i petera 2:21 ny valosoa sy fakafaka€¦ · politika lah 1 0 3 2s ab otsy j n 2 neny sy rina,...

1
2 Lah 1032 Sabotsy 20 jona 2020 Politika www.gvalosoa.com Neny sy Rina, nivavaka tao Ankorondrano tamin’izany fotoana. Fampianarana Toa tsy olana ho an’ireo sekoly tsy miankina sasany ny mahazo ny ray aman-dreny Ny Valosoa sy fakafaka Fiangonana Jesosy Mamonjy eto Madagasikara Halevina amin’ny alatsinainy i Pasitera Ratafy Léon Misaona ny fiangonana Pentekotista Jesosy Ma- monjy eto Madagasikara. Nodimandry tamin’ity he- rinandro ity ny filohan’ izany fiangonana izany, Pasitera Ratafy Léon. Izy dia Mpitandrina ny Foibe Fiangonana Jesosy Ma- monjy Ankorondrano An- tananarivo, no sady Fi- lohan'ity Fiangonana nat- sangan’i Daoud ity ihany koa. Narary efa ho andro maromaro no nitarika izao fahafatesany izao. Efa ha- tramin’ny taona 2003 izy no filohan’ny fiangonana Jesosy Mamonjy eto Ma- dagasikara. Ny alatsi- nainy 22 jona 2020 ho avy izao izy no halevina eny amin’ny fasan’ny fiango- nana eny Soamanandray Ivato rehefa avy hanao- vana fotoam-pivavahana ho fialan-tssatry ny fana- hiny ao amin’ny fiango- nana Jesosy Mamonjy Ankorondrano, hanom- boka amin’ny 10 ora ma- raina. Ny gazety Ny Va- losoa Vaovao dia maneho fiaraha-miory amin’ny fia- nakaviany, sy ny fianaka- vimben’ny fiangonana Jesosy Mamonjy mane- rana ny Nosy. Aly Lapa Maitso Anosikely Ministra miisa 3 niatrika ireo senateran’i Madagasikara Ministra miisa 3 ao amin’ ny fitondram-panjakana afak’omaly no niatrika ireo senateran’i Madagasikara tetsy amin’ny Lapa Maitso Anosikely: ny Minisitry ny tontolo iainana sy ny fam- pandrosoana maharitra Raharinirina Baomiavotse Vahinala, sy ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka Contrôleur Général de Police Randrianarison Fa- nomezantsoa Rodellys, ny Sekreteram-panjakàna eo anivon’ny Minisite- ran’ny Fiarovam-pirene- na, miadidy ny Zandari- mariam-pirenena ny jene- raly Richard Ravaloma- nana, no nihaona tamin’ ireo Loholon’i Madagasi- kara tamin’izany. Tatitra ny asa vita sy ireo vina mbola ho tratrarin’ny Mini- sitera, izay sahanin’izy ireo no nanombohana ny fihaonana. Ny Sekrete- ram-panjakàna eo ani- von’ny Minisiteran’ny Fia- rovam-pirenena, miadidy ny Zandarimariam-pire- nena dia nanazava, fa ny fametrahana paik’ady ma- nakaiky vahoaka mika- sika ny resakafandriam- pahalemana sy filami- nana miaraka amin’ireo solontenam-panjakana eny amin’ireny distrika, kaominina ary faritra ary hiaraha-miasa amin’ireo vahoaka sy ireo olom- boafidy ao an-toerana, izay mahalala tsara ny zava-misy, no entina ha- nongorana hatrany ifo- tony ny resaka dahalo sy jiolahy no tanjona amin’ izany. Tsy natao ambanin- javatra ihany koa ny fa- nampianana ara-bola, na ara-pitaovana, mba ho entina hamporisihina ireo Zandary amin’ny asany ary ny tanjona dia ny ha- nafoanana ny antony mety hahasarika azy ireo amin’ny fiarahany miray tsikombakomba amin’ireo mpanao ratsy. Omena fampiofanana ihany koa ireo Zandary fa indrindra ireo miasa any amin’ireny faritra mena ireny, mba hiatrehany ny zava-misy any an-toerana. Ezakin’ny Minisitera ny fanaparita- hana “Compagnie de Bri- gade “ isaky nyDistrika sy “Brigade de Sécurité Rou- tière “ isaky ny Kaomi- nina, hampitaovana ny tombin’ny Zandarimaria rehetra. Nohamafisina fa tsy misy na iza na iza am- bony lalàna eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Ma- dagasikara, porofon’izany ny fisian’ireo Zandary no- gadraina, izay voarohi- rohy tamin’ny resaka “Kidnapping” sy asa-ratsy. Isambilo Fiainam-pirenena toa tratry ny confinement hatramin’ny vava Efa ho telo volana izao no tao anaty fihibohana na confinement ny vahoaka Malagasy. Raha ny zava- misy hita maso anefa dia toa tsy fihibohana izany no misy eto satria miaina toy ny isan’andro ihany ny rehetra. Tsy voahaja ny elanelana 1 metatra fa mi- tangorona be amin’ny toerana maro, sns… Fa ny tena hita aloha hatreto dia eo amin’ny sehatry ny haino amanjery no tena tratry ny hamehana ara- pahasalamàna satria voa- geja tsy maintsy mandefa izay tian’ny mpitondra atao ireto farany na dia to- kony hiankina tanteraka amin’ny vaovan’ny Coro- navirus ihany aza no na- nerena azy ireo. Ao ana- tin’izao hamehana ara- pahasalamàna izao dia tsy misy ny demokrasia eto amin’ny firenena sa- tria raha misy manohinto- hina ny mpitondra dia gadra no hita. Izay no na- hatonga ny RMDM rodo- ben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Ma- dagasikara hanontany tena hoe ny dikan’ny confinement ve hoe to- kony tsy ho afaka hiteny intsony izahay mpanohi- tra ? Raha izay mantsy no izy dia tsy afaka hiteny intsony izany izahay ? Na izany na tsy izany dia tsy maintsy miteny ny tsy mety eto amin’ny firenena ny RMDM satria marobe ny zavatra tokony hanga- rahara eto amin’ny fire- nena sy tsy mandeha amin’ny laoniny. Helisoa Antoko tIM Miara-miory amin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy N andao ny tany tamin’ity herinandro ity ny filo- han’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy eto Mada- gasikara, Pasitera Ratafy Léon. Manoloana izany, misy ny fanambarana avy amin’ny sekretera je- neralin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), Rina Randriamasinoro: “tohina tanteraka ny fo raha naheno ny fahalasan'ny mpanompon'Andriamanitra Pasteur Ratafy Léon, Filohan'ny Fiangonana Jesosy Mamonjy eto Madagasikara. Koa dia maneho ny fiaraha-miory ary miombona alahelo amin'ny fianakaviany sy ny Fiangonana Jesosy Mamonjy eto Madagasikara ny te- nako sy ny Antoko Tiako i Madagasikara (TIM). Ny Tompo Andriamanitra anie hamafa ny ranomaso, ham- pahery, hanasitrana ny fo maratra, ary hameno ny banga rehetra”. Ankoatra izany omaly hariva, tonga nit- sapa alahelo ny fianakaviana sy ny fiangonana ny avy amin’ny antoko TIM, notarihan’ny filoha Marc Ravalo- manana tetsy Ankorondrano. Isambilo Pasitera Ratafy Léon fahavelony. Anisan’ny olana lehibe eto amin’ny firenena ankehi- triny ny lafiny sosialy. Mikaikaika avokoa ny soka- jin’olona maro samihafa noho ny fahasahiranana lalina manjo amin’izao fotoana izao vokatr’ity fiha- naky ny valan’aretina covid-19 (coronavirus disease nineteen) ity. Eo amin’ny seha-pampianarana dia samy sahirana avokoa ireo toko telo miantoka ny fampandehanana ny asa fampianarana: ny tale sy ny tompon’andraikitry ny sekoly ny mpampianatra, ary ny ray aman-drenin’ny mpianatra. Niaraha-na- hita fa niato ny fampianarana teto amin’ny firenena, anisan’izany indrindra ny teto amin’ny faritr’Anala- manga, nanomboka ny tapaky ny volana martsa ni- diran’ny valan’aretina. Teo amin’ny telovolana no tapaka ny fianarana indrindra ho an’ireo mpianatra amin’ny kilasy anelanelany, fa tsy ireo hiatrika fana- dinam-panjakana. Nipetraka eo amin’izay ny olana eo amin’ny sekoly sy ny ray aman-dreny momba ny fandoavana ny saram-pianarana. Ho an’ny ray aman-dreny dia tsy mianatra ny zanany, ka tokony tsy hisy ny fandoavana saram-pianarana. Ny tom- pon’andraikitry ny sekoly minia mikimpy momba izany, fa tsy maintsy mandoa ihany ny ray aman- dreny, fa ho fampandehanan-draharaha sy handoa- vana ny karaman’ny mpampianatra. Ho an’ny ray aman-dreny, dia tsy azo ihodivirana aloha ny fitsin- jovana ireo mpampianatra amin’ny garabola, fa mila jerena akaiky kosa ny momba ireo mpampianatra manomboka amin’ny taona faha-6 na kilasy 6 éme no ho miakatra hatrany amin’ny kilasy famaranana. Iaraha-mahalala, fa ny mpampianatra amin’ireo ki- lasy ireo dia saika “chargé de cours” avokoa, ka izay fotoana sy ora hampianarany ihany no handraisany karama. Eo no hipetrahan’ny adi-hevitra, satria tsy araka ny ora hampianarany efa nifanarahana ha- trany am-boalohany no hankanesany ao an-tsekoly na dia lazaina aza fa misy ny enti-mody na devoara omena ny mpianatra ataony any an-trano. Mazava loatra fa tsy hisy mihitsy ny vola feno homen’ny tom- pon’andraikitry ny sekoly ireo mpampianatra mifa- naraka amin’ny ora nifanarahana tany am-boalo- hany. Karazany misy hafetsena ihany ao anatin’izany. Etsy ankilan’izay, ireo ray aman-dreny dia sahirana tanteraka ihany koa amin’ny lafiny ara-tsosialy satria maro no voadona ny fivelomany noho ny zava-misy eto amin’ny firenena. Misy ny very asa, na nikatona ny fivelomany na ny orinasany, sns... Mazava loatra, fa olana ho azy ireo ny handoa ny saram-pianarana feno amin’ity faneren’ny sekoly ity na dia hamboam- boarina aza ny fandoavana ny saram-pianarana. Tsy maintsy fenoina mantsy ny saram-pianarana na tamin’ireo andro sy volana tsy nianarana aza. Misy mihitsy aza ny tompon-tsekoly sy talen-tsekoly no manao teny an’avona amin’ny ray aman-dreny ao anatin’izany, toy izay nitranga teny amin’ny Cité Itaosy vao tsy ela izay. Araka izany dia tsy olan’ireo sekoly tsy miankina izay manjo ny ray aman-dreny, fa “aloavy ny saram-pianarana”. “Tsy tokony hita- raina amin’ny fanjakana araka izany ihany koa ireo sekoly tsy miankina, raha toy izany no fihetsik’izy ireo”, hoy ireo ray aman-dreny sasany. Terena ny ray aman-dreny hanefa ny saram-pianarana ta- min’ireo volana tsy nianarana kanefa koa mitaky any amin’ny fanjakana, moa tsy hafetsena izany?, hoy izy ireo. Raha aravona, tsy mivaha mazava ny olana eo amin’ireo ray aman-dreny sy ny sekoly, fa karazany teren-ko masaka fotsiny ihany ny raharaha. Inian’ny tompon’andraikitra samihafa voakasika ikimpiana fotsiny, fa tsy misy mamaha olana. Ny fantatra dia ireo ray aman-dreny no kivy sy sorena amin’ireo se- koly ianarana-janany ankehitriny, ka misy ny tapa- kevitra hamindra sekoly hafa ny zanany amin’ny fiafaran’ny taom-pianarana izao. Tranga hafa indray no hiseho aoriana kely vokatr’izany. Radafy Fa ho amin'izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany". I Petera 2:21 Ny TeNy FiaiNaNa

Upload: others

Post on 11-Aug-2020

1 views

Category:

Documents


0 download

TRANSCRIPT

Page 1: I Petera 2:21 Ny Valosoa sy fakafaka€¦ · Politika Lah 1 0 3 2S ab otsy j n 2 Neny sy Rina, nivavaka tao Ankorondrano tamin’izany fotoana. Fampianarana Toa tsy olana ho an’ireo

2Lah 1032 Sabotsy 20 jona 2020Politikawww.gvalosoa.com

Neny sy Rina, nivavaka tao Ankorondranotamin’izany fotoana.

Fampianarana

Toa tsy olana ho an’ireo sekoly

tsy miankina sasany ny mahazo

ny ray aman-dreny

Ny Valosoa sy fakafaka

Fiangonana Jesosy Mamonjy eto Madagasikara

Halevina amin’ny alatsinainy i Pasitera Ratafy Léon

Misaona ny fiangonanaPentekotista Jesosy Ma-monjy eto Madagasikara.Nodimandry tamin’ity he-rinandro ity ny filohan’izany fiangonana izany,Pasitera Ratafy Léon. Izydia Mpitandrina ny FoibeFiangonana Jesosy Ma-monjy Ankorondrano An-tananarivo, no sady Fi-lohan'ity Fiangonana nat-sangan’i Daoud ity ihanykoa. Narary efa ho andromaromaro no nitarika izaofahafatesany izao. Efa ha-tramin’ny taona 2003 izyno filohan’ny fiangonanaJesosy Mamonjy eto Ma-dagasikara. Ny alatsi-

nainy 22 jona 2020 ho avyizao izy no halevina enyamin’ny fasan’ny fiango-nana eny SoamanandrayIvato rehefa avy hanao-vana fotoam-pivavahanaho fialan-tssatry ny fana-hiny ao amin’ny fiango-nana Jesosy MamonjyAnkorondrano, hanom-boka amin’ny 10 ora ma-raina. Ny gazety Ny Va-losoa Vaovao dia manehofiaraha-miory amin’ny fia-nakaviany, sy ny fianaka-vimben’ny fiangonanaJesosy Mamonjy mane-rana ny Nosy.

Aly

Lapa Maitso Anosikely

Ministra miisa 3 niatrika ireo senateran’i Madagasikara

Ministra miisa 3 ao amin’ny fitondram-panjakanaafak’omaly no niatrika ireosenateran’i Madagasikaratetsy amin’ny Lapa MaitsoAnosikely: ny Minisitry nytontolo iainana sy ny fam-pandrosoana maharitraRaharinirina BaomiavotseVahinala, sy ny Minisitryny Filaminam-bahoakaContrôleur Général dePolice Randrianarison Fa-nomezantsoa Rodellys,ny Sekreteram-panjakànaeo anivon’ny Minisite-ran’ny Fiarovam-pirene-na, miadidy ny Zandari-mariam-pirenena ny jene-raly Richard Ravaloma-nana, no nihaona tamin’

ireo Loholon’i Madagasi-kara tamin’izany. Tatitrany asa vita sy ireo vinambola ho tratrarin’ny Mini-sitera, izay sahanin’izyireo no nanombohana nyfihaonana. Ny Sekrete-ram-panjakàna eo ani-von’ny Minisiteran’ny Fia-rovam-pirenena, miadidyny Zandarimariam-pire-nena dia nanazava, fa nyfametrahana paik’ady ma-nakaiky vahoaka mika-sika ny resakafandriam-pahalemana sy filami-nana miaraka amin’ireosolontenam-panjakanaeny amin’ireny distrika,kaominina ary faritra aryhiaraha-miasa amin’ireo

vahoaka sy ireo olom-boafidy ao an-toerana,izay mahalala tsara nyzava-misy, no entina ha-nongorana hatrany ifo-tony ny resaka dahalo syjiolahy no tanjona amin’izany. Tsy natao ambanin-javatra ihany koa ny fa-nampianana ara-bola, naara-pitaovana, mba hoentina hamporisihina ireoZandary amin’ny asanyary ny tanjona dia ny ha-nafoanana ny antonymety hahasarika azy ireoamin’ny fiarahany miraytsikombakomba amin’ireompanao ratsy. Omenafampiofanana ihany koaireo Zandary fa indrindra

ireo miasa any amin’irenyfaritra mena ireny, mbahiatrehany ny zava-misyany an-toerana. Ezakin’nyMinisitera ny fanaparita-hana “Compagnie de Bri-gade “ isaky nyDistrika sy“Brigade de Sécurité Rou-tière “ isaky ny Kaomi-nina, hampitaovana nytombin’ny Zandarimariarehetra. Nohamafisina fatsy misy na iza na iza am-bony lalàna eto amin’nytanin’ny Repoblikan’i Ma-dagasikara, porofon’izanyny fisian’ireo Zandary no-gadraina, izay voarohi-rohy tamin’ny resaka“Kidnapping” sy asa-ratsy.

Isambilo

Fiainam-pirenena

toa tratry ny confinement hatramin’ny vava

Efa ho telo volana izao notao anaty fihibohana naconfinement ny vahoakaMalagasy. Raha ny zava-misy hita maso anefa diatoa tsy fihibohana izanyno misy eto satria miainatoy ny isan’andro ihany nyrehetra. Tsy voahaja nyelanelana 1 metatra fa mi-tangorona be amin’nytoerana maro, sns… Fany tena hita aloha hatreto

dia eo amin’ny sehatry nyhaino amanjery no tenatratry ny hamehana ara-pahasalamàna satria voa-geja tsy maintsy mandefaizay tian’ny mpitondraatao ireto farany na dia to-kony hiankina tanterakaamin’ny vaovan’ny Coro-navirus ihany aza no na-nerena azy ireo. Ao ana-tin’izao hamehana ara-pahasalamàna izao dia

tsy misy ny demokrasiaeto amin’ny firenena sa-tria raha misy manohinto-hina ny mpitondra diagadra no hita. Izay no na-hatonga ny RMDM rodo-ben’ny mpanohitra hoan’ny demokrasia eto Ma-dagasikara hanontanytena hoe ny dikan’nyconfinement ve hoe to-kony tsy ho afaka hitenyintsony izahay mpanohi-

tra ? Raha izay mantsy noizy dia tsy afaka hitenyintsony izany izahay ?Na izany na tsy izany diatsy maintsy miteny ny tsymety eto amin’ny firenenany RMDM satria marobeny zavatra tokony hanga-rahara eto amin’ny fire-nena sy tsy mandehaamin’ny laoniny.

Helisoa

Antoko tIM

Miara-miory amin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy

Nandao ny tany tamin’ity herinandro ity ny filo-han’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy eto Mada-gasikara, Pasitera Ratafy Léon. Manoloana

izany, misy ny fanambarana avy amin’ny sekretera je-neralin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), RinaRandriamasinoro: “tohina tanteraka ny fo raha nahenony fahalasan'ny mpanompon'Andriamanitra PasteurRatafy Léon, Filohan'ny Fiangonana Jesosy Mamonjyeto Madagasikara. Koa dia maneho ny fiaraha-mioryary miombona alahelo amin'ny fianakaviany sy nyFiangonana Jesosy Mamonjy eto Madagasikara ny te-nako sy ny Antoko Tiako i Madagasikara (TIM). NyTompo Andriamanitra anie hamafa ny ranomaso, ham-pahery, hanasitrana ny fo maratra, ary hameno nybanga rehetra”. Ankoatra izany omaly hariva, tonga nit-sapa alahelo ny fianakaviana sy ny fiangonana ny avyamin’ny antoko TIM, notarihan’ny filoha Marc Ravalo-manana tetsy Ankorondrano.

Isambilo

Pasitera Ratafy Léon fahavelony.

Anisan’ny olana lehibe eto amin’ny firenena ankehi-triny ny lafiny sosialy. Mikaikaika avokoa ny soka-jin’olona maro samihafa noho ny fahasahirananalalina manjo amin’izao fotoana izao vokatr’ity fiha-naky ny valan’aretina covid-19 (coronavirus diseasenineteen) ity. Eo amin’ny seha-pampianarana diasamy sahirana avokoa ireo toko telo miantoka nyfampandehanana ny asa fampianarana: ny tale syny tompon’andraikitry ny sekoly ny mpampianatra,ary ny ray aman-drenin’ny mpianatra. Niaraha-na-hita fa niato ny fampianarana teto amin’ny firenena,anisan’izany indrindra ny teto amin’ny faritr’Anala-manga, nanomboka ny tapaky ny volana martsa ni-diran’ny valan’aretina. Teo amin’ny telovolana notapaka ny fianarana indrindra ho an’ireo mpianatraamin’ny kilasy anelanelany, fa tsy ireo hiatrika fana-dinam-panjakana. Nipetraka eo amin’izay ny olanaeo amin’ny sekoly sy ny ray aman-dreny momba nyfandoavana ny saram-pianarana. Ho an’ny rayaman-dreny dia tsy mianatra ny zanany, ka tokonytsy hisy ny fandoavana saram-pianarana. Ny tom-pon’andraikitry ny sekoly minia mikimpy mombaizany, fa tsy maintsy mandoa ihany ny ray aman-dreny, fa ho fampandehanan-draharaha sy handoa-vana ny karaman’ny mpampianatra. Ho an’ny rayaman-dreny, dia tsy azo ihodivirana aloha ny fitsin-jovana ireo mpampianatra amin’ny garabola, fa milajerena akaiky kosa ny momba ireo mpampianatramanomboka amin’ny taona faha-6 na kilasy 6 émeno ho miakatra hatrany amin’ny kilasy famaranana.Iaraha-mahalala, fa ny mpampianatra amin’ireo ki-lasy ireo dia saika “chargé de cours” avokoa, ka izayfotoana sy ora hampianarany ihany no handraisanykarama. Eo no hipetrahan’ny adi-hevitra, satria tsyaraka ny ora hampianarany efa nifanarahana ha-trany am-boalohany no hankanesany ao an-tsekolyna dia lazaina aza fa misy ny enti-mody na devoaraomena ny mpianatra ataony any an-trano. Mazavaloatra fa tsy hisy mihitsy ny vola feno homen’ny tom-pon’andraikitry ny sekoly ireo mpampianatra mifa-naraka amin’ny ora nifanarahana tany am-boalo-hany. Karazany misy hafetsena ihany ao anatin’izany. Etsy ankilan’izay, ireo ray aman-dreny dia sahiranatanteraka ihany koa amin’ny lafiny ara-tsosialy satriamaro no voadona ny fivelomany noho ny zava-misyeto amin’ny firenena. Misy ny very asa, na nikatonany fivelomany na ny orinasany, sns... Mazava loatra,fa olana ho azy ireo ny handoa ny saram-pianaranafeno amin’ity faneren’ny sekoly ity na dia hamboam-boarina aza ny fandoavana ny saram-pianarana.Tsy maintsy fenoina mantsy ny saram-pianarana natamin’ireo andro sy volana tsy nianarana aza. Misymihitsy aza ny tompon-tsekoly sy talen-tsekoly nomanao teny an’avona amin’ny ray aman-dreny aoanatin’izany, toy izay nitranga teny amin’ny CitéItaosy vao tsy ela izay. Araka izany dia tsy olan’ireosekoly tsy miankina izay manjo ny ray aman-dreny,fa “aloavy ny saram-pianarana”. “Tsy tokony hita-raina amin’ny fanjakana araka izany ihany koa ireosekoly tsy miankina, raha toy izany no fihetsik’izyireo”, hoy ireo ray aman-dreny sasany. Terena nyray aman-dreny hanefa ny saram-pianarana ta-min’ireo volana tsy nianarana kanefa koa mitaky anyamin’ny fanjakana, moa tsy hafetsena izany?, hoyizy ireo. Raha aravona, tsy mivaha mazava ny olana eoamin’ireo ray aman-dreny sy ny sekoly, fa karazanyteren-ko masaka fotsiny ihany ny raharaha. Inian’nytompon’andraikitra samihafa voakasika ikimpianafotsiny, fa tsy misy mamaha olana. Ny fantatra diaireo ray aman-dreny no kivy sy sorena amin’ireo se-koly ianarana-janany ankehitriny, ka misy ny tapa-kevitra hamindra sekoly hafa ny zanany amin’nyfiafaran’ny taom-pianarana izao. Tranga hafa indrayno hiseho aoriana kely vokatr’izany.

Radafy

Fa ho amin'izany no niantsoana anareo;

fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka

namela fianarana ho anareo, mba

hanarahanareo ny diany".

I Petera 2:21

Ny TeNy FiaiNaNa