tafatafa janvier 2013

2
“Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo » (Fil 4,4) Tahaka an’i Don Bosco, andao entintsika any amin’iJesoa ny tanora amin’ny alalan’ny fanabeazana ao anatin’ny hatsaram- panahy (Recteur Majeur 2013) (tohiny) Ny fanabeazana no tena hita sy hibahana indrindra amin’ny resaka ataontsika amin’ity taonan’ny finoana ity, manoloana ny tranga-javatra maro isan-karazany. Raha nanao tombana ny fomba fanabeazana tokoa moa ny tenako nandritra an’izay taona maromaro niainana tao anatin’ny fanabeazana izay, hatramin’izay ka hatramin’izao, dia hita sy tsapa fa anisan’ny asa tena sarotra izy amin’izao vanim-potoana iainantsika ankehitriny izao ary tsikaritra mihasarotra sy mafy hatrany ny asa miandry ny mpanabe araka ny handrosoan’ny taona. Toa miatrika petrak’olana vaovao hatrany araka ny fitomboany ny taom-panabeazana, noho izany mitaky ezaka sy finiavana lalina arak’izany ity fanabeazana izay imatimatesany Fiangonana ity. Asan-Janahary e! Ka ankinina aminy ny fahombiazana, satria raha tsy diso ny fitadidiako dia mpanompo tsy mendrika ihany isika rehetra ao anatin’ny fanabeazana. Mitaky finoana velona ao amin’ny tsirairay ihany koa anefa izany, mitaky finoana iray, satria Fiangonana iray isika, ary ny fiandohany tsy iza fa Andriamanitra tokana olona telo, fitiavana lalina mamerovero ary ny filohany tsy iza fa i Kristy izay nanangona antsika firenena rehetra ho vatana iray, ny fanahiny dia ny Fanahy Masina izay nanambatra antsika ho mpino miombona ao aminy. Finoana iray ny azy, fiainana iray ao amin’ny sakramenta, fiombonana an’ireo mandimby ny Apostoly ary fitiavana iray. Mitaky finoana arahan’asa aok’izany ny sehatra fanabeazana, izany hoe sahady ao anatin’ny fitoriana ny Vaovao mahafaly rahateo ary ny votoatin’ny fitoriana ny Vaovao mahafaly ataontsika dia i Kristy ilay Tenin’Andriamanitra tonga nofo, nofo zary tonga mofo, mamelona antsika Fiangonany, mofo zary tonga aina izy ka, tonga fiainana mandrakizay. Aiza ho aiza ary izao no misy ny fanabeazana? Ary ny lahika, moa ve voatery tsy maintsy hiandry an’ireo pretra sy relijiozy ireo ihany isika vao afaka manantanteraka zavatra tsara ao anatin’ny fanabeazana? Mofo iray ihany isika rehetra,vatana iray, Batemy iray, Andriamanitra iray, izy no raintsika rehetra ambonin’ny zavatra rehetra. Tsarovy fa zavatra iray monja ihany koa no ampy tadiavintsika dia ny mihaino ny tenin’Andriamanitra sy miaina azy ampitandremana, tahaka ny nataon’ny Masina Maria izay nanaiky sy nandray ny teny tao aminy.” Inty aho ankizivavin’ny Tompo aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao.”(Lk 1,38). Ry tanora namana! Aoka isika ho eny lalandava ao amin’ny sahan’ny Tompo, ary todiho ihany koa i Don Bosco, banjino ny fomba fanabeazany, ary vohay varavarana ny Tompo. Simon Taona faha-15 N° 02 Volana janoary 2013 ARAHABA TRATRIN’NY TAONA VAOVAO 2013 IABY TSIKA E ! Samy ho tahian’Andriamanitra anie isika ka haharitra mandrakizay ao amin’ny sahan’izy Tompo !

Upload: don-bosco-madagascar

Post on 06-Apr-2016

219 views

Category:

Documents


1 download

DESCRIPTION

 

TRANSCRIPT

Page 1: TAFATAFA JANVIER 2013

“Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo » (Fil 4,4)

Tahaka an’i Don Bosco, andao entintsika any amin’iJesoa

ny tanora amin’ny alalan’ny fanabeazana ao anatin’ny hatsaram-

panahy (Recteur Majeur 2013)

(tohiny)

Ny fanabeazana no tena hita sy hibahana indrindra

amin’ny resaka ataontsika amin’ity taonan’ny

finoana ity, manoloana ny tranga-javatra maro

isan-karazany. Raha nanao tombana ny fomba

fanabeazana tokoa moa ny tenako nandritra

an’izay taona maromaro niainana tao anatin’ny

fanabeazana izay, hatramin’izay ka hatramin’izao,

dia hita sy tsapa fa anisan’ny asa tena sarotra izy

amin’izao vanim-potoana iainantsika ankehitriny

izao ary tsikaritra mihasarotra sy mafy hatrany ny

asa miandry ny mpanabe araka ny handrosoan’ny

taona. Toa miatrika petrak’olana vaovao hatrany

araka ny fitomboany ny taom-panabeazana, noho

izany mitaky ezaka sy finiavana lalina arak’izany

ity fanabeazana izay imatimatesany Fiangonana

ity. Asan-Janahary e! Ka ankinina aminy ny

fahombiazana, satria raha tsy diso ny fitadidiako

dia mpanompo tsy mendrika ihany isika rehetra ao

anatin’ny fanabeazana. Mitaky finoana velona ao

amin’ny tsirairay ihany koa anefa izany, mitaky

finoana iray, satria Fiangonana iray isika, ary ny

fiandohany tsy iza fa Andriamanitra tokana olona

telo, fitiavana lalina mamerovero ary ny filohany

tsy iza fa i Kristy izay nanangona antsika firenena

rehetra ho vatana iray, ny fanahiny dia ny Fanahy

Masina izay nanambatra antsika ho mpino

miombona ao aminy. Finoana iray ny azy, fiainana

iray ao amin’ny sakramenta, fiombonana an’ireo

mandimby ny Apostoly ary fitiavana iray. Mitaky

finoana arahan’asa aok’izany ny sehatra

fanabeazana, izany hoe sahady ao anatin’ny

fitoriana ny Vaovao mahafaly rahateo ary ny

votoatin’ny fitoriana ny Vaovao mahafaly

ataontsika dia i Kristy ilay Tenin’Andriamanitra

tonga nofo, nofo zary tonga mofo, mamelona

antsika Fiangonany, mofo zary tonga aina izy ka,

tonga fiainana mandrakizay. Aiza ho aiza ary izao

no misy ny fanabeazana? Ary ny lahika, moa ve

voatery tsy maintsy hiandry an’ireo pretra sy

relijiozy ireo ihany isika vao afaka

manantanteraka zavatra tsara ao anatin’ny

fanabeazana? Mofo iray ihany isika rehetra,vatana

iray, Batemy iray, Andriamanitra iray, izy no

raintsika rehetra ambonin’ny zavatra rehetra.

Tsarovy fa zavatra iray monja ihany koa no ampy

tadiavintsika dia ny mihaino ny

tenin’Andriamanitra sy miaina azy

ampitandremana, tahaka ny nataon’ny Masina

Maria izay nanaiky sy nandray ny teny tao

aminy.” Inty aho ankizivavin’ny Tompo aoka ho

tanteraka amiko araka ny teninao.”(Lk 1,38). Ry

tanora namana! Aoka isika ho eny lalandava ao

amin’ny sahan’ny Tompo, ary todiho ihany koa i

Don Bosco, banjino ny fomba fanabeazany, ary

vohay varavarana ny Tompo.

Simon

Taona faha-15 – N° 02

Volana janoary 2013

ARAHABA

TRATRIN’NY TAONA VAOVAO 2013 IABY TSIKA E !

Samy ho tahian’Andriamanitra anie isika ka haharitra mandrakizay ao

amin’ny sahan’izy Tompo !

Page 2: TAFATAFA JANVIER 2013

NY TSIAMBARATELON’NY FAHOMBIAZANA: Aza menamenatra, tohero ny fisalasalana misy ao aminao.

Mifantoha amin’ny zavatra iray ary ataovy izay hampahiratra anao amin’io sehatra io;

Manaova zavatra ampitiavana fa tsy nohon’ny vola, fa ny vola manaraka ihany.

Manàna faharetana na dia latsaka ankaterena aza.

Mikiriza na ara-batana na ara-tsaina na aram-panahy.

Mikeleza aina satria tsy misy zavatra vita mora.

Jeannot

FIFANDRAISANA

Mba hisian’ny fifandraisana mahomby sy mizotra tsara eo amin’ny mpanabe sy ny beazina ary mba

ho tsara ny fanabeazana dia:

- manaiky aho raha misy tokony hovana eo amin’ny fihetsiko.

- Manaiky fa ny hafa koa dia afaka miova.

Simon

FISA N°02 : Inona ary izany: “Zavatra nandalovana tsy nomen-danja, raha iverenana izy fa tsy tazana eo amin’ny toerany

intsony”

VALIN’NY FISA N° 01 “Satria tsy mahay manisa ny voalavo”

BILAGY : TSY FIFANKAZAHOA RESAKA

Nandro amin’ny dosy amoron’ny arabe izay tsy nisy tafo ity vazaha lahy anakiray ity. Io dosy io anefa

hatreo amin’ny tratrany ny haavony.

Ery am-pitan’ny arabe kosa anefa misy vehivavy anakiray nivarotra ZEVY(voankazo).

MPIVAROTRA: aty misy zevy mora vidy, zevy o! Zevy o!

MPITANTARA: Gaga ilay vazaha ka nijerijery ny dosy izay iandroany, sao misy loadoaka.

MPIVAROTRA: zevy o!zevy o!

VAZAHA: Eh! Madame, mais qu’est ce que tu fais? Tu est malade ou quoi?

MPIVAROTRA: zevy monsieur! Zevy Monsieur!

MPITANTARA: tezitra ilay vazaha fa heveriny hitan’ity vehivavy mpivarotra ity izy ao amin’ny dosy ka,

lasa nanantona azy ary namely tehamaina,dia lasa izy avy eo.

MPIVAROTRA: adala angaha ity vazaha ity! Fa naninona azy aho? Zevy e! Zevy e!

VAZAHA: Elle est malade.

Sylvestre

Mpandrindra ny TAFATAFA SAMY TANORA :

Oratorio Don Bosco – Mahavatse

Adiresy hifandraisana :

Salésiens Don Bosco – Mahavatse

BP– 69 TOLIARA – 601 -

Tél. Tsy tadidy

E-mail: [email protected]