psd m adagasikara n6 3%.! -!.!--0!(!)7!.! 326 ()3/./.-3% ...€¦ · hak nytm i’ dr ol . raha...

1
5 Lah 1004 Samihafa www.gvalosoa.com I Timoty 6 :11 Fa hianao kosa, ry lehilahin'Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany, ka miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an'Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy." Ny TeNy FiaiNaNa Alakamisy 16 janoary 2020 PSD MADAgASikArA Ny tena manam-pahaizana tsy hitonon-tena toa voatavo Nandefa taratasy misokatra amin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ny avy amin’ny antoko PSD, mahakasika ny fanaovan’ny fitondram-panjakana antso avo amin’ny fampidirana faobe ho mpiasam-panjakana, ireo olona manam-pahaizana : Andriamatoa Filoha, Manoloana ny fanapahan-kevitra noraisinao, izay mahafaly anay ato amin'ny an- toko PSD, hiantso ny zanaka malagasy manam-pahaizana tsy ankanavaka, mba hia- raka hanatontosa ny IEM, dia mamelà anay ianao, mba hanolo-kevitra anao, amin'ny fomba izay heverinay fa tsy haha-voafitaka anao ary hahatongavana amin'ny tanjona irina, dia ny olona mendrika sy mahavita eo amin'ny toerana hahatontosàny soa aman- tsara ny asa. Tsy fanambonian-tena na fanambaniana ny hafa, sanatria izany, fa fi- tondrana fanatsaràna amin'ny tanindrazana iaraha-manana, iarahan-tiana sy iarahan-konenana ary taninjanaka ihany koa. Voalohany indrindra dia eto amin'ny fomba napetrak'ireo mpiara-miasa aminao ny fomba fitadiavana ireo manam-pahaizana ireo no anananay ahiahy. Ekenay fa ilaina ny olona manam-pahaizana, saingy ny fomba fitadiavana azy ireo amin'ny alalan'ny fiant- soana faobe no nahagaga kely anay. Ny tena olona manam-pahaizana sy za-draharaha manko dia ho mahina, ka tsy hihazakazaka hamaly an'io fiantsoana faobe io. Ireo mpa- nararaotra sy mpanao hosoka diplaoma no hihazakazaka marobe hamaly ny antso, hany ka ho lany andro amin'ny fikarohana ny marina sy ny fanavahana ny valinteny tsy toko tsy forohona izay ho latsaka eo ilay kabinetra manokana hisahana an'izany. Tokony ho jerena manokana ny olona tena ilaina. Tokony hiasa toy ireny « chas- seurs de tête » ireny ilay kabinetra izay tsy maintsy karamaina lafo, satria mora fan- tarina ny olona tena manam-pahaizana misy ary mety maniry ny hiara-hiasa amin'ny fitondràna raha tsy tratran'ny « verrouillage », sy fanavakavahana isan-karazany. Ma- nana olomanga isika eto an-toerana amin'ny taranja maro : ny fikarohana rehetra, ny fambolena, ny harena an-kibon'ny tany, ny fikirakirana ny rano, ny tontolo iainana. Maro ireo manana diplaoma avo lenta ikoizan'ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena nefa dia tsy antsoin'ny fitondràna. Ireny olona ireny dia tsy hitono-tena toy ny voatavo, fa fahendrena sy tombontsoan'ny firenena ny hiantsoana azy ireo manokana, izay fan- tatra fa manana diplaoma avo lenta tena izy fa tsy diplaoma kopie-kole, fantatra fa tia tanindrazana satria nody na dia mety ho nanankarena raha nijanona tany ivelany ary fantatra fa efa mahasahana ny « terrain » satria efa nahavita asa miaraka amin'ireo projets sy études vatsian'ny mpamatsy vola iraisam-pirenena. Mila mitandrina mafy amin'io fiantsoana faobe io satria efa za-dratsy loatra isika gasy, ka tsy maintsy miainga any indray ny « bizina » isan-karazan'ireo mitonona fa akaikin'ny filoha, ka hisoloky indray ny olona tsy manan-tsiny maniry mba te hiasa hoan'ny firenena. Efa nisy foana izany toe-javatra izany manodidina anao Andriamatoa Filoha, ary fantatray fa tsy fantatrao akory izany, nefa dia mandoto anao sy ny fiton- dranao ary miteraka olana hafa izay efa tsy ilaina intsony amin'izao fahantrana efa mihoa-pampana izao. Aleo tadiavina sy antsoina ny olona ilaina izay vonona, toy izay hanankina asa amin'olona izay mbola hiana-draharaha sy tsy mahalala ny « terrain ». Faharoa manarak'an'izany, alohan'ny hijerena ny olom-baovao marobe dia tsara ihany ny ahalalana fa ao anatin'ireo mpiasam-panjakàna ambony izay efa misy anie, dia maro ireo olona tena sarobidy, mahay raha sy tia tanindrazana, nefa nosimbain'ny tontolon'ny fahantràna ary tsy noraharahiana sy tsy nampiasaina ny fahaizany. Betsaka ny fikarohana « sur terrain » vitan'izy ireny, mety ho tombontsoan'ny fampandrosoana nefa ny toetra ratsin'ny tsy firaharahiana olona sy ny fitiavan-kely no nanjaka hatra- min'izay, hany ka tsy nasiam-potony avokoa ireo asa vita rehetra voatahiry any amin'ny lalina indrindra ny larmoaran'ny toeram-piasana. Betsaka ny tsiambaratelon'i Madaga- sikara fantatr'ireny olona ireny, izay fahalalàna sarobidy tokony ampitaina amin'ny mpiara-miasa mba hahamora ny asa fampandrosoana, fa tsy miverina hatramin'ny voa- lohany foana toy ny tsy ary nisy dingana vita hatramin'izay. Ilaina ny « valorisation des expériences ». Ekena fa betsaka ny tsy mahafa-po, tsy mitondra tombony fa mitsetsitra sy manararaotra fotsiny ihany. Noho izany dia miangavy izahay mba dinihina sy siva- nina ireo miasam-panjakàna ambony, anaovana « valorisation des ressources hu- maines existantes». Satria fatiantoka hoan'ny firenena raha ho soloina olona tsy mahalala ny olona mahalala, nefa dia tsy handaniam-bola akory ny mpiasa efa raikitra fa efa mpiasa mandray karama, izay mampalahelo fa tsy hay ny mampiasa azy. Matetika ny olona be diplaoma koa dia tsy voavidim-bola fa mila karama mifana- raka amin'izany diplaoma izany. Tsy omena tsiny akory izy ireo, nefa ny fitondram- panjakàna koa tsy afaka hivoana amin'ny zavatra tsy ananany. Hany ka ireo toro- hevitra ireo dia omena mba tsy andanian'ny fitondram-panjakàna vola sy fotoana be loatra, nefa mety ahatongavana amin'ny kalitaon'ny olona ilaina. Ary tsy tokony hionona amin'ny diplaoma fotsiny izao koa isika. Mila mitady olona madio sy marina, manana ny atao hoe « intégrité morale», tsy mieritreritra ny hangalatra ny fananana iombonan'ny gasy na hampiasa ny fitaovam-panjakàna hoan'ny tenany manokana, fa tena hiasa hoan'ny tombontsoa iombonana. Eo ihany koa ny « équilibre régional ». Tapitra manana ny olo-mangany manam-pahaizana avokoa ny faritra rehetra tsy ankanavaka eran'i Madagasikara, ka tsy misy tokony hatao tombo sy hala, ka ny tiana ihany no ampiasaina fa ny sasany tsy jerena. Ireo fepetra roa voalaza farany ireo dia tsy tokony atao ambanin-javatra mihitsy mba hisian'ny fiaraha-mientan'ny rehetra ao anatin'ny IEM. Izay fiaraha-mientana izay ihany no antoky ny fahombiazana. Izay ny torohevitra kely mba azo naroso Andriamatoa Filoha, izay heverinay fa anjara biriky amin'ny fampandrosoana ny tanindrazana. Mety ho tsara, mety ho ratsy ka ataovy toy ny voankazo an'ala, ny mamy atelemo, ny mangidy aloavy. Raiso, Andriamatoa Filoha, ny Haja sy ny Voninahitra atolotra ho anao. Natao teto Mahajanga, ny 14 Janoary 2020 Eliana BEZAZA Sekretera Nasionalin'ny Antoko PSD Nangonin’Isambilo Matio 21: 43 “Ary noho izany dia la- zaiko JESOSY aminareo hoe: hesorina aminareo ny Fanjakan’ i JEHOVAH, ka homena izay firenena mahavokatra ny voany.” Finaritra va ry zanak’ olombelona? Miara- haba tratry ny taona. Finaritra va ny fana- hinareo? Finaritra va ny fonareo? Finaritra va ny sainareo? Manao ahoana ihany koa ny vatanareo? Fa izany rehetra izany dia tokony ho tsara avokoa. Mponina aiza? Miaina aiza? Mahafantatra inona? Ha- traiza ny fahalalanao? Hoy AHO JEHO- VAH manao hoe sombintsombiny ihany izany. Efa lasa ny ady voalohany, efa tan- teraka ny ady faharoa fa ho avy ambany masoandro koa ny fahatelo farany. Moa va tsy efa nambarako taminareo izany fa hikambakambana ny firenen-dehibe fa hi- saraka ny sasany haka ho azy, Hafatra GV 44, GV 46. Fa tsy maintsy tanteraka izany. Dia hoy AHO aminao hoe safidio haingana ny manaraka ANAY, ny ma- nompo ANAY, ny mino ANAY. Inona izany? Izay mahafantatra zava-miafina ihany sy manaraka izany no ho tafita VE- LONA. Hatraiza ilay fahavelomana? Ma- nomboka amin’ ny fankatoavana izay lazaiko sy ny finoanao izay ambarako ary ny fanarahanao ny hafatro. Tsy olona no manoratra izao hafatra sady maika no to- kony afafy maneran-tany izao fa IZAHO JEHOVAH no maniraka ny mpanompoko mba hampahafantatra izay monina am- bany masoandro rehetra izay ho avy. Ta- haka ny tamin’ ny andro taloha ihany. Raha mandre ny hafatro ianao mivonona. Raha mandre ny feoko ianao mitsangana. Raha mino izay lazaiko ianao mizarà. Indro manomboka ambany masoandro eo amin’ ny tany misy ny velona izay voaso- ratra ao amin’ ny Baiboly. Ady tsy mety vita, ady tsy manam-pahataperana, ady srotra fiatombohana. Mba mino izany va ianareo? Sarotra inoana izany fa hoy ny Matio 24: 6-8. Fanombohana ihany anefa izany. Tsy manam-pahataperana io man- dra-pahatongako, mandra-pahatanteraky ny Teny voasoratra eo aminareo. Ny Fan- jakana dia omena ny firenena manaiky an’ i JESOSY. Matio 21: 43. Fanombohana ny fametrahana izany FANJAKAKO izany izay miseho ambany masoandro. Mitaky toy izao AHO JEHOVAH mba hanava- hana anao mba ho an’ i JESOSY. Fa raha firenena tsy manana an’ i JESOSY KRI- STY, ny zava-miseho dia izao: miady an- trano izany firenena izany. Ho anao izay tsy mahalala izay voasoratra, Lioka 21: 30-31. Izany hoe rehefa vonona ireo izay notsongaina, nino, nanaiky, voatokana, nantsoina dia tonga izay ny fotoanako. In- drindra moa ho an’ ireo izay efa vonona hiady ny FANJAKAKO fa tsy maintsy mia- fara amin’ izany ny zava-misy ambany masoandro : FANJAKANA miady fanja- kana. Misy fanafody sahaza izany fanam- barana izany, inona ary? Ry olombelona o! Aza variana, ry Fiangonana o! Aza miady hevitra, ry Firenena o! Aza mifam- piandany, aza mifampiampanga, aza mi- fampitsaratsara, aza mifanameloka, aza mandany fotoana amin’ izay mandalo, aza mankany amin’ ny fahaverezan-kevitra izay azo amboarina. Vahaolana ve? Mibe- baha ianareo fa akaiky ny FANJAKAKO, Matio 3: 2. Midira ao amin’ ny efitranonao izay mangingina, Matio 6: 6. Aza manahy ny ampitso, katsaho aloha ny FANJA- KAKO sy ny FAHAMARINAKO, Matio 6: 33-34. Ataovy izay hamantaranao an’ i JE- SOSY fa IZY ihany no vahaolana TO- KANA afaka mandray an-tanana ny tany, ny olombelona tsy an-kanavaka. Hatao- nao ahoana ny fandositra ireto? Tsy ha- naiky intsony ny rivotra fa hisafotofoto, tsy hay fantarina ny lalan-kalehany. Hataonao ahoana ny fandre ny fipoapoaky ny afo tsy mety maty fa na dia ny zava-maitso aza dia mandray afo, moa va tsy tahaka ny tao Sodoma sy Gomora, lavenona sisa. Mitovy ny haavon’ ny rano sy ny ra- nomasina izay miditra an-tanety, tsy mety mihena, tsy mety ritra sady mangotrako- traka tahaka ny rano nampangotrahina ary midoboka tahaka ny antontan-javatra mahery. Azo ialana ve raha ny tany no mi- tresatresaka, mangotrakotraka, mihozon- gozona, mandrava tanàna mihitsy sy ny mponina ao aminy. Tsy azo ialana avokoa izany. Tampoka avokoa ny fahatongavan’ izany eo amin’ ny tany misy ny zanak’ olombelona. Ny antom-pisian’ izany dia ireo karazam-pahotana misy eo amina- reo, heverin’ ny olona fa mety azo atao kanefa mampahory ireo zava-boary efatra izay azo lazaina fa AINA. Ny fahatezeran’ izy ireo fa voaloto no mahatonga izany re- hetra izany. Zava-doza fa hisy tany tsy ho hita popoka izy sy ny olona ao aminy. Hisy tany hitongilana, rava sy potika nohon’ ny fanoherana fahamarinana sy fihoarana ny lalako sy ny lalàko izay AHY JEHOVAH. Ho maro ny fatiantoka ambany masoan- dro fa hisy koa ny fandresena, fanare- nana, fanamboarana, famerenana amin’ ny laoniny izay avy AMIKO JEHOVAH Mpamorona. Mpanangana ny rava AHO. Mahalala ny marina AHO. Manapaka ny tany amin’ ny alalan’ i JESOSY KRISTY AHO. Tompon’ ny Hery, Tompon’ ny aina, Tompon’ ny fahavelomana, Tompon’ ny Fanjakana, Tompon’ ny Tany, Tompon’ ny Lanitra. Tompon’ andraikitra amin’ izany Teniko izany AHO. Tsy hainareo izany fa haiko, Matio 19: 26. Miomàna fotsiny ianao na ho andro na ho alina. Izany no antony nanomezako anjely isam-pirenena miisa 1860 mba ho fanampiako anareo manoloana ny zava-misy sy hitranga eo amin’ ny tany misy anareo. Tsy hafatra fe hafatra fotsiny izao tonga eo aminareo izao fa mpaminany no ampanoratiko fa mba inoy ihany. Mandra-pahatongan’ ny hitsanganan’ ilay FANJAKAKO dia saro- pantarina izay miseho amin’ ny tany am- bany sy izay mety ho famantarana ety amin’ ny lanitra ambony. Hahagaga ana- reo olombelona izany zavatra hisy izany. Dia hoy AHO hoe miomàna dia miam- bena, mivavaha dia mahalalà na dia izay zava-miafina sy saro-pantarina aza. Jere- mia 33: 3. Ry olombelona o! Aoka izay ny fiherikerehana, ny fahadisoan-kevitra fa IZAHO te hiara-hiasa aminareo amin’ ny alalan’ ny fahasoavako, Teniko, Heriko sy ny Fanapahako amin’ ny alalan’ ireo an- jely izay hiara-hiasa aminareo fa fombako izany. Mety ho tanteraka ve izany? tante- raka izany raha mahery mivavaka ianao. Ry Elia dia nahery nivavaka, Jakoba 5: 10. Ry Daniela koa, Daniela 6: 11, Da- niela 10: 2. Afaka ho toy izany koa ianao. Mba andramo moa e! fa tsara AHO JE- HOVAH, Salamo 34: 8. Ary iza ireo afaka eo akaikinao fa ny anjeliko dia mitoby ma- nodidina, Salamo 34: 7. Mba aelezo re izao hafatra ambany masonao mba hivo- non’ ny hafa sy hahafantarany zava-mia- fina. Ny taona vaovao no nanaovan’ i losifera loka fa hiasa mafy izy. Mba fan- taro ihany izany. Misaotra anao izay ma- maky sy mihaino. Amen! Mbola hitohy. Amen! JEHOVAH MPANJAKA MANDRAKIZAY Telephone : 033 12 461 43, 034 44 966 48 E-mail: jehovahandriamanitra@gmail. com Facebook : Jehovah Andriamanitra page Radio: - Antsiva, FM 97.6, Alarobia ma- raina 5ora 45min- 6ora - Soa Radio, FM 96.8, Alahady maraina 6ora 30min -7 ora - RMK, FM 102.4, Asabotsy 12 ora -12 ora 30min Gazety efa miara-miasa, Ny Valosoa Vao- vao (www.gvalosoa.com): mivoaka Talata sy Asabotsy Faminaniana sy fanambarana ho an’izao tontolo izao (GV 179-2), Madagasikara 06 janoary 2020

Upload: others

Post on 10-Nov-2020

0 views

Category:

Documents


0 download

TRANSCRIPT

Page 1: PSD M ADAgASikArA N6 3%.! -!.!--0!(!)7!.! 326 ()3/./.-3% ...€¦ · hak nytm i’ dr ol . Raha mandre ny hafatro ianao mivonona. Raha mandre ny feoko ianao mitsangana. Raha mino

5Lah 1004Samihafawww.gvalosoa.com

I Timoty 6 :11Fa hianao kosa, ry lehilahin'Andriamanitra, mandosira izany zavatra

izany, ka miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an'Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy."

Ny TeNy FiaiNaNa

Alakamisy 16 janoary 2020

PSD MADAgASikArA

Ny tena manam-pahaizana tsy hitonon-tena toa voatavoNandefa taratasy misokatra amin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ny avy

amin’ny antoko PSD, mahakasika ny fanaovan’ny fitondram-panjakana antso avoamin’ny fampidirana faobe ho mpiasam-panjakana, ireo olona manam-pahaizana :

Andriamatoa Filoha,Manoloana ny fanapahan-kevitra noraisinao, izay mahafaly anay ato amin'ny an-

toko PSD, hiantso ny zanaka malagasy manam-pahaizana tsy ankanavaka, mba hia-raka hanatontosa ny IEM, dia mamelà anay ianao, mba hanolo-kevitra anao, amin'nyfomba izay heverinay fa tsy haha-voafitaka anao ary hahatongavana amin'ny tanjonairina, dia ny olona mendrika sy mahavita eo amin'ny toerana hahatontosàny soa aman-tsara ny asa. Tsy fanambonian-tena na fanambaniana ny hafa, sanatria izany, fa fi-tondrana fanatsaràna amin'ny tanindrazana iaraha-manana, iarahan-tiana syiarahan-konenana ary taninjanaka ihany koa.

Voalohany indrindra dia eto amin'ny fomba napetrak'ireo mpiara-miasa aminao nyfomba fitadiavana ireo manam-pahaizana ireo no anananay ahiahy. Ekenay fa ilaina nyolona manam-pahaizana, saingy ny fomba fitadiavana azy ireo amin'ny alalan'ny fiant-soana faobe no nahagaga kely anay. Ny tena olona manam-pahaizana sy za-draharahamanko dia ho mahina, ka tsy hihazakazaka hamaly an'io fiantsoana faobe io. Ireo mpa-nararaotra sy mpanao hosoka diplaoma no hihazakazaka marobe hamaly ny antso,hany ka ho lany andro amin'ny fikarohana ny marina sy ny fanavahana ny valinteny tsytoko tsy forohona izay ho latsaka eo ilay kabinetra manokana hisahana an'izany.

Tokony ho jerena manokana ny olona tena ilaina. Tokony hiasa toy ireny « chas-seurs de tête » ireny ilay kabinetra izay tsy maintsy karamaina lafo, satria mora fan-tarina ny olona tena manam-pahaizana misy ary mety maniry ny hiara-hiasa amin'nyfitondràna raha tsy tratran'ny « verrouillage », sy fanavakavahana isan-karazany. Ma-nana olomanga isika eto an-toerana amin'ny taranja maro : ny fikarohana rehetra, nyfambolena, ny harena an-kibon'ny tany, ny fikirakirana ny rano, ny tontolo iainana.Maro ireo manana diplaoma avo lenta ikoizan'ireo mpamatsy vola iraisam-pirenenanefa dia tsy antsoin'ny fitondràna. Ireny olona ireny dia tsy hitono-tena toy ny voatavo,fa fahendrena sy tombontsoan'ny firenena ny hiantsoana azy ireo manokana, izay fan-tatra fa manana diplaoma avo lenta tena izy fa tsy diplaoma kopie-kole, fantatra fa tiatanindrazana satria nody na dia mety ho nanankarena raha nijanona tany ivelany aryfantatra fa efa mahasahana ny « terrain » satria efa nahavita asa miaraka amin'ireoprojets sy études vatsian'ny mpamatsy vola iraisam-pirenena.

Mila mitandrina mafy amin'io fiantsoana faobe io satria efa za-dratsy loatra isikagasy, ka tsy maintsy miainga any indray ny « bizina » isan-karazan'ireo mitonona faakaikin'ny filoha, ka hisoloky indray ny olona tsy manan-tsiny maniry mba te hiasahoan'ny firenena. Efa nisy foana izany toe-javatra izany manodidina anao AndriamatoaFiloha, ary fantatray fa tsy fantatrao akory izany, nefa dia mandoto anao sy ny fiton-dranao ary miteraka olana hafa izay efa tsy ilaina intsony amin'izao fahantrana efamihoa-pampana izao. Aleo tadiavina sy antsoina ny olona ilaina izay vonona, toy izayhanankina asa amin'olona izay mbola hiana-draharaha sy tsy mahalala ny « terrain ».

Faharoa manarak'an'izany, alohan'ny hijerena ny olom-baovao marobe dia tsaraihany ny ahalalana fa ao anatin'ireo mpiasam-panjakàna ambony izay efa misy anie,dia maro ireo olona tena sarobidy, mahay raha sy tia tanindrazana, nefa nosimbain'nytontolon'ny fahantràna ary tsy noraharahiana sy tsy nampiasaina ny fahaizany. Betsakany fikarohana « sur terrain » vitan'izy ireny, mety ho tombontsoan'ny fampandrosoananefa ny toetra ratsin'ny tsy firaharahiana olona sy ny fitiavan-kely no nanjaka hatra-min'izay, hany ka tsy nasiam-potony avokoa ireo asa vita rehetra voatahiry any amin'nylalina indrindra ny larmoaran'ny toeram-piasana. Betsaka ny tsiambaratelon'i Madaga-sikara fantatr'ireny olona ireny, izay fahalalàna sarobidy tokony ampitaina amin'nympiara-miasa mba hahamora ny asa fampandrosoana, fa tsy miverina hatramin'ny voa-lohany foana toy ny tsy ary nisy dingana vita hatramin'izay. Ilaina ny « valorisation desexpériences ». Ekena fa betsaka ny tsy mahafa-po, tsy mitondra tombony fa mitsetsitrasy manararaotra fotsiny ihany. Noho izany dia miangavy izahay mba dinihina sy siva-nina ireo miasam-panjakàna ambony, anaovana « valorisation des ressources hu-maines existantes». Satria fatiantoka hoan'ny firenena raha ho soloina olona tsymahalala ny olona mahalala, nefa dia tsy handaniam-bola akory ny mpiasa efa raikitrafa efa mpiasa mandray karama, izay mampalahelo fa tsy hay ny mampiasa azy.

Matetika ny olona be diplaoma koa dia tsy voavidim-bola fa mila karama mifana-raka amin'izany diplaoma izany. Tsy omena tsiny akory izy ireo, nefa ny fitondram-panjakàna koa tsy afaka hivoana amin'ny zavatra tsy ananany. Hany ka ireo toro-hevitra ireo dia omena mba tsy andanian'ny fitondram-panjakàna vola sy fotoana beloatra, nefa mety ahatongavana amin'ny kalitaon'ny olona ilaina.

Ary tsy tokony hionona amin'ny diplaoma fotsiny izao koa isika. Mila mitady olonamadio sy marina, manana ny atao hoe « intégrité morale», tsy mieritreritra ny hangalatrany fananana iombonan'ny gasy na hampiasa ny fitaovam-panjakàna hoan'ny tenanymanokana, fa tena hiasa hoan'ny tombontsoa iombonana. Eo ihany koa ny « équilibrerégional ». Tapitra manana ny olo-mangany manam-pahaizana avokoa ny faritra rehetratsy ankanavaka eran'i Madagasikara, ka tsy misy tokony hatao tombo sy hala, ka nytiana ihany no ampiasaina fa ny sasany tsy jerena. Ireo fepetra roa voalaza farany ireodia tsy tokony atao ambanin-javatra mihitsy mba hisian'ny fiaraha-mientan'ny rehetraao anatin'ny IEM. Izay fiaraha-mientana izay ihany no antoky ny fahombiazana.

Izay ny torohevitra kely mba azo naroso Andriamatoa Filoha, izay heverinay faanjara biriky amin'ny fampandrosoana ny tanindrazana. Mety ho tsara, mety ho ratsyka ataovy toy ny voankazo an'ala, ny mamy atelemo, ny mangidy aloavy.

Raiso, Andriamatoa Filoha, ny Haja sy ny Voninahitra atolotra ho anao.Natao teto Mahajanga, ny 14 Janoary 2020Eliana BEZAZASekretera Nasionalin'ny Antoko PSD

Nangonin’Isambilo

Matio 21: 43 “Ary noho izany dia la-zaiko JESOSY aminareo hoe: hesorinaaminareo ny Fanjakan’ i JEHOVAH, kahomena izay firenena mahavokatra nyvoany.”

Finaritra va ry zanak’ olombelona? Miara-haba tratry ny taona. Finaritra va ny fana-hinareo? Finaritra va ny fonareo? Finaritrava ny sainareo? Manao ahoana ihany koany vatanareo? Fa izany rehetra izany diatokony ho tsara avokoa. Mponina aiza?Miaina aiza? Mahafantatra inona? Ha-traiza ny fahalalanao? Hoy AHO JEHO-VAH manao hoe sombintsombiny ihanyizany. Efa lasa ny ady voalohany, efa tan-teraka ny ady faharoa fa ho avy ambanymasoandro koa ny fahatelo farany. Moava tsy efa nambarako taminareo izany fahikambakambana ny firenen-dehibe fa hi-saraka ny sasany haka ho azy, HafatraGV 44, GV 46. Fa tsy maintsy tanterakaizany. Dia hoy AHO aminao hoe safidiohaingana ny manaraka ANAY, ny ma-nompo ANAY, ny mino ANAY. Inonaizany? Izay mahafantatra zava-miafinaihany sy manaraka izany no ho tafita VE-LONA. Hatraiza ilay fahavelomana? Ma-nomboka amin’ ny fankatoavana izaylazaiko sy ny finoanao izay ambarako aryny fanarahanao ny hafatro. Tsy olona nomanoratra izao hafatra sady maika no to-kony afafy maneran-tany izao fa IZAHOJEHOVAH no maniraka ny mpanompokomba hampahafantatra izay monina am-bany masoandro rehetra izay ho avy. Ta-haka ny tamin’ ny andro taloha ihany.Raha mandre ny hafatro ianao mivonona.Raha mandre ny feoko ianao mitsangana.Raha mino izay lazaiko ianao mizarà.Indro manomboka ambany masoandro eoamin’ ny tany misy ny velona izay voaso-ratra ao amin’ ny Baiboly. Ady tsy metyvita, ady tsy manam-pahataperana, adysrotra fiatombohana. Mba mino izany vaianareo? Sarotra inoana izany fa hoy nyMatio 24: 6-8. Fanombohana ihany anefaizany. Tsy manam-pahataperana io man-dra-pahatongako, mandra-pahatanterakyny Teny voasoratra eo aminareo. Ny Fan-jakana dia omena ny firenena manaiky an’i JESOSY. Matio 21: 43. Fanombohanany fametrahana izany FANJAKAKO izanyizay miseho ambany masoandro. Mitakytoy izao AHO JEHOVAH mba hanava-hana anao mba ho an’ i JESOSY. Fa rahafirenena tsy manana an’ i JESOSY KRI-STY, ny zava-miseho dia izao: miady an-trano izany firenena izany. Ho anao izaytsy mahalala izay voasoratra, Lioka 21:30-31. Izany hoe rehefa vonona ireo izaynotsongaina, nino, nanaiky, voatokana,nantsoina dia tonga izay ny fotoanako. In-drindra moa ho an’ ireo izay efa vononahiady ny FANJAKAKO fa tsy maintsy mia-fara amin’ izany ny zava-misy ambanymasoandro : FANJAKANA miady fanja-kana. Misy fanafody sahaza izany fanam-barana izany, inona ary? Ry olombelonao! Aza variana, ry Fiangonana o! Azamiady hevitra, ry Firenena o! Aza mifam-piandany, aza mifampiampanga, aza mi-fampitsaratsara, aza mifanameloka, azamandany fotoana amin’ izay mandalo, azamankany amin’ ny fahaverezan-kevitraizay azo amboarina. Vahaolana ve? Mibe-baha ianareo fa akaiky ny FANJAKAKO,Matio 3: 2. Midira ao amin’ ny efitranonaoizay mangingina, Matio 6: 6. Aza manahyny ampitso, katsaho aloha ny FANJA-KAKO sy ny FAHAMARINAKO, Matio 6:33-34. Ataovy izay hamantaranao an’ i JE-SOSY fa IZY ihany no vahaolana TO-KANA afaka mandray an-tanana ny tany,ny olombelona tsy an-kanavaka. Hatao-nao ahoana ny fandositra ireto? Tsy ha-naiky intsony ny rivotra fa hisafotofoto, tsyhay fantarina ny lalan-kalehany. Hataonaoahoana ny fandre ny fipoapoaky ny afotsy mety maty fa na dia ny zava-maitsoaza dia mandray afo, moa va tsy tahakany tao Sodoma sy Gomora, lavenonasisa. Mitovy ny haavon’ ny rano sy ny ra-

nomasina izay miditra an-tanety, tsy metymihena, tsy mety ritra sady mangotrako-traka tahaka ny rano nampangotrahinaary midoboka tahaka ny antontan-javatramahery. Azo ialana ve raha ny tany no mi-tresatresaka, mangotrakotraka, mihozon-gozona, mandrava tanàna mihitsy sy nymponina ao aminy. Tsy azo ialana avokoaizany. Tampoka avokoa ny fahatongavan’izany eo amin’ ny tany misy ny zanak’olombelona. Ny antom-pisian’ izany diaireo karazam-pahotana misy eo amina-reo, heverin’ ny olona fa mety azo ataokanefa mampahory ireo zava-boary efatraizay azo lazaina fa AINA. Ny fahatezeran’izy ireo fa voaloto no mahatonga izany re-hetra izany. Zava-doza fa hisy tany tsy hohita popoka izy sy ny olona ao aminy. Hisytany hitongilana, rava sy potika nohon’ nyfanoherana fahamarinana sy fihoarana nylalako sy ny lalàko izay AHY JEHOVAH.Ho maro ny fatiantoka ambany masoan-dro fa hisy koa ny fandresena, fanare-nana, fanamboarana, famerenana amin’ny laoniny izay avy AMIKO JEHOVAHMpamorona. Mpanangana ny rava AHO.Mahalala ny marina AHO. Manapaka nytany amin’ ny alalan’ i JESOSY KRISTYAHO. Tompon’ ny Hery, Tompon’ ny aina,Tompon’ ny fahavelomana, Tompon’ nyFanjakana, Tompon’ ny Tany, Tompon’ nyLanitra. Tompon’ andraikitra amin’ izanyTeniko izany AHO. Tsy hainareo izany fahaiko, Matio 19: 26. Miomàna fotsinyianao na ho andro na ho alina. Izany noantony nanomezako anjely isam-pirenenamiisa 1860 mba ho fanampiako anareomanoloana ny zava-misy sy hitranga eoamin’ ny tany misy anareo. Tsy hafatra fehafatra fotsiny izao tonga eo aminareoizao fa mpaminany no ampanoratiko famba inoy ihany. Mandra-pahatongan’ nyhitsanganan’ ilay FANJAKAKO dia saro-pantarina izay miseho amin’ ny tany am-bany sy izay mety ho famantarana etyamin’ ny lanitra ambony. Hahagaga ana-reo olombelona izany zavatra hisy izany.Dia hoy AHO hoe miomàna dia miam-bena, mivavaha dia mahalalà na dia izayzava-miafina sy saro-pantarina aza. Jere-mia 33: 3. Ry olombelona o! Aoka izay nyfiherikerehana, ny fahadisoan-kevitra faIZAHO te hiara-hiasa aminareo amin’ nyalalan’ ny fahasoavako, Teniko, Heriko syny Fanapahako amin’ ny alalan’ ireo an-jely izay hiara-hiasa aminareo fa fombakoizany. Mety ho tanteraka ve izany? tante-raka izany raha mahery mivavaka ianao.Ry Elia dia nahery nivavaka, Jakoba 5:10. Ry Daniela koa, Daniela 6: 11, Da-niela 10: 2. Afaka ho toy izany koa ianao.Mba andramo moa e! fa tsara AHO JE-HOVAH, Salamo 34: 8. Ary iza ireo afakaeo akaikinao fa ny anjeliko dia mitoby ma-nodidina, Salamo 34: 7. Mba aelezo reizao hafatra ambany masonao mba hivo-non’ ny hafa sy hahafantarany zava-mia-fina. Ny taona vaovao no nanaovan’ ilosifera loka fa hiasa mafy izy. Mba fan-taro ihany izany. Misaotra anao izay ma-maky sy mihaino.

Amen!

Mbola hitohy.

Amen!

JEHOVAH MPANJAKA MANDRAKIZAY

Telephone : 033 12 461 43, 034 44 96648

E-mail: [email protected]

Facebook : Jehovah Andriamanitra page

Radio:

- Antsiva, FM 97.6, Alarobia ma-raina 5ora 45min- 6ora

- Soa Radio, FM 96.8, Alahadymaraina 6ora 30min -7 ora

- RMK, FM 102.4, Asabotsy 12 ora-12 ora 30min

Gazety efa miara-miasa, Ny Valosoa Vao-vao (www.gvalosoa.com): mivoaka Talatasy Asabotsy

Faminaniana sy fanambarana ho an’izao tontoloizao (GV 179-2), Madagasikara 06 janoary 2020