iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/m_tarid... · web viewtoko voalohany....

74
TOKO VOALOHANY FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no mampahafaingana ny hihavian'ny andron'Andriamanitra.” 2 Pet 3:12. Tombontsoa ho an’ny kristiana tsirairay ny manafaingana ny fiavian’I Jesosy Kritsy Tompo fa tsy ny manantena an’izany fotsiny. {COL 69.2} “Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany. ” Matio 24:14 FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA “Ary izay nandray tsara ny Teniny dia natao batisa; ary tokony ho telo arivo no olona nanampy ho isany tamin'izany andro izany… Ary ny olom-bonjena dia nanampin'ny Tompo isan'andro ho isan'ireo.” Asa 2:41,47 “Kanefa maro tamin'izay nandre ny teny no nino, ka dia tonga tokony ho dimy arivo no isan'ny lehilahy.” Asa 4:4 “Dia nandroso ny Tenin' Andriamanitra; ary nihamaro indrindra ny isan'ny mpianatra tany Jerosalema; ary maro be kosa ny mpisorona nanaiky ny finoana.” Asa 6:7 “…ary maro be ny olona nanampy ho an'ny Tompo.” Asa 11:24 TAO ANATIN’NY TARANAKA IRAY MONJA “…ny filazantsara, izay efa renareo sady notorina eny ambanin'ny lanitra rehetra eny …” Kol 1:23. “Ny asa nataon’ireo apôstôly, niaraka tamin’ny fanampian’ny Fanahin’Andriamanitra, dia nanozongozona izao tontolo izao. Voatory nanerana ny firenena rehetra tao anatin’ny taranaka iray monja ny Filazantsara.” Ev 706 Voaporofo tamin’ny fikarohana natao fa nanodidina ny iray tapitrisa ny isan’ireo kristiana tamin’ny faran’ny taon-jato voalohany. MIADANA LOATRA “Mandroso ny asan’ireo Advantista Mitandrina ny andro Fahafito, mitombo avo roa heny ny isan’izy ireo, manorina sahan’asa maro izy ireo ary mampijoro ny fanevan’ny fahamarinana any amin’ireo faritra maizina maneran-tany; kanefa ny fandroson’ny asa dia miadana loatra tsy araka izay anirian’Andriamanitra azy.” ChS 97 TOEJAVATRA MIFANOHITRA Araka ny fanadihadiana natao, raha amin’izao fomba fitoriana ataontsika izao, dia mbola ho 104 taona vao ho tafiditra amin’ny firenena rehetra maneran-tany ny hafatra toriantsika. Ary amin’izany aza dia fiangonana voalamina iray isam-pirenena monja no mety hisy. OLONA MARO BE

Upload: others

Post on 25-Oct-2020

10 views

Category:

Documents


0 download

TRANSCRIPT

Page 1: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

TOKO VOALOHANYFIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA

MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY“Sady manantena no mampahafaingana ny hihavian'ny andron'Andriamanitra.” 2 Pet 3:12. Tombontsoa ho an’ny kristiana tsirairay ny manafaingana ny fiavian’I Jesosy Kritsy Tompo fa tsy ny manantena an’izany fotsiny. {COL 69.2} “Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany. ” Matio 24:14

FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA “Ary izay nandray tsara ny Teniny dia natao batisa; ary tokony ho telo arivo no olona nanampy ho isany tamin'izany andro izany… Ary ny olom-bonjena dia nanampin'ny Tompo isan'andro ho isan'ireo.” Asa 2:41,47 “Kanefa maro tamin'izay nandre ny teny no nino, ka dia tonga tokony ho dimy arivo no isan'ny lehilahy.” Asa 4:4 “Dia nandroso ny Tenin' Andriamanitra; ary nihamaro indrindra ny isan'ny mpianatra tany Jerosalema; ary maro be kosa ny mpisorona nanaiky ny finoana.” Asa 6:7 “…ary maro be ny olona nanampy ho an'ny Tompo.” Asa 11:24

TAO ANATIN’NY TARANAKA IRAY MONJA“…ny filazantsara, izay efa renareo sady notorina eny ambanin'ny lanitra rehetra eny …” Kol 1:23. “Ny asa nataon’ireo apôstôly, niaraka tamin’ny fanampian’ny Fanahin’Andriamanitra, dia nanozongozona izao tontolo izao. Voatory nanerana ny firenena rehetra tao anatin’ny taranaka iray monja ny Filazantsara.” Ev 706 Voaporofo tamin’ny fikarohana natao fa nanodidina ny iray tapitrisa ny isan’ireo kristiana tamin’ny faran’ny taon-jato voalohany.

MIADANA LOATRA“Mandroso ny asan’ireo Advantista Mitandrina ny andro Fahafito, mitombo avo roa heny ny isan’izy ireo, manorina sahan’asa maro izy ireo ary mampijoro ny fanevan’ny fahamarinana any amin’ireo faritra maizina maneran-tany; kanefa ny fandroson’ny asa dia miadana loatra tsy araka izay anirian’Andriamanitra azy.” ChS 97

TOEJAVATRA MIFANOHITRAAraka ny fanadihadiana natao, raha amin’izao fomba fitoriana ataontsika izao, dia mbola ho 104 taona vao ho tafiditra amin’ny firenena rehetra maneran-tany ny hafatra toriantsika. Ary amin’izany aza dia fiangonana voalamina iray isam-pirenena monja no mety hisy.

OLONA MARO BE“Ary niray fo sy fanahy ny olona rehetra izay nino; ary tsy nisy nanonona ny fananany ho azy na dia iray aza, fa niombonany avokoa ny zavatra rehetra nananany. Ary tamin'ny hery be no nanambaran'ny Apostoly ny nitsanganan'i Jesosy Tompo; ary fahasoavana be no tao amin'izy rehetra.” Asa 4:32,33

MIFOHAZA, MIFOHAZA…“Mifohaza, mifohaza, ry sandrin'i Jehovah, mitafia hery! Mifohaza tahaka ny tamin'ny andro fahiny! dia tamin'ny taranaka lasa ela… Tsy Hianao va Ilay nahamaina ny ranomasina, dia ny rano ao amin'ny lalina indrindra, ka nanao ny ranomasina lalina ho lalana halehan'ny navotana? Isaia 51: 9,10

Page 2: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

“Tompo ô, aiza ilay Fanahy izay nitoetra tao amin’i Abrahama sy nanasiana tombo-kase azy mba ho fanananao? Aiza ilay Fanahy izay nampangorakoraka ny fon’i Paoly sy nampientanentana azy noho ny hery avy ao Aminao? “Moa ve tsy mahery indrindra hatramin’izao ny fahasoavanao, tahaka ny nanomezanao hery an’Elisa? Tahaka ny nampamirapiratanao ny tavan’i Mosesy, Tahaka ny naharetan’i Joba tamin’ ireo fotoan-tsarotra nivaivay?“Tsy miova ny herin’ny Filazantsara, koa nahoana isika no tsy mahita fahombiazana toy izany?” (DA 823)

HAHAZO HERY IANAREO“Fa hahazo hery ianareo …” Asa 1:8 “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin'ny Ray.” Jaona 14:12 Fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an'izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin'i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy..” Asa 2:39 “Ny teny fikasana dia lehibe tahaka ilay iraka… Ankehitriny, ny teny fikasana dia mahery sy azo antoka toy ny tamin’ny andron’ny apôstôly.” (DA 832) “Natao hiverina ny zava-niseho tany aloha, ary amin-kery lehibe. Ny firotsahan’ny Fanahy Masina tamin’ny andro Pantekôsta no loha-orana, fa ny fara-orana dia ho betsaka kokoa.” (COL 121) Afaka mandray hery ianao, raha irinao izany, araka izay angatahinao no handraisanao izany. Ny anjaranao dia ny mino an’Andriamanitra, raiso amin’ny teniny Izy ary miasa am-pinoana, dia hiseho ny fitahiana.” (Counsels on Health 367)

MIVAVAHA MBA HANDEHA FAINGANA NY ASA“Farany, ry rahalahy, mivavaha ho anay, mba handehanan'ny tenin'ny Tompo faingana ka hankalazaina toy ny eo aminareo,…” II Tes. 3:1 “...fa amin'ny fahatanterahana faingana no hanefan'i Jehovah ny teniny ambonin'ny tany.” Rom 9:28 Ny hafainganan’ny hazavana no maneho ny fomba hahavitan’ity asa ity amin’ny farany. 5 T 754 Ho haingana ny fahamasahan’ilay vokatra lehibe farany, ary ho avy i Kristy hanangona ireo voa sarobidy. {COL 69.2}

AMIN’IZAO TARANAKA ANKEHITRINY IZAONy fahombiazana amin’ny sehatra rehetra dia mitaky tanjona voafaritra mazava tsara. Izay maniry hahita fahombiazana marina eo amin’ny fiainany dia tsy maintsy manana tanjona izay inoany fa mendrika ny fikelezany aina. Misy tanjona toy izany manoloana ny tanora ankehitriny. Ny iraky ny lanitra mba hitory ny filazantsara amin’izao taranaka ankehitriny izao no tanjona ambony indrindra amin’izay azon’ny olombelona tsirairay avy kendrena. Izany tanjona izany dia manokatra sahan’ezaka ho an’ny fo tsirairay izay voakasik’i Kristy. Ed 262.

ILAY HERY TSY MIOVA. “Tamin’ny andron’ny apôstôly dia ny notefeny tamin-kery tamin’ny alalan’ny asan’ny Fanahy Masina ny fiangonany. Ilay hery izay nanohana ireo partriarka, nanome finoana sy herim-po ho an’i Josoa sy Kaleba, ary nampahomby ny asan’ny fiangonana tamin’ny andron’ny apôstôly, dia nanohana ireo zanak’Andriamanitra nahatoky tamin’ny vanim-potoana rehetra.” ChS 256Ny fisehoan’ny herin’Andriamanitra amin’ny fifaranan’ilay Asa lehibe fitoriana ny Filazantsara dia tsy ho latsa-danja noho izay niseho tamin’ny fiantombohany. Ireo faminaniana tanteraka tamin’ny firotsahan’ny Ranonorana voalohany dia mbola ho tanteraka indray amin’ny firotsahan’ny Ranonorana farany. GC 612 Fahagagana maro no hiseho, ho sitrana ny marary, ary famantarana sy asa lehibe no hanaraka ireo mpino. I Satana dia miasa manao zava-mahatalanjona koa, ary hampidina afo avy any an-danitra eo anatrehan’ny

Page 3: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

olona aza izy. (Apokalypsy 13:13). Amin’izany dia tsy maintsy hanao safidy ny mponina rehetra ambonin’ny tany.{GC 612.1}

FIOVAM-PO MITSIMBADIKA “Ny vahoakantsika dia milefitra eo ambanin’ny fanapahan’izao tontolo izao, ka manao ny fombany sy manahaka ny fitiavan-tenany. Nanjary nanaraka izao tontolo izao ny fiangonana amin’ny fandikana ny lalàna, raha izao tontolo izao no tokony hanaraka ny fiangonana amin’ny fankatoavana ny lalàna. Isan’andro dia miha-miova fo manaraka izao tontolo izao ny fiangonana. --Christ's Object Lessons, pp. 315, 316. {ChS 45.1}

NY FANALAHIDY “Ireo rehetra ireo niray saina naharitra nivavaka …” Asa 1:14 “Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana iray izy rehetra.…Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra … Asa 2:1,4 “…Fa izahay kosa haharitra amin'ny fivavahana sy ny fampianarana.” Asa 6:4

FIANAKAVIAN’NY LANITRA “Ary nisy anjelin'ny Tompo nilaza tamin'i Filipo ka nanao hoe,…Dia hoy ny Fanahy tamin'i Filipo: Andeha manatona ka mankanesa amin'io kalesy io. Ary Filipo nihazakazaka nankeo aminy, dia nandre azy mamaky teny tao amin'Isaia mpaminany, ka niteny taminy hoe: Moa fantatrao va izay vakinao? Asa 8: 26, 29,30“Dia nasain'ny Fanahy hiaraka tamin'ireo aho… Ary nambarany taminay ny nahitany ny anjely nitsangana tao an-tranony ka nanao hoe: Maniraha ho any Jopa, ka ampanalao Simona, izay atao hoe koa Petera; izy hilaza teny aminao, izay hamonjena anao sy ny ankohonanao rehetra. ” Asa 11: 12-14

NY FANALAHIDY: FIFOHAZANA SY FANAVAOZANA“Ny fifohazan’ny tena toe-panahy araka an’Andriamanitra no ilaintsika indrindra sy maika indrindra. Ny fikatsahana izany no tokony himasoantsika voalohany indrindra.” ChS 41 “Tonga ny fotoana tokony hisian’ny fanavaozana marina. Rehefa miantomboka izany fanavaozana izany, dia ny fitiavam-bavaka no hanetsika ny mpino tsirairay sy hanala ao amin’ny fiangonana ny toe-tsain’ny fifandirana sy ny ady.” 8T 251 “…tsy manana ianareo, satria tsy mangataka.” Jakoba 4:2b “ Raha izany no fomba hahazoantsika hery, dia nahoana isika no tsy noana sy mangetaheta ny handray ilay fanomezana dia ny Fanahy Masina? Nahoana isika no tsy miresaka, mivavaka sy mitory momba izany?” AA 50 “Ny Fanahy dia iandry fatratra ny fangatahantsika sy ny handraisantsika Azy.” COL 121

NY HERY AVY ANY AMBONY NO HANAMPYHery mihoatra ny herin’olombelona no miady aminy, kanefa azo antoka ny hery avy any ambony izay hanampy azy ireo. Ny herin’ny lanitra manontolo no ao amin’izany tafika izany. Ary tsy anjely fotsiny no ao amin’ny laharan’izany tafika izany, fa ny Fanahy Masina – ilay iraky ny Kapitenin’ny tafiky ny Tompo – no miditra an-tsehatra mivantana ao amin’ny ady. DA 352

ANDRIAMANITRA NO MANIRAKA: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manaova batisa azy…, mampianatra azy hitandrina izay rehetra nadidiako anareo.” Matio 28: 19 “Fa raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy misy ho reharehako, satria tsy maintsy manao izany; fa lozako raha tsy mitory ny filazantsara aho!” I Kor. 9: 16 “Ny olona tsirairay dia irahin’Andriamanitra hiasa ao amin’ny tanim-boalobony.” ChS 9“Andriamanitra dia manampo fiezahana manokana avy amin’ny olona tsirairay izay nanankinany ny fahalala ny fahamarinana ho an’izao vanim-potoana izao. Tsy ny rehetra no afaka ho misiônera any an-tany lavitra, kanefa ny tsirairay dia

Page 4: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

afaka ho misiônera ao amin’ny fianakaviany sy eo amin’ny mpiara-monina aminy.” ChS 9

NATERAKA HO MISIÔNERA “Ny tena mpianatra dia nateraka ho misiônera ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Izay misotro amin’ny rano velona dia tonga loharanon’aina. Izay mandray dia tonga mpanome.” ChS 9 “Izay tena niova fo marina dia hiasa hamonjy ny hafa izay mbola ao amin’ny haizina.” Ev 355Ny voadin’ny batisa – Fanekena hamonjy fanahy. “Ny vahoakan’Andriamanitra dia tokony hahatsapa fitiavana ambony sy faniriana hanampy eo amin’ny sehatr’asa rehetra amin’ilay saha fijinjana lehibe. Tamin’ny voadin’ny batisa no nanaovan’izy ireo fanekena ny hiezaka fatratra am-pahafoizan-tena hampandroso ny lafiny mitaky hery betsaka indrindra amin’ny asa, dia ny asa famonjem-panahy. Ny mpino tsirairay dia nanankinan’Andriamanitra ny andraikitra hilofo amin’ny famonjena ireo mila fanampiana sy ireo ory.” Ev 354,355

FIROBOHANA TANTERAKA “Ny asa niantsoana antsika dia voambara mazava ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Aoka hifanolo-tànana ny kristiana, aoka hifanolo-tànana ny fiangonana, aoka ny herin’olombelona hiara-miasa amin’ny herin’ny lanitra, aoka ny fahafaha-manao rehetra hampileferina eo ambanin’ny fahefan’ny Fanahy Masina, ary aoka ny rehetra hiara-miasa amin’ny fizarana amin’izao tontolo izao ny vaovao mahafaly momba ny fahasoavan’Andriamanitra.” ChS 14“Raha miara-miasa ny kristiana, ka miara-mandroso toy ny olona iray ihany, eo ambanin’ny fitarihan’ny Hery iray, mba hanatratra tanjona iray, dia ho voahozongozona izao tontolo izao.” ChS 75

TANTERAKA NY TENY FIKASANANy asa nataon’ny rahalahy Seed Gabriel Chalwe tany Zambia dia iray amin’ny fahatanterahan’ny teny fikasan’Andriamanitra.

MARO BE IREO HO AVYAmin’ny fahalehibiazan’ny herin’ny Fanahy no hitorian’izy ireo ny fahamarinana. Maro be ireo handray ny finoana ka ho avy hanampy ny tafiky ny Tompo. Ev, p. 700.

MANOME HERY IZY“Jehovah hanome hery ny olony…” Salamo 29:11 “…Andriamanitry ny Israely no manome hery sy tanjaka ho an’ny olona.” Salamo 68:35 “Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be.” Isaia 40:29

TSY NY LANITRA NO FETRATsy misy fetra ny Asa azon’ny olona iray atao, raha afoiny ny izahony, ka manome toerana ho an’ny Fanahy Masina ao am-pony izy, ary miaina fiainana voatokana tanteraka ho an’Andriamantira.” DA 250

AVO ZATO HENY“Raha manetry tena eo anatrehan’Andriamanitra isika, ka manana toetra malemy fanahy, manaja, tsara fo sy miantra, dia hisy fiovam-po zato eo amin’izay tsy ahitana afa-tsy iray ankehitriny.”” 9T 189

TOKO FAHAROA

Page 5: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

FIFOHAZANA SY FANAVAOZANA

Fototra lehibe ho amin’ny famitana ny Asa ny “Fifohazana sy Fanavaozana” satria io no tsiambaratelo handraisana ny herin’ny Ranonorana Farany hamitana ny Asa Fitoriana mba hihavian’I Kristy indray hodiantsika any an-danitra tsy ho ela.

ANTOM-PISIAN’NY FIANGONANA 1 Pet 2:9; « Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, "fanjaka-mpisorona, firenena masina" (Eks. 19.6), olona nalain'Andriamanitra ho an'ny tenany mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga.» (1 Petera 2:9).

« Ny fiangonana no fiasana nofidin’ Andriamanitra hampahafantatra ny olona ny famonjena. Ny adidiny/asany dia ny mitondra ny filazantsara satria naorina mba hiasa izy.” Conquérants Paificques p.2.

Ilay fihaikana ny hitorian’ireo 17 tapitrisa amin’ireo olona 7 lavitrisa (fito arivo tapitrisa) eto ambonin’ny tany dia Asa ngezabe toa tsy ho azo tanterahina mihitsy. Midadasika be ny Asa. Araka ny fijerin’olombelona dia hita fa tsy ho vita ny iraky ny lanitra natao hotanterahina amin’izao taranaka ankehitriny izao raha tsy misy FANOVANA GOAVANA, HERY LEHIBE SY FIPOAHANA MANOKANA DIA NY HERIN’NY RANONORANA FARANY. « Dia namaly izy ka nanao tamiko hoe: Izao no tenin'i Jehovah amin'i Zerobabela: Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin'ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. » (Zakaria 4:6)

Ny fitomboan’ny fiangonana andrandraintsika dia ny fitomboan’ny fiangonana manaraka ny tamin’ny Andron’ny fiangonana voalohany ao amin’ny Asan’ny Apostoly. Raha tsorina dia io no antsoina hoe: ASA FITORIANA MITALAKOTROKOTROKA/ MIPOAKA na “EXPLOSION DE L’EVANGELISATION” na “EVANGELISM EXPLOSION.”

Tsy ny fandaminana no tsy ananantsika. Tsy ny rafitra no olana. Tsy ny programan’Asa no tsy misy sy tsy tsara petrapetraka: Koa nahoana no tsy mbola miseho indray ny toy ny tamin’ny Pentekosta 31 amin’izao fotoana ankehitriny izao?

Mahagaga fa toa miantso an’Andriamanitra hifoha mihitsy Isaia ka manao hoe: “Mifohaza, mifohaza, ry sandrin'i Jehovah, mitafia hery! Mifohaza tahaka ny tamin'ny andro fahiny! dia tamin'ny taranaka lasa ela. Tsy Hianao va Ilay nitetitetika an-dRahaba sy nitomboka ny dragona*? Tsy Hianao va Ilay nahamaina ny ranomasina, dia ny rano ao amin'ny lalina indrindra, ka nanao ny ranomasina lalina ho lalana halehan'ny navotana? » (Isaia 51:9, 10) Toa mihaika an’i Jehovah mihitsy Isaia ka manao hoe: Matory ve Jehovah sa nahoana no toa tsy mahetsika intsony toy ny taloha? Aiza ilay Jehovah nanasaraka ny ranomasina mena, ny ony Jordana tondraka, nandatsaka ny afon’i Elia nandresy ny Bala sy mpaminaniny? Aiza Jehovah ilay naneho ny heriny ka tapaka toriteny tsy vita nahazoana batisa 3,000 tamin’ny Pentekosta 31? Mambra 120 lasa iray tapitrisa tao anatin’ny fotoana fohy monja? Aiza ilay Petera sy Paoly ankehitriny ka na ny mosara sy ny fiaron’akanjo ary ny aloka dia efa nanasitrana ny olona?

Page 6: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

MIANDRY SY MIANTSO FIFOHAZANA MARINA EO AMIN’NY VAHOAKANY IZY «Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao, ry Ziona ô; tafio ny fitafianao tsara tarehy, ry Jerosalema ô, tanàna masina; fa tsy hiditra any aminao intsony ny tsy voafora sy ny maloto. Ahintsano ny vovoka hiala amin'ny tenanao, ka mitsangàna, ary mipetraha, ry Jerosalema ô; vahao ny fatorana amin'ny tendanao, ry Ziona, zanakavavy babo. » (Isaia 52:1, 2)

ROMANA 13:11-14 « Ary tokony hanao izany indrindra isika, satria fantatsika ny andro, fa ankehitriny izao dia ora tokony hifohazanareo amin'ny fahatoriana; fa ankehitriny ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin'ny andro vao ninoantsika. » Tsy miasa mitondra fanahy betsaka ao amin’ny fiangonana Andriamanitra noho ny toetran’ny mambra « Koa na dia ankehitriny aza, hoy Jehovah, miverena amiko amin'ny fonareo rehetra ary amin'ny fifadian-kanina sy ny fitomaniana ary ny fitarainana. » (Joela 2:12) « Ary ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, ary miverena amin'i Jehovah Andriamanitrareo» (Joela 2:13, 15, 16) (2 Petera 3:11, 12)

1 Testimonies 469 “Mpitory matory no mitory amin’ny vahoaka matory.” I T 469

MITOERA ETO AN-TANANA MANDRA-PANAFIANA ANAREO NY HERY (Asa 1:4, 5) « Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan'ny Raiko ho anareo; fa mitœra eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin'ny hery avy any amin'ny avo. » (Lioka 24:49) Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany. » (Asa 1:8)

NIFANTOKA TAMIN’NY FITORIANA NY FILAZAN-TSARA TAMIN’IZAO TONTOLO IZAO FANTATRA TAMIN’IZANY FOTOANA IZANY IZY IREO. Tsy nisy zavatra hafa nataony ambony noho izany. Niaiky izy ireo fa tsy ho tontosany ilay iraka nampanaovina azy raha tsy mirotsaka amin’izy ireo ny herin’ny Fanahy Masina (Asa 4:29.) Hoy koa ny fanambaran’ny mpisorona: «… Efa noraranay mafy dia mafy ianareo tsy hampianatra amin'izany anarana izany; kanjo, indro, efa nofenoinareo ny fampianaranareo Jerosalema, ka tianareo hankinina aminay ny ran'izany Lehilahy izany. » (Asan'ny Apostoly 5:28) Ny apôstôly Paoly dia nanao tatitra izay nanambara fa ny filazantsara dia “notorina teny ambanin'ny lanitra rehetra teny” (Kolosiana 1:23).

METY HO NANAM-PAHAVITANY NY ASA: Raha toa ka notontosain’ny vahoakan’ Andriamanitra ny fikasany hitondrany amin’izao tontolo izao ny hafatry ny famindrampo, dia ho efa niverina ela tety an-tany Kristy, ary efa noraisina tao amin’ny tananan’Andriamanitra ny olona masina. Evangelism, p. 694. (1901)

Hatramin’ny Talata 22 Oktobra 1844, efa ho 170 taona izao no efa niandrasantsika advantista an’I Jesosy. Ny Alarobia 23 Oktobra 1844 maraina dia mafy ny esoeson’ny olona nanao hoe: « angaha mbola tsy niakatra ihany ianareo omaly? » Ary hatramin’izao: nahoana? « Ary nisy nilaza tamiko hœ: Tsy maintsy maminany (mitondra hafatra) indray ianao ny amin'ny olona maro sy ny firenena maro sy ny fiteny maro ary ny mpanjaka maro. » (Apokalypsy 10:11)

Page 7: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

Hoy i Ellen White: “Alohan’ny hiharan’ny fitsaran’Andriamanitra farany amin’ny tany dia hisy fifohazan’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra eo amin’izay tsy mbola hita hatramin’ny andron’ny apostoly eo amin’ny vahoakan’ny Tompo. Tsy haharitra ny fisedrana ny vahoakan’Andriamanitra raha tsy misy ny fifohazana sy fanavaozana. Tsy ho eken’ny Tompo ho ao amin’ny trano omaniny ho an’ny marina ny fanahy iray izay mahatsapa fa mahavita tena.” 7 Testimonies, p. 285.

DIA HIDODODODO AMIN’IZAY: “Hidodododo hatraiza hatraiza ny mpanompon’ Andriamanitra, ny tavany voazava sy mamirapiratry ny fanoloran-tena masina, hanafaingana hatraiza hatraiza ny fitoriana ny hafatra avy any an-danitra. Great Controversy, p. 611.

FEPETRA HANDRAISANA NY RANONORANA FARANY

« Tsy maintsy ho afaka amin’ny loto rehetra ny fo ka ho voadio hitoeran’ny Fanahy. Ny fiaiken-keloka sy ny fialana amin’ny fahotana, ny fivavahana mafana sy ny fanokanan-tena ho an’Andriamanitra no niomanan’ireo mpianatra voalohany tamin’ny firotsahan’ny Fanahy Masina tamin’ny andro Pentekosta. Io asa io ihany, mafimafy kokoa fotsiny, no tsy maintsy atao ankehitriny… raha tsy izany dia tsy ho fantatsika akory ny fisehoan’ny Fanahy Masina amin’ny Ranonorana Farany.» Testimonies to Ministers, p. 507.

NY FANANDRAMAN’NY EFITRANO AMBONY NO TSIAMBARATELO

Hoy ny Vavolombelona Mahery, p. 34,35:Raha niandry ny fanatanterahana ny teny fikasana ny mpianatra dia:

1. NAMPIETRY NY FONY tamin’ny FIBEBAHANA MARINA ka niaiky ny tsy finoany 2. Nampahery azy ny fiheverana fa VOAVELA HELOKA izy (FIFAMELAN-KELOKA)3. Nanapa-kevitra izy HANONITRA NY TSY FINOANY amin’ny fanekeny Azy amin-kerim-po eo anatrehan’izao tontolo izao.4. NIVAVAKA MAFY tamin-kafanampo ny mpianatra hahaizany manatrika ny olona sy hahaizany manao teny mahatarika ny mpanota ho eo amin’i Kristy 5. NAPETRANY NY FAHASAMIHAFANY rehetra, ny faniriany rehetra ho ambony ka NIFANATONA akaiky tamin’ny FIHAVANANA kristiana izy 6. NANATONA akaiky kokoa an’Andriamanitra izy 7. NANDINIKA LALINA NY FONY izy ka NITARAINA tamin’ny Tompo izy hahazo ny hosotra hanao ny famonjem-panahy… ka NOTAKIANY NY HERY nampanantenain’i Kristy.

FENOY NY FEPETRA:

1. FIRAISAN-KINA SY FAMPILEFERANA NY « IZAHO »Raha mba samy mamela ny “izaho” sy fitiavan-tena ny rehetra dia dimy minitra ihany dia ho ampy namahana ireo olana sarotra rehetra. Early Writings 119. “Aoka ny kristiana rehetra hanary ny fisaraham-bazana rehetra ka hanolotra ny tenany ho an’Andriamanitra ho famonjena ny very. Aoka izy ireo hangataka amim-pinoana an’ilay fitahiana nampanantenaina, dia ho tonga izany. Testimonies, vol. 8, p. 21. Asa 1:14 : “Rehefa manana an’i Kristy mitoetra ao amin’ny fanahiny ny mpiasa, rehefa maty avokoa ny fitiavan-tena, rehefa tsy misy intsony ny fifandrafiana, tsy misy fiadiana izay ho lehibe; rehefa misy ny firaisana, rehefa samy manamasina

Page 8: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

ny tenany izy rehetra, ka hita sy tsapa eo amin’izy ireo ny fifankatiavana, amin’izay vao azo antoka hirotsaka amin’izy ireo araka izay nampanantenaina, tsy hisy ho latsaka na dia kely aza, ny fivatravatran’ny fahasoavan’ny Fanahy Masina.”

2. FIBEBAHANA MARINA “Aza mitaredretra. Aza mangatak’andro hamelana ny fahotanao sy hitadiavana ny fahadiovam-po ao amin’i Jesosy. Amin’ny toy itony indrindra no nahadiso olona an’arivorivo ka nahavery azy mandrakizay. Tsy dia holazaiko be loatra eto ny hafohy sy ny tsy fahazoana antoka ny fiainana kanefa aoka ho fantantsika fa misy loza mahatsiravina, dia loza tsy fantatra akory mety hiseho. DHK

3. FANDRAISANA NY TOMBON-KASEN’ANDRIAMANITRA VELONAHoy ny fanahin’ny faminaniana: “Izao no fotoana tokony hiomanantsika. Ny tombon-kasen’ Andriamanitra dia tsy hapetaka eo amin’ny handrin’ny lehilahy sy vehivavy tsy madio. Tsy hapetaka eo amin’ny handrin’ny lehilahy na vehivavy be hambom-po sy mbola tia an’izao tontolo izao. Ireo izay handray ny tombon-kasen’Andriamanitra dia tsy maintsy ho hita tsy manan-tsiny eo anatrehan’Andriamanitra ka hilatsaka ho mpiomana ho any an-danitra. 5Testimonies, p. 216. Tsy misy amintsika handray ny tombon-kasen’Andriamanitra raha ny toetrantsika no mbola misy loto na pentina iray. Navela ho antsika ny fanasitranana ny kilemantsika amin’ireo izay rehetra mandoto ny tempolin’ny fanahy. Amin’izay vao hirotsaka amintsika tahaka ny nirotsahan’ny Ranonorana voalohany tamin’ny mpianatra tamin’ny Andro Pentekosta ny Ranonorana Farany. ibid p. 214HIROTSAKA BE LAVITRA NY RANONORANA FARANY: Ny nandrotsahana ny Fanahy tamin’ny andron’ny Apostoly no ranonorana voalohany ary be voninahitra ny vokatr’izany. Nefa ho be lavitra noho izany kosa ny Ranonorana Farany. Desire of Ages p. 827.Hiverina indray ireo toe-javatra ireo, ary amin-kery bebe kokoa aza. Ny nirotsahan’ny Fanahy Masina tamin’ny andro Pentekosta no ranonorana voalohany, fa HO BE LAVITRA NY RANONORANA FARANY. Christ Objects’ Lessons, p. 121.

MIVAVAHA HIROTSAHAN’NY RANONORANA FARANYTestimonies to Ministers and Workers, séries A, nº 9, 1897, pp. 507, 508. Tamin’ny fiain-keloka sy fahafoizana ny ota, tamin’ny vavaka mafana sy fanoloran-tena feno ho an’Andriamanitra no nahatonga ireo mpianatra voalohany vonona nandray ny fahafenoan’ny Fanahy tamin’ny andro Pentekosta. Izany asa izany ihany fa amin-kery bebe kokoa no tsy maintsy hotanterahina amin’izao ankehitriny izao.Tsy tokony hohadinointsika na oviana na oviana ny fananaran’ny Tompo hoe: « Miareta tory sy mivavaha ianareo. » « miareta tory sy mivavaha mandrakariva ianareo. » Fifandraisana tsy tapaka amin’ny lanitra no ilaintsika indrindra hisian’ny ho fandrosoana. Mety ho efa nandray ny Fanahin’ Andriamanitra isika kanefa amin’ny vavaka sy finoana no tsy maintsy hikatsahantsika mitohy ny fatra bebe kokoa an’izany Fanahy izany. Tsy tokony hatsahatra mihitsy ny ezaka ataontsika. Raha tsy mandroso isika, raha tsy vonona handray ny ranonorana aloha sy farany isika dia HO VERY ny fanahintsika ary isika no tompon’andraikitra ny amin’izany. … Tsy tokony hanao tsirambina ny fitalahoana mandrakariva isika. Amin’ny fo torotoro sy amin-kafanampo no aoka hivavahantsika mba hirotsahan’izany Fanahy izany dieny izao, fa fotoan’ny Ranonorana Farany izao ka tokony hirotsaka mitravatra amintsika ny ranonoram-pahasoavana.. Amin’ny fivoriam-panahy rehetra atrehintsika dia tokony hanandratra vavaka isika mba hirotsaka amin’ireny fotoana ireny mihitsy ny hafanampo sy zotom-

Page 9: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

panahy avy amin’Andriamanitra. Raha mangataka an’Andriamanitra handrotsaka ny Fanahy Masina tokoa isika, dia homeny antsika ny hamoram-po sy fanetren-tena, ny fahazotoana mifikitra Amin’Andriamanitra mba hahatanteraka ny fiasan’ny Ranonorana Farany ao amintsika.. Raha mitalaho ny handray ny Fitahiana isika dia ho azontsika araka izay efa nampanantenain’ny Tompo izany. Izao no fotoana tokony hampafana fo antsika amin’ny fangatahana. Nantsoina hitory ny fahamarinana miavaka natao ho an’izao vanim-potoana izao isika. Ilaintsika indrindra amin’izany ny hitafiantsika ny Fanahy. Tokony hivavaka mafy ho amin’izany isika. Miandry antsika fotsiny hangataka ny Tompo. Mbola tsy nataontsika tamin’ny fontsika rehetra izany Asa fangatahana izany.. « Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana fa amin’ny Fanahiko hoy Jehovah Tompon’ny maro. ». Mivavaha ka aza mitsahatra. Miambena ka aoka ny asanao hifanaraka amin’ny vavaka ataonao. Raha mbola mivavaka ianao dia minoa an’Andriamanitra ary matokia Azy. Izao no fotoan’ny Ranonorana Farany, fotoana izay handrotsahan’ny Tompo be dia be ny Fanahiny. Aoka hafana fo amin’ny vavaka ary ambeno ny fotoana hirotsahan’ny Fanahy.” “Fa rehefa voaomana ho amin’ny Faraorana ny Vahoakan’Andriamanitra dia ho vita ao anatin’ny FOTOANA FARAN’IZAY FOHY ny Asa.” Fiomanana Ranonorana Farany, p. 16.Matio 24:14 rehefa vita ny Asa dia vao ho tonga ny farany fa ho avy Jesosy ary dia hody any an-danitra amin’izay isika. Aoka tsy holalaovina na hatao an-kandasitra intsony ity famitana ny Asa ity. “Ny haniko dia ny Manao sy ny mahaVITA ny Asany.” Jaona 4:34 “Antenaina ve ny hahita ny Fiangonana manontolo ho tafafoha? Tsy ho tonga na oviana na oviana izany fotoana izany. Misy olona ao amin’ny fiangonana ao izay tsy niova fo, ary tsy hikambana amin’ny fivavahana mafana sy maharitra aminy. Tsy maintsy mirotsaka isam-batan’olona manokana ho amin’ny asa isika. Tsy maintsy mivavaka be dia be isika ka ho vitsy teny kosa.” 1 Selected Messages, p. 122 – Any am-parany any p.186 Nangonin’i Ps Heriniaina Randriamanantena

TOKO FAHATELO

MPANARATO OLONA

FANAMBY LEHIBE: Mitombo be ny isan’ny mambra maneran-tany ankehitriny, indrindra eto Afrika. Ankehitriny dia ny 37% n’ny mambra maneran-tany dia etoAfrika (1/3). Hahatratra 50% afaka taona vitsivitsy. Fihaikana lehibe anefa etsy ankilany ny FIHEMORANA (betsaka ny atao batisa anefa betsaka koa ny mandao ny laharana): Anisan’ny antony mahatonga izany ohatra ireto zava-misy vokatry ny fanadihadiana eran-tany ireto (tatitra2009): mianatra ny Soratra Masina isan’andro 51%, manana fianam-bavaka mitohy 53%, mijoro ho vavolombelona 55%, ireo manao asa amin’ny fiaraha-monina 31%, ireo mamerina ny 1/10 dia 56% monja, ireo mahazo antoka famonjena anefa dia 92%, Isan-jaton’ny fanatitra miolotra amin’ny ampahafolony 3,5%, tsy manana Fanahin’ny Faminaniana 70%, tanora mandao ny fiangonana 58%.

FANONTANIANA LEHIBE MIPETRAKA NY HOE: Ahoana no hihazonana ny fihazakazaky ny fitombon’ny mambra eo amin’izao famitana ny Asa izao kanefa

Page 10: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

hampihenana betsaka ny fangatsiahana sy ny fihemorana ary ny fahaverezana mambra?

MODELIN’NY FIANGONANA VOALOHANY Araka ny tatitr’I Lioka, 30 taona taty aorianan’ny Pentekosta, ireo rehetra ireo dia NAHARITRA… Asa 2:43,47; Asa 4:4; Asa 6:7; …Dia niteny…Dia nitory : Asa 2.4; 4:31, 33; 5:42. Kristy dia efa nanendry antsika handeha, sy hamoa ary hanana vokatra maharitra (Jaona 15:16). Hoy Ellen G White: « Andriamanitra mihitsy no efa nametraka ao am-pon’ireo izay vao niova fo ny hizara avy hatrany ny fitiavan’Andriamanitra amin’ireo izay eo amin’ny manodidina azy. »

Ohatra ara-Baiboly mazava ho antsika ireto: Ilay vehivahy Samaritana (Jaona 4: 28) dia nandao ny sininy avy hatrany ka lasa nitory. Andrea koa avy hatrany dia nitady an’i Petera rahalahiny ho entiny ho eo amin’i Jesosy ihany (Jao 1: 42). Ilay demoniaka tany Gadarena: Raha vao afaka tamin’ny gadran’i Satana, avy hatrany dia nandeha izy ka nitory tany Dekapolisy (tanàna 10) izay zavatra lehibe efa nataon’i Jesosy taminy. Paoly: raha vao niova fo tao Damaskosy izy, « niaraka tamin’izay dia nitory teo amin’ny Sinagoga izy ka nilaza an’i Jesosy fa Zanak’Andriamanitra » Asa 9: 20. Ny fomba tsotra sady mahomby hihazonana ny olona vao niova fo amin’ny finoana dia ny fampandraisan’andraikitra azy amin’ny fijoroana ho vavolombelona. Raha tia an’i Jesosy marina isika dia tsy ho haintsika atao ny hangina hihazona “ilay afo mandoro ao amin’ny taolana” ka tsy hizara izany fitiavany izany amin’ny hafa. Izay no maha-zavadehibe ity programa « Mpanarato Olona » ity ao amin’ny fomba fiasa “Tetikasa Zakarian’ny Asandrato Kristy.”

Ny tanjona dia ny hanafoana ny BANGA SY FIANDRANDRASANA ary hametraka ny mambra mba hiasa avy hatrany aorian’ny batisany; eny fa na dia tsy mbola vita batisa azy izy. Hoy Ellen G. White « Raha vao niova fo ny fanahy dia alefaso avy hatrany mba hiasa.” Manome ny vatsy sy fanofanana ilain’ireo vao natao batisa avy hatrany ity programa ity mba ahafahany tonga dia miasa avy hatrany ao amin’ny hafanampony rehetra hizara ny finoany. Ity programa ity dia tena mahomby tokoa amin’ny fampihenana ny fihemorana. Aorian’ny batisa, tonga dia aroboka hiofana, omena fitaovam-piasana, ary asaina miasa avy hatrany ireo. Saha maro no efa nanandramana ity “Tetikasa taratra” ity ka ireto no vokatra hita sy tsapa: mitombo be ny mambra, mihena ny fihemorana, miroboka mijoro ho vavolombelona ny maro, mitombo amin’ny ara-panahy ny mambra, mitombo ny fanorenam-piangonana, mitombo ny fahatokiana amin’ny fitantanam-piainana, manaiky sy faly amin’ny maha-advantista izy ireo ary dia miasa am-pirindrana ao anatin’ny firaisan-kina tanteraka.

VOKA-DRATSY ateraky ny famelana “fahabangana sy fiandrandrasana” eo anelanelan’ny batisa sy ny fandraisan’andraikitr’ izay vao natao batisa ireto manaraka ireto: mihavery ny fitiavany voalohany, lasa saro-tahotra ny hitory izy. Ny iafarany dia zatra mpitandamba fotsiny; dia latsaka ao amin’ny fitsikerana sy fanomezan-tsiny matetika rehefa tonga ny Antson’ny Tompo hiasa. Maro ireo latsaka ao amin’ny fahakiviana ary dia tsy vitsy ireo mandao ny fiangonana tsotra izao. Raha mijanona fotsiny eo amin’ny batisa ny tanjon’ny fiangonana fa tsy ny hampivoatra azy ho mpianatra/hampianatra azy hitandrina dia ho very

Page 11: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

maina ny ezaka ataontsika. Nanao fotsiny ho mambra vita batisa isika hatreto fa tsy dia nanao azy ho mpianatra mitandrina izay rehetra nandidian’ny Tompo (Matio 28:19).

Ny fiandrasana ela toy izany ary dia mahatonga azy ireo mihena hafanam-po ka mihasimba hatramin’ny aim-panahiny. Matetika no avy amin’ireo mpitarika ny fiangonana no mahatonga ny olana noho izy ireo minia revo amin’ny « fahavarimbarianana sy firaikirekena maharitra lalandava » raha tokony efa hampisikinina hiasa avy hatrany ireo vao niova fo ireo hanomboka fanandramana kristiana. Tsy mahagaga raha tsy miraika ho amin’ny Asa ny ankamaroan’ny mambra izay fa efa nozarina nipetraka toy izany. Tsy hisy tena fitomboana mitohy sy haingana anefa raha tsy aroboka tanteraka sy mitohy amin’ny Asa ireo vao vita batisa ho lasa Mpanarato Olona. Ampitomboy betsaka ny fanofanana (fomba fiasa Paoly).

AZA MATAHOTRA fa hoy Jesosy: « Andeha hanaraka Ahy fa hataoko mpanarato olona ianareo. » Izy mihitsy no manome toky fa hamolavola sy hanefy antsika ho tonga “Mpanarato Olona.” Hamboariny ho tonga vavolombelon’ny fahasoavany sy ny heriny isika. Arakaraky ny anarahantsika Azy akaiky hatrany no hahatonga antsika hahita fahombiazana amin’ny fijoroantsika ho vavolombelony. « Ny fihetsika voalohany ataon’ireo vao niova fo marina dia ny hanambara ny famonjena amin’ny hafa; indrindra ireo izay akaiky azy sy tiany indrindra. » SDABC 5:910. Manimba ny aim-panahy sy fiovampon’ny olona ny tsy fampidirantsika azy miasa avy hatrany « Ny fanafody tsara indrindra azontsika atolotra ny fiangonana dia tsy ny toriteny na fampianarana fa ny fanolorana drafitr’asa hataony» Ellen G. White, Review and Herald, June 25, 1895. Ekena fa tsy maintsy mbola misy fanamboarana sy fanofanana hatao aminy fa tsy mahasakana azy tsy ho afaka hizara ny finoany izany.« Raha vantany vao miova fo ny olona dia aoka haroboka hiasa avy hatrany. Rehefa miasa araka ny fahaizany dia hivoatra haingana. Rehefa miatrika ireo fanoherana sy zavatsarotra amin’izany izy dia hitombo ny finoany.» Evangelism, p. 355

FAMPIHARANA NY PROGRAMA “MPANARATO OLONA”Dingana 1°: Manendre Mpandrindra ny Programa Mpanarato Olona sy Mpanofana amin’ny isan’ambaratonga manerana ny saha, federasiona, misiona misy azy. Ny isam-piangonana dia manendry mpandrindra sy mpanofana manokana izay hanofana ny hampandehanana ity programa ity (tsara kokoa raha loholona na talen’ny Asafi, na Talen’ny SS no tendrena amin’izany).Dingana 2°: Tsy maintsy apetraky ny fiangonana mazava miaraka amin’ny mpitandrina ny DATY rehetra mandavan-taona hisian’ny batisa fankalazana MATETIKA araka izay azo atao. Dingana 3°: Iray volana mialoha ny batisan’ireo ezaka lehibe dia efa omanin’ireo olona mpanofana sy mpikarakara ireo amin’ny fanatanjahana ny ara-panahiny ireo toromarika sy fanofanana rehetra omena ireo vao vita batisa ao amin’ny kilasin’ny mpanarato olona. Ezahiny ihany koa ny hijery ny fanomezam-pahasoavana ananan’ny tsirairay mba hahafahana misokajy ny endri-pitoriana mety hataon’ireo mpanarato olona. Dingana 4°: Tapa-bolana mialoha ny batisa dia efa omaniny ny KIT ho an’ny mpanarato olona rehetra hozaraina ny andron’ny batisa ary hanofanana azy ireo avy hatrany ny alahady aorian’ny batisa. Ny « Kit baptismal » dia fomba manokana ataon’ny isam-piangonana hampaherezina ireo Fanahy vaovao.

Page 12: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

Amin’iny andro hanaovana batisa azy iny ireo izay vao vita batisa dia ahazo kit iray avy ; toy izao no ao anatiny : 1/Baiboly iray,2/Fotopinoana 28, 3/Lesona sekoly sabata, 4/Fihirana Advantista, 5/Boky: “tonga soa ao amin’ny ankohonan’ Andriamanitra", 6/Boky F.F: Dia ho eo amin’I Kristy,sns. Natao ireo hampahery ireo vao niova fo ka haharitra amin’ny finoana. Izany Kit izany dia hozaraina avy hatrany ny andron’ny batisa na ny ampitso izay hiatrehany avy hatrany ny fanofanana ho Mpanarato Olona. Amin’io fanofanana io dia misy fanekena soniaviny ho Mpanarato Olona. Isan-Tsabata dia misy toromarika sy fanofanana omena azy eo amin’ny Kilasin’ny Mpanarato Olona. Ankoatra ny Sabata dia hisy fotoana HAFA ihany koa hatokana hiofanana sy hiasana. Aoka ny fiangonana hahafoy vola sy hanao teti-bola ho an’ity Kit Baptismal ity fa toy ny “kit d’accouchement” izany ary ny fitiavantsika ireo teraka ara-panahy dia tsy tokony handalana vola.Dingana 5° Herinandro mialoha ny batisa dia efa atao matanjaka ny fanentanana ary alamina ny fiangonana miaraka amin’ireo liana amin’ny fiaraha-miasa amin’ny vondron’ireo mpanofana mpanarato olona. VANIM-POTOANA ROA SAMY LEHIBE: Raha tsorina dia mizara roa lehibe ny vanim-potoana hiasan’ny fiangonana amin’ny programa mpanarato olona: mialoha ny Batisa ary indrindra aorian’ny batisa. Ny voalohany dia mikasika bebe kokoa ny fanomanana amim-pahombiazana ireo olona hatao batisa ao amin’ny kilasin’ny batisa.Ny fiangonana rehetra dia tsy maintsy manana kilasy batisa isan-tsokajy. Ny isan-tokantrano dia hampianatra batisa ny zanany. Ny tarika mpitory sy Tamamifi ary sampana rehetra ao amin’ny fiangonana dia mandray andraikitra toy izany (Oh: fikambanana tanora). Anton-draharahan’ny fiangonana tanteraka izany amin’ny maha-foibe fitoriana sy famonjem-panahy azy. Ny faharoa dia mahakasika ny fomba fanamafisana maharitra sy amim-pikolokoloana fatratra ny finoan’ireo vao niova fo sy ny fanampiana azy hijoro ho vavolombelona sy ho matotra ara-panahy. Aoka hitohy lalandava ny fitoriana any ivelany sy fihazonana ny efa ao am-bala.KILASIN’NY BATISA Tanjona : Apetraka ny mba ho maro ireo liana ny zava-panahy ka ireo vao niova fo rehetra ho lasa mpanarato olona mahomby.Fomba fiasa : Mandritra ny kilasin’ny batisa ireo niova fo dia tsy hianatra fotsiny ny amin’ny foto-pinoana« doctrines » Advantista fa handray ihany koa fiofanana manokana ny amin’ireto foto-kevitra manaraka ireto : Ahoana no hanatsarana ny fiainana ho votom-bavaka? (foto-pinoana faha-11)Ahoana no fomba handraisana ny teny fikasan’Andriamanitra sy ny Fanahy Masina ? Ahoana no fomba hizarany ny finoany? Ahoana no fomba hanasana ny hafa amin’ny Kilasin’ny Batisa ?

NY FOTOAN’NY BATISA DIA AOKA HO MATETIKA SY MANETRIKETRIKA INDRINDRA . Tsy misy tsirambina azo leferina amin’ny fikarakarana ireo atao batisa sy fahaiza-mandray olona amin’ireo vahiny manatrika. Tadidio fa ny batisa dia miantso batisa. Omany tsara ny Kit baptismal sy ny programa rehetra hatao. Aza adino ny karatra batisa. Asio fiaraha-misakafo raha azo atao. Aoka hisy batisa hatao farafaharatsiny isam-bolana na andavan’andro aza. Izay masaka ao amin’ny kilasy batisa dia atao batisa fa tsy ampiandrasina.KILASIN’NY MPANARATO OLONA EO AMIN’NY FOTOAN’NY SEKOLY SABATARehefa tonga ny fotoan’ny Fizarana Kilasy eo amin’ny Sekoly Sabata dia toy izao ny programan’ny Kilasin’ny Sekoly Sekoly efa mahazatra sy ny Kilasin’ny Mpanarato Olona

KILASY SEKOLY SABATA

Page 13: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

20 minitran’ny Asafi n’ny Tamamifi (Mpandrindra):4 mn Fiarahabana/Fanangonana tatitra: fisy/karnen’ny asa nataon’ny tsirairay na isan-tarika ataon’ny sekretera12 mn Fijoroana ho vavolombelona Asafi natao herinandro sy fandaminan’asan’ny Tamamifi momba ny Asa fitoriana rehetra hatao ny herinandro manaraka ataon’ny isam-batan’olona, ny isan-tarika ary ny Tamamifi miaraka.4 mn Fiaraha-mivavaka isan-kilasy 30 minitra Fiaraha-mamerina ny lesona (Mpanentana)

KILASY MPANARATO OLONA MISY IREO 3 VOLANA HATRAMIN’NY 6 VOLANA NAHAVITANA BATISATompon’andraikitra: Loholona, Tale Asafi, Tale S.S, Ireo Mpanofana Mpanarato olona)4 mn Firahalahiana/Fiantsoana anarana/Fandaminana sy tatitra fohy fijoroana ho vavolombelona12 mn Famintinana ny lesona Sekoly Sabata4 mn Fiaraha-mivavaka ao amin’ny Kilasin’ny Mpanarato Olona (KMO)30 mn Fanamafisana ny foto-pinoana 28 (tsindrio manokana ny fotopinoana faha 11), Fanofanana Asafi, Fampianarana ireo fomba amam-panao pratika ao amin’ny fiangonana (Fampianarana hitandrina), Fitsipika Mifehy ny Fiangonana, Fampaherezana hijoro mafy amin’ny finoana, ampiasao ilay boky “Tonga soa ao amin’ny Ankohonan’Atra” avy hatrany aorian’ny batisa.

STATISTIKA: Ny mpitantan’asan’ny fiangonana isan’ambaratonga, indrindra ny sekreteran’ny fiangonana, Asafi, S.S dia hiara-miasa hamoaka tatitra isan-tSabata, isam-bolana (komity) sy isan-telovolana momba ireto hahafahana manao tomban’ezaka:1. isan’ny vita batisa telovolana2. isan’ny olona ao amin’ny kilasin’ny mpanarato olona fiandohan’ny telovolana3. isan’ny mpanarato olona efa mitory4. isan’ny mpanarato olona tavela eo amin’ny faran’ny telovolana5. isan’ny fanofanana natao/ natrehina

Programan’Andriamanitra tanteraka ity araka ny Matio 28 :19. Iangaviana àry isika rehetra hanara-dia an’i Kristy ka hiroboka ho Mpanarato olona sy hampihatra ity programa « Mpanarato Olona » ity ao anatin’ny Fomba Fiasa « Tetik’Asa Zakaria », ao anatin’ilay programa Ezaka « Asandrato Kristy! Lazao amin’izao tontolo izao. » Dia handroso indrindra ny fiangonana, hohafainganina ny Famitana ny Asa Fitoriana ary ary ho zava-misy hiainantsika tsy ho ela ny fiavian’i Kristy. Maran’atha !

TOKO FAHEFATRA

TONGA SOA AO AMIN’NY ANKOHONAN’ANDRIAMANITRA

Celia Harriet

Miarahaba anao tonga soa ao amin’ity Ankohonan’Andriamanitra mahafinaritra ity!

Page 14: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

Romana 6:4 « Koa niara-nalevina taminy tamin’ny batisa ho amin’ny fahafatesana isika mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny voninahitry ny Ray no handehanantsika amin’ny fiainam-baovao. »• Rehefa nanaiky an’i Kristy ianao ka natao batisa dia miova ny fiainanao ary miaina sy manomboka fiainam-baovao ianao sady lasa olom-baovao ao amin’i Kristy.• Hatramin’izao dia Kristy no fototra sy ivon’ny fiainanao.• 2Kor 5.17: « Raha misy olona ao amin’i Kristy olom-baovao izy. Efa lasa ny zavatra taloha indreo efa tonga vaovao ireo. »Amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina miasa ao anatinao dia mihamiova isan’andro ny fiainanao amin’ny maha-olombaovao anao: vaovao ny fisainana, vaovao ny zava-manosika anao, vaovao ny zavatra tianao, vaovao ny fomba ijerenao ny fiananao sy ny fihaikany rehetra, manana fomba fiaina vaovao ianao ary mandray namana vaovao.

Zava-dehibe mahafaly indrindra ny hamantaranao fa ao anatin’ny bokin’ny fiainana ny anaranao ankehitriny sady voasoratra ao amin’ny rejistry ny fiangonan’Andriamanitra maneran-tany ihany koa.

Manomboka izao ny ho tanjonao dia ny hiaina mandrakariva eo amin’ny fanatrehan’ Andriamanitra sy hanahaka an’i Kristy. Ho fifaliana ho anao hatrany ny hihaino ny feony, ny hahatsapa ny fitiavany sy hianatra izany bebe kokoa hatrany. Antsoina ianao mba hahafoy ny zavatra rehetra ho Azy hanaraka am-pitiavana izay sitrapony rehetra mba hanananao ny fianam-pandresena Kristiana.

Asaina sy iangaviana ary ianao hikolokolo ireto fahazarana tsara ireto isan’andro:

1. Fifandraisana sy tapaka sy maharitra miaraka amin’ny Tompo2. Fifandraisana maharitra sy mitohy amin’ny fiangonana3. Fijoroana ho vavolombelony amin’ny hafa.

FIFANDRAISANA TSY TAPAKA AMIN’NY TOMPONy teny hoe fifandraisana na firaisana amin’ny Tompo dia araka ny

fifandraisana voalaza ao amin’ny 1Kor 1.9: « … hanananareo firaisana amin’ny Zanany dia Jesosy Kristy Tompo. » Miankina amin’ny fanokanan-tenanao isan’andro ho an’ny Tompo kanefa tena ilainao hampitomboana sy hanatanjahana ny finoanao izany handresenao ny fakam-panahy.

Ireto ary no dingana harahinao:

1. MANANA FOTOANA HIVAVAHANAO MANOKANA: Manokana fotoana hivavahanao manokana irery fa ny vavaka no rivotra

hamelombelona ny fanahy. Manaova vavaka fanelanelanana, mivavaha ho an’ny mambry ny ankohonanao. Ataovy lisitra izay tianao hoentina am-bavaka isan’andro. (Joba 42.10) Sitrana Joba rehefa nivavaka ho an’ireo sakaizany.Aza adino ny mivavaka mialoha ny sakafo rehetra. Misaora amin’ny zavatra rehetra ary mivavaha ka aza mitsahatra. 1 Tes 5.17,18

2. FOTOAM-PIVAVAHANA AO AN-TOKANTRANOIsa-maraina alohan’ny hivoahana ny trano sy isan-kariva alohan’ny hatoriana dia vorio ny ankohonanao hanao fanompoam-pivavahana. Amin’ny maraina dia

Page 15: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

angataho ny fiarovan’ny Tompo mandritra ny tontolo andro ary amin’ny hariva angataho ny fambomban’ireo anjely mandritra ny ora hialanao sasatra. Azonao atao ny mampiasa boky fandinihan-tena toy ny fiambenana maraina, na mofon’aina, leson’ny Sekoly Sabata ankizy, tanora, lehibe, fanahin’ny faminaniana. Ravaho hira masina sy vavaka mafana ary tsianjery andinin-tSoratra Masina ny fotoana hihazonana ny ankohonanao amin’ny fifaliana sy firaisana.3. IANARO NY LESON’NY SEKOLY SABATA: Ianaro manokana tsy tapaka isan’andro ny Leson’ny Sekoly Sabata amin’ny maraina na hariva na amin’ny fotoana rehetra. Azonao ampiasaina amin’ny fotoam-pivavahana ihany koa ireo. Hanampy anao handalina ny Tenin’ Andriamanitra izany.

4. MAZOTOA MAMAKY BOKY AMAN-GAZETIN’NY NY FIANGONANA ADVANTISTAMampahery sy mampahafantatra anao bebe kokoa ny fiangonana advantista irenyTsidiho ny www.adventist.org

5. VAKIO SY DINIHO ISANANDRO NY BAIBOLINAOAzonao atao ny manao « plana famakiana Baiboly herintaona »Azonao atao koa ny mandinika lohahevitra ka mikatsaka ny toko sy andininy rehetra manohana izany. Aza adino ny mivavaka mialohan’ny hanokafanao ny Baiboly mba hitarihan’ny Fanahy Masina anao amin’izany.

6. MAMAKIA BOKIN’NY FANAHIN’NY FAMINANIANAAmpolony maro ireo boky nosoratan’i Ellen G White manazava ny Baiboly. Tsara ny hamakianao ireo isan’andro hanaovanao fandinihan-tena sy tari-dalana amin’ny ara-panahy. Hanitatra ny fahafantaranao an’Andriamanitra sy hanatanjaka ny finoanao ireo.

FIRAHALAHIANAMambry ny tenan’i Kristy isika manomboka izao ary izy lohan’izany Tena izany. Tena ilaina tokoa ny « firaisana » (firahalahiana) ao amin’ny fiangonana 1 Jao 1.3, 7)Salamo 133:1 « Endrey tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy ny miara-monina. » hoy ny mpanao Salamo. Zanak’Andriamanitra isika ka mety indrindra ny hiarahantsika monina eo amin’izay toerana itoriana ny Tenin’AndriamanitraSalamo 122.1 « Faly aho raha hoy izy ireo tamiko: andeha isika ho any an-tranon’i Jehovah. » Mitondra tombontsoa lehibe ara-panahy ho antsika izany toy ny hoe:Manatanjaka ny aim-panahyMamoky ny fo ny toriteny, hira, vavakaFirahalahiana kristianaFifankatiavanaManandrata vavaka mangina ianao rehefa tonga eo amin’ny toeram-pivoriana sy alohan’ny hialana izany. Tongava mandrakariva ara-potoana ary aoka hanaja ny toeram-pivavahana sy hanokam-potoana hisaintsainana lalina rehefa tonga ao.Ny mambra mavitrika dia:Hamonjy tsy tapaka ny fiaraha-mivavaka rehetra (Heb 10.25)Vonon-kifanampy amin’ny mpitandrina. Tsy toerana iandrasana fanompoana fotsiny ireny fa toerana hanompoana sy handraisanao anjara araka ny talenta omen’ny Tompo anao. Tsy tanteraka tsy akory ny fiangonana kanefa dia tena ifantohan’ny fitiavan’i Kristy manokana izy. (Efesiana 5.25, 27)

IREO ZAVATRA MAMPIAVAKA NY FIANGONANA

Page 16: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

Tombontsoa ny maha-anisan’ny fiangonana kanefa misy adidy aman’andraikitra lehibe ihany koa. Asaina mandray anjara amin’ny zavatra rehetra isika ho fanatanjahana ihany koa ny aim-panahin’ny hafa iray fiangonana amintsika. Ireto avy ireo fivoriana voatendry tokony hatrehintsika:Sekoly SabataFotoam-pivavahanaPrograman’ny TanoraNy kaonferansa/Asa FitorianaNy fiaraha-mivavakaNy Kilasin’ny BaibolyNy Kilasin’ny Mpampianatra

TADIDIOHahita olona tsy tanteraka mandrakariva ianao ao amin’ny fiangonana. Tsy fitoerana masina ho an’ny olona masina ny fiangonana fa hopitaly itsaboana ny mpanota. Kristy no ilay dokotera lehibe mpanasitrana fanahy, misy anefa ireo izay marary tsy mety hositraniny. Aoka ho entina am-pitiavana, sy fahendrena izy ireny. Hajao mandrakariva izy ary aza sorena raha tsy tia anao izy. Porofo ireny fa mbola marary izy. Ataovy fahazarana mandrakariva ny mivavaka ho azy ireo sy ireo tonga mamangy ny fiangonantsika.

MPITANTANA FANANAN’ANDRIAMANITRA IANAOTombontsoa lehibe ho anao ny maha-mpitantam-panan’Andriamanitra anao. Napetrak’Andriamanitra aminao ireo ka aoka hotantanana amim-pahatokiana tsara:1. vola, fananana, tany, sns.2. Talenta sy fahazara-manao3. Ny vatana 4. Ny fotoana

Antsoin’Andriamanitra ianao hanana fanahin’ny fandavan-tena sy fahalalahan-tanana hanohana ny Asany sy ireo manodidina anao. Aoka ary ho mahatoky ianao amin’ny famerenana amin’ny Tompo ny ampahafolony rehetra sy ny fanatitra (Malakia 3.10-12)Homen’ny fiangonana valopy ianao hanampy anao hanao drafitra tsara ho amin’izany.Ankoatry ny ampahafolony dia manokana fanatitra an-tsitrapo ho an’Andriamanitra izay tokony hitovy amin’ny ampahafolony ihany koa. Raha misy ankizy ao an-tokantrano dia ampanandramo ny fifalian’ny manome toy izany koa ka asaivo mangataka valopy.Ny fanatitra dia hanohanana ny fiangonana eo an-toerana sy manerana izao tontolo izao.

RAHA HIFINDRA TOERANA IANAORehefa atao batisa ianao dia soratana ao amin’ny rejistry ny mambra eo an-toerana izay nandray anao. Raha hifindra toerana kosa ianao dia aza adino ny manatona ny sekreteran’ny fiangonana kasaina idirana ary mangataha taratasy fifindrana aminy satria Ankohonan’Andriamanitra iray ihany isika rehetra maneran-tany.

TADIDIOAza afangaro ny hoe mambra ny Sekoly Sabata sy mambran’ny fiangonana. Ianao dia mambry ny Sekoly Sabata ihany koa ary tombontsoa lehibe izany.

Page 17: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

MIZARA AN’I KRISTY AMIN’NY HAFANy fanandramana mahafinaritra indrindra eo amin’ny ara-panahy dia ny mitarika ny hafa ho eo amin’i Kristy. Miboiboika hafaliana ny fonao ankehitriny noho ireo fahamarinana sarobidy hita sy nasehon’ny Tompo anao tao amin’ny Teniny. Miredareda ao am-ponao ny hilaza avy hatrany ny fahazavana voarainao amin’izay mifanena aminao. Nefa, mety hatahotra ianao ka hanao hoe : « ho haiko ve izany hijoro ho vavolombelona izany ? »; “mbola tsy ampy fahalalana loatra aho!”, « hataon’ny olona ahoana aho raha tsy mahatafavoaka manazava ny finoako ? ». Matetika isika no matahotra ny hanazava ny amin’i Daniela sy Apokalypsy, kanefa raha atoro anao ny fomba atao sy fanaovana azy dia ho vitanao io.Inona moa no atao hoe fijoroana ho vavolombelona ? Azo faritana tsotra hoe: “olona iray nihaona manokana tamin’I Jesosy tamin’ny alalan’ny Teniny ka ka mizara an’I Kristy amin’ny alalan’ny fiainany sy ny teniny.”1. Ny fijoroana ho vavolombelona mahomby dia tsy maintsy ialohavan’ny fiainana vonton’ny vavaka.(Kolosiana 4:3)2. Ny fanaovana namana, fisakaizana no fomba mahomby indrindra hahazoanao namana ho an’I Jesosy. Indro ary ny dingana hanampy anao amin’izany:Fantaro sy resadresaho anombohy ny fifankazarana aminy ny mikasika:a/azy na ny fianakaviany: ray amandreniny, namany, hava-teteziny, ny ankohonany sy fianakaviany ankehitriny.b/Ny asa ataony: ny fialam-boliny, ny fianana ara-piarahamonina, fianarany, ny tanjona tratrariny, d/Ny fivavahany: ny fiangonana nisy anao taloha? Ny fiangonana nisy ireo ray amandreninao?Mazotoa mihaino azy fatratra. Ataovy izay hahazoana ny fony. Miresaha ny zavatra tiany.Miainga avy amin’ireo zava-misy ankehitriny: toe-karena, herisetra, ny vaovao, dia tantarao ny zava-dehibe nataon’ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao. Araho ary ireto dingana fijoroana ho vavolombelona ireto:- Ny fiainanao talohan’ny nanekenao an’I Kristy: very tsy manana fanantenana, fianana tsisy dikany sy feno tsy fankatoavana. Aza indraindraina ny fahotana fa andanio fotoana betsaka ny hoe nanao ahoana ny nanovan’I Jesosy ny fiainanao sy ny iasany ao amin’ny fiainanao ankehitriny.- Nanao ahoana ny nahatonga anao ho Kristiana: vaovao mahafalin’ny famonjena ao amin’I Jesosy, Tantarao ny fitarihan’ny Fanahy anao tamin’ny toe-javatry ny fiainana rehetra- Ny fiainanao hatramin’ny naha-kristiana anao: fomba fijery vaovao, fifaliana na dia ao anaty fahoriana aza, ny hery azonao amin’ny fandinihana ny Baiboly, ny fitarihan-dalana ataon’ny Tompo eo amin’ny lalanao. Lazao fa nampahery anao sy nanatanjaka finoana anao hatrany ny Tenin’Andriamanitra.

TOROMARIKA ANKAPOBENY1. Ny Fanahy no mandresy lahatra azy fa tsy ianao. Miaraha miasa amin’io Fanahy io ka tarafo ny fahareseny lahatra sy ny fiovam-pony.2. Tsy ianao no laviny fa ny Tenin’Andriamanitra ary ampio izy hahatsapa izany.3. Aza miasa irery fa mitadiava namana hanampy sy hiara-miasa aminao4. Tsidiho any antranony izy, asao any an-trano izy hisakafo, asao izy any fivorian’ny Tarika madinika, fotoana manokana ao amin’ny fiangonanao, seminera, kaonferansa.

Page 18: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

5. Angamba mety hahakivy anao amin’ny maha-olombelona ny sasany nefa aza mitsoak’ady fa tsy fantatsika ny fiasan’Andriamanitra sy ny fotoana mety tendreny6. Aza atao sesi-mototra aminy ny fampianarana sy programa sao dia leo anao indray izy. Raha mbola tsy mety hiaraka miangona aminao izy dia tazomy hatrany ny fisakaizana ary mitadiava fotoana hafa indray.7. Manatreha fanofanana momba ny Asa Fitoriana sy fijoroana ho vavolombelona hahombiazanao kokoa8. Resaho ny pasitoranao na ny Loholona hanampy anao hahay mitory sy hijoro ho vavolombelona9. Manatreha kilasin’ny Baiboly / Kilasin’ny Mpanarato Olona10. Raha tsy hainao ny mamaly fanontaniana, aza kivy fa manontania ny olona afaka hanampy anao amin’ny famaliana azy. Mazotoa manatrika fanofanana.

NY RAFITRA AO AMIN’NY FIANGONANA ADVANTISTA MITANDRINA NY ANDRO FAHAFITO1. Ny mambry ny fiangonana eo an-toerana2. Ny misiona/federasiona (miasa amin’ny alalan’ny distrika)3. Ny union4. Ny kaonferansa jeneraly (misy diviziona 13)

AZA ADINO! Ampianaro azy tsara ny Fitsipika Mifehy ny Fiangonana. Inona no mety hitarika fampiharana fitsipika? Ny fitsipi-pitondrantena Kristiana? Ny zo sy adidin’ny mambran’ny fiangonana? Tokantrano?

NY FITANDREMANA NY SABATAZava-dehibe tokoa ny Sabata fa andro manokana io. Eo am-piandohan’ny herinandro dia tokony efa misaintsaina ny Sabata isika ary tokony efa hosaintsainina ny hatao mialoha sy mandritra io andro io.Alohan’ny hilentehan’ny masoandro dia efa tokony hilamina ny zavatra rehetra (akanjo, ny kiraro, ny trano, sns) mba hahavonona tsara ny ankohonana rehetra ho amin’ny andro lehibe ny Sabata. Jereo ao amin’ny lesonao na ao am-piangonana ny ora filentehan’ny masoandro.Raha vao milentika ny masoandro dia vorio ny ankohonanao hidera sy hankalaza an’Andriamanitra satria fahatsiarovana ny namoronana anao io andro io.Mandritra ny ora 24 n’ny Sabata dia atsahatra ny famakiana gazety, fijererena fahitalavitra, fihainoana radio tsy ara-pilazantsara. Hararaoty kosa io fotoana io hanorenana firaisam-po tsaratsara kokoa ao an-tokantrano. Ny hira masina, Video ara-pilazantsara ihany no azo jerena amin’ny Sabata.Tongava mamonjy ny fivoriana fanombohana ny Sabata. Tokony hifoha maraina rehefa Sabata, manokana ora handinihan-tena sy Baiboly, misakafo maraina mialoha ary mamonjy ny fiaraha-miangona mba tsy ho tara fidirana amin’ny Sekoly Sabata. Araho hatramin’ny farany ny fotoam-pivavahana. Raha lavitra dia mitondra sakafo.Ny Sabata tolakandro dia mbola Sabata mandrakariva. Araho ireo programa rehetra atao amin’izany: programan’ny Tanora, ny fanofanana samihafa, ny famangiana, ny Asa Fitoriana iarahana ary mandraisa anjara mavitrika amin’izany. Ny filentehan’ny masoandro no mamarana ny Sabata ka misaora an’Andriamanitra noho ny fitahiana sy fahamasinana ary fahafinaretana voaray nandritra ny Sabata. Raha sahirana amin’ny fitandremana na fahazoana tsy fiasana Sabata ianao dia manatona ny Loholona hanampiana anao. Mety hiatrika olana ianao kanefa

Page 19: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

rehefa mijoro hanaraka ny Sitrapon’Andriamanitra isika dia miditra an-tsehatra manampy antsika Andriamanitra ka mijoroa hatrany.Hampiasa ny paikany rehetra Satana amin’ny fakam-panahy sy fanakiviana samihafa hampiverin-dalana anao kanefa aza matahotra fa Andriamanitra afaka mandefa anjely maro hiaro anao tsy ho lavo. Ary na lavo aza ianao tsy afoiny na ariany fa tiany sy areniny mandrakariva. Zanaka an-trano ianao ary Ankohonan’ Andriamanitra. Tadidio mandrakariva ny fanekena natao sy ilay andro nanoloranao tena ho an’I Kristy.NB: Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao dia homeko anao ny satroboninahitra fiainana Apok 2:10. NY FITANDREMAM-PAHASALAMANA: NEW STARTFandresena ny fahazaran-dratsy raha sanatria mbola misy tavela: PLANA 5 ANDRO, sns…IREO FOTO-PINOANA 28: Tsindrio manokana ny fampiharana ny foto-pinoana faha-11: “fitomboana ao amin’ny Kristy.”AMPIANARO AZY SY TANTARAO IREO TANTARA SY LOVAN’NY FIANGONANA ADVANTISTAHanamafy sy hanatanjaka ny finoany ireny.“Andeha hanaraka Ahy fa hataoko Mpanarato olona ianareo.”

TOKO FAHADIMYSORI-DALAN’NY ASA FITORIANA MIPOAKA 2011-2015

A. FIFOHAZANA SY FANAVAOZANA HANDRAISANA NY RANONORANA FARANYHO ENTINA MANAFAINGANA NY FAMITANA NY ASA HIAVIAN’I JESOSY

B. “MAMBRA IRAY MITAONA FANAHY IRAY”MIFOHA – MAMPITAO – MITORY – MIJINJA - MITAHIRY (Tsingerina/Faribolan’ny Asa Fitoriana/Cycle de l’Evangélisation)

JANOARY: VOLAN’NY ASA FANOMPOAN’I EPAFRAo 10 andro fifohazana sy fanavaozana: “ezaka ranonorana maneran-tany”o Fiantsoana hiasa ireo mpitory laika hirotsaka amin’ny dingana I

(recrutement PL)o Fandaminana ny drafitrasa fitorianao Fiaingan’ny asa fitoriana mipoaka

FEBROARY: VOLAN’NY FOMBA FIASAN’I PAOLYo Fifohazana sy fanavaozana mitohy o Fanofanana ireo mpitory laika sy mpanarato olonao Famafazana & asa misionera mitohy: isam-batan’olona, tamamifi,

seminera,vop, KB…

MARTSA: VOLAN’NY TETIKASA ZAKARIAo Fifohazana sy fanavaozana mitohyo Famafazana sy asa fitoriana isam-batan’olona, tamamifi, seminera,vop,

kilasy batisa,sns

Page 20: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

AVRILY: VOLAN’NY TETIKASA ZAKARIAo Fifohazana sy fanavaozana mitohyo Fizarana ny boky misioneran’ny taonao Fanomanana ny fijinjana, tombana sy fanaraha-maso ny Asa o Famafazana & asa misionera mitohy isam-batan’olona, tamamifi,

seminera, vop,kb, sns

MAY: VOLAN’NY TETIKASA ZAKARIAo Fifohazana sy fanavaozana mitohyo Fijinjana kaonferansa lehibe voalohany (telo herinandro)o Fetiben’ny batisao Fanofanana ireo mpanarato olona vao vita batisao Famafazana & asa misionera mitohy isam-batan’olona, tamamifi,

seminera, vop, kb,sns

JONA: VOLAN’NY EZAKA HEZEKIAo Fifohazana sy fanavaozana mitohyo Fanohizana ny asao Fanofanana ireo mpanarato olona sy mpitory laika (dingana ii)o Famafazana & asa misionera mitohy isam-batan’olona, tamamifi,

seminera, vop, kb,sns

JOLAY: VOLAN’NY TAOTRANO HAGAYo Fifohazana sy fanavaozana mitohyo Fanamboarana sy fanatsarana ireo foto-drafitrasan’ny fiangonanao Famafazana & asa misionera mitohy isam-batan’olona, tamamifi,

seminera, vop, kb,sns

AOGOSITRA: VOLAN’NY FIHAONAMBEN’NY FITORIANAo Fifohazana sy fanavaozana mitohyo Fihaonamben’ny mpitory laika arahina fitoriana sy vaky layo Famafazana & asa misionera mitohy isam-batan’olona, tamamifi,

seminera, vop, kb,sns

SEPTAMBRA: VOLAN’NY TETIKASA ZAKARIAo Fifohazana sy fanavaozana mitohy o Kaonferansa fijinjana lehibe faharoa (telo herinandro)o Fetiben’ny batisao Fanofanana ireo mpanarato olona vao vita batisao Famafazana & asa misionera mitohy isam-batan’olona, tamamifi,

seminera, vop, kb,sns

OKTOBRA: VOLAN’NY MPANARATO OLONAo Fifohazana sy fanavaozana mitohyo Fanofanana mpanarato olonao Fanohizana ny asao Famafazana & asa misionera mitohy isam-batan’olona, tamamifi,

seminera, vop, kb,sns

Page 21: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

NOVAMBRA: VOLAN’NY ASA FANOMPOAN’I EPAFRA SY FOMBA FIASAN’I PAOLY

o Fifohazana sy fanavaozana mitohy – herinandro fivavahana o Famafazana & asa misionera mitohy isam-batan’olona, tamamifi,

seminera, vop, kb,sns

DESAMBRA: VOLAN’NY FANKASITRAHANAo Fifohazana sy fanavaozana mitohyo Ezaka famerenana ireo mihemotra sy herinandron’ny fanapahan-kevitrao Asa misionera mitohy isam-batan’olona, tamamifi, seminera, vop, kb,snso Fanavaozam-panoloran-tena amin’ny Fitoriana mipoaka

TOKO FAHENINA

FOMBA FAMPIANARANA BAIBOLY TSOTRAIlaina ny fomba tsotra 1. Voaporofo maneran-tany ny fahombiazany 2. Azon’ny tsirairay fehezina faingana 3. Mahay tsara sy haingana kokoa ny mpianatra.4. Tsy ela dia voaofana sy voavatsy tari-dalana feno hianarany Baiboly ilay mpianatra.

BAIKON’ANDRIAMANITRA: “Ny Raintsika any an-danitra no namaritra ny asa hataontsika. Tokony handray ny Baibolintsika isika ka handeha hampitandrina izao tontolo izao.” 9T150. “Olona an-jatony, an’arivony, no hita fa indray namangy ny fianakaviana ka nanazava ny Tenin’Andriamanitra taminy. Nandresy lahatra ny fo ny herin’ny Fanahy Masina ka nivoha nidanadana tamin’ny fitoriana ny fahamarinana ny varavarana rehetra. Toy ny nohazavain’ny herin’ny lanitra izao tontolo izao.” 9 Testimonies p. 126. ILAINA NY FIOMANANA Fanomanana ny foFanomanana ny fitaovanaFanomanana ny saina Fanomanana ny fo –

OHATRA NOMEN’I JESOSY Mialoha ny hiatrehana ireo toe-javatra lehibe teo amin’ny asany, dia

nivavaka mba hahazo fitarihana sy fanampiana I Jesosy (Mar 1:35; Lio 9:18, 28, 29)Tian’Andriamanitra hivavaka hangataka fahendrena isika (Jak 1:5; Heb 4:16)Mangataka ny fitarihan’ny Fanahy Masina (Jao 16:13) “Anaka, atolory ahy ny fonao, ary aoka ny masonao ho faly mijery ny lalako.” Ohab 23:26.“Fa hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko… .” Asa 1:8 “Ka dia maneke an’Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy. Manatona an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy.” Jak 4:7,8. “Ny fanahy izay milefitrra amin’i Kristy, dia manjary tanàna mimanda ho Azy, izay anjakany eo anivon’izao tontolo izao mikomy aminy, ary ny kasainy dia

Page 22: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

tsy hisy fahefana hafa hekena ao afa-tsy ny Azy irery ihany. Ny fanahy izay voatahirin’ny anjelin’ny lanitra ho an’Andriamanitra toy izany dia mahatohitra ny fanafihan’i Satana. Nefa raha tsy manolo-tena tokoa hofehezin’i Kristy isika, dia hotapahin’ilay ratsy. ” IFM 340.

FANOMANANA IREO FITAOVANA FOTOTRA o Baiboly (tsara raha misy fizahan-teny)o Tari-dalana fianarana Baibolyo Horonan-tsary fianarana Baiboly na fitaovana hafa

FANOMANANA NY SAINA “Mazotoa manolotra ny tenanao amin’Andrimanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana.” 2 Tim. 2:15.Mamelona fahalianana amin’ny fianarana Baiboly

FITSIDIHANA TOKANTRANOo Fomba fiasa ao amin’ny Testamenta vaovaoo Manorina fisakaizana amin’ny hafa (Ohatra nasehon’i Jesosy) o Mat 4:14 : Tia olona Jesosy ary tsy nitsahatra nanampy azy ireny Izy (Mar

1:41; 6: 34)o Azony natao ny nisakaiza tamin’ny olona rehetra (Mat 9:10; Mar 2:15)o Naneho fahalianana tamin’izay rehetra nifanena taminy Izy ary niezaka

nanome azy ireny fanampiana ara-panahy (Jao 3:1,2, Jao 4:7)o Misakaiza amin’ny olona rehetra: Raha tiantsika ny hahazo olona ho an’i

Jesosy dia tsy maintsy misakaiza amin’ny olona rehetra isika (Ohab 18:24) Rehefa mihaona amin’ny olona isika : eny an-dalana, any anaty fiara fitaterana, eny an-tsena, ao an-tanàna, any anaty magazay, dia aoka ho maha-te ho tia mandrakariva : mitsikia, miresaha amin’ny olona, manontania momba ny fianakaviany, mivonona hanampy raha ilaina

o Hararaoty ny trangan-javatra manokana hanampiana ny hafa Maro ny trangan-javatra ahazoantsika manampy sy maneho fitiavana: Aretina, Fahoriana, Mpifanolo- bodirindrina vaovao, Fidirana am-ponja, Mananon-tena, Be antitra, Tao-trano / fotoam-pijinjana.

o “Ahoana no fomba hahatanterahan’ny fitoriana ny hafatry ny anjely fahatelo ? Amin’ny fiezahana manokana sy tozoina eo amin’ny famangiana olona any an-tokantranony indrindra indrindra.” Welfare ministry, p. 97

o “Misy fianakaviana izay tsy handre mihitsy ny fahamarinana ao amin’ny Soratra Masina, raha tsy ny mpanompon’Andriamanitra no mankao an-tokantranony.” Evangelism, p. 435,436

o Fomba atoron’ny Testamenta Vaovao fampitsiriana sy famelomana ny fahalianana “Arakaraky ny anarahana akaiky ny drafitra omen’ny Testamenta Vaovao amin’ny asa fitoriana no hahitana fahombiazana eo amin’ny ezaka atao” (3T 210).

NY FOMBA FIASAN’I KRISTY “Nitety trano ny Mpamonjitsika, nanasitrana ny marary, nampionona ny malahelo, nampahery ny tra-pahoriana, nanambara fiadanana ho an’ny kivy, nitahy ny zaza,nilaza teny fanantenana sy faherezana ho an’ireo reny very hevitra.” (CS 114)

Page 23: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

NY FOMBA FIASAN’NY FIANGONANA VOALOHANY Asa 5:42 “Ary tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an’i Jesosy ho Kristy isan’andro teo an-kianjan’ny tempoly sy tao an-trano izy.”Niezaka nampitombo ny isany izy ireo - Asa 2:47 Nitoriana ny filazantsara ny tanàna manontolo -Asa 17:6 Manao batisa betsaka - Asa 2:41; 4:4; 5:14 Miasa amin’ny toerana mbola tsy nidirana - Asa 8:4 Paoly: “nambarako sy nampianariko anareo teo imason’ny olona ary tao amin’ny isan-trano” Asa 20:20

IREO OLONA ANTENAINA HIANATRA BAIBOLY 1. Zanaky ny mambra2. Fianakavian’ny mambra3. Ireo nahazo diplaoma tamin’ny Fianarana Baiboly an-taratasy ifandefasana4. Olona liana hitan’ny Mpampiely boky5. Olona liana avy tamin’ny asa fitoriana eny amin’ny hopitaly sy ny fahasalamana6. Ireo lianan’ny Sampana Sekoly Sabata7. Mambran’ny Sekoly Sabata tsy mbola mambran’ny fiangonana

TORO-HEVITRA HAHITANA MPIANATRA BAIBOLY 1) Mizara trakta isan-karazany

1. Fakana adiresy isan-tokantrano2. Mandefa karatra fisoratana anarana amin’ny alalan’ny paositra 3. Mamporisika ny mambra hitondra karatra fisoratana anarana

mandrakariva hozaraina 4. Manome na tsaratsara kokoa mampindrana boky5. Mampindrana CD, VCD, DVD na K7 6. Manao fitsapan-kevitra ara-pivavahana (sondage)7. Manao fitsapan-kevitra ara-piaraha-monina

DRAFITRY NY FAMPIANARANA BAIBOLY Fitarihan-tenyFamelabelaranaAntso na Famehezana

FITARIHAN-TENY Mamoha ny fahalianan’ireo mpihainoAoka ny fitarihan-teny hanaitra: Mety ho tantara fohy. Mety ho zava-dehibe nitranga maneran-tany. Lahateny manintona mampiditra ny votoatin-dresaka. Fanokafam-bavony ho amin’ny tena sakafo.

NY FAMELABELARANA (NY VATANA) Ny famelabelarana no tena sakafo. Manome fahafaham-po ny hanoanana notairin’ny fampidirana. Mafonja ary misy fitohizany ny hevitra hatreo am-piandohana ka hatramin’ny fiafarana. Manazava amim-pandresen-dahatra ary manome toerana ny Fanahy Masina hiasa. Mifantina ireo toko sy andininy tsotra kokoa sy mifandray mivantana amin’ny toko sy andininy ampiasainao manarakaAoka ho fohy sy mahitsy ny tenyFarano ny fianarana dieny mbola voahazona ny fahaliananaAmpy tsara ny toko sy andininy 10 – 15 isaky ny lohatenyANTSO NA FAMEHEZANA Mamintina Mamehy

Page 24: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

MiantsoManambara ny lohahevitra manaraka

INONA NO ATAO MIATRIKA NY FAMPIANARANA 1- Aoka ho mari-potoana2- Aoka hafana fo3- Mipetraha eo amin’ny fitoerana mety4- Manao fampidirana fohy5- Aoka hazava ny fampianarana atao6- Mitenena am-pahendrena

FOMBA FANEHOANA NY FAMPIANARANA 1- Manomboha amin’ny vavaka2- Manaova fampidirana na asehoy ireo teboka lehibe3- Mametraha fanontaniana amin’ny teboka tsirairay4- Mankasitraha ireo valiteny marina5- Manontania ndrao mbola misy valin-teny hafa6- Mahaiza mihaino ary mametraha fanontaniana7- Manaova fanazavana fohy sy mafonja araka ny androsoan’ny fandalinana8- Mifikira amin’ny lohahevitra9- Aza mampiditra hevitra izay tsy mbola ananan’ny mpianatra fahalalana ampy raha toa ka fanontaniana mahakasikany lesona hoavy no apetrany na mety hampisy ady hevitra

FOMBA FAMPIANARANA BAIBOLY 1. Mampitoera rivotry ny fifankatiavana mialohan’ny fampianarana2. Vavaka fanombohana: fohy nefa vokatry ny fo 3. Ny isan’ny olona ampianarina mety indrindra4. Ny fomba tsara indrindra: fanontaniana sy valiny Ahoana, oviana, aiza, inona, iza, nahoana5. Mitenena miadana sy mazava 6. Tsy toriteny ny fampianarana Baiboly7. Vakio mazava tsara ny toko sy andininy tsirairay, satria Tenin’Andriamanitra no eny an-tananao8. Amporisiho handray anjara ny mpianatra9. Ametraho fanontaniana izy ireo10. Iangavio izy ireo hamaky teny11. Amporisiho ny fifanakalozan-kevitra12. Aza maika fa aoka hazava ny teboka tsirairay vao manohy ho amin’ny lohahevitra manaraka

Inona no atao amin’ny fampianarana Baiboly (tohiny) 1- Aoka ho mari-potoana2- Aoka hafana fo, falifaly, tony, mahatehotia3- Raha maromaro dia tsara raha mipetraka manao faribolana4- Aoka ho azo antoka fa mifankalala ny rehetra ary mahazo toerana tsara5- Aoka hazava izay ambara6- Mamporisiha mandrakariva

FAMPIASANA SARY AN’OHATRA 1. Ny ohatra ampiasaina dia misarika ho eo amin’ny votoatin-dresaka2. Miteraka fahatsapana lalina sy maharitra ao amin’ny fo sy saina3. Toy ny varavarankely mampiditra rivotra mangatsiatsiaka

Page 25: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

4. Tokony ho fohy5. Sorohy ny ohatra natao hampihomehy6. Fadio ny hatsikana

TOROHEVITRA MITONDRA FAHOMBIAZANA 1. Aoka hazava ny resaka2. Mihainoa3. Mampanapaha hevitra matotra hoan’I Kristy mialoha ny hampidirana ireo

fampianarana mitaky safidy4. Mianara fomba fiatrehana fanoherana5. Aoka hahay mihevitra ny hafa sy malemy paika6. Aza miady hevitra7. Aoka ho liana fatratra ny amin’ilay olona8. Manehoa fankasitrahana9. Ekeo izay hevitra azo ekena rehetra10. Aza sanganehana raha tojo fanontaniana tsy hainao valiana11. Loza sorohana amin’ny fampianarana Baiboly 12. Aza miditra loatra amin’ny antsipiriany 13. Ny faharetany : 30-40 minitra Isan’ny fanontaniana : 10-15 14. Tsy mitoriteny, tsy manao konferansa na mikiakiaka15. Fadio ny miady hevitra16. Aza tezitra17. Aoka tsy hivaona hiala amin’ny lohahevitra18. Aoka tsy hitsikera na hanao teny tsy misy fanajana ny hafa 19. Aza mijanona ela rehefa vita ny fampianarana 20. Mandahatra ireo lohahevitra 21. Mifidiana lohahevitra mifanaraka amin’izay ilain’ny mpihaino22. Kristy no ataovy ivon’ny lohahevitra. Mianatra ny amin’i Jesosy sy ny sitrapony eo amin’ny fiainantsika no tanjon’ny fampianarana Baiboly rehetra23. Araho tsara ny filaharan’ireo lohahevitra

Fomba fandaharana diso Ny Batisa Ny Sakafo Ny ampahafolony Ny Sabata Ny fiavian’ny Tompo fanindroany

Ny fomba tsara Mitory an’I Jesosy alohaNyIreo foto-pinoana no toriana manaraka

SOSOKEVITRA MOMBA NY FANDAHARANA NY LOHAHEVITRA 1. Ny Baiboly tenin’Andriamanitra2. Ny fiavian’i Jesosy fanindroany3. Ireo famantarana ny fiavian’i Jesosy 4. Ny lanitra sy ny tany vaovao5. Ny drafitry ny fanavotana6. Atao ahoana ny ho voavonjy7. Ny Lalàna masin’Andriamanitra8. Ny Sabata masin’Andriamanitra sns...9. Fandraisana fanapahan-kevitra Ny tanjon’ny fampianarana Baiboly: fampanapahan-kevitra ho an’I Kristy. RAHOVIANA NO HORAISINA NY FANAPAHAN-KEVITRA ?1. Ny tsara dia amin’ny fampianarana Baiboly voalohany

Page 26: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

2. Manomboha amin’ny fanapahan-kevitra madinika ; Manomana ho amin’ny fanapahan-kevitra lehibe 3. Mahafantatra ny lalàn’ny saina “ Ny zava-dehibe tokony ho fantatrao dia ny herin’ny sitrapo marina. Izany no hery mibaiko eo amin’ny toetran’olombelona, dia ny herin’ny fanapahan-kevitra, na ny herin’ny safidy. Miankina amin’ny herin’ny sitrapo ny zavatra rehetra.” Ny Dia HK , p. 54.

ABD’NY FAHAZOANA FANAPAHAN-KEVITRA A - FanekenaB - FinoanaD - Fahatokiana

Dingana amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra 1. Fahalalana2. Faharesen-dahatra3. Faniriana4. Fanatanterahana

Fomba fiasan’ny saina Fahalalana : Manangona ny zava-misy momba ny fanapahan-kevitra ho raisina. Ilaina ny fahafantarana ny zava-misy marina, nefa ireto misy olana roa : 1. Fampafantarana be loatra 2. Fikasana mialoha tsy hamaly ny antso

Famahana ny olana ateraky ny fampahafantarana be loatra Asehoy miandalana ny fahamarinana. Raha azo atao dia aza maneho fahamarinana 3 na 4 mifanesisesy ao anatin’ny herinandro. Vangio avy hatrany ny olona ao aorian’ny fanehoana ny fahamarinana izay mitaky safidy mba hampahazava ireo fanontaniana lehibe.

Fomba roa handresena ny tsy famaliana ny antso 1. Manaova antso matetika isaky ny fampianarana: fampananganan-tanana, fampandohalehana, fampitsanganana sy fiantsoana ho eo amin’ny alitara2. Mampiasà matetika karatra fanapahan-kevitra.3. Mampitsiry faharesen-dahatra Fahafantarana mazava – Apetraho ny fanontaniana hoe : “mazava aminao ve ?” 4. Kopahana ny afon’ny faniriana-

Zaraina ny tombontsoa : 1. Ny fiadanana anaty mifanohitra amin’ny fikorontanana anaty (Jao 14:27, Sal 119:165).2. Mandray ny Fanahy Masina (Asa 5:32).3. Ny tena hasambarana (Jao 13:17).4. Ny tanàna any an-danitra (Heb 11: 16).5. Famelan-keloka sy fahafahana amin’ny fahamelohana (Asa 2:37-39).

Zava-dehibe mikasika ny fampanapahan-kevitra 1. Manontania : “mazava ve fa...?”2. Ampio ny mpianatra handray fanapahan-kevitra isaky ny lesona tsirairay3. Asehoy ny tombontsoan’ny fampiharana ny fahamarinana 4. Asongadino mandrakariva ny fitahiana miaraka amin’ireo fitakian’Andriamanitra5. Asehoy ny vokatry ny asa ratsy

Page 27: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

6. Asehoy ny zavatra andrasan’ilay Andriamanitra tia antsika7. Tariho ny mpianatra hanana fifandraisana amin’Andriamanitra

Ireo antony hangatahana fanapahan-kevitra tsy misy hatakandro 1. Mazava kokoa ny fahamarinana raha mbola velona tsara ao amin’ny fitadidiana.2. Miasa hampivily ny saina i Satana.3. Mety hanjavona tanteraka ny faharesen-dahatra raha tsy tarihina faingana ny fanapahan-kevitry ny olona4. Mety hivily na hoany amin’ny fiangonana hafa ny fanapahan-kevitra.5. Ireo fianakaviana na ireo mambran’ny fiangoanana hafa dia mety hampifangaro ny olana na ny fahamarinana ao an-tsaina.

Ireo toe-javatra dia mety hahatonga ilay mpianatra tsy ho azontsika ao anatin’ny fotoana fohy.1. Fantaro atao ahoana ny famaly ny fanoherana 2. Fantatro tsara ny zavatra tsapanao. 3. Maro tamin’ireo olona tojo izao toe-javatra andalovanao izao no nanana fahatsapana toa anao koa Nefa dia hitan’izy ireo fa ny manapa-kevitra ho an’I Kristy no tsara indrindra…

TOKO FAHAFITOFIANARANA MITORITENY

NY MAHAZAVA-DEHIBE AZY? Baiko izany: 2 Tim 4.1,2 Mitoria ny teny1-/ Ny toriteny no nandanian’i Jesosy fotoana be indrindra aorian’ny fitsaboana.Izy no modelin’ny fitorian –teny.2-/ Rom 10:14-17. Ny toriteny no hampinoana ny olona. Fitaovana nampiasain’ireo mpaminan’i Jehovah izany hampitany ny hafatra. Ny vesatra manindry tsy maintsy lazaina na dia haningotra ny aina.3-/ Tsy safidy ny hitoriteny fa didy ho an’ny mpianatr’i Kristy rehetra 1Tim 4:2 Mat 28:19 Marka 16:15.

INONA NO ATAO HOE TORITENY?1-/ Nehemia 8:1-9 Mizara 3 mandrakariva ny atao hoe toriteny 1-/ Famakian-teny: Toritorina – potipotehina madinika amin’ny fandinihana sy fandrasana ka ahasinkasina ny didiny sy ny heviny tsirairay avy.2-/ Fanomezana ny hevi-teny: Ezahina ny hitakatra ny lalan-tsaina nalehan’ny mpanoratra , ny lesona sy ny hafatra tiany hambara.3-/ Azony ny hatao: Fampiharana

2-/ Toro- hevitra1) Tanjona: Apetraho mandrakariva ny tanjona tratrarinao amin’ny toriteny

atao . Raha mifarana ity toriteny ity, inona no fiovana andrasako eo amin’ny mpihaino.

2) Zavatra ilaina: Fantaro izay tena ilan’ny olona mihaino anao. Karazan’olona manao ahoana izy? Inona no sahaza azy ? Ampifanaraho amin’izay ny toriteninao. « Izay mangidihidy haorina » fa tsy izay mahafinaritra anao fotsiny no toriana. Fitsaboam-panahy ny toriteny ka tsy maintsy loarana ny fototr ‘aretina, sitranina nefa koa tsy kanota tsy zaka no amelezana lava izao ny mpanota malemy.

Page 28: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

3) Aoka mba ho azonao fintinina amin’ny fehezan-teny tsotra 3 - 5 ny toriteninao. Io no atao hoe toriteny voafintina (enoncé).

4) Ataovy mipetrapetraka sy mirindra ny drafitrao mba ho azo tsara.5) Aoka ho tokana ny lohahevitra hazavaina.

FIOMANAN’NY MPITORITENY

ARA-PANAHY: Tsy maintsy ho matanjaka ara-panahy. Aoka hiaina amin’ny ampahany betsaka ny zavatra izay torianao. «Tsy ahitanao fahombiazana anefa izany rehetra izany raha tsy mahafantatra tsara an’i Kristy ianao. Tsy azonao atao ny hizara ny zavatra tsy anananao ary ho mora tsikaritra izany. Raha mampiseho tsara an’i Kristy kosa ny fiainanao, dia hisy lehilahy sy vehivavy maro ho voataona. » VK

ARA-TSAINA : 1Tim 4 :13 Tsy maintsy mandany ron-doha mikaroka sy misaina .Alexander M. CAMPBELL dia mandany ora 60 hitrandrahana toriteny iray .

Aiza no hahitana hevitra sy toriteny? Ireto ary ny fitaovana hanampy anao hitrandraka azy :Fianaranao S.M isan’androLeson’ny Sekoly SabataBokin’ny Fanahin’ny faminanianaToriteny isan-tsabata sy fotoana voatendryKonkordansaDiksioneran’ny BaibolyCommentaire / famakafakana Baiboly versions samihafaBible Annotée : TOB _ etc….Cassette ToritenyRadio sy T.VBoky samihafaBaiboly Grika sy Hebreo* FitrandrahanaoNy toriteny tsara indrindra anefa dia izay trandrahinao manokana

ARA-BATANA : • Fitafiana madio sy mendrika ary ny tsara indrindra, sns…..• Aoka hiomana amin’ny mosara ialàna amin ‘ny fahasahiranana• Fahadiovana sy fahaiza-mihaingo, mampiady loko.

NY FOMBA FITORIAN-TENY (FORME)« Tsy misy nateraka ho mpikabary / mpandaha-teny kanefa na iza na iza dia afaka ho lasa mpandaha-teny amin’ny alalan’ny ezaka ataony am-paharetana. » St LaurentMisy mpitoriteny manana toriteny tsara nefa malazolazo ary tsy ampy aina ny Toriteny.Ny fitsipika voalohany fitorian-teny « Aoka tsy hanomboka na oviana na oviana amin’ny fialan-tsiny.» Sarobidy ny 60 segondra voalohany fanombohana, indrindra raha mbola tsy nandre ny feonao ny olona.

FIHETSIKA ENY AMBONY POLIPITRA1-/ Aoka hipetraka tsara mandra-piandry ny anjaranao. Fadio:

a-/ Ny tongotra mifamatotrab-/ Ny mitsotra toy ny hatoryd-/ Ny matory / manoaka

Page 29: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

e-/ Ny mibitsibitsika2-/ Aoka hijoro mahitsy tsara, tsy miankinankina na mamikitra amin’ny polipitra3-/ Mitafia ny maha-mendrika : Ny fitafiana madio sy voakaly tsara, ny kiraro madio tsara, tsara hety sy tsara hogo.4-/ Fadio ny fihetsika tsy maotona, fihetsika midehadehaka misitisity « vedettisme », mivezivezy loatra toy ny liona anaty « cage » nefa aoka koa tsy ho toy ny sary vongana.5-/ Microphone: Aoka tsy hitohoka na hanalavitra. Iray njehy no antonony tsara.Mitenena ao anatin’ny faritra fo (heart microphone). Raha kofona na hikohaka dia miala ivelan’io faritra io. Rehefa hahena ny feo dia hatony ny micro. Raha mafy feo loatra ianao dia halaviro na esory ny micro. Izay micro tsy miasa dia vonoy.6-/ Haavon’ny polipitra = 1,20 m - Tokony ho 30 – 40 cm ny elanelan’ny maso sy ny soratra ary manao zoro mahitsy amin’ny fijerinao ny polipitra.7-/ Aza maika ny hanomboka na mikoropaka ny hahavita.

II- NY FITENENANA 1-/ Aoka hiteny mazava tsara

a-/ Sokafy ny vava, aza manonona « syllabes » maro indray miteny , sarotra ny mihaino ny teny raha tsy izany. Aza terena ny feo.

b-/ Miboredika : Tantara Philosophie grika Demosthène. Nasiany vato kilonjy vitsivitsy tao am-bavany dia lasa izy nankany amoron-dranomasina ka niezaka handresy ny feon’ny onja Exercice : tereo ny nify dia mitenena mazava amin’izay ka hetseho mafy ny hoza-bava.

d-/ Miteny haingana ka tsy araka intsony.2-/ Manaova fanazaram-peo (exercice de voix)o Mihira midina tampoka sy miakatra tampoka.O Manao exercices abdominaux. Vao maraina dia mitsotra mahitsy tsara esorina ny ondana dia miteny mafy na mihira lava araka izay tratran’ny « souffle. »o Ny kibo no atao toy ny mivovoa, izay no mahamafy feo azyo Mamaky teny mafy sady maharitra ora vitsy3-/ Hajao ny fitsipi-pitenenanana, tandremo ny fiteny vary amin’anana be loatra4-/ Ialao ireo fiteny teknika loatra sy ny be hain-teny loatra toa hikabary.5-/ Fehezo ny fihetseham-po (ranomaso na hafaliana loatra). Ambeno ny pec.6-/ Fanteno ny voambolana ampiasainao. Anontanio na fiteny na tsia 7-/ Ny mpitoriteny « blagueur » dia mampiala ny Fanahy Masina. Nefa aoka tsy ho mototra. Jesosy dia mba manao hantsikana indraindray. (Mt 5.15, 29, 30)

III- NY FEO 1-/ Aoka tsy hamboamboarina ny feo nyla tahaka feon’olona2-/ Ovaovay ny filantolanton’ny feo. Aoka tsy ho MONOTONE. Aoka tsy hanao « feo masina » toy ny hira « Grégorien ». Ampiakaro ny feo rehefa miresaka

1-/ Zavatra mampangitakitaka , fitiavana, fankahalana, hatezerana2-/ Tolona , ady , fifaninanana, fitanisana zava-dehibe sady lava.

Ahena ny feo rehefa miresaka1-/ Fangirifiriana , fiaretana, fihetseham-po malahelo, mampangorakoraka2-/ Fijaliana, vokatsoa na voka-dratsy.

3-/ Fadio ny manapatapaka teny. Aoka hikoriana ny fehezan-teny iray hatreo amin’ny teboka. Aza alatsaka ny feo amin’ny faran’ny fehezanteny fa tsy « charme » akory izany.Ialao ny fijanojanonana matetika , ilaina ihany anefa indraindray ny mijanona mba hanaitra ny matory sy hakana bahana tsara . Aoka anefa tsy voafantsika eo

Page 30: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

amin’ny taratasy ny maso. Rehefa mifantoka loatra amin’ny taratasy dia alaim-panahy hamaky ary mety ho very ny hevitra.4-/ Aza atao mafy loatra ny feo raha vao manomboka mba tsy hiakiananao avo loatra avy eo ka mety ho kasoka ny feo.5-/ Aoka hilanto ny feo. Ianaro ilay miakatra sy midina.6-/ Raha misy mpandika teny dia ezaho hitovy ny haavon’ny feo.7-/ Manaova toy ny feom-biby na olona rehefa manao tantara ho an’ny ankizy.

IV – NY FIJERY 1-/ Jereo ny olona iresahanao satria miresaka aminy ianao.2-/ Aseseo miadana ny fijery ny mpihaino. Afantohy tsindraindray amina olona ny maso ao anaty segondra vitsivitsy. Aza adino ny aloha, ny any aoriana, ny havia, ny havanana, any ao afaranao.3-/ Aoka mba tsy:

1-/ hijery lafiny iray monja2-/ hiandrandra na hijery tapikandrin’olona3-/ hifantoka loatra amin’ny taratasy4-/ hanao tarehy ratsy 5-/ hampifantoka fijery matetika loatra amin’ny olona iray

4-/T.V jereo ny camera principal, araho ny baikon’ny réalisateurs, banjino.

V – NY FIHETSIKA (gestes)Tsy ny tanana ihany no manao fihetsika, fa ny vatana, ny tarehy, molotra, ny soroka, ny volo-maso dia miteny daholo.Hoy St Laurent. « Ny laha-teny tsy misy fihetsika dia toy ny laoka tsy misy sira. Ny gestes dia mandeha ho azy tsy baikona nefa amin’ny voalohany dia tsy maintsy ianarana sy folahina mihitsy.

1-/ Aoka tsy ho voafatotra ny sandrinao roa. Velaro ny tananao fa hahazo aina kokoa ianao.2-/ Ialao ny fihetsika diso toerana

1-/ Don-tany, mandaka polipitra2-/ mikapoka polipitra3-/ fihetsika vetaveta

3-/ Fihetsika mila ahitsy 1-/ Ny lasa aloha loatra: mandeha ny fihetsika vao mahateny 2-/ Ny tara loatra: efa lasa ny teny 3-/ Ny « fihetsika » tokana miverimberina. Raha tsy mahita fihetsika hatao ianao dia araviravio ny tanana. 4-/ Ialao ny tanana am-paosy, mibaby tanana, « manasa » tanana, mifehy tanana, mitehina mirirandrirana na mamikitra amin’ny polipitra. 5-/ Asandrato ny Baiboly rehefa hamaky andininy ianao, tazony tanana ila , lanton-tsandry manao zoro 90° , iray njehy eo ho ny elanelany amin’ny maso.

N.B Tsy misy lalàna miridiridy anefa ny gestes fa rehefa mahazava ny tianao hambara dia izay. Rehefa tsy hitanao izay geste atao dia asa manao fa ampidino ny tanana.

IREO FIZARANA AO AMIN NY TORITENY (FONDS)A - FAMPIDIRANA (Introduction)

I – TOETOETRY NY FAMPIDIRANA

Page 31: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

1-/ 60 segondra voalohany fanairana sy fisintonana ny fahalianan’ny mpihaino. Atombohy amina fehezanteny manaitra ny toriteninao, ohatra : « sarotra ny ho very fa mora ny ho voavonjy », « zava-doza ny mangataka ny Fanahy Masina raha tsy mbola vonona ho any an-danitra ianao », « izay tena tia dia tsy maintsy mandao izay tiany. »2-/ Aoka hazava tsara ary tena hampiditra ny lohahevitra3-/ Aoka ho fohy sy TOKANA4-/ Aoka mba hovaovana ny fomba fampidirana

II – FOMBA FAMPIDIRANA 1-/ Ny andininy fototra no vakiana mafy sady mazava, rehefa izany dia ampidirina amin’izay.2-/ Fampisehoana tantara ao ambadika (arrière plan historique / background). Apetraka aloha ny sehatra vao ampiakarina an-tsehatra ireo mpilalao ny tantara. Dia velomy ny tantara sy ny zava-misy, ampiaino ho toy ny andavan’andro.3-/ Manomboka amin’ny énoncé na toriteny voafintina4-/ Mametraha problème (problématique) oh :* ny fiadanako no omeko anareo >< aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana ambonin’ny tany aho ?5-/ Manomboka amina andalanteny iray manintona (citations)6-/ Fanandraman’ny tena manokana na tantara mitarika ho amin’ny lohahevitra.7-/ Illustrations / Sary an’ohatra8-/ Fanontania hitohy.

III- FIRAFITRY NY FAMPIDIRANA1-/ Fanairana ny fahalianana 60 segondra2-/ Sary an’ohatra (ill) na resaka mampiditra ny lohahevitra3-/ Atolotra ny foto-kevitra / lohahevitra4-/ Petrak’olana5-/ Fametrahana ireo hevi-dehibe 2, 3 (amin’ny endrika fanontaniana)6-/ Tetezamita

IV – TANDREMO 1-/ Ny fampidirana maromaro2-/ Aoka tsy hisy fanazavana na toriteny sahady ao anaty fampidirana 3-/ Aoka mba tsy ho famenoana fotoana fotsiny fa ho tena voakaly tsara 4-/ Ialao ireo fampidirana mampangitakitaka loatra5-/ Esory tao amin’ny fampidirana ireo zavatra tsy dia misy ifandraisany amin’ny lohahevitraN.B : Rehefa voarafitra ny vatan’ny toriteny sy ny famaranana vao arafitra ny fampidirana .

B- VATAN’NY TORITENY (CORPS)I – APETRAHO NY FANONTANIANA1-/ Ampy ho enti-mitrandraka sy manazava ve ny fitaovana nangoniko ?2-/ Amin’ireto hevitra ireto sao dia tokony ho toriteny 2 na 3 samihafa ?3-/ Mifampitohy sy mifandray tsara ve ny hevitra ?

FITRANDRAHANA = EXEGESE Famaritana : Famoahana ny tena hevitry ny teny ny lalan-tsaina nalehan’ny mpanoratra sy ny famakafakana ny texte.

Page 32: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

Foano ny hevitra rehetra efa masaka mialoha (idées préconçues) fa ny texte no avelao ho azy sy hamoaka ny lesona hampiharina ny hafatra tena tian’ny mpanoratra hambara.

I/ FAMPIDIRANA: RESAKA mitarika ho amin’ny texte sy ny loha-hevitraII/ TONTOLONKEVITRA MALALAKA/ CONTEXTE LARGE (boky iray manontolo)1-/ Ny mpanoratra: ny mombamomba azy , vanim-potoana nanoratany, ny asany, ny fiaviany, fianakaviany, fari-pahaizany,2-/ Ny antony nanosika azy hanoratra : ny zava-misy, fanenjehana, fihemorana, fampaherezana.Ohatra : zava-misy tao korinto : karazan’olona betsaka, fijangajangana, teny tsy fantatra manakorontana, ny tsy finoana ny fitsanganana amin’ny maty ets…..3-/ Ny daty nanoratany ny boky.4-/ Ny toe-javatra manodidina ilay boky sy ny tantarany.5-/ Ny mpandray anjara ao amin’ny tantara.III/ TONTOLON-KEVITRA AKAIKY / CONTEXTE PROCHE1-/ Ireo toko mialoha sy aoriana. Ny Baiboly dia tsy nosoratana miaraka amin’ny toko sy andininy, koa misy ifandraisany mandrakariva ny toko aloha sy aoriana. Toy ny taratasy rehetra dia mifampitohy ny hevitra ary tsy maintsy misy lalan-tsaina narahina. Fitakarana izay tao an-tsain’ny mpanoratra.2-/ Mariho koa anefa ireo fizarana lehibe ao amin’ny boky ny nandaharan’ny mpanoratra azy ohatra : 1kor 12 – 14 dia fizarana iray ihany momba ny fanomezam-pahasoavana.3-/ Jereo koa ny tantara ao ambadika (arrière plan historique - background). Ny literatiora, ny jeografia dia fehezo tsara.*** Izany hoe : apetraho tsara aloha ny sehatra vao ampidirina ny mpisehatra. Apetraka ny fotoana, ny zava-misy, ny jeografia etc….... mpilalao.*** Hajao indrindra ny tontolon-kevitra mba tsy hampilaza izy tsy tian’ny texte holazaina

IV/ TONTOLON-KEVITRA AM-POTONY/ CONTEXTE IMMEDIAT 1-/ Jereo ny andininy vitsivitsy na fanambarana eo aloha, avy eo koa jero ny ao aoriana.2-/ Diniho ireto andininy matetika mivaona ny fanazavantsika azy :Am 4 :12/ Is 8 :26 / 1kor 4 : 16 / Is 66 :24/ Mat 5 : 48 / Jer 49 : 10 / Jao 5 :39 / Joba 38Apetraho tsara ny contexte : Lio 15 / Amos 4 : 12 / 1kor 13 / Jn 2 :16

HEVI-TENY (Etablir le texte)1-/ Manomboka mandrasarasa locution, conjonction, hevitra ara-drafitra.2-/ Mijery dikan-teny samihafa : versions , apparatus3-/ Ampitahao ny hevi-teny azonao hahalaza ny hevitra tsara kokoa.4-/ Mampiasa dikan-teny fototra hanampy anao amin’ny fanakaran-kevitra. Nefa aoka tsy hotenenina firy anaty toriteny ireny fa tsy ilain’ny mpihaino: Mar an’ atha / prophètes sns...

FAMPIHARANA NY TORITENY /APPLICATION HOMILETIQUEHampiharan’ny tena azy ho famelombelomana ny ara-panahy sy hanentana hitahiry ny hahazona ny famonjena.

V/ FOMBA FITRANDRAHANA HEVITRA1-/ Vakiana im-betsaka ny texte dia hazavaina2-/ Jerena ny lohahevitra mitondra ny lahatsoratra

Page 33: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

3-/ Ezahina tsipihina ny teny manan-danja rehetra, potsehina daholo, fihazana hamoaka hevitra.4-/ Miasa tokoa ny fandrasana fehezan-teny sy teny5-/ Raisina avy hatrany ny hevitra miserana ao an-tsaina satria « volatile »6-/ Ampiasaina ny angady fanadihadian-kevitra : INONA? IZA? OVIANA? AIZA? AHOANA MIANAKAVY : - AHOANA , AMIN’NY FOMBA AHOANA, MANAO AHOANA , etc…..COMMENT COMMENTAIREJereo ny TOVONA, TOVANA, FOTOANA, MPISOLOTENA, (mivoaha avy eo aminy ianareo ry oloko)Fihazo ny teny dia ezaho ny hamoahan’ireo fanontaniana ireo ny hevitra.Rehefa izany dia alamina sy sokajiana anaty hevidehibe sy zana-kevitra ny azo, Saino sahady izay andininy mety hatohana ny hevitra, ny sary an’ohatra etc…....

VI/ IREO FIZARAZARANA1-/ Ny tanjona mba hifampitohy tsara sady manohana ny lohahevitra ny lohahevitra ny zana-kevitra rehetra (logique, planifié)2-/ Aoka ho tsapanao sy ny mpihaino anao ny fizarazaran’ny toriteninao (vanivaniny) , oh : raha toy izany ary…......Manao ahoana kosa ary…....... Hamafisina ny teo aloha , manaraka izany, …....voalohany, faharoa .3-/ Tokony hitovitovy ny halavan’ireo fizarana4-/ Aoka hihasinkasina ny hevi-dehibe sy ny zana-kevitra.

VII/ FOMBA FANEHOANA HEVITRA ISAKY NY FIZARANA MADINIKA1-/ Rehefa hita ireo fizarana hevidehibe dia zaraina ho zana-kevitra2-/ Asiana teteza-mita isaky ny fizaràna3-/Dingana fanazavana zana-kevitra iray.

a. Aseho ilay hevitra (affirmation, endrika fanontaniana) + fanazavana kelyb. Porofoc. Hazavaina ny porofo , oh : andininyd. Illustrations / sary an’ohatrae. Sintonina ny tsoa-kevitraf. Fampiharana

N.B Aoka mba ho voazava ny hevitry ny teny ny heviny nahazoan’ny olona tamin’izany fotoana izany ka nahatonga ny mpanoratra hanoratra. Ohatra: aoka aho aloha handevina ny raiko

a. Fampiharana tamin’izay fotoana izay.b. Fampiharana eo amin’ny plan’ny famonjenac. Fampiharana ankehitriny

Aoka tsy hotsaingotsangohina ny fampiharana fa rehefa voafehy ny lesona avoakan’ny tantara/ texte fototra dia sintonina sy ampiharina anio. Raha isak’izay mandingana no misintona fampiharana ankehitriny dia tsy fantatry ny olona izay mpiharina fa lasa manaraka fandaharan-teny mahavalalanina fotsiny izy. (oh : isika izany) 7-/ Hamafisina ny tsoa-kevitra dia ampidirina indray ny zana-kevitra manaraka N.B : Averimbereno foana ny fehezan-teny SLOGAN amin’io toriteny io. Ohatra : izao no ataovy ho fahatsiarovana ahy/ Tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva ka tsy reraka / Izay manao azy fa efa mijoro tsara aoka hitandrina fandrao lavo

D- FAMARANANA

I- MILA FIKALIANA

Page 34: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

1-/ Aoka mba tsy ho sahala amin’ny rambon-trondro na elefanta (kely ny rambony sady manify)2-/ Tsy tody ny tanjona napetraka raha ratsy famaranana3-/ Tsy hazava ny fampiharana sy ny fanantanterahana raha tsy ny Famaranana4-/ Io no hanohinana ny fon’ny olona hanao fanapahan-kevitra.II- TANDREMO1-/ Asio drafitrany famaranana A-/ Famintinana: farafaharatsiny ireo hevi-dehibe. B-/ Foto-kevitra ijoroan’ny lahatsoratra. Ny toriteny atao indraim-bava (izao re ‘ray olona no tiako hambara sy hataonareo amin ‘izany rehetra izany.) Tadidio fa io no faratampony sady tanjona. D-/ Manaova sary an’ohatra hanazavanao izay tanjona izay raha ilaina. E-/ Fampiharana tsotra, mazava, aseho ahazoa-manao azy (possibilité), ny tombotsoa azo aminy sns… F-/ Antso mitalakotrokotroka

2-/ Aoka mba tsy ho famenoana fotoana fotsiny na ho fanazavana indray ny hevitra hadino tany aloha.

3-/ Fehezo tsara ary aoka ho tokana ny « atterrissage » (fidinan’ny fiaramanidina.)4-/ Aza faranana amin’ny zavatra mampalahelo ny toriteny fa amin’ny fanantenana sy fifaliana5-/ Ny daty nanorantany ny boky

III- FOMBA (STYLE ) FAMARANANA1-/ Fampiharana eo amin’ny fiainana ara-panahy andavan’andro, Jesosy no vahaolana.2-/ Toro-hevitra ho amin’ny fanatanterahana mazava, ohatra Banjino Kritsy , Raiso Izy ho Mpamonjy ny tenanao manokana (ataovy fampiharana mivantana azo tsapain-tanana)3-/ Famaranana amina hira na feon-kira mamelovelo ao anaty antso.4-/ Sary an’ohatra mitarika ho amin’ny fampiharana sy fanantenana.5-/ Tononkalo, lahateny fohy nefa ao tsara (au point) , andininy ao amin’ny fihirana vakiana.6-/ Famakiana ny andininy fototra.7-/ Fanontaniana maromaro asesisesy.8-/ Anatranatra mikendry lafy tsarany.

SARY AN’OHATRA

I – NAHOANA NO ILANA?1-/ Mba hampazava ny lohahevitra hazavaina.2-/ Mba hampazava ireo hevitra ara-panahy ho mora azo.3-/ Mba hanairana lalandava ny fahalianan’ny mpihaino indrindra ny ankizy.4-/ Mba ho mora tadidy ny toriteny na dia any aoriana aza.5-/ Mba hanampy amin’ny antso ho amin’ny fanapahan-kevitra.

II – AIZA NO AHITANAá?1-/ Tantara ao amin ‘ny Baiboly ? Ilay Contexte mihintsy no velomina tantaraina.2-/ Fanandramana tena niainana dia mana-kery, na ireo zava-misy madinika eo amin’ny fiainana andavan’andro. Aoka hanana toe-tsaina mahay maka sary etsy

Page 35: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

sy eroa ny mpitoriteny. Aza mitantara fiainana mambra misy lafy ratsiny, indrindra raha misy vahiny na tsy andvantista manatrika eo.3-/ Ny vaovao ao amin’ny TV, Radio, Gazety.4-/ Vaky boky andavanandro.5-/ Boky misy sary an’ohatra.Angony anaty fichiers ireny arakaraka ny lohahevitra isokajianao azy

III- TANDREMO1-/ Aoka mba ho tantara marina . Raha tsy marina dia ataovy hoe : HONO na fanoharana moderna fa Aza mandainga. Aoka anefa tsy hahita angano amin’ireny ianao.2-/ Aoka hazava sy hifanandrify amin’ny hevitra ambara ny tantara raisinao.3-/ Fanteno izay sary an’ohatra tena hahalaza ny tianao holazaina.4-/ Aoka tsy haorina eo ambony sary an’ohatra ny toriteny. Fitaovana izy fa tsy toriteny.5-/ Aoka ny tanjona tsy ho fampihomehezana fotsiny.6-/ Aoka tsy holazaina ny anaran’olona tantaraina na koa ny toerana aza.7-/ Aoka tsy hanao sary an’ohatra mifampitohitohy na zara fa misy.8-/ Kendreo mba tsy hanimba ny voninahitrao izay lazaina ka ho voapetaka anarana amin’izany ianao.

FOMBA FITSARANA TORITENYFORME (ny endrika ety ivelany)

Mendrika ve ? (Fitafiana)Be fialan-tsiny ve ?Mba misy fanantenana ve ?Mahay mifandrindra amin’ny mpihaino ve ?Manao ahoana ny fihetsiny eny ambony Polipitra ?Fitenenana : misokatra tsara ve ny vavany ? miboredika ve ? Tapatapaka ? haingana sa miadana ? fitsipipitenenana ? voambolana ? fihetseham-po ?Lantom-peo : manao ahoana ny lantom-peo ?miakatra sy midinaTsy heno ve ny farany sa ankisesy loatra ?Mamelovelo ve ?Fijery : mijery anaty maso, lafiny rehetra.Miondrika loatra amin’ny taratasy ve ?Fihetsika : voafatotra ve ny tanany, mivelatra ?Misy diso toerana ve ?Lasa aloha ve sa tara sa mirindra ?Misy fihetsika miverimberina loatra ve ?Mirana, matotra, taitaitra, tony.Manao ahoana ny fitazonana sy famadihana Baiboly sy taratasy.

(Votoatiny) – Omeo ny tanjona sy ny toriteny voafintina

FAMPIDIRANA:Mahasintona ve ?Mampiditra ny lohahevitra ve ?Hita ve ny drafitraManao ahoana ny halavany Christocentrique ve ? Mamelombelona ve ?

Page 36: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

Voavaha ve ny olana tao amin’ny fampidirana ?Tsapa ve ny drafitra ?Mandresy lahatra ve ?

VATANYMivaona amin’ny lohahevitra ve ?Misy teteza-mita isan-kevitra ve ?Tody ve ny tanjona ?Sarotra ve ny fanazavany ?Mazava – tsotra - azo ampiharina ve ?Misy hevitra diso ve ? Ampy sy tandrify tsara ve ny sary an’ohatra ?Manaja exégèse sy contexte ve ?Manao ahoana ny fomba fanehoany hevitra.Misy fampiharana mazava ve ?Mijery lafy tsarany ve ? Mitsabo ve ?Mahay manentana ve ?

FAMARANANA : Misy drafitra, tody ve ny tanjona ? Mahaentana ve sa tsia .Atterrissage firy ? lava sa fohy sns….

IREO KARAZANA TORITENY

TORITENY MIFOTOTRA AMINA ANDININY / SERMON TEXTUEL

AO AMIN’NY T.M.A.A /SERMON TEXTUEL 1-/ Ny fizarana dia mivoaka ho azy avy amin’ny texte. Afaka ho hita avy ao ny hevi-dehibe sy ny zana-kevitra.2-/ Mila famakafakana exégèse antsipiriany hatramin’ny tovona, tovana, mpisolo tena sns….3-/ Avoaka avy ao ny tian’ny texte holazaina hisintonana fampiharana.

II – NY MAHATSARA AZY 1-/ Tsy mila mandeha lavitra fa dia mifantoka amin’nytoerana iray sady kely.2-/ Tsara ho an’ireo vao manomboka.3-/ Raha mahay ny mpitoriteny dia ho araky ny olona izay lazainy.4-/ Halavany : andininy 1-3 monja.III – TANDREMO 1-/ Tsy ny texte rehetra dia mety hatao S.T . Misy andininy izay tsy hay zaraina.2-/ Misy andininy mana-karena hevitra be loatra Gal 5.22 , Jao 3.163-/ Satria tery loatra ny faritra iasana dia matetika manery izay tsy tian’ny texte holazaina.4-/ Misy fakam-panahy hanao fizarana tefimaika.5-/ Mety hisy risika hanao fanararaotana (ABUS).

1-/ Fampiasana ny texte fotsiny ihany hilazana ny hevitry ny tena samirery.2-/ Tsy voaseho ny tian’ny texte holazaina.

IV- FANTARO 1-/ Fantaro tsara aloha ny background / arrière plan historique.2-/ Hajao ny tontolon-kevitra.

B- TORITENY FAMELABELARANA/SERMON EXPOSITOIREI – FAMARITANA : Fanazavana ampahana texte lava kokoa amin’ny alalan’ny exégèse hentitra. Tsy maintsy jerena amin’ny ankapobeny ny texte ary ezahina

Page 37: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

takarina ny hafatra fonosiny. Atao indray mijery ny texte sy ny lohahevitra matanjaka mitondra azy (mety ho andininy fototra iray indraindray).Ity “Sermon Expositoire” ity no tena mahavoaka ny tena heviteny marina.Halavany: andininy maromaro, toko 1 ,2 , 3, boky iray manontolo.

II – NY MAHATSARA AZY 1-/ Ny toriteny tsara indrindra ara-tSoratra Masina, manpanan-karena ara-tsaina ny mpitoriteny satria io no tena afaka manaraka ny siansan’ny fikarohana ara-Baiboly.2-/ Mahatoky amin’ny Contexte ka antenaina fa hamoaka ny sens original (hevitra hatrany am-piandohana)

III – TANDREMO 1-/ Ny fanazavana tsy mikendry tanjona (de toutes les directions)2-/ Aza adino ny fampiharana ankehitriny.3-/ Fantaro fa mitoriteny ianao fa tsy manao fampideram-pahaizana. Jereo ny ilain’ny olona, aoka hanana tanjona sy fampiharana mazava.4-/ Tandremo ny miditra loatra amin’ny antsipiriany.

IV – FANAMARIHANA1-/ Fero ny halavan’ny texte iasana.2-/ Ampiasao ny diksioneran’ny Baiboly.3-/ Aoka ho tena ilaina sy iainkinan’ny ain-dehibe ny hafatra ao amin’ny Sermon Expositoire.

D-SERMON THEMATIQUE (Toriteny miompana amina Lohahevitra)I – Ny lohahevitra no tena matanjaka. Fidina izay lohahevitra tiana dia miainga avy hatrany avy amin’izay. Ny fivavahana , ny fifankatiavana…....Raisina ny konkordansa dia tsimponina sy fantenana izay andininy ilaina sokajiana anaty hevi-dehibe sy zana-kevitra fotsiny avy eo.II – NY MAHATSARA AZY1-/ Ahafahana manazava lohahevitra na inona na inona.2-/ Lohahevitra iray ahafahana manao toriteny maro.3-/ Mazava kokoa ny tanjona sy ny hanatrarana azy.III – NY OLANA 1-/ Mety hampiasa lohahevitra avy amin’ny olan’izao tontolo izao .2-/ Tsy dia manaitra sy tsy mahafahana ny mpihaino.3-/ Miteraka hakamoana, ifanotofana loatra noho izany ka lasa matsatso.4-/ Fanadihadiana ivelambelany ny contexte, exégèse hadino. Tissus de textes (andininy marobe lavareny).5-/ Tsy dia ahazoana ny hevitry ny Baiboly.

E- SERMON BIOGRAPHIQUEI – MAHATSARA AZY1-/ Ny olona ankehitriny dia tia tantaram-piainana olona.2-/ Mitarika ny olona ho any amin’ny zava-misy tao amin’ny Baiboly.

a-/ Tsy dia tsara noho isika ankehitriny izy ireny (heviny sy fahalemeny)b-/ Hita ao ny fomba fifandraisan’Andriamanitra, ny fitantanany ny

olombelona malemy amin’ny maha – olombelona azy « 3-/ Tsindrio mafy ny hoe ahoana no nahazoan’izy ireo fandresena.II – FOMBA FANAOVANA AZY 1-/ Aseho manaraka amina lohahevitra ilay tantaran’olona. Mosesy sy ny Leadership, Joba sy ny faharetana…....2-/ Tantaraina ny fiainan’ilay olona dia sintonina ny lesona sy anatra .

Page 38: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

3-/ Ampahany amin’ny tantarany no zarazaraina ny lohahevitra dia tsoahina isaky ny fizarana. Sintonina ny fivoatry ny tantara ny lesona hampiharina.4-/ Ampahana lafiny iray manan-danja indrindra eo amin’ny fiainany no asongadino.5-/ Hararaotina ampiharina amina vanim-potoana manokana : fêtes des mères, pères…..6-/ Ny fiainan’ny olona 1 na 2 no tantaraina mba hampianarana zavatra iray , ohatra : Ny fibebahan’ny Petera sy Jodasy.7-/ Azo atao ny manana toriteny maromaro amin’ny fiainan’olona iray.

III – TANDREMO 1-/ Ny fanadihadina ivelambelany, ezaho ny hitsapa ny fihetseham-pony, ezaho velomina mihitsy ny tontolon-kevitra.2-/ Ny fanazavana tsy loabody sy tsaingotsaingoina.3-/ Ny mihinana am-bolony « commentaire samihafa »4-/ Aoka ho mari-pototra ny fitantanana atao (aza mandainga)5-/ Ny mamorona foana momba ny fiainan’ialy olona.6-/ Tsy fitantarana no atao fa toriteny misy hafatr’Andriamanitra.

F- SERMON DOCTRINAL1-/ Tsy fampianarana Baiboly nefa koa tsy kaoferansa.2-/ Ankinina amina lohahevitra ilay foto-pinoana, ohatra : FIPIKRI, fianam-pianakaviana.3-/ Aoka hitandrina amin’ny système « proof-texts » be fotsiny.4-/ Asandrato mandrakariva Kristy fa tsy variana amin’ny « TIC na TAC » foto-pinoana.5-/ Ialao ireo «spéculations humaines »6-/ Ialao ireo toriteny mampiteraka ady hevitra be.7-/ Ianao mihitsy no aoka hitrandraka ny ampifanaraho amin’ny mpihaino anao. Azo atao ny manazava ny Sabata amin’ny endrika hafa amin’ny mambra advantista, ny zava-padiana sns..N.B : Ny fiainana ara-panahin’ny mpitoriteny no tena miteny mihoatra lavitra noho ny toriteny.

Ps Heriniaina Randriamanantena

TOKO FAHAVALONY SIANSA N’NY FAMPANAPAHAN-KEVITRA

FAMPIDIRANA“ Ny Asa famonjena fanahy no asa sarotra indrindra amin’ny asa rehetra eto an-tany. Ilana fahakingana sy fahaizana izany. Tsy maintsy tandremana fatratra, ary atao amim-pitiavana sy amim-pahalalana . . .Ny siansa ambony indrindra dia ny siansa famonjena fanahy.” MH 398“Ny fanahy iray voavonjy dia hamirapiratra mandrakizay any amin’ny fanjakan’ny lanitra.” 2T 336“Be vidy lavitra noho ny harena, ny trano sy ny tany ary ny vola rehetra eran’izao tontolo izao ny fanahy iray tafiditra any an-danitra. Aoka hampiasaina hatramin’ny farany azo atao izay rehetra azontsika atao hampiova fo ny fanahy iray” 1 TT 646Tsy miankina amin’ny fahaiza-mandaha- teny, na amin’ny fanambarana miezinezina, na amin’ny herin’ny hevitra aroso, ny ho fahombiazan’ny hafatry ny Filazantsara.Fa ny fahatsoran’ny hafatra sy ny famerana azy ho antonona ny

Page 39: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

fanahy tsirairay avy, izay noana te-hahazo ny mofon’aina no ahitana fahombiazana indrindra.” COL 231.Tsy manao fampahalalam-baovao fotsiny isika fa manarato sy mihaza fanahy mihitsy (manarato olona) manao ny fomba rehetra hahazoana ny olona amin’ny alalan’ny fampianarana. (Mat 28 : 19 )Misy manafina ny hakamoany amin’ ny resaka hoe: na hihaino izy na tsy hihaino dia afafazo fotsiny ihany. Ekena fa ny fanahy no miasa ; ( Ezek 6 : 4 )kanefa tsy maintsy misy fiaraha- miasa feno fitozoana sy fikirizana avy amin’ny mpihaza fanahy vokatry ny asan’ny Fanahy.

F O M B A F I A S A1- FANATONANA NY OLONA

- Isika no hanatona ny olona fa tsy ny olona no andrasantsika hanatona antsika (V.M., p.) ► Fifankazarana: atao aloha izay hifankazarana amin’ny olona * Atao izay hahazoana ny fony. Mat 6 : 21. Izay misy ny hareny.Tsy miresaka olana sy zavatra mahakivy na mandreraka Fijoroana ho vavolombelon’ny herin’Andriamanitra ihany no resaho.Rehefa mamangy azy matetika ianao dia omeo soso-kevitra izy hianatra ny Soratra Masina.

2- FAMPIANARANA1. Asaina mampianatra isika: Matio 28: 19; 2Tim 4:22. Fampianarana = Misy mpampianatra ary misy mpianatra→ Asa mitohy tsy tapatapaka.3. Atomboka amin’ny Soratra Masina aloha ny Fampianarana.Rehefa izany dia miditra amin’ny ireo lesona mikasika ny planin’ny famonjena: Ny anjaran’Andriamanitra, Ny anjaran’olombelona4. Atao mamelovelo ao am-pony mandrakariva ny fitiavan’Andriamanitra azy manokana.5. Asehoy azy fa tia azy indrindra Andriamanitra.6. Ireo fahamarinana iombonana aloha lazaina. Ataovy azo antoka fa babon’I Kristy ny fony vao miditra amin’ireo loha-hevitra mampiavaka: Sabata, Batisa, Zava-padiana, Fiangonana marina, sns.7. Lalanan’ny Fampianarana: Tsotra (simple) Mazava (Clair)Azo ampiharina(Pratique) Neh 8:88. Atolotra ny hevitra9. Porofoina Toko sy And. / andalan-teny / tantara10. Hazavaina ny porofo11. Manome sary an’ohatra raha ilaina12. Tsoa-kevitra13. Teteza-mita14. Ataovy endrika fanontaniana ny hevitra rehetra atolotra15. Tandremo tsara ny fitazonana Baiboly sy ny Fampiasana azy ary ny fanoroana toko sy andininy. Ampandraiso anjara amin’ny famakian-teny ny olona.16. Aoka ho mpiara-miasa aminy ianao. Mampiasa ny fiteniny (Katolika,…)17. Aoka hijery lafitsarany mandrakariva.18. Aoka Kristy no ho Fototra sy ivon’ny fampianarana rehetra: 1 Kor 2:2 – Jaona 12:32 – “ Asandrato Kristy dia Izy no hitaona ny olona hanatona. Isaky ny tononina am-pitiavana ny Anaran’I Kristy dia manatona ny anjelin’ny lanitra hampangorakoraka sy hampanaiky ny fo” S.C 3719. Aoka hafana fo fa mamindra izany

Page 40: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

20. Esory ny tahotra fa hisakana anao tsy hahavita zavatra izany. Mifikira amin’ny teny fikasany.21. Aza manao fampianarana misafotofoto ka tiana hohazavaina indray mandeha daholo ny fampianarana rehetra. Aoka hazava aminao tsara izay hampianarinao mba hazava amin’ny olona.22. Aza manabaty na oviana na oviana ny finoan’ny hafa: “Aza ravana ny tranom-bongon’ny tsy fahalalan’ny olona raha tsy efa nanorina lapan’ny fahamarinana azony hitoerana ianao.”Aoka hitandrina raha voatery tsy maintsy hanonona ny anaram-piangonan’ny tena.Aza mirehareha na tia mamelively fa vao maika manao boka mialom-poza isika amin’izany.23. Aza tia manao adi-hevitra: Ny fomba tsara indrindra handresena amin’ny adi-hevitra dia ny tsy miady hevitra.24. “Aoka hahena ny saina te-hifanohitra, fa hampitomboina kosa ny fanehoana an’I Kristy.” Manual for Canvassers, p.34.25. I Tem., 288: “ Mazana no misetra fanoherana ianareo rehefa te-hampiseho ny fahamarinana, ka raha adi-hevitra no avalinareo azy, dia vao maika hitombo izany fanoherana izany, ka aza manao izany mihitsy. Ny fanambarana ny fahamarinana ihany asetry azy hatrany hatrany.Miambina anareo ny anjelin’ Andriamanitra, ary hainy ny miasa amin’ny sain’ny mpanohitra raha tsy anaovanareo adi-hevitra ireny.Aza variana manohitra ny hevitra mitsivalana, fa ny fahamarinana kosa no arosoy…Ny fomban’i Kristy no tsara indrindra mba hanoherana ny fahavalo.Rehefa mamerina izay lazainy isika dia manome hery ny fanoherany…Ny fahamarinana velona no torio mivantana aminy; dia hosokafan’ny anjelin’Andriamanitra ny lalana eo anoloanareo…Aza miseho ho sendaotra na oviana na oviana ary andosiro ny toe-tsaina ratsy rehetra mety hisy ao amintsika.Tokony ho masina sy manetry tena isika ary tsy mizahozaho. Aoka hifikitra mafy amin’ny herin’Andriamanitra.” 26. Aoka ho ampy fanomanana tsara amin’ny fampianarana.27. Mahaiza mamaly fanontaniana. Aza maika ny hamaly fanontaniana mbola horesahina amin’ny lesona any aoriana fa tsy ho liana intsony izy raha omenao fahafaham-po eo noho eo.

VALIO HOE:“Tena zava-dehibe mihitsy izay fanontanianao izay! Mahafinaritra ahy fa tena liana hahalala ny amin’izany tokoa ianao! Koa dia hanokanantsika fotoana iray manontolo ny fandinihana io lohateny lehibe iray io.”Idifio ary hahemory any aoriana ireo fanontaniana enti-manohitra.

FAMBABOANA FANAHY HO AN’I KRISTYFomba Fiasa nampiasain’i Jesosy ROJO IRAY MISY MASONY DIMY Jaona

4:1-451. Tarihina izy handinika: asa amin’ny sofina2. Fohazina ny fitiavany : asa amin’ny saina3. Atao izay hisian’ny faniriany: asa amin’ny fo4. Atao izay hanapahany hevitra: asa amin’ny fanahiny sy ny feon’ny fieritreretana5. Atao izay hahatonga azy hijoro ho vavolombelon’i Kristy

3-IREO DINGANA LEHIBE TELON’NY FAMPANAPAHAN-KEVITRASAINA

Atao mazava, tsara rindra, mipetrapetraka ny fanazavana.Ireo manam-pahaizana dia mila resena lahatra amin’ny sainy.Atao miaiky tanteraka izy fa marina tanteraka izay hazavaintsika.Aoka hanomana tsara isika – mikaroka fatratra.

Page 41: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

Mitadiava andalan-teny, tantara, fa ny tsara indrindra dia ny tenin’Andriamanitra ihany.Hazavao tsara mialoha ny Jao17:17; 14:6.

→TADIDIO: Tsotra Mazava Azo ampiharina.Manavanana antsika ny mampiaiky ny olona ary miaiky amin’ny fahaizan’ny Advantista Baiboly ny olona.Nahoana anefa no tsy manapa-kevitra izy?Paoly dia nampiasa io fomba io tao Atena: Asa 17:16-33 nefa tsy nisy na dia iray aza nanapa-kevitra.Izany no nahatonga an’I Paoly hifidy ny fahadalan’ny fitorian-teny: 1Kor.1:18,21.

FOAtaovy miantraika amin’ny fony sy ny fihetseham-pony ny fahamarinana.Averimbereno mandrakariva fa tena tia azy anokana Andriamanitra, ka te-hamonjy azy mafy.Ny fanehoam-pitiavana sy fihevera-nao azy dia hanohina ny fony.Misy Fiangonana maro tsy mila manazava Soratra Masina firy, fa ny asa soa sy ny hafanam-po be sy ny ranomaso ary ny fihetseham-po no fitaovam-pitoriana fampiasany.Ny tsy nandia fianarana dia tsy mila afa-tsy Filazantsara sosialy matetika dia manaiky.Ataovy mangorakoraky ny fitiavan’ Andriamanitra ivelomanao izy

SITRAPOAtosika mafy ny sitrapony hanatanteraka izay voambara.Misy dingana 3 ny fanapahan-kevitra:1. Asehoy ny fahamarinana marina.2. Asehoy fa diso ny azy3. Asehoy fa mahavery ny mijanona amin’ny zavatra hita fa diso.

Ho fanatanterahana izany dia fitaovana lehibe indrindra ny ANTSO.Aza malaina fa mazotoa manao ANTSO.“Tokony hisy ANTSO atao isaky ny fivoriana amin’ireo izay mihaino mba hialany amin’ny fahotany.” Ev., 280.Ny fanapahan-kevitra amin’ny antso madinika no manamora ny fanapaha-kevitra amin’ny antso lehibe.Manokana fotoana betsaka ho amin’ny antso amin-kafanam-po.

Atao ahoana no fiantso?Eo am-pamaranana ny fampianarana dia1. Fantaro mazava hoe inona no fampiharana sy fanapahan-kevitra ilaina raisina sy atao.2. Asaivo mameno karatra, mananga-tanana, mitsangana, mandroso ho fanosehana ny sitrapony hanapan-kevitra.3. Ampahafantaro azy ny zavatra vao nanapahany hevitra.4. Lazao azy ny vokatr’izany eo aminy, eo amin’ny Jesosy manoloana ny fahamarinana.5. Ento am-bavaka mafana ny fanapahan-kevitra tsy hiverin-dalana intsony.6. Ampio izy hamaha ny olona sy hanatanteraka izay nekeny.

4 - TOROHEVITRA HAFA1. Aoka hisy fahatsoram-po ny asa ataontsika. (Miasa amin’ny fo manontolo)2. . Aoka ho vonona lalandava hamonjy ny fanahy mandalo eo aniloanao ianao.3. Mazotoa mivavaka. ‘Raha misy hery mampiaiky ao amin’ny teny lazaintsika (saina), ka ampian’ny herin’ny fivavahana(vavaka) sy ny herin’ny Fitiavan’Andriamanitra (fo) dia TSY MAINTSY misy vokatra ity asa ity ‘ M.H. 143,1444. Manana faharetana.

Page 42: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

5. Mariho ireo famantarana ny fanapahan-kevitra.6. Mitantara fijoroana ho vavolombelona.7. Torio avokoa ny saina natolotr’ Andriamanitra: Asa 20:20,278. Avelao hametrapanontaniana ny olona fa hanampy anao hamaha ny olany izany.9. Asehoy azy fa miankina aman’aina ny safidiny: na fiainana na fahafatesana; na Kristy na satana; na marina na diso; na tombokasen’Andriamanitra na mariky ny bibidia. Sns …10. Valio andininy avy ao amin’ny Soratra Masina ireo fialan-tsiny.‘Teny iray ao amin’ny Soratra Masina dia manan-kery lavitra noho ny famoasan-kevitra 100 ataon’olombelona.’

FIALAN-TSINY 1. Tsy afaka mandao ny fiangonako aho: Apok 18 ; 4; Jaona 10: 26,27; 12: 42,43.2. Tsy misy ivelomako raha mitandrina ny Sabata aho: Mat 6 : 33 ; Sal 37 : 3. 3. Ho very ny asako raha . . . Mat 16 : 25, 26 ; 1Tim 4 :8.4. Ho an’ireo nandao ny fahamarinana: Jer 3 :12,13,22 ; Lio 15: 11 – 22.5. Itambesaran’ota tsy sahy manan-tena famelan-keloka intsony: Isa 43 : 25;

Mika 7 :7,8 1Jaona1: 96. Matahotra ndrao tsy hanan-kery hahatanteraka hatramin’ny farany: Joda 24 ; Fil 4 : 137. Matahotra ny fanoheran’ny havany sy ny Ray aman-dreniny: Mat 10 : 36 ,

37; Lio 14 : 26 ,27.8. Matahotra ny Pasitorany sy ny sakaizany Asa 4:19 ; Asa 5:299. Matahotra eso: Jaona 15: 19; Marka 8; 34 ; Jak 4:4; 2Tim 3:1210. Matahotra ny an-trano: Lio 12: 51 – 53; Mat 10: 34 – 3711. Matahotra fankahalana: Jao 17: 14 ; Ohab 29 : 2512. Miandry ny vadiny sy ny sakaizany: Ezek14:20 ; 18; 20 ; Rom 14;1213. Tsy mahafoy ny ravaka, ny film, paraky: Mat19 : 16 – 22; Lio 14 : 3314. Mangatak’andro: ( 70 isan-jaton’ny olona dia manaiky ny fahamarinana fa mangatak’andro fotsiny) Heb 4 : 7 ; 3;13 ; 2 Kor 6 :2 ; Ohab 27:1 ; 1Pet 2:21

FANAMPINY: Heb 4:6 ; Apok 1:3 ; Jak 2 :17 ; Ohab 28 : 9.

TEKNIKA FANAOVANA ANTSO (FANAMPINY) Atao izay hisian’ny faniriany ho vonjena dia atosika ny sitrapony amin’ny ANTSO

1-/ Asehoy azy fa raharaha miankina aman’aina izy ity na fiainana mandrakizay na fahafatesana mandrakizay, na fahamarinana na hevi-diso, na Kristy na Satana Mat 12.30 na famonjena na fahaverezana Mat 7.14 ; 12.30 ; Lio 6.45 ; Jao 10.2. Ampio Mat 19.17 ; Jao 3.362-/ Asehoy azy fa ria azy manokana Andriamanitra. Na izy irery aza no nanota dia ho faty nisolo azy Kristy. Velomy eo anoloany Kalvary.3-/ Asehoy azy ny loza ateraky ny fangatahan’andro. Mety hihidy amin’ny fotoana rehetra ho azy ny varavaram-pahasoavana/ fahafatesana ohatra, na mety hiala ny Fanahy Masina Mat 12.31,324-/ Asehoy fa ny famonjena dia miankina amin’ny fanapahan-kevitra samirery manokana . Tsy vonjena amin’ny finoana na safidin’ny hafa na amin’ny anaram-piangonana isika Rom12.7,125-/ Asehoy fa Kristy ihany no modelintsika ka aza mijery olona. Ny oha-piainany sy ny fampianarany ary ny faniriana hovonjena amin’ny fiainana mandrakizay no mibaiko antsika 1Pet 1.21 Anontanio azy : « Aiza re no mba eritreretinao handaniana ny mandrakizay e ?

Page 43: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

6-/ Omeo toky izy ny amin’ny fikarakarana sy fiheveran’Andriamanitra azy. «Raha nikarakara sy nihevitra anao mandrakariiva Andriamanitra na dia tsy fony tsy nankato Azy aza ianao , mihevitra ve ianao fa vao mainka handao sy hiaka aminao Izy satria manapan-kevitra ho Azy manontolo sy hankato ny teniny ianao ? Heb 5.9; Jak 4.177-/ Tantarao ny fanandramanao fony ianao nanaiky ny fahamarinana. Rehefa mijoro ho an’ny Tompo ianao dia mitahy sy niditra na-tsehatra ho anao Andriamanitra.8-/ Asehoy azy fa mila herim-po ny ho tena Kristiana Dan 3.16-17; Asa 4.13-20; Jos 24.159-/ Asehoy azy fa Kristy sy ny teniny dia fahamarinana ka miandany amin’ny MARINA mandrakariva na vitsy aza. Asehoy aminy fa ny mponin’ny lanitra manontolo no miandany aminy. Asehoy azy ny voninahitry ny lanitra miandry azy : ny satro-boninahitr’izay mandresy , sns.10-/ Ataovy izay haharesy lahatra azy fa ny mankato faingana sy ny manao ny sitrapon’Andriamanitra no ilaona na manao ahoana na manao ahoana no vidin’izany. Liok 6.46 : Mat 7.21-23 : Jao 9.3111-/ Ataovy izay hamelona faniriana ao anatiny hovonjena ka ho vonona hahafoy ny zavatra rehetra dia mijanona ao amin ‘ny lalana izay efa hita fa diso Apok 18.4 : 2kor 6.17,18. Ny olona masina dia tsy iza afa -tsy izay mitandrina ny didin’Andriamanitra, mino an’i Kristy ary mitana ny filazava Azy.

12-/ Ampahatsiahivo mandrakariva fa Andriamanitra dia : a-/ mahavonjy (Jak 4.12) b-/ manafaka amin’ny lafaoro mirehitra afo (Dan

3.13-18) d-/ maharo amin’ny vavan’ny liona (Dan 6) e/ manadio amin’ny loto (Ezek 36.29) f-/ mahavonjy amin’ny fahotana (Heb 7.25), ny fakam-panahy (1Kor 10.13) g-/ afaka miaro azy amin’ny ratsy (2Tes 3.3) , miaro tsy ho lavo (Joda 24), manangana amin’ny maty (Heb 11.19), mandresy ny zavatra rehetra (Fil 3.21), manao mihoatra noho izay angatahintsika (Efes3.20), miantoka antsika hatramin’ny farany.

Namboarin’ny mpiara-manompo aminao

Ps Heriniana Randriamanantena

TOKO FAHASIVYTARIKA MADINIKA MITORY NY FILAZANTSARA

NAHOANA NO AJORO AO AMIN’NY FIANGONANA NY TAMAMIFI?#- 01 TARI-DALANA NOMEN`ANDRIAMANITRA “Ny famoronana Tarika madinika ho fanorenana ny ezaka ataon’ny Kristiana dia nasehon’Ilay Anankiray izay tsy mbola diso mihitsy “ SC, 72.“Aoka isika hanangana Tarika Madinika ao am-piangonana mba hiasa”. SC, 72

2.FOTO-KEVITRA ARA-BAIBOLY IZANY: NANANGANA TARIKA MADINIKA i MOSESY. Êksodosy. 18:17-25.Nanangana Tarika Madinika tamin’ireo mpianany Jesosy. Marka. 3:13-15.VOALAMINA HO TARIKA MADINIKA NY FIANGONANA VOALOHANY. Asa. 2:42-47; 5: 42.

Page 44: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

3. PLANAN’ANDRIAMANITRA HO AN’NY FIANGONANA AMIN’NY ANDRO FARANY .Ho an’ny Fiangonan-dehibe: “Raha betsaka ny isan’ny mambran’ny Fiangonana dia tokony halamina ho tarika Madinika izy ireo mba hiasa...” SC, 72.Ho an’ny Fiangonana kely: “Raha toa ka roa na telo monja no isan’ny mambra dia aoka hivondrona ho tarika Madinika mba hiasa ...” SC, 72.“... Hiasa, tsy ho an’ny mambra ihany fa ho an’ireo tsy mino koa”. Evangelism, 115.

IREO TANJONA FOTOTRA ROA ao amin’ny TARIKA MADINIKA

1- FITOMBOANA ARA-PANAHY: Vavaka sy Fianarana ny Tenin’Andriamanitra ;

2- Fitoriana ny Filazantsara : Fifankatiavan’ny Mpirahalahy (Fampitomboana ny firaisankina sy fifandraisana) Fijoroana ho vavolombelona (Fihazana fanahy ho an’i Kristy) .

INONA NO ATAO HOE TARIKA MADINIKA “Vondron’olona 3-12 mifanaraka tsara sy miraihina mikendry ny fiaraha-miasa sy ho tonga tena mpianatr’i Kristy ”.

Tanjona sy Tarigetran’ny TaMaMiFi : 1. Hanome voninahitra ny Tompo Andriamanitra – Koinonia >> Fifandraisana miakatra (sarin’ny hazofijaliana 2. Hampitombo ny Fifandrisana eo amin’ny samy olombelona– Fifandraisana marindrano (sarin’ny hazofijaliana)3. Hifanompo – Diakonia;4. Hamboly rivom-pitomboana ara-panahy;5. Hanome toerana ny fampivelarana ny fahaiza-mitarika sy hamantarana bebe kokoa ny fanomezam-pahasoavana;6. Mba hanomana ny maha mpianatry ny Tompo mahatoky;7. Ho foibe sy sehatra fanompoana ho an’ny kristiana, ka hifampizarana ny finoana sy ny fifankatiavana – ao anaty sy ivelan’ny fiangonana.

NY ANTONY ILANA TAMAMIFI“Ary niakatra teo an-tendrombohitra Jesosy ka niantso izay tiany hankeo aminy; . . . Ary nanendry ny roa ambinifolo lahy Izy ho ao aminy sy hirahiny hitori-teny ” Marka 3:13,14 Tena iankinan’ny aina eo amin’ny fitarihana ny fomba fiasa amin’ny alalan’ny Tarika Madinika. Ny Fianakaviana no Tarika Madinika entina manorina ny Fiaraha-monina.Afaka mitombo, mivelatra, mitatra ary mivoatra ny Vondrona na Fikambanana ( Klioba ) iray rehefa atambatry ny fahalianana na fitiavan-javatra itovizana ny Tarika Madinika ao aminy : ohatra: Fanatanjahan-tena. Zava-maneno sy mozika ary hira, Fihetsiketsehana isan-karazany,

- Ny TaMaMiFi dia manana anjara asa lehibe eo amin’ny famindrana ny fiainan’i Kristy ao amintsika .Toe-javatra telo ilana ny fomba fiasa TaMaMiFieo amin’ny fiainam-piangonana :1. Mampitombo ny fiombonana kristiana izany. Asa 2:422. Mampahatanjaka ny mambra ho amin’asa fanompoana izany3. Manamora ny fitarana ho amin’ny vondrona lehibe kokoa

Page 45: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

A-Mampitombo ny fiombonana kristiana izany. Asa 2:42 :Izao tontolo izao moderina dia misy hetaheta ( mahatsapa fahabangana ambonin’ ny zavatra rehetra izay efa ananany) ;filana ny fahatsapan-tena mba ho anisan’ny antokon’olona iray, finamana sy fisakaizana.

Nahoana no misy ao amintsika izany filana izany ? -Satria noforonina ho izany isika. Gen 2:18;3:9 Ny fahotana no nanimba an’izany fitiavana fifandraisana izany. Gen 3:10 Ny hamerina an’izany fifandraisana tapaka izany no antony nahatongavan’i Jesosy. Ny hamerina amin’ny ny laoniny an’izany fombonana kristiana izany no tena nimasoan’i Jesosy sy nataony tanjona tamin’izay rehetra nosaintsaininy.

Ny fanandraman’ireo fiangonana apostolika voalohany dia manaporofo amintsika izany.Noho ny amin’i Kristy dia afaka miaina indray an’izany fiombonana sy firaisana amin’Andriamanitra isika taranak’olombelona , ary dia manomana antsika ho amin’izany rahateo any amin’ny fiainana mandrakaizay Izy.

Eto amin’ny Tontolo moderina iainantsika ankehitriny dia ilaintsika mihoatra noho ny teo aloha rehetra izany, indrindra fa eo amin’ny samy kristiana. Misy fahatsapana ao anatiny ny kristiana ny mba haneho eo amin’ny mpiara-belona aminy ny firaisana amin’ny samy olona .

Ireo fiangonana mbola tanora na vitsy olona dia mora kokoa ny mifampizara izany fifankatiavana izany noho ireo efa tranainy na ny fiangonan-dehibe. Na izany aza dia tsapa fa ilain’ny rehetra izany firaisana maha kristiana izany.

MISY ANTONY TELO MAHATONGA IZANYIREO FANOMPOAM-PIVAVAHANA MAHAZATRATsy dia nahitana endrika nifampizarana an’izany firahalahiana izany, ka nampitsahatra mihitsy ny firaisam-po.Fotoana isan-tSabata – ireo mambra vitsy an’isa hany mba mandrayanjara – na ny hira, na ny vavaka, na ny toriteny, dia toa zara raha manolotra ny tombotsoa hahazoana mifampizara izany firaisana kristiana izany. Toy izany koa no miseho eo amin’ny fotoanan’ ny Sekoly Sabata sy ny fotoana fiaraha-mivavaka.

2. IREO FIANGONAN-DEHIBE :Maro ireo fiangonana izay lehibe loatra na maro loatra ireo mambra ao aminy ka sarotra ny hahitana izany firaisana kristiana izany. Na izany aza dia azo hararaotina ireo fotoana kely ananantsika mba hifandraisana hifampizarana izany firaisana izany. Araka ny maha lehibe ny fiangonana no maha mora toe-tsaina samy maka ho azy Ilain’ny fiangonana tsirairay ny hanangana ny fomba fiasa TaMaMiFi mba hanampy ny fampiorenana ny tena firahalahiana Kristiana

3- Mbola misy ireo toe-javatra tsy nianarantsika na ireo izay efa verintsika ...Atao ahoana no fambolena ny toetsain’ny firahalahiana amin’ireo vahiny ? Ireo mambra efa ela nifampikasohana tao amin’ny fiangonana iray ka zatra niara-nivavaka sy nanao fotoam-pivavahana dia mora tezaina ho amin’ny fiainan’ny TaMaMiFi. Ekena fa ny fiangonana tao amin’ny testamenta vaovao tany am-boalohany dia tsy nianina fotsiny tamin’ny fotoam-pivavahana isan-tsabata fotsiny.

Page 46: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

Ilaintsika ny hihazona ny fifandraisana araka ny endrika hita ao amin’ny TaMaMiFi.Nantsoina hifampizara fitiavana isika.Nibaiko ny mpianany mba hifankatia i Jesosy.Jao 13:34. Io Fitiavana io dia tsy fifankatiavana ao anatiny fotsiny fa fanehoam-pitiavana ho an’ny eny ivelany ka hahafantaran’ny olona ny maha tena mpianatra azy ireo.

Ireo andinin’ny ` mpif... , fif...` “Mifankatiava araka ny fifankatiavan’ny mpirahalahy; mitariha lalana amin’ny fifanomezam-boninahitra” (Rom. 12:10)“...koa mifandraisa ianareo tahaka ny nandraisan’i Kristy anareo...sady mahay mifananatra koa” (Rom. 15:714)“...fa mifanompoa amin’ny fitiavana ” (Gal. 5:13)“... Mifampitondra izay mahavesatra”(Gal. 6:2)“...Mifandefitra amin’ny fitiavana ” (Eph. 4:2)“...ka hifampiantra sy hifamela heloka” (Ef. 4:32) “... Sady mifanaiky amin’ny fahatahorana ny Tompo” (Ef. 5:21)Rehefa atao amim-pahazarana mandeha ho azy fotsiny ireo fotoam-pivavahana fanao izan-kerinandro, dia miha sarotra ny fampiharana an’ireo andinin’ny ` mpif , sy fif ` ireo. Ireo andininy ireo dia torohevitry ny epistily nalefa ho an’ireo fiangonana madinika tamin’ny andron’ny Testamenta vaovao. Ho an’ny fiangonana ankehitriny dia amin’ny ny alalan’ny fananganana TaMaMiFi mafy orina tsara no hahatanterahana an’ireo andinin’ny `mif, sy, fif ` ireo.

B. Mampahery ny mambra ho amin’ny asa fanompoana ny TaMaMiFiIsika dia manaiky fa ny mpino tsirairay avy dia manana anjara asa fanompoana hatao arakaraka ny talenta sy fanomezam-pahasoavana nomen’i Kristy azy.Toa voafetra ho mpanatrika fivoriana fotsiny anefa no fomba fiheverantsika ny atao hoe mambran’ny fiangonana

Fomba fihevitra diso mahatonga ny tsy fandraisana andraikitraNy olom-boahosotra ihany: Ny Mpitandrina ihany no voaofana sy mivelona amin’nyizany, ka tokony hanao ny asa fanompoana rehetra. Ny mambra kosa dia mpitazana na mpanohana ny Pasitora fotsiny. Noho izany dia zara raha misy fandraisana anjara ataon’ny mambra.

2. Fomba fijery diso ny amin’ny atao hoe Fiangonana Advantista: Lasa toeram-pamonjena fivoriana ny fiangonana, na fanatrehana fotoam-pivavahana fotsiny fa tsy toeram-pandraisana anjara amin’ny fanompoana,. tokony ho tsindriana kokoa ny maha foibe fiofanana ny fiangonana ka hahazoan’ny departemanta rehetra.

3. Ny fomba fijery ny amin’ny andro SabataNy ankamaroan’ny fandaharam-potoana ara-pivavahana dia mandritra ny Sabata no anaovana azy ireny Koa satria tonga mba hanatrika fotoana ny ankabeazan’ny mambra fa tsy handray anjara, dia halaky leo sy ho monamonaina ny amin’ireo fandaharam-potoana miverimberina ireo.

4. Ny fomba iheverana ny trano fiangonanaAo an-trano fiangonana ihany no toerana fanaovana ny ankamaroan’ny fandaharam-potoana ara-pivavahana tsy mihevitra fotoam-pivavahana hafa afatsy izay ataon’ireo mpandraharaha voatendry am-piangonana ny mambra.Lasa ny trano fiangonana no zava-dehibe noho ny fotoam-pivavahana. Ny vahoakan’Andriamanitra mivory no atao hoe fiangonana: Eks 12:3. Ny hanao ny andraikiny ao am-piangonana no imasoan’ny olona nomena andraikitra, nefa dia

Page 47: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

ny hanompo ny any ivelany no niantsoana ny fiangonana. ` Mandehana any amin’izao tontolo izao ianareo ...`.

TOKONY HISY NY FIOVANA FIJERY.Ny fampijoroana ny fomba fiasa TaMaMiFi no vahaolana haovana izany. Tsy programa vaovao hafa noho ny efa nisy teo amin’ny ny fiangonana tsy akory ny TaMaMiFi. Fa fomba fiasa entina hampahatanjaka ny mambra ho amin’ny fanompoana sy ny firahalahiana ao anatiny sy hizara izay any ivelany. Satria manamora ny fampivelarana ny mambra hampiasa ny talentany izany Manome sehatra bebe kokoa ny Mpitandrina hanao ny tena andraikiny: dia ny hanofana ny mambra ho amin’ny asa fanompoana. Miteraka rivom-pifandraisana tsaratsara kokoa eo amin’ny ny Mpitandrina sy ny mambra izany.

FOMBA FANANGANANA TARIKA MADINIKAMISY FOMBA TELO:1. -ireo manana fifandraisam-po akaiky2. -ireo mifananaiky toerana3. -ireo iray kilasy ao amin’ny s.s4. Isa takiana: 10-12

FIVORIANA VOALOHANYFAMETRAHANA RAFITRA SY DRAFITR’ASA1. -anaran’ilay tamamifi2. -teny baiko3. -fandraisana anarana ireo mpanatrika4. -fanekena5. -halavam-potoana (1ora sy10 mn)6. -toerana hivoriana sy ny andro7. -tanjona kendrena amin’ny batisa

FIVORIANA MANARAKA1. hira2. -vavaka3. -fiarahabana (arahabaina manokana ilay olona nasaina)4. -firahalahiana5. -fijoroana vavolombelona6. -hira7. -fandinihana soratra masina (teny fikasana)8. -fiaraha-mivavaka

FANEKENA: MANAIKY AHO FA :1. -hanao vaindohan-draharaha ny famonjena fivoriana ao amin’ny tamamafi-tsika2. -raha sanatria ka tsy ho afaka aho dia milaza mialoha3. -hanampy ny vondrona mba hanana fanandramana tsara4. -handray anjara amin’ny hetsika ara-panahy, ara-tsosialy ary amin’ny asa fitoriana5. -hivavaka isan’andro ho an’ny mambra iray ao amin’ny petits groupes (tamamifi)6. -hanasa olon-kafa hanatrika ny fivoriana7. -ho fantsona iampitan’ny fahasoavan’andriamanitra ho amin’ny firaisana

sy ny asa ho an’ny petits groupes (tamamifi)

MBA HAMPAHOMBY NY TAMAMIFI DIA AZA HADINO IRETO

Page 48: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

ZAVATRA FITO (7):1-Fanofanana ireo Mpitarika (Isan-kerinandro na isan- tapabolana)2-Vina hanofana Mpitarika vaovao3-Famporisihina ny hisian’ny fotoam-pivavahana manokana isan-

telovolana ao amin’ny distrika (tatitra,fijoroana vavolombelona, fitondrana ireo liana,…)

4-Isaky ny Sabata Voalohany dia lazaina amin’ny fiangonana ny zava-misy amin’ireny TAMAMIFI ireny

5-Fananana drafitr’asam-pitoriana ny filazantsara6-Fananana vina hampitombo ny TAMAMIFI7-Fananana toe-tsaina miaritra sy mahandry

HO ELA VELONA ANIE NY TAMAMIFI

TOKO FAHAFOLOFOMBA FAMPIANARAN-DESONA KILASY LEHIBE

Ps Heriniaina Randriamanantena

Ny mpampianatra/mpanentana dia tsy maintsy mianatra im-7 impito: tsy maintsy mianatra betsaka noho ny olona ampianarina. Ny sabata tolakandro dia efa tokony ho voavakinao daholo ny lesona. Averimberina matetika indrindra mialoha ny kilasin’ny moniteurs. Aza mianina amin’ny lesona fotsiny, fa mamakia Fanahin’ny faminaniana, mandalina amin’ny boky samihafa hilan-kevitra. Mitrandraha amina fitaovana samihafa.Tsara indrindra ny manana « fandalinana. Ento any amin’izay rehetra alehanao ny lesonao ka diniho isaky ny misy fotoana!Ny tena fianaran-desona dia isam-batan’olona; tsy afaka ny hahita tsirony amin’ny famahanana lava isika. Ny iarahana amin’ny fotoam-pivavahana hariva dia fandravonan-kevitra sy fisintonana ny lesona. Tsy misy maha-lesona ny lesona raha tsy misy lesona sintonina

FOMBA FANDINIHANA SY FITRANDRAHANA NY LESONA Jereo sy diniho ny tsara ny lohateny Tsipihina ny teny manandanja. Rasaina ny teny ka jerena ny anjaraasa, inona no lazaina? Jerena ny sampan-teny ka petrahana mpamaritra manontany samihafa Jerena ny tsianjery Tsipihina ny teny manan-danja, sns…Apetraka ireo fanontaniana rehetra fanadihadiana Jerena ny hevi-dehibe Saika voafintina ao amin’ny hevi-dehibe ny lahin-kevitra hitondrana ny fianaranaHanampy anao ny fanadihadiana sy fifantenana ireo fanontaniana mipetraka eo amin’ny fizarana SabataHo azonao avy hatrany ny drafitra hitondranao ny lesona raha tonga dia mitsambikina mijery ny famintinana avy hatrany ianao.

Page 49: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

Mandehana isam-pizarana dia trandraho ny hevitra misy ao: tsipiho ny teny na fehezan-kevitra manaitra, ny naoty, andininy, ho eritreretinaFintino fehezan-teny iray monja raha be indrindra ny fizarana iray araka ny tsoa-kevitra hitanao tao Sokajio ROA na TELO raha be indrindra ny sokajin-kevitra azonao hatreto dia izay no hitondrana ny fanazavanaAorian’io dia jereo ny lesona hatao fampiharana. Inona ary no hataontsika amin’izany rehetra izany? Tsy fahendrena ny mampianatra lesona manaraka ny fizarana tsirairay avy fa avondrony sokajy roa na telo ny fizarana tsirairay. Atambaro ho hevi-dehibe iray izay mitovitovy. Hanampy anao amin’izany ny fandalinanaNy fitaovana tsara indrindra ho enti-mitrandraka sy mamoaka hevitra dia ny fametrahana ireo karazana mpamaritra manontany: Iza? Aiza? Oviana? Inona? Fomba ahoana? Manao ahoana? Ahoana?Raiso an-tsoratra ny hevitra mivoaka avy amin’izany dia alamino sy sokajio Aza variana milomano anaty soratra sy tarehimarika ary toko sy andininy; vakio izay voasoratra fa izay manan-danja ihany raisina. Eo am-piandohan’ny paragrafy na any am-parany matetika no misy ny fehezan-teny fototra Alamino tsara ny hevitra rehetra dia apetraho tsara amin’izay ny drafitra farany hitondranao ny fanazavana. Sokajio tsara ny hevitra dia zarazarao ho zana-kevitra na zana-dohatenyIzay andininy na naoty na fanontaniana na hoeritreretina tena manan-danja ihany no vakiana hanohanana ireo hevitra efa nalaminao ao anaty vakiraoka.FIVORIAN’NY MPANENTANA Koa satria ilàna fitrandrahana betsaka avy amin’ny mpanentana tsirairay avy ny lesona dia izay no mahatsara ny hanaovana ny fivorian’ny mpanentana amin’ny antenantenan’ny herinandroMisy fotoana hanaovana fitrandrahana sy fanomanana ny fampianarana mandrapahatongan’ny Sabata izany Lalàna hentitra ny hoe: izay mpanentana tsy nanatrika fivorian’ny moniteurs dia tokony tsy hampianatraTSy natao hialokalofana tsy hampianarana anefa izany fa ny fahatsapan-tena fa nantsoin’ny Tompo hamahana ny ondriny no manosika anao am-pitiavana Tendreo mazava ny fotoana sy ny ora hahafahan’ny rehetra mivory ary aza ovaovanaAza adino fa tokony hasiana moniteurs any amin’ny tanora zandriny sy ny ankizy ary ny zaza minonoIreny no ifanofanana sy izarana ny andraikitra ho an’ny mpanentana tsirairay avyAdidin’ny talen’ny Sekoly Sabata sy ireo lefitra miandraikitra ny sokajy ny mamory ny moniteurs. Tahaka ny tsy maintsy isian’ny kilasin’ny mpianatra no tsy maintsy isian’ny kilasin’ny moniteursAza avela tsy hisy moniteurs mihitsy. Aoka izay afaka hahavita izany no hotendrena ho talen’ny Sekoly Sabata

PROGRAMA: (faharetany 45 mn)VavakaFandaminan’asan’ny Sekoly SabataFamintinan-desonaFifanakalozan-kevitra fampitoviana tadin-dokangaFanofanana (raha ilaina)VavakaAlamino tsara mialoha ny programan’ny olona voatendry hamintina ny lesonaKendreo mba tsy ho adi-hevitra mandany andro no atao amin’ny fivoriana

Page 50: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

Vinavinao izay fanontaniana na olana mety hapetraky ny mpianatra ka izay no itarihana ny fampianarana.

FOMBA FAMPIANARAN-DESONARaha mihaino fotsiny dia tsy mahatadidy ny 10% n’ny zavatra ambaraRaha miteny sy manoratra ary mamerimberina dia tadidy ny hatramin’ny 90%Midika izany fa ny fanomezana fitenenana betsaka ny mpianatra no hahombiazana 75% n’ny fitenenana no tokony ho an’ny mpianatra fa 25% kosa ny an’ny mpanentanaMpanentana no anarany, mitarika fotsiny fa ny tena manao dia ny mpianatraMpanipy hevitra, manindry bokotra, manentana fotsiny izy fa ny tena mientanentana mamoaka ny lesona sy manamasaka ny fotoana dia ny mpianatra Fifanakalozan-kevitra, hevitra tera-bary, fanentanana fa tsy fampianaranaFanontaniana no ataovy betsakaAvadiho amin’ny endrika fanontaniana daholo ny fametrahanao ny hevitra rehetra tianao hambara Avelao ny mpianatra no hamaha olana fa manitsy fotsiny no anao Sokajina mpamaritra manontany 2 no apetraka: manontany valinteny teny tokana toy ny hoe: oviana?Iza? Inona ? Aiza? (tsara amin’ireo tsy mety miteny firy na menatra)Ao ireo manontany hevitra: ahoana? Akory? Manao ahoana? Amin’ny fomba ahoana? (izy no tsara indrindra fametrak’i Jesosy)Ny manontany fampiharana kosa dia ny hoe: inona ary no hataontsika amin’ny izany? Tariho hiara-mizotra amin’ny hevi-dehibe ny fifanakalozan-kevitraRaha 30 mn ny famerenan-desona, dia 7 mn isaky ny hevi-dehibe aroso ary ny 7 mn farany isintonana ny lesona ho fampiharanaSoraty eo amin’ny faran’ny lesona ny fampiharana hatao mandritra ny herinandro Ps Heriniaina Randriamanantena

TOKO FAHA IRAIKA AMBINY FOLOIREO ANTONY MAHATONGA NY FIHEMORANA SY NY FOMBA HIHAZONANA NY

MAMBRA AO AMIN’NY FIANGONANAPs Heriniaina Randriamanantena

« Ry rahalahiko, raha misy eo aminareo miala amin’ny fahamarinana, ary misy anankiray mampibebaka azy, aoka ho fantany fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin’ny lalan’ny fahadisoany dia hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka be. »Hebreo 10:38,39 « Ary ny oloko marina dia ho velon’ny finoana; fa RAHA MIHEMOTRA izy dia tsy sitraky ny fanahiko.Fa isika tsy mba naman’IZAY MIHEMOTRA HO AMIN’NY FAHAVEREZANA, fa naman’izay mino ho amin’ny famonjena ny fanahy. » TSy ny fampidirana ny avy any ivelany ho ato amin’ny fiangonana ihany no famonjem-panahy fa ny famerenana ireo efa nihemotra hiverina ao amin’ny fiangonana sy fihazonana ireo ao amin’ny fiangonana tsy hihemotra.

Raha 14,000 tapitrisa isika tamin’ny 2000 nahoana no mbola 16 na 17 tapitrisa ihany ankehitriny anefa maherin’ny 1.000.000 mandrakariva no batisa vita isan-taona? Nankaiza ny 5 na 6 tapitrisa? Tombatombana maikamaika ihany izany fa andeha hojerena akaiky ny tena zava-misy.

1/5 n’ny mambra no mihemotra (2005)

Page 51: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

Tamin’ny 2003 dia mambra 254 amin’ny 1000 no nihemotra(1/4)2000-2005: maherin’ny 5 tapitrisa no vita batisa KANEFA efa nanakaiky ny mambra 1.5 tapitrisa no nandao ny laharan’ny vahoaka SISA. Nisy fotoana, raha 100 no niditra dia maherin’ny 35% no nanapa-kevitra niala (Bert Haloviak) 2006: 1.093.089 no vita batisa ary 595.000 no nihemotra sy maty ary tsy hitaAmin’ny 4 na 5 sisa dia: - 50% no mahavatra fiainam-bavaka isan’andro hoan’ny tenany70% tsy manana ny Fanahin’ny Faminaniana45 % no mamaky ny Fanahin’ny Faminaniana isam-bolana“58% n’ny tanorantsika dia tsy tamana intsony ao amin’ny fiangonana noho ny antony samihafa”Fivoriambe fanao isan-taona indroa nataon’ny conférence générale izao no nandray vote hampanao fanadihadiana ny saha tsirairay avy ny amin’ny anton’ny fihemorana sy hitady ny vahaolana ny amin’izany. Natsangana mihitsy ny birao iray eo anivon’ny foibe maneran-tany ho fanaovana tombana sy fanadihadiana (assessment) ary ny

IREO ANTONY MAHATONGA NY FIHEMORANA

IREO KRIZY EFATRA ANDALOVAN’NY VAO AVY NATAO BATISA (Mark Finley)NB Sarotra kokoa ny mamerina ny mihemotra noho ny mihaza fanahy vaovao; Kanefa Azo atao Tsara izany ka mampahery antsika hanana finiavana sy fitiavana. Na dia ny hafaliantsika taminy tamin’ny batisany sy ny ezaka natao hatramin’izay dia aza avela ho very izy!

KRIZIN’NY FAHAKIVIANA (crise de découragement)Soratr’aretina: Mahatsiaro kivy izy fotoana fohy aorian’ny batisa fa tsy tanterany daholo ireo voady nataony ary reny miverina tsikelikely ireo fahazarany fahiny. Kaodikaody sy vahiny amin’izay atao ao amin’ny fiangonana izy.Fomba fisehony: tara na maika hody, tsy tonga mamonjy fivoriam-bavaka, maka toerana mitokatokana, tsy dia ahitana fifaliana firy ny endriny, aminy dia « adidy » ny miangona, kivy fa tsy maharaka ny fanaon’ny mpiara-miangona,

KRIZIN’NY TSY FAHAZOA-NAMANA (crise d’intégration)Tsy ny foto-pinoana, na fifandonana amin’ny mpitarika, no tena mampihemotra olona betsaka indrindra fa ny tsy fahitana namana ao amin’ny mpiray finoana. Matetika no toy ny akoho vao azo avy any an-tsena ka maty tsaingoka mandra-pahamafy lamosina.

Soratr’aretina: maika hody sady tara, tsy mety hiaraka firy amin’ny olona, tsy tonga mamonjy ny fivoriam-bavaka, tsy mety mahazo namana ao amin’ny fiangonana, mitokatokan-toerana, tsy mety handray andraikitra, tsy mahazo namana,

KRIZIN’NY FOMBA FOMBA FIAINA (style de vie)Soratr’aretina: sahirana izy mampifanaraka ny fomba fiainany amin’izay takian’ny Soratra Masina, tsy mbola mahafoy ny fomban’izao tontolo izao, tsy hita firy any amin’ny fiaraha-mivavaka, rehefa malazalaza vao tonga, mbola tsy hentitra amin’ny fanajana ny oran’ny Sabata sy fitandremana azy, mamonjy seho an-tsehatra, tsy mahavatra fotoambavaka sy fianarana Tenin’Andriamanitra ao an-tokantrano (im-7)Fomba fisehony: tsy mamonjy fiaraha-mivavaka, tsy mahatoky amin’ny Sabata sy ampahafolony, tsy miangona raha tsy malazalaza, tsy andriny ny tsy hamonjy

Page 52: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

spectacle, films, sns… tsy manam-potoana hikoloana ara-panahy amin’ny vavaka sy SM, mbola miakanjo ny fiakanjon’izao tontolo izao, ny fiteny vasavasa,

KRIZY TSY FAHATOKIANA NY MPITONDRA (crise de méfiance envers les dirigeants)Soratr’aretina: Efa tafiditra tsara sy mizatra eo amin’ny fiainam-piangonana izy izao. Efa mandray anjara feno ary lasa mambry ny komity aza. Tsy ampoiziny anefa ny zavatra hitany ao amin’ny fiangonana (oh: fanodikodinam-bola, fitondran-tena miafina ataon’ny mpitondra, paipaika politika maizina, sns…)

Fomba fisehony: manomboka mamoaka tsiambaratelon’ny komity, be resaka sy be fosafosa, mandà tsy mety mandray andraikitra, mandà tsy hamerina ny ampahafolony ary izay tiany omena no omeny, manomboka mora tafintohina sy be fanakianana rehefa mpitarika, tsy mahita afa-tsy lafy ratsy hatrany, manomboka mora manapatapaka amin’ny fivoriana, mitetitety fiangonana, mangataka « radiation » mihitsy aza.

Mark Finley: Tsy misy mihemotra indray andro fa tsikelikely no mampidaraboka ny hazo. Raha tsy voatsabo ireo aretina ireo na avela hitarazoka tsy misy fikarakarana, na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy handao ny fiangonana ihany izy, na mpitandrina aza. Ny fotoana ialany no mety ho haingana na ela. Mbola tazana eo ambony dabilio ihany izy ankehitriny fa efa manomboka mivoaka ny fiangonana ny tongony ilany.

INONA IREO ANTONY MAMPIHEMOTRA NY OLONA? Jim ZachrissonNahoana no mihemotra izy?1. Sinton’izao tontolo izao2. Tsy ampy finamanana3. Fifandonana samihafa4. Herin’ny fahazarana sy lafiny fomba fiananaProblema 1- Sinton’izao tontolo izao1. Ny namana, ny havana, ny fahazarana fahiny, fifanoherana eo amin’ny toetra sy ny fitoriana, ny firavaka, ny dihy, ny hira, ny fiakanjon’izao tontolo izao, tia films tsy masina, fomba fiaina any amin’izao tontolo izao mbola tsy afaka2. Olana amin’ny Sabata ASa sy fianarana, sécularisme3. Fanambadiana tsy mino 4. Te-hihemotra fotsiny izao izy dia mihemotra.

Problema 2- Tsy ampy firahalahianaRaha tsy mahita namana 7 ao amin’ny fikambanana iray ny olona amin’ny enim-bolana voalohany ahantongavany ao dia tsy ho tamana ao mihitsy izy. Ny fitantanan’asa manerantany dia manambara fa ny mampihemotra olona be indrindra dia ity tsy fahahampian’ny firahalahiana sy fifankatiavana ao am-piangonana ity. Tsy tamana izy fa tsy mahatamana ny fiangonana.

Problema 3- Fifandonana ao amin’ny fiangonana Fiangonanao angaha ity? “Tranainy”(Old guard”) sy “mpiandry vavahady” (“gatekeeper”). Ny “traditionalistes” dia tsy miray volo firy amin’ny ireo vaovao fa manelingelina ny rafitra efa tsara petraka hatramin’izay. “Firy ranonorana tato amin’ity fiangonana ity moa ianareo?” Mambra tsy ampy fandeferana ka mitaky ireo mambra vaovao hitovy tanja-pinoana sahala aminy sahady. Mambra izay “manidy any ivelany” an-kolaka ireo vaovao. Tsy mety voaray tsara ireo vao

Page 53: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

Te-hiaro ny “fiangonany” izy amin’ny ireo “olona avy any ivelany” ka heveriny fa rariny ny ataony ho fiarovana “ireo fototra” sy lova maha-kristiana advantista. Tsy manam-paharetana amin’ireo mambra vaovao noho ny tsy mbola faharahany ny fahazaran’ny Advantista. Anaovana toeran-tsy zaka izy. Fampiasana matetika ireo “voambolana advantista” izay mbola mahavahiny ireo mambra vaovao dia mahavery azy tanteraka. Raha tsorina dia ny tsy fahitan’ireo mambra vaovao avarapatana ao amin’ny fiangonana ka toa “voahidy any ivelany” sy tsy voaray na voahevitra izy no antony tena mampiala ny olona ao amin’ny fiangonantsika.

Problema 4- Ny Herin’ny Fahazarana Ny fitondran-tena fahiny tsy tena afaka. Rehefa miditra ranon’ny batisa ireny dia toy ny simenitra nahazo rano ary dia mihamafy. Dia ho fanafenana fahalemena dia manao problema sy manao be fanakianana. Tsy mahita fifaliana intsony ao amin’ny fiafenana maharitra ao ka dia hoy izy hoe: “Leo aho!, vizana!, be loatra ny zava-takiana ato!!! Tsy arako!!!sns.

Problema 5- Tsy misy kilasy fanofanana ireo vao vita batisa

FANAMAFISANA NY KILASY BATISAEvangéliser, p. 288« Loharanon’ny fahalemen’ny fiangonana ny fanekena ho mambra ireo tsy voaova fo ary tsy misy fiovana ny fiainany. Matetika no tsy takatsika izany fitaka izany. Pasitora sy fiangonana maro no maniry mafy hampitombo ny isany ka mandà tsy hananatra ny olona ny amin’ireo fomban’izao tontolo izao sasany. Tsy ampianarina azy ireo ny fahamarinana ka manjary toy ny olon’izao tontolo izao ireo fa mitondra ny anaran’i Kristy fotsiny . »

6 -Tsy voaandry tsara ny ondry7- Tsy ampy famangiana8- Tsy ampy fitaizana9- Tsy mahafaha-tena10- Tsy ampy fanofanana ny mpitarika11- Tsy mampazoto homana ny « vilona » omena ny ondry12- Tsy mitombo tsara ara-panahy

IREO FANAFODY SY VAHAOLANA

Mark FinleyKrizin’ny fahakiviana: Raha vao vita batisa izy dia manendry mpiandry ara-panahy hitaiza azy famangiana azy matetika, tsy avela ho irery izy, famahana ny olany taorian’ny batisa, fitaomana azy hamonjy fiaraha-mivavaka, ampianarina azy ny fomba sy fahazarana ao amin’ny fiangonana advantista (fitandremana ny sabata, ny vavaka, ampahafolony, ny hira, ny fikoloana ny ara-panahy), entina am-bavaka, ampaherezina, SMS,

Krizin’ny tsy fahazoa-namana: Manendry namana ara-panahy 7 hinamana aminy, ampidirina ao amin’ny fikambanana chorale, tanora, Tamamifi, entina manao Asa

Page 54: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

fitoriana, vangiana matetika, izarana teny fikasana, omena andraikitra avy amin’ny mora mihasarotra.Ny tsy fahatongavana miangona in-dray mandeha dia manamora ny fanindroany –ataovy an-tanana ireny zazavao amin’ny finoana ireny

Krizin’ny ara-pitondrantena: fanazarana azy hikolo ny ara-panahy (vavaka, SM, fivoriana, )Ampandalovina fanandramana ara-panahy matanjaka: fisintonana ara-panahy, fifadian-kanina, alim-bavaka, folo andro fifohazana, famangiana pastoraly, tolorana CD na VCD misy zava-panahy misimisy (hira- toriteny –vavaka), famangiana matetika, Asa fitoriana, Andefasana Telephone na epistily e-mail,

Krizy tsy fahatokiana ny mpitondra: Ambara aminy fa olombelona ihany ireo mpitondra ka mila vavaka mafy, ampio izy hibanjina an’i Jesosy irery ihany, ampaherezina izy mba hijery lafy tsara hatrany, apetraho aminy ny fanontaniana: iza no hahazo fandresena amin’izao fanapahan-kevitrao izao?, famangiana

IREO VAHAOLANAJim ZachrissonIreo dingana roa tsy maintsy lalovana« Tsy misy iray amin’ny roapolo » In-5 no amerimberenan’i Ellen White ny teny hoe iray amin’ny roapolo ao amin’ny soratanany mba hilazana fa vitsy ihany no tena MIOVA FO amin’ny tanora, ny mambra, ny mpiasan’ny fiangonana, sns.

1. Ny dingan’ny Fiovam-poAtaovy mpianatra ny firenena rehetra araka ilay Iraka LehibeMatio 28:16-20Marka 16:14-20Lioka 24:44-49Jaona 20:19-23

Problema 1- fisintonan’izao ttolo izaoFifohazana sy fanavaozana ary fikolokoloana ny ara-panahy miainga amin’ny isam-batan’olona.Fampianarana hijoro amin’ny Sabata

VAHAOLANA FIFOHAZANASelected Messages vol I, p. 121« Ny fifohazan’ny tena toe-panahy marina araka an’Andriamanitra eo anivontsika no tena zavatra lehibe indrindra sy maika indrindra amin’izay ilaintsika. Ny mikatsaka izany no tokony ho asantsika voalohany indrindra.

Problema 2- Tsy ampy finamanana sy fisakaizanaNy tsiambaratelo – Finamana amin’ny Fiaraha-mitoryPrograma FifamangianaKilasy Sekoly Sabata atao Tarika madinikaTarika Madinika atao masaka ao amin’ny fiangonana.Matt. 28:16-20Mark 16:14-20Luke 24:44-49John 20:19-23

Izay ilain’ny mambra vaovao ianaranaFomba fiaina Advantista

Page 55: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

Fanamafisana foto-pinoanaNy tantaran’ny fiangonana AdventistaNy fandraisana andraikitra amin’ny fiainan’ny fiangonanaFanofanana ireo mambra vaovao

Adinina eo anatrehan’ny loholona ny atao BatisaTokony tsy ho latsaky ny 2 na 3 volana ny fianarana Batisa ary farafaharatsiny mitohy 3 volana aorian’ny batisa. (foto-pinoana 28)Tandrovina anefa ny « kalitao/qualité » sy « hamaroana/quantité ».Fahotana ny tsy manenjika isa kanefa aoka voaova fo

Problema 3- Fifandonana amin’ny samy mambra Fampiasana tsy am-piheverana ireo voambolana Advantista sy tsy fahaiza-mitondra ireo mambra vaovao.

Fifandraisana tsara

1. Mifankatiava2. Mifandraisa tsara3. Mifampiarahabà4. Mifampikarakarà5. Mifandefera6. Mifampitondrà/Mifankahazakà7. Mifampiake heloka8. Mifamelà heloka

Fifampitaizana 1. Mifanabeaza/mifampitaizà2. Mifampianara3. Mifampirisiha4. Mifananara kosa5. Mifampilazà amin’ny Salamo, hira,sns6. Aza mifampitsara7. Aza mifampilaza ratsy8. Aza mifampimonomonona9. Aza mifampihinana/mifandramatra10. Aza mifandranitra11. Aza mifampialona12. Aza mifandainga

Fifanompoana 1. Aoka hifanompo2. Mifampitondrà izay mahavesatra3. Mifampiantranoa4. Mifanehoa hatsaram-panahy5. Mifampivavaha6. Fandraisana tsara ireo vahiny sy mambra vaovao7. Amboary ireo fomba fiteny Advantista Ireo voambolana Advantista

Problema 4- Herin’ny fahazarana Ampio izy ho afaka, asaivo mivavaka, anaovy plana 5 andro, atoroy azy ny fomba fialana amin’ny fahazaran-dratsy, Ampaherezo, raiso fa aza enjehina fotsiny.

TOROLALANA amin’ny FAMANGIANA & FAMERENANA IREO MAMBRA NIHEMOTRA

Page 56: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

Calvin L. Smith

FIOMANANA1. Mivavaha mafy ho an’ilay olona vangiana. Takio ny Fanahy Masina hanome fahendrena anao2. Aza miady hevitra3. Aza miaro tena, fiangonana, vao maika manitatra ny ratra izany4. Fantaro mialoha raha azonao atao ny mikasikasika azy: ny antony nanipihana ny anarany, tsy niangonany, ny taonany, ny mahafinaritra azy ankehitriny, ny fiainam-panahiny, ny fiaim-piainany, ny tokantranony,5. Tsara ny anaovan’ny fiangonana fandaminana tsara ka izay mifankahazohazo aminy no tsara mamangy azy ary omen’ny sekreteran’ny fiangonana ny andinindininy momba azy

FAMANGIANA1) Fifampirahabana sy fifankazarana: 2) Fanehoana ny tena: Avy amin’ny fiangonana Advantista anao mba te-

hiresaka aminy fotoana fohy monja3) Raha tsy nomena mialoha ny mombamomba azy dia apetraho aminy ireto

fanontaniana ireto kanefa aoka ho am-panajana sy am-pitiavana be ary amin’ny feo kendakenda aza:

a. Advantista avokoa ve ireo ray aman-dreninao?b. Nianatra tamin’ny sekoly advantista ve ianao? Hafiriana?c. Iza no vadinao? Advantista ve izy?d. Iza no nanao batisa anao?e. Faly ve ianao tamin’izay?f. Inona no tena nahafinaritra anao indrindra?g. Inona no andraikitrao tao amin’ny fiangonana?h. Hatramin’ny oviana no tsy nidiranao tany am-piangonana intsony? i. Azonao ambara ahy ve ny antony nahatonga anao nalaindaina tao

ho ao? Tsenao fankasitrahana ny fahatsoram-pony. Aza miady hevitra mihitsy! Mihainoa fatratra azy. Raha tsy an-drariny ny fitondrana natao azy dia aza miandany

4) Rehefa namboraka ny tao am-pony izy dia lazao 5) Ry rahalahy/ranabavy/ mampalahelo loatra izany. Malahelo mihitsy aho

mandre izany.6) Ho an’ny fiangonana advantista dia miala tsiny betsaka aminao izahay ary

mangataka famelana aminao. Tena ny ao am-poko lalina no lazaiko anao: mamelà ny fahadisoanay!

7) Misy zavatra iray izay tena azoko antoka dia izao: TENA TIA ANAO ANDRIAMANITRA

8) Azoka atao ve ny mba mametraka fanontaniana mikasika anao manokana?9) Mbola mino ve ianao fa ny hafatra torian’ny fiangonana no ilay

nalefan’Andriamanitra ho an’izao tontolo izao?10) MBA EFA NIERITRERITRA NY HIVERINA VE IANAO TAO HO AO?11) Taomy hiverina izy ary ataovy izay rehetra azo atao hanampiana

azy. Tariho izy hamaky SM, hivavaka, mba hahafahan’ny Fanahy miasa aminy sy mamelona faniriana indray ao aminy.

12) Raha milaza izy fa te-hiverina dia: Ento any amin’ny kilasy SS misy anao izy. Asao hisakafo any aminao Sabata.

13) Manaova fotoana miaraka aminy amin’ny filentehan’ny masoandro ny Zoma. Mivavaha miaraka aminy sy ho azy

14) Anatero boky ara-pivavahana izy: Ny dia ho eo amin’I Kristy, Amboara Teny Fikasana, sns…

Page 57: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

15) Raha mbola tsy vonona hiverina izy dia aza terena loatra:16) Mitadiava antony hafa hahafahanao mamangy azy indray amin’ny

manaraka17) Mivavaha mandrakariva ho azy ary ataovy fantany izany.18) Mametraha K-7, CD, VCD, boky ho azy hampitambelona ny aim-

panahiny indray19) Anontanio azy ny vokatr’ireo taminy amin’ny famangiana manaraka. 20) Inamano mandrakariva izy. Ary na efa miverina izy dia hamafiso

hatrany izany satria sarotra ny lalana miverina. Mbola mizatra miangona indray izy. Ampiharo hatrany ireo toro-hevitra etsy ambony

21) Mivavaha – Miasà – Mivavaha- Miasa dia Hitahy anao ny Tompo ka « hamonjy fanahy tsy ho faty » ary hahita fifaliana hitondra azy hatrany an-danitra.

Ps Heriniaina Randriamanantena

Page 58: iouciouc.adventist.org/site_data/11/assets/0000/1178/M_TARID... · Web viewTOKO VOALOHANY. FIPOAHAN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA. MAMPAHAFAINGANA NY FIAVIANY “Sady manantena no

TARI-DALANA HO AN’NY MPANARATO

OLONA