mise en page 1 - nybaiboly.net · izao : « jehovah andriamanitrao », mba hampaha-tsiahivana ny...

34
ISBN TITRE Mahalala an’Andriamanitra ho toy ny Ray « Ary efa nampahafantariko azy ny Anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho koa ho ao aminy.» Jaona 17. ‡Ì S. Fayard « Connaître Dieu comme Père » Bibles et Publications Chrétiennes 30, rue Châteauvert F-26000 Valence

Upload: others

Post on 08-Aug-2020

0 views

Category:

Documents


0 download

TRANSCRIPT

Page 1: Mise en page 1 - nybaiboly.net · izao : « Jehovah Andriamanitrao », mba hampaha-tsiahivana ny vahoakany ny fanafahana azy, ny 12 3. Ny fanoratana ara-bakiteny io teny hebreo io

ISBN

TITRE

MMaahhaallaallaa aann’’AAnnddrriiaammaanniittrraahhoo ttooyynnyy RRaayy

«Ary efa nampahafantariko azy ny Anaranao, arymbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminyny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho koaho ao aminy. »

Jaona 17. ‡Ì

S. Fayard

«Connaître Dieu comme Père »Bibles et Publications Chrétiennes30, rue Châteauvert F-26000 Valence

Page 2: Mise en page 1 - nybaiboly.net · izao : « Jehovah Andriamanitrao », mba hampaha-tsiahivana ny vahoakany ny fanafahana azy, ny 12 3. Ny fanoratana ara-bakiteny io teny hebreo io

1. Fampidirana 7

2. Ny anaran’ny Ray 10Ireo anaran’Andriamanitra 10

Ao amin’ny Testamenta Taloha 11Ao amin’ny Testamenta Vaovao 13

Andriamanitra dia Ray 14Jehovah ô, Ianao no Rainay 16Rain’Ilay Zanakalahy Tokana 17Andriamanitra dia Rain’ireo rehetra

mino ny Tompo Jesoa 19Ny Fanahin’ny fananganana anaka 22Andriamanitra sady Rain’i Jesoa Kristy

Tompontsika 23

3. Jesoa no manambara ny Ray 27Fanambaràna miandàlana 27Amin’ny tenany, ny teniny ary ny asany 30Amin’ny fahafatesany, ny fitsanganany

tamin’ny maty, ny fisandratany 31

4. Ny tavan’ny Ray 34Ny famindrampony 34Ny fahamasinany 36Ny fitiavany 39Ny fahamarinany 41

5

Fizahan-Takila >

Page 3: Mise en page 1 - nybaiboly.net · izao : « Jehovah Andriamanitrao », mba hampaha-tsiahivana ny vahoakany ny fanafahana azy, ny 12 3. Ny fanoratana ara-bakiteny io teny hebreo io

1. Fampidirana

«Dia niainga izy ka nankany amin-drainy. Fa rahambola lavitra izy, dia tazan-drainy, ary onena azyizy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozonysady nanoroka azy. Ary ilay zanany nanao taminyhoe : Raiko ô, efa nanota tamin’ny lanitra sy teoanatrehanao aho ka tsy mendrika hatao hoezanakao intsony. Fa rainy kosa nanao tamin’nyankizilahiny hoe : Alao haingana ny akanjo tsaraindrindra ka ampiakanjoy azy ; ary asio peratrany tànany sy kapa ny tongony ; ary ento etỳ nyzanak’omby nafahy, ka vonoy ; ary aoka isikahihinana sy hifaly ; fa ity zanako ity efa maty, favelona indray, ary efa very, fa hita indray. »(Lioka 15. ‡†-‡∂)

Ao amin’ilay fanoharana antsoina hoe « ilayzanaka adala » nataon’i Jesoa no ilazany ny tanta -ran’ny lehilahy iray nanan-janaka mirahalahy. Nan -gataka ny anjara lovany ilay zandriny ary lasa tanyan-tany lavitra tany, nandany ny fananany rehetratamin’ny fiveloman-dratsy. Tsy ela akory izy dia voa -tery niandry kisoa. Nahatonga saina azy ny toerananisy azy ka nanapa-kevitra ny hiverina tany amin-drainy izy. Tsy nandatsa azy kely akory ity rainy, fanandray azy tamim-pitserana sy fitiavana, namihinany vozony sy nanoroka azy. Nomeny ny akanjo tsara

7

5. Ny fiahian’ny Ray ny zanany 43Ireo fikarakaràny 43Ny valisoa omeny 46Ny fifehezany 47

6. Miaina amin’ny mahazanak’Andriamanitra 50Ny fankatoavana 50Ny fahafahana 52Ny vavaka 55Ny fiderana 59Fitiavana sy fahamarinana 62

7. Fehiny 66

6

Page 4: Mise en page 1 - nybaiboly.net · izao : « Jehovah Andriamanitrao », mba hampaha-tsiahivana ny vahoakany ny fanafahana azy, ny 12 3. Ny fanoratana ara-bakiteny io teny hebreo io

indray. Foana ireo tahotra sy tomany eo anatre -han’Andriamanitra, fa voasolo fifaliana, dia fifalianasatria tian’Andriamanitra.

9

indrindra izy ary nanomana fanasana hifaliana nohony fiverenany.

Io fanoharana io dia entin’i Jesoa anambarànaamintsika sombiny amin’ny zava-miafina momba nyfitiavan’Andriamanitra, Izay te hiseho amintsika hotoy ny Ray. Mitovy amin’ilay tovolahy zandriny isika,te hankafy ny fiainana tsy misy an’Andriamanitra.Nefa rehefa lavitra an’Andriamanitra isika, dia veryny fahafahantsika, ny fiainantsika, ny maha isikaantsika. Hitan’Andriamanitra fa mizotra ho amin’nyfahaverezana isika, fa isika kosa ve mba mahatsapaizany?

Matetika, ao anatin’ny fahoriana isika vao maha -tsiaro an’Andriamanitra. Tsapantsika ve fa nanimbany fiainantsika isika, nanota tamin’Andriamanitra,nanalavitra Azy? Ndeha isika ho any Aminy, hilazaizany Aminy. Ho hitantsika fa tsy mandatsa izaymiverina aminy Andriamanitra. Onena noho nyfahoriantsika Izy. Rehefa mahita soa tarafin’nyfitiavany isika, dia miantoraka Aminy ka milaza hoe :«Ray ô, nanota taminao aho. »

Na dia lasa lavitra aza isika, dia vonona ny han -dray antsika hatrany Andriamanitra satria tiaantsika Izy. Lehibe ny famelàny heloka, ary faly Izymahita antsika indray. Miandry antsika Izy, mitsenaantsika ary mampanankarena antsika amin’ny faha -marinany raisina amin’ny finoana ny Tompo Jesoa.Ny fifaliany dia fifalian’ny ray mahita ireo zanany

8

Page 5: Mise en page 1 - nybaiboly.net · izao : « Jehovah Andriamanitrao », mba hampaha-tsiahivana ny vahoakany ny fanafahana azy, ny 12 3. Ny fanoratana ara-bakiteny io teny hebreo io

izaho ahy. Koa akory ny lanjany raha Andriamanitrano manambara ny anarany ! Ny miantso ny anarany,dia mangataka ny fanampiany. «Ary na zovy na zovyno hiantso ny anaran’i Jehovah dia hovonjena »1.Izany no maha zava-doza ny fanononana foana nyanaran’Andriamanitra, satria toy ny mikasika nytenany izany2.

Ireo anaran’Andriamanitra ao amin’nyTestamenta TalohaRaha tsorina, dia azo lazaina fa anarana telo samihafano anehoan’ny Testamenta Taloha an’Andriamanitraamintsika. Voalohany aloha, dia miseho amin’nymaha Andriamanitra mahery, ilay Andriamanitra Avoindrindra, Andriamanitra (El), izay tsy misy itovizanaamintsika raha ny amin’ny fahalehibiazany, ny voni -nahiny, ny heriny. Ilay Andriamanitra Avo indrindradia tena miavaka mihitsy amin’izao tontolo izao. Nyanarana hoe « El » dia matetika ampifan draisinaamin’ny toetra iray an’Andriamanitra. « El Olam» diamampahatsiahy ilay Andriamanitra mandrakizay.« Elohim» dia milaza ilay Andriamanitra namorona symitàna izao tontolo izao. « Elyon» dia midika ho« Andriamanitra ankalazaina ». « El Shaddaï » diaAndriamanitra Tsitoha, ambonin’ny fahefana rehetra,

11

1. Asa 2. ‡Ú • 2. Eksodosy 20. ¬

2. Ny anaran’ny Ray

Ireo anaran’Andriamanitra

Any amin’ny tany tandrefana, mazàna ny antonyifidianan’ny ray aman-dreny ny anaran-janany diasatria tiany io anarana io. Fa ao amin’ny Baiboly kosa,toy ny mbola fanao ihany any an-tany hafa, ny ana -rana dia nomena araka ny dikany. Ohatra, «Abra -hama» dia midika hoe « rain’ny maro ». Ny anaran’iJakoba («Mpamingana») dia nosoloin’Andriamanitrahoe « Isiraely » («Mpitolona amin’Andriamanitra »).« Samoela » dia midika hoe «Nohenoin’Andriamani -tra », sns. Ny anarana dia nanambara zavatra mombailay olona na ny iraka nampanaovina azy.

Toy izany koa, ny anarana nanehoan’Andriama nitrany tenany ao amin’ny Baiboly dia misy dikany avokoa,manambara ny maha Izy Azy. Niseho tamin’ny ana -rana samihafa Andriamanitra nandritra ny tantaran’ny zanak’olombelona. Ny ambony indrindra amin’izany fanambaràna izany dia ilay anarana nampaha -fantaran’i Jesoa antsika, mbola tsy nisy nahita.

Eo amin’ny fifaneraseran’ny olombelona, dia misylanjany mandrakariva ny fampahafantarana nyanaran’ny tena amin’ny olona iray. Midika izany famanambara ilay teny azo amantarana ahy syifandraisana amiko aho. Midika izany fa omekoalàlana hahafantatra ahy io olona io raha mifanenaamiko indray. Ny anarana, izany, dia anisan’ny maha

10

Page 6: Mise en page 1 - nybaiboly.net · izao : « Jehovah Andriamanitrao », mba hampaha-tsiahivana ny vahoakany ny fanafahana azy, ny 12 3. Ny fanoratana ara-bakiteny io teny hebreo io

13

6. Isaky ny voatanisa ao amin’ny Testamenta Vaovao nyandininy iray amin’ny Testamenta Taloha, dia adika hoeKurios ny anarana hoe Yahweh sy Adonaï.

fahatokiany, ny fanekeny, ny fandraisany azy ireo syny tokony hankasitrahan’izy ireo Azy. Io anarana io notokony ho nijoroan’i Isiraely ho vavolombelonananoloana ireo jentilisa.

Farany, hitantsika koa ny anarana hoe «Adon» na«Adonaï », izay manambara an’Andriamanitra amin’nytoetra maha Tompo Azy, Ilay ambonin’ny zavatrarehetra, mendrika ny fiderana rehetra sy ny fanoa -vana tsy misy fepetra. Ireo anarana roa hoe «Yahweh»sy «Adonaï » dia matetika atambatra amin’ny fiantsohoe « Jehovah Andriamanitra », izay hita sahady aoamin’ny Genesisy 2. 4, « Jehovah Tompo» ao amin’nyGenesisy 15. 2, sns.

Ireo anaran’Andriamanitra ao amin’nyTestamenta VaovaoHita ao amin’ny Testamenta Vaovao ny anarana hoe« Théos » (Andriamanitra), izay nandikana ny tenyhebreo hoe « Elohim» ; ary matetika izy dia ampia -rahina amin’ny mpamaritra milaza tompo (Andriama -nitro, Andriamanitsika, Andriamanitrareo). Andriama -nitra dia Andriamanitry ny zanany tsirairay avy. Nyanarana iray hafa ampiasaina ilazàna an’Andriama -nitra dia ny hoe Tompo («Kurios ») izay nandikana nyteny hebreo hoe «Yahweh» sy «Adonaï »6. Tsy ilazana

izay miditra amin’ny fiainan’ny olony, mikarakara azyireo, manome azy izay ilainy.

Avy eo Andriamanitra dia nanambara ny tenanytamin’ny olony ho Jehovah (Yahweh)3. Amin’ioanarana io Andriamanitra dia mampahafantatra nytenany ho Izaho Izay Izy4, Izaho Izay manatrikaetoana, Izaho Izay velona. Io anarana io no nisehoan’Andriamanitra tamin’i Mosesy teo amin’ilay roimemynirehitra : « Izaho, Izay Izy hatrizay hatrizay ka homandrakizay »5. Nony naniraka an’i Mosesy Andria -manitra, dia niseho taminy ho toy ilay Andriamanitraho eo akaikiny mandrakariva hanafaka ny vahoakanysy hitondra azy any amin’ilay tany efa nampanan -tenaina. Amin’io anarana hoe Jehovah io, noanambaràn’Andriamanitra fa tsy miova ny zavatranokasainy, fa tanterahiny izay fanapahan-kevitranoraisiny, ary tontosainy ny teny fampanantenananataony. Io anarana io no nanaovany fanekena tamin’ny vahoakany tetỳ an-tany, dia Isiraely. Matetika isikano mamaky ao amin’ny Testamenta Taloha izao tenyizao : « Jehovah Andriamanitrao », mba hampaha -tsiahivana ny vahoakany ny fanafa hana azy, ny

12

3. Ny fanoratana ara-bakiteny io teny hebreo io dia sarotratokoa. Izany no anoratana hoe Jehovah. • 4. Amin’ny tenyhebreo, ny matoanteny hoe « misy » dia mifono ny hevitra hoe« hetsika ». Ohatra, ao amin’ny bokin’ny mpaminany, rahavoasoratra ara-bakiteny hoe « ny tenin’i Jehovah dia nolazainaan’i… », azo adika toy izao izany : « ny tenin’i Jehovah dia tongatamin’i… ». • 5. Eksodosy 3. 14

Page 7: Mise en page 1 - nybaiboly.net · izao : « Jehovah Andriamanitrao », mba hampaha-tsiahivana ny vahoakany ny fanafahana azy, ny 12 3. Ny fanoratana ara-bakiteny io teny hebreo io

kanavaka, dia miankina amin’Andriamanitra raha nymomba ny fiaviantsika sy ny fiainantsika. Izy nonahary izany ary Izy no mitana izany. Noho izany,Andriamanitra irery ihany no Ray amin’ny dikanyfeno tanteraka. Avy amin’ny Ray no ahazoan’ny maharay hafa rehetra (na fianakaviana) anarana, ary avyAminy koa no isiany. Izy no tokony homena ny haja syny voninahitra rehetra9.

«Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezanatanteraka rehetra dia avy any ambony ka midina avyamin’ny Rain’ny fanazavana »10. Ny fanekena faAndriamanitra no Ray dia midika fahatsapana koa faavy Aminy izay rehetra ananantsika. Izy no Rayambonin’ny zavatra rehetra11. Tsy misy afaka amin’nyfifehezany. Tsy misy tsintsina iray ho latsaka amin’nytany raha tsy avelan’ny Rainareo, hoy Jesoa amin -tsika12. Noho izany, dia raisintsika avy Aminy daholony zavatra rehetra, na ny soa na ny ratsy13. Ry kris -tiana, aoka isika tsy hety horahonana na hampi -tahorin’ny zava-mitranga, fa kosa ho tony, matokyAzy.

15

9. Nomarihina matetika fa vitsy ao amin’ny TestamentaTaloha, ireo andininy maneho an’Andriamanitra ho toy nyRay. Nilaina talohan’izany ilay fanehoana lehibe tao amin’nyTestamenta Taloha, hoe Andriamanitra no Mpahary. Vavo -lombelon’ny heriny tsy misy fetra sy ny maha AndriamanitraAzy ny fisian’izao tontolo izao, fa tsy vavolombelon’ny mahaRay Azy. • 10. Jakoba 1. Ú¬ • 11. Efesiana 4. Ì • 12. Matio 10. ‡∞ •13. Joba 2. Ú†

an’Andriamanitra Ray ihany no ampiasàna ny hoe« Tompo», fa matetika indrindra ilazàna ny TompoJesoa, ary indray mandeha aza, ilazàna ny Fanahy7.Ny Tompo dia ilay Andriamanitra manana fahefanaamin’ny zavatra rehetra, amin’ny olombelona rehetra,ka anisan’ireo ny vahoakany, ary amin’ny tsirairayamin’ny mino8 tsirairay.

Ny mampiavaka ny Testamenta Vaovao, dia nyfanambaràn’Andriamanitra ny tenany ho Ray.

Andriamanitra dia Ray

«Andriamanitra (dia) iray ihany, dia ny Ray, izayniavian’ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika ; aryiray ihany ny Tompo, dia Jesoa Kristy, izaynahariana ny zavatra rehetra sady naharianaantsika koa » (1 Korintiana 8. Ì).

«Ary noho izany no andohalihako amin’ny Ray,izay ahazoan’ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany anarana»(Efesiana 3. Ú∂-Úƒ).

Inona no tiana hambara rehefa milaza fa Andria -manitra dia Ray? Efa fahatsapana sahady izany fa avyAminy ny zavatra rehetra. Isika rehetra tsy an-

14

7. Ilazana ny Ray (Asa 4. ‡∞), ilazana ny Zanaka (Filipiana 2. ÚÚ),ilazana ny Fanahy Masina (2 Korintiana 3. Ú¬). • 8. 1 Korintiana12. Ò

Page 8: Mise en page 1 - nybaiboly.net · izao : « Jehovah Andriamanitrao », mba hampaha-tsiahivana ny vahoakany ny fanafahana azy, ny 12 3. Ny fanoratana ara-bakiteny io teny hebreo io

Rain’ilay Zanakalahy Tokana

« (Ianareo) izay mino ny anaran’nyZanak’Andriamanitra » (1 Jaona 5. ÚÒ).

Fa mbola lalina lavitra kokoa ny maha Ray an’Andria -manitra. Izy no Ray manontolo eo anivon’ny mahaAndriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika17.Jesoa Tompo no Zanakalahy Tokan’Andriamanitra,amin’ny maha Andriamanitra hatrizay ka ho mandra -kizay Azy. Tsy tonga Zanak’Andriamanitra Izy, faZanak’Andriamanitra, hatrizay ka ho mandrakizay,« Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran’ny Ray »18.« Zanaky ny Ray »19.

Ny nanomezany ny Zananilahy Tokana indrindra nomaneho ny haben’ny fitiavan’Andriamanitra. Jesoa noIlay Zanakalahy hatrizay, raha nanome Azy sy nani -raka Azy Andriamanitra. Ny hazofijaliana no marikafara tampony amin’io fanomezana io. « Toy izao nonitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny nyZananilahy Tokana…», « Izay tsy niaro ny Zananilahy,fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy…»20.

Mba hanatanterahany ny asam-panavotana tamin’ny nahafatesany, dia tonga olona ny Zanaka, diaKristy Jesoa olona. Fomba mahatalanjona no namoro -nana Azy, noho ny herin’ny Fanahy Masina tao an-

17

17. Kolosiana 1. Ò • 18. Jaona 1. Úµ. Jereo koa Jaona 17. ‡∂ • 19. 2Jaona Ò • 20. Jaona 3. ÚÌ ; Romana 8. Ò‡

Jehovah ô, Ianao no Rainay

« Fa ankehitriny, Jehovah ô, Rainay Ianao ; izahaydia tanimanga, ary Ianao no mpanefy anay, aryasan’ny tànanao izahay rehetra » (Isaia 64. ¬).

« Tsy mpiombon-dray va isika rehetra? TsyAndriamanitra iray ihany va no nahary antsika? »(Malakia 2. Ú†).

Amin’ny andininy sasany, dia antsoina hoe Rain’nyfirenena Isiraely Andriamanitra. Io anarana hoe Ray iodia mifamatotra amin’ny hoe Mpamonjy. Andriama -nitra mantsy no nanafaka an’i Isiraely tamin’nyfanandevozana tany Egypta. Izy no nanorina io fire -nena io ary nanao fanekena taminy. « Tsy Izy va noRainao, Izay nanavotra anao? Tsy Izy va no nanao anaosy nanorina anao?» « Jehovah ô, Ianao no Rainay, aryMpanavotra anay no anaranao hatrizay hatrizay»14.

Ny tena mampihetsi-po antsika kristiana, dia satriaio fanambaràna an’i Isiraely ho zanak’Andriamanitra15

io dia milaza mialoha an’i Kristy. Ilay tenin’ny mpami -nany Hosea momba an’i Isiraely, manao hoe : « Tiakoizy, ary nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako », dianaverin’i Matio raha niresaka ny Tompo Jesoa izy16.

16

14. Deoteronomia 32. Ì ; Isaia 63. ÚÌ • 15. Eksodosy 4. ‡Ò • 16.Hosea 11. Ú ; Matio 2. Úƒ

Page 9: Mise en page 1 - nybaiboly.net · izao : « Jehovah Andriamanitrao », mba hampaha-tsiahivana ny vahoakany ny fanafahana azy, ny 12 3. Ny fanoratana ara-bakiteny io teny hebreo io

Andriamanitra dia Rain’ireo rehetra mino nyTompo Jesoa

« Fa izay rehetra nandray Azy (Jesoa) dia nomenyhery ho tonga zanak’Andriamanitra… dia ireoizay… naterak’Andriamanitra » (Jaona 1. Ú‡-ÚÒ).

«Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i JesoaKristy Tompontsika, Izay nitahy antsika… arakany nifidianany antsika tao aminy (tao amin’iKristy), fony tsy mbola ary ny fanorenan’izaotontolo izao… rehefa notendreny rahateo… isikamba ho Azy amin’ny fananganana anaka amin’nyalalan’i Jesoa Kristy, araka izay ankasitrahin’nyfony, ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany,izay nanasoavana antsika maimaimpoana aoamin’ny Malala » (Efesiana 1. Ò-Ì).

Tsy afaka nanambara ny tenany ho toy ny Ray, amin’nyhafenoany manontolo, Andriamanitra, talohan’nynahatongavan’ny Zananilahy Tokana. Fa ankehitrinykosa, dia ambarany ny tenany ho an’ireo rehetra minony Tompo Jesoa. Rain’izy ireo Andriamanitra, ary mifa -matotra akaiky aminy mihitsy. Fifandraisana manokanasy toy ny fifandraisan’ny ray sy zanaka no ifandrai -san’izy ireo, ary fifandraisana tsy fantatr’ireo mpinotamin’ny Testamenta Taloha izany. Ao amin’ny tanta -ran’ny fiainany no ilazan’i Bilquis Sheikh fa, talohan’nyniovany fo, dia hitany fa toa ataon’ny kristiana fa azy

19

kibona virijiny, ary noho izany no iantsoana Azy koahoe «Zanak’Andriamanitra »21.

Ny hevitra ny Zanaka dia tsy midika mihitsy akoryhoe ambany Izy. Rehefa miteny i Jesoa hoe : « Fa nyRay dia lehibe noho Izaho»22, dia miresaka momba nyfanetrentenany Izy, ny maha mpanompo Azy, nynifidianany ny hahantra23, fa tsy fahambaniana ara-boa-janahary tsy akory. Voasoratra hoe : «mba hana -jan’ny olona rehetra ny Zanaka, tahaka ny fanajànyny Ray »24. Voatsipika imbetsaka ao amin’ny SoratraMasina io halehiben’ny Zanaka io, ohatra amin’nyfanambaràna hoe tsy nianatra nankatò Jesoa satriaZanaka, fa kosa na dia Zanaka aza25. «Nianatra fana -rahana tamin’izay fahoriana nentiny Izy » ; nandia nytoetran’ny olona mpankatò Izy, miaraka amin’izayrehetra miantraika Aminy noho ny fanatanterahanyizany fankatoavana izany, dia fankatoavana «hatra -min’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’nyhazofijaliana »26.

Ao amin’ny epistily ho an’ny Hebreo, dia anaram-boninahitra io anarana hoe Zanaka io : anarana fan -kasitrahan’ny Ray an’Ilay nandavorary ny asa nasain’ny Ray nataony tamin’ny naha olona Azy tetỳ an-tany. Ny fipetrahany ankehitriny eo an-tanan-kava -nan’ny Ray dia fanehoana amin’izao tontolo izao fatanteraka Izy ary tanteraka ny asany.

18

21. Lioka 1. Òƒ • 22. Jaona 14. ‡µ • 23. 2 Korintiana 8. ∞ • 24. Jaona5. ‡Ò • 25. Hebreo 5. µ • 26. Filipiana 2. µ

Page 10: Mise en page 1 - nybaiboly.net · izao : « Jehovah Andriamanitrao », mba hampaha-tsiahivana ny vahoakany ny fanafahana azy, ny 12 3. Ny fanoratana ara-bakiteny io teny hebreo io

20

27. Jaona 8. Ú∞, ∂‡ ; 15. ‡Ò • 28. Jaona 14. Ì • 29. 1 Jaona 2. ‡Ò

Hevitra miezinezina tokoa ny hoe tsy afaka hananaan’Andriamanitra ho Ray, raha tsy mino ny Zanaka. Fany mampionona, dia ny fieritreretana fa izay mino nyTompo Jesoa, na dia marefo dia marefo aza izanyfinoany izany, dia afaka misaotra noho io zavatra bevoninahitra io, hoe Andriamanitra no Rainy. «Nano -ratra taminareo ankizy madinika aho satria efamahalala ny Ray ianareo »30.

Satria teraka avy amin’Andriamanitra isika, nohony finoana an’i Jesoa Kristy, noho ny finoana ilayfahafatesany anonerana ny fahotantsika sy ny fitsan -ganany tamin’ny maty. Fahateraham-baovao31 izany,fahaterahana ara-panahy. Omen’Andriamanitra fiai -nam-baovao isika, amin’ny alalan’ny Fanahiny. Tongazanak’Andriamanitra ny mpino, satria teraka avyAminy. Tonga mpiray amin’ny fomban’Andria manitraizy32.

Miaraka amin’ny fahateraham-baovao, dia mbolamisy koa ny fananganana anaka. Isika izay mino nyTompo Jesoa dia nalain’Andriamanitra avy teo amin’ny toeram-pahaverezana nisy antsika, mba hatsan -gany ho Azy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Mpanotaisika, tsy mendrika, nefa dia nakarin’Andriamanitra hotoy ny zanany. Mandray antsika araka ny sitrapony

21

30. 1 Jaona 2. ÚÒ • 31. Jaona 1. Ú‡, ÚÒ • 32. 2 Petera 1. ∂. Ny firaisanaamin’ny fomban’Andriamanitra dia tsy midika akory hoe lasaandriamanitra. Izay ao amin’i Kristy dia efa lasa olom-baovao(2 Korintiana 5. Ú¬).

manokana Andriamanitra. Hoy ilay namany kristiananilazany izany: «Tsy misy afa-tsy fomba iray ihany noahafantarana hoe nahoana no toy izany no fandrai -sanay Azy. Aoka ianao mihitsy no hianatra hahalalaan’Andriamanitra, na dia hitanao fa hafahafa azaizany. Ahoana ianao raha mivavaka amin’ilay Andria -manitra tadiavinao? Angataho Izy hanambara nytenany. Miresaha Aminy toy ny hiresahanao amin’nynamanao». Gina tsy nahateny i Bilquis, ka dia nam -piany hoe: «Miresaha Aminy, toy ny hoe Rainao Izy».« Io teny io no nahakasika ny fanahiko, hoy i BilquisSheikh, toy ny fahamarinana izay sady mitondra fam -paherezana no mahagaga».

Ny fahalalana an’Andriamanitra toy izany dia mifa -matotra mivantana amin’ny finoana ny Tompo Jesoa.«Raha nahalala Ahy ianareo, dia ho nahalala ny Raikokoa », hoy i Jesoa tamin’ireo Jiosy tsy nety nino. Arynampiany koa hoe : «Raha Andriamanitra no Raina -reo, dia ho tia Ahy ianareo ». Hoy koa Izy tamin’ ireompianany : « Izay mankahala Ahy, dia mankahala nyRaiko koa »27.

Ny finoana ny Zanak’Andriamanitra no tena zava-dehibe. « Tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako », hoy i Jesoa28. Ary koa : « Izayrehetra mandà ny Zanaka no tsy manana ny Ray koa ;izay manaiky ny Zanaka no manana ny Ray koa »29.

Page 11: Mise en page 1 - nybaiboly.net · izao : « Jehovah Andriamanitrao », mba hampaha-tsiahivana ny vahoakany ny fanafahana azy, ny 12 3. Ny fanoratana ara-bakiteny io teny hebreo io

anao. Ampidininy ho ao am-pontsika ny fitiavan’Andriamanitra33, sy ny hafaliana satria Azy isika34.

« Fa izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra nozanak’Andriamanitra »35. Mahaliana tokoa ny mahitafa ampifamatoran’ny Soratra Masina ny hoe tarihin’ny Fanahy sy ny hoe zanak’Andriamanitra. Hisitrakaan’io fifandraisana amin’ny maha zanak’Andriamani -tra io isika, ary haka ny toerana maha zanakalahy syzanakavavy antsika, raha toa manaiky hotarihin’nyFanahy Masina. Tsy mitsahatra ny mitondra antsikaany amin’i Kristy, Ilay Tompontsika, Izy, mba ho voni -nahitry ny Ray irery ihany, ary Izy no ipoiran’ny faha -fahana hanatonana ny Ray, mba hivavahana Aminy syhilazana hoe : «Aba, Ray ô » (Ray tia anay). Io anaranaatao hoe Ray izay tononintsika eo imason’Andria -manitra io dia tena hiakan’ny Fanahy.

Andriamanitra sady Rain’i Jesoa KristyTompontsika

«Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i JesoaKristy Tompontsika » (Efesiana 1. Ò ; 1 Petera 1. Ò).

«Misaotra an’Andriamanitra, Rain’i Jesoa KristyTompontsika, izahay » (Kolosiana 1. Ò).

Matetika no ahitantsika izao teny izao, amin’ireoasasoratry ny apostoly : «Andriamanitra, Rain’i Jesoa

23

33. Romana 5. ƒ • 34. 1 Tesaloniana 1. Ì • 35. Romana 8. Ò∂

Andriamanitra. Ataony am-pifaliana tanteraka izany,toy ny nahafaly Azy nandray ilay Malala tamin’nyvoninahitra, satria nankasitrahina ao Aminy isika.

Nitady zanaka miray amin’ny Zanaka ny fonao,Koa natsanganao izahay, ry Ray be fitia,Ny fiainanay dia mifamatotra amin’Ilay tianao,Amin’i Jesoa any an-danitra, ilay olonanatsangana tamin’ny maty.

(Pierre Diedrichs)

Ny Fanahin’ny fananganana anaka

« Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana hoamin’ny tahotra indray ianareo, fa nandray nyfanahin’ny zanaka natsangana, izayiantsoantsika hoe : Aba, Ray ô. Ny Fanahy diamiara-milaza amin’ny fanahintsika fazanak’Andriamanitra isika » (Romana 8. Úƒ-ÚÌ).

Ny Fanahy Masina no manorina io fifandraisana vao -vao amin’ny Ray io. Izy no Fanahin’ny zanaka natsan -gana. Rehefa nateraka indray isika, dia tonga moninaao anatintsika Izy, ary mahatonga antsika hahatsapafa fifandraisan’ny zanaka amin’ny Ray no iainantsika.«Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika ».Nampiorim-paka ao an-tsaintsika ny fahazoanaantoka Izy, fahazoana antoka ny fitiavan’Andriama -nitra antsika sy ny famindram-pony, ho ahy sy ho

22

Page 12: Mise en page 1 - nybaiboly.net · izao : « Jehovah Andriamanitrao », mba hampaha-tsiahivana ny vahoakany ny fanafahana azy, ny 12 3. Ny fanoratana ara-bakiteny io teny hebreo io

ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitra -reo39. Raha manome voninahitra ny olony Izy, diamisy kosa voninahitra izay Azy manokana, izay hohitan’izy ireo40. Tandrovin’ny Soratra Masina tsara nymaha lohany Azy.

Ireo zavatra nokasain’Andriamanitra homena nyzanany dia mifamatotra akaiky amin’ny ho an’nyZanany. Te hanana fianakaviana zanaka mitovy toetraamin’ilay Malalany Andriamanitra. Tiany izy ireo mba«hitovy endrika amin’ny Zanany, mba ho Lahimatoaamin’ny rahalahy maro Izy »41. Izany no vokatra tante -raka entin’ny asan’i Kristy.

Ho tanteraka io vokatra io rehefa hovàna ny vatan -tsika ka hitovy endrika amin’ny an’i Kristy42. « Fanta -tsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa hohitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa »43. Nefatokony hiandry io andro io ve isika vao hitovy Aminy?Tsia ! Ny andrasan’Andriamanitra amin’ny zanany, diany hanehoan’izy ireo dieny izao ny toetran’ilay fiai -nam-baovao efa noraisiny, ilay fiainana namirapiratratao amin’i Kristy, ilay olona tanteraka44.

25

39. Jaona 20. Ú¬ • 40. Jaona 17. ‡‡, ‡∂ • 41. Romana 8. ‡∞ • 42.Filipiana 3. ‡Ú • 43. 1 Jaona 3. ‡ • 44. Jereo 1 Jaona 2.Ì ; 2Korintiana 3. Úµ

Kristy Tompontsika »36. Izany no fomba anehoan’Andriamanitra ny tenany ankehitriny. Tsy miresakaamin’Andriamanitra toy ny tamin’i Jehovah (Yahweh)intsony ny kristiana37. Mahalala Azy izy ary manatonaAzy toy ny manatona Ilay Andriamanitra sady Rain’iJesoa Kristy Tompontsika. Io no loharanon’ny fita -hiana rehetra mirotsaka amintsika.

Ny filazana hoe Andriamanitra dia « Ilay Andriama -nitra sady Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika », diamidika fa Jesoa dia Zanak’Andriamanitra, nefa tsy izayihany, fa ho antsika mpino, dia toy ny fandraisany an’iJesoa ny fandraisany antsika : Izy no Rainy sy Andria -maniny. Miray amin’i Kristy isika, ary izany firaisan -tsika Aminy izany no mahatonga antsika hananafifandraisana amin’Andriamanitra toy ny zanaka. Nympino dia zanaka malala, satria ny Tompo Jesoa diaIlay Zanaka malalan’ny Ray. Tiana toy ny itiavana an’iJesoa izy ireo38.

Isika izay mino ny Tompo Jesoa dia efa tongazanak’Andriamanitra. I Jesoa dia tsy tonga Zanaka, faefa ilay Zanakalahy Tokana. Ny maraina nitsangananytamin’ny maty, dia hoy Izy tamin’i Maria : Mandehanamankany amin’ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe :Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho,

24

36. Efesiana 1. Ò ; 2 Korintiana 1. Ò ; 1 Petera 1. Ò ; Romana 15. Ì ;Kolosiana 1. Ò ; 2 Korintiana 11. ÒÚ • 37. Jehovah no anarananentiny nifandray tamin’ny vahoakany tetỳ an-tany. • 38.Efesiana 5. Ú ; Jaona 17. ‡Ò

Page 13: Mise en page 1 - nybaiboly.net · izao : « Jehovah Andriamanitrao », mba hampaha-tsiahivana ny vahoakany ny fanafahana azy, ny 12 3. Ny fanoratana ara-bakiteny io teny hebreo io

3. Jesoa no manambara ny Ray

«Nasehoko tamin’ny olona izay nomenao Ahy avytamin’izao tontolo izao ny anaranao ; Anao irenyka nomenao Ahy ; ary notandremany ny teninao»(Jaona 17. Ì).

Araka ny efa hitantsika, dia i Jesoa no hany làlanatokana mankany amin’ny Ray. Marina izany mbahahatongavana ho zanak’Andriamanitra. Fa marinakoa izany mandritra ny fiainantsika manontolo, amin’ny maha kristiana antsika. Arakaraka ny anakaike -zantsika an’i Jesoa, no maha akaiky antsika koa nyRay.

Fanambaràna miandàlana

Vao nanomboka ny asany ny Tompo Jesoa dia nanam -bara ny Ray45. Tsy vitan’ny hoe nanambara ny tenanyho ilay Zanak’Andriamanitra Izy, Ilay irany, fa nampi -fandraisiny tamin’Andriamanitra koa ireo mpiananymba handray an’Andriamanitra ho toy ny Rain’izy ireokoa. Vao nanomboka Izy dia efa «nampahafantatratamin’ny mpianatra fa ny Rainy dia Rain’izy ireo koa.Nambarany azy ireo ny anaran’ny Ray, mba haha -zoan’izy ireo mifandray Aminy, sy hitondrany tenaaraka ny maha Izy Azy ».

27

45. Matio (toko faha-5 hatramin’ny faha-7)

Ny hitovy aminao, Jesoa, no tena fanantenàko,Misaina, miasa, mitia bebe kokoa hatrany toaanao.Ny hitovy aminao, Jesoa, no tena fanantenàkoAmin’ny alalan’ny Fanahinao, amboary hitovyaminao aho.

Ianao, ry Tompo Jesoa, dia tonga olona tetỳ an-tanySy mpanompo nanetry tena ho an’ireo vahoakananodidina Anao.Tonga ianao, ry Jesoa Tompo, nanomevoninahitra ny RayNataonao ny sitrapony, hatramin’ny hazofijalianaaza.

(J. Gowans ; S. Jaccard)

26

Page 14: Mise en page 1 - nybaiboly.net · izao : « Jehovah Andriamanitrao », mba hampaha-tsiahivana ny vahoakany ny fanafahana azy, ny 12 3. Ny fanoratana ara-bakiteny io teny hebreo io

amin’ny Ray izy ireo. Tsy mila hilaza ireo fangatahanyamin’ny Tompo intsony izy ireo, mba hisoloan’nyTompo vava azy any amin’ny Ray, fa hiresaka mivan -tana amin’ny Ray, ao anatin’ny fahafahana tanteraka.« Fa ny Ray dia tia anareo…»49.

Io fanambaràn’ny Zanaka ny Ray miandàlana io diamahakasika koa ilay zava-misy hoe miorina amin’nynahafatesan’i Kristy sy ny nitsanganany tamin’nymaty ny fifandraisantsika amin’ny Ray. Koa, vaonitsangana tamin’ny maty Izy, ny hafatra voalohanynasainy nentin’i Maria Magdalena ho an’ny mpia -natra dia ny hoe : «Miakatra ho any amin’ny Raiko syny Rainareo Aho, ary ho any amin’Andriamanitro syAndriamanitrareo »50. «Hafatra feno fitahiana tsy haylazaina izany ; toy ny milaza azy ireo hoe : miara-mizara amiko ny fitiavana omeny Ahy ianareo, ary nynitsanganako tamin’ny maty no porofon’izany fitia -vana izany ; manomboka izao ka ho mandrakizay, diamifandray amin’Andriamanitra izay Ray io ianareo,miditra amina sehatra vaovao feno fahalalahana tan -teraka, tsy misy atahorana, mifandray akaiky Aminy,satria izay no vokatry ny asako. Aza miahiahy mihitsymomba io Andriamanitra nanao zava-dehibe ho Ahyio. Ary ianareo koa, aoka hiaina ao anatin’ny herin’izany fitiavana izany » (J. Koechlin).

29

49. Jaona 16. ‡¬ • 50. Jaona 20. Ú¬

Niandàlana io fanambaràn’ny Zanaka ny Ray io.Hita izany, ohatra, tamin’ny vao niantombohan’nyasan’ny Tompo Jesoa, tamin’ny nanambaràny an’Andriamanitra hoe « ilay Rainareo Izay any an-danitra » sy « ilay Rainareo any an-danitra »46. Tsy hitaany amin’ny Asa na any amin’ny epistily intsony izanyfomba fiteny izany47. Mbola mametraka elanelanaireo fomba fiteny ireo, ary tsy tena mifanaraka amin’ny toerana misy ny kristiana, araka ny nanambarànaazy tatỳ aoriana.

Ary amin’ireo teny farany nataon’i Jesoa, araka nyitantaran’ny filazantsaran’i Jaona azy ao amin’ny tokofaha-13 hatramin’ny toko faha-17, no ampidiran’nyTompo antsika ho ao amin’ny zava-miafina indrindramomba ny Ray. (Ireo teniny farany ireo dia mahaka -sika ny fotoana aorian’ny hazofijaliana, raha ny lafinyara-moraly no jerena48.) Hatramin’izay ny TompoJesoa dia mpanelanelana eo amin’ny mpianatra sy nyRay. Manomboka hatreo, dia hifandray mivantana

28

46. Matio 5. ÚÌ, ∂ƒ, ∂µ ; 6. Ú, ∞, Ú∂, ‡Ì, Ò‡ ; 7. ÚÚ… • 47. Ny fotoanananaovan’ny Tompo ny asany tetỳ an-tany dia fotoanamanelanelana ny vanim-potoanan’ny lalàna sy ny vanim-potoanan’ny Fiangonana. Ny fanambaràna tanteraka nyfivavahana kristiana dia miorina amin’ny nahafatesan’i Kristysy ny nitsanganany tamin’ny maty, ny nandratana Azy am-boninahitra, ary ny fahatongavan’ny Fanahy Masina etỳ an-tany. Ny Tompo mihitsy no efa nampitandrina ny mpiananyhoe mbola be ireo zavatra tokony holazainy azy ireo, saingymbola tsy tantiny (jereo Jaona 16. 12). • 48. Jaona 13. ÒÚ ; 17. ∂

Page 15: Mise en page 1 - nybaiboly.net · izao : « Jehovah Andriamanitrao », mba hampaha-tsiahivana ny vahoakany ny fanafahana azy, ny 12 3. Ny fanoratana ara-bakiteny io teny hebreo io

ataon’ny Ray ; fa na inona na inona no ataon’ny Ray,dia toy izany koa no ataon’ny Zanaka. Fa ny Ray tiany Zanaka ka maneho Azy ny zavatra rehetra izayataon’ny tenany ». « Tsy Ahy ny fampianarako, fa an’Izay naniraka Ahy ». «Ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy nonandidy Ahy izay holazaiko sy izay hotoriko ». «Nyteny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko izanylazaiko izany ; fa ny Ray mitoetra ato amiko nomanao ny asa ». « Fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo,satria izay rehetra reko tamin’ny Raiko no nambarakotaminareo »54.

Amin’ny fahafatesany, ny fitsangananytamin’ny maty, ny fisandratany…

«Ary nony nandroso kelikely Izy (Jesoa), dianiankohoka tamin’ny tany ka nivavaka mbahialan’izany ora izany aminy, raha azo atao. Aryhoy Izy : Aba, Raiko ô, ny zavatra rehetra hainao ;esory amiko ity kapoaka ity ; nefa aoka tsy nysitrapoko anie no hatao, fa ny Anao»(Marka 14. Òƒ-ÒÌ).

Tamin’ny fotoana nandraisan’i Jesoa avy tamin’nytànan’ny Ray ny kapoaky ny fahatezerany mana -meloka ny ota55, no ahitantsika voalohany teo am-bavany, ny teny hoe : «Aba, Ray » (Ray tia). « Izany

31

54. Jaona 3. Ò∂ ; 5. Ú¬ ; 5. Ú∞-‡† ; 7. ÚÌ ; 12. ∂∞ ; 14. Ú† ; 15. Úƒ • 55. JereoIsaia 51. Ú¬

Amin’ny tenany, ny teniny ary ny asany

Nahoana moa i Jesoa no afaka manambara ny Ray?Voalohany aloha, satria Izy no Zanaka. Afaka miresakany tompony ny mpanompo, fa ny zanaka ihany noafaka miresaka ny rainy.

« Izaho sy ny Ray dia iray ihany »51, hoy koa i Jesoa.Fitovian-toetra io, fitovian-tsaina amin’ny zavatraatao sy ny fanambaràna ny zava-miafina. «Andria -manitra ao amin’i Kristy no nampihavana izao tontoloizao taminy »52. Hoy i Jesoa tamin’i Filipo : « Izaynahita Ahy dia nahita ny Ray… Tsy mino va ianao faIzaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato amiko? »53. «Nyfahatongavan’ny Zanaka teto amin’ity tany ity dia tsyfanambaràna ny Ray sy ny Zanaka ihany, fa raha nymarina, dia fanambaràna ny Ray ao amin’ny Zanaka…Ny fahasoavana, ny fitiavana, ny hery sy ny fahen -drena namirapiratra tamin’ny teny sy ny asan’nyTompo Jesoa dia maneho amintsika ny fon’ny Ray »(H. Smith).

Imbetsaka ny Tompo no manantitra fa ny lazainyrehetra dia tenin’ny Ray, ary ny asa ataony rehetra diaavy amin’ny Ray. « Fa Izay nirahin’Andriamanitra diamilaza ny teniny ». « Ny Raiko miasa mandrakaankehitriny, ary Izaho koa miasa ». « Lazaiko aminareomarina dia marina tokoa : Ny Zanaka tsy mahazomanao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany

30

51. Jaona 10. Ò† • 52. 2 Korintiana 5. Ú∞ • 53. Jaona 14. ∞-Ú† ; vakiokoa 17. ‡Ú

Page 16: Mise en page 1 - nybaiboly.net · izao : « Jehovah Andriamanitrao », mba hampaha-tsiahivana ny vahoakany ny fanafahana azy, ny 12 3. Ny fanoratana ara-bakiteny io teny hebreo io

Izy, ary teo no nanehoany, tamin’ny fomba tsymanam-paharoa, ny fahatanterahan’ny fitiavany syny maha olona tanteraka Azy » (J.N. Darby).

Natsangana tamin’ny maty tamin’ny voninahitryny Ray i Kristy (Romana 6. ∂)

Ny fitsanganany tamin’ny maty no nanambarafeno ny hajan’ny Zanak’Andriamanitra56. Io no porofofa Izy no Zanaka, io no mampamirapiratra ny vonina -hitra maha Andriamanitra Azy. Ary satria ny fitsan -ganan’i Jesoa tamin’ny maty no mampiseho nyvoninahitra maha Zanaka Azy, dia io koa no manehorahateo ny voninahitry ny Ray.

Ambonin’izany, mampiseho ny voninahiny amin’nymaha Ray Azy Andriamanitra, tamin’ny nametrahanyteo amin’ny seza fiandrianany an’i Jesoa izay nolavinasy nohomboana tetỳ an-tany. « Jesoa Kristy no Tompoho voninahitr’Andriamanitra Ray »57.

Ao aminao Zanaka no ahitanay ny RayNy anarany masina no nambaranaoNy fitiavany tsy misy mahasimbaNo niseho tanteraka tao amin’ny fitiavanao .

(J. Conder)

33

56. Romana 1. ∂ • 57. Filipiana 2. ÚÚ

teny izany dia manambara ny fifandraisana akaikyindrindra amin’ny fotoana toy izany. Ny hazofijaliana,ilay zavatra mampivarahontsana tsy azo nidifiana, diatsy nampametra-panontaniana momba io fisitrahanyny fitiavana io, na dia nesorina taminy aza izany teo.Ny mifanohitra amin’izany aza : rehefa avy nisotro nykapoaka Izy, dia mbola hahita fanehoana vaovao iofitiavan-dalina io. « Izany no itiavan’ny Ray Azy »…izany koa no itiavan’ireo olom-boavidiny Azy, Izy izaynitia azy ireo taloha ka nandia izany zavatra rehetraizany ho azy ireo » (J. Koechlin).

Tamin’ny niaretany ny hazofijaliana, dia «nanorinasy nanambara izay rehetra ao amin’Andriamanitra, diany voninahiny, i Jesoa. Andriamanitra dia marina,masina, mankahala ny ota ; Andriamanitra dia fitia -vana. Tsy misy ahazoana mampiaraka ireo toetrarehetra ireo raha tsy amin’ny alalan’ny hazofijaliana.Eo no manameloka ny ota ilay fitsarana marin’Andriamanitra, eo koa no mampihatra ilay fitiavanatsy manam-pahataperana amin’ny mpanota Andria -manitra. Tsy hay ambara araka ny maha Izy AzyAndriamanitra raha tsy amin’ny alalan’ny hazofija -liana. Asehon’io hazofijalian’i Jesoa io fa zavatra iraytsy mivaky ny fahamasinan’Andriamanitra, ny faha -marinany ary ny fitiavany. Manaraka izany, nyfankatoavana sy ny fitiavana ny Ray dia tanteraka taoamin’ny olona iray, dia Jesoa, Izay olona sy Kristy :nozahana toetra tanteraka tamin’ny zava-nitranga

32

Page 17: Mise en page 1 - nybaiboly.net · izao : « Jehovah Andriamanitrao », mba hampaha-tsiahivana ny vahoakany ny fanafahana azy, ny 12 3. Ny fanoratana ara-bakiteny io teny hebreo io

Ny fanambaràny an’Andriamanitra dia Andriamanitrabe famindrampo, Ray onena61.

Ny famindrampon’Andriamanitra62 dia mahakasikany olona rehetra. « Fa Izy mampiposaka ny masoan -drony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy arymampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy nytsy marina »63. Mampamirapiratra ny hatsarampa -nahiny Izy, Izy izay hany manana izany toetra izanyamin’ny maha Izy Azy. Tia ireo fahavalony Izy, arymanao soa azy ireo, Andriamanitry ny fiadanana sy nyfampihavanana Izy. Izy izay notsiratsiraintsika, dianampihavana antsika taminy tamin’ny nahafa -tesan’ny Zanany64.

Ny salamo dia efa nankalaza sahady io famin -drampo io, ary efa nambaran’ireo mpaminany izany.Mba hahazoantsika sombintsombiny momba izany,dia manome ny kisarisarin’ny fitiavan’ny ray nyzanany ny Baiboly65. I Zakaria dia miresaka ny «hale -hiben’ny famindrampon’Andriamanitsika ». Izany nofototra nanirahana ny Zanaka, sy nanomezanafiainam-baovao, omen’Andriamanitra an’izay mino66.

Andriamanitra no Rain’ny famindrampo, Andria -manitry ny fampiononana rehetra. Mianatra mahalala

35

61. Lioka 15. ‡† ; Matio 18. ‡¬ • 62.Ny atao hoe famindrampo diany fananana fo mora tohina amin’ny fahoriana sy fijalian’nysasany. Izany no mifanohitra amin’ny tsy firaharahiana sy nyhamafisampo. • 63. Matio 5. ∂ƒ • 64. Romana 5. Ú† • 65.Deoteronomia 1. ÒÚ • 66. Lioka 1. ¬µ ; 1 Petera 1. Ò

4. Ny tavan’ny Ray

«Ary ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nanambaraAhy. Tsy mba renareo ny feony, na hitanareoakory aza ny endriny » (Jaona 5. Ò¬).

Ao amin’ny Soratra Masina, dia kisarisary no entin’Andriamanitra matetika mampianatra antsika. Oha -tra, hita ao ny teny hoe « sandrin’Andriamanitra »,ilazana ny heriny. Resahina ny « tànany » anambarànany fidirany an-tsehatra ; ny «masony » itenenana fatanteraka ny fomba fitsaràny. Matetika koa noamakiantsika ny fiteny hoe «ny tavany » (na ny tare -hiny), ka manambara ny fankasitrahany izany, ary koany fanehoany ny tenany58.

Ny famindrampony

«Aoka ho mpamindra fo ianareo mba ho tahakany Rainareo, Mpamindra fo » (Lioka 6. ÒÌ).

Ny tarehy no manambara ny maha isika antsika.Inona no endriky ny Ray? Misy azontsika fantarinakely ihany avy amin’ny fitondrantenan’i Jesoa Tompotetỳ an-tany59. Impiry moa no nolazaina fa onenaIzy60!

34

58. Ohatra : Isaia 51. ∞ ; Deoteronomia 12. ‡ƒ ; Salamo 89. Úƒ ;Nomery 6. ‡ƒ ; Eksodosy 33. ‡† • 59. Jaona 14. ∞ • 60. Matio 9.ÒÌ ; 14. Ú∂ ; 15. Ò‡ ; 20. Ò∂ ; Marka 1. ∂Ú ; 6. Ò∂ ; 8. ‡ ; Lioka 7. ÚÒ

Page 18: Mise en page 1 - nybaiboly.net · izao : « Jehovah Andriamanitrao », mba hampaha-tsiahivana ny vahoakany ny fanafahana azy, ny 12 3. Ny fanoratana ara-bakiteny io teny hebreo io

mitondrà tena amin’ny fahatahorana mandritrany andron’ny fivahinianareo etỳ »(1 Petera 1. Úƒ-Ú¬).

Ao amin’ilay vavaka nataon’ny Tompo Jesoa tamin’nyRainy, izay voarakitra ao amin’ny Jaona 17, dia hoyIzy : «Ray masina ô, tehirizo ireo amin’ny anaranaoizay nomenao Ahy, mba ho iray ihany izy, tahaka nymahiray Antsika »70. Ny fahamasinana dia manambarany zava-miafina tsy hay lazaina momba Ilay Masina71.Ny fiteny hoe «Ray masina » dia manambara fa niniahanatona sy hiseho toy ny Ray Ilay Andriamanitra tsyhita maso. Io fanambaràny ny tenany io indrindra nomanamasina antsika. Mangataka i Jesoa mba hotehi -rizina amin’ny anarany isika, dia ny anaran’ny Ray, eoamin’ny toerana izay anomezana antsika ny fiainanamandrakizay amin’ny fahafenoany manontolo. Eo nomiombona amin’ny Ray sy ny Zanaka isika, ary aoamin’ny fifankatiavana.

Ny fahamasinan’Andriamanitra dia tena akaikin’nyvoninahiny. Ny haja, ny fitsaohana, ny tahotra diaomena ilay «Rain’ny voninahitra ». Mampahatsiahy nyfahadiovany tanteraka koa ny fahamasinan’Andria -manitra. Rehefa manoloana ilay Andriamanitramasina ny mino tsirairay, dia mahatsapa avy hatrany

37

70. Jaona 17. ÚÚ • 71. Izany no mahatonga ny fiantsoana an’Andriamanitra indraindray hoe Ilay Masina (Isaia 40. ‡ƒ ;Hosea 11. ∞)

izany toetrany izany isika rehefa ao anaty fahoriana.Ny famindrampony irery ihany koa no ahazoantsikamanompo Azy. Ary io famindrampon’Andriamanitraio koa no andrasantsika. Tsy ho ela dia hoentin’nyTompo Jesoa Kristy ao an-tranon’ny Ray ireo olom-boavidiny rehetra, amin’ny fidirany an-tsehatra amin-kery67.

Isika, izay zanak’Andriamanitra noho ny fahasoa -vana irery ihany, dia asaina mampihavana, mamindrafo ary mamela heloka68. Izany no fomba amaliantsikaity didin’ny Tompontsika ity : «Aoka ho tanterakaianareo toy ny fahatanterahan’ny Rainareo Izay anyan-danitra »69. Ary ao amin’ny filazantsaran’i Liokamifanindran-dàlana amin’io no amakiantsika hoe :«Aoka ho mpamindra fo ianareo mba ho tahaka nyRainareo, Mpamindra fo ». Ny fahatanterahan’Andria -manitra dia toy ny hoe ampifandraisina amin’nyfamindrampony.

Ny fahamasinany

« Fa araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo,dia aoka mba ho masina koa ianareo amin’nyfitondrantena rehetra, satria voasoratra hoe : ‘Homasina ianareo, satria masina Aho’. Ary raha Ilaytsy mizaha tavan’olona, fa mitsara araka nyasan’izy rehetra, no antsoinareo hoe Ray, dia

36

67. 2 Korintiana 1. 3 ; 4. 1 ; Joda 21 • 68. Matio 5. 9 ; 18. 21-35 ;Efesiana 4. 32 ; 5. 1 ; Romana 12. 17,21 • 69. Matio 5. 48

Page 19: Mise en page 1 - nybaiboly.net · izao : « Jehovah Andriamanitrao », mba hampaha-tsiahivana ny vahoakany ny fanafahana azy, ny 12 3. Ny fanoratana ara-bakiteny io teny hebreo io

Ny fitiavany

« Endrey ! manao ahoana ny fitiavana nasehon’nyRay ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoezanak’Andriamanitra » (1 Jaona 3. Ú).

Nomarihina matetika fa tsy voalaza hoe tia izaotontolo izao ny Ray. Tia ny voariny Andriamanitra, fany Ray kosa tia ny zanany. Ary — zava-miafina tsy haytakarina ! — ny Ray dia tia ny zanany tahaka ny itia -vany ny Zananilahy Tokana. Tsy ho sahy nilaza izanyisika raha tsy Izy Tompo mihitsy no nampaha fantatraizany tamintsika : « Ianao… efa tia azy tahaka nynitiavanao Ahy »76. Mandroaka ny tahotra ny fitia -vany. Raha nino ny Tompo Jesoa isika, dia foana nyfanahinahiana, tsy misy tahotra ny momba ny hoa -vintsika mandrakizay, satria ny Ray mihitsy no tiaantsika. Aoka isika hianatra hiantoraka tanteraka eoan-tratran’ny Ray amin’ny finoana, toy ny zazakely eoan-tratran-dreniny.

«Azo antoka fa ny fitiavan’ny Ray no zava-dehibeindrindra amin’ny fanambaràn’ny Baiboly. Mamira -piratra ho an’ny zanany izany fitiavana izany, ary izyireo irery ihany no afaka mahatsapa izany. Avyamin’Andriamanitra Izy tenany mihitsy ny toetran’izany fitiavana izany. Nitia antsika Andriamanitra, tsyhoe satria isika maha te ho tia, fa satria fitiavana Izy.

39

76. Jaona 17. ‡Ò

ny fahalotoany, ny toeram-pahaverezana misy azy72.Satria ny fahamasinan’Andriamanitra dia tsy maha -tanty izay mety ho faharatsiana73 rehetra. Marina fa,satria Andriamanitra masina, dia mankahala ny otaIzy, nefa, satria Izy masina, dia mamonjy ny mpanotaizay mino74 Izy. Omeny azy ny fiainana vaovao symasina75.

Nefa satria mbola ao anatintsika ihany ny lohara -non’ny fahotana, (izay antsoin’ny Baiboly hoe nynofo), dia ampirisihina isika hitady «ny fahama sinana,satria izay tsy manana izany, dia tsy hahita ny Tompona oviana na oviana ». Ny tiana hataontsika amin’izany, dia ny mitsara sy mamela izay rehetra ao amin’ny fiainantsika ka tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’nyRaintsika. Ny fahamasinantsika dia vokatry ny fifan -draisantsika amin’Andriamanitra. Antsoina isikahanamasina ny tenantsika, mba hifanaraka bebekokoa hatrany amin’ny maha zanaka antsika ny fiai -nantsika andavanandro. Tsy ny ezaka ataontsika noahatanterahantsika izany, fa ny fitokisantsika amin’nyfahasoavan’Andriamanitra sy ny herin’ny Fanahiny.Andriamanitra no manatontosa io asa fanamasinanaio ao anatintsika. Izany no votoatin’ny fifehezan’nyRay, araka ny mbola ho hitantsika aoriana.

38

72. Joba 34. Ú† ; Isaia 6. ƒ • 73. Habakoka 1. ÚÒ • 74. Isaia 5. ÚÌ ; 52.Ú† • 75. 1 Korintiana 1. Ò†

Page 20: Mise en page 1 - nybaiboly.net · izao : « Jehovah Andriamanitrao », mba hampaha-tsiahivana ny vahoakany ny fanafahana azy, ny 12 3. Ny fanoratana ara-bakiteny io teny hebreo io

Ny fahamarinany

« Fa efa tia Ahy Ianao, fony tsy mbola ary nyfanorenan’izao tontolo izao. Ray marina ô, tsynahalala Anao izao tontolo izao, fa Izahonahalala Anao, ary ireto efa mahalala fa Ianaono naniraka Ahy » (Jaona 17. ‡∂-‡ƒ).

Miaina ao anatin’ny tontolo izay matetika voamarikyny tsy fahamarinana sy ny faharatsiana isika. Tontolomifanohitra amin’ny Ray. Fa endrey kosa ny fiadananarehefa mahafantatra fa ilay Andriamanitsika diaAndriamanitra marina sy Mpamonjy80 ! Tafiditra aoamin’ny fahamarinany ny fahatokisany sy ny famin -drampony. Efa azon’i Davida tsara izany, ka nivavakaizy hoe : «Vonjeo amin’ny fahamarinanao aho»81. IPaoly dia nanoratra koa fa Andriamanitra dia«marina… sady hanamarina izay manana finoana an’iJesoa »82.

Miaraka amin’ny fahamasinan’Andriamanitra nyfahamarinany. Manamasina sy mampahery tokoa nymahalala fa ny Andriamanitsika dia Ray marina.Angamba isika indray andro tany, niharan’ny tsyfahamarinana. Azontsika atao ny manankin-tenaamin’Andriamanitra, toy ny nataon’ny Tompo Jesoa.«Raha notevatevaina Izy (ny Tompo Jesoa), dia tsymba nanevateva ; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa

41

80. Isaia 45. ‡Ú ; Jereo koa 1 Jaona 1. ∞ • 81. Salamo 31. Ú • 82.Romana 3. ‡Ì

Hitantsika ny maha sarobidy indrindra ny anaran’nyRay tamin’ny famirapiratana feno hamorampo taoamin’ny Zanany. Ao aminy no ianarantsika hahalalaizany hoe fitiavan’ny Ray izany. Izy no «ZanakalahyTokana eo an-tratran’ny Ray », « ny Zanaky nyfitiavany » » (W. J. Hocking).

«Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan’Andria -manitra antsika »77, hoy ny apostoly Jaona. Mety misyfotoana amin’ny fiainantsika, amin’ny maha kristianaantsika, izay ahatsapantsika be tokoa izany fitiavan’ny Ray izany, fa indraindray kosa, toa takona izany.Enga anie isika mba tsy ho azo hozongozonina amin’ireny ora maizina ireny, noho ny finoana, ary hatokyfa tsy miova ny fitiavan’Andriamanitra.

«Ny fitiavan’ny Zanaka ny Ray no anton’ny fanka -toavany ; ary ny mifanaraka amin’izany, ny fitiavan’nyRay ny Zanaka, no anton’ny fanomezam-boninahitraAzy ! Raha andininy iray ihany no mampiseho antsikany lafiny voalohany, dia ny Zanaka mitia ny Ray78,ahitantsika andininy fito kosa ao amin’io filazantsaraio manambara ny fitiavan’ny Ray ny Zanaka79. Toy nymanasa antsika koa hijery ny fitiavana omena antsika,fa tsy ny fihetseham-pontsika ho an’ny Tompo na nyRay. Nahazo izany lesona izany i Jaona, ilay nitononaho «mpianatra izay tian’i Jesoa » » (J. Koechlin).

40

77. 1 Jaona 4. ÚÌ • 78. Jaona 14. ÒÚ • 79. Jaona 3. Òƒ ; 5. ‡† ; 10. Ú¬ ;15. ∞ ; 17. ‡Ò, ‡∂, ‡Ì

Page 21: Mise en page 1 - nybaiboly.net · izao : « Jehovah Andriamanitrao », mba hampaha-tsiahivana ny vahoakany ny fanafahana azy, ny 12 3. Ny fanoratana ara-bakiteny io teny hebreo io

5. Ny fiahian’ny Ray ny zanany

« Izay tsy niaro ny Zananilahy, fa natolonyhamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsikamiaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatrarehetra? » (Romana 8. Ò‡).

Ny fanomezana lehibe indrindra natolotr’Andriama -nitra antsika dia ny Zanany malalany ; koa tsy hano -me antsika izay rehetra ilaintsika ve Izy ? Fantatry nyRay izay rehetra ilaintsika, ary hanome izany am-pitiavana, amin-kery sy amim-pahendrena Izy. Nymaha Izy Azy no mibaiko ny fikarakaràny ny zanany.Rehefa mianatra mahalala Azy isika, dia hianatra koahanavaka, hahita ilay tànam-pitiavany amin’izayzavatra diavintsika rehetra.

Ireo fikarakaràny

«Dia aza manahy ianareo ka manao hoe : Inonano hohaninay? na : Inona no hosotroinay? na :inona no hotafinay? Fa izany rehetra izany diakatsahin’ny jentilisa fatratra ; fa fantatry nyRainareo Izay any an-danitra fa tokony hoanareo izany rehetra izany. Fa katsaho aloha nyfanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy hoanareo izany rehetra izany. Ary amin’izany, diaaza manahy ny amin’ny ampitso ianareo ; fa ny

43

nanolotra ny adiny ho amin’ny Mpitsara marina »83. Fahevitra manamasina koa izany. Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra. Tsy maintsy ataontsika an-tsaina izany rehefa tsy maintsy mampiasa fahefanana mitsara isika.

Fantatsika koa fa hotsarain’Andriamanitra izaotontolo izao, amin’ny alàlan’ny Tompo Jesoa. « Fa nyRay aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dianomeny ny Zanaka, mba hanajan’ny olona rehetra nyZanaka, tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manajany Zanaka dia tsy manaja ny Ray, Izay naniraka Azy.Ary nomeny fahefana hitsara Izy, satria Zanak’olona »84.

42

83. 1 Petera 2. ‡Ò • 84. Jaona 5. ‡‡-‡Ò, ‡¬

Page 22: Mise en page 1 - nybaiboly.net · izao : « Jehovah Andriamanitrao », mba hampaha-tsiahivana ny vahoakany ny fanafahana azy, ny 12 3. Ny fanoratana ara-bakiteny io teny hebreo io

izany koa ny fisaritahan’i Marta88, izay be herehinatamin’ireo asa maro fanao andavanandro, ka nana -dino ny zavatra hany tena ilaina. Rehefa ireo zavatramanahirana ireo no ilomanosana, dia kely sisa nytoerana ho an’Andriamanitra.

Ampifanoherin’i Jesoa ny zavatra izay avy eto an-tany sy ny avy amin’ny fanjakan’Andriamanitra.Manohitra tanteraka ny fihevitry ny olombelona nyzavatra teneniny. Ny mitady an’Andriamanitra sy nyfanjakany no ilaina kokoa, manan-danja kokoa, maikakokoa, noho ny sakafo sy ny fitafiana. Raha ny fanja -kan’Andriamanitra no jerena, dia ambinambin-javatraihany ny fomba fiainana etỳ an-tany. Rehefa matokytanteraka isika fa mikarakara antsika Andria manitra,na amin’izao ankehitriny izao na ny momba ny hoavy,dia afaka amin’ny tebiteby sy ny fana hiana89, kamazoto amin’ny asan’ny Tompo.

Mifandimby ny apostoly manantitra ireo tenin’iJesoa tamin’ny mpianany ireo. «Aza manahy na inonana inona », « Fa Andriamanitro hahatanteraka izayrehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin’nyvoninahitra ». «Ny fanomezan-tsoa rehetra sy nyfanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony kamidina avy amin’ny Rain’ny fanazavana, Izay tsy misyfiovaovana na aloka avy amin’ny fihodinana ». «Ary

45

88. Lioka 10. ∂Ú • 89. 1 Petera 5. ¬

ampitso hanahy ny azy. Ampy ho amin’ny androny ratsy miseho ao aminy » (Matio 6. ÒÚ-Ò∂).

«Aza manahy », izany no averin’i Jesoa amin’ny mpia -nany — raha ny momba ny sakafony, ny fitafiany, naizay rehetra mety ho filàny. Mamahana ny vorona enyan-danitra ny Raintsika ary mandravaka ny voninkazoamin’ny hatsarana mahavariana. Koa raha ireny azafahanany sy ampitafiany, mainka fa isika85 !* Tsy misyzavatra kely loatra ka tsy hojeren’Andriamanitra. « Tsyvaridimiventy ihany va no vidin’ny tsintsina roa? —hoy ny Tompo manontany — nefa tsy misy na dia irayakory aza amin’ireny ho latsaka amin’ny tany, raha tsyavelan’ny Rainareo. Fa na dia ny volon-dohanareo azadia voaisa avokoa. Koa aza matahotra : mihoatra nohony tsintsina maro ianareo »86.

Tsy hoe atao tsirambina tsy akory ny fiainantsikaara-materialy. Toy ny olona rehetra, ny kristiana diatsy maintsy mihinana, misotro, mitafy, miasa. Ny fifa -noherana dia ato amin’ireto teny ireto hoe :«manahy » ny amin’ny sakafo sy ny fitafiana, sy nyhoe «mikatsaka ny fanjakan’Andriamanitra ». Nyfanahiana toy ny jentilisa dia mariky ny tsy finoana.Izany no « fiahiahiana izao fiainana izao » izay lazain’ilay fanoharana momba ny mpamafy, fiahiahiana izaymanakana ny tenin’Andriamanitra tsy hamoa87. Toy

44

85. Matio 6. ‡Ì-Ò† • 86. Matio 10. ‡∞-ÒÚ • 87. Matio 13. ‡‡

Page 23: Mise en page 1 - nybaiboly.net · izao : « Jehovah Andriamanitrao », mba hampaha-tsiahivana ny vahoakany ny fanafahana azy, ny 12 3. Ny fanoratana ara-bakiteny io teny hebreo io

lasa fihatsarambelatsihy. Ny zava-dehibe aloha, dia tsyny fanaovana fanomezana, na ny mivavaka na nymifady hanina, fa izay antony mahatonga antsikahihetsika. Tsy ny hitady sitraka amin’ny olona notokony hibaiko antsika, fa ny fanaovana izay ankasi -trahin’ny Raintsika91. Raha izany no anaovantsika asasoa, dia tsy ho fomba hireharehantsika mihitsy ireny,fa kosa ho fanatitra ho an’Andriamanitra.

Mahalala antsika tsirairay Andriamanitra. Eo ima -sony, dia tsy misy miafina na inona na inona. Hase -hony indray andro any ny zavatra faran’izay nafeninaindrindra. Havoakany hazava tsara ny asa ratsy natao– ny fieritreretana izany dia tokony hahatonga taho -tra mahasoa ao anatintsika. Kanefa koa Andriama -nitra dia hanambara sy hanome valisoa izay rehe tranatao tao amin’ny mangingina noho ny fitiavana Azy,ary angamba nafenina tetỳ an-tany. Hafatra mampa -hery tokoa izany, ary tena mampitombo ny finoan -tsika !

Ny fifehezany

« Fa izay tian’i Jehovah no faiziny, ary izay zanakarehetra raisiny no kapohiny. Famaizana noantony hiaretanareo ; Andriamanitra mitondraanareo tahaka ny zanaka ; fa aiza moa izayzanaka tsy faizin-drainy? Fa raha tsy faizina

47

91. Galatiana 1. Ú†

apetraho Aminy ny fanahianareo rehetra ; fa Izy nomiahy anareo »90.

Mamy amiko, ry Andriamanitro,Ny manana Anao ho Ray,Miaraka amiko lalandava Ianao.Ny fahasoavanao tokoa no manazava ahyEkenao ny vavaka ataokoMijery ahy IanaoAry manohana ny finoako.

(César Malan)

Ny valisoa omeny

« Fa ianao kosa, raha manao fiantrana, dia aokatsy ho fantatry ny tànanao ankavia izay ataon’nytànanao ankavanana, mba hatao ao amin’nymangingina ny fiantrànao ; ary ny Rainao, Izaymahita ao amin’ny mangingina, no hamaly anao»(Matio 6. Ò-∂ ; jereo koa 6. Úµ).

Ny tokony hitarika antsika amin’ny fanaovan-tsoa syny fiainam-pinoantsika, dia ny fahafantarana famahita antsika Andriamanitra, ilay Raintsika. Mahitaao amin’ny mangingina Izy. Raha tsapantsika fa mijeryantsika Izy, amin’ny maso feno fahamoram-po symandinika ny any anatintsika lalina any, dia ho voaroisika tsy hanandra-tena, satria vetivety izany dia ho

46

90. Filipiana 4. Ì, Ú∞ ; Jakoba 1. Ú¬ ; 1 Petera 5. ¬

Page 24: Mise en page 1 - nybaiboly.net · izao : « Jehovah Andriamanitrao », mba hampaha-tsiahivana ny vahoakany ny fanafahana azy, ny 12 3. Ny fanoratana ara-bakiteny io teny hebreo io

tsika. Aoka isika hahatsiaro fa «ny zavatra rehetra diamiara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra»94.

Ny fifehezan’ny Ray ny zanany dia mety hananaendrika samihafa. Mety ho valin’izay natao izany, arytoa famaizana, nefa misoroka sy mitaiza lalandava.Betsaka tokoa ireo ohatra ao amin’ny Soratra Masinaizay mampiseho ny vokatra ara-moraly entin’nyfitsapana. Io fifehezana misoroka sy mitaiza iomihitsy no lazain’i Jesoa ao amin’ny fiandohan’nyJaona 15, raha miresaka ny asan’ny mpamboly amin’ny sampam-boaloboka Izy. « Izaho no voaloboka,ianareo no sampany». «Ny Raiko no mpamboatra ».«Ny sampany rehetra izay mamoa dia amboariny, mbahamoa bebe kokoa ». « Izany no ankalazàna ny Raiko,mba hamoazanareo be » (and 1-8). Ary inona moaizany voa izany, raha tsy ny fanehoana ny fiainan’iJesoa eo amin’ny mino? Mihoatra noho ny asa soaizany, ary izany no ankalazàna ny Raintsika. Enga anieka havelantsika hiasa ao anatintsika Izy !

Miahy ny zanany ny RayTsy mitandro hasasarana,Raha mamoa voa tsara ho AzyIlay antso avy any an-danitra.

(J.N. Darby)

49

94. Romana 8. ‡µ

tahaka ny itondrana azy rehetra ianareo, diazazasary, fa tsy zanaka» (Hebreo 12. Ì-µ).

Ny ray tia ny zanany dia tsy mamela azy ireo hitaizatena irery eny. Mampianatra sy manabe azy izy ;mibedy sy manafay azy izy rehefa ilaina izany. « Izaymitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany ; fa izaytia zanaka dia manafay azy, raha mbola kely »92. Izanyno ataon’Andriamanitra amin’ireo olony. « Fa izaytian’i Jehovah no anariny, dia tahaka ny ataon’ny rayamin’ny zanaka tiany »93.

Na, amin’izao fotoana izao aza, tsy mahafaly antsikaizany famaizan’ny Raintsika izany – fa kosa mampala -helo – dia aoka isika hahay hijery ilay tànam-pitiavanaamin’izay rehetra manjo antsika. Ny zavatra ataony dia«hahasoa, mba handraisantsika ny fahamasinany». «Farehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry nyfahamarinana hiadanana ho an’izay nanaovana azy»izany famaizana izany (Hebreo 12. 10, 11). Noho izany,aoka isika tsy hanao tsinontsinona ny famaizanaataon’i Jehovah ary tsy ho reraka raha mahakasikaantsika izany (and 5). Tsy tokony hoe hahari-pery isika– toy ny hoe zavatra efa voasoratra ka tsy maintsydiavina ny fijaliana – na ho very fanantenana – toy nyhoe tsy voalanjalanjan’Andriamanitra tsara ny fijalian -

48

92. Ohabolana 13. ‡∂ • 93. Ohabolana 3. Ú‡

Page 25: Mise en page 1 - nybaiboly.net · izao : « Jehovah Andriamanitrao », mba hampaha-tsiahivana ny vahoakany ny fanafahana azy, ny 12 3. Ny fanoratana ara-bakiteny io teny hebreo io

Andriamanitra, amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahiny.Ary amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika izany.

Andriamanitra no Raintsika, manana fahefanaamin’ny fiainantsika Izy. Ary tanterahiny ny zavatranokasainy eto amin’ity tany ity, ary ampiasainyindrindra amin’izany ny fankatoavan’ny zanany. Ara -karaka ny hatokisantsika an’Andriamanitra no hanka -toavantsika Azy, ary arakaraka ny hankatoa vantsikaAzy no hahafantarantsika ny sitrapony, dia izay tsarasady ankasitrahina no marina97.

Miresaka ny momba ny fitiavana hafakely omen’nyRay — sy omeny koa — ny Tompo, ho an’izay olonamitandrina ny didiny, na ny teniny. « Izay manana nydidiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy ; ary izaytia Ahy no ho tian’ny Raiko, ary Izaho ho tia azy kahiseho aminy »98. Mbola ampiany koa hoe : «Rahamisy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy ; ary nyRaiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honinaao aminy »99. Koa ho an’izay tia ny Tompo ka mitan -drina ny teniny, dia hisy fisehoan’ny Zanaka sy ny Raymanokana, amin’ny fonenany ao aminy. Feno sy tan -teraka ny fanambaràn’i Jesoa ny Ray amintsika ; fa nyfomba hidirantsika manokana amin’izany sy hisitra -hantsika azy no miankina amin’ny fomba fanka -toavantsika.

51

97. Romana 12. ‡ • 98. Jaona 14. ‡Ú • 99. Jaona 14. ‡Ò

6. Miaina amin’ny mahazanak’Andriamanitra antsika

Efa hitantsika fa ny Tompo Jesoa no manambara nyRay amintsika ary mitarika antsika any Aminy. Nyfomba niainany tetỳ an-tany, indrindra indrindra nymikasika ny fifandraisany tamin’Andriamanitra Rainy,no manambara amintsika ireo tena toetran’ny zanak’Andriamanitra.

Ny fankatoavana

«Hoy Jesoa taminy : Ny haniko dia ny manao nysitrapon’Izay naniraka Ahy sy ny mahavita nyasany » (Jaona 4. Ò∂).

«Manao izay sitrapon’Andriamanitra amin’ny fo »(Efesiana 6. Ì).

Raha tonga tetỳ an-tany ny Tompo Jesoa, dia nilazahoe : « Inty Aho tonga – ao amin’ny horonam-boky nonanoratana Ahy – hanao ny sitraponao, Andriamani -tra ô »95. Izany no haniny. Nankatò hatramin’ny faha -fatesana i Jesoa, dia ilay fahafatesana tamin’nyhazofijaliana96. Mbola lavitra dia lavitra isika vaohitovy amin’ilay Modely avy amin’Andriamanitra,nefa enga anie ny faniriantsika sy ny zavatra katsa -hintsika lalandava, ka mba ny hanao ny sitrapon’

50

95. Hebreo 10. ¬ • 96. Filipiana 2. µ

Page 26: Mise en page 1 - nybaiboly.net · izao : « Jehovah Andriamanitrao », mba hampaha-tsiahivana ny vahoakany ny fanafahana azy, ny 12 3. Ny fanoratana ara-bakiteny io teny hebreo io

Ry kristiana, aza mihevitra fa hoe, satria isika zanak’Andriamanitra, ka noho izany, zanaka manoa, diavoageja isika. Ny mifanohitra amin’izany no izy. NySoratra Masina dia milaza fa «ny lalàna tanteraka, diany lalàn’ny fahafahana»102. Ny anjarantsika dia ny«ho amin’ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra »103. Marina fa eo amin’nysamy olombelona, izany hoe voatery hanao ny sitra -pon’olon-kafa izany dia mariky ny fanande vozana. Famifanohitra amin’izany kosa ny fanaovana ny sitra -pon’Andriamanitra, satria io no làlana ahitana ny tenaatao hoe fahafahana.

Jesoa no manome ny ohatra lehibe indrindra amin’ny fiainana toy izany. Nikatsaka lalandava ary nisafidyan-kalalahana ny hankatò ny Rainy Izy, ary izany nofifaliany lehibe indrindra. Nivelatra ny maha Izy Azy,na dia teo aza ny fankahalana, ny tsy rariny sy nyfanambaniana. Tsy niankina tamin’izay hevitry nysasany mihitsy i Jesoa, na ny an’ireo nanam-pahefanatamin’izany fotoana izany, na ny an’ny vahoaka, nany an’ny mpianatra aza. Ny faniriana tsy miova nase -hony dia ny fanatanterahana izay nasain’Andriama -nitra Ray nataony. An-kalalahana hatrany no nanao -vany izany. Niseho izany fahafahany izany tamin’nyfanekeny ny hanolotra ny ainy, noho ny fitiavany nyRainy, ny Fiangonany ary ny olona tsirairay izay minoAzy.

53

102. Jakoba 1. ‡ƒ • 103. Romana 8. ‡Ú

Aoka hotsaroantsika fa ny tsy mino dia antsoinahoe zanaky ny tsy fanarahana, fa ny zanak’Andria -manitra kosa dia antsoina hoe zanaka manoa100.

«Ny nahafantaran’izao tontolo izao ny fitiavan’nyZanaka ny Ray, dia ny fankatoavany. Ny hampaha -fantatra azy ny fitiavan’ny Ray ny Zanaka, dia nyvoninahitr’io Zanaka io. Amin’izany, dia afaka mame -traka fanontaniana amin’ny tenantsika isika hoe :satria ho hitan’izao tontolo izao rahampitso fa notia -vina isika, efa anio ve izy dia afaka hahatsapa fa isikakoa dia tia ny Tompo satria mitandrina ny didiny? »101

(Jean Koechlin).

Inona no havalinay izany fitiavanao lehibe izany,ry Ray tsara ô ?Omeo fo mahay mankatò re izahay !Enga anie hamirapiratra eo amin’ny handrinayilay toetra avy AminaoIzay hanisian’ny Fanahinao tombo-kase nyzanakao.

(F. Olivier)

Ny fahafahana

«Ary satria zanaka ianareo, dianirahin’Andriamanitra ho ato am-pontsika nyFanahin’ny Zanany… ka dia tsy mpanompointsony ianao, fa zanaka» (Galatiana 4. Ì-¬).

52

100. Efesiana 5. Ì ; 1 Petera 1. Ú∂ • 101. Jaona 17. ‡Ò

Page 27: Mise en page 1 - nybaiboly.net · izao : « Jehovah Andriamanitrao », mba hampaha-tsiahivana ny vahoakany ny fanafahana azy, ny 12 3. Ny fanoratana ara-bakiteny io teny hebreo io

na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony »106.Misy fifamatorana saro-pantarina sy tena lalina izanyeo amin’ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fahafa -han’ny mino. Ny fahasoavana no mahatonga izanyfahafahana izany ao anatintsika, ary miaina izanyisika amin’ny finoana sy ny asan’ny Fanahy Masina.

Ny vavaka

«Ary Jesoa nivavaka tao amin’ny fitoerana iray,ka rehefa nitsahatra Izy, dia hoy ny mpiananyanankiray taminy : Tompoko, mampianara anayhivavaka… Raha mivavaka ianareo, dia ataovyhoe : Ray ô…» (Lioka 11. Ú-‡).

«Ary satria zanaka ianareo, dianirahin’Andriamanitra ho ato am-pontsika nyFanahin’ny Zanany, miantso hoe : Aba, Ray ô »(Galatiana 4. Ì).

Jesoa, ilay Olona tanteraka, dia olon’ny vavaka. Niva -vaka tamin’ny Rainy Izy, na taiza na taiza toerana nisyAzy, na inona na inona fotoana107, ary tontolo alinamihitsy no nanaovany izany matetika108. Ny vavakano mariky ny fatokisany ny Rainy, izay tsy azo hozon -gozonina, sy mariky ny fiombonany Aminy. Nanaitra

55

106. Filipiana 2. ÚÒ • 107. Matio 11. ‡ƒ-‡¬ ; Jaona 11. ∂Ú-∂‡ • 108.Matio 14. ‡Ò

Raha nanangana antsika Andriamanitra, dia nanafaka antsika tamin’ny fanandevozan’ny lalàna sy nyota, ka nanome toerana avo antsika ho zanaka lahy syzanaka vavy. Nohafahana isika hivavaka Aminy syhitsaoka Azy104. Ary tsy izany ihany, fa nomenyantsika ny Fanahiny izay manafaka antsika amin’nyfaharatsiana ao anatintsika. « Fa ao amin’i Kristy Jesoany lalàn’ny Fanahin’aina no nahafaka ahy tamin’nylalàn’ny fahotana sy ny fahafatesana »105. Ny faha -fahana, amin’ny dikany lalina indrindra, dia maha -kasika ny fiainana anaty. Tsy mijanona eo amin’nyfahafahana miala amin’ny zavatra fanao andavanan -dro na ny hazakazaka atao amin’ny fiainana mode -rina izany, mba ho fahafinaretantsika. Raha ny tenadikany lalina, ny fahafahana dia ny fanatanterahanany iraka tadiavin’Andriamanitra ataontsika.

Mba hanazavana kokoa io fahafahana io, dia afakamaka ohatra iray isika, dia ny trondro : afaka izyrehefa ao anatin’ny zavatra tokony hisy azy andava -nandro, dia ny rano. Toy izany koa, afaka ny voronaraha afaka manidina. Ny kristiana dia olona afakaraha afaka mitia toy ny fitiavan’Andriamanitra, kamikatsaka sy manao ny tsara. Raisiny eo amin’nyfiainany izany fahafahana izany, amin’ny alalan’nyfahasoavan’Andriamanitra izay miasa ao anatiny. « FaAndriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana

54

104. Hebreo 10. Ú∞ • 105. Romana 8. ‡

Page 28: Mise en page 1 - nybaiboly.net · izao : « Jehovah Andriamanitrao », mba hampaha-tsiahivana ny vahoakany ny fanafahana azy, ny 12 3. Ny fanoratana ara-bakiteny io teny hebreo io

famelan-keloka). Mba hisitrahana ny famelan-kelokaomen’Andriamanitra, dia tsy maintsy manana saina tiamamela heloka koa aho111. Farany, ilay fangatahanafarany, izay matetika hadino, dia ny fangatahana mbatsy ho azon’ny fakàm-panahy112. Marina fa indraindraydia mamela ny fisian’ny fizahan-toetra Andriamanitramba hanamafy ny finoantsika. Izany no ivavahantsikahoe: «manafaha anay amin’ny ratsy». Io hataka io diamipololotra avy ao am-po, ary manambara finoanamandresy. Satria mitaky zava-tsoa izay efa azotamin’ny fandresen’i Jesoa isika.

Tamin’ireo teny farany nataon’ny Tompo Jesoatalohan’ny hanomboana Azy teo amin’ny hazofija -liana, dia mananatra ny mpianany Izy (ary isika koa,aorian’izy ireo) mba hivavaka mivantana amin’ny Ray,amin’ny anarany113. Hatramin’izay Izy mantsy, dia toyny mpanelanelana amin’ny mpianatra sy ny Ray. Fahatramin’ny nahafatesany sy ny nitsanganany tamin’ny maty, dia nampifandraisiny mivantana tamin’ny

57

111. Ny tiana holazaina eto dia ny famelan-keloka amin’nyfiainantsika etỳ an-tany fa tsy ny famelan-keloka ho mandra -kizay akory. Ampitovio amin’ny Marka 11.‡ƒ-‡Ì. Raha miteny nyTompo hoe : « Tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo »,dia tsy ny famonjena antsika ho amin’ny mandrakizay noresahiny, fa ny fifehezan’ny Ray ny zanany. Ny maha zanakaantsika dia tsy voakasiky ny fahadisoana na tsy fankatoavana,fa amin’ny fisitrahantsika ilay fifandraisana kosa no hisyfiantraikany. • 112. Ny fakàm-panahy dia izay zavatra rehetramety hitarika antsika hiala amin’ny làlana anatanterahana nysitrapon’Andriamanitra. • 113. Jaona 16. ‡Ò-‡Ì

ny mpianatra tokoa izany ka nahatonga azy ireo han -gataka hoe : « Tompoko, mampianara anay hivavaka ».

Nampianatra azy ireo ilay vavaka atao hoe «Vavakanampianarin’ny Tompo» ny Tompo Jesoa109. Modelytsy hoe atao « tsianjery»110 tsy akory izany, fa hosain -tsainina lalindalina kokoa hatrany. Ny hataka telovoalohany amin’ny «Vavaka nampianarin’ny Tompo»dia mifandraika amin’ny voninahitr’Andriamanitra : nyanarany, ny fanjakàny, ny sitrapony. Raha ataon tsikaho toy ny antsika izany, dia hisy fiantraikany be amin’ny fiainantsika. Manaraka ireo, dia ny hataka mombany filàntsika (omeo anay… mamelà ny helo kay… mana -faha anay). Ireo fangatahana ireo dia mitarika antsikahahatsiaro fa, amin’ny zavatra rehetra, dia miankinaamin’ny Ray isika, na ny momba ny vatantsika izany(ny sakafo), na ny momba ny fanahintsika (ny

56

109. Matio 6. ∞-ÚÒ sy Lioka 11. ‡-∂. Io vavaka io dia mifandraikaamin’ny vanim-potoana niainan’ny mpianatra. Nisehotamin’ny vahoakany i Jesoa mba hanorina ilay fanjakananampanantenaina, ary mbola tsy nolavina. Ny fahafatesan’nyTompo sy ny asa famonjena hataony dia mbola tsy fantatra,ary mbola tsy tonga nonina tao amin’ny mino ny FanahyMasina. Ny tena votoatiny voalohany amin’io vavaka io izanydia mahakasika ny vanim-potoana hanolorana ny fanjakan’Andriamanitra na hanorenana azy (ao amin’ny Fanjakanaarivo taona). Na izany aza anefa, na dia tsy mifandraikamivantana amin’ny vaninandro kristiana aza io vavaka io, diamanana ny lanjany satria hitantsika ao daholo ireo fitsipi-pitondrantena tokony hananana amin’ny vanim-potoanarehetra. • 110. Matio 6. ¬

Page 29: Mise en page 1 - nybaiboly.net · izao : « Jehovah Andriamanitrao », mba hampaha-tsiahivana ny vahoakany ny fanafahana azy, ny 12 3. Ny fanoratana ara-bakiteny io teny hebreo io

Zanaka, dia manome antsika ohatra hafa. Ao amin’nyAsan’ny Apostoly sy ny epistily, dia hitantsika fa nyvavaka ataon’ireo kristiana dia miantefa na amin’nyTompo Jesoa na amin’Andriamanitra Ray, araka izayitarihan’ny Fanahy Masina azy ireo115.

Tokony hivavaka amin’ny alalan’ny Fanahy isika116,izany hoe manaiky hotarihiny. Mety tsy ho fantatsikaangamba « izay vavaka tokony hataontsika », nefa «nyFanahy no mamonjy ny fahalementsika »117. Ary nadia « fitarainana tsy azo tononina » aza no miloatra nyfontsika, dia ren’ny Ray izany ary azony, satria « Izaymandinika ny fo no mahalala izay hevitry ny Fanahy »(and 27).

Avy amin’ny Rain’ny fahazavanaIzay rehetra mety ho fanomezana tanterakaMamaly ny vavako IzyFaly ny hitahy ahy.

Ny fiderana

« Tamin’izany andro izany, dia namaly Jesoa kananao hoe : Midera Anao Aho, Raiko, Tompon’nylanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin’ny hendry

59

115. Jereo manokana : Asa 4. ‡∂ ; 7. ƒ∞-̆ ; 12.ƒ ; Romana 10. Ú ; 15.Ò† ; 2 Korintiana 12. µ ; Efesiana 1. ÚÌ-Ú¬ ; Filipiana 4. Ì ; Kolosiana4. ‡-Ò ; 1 Tesaloniana 1. ‡ ; Jakoba 1. ƒ ; 1 Jaona 3. ‡Ú-‡‡. Ny filazanavavaka atao amin’ny Tompo Jesoa dia vitsy noho ny sasany •116. Efesiana 6. Úµ ; Joda ‡† • 117. Romana 8. ‡Ì

Ray isika. Na ora inona, na zava-miseho inona, dia tsymanelingelina an’Andriamanitra mihitsy isika. Tsymisy mpanelanelana intsony, tsy misy ahiahy, tsy misytahotra ny holavina. Mandray antsika Andriamanitranoho i Kristy.

Ny mivavaka amin’ny Ray amin’ny anaran’i Jesoano manamarika ny vanim-potoana kristiana. Mate -tika loatra angamba isika no mamarana am-pahaza -rana ny vavaka ataontsika amin’ny hoe « amin’nyanaran’ny Tompo Jesoa » nefa tsy mahatsapa tsara nytena dikan’izany. Rehefa mangataka amin’Andriama -nitra amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa isika, dia toy nyhoe ny Tompo no miara-mangataka amintsika. Man -gataka amin’Andriamanitra isika mba hataony ho toyny Zanany no manao izany fangatahana izany.

Tamin’isika mbola zaza angamba, dia nianatranivavaka tamin’ny Tompo Jesoa isika. Tsy mahagagaizany. Ny Tompo Jesoa no namantsika faratampony.Hitantsika ao amin’ireo filazantsara fa nitrotro nyzaza Izy114. Raha izany no zava-nisy, mampiasa nyfahafahantsika miresaka amin’ny Raintsika ve isika ?Indraindray isika dia mandre kristiana mivavaka arymampiasa ny teny hoe « Tompo » fotsiny, nefaangamba tsy dia fantany loatra hoe iza no ivavahany.Marina fa re ireny vavaka ireny, nefa ny TestamentaVaovao, izay manambara amintsika ny Ray sy ny

58

114. Marka 10. ÚÌ

Page 30: Mise en page 1 - nybaiboly.net · izao : « Jehovah Andriamanitrao », mba hampaha-tsiahivana ny vahoakany ny fanafahana azy, ny 12 3. Ny fanoratana ara-bakiteny io teny hebreo io

60

118. Kolosiana 1. Ú‡, ÚÒ

ataontsika rehefa mivory manodidina ny Tompo Jesoaisika, miaraka amin’ireo rahalahy sy anabavintsika aoamin’ny finoana. Izany no tokony hikatsahantsika ny«hampiray hevitra antsika araka an’i Kristy Jesoa ».Amin’izay dia «ho saina iray sy vava iray » no hanka -lazantsika « an’Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tom -pontsika »119. Hampiara-peo amin’ny Tompo isikaamin’izay fotoana izay. Eo afovoan’ny olony mivoryamin’ny anarany Izy ary mitarika azy ireo, amin’nyherin’ny Fanahiny, mba hankalaza ny Ray amin’nyfiombonana Aminy.

Efa mialoha làlana sahady ny fiderana mandrakizayisika amin’izany. Aoka hoeritreretina ny voninahitratokony homen’ny voarin’Andriamanitra Azy, ary nytian’ny Ray homen’ny zanany Azy. Mitsaoka an’An -driamanitra ny anjely, nefa Izy dia te ho fantatra syhivavahan’ny zanany malalany, izay omeny fahasoa -vana, ho toy ny Ray.

Eny, tsy ny hidera an’Andriamanitra toy ny Andria -manitra Mpanjaka sy Tsitoha ihany no anasanaantsika, fa koa toy ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika,toy ny amin’ny Raintsika ao amin’i Jesoa Kristy.Miseho amintsika amin’ny anarana mamy hoe «Ray »Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Fanahiny, ary izanyfahalalana izany no anefeny antsika ho tonga mpiva -vaka marina. Mitsaoka ny Ray isika, ary mitsaoka

61

119. Romana 15. ƒ, Ì

sy ny manan-tsaina izany zavatra izany kanasehonao tamin’ny zaza madinika. Eny, Raiko ;fa izany no sitraponao» (Matio 11. ‡ƒ-‡Ì).

«Koa izany no tsy mahamenatra Azy hanao ireohoe ‘rahalahy’ ka manao hoe : Hitory ny anaranaoamin’ny rahalahiko Aho ; eo amin’ny Fiangonanano hiderako Anao» (Hebreo 2. ÚÚ-Ú‡).

« Fa avy ny andro, sady tonga ankehitriny, rahany tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’nyfanahy sy ny fahamarinana ; fa ny Ray koamitady ny mpivavaka Aminy ho tahaka izany.Andriamanitra dia Fanahy ; ary izay mivavakaaminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy syny fahamarinana» (Jaona 4. ‡Ò-‡∂).

Toy ny Tompo Jesoa, dia afaka midera ny Ray isika.Midera Azy isika noho ny maha Izy Azy sy noho nyzavatra ataony. Mankasitraka Azy isika noho ny fika -rakaràny sy ny heviny, ny fikasàny. Izy irery no hendry.

Isaorantsika « ny Ray, Izay mampahamendrikaantsika hanana anjara amin’ny lovan’ny olona masinaeo amin’ny mazava, sady nahafaka antsika tamin’nyfahefan’ny maizina ka namindra antsika ho amin’nyfanjakan’ny Zanany malalany »118. Izany indrindra no

Page 31: Mise en page 1 - nybaiboly.net · izao : « Jehovah Andriamanitrao », mba hampaha-tsiahivana ny vahoakany ny fanafahana azy, ny 12 3. Ny fanoratana ara-bakiteny io teny hebreo io

« Izay rehetra naterak’Andriamanitra no tsymanota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, arytsy mahay manota izy satrianaterak’Andriamanitra » (1 Jaona 3. ∞).

Rehefa tonga kristiana isika, dia mampiditra antsikaho isan’ny fianakavian’ny zanak’Andriamanitra nyFanahy Masina, amin’ny alalan’ny fahateraham-bao -vao. Ny toetra voalohany manamarika io fianaka vianaio dia ny fitiavana. Satria Andriamanitra no Raintsika,isika rehetra (kristiana) dia mpirahalahy daholo, arytokony hiaina izany fifandraisana amin’ny samympirahalahy izany isika, ka mampiseho ny toetran’nyRay.

Ambonin’izany, ny Tompo Jesoa dia niantso antsikahoe rahalahiny. Izy no « Lahimatoa amin’ny rahalahymaro »121. Nampiraisiny ho iray isika tamin’ny nahafa -tesany. Ny faniriany dia ny anehoantsika marina,amin’ny alalan’ny Fanahiny, fa zanak’Andriamanitraisika ary mpirahalahy, amin’ny fifankatiavantsika syny fifanompoantsika. Ao amin’ny fianakavian’nyzanak’Andriamanitra, dia samihafa ny fahamatorana.Ny apostoly Jaona dia miresaka ny « ankizy madinika »,ny « zatovo » ary ny « ray ». Fa raha mikasika ny fitia -vana kosa, tsy tokony hisy ny fanavakavahana, satriairay ihany isika rehetra ao amin’i Kristy amin’nyalalan’ny Fanahy.

63

an’Andriamanitra. Tsy azo sarahina ireo zavatra roaloha ireo. Ambonin’izany, dia mitsaoka ny Zanaka koaisika, Ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra, ary amin’nyfivavahana aminy no ankalazantsika ny Ray120.

Ny fiderana ny voninahitry ny RayNo aoka hipololotra avy ao am-pontsika izaymifaly amin’ny fitiavany !Ary aoka ny hira ho mandrakizay, izay atombokaetỳ an-tany,Hanandratra, hanome voninahitra ny Ray sy nyZanaka !

(A. Ladrierre)

Fitiavana sy fahamarinana

«Ry malala, aoka hifankatia isika ; fa avyamin’Andriamanitra ny fitiavana, ary izay rehetratia no naterak’Andriamanitra sady mahalalaan’Andriamanitra » (1 Jaona 4. ¬).

62

120. Ao amin’ny Baiboly no ahitantsika fa mba hankasitrahan’Andriamanitra ny vavaka, dia tsy maintsy aorina amin’nyfanatitra izany vavaka izany. Matoa azo atao ny fivavahanakristiana, dia satria nijaly sy maty i Jesoa, ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra. Izany no manome azy ny lanjany rehetra. « Nyfivavahana dia tsy afa-misaraka amin’ny fahatsiarovana nyfijalian’ny Tompo Jesoa, Izay nohomboana, sy amin’nyfibanjinana ny fahatanterahany rehetra » (M.J. Koechlin).

Page 32: Mise en page 1 - nybaiboly.net · izao : « Jehovah Andriamanitrao », mba hampaha-tsiahivana ny vahoakany ny fanafahana azy, ny 12 3. Ny fanoratana ara-bakiteny io teny hebreo io

tokony hamirapiratra koa ho an’ireo tsy mino. Eo amin’ny tontolo izay matetika tsy mifaditra ovana, diaandraikitsika ny mitia ny fahavalontsika sy misarakaamin’ny faharatsiana. Amin’izany no anehoantsika fazanaky ny Raintsika isika125. Raha isika, izay zanany, nomitovy amin’ny Ray, dia ho afaka hanambara nytenany amin’ny olombelona manodidina antsika Izy.

Ry zanak’Andriamanitra, aza mitsahatra nymiainaAo anatin’ilay fitiavana mampiray antsika.Izany no harena mandrakizayHo an’ireo izay tahian’ny Mpamonjy.

(A. Barbey)

65

125. Matio 5. ∂ƒ

Rehefa mitia isika, dia mampiseho fa zanak’Andria -manitra, satria Andriamanitra dia fitiavana. Mianatramahalala ny fon’Andriamanitra koa isika amin’izany.Raha manana lolompo mantsy isika, raha mandà nyhamela heloka, dia manala baraka Ilay entintsika ana -rana, ary ho very ny fifaliana amin’ny maha zanakaantsika.

Raha voasoratra fa « izay rehetra tia no naterak’Andriamanitra », dia voasoratra koa fa « izay rehetranaterak’Andriamanitra no tsy manota ». Marina symasina Andriamanitra. Ny zanany, izay naterany, diamanana ny toetra maniry sy mikatsaka ny tsara, sadymankahala sy mandositra ny ratsy. Izany no ahafan -tarana azy ireo. «Raha fantatrareo fa marina Izy, diafantaro fa izay rehetra manao ny marina no zananynaterany »122. Mazava ho azy fa misy foana ny faha -lavoana amintsika, noho ilay toetrantsika taloha.Lazain’ny apostoly Jaona mazava izany ary ambaranykoa ny fomba hiarenantsika amin’izany123.

Io fitiavana io, izay Andriamanitra no loharanonipoirany, ka iantsoana antsika mba hitafy azy124, dia

64

121. Romana 8. ‡∞ • 122. 1 Jaona 2. ‡∞. Ny fandehanana amin’nyfahamarinana sy ny fahamasinana dia, mazava ho azy, fafandehanana amin’ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra :« Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia nyfitandremana ny didiny. Izay manao hoe : Fantatro Izy, nefatsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsyao anatiny » (1 Jaona 2. 3-4) • 123. Jereo 1 Jaona 1. ∞ hatramin’ny2. Ú • 124. Kolosiana 3. Ú∂

Page 33: Mise en page 1 - nybaiboly.net · izao : « Jehovah Andriamanitrao », mba hampaha-tsiahivana ny vahoakany ny fanafahana azy, ny 12 3. Ny fanoratana ara-bakiteny io teny hebreo io

taka amin’izay zavatra nampahery Azy mandra karivatetỳ an-tany sy mbola fifaliany ho mandrakizay veisika ? Hifaly koa isika noho ny Ray. Zanaka toy inonamoa i Jesoa aminy ! Nefa koa, mianatra mahalala nyanjara toerantsika ao amin’izany zavatra mampitola -gaga izany isika : tia antsika ny Ray satria tiany iJesoa, ary tahaka ny itiavany an’i Jesoa no itiavanyantsika127. Toy ny milaza amintsika ny Tompo hoe :«Satria ahy ianareo, dia misitraka ny fitiavany Ahykoa ianareo. Banjino amin’ny finoana Aho, eo amin’nytoerana izay nametrahan’ny Ray Ahy ; amin’ny faha -tsapanareo ny fitiavany Ahy no hahatsa panareo fatiana ianareo » (J. Koechlin).

Ankehitriny, any an-danitra, dia mbola manohymitarika antsika hanatona ny Ray ihany Izy. Amin’nyalalan’ny Fanahiny no anaovany izany. Amin’ny ala -lan’ny teniny no anaovany izany. Ataony izany man -dra-piavin’ilay fotoana hampidirany antsika rehetra hoao an-tranon’ny Ray. Ao no hahitantsika an’i Jesoa, aryamin’ny alalany no hahafantarantsika ny hafenoan’nyfitiavan’ny Ray, ny fiadanany, ny fifaliany.

Ao amin’ny fahazavana mandrakarivaAo amin’ny tranon’ny RayDia foana izay mety ho alokaManoloana ny famirapiratan’ny andro.

(A. Ladrierre)

67

126. Jaona 13 hatramin’ny 17

7. Fehiny

«Ary efa nampahafantariko azy ny anaranao, arymbola hampahafantariko ihany » (Jaona 17. 26).

Rehefa mandinika ny teny farany nataon’i Jesoatamin’ny mpianany talohan’ny hanomboana Azy teoamin’ny hazofijaliana isika126, dia gaga fa amirapira -tan’ny fanambaràna ny Ray izany teny izany. Toy nyhoe, tamin’ireo teniny farany, dia mampirisika antsikafatratra hanatona ny Ray ny Tompo Jesoa. Tokony hovokatr’izany manontolo ny fiainantsika : na amin’nytoerana omentsika ny Fanahy ao amin’ny fiainantsika,na amin’ny fitandremantsika ny tenin’i Jesoa, naamin’ny famoazantsika, na koa aza amin’ny fombafandraisantsika ny fankahalan’izao tontolo izao…

«Matetika isika no mialona sy mitady ho tiana irery,toy ny zaza izay tsy tia mizara amin’ny sasany ny fika -rakarana sy ny fitiavan’ny ray aman-dreniny. Mifano -hitra tanteraka amin’izany ny fitiavan’i Kristy ! Nyhany faniriany dia ny hampivelatra io fiombonona io,izay Izy no ivony. Tiany ny hampiditra ireo izayantsoiny hoe rahalahiny amin’ny fahafantarana nyfon’Andriamanitra, toy ny fahafantarany azy.

Raha tia ny Tompo isika, dia voalohany indrindra,hifaly amin’izany fitiavana izany noho Izy. Dia hiha -

66

127. Jaona 14. ‡Ò

Page 34: Mise en page 1 - nybaiboly.net · izao : « Jehovah Andriamanitrao », mba hampaha-tsiahivana ny vahoakany ny fanafahana azy, ny 12 3. Ny fanoratana ara-bakiteny io teny hebreo io

Mifandraika amin’io lohahevitra io, dia manasa ana -reo izahay hamaky ireto lahatsoratra ireto :

Ny fanambaràna miandàlana nyanaran’Andriamanitra

Ny fiombonana

Ireo teny farany

68