ny fijangajangana inona no ambaran'ny baiboly mikasika izany? · 2019. 2. 12. · fanahy...

30
Imprimé en France Bibles et Publications Chrétiennes 30, rue Châteauvert BP 335 F-26003 Valence cedex Ny fijangajangana inona no ambaran'ny Baiboly mikasika izany ?

Upload: others

Post on 29-Oct-2020

12 views

Category:

Documents


1 download

TRANSCRIPT

Page 1: Ny fijangajangana inona no ambaran'ny Baiboly mikasika izany? · 2019. 2. 12. · Fanahy Masina. Fanomezana noraisintsika avy tamin’Andriamanitra io Fanahy io. Ny vatantsika no

Imprimé en France

Bibles et Publications Chrétiennes30, rue Châteauvert BP 335 F-26003 Valence cedex

Ny fijangajanganainona no ambaran'nyBaiboly mikasikaizany ?

Page 2: Ny fijangajangana inona no ambaran'ny Baiboly mikasika izany? · 2019. 2. 12. · Fanahy Masina. Fanomezana noraisintsika avy tamin’Andriamanitra io Fanahy io. Ny vatantsika no

ISBN : 978-2-87907-349-1

La sexualité : qu'en dit la Bible ?

Page 3: Ny fijangajangana inona no ambaran'ny Baiboly mikasika izany? · 2019. 2. 12. · Fanahy Masina. Fanomezana noraisintsika avy tamin’Andriamanitra io Fanahy io. Ny vatantsika no

3

11.. 1 Korintiana 6. Úµ-‡† •• 22.. Romana 12. ∞ •• 33.. Hebreo 13. ∂ sy ny 1Korintiana 7. ‡

NY FIJANGAJANGANAInona no ambaran’ny Baiboly mikasikaizany?

«Mandosira ny fijangajangana. Izay fahotanarehetra ataon’ny olona dia eny ivelan’ny tenaihany ; fa ny mpijangajanga kosa dia manotamihatra amin’ny tenany. Ahoana àry? Moa tsyfantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’nyFanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efaazonareo tamin’Andriamanitra? Ka tsytompon’ny tenanareo intsony ianareo. Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazàan’Andriamanitra amin’ny tenanareo »1.«Mankahalà ny ratsy »2.

Ny fijangajangana

Hita matetika ao amin’ny Tenin’Andriamanitraizany teny izany. Manondro izay rehetra mety hoendrika isehoan’ny firaisana ara-nofo ivelan’nyfanambadiana izy io3.

Amin’ny tontolo iainantsika ankehitriny, na toatsy fampiasa firy intsony aza io teny io, ny

Page 4: Ny fijangajangana inona no ambaran'ny Baiboly mikasika izany? · 2019. 2. 12. · Fanahy Masina. Fanomezana noraisintsika avy tamin’Andriamanitra io Fanahy io. Ny vatantsika no

4

44.. Eksodosy 20. Ú∂ •• 55.. Ohabolana 6. Ò‡

fahotana tondroiny kosa mainka miha mihanakasy miha mihanjahanja. Hita ombieny ombieny eoamin’ny tontolo manodidina antsika nyfisehon’ireny fijangajangana ireny : mpivadymifanitsakitsaka, fisakaizana maloto, tokan -tranomaso. Loza mitatao ho an’ny kristiana ny hobabon’izany fahazaran-dratsy izany. Ho dontomihitsy ny sainy amin’ny farany ka tsyhanameloka azy intsony ny feon’ny fieritreretany,na miaina ao anatin’izany aza izy. Tsy izaysainin’ny olona manodidina antsika akory nomarina, ka tokony harahina, fa ny ambaran’nyBaiboly, ny Tenin’Andriamanitra, izay eken’nymino noho ny tahotra an’Andriamanitra.

Izay ambaran’ny Baiboly mikasika nyfijangajangana

«Aza mijangajanga»4. «Izay mijangajangaamin’ny vehivavy dia tsy ampy saina ; Izay ta-hanimba tena no manao izany »5.

Manamafy ny maha fahotana goavana nyfijangajangana ny apôstôly Paoly, rehefanotarihin’ny Fanahy Masina izy, ao amin’ny enina

Page 5: Ny fijangajangana inona no ambaran'ny Baiboly mikasika izany? · 2019. 2. 12. · Fanahy Masina. Fanomezana noraisintsika avy tamin’Andriamanitra io Fanahy io. Ny vatantsika no

5

66.. vakio ny 1 Korintiana 6. ∞-ÚÚ ; Efesiana 5. Ò-¬ ; Galatiana 5. Ú∞-‡Ú ; 2 Korintiana 12. ‡Ú ; Kolosiana 3. ƒ-¬; 1 Tesaloniana 4. Ò-µ •• 77.. 1 Tesaloniana 5. ‡Ò

amin’ireo epistily nosoratany6. Ny fitsaràn’Andriamanitra no mitatao eo an-dohan’izayrehetra miroboka amin’izany karazam-pahotanaizany. Ambara mazava ao amin’ny Efesiana 5. ƒ fatsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitraireny olona ireny. Tahaka izany koa ny voalaza aoamin’ny Galatiana 5. ‡Ú sy ny 1 Korintiana 6. Ú†.

Ny fanahy, ny saina, ny vatana

«Ary Andriamanitry ny fiadanana aniehahamasina anareo samy ho tanteraka, kaaoka harovana avokoa ny fanahinareo sy nyainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsyhanan-tsiny amin’ny fiavian’i Jesoa KristyTompontsika »7.

Manisy fiavahana mazava tsara amin’ireo singamandrafitra ny maha olona ny Tenin’Andriamanitra, araka izany teny izany :11.. Ny fanahy, izay ahatsapantsika ny fisian’

Andriamanitra sy ifandraisantsika amin’nytontolo ara-panahy.

Page 6: Ny fijangajangana inona no ambaran'ny Baiboly mikasika izany? · 2019. 2. 12. · Fanahy Masina. Fanomezana noraisintsika avy tamin’Andriamanitra io Fanahy io. Ny vatantsika no

22.. Ny saina, izay mamaritra ny maha olona nyolona. Izy no ivon’ny fanapahan-kevitrarehetra. Mifandray amin’Andriamanitraamin’ny alalan’ny fanahy izy, ary amin’ny tanyamin’ny alalan’ny vatana. Azony ampiasainaavokoa na ny faharanitan-tsaina, na nyfandrindran-kevitra, ny fisainana, nyfihetseham-po,….

33.. Ny vatana, ilay fizaràna hita mason’ny mahaizy azy antsika, izay itoeran’ireo fahatsapanadimy sy ireo fironana voajanahary aoamintsika.

Fahotana miantraika amin’ny fanahintsika

Ota eo imason’Andriamanitra ny fijangajangana,satria midika ho fanaovana tsinontsinona nylamina efa napetrany tamim-pahendrena sy taoanatin’ny fiandrianany feno izany :

«Tsy mbola novakinareo va ny teny, fa Izaynahary azy tamin’ny voalohany dia nahary azyho lahy sy vavy, ka dia nanao hoe : «Ary nohoizany ny lehilahy dia handao ny rainy sy nyreniny ka hikambana amin’ny vadiny ; ary diaho nofo iray ihany izy roroa »? ka dia tsy roaintsony izy, fa nofo iray ihany. Koa amin’izany,

6

Page 7: Ny fijangajangana inona no ambaran'ny Baiboly mikasika izany? · 2019. 2. 12. · Fanahy Masina. Fanomezana noraisintsika avy tamin’Andriamanitra io Fanahy io. Ny vatantsika no

izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsyhampisarahin’olona»8.

Akamban’Andriamanitra amin’ny alalan’nyrohim-panambadiana ny lehilahy iray sy nyvehivavy iray. Noho izany, raisin’Andriamanitraho fanevatevana Azy avokoa na ny fanaovanafiraisana ara-nofo ivelan’ny fanambadiana, na nyfanitsakitsahana ny tokantrano, ho an’ireo efa aoanatin’ny fanambadiana. Sady fanaovanatsinontsinona ny fahefàn’Izy Andriamanitraizany, no fanitsakitsahana ny lamina efanapetrany. Tokony ho mailo ny kristiana, satriamahalala izy fa manimba ny fiombonanyamin’Andriamanitra ny ota, ka handositra an’iofahotana iray io. Miteraka fanamelohan-tena syfikorontanan-tsaina ho an’izay miaina azy nyfijangajangana.

Fahotana miantraika amin’ny maha olona (nysaina)

« Izay mijangajanga amin’ny vehivavy dia tsyampy saina ; izay ta-hanimba tena no manaoizany. Voakapoka sy afa-baraka izy ary tsy hoafaka amin’ny tondro-molotra »9.

7

88.. Matio 19. ∂-Ì •• 99.. Ohabolana 6. Ò‡-ÒÒ

Page 8: Ny fijangajangana inona no ambaran'ny Baiboly mikasika izany? · 2019. 2. 12. · Fanahy Masina. Fanomezana noraisintsika avy tamin’Andriamanitra io Fanahy io. Ny vatantsika no

8

1100.. Mpitoriteny 10. µ ; Ohabolana 6. ‡∞ •• 1111.. 1 Korintiana 6. Úµ

Miraikitra ao an-dohan’ilay nandoto ny tenanytamin’ny fijangajangana ny fanamelohan-tena,ary manakorontana ny sainy. Fahatsiarovanamaloto no mirakitra ao an-tsainy ; ratran’nynenina noho ny ratsy vita taman’olona, ary ratrafaran’izay sarotra sitranina tokoa. Aza hadinoinafa misy tambiny mandrakariva ny fijan -gajangana, na eo aminao izay manao azy izany,na eo amin’ny olona miaraka aminao10.

Fahotana miantraika amin’ ny vatana

Tsy manota amin’Andriamanitra sy manotamihatra amin’ny sainy fotsiny ihany nympijangajanga, fa manota mihatra amin’nyvatany, na ny tenany, ihany koa :

«Fa ny mpijangajanga kosa dia manotamihatra amin’ny tenany »11.

Mamahavaha an’io fijangajangana mandotony vatana io ny apôstôly Paoly, ao amin’ny tokofahenina amin’ny epistily voalohany nosoratanyho an’ny Korintiana. Ao no anehoany antony fitotokony handosirana an’io karazam-pahotana irayio.

Page 9: Ny fijangajangana inona no ambaran'ny Baiboly mikasika izany? · 2019. 2. 12. · Fanahy Masina. Fanomezana noraisintsika avy tamin’Andriamanitra io Fanahy io. Ny vatantsika no

9

1. Fa ny tena kosa dia tsy ho an’nyfijangajangana, fa ho an’ny Tompo (and. ÚÒ)Hoy i Paoly ao amin’ny toko faha-12 amin’nytaratasy nosoratany ho an’ny Romana :«Koa amin’izany mangataka aminareo aho ryrahalahy noho ny famindram-pon’Andriamanitra, mba hatolotrareo nytenanareo ho fanatitra velona, masina,sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-panahymety hataonareo izany ».Voatokana hoenti-manompo ny Tompo ny

tenan’ny mpino. Tsy maintsy ho masina ny tenamba ho azon’Ilay Masina Indrindra hampiasaina.Manala tena tsy ho afa-manao asa fanompoanana inona na inona ny mpijangajanga, satriavoaloto ny fitaovana hoentiny miasa, izany hoeny tenany, ka tsy ho azon’Andriamanitrahampiasaina intsony.

2. Ary ny Tompo ho an’ny tena (and. ÚÒ)Mikarakara ny tenantsika ny Tompo. Samytalanjona avokoa, na ny mpitsabo na nympandidy, manoloana ny hafatratry ny fiasan’nyatidoha, ny taova fandevonan-kanina, ny hozatra,ny sela, ny taovam-pananahana. Iza nonamboatra ny vatana hirindra toy izany ? NyTompo Andriamanitra, izay mpahary symihazona ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny

Page 10: Ny fijangajangana inona no ambaran'ny Baiboly mikasika izany? · 2019. 2. 12. · Fanahy Masina. Fanomezana noraisintsika avy tamin’Andriamanitra io Fanahy io. Ny vatantsika no

10

1122.. 2 Korintiana 7. Ú

Teniny. Izany no ilazantsika fa sarobidyamin’Andriamanitra ny tenantsika ka tsy tokonyholotoina, na amin’ny fomba manao ahoana naamin’ny fomba manao ahoana12.

3. Ary Andriamanitra efa nanangana ny Tomposady hanangana antsika koa amin’ ny heriny(and. Ú∂)Nanangana ny vatan’ny Tompo Jesoa tamin’nymaty Andriamanitra. Izany no nataony satriafantany fa anisan’ny mandrafitra ny maha izy azyan’i Jesoa mihitsy koa ny vatany. Torak’izany koa,anisan’ny mandrafitra ny maha isika antsika nyvatantsika, ka sarobidy eo imason’Andriamanitra.Hatsangana ny vatantsika (na hovana, raha toambola miaina isika amin’ny fotoana hiverenan’nyTompo), ka hitovy amin’ny vatana be voninahitryny Tompo Jesoa. Hiara-hitoetra aminymandrakizay ao amin’ny toeran’ny voninahitrany vatantsika natsangana.

Moa tsy ampy ilazana ny maha sarobidy nyvatana, na ny tenantsika, eo imason’Andriamanitra ve ny fanandratany izanyvatantsika izany ho any an-danitra, aorian’nyfitsanganana amin’ny maty ? Ka moa ekentsikave ny handoto azy io amin’ny fijangajangana ?

Page 11: Ny fijangajangana inona no ambaran'ny Baiboly mikasika izany? · 2019. 2. 12. · Fanahy Masina. Fanomezana noraisintsika avy tamin’Andriamanitra io Fanahy io. Ny vatantsika no

11

1133.. 1 Korintiana 12. Ú‡

Tsarovy fa hiakatra any an-danitra, izay toeran’nyfahazavana sy ny fahamasinana io vatantsika io.

4. Tsy fantatrareo va fa momba ny tenan’i Kristyny tenanareo? Moa hanala ny momba ny tenan’iKristy va aho ka hanolotra izany ho momba nytenan’ny vehivavy janga? Sanatria izany !(and. Úƒ)Ny mpino no mandrafitra ny tenan’i Kristy. Ireompino no toy ny rantsam-batan’i Kristy, ary iKristy kosa no Loha, izay efa nomem-boninahitraany an-danitra. « Ary ireo rehetra momba ny tenaireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, diatahaka izany koa Kristy »13. Toy ny manolotra nytenantsika ho momba ny tenan’ny vehivavyjanga isika, izany hoe ‘tena iray aminy’, na ‘vatanairay aminy’, raha minia miroboka amin’nyfijangajangana. « Sanatria izany ! », hoy ny hiakanataon’i Paoly.

Page 12: Ny fijangajangana inona no ambaran'ny Baiboly mikasika izany? · 2019. 2. 12. · Fanahy Masina. Fanomezana noraisintsika avy tamin’Andriamanitra io Fanahy io. Ny vatantsika no

12

1144.. Genesisy 2. ‡∂

5. Moa tsy fantatrareo va fa izay miray amin’nyvehivavy janga dia tena iray aminy? fa hoyAndriamanitra : «ho nofo iray ihany izy roroa ». Faizay miray amin’ny Tompo kosa dia fanahy irayaminy (and. ÚÌ-Ú¬)Ho an’ny lehilahy, ny firaisany amin’ny vehivavyjanga, na amin’ny vehivavy hitany teny ho eny,dia midika ho fiombonany ho ‘tena iray’ amin’inyolona iny. Tsy misy na fitiavana, na firaisam-po,na fiombonan-tsaina eo amin’izy ireo, izay tokonyho hita mandrakariva eo amin’ny fiainan’nympivady ara-dalàna. Fifanintonana ara-nofofotsiny ihany no mampifandray azy roa.Mifanohitra amin’ny lamina napetraky nyMpahary izany. Efa napetraka mantsy fa tsymaintsy misy fifamatoram-pitiavana aloha eoamin’ny lahy sy ny vavy, voalohany indrindra ;hamafisin’ny fifanekem-panambadianaampahibemaso izany, vao ho « nofo iray ihany »izy roa14. Mameno izany ny firaisam-po sy nyfiraisain-tsaina.

Efa tafaray amin’ny Tompo ny mpino rehetra.Tena fanahy iray aminy izy. Hiara-honina amin’iKristy ao amin’ny voninahiny ny saintsika sy nyvatantsika, indray andro any.

Page 13: Ny fijangajangana inona no ambaran'ny Baiboly mikasika izany? · 2019. 2. 12. · Fanahy Masina. Fanomezana noraisintsika avy tamin’Andriamanitra io Fanahy io. Ny vatantsika no

13

Hitantsika amin’izany àry fa mifamototratanteraka amin’ny lamina ara-pitondrantenanapetrak’ilay Mpahary ho an’ny olombelona, izayvoary lalainy fatratra, ny fijangajangana.

6. Mandosira ny fijangajangana. Izay fahotanarehetra ataon’ny olona dia eny ivelan’ny tenaihany ; fa ny mpijangajanga kosa dia manotamihatra amin’ny tenany. Ahoana àry? Moa tsyfantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’nyFanahy Masina, Izay ao anatinareo? (and. Úµ-Ú∞)Moa ve mba azontsika an-tsaina ny lanjan’izanyhoe : « tempolin’ny Fanahy Masina nytenantsika » ? Monina ao anatin’ny mpino nyFanahy Masina. Fanomezana noraisintsika avytamin’Andriamanitra io Fanahy io. Ny vatantsikano fitoerana masina nanorenan’ny FanahyMasina ny fonenany, ary honina ao Izy…mandrakizay ! Nodiovina indray mandehatamin’ny alalan’ny rà nalatsaky ny Tompo taoGolgota ny tenantsika. Ary tonga fitoera-masinavoatokana ho fonenan’Ilay Vahiny avy any an-danitra izy, fonenan’ny Fanahy Masina, rehefaizany. Aoka àry tsy holotointsika amin’nyfijangajangana io fitoerana masina io !

Page 14: Ny fijangajangana inona no ambaran'ny Baiboly mikasika izany? · 2019. 2. 12. · Fanahy Masina. Fanomezana noraisintsika avy tamin’Andriamanitra io Fanahy io. Ny vatantsika no

14

7. Ka tsy tompon’ny tenanareo ianareo. Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazàan’Andriamanitra amin’ny tenanareo (and. Ú∞-‡†)Ny hoe voavidy dia filazana avy hatrany fa nisyfananana iray lasa fananan’ny hafa. Tsy antsikaintsony ny tenantsika fa efa novidin’Andria -manitra. Toy inona moa ny sanda tsy maintsynaloan’Andriamanitra ho vidin’ny mpino tsirairayavy ! Ny Zanany lahitokana no nafoiny ho onitraho antsika teo amin’ny hazofijalian’i Kalvary.Izany no sanda naloan’ Andriamanitra mbahividianana antsika (vatana, saina, ary fanahy) –tsy voavidim-bola izany ! Noho izany, aoka hohaintsika ny hametraka ny tenantsika hoazon’Andriamanitra hampiasaina, hofanomezam-boninahitra fa tsy ho fanalam-baraka Azy.

Page 15: Ny fijangajangana inona no ambaran'ny Baiboly mikasika izany? · 2019. 2. 12. · Fanahy Masina. Fanomezana noraisintsika avy tamin’Andriamanitra io Fanahy io. Ny vatantsika no

15

1155.. Romana 12. ∞ •• 1166.. vakio ny Ohabolana 5. Ò-Ú∂ sy 7. Ì-‡Ò•• 1177.. Efesiana 5. Ò-∂

Inona no hatao manoloana nyfakàmpanahy?

Fantatr’Andriamanitra tokoa ny fahalemen’nyolombelona manoloana ny fakàmpanahin’nyfilàna ara-nofo. Malemy mantsy ny nofo. Didyfeno famindram-po no nomen’Andriamanitra.Hoy Izy : « MANDOSIRA NY FIJANGAJANGANA ».Andosiro lavitra toy ny fandositra menarana nyfijangajangana. Mankahalà ny ratsy15. Tsy misyhilalao, na hisangisangy, na hisafosafo, na hanaoampofoana, eny, na hifanatrika akory aza,amin’ny menarana, satria mahafaty ny kaikiny.

Tsy maintsy fadintsika ny filàna hiarakaraka, syizay rehetra mety ho fiarahana mampiahiahy.Aoka isika hanentsin-tadiny amin’ireo tolo-kevitra hafahafa16. Andosiro ny toerana rehetraanjakan’ny resaka mamoafady17, andosiro nyhoronan-tsary, ny vaky boky, mbamin’ireo sarymanetsika filàna sy fitsiriritana mandoto nyfisainana.

Tsara fo ny Tompo ka nanome ny vahaolana hoan’ny mpino isam-batan’olona : MANDOSIRA. Azamikasika, aza mihaino, fa andosiro ilay atao hoe‘vehivavy hafa’, ilay tsy vadin’ny tena. Toy izany

Page 16: Ny fijangajangana inona no ambaran'ny Baiboly mikasika izany? · 2019. 2. 12. · Fanahy Masina. Fanomezana noraisintsika avy tamin’Andriamanitra io Fanahy io. Ny vatantsika no

16

koa, mila mandositra ny lehilahy maka fanahyazy ny vehivavy mpino.

Tandremo fa mety hiafina ao ambadiky nyfisakaizana sy ny finamanana ny fakàmpanahy !

Page 17: Ny fijangajangana inona no ambaran'ny Baiboly mikasika izany? · 2019. 2. 12. · Fanahy Masina. Fanomezana noraisintsika avy tamin’Andriamanitra io Fanahy io. Ny vatantsika no

17

Hafatra ho an’ny tanora

Milomano ao anatin’ny tontolo potiky nyfampanaranam-po ny nofo isika. Loza mitatao,ho an’ny tanora indrindra indrindra, nyamboletra mihatra amin’ny fanahintsika ; nysain-dratsy tsy hay tohaina miha mahazo laka symihanaka, tsy misy tahotra na henatra intsony.

Na eo aza anefa izany, efa nanome loharanon-kery ho antsika Andriamanitra, mbahahafahantsika manovo hery amin’ny fotoanarehetra ilantsika izany. Eny, afaka ny hitokyamin’ny hery omen’Andriamanitra an’ireo olonatsy mivadika amin’ny fatokiana Azy – tahaka an’ iDaniela tao an-dapan’ny mpanjakan’i Babylona,sy tahaka an’i Josefa tao an-tranon’i Potifara –isika mpino tsirairay avy.

Saingy, mbola hisy ihany angamba tanorasasantsasany hilaza hoe : « Inona moa nomaharatsy ny fiaraha-mitoetra amin’ny namanalahy, na vavy ? Tsy mampaninona an’iza na izaizany. Manova inona moa ny fisoratana eoanatrehan’ny mpiadidy ny sora-piankohonana ? »Ndeha hohazavaina amin’ny alalan’nyTenin’Andriamanitra izany fomba fiheveranaizany :

Page 18: Ny fijangajangana inona no ambaran'ny Baiboly mikasika izany? · 2019. 2. 12. · Fanahy Masina. Fanomezana noraisintsika avy tamin’Andriamanitra io Fanahy io. Ny vatantsika no

18

1188.. Jaona 4. Úµ •• 1199.. Genesisy 2. ‡Ò

1. Inona no tsy mahamety ny fiaraha-mitoetryny mpinamana lahy sy vavy?

Tokantranomaso no iantsoana an’io endrikafiaraha-mitoetra io. Miha mahazo laka izanyankehitriny, kanefa tena tsy araka nyfihevitr’Andriamanitra mihitsy – izay tsy mbolamiova fa manasokajy izany ho zava-dratsymandrakariva. Miavaka hatrany amin’ny vadyara-dalàna ny kivadivady. Raha nitafa tamin’ilayvehivavy tao Samaria ny Tompo Jesoa mbahandresy lahatra azy ny amin’ ny fahotany, dianomarihiny ny hoe : Efa nanambady indimyianao, ary « tsy vadinao ilay itoeranaoankehitriny »18. Manambara mazava koa nyHebreo 13. ∂ manao hoe : « Aoka hanan-kajaamin’ny olona rehetra ny fanambadiana ».

Fanomezana sarobidy nomena ny olombelonany hanambady olona iray mandra-pahafaty.19 Toyny tombontsoa rehetra dia mitaky adidy syandraikitra ny fanambadiana. Raisin’nyankamaroan’ny tanora ho toy nyandrankandrana sy tsy tena haharitra ihanyanefa io fiaraha-miaina io ankehitriny. Laviny ireoadidy eo amin’ny sehatry ny fianakaviana tokonyhiantsorohany. Tsy irosoany ny fanekena nyhahatoky ka hijanona amin’io olona io mandra-

Page 19: Ny fijangajangana inona no ambaran'ny Baiboly mikasika izany? · 2019. 2. 12. · Fanahy Masina. Fanomezana noraisintsika avy tamin’Andriamanitra io Fanahy io. Ny vatantsika no

19

pahafatiny. Misy fifangaroana eo amin’ilayantsoina hoe filàna ara-nofo, sy ny tena fitiavanaao anatin’ny fanambadiana.

Fanevatevana an’Andriamanitra ny fanaovanatokantranomaso, ary midika ho tsy fankatoavanany lamina napetrak’ilay AndriamanitraMpamorona. Aoka hotsiahivintsika fa nataohanana ny endriky ny firaisam-panahin’i Kristy syny fiangonana ny fanambadiana.

2. Tsy mampaninona an’ iza na iza nyfiarahan’olon-droa mitoetra

Hitantsika tao amin’ireo pejy teo aloha famiantraika amin’ny fanahy, amin’ny saina, aryamin’ny vatan’ireo olon-droa miaina ao anatinyny tokantranomaso. Raha misy aza moa zazateraka tao anatin’io tokantranomaso io, dia tsymaintsy ho hita taratra amin’ny toetran’ireo zazany tsy fisian’ny firaisana feno teo amin’ny rayaman-dreniny.

3. Manova inona moa ny fandalovana eny amin’ny firaisam-pokontany?

Manoatra lavitra ny fankanesana hisoratra enyamin’ ny firaisana ny hevitra fonosin’ny atao hoefanambadiana ara-panjakana. Midika ho

Page 20: Ny fijangajangana inona no ambaran'ny Baiboly mikasika izany? · 2019. 2. 12. · Fanahy Masina. Fanomezana noraisintsika avy tamin’Andriamanitra io Fanahy io. Ny vatantsika no

20

fanekena ampahibemaso ny hifankatia syhifampatoky izany, omban’ny fahavononanahifanampy eo amin’ny lafim-piainanamanontolo. Moa ve tsy porofon’ny tsyfahavononana haharitra mandra-pahafaty nyfandavana tsy hanao ny fanekena imasom-bahoaka ?

Page 21: Ny fijangajangana inona no ambaran'ny Baiboly mikasika izany? · 2019. 2. 12. · Fanahy Masina. Fanomezana noraisintsika avy tamin’Andriamanitra io Fanahy io. Ny vatantsika no

21

2200.. 1 Jaona 1. ∞ •• 2211.. Salamo 51. ∂

Ho an’ireo nanota

Ny fijangajangana no voalohany amin’ireoasan’ny nofo voatanisa ao amin’ ny Galatianatoko faha-5. Indrisy, mbola mety hahatanterakaan’ireo asan’ny nofo rehetra ireo ihany isikakristiana « nateraka indray », raha tsy maharitraamin’ny fihazonana ny fiombonana amin’nyTompo. Arakaraka ny hifandraisantsika aminymantsy no hahafahantsika hitafy ny heriny syhisalotra ny fahasoavany, ka hahatoherantsika nyfakàmpanahy. Tsy maintsy hazonintsika aoamin’ny fahafatesana ny nofo, amin’ny alalan’nyfisaintsainana mandrakariva, amim-pinoana, faefa niara-nalevina tamin’i Kristy isika.

Raha misy kristiana iray, zanak’Andriamanitra,latsaka tamin’ny fakàmpanahy, aoka tsyhohadinoiny mihitsy fa misy ny lalana hiverenanyho amin’Andriamanitra : « Raha miaiky nyfahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy kamamela ny fahotantsika sy manadio antsika hoafaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra »20. Tsymaintsy ho amin-kitsim-po ny fiaiken-kelokaamin’Andriamanitra. Ekeo fa nampahatezitraan’Andriamanitra ny ota nataonao : «taminao diataminao ihany no nanotako »21 .

Page 22: Ny fijangajangana inona no ambaran'ny Baiboly mikasika izany? · 2019. 2. 12. · Fanahy Masina. Fanomezana noraisintsika avy tamin’Andriamanitra io Fanahy io. Ny vatantsika no

22

Ilaina ihany koa ny fiaiken-keloka amin’nyrahalahy kristiana tena mpino, matotra, mananany toetry ny mpitandrina (mpiandry ondry).Hitera-boka-tsoa mantsy izany satria hanampyamin’ny fahitana izay ho fanarenana tanterakaan’ilay lavo.

Page 23: Ny fijangajangana inona no ambaran'ny Baiboly mikasika izany? · 2019. 2. 12. · Fanahy Masina. Fanomezana noraisintsika avy tamin’Andriamanitra io Fanahy io. Ny vatantsika no

23

Koa dia mankalazà an’Andriamanitraamin’ny tenanareo

Raisina ho toy ny fitaovana ahazoantsikamankalaza an’Andriamanitra ety an-tany nytenan’ny mpino tsirairay avy. Sarobidy nynividianana antsika, ka moa tsy tokonyhapetratsika manontolo hanompoana ny Tompove ny momba antsika manontolo, dia nytenantsika ? Amin’ ny fomba ahoana anefa ?Amin’ny fiaikena fa ananan’Andriamanitrafahefana feno ny tenantsika, noho ny asa vita teoamin’ny hazofijaliana. Aoka hangatahintsikaaminy, amin’ny alalan’ny vavaka, izay sitrapony.Hatorony antsika ny lalana tiany hizorantsika,raha tena mivavaka amim-pahitsiana tokoa isika.

Ohatra roa no ndeha horaisintsika : nymasontsika sy ny vavantsika.

Ny masontsika

Aoka hampiasaintsika ho amin’ny famakiana nyTenin’Andriamanitra, sy ireo asasoratramanampy antsika hahatakatra ny amin’Andriamanitra, ny masontsika. Ahirato nymasontsika mba hanavaka ny tsara azontsikatanterahina ho an’ny rahalahintsika, sy ho an’ny

Page 24: Ny fijangajangana inona no ambaran'ny Baiboly mikasika izany? · 2019. 2. 12. · Fanahy Masina. Fanomezana noraisintsika avy tamin’Andriamanitra io Fanahy io. Ny vatantsika no

24

2222.. Filipiana 4. µ-∞ •• 2233.. 2 Korintiana 4. Ú† •• 2244.. Filipiana 3. ‡Ú

olona manodidina antsika. Ndeha hafantotsikaamin’ny tsara ny fampiasana ny masontsika22.

Ny vavantsika

Sokafy ny vavantsika mba hiderana an’Andriamanitra. Sokafy izy mba hivavahantsika hoan’ny tenantsika, ny fianakaviantsika, nynamantsika, ny fiangonana, ny famonjena nympanota. Aoka ho amin’ny teny fampaherezanaho an’ny ory, ny tsy misy mpiahy, ny manirery, nymarary, no hampiasantsika azy. Aokahosokafantsika ny vavantsika hamakiana nyTenin’Andriamanitra ho an’ ny hafa,…

Naniry ny hisehoan’ny fiainan’i Jesoa teoamin’ny tenany ny apôstôly Paoly23. Faniriantsikakoa ve ny toy izany ? Solontenan’ny Tompo Jesoaety an-tany ny tenantsika, eo am-piandrasana nyfanovana « ny tenan’ny fietren-tenantsika kahitovy endrika amin’ny tenan’ny voninahiny »24.Rahatrizay dia « ho hita toetra miharihary isika eoamin’ny fitsaràn’i Kristy, mba handraisan’nyolona rehetra izay zavatra nataon’ny tenany, diaaraka izay nataony, na tsara na ratsy ». Koa aokamba « hataontsika ho voninahitra ny mba

Page 25: Ny fijangajangana inona no ambaran'ny Baiboly mikasika izany? · 2019. 2. 12. · Fanahy Masina. Fanomezana noraisintsika avy tamin’Andriamanitra io Fanahy io. Ny vatantsika no

25

2255.. 2 Korintiana 5. ∞-Ú†

hankasitrahany antsika », hoy ny apôstôlyPaoly 25.

Page 26: Ny fijangajangana inona no ambaran'ny Baiboly mikasika izany? · 2019. 2. 12. · Fanahy Masina. Fanomezana noraisintsika avy tamin’Andriamanitra io Fanahy io. Ny vatantsika no

Bokikely hafa mety hanampy anao

– Olan’ny fahatanorana, ny fanambadiana, nyfianakaviana – J. Graf– Ny fakampànahy sy ny famonjena avyamin’Andriamanitra – G. André

Page 27: Ny fijangajangana inona no ambaran'ny Baiboly mikasika izany? · 2019. 2. 12. · Fanahy Masina. Fanomezana noraisintsika avy tamin’Andriamanitra io Fanahy io. Ny vatantsika no
Page 28: Ny fijangajangana inona no ambaran'ny Baiboly mikasika izany? · 2019. 2. 12. · Fanahy Masina. Fanomezana noraisintsika avy tamin’Andriamanitra io Fanahy io. Ny vatantsika no
Page 29: Ny fijangajangana inona no ambaran'ny Baiboly mikasika izany? · 2019. 2. 12. · Fanahy Masina. Fanomezana noraisintsika avy tamin’Andriamanitra io Fanahy io. Ny vatantsika no
Page 30: Ny fijangajangana inona no ambaran'ny Baiboly mikasika izany? · 2019. 2. 12. · Fanahy Masina. Fanomezana noraisintsika avy tamin’Andriamanitra io Fanahy io. Ny vatantsika no

Imprimé en France par IMÉAF – 26160 La Bégude de MazencDépôt légal : 4e trimestre 2007 - N° d’impression 70746