mitoera ao amin ny fitiavan andriamanitra - jw.orgdownload.jw.org/files/media_books/f7/lv_mg.pdf ·...

Download Mitoera ao Amin ny Fitiavan Andriamanitra - JW.ORGdownload.jw.org/files/media_books/f7/lv_MG.pdf · na 5:8. 1, 2. Nahoana ianao no tia an’i Jehovah Andriamanitra? ... fomba fiainantsika.—Ohabolana

If you can't read please download the document

Upload: lediep

Post on 13-Feb-2018

573 views

Category:

Documents


130 download

TRANSCRIPT

  • lv-M

    G1

    61

    21

    3

    Ahoana no hampisehoanao fatena tia anAndriamanitra ianao?

    Ahoana no hahafantaranao rahaazo atokisana ny feonny fieritre-retanao?

    Olona manao ahoana ianao, rahajerena ny namana fidinao?

    Ahoana no iheveranAndriamani-tra anao raha manaja fahefanaianao?

    Nahoana no tena mahasoa anaony mankato ny fitsipiny mombany fitondran-tena?

    Inona no hanampy anao hoafa-po aminny asanao?

    Ahoana no hahatonga anaohaniry hankato ani Jehovah? MITOERA AOAMINNY

    FITIAVANANDRIAMANITRA

    FITIAVANANDRIA

    MANITR

    Alv-M

    Gs

    http://www.jw.org/finder?wtlocale=MG&srcid=pdf

  • lv-M

    G1

    61

    21

    3

    Ahoana no hampisehoanao fatena tia anAndriamanitra ianao?

    Ahoana no hahafantaranao rahaazo atokisana ny feonny fieritre-retanao?

    Olona manao ahoana ianao, rahajerena ny namana fidinao?

    Ahoana no iheveranAndriamani-tra anao raha manaja fahefanaianao?

    Nahoana no tena mahasoa anaony mankato ny fitsipiny mombany fitondran-tena?

    Inona no hanampy anao hoafa-po aminny asanao?

    Ahoana no hahatonga anaohaniry hankato ani Jehovah? MITOERA AOAMINNY

    FITIAVANANDRIAMANITRA

    FITIAVANANDRIA

    MANITR

    Alv-M

    Gs

    http://www.jw.org/finder?wtlocale=MG&srcid=pdf

  • Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.Wallkill, New York, U.S.A.Made in JapanNatao tany Japon

    MITOERA AOAMINNYFITIAVAN

    ANDRIAMANITRABOKINI

    Sary: Pejy 134: Mixa/age fotostock Pejy 201: bilderlounge/Tips RF/age fotostock

    Tsy natao hamidy ity boky ity. Navoaka izy ity mba hampianarana Baibolymaneran-tany, ary tohanana aminny alalanny fanomezana an-tsitrapo.Midira ao aminny www.jw.org/mg, raha te hanao fanomezana ianao.

    Raha tsy misy fanamarihana manokana, dia avy aminilay dikan-teny maoderinahoe Ny Soratra MasinaFandikan-teninny Tontolo Vaovao ny andinin-teny ato.Keep Yourselves in Gods LovePirinty natao taminny Oktobra 2016Malagasy (lv-MG) 2008, 2015Watch Tower Bible and Tract Society of PennsylvaniaMpampanonta

  • TOKO PEJY

    1. Izao no Fitiavana AnAndriamanitra 5

    2. Ahoana no Hanananao Feonny FieritreretanaMadio Foana? 14

    3. Tiavo ny Olona TianAndriamanitra 25

    4. Nahoana Isika no Tokony Hanaja Fahefana? 36

    5. Misaraha Aminizao Tontolo Izao 50

    6. Ahoana no Hifidianana Fialam-boly Mahasoa? 62

    7. Sarobidy Aminao ve ny Aina? 74

    8. TianAndriamanitra ny Olona Madio 86

    9. Andosiro ny Fijangajangana 97

    10. FanomezanAndriamanitra ny Fanambadiana 110

    11. Aoka ho Mendri-kaja ny Fanambadiana 121

    12. Aoka Isika Hanao Teny Mampahery 133

    13. Fety Tsy AnkasitrahanAndriamanitra 144

    14. Manaova ny Marina Aminny Zava-drehetra 160

    15. Mifalia Aminny Asa Mafy Ataonao 171

    16. Tohero ny Devoly sy ny Teti-dratsiny 183

    17. Miorena Tsara eo Aminny FinoanareoMasina Indrindra 196

    Fanazavana Fanampiny 206

    LOHA HEVITRA ATO ANATINY

  • Ho anareo tia ani Jehovah,Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hanafaka

    anareo, hoy i Jesosy. (Jaona 8:32) Tsy mampahery tokoave izany hoe afaka mahalala ny marina izany? Miely bemantsy ny lainga aminizao andro farany misy fotoan-tsarotra izao. (2 Timoty 3:1) Tsaroanao ve taminianaovao niaiky hoe nahita ny fahamarinana ao aminny Te-ninAndriamanitra? Faly be ianao taminizay!

    Ilaina tokoa ny mahalala tsara ny marina sy miresakamomba azy io aminny olona foana. Tena ilaina koaanefa ny mampihatra ny fahamarinana eo aminny fiai-nantsika. Mila miezaka ny ho tianAndriamanitra foanaisika, mba hahavitana izany. Ahoana izany? Nanazavaanizany i Jesosy ny alina talohanny nahafatesany. Hoyizy taminny apostoliny tsy nivadika: Tsy miala aminnyfitiavako ianareo, raha mitandrina ny didiko toy nyitandremako ny didinny Ray sy tsy ialako aminny fitia-vany.Jaona 15:10.

    Mariho fa tsy niala taminny fitiavanAndriamanitrai Jesosy, izany hoe tianAndriamanitra foana, satria nita-ndrina ny didiny. Mila mampihatra ny fahamarinanaisanandro koa isika, mba ho tianAndriamanitra foa-na. Hoy koa i Jesosy taminio alina io: Raha fantatrareoizany, dia sambatra ianareo raha manao izany.Jao-na 13:17.

    Antenainay ary fa hanampy anao hampihatra ny faha-marinana foana ity boky ity. Hitoetra ao aminnyfitiavanAndriamanitra ianao aminizay, sady mitsinjony fiainana mandrakizay.Joda 21.

    Filan-kevi-pitantananny Vavolombeloni Jehovah

  • TIA ani Jehovah Andriamanitra ve ianao? Raha efa na-nokan-tena ho azy ianao, dia azo antoka fa hamaly avyhatrany hoe tena tianao izy. Rariny izany, satria valinny fitiavanAndriamanitra antsika ny fitiavantsika azy.Hoy mantsy ny 1 Jaona 4:19: Isika kosa tia, satria izyno tia antsika voalohany.

    2 I Jehovah no nanao zavatra voalohany mba hampi-sehoana fa tia antsika izy. Nanome anity tany tsara ta-rehy ity izy mba hipetrahantsika. Mikarakara izay ilai-ntsika koa izy. (Matio 5:43-48) Manampy antsika mbahifandray tsara aminy koa aza izy. Nomeny antsika nyTeniny, izany hoe ny Baiboly. Manasa antsika hivavakaaminy koa izy, sady manome toky fa hihaino ary hano-me ny fanahy masina mba hanampy antsika. (Salamo65:2; Lioka 11:13) Naniraka anilay Zanany tiany indri-ndra mihitsy aza izy, mba hanafaka antsika aminny otasy ny fahafatesana. Tsy hitanao aminizany ve hoe tenatia antsika i Jehovah?Vakio ny Jaona 3:16; Romani-na 5:8.

    1, 2. Nahoana ianao no tia ani Jehovah Andriamanitra?

    TOKO 1

    Izao no FitiavanaAnAndriamanitra

    Izao no fitiavana anAndriamanitra,dia ny hitandremantsika ny didiny.Tsy mavesatra anefa ny didiny.

    1 JAONA 5:3.

    5

  • 3 Tiani Jehovah hitondra soa ho antsika mandrakizayny fitiavany. Miankina tanteraka amintsika anefa izany.Mampirisika antsika ny Teniny hoe: Mitoera ao aminny fitiavanAndriamanitra, sady mitsinjo ny fiainanamandrakizay. (Joda 21) Ilay hoe mitoera, dia midikafa mila manao zavatra isika mba ho tianAndriamanitrafoana. Misy zavatra tokony hataontsika ho setrinny fi-tiavany. Tena ilaina ary ny mieritreritra hoe: Ahoana nohampisehoako fa tia anAndriamanitra aho? Mamaly

    3. a) Inona no dikanny hoe mitoera ao aminny fitiavanAndria-manitra? b) Inona no fanontaniana lehibe mila eritreretintsika, aryaiza no misy ny valiny?

    Hankato ani Jehovahfoana ianao rehefaavy nanokan-tena hoazy sy natao batisa,satria tianao izy

  • izany ny 1 Jaona 5:3, hoe: Izao no fitiavana anAndria-manitra, dia ny hitandremantsika ny didiny. Tsy mave-satra anefa ny didiny. Mila mandinika tsara ny dikanizany isika, satria tiantsika haseho aminAndriamanitrahoe tena tiantsika izy.

    IZAO NO FITIAVANA ANANDRIAMANITRA4 Niresaka momba ny fitiavantsika anAndriamanitra

    ny apostoly Jaona eo. Tadidinao ve hoe oviana no nano-mboka nitsiry tao am-ponao izany fitiavana anAndria-manitra izany?

    5 Eritrereto kely ange e! Nanomboka nino ani Jeho-vah ianao taminianao vao nianatra ny marina mombaazy sy ny fikasany. Nianaranao koa fa na dia mpanota sytafasaraka taminAndriamanitra aza ianao hatraminnyvao teraka, dia nirahiny i Kristy mba hahafahanao hiai-na mandrakizay sy ho lasa lavorary indray toa ani Ada-ma. (Matio 20:28; Romanina 5:12,18) Takatrao fa nanaosorona lehibe i Jehovah rehefa naniraka anio Zananytena tiany io, mba ho faty ho anao. Nanohina ny fonaoizany fitiavana lehibe nasehonAndriamanitra izany, kalasa tianao izy.Vakio ny 1 Jaona 4:9, 10.

    6 Vao fiandohanny tena fitiavana ani Jehovah anefaizany. Tsy ao am-po fotsiny mantsy ny fitiavana. Tsyampy koa ny milaza hoe: Tia ani Jehovah aho. Toy nyfinoana ny tena fitiavana, ka porofoina sy ahariharyaminny atao. (Jakoba 2:26) Raha tia olona iray ianao,dia asehonao azy izany ka manao zavatra mahafaly azyianao. Nanjary te hanao izay hampifaly ani Jehovah,

    4, 5. Oviana no nanomboka nitsiry tao am-ponao ny fitiavana anAndriamanitra? Tantarao.6. Ahoana no hampisehoana ny tena fitiavana? Inona no nataonaonoho ianao tia anAndriamanitra?

    Izao no Fitiavana AnAndriamanitra 7

  • Rainao any an-danitra, ary ianao rehefa namaka tsaratao am-ponao ny fitiavana azy. Vavolombeloni Jehovahvita batisa ve ianao? Tena tia ani Jehovah sy mifikitraaminy ianao, ka nandray anio fanapahan-kevitra lehibeindrindra io. Nanokan-tena ho ani Jehovah mba hanaony sitrapony ianao, ary nampiseho izany rehefa nataobatisa. (Vakio ny Romanina 14:7, 8.) Nilaza zavatra hafahanampy anao hanefa anio voady lehibe io koa i Jaona.

    MITANDRINA NY DIDINY ISIKA7 Nilaza i Jaona fa mitandrina ny didinAndriamani-

    tra isika, raha tia azy. Inona avy ny didiny? Nanomedidy mazava tsara izy ao aminny Teniny. Rarany, oha-tra, ny manao mamo, mijangajanga, manompo sampy,mangalatra, ary mandainga. (1 Korintianina 5:11; 6:18;10:14; Efesianina 4:28; Kolosianina 3:9) Mitandrina nydidinAndriamanitra ary isika, raha mankato anireofitsipika mazava tsara omenny Baiboly momba ny fito-ndran-tena.

    8 Tsy ampy anefa ny mankato ny didy omeni Jeho-vah, raha te hampifaly azy isika. Tsy manao lalana mo-mba ny lafiny rehetra aminny fiainantsika andavana-ndro izy, satria tsy te hangeja antsika. Noho izany, diamety tsy hahita didy mazava momba ny zava-drehetramitranga eo aminny fiainantsika isanandro isika, aoaminny Baiboly. Ahoana ary no hahalalana hoe inonano mampifaly ani Jehovah? Misy fomba amantaranamazava tsara anizany ao aminny Baiboly. Fantatsikaizay tiani Jehovah sy halany rehefa mianatra azy io isi-

    7. Inona no sasany aminny didinAndriamanitra? Inona no dikannyhoe mitandrina ny didiny?8, 9. Ahoana no hahalalana izay mampifaly ani Jehovah, rehefa tsymanome lalana mazava ny Baiboly? Manomeza ohatra.

    8 Mitoera ao Aminny FitiavanAndriamanitra

  • ka. (Vakio ny Salamo 97:10; Ohabolana 6:16-19) Ma-njary takatsika hoe toe-tsaina sy fanao inona avy noankasitrahany. Ho haintsika kokoa ny hampifanarakany fanapahan-kevitsika sy ny zavatra ataontsika aminnyfomba fihevitri Jehovah, raha miezaka isika hahalalatsara kokoa ny toetrany sy ny fomba fiheviny. Azo ataoary matetika ny mamantatra izay sitraponi Jehovah,na dia tsy misy lalana mazava momba ilay toe-javatraatrehintsika aza ao aminny Baiboly.Efesianina 5:17.

    9 Mety ve, ohatra, ny mijery filma na fandaharanaaminny tele, raha misy herisetra na fitondran-tena ra-tsy ilay izy? Tsy misy lalana mandrara mivantana aniza-ny ao aminny Baiboly. Tena mila anizany ve anefa isi-ka? Efa fantatsika ny fiheverani Jehovah azy ireny.Mazava tsara ny voalazanny Teniny hoe: Tena halanyny olona tia herisetra. (Salamo 11:5) Hoy koa ny He-breo 13:4: HomelohinAndriamanitra ny mpijangaja-nga. Afaka mamantatra tsara ny sitraponi Jehovah isi-ka, rehefa misaintsaina anizany. Tsy hijery fandaharanamampiseho fanao halanAndriamanitra ary isika rehefamiala voly. Fantatsika mantsy fa faly i Jehovah rehefa tsymijery zava-dratsy isika, na dia fialam-boly tsy mampa-ninona aza ilay izy aminity tontolo ity.

    10 Inona no tena antony itandremantsika ny didinAndriamanitra? Nahoana isika no maniry hanaraka nyfomba fiheviny eo aminny fiainantsika isanandro? Tsyhoe mba tsy ho voasazy fotsiny, na hoe mba hisoroha-na ny zava-dratsy mahazo anizay tsy miraharaha ny si-traponAndriamanitra. (Galatianina 6:7) Mankato ani

    Jereo ny Toko 6 fa hanampy anao hahay hifidy fialam-boly.

    10, 11. Nahoana isika no mifidy ny hankato ani Jehovah? Ahoanano fomba tokony hankatoavantsika azy?

    Izao no Fitiavana AnAndriamanitra 9

  • Jehovah kosa isika, satria izany no fomba tsara indrindraanaporofoana fa tia azy isika. Te hahazo sitraka aminyisika, toy ny ankizy iray maniry mafy hahazo sitrakaamin-drainy. (Salamo 5:12) I Jehovah no Raintsika arytia azy isika. Tsy misy mahafaly sy mahafa-po antsikanoho ny mahafantatra fa ankasitrahani Jehovah nyfomba fiainantsika.Ohabolana 12:2.

    11 Tsy mankato tsy sazoka ary isika. Tsy mifidifidyizay didy hankatoavintsika isika, ka hoe mankato rehe-fa mety amintsika ilay izy, na tsy sarotra loatra, na tsymanahirana mihitsy. Mankato aminny fo kosa isika.(Romanina 6:17) Hoy ny mpanao salamo: Ho maminny foko ny didinao, izay efa tiako rahateo. (Salamo119:47) Toa azy koa isika satria tena tiantsika ny manka-to ani Jehovah. Miaiky isika fa mendrika ny hankatoa-vina tanteraka tsy misy fepetra izy. Izy rahateo mitakyanizany. (Deoteronomia 12:32) Nankato ani Jehovahnandritra ny taona maro i Noa, lehilahy tsy nivadika,mba hanaporofoana ny fitiavany azy. Hoy ny Baiboly:Nanao araka izay rehetra nandidianAndriamanitra azyi Noa. Izany indrindra no nataony. (Genesisy 6:22) Tia-ntsika raha toy izany koa no holazaini Jehovah mombaantsika.

    12 Inona no tsapani Jehovah rehefa mankato an-tsi-trapo isika? Milaza ny Teniny fa mampifaly ny fony iza-ny. (Ohabolana 27:11) Faly tokoa ve ny fonilay TompoFara Tampony rehefa mankato azy isika? Izany mihitsy,ary ara-dalana raha faly izy! Mamela antsika hanao izay

    Na ny demonia aza mankato tsy sazoka. Nandidy azy ireny hivoa-ka avy tao aminny olona sasany i Jesosy, ka voatery nanaiky ny fahe-fany izy ireo ary nankato, saingy tsy an-tsitrapo.Marka 1:27; 5:7-13.

    12. Inona no tena mampifaly ny foni Jehovah?

    10 Mitoera ao Aminny FitiavanAndriamanitra

  • tiantsika hatao mantsy i Jehovah. Midika izany fa afakamisafidy isika hoe hankato azy sa tsia. (Deoteronomia30:15, 16, 19, 20) Tena mampifaly anilay Raintsika anyan-danitra ary isika, raha mifidy an-tsitrapo ny hankatoazy noho ny fo feno fitiavana. (Ohabolana 11:20) Izanykoa no fomba fiaina tsara indrindra!

    TSY MAVESATRA NY DIDINY13 Tena mampahery ilay tenini Jaona hoe: Tsy mave-

    satra ny didinAndriamanitra. (1 Jaona 5:3) Toy izao noilazana azy ao aminny Baiboly Fandikan-teny AnglisyVaovao: Tsy mampahory antsika ny didiny. Tsy tafa-hoatra na mampijaly ny lalani Jehovah. Tsy mitaky za-vatra tsy ho vitanny olombelona tsy lavorary izy.

    14 Eritrereto, ohatra, hoe misy namanao hifindra tra-no. Mangataka anao izy mba hanampy azy hitaonaentana. Be dia be ny entana mila taterina. Maivana nysasany ka na olona iray aza mahazaka azy tsara. Misyanefa mavesatra ka olona roa vao mahazaka azy. Efa no-fantenanilay namanao izay entana tiany hoentinao. Izyve anefa dia hangataka anao hibata entana efa fantanyhoe mavesatra loatra aminao? Tsia. Tsy havelany hibataanizany irery ianao sao maratra. Tsara fanahy sy be fi-tiavana toy izany koa i Jehovah, ka tsy hangataka antsi-ka hankato didy sarotra loatra amintsika. (Deoterono-mia 30:11-14) Tsy hasainy hitondra enta-mavesatra toyizany mihitsy isika. Haini Jehovah hoe inona no tsy ho

    Enta-mavesatra no nandikani Matio anilay teny grika nadi-kani Jaona hoe mavesatra. (Matio 23:4) Ny lalana feno tsipirianysy ny fomban-drazana no tiany hambara taminizany. Noterennympanora-dalana sy ny Fariseo hanaraka azy ireny mantsy ny vahoaka.

    13, 14. Nahoana no azo lazaina fa tsy mavesatra ny didinAndriama-nitra? Hazavao aminny ohatra.

    Izao no Fitiavana AnAndriamanitra 11

  • vitantsika, satria fantany tsara ny nanaovana antsika,ary tsaroany fa vovoka ihany isika.Salamo 103:14.

    15 Tsy mavesatra mihitsy ny didini Jehovah, fa tenanatao hahasoa antsika. (Vakio ny Isaia 48:17.) Afaka ni-laza taminny Israelita ary i Mosesy hoe: Nandidy antsi-ka hanaraka ireo fitsipika rehetra ireo i Jehovah, sady na-ndidy ny hatahorana ani Jehovah Andriamanitsika,mba hahitantsika soa mandrakariva, ka ho velona isikatoy ny aminizao andro izao. (Deoteronomia 6:24) Afa-ka matoky koa isika fa mitady izay tena hahasoa antsikamandrakizay i Jehovah matoa manome lalana. Tsy hito-ndra fahavoazana ho antsika mihitsy ny didiny! Mana-na fahendrena tsy hita fetra mantsy izy, ka fantany izaytena hahasoa antsika. (Romanina 11:33) Milaza koa ny1 Jaona 4:8 fa Andriamanitra dia fitiavana. Vokatry nyfitiavana izay rehetra lazainy sy ataony, ary toy izany koany didy rehetra omeny ny mpanompony.

    16 Tsy midika izany hoe mora ny mankato anAndria-manitra. Maloto fitondran-tena sy eo ambany fahefanilay ratsy ity tontolo ity, ka tsy maintsy miady mafy isi-ka mba tsy ho voataonany. (1 Jaona 5:19) Tsy lavorarykoa isika, ka mila miezaka mafy mba tsy handika ny la-lanAndriamanitra. (Romanina 7:21-25) Handresy anefaisika raha tia anAndriamanitra. Tahini Jehovah ny olo-na te hankato azy noho ny fitiavana. Omeny ny fanahi-ny masina izay mankato azy aminny maha mpitondraazy. (Asanny Apostoly 5:32) Mahatonga antsika hana-na toetra tena tsara io fanahy io, ary manampy antsikahankato foana ireo toetra ireo.Galatianina 5:22, 23.

    15. Nahoana isika no afaka matoky fa tena natao hahasoa antsika nydidini Jehovah?16. Nahoana isika no afaka mankato foana, na dia tsy lavorary symiaina eto aminity tontolo ratsy ity aza?

    12 Mitoera ao Aminny FitiavanAndriamanitra

  • 17 Horesahina ato aminity boky ity ny toro lalani Je-hovah, sy ny fitsipiny momba ny fitondran-tena, ary nyfomba maro hamantarana ny sitrapony. Misy zava-dehi-be maromaro mila tadidintsika, rehefa mandinika izanyisika. Tokony hotsaroantsika fa tsy manery antsika ha-nkato ny lalany sy ny toro lalany i Jehovah. Tiany hanka-to an-tsitrapo kosa isika. Tadidio fa handray soa dienyizao isika sady hiaina mandrakizay, raha manaraka ny fo-mba fiaina tiani Jehovah hananantsika. Tadidio koa fany fankatoavana ani Jehovah aminny fo manontolo nofomba tsara indrindra anaporofoantsika fa tena tia azyisika.

    18 Tia antsika i Jehovah ka nanome antsika feonny fie-ritreretana, mba hahaizantsika manavaka ny tsara sy nyratsy. Mila ampiofanintsika anefa izy io, mba hahatongaazy ho mpitari-dalana azo itokisana. Izany no hodinihi-ntsika ao aminny toko manaraka.

    17, 18. a) Inona no horesahina ato aminity boky ity, ary inona notokony hotadidintsika rehefa mandinika izany? b) Inona no hodini-hintsika ao aminny toko manaraka?

    AHOANA NO HAVALINAO? Ahoana no fomba tiani Jehovah hankatoa-

    vantsika azy, ary nahoana izany no tenamahasoa antsika?Deoteronomia 5:28-33.

    Zava-dehibe amini Jehovah ve ny fanka-toavantsika azy? Hazavao.1 Samoela15:22, 23.

    Niezaka nanao inona foana i Jesosy? Inonano ianarantsika avy aminizany?Jaona 8:29.

    Nahoana no rariny raha mankato ani Jeho-vah isika?Apokalypsy 4:11.

    Izao no Fitiavana AnAndriamanitra 13

  • ERITRERETO hoe misy tantsambo mamily ny sambonyeny afovoan-dranomasina, na olona mamakivaky tanyefitra tsy misy mponina, na mpanamory mitondra fiara-manidina eny aminny habakabaka. Inona no ilainizy re-hetra ireo? Mila olona na zavatra hitari-dalana azy izy,raha tsy izany dia ho sahirana.

    2 Eritrereto hoe ho any aminny toerana vaovao aminaoianao, ary miaraka aminny olona atokisanao. Efa tany izyary hainy tsara ny lalana, ka izy no hitari-dalana anao. Tsyho very ianao raha manaraka ny tari-dalany. Toa aniompitari-dalana io ny feonny fieritreretana, ary fanomeza-na sarobidy avy amini Jehovah izy io. (Jakoba 1:17) Tenaho very isika raha tsy manana azy io. Manampy antsikahahita ny lalan-kizorana eo aminny fiainana sy tsy hialaaminizany izy io, raha arahina tsara. Andao ary hodinihi-ntsika ny atao hoe feonny fieritreretana sy ny fiasany. Ho-fantarintsika avy eo hoe ahoana no hamolavolana azy io,nahoana isika no tokony hihevitra ny feonny fieritrere-tanny hafa, ary inona no soa azonizay miezaka hananafeonny fieritreretana madio foana.

    NY FEONNY FIERITRERETANA SY NY FIASANY3 Midika ara-bakiteny hoe fahalalana ao anaty ilay

    1, 2. Nahoana no tena ilaina ny manaraka izay lazainny mpitari-da-lana? Nahoana no toy ny mpitari-dalana ny feonny fieritreretana?3. Inona no dikanilay teny grika nadika hoe feonny fieritrereta-na, ary inona no mampiavaka azy io?

    TOKO 2

    Ahoana no Hanananao FeonnyFieritreretana Madio Foana?

    Manana feonny fieritreretana madio.1 PETERA 3:16.

  • teny grika nadika hoe feonny fieritreretana. Afaka ma-halala ny tenantsika isika, ary isika ihany no zavaboaryeto an-tany nomenAndriamanitra fahaizana toy izany.Afaka mandini-tena isika, ka azontsika fantarina na metyny nataontsika na tsia. Toy ny mpitsara ny feonny fieri-treretana. Mandinika ny ataontsika sy ny toe-tsaintsikaary ny safidintsika izy io. Mety hitarika antsika handrayfanapahan-kevitra tsara izy io, na hampitandrina antsikaraha mitady handray fanapahan-kevitra ratsy isika. Ha-nome toky antsika izy io raha nahay nisafidy isika, fa ha-nenjika antsika raha tsy nahay isika.

    4 Efa voajanahary ao aminny olona ny feonny fieritre-retana. Nanana azy io i Adama sy Eva. Menatra, ohatra,izy ireo rehefa avy nanota. (Genesisy 3:7, 8) Nanenjikaazy ny eritreriny, saingy tsy nahasoa azy intsony izany.Nandika an-tsitrapo ny lalani Jehovah Andriamanitramantsy izy ireo, ary nikomy sy nanohitra azy. Lavoraryizy ireo ka nahalala tsara izay nataony, ary tsy afaka nive-rina tamini Jehovah intsony.

    5 Maro ny olona tsy lavorary nankato ny feonny fieri-treretany, fa tsy nanao toa ani Adama sy Eva. Nilaza, oha-tra, i Joba lehilahy tsy nivadika hoe: Hazoniko mafy nyfahamarinako, ka tsy havotsotro. Tsy hanome tsiny ahyna oviana na oviana ny foko. (Joba 27:6) Nanaraka ny

    Tsy misy teny hoe feonny fieritreretana ao aminny Soratra He-breo. Miresaka momba azy io anefa ny andinin-teny sasany, ohatrahoe io Joba 27:6 io. Ny toetra ao anaty mantsy matetika no atao hoefo, ary anisanizany ny feonny fieritreretana. Ny feonny fieritrere-tana ary no tiana hambara aminny hoe fo eo. Miseho in-30 eo hoeo ny hoe feonny fieritreretana ao aminny Soratra Grika.

    4, 5. a) Inona no porofo fa nanana feonny fieritreretana i Adamasy Eva, ary inona no vokany rehefa nandika ny lalanAndriamanitraizy ireo? b) Inona no mampiseho fa niasa tsara ny feonny fieritrere-tanny olona tsy nivadika fahiny?

    Ahoana no Hanananao Feonny Fieritreretana Madio Foana? 15

  • feonny fieritreretany foana i Joba, rehefa nanao zavatrasy nanapa-kevitra. Afaka nilaza ary izy fa tsy nanenjikaazy ny eritreriny, ka tsy nahatsiaro ho menatra na melo-ka izy. Tsy mba toy izany i Davida, satria nanameloka azyfoana ny fony noho izy tsy nanaja ani Saoly, mpanjakavoahosotri Jehovah. (1 Samoela 24:5) Nenjehinny eri-treriny izy. Azo antoka anefa fa nahasoa azy izany, satrianampianatra azy hoe tsy tokony hamerina ny fahadisoa-ny izy.

    6 Ny mpanomponi Jehovah ihany ve no nomenafeonny fieritreretana? Hoy ny apostoly Paoly: Manaoizay takinny lalana ny olona hafa firenena tsy mananalalana, satria voajanahary aminy izany. Koa isaky ny ma-nao izany ireny olona ireny, dia efa lalana ho anny tena-ny izy, na tsy manana lalana aza. Ny tenany mihitsy nomampiseho fa voasoratra ao am-pony ny votoatinny la-lana, ary ny feonny fieritreretany koa no vavolombelo-na miaraka aminy, ka ny eritreriny ihany no miampangaazy na manala tsiny azy mihitsy aza. (Romanina 2:14, 15) Toy ny vavolombelona ao anaty ny feonny fieri-treretana. Mahatonga ny olona hanao zavatra mifanara-ka aminny toro lalani Jehovah izy io indraindray, na diatsy mahalala ny lalany aza ilay olona.

    7 Mety ho diso anefa ny feonny fieritreretana. Mety hi-tarika anao any aminny lalan-kafa, ohatra, ilay mpitari-dalana raha tsy mahatadidy lalana. Na mety ho very ia-nao raha tsy manaiky ny teniny, fa mandeha any aminizay lalana heverinao fa tokony harahina. Toy izany koafa mety hamitaka antsika ny feonny fieritreretantsika,raha faniriana feno fitiavan-tena no mibaiko azy io. Mety

    6. Inona no porofo fa nomena feonny fieritreretana ny olona rehe-tra?7. Nahoana no mety ho diso ny feonny fieritreretana?

    16 Mitoera ao Aminny FitiavanAndriamanitra

  • tsy hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy koa isika aminny raharaha lehibe maro, raha tsy manaraka ny tari-dala-na azo antoka omenny Baiboly. Mila ny tari-dalanny fa-nahini Jehovah ary isika mba hiasa tsara ny feonny fieri-treretantsika. Hoy mantsy i Paoly: Vavolombelona arakany fanahy masina ny feonny fieritreretako. (Romanina9:1) Tokony hamolavola ny feonny fieritreretantsika isi-ka, mba ho azo antoka hoe manaraka ny tari-dalanny fa-nahy masina izy io.

    AHOANA NO HAMOLAVOLANANY FEONNY FIERITRERETANA?

    8 Baikoinny eritreriny sy ny fihetseham-pony fotsinyny olona sasany, rehefa manapa-kevitra. Mety hiteny izyavy eo hoe: Tsy manenjika ahy ny eritreritro. Mety hi-tarika ny olona ho aminny lalan-diso anefa ny feonnyfieritreretany, rehefa tena mafy ny fanirianny fony. Hoyny Baiboly: Mamitaka mihoatra noho ny zava-drehetrany fo, sady sarotra fehezina. Iza no mahalala ny aminy?(Jeremia 17:9) Izay hampifaly ani Jehovah Andriamani-tra ary no zava-dehibe indrindra tokony hoheverintsika,fa tsy ny fanirianny fontsika.

    Nampijaly anireo Kristianina ny olona sasany, anisanizany i Pao-ly, nefa tsy nanenjika azy ny eritreriny. Noheveriny mantsy fa nanka-sitrahanAndriamanitra ny nataony. Nilaza mihitsy i Paoly hoe: Tsyhitako izay tsiniko, nefa tsy mahatonga ahy ho marina izany, fa i Je-hovah no mandinika ny momba ahy. (1 Korintianina 4:4) Asehonny Baiboly eo fa tsy ampy ny mihevitra hoe: Madio ny eritreritro.Tokony hadio eo imasonAndriamanitra koa mantsy ny feonny fieri-treretantsika.Asanny Apostoly 23:1; 2 Timoty 1:3.

    8. a) Inona no vokatry ny fanirianny fo eo aminny feonnyfieritreretana, ary inona no tena tokony hoheverintsika rehefa hana-pa-kevitra? b) Nahoana isika no tsy tokony hieritreritra hoe rehefamadio ny eritreritsika dia efa ampy izay? (Jereo ny fanamarihanaambany pejy.)

    Ahoana no Hanananao Feonny Fieritreretana Madio Foana? 17

  • 9 Hahay hanapa-kevitra isika, raha voavolavola tsara nyfeonny fieritreretantsika ary mankato azy io isika. Hohita aminizay hoe matahotra ani Jehovah isika, fa tsymanao izay tiantsika fotsiny. Nanan-jo hitaky hetra ta-minny mponini Jerosalema, ohatra, i Nehemia Gove-rnora. Tsy nanao izany anefa izy. Tsy tiany mantsy na diany nieritreritra fotsiny aza hoe tsy hankasitrahani Jeho-vah izy raha nampijaly ny vahoakany. Hoy izy: Tsy mbananao toy izany aho satria natahotra anAndriamanitra.(Nehemia 5:15) Tena mila matahotra anAndriamanitrakoa isika, izany hoe matahotra mafy sao tsy hankasitra-hany. Handrisika antsika hitady tari-dalana ao aminnyTeniny izany, isaky ny hanapa-kevitra isika.

    10 Eritrereto, ohatra, ny fisotroana toaka. Mila manapa-kevitra isika rehefa misy fiaraha-mikorana hoe: Hisotrove aho sa tsia? Mila eritreretina aloha hoe inona no torolalanny Baiboly. Tsy mandrara ny fisotroana araka nyantonony izy io. Misy fiderana ani Jehovah aza ao, nohoizy nanome ny divay. (Salamo 104:14, 15) Raranny Bai-boly kosa ny fimamoana sy ny lanonana feno filibana.(Lioka 21:34; Romanina 13:13) Voalaza ao fa fahotanatena lehibe toy ny fijangajangana ny fimamoana.1 Ko-rintianina 6:9, 10.

    11 Mamolavola ny feonny fieritreretana ny toro lalanatoy ireo. Eritrereto ary izao rehefa misy fiaraha-mikorana,ka hanapa-kevitra ianao na hisotro na tsia: Iza avy nohiara-mikorana any? Sao dia tsy ho voara-maso ilay izydia hanao izay tiany fotsiny ny olona? Ary izaho? Tia mi-sotro ve aho? Miankin-doha aminny toaka ve aho? Mi-

    9. Inona no atao hoe matahotra anAndriamanitra, ary inona no ha-taontsika raha matahotra azy isika?10, 11. Inona avy no toro lalanny Baiboly momba ny fisotroana toa-ka? Ahoana no hahazoantsika ny tari-dalanAndriamanitra rehefahampihatra izany isika?

    18 Mitoera ao Aminny FitiavanAndriamanitra

  • tady toaka ve aho mba hanalana henatra sy ho sahisahykokoa? Mahalala onony ve aho? Tsara ny mivavakamba hahazoana ny tari-dalani Jehovah, rehefa misai-ntsaina anireo fanontaniana ireo sy ny toro lalanny Bai-boly. (Vakio ny Salamo 139:23, 24.) Toy ny manasa aniJehovah hitari-dalana antsika aminny alalanny fanahi-ny isika aminizay, sady mamolavola ny feonny fieritre-retantsika hifanaraka aminny toro lalany. Misy zavatratokony hodinihina koa anefa rehefa hanapa-kevitra.

    HEVERO NY FEONNY FIERITRERETANNY HAFA12 Mety hahagaga anao ny mahita fa tena samy hafa ny

    feonny fieritreretanny Kristianina. Misy fanao manafi-ntohina ny sasany, nefa tsy mampaninona ny sasany arymahafinaritra azy mihitsy aza. Misy, ohatra, tia misotro-sotro rehefa mikorana takariva miaraka aminny nama-na vitsivitsy. Misy kosa tsy tia anizany. Nahoana ary isi-ka no tsy mitovy hoatrizany, ary ahoana no hatao rehefahanapa-kevitra?

    13 Maro ny antony tsy mampitovy ny olona. Samy hafabe mantsy ny zavatra niainany. Mahafantatra tsara ny fa-halemeny, ohatra, ny olona sasany. (1 Mpanjaka 8:38, 39)Efa niady mafy taminizany angamba izy nefa mbola tsytena resiny izy io. Mety hitandrina be aminny fisotroa-na toaka izy, ohatra, raha io no fahalemeny. Mety handaary izy raha rosoanao toaka rehefa mitsidika anao, satriatsy mamela azy hisotro ny feonny fieritreretany. Ho te-zitra ve ianao? Hisisika ihany ve ianao? Tsy hanao izanyianao raha manana fitiavana, na fantatrao na tsia ny

    Maro ny dokotera milaza fa tsy vitanny olona efa mpisotro be nymifehy tena. Aminizy ireny, ny hoe misotro araka ny antonony diahoe tsy mikasika toaka mihitsy.

    12, 13. Nahoana no tsy mitovy ny feonny fieritreretanny Kristiani-na, ary ahoana no atao rehefa sendra anizany?

    Ahoana no Hanananao Feonny Fieritreretana Madio Foana? 19

  • antony andavany. Mety tsy ho tiany holazaina koa ilayizy.

    14 Voamariki Paoly fa matetika no tena tsy nitovy nyfeonny fieritreretanny Kristianina taminny taonjatovoalohany. Ny sasany tsy nety nihinana sakafo avy nataosorona ho anny sampy. (1 Korintianina 10:25) Tsy na-mpaninona ani Paoly anefa ny nihinana anizany, rehe-fa namidy teny an-tsena ilay izy. Tsinontsinona mantsyny sampy taminy. I Jehovah koa no nanao ny sakafo, kaizy no tompony fa tsy ny sampy. Takatri Paoly anefa fanisy tsy nitovy hevitra taminy. Nety ho nanompo sampybe ny sasany taloha, ka naharikoriko azy izay zavatra ni-fandray taminny sampy rehefa lasa Kristianina izy. Ahoa-na ary no natao?

    15 Hoy i Paoly: Isika izay matanjaka anefa dia tokonyhizaka ny fahalemenizay tsy matanjaka, fa tsy hanaoizay mahafaly ny tenantsika. Na i Kristy aza mantsy tsynanao izay nahafaly ny tenany. (Romanina 15:1, 3) Tehilaza izy fa tokony hanahaka ani Kristy isika, ka hihe-vitra izay ilainny rahalahintsika alohanizay ilaintsika.Naleoni Paoly tsy nihinan-kena mihitsy, toy izay hanafi-ntohina ny hafa. (Vakio ny 1 Korintianina 8:13; 10:23,24, 31-33.) Namoy ny ainy ho anireny ondry sarobidyireny mantsy i Kristy.

    16 Ary ahoana ny aminireo manana feonny fieritrere-tana hentitra kokoa? Tsy tokony hanakiana ny hafa izyna hanery azy ireo hanaraka ny heviny. (Vakio ny Roma-nina 14:10.) Tokony hampiasaintsika hitsarana ny tena-ntsika mantsy ny feonny fieritreretana, fa tsy hitsaranany hafa. Tadidio ny tenini Jesosy hoe: Aza mitsara

    14, 15. Inona no tsy nitovizanny feonny fieritreretanny Kristiani-na taminny taonjato voalohany, ary inona no nasaini Paoly natao?16. Nahoana ireo manana feonny fieritreretana hentitra kokoa notsy tokony hitsara ny hafa?

    20 Mitoera ao Aminny FitiavanAndriamanitra

  • intsony mba tsy hotsaraina. (Matio 7:1) Tsy tokony hia-diana hevitra ny zavatra sasany, satria miankina aminnyfeonny fieritreretanny tsirairay. Hiezaka kosa isika ha-mpisy fifankatiavana sy firaisan-tsaina, ka hifampaheryfa tsy hifampahory.Romanina 14:19.

    TENA MITONDRA SOA NY FEONNYFIERITRERETANA MADIO

    17 Hoy ny apostoly Petera: Manana feonny fieritrere-tana madio. (1 Petera 3:16) Tena mitondra soa nyhoe manana feonny fieritreretana madio eo anatrehaniJehovah Andriamanitra. Vitsy mpanana izany ankehi-triny. Nisy olona nolazaini Paoly hoe manana feonny fieritreretana toy ny voatomboky ny vy mahamay.

    17. Manao ahoana ny feonny fieritreretanny olona maro?

    Manampy anao ny feonny fieritreretana voavolavolannyBaiboly rehefa hanapa-kevitra ianao hoe hisotro sa tsia

  • (1 Timoty 4:2) Mandoro ny vy mahamay, ka mahatongany nofo hisy holatra sy ho donto. Toy izany ny feonnyfieritreretanny olona maro. Tsy miraika intsony izy iosady tsy mampitandrina azy na mahatonga azy hahatsia-ro ho menatra sy meloka, rehefa manao ratsy izy. Faly eryizy aminizany!

    18 Ny feonny fieritreretantsika no milaza amintsikahoe nanao ratsy isika, matoa isika mahatsiaro ho melo-ka. Raha mandrisika antsika hibebaka izany, dia ho voa-vela ny helotsika na dia faranizay ratsy aza ilay zavatranataontsika. Nanao fahadisoana lehibe, ohatra, i Davida

    18, 19. a) Nahoana no mety hahasoa ny hoe mahatsiaro ho melokasy menatra? b) Inona no azo atao raha mbola enjehinny eritreritsi-ka foana isika, nefa isika efa nibebaka?

    Mitari-dalana antsika ny feonny fieritreretana madio,ka mitondra fifaliana sy mampilamin-tsaina

  • Mpanjaka. Navela anefa ny helony satria tena nibebakaizy. Halany ny ratsy vitany, ary tapa-kevitra ny hankatofoana ny lalani Jehovah aminizay izy. Tsapany fa tsaratoetra sy vonona hamela heloka i Jehovah. (Salamo 51:1-19; 86:5) Ahoana anefa raha mbola mahatsiaro ho me-loka sy menatra isika, na dia efa nibebaka sy voavela he-loka aza?

    19 Mbola manenjika antsika foana ny eritreritsikaindraindray, na dia efa ela aza isika no nibebaka sy nio-va. Mila tadidina anefa fa lehibe i Jehovah ka mahalalaizay rehetra ao am-ponny olombelona. Tokony hino syhanaiky isika fa tia antsika izy ary mamela heloka. (Va-kio ny 1 Jaona 3:19, 20.) Izany rahateo no ampirisiha-ntsika hataonny hafa. Miadan-tsaina sy tony ary tenafaly ny olona manana feonny fieritreretana madio, arytsy fahita izany eto aminity tontolo ity. Nisy olona maronanao fahotana lehibe nefa mahatsiaro ho maivamaiva-na izao. Manana feonny fieritreretana madio foana izyireo ary manompo ani Jehovah.1 Korintianina 6:11.

    20 Natao hanampiana anao ho faly toy izany ity bokyity, ka hanana feonny fieritreretana madio foana ianao,mandra-pahatapitrizao fotoan-tsarotra eto aminny to-ntoloni Satana izao. Tsy voaresaka ato daholo ny lalanasy toro lalanny Baiboly ilainao hoeritreretina sy hampi-harina isanandro. Miankina aminny feonny fieritrere-tanny tsirairay koa ny fanapahan-kevitra sasany, ka tsymisy lalana mazava momba anizany ato. Resahina atohoe ahoana no hampiharana ny Baiboly eo aminnyfiainana andavanandro. Hanampy anao hamolavola nyfeonny fieritreretanao izany. Tsy toy ny Lalani Mosesy

    20, 21. a) Natao hanampiana anao amininona ity boky ity? b) Ino-na no fahafahana ananantsika, ary ahoana no tokony hampiasantsikaazy io?

    Ahoana no Hanananao Feonny Fieritreretana Madio Foana? 23

  • mantsy ny lalani Kristy. Mandrisika ny Kristianina izyio mba hampiasa ny feonny fieritreretany sy ny toro la-lana, fa tsy hiandry lalana voasoratra. (Galatianina 6:2)Omeni Jehovah fahafahana tena miavaka ary ny Kristia-nina. Tsy tokony hatao ho fanaronana ny ratsy anefaio fahafahana io, fa hanaporofoana kosa hoe tia ani Je-hovah isika.1 Petera 2:16.

    21 Vao nahafantatra ani Jehovah ianao, dia nisaintsai-na ny fomba tsara indrindra azonao ampiharana ny torolalanny Baiboly, nivavaka momba izany, ary nampihatraizay nianaranao. Tena ilaina ireo fa tohizo. Hanazatra nyfahaizanao misaina ianao aminizay, satria mampiasaazy io. (Hebreo 5:14) Handray soa foana ianao raha voa-volavolanny Baiboly ny feonny fieritreretanao. Ho toyilay mpitari-dalana izy io, ka hanampy anao handray fa-napahan-kevitra mampifaly ny Rainao any an-danitra.Ho tianAndriamanitra foana ianao aminizay.

    AHOANA NO HAVALINAO? Mandinika antsika foana i Jehovah, ka

    tokony hataontsika ahoana ny feonnyfieritreretantsika?Hebreo 4:13.

    Nahoana no nanampy ani Josefa tsy horesinny fakam-panahy ny feonny fieritrere-tany?Genesisy 39:1, 2, 7-12.

    Nahoana no tena ilaina ny feonny fieritrere-tana madio mba hanatonana ani Jehovah?Hebreo 10:22.

    Nahoana isika no tokony hihevitra ny feonny fieritreretanireo tsy Vavolombelona?2 Korintianina 4:1, 2, fanamarihana amba-ny pejy.

    24 Mitoera ao Aminny FitiavanAndriamanitra

  • MITROKA anizay ranon-javatra manodidina azy nyspaonjy. Toy izany koa ny olona. Manahaka anizay mi-fandray akaiky aminy izy, na tsy fanahy iniany aza. Metyhotahafiny daholo na ny toe-tsainy, na ny fitsipika ara-hiny, na ny toetrany.

    2 Tsy azo lavina ary ny voalazanny Ohabolana 13:20hoe: Ho hendry izay miaraka aminny hendry, fa ha-hita loza kosa izay minamana aminny tsisy saina. Tsyolona mihaona tsindraindray no resahina eo fa olonamifanerasera foana, raha jerena ilay teny hoe miaraka.Manazava ny boky iray momba ny Baiboly fa midikahoe tia sy miraiki-po izy io. Tsy ekenao ve fa mora ma-nahaka ny olona tiantsika isika? Miraiki-po aminy isika,ka mety hisy heriny be eo amintsika izy ary hitarikaantsika hanao ny tsara na ny ratsy.

    3 Tena mila mitady namana mampirisika antsika ha-nao ny tsara ary isika, raha tiantsika ny ho tianAndria-manitra foana. Ahoana no hahazoana namana toy iza-ny? Raha tsorina, dia ny olona tianAndriamanitra notokony ho tiantsika, ary ny namany no hataontsika na-mana. Azontsika atao namana ireo manana toetra tiani Jehovah hanananny namany, satria ny olona toy izany

    1-3. a) Inona no zavatra tsy azo lavina voalazanny Baiboly? b) Ahoa-na no hahazoana namana mampirisika antsika hanao ny tsara?

    TOKO 3

    Tiavo ny OlonaTianAndriamanitra

    Ho hendry izay miaraka aminny hendry.OHABOLANA 13:20.

  • no namana tsara indrindra. Hodinihintsika ary hoe olo-na manao ahoana no tianAndriamanitra. Hahay hifidynamana kokoa isika, rehefa mazava amintsika ny fombafiheviny.

    IZA NO TIANANDRIAMANITRA?4 Mifidy tsara ny namany i Jehovah, ary zony izany.

    Izy mantsy no Tompo Fara Tampony, ary tsy misy vo-ninahitra lehibe noho ny hoe namany. Iza ary no fidini Jehovah ho namany? Mifandray akaiky aminny olo-na matoky azy sy mino azy tanteraka izy. Eritrereto iAbrahama. Nanana finoana tena niavaka izy. Nasaini Je-hovah nanao sorona ny zanany izy, ary izany angambano fitsapam-pinoana mafy indrindra ho anny raim-pia-nakaviana iray! Tonga hatraminny fanolorana aniIsaka anefa i Abrahama, satria nino tanteraka fa hainAndriamanitra na dia ny manangana azy aminny matyaza. (Hebreo 11:17-19) Tena tiani Jehovah i Abrahamaka nantsoiny hoe namako, noho izy nino sy nankatoazy.Isaia 41:8; Jakoba 2:21-23.

    5 Zava-dehibe amini Jehovah ny hoe mankato foana.Tiany ny olona rehefa tsy mivadika aminy na inona nainona mitranga. (Vakio ny 2 Samoela 22:26.) Hitantsi-ka tao aminny Toko 1 fa tena faly izy rehefa misy olo-na mifidy ny hankato azy noho ny fitiavana. Hoy nyOhabolana 3:32: Ny olo-mahitsy no manana fifandrai-

    Nasaini Jehovah nanao anizany i Abrahama, satria tiany hasehofa hanao sorona ny Zanany lahitokana koa izy. (Jaona 3:16) Nosaka-nany tsy hamono ani Isaka anefa i Abrahama, ary nomeny ondry ha-tao solony.Genesisy 22:1, 2, 9-13.

    4. Nahoana no rariny raha mifidy tsara ny namany i Jehovah? Na-hoana i Abrahama no nantsoini Jehovah hoe namako?5. Ahoana no fiheverani Jehovah ny olona mankato azy sy tsy miva-dika aminy?

    26 Mitoera ao Aminny FitiavanAndriamanitra

  • sana akaiky aminy. Tsara fanahy aminizay olona tsymivadika aminy sy manao izay takiny i Jehovah, kamanasa azy hivahiny ao an-tranolainy. Midika izanyfa avelany hanompo azy izy ireo, ary avelany hiva-vaka aminy na rahoviana na rahoviana.Salamo 15:1-5.

    6 Tiani Jehovah koa izay tia ani Jesosy, Zanany lahi-tokana. Hoy i Jesosy: Raha misy tia ahy, dia hitandri-na ny teniko izy, ary ho tia azy ny Raiko, ary hankanyaminy izahay ka hiara-mipetraka aminy. (Jaona 14:23)Ahoana ary no hampisehoantsika fa tia ani Jesosy isi-ka? Tia azy isika raha mitandrina ny didiny, anisaniza-ny ny hoe mitory ny vaovao tsara sy manao mpianatra.(Matio 28:19, 20; Jaona 14:15, 21) Tia azy koa isika rahamanaraka akaiky ny diany, izany hoe manahaka azyaminny teny sy ny atao, araka izay vitantsika olombe-lona tsy lavorary. (1 Petera 2:21) Faly i Jehovah rehefamisy olona tia ani Kristy ka manahaka azy.

    7 Tiani Jehovah ary ny namany raha manam-pinoa-na, tsy mivadika, mankato, ary tia ani Jesosy sy ny fo-mba fiainany. Mila mieritreritra isika hoe: Manana anireo toetra ireo ve ny olona mifandray akaiky amiko? Nynamani Jehovah ve no ataoko namana? Hendry isikaraha manao izany. Misy vokany tsara eo amintsika ma-ntsy ny fiarahana aminny olona miezaka hanana toe-tra tsara sy mazoto mitory. Manampy antsika izany mbahanatanteraka ny faniriantsika hampifaly anAndriama-nitra.Jereo ilay efajoro hoe Iza no Namana Tsara?,ao aminny pejy 29.

    6. Ahoana no hampisehoantsika fa tia ani Jesosy isika? Ahoana nofiheverani Jehovah ny olona tia ny Zanany?7. Nahoana no hendry isika raha ny namani Jehovah no ataontsikanamana?

    Tiavo ny Olona TianAndriamanitra 27

  • OHATRA AO AMINNY BAIBOLY8 Tantarainny Baiboly fa nandray soa ny olona maro

    satria nifidy namana tsara. Azonao vakina, ohatra, ny ta-ntarani Naomy sy Rota vinantovaviny, ny anireo He-breo telo lahy izay tsy nifankafoy tany Babylona, ary nyani Paoly sy Timoty. (Rota 1:16; Daniela 3:17, 18; 1 Ko-rintianina 4:17; Filipianina 2:20-22) Tena miavaka anefany tantarani Davida sy Jonatana, ary izany no hodini-hintsika izao.

    9 Milaza ny Baiboly fa nanjary niraiki-po be taminiDavida i Jonatana, ka tia azy toy ny tenany mihitsy, re-hefa avy namono ani Goliata i Davida. (1 Samoela 18:1)Lasa mpinamana tsy nifankafoy izy ireo, na dia nisyelanelany be aza ny taonany. Mpinamana foana izy ireomandra-pahafatini Jonatana tany anady. (2 Samoe-la 1:26) Inona no nahatonga azy ireo ho mpinama-na be?

    10 Lasa mpinamana be i Davida sy Jonatana, satriasamy tia anAndriamanitra sy tsy te hivadika aminy mi-hitsy. Tiani Davida ny toetrani Jonatana, ary nahafina-ritra ani Jonatana koa ny toetrani Davida. Tsy nataho-tra niaro ny anarani Jehovah io tovolahy io, ka azoantoka fa nahavariana ani Jonatana ny herim-pony syny hafanam-pony. Azo antoka koa fa nohajaini Davidaio zokiolona io. Nanaiky ny fanapahan-kevitri Jehovahfoana mantsy i Jonatana, ary niahy izay hahasoa ani Da-

    Mbola zaza, na ankizilahy i Davida, taminizy nahafaty ani Go-liata, ary 30 taona teo ho eo izy tamini Jonatana maty. (1 Samoela17:33; 31:2; 2 Samoela 5:4) Enimpolo taona teo ho eo i Jonatana, ta-minizy maty. Zokini Davida 30 taona teo ho eo ary izy.

    8. Inona no hitanao hoe tena mahavariana aminny fifandraisania) Naomy sy Rota? b) ireo Hebreo telo lahy? ary d) Paoly sy Timoty?9, 10. Inona no tena nahatonga ani Davida sy Jonatana ho mpina-mana?

    28 Mitoera ao Aminny FitiavanAndriamanitra

  • vida alohanizay hahasoa ny tenany. Kivy be, ohatra, iDavida indray mandeha. Tsy maintsy niafina tany an-tany efitra izy satria tezitra taminy i Saoly mpanjaka ra-tsy fanahy, izany hoe ny raini Jonatana. Nanao zavatrai Jonatana taminizay mba hanaporofoana fa tsy mivadi-ka izy. Nankany amini Davida izy mba hanamafy nyfatokisani Davida anAndriamanitra. (1 Samoela 23:16)

    Tiavo ny Olona TianAndriamanitra 29

    Fanontaniana mila eritreretinao Namani Jehovah sy Jeso-sy ve ny namako?Jaona15:14, 16; Jakoba 2:23. Manampy ahy hananafahazarana tsara ve ny na-mako?1 Korintianina15:33. Tena tia ahy ve ny nama-ko, ka manitsy ahy rehefailaina izany?Salamo 141:5;Ohabolana 27:6. Namana manao ahoanaaho, raha ny zavatra lazaikosy ataoko no dinihina?Ohabolana 12:18; 18:24;1 Jaona 3:16-18.

    IZA NO NAMANA TSARA?Toro lalana: Tia aminny fotoana rehetra ny tena

    namana, sady toy ny rahalahy natao hanampyaminny fotoam-pahoriana.Ohabolana 17:17.

  • Azo antoka fa nanohina ny foni Davida ny nahita anilay namana tsy foiny tonga nampahery azy!

    11 Inona no ianarantsika avy aminny ohatri Davidasy Jonatana? Hitantsika fa tokony ho samy tia ani Jeho-vah ny mpinamana, ary izay no zava-dehibe indrindraaminny zavatra rehetra mety hitovizany. Tsara rehefamitovy ny zavatra inoanny mpinamana sy ny fitsipikaarahiny, ary samy tsy te hivadika aminAndriamanitra

    Misy fomba dimy nampaherezani Jonatana ani Davida ao aminny 1 Samoela 23:17: 1) Nilaza taminy izy mba tsy hatahotra. 2) Nano-me toky izy fa tsy hahomby ny tetiki Saoly. 3) Nampahatsiahy izy faho lasa mpanjaka i Davida, araka ny nampanantenaini Jehovah.4) Nampanantena izy fa tsy hivadika aminy. 5) Nilaza izy fa na i Sao-ly aza nahalala hoe tsy hivadika amini Davida izy.

    11. Inona no ianarantsika avy aminny ohatri Davida sy Jonatana?

    30 Mitoera ao Aminny FitiavanAndriamanitra

    Sarotra ny nahita namana teo anivonnyfiangonana, taminny voalohany. Nazoto na-nompo anefa aho ka lasa nanam-paharetana,nahay niaritra, ary tia ny hafa sady nahafoy tenaho azy ireo. Notohizako foana izany, ka lasatianny olona manana anireo toetra ireo koaaho, ary mana-namana tsara aho izao.Shi-vani.

    Nivavaka aho mba hahazo namana teo anivonny fiangonana, nefa hoatranny tsy nety nivalyilay izy nandritra ny fotoana elaela. Tsapakoanefa hoe tsy dia niezaka hahazo namana aho,fa niandry fotsiny. Nanao zavatra nifanaraka ta-minny vavaka nataoko ary aho, dia hitako hoenovaliani Jehovah ilay izy.Ryan.

    AHOANA NO NAHAZOANAY NAMANA TSARA?

  • izy ireo. Afaka mifampahery mantsy izy ireo, rehefa mi-fanakalo hevitra sy mifamboraka fihetseham-po ary mi-fampitantara vaovao. (Vakio ny Romanina 1:11, 12.)Misy namana toy izany eo anivonny fiangonana. Tsyvoatery ho namana tsara daholo anefa izay rehetra to-nga mivory.

    FIDIO IZAY HIFANDRAISANAO AKAIKY12 Mila mifidy tsara isika, na eo anivonny fiangonana

    aza, raha te hahazo namana mampirisika antsika hanaony tsara. Tsy mahagaga izany. Elaela mantsy ny Kristia-nina sasany vao matotra, toy ny voankazo tsy miara-ma-saka na dia samy eo aminny hazo iray aza. Tsy mitovyary ny fahamatoranny Kristianina eo anivonny fiango-nana, na aiza io na aiza. (Hebreo 5:126:3) Maneho fi-tiavana sy manam-paharetana aminireo vaovao sy ma-lemy finoana kokoa anefa isika, satria te hanampy azyhihamatotra.Romanina 14:1; 15:1.

    13 Mila mitandrina aminny olona ifaneraserantsika eoanivonny fiangonana isika indraindray. Mety hisy ha-nao zavatra mampiahiahy mantsy, na hanakiana, na hobe taraina. Efa nisy olana toy izany teo anivonireo fia-ngonana taminny taonjato voalohany. Tsy nivadika nyankamaroany, nefa nisy ihany tsy nitondra tena tsara.Nisy tsy nankato ny fampianarana sasany, ohatra, teoanivonny fiangonani Korinto. Nampitandrina ary nyapostoly Paoly hoe: Aza manaiky ho voafitaka ianareo:Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.(1 Korintianina 15:12, 33) Nampitandrina ani Timotykoa izy fa mety hisy Kristianina hanao zavatra tsy mety.

    12, 13. a) Nahoana isika no tsy maintsy mifidy tsara ny namantsi-ka, na dia eo anivonny Kristianina aza? b) Inona no olana nisy teoanivonny fiangonana taminny taonjato voalohany, ary inona no fa-mpitandremani Paoly?

    Tiavo ny Olona TianAndriamanitra 31

  • Nilazany ary izy mba tsy hifandray akaiky aminny olo-na toy izany.Vakio ny 2 Timoty 2:20-22.

    14 Ahoana no azo ampiharana ny toro lalana nomeni Paoly? Tsy tokony hinamana aminny olona mety hi-tarika antsika hanao ratsy isika, na anisanny fiangona-na izy na tsia. (2 Tesalonianina 3:6, 7, 14) Tsy maintsymiaro ny fifandraisantsika amini Jehovah isika. Tadidiofa manahaka ny fanaonny namantsika sy ny toe-tsainyisika, toy ny spaonjy mitroka ny ranon-javatra manodi-dina azy. Tsy ho feno rano madio mihitsy ilay spaonjy,raha atao ao anaty rano maloto. Tsy afaka manantenany handray soa koa ary isika, raha naman-dratsy no ia-rahantsika.1 Korintianina 5:6.

    15 Soa ihany fa be dia be namana tsara eo anivonnyfiangonana. (Salamo 133:1) Ahoana ary no hahitana na-mana tena tia ani Jehovah? Ianao mihitsy aloha no to-kony hiezaka hanana ny toetra tiani Jehovah, aminizayny olona manao toy izany te hinamana aminao. Milamanao zavatra hafa koa anefa ianao. (Jereo ilay efajorohoe Ahoana no Nahazoanay Namana Tsara?, ao aminny pejy 30.) Jereo izay olona manana ny toetra tianaohananana. Araho ilay torohevitry ny Baiboly hoe hala-laho ny fo, ka miezaha hinamana aminny mpiara-ma-nompo, na inona na inona firazanany, na fireneny,na kolontsainy. (2 Korintianina 6:13; vakio ny 1 Pete-ra 2:17.) Tsy mety raha izay mitovitovy taona aminaoihany no iarahanao. Tadidio fa zokini Davida aman-taonany i Jonatana. Maro koa ny zokiolona azo atao na-mana, ka afaka mampita ny zavatra hainy sy ny fahe-ndreny.

    14. Ahoana no azo ampiharana ny toro lalana nomeni Paoly mombany namana?15. Inona no azonao atao mba hahazoana namana tia ani Jehovah,eo anivonny fiangonana?

    32 Mitoera ao Aminny FitiavanAndriamanitra

  • AHOANA NO HATAO REHEFA MISY OLANA?16 Mety hisy olana indraindray, satria samy hafa be ny

    toetra sy ny zavatra niainanny olona eo anivonny fia-ngonana. Mety hampalahelo anao ny zavatra ataonnympiray finoana na lazainy. (Ohabolana 12:18) Vao mai-nka mitombo ny olana indraindray noho ny toetra tsy mi-tovy, hevitra tsy mifankahazo, ary ny fomba fihevitrasamy hafa. Ho tafintohina ary ve isika ka hiala aminnyfiangonana, raha misy ny olana toy izany? Tsy hanao iza-ny isika raha tena tia ani Jehovah sy ny olona tiany.

    17 Mpamorona sy Mpamelona antsika i Jehovah, ka me-ndrika ny hotiavintsika sy hotompointsika aminny fomanontolo. (Apokalypsy 4:11) Mampiasa ny fiangonanakoa izy, ka tsy tokony hivadika aminizy io isika fa

    16, 17. Nahoana isika no tsy tokony hiala aminny fiangonana, rahamisy manao zavatra mampalahelo antsika?

    Afaka mahita namana tsara ianao eo anivonny fiangonana

  • hanohana azy io foana. (Hebreo 13:17) Ahoana ary rahamisy manao zavatra mampalahelo antsika, na mandiso fa-nantenana antsika? Tsy hiala aminny fiangonana isikamba hampisehoana hoe tezitra. Tsy i Jehovah ange no na-nafintohina antsika e! Tsy mahafoy azy sy ny vahoaka-ny mihitsy isika, satria tena tia azy!Vakio ny Salamo119:165.

    18 Mitandro ny fihavanana eo anivonny fiangonanaisika, satria tia ny mpiray finoana amintsika. Tsy ante-naini Jehovah ho lavorary ny olona tiany, ary tsy tokonyhanantena anizany koa isika. Manampy antsika ny fitia-vana mba hanadino ny fahadisoana kely vitanny hafa,ary hitadidy fa tsy lavorary isika rehetra ka manao fahadi-soana. (Ohabolana 17:9; 1 Petera 4:8) Manampy antsikahifamela heloka tanteraka foana koa ny fitiavana. (Kolo-sianina 3:13) Sarotra anefa ny manao anizany indrai-ndray. Mety ho tezitra, ohatra, isika dia mitana lolompo,satria mieritreritra isika hoe izay no fomba hanasazianaanilay nanao ratsy antsika. Isika anefa no hijaly raha mi-tana lolompo. Handray soa maro kosa isika raha mamelaheloka. (Lioka 17:3, 4) Ho tony ny fo sy ny saintsika, tsyho simba ny fihavanana eo anivonny fiangonana, ary nytena zava-dehibe, dia ho voaro ny fifandraisantsika amini Jehovah.Matio 6:14, 15; Romanina 14:19.

    OLONA TSY TOKONY HIFANDRAISANA INTSONY19 Tsy avela hifandray intsony aminny olona sasany isi-

    ka indraindray. Voaroaka angamba izy satria nandika nylalani Jehovah nefa tsy nibebaka. Na nanda ny finoanaizy ka nampiely fampianaran-diso, na niala an-tsitrapo fa

    18. a) Inona no azontsika atao mba hitandroana ny fihavanana eoanivonny fiangonana? b) Inona avy no soa horaisintsika raha mame-la heloka isika?19. Iza no tsy tokony hifandraisantsika intsony?

    34 Mitoera ao Aminny FitiavanAndriamanitra

  • tsy te ho anisanny fiangonana intsony. Milaza mazavatsara ny Baiboly fa tsy tokony hifanerasera intsony aminny olona toy izany isika. (Vakio ny 1 Korintianina 5:11-13; 2 Jaona 9-11) Mety ho sarotra be amintsika izany rahanamantsika ilay olona, na havantsika. Ho hentitra ve ane-fa isika, ka hampiseho fa zava-dehibe indrindra amintsikany tsy mivadika amini Jehovah sy ny lalany? Tadidio fazava-dehibe amini Jehovah ny hoe tsy mivadika sy nyhoe mankato.

    20 I Jehovah no nilaza fa tokony horoahina ny mpano-ta tsy mibebaka, ary porofonny fitiavana ilay izy. Hitaaminizany mantsy fa tia ani Jehovah isika ary manaja nyanarany sy ny fitsipiny. (1 Petera 1:15, 16) Miaro ny fia-ngonana koa ny fandroahana. Voaro aminny fitaoman-dratsinizay minia manota mantsy ireo tsy mivadika. Afa-ka manohy ny fanompoany izy ireo, satria matoky fa nyfiangonana no fialofana azo antoka eto aminity tontoloratsy ity. (1 Korintianina 5:7; Hebreo 12:15, 16) Fitiavanaanilay nanao ratsy koa no anomezana azy sazy hentitratoy izany. Mety ho izay fotsiny no ilainy dia ho tonga sai-na izy ka hiezaka hiverina amini Jehovah.Hebreo 12:11.

    21 Tena ilaina ary ny mifidy tsara ny namana, satriamisy heriny eo amintsika sy mamolavola antsika ny olo-na ifandraisantsika akaiky. Hanana ny namana tsara indri-ndra isika, raha ny namani Jehovah no ataontsika nama-na, ary ny olona tiany no tiantsika. Hanahaka azy irenyisika, ka hanampy antsika hampifaly ani Jehovah foanaizany.

    Misy fanazavana bebe kokoa momba ny hoe ahoana no hataoaminny voaroaka sy ireo niala an-tsitrapo, ao aminny FanazavanaFanampiny, pejy 207-209.

    20, 21. a) Nahoana ny fandroahana no porofonny fitiavana? b) Na-hoana no tena ilaina ny mifidy tsara ny namana?

    Tiavo ny Olona TianAndriamanitra 35

  • VOAMARIKAO ve ny ataonny ankizy rehefa asaina ma-nao zavatra tena tsy tiany izy? Hita eo aminny endrinyhoe mafy aminy ilay izy. Henony tsara ny tenin-drainyary fantany fa tokony hanaja ny fahefany izy. Tsy te ha-nkato anefa izy. Mpitranga amintsika rehetra koa izany.

    2 Tsy mora foana ny manaja fahefana. Sarotra aminaokoa ve izany indraindray? Tsy ianao irery no toy izany.Mbola tsy betsaka toy ny aminizao mihitsy mantsy nyolona tsy manaja fahefana. Milaza anefa ny Baiboly fa to-kony hanaja anireo manana fahefana isika. (Ohabolana24:21) Tena mila manao anizany isika, raha tiantsika nyho tianAndriamanitra foana. Nahoana ary no sarotraindraindray ny manaja fahefana? Nahoana no asaini Je-hovah manao anizany isika, ary inona no hanampyantsika hahavita izany? Ahoana no anajantsika fahefana?

    NAHOANA NO SAROTRA IZANY?3 Antony roa no mety hanasarotra ny fanajana fahefa-

    na: Voalohany, tsy lavorary isika. Faharoa, tsy lavoraryireo manana fahefana. Efa ela ny olona no lasa mpanotasy tsy lavorary. Nanomboka tao aminny zaridainani

    1, 2. a) Inona no sarotra amintsika indraindray? b) Inona avy no fa-nontaniana hodinihintsika?3, 4. Ahoana no nahatonga ny olona ho mpanota sy tsy lavorary, aryinona no manasarotra ny fanajana fahefana?

    TOKO 4

    Nahoana Isika noTokony Hanaja Fahefana?

    Hajao ny karazanolona rehetra.1 PETERA 2:17.

  • Edena izany, rehefa nikomy taminny fahefani Jehovahi Adama sy Eva. Lasa mpanota ary ny olona. Mora miko-my isika hatraminizao, ary efa ao anatintsika ao mihitsyizany.Genesisy 2:15-17; 3:1-7; Salamo 51:5; Romanina5:12.

    4 Mora manambony tena sy mieboebo ny ankamaroa-ntsika, satria tsy lavorary. Mila miezaka mafy kosa isikavao mahavita manetry tena sy mahavita anizany foana.Tsy fahita firy ary ny olona manetry tena. Mety hana-mbony tena sy hiziriziry aminny hevitsika isika, na diaefa ela aza no nanompo anAndriamanitra. Eritrereto iKora. Niaraka taminny vahoakani Jehovah foana izy, nateo aza ny zava-tsarotra maro. Te hahazo fahefana bebekokoa anefa izy, ka sahy nitaona olona hikomy taminiMosesy, ilay lehilahy be fandeferana indrindra taminiza-ny. (Nomery 12:3; 16:1-3) Nanambony tena koa i OziaMpanjaka, ka niditra tao aminny tempolini Jehovah,ary nanao asa masina natokana ho anny mpisorona.(2 Tantara 26:16-21) Novidinizy roa lahy lafo ny fikomia-ny! Anatra ho antsika rehetra izany. Mila miezaka mafyary isika mba tsy hanambony tena, satria manasarotra nyfanajana fahefana izany.

    5 Manjary tsy te hanaja fahefana koa ny olona, rehe-fa mijery ny ataonireo olona manana fahefana. Maroaminizy ireny no tsy mifaditrovana sy masiaka be ary tiamampijaly. Asehonny tantara fa betsaka no nanampatrafahefana. (Vakio ny Mpitoriteny 8:9.) Nanjary nana-mbony tena sy nialona, ohatra, i Saoly ka nampijaly ani Davida, lehilahy tsy nivadika. Tsara toetra sy nanetrytena anefa izy tamini Jehovah nifidy azy ho mpanjaka.(1 Samoela 9:20, 21; 10:20-22; 18:7-11) Nanampatra fahe-fana koa i Davida, na dia anisanny mpanjaka tsara

    5. Ahoana no nataonny olona sasany nanampatra ny fahefany?

    Nahoana Isika noTokony Hanaja Fahefana? 37

  • indrindra teo aminny Israely aza. Naka ny vadini OriaHetita izy ary nasainy natao loha laharana tany anady iOria mba ho faty. (2 Samoela 11:1-17) Tsy lavorary tokoany olona ka tsy hainy ny mampihatra fahefana! Vao mai-nka loza ny vokany rehefa tsy manaja ani Jehovah nyolona manana fahefana! Nampijaly olona tany aminnyfaritra maro, ohatra, ny zavatra nataonny papa sasany.Hoy ny mpitondra fanjakana britanika iray momba iza-ny: Miharatsy ny olona rehefa manana fahefana, arylasa ratsy tanteraka izy raha fahefana feno no omenaazy. Nahoana ary isika no tokony hanaja fahefana?

    NAHOANA ISIKA NO TOKONY HANAJA FAHEFANA?6 Fitiavana no antony tsara indrindra anajantsika fahe-

    fana: Fitiavana ani Jehovah sy ny olona ary ny tenantsi-ka. I Jehovah no tiantsika indrindra, ka te hampifaly nyfony isika. (Vakio ny Ohabolana 27:11; Marka 12:29,30.) Fantatsika mantsy fa tsy nanaiky ny zony ho mpito-ndra anizao rehetra izao ny olona nanomboka tany Ede-na, fa nikomy taminy. Miandany amini Satana ny anka-maroanny olona, ary manda ny fitondrani Jehovah. Falykosa isika fa tsy manao toy izany! Ekentsika aminny fomanontolo ny teny fiderana ao aminny Apokalypsy 4:11.Mazava amintsika fa i Jehovah no manana zo hitondraanizao rehetra izao. Asehontsika eo aminny fiainantsikaary fa ekentsika ny fitondrany.

    7 Marina fa tia ani Jehovah isika ka vonona hankatoazy. Tsy ampy anefa izany raha manaja ny fahefany isika.Tena ho sarotra amintsika mantsy indraindray ny hanka-to azy. Aminizay indrindra isika no mila miezaka manai-ky, toa anilay ankizy tetsy aloha. Tadidio fa nanaiky ha-nao ny sitraponny Rainy i Jesosy, na dia toa sarotra be aza

    6, 7. a) Mahatonga antsika hanao inona ny fitiavantsika ani Jeho-vah, ary nahoana? b) Ahoana no hampisehoantsika fa manaiky isika?

    38 Mitoera ao Aminny FitiavanAndriamanitra

  • izany. Hoy izy tamin-dRainy: Aoka tsy ny sitrapoko noatao, fa ny anao.Lioka 22:42.

    8 Tsy miresaka mivantana amintsika i Jehovah ankehi-triny, fa mampiasa ny Teniny sy ny solontenany eto an-tany. Manaiky ny fahefani Jehovah ary isika raha manajaanireo olona nomeny fahefana, na ireo mbola avelanyhanana fahefana. Ho tezitra amintsika izy raha mikomyaminizy ireny isika ka tsy manaiky, ohatra, rehefa ahitsi-ny na omeny torohevitra avy ao aminny Baiboly. Rehefanimenomenona sy nikomy tamini Mosesy mantsy nyIsraelita, dia noraisini Jehovah ho fikomiana taminy mi-hitsy izany.Nomery 14:26, 27.

    9 Manaja fahefana koa isika satria tiantsika ny mpiara-belona amintsika. Aoka hatao hoe miaramila ianao. Tsyhandresy ny tafika misy anao ary mety ho ripaka mihitsyaza, raha tsy manaja sy tsy mankato anireo manamboni-nahitra isanambaratongany ny miaramila tsirairay. Metyhisy loza hanjo ny miaramila rehetra namanao, raha tsymanaja anio lamina io ianao fa mikomy. Marina fa ma-mpitondra faisana ny tafika olombelona. Tsy manao afa-tsy zava-tsoa kosa ny tafiki Jehovah. Antsoina imbetsakahoe Jehovah Tomponny tafika izy ao aminny Baiboly.(1 Samoela 1:3) Mibaiko anjely mahery maro be mantsyizy. Ohariny aminny tafika koa ny mpanompony ety an-tany indraindray. (Salamo 68:11; Ezekiela 37:1-10) Toy nymiaramila ary isika, ka mety hampidi-doza anireo mpi-ray finoana raha mikomy aminny olona nomeni Jeho-vah fahefana. Raha mikomy aminny anti-panahy ny

    8. a) Ahoana no hampisehoantsika fa manaiky ny fahefani Jehovahisika? Ahoana no fiheverani Jehovah anizany, araka ny Nomery 14:26, 27? b) Inona no hanampy antsika hanaiky torohevitra sy handrayanatra? (Jereo ilay efajoro ao aminny pejy 46-47.)9. Nahoana isika no hanaja fahefana raha tia ny mpiara-belona? Ha-zavao aminny ohatra.

    Nahoana Isika noTokony Hanaja Fahefana? 39

  • Kristianina iray, dia mety hizaka ny vokany ny hafa eo ani-vonny fiangonana. (1 Korintianina 12:14, 25, 26) Metyhijaly koa ny mpianakavy rehetra raha misy zanaka miko-my. Tia ny mpiara-belona amintsika ary isika raha mana-ja fahefana sy vonona hankato.

    10 Manaja fahefana koa isika satria isika ihany no ma-ndray soa aminizany. Rehefa milaza amintsika i Jehovahmba hanaja fahefana, dia matetika no lazainy koa ny soahoraisintsika aminizany. Asainy mankato ray aman-dre-ny, ohatra, ny zanaka mba ho ela velona sy ho sambatra.(Deoteronomia 5:16; Efesianina 6:2, 3) Asainy manaja nyanti-panahy isika mba tsy ho simba ny fifandraisantsikaaminy. (Hebreo 13:7, 17) Milaza koa izy fa tokony hanka-to ny manam-pahefana isika mba ho voaro.Romanina13:4.

    11 Fantatsika ary izao hoe nahoana isika no asaini Jeho-

    10, 11. Nahoana koa isika no manaja fahefana?

    Manahaka ny fomba nampiharaniKristy ny fahefany ny lehilahy

  • vah mankato. Tsy ekenao ve fa manampy antsika hanajafahefana izany? Ahoana ary no hanajantsika fahefana?Handinika lafiny telo isika.

    AO AN-TOKANTRANO12 I Jehovah no nanao ny fianakaviana. Andriamanitry

    ny filaminana izy, ka nisy lamina napetrany mba hizotratsara ny fiainam-pianakaviana. (1 Korintianina 14:33) Nylehilahy no nomeny fahefana ho loham-pianakaviana. IKristy no lohanny lehilahy, ka manaja azy izy ireo rehefamanahaka ny fomba nampiharany ny fahefany taminnyfiangonana. (Efesianina 5:23) Tsy tokony hiala andraiki-tra ary ny lehilahy, fa ho tapa-kevitra ny hiantsoroka iza-ny. Tsy hanao didy jadona koa anefa izy na hasiaka, faho be fitiavana sy hahay handanjalanja ary ho tsara

    fanahy. Ataony an-tsainafoana hoe mbola ambonyny fahefani Jehovah rahaoharina aminny fahefa-na ananany.

    13 Mpanampy na fame-nonny vadiny kosa ny ve-hivavy. Nomena fahefanakoa izy ao an-tokantrano,satria miresaka mombany lalanny reny ny Bai-boly. (Ohabolana 1:8) Eo

    12. Inona no andraikitra no-meni Jehovah ny lehilahy ma-nambady? Ahoana no tokonyhiantsorohany izany?13. Ahoana no hiantsorohanny vehivavy ny andraikiny, ra-ha te hampifaly ani Jehovahizy?

    Nahoana Isika noTokony Hanaja Fahefana? 41

  • ambany fahefanny vadiny anefa izy. Manaja anizany izyraha manampy azy hiantsoroka ny andraikitry ny loham-pianakaviana. Tsy manambany azy izy, na mandrombakany fahefany, na mametsifetsy azy. Manohana sy manaikyazy kosa izy. Ahoana raha tsy azoazony ny fanapahan-kevi-try ny vadiny? Afaka milaza ny heviny amim-panajana izy,nefa hekeny ihany izay fanapahan-keviny farany. Metyho sarotra izany indraindray raha tsy Vavolombelona nyvadiny. Raha manaiky azy io foana anefa izy, dia mety ha-hatonga anilay lehilahy haniry hanompo ani Jehovah.Vakio ny 1 Petera 3:1.

    14 Faly i Jehovah rehefa mankato ray aman-dreny nyankizy. Manome voninahitra sy mampifaly ny ray aman-dreniny koa izany. (Ohabolana 10:1) Mila mankato foanany zanaka, na dia ny rainy na ny reniny ihany aza no mi-

    14. Inona no hataonny zanaka, raha te hampifaly ny ray aman-dre-niny sy Jehovah izy?

    42 Mitoera ao Aminny FitiavanAndriamanitra

    Fanontaniana mila eritreretinao Inona no hataoko raha asaina mandika ny fitsipiki Jehovah aho?Matio 22:37-39; 26:52; Jaona 18:36. Inona no hataoko raha misy manery ahy tsyhankato ny didini Jehovah?Asanny Apostoly5:27-29; Hebreo 10:24, 25. Inona no mety hanampy ahy hazoto hankatoanireo manana fahefana?Romanina 13:1-4;1 Korintianina 11:3; Efesianina 6:1-3.

    NY FAHEFANIZA NO TOKONY HANKATOAVIKO?Toro lalana: I Jehovah no Mpitsara antsika,Jehovah no Mpanome lalana antsika, Jehovah

    no Mpanjakantsika.Isaia 33:22.

  • taiza azy. Fantany mantsy fa vao mainka mila tohananany ray na reny tokan-tena. Mihavana tsara sy faly foana nympianakavy, rehefa samy manao ny andraikitra nomenAndriamanitra azy. Manome voninahitra ani Jehovah,ilay Mpamorona ny fianakaviana, izany.Efesianina 3:14, 15.

    EO ANIVONNY FIANGONANA15 Notendreni Jehovah hitondra ny fiangonana i Jeso-

    sy Zanany. (Kolosianina 1:13) I Jesosy indray nanendry nympanompo mendri-pitokisana sy malina mba hano-me sakafo ara-panahy ho anny vahoakanAndriamani-tra. (Matio 24:45-47) Ny Filan-kevi-pitantananny Vavolo-mbeloni Jehovah io mpanompo mendri-pitokisana symalina io. Mahazo toromarika sy torohevitra avy aminny Filan-kevi-pitantanana ny anti-panahy, toy ny taminny taonjato voalohany ihany. Mety ho aminny alalannytaratasy izany na aminny alalanny solontena, ohatra hoeny mpiandraikitra mpitety faritany. Mankato ani Jehovahary isika raha manaja ny fahefanny anti-panahy.Vakiony 1 Tesalonianina 5:12; Hebreo 13:17.

    16 Tsy lavorary ny anti-panahy sy ny mpanampy aminny fanompoana, ka manao diso toa antsika ihany. Lehi-lahy ho fanomezana anefa ny anti-panahy, ary asainamanampy ny fiangonana hanana finoana matanjaka foa-na. (Efesianina 4:8) Voatendrinny fanahy masina izyireo. (Asanny Apostoly 20:28) Tsy maintsy mahafeno nyfepetra voalazanny Baiboly mantsy izy ireo, nefa ny Bai-boly avy aminny fanahy masina. (1 Timoty 3:1-7, 12;

    15. a) Ahoana no hampisehoantsika fa manaja ny fahefani Jehovahisika eo anivonny fiangonana? b) Inona avy no toro lalana mety ha-nampy antsika hankato anireo mitarika? (Jereo ilay efajoro ao aminny pejy 48-49.)16. Nahoana no lazaina fa voatendrinny fanahy masina ny anti-pa-nahy?

    Nahoana Isika noTokony Hanaja Fahefana? 43

  • Titosy 1:5-9) Mivavaka mafy koa ny anti-panahy mba ha-hazo tari-dalana avy aminny fanahy masina, rehefa ma-ndinika hoe mahafeno fepetra ve ilay rahalahy sa tsia.

    17 Mety tsy hisy anti-panahy na mpanampy aminny fa-nompoana eo anivonny fiangonana, ka tsy hisy hanaony asa tokony hataony, toy ny hoe mitarika fivoriana alo-hanny fanompoana. Rahalahy hafa vita batisa ary no ha-nao izany, na anabavy matotra raha tsy misy rahalahy. To-kony hisaron-doha anefa ny vehivavy, isaky ny manao asatokony hataonny rahalahy vita batisa. (1 Korintianina11:3-10) Tsy manambany ny vehivavy akory izany. Mana-ja ny lamina napetraki Jehovah ao an-tokantrano sy eoanivonny fiangonana izy, rehefa manao izany.

    HAJAO NY MANAM-PAHEFANA18 Miezaka mafy ny tena Kristianina mba hanaraka tsa-

    ra ny toro lalana ao aminny Romanina 13:1-7. (Vakio.)Manatanteraka asa tena ilaina ny mpitondra fanjakana,raha mbola avelani Jehovah ho eo. Mampisy filaminanasy manao asa hafa mahasoa mantsy izy ireny. Manara-da-lana ary isika ho fanajana azy ireny. Mandoa izay hetra to-kony haloantsika koa isika, mameno tsara ny tarata-sim-panjakana, ary mankato anizay lalana mahakasikaantsika, ny ankohonantsika, ny asantsika, ary ny fanana-ntsika. Tsy manaiky ny manam-pahefana anefa isika, rahaasainy mandika ny lalanAndriamanitra. Hilaza toy nyapostoly kosa isika hoe: Andriamanitra no mpitondraanay ka izy no tsy maintsy ankatoavinay, fa tsy olona.

    Misy fomba vitsivitsy azo ampiharana anio toro lalana io aoaminny Fanazavana Fanampiny, pejy 209-212.

    17. Nahoana ny vehivavy no misaron-doha indraindray rehefa ma-nao asa kristianina eo anivonny fiangonana?18, 19. a) Ahoana no hanazavanao ny toro lalana ao aminny Roma-nina 13:1-7? b) Ahoana no hanajantsika ny manam-pahefana?

    44 Mitoera ao Aminny FitiavanAndriamanitra

  • Asanny Apostoly 5:28, 29; jereo ilay efajoro hoe Ny Fa-hefaniza noTokony Hankatoaviko?, ao aminny pejy 42.

    19 Asehontsika aminny fihetsitsika koa fa manaja nymanam-pahefana isika. Mety hifandray mivantana aminizy ireny mantsy isika. Nifampiresaka tamini HerodaAgripa Mpanjaka sy Festosy Governora, ohatra, ny aposto-ly Paoly. Nanaja azy ireo i Paoly, na dia nanao fahadisoanalehibe aza izy ireo. (Asanny Apostoly 26:2, 25) Manahakaani Paoly isika na mpitondra fanjakana no iresahantsikana polisy. Miezaka manaja mpampianatra sy tale arympiasa hafa koa ny Kristianina mbola mianatra. Tsy ireomankasitraka ny zavatra inoantsika ihany anefa no hajai-ntsika, fa ireo tsy tia Vavolombeloni Jehovah koa. Toko-ny ho tsapanny olona tsy Vavolombelona fa manaja azyisika.Vakio ny Romanina 12:17, 18; 1 Petera 3:15.

    20 Hoy ny apostoly Petera: Hajao ny karazanolona re-hetra. (1 Petera 2:17) Aoka ary isika hanaja olona foana.Ho tsapany izany ka mety hanohina ny fony. Mihavitsykoa ny olona manaja ny hafa, ka raha manao izany isikadia mankato ny didini Jesosy hoe: Aoka hamirapiratra eoanatrehanny olona ny fahazavanareo, mba hahitany nyasa tsara ataonareo ka hanomezany voninahitra ny Raina-reo izay any an-danitra.Matio 5:16.

    21 Voasariky ny fahazavana ara-panahy ny olona tso-poeto aminity tontolo ao anaty haizina ity. Inona ary nomety ho vokany, raha manaja ny ao an-tokantrano sy nyeo anivonny fiangonana ary ny manam-pahefana isika?Mety hanintona ny hafa izany ka handeha ao aminny fa-hazavana koa izy. Tena hahafinaritra izany! Na izany natsy izany anefa, dia azo antoka fa hampifaly anAndriama-nitra isika ary ho tiany foana, raha manaja olona. Misy va-lisoa lehibe noho izany ve?

    20, 21. Inona no mety ho vokany raha manaja ny hafa isika?

    Nahoana Isika noTokony Hanaja Fahefana? 45

  • 46 Mitoera ao Aminny FitiavanAndriamanitra

    Manjaka ny toe-tsaini Satana, izany hoe ny toe-tsaina tiamikomy sy mifanditra. Antsoinny Baiboly hoe mpitondrany fahefanny rivotra ary izy, satria avy aminy ny toe-tsai-na izay miasa ankehitriny ao aminny zanaky ny tsy fanka-toavana. (Efesianina 2:2) Maro no tsy te ho eo ambany fa-hefaniza na iza. Mampalahelo fa misy anizany koa eoaminny fiangonana. Mety hampitandrina ny Kristianinairay, ohatra, ny anti-panahy hoe mampidi-doza ny fialam-boly misy herisetra na fitondran-tena ratsy. Mety tsy hanai-ky anilay anatra anefa ilay Kristianina, na ho tezitra mihi-tsy. Ilaintsika rehetra ary ny mampihatra ny Ohabolana19:20 hoe: Henoy ny torohevitra, ary raiso ny anatra mbaho hendry ianao aminny hoavy.Inona no hanampy antsika hanao izany? Andeha isika

    handinika antony telo mahatonga ny olona tsy hanaiky to-rohevitra na anatra, ary hijery izay lazainny Baiboly mo-mba izany.

    Tsy mety mihitsy ilay torohevitra! Mety hihevitra isikahoe tsy tena sahaza antsika ilay izy, na tsy azonilay olo-na ny zava-misy rehetra. Mety hohamaivanintsika avy ha-trany ary ilay torohevitra. (Hebreo 12:5) Tsy lavorary ane-fa isika rehetra, ka sao dia mba ny fomba fihevitsika nomila ahitsy? (Ohabolana 19:3) Sao dia mba misy antonyilana anilay torohevitra ihany? Raha misy, dia izay no to-kony hifantohantsika. Hoy mantsy ny TeninAndriamani-tra: Tano mafy ny anatra omena anao ka aza avela. Ha-zony izy, fa ainao.Ohabolana 4:13.

    Ny fomba nilazany azy no tsy tiako! Marina fa milazany Baiboly hoe mila tandremana tsara ny fomba anome-zana torohevitra. (Galatianina 6:1) Voalaza ao koa anefa

    HENOY NY TOROHEVITRA, ARY RAISO NY ANATRA

  • Nahoana Isika noTokony Hanaja Fahefana? 47

    hoe: Samy efa nanota ny rehetra ka tsy mahatratra nyvoninahitrAndriamanitra. (Romanina 3:23) Olona lavo-rary ihany ary no afaka manome torohevitra tonga lafa-tra, aminny fomba mety indrindra. (Jakoba 3:2) Tsy la-vorary anefa ny olona asaini Jehovah manoro hevitraantsika, ka hendry isika raha ilay torohevitra no eritrere-tintsika fa tsy ny fomba nilazany azy. Mila mivavaka koaisika mba hampihatra anilay izy.

    Izy indray ve no hananatra ahy? Mety hihevitra isikahoe tsy misy dikany ilay torohevitra, satria ilay nanomeazy aza mba manao diso koa. Mila tadidintsika ary ireohevitra tetsy aloha. Mety hihevitra koa isika hoe efa lehi-be, na efa nandia fiainana, na manana andraikitra eoanivonny fiangonana, ka tsy mila torohevitra. Tokonyhahitsy izany toe-tsaina izany. Nanana andraikitra lehibe,ohatra, ny mpanjakanny Israely, nefa tsy maintsy nanai-ky ny torohevitry ny mpaminany, na mpisorona, na olon-kafa teo ambany fahefany. (2 Samoela 12:1-13; 2 Tantara26:16-20) Manendry lehilahy tsy lavorary koa ny fanda-minani Jehovah mba hanome torohevitra. Mandray tsa-ra sy mampihatra anireny ny Kristianina matotra. Rahamanana andraikitra lehibe kokoa isika, na efa nandia fiai-nana kokoa, dia vao mainka mila miaiky fa tokony homodely aminny fandeferana sy ny fanetren-tena, ka ha-naiky sy hampihatra torohevitra.1 Timoty 3:2, 3; Titosy3:2.

    Mila torohevitra tokoa isika rehetra. Aoka ary isika ho vo-nona hanaiky torohevitra sy hampihatra izany, ary hisaotraani Jehovah aminny fo manontolo, noho io fanomezanamamonjy aina io. Tena porofonny fitiavany izy io, ary tia-ntsika ny ho tiany foana.Hebreo 12:6-11.

  • 48 Mitoera ao Aminny FitiavanAndriamanitra

    Nila nalamina haingana ny Israely. Tsy ho araki Mose-sy irery mantsy ny hiandraikitra olona an-tapitrisany, re-hefa hamakivaky tany efitra feno loza izy ireo. Inona aryno nataony? Nifantina lehilahy mahay teo anivonnyIsraely rehetra izy, ka nanendry azy ho lohandohany teoaminny vahoaka, dia lehibenny arivo, sy lehibennyzato, sy lehibenny dimampolo, ary lehibenny folo.Eksodosy 18:25.

    Ilaina halamina koa ny fiangonana ankehitriny. Misympiandraikitra ary ny andia-mpitory, manana anti-pana-hy ny fiangonana, ary misy mpiandraikitra ny faritra mi-karakara fiangonanamaromaro. Misy Komitinny Tany naKomitinny Sampana any aminny tany tsirairay. Afakamikarakara tsara ny andianondrini Jehovah iandraiketa-ny ny mpiandry tsirairay, noho io lamina io. Hataoni Je-hovah sy Kristy ampamoaka izy ireny.Asanny Apostoly20:28.

    Mila mankato sy manaiky anio lamina io koa isika tsi-rairay. Tsy tokony hanahaka ani Diotrefa izay tsy nanajaanireo nitarika isika. (3 Jaona 9, 10) Harahintsika kosa nytenini Paoly hoe: Aoka ianareo hankato sy hanaiky anireo mitarika eo aminareo, fa izy ireny miaro anareo ha-trany toy ny olona mbola hatao ampamoaka, mba ha-naovany izany amim-pifaliana fa tsy amim-pisentoana, fatsy hahasoa anareo izany. (Hebreo 13:17) Mankato nysasany rehefa ekenny sainy ny toromarikireo mitarika, fatsy manaiky kosa izy rehefa tsy ekeny izany na tsy azonyny antony. Tadidio anefa fa ny hoe manaiky dia midikakoa hoe mankato na dia tsy te hanao izany aza. Saintsai-

    AOKA IANAREO HANKAT`O ANIREO MITARIKA

  • Nahoana Isika noTokony Hanaja Fahefana? 49

    no ary hoe: Mankato sy manaiky anireo mitarika veaho?

    Tsy voalazanny Baiboly daholo ny fandaharana sy fo-mba fiasa ilaina mba hampizotra tsara ny zava-drehetraeo anivonny fiangonana. Izao anefa no voalaza ao:Aoka ny zava-drehetra hatao amim-pahamendrehana syamim-pilaminana. (1 Korintianina 14:40) Mampihatraizany ny Filan-kevi-pitantanana, ka manome toro lalanasy fomba fiasa mba hampilamina sy hampizotra tsara nyzava-drehetra eo anivonny fiangonana. Mankato anire-ny ny mpiandraikitra ka modely ho anny rehetra. Aseho-ny koa fa mandefitra sy vonona hankato anireo no-mena andraikitra izy ireo. (Jakoba 3:17, fanamarihanaambany pejy) Miray saina sy milamina ary manome vo-ninahitra anilay Andriamanitra falifaly ary ny andia-mpi-tory, fiangonana, faritra, ary tany tsirairay.1 Korintiani-na 14:33; 1 Timoty 1:11.

    Asongadinny Hebreo 13:17 koa fa misy vokany ra-tsy ny tsy fankatoavana. Mety hanjary hanao ny asa-ny amim-pisentoana ny mpiandraikitra. Tombontsoasy fanompoana masina ny andraikiny, nefa mety holasa enta-mavesatra raha misy aminny andianondry tsymety mankato fa mikomy. Tsy hahasoa anareo ary iza-ny, izany hoe tsy hahasoa ny fiangonana manontolo. Tsyizany ihany fa ho simba ny fifandraisanny olona irayamini Jehovah, raha mihevi-tena ho ambony izy ka tsymanaiky ny mpiandraikitra voatendriny. Hanjary hanala-vitra anilay Rainy any an-danitra izy. (Salamo 138:6)Aoka ary isika rehetra ho tapa-kevitra ny hankato sy ha-naiky foana anireo mitarika antsika.

  • TENA nanahy momba ny hoavinny mpianany i Jesosy, nyalina talohanny nahafatesany. Nivavaka mafy mombaizany tamin-dRainy mihitsy aza izy hoe: Tsy ny hanala-nao azy eto aminizao tontolo izao no angatahiko, fa nymba hiarovanao azy aminilay ratsy. Tsy anisanizao tonto-lo izao izy, tahaka ahy tsy anisanizao tontolo izao. (Jao-na 17:15, 16) Hita eo fa tena tiany ny mpianany, ary tenazava-dehibe ilay zavatra nolazainy taminny sasany ta-minizy ireo talohanizay hoe: Tsy anisanizao tontoloizao ianareo. (Jaona 15:19) Nantitranterini Jesosy aryfa tena tokony hisaraka aminity tontolo ity ny mpia-nany!

    2 Ilay hoe izao tontolo izao, dia ny olona rehetra tsy mi-havana aminAndriamanitra sy fehezini Satana ary tia tenasy manambony tena toa azy. (Jaona 14:30; Efesianina 2:2;1 Jaona 5:19) Fandrafiana anAndriamanitra ny fisakaizanaaminio tontolo io. (Jakoba 4:4) Tokony hisaraka aminizyio ary izay rehetra te ho tianAndriamanitra foana. Ahoanano hahavitana izany nefa isika miaina eo aminio tontoloio? Hahavita izany isika raha: 1) Tsy mivadika aminny Fa-njakanAndriamanitra sy tsy manao politika, 2) manohitrany fanahinity tontolo ity, 3) manao fitafiana sy fihaingomaotina, 4) manana fiainana tsotra, ary 5) mitafy ny fiadia-na fiarovana.

    1. Inona no nantitranterini Jesosy ny alina talohanny nahafate-sany?2. Inona ilay tontolo noresahini Jesosy?

    TOKO 5

    Misaraha Aminizao Tontolo IzaoTsy anisanizao tontolo izao ianareo.

    JAONA 15:19.

  • AZA MIVADIKA ARY AZA MANAO POLITIKA3 Tsy nanao politika i Jesosy fa nanokana ny fiainany hi-

    toriana ny FanjakanAndriamanitra. Izy no ho Mpanjakanio fitondram-panjakana any an-danitra io. (Daniela 7:13, 14;Lioka 4:43; 17:20, 21) Afaka nilaza tamini Pontio Pilato, go-vernora romanina, ary izy hoe: Tsy anisanity tontolo ityny fanjakako. (Jaona 18:36) Manahaka ani Kristy ny tenampanara-dia azy, ka tsy mivadika aminy sy ny Fanjakanyary mitory anio Fanjakana io aminizao tontolo izao. (Ma-tio 24:14) Hoy ny apostoly Paoly: Ambasadaoro soloni Kri-sty izahay. Soloni Kristy izahay ka miangavy hoe: Mbamihavana aminAndriamanitra re ianareo e!2 Korintia-nina 5:20.

    4 Solontenanny fireneny, na solontenanny mpitondrany fireneny ny ambasadaoro, ary mipetraka any an-tanyhafa. Tsy miditra aminny politikanio tany io ary izy. Ma-mpirisika ny hafa hanohana ny fitondram-panjakana anyaminny taniny izy. Manao toy izany ny voahosotra, izayolom-pirenenny lanitra. (Filipianina 3:20) Mazoto mito-ry ny FanjakanAndriamanitra izy ireo, ka lasa mihava-na aminAndriamanitra ny olona an-tapitrisany anisannyondry hafa. (Jaona 10:16; Matio 25:31-40) Andiany irayihany ny voahosotra sy ny ondry hafa, ary mifanampy izyireo. Samy mampirisika ny olona hanohana ny Fanjakanny

    Nanjaka teo aminny Kristianina voahosotra eto an-tany i Kristy,nanomboka taminny Pentekosta taona 33. (Kolosianina 1:13) Ta-minny 1914 kosa no nomena azy ny fanjakanizao tontolo izao.Ambasadaoronny Fanjakanny Mesia koa ary ny voahosotra ankehi-triny.Apokalypsy 11:15.

    3. a) Nahoana i Jesosy no tsy nanao politika? b) Nahoana ny voaho-sotra no toy ny ambasadaoro? (Jereo ny fanamarihana ambanypejy.)4. Ahoana no hampisehoanny tena Kristianina rehetra fa tsy miva-dika aminny FanjakanAndriamanitra izy? (Jereo ilay efajoro aoaminny pejy 52.)

    Misaraha AminizaoTontolo Izao 51

  • Mesia izy ireo, ka tsy miditra aminny politikanity tontoloity mihitsy.Vakio ny Isaia 2:2-4.

    5 Tsy manao politika ary ny tena Kristianina, satria tsy

    5. Inona no tsy mampitovy ny Kristianina sy ny Israelita? Inona notsy tokony hataonny Kristianina vokatrizany?

    52 Mitoera ao Aminny FitiavanAndriamanitra

    Maro ny porofo ara-tantara fa tsy nanao politi-ka ny Kristianina voalohany, ary tsy nandeha nia-dy. Hoy ny boky Fiandohanny Fivavahana Kristia-nina (anglisy): Nitandrina mafy ireo nanorina nyFivavahana Kristianina mba tsy hanohitra ny fito-ndrana, na haniry hanao izany. Hoy koa ny bokyMizotra ho Aminny Fandrosoana (anglisy): Tenatsy azonny mpitondra teo aminny firenena na-nompo sampy ny nataonny Kristianina voaloha-ny, ary tsy nankasitrahany ny fivavahany. ... Tsynety nanao ny adidy sasany fanaonny olom-pire-nena romanina ny Kristianina. ... Tsy nety nanaoasa nifandray taminny politika koa izy ireo.

    Nilaza ilay teolojianina atao hoe Peter Meinholdfa tsy nety taminny Kristianina voalohany mihi-tsy ny hoe sady Kristianina no miaramila. Na-mbarani Jonathan Dymond, mpanoratra mombany fivavahana, fa taorianny nahafatesani Jesosydia tsy nety nandeha [niady ny mpanara-dia azy],na inona na inona vokany, na halam-baraka izy,na higadra, na ho faty. Zava-nisy tsy azo lavina iza-ny. Nisy mpanoratra hafa nilaza fa tsy nisy Kri-stianina nanao miaramila, raha tsy rehefa nifa-ngaro taminny fampianarana hafa ny finoanakristianina.

    TSY NANAO POLITIKANY KRISTIANINA VOALOHANY

  • mivadika amini Kristy. Misy antony hafa koa anefa. Firene-na nipetraka tao aminny tany iray ny Israelita, fa isika kosampirahalahy miparitaka eran-tany. (Matio 28:19; 1 Petera2:9) Hisara-bazana isika raha manohana antoko politika aoaminny tany misy antsika. (1 Korintianina 1:10) Tsy hifa-naraka aminny hafatra torintsika koa ny zavatra ataontsika.Mampirisika ny olona mba hanantena anilay Fanjakanamantsy isika. Hanjary hiady aminny mpiray finoana ami-ntsika koa isika rehefa misy ady, nefa tokony ho tia azy ireo.(Jaona 13:34, 35; 1 Jaona 3:10-12) Rariny ary raha nilaza iJesosy fa tsy tokony hiady ny mpianany. Nasainy ho tia nyfahavalony mihitsy aza izy ireo.Matio 5:44; 26:52; jereoilay efajoro hoe Tsy Anisanity Tontolo ity ve Aho?, aoaminny pejy 55.

    6 Marina fa tokony homentsika ani Kaisara izay toko-ny ho azy, izany hoe ny haja sy ny hetra, ary mankato azyisika raha tsy mifanohitra aminny lalani Jehovah ny zava-tra takiny. Nanokan-tena ho anAndriamanitra anefa isika,fa tsy ho anolona, na fikambanana, na firenena. Hoy ny1 Korintianina 6:19, 20: Tsy anareo intsony ny tenanareo,fa voavidy ianareo. Omentsika anAndriamanitra ary izayanAndriamanitra. (Marka 12:17; Romanina 13:1-7) Tafidi-tra aminizany ny hoe tia azy aminny fo manontolo, ma-nompo azy, ary mankato azy foana. Vonona hamoy ny ai-ntsika ho azy isika, raha ilaina.Lioka 4:8; 10:27; vakio nyAsanny Apostoly 5:29; Romanina 14:8.

    TOHERO NY FANAHINIZAO TONTOLO IZAO7 Misaraka aminizao tontolo izao koa ny Kristianina, re-

    hefa manohitra ny toe-tsaina ratsiny. Hoy i Paoly: Isika tsynandray ny fanahinizao tontolo izao, fa ny fanahy avy

    6. Ahoana no tokony hankatoavantsika ani Kaisara, raha efa nano-kan-tena ho anAndriamanitra isika?7, 8. Inona no atao hoe fanahinizao tontolo izao? Inona no voka-ny rehefa miasa ao aminny olona tsy mankato izy io?

    Misaraha AminizaoTontolo Izao 53

  • aminAndriamanitra. (1 Korintianina 2:12) Hoy koa izy ta-minny Efesianina: Tao aminizany ... no nandehananareotaloha, araka anity tontolo ity sy araka anilay mpitondrany fahefanny rivotra, dia ny toe-tsaina izay miasa ankehi-triny ao aminny zanaky ny tsy fankatoavana.Efesianina2:2, 3.

    8 Inona ilay rivotra, na fanahinizao tontolo izao? Herymampirisika ny olona tsy hankato anAndriamanitra izy io,ary mitaona azy ireo hanaram-po aminny faniriannynofo sy ny fanirianny maso. (1 Jaona 2:16; 1 Timoty 6:9,10) Manana fahefana izy io satria misarika ny nofo mpa-nota, miasa an-kolaka, tsy mety lefy, ary miely toy ny rivo-tra. Miasa ao aminny olona tsy mankato koa izy io, kamampirisika tsikelikely azy ireo mba ho tia tena, hirehare-ha, haniry mafy ho ambony, hitondra tena araka izay tiany,ary hikomy.Mahatonga ny toetranny Devoly hitombo tsi-kelikely ao am-ponny olona izy io.Jaona 8:44; AsannyApostoly 13:10; 1 Jaona 3:8, 10.

    9 Mety hamaka ao am-po sy ao an-tsainao ve ny fanahinizao tontolo izao? Miankina aminao ihany. Mety hitrangaizany raha tsy mailo ianao. (Vakio ny Ohabolana 4:23.)Mety hahatonga ny fanahinizao tontolo izao hiditra aoaminao izay rehetra mampita ny fisainani Satana sy ny to-ntolony, na olona io na zavatra. Matetika izy io no miditraan-kolaka, angamba aminny alalanny olona ifandraisa-nao. Hoatranny hoe tsara toetra, ohatra, izy, saingy tsy tiaani Jehovah. (Ohabolana 13:20; 1 Korintianina 15:33)Mety hahatonga anao hanana anio toe-tsaina ratsy io koany boky tsy mety aminny Kristianina, sary vetaveta na la-hatsoratry ny mpivadi-pinoana ao aminny Internet, ary ny

    Jereo ny boky Fandresen-dahatra Miorina Aminny Soratra Masi-na, pejy 393-397, navoakanny Vavolombeloni Jehovah.

    9. Inona avy no mety hahatonga ny fanahinizao tontolo izao hidi-tra ao am-po sy ao an-tsainao?

    54 Mitoera ao Aminny FitiavanAndriamanitra

  • fialam-boly tsy mahasoa. Eo koa ny karazana fanatanjahan-tena misy fifaninanana be.

    10 Ahoana no hanoherantsika ny fanahinizao tontoloizao, ka ho tianAndriamanitra foana isika? Ilaintsika nymandray ny fanampiana rehetra omeni Jehovah, sy miva-vaka foana mba hahazo ny fanahy masina. Mahery nohony Devoly sy ny tontolo ratsiny i Jehovah. (1 Jaona 4:4)

    10. Ahoana no hanoherantsika ny fanahinizao tontolo izao?

    Misaraha AminizaoTontolo Izao 55

    Fanontaniana mila eritreretinao Ahoana no hanazavako fa toyny manompo sampy ny ma-ndray anjara aminny fombafo-mba fananganan-tsaina?Ekso-dosy 20:4, 5; 1 Jaona 5:21. Ahoana no hampisehoakohoe tena manaja ny olonatsy mitovy finoana amikoaho, rehefa manazava ami-ny ny antony tsy handrai-sako anjara aminny fetim-pirenena?1 Petera 3:15. Nahoana aho no tsy ma-nohana antoko politika, sadytsy manao raharaha miaramilana inona na inona karazany?Jaona 13:34; 1 Jaona 3:10-12.

    Jereo ny Fanazavana Fanampiny,pejy 212-215.

    TSY ANISANITY TONTOLO ITY VE AHO?Toro lalana: Tsy anisanity tontolo ity

    ny fanjakako.Jaona 18:36.

  • Tena mila mifandray akaiky aminy aminny alalanny vava-ka ary isika!

    MANAOVA FITAFIANA SY FIHAINGO MAOTINA11 Hita aminny fomba fiakanjo sy fihaingo ary ny faha-

    diovanny olona ny toe-tsainy. Lasa tena tsy mendrika ny fi-tafinny olona any aminny tany maro. Nisy mpiteny aminny tele nilaza mihitsy hoe tsy ho hita intsony izay hanava-hana ny mpivaro-tena, atsy ho atsy. Na ny ankizivavikelyaza lasa miakanjo toy izany. Hoy ny gazety iray: Ny vatanaahanjahanjany, fa ny fahamaotinana tsy asiany lanjany. Bempanao koa ny fitafiana misavoritaka, izay mampiavaka nyolona tia mikomy sy tsy mba manaja ny tenany.

    12 Mpanomponi Jehovah isika, ka tena tokony hanaoakanjo madio sy milamina, voafidy tsara, ary mifanentanaaminizay atao. Mila miakanjo maotina sy amim-pahe-ndrena foana ary isika, sady manao asa tsara. Izany notokony hataonny olona rehetra milaza ho mpivavakaaminAndriamanitra, na lehilahy izy na vehivavy. Ny hi-toetra ao aminny fitiavanAndriamanitra anefa no tena ta-diavintsika, fa tsy ny hisarika ny masonny olona. (1 Timo-ty 2:9, 10; Joda 21) Ny toetra miafina ao am-po, izay tenasarobidy eo imasonAndriamanitra, no haingo tsara indri-ndra tiantsika hananana.1 Petera 3:3, 4.

    13 Tadidio koa fa mety ho arakaraka ny fomba fitafy sy fi-haingontsika no hitsaranny olona ny fivavahana marinaarahintsika. Ilay teny grika nadika hoe maotina, dia mi-dika koa hoe manaja fatratra ny fomba fihevitry ny olonasy mihevitra ny fihetseham-pony. Tokony hataontsika ta-njona ary ny hampandefitra ny zontsika, mba hanajana nyfeonny fieritreretanny hafa. Ny hanome voninahitra ani

    11. Lasa manao ahoana ny fomba fiakanjonny olona eto aminity to-ntolo ity?12, 13. Inona avy no toro lalana tokony harahintsika momba ny fi-tafy sy fihaingo?

    56 Mitoera ao Aminny FitiavanAndriamanitra

  • Jehovah sy ny vahoakanyno tena irintsika. Tiantsi-ka haseho koa fa mpano-mponAndriamanitra isika,ka ataontsika ho voninahi-ny ny zava-drehetra.1 Ko-rintianina 4:9; 10:31; 2 Ko-rintianina 6:3, 4; 7:1.

    14 Mila tandremana ko-koa ny fomba fitafy sy fihai-ngo ary fahadiovana, rehefamanompo sy mivory. Eritre-reto hoe: Misarika be loatrany hafa ve ny fomba fitafi-ko? Mahamenatra ny hafave ilay izy? Madio tsara veaho sa misy fofona maneli-ngelina? Marina fa mananazo hanao izay tiako aho, ka-nefa izany ve no zava-dehi-be kokoa amiko noho ny hoe mahafeno fepetra mba hanaozavatra eo anivonny fiangonana?Filipianina 4:5; 1 Pete-ra 5:6.

    15 Tsy misy lisitra lalana momba ny fitafy sy fihaingo aryfahadiovana ao aminny Baiboly. Manana safidy malalakasy fahaiza-misaina mantsy isika, ary tsy tiani Jehovah heso-rina amintsika izany. Tiany ho matotra kosa isika, ka hahayhandinika ny toro lalanny Baiboly sy hampiasa ny fahai-zantsika misaina mba ho zatra hanavaka ny tsara sy ny ra-tsy. (Hebreo 5:14) Tena tiany koa raha ny fitiavana azy sy

    14. Inona avy no fanontaniana tokony hoeritreretintsika momba nyfomba fitafy sy ny fahadiovana?15. Nahoana no tsy misy lisitra lalana momba ny fitafy sy fihaingoary fahadiovana ao aminny Baiboly?

    Manome voninahitra aniJehovah ve ny fomba fitafiko?

  • ny mpiara-belona no mibaiko antsika. (Vakio ny Marka 12:30, 31.) Maro ny karazana fitafiana sy haingo azo anaovanamifanaraka aminireo toro lalana ireo. Jereo fotsiny ny aka-njo maro karazana anaovanny vahoaka falifaly manompoani Jehovah, na aiza na aiza ivoriany.

    MAN`ANA FIAINANA TSOTRA FOANA

    16 Mamitaka ny fanahinizao tontolo izao, ka mitarikaolona maro hihevitra fa ny vola sy harena no mahasamba-tra. Hoy anefa i Jesosy: Na manam-be aza ny olona, dia tsymiankina aminny zavatra ananany ny ainy. (Lioka 12:15)Tsy nampirisika antsika hampihafy tena be anefa i Jesosy.Nilaza kosa izy fa hahazo fiainana sy tena ho sambatra isi-

    16. Inona no tsy mampitovy ny fanahinizao tontolo izao sy nyfampianarani Jesosy? Inona avy no fanontaniana tokony hoeritrere-tintsika?

  • ka, raha mahatsapa fa mila anAndriamanitra. Hahazoizany koa isika raha miezaka foana mba hanana fiainanatsotra, izany hoe mifantoka aminny fanompoana ani Je-hovah. (Matio 5:3; 6:22, fanamarihana ambany pejy) Eritre-reto ary hoe: Tena mino anireo tenini Jesosy ireo ve aho,sa manaiky ho voatarikilay rainny lainga? (Jaona 8:44)Inona no hita aminny zavatra lazaiko sy ataoko loha laha-rana, ary ny tanjoko sy ny fomba fiainako?Lioka 6:45;21:34-36; 2 Jaona 6.

    17 Hoy i Jesosy: Ny fahendrenny olona dia hamarininizay ataony. (Matio 11:19) Eritrereto tokoa ange ny soaazonizay manana fiainana tsotra foana e! Tena mamelo-mbelona azy ny fanompoany. (Matio 11:29, 30) Tsy mana-hy be lo