vaovaon’ny faribolan’ny mpanoratra sandratra nandritra ity ......malagasy ity. tontosa tao...

6
CGM Analakely-Sandratra : nivoaka ny boky TANDRIMO II Samedi, 25 Juin 2011 03:27 - Mis à jour Samedi, 25 Juin 2011 04:02 Vaovaon’ny Faribolan’ny Mpanoratra SANDRATRA nandritra ity IRAY VOLAN’NY TENY MALAGASY ity. Tontosa tao amin’ny Goethe Zentrum/CGM, Analakely ny alarobia 22 jona 2011 tolakandro teo ny Antsantononkalo tamin’ity volana ity. Nakarina an-tsehatra sy nantsain’ireo mpiray faribolana ny ampahany tamin’ireo tsangan’asan’ 1 / 6

Upload: others

Post on 24-Feb-2020

1 views

Category:

Documents


0 download

TRANSCRIPT

Page 1: Vaovaon’ny Faribolan’ny Mpanoratra SANDRATRA nandritra ity ......MALAGASY ity. Tontosa tao amin’ny Goethe Zentrum/CGM, Analakely ny alarobia 22 jona 2011 tolakandro teo ... sahady

CGM Analakely-Sandratra : nivoaka ny boky TANDRIMO IISamedi, 25 Juin 2011 03:27 - Mis à jour Samedi, 25 Juin 2011 04:02

Vaovaon’ny Faribolan’ny Mpanoratra SANDRATRA nandritra ity IRAY VOLAN’NY TENYMALAGASY ity.

Tontosa tao amin’ny Goethe Zentrum/CGM, Analakely ny alarobia 22 jona 2011 tolakandro teony Antsantononkalo tamin’ity volana ity. Nakarina an-tsehatra synantsain’ireo mpiray faribolana ny ampahany tamin’ireo tsangan’asan’

1 / 6

Page 2: Vaovaon’ny Faribolan’ny Mpanoratra SANDRATRA nandritra ity ......MALAGASY ity. Tontosa tao amin’ny Goethe Zentrum/CGM, Analakely ny alarobia 22 jona 2011 tolakandro teo ... sahady

CGM Analakely-Sandratra : nivoaka ny boky TANDRIMO IISamedi, 25 Juin 2011 03:27 - Mis à jour Samedi, 25 Juin 2011 04:02

I Zo-Maminirina sy i Tolotra Arinandriana, navondrona tao anatin’nyamboara “TANDRIMO II”. TANDRIMO Boky faharoa io satria efa nisy nyBoky voalohany nivoaka tamin’ny volana mey 2001, tao amin’ny CGMihany.

Toy izao no ampahan’ny teny fanolorana nataon-dRakotonirina Gérard tamin’ity boky“TANDRIMO II” ity, izay azo heverina ho mahafehysahady izay fizotry ny antsan-tononkalo ny alarobia lasa teo :

“ Manodina fanindroany ny tandrimony i Tolotra Arinandriana sy I Zo-Maminirina amin’nyalalan’ity amboara ity.Horonan-ditera maronoladinina ho soratra no tonga tady nampihodinan’izy mianadahy nytandrimo kilalaony. Fa tanana ahetsiky ny fiainana iainany sy nyfiaraha-monina itrebohany kosa no angovo nisarihana azy hikorisahamela dindo any amin’izay tany hiararetra hiantefany any. Kianja mbola midadasika azoampisonenehana ny tandrimon’eritreriny syny aingam-panahy ateraky ny “hodina” rahateo ny tontolon’ny boky sy nyasa soratra, ka azon’izay tsy sarotim-panina rehetra ampandihizana ny“azy” hamelana sary avy amin’ny jijiny, mandra-pitolefiny. Tandrimo, ilay kilalaon’ankizy tsyhahatsiarovany hanoanana eoam-pilalaovana azy, fa hifanomezany fotoana indray rahampitsohampandihy. Toy ity tany mihodinkodina izay zara-toerananomen-Janahary hivahinianantsika ity, dia taratry ny fepetra mahaolombelona ahodin’ny fiainana koa anefa ny tandrimo, ka tsy laitra

2 / 6

Page 3: Vaovaon’ny Faribolan’ny Mpanoratra SANDRATRA nandritra ity ......MALAGASY ity. Tontosa tao amin’ny Goethe Zentrum/CGM, Analakely ny alarobia 22 jona 2011 tolakandro teo ... sahady

CGM Analakely-Sandratra : nivoaka ny boky TANDRIMO IISamedi, 25 Juin 2011 03:27 - Mis à jour Samedi, 25 Juin 2011 04:02

mihitsy fa satry foana hanodina azy sy hanjohy ny fijijinymandra-pijanony ... raha tsy fanina. Izay mitsahatra aloha no resyeo! ”.

Nihodidina ny iavian’ny aingam-panahy, ny fivelomana miatrika ny soratra, ny sariitatry Ramafasy Ramika nandravaka nyboky sy ny efitranoniantsana, ny mahasamihafa ny Slam sy ny tononkalo, nyhaisoratry ny ankehitriny hatramin’ny filozofia sy ny tantaran’nyhaisoratra ny adihevitra nentin’ireo mpijery nifanakalo tamin’izymianadahy. Nanome aina ny fihaonana ny fiangalian’Ifanihy ireoampahan-kirany, ny Tarika Iarivolahy izay anisan’ny zandriny, nyTarika Androbe (Zanak’Ifanihy).

3 / 6

Page 4: Vaovaon’ny Faribolan’ny Mpanoratra SANDRATRA nandritra ity ......MALAGASY ity. Tontosa tao amin’ny Goethe Zentrum/CGM, Analakely ny alarobia 22 jona 2011 tolakandro teo ... sahady

CGM Analakely-Sandratra : nivoaka ny boky TANDRIMO IISamedi, 25 Juin 2011 03:27 - Mis à jour Samedi, 25 Juin 2011 04:02

Ny Antsan-tononkalo ao amin’ny Goethe Zentrum/CGM amin’ny alarobia 27 jolay 2011 kosa dia« TAKALO…KALO», izay hiantsan’ireo mpanoratra manaony fandaharana « Korirakanton’ny haisoratra » ao amin’ny ACEEM RADIOny soratry ny Faribolana SANDRATRA.

Mialoha izany, hakarin’ny Faribolana SANDRATRA an-tsehatra indray ao amin’ny efitranomalalaky ny Goethe-Zentrum/CGM, Analakely ny asabotsy2 jolay 2011 izao, amin’ny 3 ora tolakandro ny tantara tsangana « RENTYMANADALA ». Heverina fa mifanaraka amin’ny vanim-potoana sy nyzava-misy ankehitriny, eo amin’ny fifandroritan’ny hery ivelany(Rafahaizana sy Ravola) amin’i Nosy (Madagasikara) ity tantara ity,izay efa nolalaovina voalohany tao an-toerana ihany tamin’ny taona 1994.

4 / 6

Page 5: Vaovaon’ny Faribolan’ny Mpanoratra SANDRATRA nandritra ity ......MALAGASY ity. Tontosa tao amin’ny Goethe Zentrum/CGM, Analakely ny alarobia 22 jona 2011 tolakandro teo ... sahady

CGM Analakely-Sandratra : nivoaka ny boky TANDRIMO IISamedi, 25 Juin 2011 03:27 - Mis à jour Samedi, 25 Juin 2011 04:02

Nasiam-panavaozana ny rindran-tsehatra notarihin’i Solofo José, ankoatra ireo mpiantsehatravaovao sasany. Marihina fa natao hovonan’ny Iray volan’ny teny malagasy, araka ny fomba anamarihan’nyFaribolana SANDRATRA azy io tantara tsangana io. Aorian’io, ny alin’ny2 jolay 2011 ho avy izao ihany, hisy ny ALIM-BETSO goavana hatao enyBevalala, nantsoina hoe « AFON-DASY » iarahan’ny mpiray Faribolana syireo Sakaizan’ny SANDRATRA rehetra, anasana ny mpitia haisoratra tsyankanavaka. Hifanakalo kalo sy ainga ary hira ny rehetra. Ho avyhanafana izany rahateo ireo mpanakanto mpihira tsy mahasaraka nyFaribolana SANDRATRA toa an-dRALANTO sy ny maro hafa.

Nandritra izany, maro ireo hetsika toy ny vela-kevitra nandraisan’ny Faribolana SANDRATRAanjara nandritra ity volana ity. Anisan’izay nyfanazavana ny tontolon’ny haisoratra tamin’ireo mpianatra ao amin’nykilasy famaranana tao amin’ny sekoly Md Canisius, Ambohipo ny alarobia22 jona maraina teo. Nitondra ny dinika i Solofo José, i Avelo Nidor, i Nofy,i Tahiritsoa ary i Liantsoa.

5 / 6

Page 6: Vaovaon’ny Faribolan’ny Mpanoratra SANDRATRA nandritra ity ......MALAGASY ity. Tontosa tao amin’ny Goethe Zentrum/CGM, Analakely ny alarobia 22 jona 2011 tolakandro teo ... sahady

CGM Analakely-Sandratra : nivoaka ny boky TANDRIMO IISamedi, 25 Juin 2011 03:27 - Mis à jour Samedi, 25 Juin 2011 04:02

Tsiahivina fa nisy koa ny “Vasavasa … Tafatafa” natao tao amin’ny Unesco Behoririka nyalarobia 8 jona lasa teo, izay nandaharan’I NIRY-SOLOSOA ny “NY SAINAM-PIRENENA, FANDRISIKA NY HAMBOM-PO SYFITIAVAN-TANINDRAZANA”.

Mankasitraka indrindra ny fiarahantsika miasa amin’ny fanelezana ny vaovaon’ny haisoratra,ary mirary soa. Indreto ampiarahanay amin’ityfampitam-bavao ity ireo sary mety ilaintsika, indrindra ho an’nygazety an-tsoratra. Ankoatra ireo tera-tany vahiny niara-nianoka, nisykoa ireo tanora sembana ara-pahitana (jamba), nanotrona sy nianoka. Ny Faribolan’ny Poeta sy ny Mpanoratra Sandratra – www.madagate.com

6 / 6