ny ato am - poko ? ho anao mandrakizay ‘lay fanantenako

35
Ny ato am-poko ? ho Anao mandrakizay ‘Lay Fanantenako

Upload: jessie

Post on 24-Feb-2016

33 views

Category:

Documents


0 download

DESCRIPTION

Ny ato am - poko ? ho Anao mandrakizay ‘Lay Fanantenako. HAFATRA. Ho any ianao, kanefa… Aza ataonao fantany izao fahoriako izao,fa aoka hiafina aminy Ny ketoky ny jaly Nanepaka ny aiko,tanatin’ny longoa Izay namandrihany ahy… Ny dinitry ny foko manorika ahy mangina , - PowerPoint PPT Presentation

TRANSCRIPT

Page 1: Ny ato am - poko  ? ho  Anao mandrakizay ‘Lay  Fanantenako

Ny ato am-poko ?ho Anao mandrakizay

‘Lay Fanantenako

Page 2: Ny ato am - poko  ? ho  Anao mandrakizay ‘Lay  Fanantenako

HAFATRAHo any ianao, kanefa…Aza ataonao fantany

izao fahoriako izao,fa aoka hiafina aminyNy ketoky ny jaly

Nanepaka ny aiko,tanatin’ny longoaIzay namandrihany ahy…

Ny dinitry ny foko manorika ahy mangina ,Fa sempo-tsasakalina Maraina ity anjarako

Aza ataonao fantany !

Page 3: Ny ato am - poko  ? ho  Anao mandrakizay ‘Lay  Fanantenako

…Raha manontany izy ,Iangaviko ianao handainga indray mandeha!Lazao fa manadino ny momba azy rehetra

Ny saiko manontoloRako-bonikazo hoe ireo lavenon-dasa

Natoraky ny adaoroIreto diary ireto lazao fa efa may

Sy tapitra efa kila……fa ny volofotsiko, ny ketroketron’handriko

Afeno dia afeno!Azonao izany!

Page 4: Ny ato am - poko  ? ho  Anao mandrakizay ‘Lay  Fanantenako

Etsy kely koa hafarako ianaoJereo raha sambata izy ! Mba

hamataranaoDia ireto no fambara : « Ao an’efitranony:misy voninkazoTsy maintsy mavokely…Eo an-doham-fandriany :Ny sarin’olotiany… na iza n’ iza izayRaha ireo no hitanao dia efa sambatra izyKa aza asiana resaka momba ahy akoryF’ izany rahateo no niriako ho azy…

Page 5: Ny ato am - poko  ? ho  Anao mandrakizay ‘Lay  Fanantenako

Izany no hafatrafatroKa tazomy tsara… ary dia veloma !Saingy etsy ange!Ty tànanao ity aza akasi-javatra mandra-pifandrain’ ny tànanao sy ny azy… eny ê!…Ampy izay tongava soa aman-tsara!Dia akatony mora io varavarana ioFa hitomany aho

Page 6: Ny ato am - poko  ? ho  Anao mandrakizay ‘Lay  Fanantenako

Auteur RADO (George ANDRIAMANANTENA)

R. Parfait

Page 7: Ny ato am - poko  ? ho  Anao mandrakizay ‘Lay  Fanantenako

Matahotra ho tia !

Kisendrasendra angamba,ilay isika nifanena

Kisendrasendra koa ’lay topimasontsikaKanefa tamin’iny injao nangenahenaNy fo amam-panahy sy ny fiainantsika

KISENDRASENDRA

Page 8: Ny ato am - poko  ? ho  Anao mandrakizay ‘Lay  Fanantenako

Kisendrasendra ,angamba,ilay teniko mangina

Toa mila tsy ho re…. kisendrasendra koaNy nahatonga anao hamaly am-pifalianaNy teny izay nataoko…kanjo tao am-po

Dia samy efa tia !

Page 9: Ny ato am - poko  ? ho  Anao mandrakizay ‘Lay  Fanantenako

F’izay vao tena tia!

Kisendrasendra angamba ilay ianao natahotra

Ka nadray ny tànako ho vahatra ifaharanaKisendrasendra angamba izaho ’lay

vahobahotraNamihina anao…. Nahita fahasambarana

Page 10: Ny ato am - poko  ? ho  Anao mandrakizay ‘Lay  Fanantenako

Malalako ho doria !

Kisendrasendra angamba ilay ianao tsy tratrako

Fa lasana nadeha…kisendrasendra mamy !

Fa ny alahelom-poko,ny tsiaro feno fatrako

No nanambara tamiko,fa ianao no hany

Page 11: Ny ato am - poko  ? ho  Anao mandrakizay ‘Lay  Fanantenako

AuteurRADO(George ANDRIAMANANTENA)

R.Parfait

Page 12: Ny ato am - poko  ? ho  Anao mandrakizay ‘Lay  Fanantenako

HETRAKETRAKAMisy maso tsy hitanao fa mijery anao

ihanyMisy fo tsy tsapanao fa mitempo anao

mangina Misy saina tsy arakao fa misaina anao

hatranyMisy tia tsy fantatrao fa mandray anao

ho tiana Hetraketraka !

Page 13: Ny ato am - poko  ? ho  Anao mandrakizay ‘Lay  Fanantenako

Hetraketraka !

Misy olo-maminao,mankahala anao tanteraka

Misy endrika tianao, tsy mahalala anao akory

Misy fo irifanao, milefa anao ho gina reraka

Misy tsiky andrasanao ,lasa eso mampaory

Page 14: Ny ato am - poko  ? ho  Anao mandrakizay ‘Lay  Fanantenako

Hetraketraka !

Misy sento indray mitosaka nefa tsy mba miombon-dray

Misy maso indray mitopy nefa tsy mba mifanena

Misy tànana mitsotra, nefa tsy mba mifandray

Misy tiana sady tia, nefa miandry mihenahena

Page 15: Ny ato am - poko  ? ho  Anao mandrakizay ‘Lay  Fanantenako

Hetraketraka !

Misy fo te hifangia fa soparan-tsy hiaraka

Misy fo fanahy miray fa didina hifampiery

Misy tana-mifandray fa dia misy mampisaraka

Misy aina !roa ho iray fa sarahana an-tery!

Page 16: Ny ato am - poko  ? ho  Anao mandrakizay ‘Lay  Fanantenako

J ESUS !JJ ESUS !J ’’AI CONFI ANCE EN AI CONFI ANCE EN TOI !TOI !

Auteur Elie RAJAONARISON

Nalisoa RAVALILTERA(Solimotel – Anosy,1988)

R.Parfait

Page 17: Ny ato am - poko  ? ho  Anao mandrakizay ‘Lay  Fanantenako

NOFY

Torimaso mamy iray anivon’alin’ny ririninaNo nitondran’ny nofiko ahy hanoloana anao

rahavakoNasehony ahy teo ianao ho tsinapa sy

fihininaHanaparako fijery mbola mandon’ny

fitiavako

Page 18: Ny ato am - poko  ? ho  Anao mandrakizay ‘Lay  Fanantenako

Tsisy teny re akory: gina, sina ny tontoloAfa-tsy ny tsikinao malefadefaka

fiantefa Nanala tahotra ny foko sy

namelombelom-boloIlay fitiavako efa resy, folaka nirefarefa

Page 19: Ny ato am - poko  ? ho  Anao mandrakizay ‘Lay  Fanantenako

Fihina tsy hay lazaina mamy noho ny mamy indrindra

Toy ny taho ladinin-daingo: rafitra mitovy rindra,

No nifamikirantsika nampijoro ny nokoa …..Minitra tiana ho doria, vakin’andro tian-ko taona,

Tsimoka nirin-ko taho hamela-panja lohataona…

Kanjo hay dia nofy ihany … nofy mamy tsy ho lo

Page 20: Ny ato am - poko  ? ho  Anao mandrakizay ‘Lay  Fanantenako

J ESUS !JJ ESUS !J ’’AI CONFI ANCE EN AI CONFI ANCE EN TOI !TOI !

Auteur RADO (George ANDRIAMANANTENA)15/07/55

R. Parfait

Page 21: Ny ato am - poko  ? ho  Anao mandrakizay ‘Lay  Fanantenako

NONY INJAY’lay tenako nanahiahy ny ho avy sy ny

ampitsonyNivahobahotra famindra amin’izato

maso ditsonyNony injay nahita anao:nihiratra

nanganohanoToy ny matin-ketaheta sendra hiran-

doharano

Page 22: Ny ato am - poko  ? ho  Anao mandrakizay ‘Lay  Fanantenako

’lay saiko trotraky ny ady ,valalanin’ny fiainana

Nanantena fandresena nefa vontom-pitarainana

Nony injay nahita anao sy ny topimasonao

Toy ny efa saiky resy notoloran-kery vao’lay foko mpakamamy hira ,nefa mbola

tsy nahita Kalo fatratra firindra tamin’izay rehetra

vitaNony injay nikalo ianao,izao no

fantatro,rahavakoIzay no hira kanto indrindra horaketin’ny

fitiavako

Page 23: Ny ato am - poko  ? ho  Anao mandrakizay ‘Lay  Fanantenako

J ESUS !JJ ESUS !J ’’AI CONFI ANCE EN AI CONFI ANCE EN TOI !TOI !

Auteur RADO (George ANDRIAMANANTENA

06/10/56

R. Parfait

Page 24: Ny ato am - poko  ? ho  Anao mandrakizay ‘Lay  Fanantenako

NY HERIKO VE ?

Tsy sandry madonda mpanao an-detrezana

Manery ,kanefa dia azo iaretana…Fa rariny anaty ,ka raha amelezanaMampihorohoro ny fieritreretana

Ny heriko ve ?

Page 25: Ny ato am - poko  ? ho  Anao mandrakizay ‘Lay  Fanantenako

Tsy vola mandriaka,manao rano vakyKa mila takalo manao « inty sy inday »Fa maso mitia sy mambabo malakyKanefa mamatotra mandrakizay

Ny heriko ve ?

Page 26: Ny ato am - poko  ? ho  Anao mandrakizay ‘Lay  Fanantenako

Tsy basy sy vanja manao varirarakaMampanangasanga ny herin’ny fasanaFa herin’ny saina tsy vonon-kandrarakaNy ilon’ny marina tsy azo kakasana

Ny heriko ve ?

Page 27: Ny ato am - poko  ? ho  Anao mandrakizay ‘Lay  Fanantenako

J ESUS !JJ ESUS !J ’’AI CONFI ANCE EN AI CONFI ANCE EN TOI !TOI !

Auteur

RADO (George ANDRIAMANANTENA)08/08/69

R. Parfait

Page 28: Ny ato am - poko  ? ho  Anao mandrakizay ‘Lay  Fanantenako

JESUS !JJ ESUS !J ’’AI CONFI ANCE EN AI CONFI ANCE EN TOI !TOI !

RAKOTOARISAONA Parfait

Page 29: Ny ato am - poko  ? ho  Anao mandrakizay ‘Lay  Fanantenako
Page 30: Ny ato am - poko  ? ho  Anao mandrakizay ‘Lay  Fanantenako

EMBONA

O! ry vorona mandalo ,miserana eny ambony enyAzafady indrindra ho’aho hampitondraiko taratasyHo an’ilay malalako any, fa mangina singan-drery;

Aty an-tanin’olon-kafa,onena sy mangasiasy

Page 31: Ny ato am - poko  ? ho  Anao mandrakizay ‘Lay  Fanantenako

o! ry volana eny ambony ,mpanazava irony alina,Ianao no antenaiko, hanembonako ilay tiana;

Izy koa angamba izay,mahita anao dia mba manina;Koa omeo ny taratrao,mba samy hahazo fifaliana

Page 32: Ny ato am - poko  ? ho  Anao mandrakizay ‘Lay  Fanantenako

Ô! Ry kintana mirenty,izay mpandravaka ny lanitra;Aiza ho aiza aminareo,ny solon-tenan’ilay tiako?Misehoa amiko eto,fa ho foana tsy haharitra ;Ny alaheloko rehetra, ny ranomasom-pahoriako

Page 33: Ny ato am - poko  ? ho  Anao mandrakizay ‘Lay  Fanantenako

Ô! Ry rano mikoriana, misosa dia misosa hatranyraha sendra mba mandalo,’lay tanàny any ianao

dia ambarao azy tsara fa na tsiky na tomany ny fitiavany hono hoe, tsy mety miova hatramin’izao

Page 34: Ny ato am - poko  ? ho  Anao mandrakizay ‘Lay  Fanantenako

J ESUS !JJ ESUS !J ’’AI CONFI ANCE EN AI CONFI ANCE EN TOI !TOI !

Auteur

VOLA

R. Parfait

Page 35: Ny ato am - poko  ? ho  Anao mandrakizay ‘Lay  Fanantenako

Anao mandrakizay ny fitiavako rehetra