tatitra momba ny atrikasa mikasika ny fiovaovan ......action de carême, postfach 2856, 6002...
TRANSCRIPT
-
Mandrindra Aina
Consulting
TATITRA MOMBA NY ATRIKASA MIKASIKA
NY FIOVAOVAN’NY TOETRANDRO TAO MAHAVANONA
KAOMININA AMBANIVOHITRA AMBODIMANGA II
DISTRIKA FENOARIVO-ATSINANANA
FARITRA ANALANJIROFO
21 – 25 AOGOSITRA 2017 Mpanoratra :
Héman Ramananjafy
Diary Ratsimanarihaja
Harisoa Rabevohitra
-
Editeur
Texte
Héman Ramananjafy, Tsinjo Aina Fenoarivo Antsinanana
Diary Ratsimanarihaja, Mandrindra Aina, coordination Action de Carême
Harisoa Rabevohitra, Savaivo
Images
Couverture : Maryline Bisilliat, Pain pour le Prochain
Pain pour le prochain est le service des Eglises protestantes suisses pour le
développement. L’organisation soutient quelques 400 projets et programmes de
développement dans plus de 60 pays d’Afrique, d’Asie et d’Amérique latine. En matière de
politique de développement, Pain pour le prochain s’engage pour des structures socio-
économiques internationales plus équitables, ainsi que pour le respect des droits humains et
des conditions de travail au Sud.
Pain pour le prochain, Bürenstrasse 12, 3007 Bern/Suisse
+41 31 380 65 65, [email protected]
www.bfa-ppp.ch
Action de Carême est l’œuvre d’entraide des catholiques en Suisse. Nous nous engageons
aux côtés de personnes défavorisées, pour un monde plus juste, un monde sans faim et
sans pauvreté. Nous promouvons des changements sur le plan social, culturel, économique
et individuel afin de favoriser des dynamiques de transformation vers un mode de vie
durable. Nous collaborons avec des organisations locales dans 14 pays en Afrique, en Asie
et en Amérique latine. Nous nous engageons également en Suisse et sur le plan
international. Action de Carême œuvre depuis près de 25 ans à Madagascar. Vers la fin des
années 1990, elle a créé le programme Tsinjo Aina en réponse au problème de la dette.
Action de Carême, Postfach 2856, 6002 Luzern/Suisse
+41 41 227 59 59, [email protected]
www.actiondecareme.ch
Savaivo est un bureau d’étude malgache actif dans le domaine de l’environnement et du
développement rural. Il a été créé en juillet 1998 par quatre chercheurs du Projet Terre Tany
afin de valoriser les acquis de la recherche. Savaivo met ses compétences à disposition de
divers organismes tant publics que privés. Ses axes d’intervention s’articulent autour de la
problématique de gestion durable des ressources naturelles, et sont constitués par des
formations et des diverses études / évaluations et développement d’outils.
Savaivo, BP : 8186 Bâtiment DRFP/FOFIFA Ambatobe, 101 Antananarivo/Madagascar
+261 20 22 402 01, [email protected]
www.savaivo.com
Mandrindra Aina
Consulting
mailto:[email protected]://www.bfa-ppp.ch/mailto:[email protected]://www.actiondecareme.ch/mailto:[email protected]://www.savaivo.com/
-
1
Fijeren-takelaka
Fijeren-takelaka 1
Lisitry ny fanafohezan-teny 2
Lisitry ny sary 2
Fampidirana 3
1 Ny Fokontany Mahavanona 3
1.1 Famaritana ara-jeografia 3
1.2 Ara-tantara 4
1.3 Ireo tranga tena nanamarika 5
1.4 Ny ara-tsosialy 5
1.5 Fomba amam-panao 5
1.6 Fampianarana 6
1.7 Fidiram-bolan’ny mponina: fambolena, taozavatra sy asa tànana 6
2 Atrikasa mikasika ny fiovaovan’ny toetrandro 8
2.1 Saritany mampiseho ny tranga mety hitera-doza (Carte des aléas) 8
2.2 Tetiandro (calendrier saisonier) 9
2.3 Fanadihadiana momba ny faharefoana (Matrice de vulnérabilité na kisary maneho
ny faharefoana) 10
2.4 Ireo vokadratsy ateraky ny tranga mety hitera-doza sy ireo paikady enti-miatrika
izany (Aléas-Impacts-Stratégies de reaction) 12
2.5 Paikady entina miara-miaina amin’ny fiovaovan’ny toetrandro (Stratégies
d’adaptation) 14
2.6 Toromarika sy soso-kevitra (recommandations) 17
Famaranana 19
Lisitry ny mpizaika 20
-
2
Lisitry ny fanafohezan-teny
EPRACC Evaluation Participative des Risques liées au climat et aux catastrophes
CISCO Circonscription Scolaire
CSA Centre de Service Agricole
CTHT Centre Technique Horticole de Tamatave
FRAM Fikambanan'ny ray aman-drenin'ny mpianatra
UNICEF United Nations International Children's Emergency Fund (Fonds des Nations
Unies pour l'Enfance)
Lisitry ny sary
Sary 1: Ny Fokontany Mahavanona .................................................................................................. 4
Sary 2: Paompy napetraky ny CTHT ao Mahavanona ................................................................... 5
Sary 3: Firaisankina sy fandriaka mbola hita eo an-toerana ......................................................... 6
Sary 4: Ny Sekoly fanabeazana fototra ao Mahavanona............................................................... 6
Sary 5: Alambic (ankavia) ary zana-jirofo (ankavanana) ............................................................... 7
Sary 6: Saritanin'ny Tanàna Mahavanona nataon'ny lehilahy (ankavia) ary nataon'ny
vehivavy (ankavanana) ....................................................................................................................... 9
Sary 7: Tetiandro nataon'ny lehilahy (ankavia) ary anataon'ny vehivavy (ankavanana) ........ 10
Sary 8: "Matrice de vulnérabilité" nataon'ny lehilahy .................................................................... 11
Sary 9: "Matrice de vulnérabilité" nataon'ny vehivavy .................................................................. 12
Sary 10: Voka-dratsy ateraky ny tranga sy ny paikady enti-miatrika izany (nataon’ny lehilahy)
.............................................................................................................................................................. 13
Sary 11: Voka-dratsy ateraky ny tranga sy ny paikady enti-miatrika izany (nataon'ny
vehivavy) .............................................................................................................................................. 14
Sary 12: Sakana tsy ahavitana ireo paikady enti-miatrika ........................................................... 15
Sary 13: Vokatry ny fifidianana ireo paikady entina miara-miaina amin'ny fiovaovan'ny
toetrandro ............................................................................................................................................ 16
Sary 14: Ireo solontenam-panjakana nanatrika ny fanakatonana tamin'ny fomba ofisialy ny
atrikasa ................................................................................................................................................ 18
-
3
Fampidirana
Tsapa ankehitriny ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetrandro eo amin’ny fiainan’ny
mponina. Nohon’ny faharefoan’izy ireo indrindra ara-toekarena dia voafetra ihany ny fomba
sy ny paikady entiny iatrehana izany voka-dratsin’ny fiovaovan’ny toetrandro izany.
Ilaina araka izany ny mihevitra io olana io ao anatin’ny tetikasa fampandrosoana. Noho izany
indrindra no nanatanterahina ny “Atrikasa mahakasika ny fiovaovan’ny toetrandro sy ny
fampihenana ny loza mety aterak’izany” izay nifarimbonan’ny Pain Pour le Prochain, ny
Action de Carême ary ny Savaivo.
Miisa 8 ireo izay nitarika izany atrikasa izany:
- Maryline Bisilliat, Pain Pour le Prochain
- Diary Ratsimanarihaja, Action de Carême
- Harisoa Rabevohitra, Savaivo
- RAMANANJAFY Héman, Tsinjo Aina Fenoarivo Atsinanana
- RAZAFINIARIVO Princy Haingon'Olia, Tsinjo Aina Boeny
- DIMY Flavien, Tsinjo Aina Foulpointe
- RAOLINIRINA Jeanne Marie Solange, Tsinjo Aina Mananjary
- RASOLONIAINA Brichard, Tsinjo Aina Brickaville
30 no isan’ireo mpizaika izay mitsinjara ho toy izao: ny 15 dia lehilahy ary ny 15 ambiny kosa
dia vehivavy, nozarazaraina ho tarika (groupe) maromaro izy ireo mba ahafahana
manangona hevitra manandanja kokoa sy ahafahana miady hevitra tsara. Ireo mpizaika ireo
dia avy amin’ny sokajin’olona sy sokajin-taona rehetra: vehivavy, lehilahy, mpamboly na
manao asa hafa, ny solontenam-panjakana tao amin’ny Kaominina sy Fokontany, ireo Ray
Aman-dreny ara-panahy sy ara-drazana, ireo tanora ao an-toerana.
Ny atrikasa dia natao ny 21 ka hatramin’ny 25 Aogositra 2017. Mba hahafahan’ny mpandray
anjara maneho hevitra tsara dia natokana ho an’ny vehivavy manokana ny Alarobia 23
Aogositra ary ho an’ny lehilahy kosa ny Alakamisy 24 Aogositra fa ny 22 sy ny 25 Aogositra
no niarahan’ny rehetra.
1 Ny Fokontany Mahavanona
1.1 Famaritana ara-jeografia
MAHAVANONA dia 10km miala an’ny Kaominina Ambonivohitr’i Fenoarivo Atsinanana
renivohitrin’ny Faritra Analanjirofo ary 2,5km manamorona ny lalam-pirenena faha-dimy
(RN5).
Ireo Fokontany manodidina azy :
-
4
Avaratra: Fokontany Ambalasorona
Atsimo: Fokontany Manakambahiny
Andrefana: Fokontany Marijaoma, Sahatsara
Atsinanana: Fokontany Antetezampafana
Toetrandro tropikaly mafana ary saiky ahitana orana foana mandavan-taona no hita ao an-
toerana.
Sary 1: Ny Fokontany Mahavanona
1.2 Ara-tantara
Ny niandohan’ny hoe: Mahavanona dia avy amin’ny tanàna atao hoe: Analamanga,
atsimo andrefan’ny Mahavanona no misy azy io; io toerana io mantsy dia nitrangana
valan’aretina: gripa mahery, pesta sns, izay nahafatesan’ olona maro. Ka noho izany dia
voatery nifindramonina tao amin’ny tanàna atao hoe Ambodivoangy ny olona sisa tsy
matin’ny valan’aretina, kanefa tsy nahasakana ny fiparitahany izany ka mbola nitohy hatrany
ny valan’aretina tamin’io toeran’io izay mbola nahafatesan’olona maro ihany koa. Farany dia
nanapakevitra ny samy hiparitaka amin’ny toerana noheveriny fa nahamety azy ny
fianakaviana tsirairay.
Tamin’ny taona 1925, dia niverina nipetraka tao Ambodivoangy ihany i Njakatsara sy Tembo
nanatanteraka fomban-drazana satria noheverina fa avy amin’ny fomban-drazana (joro) tsy
notanterahina no nahatonga ny valan’aretina. Rehefa vita ny joro natao amin’ny tanàna dia
toa nahazo fahasalamana avokoa ny ankamaroan’ny mponina ary foana ny valan’aretina,
vanona ara-pahasalamana izy ireo ka raikitra ny anaran-tanàna hoe : Mahavanona.
-
5
1.3 Ireo tranga tena nanamarika
Tamin’ny Martsa 2015, dia nisehoan’orambe nivatravatra izay niteraka tondradrano io
tanàna io, ka nahasimba ny ankamaroan’ny volin’ny tantsaha ary tapaka ny tetezana
nampitohy ny tanàna. Ny fandalovan’ny rivo-doza Enawo tamin’ny Martsa 2017 dia
nahasimba tanteraka koa ny voly variny, dibo-drano ny tanimbarin’izy ireo, simba ny
akamaroan’ny voly fihinam-boa sy ireo voly fanondrana toy ny jirofo.
1.4 Ny ara-tsosialy
Miisa eo amin’ny 675 ny mponina ao Mahavanona ary ny 361 amin’ireo dia vehivavy.
Mbola azo lazaina fa sahirana amin’ny rano fisotro madio ny mponin’ny Mahavanona na dia
teo aza ny fametrahan’ny CTHT (Centre Technique Horticole de Tamatave) ny mpaompin-
drano iray tao an-toerana. Marihina fa tamin’ny fandalovanay tany an-toerana dia tsy miasa
intsony io paompy io.
Sary 2: Paompy napetraky ny CTHT ao Mahavanona
Mbola vitsiana an’isa ny olona mampiasa finday ao an-toerana na dia rakotra tambazotra
karazany telo aza ny faritra dia ny Airtel, Orange sy TELMA. Ny Tam tam na “Allô Allô” no
mba hany fomba fiatsoana ny vahoaka rehefa hisy fivoriana tian’ny Mpitondra hotanterahina
ao an-toerana.
1.5 Fomba amam-panao
Mitana andraikitra lehibe ny amin’ny fitondrana ny vahoaka ny Sefom-pokontany sy ny
mpitondra ara-drazana toy ny tangalamena.
Ahitana fiangonana toy ny: Katolika, Advantista, Advantista Sisa, ary Fiainan-dalina i
Mahavanona.
-
6
Anisan’ny andro fady tsy azo iasana eny an-tsaha ny andro Talata sy Alakamisy araka ny
finoan-dry zareo. Mankato ny fomban-drazana toy ny Tsaboraha (famadihana) mantsy ny
olona ety an-toerana mba ahazoana ny tso-drano avy amin’ny razana. Mbola hita taratra eo
anivon’ny fiaraha-monana ny firaisan-kinam-pokonolona, ny asa valin-tanana sy ny
fandriaka izay tsara sy tokony hotohizana hatrany.
Sary 3: Firaisankina sy fandriaka mbola hita eo an-toerana
1.6 Fampianarana
Manana sekoly fanabeazana fototra i Mahavanona, ary saiky mampiana-jaza ao
avokoa ny ankamaroan’ireo ray aman-dreny ao an-toerana.
Sary 4: Ny Sekoly fanabeazana fototra ao Mahavanona
1.7 Fidiram-bolan’ny mponina: fambolena, taozavatra sy asa tànana
Ny fambolena no tena foto-piveloman’olona, ka ny voly fanondrana toy ny letisy, vanila
indrindra fa ny jirofo no tena miantoka ny fidiram-bolan’ny mponina ankoatra ireo voly atao
sakafo toy ny voly vary, mangahazo, vomanga, sns. Na eo aza anefa ny ezaka tian’izy ireo
atao dia mbola maro ireo sakana manembatsembana ny fambolena ataon’izy ireo, ka
anisan’ny mibahan-toerana amin’izany:
Ny tsy fisian’ny tohadrano izay ilain’izy ireo amin’ny fifehezana ny rano,
-
7
Ny tsy fahampian’ny tany hovolena satria saika manofa tany ny ankamaroan’ny
tantsaha fa tsy tena tompony
Ny tsy fifehezana ny tetiandrom-pambolena nohon’ny fiovaovan’ny toetrandro sy ny
fisian’ireo bibikely mpanimba voly izay tena manahirana ny tantsaha
Ny fisian’ireo loza voajanahary toy ny rivo-doza (cyclone) sy ny tondra-drano izay
tena matetika mamely ny tanàna;
Ny fisian’ny hala-botry
Manoloana ireo rehetra ireo, na eo àry ny fitiavan’izy ireo te-hivoatra sy hiroborobo indrindra
eo amin’ny sehatra ara-pambolena dia hita fa mbola marefo ihany izy ireo.
Na izany aza anefa dia tsy kivy izy ireo fa miezaka hatrany mitady fiara-miasa amin’izay
afaka manampy sy manoro hevitra azy ireo mba hisian’ny fandrosoana sy fivoarana eo
amin’ny seha-pivelomana. Anisan’ny fiara-miasa efa misy eo an-toerana ohatra ny fisian’ny
CTHT(Centre Technique Horticole de Tamatave) izay nanome fiofanana mahakasika ny
fambolena zana-jirofo satria fantatra fa efa miha-vitsy sy antitra ny ankamaroan’ny jirofo aty
amin’ny faritra nohon’ny antony maro samihafa toy ny fanodinana ny ravin-jirofo ho lasa
lasantsy eo ihany koa ny fandripahan’ny rivodoza ny voly jirofo.
Sary 5: Alambic (ankavia) ary zana-jirofo (ankavanana)
Eo ihany koa ny Centre Saint Benoit izay mampianatra ny tekinikam-pambolena, sy ny
fomba fandrahoana sakafo ho an’ny mponina…
Ary ny Tsinjo Aina izay manentana ny mponina ny amin’ny fahaleovan-tena ara-tsakafo, ny
fanamafisana ny asa fandriaka ka anisan’izany ny fikojakojana ny làlana isan-taona izay
tanterahin’ny mpikambana sy ireo fokonolona an-toerana ary manentana azy ireo hahay
hitsinjo ny vody andro merika amin’ny alalan’ny tahiry iombonana. Ahitana Tambazotra
(réseau) Tsinjo Aina iray izay niorina tamin’ny 12 Febroary 2015, mitondra ny anarana hoe
«MIRAINDRAIKA» ao Mahavanona ary ivondronan’ny fikambanana miisa 4: Miraihina,
Tsaradia, Matehotia, Tsara ezaka.
-
8
Mbola mijanona ho fahasahiranana sy olana ho an’ny mponina hatrany kosa anefa ny tsy
fahitana mpiara-miasa hanampy azy ireo amin’ny fanamboarana tohadrano.
Mikasika ny asa tànana kosa dia saiky mahay mandrary avokoa ny ankamaroan’ny vehivavy
renim-pianakaviana, ary miteraka fidiram-bola ho azy ireo izany.
2 Atrikasa mikasika ny fiovaovan’ny toetrandro
Ny fomba na fitaovana (outil) nampiasaina nandritra ny atrikasa dia ny EPRACC
(Evaluation Participative des Risques liées au climat et aux catastrophes), fitaovana
mazava sy tsotra indrindra azo ampiasaina eny ifotony afaka mamoaka avy hatrany ireo
karazana paikady ahafahana miatrika ny fiovaovan’ny toetrandro sy fanalefahana ireo
entona manimba ny sosona ozona.
Ny tanjona tamin’izany dia ny ahafantarana ny tranga mety hitera-doza (aléas) izay
mpitranga ao Mahavanona, ny voka-dratsy aterany, ny fahaiza-manaon’ireo tantsaha
amin’ny paikady ampiasaina enti-miatrika sy miara-miana amin’ny fiovaovan’ny toetrandro
sy ahafahana ihany koa mamantatra ireo asa tokony ho laharam-pahamehana eny an-
toerana.
Niainga tamin’ny famantarana mialoha ireo tranga (voajanahary sy vokatrin’ny asan’ny
zanak’olombelona) mety hitera-doza ka mahatonga faharefoana eo amin’ny mponina ao an-
toerana ny adihevitra, nisongadina tamin’izany ireto tranga manaraka ireto: ny rivodoza, ny
fiakaran’ny hafanana sy ny haintany, ny fandripahan’ala sy ny fanaovana tavy, ny
tondradrano, ny tsy fahampian’ny tany volena nohon’ny fitomboan’ny mponina, ny
fahasimban’ny tsiron’ny tany, ny fitomboan’ny aretina mahazo ny voly, ny biby na ny olona,
ny fiovan’ny tetiandrom-pambolena,…
Nozaraina tarika roa avy ireo mpandray anjara lehilahy sy vehivavy nandritra ireo andro
natokana ho an’ny sokajy tsirairay ary nanao ireto fampiharana ireto:
2.1 Saritany mampiseho ny tranga mety hitera-doza (Carte des aléas)
Nosoritana tamin’ny alàlan’ny sarin-tany ireo foto-drafitrasa misy ao an-toerana, toy ny
sekoly, ny trano fonenana, toeram-pantsakana, ireo ala voajanahary, ireo toerana misy
karazam-boly toy ny voly vary, voly jirofo, voly fihinam-boa sns. Io sarintany io dia
mampiseho ireo toerana isehoan’ ireo tranga mety hitera-doza toy ny rivodoza, ny haintany,
ny tondradrano; ary tsapa fa tsy afa-miala amin’ny fandalovan’ireo ny ankamaroan’ny
volin’ny tantsaha eto Mahavanona.
-
9
Sary 6: Saritanin'ny Tanàna Mahavanona nataon'ny lehilahy (ankavia) ary nataon'ny vehivavy
(ankavanana)
Hita taratra tamin’ireo saritany roa ny fahasamihafana teo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy.
Ny vehivavy ohatra dia nampiseho ny alambic, ny fokontany, ny mpanentana ara-
pahasalamana, ny fitotoam-bary izay ts hita tao amin’ny saritany nataon’ny lehilahy. Ny
lehilahy kosa dia nampisongadina ny kianja fialalaovam-baolina, ny gidanga na ny toerana
firaofan’ny omby.
2.2 Tetiandro (calendrier saisonier)
Rehefa izay dia niditra tamin’ny fanaovana sarin’ny “calendrier saisonnier” na tetiandro
nentina namaritana ireo tranga, asam-pamokarana atao, ireo fotoan’ny maintso ahitra sy
fiotazana ny vokatra arakaraka ny vanim-potoana misy; ireo fiovàna lehibe misy tao
anatin’ny taona nifanesy. Tsapa arak’izany fa nihamafy ireo loza voajanahary, ireo rivodoza
ohatra dia niha-matanjaka sady maharitra ny fandalovany, nihalany tsiro ny tany ary
nihamahery ny tondradrano raha nampitahaina tamin’ny fisehony tany aloha tany tao
Mahavanona.
-
10
Vokatr’izany dia tsy voafehy ny tetiandrom-pambolen’ny tantsaha, nihalava ny vanim-
potoan’ny maintsoahitra.
Sary 7: Tetiandro nataon'ny lehilahy (ankavia) ary anataon'ny vehivavy (ankavanana)
2.3 Fanadihadiana momba ny faharefoana (Matrice de vulnérabilité na kisary
maneho ny faharefoana)
Manaraka izay dia nojerena avy ireo tranga mety hitera-doza ka mitondra fiantraikany
ratsy amin’ireo loharanom-pivelomana (ressources) misy ao an-toerana. Samy nifidy ireo
loharanom-pivelomana manandanja aminy sy ireo tranga mety hitera-doza misy fiantraikany
lehibe eo amin’ny fiainan’izy ireo ny lehilahy sy ny vehivavy. Ireo loharanom-pivelomana
moa dia nosokajiana ho voajanahary, fotodrafitrasa, fidiram-bola, fiarahamonina ary
olombelona.
Toy izao ny isa izay nomena ny fiantraikan’ny tranga mety hitera-doza eo amin’ny
loharanom-pivelomana tsirairay: 0 = tsy misy fiantraikany, 1 = misy fiantraikany kely, 2
= misy fiantraikany antonony, 3 = misy fiantraikany lehibe.
Rehefa natambatra ny isa mitsivalana dia hita ireo loharanom-pivelomana izay voakasika
indrindra amin’ny fandalovan’ny tranga mety hitera-doza. Ny fitambaran’ny isa amin’ny
-
11
tsanganana kosa dia manome filaharana ho an’ireo tranga mety hitera-doza izay mitondra
vokadratsy be indrindra.
Sary 8: "Matrice de vulnérabilité" nataon'ny lehilahy
Ho an’ny lehilahy, ny loharanom-pivelomana izay voakasika indrindra amin’ny
fandalovan’ireo tranga mety hitera-doza dia ny tsiron’ny tany, ny trondro, ny fambolem-bary
ary ny fahasalamana. Ny tranga mety hitera-doza izay miteraka fahasimbana goavana
voalohany eo amin’ireo loharanom-pivelomana kosa dia ny rivodoza, manaraka azy ny
haintany ary fahatelo ny tondradrano.
-
12
Sary 9: "Matrice de vulnérabilité" nataon'ny vehivavy
Ho an’ny vehivavy kosa, ny fahasalamana, ny fambolena voly fanao sakafo, ny fambolem-
bary, ny jirofo, ny loharano, ny ala, ny tsiron’ny tany no tena voa mafy amin’ny
fandalovan’ireo tranga mety hitera-doza izay ny rivodoza, ny fandripahana ala ary ny
haintany no mitazona ny laharana telo voalohany.
Koa fantatra tamin’ity fanadihadiana mikasika ny faharefoana ity àry fa mitondra fiantraikany
ratsy amin’olombelona, amin’ny tany ary amin’ny fambolena (vary, jirofo, voly atao sakafo,
ala, trondro) ny haintany, ny rivodoza, ny fandripahana ala ary ny tondradrano. Ireo
loharanom-pivelomana ara-piarahamonina kosa toy ny firaisankina sy ny fikambanana dia
tsy voakasik’ireo tranga mety hitera-doza ireo.
2.4 Ireo vokadratsy ateraky ny tranga mety hitera-doza sy ireo paikady enti-
miatrika izany (Aléas-Impacts-Stratégies de reaction)
Anisan’ny voka-dratsy aterak’ireo tranga voalaza etsy ambony ireto manaraka ireto:
fahasimban’ny voly miteraka kirizy ho an’ny tantsaha,
fiparitahan’ny valan’aretina ho an’olona sy ny biby fiompy,
-
13
faharitran’ny loharano,
hafanana diso tafahoatra,
fikaohan’ny riaka ny tany, fihenan’ny tantely
fahasimban’ny tsiron’ny tany.
Teo anatrehan’ireo tranga ireo dia ireto kosa ireo paikady enti-miatrika mahomby sy
maharitra izay efa nataon’ny mponina manoloana ireo:
Fanaovana fambolena mifanaraka amin’ny toetr’andro
Fambolena zana-kazo (ohatra: Grevillea sy jirofo)
Famokarana bebe kokoa ireo voly atao sakafo
Fandaminana ara-piaraha-monina (organisation communautaire)
Fanaovana sy/na fanamafisana ny tahiry iombonana
Sary 10: Voka-dratsy ateraky ny tranga sy ny paikady enti-miatrika izany (nataon’ny lehilahy)
-
14
Sary 11: Voka-dratsy ateraky ny tranga sy ny paikady enti-miatrika izany (nataon'ny vehivavy)
2.5 Paikady entina miara-miaina amin’ny fiovaovan’ny toetrandro (Stratégies
d’adaptation)
Niarahana nandinika voalohany tamin’izany ireo sakana mety tsy ahavitana ireo paikady
enti-miatrika ireo vokadratsin’ny fiovaovan’ny toetrandro toy ny:
- tsy fahampian’ny tany hovolena
- tsy fahazarana manao voly maro karazana,
- tsy voasahana ny fikarakarana ny voly,
- tsy fahampian’ny fiofanana ara-tekinika momba ny fambolena
- tsy fahazarana manao tahiry iombonana: tsy fahampian’ny fidiram-bola sy ny tsy
fifampitokisana
-
15
Sary 12: Sakana tsy ahavitana ireo paikady enti-miatrika
Manaraka izany dia notanisaina ireo mpisehatra sy mpiaramiombon’antoka izay afaka
iaraha-miasa ao an-toerana:
Tsinjo Aina
CTHT
Centre St Benoit
Chef Fokontany
Kaominina
Mpanentana ara-pahasalamana
Fikambanam-behivavy
Fikambanan’ny tanora
Fiangonana
FRAM
CISCO
Nozaraina vondrona telo avy eo ireo mpizaika: vondron’ny lehilahy, vondron’ny vehivavy ary
vondron’ny tanora lahy sy vavy. Niara-nandinika sy nisafidy paikady entina miara-miaina
amin’ny fiovaovan’ny toetrandro efatra avy ny isam-bondrona.
-
16
Ireo paikady entina miara-miaina amin’ny fiovaovan’ny toetrandro:
Lehilahy Vehivavy Tanora lahy sy vavy
- Fambolena jirofo
- Fambolena vary na
voly malaky sy
mifanaraka amin’ny
toetrandro
- Fambolena
mangahazo isan-
tokantrano
- Fampiofanana ny
tanora amin’ny asa
tanana
- Fanamafisana ny
firaisankina sy ny
fifanampiana
- Fanamboarana
paompin-drano
- Fambolena hazo
indrindra ny jirofo
- Fambolena voly
maro karazana sy
mifangaro
- Voly anana
- Fananganana
toeram-pitsaboana
(tranom-
pahasalamana)
- Fananganana
fikambanana
- Fambolena hazo
isan-karazany
Ireo paikady entina miara-miaina amin’ny fiovaovan’ny toetrandro naroson’ny vondrona
tsirairay ireo no nisafidianan’ny mpizaika 30 tsirairay ireo paikady telo izay tena laharam-
pahamehana tamin’ny alalan’ny fifidianana:
Sary 13: Vokatry ny fifidianana ireo paikady entina miara-miaina amin'ny fiovaovan'ny toetrandro
-
17
16 : fampiroboroboana ny voly anana sy legioma (9 vehivavy, 8 lehilahy)
13 : fambolena jirofo (6 vehivavy, 7 lehilahy)
11 : fambolena hazo isan-karazany (5 lehilahy, 6vehivavy) / fananganana
tranom-pahasalamana (7 lehilahy, 4 vehivavy)
10 : fanaovana voly maro karazana (6 lehilahy, 3 vehivavy)
9 : fananganana fikambanana (6 lehilahy, 3 vehivavy)
8 : fampiofanana ny tanora amin’ny asa tanana (6 lehilahy, 3 vehivavy)
5 : fambolena karazam-boly manaraka toetrandro (3 lehilahy, 2 vehivavy)
3 : fanamboarana paompin-drano (vehivavy 1) / asa vali-tanana (vehivavy 1)
1 : fambolena mangahazo isan-tokantrano (vehivavy 1)
2.6 Toromarika sy soso-kevitra (recommandations)
Fehiny, nohon’ny fanadihadiana miampy adihevitra niarahana tamin’ireo mpizaika sy ireo
solontenam-panjakana ao an-toerana no ahafahana mametraka ireto toromarika na soso-
kevitra (recommandations) manaraka ireto mba hoenti-mampandroso ny tanànan’i
Mahavanona:
Fanomezan-danja ny “agroforesterie” (fampiarahana ny hazo amin’ny voly) sy famerenana
ny ala maintso (fambolen-kazo)
Fanentanana ny tantsaha mba tsy hanapaka matetika ny ravin-jirofo hatao menaka manitra
(essence/huile essentielle)
Fambolena voly (fanao sakafo na fanondrana) maro karazana
Fanomezan-baovao miampy fanentanana ny mahazava-dehibe ny fanaovana
“agroécologie” (fomba fambolena manaja ny tontolo iainana)
Fifanakalozana haizatra sy fahaiza-manao eo amin’ny samy tantsaha eny ifotony
Fangatahana sy/na fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo Mpisehatra hafa: CTHT,
Centre St Benoit, Tsinjo Aina, UNICEF, CSA, Mpanentana ara-pahasalamana…
Fanomezan-danja sy fanatevenana ny fahaiza-manaon’ny tantsaha eo amin’ny fitahirizana
masomboly sy ireo tekinikam-pambolena mifanaraka amin’ny toetrandro
Ny fiompiana trondro anaty dobo na an-tanimbary “pisciculture”
Fametrahana paompin-drano fisotro madio sy ny Komity mitantana izany
Fanampiana / Fanomezan-tanana ny tobim-pahasalamana
Fanadihadiana ifotony mahakasika ny fananan-tany( zo sy fanoratana ara-panjakana)
Famporisihina ny tanora mba hifantoka aminin’ny asa fampandrosoana
Fanamafisana hatrany ny asa valitanana sy ny firaisankina
-
18
Notanterina ka nampisehoana teo anatrehan’ny mpitondra fanjakana teny an-toerana, ny
Ben’ny Tanàna sy ny Mpanolotsainan’ny Kaominina ary ny Sefo-pokontany ny
fandravonana ny vokatrin’ny atrikasa.
Koa nisongadina tamin’ny hafatrin’ny Benin’Tanàna ny fisaorana manokana ny mpikarakara,
indrindra fa ny tokony hanatanterahana an-tsakany sy an-davany ireo zava-tinapaka
nandritrin’ ny atrikasa ary nosoritany ihany koa fa tombony lehibe ho an’ny tanànan’ny
Mahavanona ny fisian’ny atrikasa tahak’izao satria tafiditra ao anatin’ny politikam-
pampandrosoana, ary nanafatra ireo mpizaika ihany koa izy ny mba hizaran’izy ireo amin’ny
mpiara-belona aminy ireo fahalàlana izay norantoviny nandritrin’ny atrikasa.
Sary 14: Ireo solontenam-panjakana nanatrika ny fanakatonana tamin'ny fomba ofisialy ny atrikasa
Dia nofaranana tamin’ny fizarana “Certificat” ho marim-pankasitrahana ireo mpizaika ny
fotoana.
-
19
Famaranana
Eto am-pamaranana, dia mahafaly anay ny manolotra fisaorana feno ho an’ny
Ben’ny tanànan’ny Kaominina Ambodimanga II sy ny ekipany rehetra, ny Filohan’ny
Fokontany sy ny mpiara-miasa aminy, ny Talen’ny EPP Mahavanona sy ny mpiara-miasa
aminy, ireo Ray aman-dReny ara-panahy sy ara-drazana, ireo mpandray anjara sy ny
fokonolona ao an-tanàna nohon’ny fifanampiana sy fiaraha-miasa teo amin’ny fanomanana
sy fanatanterahana ity atrikasa ity.
Farany, nahatsapa ireo mpizaika fa nahazo tombony lehibe tamin’ny fifanakalozan-kevitra
sy ny fahaiza-manao ary ny haizatra hoenti-miatrika ny fiovaovan’ny toetrandro.
Miandrandra ny fanjohiana akaiky an’ireo asa miandry ireo araka izany ireo ekipa
mpanatanteraka ny atrikasa.
-
20
Lisitry ny mpizaika
N° Anarana sy fanampin’anarana Lahy/Vavy
1 RANDRIAMIARANA Romuald Harry L
2 LALA Fabio L
3 MORONA Xavier L
4 TIDAHILAVA Alfrède L
5 TOTOZAFY Florant L
6 RAZAFINDRANORO Lucette V
7 RANJA Martha V
8 SOAMANGA Florette V
9 BLANDINE Madeleine V
10 VORY Soazaky V
11 BERTHE Onie V
12 PILINERA Stanislas L
13 SOPHIE V
14 SERGE Clovis L
15 KALO Cathérine V
16 FLORENTINE V
17 BEFENO Ocline V
18 RAHELIARISOA Myriam Angèle V
19 RASABO Juliette V
20 MARTIAL André L
21 JEAN Marie L
22 LERA Arsène L
23 JOMA Hasther Anita V
24 PISO Hectorien L
25 TOMBO Alexis L
26 RAZAFINDRAKOTO Raymond Ernest L
27 LALAHIVOLA Ursulla V
28 RASOARIVONY Restadonie V
29 RAZAFINDRATSIRY Francisco L
30 RAFARA Celestin L
-
21
Mandrindra Aina
Consulting
Fenoarivo Antsinanana, Antananarivo, Oktobra 2017