willy razafinjatovo. fehezo tsara ny « kilnao » vao miteny

6
Willy Razafinjatovo. Fehezo tsara ny « kilnao » vao miteny olona e ! Jeudi, 12 Août 2021 04:05 - Mis à jour Vendredi, 13 Août 2021 03:59 Me Willy Razafinjatovo tao amin'ny Tv Plus Amin’ny teny andavanandro dia fanafohezana ny voambolana frantsay hoe « client » ny atao hoe « kil ». Ingahy Willy Razafinjatovo moa dia mpisolo vava ( « avocat » ). Fantany tsara mihitsy aho fa tsy hoe anaovako alako bika tsy tiako tarehy izy eto na koa fiarovana ny Filoha Rajoelina noho ny « fisolelahana » araka ny fomba fitenin’i Fanirisoa Ernaivo Chiottes, mpitsara nanonga-tena, azy. Fiteniko, ombieny ombieny ny hoe : ny marina tokana ihany ary tsy mba maty, sy ny hoe : ny teny mandalo fa ny soratra mitoetra. Eto koa izany tsy misy hidiran’ny hoe « secret de l’instruction » (tsiambaratelon'ny fanadiadiana) satria izy mpisolo vava mihitsy no nanonona ny anarana hoe Paul Rafanoharana tao amin’ny Tv Plus omaly 11 aogositra 2021. Fa izao aloha no anisan’ny voalazany : 1 / 6

Upload: others

Post on 22-May-2022

1 views

Category:

Documents


0 download

TRANSCRIPT

Page 1: Willy Razafinjatovo. Fehezo tsara ny « kilnao » vao miteny

Willy Razafinjatovo. Fehezo tsara ny « kilnao » vao miteny olona e !Jeudi, 12 Août 2021 04:05 - Mis à jour Vendredi, 13 Août 2021 03:59

Me Willy Razafinjatovo tao amin'ny Tv Plus

Amin’ny teny andavanandro dia fanafohezana ny voambolana frantsay hoe « client » ny ataohoe « kil ». Ingahy Willy Razafinjatovo moa dia mpisolo vava (« avocat »). Fantany tsara mihitsy aho fa tsy hoe anaovako alako bika tsy tiako tarehy izy eto na koafiarovana ny Filoha Rajoelina noho ny « fisolelahana » araka ny fomba fitenin’i FanirisoaErnaivo Chiottes, mpitsara nanonga-tena, azy.

Fiteniko, ombieny ombieny ny hoe : ny marina tokana ihany ary tsy mba maty, sy ny hoe : nyteny mandalo fa ny soratra mitoetra. Eto koa izany tsy misy hidiran’ny hoe « secret del’instruction » (tsiambaratelon'ny fanadiadiana) satria izy mpisolo vava mihitsy no nanonona nyanarana hoe Paul Rafanoharana tao amin’ny Tv Plus omaly 11 aogositra 2021. Fa izao alohano anisan’ny voalazany :

1 / 6

Page 2: Willy Razafinjatovo. Fehezo tsara ny « kilnao » vao miteny

Willy Razafinjatovo. Fehezo tsara ny « kilnao » vao miteny olona e !Jeudi, 12 Août 2021 04:05 - Mis à jour Vendredi, 13 Août 2021 03:59

« Nilaza ny « Président de la République » fa hoe tsy « conseiller-any » io olona io. « Conseillerdiplomatique ». Tsy marina izany, fa hoe vao indroa fotsiny no hitany. Tsy marina izany. Satriamisy taratasy ireto manamarina izany, fa hoe «Conseiller diplomatique »-ny Prezidan’nyRepoblika, heu « Président-ny Transition » fa tsy « République » tamin’izany fotoana. Nosoniavin’ny Premier ministre Beriziky izany, manamarina izany zavatra io. Ka mahagaga,sady mahasosotra no mahamenatra, manafintoana, hoe mandainga, heu, lainga marivo tototrae ! Io ! Sonia anankiroa, ity anakiray, dia ity koa misy anakiray. Io, io fanamarihana izay zavatraizay… Amafisiny (I Paul Rafanoharana io resahiny io) tamin’ny 2013 satria efa tamin’izanyfotoana izay izy no hoe : « Conseiller diplomatique-ny Président Andry Rajoelina ». Ary ity izany izao dia manamafy izany zavatra izay satria ity dia nandeha izy tamin’io volanaseptambra io, niala teto Madagasikara satria tsy nifanaraka tamin’ireo mpiara-miasa taoamin’ny manodidina ny Prezidàn’ny Tetezamita tamin’izay fotoana izay. Ka voatery izynandositra nitsoaka. Satria natahorany tamin’izay hoe ho vonoin-dry zareo izy fa hoemanelingelina fa te-hanadio ohatra ny zavatra teneniko izao, sady koa hiady amin’ilay kolikoly»./.

Ao anatin’ny hoe asan’ny mpisolo vavan’ny fiarovana («avocat à la défense»), dia tena marinamihitsy ilay fiteny hoe : «tous les moyens sont bons». Saingy izao no mibaribary : ay tsy

2 / 6

Page 3: Willy Razafinjatovo. Fehezo tsara ny « kilnao » vao miteny

Willy Razafinjatovo. Fehezo tsara ny « kilnao » vao miteny olona e !Jeudi, 12 Août 2021 04:05 - Mis à jour Vendredi, 13 Août 2021 03:59

voafehin’i Me Willy akory ilay dosie ary tsy fantany fa tena «manipulateur»(olna mahay mampiresaka azoany izay ilainy) izay tsy izy ingahy Paul Rafanoharana. Ary tenaraharaha politika sy criminel io raharaha io fa tsy resaka «droit commun» ka atao tsianjery maimbo fotsiny ihany andrebirebena ny mpanara-baovao («opinion publique»). Soa ihany fa ny soratra mitoetra.

Aoka ho fantatrareo mpamaky sy ingahy Me Willy fa tamin’ny 22 oktobra 2014 dia nasain’i PaulRafanoharana sy ilay ho vadiny faharoa, niara-nisakafo taminy aho, teto Antananarivo. Nyantony ? Amin’ny maha mpanao gazety matihanina sy « fanta-daza » ahy dia mba tiany rahamanao « communication » mikasika azy ny tenako. Izay mihitsy aho vao nahita azy nivantanasy niresaka taminy. Izy aloha dia araka ny filazan’i Laure Verneau ao amin’ny gazety « LeMonde», dia tena « Dandy longiligne d’une grande culture et orateur habile » tokoa. Izany hoe lehilahy lava manify tena avara-pianarana sy mahay miresaka tokoa. Izaymihitsy ilay olona nanoloana ahy tamin’izay. Nilaza tamiko ary izy tamin’izay fa manao fotoanaamin’ny Filoha Rajaonarimampianina izy satria ho tendrena Praiminisitra izy. Izao moa tsyfomba no mitondra fitaovana fandraisam-peo ary tsy nitondra caméra ihany koa aho tamin’io fa «

3 / 6

Page 4: Willy Razafinjatovo. Fehezo tsara ny « kilnao » vao miteny

Willy Razafinjatovo. Fehezo tsara ny « kilnao » vao miteny olona e !Jeudi, 12 Août 2021 04:05 - Mis à jour Vendredi, 13 Août 2021 03:59

téléphone »no nangalako sary azy.

Niandry tao Ambohitsorohitra tokoa ny lehilahy fa...

Tena notsorika taminy hoe : aza manonofy loatra ianao. Voalohany, Rajaonarimampianina aniezanaka pasiteran’ny Fjkm (protestanta izany) fa tsy izy loatra noho sakana fa ireo manodidinaazy izay « opportunistes » (fantatrareo ny dikan’io voambolana io) ny ankamaroany kahanaloka azy ireo ianao. Fa nanizingizina izy fa efa raikitra ny fotoana amin’i HeryRajaonarimampianina. Tamin’io nihaonanay io dia ny Dokotera Kolo Roger no Praiminisitra. Nyanjarako izany dia ny hampahafantatra azy amin’ny mpamakiko sy ny ireo mpanao gazetynamako. Tena namerina mihitsy aho hoe : aza dia manantena loatra ianao fa tsy misy olonamahavita zava-doza noho ny olona diso fanantenana.

4 / 6

Page 5: Willy Razafinjatovo. Fehezo tsara ny « kilnao » vao miteny

Willy Razafinjatovo. Fehezo tsara ny « kilnao » vao miteny olona e !Jeudi, 12 Août 2021 04:05 - Mis à jour Vendredi, 13 Août 2021 03:59

Fa mbola nandresy lahatra hatrany izy hoe « c’est une question de temps ». Ary nanome ahy «dossier »mikasika azy izy. « Fichiers électroniques »daholo moa ka mora no nitahiry azy ireo. Eto ary dia avoakako ny ampahan’ny CV nosoratan’iPaul Rafanoharana (teraka teto Antananarivo ny 2 may 1963) izy tenany manambara izao, eoamin’ny voalohany mihitsy: de juin 2013 à janvier 2014 : Conseiller diplomatique du Premier ministre de Transition de Madagascar(chargé de mission). Io ny sary io ambany io.

Ka maninona ianao ry Me Willy mbola sahy maninzinginzina fa hoe « Conseillerdiplomatique-ny Président Andry Rajoelina »izy ? Izany toerana izany, Tompoko, tsy voatery ho fantatry ny Filohan’ny Tetezamita. Mahazomanendry izay tiany handrafitra ny Kabinetrany ny Praiminisitra, Tompoko. Ny taratasynoresahinao tao amin’ny Tv Plus, izay tsy nisy nahita mazava akory, dia taratasy nosoniavin’nyPraiminisitra Beriziky manendry an’i Paul Rafanoharana ho mpiara-miasa aminy ataonympanolotsaina sy irakiraka ara-diplomatika. Izay hoe niankina amin’ny Primatiora aoMahazoarivo fa tsy amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra na Iavoloha. Manaraka. Tsy miteny mihitsy ianao hoe inona no karazan’io raharaha io ? Tsy raharaha adytsotra aloha («droit commun»). Ka inona ary ? Ady heloka bevava («affaire criminelle») ?Raharaha politika ? Sao lahy voan’ny fandraikidraikena aza ianao ry Me Willy ô !? Ao amin’ioCV nomeny ahy io aloha tsy nisy resaka hoe «mpanolotsainan’ny Mgr Odon Razanakolona » izany mihisy izy. Ka izao : na dia niteny aza ity farany, tao amin’ny TVM, ny 21 Jolay 2021 fa tsymanao politika ny eglizy katolika dia inona moa no nandambondamboan’i Paul Rafanoharanaazy ? Ny 16 sy 17 septambra 2014, dia nentin’ny namangy olona mpanao politika frantsay izy.Ireo ny sary manaporofo izany.

Mazava izany ny tetika : te-hampiseho izy fa olona manampahaizana be ary miara-dàlanaamin’ny eglizy katolika izay manana mpino kristianina maro indrindra eto Madagasikara.

5 / 6

Page 6: Willy Razafinjatovo. Fehezo tsara ny « kilnao » vao miteny

Willy Razafinjatovo. Fehezo tsara ny « kilnao » vao miteny olona e !Jeudi, 12 Août 2021 04:05 - Mis à jour Vendredi, 13 Août 2021 03:59

Fomban’i Paul Rafanoharana mihitsy io fahaizana miresaka io. Tsy mieboebo izany izy ; tsymampiaka-peo izany fa malefaka. Izay tokoka angaha ilay lazain’ny Ntaolo hoe « malemy paikamanafina kilema »? Asa. Raha dinihina daholo izany dia na tena tsy voafehin’i Me Willy ilay dosie, na izyjamban’ny vola. Asa fa tsy asam-panasoavana ny asa ataony. Na tiany koa na tsia, resakapolitika avo lenta be mihitsy ilay izy. Ho sahy ve izy hiala toa ny nataony tamin’ny tsy niarovany an’ny mpanao gazety Arphine Helisoa intsonysatria hoe « misy resaka poltika »? Asa aloha fa azy ny azy. Farany : tsy ampianatra azy « droit »(fianarana lalàna ankapobeny) ny tenako. « Enjana » tokoa i Me Willy satria tena nabomboka tamin’ny « capacité en droit » izy tao Ankatso. Ary lasa « avocat d’affaires »… (« çà veut dire ce que çà veut dire », hoy ny Frantsay…). Fa izao kosa : resaka fikasana hamonoana Filoham-pirenena am-perinasa voafidim-bahoakailay raharaha. Ary taorian’ny « nahafaty » an’i Idriss Deby tany Tchad sy namonoanampikaraman’ady an’i Jovenel Moïse tao Haïti. Ka ampianaro ny vahoaka malagasy itymanaraka ity, satria mba nianatra « droit » koa nytenako : «Nécessité n’a point de loi ». « Principe de l’état de nécessité. Jurisprudence sur l’état de nécessité ». Manomboka izao koa tsy hiantso azy izany Me Willy Olala izany intsony aho. Nitolona koa ahotamin’ny taona 1972 ary saika maty teo amin’ny Hôtel de ville. « Accords de coopération »amin’ny Frantsay ny niadivana tamin’izany saingy izany olona mizaka zom-pirenena frantsaysaika nampidi-kizo ny firenena malagasy no arovana izao. F’angaha dia tena milliards demilliards mihitsy no andrandraina sa « asa soa »ho an’ny firenena ? Fa firenena iza anefa no arovana izao ? Fa sahiko mihitsy no milaza eto fatsy anjely latsaka an-tany akory i Paul Rafanoharana. Ny Kolonely «misotro ronono», Philippe Marc François indray dia tsy mila resahina eto akory fa… matihanina e !

Farany : mikasika ny vady faharoan’ingahy Rafanoharana Maillot. Tena mino tanteraka aho fajamban’ny fitiavana izy ka « victime ». Kanefa moa vady e !... Izao mantsy : mpanao asa soaizy io. Ny 29 aprily 2013, amin’ny maha Filohan’ny AMDDEF (« Association Malgache des Défenseurs des Droits de l'Enfance et de la Femme ») azy, dia nanome motos vaovao miisa efatra ho an’ny Polisim-pirenena izy.

Mgr Odon sy ny vady faharoan'i Paul Rafanoharana Izy koa kristiana katolika tena voton-pinoana. Ary mazava fa izy no nampifandray ny vadinyamin’i Mgr Odon Razanakolona toa zary nataon’i Paul Rafanoharana totohatra fiakarana. Ka izay ra-Willy ô ! Fehezo tsara ny dosien’ny kilnao tsy ho lasa momoko toa ny an’ireo izaynandoro ny fanananao rehetra tao Sans Fil Toliara. Tsy ho adinonao fa andro vitsy taorian’nynahamay tanteraka ny trano fonenanao dia nentin’ny minisitra Latimer Rangers -tamin’izany- nytenako ary nahita maso ny fahavoazanao sy ny fianakavianao. Aiza ny tohiny ?

Nazava aloha fa resaka politika iny nandoroana ny tranonao iny. Fa aza dia miafina loatraamin’ity « présomption d’innocence » ity re ! Aza miandry misy maty vao mody hamangyfahoriana fa tsy mora ho ana firenena iray izany Filoha am-perinasa misy mamono izany.

Ratsimandrava no lesona mahatonga ny Filoha Rajoelina tsy maintsy miaro tena ary mampiasany « Nécessité n’a point de loi ». Ary raha ianao ry Me Willy no teo amin’ny toerana alohae…Dia lazao koa fa mamoaka « tsiambaratelon'nyfanadiadiana » koa aho eto e! Jeannot Ramambazafy

6 / 6