sekoly sabata & asa fitoriana...

61
Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM Lesona 1 MAMALY ANTSON’I JESOSY Mandalina ny loharanon-kevitra Matio19:21, 22; 28:18-20; Marka 8:34, 35; Lioka 9:59; Jaona 1:35-51 Mametraka ny tanjona irina Ny mambra ao anatin’ny kilasy dia: Hahafantatra ny fomba niantsoan’i Jesosy ny olona ho tonga mpianany. Afaka handinika ny valiny asetrin’ny olona ny fanasana ho tonga mpianatra. Hanome lanja ny fanapahan-kevitra izay noraisin’ny mambra ao anatin’ny kilasy, dia ny ho tonga mpianatr’i Jesosy. Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy ho Mpamonjiny ny olona matetika, dia mahatsapa fifaliam-be. Rehefa manomboka ny dia amin’ny fanarahana Azy anefa izy ireny dia mety hiatrika fihaikana izay Hahatonga azy ireny hanontany tena ny amin’ny fanapahan- kevitra noraisiny. Ity lesona ity dia novolavolaina mba hanehoana fa rehefa miantso ny olona iray hanaraka Azy i Jesosy dia kihon-dalana eo amin’ny fiainana izay manana vokatra maharitra mandrakizay izany. Noho ny teny fikasan’i Jesosy dia tokony hahazo antoka izy ireo hoe nandray (na handray) ny fanapahan-kevitra marina. Manomana ny fitaovana Ampahan-taratasy kely, pensilihazo na penina ho an’ny mambra tsirairay avy ao anatin’ny kilasy Jereo ny tranokalam-pifandraisanam-pifandraisana misy ny Loharanon-kevitra ho an’ny Mambra Vaovao, ahitana raha toa ka misy fitaovana tianao ampidirina ao anatin’ny fifanakalozan-kevitry ny Kilasy. Valin’ny fanontaniana ao amin’ny fizaràna “Fitsapam-Pahaizana”: 1-B; 2-D; 3-E; 4-B. Miomana hanomboka Safidy A: Inona no sary na sehatra tonga ao an-tsainao rehefa mierireritra momba ny mpianatr’i Jesosy? Safidy B: Oviana ny fotoana voalohany nandrenesanao ny momba an’i Jesosy? Hazavao. Mikatsaka ao anatin’ny Teny ary mifanakalo hevitra momba ny olana Fomba Fampianarana Rehefa natsangana ny tarika iray dia zava-dehibe ny fametrahana fanontaniana izay tsy dia tena lalina loatra, mahakasika ny tena manokana.

Upload: dangthuy

Post on 04-Apr-2019

242 views

Category:

Documents


1 download

TRANSCRIPT

Page 1: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Lesona 1

MAMALY ANTSON’I JESOSY

Mandalina ny loharanon-kevitra Matio19:21, 22; 28:18-20; Marka 8:34, 35; Lioka 9:59; Jaona 1:35-51 Mametraka ny tanjona irina Ny mambra ao anatin’ny kilasy dia: ●Hahafantatra ny fomba niantsoan’i Jesosy ny olona ho tonga mpianany. ●Afaka handinika ny valiny asetrin’ny olona ny fanasana ho tonga mpianatra. ●Hanome lanja ny fanapahan-kevitra izay noraisin’ny mambra ao anatin’ny kilasy, dia ny ho tonga mpianatr’i Jesosy. Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy ho Mpamonjiny ny olona matetika, dia mahatsapa fifaliam-be. Rehefa manomboka ny dia amin’ny fanarahana Azy anefa izy ireny dia mety hiatrika fihaikana izay Hahatonga azy ireny hanontany tena ny amin’ny fanapahan-kevitra noraisiny. Ity lesona ity dia novolavolaina mba hanehoana fa rehefa miantso ny olona iray hanaraka Azy i Jesosy dia kihon-dalana eo amin’ny fiainana izay manana vokatra maharitra mandrakizay izany. Noho ny teny fikasan’i Jesosy dia tokony hahazo antoka izy ireo hoe nandray (na handray) ny fanapahan-kevitra marina. Manomana ny fitaovana ●Ampahan-taratasy kely, pensilihazo na penina ho an’ny mambra tsirairay avy ao anatin’ny kilasy ●Jereo ny tranokalam-pifandraisanam-pifandraisana misy ny Loharanon-kevitra ho an’ny Mambra Vaovao, ahitana raha toa ka misy fitaovana tianao ampidirina ao anatin’ny fifanakalozan-kevitry ny Kilasy. ●Valin’ny fanontaniana ao amin’ny fizaràna “Fitsapam-Pahaizana”: 1-B; 2-D; 3-E; 4-B. Miomana hanomboka Safidy A: Inona no sary na sehatra tonga ao an-tsainao rehefa mierireritra momba ny mpianatr’i Jesosy? Safidy B: Oviana ny fotoana voalohany nandrenesanao ny momba an’i Jesosy? Hazavao. Mikatsaka ao anatin’ny Teny ary mifanakalo hevitra momba ny olana

Fomba Fampianarana Rehefa natsangana ny tarika iray dia zava-dehibe ny fametrahana fanontaniana izay tsy dia tena lalina loatra, mahakasika ny tena manokana.

Page 2: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Rehefa nihaona tamin’i Jesosy ny olona dia tsy maintsy nandray fanapahan-kevitra. Voarakitry ny Baiboly ny sasany tamin’ireo fihaonan’i Jesosy tamin’ny olona isan-karazany, ary voambara ao ny fomba namalian’izy ireny azy. Rehefa ampahafantarina ny olona amin’izao fotoana izao i Jesosy, dia manao ahoana ny valiny asetriny raha ampitahaina amin’ny an’ny olona tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao? Olana 1: Ahoana no fomba namalian’ny olona an’i Jesosy? Andeha isika hamaky andalana telo izay mamariparitra fihaonana tamin’i Jesosy.” (Raha toa ka efa fantapantatrao tsara ny mambra ao anatin’ny kilasinao eto amin’ity fizaràna ity dia mangataha olona telo na efatra hamaky ireo andininy ao amin’ity andalana manaraka ity) Jaona1:35-51. Ireo no mpianatr’i Jesosy voalohany. Amin’ny kapobeny, inona no valiny nasetrin’ireo lehilahy ireo? Ahoana no fomba hanazavanao ny toetra nasehon’izy ireo? Mifidiana andian-teny na fehezanteny manokana hanohanana ny hevitrao. Misy andalana roa hafa mirakitra ny valiny asetrin’ny olona ny fihaonana tamin’i Jesosy. Vakio ny Lioka 9:57-62; Matio 19:16-22. Manaova lisitry ny fanontaniana na fanoherana izay mifangaro amin’ny fahavononan’ny olona hanaraka an’i Jesosy. Olana 2: Manao ahoana ny habetsahan’ny fahalalan’ny olona momba an’i Jesosy nialohan’ny nandraisany fanapahan-kevitra? Nanao ahoana moa ny habetsahan’ny zavatra fantatry ny olona momba an’i Jesosy fony Izy nanasa azy ireny hanaraka Azy na fony izy ireny nandà tsy hanaraka Azy? Fantaro ireo olona lazaina eto. (Mba ahafahana mamaly io fanontaniana io amim-pahombiazana sy miaraka amin’ny fanohanan-kevitra ara-tSoratra Masina dia asaivo vakian’ny olona samihafa ireto andininy manaraka ireto. Jereo raha toa ka hitan’ilay olona mamaky ireo andininy, ny teny iray na maro izay manampy amin’ny famantarana ny zavatra efa hain’ny olona. Raha toa ka tsy mahita teny manampy mihitsy ilay olona mamaky dia ento eo anatrehan’ny kilasy iray manontolo ny fanontaniana.) Jaona1:32-37 (Nitory ny momba an’i Jesosy i Jaona.) Jaona1:39 (Nandany andro niaraka tamin’i Jesosy ny roa tamin’izy ireo.) Jaona1:47-49 (Afaka namantatra ny toetran’ny olona i Jesosy.) Lioka 9:1, 2, 43 (Lasa niha-fantatra nanerana ny tanàna i Jesosy sy ny mpianany roambinifolo, vokatry ny asa fahagagana nataon’izy ireo.) Matio19:1-3, 13 (Vahoaka maro no nanaraka Azy; nitsapa Azy ny Fariseo; nentin’ny olona teo Aminy ny zanak’izy ireo mba hotahiana.) Olana3: Inona no nampazoto ny olona hanaraka an’i Jesosy? Inona no nampazoto ny olona hanaraka an’i Jesosy? Ahoana no fomba fandalinanao ireny zavatra mampazoto ireny? Mety hitombina amin’izao fotoana izao ve ny manaraka an’i Jesosy noho ny antony diso? Ireo mpianatra voalohany nantsoin’i Jesosy no nomeny “teny fikasana” telo izay nilaza tamin’izy ireo hoe hahita izy ireo raha manaraka Azy. Inona avy ireo teny fikasana ireo? (Jaona1:39—Asehony azy ireo ny toerana nipetrahany. Jaona1:50—Anehoany zava-dehibe izy ireo, mihoatra noho ny nahafahany nahita an’i Natanaela teo ambany aviavy. Jaona1:51—Ahita ny lanitra misokatra sy ny anjely miaka-midina eo aminy izy ireo.)

Page 3: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Ny teny fanasana hoe “Manaraha Ahy” no omen’i Jesosy ny olona. Inona no hevitr’ireo teny ireo? Mampihatra eo amin’ny fiainana Fony ianao nanapa-kevitra hanaraka an’i Jesosy, moa ve ianao nahafantatra be na kely kokoa raha mitaha amin’ireo olona ao amin’ny tantara vao nodinihantsika teo? (Rehefa tonga eto dia ampiasao ho toy ny fanontaniana miendrika sary an’ohatra io fanontaniana io ary tohizo ny teninao.) Ny isam-batan’olona amintsika dia samy manana fanandramana manokana fony isika nahatsapa hoe niantso antsika hanaraka Azy i Jesosy. Ho an’ny sasany amintsika dia tany amin’ny fahazazana no efa nisehoan’izany. Ho an’ny hafa kosa dia mety vao haingana. Mitodiha amin’ny olona eo akaikinao (tsy ny vady, izay azo antoka fa mahafantatra) ary aoka ianareo samy hifampilaza ny zavatra fantatrareo momba an’i Jesosy fony ianareo nanapa-kevitra hanaraka Azy sy ny zavatra tianao hianarana momba Azy. (Raha manam-potoana ianao dia azonao anontaniana raha toa ka misy olona te-hizara momba ny fanandramany ao anatin’ny kilasy. Manangona ny hevitra mahakasika ny zava-bita Omeo taratasy kely ny olona. Ataovy azo antoka hoe manana pensilihazo na penina ny olona tsirairay avy. Asaivo soratan’ny mambran’ny kilasy ao anatin’ilay taratasy ny iray amin’ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto: (Fidio izay fanontaniana iray tianao hapetraka. Aoka tsy samy hovakiana ny fanontaniana roa, izay mety hanahiran-tsaina.) ●Raha toa ianao ka mba afaka nametraka fanontaniana tamin’i Jesosy momba ny tena fahatsaran’ny fanarahana Azy dia inona no fanontaniana mety napetrakao taminy? ●Inona no mitondra fifaliana lehibe ho anao amin’ny fanarahana an’i Jesosy, ary inona no mametraka fihaikana lehibe teo anatrehanao? Aza asaina soratan’ny mambran’ny kilasy ao anatin’ilay taratasy kely ny anarany. Manomàna boaty na valopy matevina ametrahan’ny mambra ny taratasy keliny. Vakio ny valin-tenin’izy ireo rehefa mirava ny kilasy ary tehirizo izany. Azonao ampiasaina ao anatin’ny kilasy ireo andininy ireo amin’ny herinandro manaraka.

Page 4: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Lesona 2

MANOMBOKA NY DIA Mandalina ny loharanon-kevitra Matio 4:23-25; 7:22-29; 13:24-30; Marka 2:15-17; 10:32; Lioka 8:1-15; 9:23, 24; Jaona 6:1-15; 7:45-49; 12:4-6 Mametraka ny tanjona iriana Ny mambra ao anatin’ny kilasy dia: ●Ahafantatra izay mahasarika ny olona ho eo amin’i Jesosy. ●Ahafantatra izay nahatonga an’i Jesosy hanam-pahefana teo imason’ny olona. ●Afaka handinika tsara ny fanoloran-tena omen’ny olona mba tsy hanarahana an’i Jesosy, ary hamantatra ny tena antony. Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Amin’ny maha-mpampianatry ny kilasin’ny Sekoly Sabata na mpitarika tarika madinika ho an’ny mambra vaovao anao, ny andraikitra sahaninao dia ahitana ny fikarakarana ny filàn’ny mambra vaovao. Amin’ny voalohany dia miankina be amin’ny fomba nahatongavany tao am-piangonana ny zava-drehetra. Moa ve izany vokatry ny fivoriana fitoriana ny filazantsara nandritra ny herinandro maromaro? Moa ve izany taorian’ny volana maromaro nandalinana Baiboly niaraka tamin’ny mambran’ny fiangonana? Moa ve izany taorian’ny niarahana nipetraka tamin’ny vady Advantista? Moa ve izany vokatry ny nitomboana teo anivon’ny Fiangonana Advantista ka nahatrarany ny taona tiany hanaovana batisa azy? Mety hoe efa nandre zavatra betsaka momba ny faminaniana ny sasany; ny hafa kosa mety efa nandalina ny foto-pinoan’ny fiangonana; ny sasany hafa indray efa “nifankazatra” tamin’ny fomba fiaina Advantista. Ilainao ny mahay miatrika ny banga misy eo amin’ny fahalalan’izy ireo sy ny fanandramany. Na izany aza anefa, ny ilain’izy rehetra ireo dia ny fahatakarana ny momba an’i Jesosy, izay nitaona ho amin’ny fanompoana sy ny fanarahana Azy. Ity lesona ity dia natao hanampiana azy ireo amin’ny fanombohana ny diany. Manomana ny fitaovana ●Tsy misy fitaovana manokana ilaina. ●Jereo ny tranokalam-pifandraisana misy ny Loharanon-kevitra ho an’ny Mambra Vaovao, ahitana raha toa ka misy fitaovana tianao ampidirina ao anatin’ny fifanakalozan-kevitry ny Kilasy. ●Valin’ny fizaràna “Fitsapam-Pahaizana” Zoma:1-A (Noho ny amin’ny heviny hoe ny “raby” dia midika hoe “mpampianatra”. I Jesosy dia raby izay tsy mba nihofana tamin’ny fomba ofisialy.), B, D; 2-B, D. Miomana hanomboka

Page 5: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Safidy A: Raha toa ka nangoninao ny valitenin’ireo mambra tamin’ny iray tamin’ireo fanontaniana tao amin’ny fizaràna “Manangona ny hevitra mahakasika ny zava-bita” tamin’ny herinandro lasa niarahanareo nianatra, dia azonao taterina eto ny zavatra hitanao. (Inona no fanontaniana mety napetrak’izy ireo tamin’i Jesosy? Na inona no mitondra fifaliambe sy fihaikana lehibe eo amin’ny fanarahana an’i Jesosy?) Hajao ny tsiambaratelon’ny olona manokana. Tatero ireo zavatra hita, amin’ny alalan’ny fomba izay tsy hamantarana ny olona nanome ilay valin-teny. Raha toa ka misy olona enina na mihoatra ao amin’ny kilasinao dia azo antoka fa tsy misy atahorana ny fahafahanao mitatitra ireo zavatra hitanao. Mety azonao lazaina ny hoe: “Araka ny hevitrao, fanontaniana inona momba an’i Jesosy no tena nalaza indrindra?” Rehefa izany dia vakio izy rehetra. Na “Tsy nisy na dia roa taminareo aza nanana fanontaniana nitovy napetraka tamin’i Jesosy.” Vakio amin’izay ireo fanontaniana. (Aza vakiana ny fanontaniana izay mahakasika loatra ny fiainana manokan’ny olona iray.) Raha toa ianareo niroso tamin’ilay fanontaniana momba ny “fifaliana sy ny fihaikana”, dia ataovy toy ireo ihany koa ny fomba fametrahana azy. Safidy B: Rehefa misy olona milaza aminao hoe: “Tena miala tsiny aho fa tsy afaka manampy anao amin’io tetikasa io satria ____,” dia moa ve azonao lazaina hoe tena manana ny antony mitombina izy sa fanoloran-tena fotsiny ihany no ambarany? Raha izany no mitranga dia ahoana no fomba ahalalanao izany? Mikatsaka ao anatin’ny Teny ary mifanakalo hevitra momba ny olana Maro ny toko sy andininy dinihana mandritra ity herinandro ity. Rehefa mikatsaka ao anatin’ny Teny isika eo am-panombohan’ny kilasy dia vitsy amin’izy ireo ihany no ampiasaintsika. Andeha àry isika hanandrana hanao dia miverina ho any amin’ny fotoana naha-tety an-tany an’i Jesosy, ary vao nahafantatra ny momba Azy ny olona. Asaivo vakian’ny olona iray ny Matio 4:23-25. Karazan-javatra toy inona no nataon’i Jesosy? Raha toa ianareo ka naka horonan-tsarimihetsika maneho an’i Jesosy tamin’izay fotoana izay dia inona no mety azo an-tsary tao? Asaivo vakian’ny olona iray amin’ny feo mafy ny Marka 5:35-41. Inona no zavatra nianaran’ireo olona tao an-tsambokely momba an’i Jesosy? Asaivo vakian’ny olona iray amin’ny feo mafy ny Matio7:29-29; Jaona7:45-49. Inona no tena niavaka tamin’ny fampianaran’i Jesosy? Vakio ny fanazavana nataon’i Jesosy momba ny fanoharana ny amin’ny mpamafy sy ny voa: Lioka 8:11-15. Horesahintsika tsy ho ela aoriana kely ny momba azy io. Olana 1: Ny Fahefan’i Jesosy. Tsy nanana anarana nolazaina tamin’ny fomba ôfisialy sy toerana naha-mpitondra fivavahana Azy i Jesosy kanefa dia tonga nanana endrika manam-pahefana tao anatin’ny fotoana fohy. Ahoana no fomba famaritanao ny karazam-pahefana nananan’i Jesosy? Inona no nahatonga Azy nanana io fahefana io? (Antony iray izay tsy voalaza ao anatin’ny andininy tamin’ity herinandro ity, fa hodinihintsika kosa amin’ny telovolana manaraka, ny hoe ny fiainan’i Jesosy dia nifanaraka tamin’ny Teniny.) Olana 2: Fialan-tsiny tamin’ny Fandavana ny Fanarahana an’i Jesosy. Nianarantsika tao anatin’ny lesona tamin’ny herinandro lasa ny fialan-tsiny ambaran’ny olona mba tsy hanarahany an’i Jesosy. Tsaroanao ve? Hofantarintsika ao anatin’ny

Page 6: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

lesona mandritra ity herinandro ity ny antony sasany nomen’i Jesosy mahakasika ireo olona tsy manaraka Azy na miala an-daharana amin’ny fanarahana Azy. Inona ireo antony ireo, izay mbola mitombina ihany ve amin’izao fotoana izao? Olana3: Mpihatsaravelatsihy—Eny na Tsia? Fialan-tsiny iray malaza izay mahatonga ny olona milaza azy mahatsapa ho ambony mihitsy aza ny hoe: “Tsy hiditra ho anisan’io fiangonana io aho satria maro ny fihatsaram-belatsihy ao anatiny ao. Ahoana no fomba hamaritan’ny olona ny “fihatsaram-belatsihy” rehefa milaza izany izy ireo? Moa ve manahiran-tsaina azy ireo ny fisian’ny mpanota ao am-piangonana? Moa ve izy ireo sahiran-tsaina hoe ny tenin’ireo mambra ao dia tsy mifanaraka amin’ny fiainany? Moa ve manana ny rariny izy ireo raha mandà ny hiara-mivavaka amin’ny olona manana toetra toy izany ao anatiny ao? Mampihatra eo amin’ny fiainana Inona no andraikitry ny manam-pahefana eo amin’ny fiainanao amin’izao fotoana izao, eo amin’ny famaritana ny zavatra inoantsika sy ny fomba iainantsika ny fianantsika? Inona no fahefana henoinao sy hankatoavinao amin’izao fotoana izao? ahoana no fomba hamantaranao ny fahefana iray mendrika henoin-teny sy manana ny teny mendrika ampiharina? Inona ireo foto-pinoana hiainantsika amin’izao fotoana izao, izay mahatonga ny manam-pahaizana hilaza hoe: “Moa ve misy mpahay siansa mino izany?” Inona no zavatra mitombina izay ampiasain’ny manam-pahaizana amin’izao fotoana izao handemena ny finoanao? Manao fialan-tsiny: Inona no azonao atao amin’ity herinandro ity, hampiatoana ny fanaovana fialan-tsiny mba tsy hanarahana an’i Jesosy amin’ny fahafenoany? Inona no azonao atao mba hanekena an’i Jesosy ho fahefana mendrika eo amin’ny fiainanao?

Fomba Fampianarana Raha toa ka ny hitondra fiovana mitondra fahasamihafana eo amin’ny fiainan’ny olona ny tanjon’ny kilasin’ny Sekoly Sabata, dia tsy maintsy amporisihana izy ireo hampihatra izay zavatra nianarany teo amin’ny fiainany.

Page 7: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Lesona 3

IZA MOA I JESOSY? MITANTARA IREO NANATRI-MASO Mandalina ny loharanon-kevitra Deotoronomia 18:15; Malakia 4:5, 6; Matio 3:3-17; 4:3, 6; 14:23-33; 17:1-8; 27:39-44, 50-54; Marka 8:27-30; Lioka1:26-33; 2:25-35; 23:35-39; Jaona1:19-23, 32-34, 40-42; 6:1-15; As 9:1-9; 22:1-11. Mametraka ny tanjona iriana Ny mambra ao anatin’ny kilasy dia: ●Hahafantatra fa ny hoe “Iza moa i Jesosy?” no iray amin’ireo fanontaniana manan-danja indrindra azon’ny mpianatra napetraka. Ny fanontaniana iray hafa dia ny hoe “Inona no tiany ataoko?” ●Hahatakatra ny antony nahatonga ny fanantenan’ny olona nodisoin’i Jesosy. ●Hahafantatra fa ny fahafantarana an’i Jesosy dia dingana atao mandritra ny androm-piainana, izay misy fiantraikany eo amin’ny fiainan’ny olona iray. ●Hanolo-tena hamaly ny antson’i Jesosy amin’ny alalan’ny fanompoana Azy, fihainoana Azy, fitandremana ny didiny, ary fitoerana ao Aminy. Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Iray tamin’ireo fanontaniana nirian’ny mpianatra vaovao hovaliana ny hoe: “Iza moa i Jesosy?” Ny fomba famalian’izy ireo io fanontaniana io dia nisy fiantraikany maro amin’ny fomba niainan’izy ireo ny fanoloran-tenany ho Azy. Ity lesona ity dia mahakasika ny fitantaran’ireo vavolombelona nanatri-maso izay niaraka tamin’i Jesosy. Zava-dehibe ao anatin’izao tontolo efa moderina izao, izay ahitana fa ny finoana rehetra dia mitovy avokoa, ny manamafy ny maha-tokana an’i Jesosy amin’ny mambra vaovao. Ity lesona ity dia manomboka amin’ny resaka mahakasika ny any ambony. Manomana ny fitaovana ●Ny zavatra ilainao: sombin-taratasy sy pensilihazo na penina ho an’ny isambatan’olona. Ny takelaka fanaovana hetsika ao amin’ny Lesona 3, hetezana hizara 5. (Jereo ny Takila Fanampiny) ●Jereo ny tranokalam-pifandraisana misy ny Loharanon-kevitra ho an’ny Mambra Vaovao, hahitana raha toa ka misy fitaovana tianao ampidirina ao anatin’ny fifanakalozan-kevitry ny Kilasy. ●Valin’ny fizaràna “Fitsapam-Pahaizana” Zoma: 1 - Mpaminany; 2 – Zanak’Andriamanitra; 3 - Mesia. Tena zava-dehibe tokoa ny hetsika ao anatin’ny takilan’ny fizaràna Zoma, eo amin’ny fahatakarana ny fiantraikan’ny lesona amin’ity herinandro ity. Ataovy azo antoka hoe efa nijery ireo andininy eto amin’ny fizaràna “Diniho ny Fanandraman’ny Tenanao Manokana” ireo mpianatra. Ireo hetsika miaraka amin’ilay lohateny hoe: “Zanak’Andriamanitra” dia fanompoana, fihainoana, fitandremana ny didiny, ary fitoerana ao Aminy. Ny fanaovana fanoloran-tena

Page 8: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

hanatontosa ireo fitondran-tena ireo dia iray amin’ireo tanjona irina amin’ny fiarahan’ny kilasy mivory. Miomana hanomboka Safidy A: Moa ve ianao efa nanatri-maso lozam-pifamoivoizana na herisetra na asa maneho hatsaram-panahy? Hazavao fohifohy. Safidy B: Isaky ny misy tranga vaovao manan-danja mitranga dia miantso manam-pahaizana na manam-pahefana hanazava na hanao ny tomban’ny zava-misy hatrany ny mpilaza vaovao mahay amin’ny fahitalavitra. Araka ny hevitrao, inona no lanjan’ny fanekena ny olona iray ho manam-pahaizana na manam-pahefana? Mikatsaka ao anatin’ny Teny ary mifanakalo hevitra momba ny olana Ny Kristôlôjia, fandalinana momba an’i Kristy, dia lohahevitra manan-danja izay azo hanaovana fandalinana mandritra ny fotoana maharitra ary tsy hanam-pahataperana mihitsy. Hanamorana ilay lohahevitra, ity Tari-Dalana Fandalinana Baiboly ho an’ny Mambra Vaovao ity dia miresaka tsotr’izao momba ireo anarana nomena an’i Jesosy. Hifanakalozan-kevitra ao amin’ny Lesona 3 sy 4 ireo anarana ireo. Hianarantsika ao amin’ny Lesona 3 ireo Anarana hafa izay napetraka tamin’i Jesosy. Ao amin’ny Lesona 4 no handalinantsika ny Anarana izay navelan’i Jesosy hiantsoan’ny hafa Azy, sy ireo Anarana nampiasainy ho an’ny Tenany. Olana 1: Ny fanantenan’ny olona ny amin’ny Mesia sy “ny Mpaminany.” Tamin’ny fotoana niainan’i Jesosy, ny zanak’Isiraely dia nirona ho amin’ny fampianaran’ny Soratra Masina (Testamenta Taloha) sy ny fomba fanaovana fanatitra ary ny fety fanao isan-taona. Niaina tao anatin’ny fanantenana sy ny fiandrandrana izy ireo hoe ho tanteraka aminy ny teny fikasan’ny Soratra Masina. Ny fanantenana lehibe indrindra nananan’izy ireo dia ny hihavian’ny Mesia, izay antsoina matetika ihany koa hoe “ny Mpaminany.” Andeha isika hamaky ny sasany amin’ireo andininy fototra izay niorenan’ny fanantenan’izy ireo, ary eo am-pamakiantsika izany dia apetraho amin’ny tenanao ny fanontaniana hoe karazan’olona manao ahoana no antenainao raha toa ka ireo irery no fampahafantarana azonao. (Asaivo vakian’ny olona samihafa amin’ny feo mafy ireto andininy manaraka ireto.) Andininy mifandraika amin’ny Mpaminany: Deotoronomia 18:15; Malakia 4:5, 6. Aorian’izany dia jereo indray ny andininy mifandraika amin’ny Mesia: Genesisy 49:10; Nomery 24:17; ary ny Isaia 11:1-6. Raha toa izany irery no fampahafantarana voarainao, dia karazan’olona manao ahoana ny Mesia andrandrainao? Olana 2: Fitantaran’ny olona nanatri-maso: Ny zavatra hitan’ny olona sy ny fomba nilazan’izy ireo izany. Zarao ho tarika dimy ny kilasinareo. Raha toa ka dimy monja ny mambra dia hiasa tsirairay ny isambatan’olona. Jereo any amin’ny Takila Fanampiny ary hetezo hizara dimy ilay taratasy ao. Omeo iray avy amin’ireo taratasy ireo ny isam-batan’olona na ny isan-tarika, ary avelao hiara-hiasa izy ireo (na ny isambatan’olona) handinika izany. Rehefa ampy ny fotoana namitan’izy ireo izany (tokony ho ampy ny dimy minitra), dia hanao tatitry ny zavatra hitany manoloana ny tarika rehetra izy ireo. Ifanakalozy hevitra ireo fanontaniana eo amin’ny sombin-taratasy.

Page 9: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Olana3: Tena Andriamanitra tokoa ve i Jesosy? Hidiana any amin’ny toeram-pitsaboana ho an’ny marary saina ny olona izay milaza ny tenany ho Andriamanitra amin’izao fotoana izao; milaza anefa ny Kristiana hoe manompo olona izay antsoin’izy ireo hoe Andriamanitra ihany koa. Andeha hovakiana vetivety ireto andininy fohy ireto ary atao ny lisitry ny olona niantso an’i Jesosy hoe “Zanak’Andriamanitra,” izay midika hoe Andriamanitra ihany koa Izy. Angataho hovakian’ny olona samihafa amin’ny feo mafy ihany koa ireto andininy manaraka ireto: Lioka1:30-33; Matio 3:16, 17; 4:1-3. Inona no zavatra itovian’ireo olona ireo? Moa ve izy ireo vavolombelona azo itokiana? Mampihatra eo amin’ny fiainana Taona maro taorian’ny niovan’i Saoly ho tonga Paoly dia nambarany tamin’ny olona ny momba ny fanandraman’ny fiovam-pony sy ny niantombohan’ny diany amin’ny maha-mpianatra azy. Fanontaniana roa no valin-teny nasetrin’i Paoly an’i Jesosy fony Izy nihaona taminy tany amin’ny Làlan’i Damaskosy. Inona ireo fanontaniana roa ireo? (Raha tsy fantatr’izy ireo dia asaivo vakian’ny olona iray amin’ny feo avo ny Asa 22:6-10). Inona no fahasamihafana misy eo amin’ny finoanao hoe i Jesosy dia Zanak’Andriamanitra, na hoe olona tsara fanahy fotsiny Izy, mpampianatra ara-moraly sy mpaminany? Moa ve vitanao ny mamaly ireo fanontaniana roa ireo mandritra ny androm-piainanao? Mariho ao amin’ny fizaràna “Mandalina Ny Fanandraman’ny Tenanao Manokana” Zoma hoe isaky ny misy filazana atao momba ny maha-Zanak’Andriamanitra an’i Jesosy dia misy zavatra andrandraina amin’ireo olona izay mahatakatra izany fanekena izany. Inona ireo zavatra andrandraina ireo? [Valiny: Tokony hanompo Azy isika, mihaino Azy, mitandrina ny didiny, ary mitoetra ao Aminy.] Omeo sombin-taratasy iray avy ny isambatan’olona ary asaivo soratan’izy ireo eo amin’izany ireo fanontaniana roa ireo, miaraka amin’ilay andininy foto-dresaka: Asa 22:6-10. Ampirisiho izy ireo hampiasa io taratasy io ho toy ny fanamarihan-takila ao anatin’ny Baiboliny. Ireo no fanontaniana izay tokony hitari-dalana antsika amin’ny famakiana ny Soratra Masina rehetra ataontsika.

Fomba Fampianarana .

Fomba Fampianarana Tena mpampianatra mahery vaika tokoa ny famerimberenana matetika. Amin’ny alalan’ny fametrahana fanamarihan-takila ao anatin’ny Baiboliny no ahitan’ny olona ireo fanontaniana roa mahatonga ho mpianatra ireo matetitetika.

Page 10: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Lesona 4

IZA MOA I JESOSY? NY FIJOROAN’NY TENANY MANOKANA Mandalina ny loharanon-kevitra Isaia 52:13-15; Daniela 7:13, 14; Matio 26:62-66; Marka 8:27-38; Lioka 1:34, 35; 2:41-50; Jaona 8:48-59; 10:19-30; 14:8, 9. Mametraka ny tanjona iriana Ny mambra ao anatin’ny kilasy dia: ●Hahatakatra ny antony nahatonga an’i Jesosy nanao teny nahery nivantana tamin’i Petera. ●Hahatakatra fa ny anarana hoe “Zanak’Olona” izay nampiasain’i Jesosy ho an’ny Tenany dia manana heviny roa manan-danja: (1) Manambara ny maha-Avo indrindra Azy Izy (Daniela 7:13, 14); (2) Ny antom-pisiany dia mifandray amin’ilay Mpanompo Ory (Isaia 52; 53). ●Hanaiky fa tahaka ireo mpianatra tany amin’ny Testamenta Vaovao, dia mety mila fotoana maharitra izy ireo vao tena mahatakatra hoe iza moa i Jesosy. (Tsy misy olona mahatakatra izany tanteraka aza moa.) Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Mety tsy hino ny fianakaviana, ny namana, na ny mpiara-miasa hoe i Jesosy dia Zanak’Andriamanitra. Ny sasany aza moa dia mety tsy mino an’Andriamanitra akory na tsy mino izay tsy hitan’ny maso. Mety voatery hiatrika tsy fankasitrahana na fanontaniana avy amin’ireo olona ireo ny mpino vaovao. Asongadin’ity lesona ity hoe ambaran’ny Baiboly ny fisian’ny hery tsy taka-maso, ary avelan’i Jesosy hiantso Azy hoe Zanak’Andriamanitra” ny olona, anarana manokana sy misandratra avo. Ao anatin’izao kolontsaina môderina iainantsika izao dia atao tsinontsinona matetika ny Kristiana satria tsy hanaiky ny fiheverana mihitsy izy ireo hoe “ny andriamanitra rehetra izay tianao ivavahana dia mety avokoa.” Rehefa milaza amin’ny hafa momba ny finoany vao niorina ny mambra vaovao dia mety hiatrika ny fitokantokanana amin’ny fiaraha-monina. Tohanan’ity lesona ity ny maha-tokana an’i Jesosy amin’ny maha-Zanak’Andriamanitra Azy amin’ny heviny farany ambony indrindra. Manomana ny fitaovana ●Ataovy azo antoka hoe mazava tsara aminao ny toro-marika hifandimbiasana ao amin’ny Olana 2. ●Valin’ny «Fitsapam-Pahaizana» ao amin’ny fizaràna Zoma: 1 – D; 2 – D; 3 – A, D, E. Miomana hanomboka Safidy A: Manokàna minitra vitsy ho an’ny mambra ao anatin’ny kilasy (ho an’ireo izay vonona ihany) hanaovana tatitra ny amin’ny fiantraikan’ny fanoloran-tena nataon’izy ireo tamin’iny herinandro iny.

Page 11: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Safidy B: “Inona no anarana omen’ny fianakavianao, namana, na mpiara-miasa, ho an’i Jesosy Kristy?” (Io fanontaniana io no hamantaranao ny rivotra iainan’ilay mambra vaovao. Aza mbola resahina eto ireny anarana ireny.) Mikatsaka ao anatin’ny Teny ary mifanakalo hevitra momba ny olana Nianarantsika tamin’ny herinandro lasa ny anarana nomen’ireo olona nanatri-maso an’i Jesosy. Hojerentsika amin’ity herinandro ity ireo anarana niantsoany ny Tenany na navelany ampiasain’ny hafa niantsoana Azy. Olana 1: Ny Teny Mahery nataon’i Jesosy tamin’i Petera. Hojerentsika aloha ilay tranga hafahafa izay niseho niaraka tamin’i Jesosy sy ny mpianany. Nahagaga ilay izy satria i Jesosy dia mety naneho fihetsika izay mety tsy nampoizintsika. Raha mijery tsara isika dia hahita an’i Jesosy mampianatra ny mpianany. Asaivo vakian’ny olona iray terem-panahy amin’ny feo mafy ny Marka 8:27-38. Andeha arahana ny paikady fampianaran’i Jesosy tao anatin’io tranga io. ●Inona no fanontaniana nanombohany? (Fitaterana izay voambara fotsiny no notakiana tamin’ilay valin-teny. Tsy nitaky finoana ny famaliana io fanontaniana io.) ●Hafa indray ilay fanontaniana faharoa. Nahoana? (Niantefa kokoa tamin’ny tena manokana izy io. Izy no mitondra tombontsoa ahafahan’ny mpianatra maneho ny finoany an’i Jesosy.) ●Afaka tamin’ilay fitsapana ve izy ireo? (Eny tokoa, ny fanambaràna nataon’i Petera dia naneho fa nino an’i Jesosy ho Kristy na Mesia ny mpianatra.) ●Ny dingana manaraka tamin’ny fampianaran’i Jesosy dia ny fanazavana ny atao hoe Mesia. (Fahoriana sy fahafatesana. Tsy hay heverina ireo foto-kevitra ireo raha ampiasaina entina milaza ny atao hoe Mesia.) ●Rehefa nanome tsiny an’i Jesosy i Petera dia namaly tamin’ny alalan’ity fanambarana nahagaga ity i Jesosy nanao hoe: “Any ivohoko ianao ry Satana.” Inona no antony nahatonga an’i Jesosy ho hentitra be toy izany? (Niangavian’i Petera i Jesosy handà ny làlana izay efa napetrak’Andriamanitra ho Azy. Niezaka nanazava ny hevitry ny atao hoe Mesia ihany koa Izy. Nanomana ny mpianany ho amin’izay hitranga Aminy ihany koa Izy.) ●Ny dingana farany tamin’ny fampianarany: Nantsoiny ho eo Aminy ny mpianany ary nanomboka nanazava Izy hoe izay manaraka Azy dia hiara-miombona amin’ny fiainam-pahoriany sy ny fahafatesany. Jereo ny andininy 34-38. Ny dingana farany tamin’ny fampianarany dia ny fampiharana eo amin’ny fiainan’ny mpianatra. Nianaran’ny mpianatra tsikelikely hoe iza moa i Jesosy, tahaka ny hianarantsika tsikelikely amin’izao fotoana izao ary mandritra ny androm-piainana. Olana 2: Ny Zavatra Takian’ilay Anarana hoe Zanak’olona. Ilay anarana hoe Zanak’Olona dia iray tamin’ireo anarana tena fampiasan’i Jesosy matetika ho an’ny Tenany. Araka ny hevitrao, inona no fomba fihevitra iraisan’ny olona mahakasika io anarana hoe “Zanak’Olona” io amin’izao fotoana izao? ho an’ireo olona izay velona nandritra ny fotoana niainan’i Jesosy dia nanana ny heviny nanan-danja izay tsy fantatsika io anarana io. Ireo sary an’ohatra roa ireo dia avy amin’ny andalana roa manan-danjan’ny Testamenta Taloha, ao amin’Isaia. Asaivo sokafan’ny mambra ao

Page 12: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

amin’Isaia 52; 53 ny Baiboliny. Mamakia andalana vitivitsy. Nampiarahan’ny olona tamin’ny teny hoe “Mpanompo/Lehilahy Ory” ny anarana hoe “Zanak’olona”. Vakio amin’izay àry ny Daniela 7:13, 14. Inona avy ny toetran’ny Zanak’olona aseho eto? Alaivo sary an-tsaina ny mety hahatonga io fitakiana io hitondra fahasorenana eo amin’ny olona iray izay efa zatra io andininy ao amin’ny Daniela io. Inona no notakian’i Jesosy? Inona no zavatra mety mifanohitra rehefa alaintsika sary an-tsaina ny Zanak’olona ao amin’Isaia sy Daniela? Hevitra manan-danja: Ny Testamenta Taloha dia ahitana ny fototra iorenan’ny Testamenta Vaovao. Olana 2: Ny Zavatra Takian’ilay anarana hoe “Zanak’ Andriamanitra.” Asaivo maka sary an-tsaina izay mety ho heviny ny kilasy raha toa izyireo mandre olona manambara, tahaka ny nataon’i Jesosy, hoe izy hono no Zanak’Andriamanitra. manaova fifandimbiasana kely rehefa mamaky ny Jaona10:22-30, ary alamino toy izao manaraka izao:

Mpitantara (andininy 22-24a) Jiosy (andininy 24b) (Olona iray na izay olon-drehetra ankoatran’i Jesosy sy ny

mpitantara, no asaivo mamaky ity ampahany ity.) Mpitantara (andininy 25a) Jesosy (andininy 25b-30) Raha toa amin’izao fotoana izao ka misy olona manao fanambaràna toy izay

nataon’i Jesosy momba ny Tenany dia inona no ataontsika aminy? Azonao sary an-tsaina ve raha tsy maintsy tonga olombelona i Jesosy, hivelona ao anatin’ny kolotsaintsika, ary hanao ireo karazana fahagagana izay fanaony hatrizay? Moa ve hino Azy ho toy ny Zanak’Andriamanitra ny olona? (Azo antoka fa tsia satria ilay Andriamanitra tsy hita maso dia tsy mifanaraka amin’ny fomba fijerin’izao tontolo izao.)

Inona no antony nandavan’ny Jiosy an’i Jesosy? (Satria Izy tsy nifanaraka tamin’ny fomba fijerin’izy ireo amin’ny maha-izao tontolo izao hoe “Iray Andriamanitra” sy ilay Mesia mpandresy.) Ny fanombatombanana izay fototry ny fomba fijerin’izao tontolo izao (na ahoana na ahoana fomba fijerin’ny olona iray) dia misy fiantraikany mahery vaika amin’ny olona, eny hatramin’ny Kristiana aza. Mampihatra eo amin’ny fiainana Inona no tena ilain’ny kilasinao indrindra? Ireto misy safidy roa. Ny iray mifototra amin’ny maha-tena Izy Azy an’i Jesosy, ilay hafa kosa mifantoka amin’ny fiainan’ny mpianatra teo am-panarahany an’i Jesosy. Ao anatin’ny lesona Zoma no ahitana ireo safidy roa ireo. Safidy A: Ampirisiho ny mambra hanao tsianjery ilay hiran’ny Kristiana fahiny hita ao amin’ny Filipiana 2:5-11.

Fomba Fampianarana Ny fanovana ny mahazatra, toy ny fomba famakianao ny Soratra Masina ao amin’ny kilasy, no hanampy amin’ny fampitomboana ny fahalianana sy ny ahavon’ny ifantohan’ny mpianatra.

Page 13: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Safidy B: Hoy i Jesosy hoe mba ahatongavana ho mpianany dia tsy maintsy mandà ny tenantsika isika, mitondra ny hazo fijaliantsika, ary manaraka Azy. Amin’ity herinandro ho avy ity, isaky ny miafara ny tontolo andro, dia ampirisiho ny mambra hanao jery todiky ny tontolo andro ary hevero hoe tamin’ny fomba ahoana no mety nahatonga azy ireo hihevitra ny tenany fa tsy handà ny tenany? Inona no zavatra hianaran’izy ireo momba ny tenany?

Page 14: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Lesona 5

NY TONTOLOKO MIKORONTANA AMBONY AMBANY Mandalina ny loharanon-kevitra Matio 5:21, 22, 27, 28, 38, 39, 43, 44; Lioka 24:13-35; Jaona 3:1-21; 4:1-42; 7:45-52; 19:38-42. Mametraka ny tanjona iriana Ny mambra ao anatin’ny kilasy dia: ●Hahatakatra ny fisainana fototra amin’ny fomba fijerin’izao tontolo izao sy ny fanombatombanana ataon’izao tontolo izao. ●Hahatakatra fa ny fifandraisana amin’i Jesosy dia mandrava ny sasany amin’ireo tombatombana fototra misy eo amintsika. ●Hahafantatra fa misy dingana mitondra fanovana, izany hoe fanovana ny fanombatombanana. Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Tsy handalovan’ny mambra vaovao mihitsy ny fialana tanteraka amin’ny fomba fijerin’izao tontolo izao. Tsy misy ilàna izany ary azo antoka fa tsy ho vita mihitsy izany. Ny sasany amin’ireo tombatombana fototra izay tafiditra ao anatin’ny fomba fijeriny izao tontolo izao anefa dia hiova. Miovaova araka ny sehatra misy ilay mambra vaovao anefa ny tombatombana ilaina ovaina. Azo antoka fa ny olona izay tsy niaina tao anatin’ny tontolo ara-pivavahana dia hiatrika fanovana ny fomba fijery eto amin’ireto sehatra manaraka ireto: Ahoana no fomba niandohan’izao tontolo izao? Moa ve misy Andriamanitra? Inona no takian’Andriamanitra amintsika? Inona no mitranga rehefa maty? Ahoana no fomba hiafaran’izao tontolo izao? Tsy hiatrika ireo fanontaniana ireo mihitsy ny olona avy amin’ny antokom-pivavahana hafa, fa fanontaniana mifandray kokoa amin’ny fahasamihafana ara-poto-pinoana angamba. Ny olona izay efa niala ka niverina indray ao amin’ny Fiangonana Advantista dia mety mila manitsy ny sasany amin’ny fiheveran-disony ary mandinika indray ny anton’ny fanombatombanana ataony amin’ny maha-Kristiana azy. Manomana ny fitaovana ●Mila solaitrabe na taratasy lehibe fanoratana. ●Ho hitanao ao amin’ny Takila Fanampiny ny valin’ny fanontaniana ao amin’ny Olana 1. Manapaha hevitra ny amin’ny fomba tianao ampiasana azy—(1) fanampiana ho anao fotsiny na (2) tari-dalana ho an’ny mambra. ●Valin’ny «Fitsapam-Pahaizana» ao amin’ny fizaràna Zoma:1 – B, D; 2 – D; 3 – A, B, D. Miomana hanomboka Safidy A: Fantaro raha toa ka misy mambra ao anatin’ny kilasy mahay tsianjery ny Filipiana 2:5-11. Raha eny dia asaivo ambarany fohifohy ny fomba nianarany izany

Page 15: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

tsianjery izany. Ezaho fantarina raha toa ka nisy mambra tao anatin’ny kilasy, nahitanao taratra tamin’ny faran’ny tontolo andro hoe nifantoka tamin’ny tenany izy fa tsy nandà ny tenany na ny mifamadika amin’izany. Anontanio raha toa ka ny sasany amin’izy ireo vonona hizara ny zavatra nianarany momba ny tenany. Koa satria izy io fanontaniana lalina mahakasika ny tenany manokana, dia apetrakao amin’ny alalan’ny fomba ahafahan’ny olona mety mandà ilay fanontaniana. Safidy B: Ambarao anay hoe taiza ny toerana nalehanareo, izay nahitana olona nanana fomba amam-panao samihafa amin’ny anareo? Hazavao fohifohy. Mikatsaka ao anatin’ny Teny ary mifanakalo hevitra momba ny olana Raha toa ianao ka efa nanao dia lavitra tany amin’ny firenena (na faritra hafa ao anatin’ny firenena misy anao), ka nanaja fomba fanao vaovao, ary raha toa ka nijanona tao naharitra ela, dia azo antoka fa fantatrao hoe ny olon-kafa dia manome lanja ny samihafa amin’ny mahazatra anao. Ny zavatra tena mahaliana amin’ny fanaovana dia lavitra any amin’ny faritra na firenena hafa dia ny fianaranao zavatra momba ny tenanao, izay mbola tsy tsapanao taloha, ary mety voasedra tamin’izany aza ny sasany tamin’ireo tombatombana nataonao, ka niova izany ny fomba fijerinao izao tontolo izao. Olana 1: Ny fifandraisana amin’i Jesosy dia manova ny fomba fijerin’ny olona izao tontolo izao. Ao anatin’ny kilasintsika anio no ahitantsika ny zava-nitranga fony nifandray tamin’i Jesosy ny olona. Asaivo vakian’ny olona iray na mihoatra ny Jaona 3:1-10. Andeha heverina ny tombatombana nataon’i Nikodemosy fony izy tonga niresaka tamin’i Jesosy, ary hojerentsika ihany koa ny fomba nandravan’i Jesosy ny sasany tamin’ireny tombatombana ireny. (Soraty eo amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo ary zarao roa ny solaitrabe: “Tombatombana” sy “Ny fomba nandravan’i Jesosy ny tombatombana”) Rehefa avy nandalina ny tantaran’i Nikodemosy ianao dia jereo indray ny tantaran’ilay vehivavy teo am-patsakana. Vakio amin’ny feo mafy ny Jaona 4:1-26. Inona no tombatombana tao an-tsain’ilay vehivavy talohan’ny nihaonany tamin’i Jesosy? Ahoana no fomba nanovan’i Jesosy izany tombatombana izany? Tanisao eo amin’ny solaitrabe izany. Tsy ilay vehivavy teo amin’ny fatsakana ihany no niatrika fanamby teo amin’ny fanombatombanana nataony. Rehefa niverina avy tany amin’ireo toerana nanirahana azy ny mpianatra dia niatrika hevi-baovao maromaro. Inona no tombatombana teo amin’ireo mpianatra rehefa nankany an-tanàna izy ireo? Ahoana no fomba niatrehan’i Jesosy izany tombatombana izany? Vakio amin’ny feo mafy ny Jaona 4:27-38. Rehefa voavalin’ny kilasy ireo fanontaniana ireo izay vao zaraina ilay ampahany mitondra ny lohateny hoe “Fandravana ny Tombatombana” ao amin’ny Takila Fanampiny.

Fomba fampianarana Rehefa manangona hevitra avy amin’ny kilasy iray manontolo ianao ka tianao hofakafakain’ny mpianatra na hanaovany fanadihadiana ilay hevitra, dia hanampy ny mambra amin’ny fianarana ny fanoratana ireo hevitra ireo eo amin’ny toerana izay ahafahan’ny rehetra mahita azy.

Page 16: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Olana 2: Ilay toriteny teo an-tendrombohitra, izay nampangina ny tombatombana rehetra. Jereo indray any amin’ny fizaràna Alarobia amin’ny lesona. Efa hitanao tao ny famakafakana fohy momba io toriteny tao an-tendrombohitra io. Nahafantatra ny lalàna tao amin’ny Testamenta Taloha ny olona tamin’ny andron’i Jesosy. Tamin’ilay toriteny tao an-tendrombohitra no nanomezan’i Jesosy ny sasany tamin’ireo lalàna ireo ary nanomezany fampitandremana tao anatin’ilay lohahevitra. Inona no tiany ovana tamin’ireo fiheveran’ny olona ny lalàna? Olana3: Inona no antony nahatonga ny olona hanova ny tombatombana nataony? Ilay tantara taorian’ny nitsanganan’i Jesosy, fony Izy mbola niaraka tamin’ireo roa lahy tamin’ny làlana mankany Emaosy, dia tranga tsy dia fahita firy amin’ny fianarana mitondra fiovam-po, izay mitondra ho amin’ny fanovana ny fomba fijery izao tontolo izao. Mendrika kokoa ny fitarihina ny kilasy amin’ny alalan’io dingana io raha toa ka hain’izy ireo miaraka izany fa aza lazaina ny valiny. ●Jereo indray ny fizaràna “Hevero Ity” ao amin’ny Tari-Dalana ho an’ny Lesona. Jereo ireo dingana eo amin’ny fianarana mitondra fanovana. ●Asaivo jeren’ny tsirairay avy ny Lioka 24:13-35 ary vakio ireo andininy ireo. ●Asaivo fantarin’ny kilasy hoe inona no zava-tsarotra na olana mampikorontana indrindra izay nandalovan’ireto mpianatra roa ireto? [Rava ny tontolon’izy ireo satria noheveriny fa i Jesosy no Mesia, kanefa maty Izy ankehitriny.] ●Anontanio amin’izay hoe inona no nataon’izy ireo nandritra ny fotoana “nitadiavany valiny”? [Nifanakalo hevitra momba ilay resaka izy ireo rehefa nosokafan’i Jesosy taminytamin’ny alalan’ny fomba vaovao ny Soratra Masina.] ●Inona no fotoana izay nahatonga ireo mpianatra ireo hilaza hoe “Hay ve!”? [Rehefa teo am-pamakiana ny mofo i Jesosy ary teo vao fantatr’izy ireo amin’izay Izy.] ●Ahoana no fomba nandraisan’izy ireo sy nanamarinany ny fahalalany vaovao izay azony avy amin’ny fotoana “nahatalanjona azy”? [Tsapan’izy ireo hoe tena nitsangana tamin’ny maty tokoa i Jesosy. Tsaroan’izy ireo ny fihetseham-pon’izy ireo fony Izy nampianatra ny Soratra Masina ho azy ireo. Mba hilazana amin’ny mpianatra hafa ary hanamarinana ny fomba fijerin’izy ireo vaovao dia nandeha faingana nitady ny mpianatra hafa izy ireo.]

Mampihatra eo amin’ny fiainana Safidy A: Fantaro ny fomba namalian’ireo mpianatra ireo finoana voatanisa ao amin’ny fizaràna Zoma “Mandalina Ny Fanandraman’ny Tenanao Manokana.” Asaivo lazain’ny mambra ao anatin’ny kilasy ny fiantraikan’ireo foto-pinoana ireto teo amin’ny fiainany. Safidy B: Hifanakalozy hevitra ireo fanontaniana mipetraka ao amin’io fizaràna io ihany. “Raha tsy miombon-kevitra amin’ny fomba fijerinao vaovao ny fianakaviana sy ny namana dia hanao ahoana ny fihetsikao?”

Page 17: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Lesona 6

NY LOHA-LAHARANA EO AMIN’ANDRIAMANITRA SY AMIKO Mandalina ny loharanon-kevitra Genesisy 1:26-31; 2:16, 17; 3; Mika 6:8; Matio 4:18-20; 19:16-26; Lioka 2:8-11; 9:59-62; 14:25-33; Jaona 3:16; 10:10. Mametraka ny tanjona irina Ny mambra ao anatin’ny kilasy dia: ●Hahatakatra fa ny loha-laharana eo amin’Andriamanitra no mamaritra ny atao hoe fiainana be dia be. ●Hahafantatra ny vidiny lafo amin’ny fanarahana an’i Jesosy. ●Hanolo-tena hampifanaraka ny loha-laharany amin’ny loha-laharan’ Andriamanitra. Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Ny fanekena ny loha-laharan’Andriamanitra ho lasa loha-laharan’ny tenany dia fihaikana sarotra, eny fa na dia ho an’ny Kristiana efa matotra aza. Mety tena hiha-sarotra aza izany ho an’ny Kristiana vaovao satria vao mianatra ny hevitr’izany hoe manolo-tena tanteraka ho an’i Jesosy izany izy ireo. Ny fiezahana mamantatra ny loha-laharana eo amin’Andriamanitra izay mamaritra ny fiainana be dia be tian’i Jesosy omena antsika, no mety hanampy ny mambra vaovao amin’ny fandraisana ny safidy tsara sy ny fanekena ny loha-laharan’Andriamanitra. Manomana ny fitaovana ●Manaova dika mitovy amin’ny “Miambina ny Làlana Hizoran’ny Fiainako” ho an’ny mambra tsirairay avy ao anatin’ny kilasy. (Jereo any amin’ny Takila Fanampiny.) ●Valin’ny “Fitsapam-Pahaizana” ao amin’ny fizaràna Zoma:1 – A, B, E; 2 – B, D, (ny A sy ny E ihany koa dia antony mahatonga ny olona tsy hanaraka an’i Jesosy, kanefa ireo dia tsy antony izay nomen’i Jesosy tato anatin’ity lesona ity. Raha toa ka misy olona te-hampiditra ny A na ny E ao anatiny ihany koa dia asaivo manome porofo manohana izany izy ireo. Na azonao atao ihany koa ny mitady izany.) Miomana hanomboka Safidy A: Ny fianakaviana sasany dia manana soatoavina sy fomba amam-panao mahery vaika izay miampita amin’ny taranany. Tsy manaiky ireny soatoavina na fomba amam-panao ireny anefa ny taranaka indraindray. Azonao lazaina anay ve ny soatoavina na fomba amam-panao izay nananan’ny ray aman-dreninao (dada, neny) kanefa tsy nanananao? Na soatoavina na fomba amam-panao izay tsy ananan’ny fianakavianao. (Omeo fotoana kely hieritreretana izy ireo.) Safidy B: Ao anatin’ny boky nosoratan’i Benjamin Franklin mitondra ny lohateny hoe “Poor Richard’s Almanack” (Ny Alimanakan-dRichard Mahantra) no ahitana ity ohabolana ity: “Ny fatoriana aloha sy ny fifohazana maraina be no mahasalama,

Page 18: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

mampanan-karena, ary mampahendry ny olona iray.” Raha tsy maintsy mifidy iray amin’ireo fanomezana ireo ianao dia inona no fidinao: ny fahasalamana sa ny harena sa ny fahendrena? Nahoana? Mikatsaka ao anatin’ny Teny ary mifanakalo hevitra momba ny olana Ao ambadiky ny fanapahan-kevitra rehetra raisintsika no ahitana ny tombam-bidintsika. Hiverenantsika jerena androany ny loha-laharana eo amintsika sy amin’Andriamanitra. Olana 1: Famaritana ny atao hoe fiainana be dia be. Ny ankamaroan’ny olona dia te-hananana fiainana be dia be araka izay tratrany. Inona anefa no dikan’izany hoe “fiainana tsara indrindra”? Andeha isika hiverina tamin’ny andron’ny Famoronana ary hojerena ny drafitr’Andriamanitra ho an’olombelona tany am-piandohana. Inona no lazain’ny Genesisy 1 sy 2 amintsika momba ny idealin’Andriamanitra ho an’olombelona? Inona no nanapaka izany fiainana be dia be izany? Vakio ny Genesisy 3:22-24. Inona no nomen’izy ireo lanja mihoatra noho ny fankatoavana an’Andriamanitra? Ary inona no niala tamin’izy ireo sy azony vokatr’izany safidy izany? Olana 2: Ny fampiasana ny loha-laharan’Andriamanitra hamaritana indray ny atao hoe fiainana be dia be. Nisy olona nilaza hoe misy salan’isa mitombina tsara: misy fahafatesana iray ho an’ny fiainana iray. Rehefa avy nisafidy ny sitrapony nihoatra noho ny baikon’Andriamanitra ny olombelona ka namery ny fiainany tao anatin’izany dingana izany, dia nanomboka naneho ny drafiny mahakasika ny fiainana mandrakizay izay azon’ireo raisina indray Andriamanitra. Teo amin’ny fahatongavan’i Jesosy no tonga tamin’ny faratampony izany drafitra izany. Vakio ny Jaona 3:16; 10:10; Matio 6:31-34. Ankehitriny àry, rehefa tafiditra tao anatin’ny fiainantsika ny fahitana, dia ahoana indray ny fomba famaritan’Andriamanitra ny atao hoe “fiainana be dia be”? Olana3: Ny vakiny asetrin’ny olombelona ny lohalaharan’Andriamanitra. Manerana ny lesona iray manontolo amin’ity andian’ny Tari-Dalana Fandalinana ny Baiboly ho an’ny Mambra Vaovao ity dia arahantsika ny dian’ireo lehilahy sy vehivavy izay nilaza hoe “Eny” teo anatrehan’ny fanasan’i Jesosy hanaraka Azy. Amin’ity herinandro ity kosa anefa dia hojerentsika ny antony sasany omen’ny olona hilazana hoe “Tsia” eo anatrahan’ilay fanasana. Asaivo vakin’ny olona samihafa amin’ny feo mafy ireto andininy manaraka ireto: Matio 19:16-24; Lioka 9:57-58, 59-60; 61-62. Inona ano antony manokana nomen’ny tsirairay avy amin’izy ireo? Inona no iraisan’ireo olona ireo? (Mety te-hifanakalo hevitra momba io andininy sarotra ao amin’ny Lioka 16:13 io ny kilasy. Ampiasao ny fanampim-panazavana “Mijery Akaiky Kokoa” ao amin’ny lesona amin’ity herinandro ity hanampiana amin’ny fanazavana izany.)

Fomba fampianarana Izay amin’ireo paikady manan-danja indrindra hifehezana ny olona iray ny “fampitana zavatra avy amin’ny fiainana ho amin’ny fiainana.” Izany hoe ilay olona izay mifehy no mizara amin’ilay olona feheziny. Maneho ohatra no azonao hiantsoana izany. Tsapan’ny olona ny fihetseham-po sy ny soa toavin’ny olona mpifehy azy. Izany no atao fiampitan’ny fiainana iray ho amin’ny fiainana iray. Noho izany, raha tianao ho voarain’ny mambra ny ankamaroan’ny tetikasa ao amin’ny “Mampihatra eo amin’ny Fiainana” amin’ity herinandro ity, dia handray anjara hiaraka amin’izy ireo ianao ary hanao tatitry ny zavatra hitanao amim-pahatsorana.

Page 19: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Mampihatra eo amin’ny fiainana Iray tamin’ireo fifanoherana lehibe indrindra teo amin’ny fampianaran’i Jesosy ilay hoe tsy maintsy mamery ny fiainantsika isika izay vao mahazo izany. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia asa sarotra ny fiezahana manatanteraka ny loha-laharantsika avy hatrany. Ny famaliana ireto fanontaniana roa ireto no fomba tsotra azonao handalinana ny loha-laharanao: (1) Inona no zavatra handaniako ny volako? (2) Ahoana no fomba handaniako ny fotoanako? Raha tsy afaka mamaly ireo fanontaniana ireo araka ny tokony ho izy ianao dia jereo ny “Mampitombo ny Fahalalanao” ao amin’ny fizaràna Zoma. Ataovy izay voalaza ao ary tandremo tsara ny zava-drehetra ataonao amin’ny herinandro ho avy. Izany no hanampy anao amin’ny famaliana ny fanontaniana momba ny fandanianao ny fotoananao. (Omeo dika mitovy amin’ny “Manoritra Làlana ho an’ny Fiainako” ny mpianatra tsirairay avy.) Hojerentsika amin’ny herinandro ny zavatra nianarantsika momba ny loha-laharana eo amin’ny fotoanantsika. Ho an’ny mpampianatra: Raha toa ka nahazo alalana manokana avy amin’ny mambran’ny kilasy ianao, mialohan’ny firavanareo anio dia azonao lazaina hoe hiantso azy ireo ianao amin’ny Talata na andro hafa ary hanao tatitra aminy momba ny fomba nanarahanao ny làla-mahitsy sy hanontany hoe mba nanao ahoana izy ireo. Manangona ny hevitra mahakasika ny zava-bita Rehefa manao tatitra momba ny nampiasany ny fotoanany iray manontolo ny mambra ao anatin’ny kilasy amin’ny herinandro manaraka dia azonao hanontaniana azy ireo ny zavatra nianarany, fa tsy mety kosa raha asaina mamaky fotsiny ny ao amin’ny takilan’ny “Manoritra Làlana ho an’ny Fiainako” izy ireo. (Jereo ny Takila Fanampiny.)

Page 20: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Lesona 7

NY FIAINANA AMIN’NY MAHA-MPIANATRA VAOVAO Mandalina ny loharanon-kevitra Matio 3:13-17; 4:1-11; Marka 5:1-20; Lioka 5: 27-32; Asa 19:23-41 Mametraka ny tanjona iriana Ny mambra ao anatin’ny kilasy dia: ●Hahatsapa fa ny fanombohana dia miaraka amin’i Jesosy dia feno fifanoherana eo amin’ny resaka fifaliana sy fakam-panhy na olana. ●Hanome lanja ny fifaliana sy ny fiadanana entin’i Jesosy eo amin’ny fiainany. ●Hanao fampiharana amin’ny alalan’ny fomba azo tsapain-tanana ny zavatra nataon’i Jesosy ho azy ireo. Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Io dia vaovao miaraka amin’i Jesosy io dia mitondra fifanoherana eo amin’ny fiainan’ny mambra vaovao. Amin’ny lafiny iray dia misy ny fifaliana amin’ny fahalalana an’i Jesosy sy ny famelan-keloka ary ny fiadanana; amin’ny lafiny iray koa dia misy fahadisoam-pananatenan’ny tena manokana eo amin’ny fahalavoan’ny tena amin’ny fanoherana ny fakam-panahy ary mety hisy fihaikana amin’ny fiatrehana fifandraisana manahiran-tsaina amin’ireo namany sy ny mambran’ny fianakaviany. Ny lesona amin’ity herinandro ity no hanampy azy ireo hahatsapa hoe tsy izy ireo irery ihany no mandalo izany fanandramana izany. I Jesosy ihany koa dia mba efa niatrika fitsapana avy hatrany taorian’ny nanaovana batisa Azy, kanefa dia nandresy Izy. Nitondra fandresena ho an’ny mpino rehetra Izy. Eto angamba no fotoana mety hijerentsika hoe efa minamana amin’ny mambran’ny fiangonana ve ireo mambra vaovao. Manomana ny fitaovana ●Manaova dika mitovy amin’ireo toro-marika roa ao amin’ny Takila Fanampiny: “Maneho Setriny eo Anatrehan’ilay Fanomezana” ary “Mizatra sy Mandray Anjara.” ●Tandremo tsara ny fanajanao fotoana rehefa mampianatra ny kilasy ianao satria mila fotoana hanaovana ireo hetsika manan-danja ny kilasy rehefa hifarana ny fotoana. Omeo fotoana ampy hanaovana ireny hetsika ireny. ●Valin’ny “Fitsapam-Pahaizana” ao amin’ny fizaràna Zoma:1 – D, E; 2 – (1) B, (2) A, (3) D, (4) A, (5) B, (6) A

Fomba fampianarana Raha asainao manao zavatra ny mambran’ny kilasy mandritra ny herinandro, dia ataovy azo antoka hoe asainao manao tatitra momba izany izy ireo amin’ny manaraka. Amin’ny alalan’ny fihainoana ny tatitra atao amin’izy ireo no hanehoanao hoe manome lanja ny zavatra asainao ataon’izy ireo ianao. Amin’ny alalan’ny fanaovan’ny mambra ao anatin’ny kilasy tatitra aminao ihany koa hianaran’izy ireo zavatra avy amin’ny hafa. Ary rehefa mangataka azy ireo hanao zavatra ianao amin’ny fotoana manaraka dia handray izany amim-pahamatorana izy ireo.

Page 21: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Miomana hanomboka Safidy A: Raha toa nampirisihanao hameno ny “Miambina ny Làlana Hizoran’ny Fiainako” ny mpianatra dia asaivo manao tatitra momba izany izy ireo eto. Aza mametraka fanontaniana toy ny hoe: “Fotoana nanao ahoana no laninao tamin’ny fijerena fahitalavitra na famakiana ny Baibolinao?” Fanontaniana tsotra toy izao apetraka: “Inona no zavatra nianaranao tamin’ilay hetsika fiambenana ny làlan-kizoran’ny fiainanao?” “Nisy zavatra tsy nampoizina nitranga ve?” Safidy B: Efa mba nahazo fanomezana manokana avy amin’ny olona iray ve ianao? Raha eny dia lazao anay hoe inona ilay fanomezana ary lazalazao ny fihetseham-ponao nahakasika ilay fanomezana sy ilay olona izay nanolotra izany ho anao. Mikatsaka ao anatin’ny Teny ary mifanakalo hevitra momba ny olana

Ny tantara ao anatin’ity lesona ity dia hanome tombontsoa hahafahan’ny mambra vaovao maneho ny zava-mitranga eo amin’ny fiainany manokana na dia tsy te-hizara ny antsipiriany momba izany aza izy. Ny fifanakalozan-kevitra fotsiny dia efa mamela azy haneho ny fihetseham-pony ao am-pandalinana ny fanandraman’ny olona mahakasika ny tantara tamin’ity herinandro ity. Olana 1: Manaraka aorian’ny batisa ny fitsapana. Toa tsy mety ny fahitana hoe raha vao manomboka dia vaovao miaraka amin’i Jesosy ny olona iray dia tsy maintsy miatrika ireo fakam-panahy sy fitsapana lehibe indrindra. Mba ahafahana mijery indray ny tantara nahazatra momba ny nakana fanahy an’i Jesosy dia tsara kokoa raha mifidy olona roa hifandimby hamaky ny tenin’i Satana sy Jesosy. Mifidiana olona iray hanao mpitantara ihany koa. (Koa satria lehilahy ny ankamaroan’ireo “mpandray nanjara miteny” ao amin’ny Baiboly, dia tsara kokoa raha atao vehivavy ny mpitantara.) Fitsapana 1 Fitsapana 2 Fitsapana 3 Mpitantara: Mat 4:1-4a Mpitantara: Mat 4:5-6a Mpitantara: Mat 4:8-9a Satana: Mat 4:3 Satana: Mat 4:6b Satana: Mat 4:9b Jesosy: Mat 4:4b Jesosy: Mat 4:7 Jesosy: Mat 4:10 Mpitantara: Mat 4:11 Toa tsy lehibe no fahitana ireo fakam-panahy ireo raha jerena amin’ny kapobeny. Ny fakam-panahy misy eo amintsika mantsy dia miseho amin’ny endrika “entam-pahotana” hita miharihary avy hatrany, toy ny fakam-panahy handainga, hamitaka, hijangajanga, sns. Inona anefa no tena fototr’ireny fakam-panahy ireny? (Ny fanahiana ny amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny tsy fahatokiana hoe Andriamanitra no hanome, ny fizorana amin’ny làlana samihafa amin’ny drafitr’Andriamanitra eo amin’ny fiainana, sns.) Efa mba nisaintsaina momba ireo olana ireo ve ianao, amin’ny maha fakam-panahy azy ireo? Zava-dehibe ny manamarika ny fitaovana nentin’i Jesosy niadiana, dia ny Tenin’Andriamanitra izany. Olana 2: Ny fomba namalian’ny “mpanota” telo an’i Jesosy. Ny tantaran’i Zakaiosy, Levy, ary ilay lehilahy nitoeran’ny fanahy ratsy dia hanokatra fifanakalozan-kevitra tena mahaliana sy mahafinaritra. (Asaivo sokafan’ny mambra sasany ao amin’ny tantaran’i Zakaiosy ny Baiboliny (Lioka19:1-10); ny sasany ao amin’ny tantaran’i Levy

Page 22: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

(5:27-32); ary ny sasany ao amin’ny tantaran’ilay lehilahy nitoeran’ny fanahy ratsy (Marka 5:1-20). (Azo antoka fa tsy hanam-potoana hamakiana ireo tantara rehetra ireo ianareo. Ny fakana hevitra avy ao amin’ireo andininy ireo ihany no azon’ny olona atao.) Inona no nataon’i Jesosy ho an’ny isambatan’olona tamin’ireo lehilahy ireo? Ahoana ny fomba namalian’ny isambatan’olona an’i Jesosy? Anontanio raha toa ka manana fihetseham-po na fanandramana mitovy amin’izany ny mambra ao anatin’ny kilasy. Olana3: Ny fanoherana ny fanarahana an’i Jesosy. Ilay fikomiana nitranga tany Efesosy 2.000 taona lasa teo ho eo izay no maneho ireo loharanon-kevitra fototry ny fanoherana ny filazantsaran’i Jesosy, eny hatramin’izao fotoana izao aza. I Demetrio, mpanefy volafotsy, izay nitarika ny fikomiana, no naneho mazava tsara ny zavatra mety hitranga raha toa ny olona tany Efesosy ka nino ny fampianaran’i Paoly sy nanomboka nanaraka an’i Jesosy. Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto teny manaraka ireto: “vola”, “fivavahana”. Inona no zavatra tsy hirindra amin’ny ara-bola raha toa ka lasa Kristiana ny Efesiana? (Voatohintohina ny fitadiavam-bolan’ireo mpanefy volafotsy, fa tsy ny an’ny tanàna iray manontolo.) Inona no voatohintohina teo amin’ny fivavahana tamin’i Diana Efesiana? (Ny tanànan’i Efesosy iray manontolo mihitsy no voatohintohina eto satria mitondra olona maro mpanao fivahinianana masina ny tempolin’i Diana, ary mampidi-bola eo an-tanàna.) Mahita ohatra maneho ny fanoheran’ny ara-bola sy ny ara-pivavahana ny Filazantsara ve ianao amin’izao fotoana izao? Mampihatra eo amin’ny fiainana Anontanio ny mambra ao anatin’ny kilasy ny zavatra asetrin’izy ireo ny fanomezam-pahasoavan’i Jesosy ho azy ireo. Ampiasao ny “Maneho Setriny eo Anatrehan’ilay Fanomezana” ao amin’ny Takila Fanampiny. Asaivo miaraka tsiroaroa na tsitelotelo izy ireo mba hahafahany mitady izay zavatra azony atao mandritra ity herinandro ity, hanehoana ny fifaliana sy ny fankasitrahana an’i Jesosy. Manangona ny hevitra mahakasika ny zava-bita Izao no fotoana mety hanangonana ny hevitra mahakasika ny zavatra tamin’ny lasa, momba ny fahatsapan’ireo mambra vaovao ho tafiditra tanteraka ho anisan’ny fiangonana. Manokana fotoana hamenoan’ny kilasy ny fizaràna “Mizatra ary Mandray Anjara”, ka tsy marihina amin’izany ny anarana, ary omena ny mpampianatra rehefa feno. Asio boaty hametrahan’izy ireo ny taratasy avy nofenoiny. Lazao azy hoe: “Afaka manampy antsika ianao amin’ny fahatakarana hoe manao ahoana ny fandraisantsika ny mambra vaovao hiditra ao anatin’ny fianakaviana.” Ampiasao ireo hevitra voaray avy amin’izany, hanampiana ny mambra efa tranainy amin’ny fiezahana miaraka amin’ny mambra vaovao. Amin’ny maha-Pasitora na laika mpitarika anao, dia mety voatery handray ny toeran’ny “mpampifanaraka” ianao, amin’ny alalan’ny fanambàrana ny samy fianakaviana na ny samy tokan-tena ho lasa tarika iray. Rehefa hanambatra ny samy tokan-tena ao anatin’ny tarika iray ianao dia fahendrena kokoa ny mampahafantatra ny lahy samy lahy sy ny vavy samy vavy, ao anatin’ny tarika ahitana lahy na vavy roa na telo fa tsy iray monja.

Page 23: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Lesona 8

NY FAHARETAN’I JESOSY TAMIN’NY MPIANANY Mandalina ny loharanon-kevitra Matio 14:22, 23; 18:21, 22; Marka 1:16, 17; 14:27-31; Jaona 13:1-17; 21:15-19; Asa 2:14-41; 10:1-8; 11:1-30; 15:6-9. Mametraka ny tanjona iriana Ny mambra ao anatin’ny kilasy dia: ●Hahatakatra fa ny fiezahana hanana ny toetran’i Jesosy dia dingana maharitra mandritra ny androm-piainana. ●Hahatakatra fa tsy nandà azy ireo tsy ho mpianatra i Jesosy na dia nanota sy fohy fisainana aza izy ireo. ●Tsy hiala an-daharana amin’ny fanarahana an’i Jesosy raha sanatria tsy mahomby ny tenany, fa hanaiky kosa ny filàn’izy ireo ny famelan-keloka sy fahasoavana handresena avy Aminy hatrany. Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Tao anatin’ilay dinika niarahanay nanao tamin’ny pasitora no nanindriana mafy ny foto-kevitra iray tao anatin’ny tarika efatra: tsy maintsy arovana amin’ny mambran’ny fiangonana izay fatra-pitandrin-dalàna diso tafahoatra ny mambra vaovao, satria heverin’izy ireny hoe raha vao vita ny batisan’ny olona iray dia tsy maintsy mahatakatra sy mampihatra avy hatrany ny fampianarana sy ny fomba amam-panaon’ny Faingonana Advantista ny tenany. Tsara kokoa raha hampianarina ny mambran’ny Fiangonana hoe (1) dingana mitohy mandritra ny androm-piainana ny fiezahana hitovy amin’i Jesosy, (2) tsy mety ny “fanitsiana” ny endrika ivelany na ny fitondran-tenan’ny olona iray raha tsy efa mpinamana akaiky aminy, (3) raha toa manana zavatra manokana mampisalasala mahakasika ny mambra vaovao ny mambra iray ao am-piangonana dia aoka izy hiresaka amin’ny pasitora mialohan’ny zava-drehetra. Manomana ny fitaovana ●Mila solaitrabe na taratasy lehibe. ●Ento eo amin’ny kilasy ny boky “Ilay Fitiavana Mandresy”. ●Jereo ny Loharanon-kevitra ao amin’ny tranokalam-pifandraisana ho an’ny Mambra Vaovao, ahitanao ny tsara ho fantatra momba ny “Dia ho amin’ny Fahafenoana”, izay fandaharana ahitana dingana 12 narindra hifanaraka amin’ny foto-pinoana Advantista. Jereo ny “Hevero Ity” ao amin’ny fizaràna Zoma. Raha toa ka mbola tsy tafiditra ao anatin’ny tarika madinika ny mambra vaovao, dia azon’ny olona ao am-piangonanareo tarihina ny tarika madinika ny “Dia ho amin’ny Fahafenoana”, izay hampidirana ny mambra vaovao. ●Valin’ny “Fitsapam-Pahaizana” ao amin’ny fizaràna Zoma: 1- D; 2 – E; 3 – B; 4 – F; 5 – A; 6 - G

Page 24: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Miomana hanomboka Safidy A: Anontanio raha toa ka misy olona vonona hizara momba ny zavatra nataony tamin’ny herinandro lasa, ho setrin’ny fanomezam-pitiavana sy ny fahasoavan’i Jesosy. Safidy B: Fony ianao mbola zaza na tanora ka nanao izay tsy tian’ny ray aman-dreninao atao, dia nanao ahoana ny fihetsik’izy ireny? Mikatsaka ao anatin’ny Teny ary mifanakalo hevitra momba ny olana Ny lesona amin’ity herinandro ity dia mifantoka amin’ny mpianatra iray sy ny fifandraisany tamin’i Jesosy. Tsy tao amin’ny Filazantsara efatra ihany no nanoratana ny momba an’i Petera, fa tao amin’ny bokin’n Asa ihany koa. Taty aoriana kely teo amin’ny fiainany i Petera no nanoratra epistily roa fohy izay tafiditra ao anatin’ny Baiboly: I Petera sy II Petera. Olana 1: Ny tsy fahombiazan’i Petera sy ny “fahajambany”. Hojerentsika ny tsy fahombiazan’i Petera sy ny fahajambany. Hamaky ampahany kely amin’ny Soratra Masina izay mirakitra ny tranga teo amin’ny fiainan’i Petera isika. Hosoratako eo amin’ny solaitrabe na taratasy lehibe ny lohatenin’ny hetsika tsirairay avy. Isaky ny avy mamaky andininy iray dia ezahan’ny kilasy fantarina ny tsy fahombiazan’i Petera, ary hosoratako eo amin’io solaitrabe io izany. (Amelao toerana fahatelo malalaka ihany eo amin’ny solaitrabe, izay tsy mbola asianao anarana aloha hatreto.) Ireto avy ireo andininy azontsika asiana lohateny: (Aza mbola soratana aloha ireo lohateny fa avelao ho fantarin’ny iray kilasy.) Tranga Tsy Fahombiazana (___________) Matio 14:24-31 nandeha teny ambony rano Matio 18:21, 22 famelan-keloka Jaona 13:5-10 fanasan-tongotra Mat 26:69-75 ilay tranga teo amin’ny lapan’ny fitsarana Acts 11:4-9 i Kornelio sy ny fahitana Inona no zavatra nampiavaka ilay “fahitana sy i Kornelio”? (Nitranga taorian’ny nanotan’i Petera sy ny nanavaozan’i Jesosy azy indray ary taorian’ny niakaran’i Jesosy. Tsy mba tsy fahombiazana tahaka ny tranga hafa rehetra izy io; tafiditra tao anatin’ny fanokafana ny sain’i Petera ho amin’ny fahatakarana vaovao ny drafitr’Andriamanitra momba ny famonjena.) Olana 2: Ny lesona hianarana tsikelikely. Moa ve i Petera karazan’olona ela vao mahay zavatra? Afaka mifandray amin’ny fanandraman’i Petera ve ianao? Hafiriana vao

Fomba fampianarana Ny famelana ny olona hamantatra irery ny fahalalana vaovao amin’ny fampianaran’ny Baiboly dia mitondra fifaliana amin’ny fianarana, ary izany no manomboka ny dingana amin’ny fanovan’izany fahalalana izany fiainan’izy ireo, satria ny fahitana zava-baovao iray dia mitaky azy ireo hampifantoka ny sainy amin’ny alalan’ny fanaovana hetsika sy famoronana zava-baovao.

Page 25: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

mety ho hay ny lesona nampianarin’i Jesosy antsika? (Asaivo vakian’ny olona iray amin’ny feo mafy ny Jaona16:12.) Ahoana no fomba hanampian’io andininy io amin’ny famaliana ny fanontaniana momba ny faharetan’ny fotoana hianarana ny zavatra tian’i Jesosy hianarantsika? Raha tsy nisy ilay tranga farany dia tsy haintsika tsara ny lesona nianaran’i Petera, kanefa rehefa mijery ilay tranga isika dia mahita fa efa natao teo anatrehany ireo lesona mba hianarany. Soraty eo amin’ilay ampahany fahatelo amin’ny solaitrabe ny lohateny hoe ny “Lesona Nianarana.” Tranga Tsy Fahombiazana Lesona Nianarana Nandeha teny ambony rano Tsy nahatoky an’i Jesosy Raha tsy nibanjina an’i Tsy nibanjina an’i Jesosy Jesosy hatrany i Petera Natahotra ny zava-nisy sady nahatoky ny fanafahana nihoatra lavitra noho ny avy Aminy, dia ho lavo. fahatokiany an’i Jesosy Tariho ho amin’ny fifanakalozan-kevitra mahakasika ny lesona nianaran’i Petera (na tokony nianarany) avy tamin’ireo tranga tsirairay avy ireo ny iray kilasy. Ireo efa napetraka eo aloha ireo ny valiny mitombina ho an’ny tranga tsirairay avy. Aza soratana eo amin’ny solaitrabe ireo valiny ireo raha tsy efa hitanao hoe tsy mazava amin’ny mpianatra ny zavatra angatahina amin’izy ireo. Rehefa voasoratra eo amin’ny solaitrabe avokoa ny lesona rehetra nianarana dia apetraho ny fanontaniana hoe: “Inona no zavatra notsoahinao tamin’ireo lesona ireo?” Olana3: Inona no nanova an’i Petera? Voarakitra ao amin’ny Filazantsara efatra iray manontolo ny nandavan’i Petera an’i Jesosy. Ny fomba nitantaran’i Matio izany no ampiasain’ny leson’ny Sekoly Sabata. Misy fanampim-panazavana omen’i Lioka antsika mahakasika ilay fandavana fanintelony. Vakio mafy ny Lioka 22:60-62. Inona no nanova an’i Petera? Apetraho amin’ny toeran’i Petera ny tenanao. Inona no mety ho vokatry ny fijerin’i Jesosy sy ny fahatsiarovana ny Teniny eo aminao? Araka ny hevitrao, inona no mety nianaran’i Petera momba an’i Jesosy ary inona no nianarany momba ny tenany? (Mety efa niresaka momba izany ianareo tao amin’ny Olana 2. Famerenana kely izay voalaza no atao eto.) Anontanio ny mpianatra hoe inona no nitondra fiovana teo amin’ilay tranga? Rehefa avy nifanakalo hevitra kely izy ireo dia vakio ny zavatra nambaran’i Ellen White momba ny fandavana nataon’i Petera sy ny valin-teny nasetrin’i Jesosy: “Raha mbola teo am-bavan’i Petera ny voady nahamenatra nataony, ary mbola naneno teo an-tsofiny ny feon’ilay akoholahy, dia nampitodika ny tavany tamin’ireo mpitsara feno fikentronana ny Mpamonjy ary nibanjina tsara ny mpianany nahantra. . . .” Mampihatra eo amin’ny fiainana Soa ihany fa tsy niafara tamin-dranomaso mangidy ny tantaran’i Petera, toy ny tantarantsika izay tsy miafara amin-dranomaso mangidy vokatry ny fahotantsika sy ny tsy fahombiazantsika ihany koa. Nanao ahoana re ny mety ho fahorian’i Petera nandritra ny andro Sabata izay naha-tao am-pasana an’i Jesosy! Mety nanenjika azy aok’izany ny fahatsapany henatra sy fahamelohana. Tao anatin’ny fitantarana nataon’i Marka momba

Page 26: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty no nahitana ireo teny voalohany tao anatin’ny hafatra nomen’i Jesosy ho an’i Petera manokana. Vakio amin’ny feo mafy ny Marka 16:6, 7. Inona no lazain’io andininy io sy ilay andininy “manavao indray” ao amin’ny Jaona 21:15-22 aminao momba ny fomba fijeren’i Jesosy anao rehefa manota ianao? Inona no tokony ataonao aorian’ny ranomaso mangidinao?

Page 27: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Lesona 9

NY BAIBOLY AMIN’NY MAHA-TARI-DALANA EO AMIN’NY FIAINANA Mandalina ny loharanon-kevitra Genesisy 3:15; Deotoronomia 8:3; I Samoela 3:1-18; Matio 4:1-11; 5:17, 18; 22:34-40; Lioka 2:41-52; 4:14-21; I Jaona2:3-6; Apokalypsy 1:12-18. Mametraka ny tanjona iriana Ny mambra ao anatin’ny kilasy dia: ●Hahafantatra ny fomba nanomezan’i Jesosy lanja sy nampiasany ny Soratra Masina ●Hahafantatra ireo fitsipika fototra amin’ny fampiasana ny Baiboly amin’ny maha-tari-dalana eo amin’ny fiainana azy. ●Hitahiry ny Baiboly amin’ny maha-Tenin’Andriamanitra azy. ●Hanolo-tena handalina ny Baiboly amim-pahamatorana sy ara-potoana hatrany. Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Ny tantara amin’ity herinandro ity, izay mahakasika ilay manam-pahefana tao amin’ny “Royal Canadian Mounted Police” no hitondra tombontsoa ahafahantsika mifanakalo hevitra momba ny olana ny amin’ny famantarana ny sitrapon’Andriamanitra, satria mahakasika ny fiainan’ny olona iray izany. Misy fotoana izay hahatsapan’ny olona vao niova fo hoe faly izy amin’ny fandalinana ny Teny sy ny fizaràna ny finoany izy tiany atao amin’ny fotoan-drehetra. Tsapan’izy ireo amin’izay nony farany hoe tokony hialany ny asany amin’izao fotoana izao ary mandeha mianatra ho tonga pasitora amin’izay izy. Mety nandray Antso avy amin’Andriamanitra mihitsy izy ireny mba hanao izany. Na izany aza anefa, ny ankamaroan’izy dia afaka mijanona amin’ny asa fanaony ihany sady mijoro vavolombelona ao anatin’izany sehatra izany amin’ny alalan’ny fomba miavaka. Azonao ampiana ny mambra vaovao izay mety miady amin’ireo olana ireo. Manomana ny fitaovana ●Manaova dika mitovy ampy mizara, amin’ny Fandalinana ny Tranga (ao amin’ny Takila Fanampiny) mba hananan’ny isam-batan’olona ny dika mitovy amin’ilay tranga izay hifanakalozan-kevitra eo anivon’ny kilasiny. (Aza tonga dia omena ny olona na ny kilasy iray manontolo avokoa ireo tranga telo. Mety tsy hampifantoka azy amin’ilay tranga tokana atrehiny mantsy ny fahitany ireo tranga telo eo ambany masony.) ●Manaova drafitra maty paika ny amin’ny fotoana iarahan’ny kilasy. Mety mila 10 hatramin’ny 15 minitra ianareo hiresahina momba ny Olana 3. ●Valin’ny “Fitsapam-Pahaizana” ao amin’ny fizaràna Zoma:1 – A, B, D; 2 – Izay tianao na izy rehetra. Fanandraman’ny tena manokana.

Miomana hanomboka

Page 28: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Safidy A: Inona no fomba ampiasainao hitadidiana andininy ara-Baiboly na tononkalo na toro-marika ho any amin’ny trano iray na teny nalaina avy tao amin’ny boky iray? (Mety mahaliana ny manontany raha toa ka misy olona iray amin’izy ireo mahatadidy ny tsianjery nandritra ity herinandro ity.) Safidy B: Raha toa ka misy laharana maimaim-poana afaka hiantsoana an’Andriamanitra dia inona no fanapahan-kevitra hangatahinao fanampiana avy Aminy? (Ampahatsiahivo ny mambra ao anatin’ny kilasy fa afaka milaza tsotra izy hoe “tsy manan-kolazaina” raha toa ka tsy te-hamaly.) Mikatsaka ao anatin’ny Teny ary mifanakalo hevitra momba ny olana Fony i Jesosy 12 taona dia mety efa nahatadidy andalan-tsoratra Masina mihoatra lavitra noho ny olona tao an-tranony Izy, na dia mbola kely aza. Inona no antony nahatonga ny fanaovana tsianjery halaza be tamin’ny andron’i Jesosy? (Velona tao anatin’ny tontolon’ny serasera ara-pitenenana Izy. Vitsy ny boky, izany hoe horonam-boky. Haintsika anefa hoe nahay namaky teny i Jesosy.) Olana 1: Ny fomba nanomezan’i Jesosy lanja ny Soratra Masina sy ny nampiasany izany. Koa satria isika dia mpianatr’i Jesosy, dia Izy no modelintsika sy mpanoro hevitra antsika. Andeha heverina ny fomba nanomezany lanja sy nampiasany ny Soratra Masina. Araka ny notaterina tao amin’ny lesona tamin’ity herinandro ity dia impiry i Jesosy no nampiasa ny Soratra Masina? (Raha toa tsy mahita fomba samihafa ireo mambra ao anatin’ny kilasy dia asaivo mijery ireto andininy ireto izy ireo.) Fanoherana ny fakam-panahy (Mat 4:4). Fampianarana ny mpianany (Lioka 24:25-27). Natao halain-tahaka eo amin’ny resaka fitondran-tena (Matio 5). Fanazavana ny Iraka manokana nampanaovina Azy (Lioka4:21). Famaliana fanontaniana (Mat 22:36, 37). Mety hahita fomba fampiasana hafa izay tsy voalaza ato anatin’ity lesona ity ny mpianatra. Mba ahitana ny fomba nanomezan’i Jesosy lanja ny Soratra Masina dia vakio amin’ny feo mafy ireto andininy roa manaraka ireto ary apetraho ny fanontaniana hoe: “Inona no ambaran’ireo andininy ireo amintsika momba ny tombam-bidy nomen’i Jesosy ny Soratra Masina?” Matio 4:4; 22:29. Olana 2: Fianarana ny Soratra Masina. Tena mpianatr’i Jesosy tokoa ve ianao? Sa milaza ho mpianany fotsiny? Nanome toro-marika mazava tsara ny Apôstôly Jaona, momba ny mahatonga ny olona iray ho mpianatra. Vakio ny I Jaona 2:3-6. Inona izany toro-marika roa izany? (Mitandrina ny Didy sy mandeha araka ny nandehan’i Jesosy) Amin’ny alalan’ny Soratra Masina ihany no azontsika hianarana ny didiny sy handehanany araka ny nandehanany. Eto no fotoana mety hijoroana vavolombelona ny amin’ny fomba “fanohizanao ny fianarana ny Soratra Masina.” Afaka tohizana amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra mahakasika ny fomba fianarana ny Soratra Masina izany.

Fomba fampianarana Isaky ny mitarika ny mpianatra hanao fanandramana ianao, dia zava-dehibe ny fanaovana fifanakalozan-kevitra ny tarika aorian’izany, hiresahina momba ny zavatra nandalovan’izy ireo na nanapahany hevitra (araka ny soso-kevitra amin’ny fanandramana etsy ambany). “Famelabelarana” no hiantsoana io fifanakalozan-kevitra ataon’ny tarika aorian’ny fanandramana io. Maro ny lesona manan-danja izay very rehefa tsy mahay manao famelabelarana eo anivon’ny kilasy ny mpampianatra.

Page 29: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Olana3: Ny andraikitry ny Baiboly eo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra. Mba hahafahana mitady fomba mifanaraka amin’ny tokony ho izy amin’ny fampiasana ny Baiboly eo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra dia handalina ireto tranga telo ireto isika. Ambaran’ireo tranga telo ireo amintsika ny fomba nampiasan’ny olona ny Soratra Masina teo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra. Ny andraikitrao dia ny mandinika raha toa ka nampiasa ny Baiboly araka ny tokony ho izy izy ireo na tsia, ary hazavao ny valinteninao. (Zarao ho tarika telo ny iray kilasy. Tsy tokony ahitana olona maherin’ny telo na efatra ao anatin’ny tarika iray. Na dia ahitana olona marobe aza ny kilasinao dia aoka mba ho olona tsy mihoatra ny telo na efatra hatrany no ao anatin’ny tarika tsirairay avy. Tsy manina na dia tranga efa dinihan’ny tarika hafa ihany aza no omenao ny tarika iray hafa.) Zarao ireo tranga (jereo any amin’ny Takila Fanampiny) ary omeo dimy hatramin’ny enina minitra hamakiana sy hifanakaozan-kevitra momba ilay tranga. Afaka mampitombo izany fotoana izany ianao raha toa ka hitanao hoe mbola samy mandray anjara amin’ny fifanakalozan-kevitra ny tarika rehetra. Na afaka milaza ianao hoe “Mbola manana iray minitra ianareo hamaranana ny fifanakalozan-kevitra ataonareo.” Hiseho ny fianarana tena nanan-danja rehefa atambatrao amin’izay ireo tarika rehetra ary asaina manazava fohy momba ny tranga nodinihany ny tarika tsirairay avy sady asaina faranany amin’ny alalan’ny famintinana ny fomba fampiasana ny Baiboly eo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra. Azonao ampiana amin’ny fandinihana ny heviny ny mambra tsirairay avy, eo am-pihainoanao ny famintinan’izy ireo. Mampihatra eo amin’ny fiainana Mandalo fotoana tsy maintsy handraisana fanapahan-kevitra hatrany ny ankamaroan’ny olona tsirairay avy. Eritrereto ny fanapahan-kevitra manan-danja eo anatrehanao. Moa ve izany fanapahan-kevitra ilànao fanampiana avy amin’ny Tenin’Andriamanitra? Ampiasao ny zavatra nianaranao nandritra ity herinandro ity momba ny andraikitry ny Baiboly eo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra, ary andramo ampiharina eo amin’izany fanapahan-kevitra manokana atrehanao izany ireo fitsipika rehetra ireo.

Page 30: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Lesona 10

NY FAHEFAN’NY BAIBOLY Mandalina ny loharanon-kevitra Nomery 12:6; Salamo 19:1-4; Isaia 6:1, 8, 9; Ezekiela 1:1; Mat 5:17, 21, 22, 27, 28, 31, 32; Lioka 1:1-4; 24:44; Jaona 5:39, 40; 10:35; Romana 1:20, 21; I Korintiana 2:13, 14; II Timoty 3:16, 17; Hebreo 1:1-3; 4:12; I Petera 1:10-12; II Petera 1:21; Apokalypsy 1:10, 11. Mametraka ny tanjona iriana Ny mambra ao anatin’ny kilasy dia: ●Hahatakatra ny maha-teny nomena tamin’ny alalan’ny tsindrimandry ny Baiboly. ●Hahafantatra ny karazana porofo izay manamarika ny maha-tsindrimandry ny Baiboly. ●Hahatakatra fa ny fahefan’ny Soratra Masina dia mitoetra ao amin’i Jesosy. ●Hanome lanja ny Baiboly amin’ny maha-teny manam-pahefana avy amin’Andriamanitra azy. Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Koa satria tsy mifanaraka amin’ny kolotsaina misy eo amin’ny fiaraha-monina ny fampianarana forotra sasany eo amin’ny Advantista (oh: ny Sabata andro fahafito, ny momba ny maty) sy ny fomba amam-panao sasany (mandeha any am-piangonana amin’ny andro Sabata ary mitandrina ny Sabata mandritra ny 24 ora), dia ilain’ny mambra vaovao ny manamafy ny finoany ny fahefan’ny Baiboly. Mety tsy ho olana ny resaka fahefan’ny Baiboly raha toa ka efa avy any amin’ny tontolo Kristiana izy. Raha toa kosa anefa izy ka avy amin’izao tontolo izao, dia mety mila atao mahazo antoka izy hoe ny Baiboly dia teny manam-pahefana avy amin’Andriamanitra, ary mety ilain’izy ireo ny fomba fanavazana izany amin’ny fianakaviany na ny namany. Manomana ny fitaovana ●Miankina amin’ny karazan’olona ao amin’ny kilasin’ny mambra vaovaonareo ny fiatrehana ny fihaikana eo amin’ny fifanakalozan-kevitra mandritra ity herinandro ity. Miomàna tsara àry. (Mariho fa olana roa ihany no resahina ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra fa tsy telo araka ny mahazatra.) Lalina ireo olana ireo; ary ny fizaràna azy ireo ho roa monja no ahafahantsika manana fotoana bebe kokoa ho an’ny olana tsirairay avy ao amin’ny fizaràna “Mampihatra eo amin’ny fiainana”.) ●Manaova dika mitovy amin’ny “Rindran-damina Mialoha” ho an’ny mambra tsirairay avy. (Jereo any amin’ny Takila Fanampiny.) Mariho fa misy dika roa mitovy eo amin’ny takila tsirairay avy. ●Valin’ny “Fitsapam-Pahaizana” ao amin’ny fizaràna Zoma:1 – A, B, E; 2 – A, D, E.

Miomana hanomboka

Page 31: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Safidy A: araka ny hevitrao, inona no fiheveran’ny ankamaroan’ny olona ny Baiboly? Safidy B: Raha toa ka tsy misy Andriamanitra, dia inona no fahasamihafana aterak’izany eo amin’ny tontolontsika? Mikatsaka ao anatin’ny Teny ary mifanakalo hevitra momba ny olana Na dia mino ilay Andriamanitra Mpahary aza ny Kristiana, izay naneho ny Tenany tamin’ny alalan’ny Baiboly, dia mbola manaiky ho rebireben’ny kolontsaintsika môderina hatrany isika, izay mandà ny fitantarana izay voalaza fa fahamarinana ho an’ny rehetra na voalaza fa tena zava-misy ho an’ny olon-drehetra. Ny fifanakalozan-kevitra anio izany no tena ivon’ny fiainan’ny mpino vaovao. Olana 1: Ny fomba niandohan’ny Baiboly. Inoan’ny Kristiana hoe Tenin’Andriamanitra ny Baiboly, kanefa dia olombelona no nanoratra azy. Ahoana no fomba nampitany ny hafany tamin’ny olombelona? Andeha jerena ny fomba nampiasainy tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao. Inona no mampitovy azy ireo? Ary ny maha-samihafa azy? Manomeza rindran-damina mialoha: “Ny Fomba Nampitan’Andriamanitra Ny Teniny Tamin’ireo Mpanoratra Ny Baiboly.” (Jereo ny Takila Fanampiny.) Asaivo fenoin’ny kilasy miaraka izany. Aza asaina mameno izany irery ny olona. Valin’ny fanontaniana momba ny rindran-damina mialoha mahakasika ny “fomba nampiasain’Andriamanitra”. Inona no fomba nampitan’Andriamanitra ny Teniny tamin’ireo mpanoratra ny Baiboly? ●Testamenta Taloha: fahitana; nofy, niresaka nivantana tamin’ny mpaminany ●Testamenta Vaovao: Ny Fanahy Masina no niasa tamin’ny fitantaran’ireo vavolombelona nanatri-maso ny tenin’i Jesosy; ny fijoroana vavokombelona nataon’ny apôstôly; ny fijoroana vavolombelona nataon’ny olona izay nifandray akaiky tamin’ny apôstôly; fahitana Olana 2: Profon’ny fidiran’ny avy any ambony an-tsehatra. Nilaza isika hoe samy nomen’i Jesosy fahefana ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao. Ny Baiboly no hany fitaovana tokana ahalalantsika zavatra momba an’i Jesosy. Moa ve tsy zavatra miodina amin’ny tenany ihany izany? Andeha jerena ny lesona Alarobia. (Asaivo jeren’ny mamabran’ny kilasyny fizaràna Alarobia amin’ny lesony.) Ahoana no fomba hanomezan’ny “fitambaran’ilay lohahevitra iray manontolo” porofo? (Arakaraky ny ahalalanao ny Baibolinao no ahitanao ny fifandraisana misy ao anatiny. Nosoratana nandritra ny taonjato maro ireo boky ireo.) Raha toa ka misy olona

Fomba fampianarana Ny rindran-damina mialoha dia karazana drafitra na fanehoana an-tsary izay manampy ny olona hisaintsaina hevitra ary handrindra azy ireny. Toy ny drafitra noforonina hanampiana ny olona “hamantatra” zava-baova amin’ny alalan’ny herin’ny tenany izy io. Ny olana 1 dia mampiasa rindran-damina mialoha, izay ho hitanao ao amin’ny Takila Fanampiny

Page 32: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

miresaka momba ny olana eo amin’ny fahasamihafan’ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao, dia asaivo jerena sy vakian’ny kilasy ireto andininy manaraka ireto: Levitikosy 7:37; Mika 6:6-8; Hebreo 10:4-7. Rehefa izany dia anontanio hoe: Ahoana no mahatonga ny fomba fijery toy ny “fahalalana miandalana” hanampy eo amin’ny fanazavana ny fifanoherana misy eo amin’ny fanambaràna ara-Baiboly toy izany?1 Inona no nahagaga tamin’ny fitehirizana ny Baiboly? (Nielanelana taonjato maro no nanoratana ireny boky ireny. Maro dia maro tokoa ny ampahany tavela tamin’ireo bokin’ny Testamenta Vaovao izay nosoratana fahiny. Taonjato roa na telo talohan’ny nihavian’i Kristy no nanoratana ireo Horonana tany amin’ny Ranomasina Maty. Voamarika fa mitovy amin’ny teny ampiasaina ao amin’ny Testamenta Talohantsika amin’izao fotoana izao, ny teny nampiasainy tamin’ireny boky ireny.) Moa ve efa nisy finatraikany tamin’ny tenanao manokana ny Baiboly na mahafantatra olona nandalo izany ianao? (Eto ny fotoana ahafahan’ny olona mijoro vavolombelona momba ny fiantraikan’ny Baiboly teo amin’ny fiainany sy teo amin’ny fiainan’ny olona fantany.) Mampihatra eo amin’ny fiainana “Manaiky ny Baiboly ho ilay fahefana faratampony eo amin’ny resaka finoana sy fomba amam-panao ny Advantista. Inona no vokatr’izany toerana misy antsika eo anatrehan’ny Baiboly izany, eo amin’ny fanandraman’ny tena manokana ara-pivavahana?”2 (Zava-dehibe izany fanontaniana izany azy afaka manokana fotoana lavalava handinihana ny momba izany ianao.)

1 Richard Rice, The Reign of God, (Berrien Springs, Mich.: Andrews University Press, 1985, p. 44.

2 Ibid.

Page 33: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Lesona 11

NY FOMBA FANDALINANA NY BAIBOLY (1) Mandalina ny loharanon-kevitra Salamo 119:97-104; Marka 10:17-27; I Korintiana 10:1-11; Apokalypsy 22:12, 13. Mametraka ny tanjona iriana Ny mambra ao anatin’ny kilasy dia: ●Hahafantatra ny fihaikana sasany eo amin’ny fandalinana sy ny fiezahana manakatra ny Baiboly. ●Hahatakatra ny antony mahatonga ireto fanontaniana roa ireto ho tafiditra ao anatin’ny fandalinana ny Baiboly: Inona no hevitra tian’io teny io ambara tamin’ny mpanoratra sy ny olona niantefany tany am-boalohany? Inona no hevitra tiany ampitaina amintsika amin’izao fotoana izao? ●Afaka hampiasa ny fomba fototra fandalinana ny Baiboly mifanaraka amin’ny tokony ho izy, mba ahitana izay tiany “lazaina.” Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Na avy any amin’izao tontolo izao ireo mambra vaovao ary tsy mbola namaky ny Baiboly mihitsy, na avy amin’ny fiangonana hafa, na Advantista efa nihemotra fa niverina indray, dia samy mila mianatra ny fomba fandalinana ny Baiboly mifanaraka amin’ny tokony ho izy. (Ny olona izay efa pasitora ihany angamba no tsy tafiditra ao anatin’izany.) ny lesona mandritra ity herinandro ity dia ahitana teny maro izay mety tsy nahazatra ireo mambra ao amin’ny kilasinao. Amin’ny alalan’ny Tari-Dalana ho an’ny Mpampianatra mandritra ity herinandro ity no hanamarihantsika ny fomba hanampianao ny mambra vaovao hahatakatra ny teny sy ny fitaovana eo an-tanan’izy ire izay ahafahany mandalina ny Baiboly araka ny tokony ho izy. (Tena ilaina ny mahafantatra hoe firy amin’ny mambra tranainy no mahalala ireo teny sy ny fitaovana fampiasa.) Manomana ny fitaovana ●Ny fifanakalozan-kevitry ny kilasy mandritra ity herinandro ity dia handalina bebe kokoa momba ny toro-marika roa ao amin’ny Takila Fanampiny: “Ny Fampiharana ny Dingana 1 amin’ny Fandalinana ara-Baiboly” sy ny “Fanontaniana momba ny Hevitrao mahakasika ny Fandalinana ara-Baiboly.” Manaova dika mitovy amin’ireo toro-marika ireo ho an’ny isambatan’olona. ●Valin’ny “Fitsapam-Pahaizana” ao amin’ny fizaràna Zoma: 1 – I; 2 – D; 3 – L (Azo lazaina hoe marina ihany koa ny “A” saingy tsy dia tena mitombina loatra.); 4 – K; 5 – I; 6 – B; 7 – E; 8 – H; 9 – A (Azo lazaina hoe valiny marina ihany koa ny “L”); 10 – F. ●Ataovy azo antoka hoe samy manana Baiboly avy ny isam-batan’olona ao anatin’ny kilasy, lesona (na manaova dika mitovy amin’ilay fitsapam-pahaizana ao amin’ny fizaràna Zoma amin’izay samy manana avokoa ny rehetra), ilay “Fampiharana

Page 34: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

ny Dingana 1 amin’ny Fandalinana ara-Baiboly”, pensilihazo, ary raha mety dia latabatra sy seza. ●Ento ao amin’ny kilasy ny Baiboly fanaovana fandalinana, ny konkôrdansa, ny raki-bolan’ny Baiboly, ny famakafakana ny Baiboly mahakasika ny bokin’i Matio sy ny Testamenta Vaovao. ●Alamino tsara ny fotoana iarahan’ny kilasy mianatra. Koa satria ianao mampianatra fahaiza-manao, dia mila fotoana ny mambran’ny kilasy hanaovany fampiharana ny zavatra nianarany. Arindrao tsara ny fotoana. Anokany atsasak’adiny ny Olana 3, ary manaova fampiharana amin’ny alalan’ireo fanontaniana momba ny hevitrao, mandritra ny 5 minitra. Miomana hanomboka Safidy A: Inona no boky mahafinaritra anao indrindra ao amin’ny Baiboly ary inona no antony? Safidy B: Inona no zavatra iray izay nitondra fifaliana na fahatsapana fahafahampo ho anao tamin’ny herinandro lasa teo? Mikatsaka ao anatin’ny Teny ary mifanakalo hevitra momba ny olana Ny lesona amin’ity herinandro ity dia natao hampianarana fahaiza-manao. Izao no fanontaniana mieptraka: Moa ve nahay ireo fahaiza-manao ny mambra ao anatin’ny kilasinao? Mety tsy nianatra ny lesona ny sasany. Eny fa na dia ireo nianatra lesona aza dia mety mbola hametraka fanontaniana. Tsy maintsy tonga mpianatra ihany koa ianao mpampianatra ao anatin’ny lesona anio. Ary ny zavatra ilainao hianarana dia ny “Fanaovana izay ahaizan’ny mambra ao anatin’ny kilasy ny fomba famaliana ny fanontaniana voalohany amin’ny fandalinana ny Baiboly, dia ny hoe: Inona no hevitra tian’izany ambara?” Mba hianaranao mamaly io fanontaniana io dia tsy maintsy maneho ny fahaiza-manaony ny mpianatra. Olana 1: Fianarana ireo teny fampiasa amin’ny fandalinana ara-Baiboly. Anontanio ny mambra ao anatin’ny kilasy hoe nanao ahoana ny fomba nanaovany ny fizaràna “Fitsapam-Pahaizana” Zoma. Rehefa miresaka momba ilay Fitsapam-Pahaizana ianareo dia manokàna fotoana hanazavana ny hevitra tian’ireo teny ampitaina. Hazavao ny antony maha-zava-dehibe ireo teny, eo amin’ny fanampiana azy ireo hahatakatra ny Baiboly.

Fomba fampianarana Ny fampianarana fahaiza-manao dia mitaky ny fomba fampianarana ny votoatin-kevitra miampy fanehoana, fampiharana, ary fitsikerana. Ny lesona amin’ity herinandro ity dia mampianatra ny votoatiny ary maneho ny fahaizana mitady ny hevitra tian’ny andininy iray avoitra. Afaka manome tombontsoa ho an’ny kilasy ianao, hanaovany fampiharana ny zavatra nianaran’ny mambran’ny kilasy nandritra ny herinandro. Afaka manamboatra kely ny fahaiza-manaony ihany koa ianao, amin’ny alalan’ny fitsikerana amin-kalefahana ny asany.

Page 35: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Olana 2: Ireo dingana roa amin’ny fandalinana ny Baiboly. Inona avy ireo dingana roa eo amin’ny fandalinana ara-Baiboly? (Mitady ny “hevitra tiany nampitaina taloha” sy “hevitra tiany ampitaina amin’izao fotoana izao”.) Inona no antony ilàna ireo dingana roa ireo? (Raha ilay dingana iray ihany no ataonao dia tonga tao an-tsainao fotsiny ny Tenin’ny Baiboly, izany hoe nitombo fotsiny ny fahalalanao. Raha tonga dia ny hevitra tiany ampitaina amin’izao fotoana izao kosa no jerenao, dia mety ho diso ny fandraisanao ny hevitra tian’ilay andininy ambara.) Iza amin’ireo dingana roa ireo no tena ilànao fampiasana loharanon-kevitra ahitana valiny? Ny lesona mandritra ity herinandro ity dia miresaka momba ny fitadiavana ny hevitra tian’ny andininy iray ao amin’ny Marka ampitaina. Anontanio azy ireo ny zavatra nianarany avy tamin’ireo loharanon-kevitra izay nampiasainy na ny zavatra nianarany avy tamin’ny valin-teny nomen’ny Tari-Dalana Fianarana Baiboly ho an’ny Mambra Vaovao. Ahoana no mahatonga ny hevitra azo avy amin’ireo loharanon-kevitra hitondra fampahafantarana mahakasika ilay andininy, sy ny hevitra tiany ampitaina tamin’izany andro izany? (Aza mbola resahina eto aloha ilay hoe “Ny hevitra tiany ambara amintsika amin’izao fotoana izao.” Raha te-hifanakalo hevitra momba izany izy ireo dia laza o azy fa io fanontaniana io no loha-hevitry ny lesona amin’ny herinandro manaraka. Olana3: Fampiharana ny dingana 1 amin’ny fandalinana Baiboly. Andeha amin’izay isika hanao fampiharana ny fandalinana andalana kely nefa tena manan-danja ao amin’ny Soratra Masina: Matio 22:34-40. (Zarao ho tarika ahitana olona telo na efatra ny kilasy. Raha mety dia ataovy azo antoka hoe misy mambra mahay Baiboly tsara na manana Baiboly ahitana fanampiana farahafaharatsiny ao amin’ny tarika tsirairay avy. Rehefa izany dia omeo ireo loharanon-kevitra nentinao amin’izay izy ireo, toy ny raki-bolan’ny Baiboly, ny famakafakana ny Baiboly, sns. Tsy voatery hilahatra ny famalian’izy ireo ny fanontaniana ary aoka mba hifampizaràna ireo loharanon-kevitra.) Omeo taratasy fotsy hiasana avokoa ny isambatan’olona, kanefa ataovy azo antoka hoe miara-miasa ihany izy ireo fa tsy miasa irery. Omeo fotoana hanaovana izany izy ireo. Manara-maso ny zava-mitranga sisa no ataonao, ary mandeha mitety ny tarika rehetra sady mamaly fanontaniana raha toa ka manana izy ireo. Tsy noho ny aminao ny fampianarana, fa noho ny amin’ny mpianatra. (Mety tsy hanana ny fitaovana ilaina hamaliana ny fanontaniana ny tarika rehetra. Tsy mampaninona izany.) Rehefa samy nahavita ny tarika tsirairay avy, na ny ankabeazan’ny tarika, dia atambaro indray izy rehetra ary angony avokoa ny hevitr’izy rehetra. Mampihatra eo amin’ny fiainana Ny fizaràna “Mampihatra eo amin’ny fiainana” amin’ity lesona ity dia ho fenoin’ny fizaràna “Manangona ny hevitra mahakasika ny zava-bita”. Manangona ny hevitra mahakasika ny zava-bita Hita ao amin’ny Takila Fanampiny ny toro-marika arahana ny amin’ny fanangonan-kevitra eto: “Fanontaniana Momba ny Fahitanao ny Fandalinana Baiboly.” Io hetsika fanangonana ny hevitra mahakasika ny zava-bita io dia fotoana fianarana tena manan-danja. Mety mila ny fanampianao ny mambra amin’ny fiezahana manakatra izay

Page 36: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

tian’ny teny ambara. Asaivo arotsaky ny mpianatra ao anatin’ny boaty na ataony ao anaty valopy ireo fanontaniana izay avy novaliany ireo.

Page 37: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Lesona 12

NY FOMBA FANDALINANA NY BAIBOLY (2) Mandalina ny loharanon-kevitra Deotoronomia 6:4-9; Matio 12:43-45; 17:5; Marka 1:22; Lioka 24:27, 32; Jaona 7:45-47; Romana 12:2; II Korintiana 10:4, 5; Filipiana 2:5; 4:8. Mametraka ny tanjona iriana Ny mambra ao anatin’ny kilasy dia: ●Hahatakatra ny fomba fandalinana ny andalana ao amin’ny Baiboly, mba hamantarana ny hevitra tiany ambara amintsika amin’izao fotoana izao. ●Hahatakatra fa ny fandalinana ny Baiboly no ivon’ny fiovana hanahafana an’i Jesosy. ●Hanome lanja ny Baiboly ho toy ny Tenin’Andriamanitra miantefa mivantana aminy. Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Mety hampitahotra ny mambra vaovao ireo fihaikana amin’ny fandalinana ny Baiboly araka ny tokony ho izy zai nazavaina tao amin’ny Lesona 11 sy 12. Na izany aza anefa dia zava-dehibe ny fanehoana azy ireo ny fomba fandalinana ny Baiboly mifanaraka amin’ny tokony ho izy, ety am-piandohan’ny diany miaraka amin’i Jesosy. Ireo dingana nampianarina tao amin’ireo lesona roa ireo dia ilaina averina ao anatin’ny lesona mandritra ny taona. Ao anatin’ny fizaràna “Mampihatra eo amin’ny fiainana” amin’ity herinandro ity dia misy fanavahana ny atao hoe fandalinana ny Baiboly sy famakiana ny Baiboly. Mety hampahery ny sasany amin’ny mambra vaovao izany fanavahana izany. Manomana ny fitaovana ●Manaova dika mitovy ampy ho an’ny rehetra, amin’ilay “Fampiharana ny Dingana 2: Inona no tian’izany ambara amin’izao fotoana izao?” mba hananan’ny olona tsirairay avy dika mitovy. Ataovy azo antoka hoe samy manana pensilihazo na penina avokoa ny isam-batan’olona. Azon’ny mambra entina mody ireo taratasy nofenoiny rehefa vita izany. ●Tandremo tsara hatrany ny fitantanana ny fotoananao. Olana3—ny Fampiharana ny Dingana 2 no tena manan-danja indrindra. Ataovy azo antoka hoe ampy tsara ny fotoana hanaovanareo izany. Eo ho eo amin’ny 30 minitra ny faharetany. Tsy misy Fitsapam-Pahaizana amin’ity herinandro ity. Miomana hanomboka Safidy A: Manaova tatitra momba ny hevitra natambatrao tamin’ny valiny azo avy tamin’ireo Fanontaniana mahakasika ny Fahitana ny Fandalinana ara-Baiboly izay

Page 38: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

nofenoin’ny mambran’ny kilasy tsy mitonona anarana tamin’ny herinandro lasa. Asaivo milaza ny heviny momba ireo zavatra hita ireo ny mpianatra. Safidy B: Raha toa ka tsy maintsy hihaona amin’ny olona iray ianao (lahy samy lahy na vavy samy vavy) ka te-hampivelatra fifandraisana aminy, dia ahoana no fomba hanombohanao izany? Mikatsaka ao anatin’ny Teny ary mifanakalo hevitra momba ny olana Itodiho ny lohahevitra tamin’ny herinandro lasa sy ny lohahevitra amin’ity herinandro ity, amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana hoe: “Inona avy ireo dingana roa amin’ny fandalinana ny Baiboly?” (1. Ny tiany ambara fahiny. 2. Ny tiany ambara amin’izao fotoana izao.) Olana 1: Fahatakarana ny Dingana 2 amin’ny fandalinana Baiboly: Inona no tian’izany ambara amintsika amin’izao fotoana izao? Mila loharanon-kevitra na fitaovana maromaro mba ahafahana mamaly ny fanontanian’ny Dingana 1: “Inona no tian’ilay andininy ambara tamin’ny mpanoratra sy ny olona niantefan’ilay andininy tany am-piandohana?” Inona indray àry no loharanon-kevitra na fitaovana izay ilainao hamaliana ny fanontanian’ny Dingana 2 manao hoe: “Inona no tian’io andininy io ambara amintsika amin’izao fotoana izao?” (Ny sainao sy ny fonao no ilainao voalohany.) Ahoana no fomba fiasan’ny Dingana 2? Inona no tafiditra ao anatiny? Hita any amin’ny faran’ny lesona Talata ny famaritana io dingana io. Mitodiha amin’ny olona eo akaikinao (tena tsara raha toa ka tsy vadinao ilay olona) ary lazao amin’ny fiteninao manokana ny fomba namalianao ny fanontanian’ny Dingana 2: “Inona no tian’io andininy io ambara amintsika amin’izao fotoana izao?” (Na asaivo hazavain’ny mambra isan-karazany ao anatin’ny kilasy eo anatrehan’ny tarika iray manontolo ny fomba fanatanterahana ny Dingana 2.) Andeha isika hijery ny atao hoe fandinihan-tena ary hojerena ny fomba nampiasana izany tao amin’ny Baiboly. Vakio mafy ireto andininy manaraka ireto: Josoa 1:8; Salamo 77:12; 119:97; Filipiana 4:8; I Timoty 4:12-15. Ao anatin’ny fandinihan-tena ataontsika Kristiana no hametrahantsika fanontaniana amin’ny tenantsika, momba ny zavatra izay lazain’ilay andininy amintsika. Jereo ny fanontaniana ao amin’ny lesona Alakamisy. Inona no fahasamihafana misy eo amin’ny fandinihan-tena ataon’ny Kristiana sy ny fandinihan-tena ataon’ny firenena Tatsinanana? (Misy fanazavana momba izany ao amin’ny lesona.) Olana 2: Ny Hery Manovan’ny Teny. Tsy mijanona fotsiny eo amin’ny Dingana 1 isika, izany hoe ny fiezahana mamantatra izay tian’ilay teny nambara fahiny, satria tsy mandalina ny Baiboly amin’ny maha-firaiketana an-tsoratra ny tantara fotsiny ihany isika. Firaiketana an-tsoratra velona, izay miteny amin’ny fiainantsika no handraisantsika azy. Mandalina ny Baiboly isika mba ahalalana hoe iza moa i Jesosy ary inona no tiany ataontsika. Ahoana no fomba fampiasan’ny Fanahy Masina ny fandalinana Baiboly ataontsika hanova antsika ho lasa manam-pitoviana amin’i Kristy? Fanontaniana tena manan-danja izay mbola mampametra-panontaniana ny teôlôjiana sy ny manam-pahaizana hafa hatrany izany. Inona no azontsika hianarana avy amin’ireto andininy mahakasika ny saina, ny Tenin’Andriamanitra, ary ny fiovam-po ireto? Romana 12:2;

Page 39: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Filipiana 2:5; 4:8. (Ny fanaraha-maso ny zavatra avelantsika hiditra ao an-tsaintsika sy ny zavatra dinihintsika dia hampitovy bebe kokoa antsika amin’i Kristy na hampanalavitra antsika amin’ny fitoviana amin’i Kristy.) Ny atao hoe manana ny sain’i Kristy dia ny famenoana ny saintsika amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra. Olana3: Fampiharana ny Dingana 2 amin’ny fandalinana ara-Baiboly: Inona no tian’izany hambara amintsika amin’izao fotoana izao? Ilay andalana nampiasaintsika tamin’ny Dingana 1 tamin’ny herinandro lasa tato amin’ny kilasy ihany no hanaovantsika fampiharana ho an’ny Dingana 2. Zarao ho tarika ahitana olona roa na telo ny kilasy. Zarao amin’ny isam-batan’olona ny taratasy fiasana: Fampiharana ny Dingana 2: “Inona no tian’io andininy io ambara amiko amin’izao fotoana izao?”, kanefa ataovy azo antoka hoe miara-manao ilay asa izy ireo fa tsy miasa irery. Omeo fotoana hanaovana izany izy ireo. Rehefa nahavita ireo dingana roa voalohany izy ireo dia atambaro indray ary anontanio hoe inona no fanontaniana mety apetrak’izy ireo eo anatrehan’ny andininy ao amin’ny Matio 22:34-40. Aoka hanome fanontaniana iray avy ny isan-tarika. Azonao averina indray mandeha ny fanomezana fitenenana ny tarika rehetra, raha tsy manana fanontaniana ambara ny tarika sasany. Raha toa ka avelanao hilaza izay fanontaniana rehetra hitany ny tarika voalohany, dia mety tsy hisy hotaterin’ilay tarika faharoa intsony. Ny fametrahana ireny karazam-panontaniana momba ny andinin-tsoratra Masina ireny sy momba ny tenanao no tena fototra mahalaza ny atao hoe fandinihan-tena Kristiana. Mampihatra eo amin’ny fiainana Ny fandalinana Baiboly tena marina dia ampiasana andalana fohy ao amin’ny Soratra Masina ary handaniana fotoana be dia be. Misy fomba hafa ahafahana mandany fotoana iarahana amin’ny Baiboly. Ny famakiana tsotr’izao ny Baiboly no fomba iray. Ny olona sasany dia manao ireto zavatra roa ireto: (1) mamaky ny Baiboly ary (2) mandalina ny Baiboly. Ohatra, raha zavatra kely fotsiny ihany no fantatrao momba ny Baiboly dia mety te-hitady ny hevitry ny zavatra ao anatiny amin’ny kapobeny ianao, sy ireo karazany misy. Mety hoe mamaky ny Baiboly tsotr’izao fotsiny ianao, ka tsy miato mba handinika tsara ny zava-drehetra na miato mba hahafahana manao fampiharana lalina eo amin’ny fiainanao. Na izany aza anefa dia ilaina tokoa ny mahalala zavatra kely momba

Fomba fampianarana Rehefa mampianatra/mianatra ny olon-dehibe, dia zava-dehibe ho an’ny mpampianatra ny mahatakatra ny zavatra hifampianaran’ny mambra ao anatin’ny kilasy sady hianarany avy amin’ny mpampianatra. Noho izany antony izany no mahatonga ny olon-dehibe mpianatra tsy maintsy omena tombontsoa ahafahany milaza ny fahalalany sy ny fanandramany teo amin’ny fiainana ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny olana. Rehefa mizara ny fahalalany sy ny fanandramany teo amin’ny fiainana izy ireo dia hianatra zavatra avy aminy ireo mpiara-mianatra aminy.

Page 40: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

ny Baiboly mialohan’ny hahatakaranao zavatra be dia be amin’izay lazainy. Matetika ny Baiboly fanaovana fandalinana no ahitana fampidirana voarakitra amin’ny takila roa na telo eo amin’ny fiandohan’ny boky tsirairay avy, ary ireny fampidirana ireny dia efa ampy amin’ny famakiana ny Baiboly. Raha toa ianao ka tsy manana Baiboly fanaovana fandalinana dia azonao atao ny mividy ny Baiboly vaovao “Andrews Study Bible” navoakan’ny Tonian’ny Famoaham-Boky any amin’ny Oniversite-Andrews, hita any amin’ny toeram-pivarotam-boky Advantista. Maro ny drafitra famakiana ny Baiboly manomboka any amin’ny Genesisy hatrany amin’ny Apokalypsy. Jereo ao amin’ny tranokalam-pifandraisana www….ny toro-marika ahitanao izany drafitra izany.

Page 41: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Lesona 13

MANOKANA FOTOANA HO AN’ANDRIAMANITRA Mandalina ny loharanon-kevitra Salamo 22:1, 2; Matio 26:36-40; Marka 1:35; 10:23-27; Lioka 5:15, 16; 6:12; Jaona 7:16, 17; 12:49, 50; 15:5-8; 17:15-19; I Korintiana 15:31. Mametraka ny tanjona iriana Ny mambra ao anatin’ny kilasy dia: ●Hahatakatra fa isika ihany koa dia afaka mifandray amin’i Jesosy, amin’ny alalan’ny fomba tahaka ny nampiasainy fony Izy tonga olombelona, izay nentiny nifandraisana tamin’ny Ray. ●Hanolo-tena hanaraka ny ohatr’i Jesosy, ka hitady fotoana hitokanana matetika iarahana amin’Andriamanitra. ●Afaka hanao ny drafitry ny fanoloran-tena ataon’ny tenany manokana, amin’ny alalan’ny fampiasana ireo singa tena ilaina amin’ny fiarahana amin’Andriamanitra. Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Matetika ny mambra vaovao ao amin’ny Fiangonana Advantista no mahatsapa hoe isaky ny mivily izy ireo dia hanehoana fepetra vaovao hatrany: Tandremo ny Sabata, aloavy ny amphafolony, aza mihinana an’ity, aza misotro an’iry. Noho izany antony izany indrindra no mahatonga ny hoe tsara kokoa ny fanoloran-tena isan’andro raha aseho ho toy ny tombontsoa, fifaliana, fotoana manokana iarahana amin’i Jesosy, fa tsy fepetra. Roa amin’ireo santionana fanoloran-tena naseho ao amin’ny lesona Zoma no mitaky ora iray ny fanaovana azy. Tsy ho tontosan’ny ankabeazan’ny mambra vaovao mihitsy ny fanajana izany fe-potoana izany. Mifantoha amin’ny fananana fotoana mangina iarahana amin’i Jesosy, fa tsy amin’ny habetsahan’ny fotoana. Ny fanombohana amin’ny alalan’ny fananana tanjona handany fotoana be dia be amin’ny vavaka ataon’ny tena manokana dia mety tsy hampahomby ny mambra vaovao ary handiso fanantenana azy. Amin’ny lafiny iray dia mety ho faly aok’izany izy ireny noho ny amin’ny fifandraisany vaovao miaraka amin’i Jesosy ka lasa atokany am-pifaliana ho fotoana manokana iarahana Aminy ny adin’ny iray isan’andro. Mahaiza manavaka sy mahatakatra tsara ny filàn’ny isambatan’olona ao amin’ny kilasinao. Manomana ny fitaovana ●Manaova dika mitovy amin’ilay taratasy natokana ho an’ny mambra tsirairay avy. Mariho fa ahitana hetsika roa ilay taratasy: “Lisitry ny Fanoloran-tena Atao ho an’ny Tena Manokana” ary “Lisitry ny Fanoloran-tena Ataon’ny Tena Manokana ho an’ny Hafa.” Koa satria tsy maintsy fotoana samihafa no hizaràna azy ireo, dia hetezo hizara roa aloha ilay taratasy. ●Tsy misy Fitsapam-Pahaizana ny fizaràna Zoma

Page 42: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Miomana hanomboka Safidy A: Manana toeram-pivavahana tena tianao indrindra ve ianao? Raha eny, aiza? Safidy B: Inona no fihaikana lehibe atrehanao amin’ny fanohizana hatrany ny fanoloran-tena isan’andro? Mikatsaka ao anatin’ny Teny ary mifanakalo hevitra momba ny olana Ny fifanakalozan-kevitry ny kilasy mandritra ity herinandro ity dia mampiasa ny ohatr’i Jesosy amin’ny maha-hevitra sy modely izany eo amin’ny fomba fifandraisantsika amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanoloran-tena sy ny fankatoavana isan’andro. Olana 1: Ny ohatr’i Jesosy. Koa satria mpianatr’i Jesosy isika, dia maka tahaka ny zavatra nataony. Hianarantsika ao anatin’ity lesona ity ny fomba nifandraisany tamin’ny Rainy, na dia tao anatin’ny endrika maha-olombelona aza Izy, tamin’ny alalan’ny vavaka, ny Soratra Masina, ary ny fankatoavana. Inona no zavatra nianaranao momba ny fiainam-bavak’i Jesosy? Misy andininy tena tianao indrindra milaza momba ny fiainam-bavaka nananany ve? (Andininy ho an’ity herinandro ity: Marka 1:35; Lioka 5:15, 16; 6:12) Inona no zavatra nianaranao momba ny loharanon’ny fampianaran’i Jesosy, ny Teniny, ary ny fahalalany? Misy andininy tena tianao mahakasika izany ve? (Andininy ho an’ity herinandro ity: Jaona 7:16, 17; 12:49, 50) Inona no zavatra nianaranao momba ny fifandraisana nisy teo amin’ny fankatoavan’i Jesosy sy ny fanakaikezany an’Andriamanitra? Asaivo vakian’ny olona iray amin’ny feo mafy ny Jaona15:5-10, aorian’ny fifanakalozan-kevitra. Ireo andininy ireo dia nalaina tao amin’ny Testamenta Vaovao, andalana momba ny “fitoerana” na “fijanonana” na “fivelomana” ao amin’i Jesosy.

Paikady fampianarana: hevero-hifanakalozy hevitra-zarao Io no paikady fampianarana fototra (sady mora) rehefa miara-mianatra ao anatin’ny tarika. Tsy mampitahotra ihany koa izy io ary mampirisika ny rehetra handray anjara. Mizara telo izy io: Hevero: Soratan’ny mpianatra tsirairay avy eo amin’ny taratasy kely ny valinteniny na ny heviny. Ny “Lisitry ny Fanoloran-tena Atao ho an’ny Tena Manokana” no ampiasana io ampahany amin’ny lesona io anio. Ifanakalozy hevitra: Mitodika amin’ny olona eo akaikiny ny mamabran’ny kilasy, ary miara-mijery ny valintenin’izy ireo tsirairay avy mahakasika ilay Lisitra. Azon’izy ireo resahina ny fahasamihafana misy. Matetika, toy ny amin’ny fianarana ataontsika anio, no asaina miara-manambatra zavatra ny olona tsiroaroa, na mamorona zavatra vaovao ankoatry ny hevitr’izy ireo tsirairay avy mihitsy. Zarao: Rehefa vita izany asa izany dia aoka ny mpampianatra hitarika ireo olona nandeha tsiroaroa ho amin’ny “fizaràna” ny hevitra natambatr’izy ireo, eo anatrehan’ny tarika iray manontolo. Azonao ampiasaina matetitetika io paikady io. Tsy ho lany andro mihitsy izy io.

Page 43: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Olana 2: Manahaka ny ohatr’i Jesosy. Mba hanahafana an’i Jesosy teo amin’ny fomba fifandraisany tamin’ny Ray dia tsy maintsy mifandray amin’ny ara-jeografia, ny fotoana, ary ny kolontsaina isika, mba ahafahana mametraka ny fanontaniana hoe: Ahoana no fomba ahafahako mampitovy ny fotoana manokana iarahako amin’i Jesosy, rehefa avy nandinika ny fomba nifandraisany tamin’ny Ray aho? Ho fanamorana ny zava-drehetra dia azontsika hafohezina amin’ny alalan’ny teny hoe ny “fanoloran-tena” ny “firaisana amin’i Jesosy”. Hojerentsika ao anatin’ny kilasy anio ny safidy amin’ny fanatanterahana ny fanoloran-tena ataon’ny tena manokana. Zarao amin’ny isam-batan’olona ny “Lisitry ny Fanoloran-tena Atao ho an’ny Tena Manokana”. Asaivo fenoin’izy ireo tsirairay avy mandritra ny minitra vitsy izany. Iaraho vakiana amin’izy ireo ny toro-marika raha ilaina izany, ahazoana antoka hoe mazava tsara amin’izy ireo ny zavatra angatahina aminy. (Tokony ho ampy hanaovana izany ny dimy minitra.) Asaivo mitodika amin’ny olona eo akaikiny amin’izay izy ireo (tsy vady, raha azo atao) ary mifanakalo hevitra momba ny valin-teniny avy. Aorian’ny minitra vitsy dia zarao indray ilay toro-marika momba ny “Lisitry ny Fanoloran-tena Atao ho an’ny Hafa” (Jereo any amin’ny Takila Fanampiny.) Asaivo miara-miasa amin’ilay namany izy ireo amin’ny famenoana io lisitra io. Hanangana drafitra iraisana izy ireo, kanefa samy afaka manoratra izany amin’ny taratasiny avy. Ny tanjona amin’ity hetsika ity dia ny hanampiana azy ireo hisaintsaina singa isan-karazany ary hiezaka haneho ny zavatra andrandraina aminy eo amin’ny tena zava-misy. Mety mitaky fotoana kely ny fanatontosana izany, kanefa hianatra (hamantatra) hatrany izy ireo eo am-panatontosana azy. Aza mbola milaza ny hevitrao aloha hatreto. Rehefa nahavita ny ankabeazan’ireo niaraka tsiroaroa dia atambaro indray ny tarika iray manontolo ary asaivo mizara ny hevitra niarahany nanapaka eo anatrehan’ny kilasy iray manontolo, ireo niaraka tsiroaroa. Asaivo milaza fizaràna iray isaky ny mandeha izy ireo. Atombohy amin’ny alalan’ny hoe: “Inona no heverinao ho singa manan-danja?” Asaivo mamaly ny tarika rehetra. Dia ataovy toy izany hatrany ny ampahany tsirairay ao anatin’ilay lisitra, ka samy milaza ny zavatra nataony tamin’ny ampahany tsirairay avy ireo niaraka tsiroaroa. Vitao ny ampahany iray vao mifindra amin’ny ampahany manaraka. Raha toa ka tian’ny mambran’ny kilasy ho fantatra ny hevitrao dia azonao lazaina azy ireo eto ny fomba fanatontosanao ny fanoloran-tenanao. Mampihatra eo amin’ny fiainana Ankehitriny àry, rehefa avy nandinika ny safidy maro ireo mambran’ny kilasy, eny nahavita namorona drafitra kapobeny mihitsy aza, dia ampirisiho izy ireo hanao drafitra fanokanan-tena ho an’ny tenany manokana isan’andro, rehefa tonga any an-trano. Asaivo manao fampiharana izy ireo amin’ity herinandro ity ary manao tatitra momba ny fanandramana nataony amin’ny fiarahan’ny kilasinareo mivory amin’ny manaraka. Misy zavatra tokony ovan’izy ireo ve?

Page 44: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Ampahatsiahivo azy ireo fa tokony entiny mody ireo Lisitra roa nataony tamin’ity herinandro ity. Hanampy azy ireo hamorona ny drafitry ny fanoloran-tenany manokana ireo lisitra ireo. Miomàna ho amin’ny telovolana manaraka Zarao ny Ambaratonga 2 amin’ny Tari-Dalana Fianarana Baiboly ho an’ny Mambra Vaovao.

Page 45: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

TAKILA FANAMPINY

Page 46: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Lesona 3: Mitantara ireo nanatri-maso (Hetezo hisaraka ireo andininy sy fanontaniana etsy ambany.)

Vakio ny Marka 8:27-30 Iza ireo vavolombelona nanatri-maso? Ahoana no hevitr’izy ireo momba an’i Jesosy? Inona no fototra niorenan’ny hevitr’izy ireo? ______________________________________________________________________________ Vakio ny Jaona 6:1-15 Iza ireo vavolombelona nanatri-maso? Ahoana no hevitr’izy ireo momba an’i Jesosy? Inona no fototra niorenan’ny hevitr’izy ireo? ______________________________________________________________________________ Vakio ny Jaona7:31 Iza ireo vavolombelona nanatri-maso? Ahoana no hevitr’izy ireo momba an’i Jesosy? Inona no fototra niorenan’ny hevitr’izy ireo? ______________________________________________________________________________ Vakio ny Jaona 7:45-49 Iza ireo vavolombelona nanatri-maso? Ahoana no hevitr’izy ireo momba an’i Jesosy? Inona no fototra niorenan’ny hevitr’izy ireo? ______________________________________________________________________________ Vakio ny Jaona 9:1-7, 25 Iza ireo vavolombelona nanatri-maso?

Page 47: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Ahoana no hevitr’izy ireo momba an’i Jesosy? Inona no fototra niorenan’ny hevitr’izy ireo?

Lesona 5: Fandravana ny Tombatombana

Ity no soso-kevitra ny amin’ny valim-panontaniana ao amin’ny Olana 1. Mety hahita tombatombana hafa ianao.

Nikodemosy Tombatombana Ny fomba nandravan’i Jesosy ny

tombatombana 1 – Hoe mpampianatra tsotra izay manam-pahefana i Jesosy

1 – Tsy misy olombelona mpampianatra izay manam-pahendrena sy fahefana toa Azy

2 – Hoe dokafan’ny fanamarihina ataony eny ampahibemaso i Jesosy

2 – Tsy niraraha ny fanamarihan’ny nataon’ny olona velively i Jesosy

3 – Hoe azo antoka ny famonjena Azy satria taranak’i Abrahama Izy

3 – Nilaza i Jesosy hoe tokony ateraka indray i Nikodemosy.

4 - 4 -

Ilay vehivavy teo am-patsakana Tombatombana Ny fomba nandravan’i Jesosy ny

tombatombana 1 – Hoe tsy hiresaka aminy i Jesosy satria Jiosy ny Tenany ary Samaritana kosa ravehivavy

1 – Niresaka taminy i Jesosy ary nanaja azy

2 – Hoe rano ara-bakiteny no noresahan’i Jesosy

2 – Ny Fanahy Masina no noresahan’i Jesosy (rano velona)

3 – Hoe mpaminany i Jesosy 3 – Nolazain’i Jesosy an-dravehivavy hoe Izy no Mesia

4 – Hoe zava-dehibe ny toerana izay ivavahan’ny olona iray

4 – Nilaza i Jesosy hoe tsy ny toerana fa ny “fanahy sy ny fahamarinana” no zava-dehibe amin’ny fivavahana

5 - 5 -

Ny Mpianatra Tombatombana Ny fomba nandravan’i Jesosy ny

tombatombana 1 – Hoe tsy tokony hiresaka amin’ny Samaritana ny Jiosy

1 – Niresaka tamin-kalalahana tamin’ilay vehivavy Samaritana i Jesosy

2 – Hoe mila hanina i Jesosy 2 – Nilaza i Jesosy hoe ny haniny dia ny manao ny sitrapon’Andriamanitra

Page 48: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

3 - 3 -

Page 49: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Lesona 6: “Miambina ny Làlana Hizoran’ny Fiainako”

Alahady

Fotoana Zavatra Atao

Alarobia

Fotoana Zavatra Atao

Alatsinainy

Fotoana Zavatra Atao

Alakamisy

Fotoana Zavatra Atao

Talata

Fotoana Zavatra Atao

Zoma

Fotoana Zavatra Atao

Page 50: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Page 51: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Lesona 7: “Maneho Setriny eo Anatrehan’ilay Fanomezana” Rehefa notahian’i Jesosy tamin’ny alalan’ny fanatrehany sy ny fanekeny na ny fanasitranany i Zakaiosy, Lesy Matio, ary ilay lehilahy nitoeran’ny fanahy ratsy, dia feno fakasitrahana aok’izany ny fon’izy ireo ary te-hanao fiovana teo amin’ny fiainany izy sady hana “zavatra tsara” ho an’i Jesosy ihany koa. Toy izany ihany koa ny valiny asetrin’ny fon’ireo izay sambany vao mihaona amin’i Jesosy amin’izao fotoana izao. Inona no azonao atao amin’ity herinandro ity, ho setrin’ny fanomezan’i Jesosy fiainam-baovao ho anao? Ireto misy soso-kevitra. Ento mody ity taratasy ity ary manapaha hevitra ny amin’izay zavatra tsara indrindra ataonao amin’ity herinandro ity. Mety ho anisan’ny soso-kevitra omena eto na tsia izany. ●Manoratra taratasy, na mitsidika olona iray izay tokony avelanao heloka na tokony hangatahinao famelankeloka. ●Raha mety dia manonitra ny fahotana sy ny fahadisoana vitanao tamin’ny lasa. ●Manasa ny namanao hiara-misakafo (hitsangatsangana, hanao fety, sns.) Ampahafantaro azy ireo ny zavatra nataon’i Jesosy teo amin’ny fiainanao. ●Ento any am-piangonana na amin’ny fivoriam-bavaka hafa ny fianakaviana na ny namana iray. Ny fanoloran-tena ataoko (azo tsy lazaina raha izay no tianao): ___________________________________________ ______________________________________________________________________________

Lesona 7: Ny hevitry ny olona momba ny “Mizatra sy Mandray Anjara.”

Ahoana no fomba fianaranao mifandray amin’ny fianakaviana vaovao ao am-piangonanareo? Amin’ny alalan’ny fomba ahoana no handraisanao anjara amin’ny fiainam-piangonana? Zava-dehibe tsara ho fantarin’ny mpampianatrao sy ny fiangonana ny valin’ireo fanontaniana ireo. Aoka ianao ho tsotra araka izay azo atao. Mariho avokoa ny valiny rehetra izay mifanaraka aminao. Hafiriana izay no nivavahanao teto amin’ity fiangonana ity, amin’ny maha-mambra na hafa? Olona firy no efa nifankazatra taminao hatramin’ny nanombohanao nivavaka tato amin’ity fiangonana ity? ___ Tsy misy ___ 1 – 3 ___ 4 – 6 ___ Maherin’ny 6

Page 52: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Impiry ianao no efa nasain’ny mambra tao am-piangonana hanatrika hetsika maneho firahalahiana (fiaraha-misakafo, lalao, fanatanjahan-tena na seho mifandraika amin’ny mozika, na hetsika fanao amin’ny Sabata hariva, sns.)? ___ Mbola tsy nisy mihitsy ___ 1 – 3 ___ 4 – 6 ___ Maherin’ny inenina Manana namana akaiky ato amin’ity fiangonana ity ve ianao? ____ Eny ____ Tsia Manao asa fanompoana ato am-piangonana ve ianao? ____ Eny ____ Tsia

Page 53: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Lesona 9: Fandalinana Tranga

Mampiasa ny Baiboly amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra: Ohatra A

Mpampianatra Filôzôfia tany amin’ny Oniversite-tany California Atsimo i Dallas Willard, ary nanoratra boky maro manan-danja momba ny ara-panahin’ny Kristiana. Tao anatin’ny boky iray nifantohany be dia be tamin’ny fomba famantarana ny sitrapon’Andriamanitra no nanazavany ny fomba nikatsahany ny Tenin’Andriamanitra rehefa handray fanapahan-kevitra. Nampiasa ny zavatra nantsoiny hoe “jiro telo” izy: (1) Andriamanitra tsapa ao anaty; (2) Andriamanitra miteny mangina; ary (3) ny fidirany an-tsehatra eo amin’ny manodidina. Miara-miasa izy telo ireo.

Nilaza izy hoe nihaino ny feon’Andriamanitra na hiatrika fanapahan-kevitra na tsia. Manokana fotoana handinihantena eo anatrehan’Andriamanitra isan’andro izy, ary mangataka ny Fanahy Masina haneho aminy ny fahamarinan’ny fitoeran’i Kristy ao anaty. Rehefa avy maneho ny fangatahany tari-dalana izy, dia “manokana ny ora manaraka amin’ny fanaovana hetsika izay tsy mamily ny fifantohana amin’ny zavatra hafa na tsy mamela ahy hifantoka be loatra amin’ilay zavatra tontosaina. Ny raharaha an-tokatrano, ny fikarakarana voninkazo, ny fandehanana mamita ireo adidy maro samihafa any ivelany, na ny fandoavana faktiora, dia samy vita avokoa. Matetika, isaky ny mifarana ny ora iray na mihoatra, dia mandalo ao an-tsaiko ny hevitra na ny fisaintsainana toetra manokana, fanahy, ary fifaliana noho ny amin’ny fahaizana mizatra ny feon’Andriamanitra. Raha izany tokoa ary dia azoko soratana hanaovana fandalinana manokana izany. Mety manapa-kevitra hiresaka momba io zavatra io amin’ny hafa hatrany aho, kanefa tsy milaza amin’izy ireny ny “zavatra nambaran’Andriamanitra ahy. . . .”

Mahazo valiny izy indraindray ao anatin’ny tontolo andro, tsy mampaninona azy anefa raha tsy izany no miseho. “Tohizako ihany ny asako ary entiko am-pahatokiana ny fiainako.” Mandray fanapahan-kevitra izy. “Ny fiainana hahenoana ny feon’Andriamanitra miteny dia tsy midika ho fanaovana tsinontsinona fitsarana ataon’ny tenanao manokana” (Hearing God - Mandre an’Andriamanitra, 1999, tt. 193-216). Araka ny hevitrao, inona no drafitr’i Willard tamin’ny fanatontosana ny asany teo am-piandrasana ny valiny? Impiry isika no tokony “hampiasa ny fitsarana ataon’ny tena manokana” rehefa mandray fanapahan-kevitra?

Mampiasa ny Baiboly amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra: Ohatra B Nisy Kristiana Evanjelistra iray fanta-daza nanazava ny fomba namantarany ny sitrapon’Andriamanitra tamin’ny sehatra iray. “Mandohalika isan’andro aho ary milaza hoe ‘Tompo o, te-hamantatra ny zavatra tianao ataoko aho, mihaino Anao aho. Mitenena amin’ny alalan’ny namako, ny boky, ny gazety boky raisiko sy vakiko, ary ny fandehan-javatra.’ ” Heverinao ve fa amin’ny alalan’ireny fitaovana ireny no hiasan’Andriamanitra mba hanehoany ny sitrapony? Azo hitokiana hoe sitrapon’ Andriamanitra ve izany fomba izany? Inona no zavatra tokony ovana amin’io fomba io? Nampiasa Baiboly ve io lehilahy io?

Page 54: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Mampiasa ny Baiboly amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra: Ohatra D Mamaky ampahany kely amin’ny Baiboliny i Janette-(anaram-bositra) isa-maraina,

ary efa eo amin’ny Filazantsaran’i Lioka izy izao. Rehefa nanomboka namaky ny Lioka 7:11-17 izy indray maraina, dia variana aok’izany tamin’ny alahelo tao am-pony. Nanambady tovovavy tsy Kristiana mantsy ny zanany lahy volana maromaro talohan’izao. Rehefa nandeha teny ny fotoana dia niala tamin’ny fiangonana ihany koa ny zanany lahy ary nihataka lavitra tamin’ny fomba fiaina Kristiana. Feno ranomaso ny masony ka tsy afaka namaky intsony izy. Rehefa nitony izy dia nieritreritra hoe: “Toa tsy fantatro akory hatramin’ny zavatra vakiako aza.” Noho izany dia naveriny novakiana indray ilay andininy. Momba ny nananganan’i Jesosy ny zanakalahin’ilay mpitondra tena no tao. Izao no novakiany: “Ary nony nahita an-dravehivavy ny Tompo, dia onena azy ka nanao taminy hoe: ‘Aza mitomany”. Nanohina ny fo tokoa ireo teny hoe “Aza mitomany” ireo. Tahaka ny teny nolazain’i Jesosy taminy mihitsy ireo teny ireo. Notohizan’i Janette ny vakiteny. Rehefa avy nanangana ilay zanakalahy tamin’ny maty i Jesosy dia izao no ambaran’ilay andininy: “Ary dia natolony tamin-deniny.” Tsy nampino an’i Janette hoe ny zavatra vakiany sy ny firafitr’ireo teny mihitsy no zavatra tena niriany ho tsapa amin’izao fotoana izao, izany hoe ny famerenan’i Jesosy ny zanany. Noho ny fahatsapany ny fanatrehan’i Jesosy tamin’io fotoana namakiany ny tantara io dia notakian’i Janette tahaka ny teny fikasana ireo teny ireo. Ho velona indray amin’ny maha-mpanaraka an’i Jesosy ny zanany indray andro any. Ireto avy ny fanapahan-kevitra natrehan’i Janette-mahakasika ny zanany: Ahoana no fomba hifandraisako amin’ny zanako? Inona no tokony hambarako azy? Inona no tsy tokony holazaiko? Tsy nahita valiny mahitsy tao amin’ny Baiboly ny amin’ny zavatra izay tokony lazainy na ataony amin’ny andro manaraka hihaonan’izy ireo izy. Notohizany hatrany anefa ny famakiany sy ny fandalinany ny Baiboly, ary notohizany ny fianarana ny fomba nifandraisan’i Jesosy tamin’ny olona sy ny karazan-toetra tian’i Jesosy ananany. Niaraka tamin’ireo teny ireo no “namerenan’i Jesosy ny zanany lahy tamin’ilay reny,” ary nahatsapa fiadanana izy.

Moa ve i Janette-mampiasa ny Soratra Masina rehefa handray fanapahan-kevitra? Raha eny, tsara ve ny fomba nampiasainy? Inona no zavatra tsara kokoa azony natao?

Page 55: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Lesona 10: Rindran-damina Mialoha

Ny fomba nampitan’Andriamanitra ny Teniny tamin’ireo mpanoratra ny Baiboly Testamenta Taloha Testamenta Vaovao

Ny fomba nampitan’Andriamanitra ny Teniny tamin’ireo mpanoratra ny Baiboly Testamenta Taloha Testamenta Vaovao

Page 56: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Lesona 11: Fampiharana ny Dingana 1 amin’ny Fandalinana Baiboly: Inona no tiany nambara fahiny?

Vakio ny Mat 22:34-40. Mampiasà loharanon-kevitra hamaliana ireto fanontaniana manaraka ireto na hanamarinana ny valinteninao. Raha toa ka tsy manana ny loharanon-kevitra ilaina ianao dia lazao eo ny loharanon-kevitra ilainao amin’ny famaliana ny fanontaniana. Indraindray ianao mety ahita valiny mihoatra noho ny iray avy amin’ny loharanon-kevitra samihafa. Aza atao tsinontsinona ny fanambaràna ao anatin’ny Baibolinao. Raha toa ka mahita valiny ao anatin’ny Baibolinao ianao dia mariho hoe taiza ny andininy nahitanao azy. 1. Ho an’iza no tena nanoratan’i Matio ny Filazantsarany? Mila fampiasana loharanon-kevitra 2. Iza ireo Sadoseo sy ny Fariseo? Mila fampiasana loharanon-kevitra

3. Andininy inona tany amin’ny Testamenta Taloha no naverin’i Jesosy fony Izy nilaza hoe, “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra”?

Mila fampiasana loharanon-kevitra

4. Andininy inona tany amin’ny Testamenta Taloha no naverin’i Jesosy fony Izy nilaza hoe: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao’ ”?

Mila fampiasana loharanon-kevitra 5. Inona no ambaran’ny “Lalàna” sy ny “Mpaminany”? Mila fampiasana loharanon-kevitra 6. Any amin’ny Filazantsara inona ankoatran’ny Matio no mandrakitra an-tsoratra io tranga io ihany koa? Omeo ireo andininy. Mila fampiasana loharanon-kevitra 7. Vakio ny fitantaran’ny filazantsatra hafa io tranga io. (Ampiasao ireo andininy napetrakao teo amin’ny #6.) Mariho ny fahasamihafana misy eo amin’ireo fitantarana. Aoka mba ho Baiboly iray ihany no ampiasaina amin’ny fampitahana atao. Mila fampiasana loharanon-kevitra

Page 57: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

8. Mariho amin’izay àry ny fitantaran’i Matio amin’ny dikan-teny samihafa nandikana ny Baiboly. Inona no teny mampiavaka ireo dikan-teny samihafa? Mila fampiasana loharanon-kevitra 9. Impiry no nampiasana ny teny hoe “didy” ao amin’ny Testamenta Vaovao? Inona no teny mifandray akaiky indrindra amin’ny teny hoe “didy” ao amin’ny Testamenta Vaovao? Mila fampiasana loharanon-kevitra 10. Inona no fampianarana lehibe nomen’i Jesosy tamin’ny valin’ilay fanontaniana hoe: “Inona no didy lehibe indrindra”? Mila fampiasana loharanon-kevitra

Page 58: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Lesona 11: Fanontaniana momba ny Fandalinana Baiboly

Tamin’ny Sabata teo, izany hoe talohan’ny nianaranao ity lesona ity momba ny “Fomba Fandalinana ny Baiboly” ity, dia aiza no hametrahanao ny fahafahana manakatra ny tian’ny Baiboly ambara? Mariho “X” eo amin’ny tsipika ery ambany, hanamarihina ny fahalalana ara-Baiboly nanananao tamin’ny Sabata lasa teo. Mariho “A” eo amin’ilay tsipika kosa ny fahalalanao anio. Mariho “*” ny toerana tianao hisy anao ao anatin’ny dimy taona. Tsy mahalala na inona Mahay ny fomba fampiasana Lasa manam-pahaizana momba ny Baiboly loharanon-kevitra Baiboly amin’ny famakafakana ny Baiboly |-----------------------------------------------------------------------------------------------------------------| Inona no tokony ataonao mba hanatraranao ireo tanjonao ao anatin’ny dimy taona? Tadiavo ao anatin’ny Baibolinao ireto loharanon-kevitra manaraka ireto: __ tenin’i Jesosy miloko mena __teny mialoha na fampidirana ny

fanafohizan-teny __ sarin-tany __marika mampifandray ny andininy __ kônkôrdansy __ fampidirana ny boky tsirairay ao amin’ny

Baiboly __ endrika tononkalo __fampahafantarana ny tantara rehetra

miverina ao amin’ny Filazantsara __ lohateny kely isaky ny tantara __ naoty famakafakana fohy Inona no loharanon-kevitra anananao handalinana ny Baiboly? ___ Baiboly misy fanampiana tsara ___ Kônkôrdansin’ny Baiboly ___ Baiboly fanaovana fandalinana ___ Famakafakana ny Baiboly ___ Raki-bolan’ny Baiboly ___ Fikarohana amin’ny alalan’ny solosaina,

ahitana ny fitambaran’ireo rehetra voalaza teo ambony teo

Inona no loharanon-kevitra tianao ananana indrindra? ___ Baiboly misy fanampiana tsara ___ Kônkôrdansin’ny Baiboly ___ Baiboly fanaovana fandalinana ___ Famakafakana ny Baiboly ___ Raki-bolan’ny Baiboly ___ Fikarohana amin’ny alalan’ny solosaina,

ahitana ny fitambaran’ireo rehetra voalaza teo ambony teo

Page 59: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Lesona 12: Fampiharana ny Dingana 2 amin’ny Fandalinana ara-Baiboly: Inona no tiany ambara amiko amin’izao fotoana izao?

Misokatra amin’ny fahasoavan’Andriamanitra isika rehefa mandray ny dingana faharoa amin’ny fandalinana ny Teniny. Ireto misy dingana natao ahalalana ny “hevitra tian’ny Teny ambara amiko”: 1. Mamaky ny andininy amim-piheverana tsara. 2. Misaintsaina ilay andininy. 3. Mivavaka ho an’ny fampiharana ilay andininy. 4. Mifidy fehezanteny na hevitra ho tadidianao. Hanaovantsika fampiharana eto ny Dingana 2, mitovy amin’ilay takila nampiasaintsika tamin’ny Dingana 1. Ao amin’ny Matio 22:34-40 ilay andininy. 1. Vakio amim-pitandremana ilay andininy. Asaivo vakian’ny olona iray ao anatin’ny tarika misy anao ilay andininy. Midira ao anatin’ny tantara amin’izay, amin’ny alalan’ny fampiasanao ny fakanao sary an-tsaina fotsiny. Alaivo sary an-tsaina ny zava-niseho. Moa ve afaka miara-mandray anjara amin’ny mpandray anjara sasany ao ianareo? 2. Saintsaino ilay andininy. Ny fomba voalohany hisaintsainana ny andininy dia ny fametrahana fanontaniana fampiharana amin’ny tenanao, izay mivoitra avy ao amin’ilay andininy. Manaova lisitry ny fanontaniana fampiharana. (Ny fanontaniana fampiharana matetika dia manomboka amin’ny hoe: “Moa ve aho . . . ?” na “Mba manao ahoana moa raha toa ka . . . ?” na “Ahoana no ahafahako . . . ?” na “Inona no antenain’i Jesosy amiko mahakasika ny . . . ?”) 3. Mivavaha ho an’ny fampiharana ilay andininy. Soraty fohifohy ny vavaka ivoaka avy amin’ny fanontaniana fandinihan-tena nataonao.

4. Mifidiana fehezanteny na hevitra hotadidianao. Manaova lisitry ny fehezanteny na hevitra fototra telo na efatra nisongadina avy amin’ilay andalana. Mariho * eo akaikin’ny iray izay tianao “hotadidiana” anio, hosaintsainina eny am-panaovanao ny asa aman-drarahanao.

Page 60: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

Lesona 13: Lisitry ny Fanoloran-tena Atao ho an’ny Tena Manokana Rehefa avy nandalina ny lesona ara-Baiboly tamin’ity herinandro ity ianao dia ampiasao ireo Lisitra, hisaintsainanao momba ny fanoloran-tena ataonao manokana na fotoana iarahana amin’Andriamanitra. Mariho (√) eo alohan’izay heverinao ho manan-danja ao amin’ny fanoloran-tena ataonao, amin’ireto manaraka ireto. ___ vavaka ___ mihaino hira ___ mihira na milalao zava-maneno ___ diary ___ mamaky Baiboly ___ mandalina boky ao amin’ny Baiboly ___ mamaky boky fandinihan-tena ___ mianatra ny leson’ny Sekoly Sabata ___ mamaky na manao vavaka Salamo ___ mamaky ny tari-dalana ho an’ny vavaka ___ mandini-tena isan’andro ___ hafa __________________________ Ho fanampin’ireo singa nomarihinao hoe manan-danja ho an’ny fanoloran-tenanao, dia inona no singa fanampiny (avy amin’ny lisitra etsy ambony na any amin’izay toerana ahitanao izany) izay tianao hanampiana ny fanoloran-tena ataonao raha manam-potoana ianao? Etsy andanin’ireo fanoloran-tena nataonao dia misy singa hafa manan-danja izay manome tombambidy ny fanoloran-tenanao sy ny ampahany amin’ny fiainanao manomboka izao. Valio ny fanontaniana tsirairay avy etsy ambany. Isa (Mariho izay isa tena mety indrindra aminao amin’izao vanim-potoana iainanao izao.) ___ indroa isan’andro ___ indray isan’andro ___ intelo hatramin’ny indimy isan-kerinandro ___ indray mandeha isan-kerinandro Faharetany (Mariho ny faharetan’ny fotoana tianao atokana ho an’ny fanoloran-tena isan’andro.) ___ 5-10 min. ___ 15 min. eo ho eo ___ about 30 min. ___ ora 1 eo ho eo ___ maherin’ny ora 1 Toerana (Farito ny toerana tianao hanatontosana ny fanoloran-tena ataonao.)

Lesona 13: Lisitry ny Fanoloran-tena Ataon’ny Tena Manokana ho an’ny hafa

Mila mamorona lisitr’ireo fanoloran-tena “fototra” izay azonareo anankiroa asaina ampiharin’ny hafa ianareo. Mariho (√) manoloana ny singa tsirairay avy izay heverinao ho manan-danja . ___ vavaka ___ mihaino hira ___ mihira na milalao zava-maneno ___ diary ___ mamaky Baiboly ___ mandalina boky ao amin’ny Baiboly

Page 61: Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUMioum.adventist.org/site_data/11/assets/0000/3292/Tari-dalana_ho_an... · Mifantoka amin’ny filàn’ny mambra vaovao Raha vao manaiky an’i Jesosy

Sekoly Sabata & Asa Fitoriana IOUM

___ mamaky boky fandinihan-tena ___ mianatra ny leson’ny Sekoly Sabata ___ mamaky na manao vavaka Salamo ___ mamaky ny tari-dalana ho an’ny vavaka ___ mandini-tena isan’andro ___ hafa __________________________ Etsy andanin’ireo fanoloran-tena nomarihinao hoe manan-danja dia inona no singa fanampiny (avy amin’ny lisitra etsy ambony na any amin’izay toerana ahitanao izany) amporisihanao ataon’ny olona raha manam-potoana izy?__________________________________________ Isa (Mariho izay isa tena mety indrindra aminao amin’izao vanim-potoana iainanao izao.) ___ indroa isan’andro ___ indray isan’andro ___ intelo hatramin’ny indimy isan-kerinandro ___ indray mandeha isan-kerinandro Faharetany (Mariho ny faharetan’ny fotoana tianao atokana ho an’ny fanoloran-tena isan’andro.) ___ 5-10 min. ___ 15 min. eo ho eo ___ about 30 min. ___ ora 1 eo ho eo ___ maherin’ny ora 1