpivadiny, voaheloka. Tsy hisy taranak’olombelonaintsony, tsy maintsy maty izy ireo; ny fahafatesana teoamin’ny taranak’olombelona, no nanolotra an’izao tontolo izaotamin’ireo bibi-dia ary tsy hisy taranak’olombelona intsony. Fatao amin’io ora maizina indrindra io, tao amin’io fotoana izaynahalasa ny fanantenana rehetra io, no tonga niraraka naneranany fahasoavana, nanao hoe, “Hanome anareo Mpamonjy irayAho, Mesia iray.” Oh, fahagagana iray ny hoe ahoana nohany nahafahan’Andriamanitra nanao an’izany! Fahasoavanamahagaga an’Andriamanitra tao amin’ny sahan’i Edena, izaynanome azy ireo ny teny fikasan’ny Anankiray Marina Izayafaka tonga tamin’ny alàlan’ny vehivavy. “Ny Taranaky nyvehivavy no hanorotoro ny lohan’ny menarana,” ilay anankiraymeloka, “ary ny lohany no hanorotoro ny ombelahitongony,”mba haneho fa hisy fahoriana iray ho an’ilay Fiangonana.

Page 17: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

NY HAFATRY NY FAHASOAVANA 17

Fa nampanantena fandresena iray Izy! Inona no nanomanaMpamonjy iray? Fahasoavana!76 Inona no azon’izy ireo naseho ho mendrika ny fahasoavana?Inona no azon’izy ireo naseho hanaovana an’izany? Ilayfitenin’ny tafika, ialako tsiny izany, tiako fotsiny ny hanaoan’ilay izy avy eto amin’ny polipitrako eto mba hanaovanafanamarihana iray hoe, “mifanilika andraikitra.” Hoy Adamahoe, “Ny vehivavy izay Nomenao ahy no nanao an’io.” Hoy ilayvehivavy hoe, “Ny menarana no namitaka ahy.” Ny anankiraymametraka an’ilay izy amin’ny iray hafa. Tsy nisy fanantenanaho azy ireo.77 Fa nanomana ny fahasoavana Andriamanitra, arynanomboka nitady làlana izany! Dia hoy Izy hoe, “Fa hanaolàlana iray Aho, na manao ahoana na manao ahoana. Hamonjyanareo Aho, na izany aza. Nanao ratsy ianareo, nandika an’ireoLalàko ianareo. Ary ireo Lalàko dia tsy maintsy hisy, fa nyfitsarana arak’ireo Lalàko dia tsy maintsy tanterahina. Nohoizany dia tsy maintsy hisy ny fahafatesana, satria efa nilaza Ahohoe ‘fahafatesana.’”78 Ankehitriny, ry sakaizako Kristiana. Ary ireto horoham-peoizay hatao eto ireto dia hiparitaka manerana an’izao tontoloizao. Mamelà ahy hanontany zavatra aminareo, ianareo izaymiezaka manao an’Andriamanitra ho Andriamanitra telo, naianareo izay miezaka manao Azy ho anankiray, tahaka nyrantsan-tànanareo. Izy dia olona tokana!79 Tsy ho nety tamin’Andriamanitra ny hanao Anjely iray hofaty. Tsy mety ho ilay karazana Mpitsara tsara iray Izy ka hanaoAnjely iray ho faty ho an’ny olombelona. Mbola tsy mahatsaboan’ilay izy foana izany, satria mitaky fahafatesana ny Lalànylehibe, ary misy zavatra iray tsy maintsy maty, fa ny Anjely iraydia tsy mety maty. Tsy afaka nilaza koa Izy hoe, “Eva, satriaianao no nahatonga an’i Adama nanao an’io, dia Hataoko matyianao, fa Adama avelako ho velona,” satria mpandray anjara koai Adama.80 Tahaka ny nolazain’ny olona iray hoe, “Nohamarinina iPilato, nanasa ny tànany izy.” Tsy afaka manasa ny Ràn’i JesosyKristy hiala amin’ny tànanareo ianareo. Tsy hiala eto amin’itytranobe ity mihitsy ianareo izao maraina izao ka handeha ho anyAn-danitra, raha maty ao amin’ny fahotanareo ianareo. Izanydia eo an-tànanareo. Noho izany, dia tsymarina izany.81 Anankiray ihany ny làlana marina. Anankiray ihany nolàlana izay afaka misy, ny lalàna lehibe an’Andriamanitra,afaka hahatanteraka an’ireo fitakiana. Izy no tsy maintsynanatanteraka an’izany tamin’ny Tenany. Izy no tsy maintsynanao an’izany. Andriamanitra dia Fanahy ka tsy afaka ny hofaty Izy. Noho izany dia tsy maintsy tonga olona Andriamanitra,ary maty tao amin’ny nofon’olombelona Izy, tamin’ny endrika

Page 18: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

18 NY TENY VOAMBARA

lehilahy iray nantsoina hoe “Jesosy Kristy,” ary izany no ilayMesia nampanantenaina izay nividy ny fahasoavana. Eo noahitanareo fa Andriamanitra sy Kristy dia ilay Olona iray ihany,Andriamanitramitoetra ao amin’i Kristy. “Izaho syNyRaiko diaIray, Ny Raiko mitoetra ato Amiko; tsy Izaho no miteny ny Teny,fa Ny Raiko izay mitoetra ato Amiko.” Andriamanitra ao amin’iKristy! Izany tokoa.82 Ny fahasoavana no nampanantenaina tao amin’ny sahan’iEdena, ary tonga ny fahasoavana, fahasoavana ho an’i Adamasy Eva. Tsy nisy azo nandehanana na taiza na taiza, tsy nisyhoe làlana iza no ihodinana kanefa ny fahasoavana no nanaolàlana iray!83 Mamelà ahy hilaza an’izao, ry sakaizako mpanota. Mety etoianareo izao maraina izao mpijangajanga iray, mety eto ianareoizao maraina izao mpanenji-behivavy iray, mety eto ianareomamolava iray na mpiloka iray, na mpamono olona iray. Metyeto ianareo vady lahy iray tsy madio, vady vavy iray tsy madio.Mety ho ilay ratsy indrindra amin’ny mpanota ianareo. Hoyianareo hoe, “Efa nihoatra an’io dingan’ny fanavotana io aho.”Tsia, tsy nihoatra ianareo, raha tsy izany ianareo dia tsy ho etoamin’ny fiangonana izao maraina izao. Hanao làlana iray hoanareo ny fahasoavana ao amin’ity ora maizina ity raha hanaikyan’izany fotsiny ianareo. Tsymaintsy nanapa-kevitra ny hanaikyan’izany i Adama, toy izany koa ianareo. Ekeo izany.84 Ny fahasoavan’Andriamanitra no tonga tamin’ny andron’iNoa. Noa, lehilahy iray tsotra fotsiny, izy sy ny fianakaviany.Fa satria natahotra an’Andriamanitra i Noa, dia ninoan’Andriamanitra izy! Tsy afaka hatahotra an’Andriamanitraianareo raha tsy mino. Ahoana no ahafahanareo matahotrazavatra iray izay tsy inoanareo? Tsy maintsy matahotraan’Andriamanitra ianareo. Hoy Solomona hoe, “Nyfahatahorana an’Andriamanitra no voaloham-pahendrena.”Ankehitriny, ny matahotra an’Andriamanitra fotsiny, diamanomboka manana fahendrena ianareo. Ary ny fahatahoranaan’Andriamanitra, natahotra ny Tompo i Noa dia nino nyTompo izy. Ary izany no omen’Andriamanitra voninahitra, diany finoanareo Azy. Marina izany. Noho izany rehefa tongatamin’i Noa ny fahatahorana an’Andriamanitra, dia niantsoazy tamin’ny fahasoavana Andriamanitra, ary namonjy azysy ny ankohonany satria ny fahasoavana no nanao an’izany.Tsy hoe satria i Noa no lehilahy goavana be tsara tarehyindrindra noho ny sisa rehetra tamin’izy ireo, tsy hoe satriai Noa dia nandeha tany amin’ilay fiangonana tsara indrindraizay nisy tao amin’ilay firenena, tsy hoe satria nikambana taoamin’ny rafi-pandaminana iray tsara indrindra izy, tsy hoeizy no afaka niakanjo tsaratsara kokoa, tsy hoe izy no nananavola betsaka, tsy hoe izy no olona iray hafakely. Fa nohon’nyfahasoavan’Andriamanitra, no namonjen’Andriamanitra an’i

Page 19: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

NY HAFATRY NY FAHASOAVANA 19

Noa. Fahasoavana no namonjy an’i Noa (tsy ireo asany; fa nyFahasoavany) ary namonjy ny fianakaviany ihany koa.85 Hiantso olona hafa iray isika izay nihitaran’nyfahasoavan’Andriamanitra, maro amin’izy ireo, fa hiresakany amin’ny vitsy fotsiny isika. Abrahama. Abrahama, tsylehilahy hafakely, dia tonga avy tany amin’ny tilikambon’iBabela, angamba nivoaka avy tao amin’ny andiana mpanomposampy iray (ny rainy), tonga tao amin’ny tanin’i Sinara tany,mba honina ao amin’ny tanànan’i Ora. Ary raha mbolatao izy, dia niteny taminy tamin’ny alàlan’ny fahasoavanaAndriamanitra. Tsy hoe satria hafa izy, tsy hoe satria izyno lehilahy iray tsaratsara kokoa; fa, nohon’ny fahasoavana,no niantsoan’Andriamanitra azy. Mampahafantatra mazavaan’izany ny Baiboly. Oh, Abrahama, toy ny ahoana no nitsapan’iAbrahama ny faharetan’Andriamanitra! Niteny taminy, nanaohoe, “Abrahama, mitoera ianao ao amin’ity tany ity, aza mivoakaavy ao aminy.” Fa vantany vao tonga ny mosary iray, dianandositra i Abrahama.86 Niresaka ny amintsika i Abrahama. Andriamanitra dianandray—nandray an’i Abrahama nohon’ny fahasoavanaAndriamanitra, ka namonjy azy. Ary toy izany no Andraisanyanareo, nohon’ny fahasoavana. Ary ahoana no itsapantsikany Faharetany? Androany isika dia ambony, rahampitso isikadia ambany. Mino isika ny andro anankiray, ny andro manarakaisika dia manontany. Androany isika Metodista iray, rahampitsoisika dia Batista iray. Androany isika mino ny fanasitrananaavy amin’Andriamanitra, rahampitso dia tonga ny aretin-kiboary tsy fantatsika na mino isika na tsia. Kanefa ao afovoan’iorehetra io, dia tian’Andriamanitra hipetraka tsara mihitsyisika. Fa mamonjy antsika Izy, na ahoana na ahoana. Rahatsy ny fahasoavan’Andriamanitra, dia ho efa lasa isika rehetra.Azo antoka. Andriamanitra dia mamonjy antsika nohon’nyFahasoavany.87 Natao hijanona tao amin’io tany io i Abrahama, saingynandeha nidina nankany amin’ireo Kaldeana izy, na, tsyKaldeana, fa ireo Filistina. Nandeha nidina tany mba hivahiny,mba hiala amin’ilay mosary. Sarotra kely ireo zavatra tanyamin’ny fireneny, noho izany dia nandeha nidina tany izymba hivahiny tany niaraka tamin’izy ireo. Nanao marinatokoa an’izay notenenin’Andriamanitra mba tsy hataony, kanefaniseho teo aminy ny fahasoavan’Andriamanitra, nisakana an’iFarao tsy ha-…na ilay—na ilay mpanjaka tsy haka nyvadiny. Fahasoavan’Andriamanitra. Rehefa nilaza i Abrahamahoe, “Anabaviko io,” nandainga nikasika an’izany, kanefa nyfahasoavan’Andriamanitra no nihazona azy satria nibebaka izy.Nanaiky ny hibebaka izy.88 Ary ny olona rehetra izay manaiky hibebaka, dia mbolamandeha ho anareo foana ny fahasoavan’Andriamanitra. Mitady

Page 20: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

20 NY TENY VOAMBARA

anareo ny fahasoavan’Andriamanitra. Noho izany, mandeha hoanareo mpiverin-dàlana izany izao maraina izao, mbola mitadyanareo foana ny fahasoavan’Andriamanitra. Raha hibebakafotsiny ianareo, dia ampy ny fahasoavan’Andriamanitra.

89 Ahoana fa naka an’i Abrahama antitra tsara mihitsy Izy,namerina azy indray! Ary tsarovy, tsy voavonjy nohon’nyasany i Abrahama, voavonjy nohon’ny fahasoavana izy.Voavonjy nohon’ny finoana i Abrahama, izay fahasoavana.Ary Andriamanitra dia namonjy an’i Abrahama nohon’nyFahasoavany, fa tsy nohon’ny fitondran-tenany. Namonjy azynohon’ny Fahasoavany Izy. Oh, tsara toy ny ahoana! Voavonjynohon’ny fahasoavana izy.

90 Ndao isika haka ny Isiraely. Manana Soratra iray ahovoasoratra eto. Nosoratako izany ka afaka fotsiny hitodikaamin’izany aho ato an-tsaiko. Raha tianareo ny handraynaoty an’izany, dia ity no ho anankiray tsara ho tsarovanaraha tianareo, Deoteronomia 7:7. Andriamanitra nanome an’iAbrahama ny Fampanantenany, na tsy nanome an’i Abrahama,mamelà ahy, nanome an’ny Isiraely. Ary niteny tamin’izyireo hoe, “Raha tsy hikambana amin’ny fanompoan-tsampyianareo! Raha tsy hanao an’ireo zavatra ireo ianareo! Rahahiala lavitra an’ireo fombam-pivavahana mpanompo sampyrehetra ireo ianareo! Raha hanao an’ireo zavatra rehetra ireoianareo, amin’izay fotoana izay dia hitondra anareo any amin’nytany tsara iray Aho, hikarakara anareo Aho, hamahana anareoAho, hitarika anareo Aho. Hataoko ireo zavatra ireo rahahanao an’izao-sy-izao ianareo, raha ho tia Ahy ianareo, rahahitandrina Ny Didiko ianareo, ireo Lalàko, ireo Fitsipiko.Hataoko ireo zavatra rehetra ireo raha hanao zavatra fotsinyianareo, ka hitandrina NyDidiko ary ho tia Ahy.”

91 Tahaka ny vady lahy iray fotsiny maka vady vavy iray, kamanao hoe, “Raha ho vehivavy tsara iray ianao, raha hikarakarany tokantrano ianao, raha homahatoky amiko ianao, raha hanaony akanjoko hadio ianao; raha manan-janaka isika, raha horeny iray ho azy ireo ianao; raha hanao an’ireo zavatra ireoianao, dia hiasa aho mandra-pahatongan’ny tànako hivoa-drà,hanao fivelomana iray ho anao, raha hanao an’izany ianao.” Faamin’izay fotoana izay, eritrereto, ahoana moa raha mivadikaho ratsy io vehivavy io, miaina kamo, tsy hiasa, tsy hanao nainona na inona? Amin’izay fotoana izay dia mila ny fahasoavanany fihazonana an’io fianakaviana io hiaraka.

92 O Andriamanitra! Nila ny fahasoavan’i Jehovah nyfihazonana ny Fianakaviany hiaraka. Ary izany ihany no fombatokana maha-fianakavian’i Jehovah antsika androany, dianohon’ny fahasoavan’i Jesosy Kristy; ho efa lasa isika rehetra.Fa fahasoavana izany, oh, fahasoavana!

Page 21: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

NY HAFATRY NY FAHASOAVANA 21

93 Ankehitriny, nefa tsy nitandrina an’izany izy ireo. Fa izyireo dia, tsy tonga teo amin’ilay teny fikasana feno mihitsy;tsy io taranaka io. Tsia, ilay anankiray izay nanaovana nyteny fikasana, dia levona tany an-efitra. Nefa namahana azyireo Andriamanitra, nikarakara azy ireo Andriamanitra, tiaazy ireo Andriamanitra, nihetsika manodidina Izy. Nahoana?Ny Fahasoavany no nanao an’izany, ny Fahasoavany nohon’nyFampanantenany, ny Fampanantenany tamin’izany, ilayfahasoavana izay nandeha niaraka tamin’ny Fampanantenany.Fa tsy tonga teo amin’ilay teti-bidy feno an’ilay tanynampanantenaina mihitsy izy ireo.94 Ary tsy tonga eo amin’ny teti-bidiny feno koa ity fiangonanaity. Ny fahasoavan’Andriamanitra no mihazona antsika. Fa te-hahazo fiangonana iray izay hankatò Azy Izy, vahoaka iray izayhandray Ny Teniny ka hanao hoe “Izany no Fahamarinana,”tsy mampaninona izay rafi-pandaminanareo. Mila vahoaka irayIzy izay tsy hanao hoe, “Eny, tsara mihitsy tahaka anao aho.Presbyterana aho, Metodista aho, Katolika aho, tsara tahakaanao.” Tsy izany no fahasoavana; izany dia maneho fa misyzavatra tsy mety ao.95 Fa ny olona iray, tsy mampaninona, izay hamaky nyTenin’Andriamanitra ka mahita fa tokony hateraka indrayianareo ary feno ny Fanahy Masina, dia hino an’izany izy ireo,handray an’izany amin’ny alàlan’ny Teny izy ireo. Handray nyTenymarina tokoa arak’izay Lazainy izy ireo.96 Ohatra ao amin’ireo batisa sy famafazana; marina ny batisa.Tsy nisy olona ao amin’ny Baiboly mba nofafazana, tsy misyzavatra tahaka an’izany ao amin’ny Soratra. Tsy nisy olona koamba natao batisa tamin’ny anaran’ny “Ray, Zanaka, FanahyMasina,” ao amin’ny Baiboly. Izy ireo, ny tsirairay avy, dia nataobatisa tamin’ny Anaran’i Jesosy Kristy. Noho izany dia tsy misyanankiray, tsy misy na dia pentin-tantara iray aza ho…Rahamisy olona iray afaka maneho na aiza na aiza, na aiza na aiza aoamin’ny tantara, hoe taiza nomba nisy olona iray natao batisa aoamin’ny Baiboly, na telonjato taona taorian’ny fahafatesan’ilaympianatra farany, hatrany amin’ny fiangonana Katolika, rahamisy olona iray afaka maneho na aiza na aiza fa nisy olonairay hany nofafazana na natao batisa tamin’ny anaran’ny “Ray,Zanaka, FanahyMasina,” hatrany amin’ny fiangonana Katolika,dia manana andraikitra tanteraka ianareo ho tonga hitenyamiko. Tsy ao izany. Saingy inona no ataontsika?97 Efa nahavita an’Ireo Taonan’Ny Fiangonana isika arynahita hoe taiza no tsy maintsy nanaovan’izy ireo an’izany.Noho izany, hitanareo, mila olona iray izay hankatò AzyAndriamanitra. Raha tsy ao amin’ny Soratra izany, amin’izayfotoana izay dia tsy olona izany…foto-pampianarana iraynataon’olona izany fa tsy Foto-pampianaran’ny Baiboly.Hitanareo? Tsy mampaninona na inona ilay fiangonana,

Page 22: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

22 NY TENY VOAMBARA

efa diso toy ny ahoana ianareo, inona no fahasamihafanaataon’izany? Ilay izy dia hoe ahoana no ahafahanareo homarina ankehitriny! Ny fahasoavan’Andriamanitra no nanehoan’izany taminareo, noho izany dia mandehana ao amin’izany.Ny fahasoavan’Andriamanitra!98 Tsarovy i Mosesy, ihany koa, ilay mpitarika malaza. Tokonyho namono azy Andriamanitra rehefa nandeha teo izy mbahidera ny tenany tamin’ny fikapohana an’io Vatolampy io,ka nanao hoe, “Hitanareo ve izay haiko atao?” amin’ny tenyhafa. “Ianareo mpihodina, tsy maintsy hampivoaka rano hoanareo avy amin’ity Vatolampy ity ve izahay?” Dia nokapohinyIzany fa tsy tonga ny rano; nokapohiny indray Izany. Inona nonataony? Nanambara ny fahalemen’i—i Kristy izy, satria Kristyio Vatolampy io. Izany ilay Vato tendro. Raha tokony hikapokaazy, na hiteny aminy…99 Efa nokapohina indray mandeha Izany. Tsarovy, nitenytamin’i Mosesy Andriamanitra any amin’ny Eksodosy any hoe,“Mandehàna fa hitsangana Aho eo aloha—eo alohanao, eoambonin’ny Vatolampy, ka kapohy ny Vatolampy.” Ary nikapokany Vatolampy izy dia namoaka rano Izany. Hoy Andriamanitrahoe, “Amin’ny manaraka, dia mandehana miteny amin’nyVatolampy dia hamoaka ny Ranony Izany.”100 Fa te-haneho i Mosesy hoe nanana fahefana kely iray izy,hery kely iray, noho izany dia hoy izy hoe, “Hamoaka rano hoanareo avy amin’ity Vatolampy ity aho.” Tokony ho namonoazy Andriamanitra, nohon’ny amin’izany. Tokony nanasarakaazy Andriamanitra, fa nandika ny lalàn’Andriamanitra mihitsyizy teo, satria niteny ny amin’ny fahalemen’i Kristy izy, hoetsy maintsy kapohina fanindroany Izy. Nokapohina indraymandeha fotsiny ihany Kristy. Ankehitriny dia miteny amin’ilayVatolampy isika, ary mamoaka ny Ranony Izany.101 Fa inona izany? Ndao isika hijery an’ilay lehilahy antitra,roapolo amby zato taona izy.102 Nisy olona iray nilaza tamiko vao tsy ela akory izay, nanaohoe, “Andriamanitra dia Andriamanitra tsy marina iray,” hoyizy, “satria nandao an’i Mosesy Izy. Rehefa avy niasa mafyniaraka tamin’ireo Hebreo ireo nandritry ny efapolo taona izytao anatin’io an-efitra tany io, dia nandao azy Izy ary avy eodia tsy namela azy hiditra tao amin’ilay tany nampanantenainamihitsy aza.”103 Hoy aho hoe, “Oh, fahadalana!” Tsia, tsy nandao an’iMosesy Izy. Nandeha tao amin’ilay tany nampanantenaina izy.Teo amin’ny fitonjato taona taty aoriana, dia hita teo an-tampon’ny Tendrombohitra Fiovan-tarehy izy, velona arak’izaynaha-izy azy hatramin’izay, nitsangana, niresaka tamin’i Jesosytalohan’ny Nandehanany nankeny Kalvary, izy sy Elia, niarakanitsangana, niresaka, ihany koa. Niseho teo amin’i Jesosy

Page 23: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

NY HAFATRY NY FAHASOAVANA 23

i Mosesy sy Elia, Petera, Jakoba ary Jaona, teo amin’nyTendrombohitra Fiovan-tarehy. Tsy maty izy. Velona izy. Tsynandao azy Andriamanitra. Tany Palestina izy.104 Jereo ankehitriny, talohan’ny nahafatesany, dia nihanikateo amin’ny Tendrombohitra Nebo izy, tamin’io maraina iorehefa fantany fa handeha izy. Nesoriny ny akanjon’i Arona,nametraka ny akanjony teo amin’ny hafa iray. Nalainy nyakanjony manokana, napetrany teo amin’i Josoa, nandidy azymba hijanona miaraka amin’ireo fitsipika ireo! Ary rehefanihanika teo amin’ny tampon’ny Tendrombohitra Nebo izy,nitety an’ilay lohasahan’ireo lemaka, nahafantatra fa handehahiakatra eo izy mba ho faty, ary nihanika teo amin’nyTendrombohitra Nebo, ary teo ambonin’i Pisga. Ary raha mbolanitsangana teo ambony teo izy, dia hoy Andriamanitra hoe,“Jereo manerana an’ilay tany. Tiako ianao hahita azy. Mosesy,afaka ny ho nandeha nankao ianao. Saingy fantatrao izaynataonao tany teo amin’ilay Vatolampy tamin’io andro io?Nidera ny tenanao ianao.” Heveriko fa izany no ho olanalehibe ho an’ny maro amintsika vahoaka amin’izao androizao. “Mandeha mankeo amin’ilay Vatolampy, nefa midera nytenanao ianao.” Saingy mariho fa rehefa vonona ny ho faty izy,dia nitsangana teo ilay Vatolampy. Tsy maintsy niampita teoambonin’ilay Vatolampy teo Pisgamihitsy izy, dia nandevina azyAndriamanitra. Fa tsy maintsy nitsangana indray izy, tany hoany, satria velona izy. Izy no tandindona iray an’i Kristy. Teoizy, nitsangana teo amin’ny Tendrombohitra Fiovan-tarehy, an-jato taonany maro taty aoriana, tany Palestina. Hitanareo, nyfahasoavan’Andriamanitra no nanomana an’ilay Vatolampy. Oh,oadray!105 Rehefa mieritreritra an’i Abrahama aho, ireo fahadisoanarehetra izay nataony, sy Mosesy ary ny fahadisoany, fa rehefavoasoratra ny filazana an’i Abrahama, rehefa voasoratra ilayfilazana Masina, rehefa nanoratra ny filazana an’i Abrahamai Paoly, dia tsy nilaza zavatra anankiray mikasika ny tsi-finoan’i Abrahama mihitsy izy. Tsia, tsia, tsy nisaina ho azymihitsy aza izany. Hoy izy hoe, “Tsy niahanahana tamin’nyteny fikasan’Andriamanitra tamin’ny tsi-finoana i Abrahama, fanahery izy, nanome dera ho an’Andriamanitra.”106 Ny fivavako manetry tena dia, eo anatrehan’nyfahasoavan’Andriamanitra izay eto izao maraina izao, diamanantena aho fa ny ahy dia voasoratra tahaka an’izany, hoetsy hijery an’ireo fahadisoako Izy. Ka rehefa voasoratra nyfilazana ahy, ny filazam-pahafatesako, dia mba tsy ho voavakyfa nanao fahadisoana aho na nanao ratsy, fa hijery fotsiny ihanyan’ireo zavatra izay niezahako natao ho Azy Izy. Enga anie izyireo ho lasa fotsiny…Inona no manao an’izany? Handray nyfahasoavan’Andriamanitra Izy mba hinoako. Ary eo amin’izanyirery ihany no itokiako. Satria eo amin’ireo fahamendrehako

Page 24: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

24 NY TENY VOAMBARA

manokana dia tsy afaka hiditra mihoatra noho ny sisa aho, fa eoamin’ny fahasoavan’Andriamanitra no iankinako. Eny, izany nofahasoavana izay iankinako.107 Nisy Vatolampy iray teo rehefa vonona ny ho faty iMosesy.108 Inona no azontsika ho lazaina ny amin’i Davida?Ny fahasoavan’Andriamanitra! Io mpiady lehibe io izayAndriamanitra Izy tenany…Hoy Izy hoe, “Izy no olon’ny FokoManokana.” Io mpiady lehibe io, Davida, ahoana no nahafahanynanao karazan-javatra iray tahaka an’izay nataony, naka an’iOria, miaramilany, nefa nanana Jentilisa eran’ny tànana izy teoho miaramila? Henoy tsara ity tantara kely ity vetivety fotsiny.Rehefa nanana an’ireo miaramilany izy ireo tany, dia i Oria noanankiray izay nijanona teo akaikin’i Davida. Proselyta iray iOria, Hetita izy, proselyta iray amin’ny fivavahana Jiosy. Arytia an’i Davida betsaka tokoa ireo lehilahy ireo! Hitan’izy ireofa teo aminy ilay hosotra, na dia izy aza—mpitsoaka iray izy.Voaroaka avy tao amin’ny fireneny manokana izy, tsy maintsyniaina niaraka tamin’ireo Filistina. Nanenjika azy i Saoly.Kanefa ireo lehilahy ireo, hitan’izy ireo ilay hosotra teo aminy!Fantatr’izy ireo fa ho avy amin’ny hery izy. Voninahitra hoan’Andriamanitra!109 Tena faly aho fa mpitsoaka iray androany, satria hitako faho avy Kristy mba ho Mpanjaka. Afaka mifidy an’ireo Kennedyrehetra ianareo na inona koa no tianareo ho fidiana. Fa Kristyno ho Mpanjaka! Eo Aminy ilay Hosotra, eo amin’Ny Hafan’NyFihaviany. Ary ho Mpanjaka Izy!110 Inona no nataon’izy ireo? Indray andro dia nitsangana izytany nangetaheta rano avy tamin’ilay vavahady tao Betlehema,izay niandrasany ny ondry fahiny. Ary mba fantatrareo moa?Nandray sabatra ny roa tamin’ireo lehilahy ireo ka nitsofokanitety olombelona teo amin’ny dimy ambin’ny folo maily, mbahitondra rano iray siny ho azy. Satria, nahoana, ny fanirianykely indrindra dia efa didy iray ho azy ireo. Eritrereto izany!Ary nitsofoka nitety an’ireo lehilahy ireo izy ireo, hatranyamin’ny tampon’ilay tendrombohitra izay nolazain’izy ireo fanitsanganany, teo amin’ny dimy ambin’ny folo maily teo izany.Nitety teo izy ireo. Ary ny lehilahy rehetra izay nitsangana,dia niadivan’izy ireo mandra-pamonon’izy ireo azy. Nandrosonitety! Ary nitondra an’io siny io ka naka rano iray siny, nitetyan’ilay laharan’ny fahavalo mihitsy, lehilahy roa, mba hitondraho an’ny mpanjakany, ny rahalahiny, rano fisotro. Fa, nananarano hosotroina izy tany, saingy io rano io no tiany.111 O Andriamanitra, avelao aho handray an’ilay Sabatry nyTeny ka hitsofoka hitety ny rafi-pandaminana rehetra, mbahitondra ny batisa amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy, sy nyHerin’ny fitsanganana ary ny Fanahy Masina, hiverina amin’nyolona, tsy mampaninona ny…satria ho avy amin’ny hery

Page 25: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

NY HAFATRY NY FAHASOAVANA 25

Izy. Ho avy amin’ny hery Izy, hijoro irery Izy. Fa mitsofokamitety ny rafi-pandaminana rehetra Izany, mitsofoka mitety nyfoto-kevitra rehetra, ny fanekem-pinoana nataon’olona rehetra,mandra-pamerinareo amin’ny Mpamonjy ondry iray izay very,olona iray, mamerina indray amin’ireo Foto-pampianaran’nyBaiboly, hoe Jesosy Kristy no tsy miova omaly, anio, arymandrakizay. Ny fahasoavan’Andriamanitra!112 Jereo i Davida. Ahoana no nahafahany…Anankiray izaynitsambikina tao anatin’ny lavaka iray ka namono liona iray.Ahoana no nahafahan’i Davida naka ny vadin’i Oria, ilayBatseba tsara tarehy, nefa efa nanana dimanjato azy manokanaizy? Fa nahita azy nandro izy. Ary teo no nisy an’ilay tsirambina.Ankehitriny, adinony fotsiny ny nampidina an’ireo fanakonanarehefa nandro izy, nefa fantany fa nanao fitsangatsangananairay teo ilay mpanjaka, nandalo teo, isan’andro, teo amin’iorindrina teo io.113 Izany ilay olana. Tsymihevitra aho fa tenamanao tsirambinaireo vehivavy amin’izao andro izao na tena, eny, mivoakamitanjaka fotsiny mihitsy izy ireo, izay ihany, eny an-dàlambe,manao akanjo kely ratsy. Fahafaham-baraka izany! Nefa avyeo dia manontany hoe nahoana ireo lehilahy no mihoraka symisioka. Nahoana, manao an’izany izy ireo mba hanao azy ireohisioka sy hanao hadalana. Fantatr’izy ireo izany, manana sainatsara hahafantatra an’izany izy ireo. Ataon’izy ireo fotsiny izanysatria tiany ny manao an’izany. Ao anatin’ny fon’izy ireo izany.Teneno izy ireo fa tsy mendrika izy ireo, mety hiady hevitraan’izany izy ireo. Fa mety tsy hoe tsy mendrika izy ireo, mety homadio tahaka ny lisy iray izy ireo, raha resaka ara-pananahana.Saingy, tsarovy, misy fanahy iray eo amin’izy ireo, io hosotry nydevoly io, izaymandefa fanahin-dehilahy sasantsasanymankanyamin’ny helo. Tsarovy, hoy ny Baiboly hoe, “Na iza na iza mijeryvehivavy iray, mba hitsiriritra azy, dia efa nijangajanga taminytao am-pony.” Ary tsarovy, ranabavy, fa hamaly nohon’nyfijangajangana ianareo na dia tsy nanao an’ilay izy tokoa azateo amin’ny fiainanareo rehetra, saingy io mpanota izay nijeryanareo tamin’ny fomba fiakanjonareo io, dia meloka ny amin’nyfijangajangana. Hamaly ianareo amin’ny Andron’ny Fitsarana,nohon’ny fijangajangana. Rehefa tsymaintsy hilaza izy…114 Milaza Izy eto, Izy no nanoratra teo amin’Ny Bokiny hoe,“Nijangajanga.”

“Niaraka tamin’iza?”“Rtoa. John Doe.”“Amin’izay fotoana izay, Rtoa. John Doe, ahoana ny

amin’izany?”115 “Mianiana aho fa izaho…Fantatrao ny fanambarako, tsyniaina niaraka tamin’ny lehilahy hafa iray mihitsy aho afa-tsyny vadiko manokana.”

Page 26: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

26 NY TENY VOAMBARA

116 “Fa nampiakanjo ny tenanao ianao hany ka ianao nonahatonga an’ity lehilahy ity hijangajanga. Ary meloka nyamin’ny fijangajangana niaraka taminy ianao. Tamin’izanyno nanaovany azy. Ianao no diso, ianao no anankiray izaynampiseho ny tenanao.”117 Nanao ratsy tahaka an’i Eva nanao ratsy i Batseba,saingy tafiditra tao anatin’izany i Adama. Heveriko faisika dia mivazavaza isan’andro mikasika an’ireo vehivavy,ihany koa. Ianareo zanakalahin’Andriamanitra, ry lehilahy.Fantatro fa ianareo no andiany matanjaka indrindra, marinaizany, ilay toe-batana mahery kokoa. Ambonin’ny vehivavyianareo, marina izany, noho izany dia mihetseha tahakaan’izany. Aza manararao-pahefana amin’izy ireny, miezakamaka zazavavy kely iray ka mamotika ny fiainany. Faaoka ho zanakalahin’Andriamanitra iray, teneno aminyfa ao amin’ny fahadisoana izy, ka mijoroa tahaka nyzanakalahin’Andriamanitra iray. Anabavinareo izy. Eny,tompoko. Ny ezahantsika hatao, izay mody antsoinahoe zanakalahin’Andriamanitra amin’izao andro izao, diamikambana amin’ny fiangonana, maka ny zazavavy kely rehetraizay azony hivoaka. Tsarovy, satria matoa misy vehivavy iraytsy mendrika dia angamba satria lehilahy manambady iray nonamotika azy, ihany koa. Noho izany, ny vilany tsy afaka hiantsony famanan-drano hoe mainty, noho izany dia tsarovy fotsiny.Ny fahotana no nanao an’izany rehetra izany. Ary fehezin’nyfahafatesana isika rehetra, ary tokony ho faty noho izany.118 Rehefa nanao an’ilay zavatra ratsy i Davida, dia tokonynamono azy ny fitsarany manokana. Rehefa tonga teo iompaminany io, dia nihevitra izy fa voaafina ilay izy. Rehefatonga teo io mpaminany io ka nitsangana teo anatrehany, dia hoyizy hoe, “Davida, mandeha tsara ve ny zavatra rehetra?”

Hoy izy, “Tsara ny zavatra rehetra.”119 Davida, tao anatin’ny akanjony malaza sy nysatroboninahiny goavana, ary nandefa an’i Joaba tany ivelanyizy, ny jeneraliny lehibe, ary nandeha ny ady rehetra. Nanaoan’ireo fahavalo rehetra hiala amin’ireo sisin-tany sy ny sisaizy, nandeha tsara ny zavatra rehetra. Nahazo zazakely iraytamin’io Batseba io izy. Ary nasainy nandeha tany i Oria kelymampalahelo, ka nanao an’i Joaba hitsangana teo akaikiny,mandra-pialany teo aminy. Ary—ary—ary maty ilay zazalahyrehefa nilentika ny masoandro, niaraka tamin’ny antsy fiadianateny an-tànany, rà no teo amin’ny fiarovan-tratrany, teoamin’izay nanohanany an’ny Isiraely, kanefa proselyta irayizy ho amin’ny fivavahan’izy ireo. Avy eo rehefa niverina iJoaba ka niteny taminy fa—fa efa maty i Davida…fa—fa matyOria, dia nieritreritra i Davida hoe, “Mety tsara ny zavatrarehetra ankehitriny. Azoko ny vadiny, ary ho mety tsara nyzavatra rehetra. Manana zazakely iray aho.” Saingy narary

Page 27: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

NY HAFATRY NY FAHASOAVANA 27

ilay zazakely. Nanomboka niha-maty ilay zazakely. Ary nanaony zavatra rehetra izay vitany izy mba hamonjena ny ain’ilayzazakely, angamba tonga ny dokotera rehetra. Tsy tsara. Farany,maty ilay zazakely. Natahotra izy ireo ny hiteny amin’i Davidafa maty ilay zazakely. Fa maty izy. Noho izany dia nihevitra izyfa voaafina ny zavatra rehetra. Noho izany dia nampionona an’iBatseba izy. Efa nalainy ho vadiny izy, ankoatr’ireo vady hafarehetra ireo.120 Ity mpaminany antitra ity, niditra ny lehilahy antitra solaloha, Natana antitra, avy tany an-efitra, nipetraka, nanao hoe,“Davida, manao ahoana ny zavatra rehetra?”121 Hoy izy, “Tsara! Tsara! Ry mpaminanin’Andriamanitraantitra, ho ela velona mandrakizay anie! Haleloia!” Oh, izyfotsiny dia…Nihevitra izy fa tsara ny zavatra rehetra, nihevitraizy fa afaka nanafina an’izany.122 Fa tsy afaka miafina amin’Andriamanitra ianareo!Fantany izay eritreretinareo izao ankehitriny izao. Fantany nyeritreritrareo, satria Andriamanitra Izy. Io Fanahy Masina izayato amin’ny tranobe io izao maraina izao, dia mahafantatra nyeritreritrareo, iza ianareo, avy aiza ianareo, inona no nataonareo,satria JesosyKristy no tsymiova omaly, anio, arymandrakizay.123 Efa nambaran’Andriamanitra tamin’io mpaminany io ilayizy. Hoy izy hoe, “Davida, nisy lehilahy manan-karena irayniaina teto amin’ity làlana ilany ity, nanana ondry betsaka izy,oh, tena nanan-karena izy. Nisy lehilahy iray niaina teto amin’itylàlana ilany ity, izay nahantra, nanana zanak’ondry iray izy.Nentiny toy ny zanakavavy iray izy. Nofahanany tamin’ilaysotro iray ihany izay nihinanany izy. Natory niaraka tamin’ilayzanak’ondry izy. Ny zavatra rehetra fotsiny dia…Tahaka nyzanakavavy iray izy ho azy. Fa indray andro dia tonga ny vahinyiray, noho izany, raha tokony haka ny iray tamin’ny ondrinyilay lehilahy manan-karena ka nanao fanasana iray ho an’ilayvahiny, eny, raha tokony ho izany, dia nandeha izy ka nakany zanak’ondrin’ilay lehilahy mahantra, ary tamin-kery, nakaan’ilay zanak’ondry ka namono azy, ary nanao fanasana iray.”124 Ankehitriny, izany no fanirian’i Davida. Nanana vadydimanjato izy, nefa rehefa nahita ny vadin’i Oria izy, raha tokonyhaka ny iray tamin’ireo vadiny dimanjato, mba hampitony nahahafa-po ny faniriany, dia nandeha izy, naka an’io vadin’nylehilahy hafa io, avy eo dia namono an’i Oria rehefa lasa renyiray izy. Tsy fantatr’i Davida izay nataony, nahoana, efa vononany hanonona ny fitsarana i Davida. Tahaka an’izany isika. Afakamitsara an’ilay olona hafa foana isika, saingy rehefa tongaamintsika ilay izy, oh, dia hafa izany.125 Hoy iDavida hoe, “Handoa amin’ny ainy ilay lehilahy.”126 Io mpaminany antitra io, niha-tery ny masony. Hoy izyhoe, “Davida, azo antoka fa tsy ho faty ianao!” Diniho ny

Page 28: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

28 NY TENY VOAMBARA

fahasoavana nandeha niasa haingana mihitsy teo. Nandonaan’ilay mpaminany ny Fanahy, namonjy ny ain’i Davida.Fahasoavana, “Azo antoka fa tsy ho faty ianao, saingy ilaysabatra dia tsy hiala amin’ny ankohonanao mandra-panadionytanteraka ny fonao. Satria, ianao io lehilahy manan-karena io.”Oh, hafa izany tamin’izay fotoana izay, sa tsy izany?127 Inona no namonjy an’i Davida, rehefa ny fitsaranymanokanano nanao hoe, “Ho faty ilay lehilahy!Handoa hatramin’ny faranyindrindra izy, ary handoa an’izany amin’ny ainy izy”?128 Dia hoy ilay mpaminany hoe, “Azo antoka (ny fahasoavana)fa tsy ho faty ianao. Tsy ho faty ianao, ry Davida. Nyfahasoavana no namonjy anao.” Ny fahasoavana, teo amin’iDavida, no namonjy azy. Oh, oadray!129 Raha tsy nohon’ny fahasoavana, dia ho taiza isika rehetra?Marina ve izany? Izany tokoa.130 Ny fahasoavana masi-mandidy dia avy amin’ny Anankiraymasi-mandidy. Fahasoavana masi-mandidy avy amin’nyAnankiray masi-mandidy. Masi-mandidy, inona no azon’izanyhatao? Masi-mandidy dia afaka manao an’izay rehetra tianyhatao. Henoy ity ankehitriny. Ny fahasoavana masi-mandidydia azo omena avy amin’ny Anankiray izay Masi-mandidyfotsiny ihany. Ary Andriamanitra no Masi-mandidy, nohoizany dia afaka manome fahasoavana masi-mandidy Izy. Nohoizany satria Masi-mandidy, dia tsy mila hanontany olona irayny fahasoavana, tsy mila izy. Manao izay tiany atao izy. Tsymahafinaritra ve izany? Tsy mila manontany izy hoe, “Afakamanao an’ity ve aho? Na, hanao an’ity ve aho? Afaka ve aho? Tsymaintsy ve aho? Hanao ve aho?” Tsy manao an’izany izy. Manaoan’ilay izy irery izy. Masi-mandidy ny fahasoavana, noho izanydia afaka mamonjy an’ilay ratsy fanahy indrindra Izy, afakamamonjy an’ilay ratsy indrindra Izy, afaka mamonjy an’ilay tsymadio indrindra Izy, afaka mamonjy an’ilay ratsy fitondran-tena indrindra Izy, afaka manasitrana an’ilay marary indrindraIzy. Haleloia!131 Afaka mamonjy mahantra iray tahaka ahy Izy. AryNataony izany. Inona izany? Fahasoavana! William Branham,zanakalahin’ny mamolava iray. Tsy manao fahasamihafanaizany, ny fahasoavan’Andriamanitra no namonjy ahy!132 “Izaho, zanakavavin’ny vehivavy iray izay tsy tsara aho.”Tsy manao fahasamihafana izany, ny fahasoavan’Andriamanitrano namonjy anareo. Masi-mandidy izany, tsy mila manontanyamin’ny olona na inona na inona. Amena! Tena faly aho nyamin’izany. Haleloia!133 Afaka maka an’ilay mpanota ratsy fanahy indrindra izy arymanao azy ho fotsy toy ny oram-panala, tsy mila manontanyolona iray mikasika an’izany. Oh, afaka manao an’izany IzysatriaMasi-mandidy Izy. Henoy, hainganamihitsy ankehitriny.

Page 29: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

NY HAFATRY NY FAHASOAVANA 29

134 Voaporofo teo amin’ny hazo fijaliana izany, rehefa teo ilaympangalatra ratsy fanahy indrindra, mendrika ny ho faty izy.Tsy tonga tao an-tsainymihitsy Andriamanitra. Tsy nieritreritrana inona na inona ny amin’Izany mihitsy izy. Teo amin’ny hazofijaliana teo rehefa, tamin’ny alàlan’ireo molotra nandeha rà,teo anelanelan’ireo toloko no tonga ny feo iray hoe, “Tompo,mamindrà fo amiko!”

135 Ary teo no tonga ny Anankiray hafa tamin’ny alàlan’ny Rà,ranomaso, fangirifiriana, nihazona ny fahasoavana ka nanaohoe, “Anio no hiarahanao Amiko any Paradisa.” Ny fahasoavanano nanao an’izany. Ahoana no nahafahan’io mpangalatra ionamonjy ny tenany? Toy izany koa no tsy nahafahan’i Adamanamonjy ny tenany, toy izany koa no tsy nahafahan’i Evanamonjy ny tenany, toy izany koa no tsy ahafahanareo mamonjyny tenanareo, toy izany koa no tsy ahafahako mamonjy nytenako, toy izany koa no tsy ahafahantsika manipy ny tenantsikamiakatra any amin’ilay Milky White Way miaraka amin’ireotadin-kirarontsika. Tsy afaka manao an’izany isika. Fa nyfahasoavan’Andriamanitra dia afaka manao zavatra mikasikaan’izany, ary ataony izany! Ny fahasoavan’Andriamanitra, ilaymaha-masi-mandidin’ny fahasoavan’Andriamanitra, no tongateo amin’io mpangalatra teo am-pahafatesana io hoe, “Aniono hiarahanao Amiko any Paradisa.” Oh, eritrereto izany!Mahafinaritra izany.

136 Eritrereto izany: Ny fitiavana sy ny fahasoavana diampirahavavy, kambana mirahavavy. Tsy afaka manana nyfahasoavana ianareo raha tsy manana fitiavana. Kambanamirahavavy izy ireo. Marina tokoa. Alohan’ny ahafahanareohanana fahasoavana, dia tsy maintsy manana fitiavana ianareo.Alohan’ny ahafahanareo maneho fitia amin’ny olona iray tokoa,dia tianareo izy ireo; marina na diso, dia tsy maintsy tianareoizy ireo, na ahoana na ahoana, fa raha tsy izany dia tsy afakaianareo. Hitanareo? Noho izany ny fitiavana sy ny fahasoavanadia zavatra iray ihany. Kambana mirahavavy fotsiny izy ireo,izay ihany, ny fitiavana sy ny fahasoavana. Izy ireo, isikadia…Tsy afaka mahita an’ilay anankiray isika raha tsy mahitaan’ilay iray hafa. “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izaotontolo izao, nomeny Ny Zanany lahitokana,” Nararany nyFahasoavany, ary nitondra an’izany tao am-pontsika tamin’nyalàlan’ny FanahyMasina. Hitanareo? Tsy misy na inona na inonaazonareo atao raha tsy mampiasa an’ilay anankiray miarakaamin’ilay hafa. Fahasoavana, ny fahasoavan’Andriamanitra nomamonjy antsika.

137 Ankehitriny dia hitantsika, io fahasoavana io, teo tahakaan’ilay mpangalatra teo am-pahafatesana, tsy mahagaga rahananindrimandry an’ireo poety izany rehefa nahita an’izany izyireo. Hoy ny poety iray hoe:

Page 30: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

30 NY TENY VOAMBARA

Ilay mpangalatra teo am-pahafatesana dia nifalymba hahita

An’ilay loharano tamin’ny androny;Eo aho no tokony, na dia ratsy aza izy,Hanasa an’ireo otako rehetra.Isaky ny mahita an’io ony io amin’ny finoana ahoNy fikarakaranao ny ratran’ny fanonjana,Fitiavana mahavotra no lohahevitro,Ary ho izany mandra-pahafatiko.Avy eo ao amin’ny hira iray ambony kokoa, mamykokoa,

No hiràko ny Herinao mamonjy,Rehefa ity lela mahantra miahotrahotra,miambakambaka ity

No hitoetra mangina ao am-pasana.Fahasoavana, fahasoavana mahagaga! Haleloia! Ny

anankiray nanoratra an’izany hoe:Oh, ny fitiavan’Andriamanitra, manan-karena symadio toy ny ahoana!

Tsy voarefy sy mahery toy ny ahoana!Haharitra mandrakizay izany,Hiran’ireo olo-masina sy anjely.Raha fenointsika ranomainty ny ranomasimbe,Ka lasa horonan-taratasy ireo lanitra;Ary ny taho rehetra eto an-tany ho penina,Ary ny olona rehetra ho mpanora-dalàna amin’nyasany;

Ny manoratra ny fitiavan’Andriamanitra anyambony

Dia hanao ny ranomasimbe ho maina;Na tsy mety ho antonona ny manontolo ilayhoronana,

Na dia hitarina manerana ny lanitra aza.138 Izany ilay izy, ny fahasoavana, nyfahasoavan’Andriamanitra. Ny fahasoavan’Andriamanitrano namoaka aloka iray…Andriamanitra no nampiditra nyfahasoavana tao amin’ny fiainantsika nohon’ny Fitiavanyantsika. Ity no zavatra hafa iray izay tsy azon’ny fahasoavanaatao; tsy azo vidiana ny fahasoavana, tsy azo amidy nyfahasoavana. Fahasoavana izany! Avy amin’ny Anankiraymasi-mandidy izany. Eny, tompoko. Tsy afaka miady varotraan’izany ianareo. Afaka milaza ianareo hoe, “Andriamanitra,izaho dia hanao an’izao-sy-izao raha hanao an’izao-sy-izaoIanao.” Tsy afaka manao an’izany ianareo. Tsy hanao an’izanyAndriamanitra. Tsy afaka misintona na inona na inona avyamin’Andriamanitra ianareo. Andriamanitra dia manomean’izany ho anareo nohon’ny Fahasoavany. Oh, oh, oh, oadray!

Page 31: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

NY HAFATRY NY FAHASOAVANA 31

139 “Tsy izay maniry na izay mihazakazaka, fa Andriamanitraizay maneho famindrampo.” Marina izany.140 Mandry amin’ny tavany ny olona. Ary nanatona ahy nylehilahy sasantsasany…Mino aho fa mahita ny iray amin’ireotovolahy ery aoriana ato amin’ny tranobe androany. Tongafotsiny ny tovolahy Metodista iray, ary nandray ny FanahyMasina, avy tany…Ary nanatona ahy ireo tovolahy ireo, nanaohoe, “Ankehitriny, Rahalahy Branham, ankehitriny dia efavoavonjy izahay ary nandray ny Fanahy Masina, handeha hitadyan’ireo fanomezam-pahasoavana ve izahay?”

Hoy aho hoe, “Azamanao an’izany. Azamanao an’izany.”141 Andriamanitra dia manome an’ireo Fanomezam-pahasoavany amin’ny fahamasi-mandidy. Ny fanomezam-pahasoavana sy ny antso dia tsy misy anenenana. Ny zavatravoalohany fantatrareo, raha mandeha mitady zavatra irayianareo hoe, “Andriamanitra, Ataovinao mpitory teny irayfotsiny aho, Ataovinao ho ahy fotsiny ity,” dia ho inona ianareo?Mpihambohambo goavana iray, izay ihany. Handeha ho anyamin’ny teolojian’olona iray ianareo ary rafi-pandaminanairay, ka hanao ny tenanareo ho andry any ary lò. AvelaoAndriamanitra no hanao an’ilay fiantsoana. Hiantso anareoAndriamanitra, hanamasina anareo Andriamanitra, hanomeanareo an’izay Hilainy homena anareo Andriamanitra. Eny,tompoko.142 Tsy afaka miady varotra ny fahasoavana ianareo. Tsia,tompoko. Ianareo, tsy afaka mivarotra, tsy azo iadiam-barotra izany, tsy azo vidiana koa izany, tsy azo hatakalo.Tsy afaka milaza ianareo hoe, “Eny, ankehitriny, Tompo,hikambana amin’ity fiangonana Batista goavana be ity aho,na ity fiangonana Metodista goavana ity, na ity fiangonanaPentekotista goavana ity, na ity fiangonana Nazareana ity.Hanao an’ity aho raha hanao an’ity ho ahy fotsiny Ianao.” Tsyazo iadiam-barotra izany. Tsia, tompoko.143 “Izay rehetra nomen’ny Ray Ahy no hanatona Ahy. Tsy misyolona afakamanatona raha tsyNyRaiko nomiantso azy aloha.”144 Lasa mambram-piangonana iray an’io fiangonana goavanaio fotsiny ianareo, izay ihany, tsy ho voavonjy ianareo. Nyfahasoavana no tsy maintsy mamonjy anareo. Tsy mitoetra ireotalentantsika, ary ireo talentantsika dia tsy afaka ny ho—ho…Ireo talentantsika izay ananantsika, tsy afaka ho mendrikahandray fahasoavana amin’ny alàlan’ireo talenta isika.145 Raha nanao ahy ho mpitory teny iray Andriamanitra, tsyizany no maneho fa efa niaraka tamiko ny Fahasoavany. Tsia,tsia. Ny Fahasoavany irery ihany no namonjy ahy. Tsy hoe satriamitory ny Filazantsara aho, dia voavonjy aho. Tsy hoe satriamiteny amin’ny fiteny tsy fantatra ianareo, dia voavonjy ianareo.Oh, tsia. Tsy hoe satria ianareo, satria mitory teny ianareo.

Page 32: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

32 NY TENY VOAMBARA

Tsy voavonjy akory aza ianareo satria fotsiny hoe mitory tenyianareo. Ianareo dia—ianareo dia tsy voavonjy satria hoe mitenyamin’ny fiteny tsy fantatra ianareo. Tsy voavonjy ianareo satriahoe manao ny iray amin’ireo zavatra ireo ianareo. KorintianaVoalohany 13 no manaporofo an’izany hoe, “Na dia mitenyamin’ny fitenin’olona sy ny Anjely aza aho, na dia mahazo nyzava-miafin’Andriamanitra rehetra aza aho (mpitory teny iray),na dia manao an’ity rehetra ity aza aho, ary manana finoanahamindra tendrombohitra, dia tsinontsinona aho raha tsy tongany fiantrana, dia ny fitiavana.” Ny fitiavana dia fahasoavana. Nyfahasoavan’Andriamanitra nomanao ny rehetra.146 Ireo olona sasany, manana talenta tahaka ny sasanyamin’ireo mpanjakan’ny rock-and-roll ianareo. Mankarary ahyfotsiny izany ao amin’ny, tsy fantatro, ny vavoniko ara-panahy.Hiteny aminareo aho, rehefa mandre an’ireo rock-and-roll ireoaho mitsangana ny Sabotsy hariva ary mihira rock-and-roll, arymandihy ny alina manontolo, nefa avy eo ny ampitso marainadia tonga eo anatrehan’ny mpanatrika sy ny sisa tahaka an’izanymiezaka manao karemy lava, ary mitsangana eo anatrehan’nyolona ka mihira hira fiderana iray, dia mihevitra fa handehaho any An-danitra izy ireo. Afaka miantso anarana maroaho, saingy tsy tokony hiantso aho. Handeha hatraiza hatraizaity horonam-peo ity. Fa ianareo rehetra dia mahafantatra.Zazalahy iray teto vao tsy ela akory izay, tao Hollywood,dia tsy nanoroka zazavavy iray satria izany dia nanohitra ny“fivavahany.” Nanohitra ny “fivavahany,” ary naka sarin’nyrock-and-roll sy ny sisa izay fahafaham-baraka tanteraka, syireo zavatra tahaka—tahaka an’izany. Mihevitra ve ianareo famaka ny volafotsymadinika telopolo-nareo ianareo kamendrikazavatra iray ao amin’ny fahasoavan’Andriamanitra, Jodasy? Tsyhividy afa-tsy toerana iray ao amin’ny helo ho anareo izany!147 Tsy azo iadiam-barotra ny fahasoavan’Andriamanitra, nakoa ho…afaka hanehoana talenta ao anatiny. Fahasoavanamasi-mandidy izany! “Tsy misy na inona na inona entikoeo an-tsandriko, eo amin’ny Hazo fijalianao fotsiny ihany noifikirako.” Nitanjaka, noratraina, manatona arak’izay maha-izyahy fotsiny aho.

Arak’izay maha-izy ahy fotsiny, tsy misyfiangaviana iray,

Afa-tsy Ny Rànao izay nalatsaka ho ahy,Ary Ianao no manasa ahy hanatona Anao,O ry Zanak’ondrin’Andriamanitra, inty aho!

148 Izay ihany, ny fahasoavana no nitondra ahy. Ny fahasoavanano nanao an’izany. Ny fahasoavana dia tahaka ny, zavatra irayhafa izay tiako ho lazaina, indraindray ny fahasoavana dia…149 Ireo fiangonana goavana ireo, mihevitra izy ireo fa afakamankany ianareo, mihevitra izy ireo hoe, “Eny, nanorina an’ilay

Page 33: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

NY HAFATRY NY FAHASOAVANA 33

fiangonana goavana indrindra eto amin’ny tanàna izahay.Manana an’ireo fikambanan’ny ramatoa manampy olona izahayeto izay manao an’ireo mahantra…akanjo ho an’ny mahantra,arymandefa an’izany any am-pitan-dranomasina.Mamahana nymahantra izahay. Manao an’ity rehetra ity izahay.”

Hoy i Paoly hoe, “Afaka manao an’ilay zavatra iray ihanyaho, fa tsinontsinona.”150 Hoy izy ireo hoe, “Eny, izahay, izahay dia rafi-pandaminanatranainy iray. Efa teto izahay nandritry ny roa arivo taona.Dimanjato taona izahay. John Wesley, Alexander Campbell,ary ireo mpanorina malaza tany aoriana tany ireo, izy ireo nonanorina ny fiangonanay. Haleloia!”151 Eny, Jesosy Kristy no nanorina an’io Fiangonana io, nybatisan’ny Fanahy Masina, ary niteny tamin’izy ireo mbahandeha hankany amin’ny Pentekosta ary hiandry mandra-pandraisan’izy ireo ny Hery avy any amin’ny Avo.152 Ary mbola afaka mikambana amin’ny fiangonanaPentekotista foana ianareo nefa very. Ny fiangonanaPentekotista dia tsy mihoatra noho ny fiangonana hafa rehetra.Marina izany.153 Ny zavatra amin’ilay izy dia, Fiangonana anankiray ihanyno misy, izany dia ilay Fiangonana izay nahaterahanareotao amin’ny batisan’ny Fanahy Masina, “Fa tamin’ny Fanahyiray no nanaovana batisa antsika rehetra tao amin’ny Vatanairay,” Korintiana Voalohany 12:13, marina izany, Voalohany—Korintiana Voalohany 12. Ankehitriny, dia natao batisa taoamin’izany Fiangonana izany isika.154 Saingy ny olona dia mihevitra fa afaka mendrika an’izanyizy ireo. “Nahoana, izahay, izaho—nandeha tany an-tsekoly ahoka nianatra hanao an’ity, ary nandeha tany amin’ireo semineraaho ary nanao…” Tsy midika zavatra iray izany. Tsy afakamividy ny fahasoavan’Andriamanitra ianareo.155 Ny fahasoavan’Andriamanitra dia tahaka an’izao. Mamelàahy hiteny tantara iray aminareo, eo am-pamaranana. Nyfahasoavan’Andriamanitra dia tahaka an’izao. Indray mandehadia nisy mpanjaka mahery iray, ary ity mpanjaka mahery ity diananana zanakalahy iray ary izany no zananilahy tokana. Aryindray andro dia namono an’io zazalahy io ny mpamono olonairay. Ary nandeha nanerana an’io fanjakana io ireo solontenahanenjika an’io mpamono olona io. Farany dia hitan’izy ireo iompamono olona io. Ary rehefa hitan’izy ireo izy, dia nentin’izyireo niverina ary nogadrainy izy. Ary rehefa nataon’izy ireoizany, dia voalamina ny raharaham-pitsarana ary nivoakany didim-pitsarana. Oh, zavatra mampahatahotra iray izany.Namono ny zanakalahin’ny mpanjaka izy, ary fantany izayhanjo azy.

Page 34: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

34 NY TENY VOAMBARA

156 Napetrak’izy ireo tao amin’ireo efitra anatiny indrindraizy, nohidian’izy ireo ny varavarana, nasian’izy ireo kadanàteo amin’izany mba tsy hisy olona…ireo mpiambina nonanodidina an’izany, satria fantatsika hoe karazana fanasazianamahatsiravina toy ny inona no ho azon’io zazalahy io, satrianamono ny zanakalahin’ny mpanjaka izy, ilay an’ny mpanjaka,zanakalahin’nympanjaka.Napetraka nanodidina ny varavaranarehetra ireo mpiambina. Napetraka tao anatin’ny efitra anatinyindrindra izy. Nampitanjahana, tsy nisy afa-tsy ny—ny sikinairay no nanaovany. Ary teo izy, nipetraka teo tao amin’izanytoerana izany. Maty noana, tsy nanome azy na inona na inona hohanina. Nipetraka tao amin’izany toerana izany izy.157 Avy eo dia nentin’izy ireo teo amin’ny raharaham-pitsaranairay izy. Hita fa meloka izy ary voaporofo fa meloka. Nivoakany sazy, fa hovonoina eo ambanin’ny fanasaziana mahatsiravinalehibe izy, tsy maintsy hovonoina isaky ny inches izy mandra-pahalasan’ny ainy mety maty. Voasazin’ny mpitsara, fa tsymaintsy maty izy. Dia niangavy sy nitomany izy, ka hoy izyhoe, “Na dia meloka aza aho, na dia meloka aza aho, diamanenina aho fa nanao an’izany. Maniry aho ny tsy hanaoan’izany intsony. Manenina aho fa nanao an’izany. Tao anatin’nyfotoana iray, tao anatin’ny haromotan’ny fahatezerana iray, nonanaovako an’izany. Tsy fanahy iniako ny nanao an’ilay izytahaka an’izany.”158 Indray andro dia nandeha teo amin’ilay toerana nympanjaka, mba hitsidika an’ilay zazalahy, mba hiteny aminy,hiresaka aminy ary hiteny aminy mikasika ny namonoana nyzananilahy manokana, ilay zanakalahy tokana izay nananany.Izy no namono an’io zazalahy io. Hoy izy hoe, “Handeha any ahohiresaka aminy.”159 Ary rehefa nandeha tany izy, dia nijery tao amin’io tranom-borona io izy, mitovy amin’ny tranom-biby iray. Hitany nyvatany mahia kely nipetraka teo amin’ny zorony iray, nitomany.Nilentika tanteraka ny tarehiny, ny valanoranony nilentika anyaoriana, ny masony nivadika, ny zavatra rehetra dia teo amin’nymasony avokoa, ary maina tanteraka ny vavany; tsy nisy rano,nangetaheta. Nandry niankohoka teo ny tarehiny, nitomany.Hoy ilay mpanjaka hoe, “Mitsangàna.” Nanatona azy izy, arynijery azy. Hoy izy hoe, “Nahoana no novonoinao ny zanakolahy?Inona no nataon’ny zanakolahy anao? Inona no nataony mbaho mendrika fahafatesana iray tahaka ny namonoanao azy,nanindrona azy ho faty tamin’ny lefona iray?”160 Hoy izy hoe, “Tsy misy na inona na inona, tompoko,tsy misy zavatra iray. Ny tsi-firaharahiako manokana fotsiny,ireo fanaoko manokana fotsiny. Novonoiko izy satria nialonaazy aho, ary tafiditra tao anatin’ny fihetsi-pahatezerana ahoka namono azy.” Hoy izy, “Ankehitriny tsy maintsy ho fatyeo ambanin’ny fitsaranao aho, tompoko. Fantatro izany ary

Page 35: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

NY HAFATRY NY FAHASOAVANA 35

mendrika an’izany aho. Ny zavatra tokana itomaniako, diamanenina fotsiny aho fa namono an’io lehilahy an’ny mpanjakaio tahaka an’izany, tsy misy antony iray.”161 Nihodina tamin’ny voditongony ilay mpanjaka ary nivoaka,nandeha teo amin’ilay birao, ka nanao hoe, “Poteho ireofiraiketana rehetra!” Fantatrareo, ataovy any anatin’nyranomasin’ny fanadinoina izy ireo. “Poteho ireo firaiketanarehetra! Sasao izy, diovy izy. Handefa akanjo iray ho azy aho.”162 Afaka kelikely, tonga teo am-baravarana ny fiara tsaratarehy goavana be iray. Rehefa tonga izy, dia nisy karipetra iraynovelarina tao amin’ilay efitry ny fonja. Nitsangana teo amin’nyfaran’ilay fiara tsara tarehy ilay mpanjaka, nanao hoe, “Avia, ryzanako, ary ndao ho any an-trano miaraka amiko any amin’nylapa,” nametraka an’ilay akanjon’ny mpanjaka nanodidina nysorony. Hoy izy hoe, “Manomboka izao dia zanako ianao.”163 Satria nanana fitserana izy, izany no fahasoavana. Izanyaho, izany ianareo. Namono ny Zanak’Andriamanitra isika,tamin’ireo fahotantsika. Vahiny isika, maloto, feno loto,nandry tao amin’ny efitra kelin’izao tontolo izao. Nanasaantsika tamin’ny Ràn’Ny Zanany Manokana Andriamanitra,ary nanadio antsika, nametraka an’ilay akanjon’ny FanahyMasina. Ary ankehitriny dia hiverina eo amin’ny varavaranailay kalesin’Andriamanitra indray andro any, ka handeha anyan-trano hiaina miaraka Aminy isika. Potika ireo firaiketanarehetra, tsy afaka hotsaraina intsony isika; nodorana tanterakaizy ireo, Izy no nametraka azy ireo tao anatin’ny ranomasin’nyfanadinoina ary tsy mahatsiaro ny amin’izany intsony. Tsymahagaga raha afaka mihira isika!

Fahasoavana mahagaga! tena mamy ilay feo,Izay namonjy mahantra iray tahaka ahy!Very aho fahiny, fa hita aho ankehitriny,Ary jamba aho, fa mahita aho ankehitriny.Fahasoavana no nampianatra ny foko hatahotra,Fahasoavana no nanaisotra ny tahotro;Tena sarobidy ny nisehoan’io fahasoavana ioTamin’ny ora vao ninoako voalohany!

164 Tsy hamela an’ity ho oranareo ve ianareo izao ankehitrinyizao, ry sakaiza mpanota, raha manondrika ny lohantsikavetivety fotsiny isika ho an’ny tonom-bavaka iray? Aoka ityno ho ora izay ninoanareo voalohany, izao ankehitriny izao.Tapaho ny hevitrareo, ka manaova hoe, “Tompo Andriamanitra,meloka aho. Fantatro fa mila fahasoavana ny hamonjena ahy.Tsy afaka mamonjy ny tenako aho. Very aho. Vita ny amiko.Tsy afaka manao zavatra iray mihitsy aho. Izaho—izaho—tsyafa-manoatra tanteraka aho, tsy manana fanantenana, tsy misyan’Andriamanitra, tsy misy famindrampo, tsy misy an’i Kristy,eto amin’izao tontolo izao, mivahiny. Tsy hamindra fo ve Ianao

Page 36: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

36 NY TENY VOAMBARA

ka hamoaka ahy amin’ity efitra kelin’ny fahotana izay misyahy androany ity, O Tompo? Ary mamindrà fo amiko, mpanotairay.” Hanangana ny tànanareo ve ianareo, hanao hoe, “TompoAndriamanitra, izaho io olona izay mila ny Fahasoavanao io”?Hanangana ny tànanareo ve ianareo, hanao hoe, “Mivavaha hoahy, Rahalahy Branham, hino aho ankehitriny”? Andriamanitrahitahy anao iry aoriana iry, ry rahalahiko.165 Olon-kafa iray hanao hoe, “Rahalahy Branham, tsarovyaho ankehitriny, oh, rahalahy, azafady tsarovy aho, ao amin’nyvavaka.” Andriamanitra hitahy anao, ramatoa. “Mivavahamba…” Andriamanitra hitahy anao, rahalahy. Andriamanitrahitahy anao, ranabavy. Andriamanitra hitahy anao, rahalahy,etsy amin’ny varavarankely etsy. Andriamanitra hitahy anao,rahalahy, iry aoriana iry. Andriamanitra hitahy anao, rahalahy,ity eto ity, ilay iray hafa. “Tsarovy aho, Rahalahy Branham.”Andriamanitra hitahy ny rahalahiko etsy. Eny, ilay iray hafaeto. Andriamanitra hitahy anao, ranabavy. Andriamanitrahitahy anao eto, rahalahy. Izy dia mahita anao ankehitriny.Tena tsory izany. Andriamanitra hitahy anao, ry lehilahytanora. Izy dia mahita, mahafantatra. Andriamanitra hitahyanao, rahalahy. Andriamanitra hitahy anao, ranabavy miankinaamin’ny rindrina. Andriamanitra hitahy anao eto ambanyeto, rahalahy. Andriamanitra hitahy anao, rahalahy miankinaamin’ny rindrina.

Arak’izay maha-izy ahy fotsiny, tsy misy…Hisy iray hafa ve? Andriamanitra hitahy anao. Hitako ny

tànanao ery aoriana ery.Afa-tsy Ny Rànao nalatsaka ho ahy,

Eny, Tompo. Andriamanitra hitahy anao, ranabavy.Ary dia…(Andriamanitra hitahy anao,ranabavy.)…Ianao no manasa ahyhanatona…(Andriamanitra hitahy anao, iryaoriana iry…?…)…Ianao,

Fahasoavana, fahasoavana, izaho…(Andriamanitra hitahy anao, ramatoatanora.)…Inty aho!

Arak’izay maha-izy ahy fotsiny, ary tsy miandryNy hanesorana tasymainty iray amin’ny fanahiko,Ho Anao, Izay ny Rà no afaka manadio ny pentinarehetra,

O ry Zanak’ondrin’ny…(fahasoavana, oh,fahasoavana) Inty aho! Inty aho!

166 Ankehitriny, dia nisy teo amin’ny tànana dimy ambin’nyfolo na roapolo no nitsangana. Ankehitriny miaraka amin’nylohanareo miondrika, dia hangataka anareo izay nanangana nytànanareo aho, mba hitsangana moramora fotsiny ankehitrinyraha manolotra vavaka ho anareo aho. Tsy manana efitra eto

Page 37: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

NY HAFATRY NY FAHASOAVANA 37

amin’ny alitara eto isika. Ilay izy fotsiny dia, tsy afaka aho.Mitsangàna ianareo, ny tsirairay avy izay nanangana ny tànany,izay te-hivavahana ankehitriny. Mitsangàna izao ankehitrinyizao raha manolotra vavaka aho. Mitsangàna fotsiny, hatraizahatraiza.

…nalatsaka ho ahy,Ary dia…

Tsara izany, Andriamanitra hitahy anao…?……ahy hanatona Anao,O ry Zanak’ondrin’Andriamanitra, inty aho!

167 Tsarovy, mety hisy andro iray izay tsy hanasan’nyfahasoavana intsony, tsy hitosahany ho anareo intsony, ho taraloatra amin’izany. Ankehitriny dia tsy tara loatra izany.168 O Andriamanitra, ilay Rain’i Jesosy Kristy Tomponay, Izaynitondra indray ny Mpamonjinay avy tamin’ny maty, velonaankehitriny, Izy Izay faratampony any amin’ny Voninahitra,nandefa ny Fanahy Masin’i Kristy eo aminay, mba hitondrafaharesen-dahatra eo amin’ilay mpanota. Andriamanitra,mivavaka ho an’ireto olona izay mitsangana ireto aho.Izany no fahamarinana, Tompo. Hoy Ianao hoe, “Izay hijorovavolombelona ho Ahy eo anatrehan’ny olona, dia Izaho nohijoro vavolombelona ho azy eo anatrehan’Ny Raiko sy ireoAnjely masina.” Fantatray, rehefa mitsangana eo amin’iomarain’ny fitsarana lehibe io izahay, dia ho fotoana iray toyny inona izany. Mitsangana izy ireo ankehitriny, Tompo, mbahandehanan’ny fahotany hialoha azy ireo; ny fahotan’ny olonasasany manaraka. Mitsangana eto ireto olona ireto izao marainaizao satria miaiky ny fahotany izy ireo, mahafantatra fa nanaoratsy izy ireo ka mila Anao ho Mpamonjiny. Ianao no mandinikany voa sy ny fo, ary Ianao no mahafantatra ny rehetra mikasikaazy ireo.169 Mivavaka aho, Ray, mba Hanekenao ny fangatahan’izyireo. Vonjeo izy ireo. Izy ireo no amboaran’ilay Hafatrakely izao maraina izao, an’ny fahasoavan’Andriamanitra; tsymampaninona izay nataonay, mbola midina foana izany kamandray anay. Ekeo izany, Tompo. Ekeo ny fahasoavana hoan’ny fon’izy ireo. Enga anie izy ireo hahita foana an’i Jesosy hoMpamonjiny. Efa nanao an’ilay hetsika izy ireo. Niteny tamin’izyireo ny FanahyMasinamba hitsangana, dia nataon’izy ireo izany.Ny Fanahy Masina no niteny tamin’izy ireo mba hitsangana. Aryizy ireo, tao amin’ny fankatoavana ny Fanahy, dia nitsangana.170 Ankehitriny, Tompo, mihazona Ny Teninao Ianao. Hoy Ianaohoe, “Tsy misy olona afaka manatona Ahy raha tsy Ny Raikono mitarika azy aloha. Ary izay rehetra nomen’ny Ray Ahy,no hanatona Ahy. Izay hanatona Ahy, dia tsy ho Lavikomihitsy. Izay mandre Ny Teniko ka mino Izay naniraka Ahy,no manana Fiainana mandrakizay, ary tsy ho tonga amin’ny

Page 38: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

38 NY TENY VOAMBARA

fitsarana mihitsy fa efa tafafindra avy amin’ny fahafatesana hoamin’ny Fiainana.” Noho izany, Tompo, eo amin’ny fototr’ireoSoratra ireo, izy ireo dia Ireo Teninao Manokana, Tompo, izaynovakianay tao amin’nyMasindahy Jaona 5:24 hoe, “Izay handreNy Teniko ka mino Izay naniraka Ahy, no manana!” Nahoana?Satria efa nino izy, dia namangy azy ny fahasoavana. “Efa tongaeo amin’ny Fiainana mandrakizay, ka tsy ho tonga amin’nyfitsarana (handeha alohan’ny fitsarana izy), ary tsy ho tongaamin’ny fitsarana fa efa tafafindra avy amin’ny fahafatesanaho amin’ny Fiainana.” O Andriamanitra, toy ny ahoana noisaoranay Anao ny amin’izany!

171 Mivavaka izahay ankehitriny mba Hitehirizanao azy ireoamin’ny fiainana. Enga anie izy ireo, ny tsirairay avy, hataobatisa, miantso ny Anaran’ny Tompo, manasa ny fahotan’izyireo. Ekeo izany, Tompo.

172 Ankehitriny dia atolotro Anao izy ireo, amin’ny maha-Mpanomponao, mino fa ilay Anjelin’Andriamanitra lehibe Izayniseho tany. Ary, Ray, Ianao no mahafantatra an’io tantararehetra io, ary ilay Anjely lehibe izay niseho tany ny Zomamaraina, tamin’ny mangiran-dratsy maizimaizina mihitsy, kaniteny an’ireo Teny ireo, tao amin’ny endrika avana telo avy tanyamin’ny tampon’ilay tendrombohitra. Tompo Andriamanitra,aoka io Andriamanitra Izay niseho tamiko tany tao anatin’nyavana io, aoka Izy hamonjy an’ity vahoaka ity, amin’nyFahasoavany, izao ankehitriny izao. Omeko Anao izy ireo,ao amin’ny fanantenana fa hihazona Ny Teninao Ianao, aryhihazona Ianao, ka hihaona amin’izy ireo aho amin’ilay androlehibe, tsy misy pentina iray na fikentronana ao amin’nyfanahin’izy ireo. Ekeo izany. Amin’ny Anaran’i Jesosy, omekoAnao izy ireo. Amena.

173 Andriamanitra hitahy anareo. Ankehitriny raha mipetrakaianareo, na iza na iza no mipetraka eo akaikin’ireo olona izayKristiana ireo, dia raiso ny tànan’izy ireo. Teneno izy ireo, asaoizy ireo ho aty am-piangonana, sy inona koa, mba ahafahan’izyireo ho…Oh, tsy mahafinaritra ve Izy?

Fahasoavana mahagaga! tena mamy ilay feo,Izay namonjy mahantra iray tahaka ahy!Very aho fahiny, fa hita aho ankehitriny,Jamba aho, fa mahita aho ankehitriny.

Fahasoavana no nampianatra ny foko hatahotra,Ary ny fahasoavana no nanaisotra ny tahotro;Tena sarobidy ny nisehoan’io fahasoavana ioTamin’ny ora vao ninoako voalohany!

Nino ve ianareo? Raha nino ianareo, dia atsangano nytànanareo.

Page 39: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

NY HAFATRY NY FAHASOAVANA 39

Oh, tena tiako Jesosy,Oh, tena tiako Jesosy,Oh, tena tiako Jesosy,Satria nitia ahy mialoha Izy.Fony isika tany iray alina taona lasa,Namiratra nanjelatra toy ny masoandro;Nanana andro be lavitra nihira fideranaan’Andriamanitra isika (isaory Andriamanitra!)

Noho ny tamin’ny nanombohantsika voalohany.174 Tianareo ve Izy? Ankehitriny, tsy mahafinaritra ve Izy?Ankehitriny…

Fony…Raha mbola mihira an’izany indray isika, dia tiako ianareo

handray ny tànan’ny olona iray eo akaikinareo, tena moramoramanaova hoe, “Andriamanitra hitahy anao, ry mpivahiny.” Tenaam-pahamoram-panahy symasina ankehitriny.

Fony isika…[Mandray tànana RahalahyBranham sy ny fiangonana—Mpand.]…?…fiderana an’Andriamanitra

Tamin’ny nanombohantsika voalohanytamin’izany.

Teo amin’ny hazo fijaliana, teo amin’ny hazofijaliana izay nahitako voalohany an’ilayHazavana,

Ka niala ilay enta-mavesatry ny foko,Teo no nandraisako ny fahitako tamin’ny finoana,Ary ankehitriny dia sambatra aho amin’ny androrehetra!

Oh, teo amin’ny hazo fijaliana, teo amin’nyhazo fijaliana izay nahitako voalohany an’ilayHazavana,

Ka niala ilay enta-mavesatry ny foko,Teo no nandraisako ny fahitako tamin’ny finoana,Ary ankehitriny dia sambatra aho amin’ny androrehetra!

Tsy sambatra ve ianareo?Tena faly aho fa nanafaka ahy Jesosy,Tena faly aho fa nanafaka ahy Jesosy,Oh, tena faly aho fa nanafaka ahy Jesosy,Mihira, voninahitra, Haleloia, nanafaka ahyJesosy.

Oh, tena faly aho fa nanafaka ahy Jesosy,Oh, tena faly aho fa nanafaka ahy Jesosy,Oh, tena faly aho fa nanafaka ahy Jesosy,Mihira, voninahitra, Haleloia, nanafaka ahyJesosy.

Page 40: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

40 NY TENY VOAMBARA

175 Tsy tianareo ve Izy? Tsy mahafinaritra ve Izy? Oh, heverikofa mahafinaritra fotsiny Izy. Ankehitriny, eritrereto fotsiny,fa ity Baiboly ity No Fahamarinany, ary ity Baiboly ity nomampianatra fa Izy no tsy miova omaly, anio, ary mandrakizay.Te-hanontany zavatra aminareo aho. Raha Izy no tsy miovaomaly, anio, ary mandrakizay…Andriamanitra anie hamelaahy tamin’ny filazana teny manevateva hoe, “raha,” fa Izy no tsymiova. Fa raha Izy no tsy miova, hapetrako tahaka an’izany ilayizy, amin’izay fotoana izay dia ho karazana Olona inona Izy? Hoilay tsy miova arak’izay naha-izy Azy Izy.176 Ankehitriny, misy zavatra anankiray hafa fotsiny ihanyny maha-eto Azy izao maraina izao noho izay naha-izy Azyteo anivon’ny olona tany Galilia, izany dia Vatan’ny nofonyManokana, nyVatany ara-nofo; satria izany no natsangana (minoan’izany ve ianareo?), mipetraka eo an-tànana ankavanan’nyFiandrianana any amin’ny Avo, velona mandrakizay mba hanaofanelanelanana ho an’ny fiaikentsika. Tsarovy, tsy afaka manaozavatra iray ho antsika Izy raha tsy manaiky Azy aloha isikasy mino fa efa Nataony izany, ary milaza fa efa Nataony izany,satria Izy no Mpisoronabe izay mety…Izy no Mpisoronabe izaymanao fanelanelanana eo amin’ny fiaikentsika.177 Ankehitriny dia maro be aminareo mpamaky Baibolyno milaza fa Izany dia manao hoe “manambara.” Fa nymanambara sy ny miaiky dia teny iray ihany. Hitanareo?“Natao ho Mpisoronabe,” ao amin’ny Bokin’ny Hebreo, tokofaha-3, “ankehitriny dia manao fanelanelanana eo amin’nyfiaikentsika.” Noho izany dia tsy afaka manao na inonana inona Izy raha tsy miaiky aloha isika fa efa Nataonyizany. Hitanareo, mandohalika eto amin’ny alitara ianareo kamivavaka ny alina manontolo, tsy hanao soa anareo izany nakely aza raha tsy mino ianareo fa mamela anareo Izy, amin’izayfotoana izay vao mitsangana ianareo. Amin’izay fotoanaizay amin’ny finoana betsaka anananareo, dia eo ianareo…Niaina teto ambany teto ianareo fahiny tao amin’ny fotakyny fahotana. Ankehitriny, ianareo vao niova fo, ankehitrinydia mino ianareo fa voavonjy, sa tsy izany? Avy eo dianitsangana teto ianareo, niakatra ambonimbony kely kokoa.Inona no nanao an’izany? Ny finoanareo, satria mino ianareofa Kristiana iray ankehitriny, hiaina any ambonin’io zavatra ioianareo ankehitriny. Hitanareo? Ankehitriny raha te-hiakatraambonimbony kely kokoa ianareo, dia manàna fotsiny finoanaamboniny, satria tsy voafetra izany, manohiza fotsiny.178 Eny, oh, ny tsy azo atao iray dia afaka ho tonga tena misy. Nyzavatra rehetra dia azo atao ho an’ireo izay mino. Marina izany.“Raha milaza amin’io tendrombohitra io ianareo hoe, ‘mifindrà,’ka tsy misalasala ao am-ponareo, fa mino fa izay lazainareo diahiseho, dia afakamahazo an’izay lazainareo ianareo.”

Ankehitriny diamonina ao anatin’ny olona JesosyKristy.

Page 41: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

NY HAFATRY NY FAHASOAVANA 41

179 Indray andro dia Andry Afo iray Kristy, io Anankirayizay hitanareo azo sary io, mino isika fa Izany no JehovahAndriamanitra. Izany no niezahan’ilay Anjely ho azontsika.Ankehitriny, tao amin’ny maha-Ray Izy tamin’izany, Izy noRain’ny Isiraely, firenena iray.180 Avy eo dia tonga Izy ka nonina teo anivon’ny Olony,amin’ny maha-Kristy, ilay Zanaka. Marina ve izany? Kristy noZanak’Andriamanitra.181 Ankehitriny dia Izy no Kristy, ilay Fanahy Masina, diailay Voahosotra. Kristy dia midika hoe “ilay voahosotra,”ary ilay Anankiray voahosotra eo amin’ny olona, Kristymiaraka amintsika, ny Fanahy Masina. Izany no Kristy miarakaamintsika, ao anatintsika. Mino an’izany ve ianareo? Aoka hotena hanaja mandritry ny fotoana fohy fotsiny, am-pilaminana.Ankehitriny ilay tsy miova ve Izy?182 Mino aho fa nahazo antso iray aho vao teo, ary voalaza fanivezivezy nitady seza sy ny sisa ny olona teto. Hiresakamikasikaan’izany isika any aoriana eo amin’ny fivorian’ny fiangonanairay. Niteny tamin’i Billy aho tamin’izay, fa raha hivavaka hoan’ny marary izy ireo, raha nisy betsaka tahaka an’izany ny any,dia hanome karatra fangataham-bavaka ho azy ireo. Nilaza izyfa hanome. Ataoko fa nanome izy.183 Nandritry ny roa na telo volana lasa, satria nisy fisehon-javatra iray niseho, dia tonga teo amin’ny toerana iray ilay asam-panompoana hany ka tsy tsaroako kely ilay izy. Nahita an’iofamantarana sy ny sisa io izy ireo, ahoana no niresahany synitenenany tamin’ny olona, tahaka ny nataon’ny Tompontsikamarina tokoa fony Izy teto an-tany teto. Nahita an’izany ianareorehetra, heveriko. Firy eto no mbola tsy nahita an’izany mihitsyna tsy nahita an’izany niasa mihitsy? Aoka ho hita ny tànanareo,tsy mbola nahita an’izany mihitsy. Oh! Tsy mbola nahitaan’izany niasa mihitsy. Eny, misy vondrona iray ato izay tsymbola nahita an’izany mihitsy, heveriko fa ireo vahiny. Tsyfantatsika hoe avy aiza ireo olona ireo.184 Ity dia tabernakla iray iraisan’ny anaram-piangonana. Tsymanohitra an’ireo anaram-piangonana izahay, fa izahay dia—tsymomba azy ireny koa izahay. Avelanay handeha amin’ny làlanyfotsiny izy ireo. Mino ny fandraisana ny olona izahay…Raha te-hiverina any amin’ny anaram-piangonana izy ireo, mety tsara,raha mbola miaina fiainana Kristiana iray foana izy ireo. Izahayfotsiny—toeram-pamonjena fanahy iray fotsiny ny eto. Izany noasam-panompoako ho azy ireo.185 Ankehitriny, dia mino aho fa ny Baiboly no mampianatra,ao amin’ny Hebreo 13:8, fa Jesosy Kristy no tsy miova omaly,anio, ary mandrakizay. Mino an’izany ve ianareo? [Hoy nyfiangonana hoe, “Amena.”—Mpand.] Eny, raha Izy no tsymiova…Ankehitriny raha mbola mipetraka tena milamina

Page 42: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

42 NY TENY VOAMBARA

ianareo rehetra mandritry ny iray minitra fotsiny, dia te-hiresaka aminareo fotsiny avy amin’ny foko mihitsy aho,ary avy eo dia hanana ny asam-panasitranana isika. Te-hanontany zavatra aminareo aho. Raha Izy no tsy miova omaly,anio, ary mandrakizay, amin’izay fotoana izay dia ahoana noNanaovany…Ny fomba tokana ahafahantsika hiteny amin’izayfotoana izay, raha Fanahy iray Izy, dia hihetsika tahaka nyNataony omaly ihany Izy. Marina ve izany? Hihetsika tahaka nyNataony omaly ihany Izy. Ahoana noNihetsehany omaly?186 Hafa noho ny lehilahy iray hafa ve Izy? Lehilahy iray fotsinyIzy, mitovy amin’ny lehilahy iray. Lehilahy iray Izy. Teraka Izy,lehilahy iray Izy. Nanana nofo sy Rà Izy. Nijaly Izy, nitoloko Izy,nandalo an’ireo fakam-panahy Izy. Lehilahy iray Izy. Marinaizany, sa tsy izany?187 Fa inona no nanao Azy ho Andriamanitra? Izany diasatria teo Aminy ny Fanahin’Andriamanitra. Izy no ilay Mesiavoahosotra. Ary ahoana no nahafantaran’izy ireo fa izany Izy?Hoy i Mosesy hoe, “Ny Tompo Andriamanitrareo dia hananganampaminany iray tahaka ahy. Ary izao no hiseho fa izay tsyhihaino an’io Mpaminany io dia ho esorina eo anivon’ny olona.”Ankehitriny, mpaminany iray Izy. Noho izany dia niandrympaminany iray ve Isiraely? Tokony ho izany izy ireo, rahaniandryMesia iray. Ary nyMesia iray dia hompaminany iray.188 Ankehitriny dia ndao isika hiditra eo amin’izany iraysegondra fotsiny, mandritry ny segondra vitsy fotsiny, kahenoy tsara. Ankehitriny, hazòny eo amin’Andriamanitra nyfisainanareo, satria tsy fantatsika izay azon’Andriamanitrahatao, tsy fantatsika izay ho Teneniny amikomba hatao.189 Fantatro fa manana fanomezam-pahasoavana iray an’nyfaminaniana isika ato amin’ny fiangonana. Ny RahalahintsikaNeville, maminany eo amin’ny olona izy, izay lehibe.Mankasitraka an’izany isika. Efa nitodika teo amin’izany foanaisika. Manana sasantsasany isika eto izay miteny amin’ny fitenytsy fantatra. Tsy mino isika fa tsy maintsy miteny amin’ny fitenytsy fantatra ny olona mba hahazoana ny Fanahy Masina. Tsymisy Soratra ho an’ny zavatra iray tahaka an’izany. Saingy minoisika fa misy ny fanomezan’ny Fanahy Masina iray izay mitenyamin’ny fiteny tsy fantatra, manana an’izany isika ato amin’nyfiangonantsika. Fa isika dia manao azy ireo…Tsy mandeha aoamin’ny hadalana isika. Mino isika fa ny Feon’AndriamanitraIzany. Miteny isika rehefa miteny ny FanahyMasina, ary mamelaan’izany ho tonga intelo fotsiny ihany isika. Ary izany dia tsymaintsy…tsy afaka ny hisy raha mbola eo am-pitoriana ahona ao amin’ny lamina, satria ny fanahin’ny mpaminany diamanaiky ny mpaminany. Hitanareo? Tsy maintsy mifanarakatsara amin’ny Baiboly izany. Tsy misy anankiray afaka milazafa tsy misy izany karazana fanomezan’ny Fanahy Masina izanysy ny miteny amin’ny fiteny tsy fantatra. Fantatsika izany. Ny

Page 43: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

NY HAFATRY NY FAHASOAVANA 43

Baiboly no mampianatra an’izany, dia mino an’izany isika. Aryisaorana Andriamanitra fa manana an’izany isika ato amin’nyfiangonantsika! Manana an’ireo fanomezam-pahasoavan’nyfaminaniana isika, tsy maintsy tsapaina aloha izy ireny aryjerena raha marina izy ireo na tsia, ary avy eo ilay fanomezam-pahasoavan’ny faminaniana.190 Avy eo dia misy ny mpaminany iray. Ankehitriny, izany,ankehitriny dia tonga eo amin’ny asa iray ianareo.191 Fanomezam-pahasoavana ireo, izany ireo, miteny amin’nyfiteny tsy fantatra, sy fandikana ny fiteny tsy fantatra,sy fahalalana, sy fahendrena, ary famantarana, sy ny sisa.Fanomezam-pahasoavana daholo ireo.192 Fa avy eo dia misy asa dimy. Voalohany dia apostoly,mpaminany, mpampianatra, evanjelista, ary pasitera. Izany noasa voatendrin’Andriamanitra. Lehilahy no mihazona azy ireo,hitanareo. Izy ireo tsy, tsy afaka…Tsy afaka maniry an’ireoianareo, tsy afakamivavaka ho an’ireo ianareo; nomena tamin’nyfahamasi-mandidy izy ireo, teraka niaraka tamin’izany ianareo.193 Ny mpaminany iray dia tsy mpaminany iray raha olona irayno mametra-tànana eo aminy ka manao azy ho mpaminany iray.Ny mpaminany iray dia teraka hatrany an-kibon-dreniny, hompaminany iray, hitanareo, noho izany dia mpaminany irayfoana izy. Hitanareo?194 Niteny tamin’i Jeremia Andriamanitra, nanao hoe,“Talohan’ny nitorotoronina anao tao an-kibon-dreninao mihitsyaza,” hoy Izy, “dia efa nahafantatra anao Aho ary nanamasinaanao sy nanendry anao ho mpaminany iray ho an’ny firenena.”Marina izany. Hitanareo? Mosesy, talohan’ny nahaterahany,dia zaza tsara iray izy. Izy no mpaminanin’ny Tompo. Nivoakany sisa tamin’izy ireo. Kristy dia efa Zanak’Andriamanitra,hatrany amin’ny sahan’i Edena. Marina izany. Hitanareo, ireofanomezam-pahasoavana sy antso dia tsymisy anenenana.195 Fa ireo fanomezam-pahasoavana ireo dia nomena hoan’ilay Vatana. Ankehitriny fantatsika izany, fantatsika ireofanomezam-pahasoavana rehetra ireo.196 Ankehitriny dia ndao isika hijery hoe inona Jesosy teoanivontsika, hijery hoe inona Izy tany aoriana tany. Hitantsikafa rehefa nanomboka ny Asam-panompoany Izy aloha…Ankehitriny, henoy tsara, ry vahiny. Rehefa nanomboka nyAsam-panompoany Izy aloha, ao amin’ny Masindahy Jaona,ny toko faha-1, dia hitantsika fa rehefa avy natao batisaIzy, taorian’ny Nahatongavany…Teraka Izy ary tonga telopolotaona, dia nataon’i Jaona batisa Izy. Nidina tahaka nyvoromailala iray ny Fanahy Masina ka nipetraka teo Aminy, arynisy Feo iray tonga ka nanao hoe, “Ity no Zanako Malalako aoAminy…” Ny tena Grika tany am-boalohany dia nanao hoe,“Ao Aminy no Sitrako hitoerana.” Nanao hoe, “Ao Aminy no

Page 44: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

44 NY TENY VOAMBARA

Sitrako, ao Aminy—ao Aminy no Sitrako hitoerana.” Saingy,hitanareo, somary mivadika kely izany ho antsika, ka ny verbano alohan’ny adverba, fa ilay izy tokoa dia hoe, “Sitrakoitoerana ao Aminy.” Satria, Kristy, Andriamanitra dia tao amin’iKristy, mampihavana an’izao tontolo izao amin’ny Tenany.Fantatsika izany.197 Ankehitriny, teo no eo dia lasa nankany an-efitra nandritryny efapolo andro Izy, nalain’ny devoly fanahy. Avy eo dia nivoakaniaraka tamin’ny Asam-panompoany Izy, nanomboka nivavakaho an’ny marary.198 Ary afaka kelikely, dia indro tonga ny lehilahy iray amin’nyanarana hoe Simona Petera, mpanjono antitra iray, tsy nianatra,tsy afaka nanoratra ny anarany manokana akory aza. Nitenytaminy mikasika an’io Lehilahy izay ninoany ho ny Mesia io iAndrea. “Fahadalana!”199 Nanatona Azy izy. Ary vantany vao tonga teo amin’nyFanatrehan’i Jesosy izy, dia hoy Jesosy hoe, “Ny anaranao diaSimona, ary ianao dia zanak’i Jonasy.” Fantany fa nisy zavatranitranga. Fantany fa io no Zanak’Andriamanitra. Ary Sitranyny hanome azy an’ireo fanalahidin’ny Fanjakana, nanao azy holohan’ny fiangonana.200 Nisy lehilahy iray nitsangana teo, tamin’ny anaranahoe Filipo. Hitan’i Filipo izany, ka nieritreritra izy hoe,“Mahafinaritra! Mahafantatra lehilahy iray izay mpahayBaiboly aho, mipetraka any amin’ny dimy ambin’ny folo mailymanodidina ny tendrombohitra any. Hihazakazaka aho kahiteny aminy. Ny anarany dia Natanaela.”201 Nihazakazaka nankany haingana mihitsy izy tamin’io androio. Ny ampitso maraina dia tonga tany izy, angamba teoamin’ny fiposahan’ny andro. Nihazakazaka izy ka nandondònateo amin’ny varavarana. Ary hoy Rtoa. Natanaela hoe, “Eny,any amin’ny saham-boankazo ivelany any izy, ry Filipo.” Nysakaizany, nandeha tany izy, ary nandohalika izy, nivavaka.Vantany vao nitsangana izy, dia hoy i Filipo hoe, “Avia, hijeryhoe Iza no hitako! Jesosy avy anyNazareta, ilay zanak’i Josefa.”202 Ankehitriny hoy ity mpivavaka, manan-daza lehibe ity hoe,“Mba mety hisy zavatra tsara ve avy ao Nazareta?” Nanomeazy fanononana tsara iray izy, zavatra tsara iray, hoy izy hoe,“Aza mijanona any an-trano ka mitsikera an’izany, aza mandehamiresaka mikasika an’izany. Avia fotsiny, dia jereo amin’nytenanao. Avia, jereo! Avia fotsiny, jereo raha misy zavatra tsaraavy ao Nazareta.”203 “Ny Mesia ve no tianao lazaina? Nahoana, ho avy nyMesia, ho avy Izy, ary avy amin’ilay…Ireo làlantsaran’nyLanitra dia hampidinina, ho tonga avy hatrany ao amin’ilaylapa Izy. Ho tonga ao amin’ny rafi-pandaminantsika Izy.”Mbola mihevitra an’izany foana izy ireo, hitanareo, hoe tsy

Page 45: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

NY HAFATRY NY FAHASOAVANA 45

maintsy tonga ao amin’ny rafi-pandaminan’izy ireo izany.“Ho tonga avy hatrany ao amin’ny rafi-pandaminantsika Izy,handeha eo amin’ireo karipetran’ilay lapa any. Ary hiditraeo amin’ireo kianja ao ivelany Izy ka hiakatra avy hatranyeo amin’ny seza fiandrianana, ary hatrany amin’ilay Masinaindrindra an’ireo masina, ka hanao hoe, ‘Izaho no Mesia.’” Tsytonga tahaka an’izany mihitsy ny Mesia. Tonga any amin’izayTiany ahatongavana ny Mesia. Masi-mandidy Izy, manao izaySitrany Izy.

Hoy izy hoe, “Eny,” hoy izy, “avia dia jereo! Avia, jereoamin’ny tenanao.”204 Aza mitsangana eo ka manao hoe, “Tsy mino an’io karazanaholy-roller io aho.” Avia fotsiny, jereo raha misy zavatra iraymikasika an’Izany.205 Noho izany izy, teny amin’ny làlany teny, toa reko izyireo niresaka. Ndao isika, tianareo ve ny handre an’izaynoresahan’izy ireo? Ndao isika hihaino ka hahita an’izaynolazain’izy ireo. Mino aho, nandeha nanaraka ny sisin-dàlana,fantatrareo, hoy Filipo hoe, “Fantatrao, ryNatanaela, fantatro fampianatra Baiboly ianao, noho izany dia te-hanontany zavatrairay aminao aho.MiandryMesia iray isika, sa tsy izany?”206 “Oh, eny, tonga eo amin’ny andro farany isika izao ho an’itytaranaka ity ary ity, no inoako fa ilay taranaka hahita ny Mesia.”Henoy ankehitriny. “Oh, fa eto isika izao, tsy firenena iray akoryaza, miparitaka eo anivon’ireo olona isika rehetra. Ahoana nohampety antsika an’izany? Ity rehetra ity!” Tonga amin’ny oraizay tsy eritreretinareoAndriamanitra. Amin’izay no eo Izy.207 Hoy izy hoe, “Fa, andraso iray minitra, ho karazana olonainona io Mesia io?”

“Oh, Mosesy, ny mpampianatra antsika, dia nitenytamintsika fa ho mpaminany iray Izy.”208 “Hiteny aminao mikasika an’io Jesosy avy any Nazaretaio aho. Tsaroanao ve ilay mpanjono antitra tsy mahay izaynividiananao an’io trondro io tamin’izany fotoana izany,nitondra, nividy taminy, ary tsy afaka nanao sonia an’ilay rosiaizy, tsy nanana fianarana betsaka?”209 “Hia! Oh, oh, eny, ah-hah. Jonasy sy ny zanakalahin’i Jonasy.Hia, izaho dia nividy tamin’i Jonasy, ihany koa.”210 “Eny, ankehitriny, mba fantatrao moa? Tonga tany iPetera…” Na i Simona, raha ny marina, Simona no anaranytamin’izany. Hoy izy hoe, “Tonga tao amin’ny Fivoriany iSimona. Ary vantany vao nanatonamihitsy izy, izy…Tsaroanaohoe ahoana no nitenenan’i Simona tamintsika hoe ny rainydia niteny taminy fa ‘Aoka tsy ho voafitaka, satria hisympaminany sandokamaro alohan’ilay tenaHafatra.’ Arymarinaizany. ‘Hafatra sandoka maro no hivoaka.’ Fa hoy izy, ‘Ho

Page 46: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

46 NY TENY VOAMBARA

fantatrareo rehefa tonga ilay tena Mesia, satria, tsarovy, isikaJiosy dia mino fa ho mpaminany iray io Mesia io.’ Mino nympaminanintsika isika.”211 Manontania Jiosy iray ankehitriny. Isiraely, rehefa nandrayan’ity Baiboly eto ity mihitsy izy ireo ankehitriny, tonga avytany Iran sy ny sisa, dia mamaky an’Izany izy ireo. Hoy izy ireohoe, “Raha io Jesosy io no Mesia, dia aoka izahay hahita Azymanao ny famantaran’ny mpaminany, dia hino Azy izahay.” Eny,tompoko. Fantatr’izy ireo fa tenamarina ireompaminany ireo.212 Noho izany dia tsymaintsy nilaza i Natanaela hoe, “Oh,minoaho fa ho mpaminany iray ny Mesia, satria hoy i Mosesy hoe, ‘NyTompoAndriamanitsika dia hananganampaminany iray.’”213 “Eny, rehefa hitany io, io Simona izay resahanao io, dia hoyIzy hoe, ‘Ny anaranao dia Simona, ary ianao dia zanak’i Jonasy.’Tsy hoe nahafantatra azy fotsiny ihany Izy, fa Fantany io dadanyFariseo antitra masina io.”

“Ah! Tsy afaka hino an’izany aho. Lasa tany amin’ny faranylalina ianao.”214 Hoy izy hoe, “Oh, tsia, tsy lasa aho! Avia ianao, dia jereo.Avia, jereo! Ndao!” Teny an-dàlana, lasa izy ireo.215 Farany dia tonga teo amin’ny Fanatrehana izay nisy an’iJesosy izy, angamba nitsangana tao anatin’ilay mpanatrika tanyho any. Nitsangana teo Jesosy, nijery manodidina. Afaka kelikelydia nijery Izy, ary Hitany i Natanaela nitsangana teo, hoy Izyhoe, “Indro ny Isiraelita iray, izay tsy misy fitaka ao aminy!”Nahaketraka azy tanteraka izany. Nanaisotra ny fireharehanyizany. “Indro ny Isiraelita iray, izay tsymisy fitaka ao aminy!”216 “Andriamanitra io,” hoy izy. “Raby,” izay midika hoempampianatra, “Raby, oviana no mba Nahafantaranao ahy? Tsymbola nihaona Taminao mihitsy aho tany aloha, vahiny iray atoamin’ity fiangonana ity aho, tsy mbola teto mihitsy aho tanyaloha. Ahoana nombaNahafantaranao ahy?”217 Hoy Izy hoe, “Talohan’ny niantsoan’i Filipo anao, rahambola teo ambanin’ilay hazo ianao, dia efa nahita anaoAho.”218 Izany no Jesosy omaly. Marina ve izany? Raha Izy notsy miova, dia Izy no tsy miova androany. Ndao isika hakafirenen’olona hafa iray. Nisy firenen’olona iray…219 Firenen’olona telo ihany no nisy, ary izany dia nyolon’i Hama, Sema ary Jafeta. Hitanareo? Marina tokoa.Teo amin’izany, tamin’ny Pentekosta, teo amin’izany nonandehanan’ny Filazantsara nankany amin’ny Jiosy, avy eonankany amin’ny Samaritana, ary avy eo nankany amin’nyJentilisa. Hitanareo, ny olon’i Hama, Sema, ary Jafeta, no—nofirenena telo. Ankehitriny, nisy firenena roa tamin’izy ireo noniandry Mesia iray; tsy isika Jentilisa. Nanana langilangy iray

Page 47: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

NY HAFATRY NY FAHASOAVANA 47

isika tao an-damosintsika, mpanompo sampy isika, nanompoan’ireo sampy; fa tsy—tsy Hama sy Sema.220 Ankehitriny, dia misy iray hafa ankehitriny, ilay—ilayfirenena dia ireo Samaritana, izay Jiosy tapany sy Jentilisa,vokatry ny fanambadiam-pahotan’i Kora tany, ary lasa izyireo. Ary nino an’Andriamanitra izy ireo, niandry Mesia irayizy ireo. Noho izany dia lasa Jesosy, naneho ny Tenany teoanatrehan’izy ireo. Tonga tamin’ny Jiosy Izy, ny Azy Manokana,saingy nila nandalo an’i Samaria Izy. Masindahy Jaona 4, efamba novakianareo ve izany? Ary nila nandalo an’i Samaria Izy.Noho izany dia tonga tao an-tanànan’i Sikara Izy, noho izany diananiraka an’ireo Mpianany fotsiny Izy mba hividy sakafo. Aryraha mbola nandeha izy ireo…221 Raha mba efa tany ianareo, dia toera-malalaka iray izany,fantsakana iray, nisy tanànan’ny paompy iray teo, tahakaan’izany, izay amelan’izy ireo ny rano handeha. Fantatrareo,tonga ireo vehivavy ka mitondra ny fanovozana ary mampidinany siny, maka rano, mametraka an’izany eo an-dohany. Aryankehitriny ireo vehivavy ratsy laza, ireo vehivavy ratsy, tsyafaka mandeha miaraka amin’ireo vehivavy tsara izy ireo. Tsynanana fikambanana miaraka izy ireo tamin’ireo andro ireo.Ny vehivavy iray izay ratsy, dia mijanona ao amin’ny namanymanokana izy. Tsy izany amin’izao andro izao; miaraka izyrehetra, saingy izy ireo fotsiny…saingy izy ireo, ilay izy fotsinydia toy ny hoe manindrona an’ilay eo afovoan’ny atody, manaoazy rehetra ho jiro mena iray ianareo, hitanareo. Koa noho izany,izy ireo, noho izany ity famenoana…222 Ny vehivavy ratsy laza dia tonga teo, teo tamin’ny iraikaambin’ny folo sasany na tamin’ny roa ambin’ny folo latsakafahefany, saiky tamin’io oran’ny andro io, tonga nandehateo mba haka rano iray siny. Ary navelany ilay…napetranyilay…Toa hitako izy mametraka an’ireo fanantonana syfanovozana, mampidina azy ao amin’ilay fantsakana, mbahaka rano iray siny. Ary saiky tamin’ny fotoana nanombohanyhampiakatra an’izany mihitsy, dia nandre olona iray izynanao hoe, “Ravehivavy, itondray Aho hosotroina.” Dianitodika izy ka indro nisy Jiosy iray. Ankehitriny, tsy nananafifampiraharahana izy ireo.223 Lehilahy iray taona antenantenany, teo amin’ny telopolotaona teo Izy. Fa ny Baiboly dia nilaza fa tahaka ny dimampolotaona Izy, fantatrareo izany. Hoy izy hoe, “Ianao dia milaza faefa nahita an’i Abrahama Ianao, nefa Ianao dia lehilahy iraytsy mihoatra ny dimampolo taona akory.” Telopolo taona fotsinyIzy. Hitanareo? Hoy izy…Ataoko fa ny Asam-panompoany nonampalemy kely Azy. Noho izany dia hoy izy hoe, “Ianao diamilaza fa nahita an’i Abrahama Ianao, ankehitriny dia fantatrayfa manana devoly iray Ianao.”

Page 48: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

48 NY TENY VOAMBARA

224 Hoy Izy hoe, “Talohan’ny nisian’i Abrahama, dia IZAHONOIZY.” Hitanareo, Izy no Andriamanitr’i Abrahama. Azo antoka,izany Izy. Hoy Izy hoe, “Talohan’ny nisian’i Abrahama, diaIZAHO NO IZY.” Azo antoka.225 Ary ankehitriny, indro Izy nipetraka teo amin’ilayfantsakana, hoy Izy hoe, “Ravehivavy, itondray Ahohosotroina.”226 Hoy izy hoe, “Tsy fanao izany. Manana fanavakavahanaisika eto.” Tahaka azy ireo fahiny tany Atsimo, niarakatamin’ireo mainty hoditra sy fotsy, hitanareo. Hoy izy hoe,“Manana fanavakavahana isika eto. Tsy fanao ho Anao nymangataka amiko, Ianao (Jiosy iray) dia mangataka amiko(vehivavin’i Samaria iray) haneho fitia, na inona na inona. Tsymanana fifampiraharahana isika.” Vehivavy mpivarotena kelyiray izy, fantatrareo. Noho izany, angamba vehivavy tsara tarehykely iray. Ary nitsangana teo izy, angamba nidina teo amin’nytavany ny sangany rehetra, fantatrareo, ary efa tany ivelany izyny alina manontolo. Ary—ary noho izany dia hoy izy hoe, ary hoyizy hoe, “Tsy fanao ho Anao ny mangataka amiko, vehivavin’iSamaria iray, tahaka an’izany.”227 Hoy Izy hoe, “Ravehivavy, raha fantatrao hoe Iza nomiresaka aminao, sy fantatrao hoe Iza no iresahanao, diaianao no hangataka Amiko hosotroina.” Izany no Mesia omaly,hitanareo. “Ianao no hangataka Amiko hosotroina, Izaho nohanome rano anaomba tsy hahatongavanao eto hisintona.”228 “Nahoana,” hoy izy, “lalina ny fantsakana, nefa Ianaotsy manana na inona na inona hisintonana, koa ahoana nohanomezanao rano ahy?” Hoy izy, “Jakoba rainay!” Hitanareo,Samaritana izy, saingy niantso an’i Jakoba ho rainy, ihany koa.“Ny rainay dia, Jakoba dia nisotro avy tamin’ity fantsakana ity,ny biby fiompiny, ny fianakaviany. Kanefa Ianao ve dia milazafa manana rano lehibe kokoa noho ity Ianao?” Hoy izy, “Ianaodia milaza hoe ‘mivavaka,’ satria Jiosy iray Ianao, Ianao diamilaza hoe any ‘Jerosalema.’ Izahay dia milaza hoe ao amin’itsytendrombohitra itsy.”229 Hoy Izy hoe, “Ravehivavy, ho avy ny ora, arytonga ankehitriny, izay hivavahan’ireo mpivavaka marinaamin’Andriamanitra amin’ny Fanahy, satria Andriamanitradia Fanahy.” Hitanareo? “Ny Ray koa dia mitady ny tahakaan’izany.”

Inona no Nataony? Niresaka taminy Izy, mba hifandrayamin’ny fanahiny. Hitanareo? Ankehitriny, tsarovy, tsy maintsyhoMesia Izy, teo anatrehan’ireo Samaritana ireo. AryHitany avyhatrany ny olany. Firy no mahafantatra hoe inona ilay izy? Azoantoka. Niaina niaraka tamin’ny vadiny fahenina izy.

Noho izany, hitanareo, ratsy raha mbola manana vadyiray velona ianareo, izay ao, sy—sy ny sisa, ka lasa mandeha.

Page 49: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

NY HAFATRY NY FAHASOAVANA 49

Ary ho an’ny antony rehetra mihitsy, mandroaka vehivavyiray, sy manambady azy, nefa mandeha manambady anankirayhafa, manambady anankiray hafa, manambady anankiray hafa,tsy tokony hanao an’izany ianareo. Noho izany dia hoy Izyhoe, izy…

Avy eo izy, ataoko fa niaina tsy nivady tamin’izy ireo akoryaza izy. Mety tsy nivady tamin’izy ireo mihitsy izy. Mety tsyefa nivady tamin’izy ireo akory mihitsy aza izy. Noho izany dianilaza an’ireo zavatra ratsy rehetra ireo izy, fantatrareo, nanaoan’io karazan-javatra ratsy rehetra io.

Koa noho izany raha mbola nitsangana teo Izy, nijery azytahaka an’izao, dia hoy Izy hoe, “Mandehana, itondray Ahohosotroina.” Dia hoy izy hoe… “Fa raha fantatrao hoe Iza noiresahanao, dia ianao no hangataka Amiko hosotroina. Izahono hitondra rano ho anao mba tsy hahatongavanao…Izaho nohanome rano anao, tsy ho tonga eto hisotro ianao.”Avy eo dia hoyIzy hoe, “Mandehana, alaivo ny vadinao dia tongava eto.”

Hoy izy hoe, “Tompoko, tsy manam-bady aho.”“Oh,” hoy Izy, “nilaza tsara ianao. Efa nanana vady dimy

ianao, ary ilay anankiray izay anananao ankehitriny dia tsyvadinao. Nilaza tsara ianao tao amin’izany.” Izy, henoy, iovehivavy io…Ankehitriny rehefa ny…

Inona no niantsoan’ireo Jiosy Azy rehefa nahita Azynanao an’io izy ireo? Nanaiky Azy ho ny Mesia ve izy ireo?Tsia. Inona no nolazain’izy ireo fa naha-izy Azy? “Belzeboba,mpanao hatsarana,” nanao hoe, “Belzeboba io hery io.” Ary izyireo dia niantso ny Fanahin’Andriamanitra, izay nanao an’iofamantarana io hoe, “zavatra maloto iray.”

Hoy Izy hoe, “Raha miteny teny iray manohitra Ahy ianareo,dia hamela anareo Aho. Fa indray andro any dia ho tonga nyFanahyMasina, hanao an’ilay zavatra iray ihany; ka rahamitenyteny iray manohitra an’Izany ianareo, dia tsy ho avela aminareomihitsy izany.”230 Noho izany dia hitanareo hoe aiza ho aiza no misy antsikaandroany, raha sendra nitranga androany izany. “Teny iraymanohitra an’Izany, dia tsy ho avela mihitsy, na amin’ityfiainana ity na ny fiainana ho avy.” Noho izany dia hitanareoizay nataon’io taranaka io. Ankehitriny dia eritrereto izany.Eritrereto mafy. Lanjao ireo Teny feno haja ireo.231 Ankehitriny, hoy ireo Jiosy hoe, “Manao an’ireo zavatra ireoamin’ny alàlan’i Belzeboba io Lehilahy io. Devoly Izy, mpanaohatsarana.” Fantatsika fa ny fanaovana hatsarana dia ny devoly.Noho izany dia hoy izy hoe, “Mpanao hatsarana io lehilahy io.”232 Noho izany dia namela azy ireo Izy nohon’ny fiantsoana Azyhoe mpanao hatsarana. Fa taorian’ny Nahafatesany ka niverinany Fanahy Masina, dia hafa ilay izy tamin’izay fotoana izay.

Page 50: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

50 NY TENY VOAMBARA

Hitanareo? Ary izany, izany dia ho an’ilay taranaka Jentilisa.Mariho ankehitriny.

Ankehitriny, ireo—ireo Jiosy dia efa nahita an’izany, fananameloka an’izany.233 Ireo Samaritana dia nandray an’izany, ka hoy izy hoe,“Tompoko, hitako faMpaminany iray Ianao.” Inona no hataonaoamin’izany, ry Samaritana? “Hitako fa Mpaminany iray Ianao.Fantatray fa rehefa tonga ny Mesia, dia Izy no hiteny aminayan’ireo zavatra ireo.” Hitanareo, fantatr’izy ireo ny Mesia, ho IzaIzy. Hoy izy, “Fantatray fa ny Mesia, izay antsoina hoe ny Kristy,rehefa tonga Izy dia Izy no hiteny aminay an’ireo zavatra ireo. FaIza moa Ianao? Ianao ve noMpaminaniny?”

Hoy Izy hoe, “Izaho no Izy. Izaho no Izy.”234 Ary teo amin’io! Henoy ankehitriny. Teo amin’io, dianavelany ny sinin-dranony ka nihazakazaka nankany an-tanànaizy, ary tonga ka nilaza tamin’ny olona teny an-dàlambe,nihazakazaka nanerana ny tanàna, nanao hoe, “Avia, jereo nyLehilahy iray Izay niteny tamiko an’ireo zavatra izay nataoko!Tsy izao ve no tena Mesia?” Ary nilaza ny Baiboly fa ny tanànarehetra dia nino Azy satria io vehivavy io no efa nilaza an’izany,hoe Izy no niteny an’izany, satria Izy noMesia.235 Ankehitriny, raha izany no famantaran’ny Mesia omaly, kaIzy no tsy miova omaly, anio, ary mandrakizay, dia ho izanyilay famantarana iray ihany androany. Marina ve izany? Firyno hanaiky an’izany? Azo antoka, eny, ilay iray ihany izany.Eny àry.236 Ankehitriny, ho olona iray hafa ve izany? Tsia. Nitia Izy,nitaraina Izy, nitomany Izy, natory Izy, nandeha tany an-efitraIzy, nandeha nanjono, nanao tahaka ny olon-kafa iray fotsiny.Olona iray fotsiny Izy, hitanareo, kanefa Izy no ilay Mesiavoahosotra.237 Ankehitriny, tsaroantsika ankehitriny ao amin’ny Baiboly,izay miteny amintsika any amin’ny farany any, izayandehanantsika ao amin’ny Soratra maro ka hanaporofo fany Baiboly no milaza fa hisy “Andro iray izay tsy alina naandro,” andro manjombona iray fotsiny, ireo rafi-pandaminanasy fiangonana, ka betsaka no hovonjena, “fa amin’ny androhariva dia hisy Hazavana.” Firy no mba efa namaky an’izany taoamin’ny Baiboly? Azo antoka. Hitanareo?238 Ankehitriny, amin’ny teny hafa, ny masoandro dia miposakaany Atsinanana ary milentika any Andrefana. Ilay masoandroiray ihany izay miposaka any Atsinanana, no milentika anyAndrefana. Eny, rehefa ilay Zanak’Andriamanitra, Z-a-n-a-k-a, no niposaka tany Atsinanana, teo amin’ireo vahoakaTatsinanana. Nandeha ny fandrosoana, mandeha miarakaamin’ny masoandro, ary aty amin’ny Morontsiraka Andrefanano misy antsika ankehitriny. Raha handeha hiampita ianareo,

Page 51: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

NY HAFATRY NY FAHASOAVANA 51

mandeha mankany Chine ianareo, dia miverina any Atsinananaindray. Koa noho izany ilay Zanaka iray ihany izay namiratratany Atsinanana no mamiratra any Andrefana ankehitriny,miaraka amin’ilay batisan’ny Fanahy Masina iray ihany, ireofamantarana iray ihany, ireo fahagagana iray ihany, ilay Mesiairay ihany. Marina ve izany? “Hisy Hazavana amin’ny androhariva, ny làlana mankany amin’ny Voninahitra dia azo antokafa ho hitanareo.” Marina izany.239 Ao amin’ny hariva isika izao, Hazavan’ny hariva.Midina ilay masoandro. Eto afovoantsika ny Mesia. IlayZanak’Andriamanitra, ao amin’ny endriky ny Fanahy Masina,dia eto afovoantsika. Mino an’izany ve ianareo? [Hoy nyfiangonana hoe, “Amena.”—Mpand.] Mino ahy ho Mpanomponyve ianareo? [“Amena.”] Mino ve ianareo fa izay teneniko dia nyFahamarinana? [“Amena.”] Mino an’ilay tantara ny amin’ilayAnjely omaly maraina ve ianareo, afak’omaly maraina?[“Amena.”] Mino an’izany ve ianareo? [“Amena.”] Noho izany diaaoka ilay Andriamanitry ny Lanitra, aoka ilay Andriamanitraizay niseho tamiko tao amin’ny endrik’io avana io, aoka Izyno hiteny. Ary aoka ny vatako ho voatolotra ho Azy, ny aiko,ny fanahiko, ary ny saiko, ho voatolotra ho an’ny Voninahiny.Rehefa nitady an’io vontsira farany io aho, ka nahafantatra faizany no ho ilay farany, dia tamin’ny folo ora latsaka telo minitramihitsy ilay izy tamin’izany, ary izaho dia efa nilaza fa ho eoamin’ny folo ora izany.

Fantatrareo, hoy Izy hoe, “Lazao izay tianareo. Ho tahakaan’izany ilay izy.” Tsy mbola diso mihitsy Izy, na inona na inona.“Lazao fotsiny izay tianareo.”

Fa ny fotoana fahavalo hany nisian’izany, dia teo amin’nyvehivavy kely iray. Mipetraka iry aoriana iry izy ankehitriny,heveriko. Mahita an-dRahalahy Wright mipetraka eto aho.Hattie Wright, rehefa nangataka izy ho an’ny anankiroa zan-…Itsy izy, itsy mihitsy ankehitriny. Ho an’ny famonjena an’ireozanany anankiroa, (sa tsy izany?), izay nanohitra mafy an’izany.Hoy aho hoe, “Omeko anao ireo zanakao, amin’ny Anaran’iJesosyKristy.” Lavo teo amin’ny lohalinymihitsy izy ireo.240 Ed Daulton, Batista mipetraka eto, avy any Kentucky,mipetraka eto mihitsy. Manana zanaka firy ianao, Ed? Zanakaroa ambin’ny folo. Mitsangana eto mihitsy, nangataka ho an’ireozanany izy. Nivoaka an’ilay tranobe aho. Nanatona ahy indray iEd; hoy aho hoe, “Ed.”

Teo amiko ny Fanahy Masina, nanao hoe, “Omeo azy izany.Omeo azy.”241 Hoy aho hoe, “Omeko anao ireo zanakao.” Ny tsirairayavy amin’izy ireo, dia voavonjy sy vita batisa. Nisy an’ilayadolantsentony nipetraka tany an-trano, niandry, nitomany,voavonjy hatramin’ny nahatongavany teto. Io rahalahy Batista

Page 52: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

52 NY TENY VOAMBARA

avy any…Oh, oh, mahafinaritra toy ny ahoana Izy rehefa Izyno miresaka!242 Mangataka Aminy aho ankehitriny, ho an’ny Voninahiny,mba haneho ny Tenany, hoe Izy no Kristy, ary izaho miteny nyFahamarinana.243 Ankehitriny, mba ilay—ahafahan’ilay tsy-mpino tsy hananafandosirana. Tiako ny olona izay ato, izay marary sy mananailaina, izay mila an’Andriamanitra, ka tsy fantatro, ireo vahinyato amin’ny vavahadinay, ireo olona izay tsy fantatro, izayato, ka mila an’Andriamanitra ianareo, atsangano ny tànanareo.Hatraiza hatraiza ireo olona. Izany, eny àry, saiky hatraizahatraiza mihitsy amin’ny ankapobeny, heveriko. Ireo olonaizay tsy fantatro. Raha miantso olona iray izay fantatro aho,hoe izay fantatro ary ianareo mahafantatra ahy, ary—arymifankahafantatra tsara isika, dia aza milaza na inona nainona, hazony fotsiny mihitsy ny filaminanareo. Raha Izy noZanak’Andriamanitra, ary izany Izy, ka marina ny Hafatro, faio Anjely io…244 Rehefa tamin’ny folo ora latsaka telo minitra tamin’izay, diahoy aho hoe, “O Andriamanitra, Izay niseho tamiko vao teo taoanatin’io avana io, dia telominitra izao. Tsymahita vontsira aho.Telominitra izao, tsymaintsymitondra anankiray ho ahy Ianao.”Ary Andriamanitra no Mpitsarako, milaza am-pahamarinanaan’izany miaraka amin’ny tànako eo ambonin’ny Baiboly aho.Aza mino ny fianianana, tsy milaza an’izany ny Baiboly;milaza Izy mba tsy hanaovana an’izany. Fa Andriamanitra noMpitsarako, nihazakazaka nidina avy hatrany teo amin’ilay hazony vontsira iray ary nipetraka marina mihitsy tokoa. Tsy disotamin’izany mihitsy Izy; tsy nanao an’izany mihitsy Izy. Maroamin’izy ireo nomanatrika etomba hahafantatra an’ireo zavatraireo. Fantatro fa Izy, ilay Andriamanitra iray ihany, dia eto.245 Nisy karatra fangataham-bavaka nozaraina. Tsy mila azyireny aho. Hamela azy ireo hivavahana isika ao anatin’nyminitravitsy, hiditra ao amin’ny laharana izy ireo. Tsy ilaiko ireo olonaizay—izay eto, na inona na inona.246 Ireo vahiny no ilaiko. Ireo olona izay tsy mahafantatra ahyno ilaiko. Tiako ianareo hanana ao an-tsainareo, tiako ianareohieritreritra sy hivavaka, ary hanao hoe, “Andriamanitra, tsymahafantatra ahy io lehilahy io.”247 Fa indray andro dia nisisika nanerana vahoaka betsaka nyvehivavy kely iray. Nanana fitsiha-drà izy. Ary nilaza izy…248 Rehefa nilaza izy rehetra ireo hoe, “Indro Izy! Jereo Izy!Io ilay Galiliana,” sy ny sisa. Ireo raby rehetra sy ny sisa dianitsangana teo, nanao hoe, “Raby, mitady famantarana iray avyAminao izahay,” sy ny sisa tahaka an’izany.249 Hoy ity vehivavy kely ity hoe, “Mino Azy ho nyZanak’Andriamanitra aho. Ary mino aho fa raha afaka mikasika

Page 53: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

NY HAFATRY NY FAHASOAVANA 53

ny sisin’ny Akanjony fotsiny aho, dia ho sitrana tanteraka.” Firyno mahafantatra an’izany? Nikasika Azy izy.250 Tsy hoe afaka nahatsapa Izy; fa nijanona Izy ary nitodika,nanao hoe, “Iza no nikasika Ahy? Nisy olona iray nikasika Ahy.”Tena nipetraka tsara ny olona rehetra. Hoy Izy, “Nisy olona iraynikasika Ahy.” Hoy Izy, “Iza no nikasika Ahy?”251 Dia nijery manodidina Izy mandra-Pahitany an’ilayvehivavy kely. Tsy afaka nanafina ny tenany izy. Tsy netynahita an’izany. Hitany izy ka nanao hoe, “Ny finoanao nonahavonjy anao.” Nilaza, niteny taminy, fa ny fitsiha-drànydia efa voavonjy sat-…nitsahatra, satria dia nino izy, ary nyfinoany no nikasika ny Akanjony. Mino an’izany ve ianareo?Eny àry.252 Ankehitriny, Izy ve no Mpisoronabe androany izaymipetraka eo an-tànana ankavanan’Andriamanitra, manaofanelanelanana eo amin’ny fiaikentsika? Milaza ve ny Baibolyfa Izy no Mpisoronabe izay azo kasihan’ny fahatsapan’nyfahalementsika? Marina ve izany? Eny àry, raha mararyianareo, dia manomboha mivavaka, manaova hoe, “TompoAndriamanitra, vao avy nandre Hafatra iray aho. Izaho—tsyfantatro io lehilahy io. Izaho dia—ato amin’ny tabernakla aho.Tsy tonga eto aho, tsy ity no tena fiangonako. Avy any an-kafa any ho any aho. Avy any ivelan’ny tanàna aho, avy anyan-kafa any ho any aho. Tsy fantatro ilay lehilahy. Fa izy nomanao an’izany, toy ny manao an’ilay izy ho tena pozitifa hoeIanao izany, ary nilaza fa niseho taminy Ianao, ka ny Hafanydia marina, ary ahoana no Anaovanao an’ireo zavatra ireo.Ankehitriny, tsy fantatro ilay lehilahy, saingy fantatro Ianao.Noho izany raha nanolotra ny tenany ho Anao izy, ka Ianaono mampiasa ny vatany mba hiteny Ny Teninao Manokana,dia aoka izy hiteny amiko. Avelao aho hikasika ny Lambanao,Tompo.” Dia jereo raha manao Izy na tsia! Jereo raha Izy noAndriamanitra.253 Raha mbola Andriamanitra foana Izy, dia afaka mampiasany molotro Izy hiteny an’ireo teny iray ihany izay Noteneniny,satria tsy manana molotra afa-tsy ny ahy sy ny anareo Izy.Tsy manana maso afa-tsy ny antsika Izy. Noho izany dia tongafotsiny Izy ka mampiasa Ny Fiangonany amin’ny alàlan’nyvatantsika. Mino an’izany ve ianareo? [Hoy ny fiangonana hoe,“Amena.”—Mpand.] Mampiasa, ny Tenany! Izany no Nolazainy.“Ireo asa izay Ataoko, no hataonareo koa.” Marina ve izany?[“Amena.”] “Ireo asa iray ihany, no hataonareo.” Izany ireo asaizay Nataony, mba hanaporofo fa Izy no Mesia. Ankehitriny,raha Izy no Mesia, ary izany Izy, noho izany, satria marinaizany, noho izany dia manao an’ireo asa iray ihany mihitsyIzy ankehitriny, amin’ny alàlan’Ny Fiangonany, izay Nataonytamin’izany. Izany no manaporofo fa marina ilay izy, tsy

Page 54: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

54 NY TENY VOAMBARA

mampaninona ny amin’ireo anaram-piangonanareo rehetra. Oh,haleloia!254 Rahalahy Kidd antitra kely sy Ranabavy Kidd mipetrakaeto, izy roa ireo, ary valopolo taona izy ireo, nitory tenytalohan’ny nahaterahako. Nandry teto izy indray maraina,teo am-pahafatesana, niaraka tamin’ny homamiadana iray,teo amin’ny roa taona lasa teo izay, nodidiana teo amin’nyprostatiny; tany Ohio tany. Efa tena sakaiza malalako mihitsy.Niantso ahy Ranabavy Kidd, nanao hoe, “Billy, tsaratsarakokoa aminao ny mandeha haingana. Eo am-pahafatesanamihitsy izy, eo am-pahafatesana izao ankehitriny izao.” Arysaiky nandrehitra an’ilay fiara tontako izaho sy Billy, nandehanankany.255 Rehefa niditra ny efitra aho, vantany vao tonga tao, dianiteny ny FanahyMasina hoe, “HOYNYTOMPOHOE.”256 Io izy mitsangana, vavolombelona iray an’nyvoninahitr’Andriamanitra, nanao ny dokoterany ho torotorotanteraka mihitsy aza. Izany fotsiny dia, Andriamanitra Izy!Afaka nanao an’izany ve aho? Tsia, tompoko! Ireo teniko dia tsymihoatra noho ny an’ny olona iray. Fa izany no HOY NY TOMPOHOE! Amena.257 Taona maro lasa izay, tany amin’ireo tendrombohitr’iKentucky, Fiangonan’Andriamanitra tranainy kely iray, na nysasany tamin’izy ireo, nitondra niakatra sy nidina an’ireoilan’ny havoana, nively katsaka niaraka tamin’ny karazan-javatra iray, niaraka tamin’i neny Kidd antitra, mba hamahanaandian’ankizy iray; nanasa lamba teo amin’ny barika iray, mbahandefasana ny vadiny any amin’ny saha.258 Ary indro izy ireo ao amin’ny faha-valopolo taonany,mipetraka eto androany, mankasitraka ny Filazantsaran’i JesosyKristy, mamily fiara an-jatony maily mahery ny Alahadymaraina, isaky ny Alahady izay itoriako eto, raha afaka mandreny amin’izany izy ireo. Azo antoka, mandefa fanasana anyamin’izy ireo izahay, raha te-ho avy izy ireo. Ho tahiana anieny fo antitra kelin’izy ireo. Marina izany. Tiako ny olona atohandray ny tànan’izy ireo izao maraina izao, raha vitan’izy ireo,hitso-drano azy ireo.

Ankehitriny mivavaha.259 Oh, tena faly aho ny mahafantatra fa Andriamanitra Izy.Fihetseham-po iray toy ny inona! Hoy ianareo hoe, “Inona noandanianao fotoana, Rahalahy Branham?” Miandry Azy aho.Izany dia ny…Efa nitory teny aho. Ity dia hosotra hafa iray.260 Ary raha ho avy Izy ka hanao an’ilay izy, dia firy ato rahaizany, izay marary, no hanaiky Azy ho Mpanasitrany? Atsanganofotsiny ny tànanareo, ny olona marary rehetra, raha Izy no—rahahanao an’izany Izy. Atsangano ny tànanareo, ny olona rehetra

Page 55: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

NY HAFATRY NY FAHASOAVANA 55

izay marary, izay afaka mahita fa io Mesia io, Kristy, dia eoafovoan’ny olona, miresaka.261 Mivavaha. Minoa. Hanokana an’ity ilan’ny trano ity aho.Mananamarobe ivavahana aho. Hitako ilay hosotra.262 Jereo. Firy no efa nandre an’ilay, ilay Andry Afo tany, izaynahanton’ny siansa any Washington, DC? Fantatrareo izany.Eto ny sarin’Izany, eto mihitsy, ilay Andry Afo iray ihany izaynitarika an’i Mosesy. Izay nilazan’ny siansa mihitsy aza hoe,“Indray andro any dia ho eo amin’ny talantalan’ny magazay folocents izany. Ilay Vatana ivelan’ny voajanahary hany azo sary.”263 Io Anjely iray io ihany dia eto amin’ny polipitra mihitsy izaoankehitriny izao. Tadiavo izany. Mihaika anareo aho mba hinoan’izany. Ianareo vahiny, minoa.264 Ankehitriny dia tsy maintsy mandinika fotsiny aho hoe aizano ahitako Azy mandeha. Aoka hanaja, ny olona rehetra, aoamin’Ny Fanatrehany, io Fanajana io.265 Mahita lehilahy iray aho. Io ilay izy. Mipetraka eto amin’nyankaviako izy, eto aoriana eto mihitsy eo amin’ny zoron-trano.Mijaly amin’ny aretin’ny taolan’orona sy aretim-bavony izy.Minoa amin’ny fonao rehetra. Vahiny iray amiko izy. Izany diaAtoa. Wells. Izany no anaranao, Atoa. Wells. Tsy avy eto ianao.Ianao dia any amin’ny toerana iray antsoina hoe Aurora, Illinois.Marina izany. Marina ve izany? Vahiny aminao aho. Raha marinaizany, dia atsangano ny tànanao. Mitsangàna. Jesosy Kristy nomanao anao ho salama.

Mino ve ianareo ankehitriny? “Rahametymino ianao.”266 Ankehitriny, etsy, io lehilahy io, tsy mbola hitako mihitsy teoamin’ny fiainako, ary vahiny tanteraka mihitsy eo anivontsika.Avy any amin’ny fanjakana hafa iray izy. Ary ny Fanahy Masina,ankehitriny, na inona na inona Nolazainy taminy, dia tsy hofantatro raha tsy mahafarana an’ity horonam-peo ity aho. Izanyno hosotra tonga eo aminao. Fa ilay lehilahy nomahafantatra.267 Izay notenenina taminao dia ny fahamarinana. Marina veizany, tompoko? Hia. Samy vahiny isika. Misy ny, aoka izy noho vavolombelon’ny tenany.

Iza no nanao an’izany? Mesia, Kristy.268 Indro ny ramatoa iray mipetraka eto aoriana eto mihitsy,eo afovoan’ny olona, eto mihitsy. Hitanareo ve io Hazavanaeo amboniny io? Mijaly amin’ny aretin-koditra izy. Rtoa.Pitman, avy any Owensboro ianao. Raha vahiny iray ianao,dia ahofahofaho ny tànanao. Marina ve ireo zavatra ireo?Ahofahofaho ny tànanao. Andriamanitra no nanasitrana anao.Tsy nahita an’ilay vehivavy mihitsy aho, tsy mbola, fa taoamin’ny fahitana iray fotsiny ihany.269 Mba hahafantaranao, dia misy vehivavy iray mihitsy eoakaikinao antsoina hoe Ellis, Rtoa. Ellis, vehivavy tanora iray.

Page 56: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

56 NY TENY VOAMBARA

Tratry ny aretim-behivavy izy. Vahiny iray ihany koa izy.Raha marina izany, dia ahofahofaho ny tànanao. Reninao veio mipetraka eo akaikinao eo io? Izany dia ramatoa iray izaymipetraka eo, mijaly amin’ny tahotra, fahasarotan’ny tahotra eoaminy. Raha marina izany, dia atsangano ny tànanao, ramatoa.Eny àry. Lasa ilay tahotra. Afaka mandeha mody ianao, aoka hosalama. Mihaika anao aho mba hino.270 Ery amin’ny farany eny aoriana ery, eo amin’ny zoron-trano, ery amin’ny farany, lehilahy iray avy any Minnesota,miaraka amin’ny aretin-damosina. Ny anaranao dia Atoa.Carson. Mitsangàna. Lasa ny aretin-damosinao. Jesosy Kristy nomanao anao ho salama.271 Eto aoriana eto mihitsy, ramatoa iray mijaly. Avy anyivelan’ny tanàna izy. Avy any amin’ny toerana iray antsoinahoe Blue Island izy. Tratry ny aretim-po izy. Izany diaany akaikin’i Chicago. Rtoa. Braiden, mitsangàna, ekeo nyfahasitrananao. Mandehana mody ka aoka ho salama, amin’nyAnaran’i Jesosy Kristy.272 Mino ve ianareo? [Hoy ny fiangonana hoe,“Amena.”—Mpand.] Ahoana ny amin’ity laharana ity?Fantatrareo ve fa izany no Mesia? Ahoana no ahafantaran’nylehilahy iray?273 Ireto olona rehetra izay efa voaantso ireto, hatreto, kamahafantatra fa tsy mahafantatra na inona na inona mikasikaanareo aho, dia atsangano ny tànanareo, ianareo olona rehetraizay efa voaantso, teo. Hitanareo ve eo?274 Misy olona iray ato aoriako, mivavaka, ao ambadika, aoamin’ny efitrano iray. Olona tanora iray izany, fanina, mivavakaho an’ny rahalahy iray any Kansas, tratry ny homamiadana.Manatòna ny varavarana. Manàna finoana an’Andriamanitra.Mino ve ianao?275 Elmer, fifandraisana iray aminao izany. Mahita ny dadanaomipetraka eo aho, ny vadiny. Tosi-drà ambony. Raha mino ianao,dia hanasitrana anaoAndriamanitra. Tsy fantatro.Marina izany.Sa tsy izany? Minoa amin’ny fonao rehetra.276 Mino ve ianareo? Mino ve ianareo fa Jesosy Kristy no Mesia?[Hoy ny fiangonana hoe, “Amena.”—Mpand.] Mino ve ianareofa eto Ny Fanatrehany? [“Amena.”] Tsarovy, rehefa nikasika nyakanjon’i Jesosy ny vehivavy anankiray, dia lasa nalemy Izy. Nyhery, ny tanjaka, dia niala Taminy. Saiky efa lasa fotsiny ahoankehitriny. Mino ve ianareo? [“Amena.”]

Noho izany dia ndao isika hanondrika ny lohantsika vetivetyfotsiny.277 O Jesosy, Mesian’Andriamanitra, akaiky mandrakarivaIanao. Mahafantatra tsara ny olona fa Ianao noZanak’Andriamanitra, ka eto Ianao ankehitriny. Efa voaporofo

Page 57: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

NY HAFATRY NY FAHASOAVANA 57

ireo Famantaranao lehibe sy ireo fahagagana. Tahio izy ireo,Ray. Tahio izy ireo, mivavaka aho. Enga anie izy ireo hino izaoankehitriny izao, amin’ny fony rehetra, fa Ianao, ilay Mesia, noilay Anankiray izay mitsangana eto. Tsy misy olona afaka hanaoan’izany. Tsy azo atao amin’ny maha-olombelona izany, Tompo.Fahagagana, ny mahita ny herin’ny Mesia tonga ao amin’nytoerana kely iray, manetry tena tahaka an’ity, satria dia Ianaono nampanantena an’izany, Tompo. Satria, eto ny Fahasoavanaomba hanasoa anay. Satria izany no Fampanantenanao hanaoan’izany, dia Nataonao izany. Hitanay fa tsy mandao ny OlonaoIanao.278 Ankehitriny, Ray, Andriamanitra, enga anie ireo izaymanana karatra fangataham-bavaka, izay hiditra ao amin’nylaharam-bavaka, enga anie izy ireo hanana finoana mba hino. OAndriamanitra Tsitoha, rehefa mipetraka eo aminy ireo tànana,dia enga anie izy ireo hiala eto, mifaly, mihiakiaka, mideraan’Andriamanitra, hoe sitrana izy ireo. Ekeo izany, Tompo.279 Ary aoka ireo izay efa voavonjy, hahafantatra fa tsy misymiafina amin’Andriamanitra. Andriamanitra no manambarany tsiambaratelon’ny fo; Fantany ny eritreritra rehetra izayao anatin’ny fisainanay. Ekeo izany, Ray. Mangataka amin’nyAnaran’i Jesosy Kristy izahay. Amena.280 Ankehitriny, ianareo izay manana karatra fangataham-bavaka, eo amin’ny mpanatrika, ianareo olona manodidina nytabernakla, manodidina manerana eto, izay manana karatrafangataham-bavaka, mino ve ianareo? Atsangano ny tànanareo.Ary minoa fa tsy afaka manao an’izany ny olombelona iray.Tsy maintsy avy amin’Andriamanitra izany. Mino ve ianareofa teny fikasan’Andriamanitra iray izany, hoe Andriamanitrano nilaza fa Izy no hanao an’izany? [Hoy ny fiangonana hoe,“Amena.”—Mpand.] Eny àry. Noho izany dia fantatrareo fa misyOlona iray ankoatran’ny olona.281 Mandray am-panajana an’ity Teny ity aho, eoanatrehan’Andriamanitra. Ireo olona izay niresahana, na izaizy na iza, tsy mahafantatra azy ireo aho, ary izy ireo tsymahafantatra ahy. Vahiny niditra teto amin’ny tabernakla tetofotsiny izy ireo, na taiza izy ireo na taiza.282 Mahita fahitana sasantsasany aho eo amin’ny olona izayato amin’ny tabernakla ato, saingy mamela azy ireny hipetrakatsara, hia, mamela azy ireny hipetraka tsara fotsiny.283 Ireo olona izay voaantso ireo, na iza ianareo na iza,mba hahitan’ireo sasany fa vahiny ianareo, dia atsangano nytànanareo. Hitanareo?Ny tsirairay avy, ny rehetra dia vahiny.284 Misy zavatra iray manohy manetsika ahy fotsiny. Mahitaramatoa mainty hoditra iray aho miseho eo anoloako, hatranyfoana, tratry ny aretin-kozatra sy tosi-drà avo. Eny. Vahiny irayeo anivonay ianao. Avy any Memphis ianao, Rtoa. Sals. Izany

Page 58: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

58 NY TENY VOAMBARA

no anaranao. Fotoanao voalohany ny eto. Mino ny Tompo veianao, amin’ny fonao rehetra? Noho izany dia afaka mandehamody ianao ary ho voavonjy, sitrana. Andriamanitra no manalaan’izany ho azy.285 Minoa amin’ny fonareo rehetra, ny olona rehetra. Atsanganony tànanareo ankehitriny, ny olona rehetra. Minoa amin’nyfonareo rehetra. Apetraho eo amin’ny iray hafa ny tànanareo.

Avia eto, RahalahyNeville. Avia eto, atolory ny vavaka.286 Raha mbola manondrika ny lohantsika isika, dia hivavakaRahalahy Neville.

Page 59: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

NY HAFATRY NY FAHASOAVANA MAG61-0827(The Message Of Grace)

Ity Hafatr’i Rahalahy William Marrion Branham ity, izay notoriana tamin’nyTeny Anglisy hatrany am-piandohany ny Alahady maraina, 27 Aogositra 1961,tao amin’ny Branham Tabernacle ao Jeffersonville, Indiana, U.S.A., dia nalainaavy tamin’ny horonam-peo ary natonta manontolo amin’ny Teny Anglisy. Ityfandikana amin’ny Teny Malagasy ity dia natonta sy nozarain’ny Voice Of GodRecordings.

MALAGASY

©2018 VGR, ALL RIGHTS RESERVED

VOICE OF GOD RECORDINGS

P.O. BOX 950, JEFFERSONVILLE, INDIANA 47131 U.S.A.www.branham.org

Page 60: MAG61-0827 Ny Hafatry Ny Fahasoavana VGR...2 NYTENYVOAMBARA volanaeoizany,ramatoa.Tsymananatoeranairayizahayeto hanaovanafilazananyfivoriana,synysisa,tsymisynainona nainonahikarakaranaan’izanyetoamin’nytanàna,tsymisyna

Filazana fahefan’ny tompon’ny boky

Tsy azo adika. Ity boky ity dia azo atao printy amin’ny fanaovam-printy ao an-trano ho an’ny fampiasana manokana na ho zaraina, tsy misy sarany, ho fitaovana iray hanaparitahana ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy. Ity boky ity dia tsy azo amidy, na adika indray amin’ny refy lehibe, na alefa amin’ny siteweb iray, na tehirizina amin’ny fomba nisy nanesorana, na adika amin’ny fiteny hafa, na ampiasaina ho fangataham-bola raha tsy misy alàlana voasoratra mazava avy amin’ny Voice Of God Recordings®.

Ho an’ny fanazavana fanampiny na ho an’ny fitaovana hafa efa azo raisina, dia iangaviana hifandray amin’ny:

Voice of God RecoRdinGsP.o. Box 950, JeffeRsonVille, indiana 47131 U.s.a.

www.branham.org