eklablogekladata.com/kofn-jgea-vyjoe_w5j3d_qf9o0/embona-11.docx · web viewraha tojo 'lay...

126

Upload: others

Post on 19-Sep-2020

1 views

Category:

Documents


0 download

TRANSCRIPT

Page 1: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,
Page 2: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

ANTSO

Sendra mba nitopy, ity masoko nijeryhendratra ny foko, nahatsiaro ho irery

fa toa any aminao, lay fanalahidynotadiaviko hatrin'ny ela...tsy tadidy

Fa taiza ianao…notadiaviko efa elatao anatin'ny tsy fantatro sy ny sisa mba tavelafa nandalovanao ny masoko, ny foko tao anaty

velombelombolo aok’izany, tondrak'orana tsy maty

Angamba tsy ho kisendra ito lala-mifanojofa ny lahatra mihintsy no vintana voatondroanjaran-tsika ny ampitso ka hihainana anio

koa raiso 'zany foko, ny antsony valio

Analakely 28 jolay 2010 @ 5 ora folakandro sy 31 minitra

Page 3: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

MISY FOTOANA

Misy ny fotoana hitamberenanin’ny lasa, manditsoka ny fohisampotenan’ny tsiahy, mandratra ny ao anaty

k’ireo nohadinoana rehetra sy nalevina ho lono manangatra mahaory fa mitsangana amin’ny maty

Tsaroako ‘lay fotoana toy ny sasa-kalinanilazanao ‘lay teny nampirotsaka tomany

f’izao tontolo izao na atoandro aza dia faninaity foko mba nitia, ontsaontsa valalanina

Eny misy ny fotoana, hitamberenan’ny tsiahydia ireo fotoana mamy mba niarahan-tsika.

Eny tiako hiainana ihany na makarary ny fanahyfa mba fiainana iny mantsy na dia lasa nangatsiaka

Fa ny sentosenton’ity fo nianjadiam-pahoriananotsindriako vato sy noperako hoe manginasaingy injao ao anaty midobodobo-kafaliana

noserananao…dia tsy haiko mahavariana

RakparfaitAnalakely 4 aogositra 2010 @ telo ora folakandro

Page 4: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

ANY AMINAO NY MAMY

Fa fitiavana izany, tsy hay ny hanginaraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana.

Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafitoVoaanika hatrany, mety ho tonga im-pito

Fa adala izay tia ka tsy mitango 'lay voasarynotadiavina hatrin'ny ela, notehirizina toa saryireo volony misafoto, mandrakotra ny ondana

dia fitiavana ihany koa, handravana izay olana.

F'ito masony mijery, anaty rahon'ny fitiahitarafako ilay ahy, mitazana mankafyizato adin'ny fitia tsy ady hanatakata

fa hianako mihintsy toy ny basy mitatata.

fa ny fofon'ainy miantefa mafana amin'ny hatokomanpitsangana ny volo rehetra amin'ny vatako

Ny hatsembohona mikoriana, mitsotsorika mandadytsy mahafaty izany afo mandoro vatana miady

Fa na fiakarana io na koa fidinanatsy manempotra mihintsy fa sakafo fihinana

rehefa tojo ilay tiana, notsiriritina hatry ny elana miaka-midina aza io, tsy hasiako zay tavela

Eny amin'iny olona iny, 'lay notiaviko mamonono hitosahan'ny fitia, ranonaina toa ronono

fa kanto ianao sady tokana aman-tanyka hilalaovan'ny fitiavako...fa avy aminao ny mamy.

RakparfaitAnalakely 05 Aogositra 2010 @ 5 ora folakandro sy 47 minitra

Page 5: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

RAKI-TSAROBIDY

Fa na niezaka aza aho, ka nikosoka ny lasaNamadika mihintsy, ny pejin’ny fiainako

Ireo zava-bita niainana, indro toa mandatsaFa kanto sady mamy, tsy takatry ny fisainako

‘Lay ranomasoko nirotsaka, nofaonao malefakaTsy nahatanty ilay safo, nasetrinao ny oroko

Zary lasa tondra-drano, nandrakotra ny tenakoDifotr’hafaliana, ao anatin’ny tontoloko

Fa ny zavatra tsy takatro, nosakanan’ny fisainakoIreny lasan-tsika ireny, dia zezikin’ny ho aviko

Ka na navadiko aza, izato pejin’ny fiainakoNy tandidon’ny lasa, raki-tsarobidy ny fanahiko

RakparfaitAnalakely 05 Aogositra 2010 @ 5 ora folakandro sy 08 minitra

Page 6: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

ILAY HIRA

Nisy hira nolokoiko, ho kaloiko ho anaosaingy indrisy, fa sompatry ny tany

k’ilay feony aza, zary lasana nandaofa akon’ny taraina konaina-tomany

Niangaliako mantsy izy izaynolaroiko sento, aigam-po

nefa indrisy, tsy fantatra fa maylavenona sisa, tavela an-doha

ireo senton-tsika, kiakin’ny tiaizay nandrakotra fahanginana

no zary mozika nohenoina satriatsisy feo nivoaka…fa gina

Iny ilay hira, izay nohiraintsikaTanaty fahanginana, samy tia

Nokoboniko an-tratra, tsisy nahay nandikaSompatry ny tany fa nalia

RakparfaitAnalakely 07 Aogositra 2010 @ 3 ora sy 45 minitra folakandro

Page 7: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

MBOLA HISY VE ?

Mbola hisy ve ny teny, hilazako ny fitiavakofa tsisy miafina aminao, ny tontoloko rehetra

eny hatramin'ny tomany, nampangovitra ny vavakosy ny hiam-pifaliana, nanao am-boletra

Mbola hisy ve ny teny, hilazako ny tantaraniainako irery, nozaraiko taminao

fa fantatrao daholo, na ny tsy ambaraniafina tanaty, tsiambaratelo tao

Mbola hisy ve ny teny, hilazako ny ampitsofa ny lasako rehetra efa any aminao

lay saina verivery sy lay hevitra nandisono indro nahitsy rehefa tanilanao

Koa mbola hisy ary ve ny tenyhilazako ny tsy fantatra

mampangovitra ny fo, mampitosaka ny enyfa safidiko ianao, ilay tokana fatratra

RakparfaitAnalakely 09 Aogositra 2010 @ 4 ora folakandro sy 22 minitra

TSIAHY

Rehefa iny folaka iny, ka mihilana ny andro

Page 8: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

dia lasa lavitra ny saiko, mahatsiarotsiaroireo izay mba notiaviko sy nanokatra masoandroindrindra ilay tokana, nohavahako tamin’ny maro

Mitamberina ny tsiky, mialoalo ny tarehymanokatra tsiahy, mangolingoly ny ao anaty

fa sary kanto loatra, noravahany hehyno tahiry nokoboniko, fahatsiarovana tsy maty

Dia tsy tanako ny saiko, tsy hahatsiaro ny omalyfa volon’andro toy izao, nangatsiaka tokoa

no nifalian’izany foko, falifaly afa-jalynotolorany fitia, nahatorovana ny fo

Fa jambena mihintsy, ito masoko nijeryny tontolo manodidina, fa kanto aok’izany

k’ito masoandro izay nihilana sy ‘lay siokan’olon-dreryno nandrako-bolamena, ‘lay fitia tena mamy

Nobanjiniko ny endriny, tarafim-bolamenad’ilay nofiko mihintsy, tanaty sasak’alinafanaperana daholo, tena kanto ka nekena

fa io ilay notadiaviko, tao anatin’ny alinalina

k’ireo nofy sesehana, nikarohako ilay tiananandrotsahako tomany, tsy nahitako tory

tojo azy nanantena, fa dia ho androm-pifalianany androko sisa, indrisy fa mahaory

fa ny làlana nofidiana ve no tsy tsara nodiavinasa ny vintana mihintsy no nanao ho tsy anjara ?

f’ilay fitiavana toa nangidy sy toy ny ravinamainan’ny andro ka indro, zakan-drivotra dia rava

fa isak’izay mihilana toa io ny masoandroka mandefa ny tariny, mandrako-bolamena

ny tontolo mampisento, mikarakara ny nahandrodia tsy tana ny foko, miventsoventso manantena

RakparfaitAnalakely 10 aogositra 2010 @ 11 ora atoandro sy 35 minitra

Page 9: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

‘LAY MALALAKO

niantso ahy lay olon-tiako, fa tomany hono ny fonysendra olana anaty, mankarary mahalonilonyna dia lavitra aza izy, ilay fitia nifanolorana

nampitambatra ny aina, ka mankarary raha voatohina

nolazainy fa tsy rariny, fa miangatra ny tanyraha fitia ho fato-maty no sakana tsy anjary

fa toa sakana hono mantsy, ny tontolo izay hiainanadia tomany ho’aho ny fony, ketraka ny fisainana

efa fantatra eny mantsy, fa kiry no ataof’ilay fitiavana nirehitra, tsy manaiky avelaodia marary ihany koa, ity malalany tomanyfa mahalasa adala, ny fitiavana eto an-tany

fa niantso ahy ‘lay malalako, lavitra tsy anilakony feony tomany, nampisaina hoe aiza ny lalakofa tomany ho’aho lay tiako, miantsoantso avia

ry malalako , ry malalako, mbola ho avy aho akia

RakparfaitAnalakely 10 aogositra 2010 @ 6 ora hariva sy 35 minitra

Page 10: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

TSY HO RESY

Fa fo ngolingoly, trotram-pitiavanano tsy maintsy hikalo, hiezaka hanadinofa ireo lasana rehetra, mety ve ho Avana

ho maro lokom-pifaliana, asa...tsy mampino

'reo teny mamy rehetra, izay mba nifanolorananampisinda ny taraina, dia ho ako ve no sisa

tsy te-hino aho kanefa, satriko eny voronahitady toera-kafa, izay mba mety ho paradisa

fa hafaitra ny ampitso, hitadiavam-panafodysaingy làlana hizorana, ho an'izay nitia

fa na marary aza ny fo, hangina tsy hiantso todyho ngolingoly izy anio, ny ho faty sanatria

RakparfaitAnalakely 11 aogositra 2010 @ 06 hariva sy 31 minitra

KANEFA E !

Page 11: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

Resy aho akia, ka tsy tanako tsy hirotsakaNy ranomasoko hikoriana hamonto ito tavakoFa nikiry ihany isika, nisintona tsy ho latsaka

Kanefa e! indrisy, resy re rahavako.

Nantsoin-tsika ny vintana, hanitsy izany diaFa mamy tamin-tsika, ny lasa izay niharahana

Na volana na kintana, nantsoina ihany koa aviaKanefa e! indrisy, tapaka ny làlana

Ireto tana-tsika roa, nifamikitra nalainaHisaraka hanamarika, fisarahana hangidy

Ny tànanao notanako, ny ahy savolainaKanefa e! indrisy, f’izao angaha ny didy.

Ny molotro nangovitra, nanoroka ho faranyNy molotrao natolotra, mamiko aok’izanyNamerina ny lasa, mampirotsaka tomanyKanefa e! indrisy, izany no eto an-tany

Dia iny ianao no dify, tsy ho hitako intsonyHo aloka daholo, ny làla-nombana rehetraTsy maintsy hialoalo, ny bikanao tsy foiny

Kanefa e! indrisy, hatreo akia ny fetra

RakparfaitAnalakely 12 aogositra 2010 @ 11 ora atoandro sy 22 minitra

Page 12: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

FA TIAKO LOATRA IANAO

Fa tiako loatra ianao, ka tsy foiko ho an’olo-kafaSatriko tazonina, tsy ho simban’ny tontolofa tiako ho ahy irery, ilay feonao mitafamikalo ilay fitiavana, tsy nety bobongolo

Tanaty ady sarotra , ilay feonao nohenoikonampitsimoka indray, ilay fanantenana efa maty

nampamelon’aina, ny lasa tsy hay novonoikofa tojo anao, voambarako ny rehetra sy izay mba tsy tanty.

Fa ny ady nosedraiko, nitolomako fony irerytanaty alina mangina, nozaraiko taminao

ny senton’ny fo dia nody fifaliana, tsy foiko ho very Ireny teny mamy sy ilay fitiavana izay natolotrao

Ilay ranomasoko nirotsaka namonto ny tarehikoNoezahiko nafenina ho tomany voka-tsetrokaFa ny masoko bongo, porofon’izay nafenikoPorofon’ny fitiavako, ‘lay marina tsy meloka

Fa tiako loatra ianao, ho radon’ny fiainakoHamiratra eo foana, sy voahangin’ny tontoloko

Ka tsy ho zaraiko,fa kanto sy lalaikoFa ianao no tena tiako, ahy ka hiambozonako

RakparfaitAnlakely 16 aogositra 2010 @ 3 ora folakandro sy 15 minitra

Page 13: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

‘LAY HAZO

Fa eto am-pototr’ity hazo nialofana iny,ilay nidanika iny, ingahy be masoandro

no miainga moramora, avy ny fahinymandoro mahamay, manaloka ny andro.

Tamberina ao an-tsaiko, ny omaly r’ilay tiakofa kanto iny andro, nifanolorana fitia

ka ny alok’ity hazo, nanafina tsy nahiakoantsika roa nifaly sy sambatra ery.

Dia mbola eto, am-pototr’ity hazono miainga moramora, izany embon’ny fofom-pitiavana, tavela tsy nalazo

na ny lasan-tsika aza, … lavenona

dia vazivazy marina, ity sary nosokirinatamin’ny vatany, ho marim-pahatsiarovanaf’ity hazo mbola mijoro, ianao izay niriana

dify lavitra, an-tanim-piravoana ?

fa eto am-pototr’ity hazo, renoka natoryny lasako omaly, fongarin’ny tsiahyno mampamelovelo, ity foko oriory

mbola mikatsaka hatrany, ‘zay mba anjara ho ahy.

RakparfaitAnalakely 16 aogositra 2010 @ 5 ora folakandro

Page 14: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

EMBONA

Ato anaty fiara ndeha hiasa no indro fa mipoitraNy embon’ny lasa nototofako hangina

Fa ny rivotra mitsoaka no vao maika mampivoitraNy lasana niainana, tsy mety hampanginina

Anivon’ireto olona maro toa vonona hiasaNy fofonao tsy foiko, mipololotra manim-pofona

Manenika ny oroko, mamikitra tsy lasaManjohy lalandava, ny adiko sy tolona

Fa fitaka ny tazana, ny endrikao mitoetraNy manodidina mitsiky, mampatsiahy ny fahiny

Ny fiara izay mizotra, mampatsiahy ilay toetran-Tsika tsy mahatombina, mila vaniny iny

Mahavariana ny embona, hingain’ny tsiahyFa na anaty fiara aza, manempotra fiainaResiresi-tory, voa rotsirotsy tsy manahy

Mianoka ny embona sy ny lasa mba niainana

RakparfaitAnalakely 17 aogositra 2010 @ 12 ora atoandro

HISAONA

Page 15: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

Dia lamba ny fisaonana no indro handrakotraity foko izay nitia, vontovonton’alahelo

nefa tsy ho mainty na dia mafaitra loatrano hanarona ny fianako sy handroaka avelo

Fa ezahiko ho hafa, tsy ho fotsy akorysatria ny foko naratra tsy maintsy hanolatra

ho vato fehizoro ny foko oriorysy ny sentosentom-poko, tsy omby tratra

Ny mena tsy ho mety na naratra aza ahofa mba nisy ihany ny fitia izay natolony

sy mba niainako izany tia..tsy mba nankalaonanofisako ny ampitso…saingy teo himolony

Ny maintso ary ve fa hoe fanantenanany ampitso vaovao, hitondra rivo-pitsikiana

saingy ity foko, njao mihanahanatsy te-hiova loko na rako-pijaliana

Fa ny any azoko lazaina, hisaona aho alohahangina tsy hiteny, hanofy ny andro lasak’ilay fitia ‘zay toro, halako tsy an-doha

ho vata-patin’ny fitiavako, halevina tsy handatsa.

RakparfaitAnalakely 18 aogositra 2010 @ 4 ora folakandro sy 40 minitra

Page 16: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

TSY HANGINA

Fa tsy hangina ity fo izay nikoly ilay fitiaNa marary sy marofy, tolefim-pahoriana

F’ireny lasan-tsika ireny, dia nana-tsara izay ho diaHo amin’ny andro ho avy, hiarahana am-pifaliana

Mino aho fa ny fivavako, izay nasandratro isan’androDia tsy hiveri-maina akory, tsy ho tody any an-danitraF’ilay fitiavako anao, raha mbola misy koa masoandro

Tsy ho faty velively, fa ho eken’ilay Andriamanitra

Fa ireny onja mahery, safotofoton’ny fiainanaIndraindray nandreraka fa nitsatoka tam-po

Tsy nataon-tsika naha-kivy, fa nakana fisainana Hiatrehana ny ady, hiotazam-bokatsoa.

Fa raha fitia akia no hifanolorana ka valiana fitiahisaloran-tsika ihany koa sy hiainana manontoloNy ali-mahaory singan-drery, tsy anilan’olo-tianaHo zary lohantaona ny ririnim-pitia ho voasolo.

RakparfaitAnalakely 19 aogositra 2010 @ 7 ora alina sy 15 minitra

Page 17: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

LOKO MAINTY

Rakodrakom-pisentoana izany androm-pitiavanaMalomaloka daholo, izay tazanin’ito maso

Kivikivy ny finoana, tokan-doko izato avanaFa jambenan’alahelo, mitsotsori-dranomaso.

Valabalaka ny vatana, tsy natohitra resy an’adyTorovan-drovana ny rantsana, toa mihaiky faharesena

Tsy afa-mehitsika fa hana, mainamaina ka mitadyRanomamy hakoriana amin’ny vatana ho lena.

F’izato manondidina, toa zavon’ny fandaozanaMaizimaizin’ny veloma, voatery ka natao

Fa zary poizina fihinana sy natao ala-olanaReny lasan-tsika ireny na mafaitra aza izao.

Mitamberina toa ako, ny endrikao nihomehyNikarantsana tam-poko, nampitsangam-bolo ahy

Fa mamy akia tamin’ireny, tsy mba nisy izay namehyIlay fitiavana madio, niainan-tsika samy sahy.

Saingy indrisy ankehitrio, fa vesatra ato am-pokoIlay fitia nifanolorana, ho doria tsy mandrakizay

Eny mantsy, eny mantsy, fa mainty sisa lokon’Izato avana notazanina fony isika tafaray.

RakparfaitAnalakely 19 aogositra 2010 @8 ora alina latsaka fahefany

Page 18: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

INY VOLANA INY

Tsaroako tsy afaka an-tsaiko, ilay isika mba nijerysady nino mihintsy, f’izato endrika nasehony

dia olona mitia, tsy mba niafina niheryfa izao tontolo izao, no zary vavolombelony.

Fa na ny tarany niantefa, nanazava izay malokadia ninoan-tsika ihany koa fa fanilon’izay ho làlana

ka nampisinda ahiahy, sy nampa-marina ‘zay melokatanatin’iny alina iny nisakambinan-tsika nahalana

F’izato sary nojerena, dia nazava novakianafa tsy olona anankiroa, dia ilay hoe mitoto varyfa tontolon’ny fitiavana, olon-droa mifamihina

an-danitra avo eny, ‘zay tontolo lavorary.

Mitamberina ‘lay teny, voalaza tsy nahy ?fa eny an’habakabaka eny, fiririavan’izay tiaventsoventso moramora : ianao dia ho ahynangorintsina ny sofiko, ilay vatako nalia.

Dia indro aho mbola mijery, iny habakabaka inymamisavisa samirery, mahatsiaro ny fahiny

fa kanto ny mitia, tarafin’iny volana inyfihinin’olo-tiana…o ! ry lasa tsisy tsiny

RakparfaitAnalakely 19 aogositra 2010 @8 ora alina.sy 10 minitra

Page 19: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

MATORY

Tsy mety akia ny fo, fa mikiry biby ihanyHiaina sy hankafia ‘reo lasana omaly

Norarako fa tsy nety, tsy nahoany na tomany No setrin’ity embona, mitampody mampijaly.

Ny fiemponempony toa sary, sarisarin’ireo adyMandrakotra ny vatako, tsy mahetsika efa resyZary ravina maina, mitady seranana sahady

Hiantsonan’ny fo tia, tsy te hiampita ho etsy…

Noperako mafy hitony mba tsy hitroatraFa efa lasa ireny, tantara tsy hitampody

Fa eh eh !, njao izy mivonto mameno tratraMikiry foana tsy kivy, fa izy mbola hody

Mahery ianao ry foko, resinao koa ny sainaindro mikarenjy, mibalady an-tanin’ny nofy

mikatsaka ilay tiany, safidin’ny fiainananotehirizina an-doha, fandresena ireo rofy.

Dia indro fa hasehony, toy ny hita masoireny lasan-tsika, nototofana ho tantara

indrindra ianao ‘lay nitsiky, novaliako andraso‘zao mba nitia, gina tsy nahita ambara…

teo anilanao fa nanonofy, tsy nety ninof’ianao ilay nosainiko, hiankinako tia

no indro sakambiniko…malefaka fiteny: fihinozato vatako anao, r’ilay tiako doria

aoka re ry saiko, fafao izato sarymitoneha koa ry fo, aoka ny tsiahy

fa mamy ireny ka mamy, aok’izay sao maharary‘lay fitiavako manolatra, avelao ho ahy.

RakparfaitAnalakely 21 aogositra 2010 @ 3 ora sy sasany

Page 20: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

DIARY SY TAHIRY

Dia nody indray ‘lay masoandro, mangingina ny tontoloIndreny miara-dia mikopak’elatra, andiana tsirirySaingy kosa ato anatiko, injao manangatra daholo,

Izy mianakavy, dia I Diary sy Tahiry.

Ito taratr’andro, miantefa faram-paranyHakana hafanana, ho enti miatrika ny alina

Lasa lavitra ato anaty, manazava izay ho làlanyHipololotra moramora, anaty fahatsiarovana lalina

Tsy fantatro mihintsy, na I Diary na TahiryIzato manao amboletra, mampitsikafona ny lasa

Valalanina ny foko, fa ny embona mitsiryMahatsiaro ny omaly, ventsoventso sy fikasa.

Hilaza aho hoe Diary, ‘zato tonga mampatsiahyNy làlana nodiavina, niarahana niharitra

Dia ny fisentoana mangina, tsy mba nety sarak’ahyVoasoratra an-taratasy, kalokalo tsy mba ritra.

Nefa izato sento hiainako, volombolom-pahatsiarovanaVoarakitra mihintsy, no tsy hananako firy

Tsy lavitra fa akaiky, matoa ny foko torovanaHinoako mihintsy io, dia ekeko fa Tahiry

Saingy indrisy, saingy indrisy, na Tahiry na DiaryIzato mampirotsaka rano, mitsotsorika amin’ny tavako

Dia ianao ‘lay lasana iny, no tontoloko voaaryHilasian’ny fitia, ho kaloin’ito vavako

Fa ny andro izay niarahana, noraketiko an-tsoratraAn-tota-taratasy maromaro, maneho ilay mba nitsryNatambatambatro ho boky, ho Diarin’ilay naratra

Ho fahatsiarovana anao sy ‘lay fitia voatahiry.

RakparfaitAnalakely 21 aogositra 2010 @ 7 ora sy 12 minitra

Page 21: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

SAINA

Fa adala hoy aho ny saina, tsy mba mahatombo-tsirakaFa na rivotra mandalo, eny hatramin’ny bozakaHanehoany lalandava sary, olona iray nofinidiny

Tsy lasan-davitra mitoetra, mbola ao foana tadidiny.

Ny volana baliaka an-danitra avo, maneho fenomananaLokolokoiny ho sary, endrikao tsisy mpanana

No indro havoitrany anoloako, ho tsapai-tànanaHampitony samboaravoara, r’ilay nekeko ho namana

Ito ravina misidina, sara-taho enti-drivotra malainaDia ‘lay lambanao mihintsy, notsiriritiko halaina

Saingy ny rivotra nitsoka, nitondra azy lavitraNy tànako nitsotra, nisarika finaritra

Fa adala hoy aho ny saina, tsy hampoizina akoryMandefa sentosento, indraindray tena mahaory

Rehefa tokana iny aho, ka lasalasam-boronaDia hatodiny hahatsiaro, ilay fitiavana natao sorona.

RakparfaitAnalakely 21 aogositra 2010 @ 7 ora sy 40 minitra

IZAHO IRERY SISA

Page 22: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

Izaho irery sisa akia, no mikalo ireo hira fihiranaoMiezaka mihira miangola, saingy indrisy ranomasoNo gadon’ilay hira nankafizina, nandrotsirotsy anaoTeo an-tratrako nihanoka, tsy nahalala hoe andraso

Fa kanto akia iny hira iny, hiangolan’ny feonaoNampangovitra fanahy, nampiakatra ny ventsoSaingy izaho irery sisa akia, no miezaka manao

‘lay feonao lalaiko, nanidinako tsy ho teto.

Fa na ny toniny aza, ilay tsy afaka am-bavakoIlay fanonoko rehefa, eny an-tanin’ny nofyTsy tsaroako intsony, lasanao re rahavako

‘lay an-dalana kanto indrindra, firahana mitosy.

Dia izaho irery sisa re, r’ilay any notiavikoNo miventso ilay hiranao, noforonin-tsika

Nefa efa trotraka, saingy hitanondrika ho lavikoHo hafanaiko ny ho avy, tsy avelako hangatsiaka

RakparfaitAnalakely 23 aogositra 2010 @9 ora alina sy 15 minitra

FIVAVAKO

Page 23: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

Fa raha vao mifoha aho, ka manandratra ny fivavakoDia ny sarinao, ny fitiavan-tsika no tonga ao am-bavako

Tononiko hatrany sy hampiakariko any an-danitraHo tafita sy voaray ka ho eken’ilay Andriamanitra

Ny andro izay misandratra, hanatontosako izay lahasaDia hapetrako tanteraka amin’ilay tompon’ny asa

Fa ny fitiavako anao, ilay tsy lefy ato am-poAntom-pivavahako manokana sy hitafako amin’ilay Tsitoha

Mahery ka manempotra, ezahina ihany ny hamehyNy fitiavako anao, mba ho tsiky ravahana hehy

No hameno ny androko nefa, fantatro ny ady ato anatyKa vao mifoha aho, manandratra ilay fitiavana tsy maty,

Ho ren’ilay Andriamanitra, izay fitiavana tokana mandidyFa ny fitia izay nokoloiko ho anao, vita sedra ka safidyTsy ho an’alin-kisa maro, fa singa tokana voafaritraFihiniko ato an-tratra, hasandratro ho ren’ny lanitra

K’isan’andro vao mifoha, injao anaty fivavakoMisoka moramora, velon’aina ihany koa ‘lay fitiavako

Miara-miakatra amin’ny tonom-bavako, ilay tokana ato am-poRahoviana re ry Ray, rahoviana no ho ekenao tokoa

Ny hiarahanay mba ho finaritraFa nekenao ‘lay fitia, ry Tompo Andriamanitra ?

RakparfaitAmbolokandrina 24 aogositra 2010 @ 7 ora maraina sy 15 minitra

Page 24: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

ERITRERITRA

Niezaka aho ny hangina, tsy hieritreritra faireny lasan-tsika ireny, tsy mba hisy izay hitoetra.

Ho zavona tratr’andro, ka handena ito sahaKa ho tany karakaina, ny fon-tsika tsy nifametra

Sarotra ny hino, fa mbola hisy fanadinoanaraha ny embona sy sento no sakaiza tsy mahafoy

na hanolatra aza ity fo, ito saina dia mino,fa ny rivotra hiainana, hitondra fitiavana matoy

Angamba mety ho hafa, tsy hitovy aminaony tontolo izay ho avy, iza no mahalala

fa ny azoko lazaina, tena tsoriko dia izaombola hafa ilay omaly, r’ilay tiako malala

Hafa mihintsy mantsy ireny, lasan-tsika irenySarotra tahafina, eny mety hisy ny mitovy

Fa teo anilanao aho, tena tsy ampy hoy aho ny tenyFa mamy sady kanto, te-hiteny aho hoe tsarovy

Rediredy sisa lazaiko, fa matoa ianao no lasaTsy mba semban-drahona intsony, ny fitiavan-tsika roa

Fa rano be mikoriana, tsy hay tohaina ka nanasaIzay mba niarahana rehetra, ka lasana avokoa

RakparfaitAnalakely 24 aogositra 2010 @ 4 ora folakandro sy 50 minitra

ESO

Page 25: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

Zary eso ato am-poko, mankararirary ny fanahyIreo teny hoe “mamy”, nifanolorana fahiny

Tsy tantiko mihintsy, fa mandrerandreraka ahyMahasavolaina, mandrakotra ny ankehitriny

Te-hivadika voabolana, hiantsoiko izay malalaTsy hampiasa intsony, ireo izay fitenin-tsika

Tofoka tanteraka aho, ary aleoko tsy mahalalaIzay mety ho lazaina ataonao mety ho bitsika.

Fa ho inona moa ankoatran’izay voalazaTamin-tsika niaraka ireny, no mbola tsy fantatroFa izaho tena tia, saingy ianao toa mbola zaza

Manao kilalao, manokonoko toa katro

Anio tiako ianao, avonavona omalyRehefa eo akaiko indray, o ry tiako malala

Nefa anie ‘zato fihetsika, ‘zay lazaina misy havalyTsy fantatra intsony, fa mampisalasala

Ka aleoko miova, hamadika ny pejyTsy haditra akory, ka ndeha hiofo toy ny lolo

Fa ito foko naratra, tsy ho sakano tsy hikarenjyMba hitady ilay tiany sy ilay mba mety hisolo

RakparfaitAnalakely 25 aogositra 2010 @ 1 ora atoandro sy 30 minitra

Page 26: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

FANILO

Fa jiro mitsolopy, no manazava zato efitraMiezaka ho fanilo, hijoro tsy hilefitra

Na avenavenan-drivotra, ato anaty aizinaMikiry hatrany tsy manaiky, tsy azo laizina

Fa na taratra kely, hazavana mitsilopyNo mba hananany hiady, dia mijoro mahatoky

Mba ho fanilon’ny aizina, hanazava manondidinaHianteheran’ny tontolo anaty fahanginana

Fa am-poko ao koa, misy jiro mba mirehitraMitsilopy anaty embona, tsy manaiky tsy mandefitra

Mitsilo lalandava, izay làlana ho diavinaHitaratra ny ho avy, handresy zato aizina

F’ity jirom-pitiavan-tsika, mbola harehitro eto foanaHarovako amin-drivotra, mety hitsoaka hanafoana

Izato taram-pitiavana, nanazava hatrizay‘lay fitia nifanolorana, tsy nandoro na nahamay.

Ho fanilo hanazava, izato làlana ombanaDia ireo dina nifanolorana, ny voady tsy hangalana

Fa na nitsolopy aza, ny ho avy tamin-tsikaDia ny hazavana entiny, hamiratany hibaliaka

F’ilay fitia nifanolorana, no fanilo tamin-tsikaMirehitra lalandava, ao am-po tsy mangatsiaka

Ny hafanan’ireo teny, nokasaina ho doriaNy tontolo hiainan-tsika, dia tontolon’ny samy tia.

RakparfaitAndranofeno (Ankazobe) 27 aogositra 2010 t@ 5 ora folkandro sy 45 minitra

Page 27: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

LAINGA

Lainga fotsiny ny hoe, hiezaka aho hanginaFa ato anatiko ilay feo, mikiakiaka anao ry tianaTsy voasakana hampanginina, hanadino ny omaly

Fa injao mitroatra foana, mitomany mampijaly

Raha vao mitamberina, ato an-tsaiko ny endrikaoKa mitsikafona ‘lay sary, ireo lasa mba natao

Dia mikiry manadino, mati-kambo tsy hahalalaF’ity fo injao mitroatra, miantsoantso hoe malala

Fa sarotra ny manadino, na dia hoe mafy azaNy niarahana farany, fa toa voalobo-jaza

Ny fitiavana niainana, hatrizay nosintoninaDia omeko ihany indray, ‘lay fitia tsy nokobonina

Ireny rehetra ireny, no hilazako fa sarotraSy lainga ny hilaza hanadino tsy hiady varotra

Sao mba misy hirika ihany, hiverenana tamin’ny fahinyFa sarotra ny mamafa, ireny lasan-tsika ireny

Fa lainga ny hitenyHo adinoko ireny

Fitia nifanomezanaMamy ireny fa tsy nateza

RakparfaitAndranofeno (Ankazobe) 27 aogositra 2010 @ 1 ora maraina

FARA VODI LANITRA

Page 28: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

Indro dify ambadik’ito havoanaIlay masoandro, mpanjakan’ny hazavana

Mandefa fara-parany, izato tarany fa hisaonaNy tontolon’ny hazavana, ho dimbiasina tsy tana

Rivo-drivotra mangatsiaka, no injany mitsokaMampitsangam-bolo ahy, hitady hafanana

Anatin’izato aizina, tonga mora ka mandrotsakaFahanginan’ny voary, hisentoan’ny tsisy namana

Indreo ireto rahona, mitara-bolamenaMitsitokotoko mitandavana, tsy taka-maso

Mampatsiahy ny any lavitra sy ‘lay tokana nekenaAnaty embonembona, enti-drivotra manasohaso

Fa manina hono hoe ‘lay tokana an-tany lavitraKa misento samirery, mahatsiaro ny tànana

Izay nilaozana an-tomany, fa mbola hiverina finaritraEo anivonao ihany, marary tsy tamana

Fa any ianao r’ilay tiako, ‘lay tokana malalakoEto am-pitazanana iry vodilanitra iry

Aho te hamihina ilay vatanao ny tanakoHifanolotra fitia, kilalaon’ny fahiny

RakparfaitAndranofeno (Ankazobe) 28 aogositra 2010 @ 5 ora folakandro

AOKA RE !

F'ireo teny nolazainy, tsara rindra avokoa

Page 29: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

nampihesona fanahy, saika raikitra am-potsy lainga f'efa roboka, falifaly aok'izany

fa nihevitra mihintsy, fa dia tokana aman-tany

Fa ny gadon'izany feony, toa vorona mikalosiotsioka vao maraina, mampiherika mpandalodia nisonenika nihira, nampitovy tadin-dokanga

teo am-pihirana teo, teo vao hita fa janga

Ireny visavisa nolazaina nivoaka himolonytsara rafitra aok'izany sy tonga dia natolony

saingy indrisy fa tsy nety, indro kely hoy ny mpandrafitrafa raha ilay fitiavako tsy homeko, ho voageja sy voafatotra

Fa dia teny ireny dia teny, namboariny ho lazainahandokoana aizim-pito, hanofisana maraina

ho misandratr'andro tsara, handrohizana kofehyny andro rehetra ho avy, hajanony aoka re !

RakparfaitAnalakely 31 aogositra 2010 @ 10 ora sy 44 minitra

Page 30: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

VAO MARAINA

Fa vao nifoha maraina dia ianao no tao an-tsaikor’ilay tokana notiaviko, ‘lay tokana lalaikotsy anilako ho fihinina, an-tany lavitra anymiarina malaina aho, malaina aok’izany

Firy andro no hiandrasako, mety ho amam-bolana ve ?fa hiarina maraina, ka tsy ho afaka handre

‘lay feonao mozikako, manafosafo ny fanahyhifohazako malaina, hampavitrivitrika ahy

Ireto bodofotsy ‘zay fitafy, nampafana antsikaizaho irery no koboniny, hafanainy tsy hangatsiaka

mampatsiaro ireny lasa, nafeniny tsisy hahalalatsiambara-telon’ny fitia, tehiriziny tsy miala.

Rehefa iny aho ny alina, mahatsiarotsiaro anaote hamihina ilay vatana, notiaviko hatramin’izao

dia ito ondana iray, ilay lavalavan-tsika inyno fihiniko mafy, ondana tsy manan-tsiny

Dia injao fa mitosaka, ilay fofona tahirydia ilay mena-bolonao, tsy mba fahita firy

no mampîakatra ny sento, sy ny embona matoryhanenika ny oroko, sy ilay foko oriory

Dia indro tazako ianao, anaty aizim-pitomialoalo mampifoha, anaty fahanginana

mampisinda torimaso, toa miantso hoe itony tanako raiso, ry malalako fihinina

fa dia izaho irery sisa, no indro mifoha marainavalabalaka vizambizana, hanatontosa ny adidy

f’ilay fanaoko isa-maraina, d’ilay vavaka tsy sandainasaika adinoko raha tsy ny embona anao no namerina tadidy

RakparfaitAnalakely 02 septambra 2010 @ 02 ora folakandro sy 20 minitra

Page 31: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

VATO FEHIZORO

Ito vato izay nipetrahana, fony nandalo teto isikaValabalakin’ny dia, niato nitady fitsaharana

Dia indro mbola eo, tsy lasana, tavela toa vatofantsikaHitahiry ny andro rehetra, ny andron’ireo mila namana

Isika koa mba isany, nanamarika ny fiainanyNanamafy orina ihany koa, izato toerana nipetrahany

Saingy izaho irery sisa, indro mampatsiahy ny fisainanyF’ilay namako iny mantsy, efa dify lavitra zany làlany.

Tsaroako ‘lay vazivazy, nifanaovan-tsika ho dinaFa tsy ho fasika ny fitia, ho mafy fototra fa vato

Ka eto ambonin’ito seza ito, no hafatotra ry tianaNy tadim-pitiavan-tsika, tsy hivaha tsy hiato

Fa ho vato fehizoro, hanorenana ny ho avyIto vato ito, hifanolorana ireo voady

Ka na inona midona, tsy hamparary tsy hampanavyFa izato dina nifanaovana, no ampinga enti-miady

Fa dia izaho irery sisa, no indro mbola miverinaMipetraka maminany, ireo andro izay nodiavina

Amin’ito vato mangatsiaka, toy ny vatom-pandevenanaIreny lasan-tsika ireny, efa maty ka nalevina.

RakparfaitAnalakely 02 septambra 2010 @ 03 ora tolakandro sy 30 minitra

Page 32: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

HIVAVAKA

Hivavaka aho ka hiantso ilay Ray any ambonyFa tsy maintsy ho Hainy ny hanasitrana ity fo

Hinoako mihintsy, fa na latsa na lonjonyHo voafafa daholo, ho voasolo avokoa

Fa marary ity foko, eny mahatsiaro mijalyFa sarak’olo-tiana, ‘lay notiavina tokoa

Nefa moa raha tsy anjara, ‘lay Ray hampifalyHanome andro vaovao, hifalian’izany fo

Na hikiry aza aho, Izy mahalala izay mahasoaHikipy hiroso ihany, amin’ny làlana tsy fantatra

Na ho azo aza ilay niriana, hampifaly ity foRaha tsy eken’Izy Tompo, fitiavana an-dratra

K’hivavaka aho fa mafy, fa atao ihany ny mitiasy anadino iny olon’iny, ho fafana ao an-tsaina

ho tononiko ihany koa, ilay vavakin’ny tiafitalahoan’olon-dresy, manantena ilay maraina

RakparfaitAnalakely 04 septambra 2010 @ 1 ora folakandro

Page 33: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

NDAO HANDIHA

Efa nangatsiaka ve ilay fo izay nitiano dia avonavona no hasetry ito tsiky

fa tsy nisy mihintsy, fony isika niara-diasombitsombim-pifaliana, fa toa fankahalana no mikiky ?

ito endrikao ilay vola-baliakan’ny fokotaratra hasambarana izay niainana anaty

zary malomaloka tarehy, hianjadian’ny tolokono lazain’ito foko, resy miantso faty

zary toa hantsana mankadiry tsy hay hiampitanany omaly sy ny anio antsika, hiainana

fa toa nofinofy ireny isika roa, nifampitatanamandrotidrotika fo tsy mety eken’ny fisainana

iza no diso izaho ve sa ianao, nampisarakasa ny vintana na ny anjara no tsy laitra

fa sarotra ny hino fa isika roa tsy afaka hiarakadia hamarana ny dia, ny rovitra tsy ho voazaitra.

Koa ndeha izany havako izany, atao ahoana moaIzato endrika toa vinitra, ndeha hiatsaravelatsihyHo rakofan-tsiky, nadia lonjony aza ny ao am-po

Mba ho endrika sariaka no hiarahana, ndao handiha.

RakparfaitAnalakely 07 septambra 2010 @ 09 ora sy sasany maraina

Page 34: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

NANGINA ILAY FEO

Fa nitsahatra ilay feo Fiventesany ilay hoe tiaKa fahanginana no injao

Mameno ny tontolon’ny fitia

Fa na ny akon’ny hehyIlay nampitombo ilay fitiavanaDia sina ihany koa toa voafehy

Tsy hiatmberina ho namana

Fa fahabangana no sisaAnilako eto tsy mahasarakaMampahatsiaro paradisa

Nofinofy tsy tanteraka

RakparfaitAnalakely 07 septambra 2010 @ 12 ora sy sasany atoandro

Page 35: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

MAHAJANGA

O ry Mahajanga, tsy ho adinoikoNa inona hitranga, efa ato am-pokoFa firy taona aho no nikolo ilay fitiaRaha tsy teo ianao, tsy ho tafara dia.

F’ilay tiako iny, ilay niriako hatrizayNy tora-pasikao, nampangotraka, nahamay‘lay fitiavana tahiry, nokombonina an-tratraNosafosafoinao malefaka, k’indro tsy tratra

Niantoraka taminy, niantefa tsy hoe tsy nahyFa tojo ilay tiana, niatsampy tsy nanahyNibitabitaka tsy tana, falifaly aok’izany

Fa indro anilako eto, ilay niriako hatrany.

Anatin’ny alin’ny nofy, ventsoventsoNo valianao tsio-drivotra, nandroaka sento

Ito moron-tsirakao, tototr’olona falyTonga fanafody, ho an’ireo mijaly

Ito onjanao hatopatopan-drivotraMalefaka manamando tsy rototra

An-taona maro ito tora-pasikaToy ny fitiavako, midadasika

Hanenika ny tenany, hameno ny bangaFa tiako ianao, tena mamiko ry Mahajanga

Fa tanteraka ny nofy, tsy mba sary ilay nirianaFa ito anilako eto, ilay efa nantsoiko hoe tiana

Na hody aza aho, hamonjy ilay akanyHitsinjaka ho faly, atao veloma ny tomanyFa efa ahy ilay niriako, nanaiky ho malala

Ry Mahajanga ny foko, am-poko ianao tsy miala.

RakparfaitAnalakely 07 septambra 2010 @ 01 ora tolakandro

Page 36: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

MIONONA !

Fa inona moa no ho azoko atao,fa raha ianao ilay nantenaiko no toa indro

toy ny fatana eny lavitra, tsy anilako eofa dia fo mangatsiaka, afo lavitra hamindroana

Nanantena aho androany, niandry teto foanatsy mety mino mihintsy, fa ho vitanao

ny hikosoka hamafa, hampanjary ho moana‘lay horakorakin-tsika ireny, rehefa milalao

Mitamberina ato an-tsaiko, ireo eson’ny namananitsiriritra ilay fitia, noezahan-tsika tsy ho vaky

nieboeboako mafy fa tsy hisy koa ny làlanahidiran’ny tsy tia, ary hahazoan’ireny laka

Fa dia tratra aho izao, manaiky fa misyny ambadikin-tsika, tsy mbola nisy nahalalafiry taona no niarahana, no toa dia indrisy

no teny hivoaka ny vavako, hasolo ilay malala ?

Tsy maintsy miaiky, fa mbola tsy fantatro ianaona dia teo anilako foana, nifamboraka ny tao am-po

f’izao vao tena tsapako, fa olon-kafa ilay teoanilako notiavina, nantenaina hitondra soa.

Tsy hikiry aho mbola hitia, f’efa fantatro f’efa lasaIanao nandrasako, efa lasa niampita onyTazako ato an-tsaina, tsinjoko manasa

Amoron-drano ilay fitafy, tsy hisy fofoko intsony?

Ndeha hody zany izaho, f’efa dify ity masoandroHitondra samirery ny alahelo ato am-po

Manatena kosa anefa fa mbola hisy ny androHitatavako ny mamy, higoako ny soa

RakparfaitAnalakely 09 septambra 2010 @ 07 ora alina sy 15 minitra

Page 37: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

AOKA ALOHA

Tsaroako ilay teny, mitotoa koba hatavyFa tsy ho very hankazo tokana ianao akory

Te hihomehy aho, raha mba fantatr’izy ireny fa ny ho avyNo indro fa nafoy, tsy azo atao hoe sambory.

Te hiezaka aho ny hino, fa hisy fanafodyEntin’ny ampitso, tsaratsara no ilay teo

Fa ny fantatro aloha, dia malaina aho ny hodyHamoha varavarana, ka ho gina tsisy feo.

Ilay tontolon’ny omaliko, nanamboarako ny ampitsoNokoloiko tamin-tsika, nandreseko ady mafy

Dia hilaza ilay feo, fa tsy misy tsy ho disoIlay fitiavako ve ? tena kanto gasigasy.

Rehefa iny izahay tafaraka, tsofin-drivotra malefakaIreto volony olioly, haevaevan-drivotra

Ny ao anatiko ao injao, tsy tafatombina tsy mipetrakaBitabitaka aok’izany, velon-kira miovotrovitra.

Izany bikany ve re olona, bakobako aok’izanyMilatsilatsika famindra, mampientana fanahy

Mampanadino ny tontolo, fa eto anilako eto ihanyNo paradisa eto an-tany, tsy misy mampanahy.

Koa aza mbola hiresahana teny fampiononanaIty foko vao nitia, nilaozan’olo-tiana

Fa maharary ahy loatra, ny hanadino hanafoanaIreny lasanay rehetra, ho tontolom-pahoriana.

RakparfaitAnalakely 10 septambra 2010 t@ 2 ora folakandro

Page 38: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

ILAY PENINA

Fa lany sy ritra ny ranomaintin’ity peninailay tokana namako, nilazako izay nafeninad’ireo alahelo maro, nokoboniko tao am-po

tsy nisy nahalala, nosoratany avokoa

ireo fifaliana niainako, naha-maintso ny tontolotsy nahalalako fijaliana, fa fitia tokam-bolo

no noraketina an-tsoratra, notehiriziny ho ahynovakiako rehefa iny aho, mitady ho resy ka manahy

izaho ilay kivy reraka, nitsinjo fara vodi-lanitranifandao vetivety tamin’ilay malalako hanitramameno ny tontoloko rehefa iny aho manireryizy nanoratra teny kely : azy aho, izy ahy irery

ireo adiadinay nitarika fisarahana, noraketinyan-tsoratra ho tsiahy, am-pitsiky ny tarehiny

fa laro ny fiainana ireny, sedra ihany koahitsapana hoe hatraiza, ilay fitia ao am-po

fa mba nisy ihany koa, ny fotoana indraindraynitokona tsy nanoratra, ity namako hatrizayrehefa iny aho sendaotra, tsy mahatsindry fo

entanin-katezerana, ka mavesatra ny loha

tsy fantany intsony izay ho raketina ho tsiahyty zaho malahelo ve sa ny fijalian’ny fanahy ?

indro izy mitoetra, tsy mahetsika ambony latabatramiara ory amiko, gina sina fa mahafantatra

ny anton’ity ady anaty, maha-sendaotra ahyfa adim-pitia, matetika alahelo ahiahy

f’ilay tokako iny, lasan-davitra tsy anilakoka marary aho, tsy maha fantatra ny lalako.

Fa efa maro no nosoratany, pejy maro voatahiryfa vitsy no namaky, ireo ventso tsy fahita firytsy nekeny ho soloina, na printy na solosaina

ny ranomainty nakorisany, fa ventso tsy zaraina

Nefa indrisy fa tsy maintsy, fa ritra ilay ranomaintynamelona azy teo, nandraketana izay tsy tanty

koa indro fa ho soloina, ranonaina vaovaohandrakitra an-tsoratra, izay ady mbola atao.

Page 39: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

Tsy ho hariako akory ianao, r’ilay penina tsy foikofa ho velomiko indray, fa nanaiky tsy niova loko

hanoratra ireo fifaliana sy ny sento izay ho diavikodia ny tontolom-pitiavako sy ny ampitso ho aviko.

Ireo nofinofiko an’alina, revirevy tsy mbola fantatraizay tiako ho tontosa, mba ho tontolo tena fatratrany ampitso hiarahanay, izay ho diarin’ny fiainako

ho soratanao ry penina sy izay mameno ny fisainako

Ka mifalia ry penina, r’ilay namako tsy mahafoyfa mbola hiaraka isika, handrafitra ny tantaran’ny fo

ilay nofo kely anaty tratra mitahiry voatsinapyho vokisana finoana, hiara-velona tsy ho faty.

RakparfaitAnalakely 17 septambra 2010 @ 5 ora folakandro

Page 40: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

NY MASONAO

Fa toy ny volana baliaka, anaty aizim-pitoIto masonao mijery, anivon’ny takolaka

fanilo hafa mihintsy, vitsy no mahitany hakanton’ny tarany, hazavana miantoraka

fa ny aizin’ny tsiahy, sokafam-betsoventsotarafin’ito maso, mitahiry fahatsiarovana

dia indro fa tazaniko, tsy lavitra fa etoanilan’ny anio, tomorim-pandalovana

ny lasa voatahiry, nokobonin’ny fonafenin’ito maso, baliaka lalandava

ampangain’ny masonao, manafina tokoaireo ady nolalovana, ho fanilo manazava

‘lay sento nitamberina, nampirotsaka tomanynoezahina nafenina tamin-tsiky sy ny hehyd’izato masonao mitsiky miezaka hatrany

mampifaly ny ao anaty haha kanto ny tarehy

tsaroako ilay tsianjery fony mbola zazasy ny dobo manga roa, taratry ny ao am-poizao vao tena tsapako, rehefa tojo ny sahaza

fa ireto masonao, diarin-tsika tena soa

saingy izao anefa, ireto masonao baliakafiafenako rehefa iny tojo hakiviana

mba semban-drahona ihany, tsy ora-mangatsiakahafanain’alahelo fa lavitr’olo-tiana.

RakparfaitAnalakely 08 octobra 2010 @ 4 ora folakandro sy 10 minitra

Page 41: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

HABAKABAKA

Malomaloka ny andro, tandindondin’oranaMafanafana manempotra, maina rivotra mitsoka

Sempotrempotra embonembona, tena hana mahatoranaAlokalok’olo-tiana an-tany lavitra mampisioka

Maizimaizina ny tontolo, mihilan’andro ho alinaKopak’elatra tsiriry, mifindra lasy tsy tamana

Kaikikaikitra tsiahy olo-tiana mahamaninaTontolo sina mampangovitra, singan-drery tsisy namana

Hovitrovitry ny fo entanin’alahelo miloatraHenim-pitiavana tokam-bolo, fotsy tara-pahazavana

Manaka-danitry ny nofy, fitiavana mitroatraManenika ny vatana, safononokin’ny fahafahana

Fa ambadikin’ny havoana, lavitra tsy taka-masoMialoalo ny omaly, tambesatrin’ny tia

Miandry mafy ‘lay malala, tsy mety resin’ny ankasoElanelan-kasomparana, ho resena ho doria

RakparfaitAnalakely 23 Octobra 2010 @ 3 ora sy telo minitra

Page 42: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

TANTARA

Ringidringitrin’ny fiainana, ‘lay fitia nifanolorananiaritra adim-piainana, indraindray toa novolena

noresena tamin-tsiky valabalaka hasosorananefa dia niaraka ihany nitady famonjena

Rovidrovitr’ny rivotra nitsoka mafy toa tadionanilika tahirim-pitiavana voatahiry mitampify

tanaty fo misalasala manaiky resy ny aniomanantena ny ampitso na dia fitiavana manify

Bemiraim-pitiavana no indro fa natambatrahamerina indray ilay hafanana niainana fahiny

vitrambitrana nalahatra, hantenaina haha-sambatraito androm-pahaterana, efa hiainana ankehitriny

Tokotokom-pahatsiarovana, volavolaina ho irayhatambatambatry ny sento, ho tontolo tsara

vesabesatry ny fiainana nandoro sy nahamayny omaly, ny anio, ny ampitso…bokin’ny tantara

RakparfaitAnalakely 27 Octobra 2010 @ 12 ora atoandro

Page 43: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

LASAN’IZY

Halamiko ny foko, tsy hitroatra intsonyHiantsoantso ilay notiavina, hikiakiaka mbola tia

Fa lasan’izy mantsy, nodioviny ny foTsy hisy ny tavela, ny lasa fony nifankatia

Zary toa kely ny lalam-pofonainaHiainako isan’andro nony lasa izy

Tsy haiko intsony, fa toa zavona marainaNo tazan’ito masoko manao hambozizy

Hitazana iny làlana, nodiaviny faram-paranyManantena topi-maso, na kopakopa-tànanaFa lasana izy iny, nitondra ilay tantarany

Ny ahy navelany eto, ho sakaiza sy ho namana

Dia sentosento foana, tsy laitra hampangininaZary vady andefimandry, tsy mahasaraka amin’ny alina

No mameno ilay toerany, tsy azoko fihininaAnaty alina mangina, mangeja mahafanina

Fa na dia ho sento, no sakaiza tsy mahasarakaSary hitoetra, hambomba izay ho diaviko

Tsy maintsy mitraka, f’ilay mamy tsy mba rarakaDia ilay mba fitiavanay, tahiry tena mamiko

RakparfaitAnkadivato, 25 novambra 2010 @ 08 ora sy 35 minitra

Page 44: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

TSY ALOKA

Tsy aloka miserana, hambomba hainandroIlay fitiavan-tsika mamy, nitapikitra tsy niala

Fa tandra vadi-koditra, namana alina sy androDia haingo sy bika, vitsy mpahalala

Na satrin-tsika aza izao tontolo izao hahafantatra,Ilay fitiavana niainana, nokombonina tanaty

Dia sarotra lazaina, fa mety ho maro mpisompatraIlay fitia nifanolorana, velomina tsy ho faty

Noentin-tsika ny andro, ho ravaka harentyHamiram-piratra fanantenana, hiambozonana doria

Nefa natahorana hisy haka ka zary vetivetyNielatra tazanina, hazonina malia

RakparfaitAnalakely 30 Novambra 2010 @ 3 ora folakandro

Page 45: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

ADALA VE NY TIA

Adala ny tia, tsy mahalala avonafa na hiafenana aza, misisika ihanyvery saina ve sa ilay fitia efa lavony

fa mijoro tsy ami-kenatra, mifika ny tomany

Ny sarin’ny lasa, tampikirana mafymikaroka hamamiana, ho enti- mandresyalahelo ny omaly, tsy hitamberina ho avyfa nalevin’ny fony, mihira fa mpandresy

Izay teny kely, mba nalefany ho setryny antso mba natao, noheverina fitia

hay takon’avona miery, mametsyny fo mbola tia, marary sy malia

adala hoy aho ny tia, manofy vorona an-danitranolalovany dia hendratra, namorina vohitra hafa

nefa dia aloka niserana, izay niainana mba manitrafa nentin-drivotra nisinda, hamonjy toera-kafa

hatraiza ny adala, no hametra ny nofinysy tsy hihevitra ny nofy, fa ho tanteraka

fa harary anaty irery, hisento fitia nahifinyhitampikitra amin’ny fitia, vizana sy reraka

hisedra avona mantsy, hitsena sakanaraha hikiry hitia, hamboly rivotra

ho entin’ny tadio, faon’ny fandavanahangasihasy samirery, hafana hangovitra

hihevitra fa mbola ho tiana, dia ho sahyhiantso foana tsisy farany, hanantena hisy hamaly

ho vizana hitazana, izy tsy ho avy lahyfa vohitra hafa no tontoliny, ianao no hijaly

ka hijanona hitia na tsy hamaly aza izysa hikiry hanadino na marary aza ny fo

fa ny adala mantsy hono, lazaina mpanao hambozizysa ho hendrin’ny fitiavana, hiriaria amin’ny toloko ?

RakparfaitAntsakaviro, 18 Desambra 2010 @ 12 ora atoandro sy 15 minitra

Page 46: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

FAHALEMENA VE ?

Te hiezaka tsy hampiseho fahalemenaity foko izay nitia, te hijoro ho matanjaka

saingy vao mielatra ny tsiahy, tsy azo terenany fidobony mandratratra, injao fa mihanjaka

Ilay fitiavana nokoboniny, nanofisany tontolonoezahina totofana tsiky sy hehy ivelany

fa mbola azy ilay fitia, tsy banga manontolotsy hanombinana na kely, tsy tapany fa erany.

F’izay atao rehetra, misy tandindony avokoana ny soratra soratana na ny teny vakiana

mampatsiahy ireo angola, nipololotra avy ao am-pogado-kiram-pitiavana, tonga ho azy nahavariana

Fahalemena ve no mbola mitia, na ho fandavana azano ho setrin’ny hira ventesina sy mbola kaloinafa sarotra eny mantsy, ny hikosoka dia hilaza

fa efa lasan’ireny, ka ndao ilay fitia ho vonoina.

RakparfaitAntsakaviro, 21 Desambra 2010 @ 10 ora sy 48 minitra maraina

Page 47: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

SASAK’ALINA

Fa na maizina aza, ny tontolo manodidinatoa lokon’ny fisaonana, fandaozana mahaory,

ny foko izay nitia, tsy hay hampangininafa miantso foana, ilay malala tsy hatory

Hiantsampy an’habakabaka, anatin’iny alinahitodihan’ny eritreritr’ireo lavi-tiana

mba hihaino izany kalo, fitia tena lalinahingaim-betsovetso, lasa lavitra variana

Miverina mitety, ireny habakabakin’ny omalyizay tontolo nifaliany, nasandratry ny fitia

tsy te-hiverina an-tany, f’izato hiainana mahafalysaingy tsy lasa lavitra fa mbola eto am-pandriana

na mikimpy aza, ireto maso mba nijery‘lay endriny kanto, namoronana hira

An-tsaina foana ilay tsiky, ny bikany ilay nahaveryHisedra fahanginana, ho kely tsy hakadiry

F’ity torimaso natao hialana sasatraIndro fa lasa, dify anaty vetsovetso

Zary fahavalo, tsy namana, marary izany tratraHavadibakin’ny sento…manimanina tsy eto

RakparfaitAntsakaviro, 22 Desambra 2010 @ 10 ora maraina

Page 48: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

TSY AMBARAKO

Ilay foko nitomany, nitady ilay silanyniefonefona fidoboka, marary tsy anilanykoboniko ihany, hafeniko na tsy zakako…

ny sentony….

TSY AMBARAKO

Ny alina mangina, ilay fanaingako nofyfitsonjovako anao, indro mitondra rofy

mampivadika am-pandriana, eny tsy zakakony akom-pitiavana tsisy…..

TSY AMBARAKO

Ito ondako, vonton-dranomaso mikorianafihiniko malefaka, sao ny ventsoko hanginasy hitony fa mafaitra, ny alahelo tsy zakako

ny torimaso lasa….

TSY AMBARAKO

Ny foko mitomany, ny alina manginany ventsony mankany, ny ranomasoko mikoriana

ny alahelo ilay tiana, eny mafaitra tsy zakakoho koboniko, hafeniko ….

TSY AMBARAKOR’ilay Malalako

Fa anjarakoKa ho tazomiko Rahavako

RakparfaitAntsakaviro, 07 janoary 2011 @ 08 ora alina sy 20 minitra

Page 49: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

MITOMANY ILAY FITIA

Ny orana mikoriana, toa ritsoka an-tafo-tranoNy volon’andro maloka, rivotra arahin’erika

Lokon’ny fitiavako, ranomaso toy ny ranoMandena ny fitiavako, resy mila ho rendrika

Injany ny filatsany, gadogadona kotabaManindrona ny foko, ilay nitia tsy mba tony

Toa akora manenji-dresy, manamaina izato vavaMainan’oroka nomeny…toa voninkazo nitsam-bony.

Tsy mba tafo mantsy zany foko, ho fiaro raha avy oranaKa na erika io na havandra, tsy mihontsona mahatanty

Fa nofo kely mitahiry, ilay notiavina, ‘lay tokanaKa injao mararim-pitia, mitomany izany havany.

Ny fahanginana ato an’efitro, kotabain’izato oranaSatriko hisy embona, entin-drivotra avy any

Fa fofon-tany no injao, manempotra maha –toranaIty foko mila ho resy, miady mafy tsy hitomany.

F’izato ranon’orana, mitsotsorika amin-drindrinaToa latsa zary sary, manoritsoritra ny foko

Tsy hay fafana mba ho lasa, tsy hisy feo mba ho sinaFa mitomany ‘lay fitia, ranon’orana maro loko.

RakparfaitAmpahibe, 02 May 2011 @ 12 ora sy 50 minitra

Page 50: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

SIOTSIOKA

Siotsioka tsy hay fiaviana,Tononkira tonga ho azy

Zary kalon’olo-tianaMiverimberina toa sazy.

Sarisary mialoalo,Manalokaloka fijery,Mitoetra tsy takalo

Zary namana tsy very.

Embonembona mandaloMandrakotra fisainana

Tompontany tsy mpandaloLarolaron’ny fiainana.

Fa rivotra mitsokaMitondra embona…manitra

Sentosento misononokaAnilan’andriambavilanitra.

RakparfaitAmpahibe 02 May 2011 @ 3 ora folakandro

Page 51: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

ILAY HIRANAO

Rehefa iny harivariva, mihilana andrefan’eny ny hazavanadia injao mipololotra ivaiva, anatiko aho ilay hiranao tsy tana.

mampisento olon-drery, lavitr’olo-tiana mitomanyanatin’ny tontolo toa very, lasan’embona vinany.

Kanto manko raha kanto, iny hiranao fikalonampihetsika milanto, ilay vatako nimalo

nihaotraotra hampidera, ilay fitia nokoboninaeny nihaotra sao mianjera, ilay fitia safomorina.

Tsinjoko anaty embona zato bikanao lalaikomitampody mitamberina, tsy mety maty ao an-tsaiko

fa ny lasana omaly rehetra, dia indro tadidy ankehitriotsy nisy foana…nitoetra, fanilom-pitiavana nadio.

Eny iny harivariva iny, mitsotsorika hazavanarehefa dify lasan’iny, ilay masoandro ka tsy tanadia injao miakatra anaty alina, ny lasako tsiahymitampody mahafanina, maha ketraka fanahy

Ilay hiranao tsy haiko, toka-gadona an-tanysy ireo teny nolazaiko, fa raha mbola tany koa ny tany

ny fitiavako anao, tokam-po toy ny sinysafononoka aminao, r’ilay malalako tsy misy tsiny.

RakparfaitAmpahibe 09 May 2011 mitatao vovonana

Page 52: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

ADY SY TOLONA

Ny foko ve no hampanginina tsy hitepo fitia intsonysa ny masoko mijery no hakipy tsy hahita ny endrikaofa ady sy tolona isan’andro ny miady amin’embona

tsy mahasaraka, misento lava te ho anilanao .

Sa ny tahiry mitoetra an-tsaina tsy maty kosehinano endahina hiala ka hatsipy lavitry ny vetso

fa ady sy tolona isan’andro ny miady tamberinamialoalo mamikitra, tsy miala fa namako eto.

Sa ny làlana nizorana, nampiarahana famindrano tsy ho diavina intsony, fa manditsoka maso

fa ady sy tolona isan’andro ny miady ny tsara indrindrailay nitiavako anao na dia nampirotsaka ranomaso.

Sa ny fiainako mihintsy, ilay efa natolotro tanterakahiara-dàlana aminao na ho mora na ho sarotra….

fa ady sy tolona isan’andro mantsy no sedraiko rerakamamelona ny fitiavako, am-pelatananao….miady varotra.

RakparfaitAmpahibe, 30 May 2011 @ 04 ora sy 40 minitra

Page 53: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

FAHAVARATRA

Mavesabesatra ny fo, kendakendan’embonamararirary anaty, misentosento irery

fa kotroka andro maina, nanaitra voronailay teny voalaza, fa ny ho avy aleo ho very

Navesatra ny maso, tsy tana fa indroraho-maintin’alahelo no nanarona

ny tontolo notazanina tsy hafahana mamindroilay afom-pitia kotsan-drano….f’ilay fitia sarona

Petsapetsan’alahelo ito tava miran’inynohalamain’ny ventso, tsy tana fa nivoaka

fa taiza ho aiza tamin’iny làlan’inyno nalama ka nibolisatra ity fitia toa folaka ?

Fahavaratra indray ny tontolon’ny fitiavakokotsakotsa daholo ny làlan’izoran’ity foko

ranomaso mikoriana ka mamonto ito tavakomampihetsika ny vavako mangovitry ny TOLOKO

RakparfaitAmpahibe, 30 May 2011 @ 05 ora folakandro

Page 54: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

HO AN’I DADA

Vita indray iny ilay andro izay natokana ho an’I Nenyfa ilay natokana ho anao no handrasana higadona

na izany aza anefa, tsy kotaba vitsy mpitenyny fiandrasana aza io, sa tsy ilaina ny milanona ?

Na izaho koa aza, tsy te hiresaka ka hampatsiahyfa misy io daty io, izay natokana ho an’I Dada

mba iza moa no ho tolorako, fa raha ny ahyianao tsy eo intsony, efa lasana tsy hono na koa angamba.

Tohina ny foko, fa saronako tsiky ny alahelofiry taona izay no lasa nandaozanao anay

indraindray aho mahatsiaro ny fofonao mialoaloanaty sary an’eritreritra, tsy mahasarak’ahy.

Toa ho inona moa hoy aho, raha mbola teo ianaono hangalazako izato daty, eo anilan-dray ?

tsy ho takatry ny saiko, nofinofy sisa izaoireo taona vitsivitsy, niririhavana fahizay

Tao anaty fisandratana, izato zanakao niandryny hamaly ilay babena, izay mba zaka valim-pitiasaingy indrisy resy an’ady ito Dada nodimandry

tsy nioty kely akory, ilay nafafy fony tety

Ngolilngoly izany foko, ka minia tsy ankalazatsy asiako mitanila, ka ho hadinoako ihany koafa na I Neny nantenaiko, tsy nahita ireto zaza,

zafikely ho trotroina sy hanamaivana ny fo.

Izaho irery sisa eto, hotronin’ny ankohonanano mandimby anaran-dray tsy satry, tsy manadino ny lasa akory

O ! ry Dada, O ! ry Neny….mbola hisy ve fiombonana!!!!f’indraindray aho misento, mahatsiaro tsy matory.

RakparfaitAmpahibe, 06 jona 2011 @ 07 ora hariva sy 15 minitra

Page 55: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

HIRA HAFA

Injay ilay hira mba fanao, fikalon-tsika fony tiambola henoko eto foana, na sina aza ny tontolo

mitamberina ao an-tsofina, toy ny miantso hoe aviasaingy izato toniny, efa niova manontolo

Injany ilay angola, noheveriko ho tokana aman-tanyfa hoe ianao irery, no niangaran’ny natiora

mameno fahanginana, saingy indrisy ny tomanytsy nirotsaka akory, f’efa divy mantsy ny ora

O ry tiako! ry malala, tononkira nolalaiko,nankafizako ny mitia, nanofisako ny ho avy

toa migadona hafahafa, tsy mety takatry ny saikofa loko hafa indray no indro, mandoko toa miangavy

Fa hira hafa mihintsy kay, no henoko mandrotsyity foko izay nijaly, mbola tia nosakanana

tononkira toa mitovy, f’ity mikalo tsy volafotsyfiravaka an-tratrako eo, volamena tsy nanana.

RakparfaitAmpahibe, 29 jona 2011 mitataovovonana

Page 56: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

MANGIDY

Tsy hiainako ny lasa,fa mandratra ny anio

avelako ny ho avy no hanasany ratran’ity foko mba hadio.

Fa mamy no sady kantony omaly izay niainana

tononkira tsara rindra no milantony lasan-tsika tsy nampalaina

Ny feonao niangola, niangalyilay hirantsika tsy mety maty am-bava

nokaloina foana, tsy mba hiran’ny omalyfa ny anio marevaka, ny ampitso ho meva

Saingy indrisy, eny indrisyilay raozy novoleko tato am-pofeno tsilo, nandrava tsy ho nisy

ilay saham-pitiavana ho an’olon-droa

Maratra izany foko, mitoreoka tsy hiainako ny omaly.

f’ireto fery avelako eohanolatra fitia ho taratry ny jaly.

Hiezaka aho tsy hisainany lasa na dia kanto aza

tsy hiainako, halako an-tsainafa fitia tsy nety, tsy sahaza.

RakparfaitAmpahibe, 09 jolay 2011 mitatao vovonana

Page 57: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

KINTANA sy VOLANA

Fa satriko omena anao ny kintana sy volanahamirapiratra hanazava ny endrikao lalaiko

ka ho rado hanjopiaka, firavaka hiambozonanany volana an-tendanao, tazaniko ho sary an-tsaiko

Ny kintana an’alin-kisa, ho firakotra hanjelatrahandrakofako ny vatanao, tsy ho tojo aizinahitahiry ilay fitia, ho tontolo hampivelatra

ny nofinofin-tsika, natory ka fohazina.

Ka na maizina aza ny tany, ianao hanjopiakahitari-dàlana ahy, hamakivaky aizim-pito

tsy hihaotra ny tongotro, ny famindrako tsy hitriatraho tokana hanitsy, ilay tokana nofinidiko

D’ireo kintana sy volana, hatolotro ho anaoTsy ho takon-draho-mainty, hanaloka fiainana

Fa hibaliaka lalandava, fanilo mba nataoHitsilo ilay fitiavana, dia ireo voady nifanomezana

Fa satriko eny satriko, ny kintana sy volanaMba ho izaho sy ianao, hamiratra eny foana

ka na alina aza, tsy hifankafoy, miaraka milanonany lanitra midadasika, ho kianjan’ny fitia, ho tany filalaovana

RakparfaitAmpahibe, 15 jolay 2011 @ 10 ora maraina

Page 58: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

FETINAO ANIO

Vao nifoha aho ny maraina, niarina am-pandrianadia toa verivery saina, nahatsiaro anao ry tiana

fa misy inona hoy aho, namerina tadidysa mbola be ny atao, mbola maro ny adidy?

Niverina aho am-pandriana, nakipiko indray ny masokonitadidy izay nariana, na izay tokony andrasako

dia indro anaty tsiahy, ny endrikao lalaikonanokatra fanahy, tamberina efa haiko

Izay tokoa hoy aho, niarina malaky, loky ny hehyno tokony atao, no hilaozako matory, f’izaho tsy nahafehy

ny fotoana sy ny ora, ny andro sy ny volana, nandalo mba ho taonanikorisa moramora, ny làlana nombana, ny lasa tsy mba foana

Fetinao anio, tsingeri-nahaterahana, ry tokana notiavinatokana mantsy io, fa marim-pamatarana, ny làlana nodiavina

dia hoy aho nisento, niarina mora, nandamina fisainanafa raha mba teto, ilay hanitra miora, menakin’ny fiainana.

Mihomehy aho an-tsaina, mahatsiaro anao, mitodika ny lasasy ity foko tsy afa-miaina, miefonefona ao, mitadidy ireo fikasa

nofinofin-tsika, hirahira kanto, ventso takarivaangola toa mozika, ho fiainana milanto, manako toa antsiva.

F’ito fetinao, tsarovana androany, fetiko ihany koatsy mba kilalao, na zava-mora lany, fa rakitra ao am-po

ilay fitiavanao, natolotrao ho ahy, ilay tokana saro-bidikoao an-tratrako ao, mamelona fanahy, tokana nofinidiko

Firy taona moa, izaho sy ianao, nifanolotra fitianentanin’ny fo, noheverina ho lalao, ny antsan’olo-tia ?ny tsingerin-taonanao, tsarovana anio, vitsy mpahalala

amboara vaovao, fitiavana madio, no hatolotro ry malala

Hamafisiko androany, ho vatofehizoro, haharitra doriaIlay fitiavana tsy lany, tsy mba torotoro, natokako ho an-dri

Fa ito daty nahaterahana, tsy maty mbola hitoetra, ambadiky ny anioHo fanavaozam-pitiavana, tsy hisy fepetra, fitiavana madio.

Koa arabaiko ianao, ry soa malalako, ilay any notiavikoTratrin’ny anio izao, ry tiako sy havako, iriko mba ho aviko

Ilay Tsitoha, nampisy anao, hifanitsy amin’ny lalakoHiahy anao ry Soa, ny andro hiainanao, ho SOA ry Malalako.

RakparfaitAmpahibe, 15 jolay 2011 @ telo folakandro

Page 59: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

ILAY FOKO

Anatiko ao tsy hita, voarakotr’ito tratraMisy fo mila hitriatra, mitomany feno ratra

Ny fitempony injao, miefonefona manempotraMitomany mitalaho, kendakenda mila hanafotra.

Ny rà izay mikoriana, manenika ito vatakoToy ny ony mahavariana, miakatra an-doha ka tsy zakako

Mila anao ho fanafody, hampitsahatra ity fiakaranaMiantso miverena mody, fa marary ity namana.

Koboniko ato an-tratra, ny kiakany mitoreoMitoloko mila antra, tongava ka vonjeo

Henoy izany antsony, miangavy miverenaFa efa anao izany fony, ry malala izay nekena.

Ho triariko ve ity tratra, hijerenao ity foMiefonefona maratra, malahelo anao tokoa

Ka ireo rà hikoriana, hipololotra avy ao anatyHo porofom-pahoriana, hamelomana ny maty ?

Ity tratra mitahiry, ity fo izay mijalyMitoloko mba maniry, ilay fonao hampifalyIty fo nokoboniny, mba ho tokana fitempo

Ho anao ilay nofihininy, fony ianao mbola teto

Ka miverena ry malala, hoy ity fo malaheloNy adin-tsika aoka hiala, ndeha horoahina ny avelo

Ka fitia vaovao, ho koloina hifanoloranaNo hitoetra am-pon-tsika ao, handao hifamatorana

Ka ito tratra mitahiry, ilay fo izay nalaheloHo velombelona haniry, hiaro ilay tsiambaratelo

Fitiavana vaovao, vita sedra ny tolokoKa ny rà hikoriana ao, hanao sary hosodoko

Fitiavana mamiratra, tarafim-panantenanaFitiavana tsy ritra, tokana io tsy hanalana

Dia ho anao r’ilay safidy, nosinganina anaty maroRy tokam-bolo tsy mangidy, singany ihany tsy mifangaro.

RakparfaitAmpahibe, 18 jolay 2011 @ 10 ora maraina

Page 60: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

ILAY HIRA

Injay ilay hira, nolazaiko anao, atao fahatsiarovanaFa na lavitra an-dakira, mbola an-tsaiko ao, ny ora nolalovana

Tsaroanao ve, saika lasa vazivazy, ireo tonony nohirainaEny nampihomehy, saingy zary toa lasa sazy, fa tsy afaka an-tsaina.

Ianao nibanjina, nitongilana fijery, toa manontanyIzaho nangina, ianao toa irery, izaho lasana vinanyF’ireo tonony, angolain’ny mozika, mampandaingaKanto tsisy tsininy, natao ho antsika, ….sa lainga ?

Fitiavana madio, safidy tokam-po, ho anao ireryFa na rivotra tadio, hasomparana ihany koa, tsy nahasakana ahy hiteny

Hitanisa ho antsika, ny vetsovetso izay nambarany, fa maninona moaNa hafanana na hatsiaka, eny na tsiky na tomany, ilay fitiavana efa am-po.

Aiza indry izao ? mba mihaino koa ve ? sa an-tany lavitra,F’izaho ‘ty efa lao, manirery te handeha, manembona ilay hanitra.

Tokam-pofona lalaiko, hanitr’ilay tiana, lasa vadi-koditraK’izato hira tsy haiko, kanto mahaliana, ity vatako….mangovitra.

Mitamberina ato an-tsaiko, asa ianao, ilay nampihomehyIreo tonony novaiko, natao kilalao, tsy nisy nandre

Ny malala natao “ianao”, tena marina, ilay tiana dia “izaho”Ny angolany toa lalao, tena lalina, fa ravina sy taho…

Miorim-paka anaty fo, tsy tsaroana, ny tananao noraisikoRy tokana tsy roa, tsy ho foana, ny fitiavanao tsy nalaiko

Fa natolotrao am-pitsikina, hasambarana, no nandraisako azyTsisy feo…nangina, fahalalahana, nataoko anaty vazy

F’ito hira entin-drivotra, manako, mampatsiahyNy lasan-tsika tsy rovitra, ry malalako, fa efa ahy

Ny lasa nolalaiko, ny endrikao tsy maty, voatahiry anaty bokyNy tonony tena haiko, voatahiry hatramin’ilay daty, nifanomezan-tsika toky

K’injay hoy aho ry malalako, ilay hiran-tsika, toa mitanisaNy omaly tsy navelako, hanafana ny hatsiaka, tontolo paradisa

Ny loko entiny anio, baliaka aok’izany, endrey izany gadonyDia ilay fitiavan-tsika nadio, na dia kotsa-tomany, mbola nofonosiny.

RakparfaitAmpahibe, 18 jolay 2011 @ 11 ora sy 40 minitra atoandro

Page 61: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

ROA TAONA

Roa taona no niarahana, nanambarana fitiafa saingy izao fisarahana, no mamarana ny dia.Nandraman-tsika daholo, ny fitia tsy nisy fetrafa dia fo torotoro, no fitambaran’ny rehetra.

Ka na hikiry hifankatia, hifanolotra izay voady,Isika mihintsy no minia, manakatom-bavahady.

Koa ndeha halevina ny lasa, ho rakofan’aizina tsy hisyFa fitia tsy hay nampiasa, ho hadinoina toy ny tsy nisy.

Ho lazaina ho toy ny nofy, izay mety ho tamberinaRediredy mitondra rofy, hialana tsy ho nenina.

Fa na hanangatra aza ireny, hisarangotra hikiryEfa foana ilay fiteny sy ilay fitia tsy nananam-piry.

Roa taona izao no dify, ho kosehina handaoFa fitiavana manify, tsy naharitra fa lao

K’ireo sary izay voatahiry, natao ho fahatsiarovanaHaleveno tsy haniry, ho sakaizam-pahalovana

Ny anaranao fiantsoko, nangolaiko raha tononinaHo foanako ao am-bavako, eny ataoko ho soronaMba hahazahoako hery indray, hiatrika ny ho avySy ho fanefitra hahay, hanome tontolo tena favy.

K’izay roa taona lasa izay, nianarana nitiaHo dingam-piainana iray, hilaozana satria

Ny fitiavana dia nisy, nandoro aza indraindrayFa isika roa mihintsy, no tena tsy nahay.

RakparfaitAmpahibe, 05 Aogositra 2011 @ 11 ora sy 20 minitra maraina

Page 62: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

MBOLA RIRININA

Mihilana indray ny andro, malomalo-doko, mitondra hatsiakafa efa ho resy ilay masoandro, lahatra tsy zoto, ny hazavana dia ho vita.

Mampanainga moramora, anaty vololon’aina tsiahy, hipololotra anaty aizinaKa ho tonga tsisy ora, ny lasa efa sahy, nandao nefa tonga tsy azo laizina

Volon’andron’ny ririnina, mafana mangatsiaka, tsy hay hamindronaToa fitia tsy hay tazomina, malama miporitsaka, lasana tsy mijanona.

Ozono-tsy hiverina, halevin’ny alahelo mitady hiantsampazanaTsy toloko mitamberina, fa hain’andro mila elo, hialofana ho namana.

Ny ampitso hibaliaka ve ? hitondra hafanana, loko manja vaovao ?Ho lohantaona ka endrey, ny tontolo maintso mavana, ho fifaliana vao.

Ka ny tokontanin’ity fo, rakotr’ando ny ririnina, mainamaina kinaHo mandomando ho soa, k’ireo voankazo fihinana, hitrebona hampitombo vina.

Fa mbola ririnina izao, ngolingoly foana, na ilay fitia koboninaMitampify an-tratra ao, miandry lohantaona, hafanan’olo-tiana.

Ka andeha ny firakotra hampitomboina, hatevenina, sao ho lava ny ririninaHiatrehana hatsiaka ho loloina, hanaovana be marenina, hiandrasana olona ho fihinina.

RakparfaitAmpahibe, 08 Aogositra 2011 @ 05 ora sy sasany mody masoandro

Page 63: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

VOALOBO-JAZA

Hahodiko ny maso, aleoko tsy mijerysao voatahiry an-tsaina ka hitoetra ho sary

ito toerana nitosiana, nitanisana toky tsy ho fitakafa vao rivotra nitsoka dia niboridana nihahaka.

Iny lanitra iny, ny volana sy kintana,ho tohazako ho anao, ka ho kianja filalaovanafa vao raho-mainty nitatao, tonga dia oranamandon-dranomaso ilay toky nifanolorana.

Ny rivotra mitsoka, mampandihy ireto ravinamibitsika mangina tsiahy, feo anaty lalina

“Tiako ianao, tiako ianao ry tokana an-tany…”fa vao sedra iray dia indro mitomany.

Ka aleoko tsy mijery, sao mbola misy izay tavelailay fitia nifanolorana, nanamando ilay sezak’ilay nitoeran-tsika, ho antsika voafaritrafa fitia voalobo-jaza, fitia tsy maharitra.

RakparfaitAmpahibe, 08 Aogositra 2011 @ 06 ora hariva

Page 64: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

FITIAVANA IO

Fitiavan'io indraindray lakalaka,fangalam-pery toy ny voalavo sy ny sakany fitiavana tolorana amin'ny fo madio

no mankarary sy mampirotsaka lio.

fa raha voarara mantsy izy,sarobidy tena lafo, tsy takatra devizymaningotra ny aina, mampitomany

mahavery saina, mampiakatra vinany.

fa efa misy any ho anymiandry fotsiny 'lay malalany

fa midadasika ny kianjan'ny fitiaka na miantso aza, tsisy maheno ilay avia

fa na ilay tia, nosakanana voararana ilay mba notiavina, tsy nanaiky hanambara

fa tsara ny mitia, raha tojo ny lalainaparadisa ny fitiavana, tsy voavidim-pofon'aina.

RakparfaitAmpahibe, 09 Aogositra 2011 @ efatra ora sy sasany folakandro

Page 65: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

FIONONANA

Fa mafy ny mamoy, anaty fahasambaranailay notiavina am-po, nantenaina ho namanaka na ireo teny tiana, am-bava nifanoloranazara latsa fahoriana, fangady hamongorana

roa taona no nitiavana, safononoka ny fosaindy indrisy fa ny làlana, nisaraka ho roa

mitanisa ny fotoana, izay mba namiratan'ilay fitiaindro tany babangoana, no anjarako nitia

soa ihany fa ny fo, tsy tanalahy akoryfa mahay mikaroka ny soa, ilay tsy maha ory

hisaona izy anio, hitafy lamba fisaonanahinoako kosa fa ambadik'io, tsikitsiky no fihaonana

fa any ho any, ilay fitiavana mila namanambola hiandry ihany, miandry tànana

hotolorako ilay tsy tiana, tsy ho roa taonafitiavana hifamaliana, hiaina zato taona

RakparfaitAmpahibe, 09 Aogositra 2011, @ Dimy ora Folakandro

Page 66: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

IREO RINDRINA

Ny rindrina nihafenana, nanakona antsika nifankatiambola indro fa mijoro, mampatsiahy irony lasa akia.

Ny akon’ny feo tsy tana, nosakanany tsy hihoatrany tontolon-tsika niainana, rehefa sendra ka mitraotra.

Izy manko tsy niteny, tsy hoe tsy niloa-bava,fa naleony mihintsy mba nangina sy tsy nanazava

inty tontolon-tsika mba hamiratra, na hitsilopy aza satriany afom-pitiavana nirehitra, no fanilon’ny fo tena tia.

Ankehitriny indrisy, f’ireto rindrina mijoro, nihafenanano zary lasa fonjam-pitiavana, managadra ilay niainana,

dia ilay fitiavana nifanolorana, tsy nasiana honohonofa noraisina tanteraka, tsy noheverina hamono.

Ilay afom--pitiavana nirehitra, nandoro tao anatynasandran-tsika roa, nohiraina ho mandra-matyno mitsilopy manary aina, tontolo mangatsiakarindrin’efatra mijoro, hazavana tsy hibaliaka

somambisambin’ny fandaozana, no mandrakotra indrisy,tsikelikely ireto rindrina mijoro, fa efa levona tsy misy

ilay fitiavana niraisana, f’ireto rindrina tsy hokoroho rindrim-batom-pasana, handevenana fa torotoro

ilay fo mba nitianitsaha-nitepo satriany omalim-pifalianatontolom-pahoriana

RakparfaitAmbolokandrina, 15 Aogositra 2011 @ 7 ora alina sy 50 minitra

Page 67: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

TAMBERINA

Vao nifoha aho maraina io, dia nahatsiaro anaoNanembona, nikarokaroka tahirim-pahatsiarovanaToy ny zaza sara-dreny, mitomany mitady kilalao

Mahatsiarotsiaro ho irery ito fo ka torovana

Sento kely tsy hay, tsiahy ny omaly ve ?Maso mandon’alahelo, nofaona ho mainaEmbonembona anao, ilay tiana nandeha

Tsy anila intsony, ka lasalasa ny fisainana.

Taratr’andro mitsoriaka, mitondra hazavanaManaisotra torimaso, hiaina ny tontoloSiokam-boron-kely, manaitra mahalana

Ny eritreritro mitopy aminao ry tokam-bolo

Manaikitra ny tsiahy, ireo tsiky nolalainaIlay feo fihainoko, nampody tsiky tam-poHo ezahina resena, sao tsy zakan’ny aina

Ka hanempotra hankarary, hamaky izany loha

Fa mbola hifoha aho maraina, ka ho hitako eoNy sento mitoetra hivadika ho tsiky

Fa mamy ny fiarahana nafoy samy tsy leoFitiavana fa efa izay no anjaran-tsika

RakparfaitAmpahibe 16 Aogositra 2011 @ 5 ora sy 45 minitra folakandro

Page 68: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

EFA LASA

Ny teny mamy nifanolorana, fahiny fony nifankatiamitamberina tsy hifanolorana, manakenda olo-tia.

Manelingelina eritreritra, hahifika tsy mialatsy voabata tsy mavesatra, tsisy lanja manadala.

Ny malala, o ! ry tiako, tsy afaka am-bava ilay fitenymitamberina ao an-tsaiko, toy ny omaly izy ireny.Mamerina sarintsary, hafaliana mba nodiavinasaingy latsa mankarary, anaty fo tsy azo lavina.

Hisarangotra aho hihazona, fa mba fiainana irenysaingy efa lasa na tsy mivalona, toy ny maty tsy miteny.

Ny endrikao ilay nitsiky, volana baliaka anaty aizinatsy voakosoka mikiky ilay fitiavako tsy mangina.

Ny lasan-tsika mitamberina, tsy mitondra hafalianaFa kaikitra sy nenina, tsy nahatazona olo-tiana.Na dia ireo teny mamy, mba fiventy rehefa tia

Lasa sentosento sy tomany, manapak’aina, mankahia.

Ny fotoana nikoriana tonga ora, nigoana ny mamyNitambatambatra ho volana moramora, nampirotsaka tomany.

Nivalombalona ho taona tsy tanty, niaretana, nampijalyFa adim-po lavareny, nakarary ny tao anaty, fo efa resy, tsy mba faly.

RakparfaitAmpahibe, 08 septambra 2011 @ 01 ora folakandro

Page 69: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

NY SARINAO

Eto am-pijerena, izato sarinao, no lasa ny eritreritraTsy haiko terena, avy ao anatiko ao, embona tsy aritra.

Hiampita ambadika any, ny omaly lasan-tsika, mielina tsaroanaMampiakatra vinany, ventso miampita, tsy voafetran’ny fotoana

Izato bikanao, nandresy lahatra ahy, hikalo fitiavanaKalo vaovao, naterakin’ny fanahy, handray anao ho havana.

Sambatra eny aho, tojo ‘zato kanto, tokana aman-tanyHinoako fa natao, ny hira izay milanto, hiderako izato mamy.

Tsy nofy ka hielina, anaty torimaso, ilay fisianaoKa hanelingelina, hampivonto ny maso, raha dify ianao.

Fa ito sary jereko, porofo tsy azo lavina, avy taminaoSy ilay fitiavana nekeko, tanatin’ny alinalina, noraisiko avy tao.

Izato tsiky kely, mandravaka tarehy, manindrona ny foAsa hoy aho ny anjely, raha tsy voafehy, raha haharesy anao tokoa

Babonao ny maso, mijery maharitra, mando kely mihintsyTe hanasohaso, fa kanto mahafinaritra, ireo teny toa vitsy.

Ireto volonao, mandrakotra ny loha, toa diademaTsy tefy ka natao, feno vatosoa, na didy ka nekenaFa voajanahary, ho anao mihintsy, tena sarobidy

Fa tsara ito sary, vitsy tena vitsy, tahiry tsy hamidy

Ka eto am-pijerana, no lasa ny fisainana, eny mahatsiaroFa fitia tsy noterena, avy dia niainana, tsy mba nafangaro.

Tokana iray, tsy nisy be ambara, fa efa samy tiaNa nandoro nahamay, fitia tsy voarara, maharitra doria.

RakparfaitAmpahibe, 09 septambra 2011 @ 5 ora folakandro

Page 70: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

MODY MASOANDRO

Indro fa nihilana, indray ‘lay masoandro, andrefam-bohitra enyfa nahavita izato làlana, fanao isan’andro, tsy mba niteny.Saingy anatiko ao, tsy tana fa mifoha, ny andro lasan-tsika

misandratra toa vao, manetsika ny fo, toa entanin’ny mozika.

Mihilana ny andro, misandratra ny lasa, tara-pahatsiarovana,na maty ny masoandro, tsy nety ho voasasa, ny akanjo nisalorana.

Fa lamba fitafy, ho entina mijoro, ny lasa izay nidifysy voa mba nafafy, ilay fitia ‘zay nikoro, firakotra nanify.

Maloka ny omaly, kotsa-dranomaso, namonto izany tavasento nampijaly, resin’ny ankaso, nandrakotra mazava.

Ny adin’ny fo, nikiry mba hitsiky, hitraka tsy manahyfa ny lasa dia nikoa, ny nenina no mikiky, akory moa ry lahy.

Taratra hazavana, miady mba hijoro, ery andrefam-bohitrailay fitia nalana, narefo toa zozoro, resy tsy natohitra.Nilofika nanaiky, nijoro tsisy hery, nijery tsy mahita

ny lasa toa akaiky, manokatra ny fery, ny fiainana mba vita.

Mirotsaka mora, mandrakotra ny tany, ny aizina tsy tanakotaba toa akora, ny zaza mitomany, ny foko efa hana,

sempotry ny sento, mahatsiaro ny andro lasa, reraka ny fisainanailay tiako tsy mba eto, sa diso aho nikasa, fa resin’ny fiainana.

Fa rakotry ny aizina, ny tontolo ka mangina, hanjaka ny alinafa ny foko tsy azo laizina, mahatsiaro ilay mba tiana, midoboka fa manina.

Fa resy ny hazavana, rakotry ny mainty, tsy maintsy nandeha,ny ampitso ho avy tsy hanalana, hamiratra hirenty, toa jiro lehibe…

Hanaitra ny tontolo, hikalo sy hihira, fa mbola velon’ainaf’ilay fitiavako torotoro, handositra andakira, efa tsisy aina.

Hilentika andrefam-bohitra, ho rakotry ny aizina, ilay fitia izay niainanany foko tsy hihovitra, fitiavana efa sina, lamban’ny fisaonana

RakparfaitAmpahibe, 23 septambra 2011 @ 05 ora sy sasany mody masoandro

Page 71: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

AKO

Ilay hira tokana fikalo, nandrotsirotsy, tsy afaka am-bavainjao henoko mandalo, toa mamotsifotsy, lasa akora lavaManako an-tsaina ao, manao tampody fohy, ako mielina

tsy mahasaraka mandao, tahiry sarotra hafoy, akon’ako miverina

Ny feony dia kanto, gadona tsara, miavaka indrindratoa feonao milanto, mihira tantara, ilay sarotra hafindraFa raki-tsarobidy, tokana aman-tany, tsy hain’ny tontolo

eny sarotra hamidy, vonton’ny tomany, fa fitia bobongolo.

Manakatra ny saina, mitady endrika, anaty fahatsiarovanamamaritra lalaina, fitia tsy rendrika, tamin’izay nolalovana

F’izany hira manako, enti-drivotra mandalo, mitondra tsiahyefa ela no nialako, mba tsy hialoalo, fa mandreraka fanahy

Tsy ho voasakana ny omaly, tsy hiverina anio, hamelona ny maty.F’ilay fo izay nijaly, niantsoantso mba ampio, tsy maintsy mba nahataty,

ilay ora fisarahana, tsy maintsy nolalovana, na dia mbola tianampirotsaka mahalana sy nahatotoravana, ilay voady ho doria.

RakparfaitAmpahibe, 06 Octobra 2011 @ 3 ora folakandro

Page 72: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

AMBARA NOHON’NY TENY

Teo am-pamakianailay boky

dia lasa ny fisainana

Nahatsiaro ny omaly ka varianano sady loky

fa tsiambaratelo no lazaina

Nitia ianao dia nanirymangina

fa tsara ny voaary

Na lavitra aza nitsiryho an’ilay tiana

ilay fitia mankarary

Na tsy ambaratelo azano narindra

hipololotra tsy tana

Nosoratana ho tahiry, voalazaRaRija

‘reo nofinofin-tsika namà.

RakparfaitAmbolokandrina 22 Octobra 2011 @ 11 ora alina

(nosoratana tsy setrin’ny Boky “Tsy Tsiambaratelo” an-dRakotomalala Rija)

Page 73: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

ETO

Eto am-pandriana ahono manoratra

entanin’ny fanahy

ny alina mangina injaomampangovitratoa mampanahy

ho an’iza anefaizato sento mipololotra

manosika ahy hanoratra

ho azy izay nilefatsy nihazona ilay natolotra

nandratra indray ilay nanolatra ?

ho raketiko ihanyhindramako ny penina

ny sento

ho porofon’ny tomanytsy afa-nafeninaho an’ilay tsy eto

RakparfaitAmbolokandrina 22 Octobra 2011 @ 11 ora alina sy 15 minitra

Page 74: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

MIJALY

Ny antsoko maro, niampita ho anaotsy fantatro intsony

fa toa mifangaro, ka ambarambaraofa ndrao tsy mitony...

ny hiran’ny fo mamaky tratramibaiko tomany

fa marary ny loha, mila hitriatrahandevina an-tany

RakparfaitAmbolokandrina 22 Octobra 2011 @ 11 ora alina sy 25 minitra

Page 75: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

TSY RESY TSY AKORY

Tsy hoe resy akory raha toa manginafa misaina ny ho avy

ny ady hatrehana na mafy aza tsy ho sinany antson’ny tany fa mbola miangavy

Miantso ahy hitraka hiatrika foanaireo miseho ho mpandresy

ka ny fahanginana tsy hoe nanafoanany ady nasesy.

Fa mila mandinika ireo paik’adyhisedrana ny tolona

ho an’ny taniko izay mitadytsy tsangan’olona

Hiady anio ho an’ny ampitsomba hahamiratra

Ity tanindrazako, ilay tena tiakoHomban’Andriamanitra

RakparfaitAmbolokandrina 22 Octobra 2011 @ 12 ora alina

Page 76: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

TSY METY MITONY

Tsy mety mitony ny forehefa injay

mitamberina an-dohaireo lasanay.

Ho aloka hiseranahialoalo

sa tontolom-pitseranatsy maintsy mandalo ?

Ito lasa mipoitrahiainana ve ?

sa embo-tsy ritratsy mety mandeha ?

RakparfaitAmbolokandrina 23 Octobra 2011 @ 1 ora folakandro

Page 77: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

NA RESY AZA

Raha resy ny fo tsy mahatohitrailay fandavana

marary ny loha no sady mangovitrafa mangamangana

ny atin’ny fo mbola mitahiryfakam-pitia

kanefa ry Soa tsy voro-tsiriryka hanohy izany dia

Tokana ihany ilay fanomezanatsy misy faharoa

ka na kotsa tomany na hihomehezanaefa resy ilay fo

Ho sitrana ihany ilay ratrafa mety ho rahoviana ?

fa ny holatr’izany ho rakitra an-tratraendrim-pahoriana

RakparfaitAmbolokandrina 23 Octobra 2011 @ 5 ora mody masoandro

Page 78: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

AMBOHIDEMPONA

Rehefa iny lasa ka mikarenjy an-tanin’ny nofy ny eritreritroDia mibosesika ao an-dohako ny teny maro be ka raisiko ny peniko

Raketiko an-tsoratra izay tonga aloha ho tsiahy sy tadidyNa ny mampihomehy na ny mampalahelo indrindra ireo mangidy.

Ilay andro voalohany nitiavako anao tsy maty vonoinaIndrindra koa moa isika ilay nifandao fa tonga ny fotoana

Ny ranomaso nikoriana namonto ity tavako noezahiko nofafanaFa sao hihomehezanao izaho sy ny fitiavako ka hihanahana

Ny ora sy minitra hatramin’ny segondra tena sarobidyKa rehefa eo anilanao aho satriko hariana ilay fanalahidy

Tsy hisokatra intsony ny vavahadim-pisarahana hisy eo amin-tsikaDia hidy ao anatiny isika samy tia….masoandro mibaliaka.

RakparfaitAmbohidempona 27 Octobra 2011 @ 09 ora sy 45 minitra maraina

Page 79: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

NY ANDROKO SISA

Ny androko sisa satriko ho laniana eo anilanaoKa na tsy paradisa, ataoko ho mahaliana fa tontoloko ianao.

Ny andro fahavaratra hirotsahan’ny tomany raha hiarahan-tsikaK’ireo sento tsy ho omby tratra, hamonto ny tany ho kalo sy mozika.

Ny adin’ny fiainana ho larom-pitiavana hiarahana miatrikaHanamafy ny fisainana, ny tontolom-pijaliana tsy hampivaloarika.

K’izay androko sisa, tombony anilanao, ho rakotra fahazavanaSy ho kintana alin-kisa hamiratra ianao fanilom-panantenana.

RakparfaitAnkadifotsy 29 Octobra 2011 @ 06 ora sy 45 minitra maraina

Page 80: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

MBA KRISMASY

Ataoko ahoana moa, raha mbola velon’aina, no tsy hahatsiarofa na nangidy tao am-po, na namelona taraina, tsy maintsy nafangaro

ny endriko sariaka, tojo fitahiana, taram-pahazavanasy izy ilay niketrona, ketram-pahoriana, tsy azoko nofafana.

Tonon-taona toy izao, toa rivom-pifaliana, no nandrakotra ny tanyfa tena hoe lavim-pahoriana, ny tontolo niainana, tsy misy mitomany

fa nokoboniko tao anaty, tsy ho endri-kitarafana ny ady izay nolalovanailay tavako nitsiky, tojo krismasy, fa androm-panavotana.

Satria hoe teraka tamin’io, tao an-tranon’omby, ilay hoe Kristyhitondra fanafody, ho an’ny olombelona, indrindra ireo izay nania

k’ireo kaikitry ny ady, vokam-pahotana, anjara nolovainaho resiny sahady, IZY hitondra hazavana izay ho ampy zaraina.

K’ito tranom-bongoko, tsy misy fanilo, hinoako tsy ho adinoinyfa tonga hono IZY, hizara sy hitsilo, ny lalan’ireo mpino

dia ireo izay manantena, niandry hatrizay, f’ilay teraka aniono lalam-pandresena, hizorana amin’izay, ka ndeha hifalio.

Kanefa na izany aza, na teraka ho antsika, ilay zanakin’ny Raytompom-pahefana, tompon’ny anio sy ny mandrakizayrahoviana ihany, ito vilany nongoko, no mba hisy vary

fa na dia laoka anamamy, hankasitrahan’ity foko, fa avy amin’ilay nahary.

Fa mba krismasy ihany koa mantsy, ho an’ny tsy manana, ito hankalazainaka na dia hoe tsy misy vatsy, na ho laoka anana, aleo tsy hitaraina

fa mba vavaka no asandratra, ho an’ilay ao ambony, hinoako marimarina

Page 81: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

fa ho krismasy hahasambatra sy taona mba ho tony, ny ho avy ka hanarina

ny androm-pitarainako, nigoako ny mangidy, nilaoza-torimasonanimba ny fisainako, nandiso ny tadidy, fa tena mafy ny ankasoka na hiainako aza, ny ratsy sy ny soa, dia lalam-piainana ihany

Fa mba krismasy, hampifalifaly ny fo no hisy androany.

RakparfaitAmpahibe, 11 novambra 2011 @ 3 ora sy 36 minitra folakandro

RESY

Tsy hoe resy akory rehefa mangina ka tsy mitenyfa mety ho mafy ny lala-nodiavina ka mbola sina

fa hisy ny andro mety ho ora hialan’izy irenydia ho tsiky sy hehy no ho heno handresy mangina.

Marina ekeko fa mafy ny ady tsy zakan’ny fonanaloka mihintsy izay mba anjara nitsilopy tetykanefa na izany aza ny fery sy ratra ireo ve moatsy hanolatra ihany rehefa tojo izay mba mety ?

Diso aho raha hilaza hiambo fa hoe zakako ihanyilay fandaozana izay nisy tsy hoe mbola hiverina

fa mafy iny ora tsy tanako mihintsy ny ora-tomanynandena ny tavako namonto mosara izaho nivembena.

Niezaka ihany aho nandresy tomany nitsiky morafa ito mosara vonto sy lena tsy haiko nafeninaporofon’ny foko resy an’ady maheno akoran’ny aok’izay faranana hatreo aleo tsy miverina

ny andron-tsika sarotra hialana fa paradisaizay tany Edena tsy haiko aloha fa kanto aok’izany

fa tamin’io ora fanaovam-beloma tsy nisy izay sisan’ny fitiavan-tsika nivoadivoadiana haharitra hatrany.

Fa mety hoe resy ihany aho aloha ka aleoko manginaeny triatra mihintsy ny lamba fitafin’ilay fitiavan-tsikanirakofan’ny fo…nihanjaka teo …ka indreo fahoriana

fa resy aho manko resy mihintsy ka tsy sariaka

Page 82: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

RakparfaitAmpahibe, 15 Novambra 2011 @ telo tolakandro

HISAFIDY

Hisafidy ny foko,hiantso anao

fa dia ho toloko,no ho valiny ao.

Hiezaka ihany,hametra koa

fa dia ho tomanyno ho hiran’ny fo

Ho vitany ve,ny hivadi-dela

na koa tsy handreilay antso “malala” ?

Ho sarotra izanysafidy mangidy

sa lalànan’ny tanyna koa didy ?

Ny endrikao miranasikotra am-po

fa dia ho sahiranamarina moa.

Sadaikatra ihanyny lelako hiantsohanova fa izany

Page 83: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

ve tsy ankaso ?

Dia ho iza indrayno hiantsoako anao

Ry namako izayMalalako tao ?

Sa namako fotsinytsy misy fangarofa Soa ny fahinytoka- tsy maro.

Hisafidy ihany ahohiantso ihany koa

fa ho malalako ianaoMalalako Soa.

RakparfaitAmpahibe, 15 Novambra 2011 @ 6 ora sy 25 minitra hariva

MBOLA HISENTO

Mbola hisento ihany ny fokona dia anilanao azafa ndrao hosodokona hoe tsy sahaza.

Ny omaliko zezi-pitiavananamolavolako ny fo

sy tondra-tomany mazanananiry nitia tokoa

Nikiry aho nikasanitia mangina

fa ity foko tany voaasamiandry ilay olo-tiana

Ny rivo-mitsoka ndraohitondra fofona hafahanempotra ka saoho veloma no tafa.

Na izany aza anefatontoloko ianao

Page 84: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

ka tsy avelako hilefaMalalako izao.

RakparfaitAmpahibe, 15 Novambra 2011 @ 7 ora alina

TSY METY

Tsy mety ny fo fa mbola mahatsiarony tsikin’ny omaly tsy hay hadinoina

k’injao fa misento, mampifangaroembon’ny tia tsy maty vonoina.

Ny fidobony injao, miakatra an-tendasy mievotra anaty, toa mikalo

hiran’ny manina, izay manakendany fiainako resy, mifona mivalo.

RakparfaitAmpahibe, 17 Novambra 2011 @ 6 ora hariva

Page 85: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

MBOLA HISY VE ?

Mety mbola hisy ve ny fiverenanany lasa niainana voatery nilaozanasa zavona ihany mameno ny làlanahisinda rehefa tojo izay hazavana ?

Kepoka mantsy ny fo izay nitiatsy nihevitra mihintsy izay ho avyizaho nitia, ianao tsy nanao tsia

kanefa indrisy, rava sahady.

Sarotra hinoana kanefa dia nisyisika nitia, nigoka nifaly

saingy izao ny tsiaro ve hisysa holatra angamba sy fo izay mijaly

no ho tahiry, ho fijeriko lavaraha sendra iny ka mba mahatsiaro

Page 86: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

ny lasa niainana, fitia efa ravaresy ny vintana , maty nalazo.

RakparfaitAmpahibe 17 Novambra 2011 @ 6 ora sy 10 minitra hariva

NA MALOKA AZA

Maloka indray ity volon’andro, ho ora-mikija vesa sento iray mba tratr’andro, tsy mety mandeha

manakona taratra tsilopy mitarika tsiahy hitamberinamangeja tratra sy fo hanamarika ny lasa miverina ?.

Kotroka izany fambara fa ho avy ny oran’ny tanyfa ny foko mitomany mbola miangavy midoboka hatrany

mitempo miantso mandefa taraina mba ho reny ve ?tsy hira milanto na fitia hozaraina fa sento tsy voafehy.

Hiakatra am-bava tononin’ny molotra toa hira fikalotsy akoralava fanaon’ny sosotra na sioka mandalo

fa hiran’ny manina saraka tiana mitoetra ireryembo-mahafanina tsy hay nariana mitoetra tsy very.

Page 87: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

Fa maloka hoy aho ny raho-mitatao toa mitafy fisaonanafa sempotra izaho manembona anao mandefa fisainanamamelona sary tsy afaka an-tsaina mamiko indrindratsy anaty diary no sarotra halaina tsy mety hafindra.

Fa efa voafantsika anatin’ny fo ny lasa niarahanaka tsy hisy hipika eny na ho loa ilay fahasambaranafa na dia maloka aza ny lasan-tsika tsy maty vonoinambola hisy hilaza ireo zava-bita tsy hay hadinoina.

RakparfaitAmpahibe, 22 Novambra 2011 @ 5 ora sy 15 folakandro

22 NOVAMBRA

Ho inona moa no azako atao fa dia tsiahy fotsinyr’ilay tokan’ny fo izay efa natao ho namako iny

no ho setrin’ny andro tamberina androany izay nahaterahanafa na ny nahandro dia torak’izany tsy maintsy noferana

Tsy miafina indro ny ato an-trano hainao tsarafa mbola hafa-mamindro tsy hoe angano ka atao ho tantara

amin’izay misy izaho sy ianao koa andeha hifalianany andro sisa ho tontolo vaovao sy mbola havariana

Satriko mantsy mba tontolo hafa no hisy antsikaho henika vatsy korana sy tafa sy tsy hangatsiakasaingy tsy mety ny fo fa mafy loatra ny zava misy

ka nankarary ny loha nahatonga ahy hitroatra fa olona vitsy

Page 88: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

no indreo fa mibodo mangeja safidy milaza ho mpamonjyfa dia zaza bodo no tsy refesi-mandidy amin’ireo mila vonjy

ren’ny sofiko hitan’ny maso mijaly aok’izanyka ilay tokako nataoko hoe andraso fa miantso ny tany.

Izay mba tahiry tokony ho anao tsy haiko noferanafa tonga nitsiry tanatiko tao tsy hoe fanaperana

ny tsimoka hiady hivono-kandresy hijoro hatranyka mba hitady sy ho mpandresy na dia hitomany.

Ka hifonako akia tsy hoe manadino tsaroako tsarafa na dia mahia sy tsy mampino mbola azoko ambara

ka atao fanomezana mariky ny androany tsingerin-taonaito tenako tsy mivena na vonto tomany fa ho afa-tsaona

ny fiainan-tsika ka hamiratra indray ilay afo tsy matyka ho samy sariaka hisaotra ny Ray sy hivavaka anatyfa ny taona ho avy ireo andro sisa izay mbola omeny

ho antsika mivady ho lavitra kisa ka hanjakan’ny TENY.

RakparfaitAmpahibe, 22 novambra 2011 @ 6 ora hariva

RAVINA

Nisy ianao dia nisy izahoToy ny ravina amin-taho

Rehefa lany ny tsiry niarahanaMihintsana miala, fisarahana

Nifankatia nifanolotra nofyIlay hazo nangadiry tsy narofy

Page 89: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

Nefa sendra hain’andro mahamayNiaritra ihany…kila may.

Fa ny tany lasa lanitra kianjaNanirian’ilay hazo nifaliavanjaSaingy ttsy nisy orana dia maina

Dia ilay fo nitia…karakaina

RakparfaitAnkatso 23 Novambra 2011 @ 8 ora maraina

TIAKO FOANA

Hihomehazan-dry zalahy aho mitia anaoFa hoe toy ny tanalahy ny tavanaoK’ireto maso mivotirika aok’izany

Nefa anie mitsirika izay any ambadika any.

Dia lazaina fa raha mihira hono ianao vorondoloTsy mikarantsana toa sodina fa manimba tontolo

Ka na ny voalavo aza lasana misitrikaIzay mijoro dia lavo na lehibe na ny bitika.

Ny famindra hono bakabaka mampihomehyFa hoatran’ny misy hafahafa an’elakelam-pehy

Page 90: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

Mihaotraotra tsy sahy toa matahotraHanahirana mihintsy raha vady fa hamatotra.

Raha mitsiky oadray eny indrisyAzo hisaina sisa ireo nify

Tsy hahatsako hono fa miboridanaHanao teli-moka tsy hisivana.

Nefa anie tsy hainy fa izaoIzato maso tanalahy hananao

Io mihintsy no tena hitiavako azyTsy hilako fitaratra ny eo aloha ny ao aoriana vita ho azy.

Ka raha izay feonao maninona moaRaha haneno toy ny siny vaky roa

Na dia tsy higoboka toy ny ampongaTiako foana rehefa manome…kilonga.

RakparfaitAmpahibe, 25 Novambra 2011 @ 7 ora alina

NY ALIKO

Nivadibadika aho tsy nahita toryNieritreritra ny ampitso tsy mbola hayNa ny lamba norakofako aza mba oryKotsakotasan-dranomaso indraindray

Ho toy ny inona ny ampitsoko fa maizina

Page 91: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

Izay ezaka natao toa very mainaKa ity aliko mampijaly sy manginaMahaketraka sy maha very saina

Taiza ho aiza tamin’izay mba nokinasaNo nisy sakana na koa tsy nety

Fa toa tany hay ny tazana ny omaly ny lasaFa midadasim-pisentoana hazavana vetivety.

K’izato alina natao mba hialana sasatraNilaozan-torimaso tsy miverina

Toa lava tsy zaka fa mitambesatraNy ahiahy ny ampitso…ny omaly tsy telina.

RakparfaitAmpahibe 25 Novambra 2011 @ 7 ora sy 10 minitra alina

MBA HO TAONA

Fa miodina ny tany tsy mahalala fahorianana ny ady sy tomany tsy nataony nahavariana

fa niodina izy dia izao, vitany ihany ny anjaranyka tonga indray ny taom-baovao, mbola hitohy ny tantarany.

Ireo kiaka nameno ny tany, nanakoako tsy hay noperanatsy nanakana azy tsy ho any, hiroso ho amin’ny fanaperana

ka hamita 365 andro, noekeny ho taona iray

Page 92: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

ka ny volana sy masoandro no mpitsara azy amin’izay.

Ny tsiky sy ny hehy, endrim-piravoravoananoekeny koa mba handeha hiaraka aminy mandavan-taona

tsy nosakanany tsy hisy fa nilainy mba hampatsiaroireo ady maro mbola misy, tsy mitsahatra….hihamaro ?

Fa mbola hiodina ihany, tsy azon-tsika ho sakananana ho hehy na tomany ito tany fiafaranahitaritarika tsiahy, hikalokalo haravoana

fa mbola hampangotsoka fanahy sy hampitafy koa fisaonana

Fa iriko ho famaranana ito taona vao miandohamba hampisava izay ho làlana sy hampitobaka ny soa

ka ny nofiko rehetra, vetsovetso avy ao am-poho ankasitrahan’Andriamanitra sy ho hatolony avokoa.

RakparfaitIsoraka, 05 Desambra 2011 @ 2 ora folakandro

TOPI MASO

Firy andro firy volanano nangina foana ilay feo

noezahina tsy ho olanaizany fahanginanao.

Saingy topi-maso tsy aritrasendra niantefa taminao

Page 93: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

no nandoko indray ny lanitraho hosodoko vaovao.

Nosakanako tsy hitepoilay foko nitia naratrafa ny lasa mampisentomangeja izany tratra

Fa ny volana sy ny taonan’inon’inona mitranga

mbola mitahiry tsy misaonafeon-kira, feo manga

Fa ny fijerin-tsika nifanenaonjan-dranomasina mahery

ka ny tavako tora-pasika …lenarakotra tomany…mahatsiaro irery.

RakparfaitAmpahibe, 08 Desambra 2011 @ 7 ora alina

ARAHABA TAOM-BAOVAO

Page 94: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

Hivoaka hipololotra, ny arahabam-pifaliana fa tratrin’ny taonatsy hikombona ny molotra, ireo teny havariana, fa ny omaly tokoa dia nimaona

tsikitsikim-pifaliana, no mandrakotra ny tava, tsy misy raho-mitataofa mba hadino ny fahoriana, ka ity andro anie ho lava sy hitohy tahak’izao.

Tsy hisainana tsy misy, hitadiavana ny very, fa mba hamiratra ny ampitsony sento mba ho vitsy, ka hitsiky ireo irery fa ny anjara tsy mba diso

dia ho hazavam-pifaliana no andrakotra ny tany ka ho hobin’ny tafitano hanako tsy hangina, handresy ny tomany k’izay ho kasaina dia ho vita

Dia tiana hitohy, ny arahaba taom-baovao, ho mandritry ny fiainanaka ny aizina hihafoy, ny fahanginana ho lao, dia hiasa ny fisainanahieriteritra hafaliana, handresena fisentoana, hampitony izany fofa ho lavim-pahoriana ireo andro sy fotoana hikatsahana ny soa

saingy indrisy ny omaly, tapisam-piainana, vatsy ny ho avyka na mangidy mampijaly, tsy azo hialana, fa ampinga ho enti-miady

hisandratana vaovao, hitadiavam-pandresena, amin’izay ho ataofa ny anio aloha dia izao, arahaba sesehena ho an’ny taom-baovao.

RakparfaitAmpahibe, 13 Desambra 2011 @ 3 ora folakandro

ARAHABA E !

Page 95: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

Arahabaina ianao ry Neny, r’ilay nitondra sivy volanaFa tsy ho ampy ireo teny, raha hoe hitanisainaIreo tsiky natolotrao sy ny fihafiana nolalovana

F’ilay Ray ninoanao nandresenao ireo olana

Ianao koa ry Dada, ilay tsy mba nety sasatraizay vitanao nampitolagaga fa kanto sady fatratranahazahoako rehareha, nahadedaka ahy mihintsy

fa ny taraina tsy mba re, ny toa anao dia vitsy.

HO AIZIM-PITO VE ?

Page 96: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

Mbola mety hisy ve ny fotoana,ka hitsahatra ny tomaniko

k’ireo alahelo ho foanasy ho “efa” ireo laniko ?

Mety mbola ho hisy ve izanyka ho hantenaiko ny mamiratra

ny hazavana tsy ho lanysy ny fitiavana tsy ho ritra ?

Fa ny anio aloha dia sentotoloko anaty mitambesatra

no kalo sy mba ventsohirahirain’ity fo sasatra

Fa ny masoko jambenasafomorin’ny tomanyilay foko manantena

ilay silany any ho any.

Resy izy, nahoana moa,mitomany ny ao an-tratra

resin’ilay tiany tsy mba roa….hanolatra ve ny ratra ?

Ka mbola hisy ary veny taram-pahazavana ho an’ny tia

sa ho aizim-pito izay alehaho loko mainty ho doria ?

RakparfaitAmpahibe, 15 Desambra 2011, @ efatra ora sy sasany folakandro

Page 97: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

ARINDRINO

Ndao,

Arindrino moramora izato varavarakoaleo ihany koa hanjaka izato aizina

fa resy ny foko angamba izao no anjarakotsy hiteny aho, sakazaiko ny alina

Arindrino moramora sao hisy ihany akon’ireo lasa niarahanay, hitampody an-tsaina

sy sary hialoalo ho tsinjovin’ito masokoanaty fahanginana ho sakaizam-piainana

Fa ho arindriko ihany koa na tsy sitrako azany varavaran’ity fo nitahiry ireo voady

fa ny molotro ho maina, hangina tsy hilazaireo teny mamy izay natao, orokoroka mandady

Ndao,

Fa hakipiko ny masoko, hibanjina an-tsainany andro lasa omaly kosehina tsy hisy

na fangirifiriana no entiny manindrona ny ainatontolon’ ny fitiavako, mamiko nefa indrisy…

Ho arindriko moramora ny varavaran’ny fokomba tsy hitempo intsony, fitiavana hafaaleo ho faty ny fitia, fa marary ny tolokonilaozan’olo-tiana, hitsahatra ny tafa.

RakparfaitAmpahibe, 22 Desmbra 2011, @ 4 ora sy 22 minitra folakandro

Page 98: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

RANOMASOKO

Hirotsaka mora, tsy ho tana hikorianahandena ny tavako ny ranon’ity masokotsy hanasa anefa fa porofom-pahorianazakain’ity fo resy, malahelo sy mitoloko

Aleo hirotsaka fa marary ny ato anatymangeja ny fo ny alahelo sara-tianafa na ny mosara aza ho lambam-paty

hamonosana ilay fitia maty ka mangina

Ho jambena ny maso, tondra-dranony tontolo tsy ho hay, rahom-potsy

fa hamonto izany tavako, safon-dranoRanomasom-pahoriana, resy loko fotsy.

RakparfaitAmpahibe, 23 Desambra 2011, @ 4 ora folakandro

Page 99: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

LOKON EMBONA

Aty an tany lavitra, no tsy tana ny eritreritra, fa miampita habakabaka.

hetsehin ny embona tsy aritra, mandoko sary izany hevitra, ho loko tokana miavaka

hosodokon olo tia, lavi tiana velon tsento, manireryhodidinin ny tsiahy

ka miantso hoe avia, eto anilako eto, fa tena veryity olo tia manahy

Iny voro- mikopak elatra, miakandrefana ndeha ho aizaetsy kely azafady

ito ventsoko mavesatra, mba ho ento ry sakaizamalahelo ka miangavy

ianao mantsy mba afaka, hiampita izany elanelanamampisaraka fo mifankatia

hilazao ilay olo tiako tafasaraka, hilazao fa tsy mihenailay fitiavako doria

raha nanan elatra hono mantsy, izy aty an tany lavitra

nikopak elatra nisidinahamonjy ilay akany fa tsy tanty, fa mandrangitra

izato fahanginana

loko hafa mantsy akia, ny tontolo an tany lavitralokon embona tsiahy

RakparfaitAmbolokandrina 07 febroary 2012 am 9 ora sysasana alina

Page 100: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

NIFARANA

Fa nitsahatra nitepo, ilay fo mbola tia,resy an’ady novesara-tsento, ka nifarana ny dia.

Onaonan-dranomaso, tontolom-pisentoanaizay fifaliana tsy mba azo, fa lasa foana ny fotoana.

Ilay olona mba notiavina, nokasaina ho malalatsy niteny fa nangina, tsy mba nety nahalala.

Tsisy topi-maso kely akory, ho an’ity izay nijaly,fa fitiavana oriory, no mba setrin’izy faly.

Fa ny andro izay nisandratra, nantenaina hitondra tsikyka hampisy olo-tsambatra, no indro nampiviky,

eritreritra nanantena, fa ity andro vaovao,angamba mba ho an’ny tena sy ilay fitia anaty ao.

Fa nihilana ihany ny andro, noresen’izany alina,tsy nalatsaka nahandro, ilay fitia zary fanina.Ilay nantenaina tsy azo, ny fitia rakotr’ aizina.

Ilay nitsiry indro fa nalazo, tsy nisy intsony izay vina.

...fa nitsahatra nitepo, ity fo izay nitahiryka ho entiny tsy ho eto, ilay fitia tsy hananam-piry

tsy ho hatolony intsony, na fitia nampitomanyfa hilevina ao am-pony, nenti-nody ambany tany.

RakparfaitAmbolokandrina 24 Febroary 2012 amin’ny 7 ora sy 24 minitra maraina

Page 101: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

TSY ILANA

Tsy ilana teny, na koa hoe ambara,

ho ren’izao tontolo izao,

ilay nekena ho «eny», fa rakitra tantara,

natokana ho ahy sy ianao.

Tsy ilana anjomara,hanairana ny tany,izay nifanolorana.

fa fitia efa anjara, na dia nisy tomany

fa lamba hisalorana.

Saingy ...

hilako famataranafa amboaran’olo-tia

ny andro anio

ka etsy izany tanana, meteza ka avia

ry Malala tadidio

tsy hatolotro ny peratraho hitan’ny tontoloho marim-pitiavana

fa fitia tsy hasiako fetrana koa hoe ho bobongolo

no omeko Rahavana.

Rakparfait Ambolokandrina 24 Febroary 2012 amin’ny 8 ora maraina

Page 102: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

JACARANDA

Fa namelana indray ireto Jacaranda, ilay hazon’ny fotoanatsy mba eny anivon’ny saha, fa an-tsisin-dalana eny foana.

Volana Octobra eny mantsy, izato volana ho diavinatonga ho azy tsisy miantsy, fandaharana tsy lavina

Mandomando avokoa ny manodidina azy rehetratena vokatry ny fo, no harotsany tsisy fetra.

Tsy mba andon’ny maraina, tratr’andro dia ho mainafa famantarana lalaina, fa mbola samy velon’aina.

Endrey ireto felany, miloko volom-parasyfa na rivotra aza tsy noferany, tsy navelany hangasihasy,

mba hioty sy hitango, hitondra hanenika ny tanyfa tsara ny vary sy ny lango...ny Jacaranda hafa ihany.

Fa mba namelana ihany koa, volana Octobra toy izaoilay fitiavana tao am-po, saingy noheveriko ho lalaotoy ny sangisangy ihany, no nandraisako ny fidobony

fa fiainana hoy aho izany, ilay fitia izay natolony.

Ny ranomasony nirotsaka, tsy noheveriko tanatyfa ny hendriny tsy afaka, mbola velona tsy maty.

Volana Octobra tamin’izay, namony ny Jacarandafa izaho tsy mba nahay, nanaiky sy nanda...

Fa mbola hamony ihany, ho mariky ny fotoanany Jacaranda tsy ho lany sy hirariako tsy ho foana

ka rehefa mba mandalo sy mitazana ny felanyny fahanterako mbola hikalo ilay fitia izay natolony.

RakparfaitAmbolokandrina 28 Febroary 2012 amin’ny 12 ora sy 51minitra atoandro

Page 103: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

ERITRERETO

Alaivo an’eritreritra, f’izato bikanao io, meva sady kantovoninkazo tsara tsiry, anivon’ny saha, manintona mpandranto,dia ho tototry ny tany, rehefa tonga ilay ora, f’izay no anjaraho ao am-pasa-mangina, hihintsana mora, fa vita ny tantara.

Ny tsikinao malefaka, nambabo izay nijery, nahangoly izay niantefanyfialovan’olo-tia, raha sendra manirery, nandrakotra tomanydia ho endrika sy sary, tahiry anaty fo, ho tsiaro indraindrayanaty ny tamberina, izay tsara sy mba soa, nolalaina fahizay.

Ny bikanao nankafiziko, tsy fahita firy, tokana eto an-tanynameno izany tanako, raha sendra mba nikiry, hilalao ny malalany,

dia hanjavona tsy ho hita, ho rakitry ny ela, tahiry anaty diaryho tototra molaly, ireo sisa mba tavela, ho embona hankarary.

Ka alaiko an’eritreritra, ny fiainako ampitso, tsy ho anilanaoho dobon-dranomaso, ho fako...angamba hasiso, tsy hisy izay azo atao.

F’ianao ilay paradisa, tendrin-janahary ho namako tety,ho fahatsiarovana sisa, marika fa hary, ilay fitia vetivety.

Hilofika fa resy, tojo ny seranana, tsy maintsy hijanonanaka ny fiainanao tety, raha tonga ny fiantsoana,tsy maintsy nofaranana.

Rakparfait

Page 104: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

182 - Ambohijatovo - 08 Martsa 2012 tamin’ny 11 ora sy 50 minitra atoandro

RAKITRA

Ho raketiko an-tsoratra, ny senton’ny fo, nateraky ny tsiahyhisolo ireto holatra, tsy mba nety lo, tsy nahasaraka ahy.

Ho soratako ao, ny kiakan’olo-tia, tojo fifalianafa tsy mba kilalao, ilay isika niara-dia, tsy mba nokaliana.

Ka rehefa iny, mitamberina ny lasa, tonga tsy nantsoina,ho raisiko ilay episitily, feno ny fikasa, tsy mba nokaloina.

Ventesiko irery, ireo sento niarahana, tanatin’ny lanitravoarakitra tsy very, tsy nisy nangalana fa namerovero manitra.

RakparfaitAmbolokandrina, 08 Martsa 2012 amin’ny 8 ora sy 32 minitra alina

Page 105: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

FA TONGA INDRAY

Fa tonga indray ny hazavana, amin’ny masom-baravaran-keliko

misisika tsy azoko hialana, hamerina an-tany ny eritreritro,

hiampita ho amin’ny anio sy ny fiainana mbola ho diaviko

tsy azoko hiantsoana ampio na raha tsy zaka dia ho laviko.

RakparfaitAmbolokandrina, 14 Martsa 2012 amin’ny 9 ora alina

Page 106: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

IZAHO ALOHA

Izaho aloha androany no misento sy mijalytsy misaraka tomany, sara-tiana ka tsy faly.

Ilay fitiavana no triatra, ilay fitafy fony tiailay noheverina tsy ho ritra sy nofisina ho doria.

Ho sotroiko na mangidy ´ty veloma tsy nampoizinafa na lahatra na didy, nanala aina toy ny poizina.

Tsy ho antsoiko izany tody na hampiakarako ny feofa tsy maintsy hisy fanafody hikosehako ilay tsy eo.

Fa androany aloha dia izaho no kianjan-dranomasofa ravina saraka ami-taho entin-drivotra ankaso.

Hievaeva tsisy faka, tsisy fototra hamikirananefa dia fitia lalim-paka no toa niainana nahamirana.

Fa na tiako na tsy tiako, izany hira fifandaozanano handrotsy izany diako, izaho ilay tia izay nilaozana.

Eny, fa izaho aloha androany no misento sy mijalynilaoza-tiana ka tomany, valabalaka tsy faly.

Fa ny ampitso tsy maintsy ho avy, tsy hay sakanana ioho tontolo tsy miangavy, ho tontolo tena hadio

Page 107: Eklablogekladata.com/kOFN-JgEa-vyjOE_W5J3D_qF9o0/EMBONA-11.docx · Web viewraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana. Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito Voaanika hatrany,

Dia ho fitiavana vaovao, no hitsiry hanori-pakatsy hisy ny tandidonao na ny lasa no hanjaka

fa toy ny tara-bao maraina, hanazava ny alikohampisinda ny taraina, hazavana tena mamiko...

fa...

IZAHO ALOHA ANDROANY...AVELAO HITOMANY

RakparfaitAmbolokandrina, 22 Martsa 2012 amin’ny Folo ora alina sy 21 minitra