ny valosoa vaovao | ny valosoa vaovao - ny valosoa sy … · 2020. 6. 23. · tsy mendrika anao...

1
M bola mampametram-panontaniana ny maro ny hetsika rehetra ataon’ny fitondrana nandri- tra izay efa ho zato andro nisian’ny Covid 19 teto Madagasikara izay. Vola manodidina ny 500 ta- pitrisa dolara amerikana mantsy no nomen’ireo mpa- matsy vola mahazatra entina miady amin’ity valanaretina ity. Tsy misy mahafantatra kosa izay mba fandraisana anjaran’ny fitondrana eo amin’ny ady atao amin’ny fahavalo tsy hita maso kanefa tena ma- mely mafy tokoa. Nipoitra tampotampoka ny CVO izay nolazaina fa tambavy mampitombo ny hery fia- rovana. Niova ho “remède traditionnelle améliorée” in- dray ary lasa tsindrona ary hiofo ho “géllule” indray ato ho ato. Ireo firenena afrikana nomena maimaim- poana ny CVO aloha dia iray ihany no niverina naka indray kanefa tsy mazava na nividy izy na nomena fotsiny indray. Tafiditra ao amin’ny fanampiana no- men’ny mpamatsy vola mahazatra ny tohana ho an’ireo sokajin’olona antsoina ho marefo sy ireo ori- nasa sahirana noho ny fihibohana ary ireo mpiasa very asa na nampiatoana ara-teknika. Ny mitondra ny tsimokaretina nampidirina any amin’ireo toerana ha- naraha-maso azy aza dia sahirana tokoa satria ny sa- kafo tsizarizary ny valin’ny fitiliana ela loatra vao mivoaka. Tsy mazava mihitsy araka izany ny fitsinja- rana izany fanampiana izany, ka mitaky ny mangara- hara ny fikambanana maro samy hafa, eny hatramin’ny parlemantera sasany aza. Toa manahy ny maro sao dia lasa any amin’ny fananganana foto- drafitrasa izay tsy hitondra fampandrosoana ny fa- nampiana satria toa mifanindry an-dàlana amin’ny ady atao amin’ny Covid 19 mantsy ny fihazakazahana amin’ny fanorenana ozinina sy laboratoara ary sekoly. Etsy andaniny dia misy fandaniam-bola lazaina fa ni- vidianana izatsy sy izaroa ho an’ny mpianatra mihi- nana ny CVO, izay iaraha-mahalala fa misaringotra amin’izany ny tomponandraikitra ambony tao amin’ny minisiteran’ny fampianarana. Tao anatin’ny fihibohana ihany dia nahatsangana mangingina fotodrafitrasa “colisée” ao amin’ny Rovan’Antananarivo izao fiton- drana izao. Mangingina satria tsy nisy nahita raha tsy efa nihoatra ilay fefy ny rindrina. Toerana nokasain’ny mpanjaka vavy farany, Ranavalona III, nanorenana ny “Lapa Masoandro” ary ity fotodrafitrasa nataon’ny mpitondra ity dia nomeny ny anarana hoe “Kianja Ma- soandro”. Niteraka olana tsy eo amin’ny mponina eto an-drenivohitra ihany ity teo-draharaha ity, fa ho an’ireo taranaka ampanjaka avy any amin’ny faritra hafa ihany koa. Ny tena olana dia tsy nisy fiaraha-mi- dinika tamin’ireo mpandala ny kolontsaina sy soatoa- vina Malagasy ny fanorenana, fa dia nokonon- kononin’olombitsy izay nantsoina ho “komity sianti- fika” sy “komity teknika”. Iaraha-mahalala eo amin’ny tantara fa misy “hasiny” ny “Rova” sy ny “Doany na Tranobe” eto Madagasikara. Ireo olona minia mikimpy ihany no miaro ny fitondrana amin’io fanotana fady ao amin’ny Rovan’Antananarivo io. Lazain’izao fiton- drana izao fa olom-bitsy sy tsy tia fandrosoana izay rehetra manohitra ny fanorenana tsy voahevitra ataony. Anisan’ny manahirana ihany koa ny filazana fa volam-panjakana madiodio ny fanorenana kanefa, tsy nisy “appel d’offres” mazava ary tsy voarakitra ao anaty tetibola 2020 io asa io. Eo amin’ny tantaran’izao tontolo izao dia tsy azo atao eo amin’ny toerana misy vakoka ny fanorenana, fa fanarenana no azo atao. Eo amin’ny tantaran’izao tontolo izao koa dia eo amin’ny “hamehana” tahaka izao no manararaotra ny manam- pahefana sy ny mpanao bizina hangoronan-karena amin’ny alàlan’ny trafika sy ny aferafera isan-kara- zany. Amin’izao fotoana izao dia milaza ny mpitondra fa voafehy ny Covid 19, kanefa mitombo andro aman’alina ny mitondra ny otrikaretina ary efa mihazo ireo faritra hafa tsy mbola nahitana izany, na dia mi- fandimby tompon-daka aza ny eto Antananarivo sy Toamasina. Herinandro izao dia miverina amin’ny fiai- nany andavanandro ny mponina eto an-drenivohitra ho an’ireo mpiasam-panjakana sy ireo mpiasa amin’ireo orinasa mbola afaka mandoa ny kara- man’ireo mpiasa sisa tavela. Mampitombo an’isa ireo tsy an’asa koa izao ireo mpivarotra noravana ny trano fivarotany, toy ny eny Soarano, eo koa ireo mpivarotra etsy Mahamasina izay tsy avela ivarotra intsony. Hampitombo ny tsy fandriampahalemana izao toe-ja- vatra izao kanefa ny eo aza tsy voafehy tsara akory na dia misy aza ny ezaka ataon’ny mpitandro ny fila- minana. Reraka ny vahoaka Malagasy, mitotongana izay tsy izy ny sandam-bola ariary, miakatra ny vi- din’ny kojakoja ilain’ny vahoaka andavanandro kanefa midina be ny fahefa-mividy. Tsy misy maha- ratsy azy ny manorina sy manangana kanefa tsara lavitra noho izany ny fanampiana ireo orinasa hamerina ny mpiasa voatery naato sy ny famoronana asa ary ny fijerena ny sosialim-bahoaka manerana ny firenena. Andry Tsiavalona 3 Lah 1033 Talata 23 jona 2020 Politika Fitondram-panjakana: variana amin’ny sehatra tsy hitondra fampandrosoana haingana Ny Valosoa sy hadihady www.gvalosoa.com Ny fizarana fanomezana tetsy Bel’Air ny sabotsy teo. Depiote Feno Ralambomanana nanolotra fanomezana ho an’ireo vehivavy tim ao amin’ny boriboritany faha-3 Nandritra ny fihibohana vokatry ny valan’aretina Coronavirus izay dia tsy nijery fotsiny ny fahasahi- ranana mahazo ny mpo- nina ny depiote voafidy tao amin’ny boriborintany faha 3, avy amin’ny an- toko Tiako i Madagasikara (TIM) Feno Ralamboma- nana avy amin’ny antoko Tiako I Madagasikara, fa nanolotra fanomezana hatrany, mba hanalàna fa- hasahiranana ireo sahi- rana ara-pivelomana sy ireo mpikatroka TIM ao amin’ny boriborintany na- halàny azy. Ny faran’ny herinandro teo dia nizara fanomezana fotsimbary, macaroni, menaka, sira, sns… ho an’ireo vehivavy TIM tao amin'ny QG ny antoko TIM ao Bel'Air Am- pandrana ny mpiara- miasa aminy, izay solon- tenan’ity solombavamba- hoaka ity noho ny tsy maha eto an-toerana azy. Marihina fa efa nisitraka izany ihany koa ny FOK- TIM sy ny Tanora Tiako i Madagasikara. Miasa ha- trany ny solombavamba- hoaka Feno Ralambo- manana, ka tsy ataony ambaninjavatra ny fije- rena ny sosialin’ny mpo- nina na dia tsy tabata- bainy amin’ny haino amanjery aza izany. Fite- nin’ny depiote Feno Ra- lambomanana ny hoe: rehefa tonga any amin’ny mila azy ny fanomezana atolony dia izay no maha- faly azy, fa tsy ny fidera- deràna amin’ny haino amanjery isan-karazany. Helisoa Ny lapan’ny tanànan’ny kaominina Ampitatafika. Kaominina Ampitatafika Atsimondrano Hetsika ara-tsosialy no hanamari- hana ny fetim-pirenena Ny alika no hoe atahorana hanaikitra Ka mendrika azy ilay hoe “hidy vava”, Fa ny olo-misaina sy manana andraikitra, Tsy mendrika izany ka aoka hazava. Ny zava-boasoratra na koa tenenina, Dia manaporofo ny fahalalahana. Matoa mitanisa amim-bava sy penina, Ny marina hatrany no tiana hibahana. Matetika anefa ireo olona sasany, (Indrindra ireo manana ny fahefana), Matahotra mafy hotsaraina amin`ny asany, Ka dia mivily manao hadalana. Fefeny ny vavan`ny mpanao gazety, Tsy hiteniteny na koa hitsikera, Dia indro izy mihevitra ny ho vedety: (Baikoiny sy giazany ny serasera !) Ny zava-toy izany dia tena tsy mety. Tsy mendrika anao izay nomem-pahefana, F`omeo re ny hasin`ny mpanao gazety, Avelao izy hiteny fa aza rarana. Mitsara eny foana ny olon-drehetra, Ka ny “fahefana” aza atao hamoretana. Ny “fahalalahana” dia misy fetra, Ka samia misaina amim-pieritreretana. TSIMIMALO (11-06-20) Esory ny “hidy vava” Esory ny “hidy vava” TONONKALO Olona miisa 30 isaky ny Fokontany no hisitraka ny fa- nampiana hatolotry ny fiadidian’ny Kaominina Ampita- tafika, Antananarivo tsimondrano, tarihan’ny Ben’ny Tanàna Rado Raparaoelina hoentina hanamarihana ny fankalazana ny faha 60 taonan’ny niverenan’ny faha- leovan-tena amin’ity taona 2020 ity. Anio 23 Jona no hiroso amin’ny fidinana ifotony any amin’ny Fokontany miisa 13 mandrafitra ny Kaominina ny tompon’andrai- kitra amin’ny fizarana ny fanampiana. Nilaza ny Ben’ny Tanànan’Ampitatafika fa miato tanteraka ny hetsika “Podium” sy ny fety aman-danonana isan-karazany, izay tokony ho tanterahina eny Antanimenabe Ampita- tafika noho ny fisian’ny hamehana ara-pahasalamana. Ankoatra izany dia olona miisa 3292 amin’ny mponina 65000 fotsiny no nisitraka ny vola fanampiana (Tosika fameno) avy amin’ny fitondram-panjakana raha ho an’ny Kaominina Ampitatafika manokana. Efa nanom- boka ny 18 Jona 2020 lasa teo ny fizarana izany teny Antanimenabe, izay iandrekatan’ny FID (Fond d’Inter- vention pour le development), sy ny Paositra Malagasy ary hifarana anio talata 23 Jona 2020. Ankoatra ny fa- hasahiranana ara-bola dia olana ho an’ny Kaominina Ampitatafika ny fiakaran’ny fofona maimbo eny ani- von’ny Fokontany vokatry ny fanaovan’ny olona maloto ankalamanjana. Nilaza ny Ben’ny tanàna fa ireo toe- ram-pisotroana na “Bar” no tena ahitana an’izany fa- halotoana izany ary manome vahana ny zava-misy ihany koa ny tsy fisian’ny toeram-pivoahana, sy ny fa- habetsahan’ny trano tsy misy toeram-pivoahana. Ni- laza ny Ben’ny Tanàna Rado Raparaoelina fa tokony hampitomboina ny fametrahana toeram-pivoahana sy toeram-pidiovana ho an’ny be sy ny maro, hapetraka ny lalàna mifehy ny fitsirihana fako na “Voirie”, hamafi- sina ny fanentanana ny olona amin’ny fanariana ma- loto, ho jerena akaiky ny fanamboarana trano eny anivon’ny Fokontany izay betsaka tsy misy W.C. An- koatra izany, nanamafy izy ankoatr’izany, fa tokony ho- jeren’ny fitondram-panjakana akaiky ny fomba fiasan’ny “Contribution”, izay manome alalana ireo toe- ram-pisotroana na “Bar” satria betsaka amin’izy ireny no tsy manara-dalàna ary lavin’ny Kaominina ny fi- siany, nohon’ny fitarainan’ny mponina kanefa dia tsy andraisan’ny “Contribution” fepetra mihitsy hatra- min’izao. Mikasika ny karaman’ny mpiasa kosa dia ni- laza ny Ben’ny tanàna, fa tsy tapaka ny fanomezana ny karaman’ny mpiasan’ny Kaominina Ampitatafika nandritra ny fihibohana ary hoezahina haloa avokoa ny karama volana Jona amin’ity herinandro ity. Raha ny disadisa Politika indray kosa no resahana dia nilaza ny Ben’ny tanàna Rado Raparaoelina, fa efa miravona ny fifanolanana nisy teo aminy sy ny Solombavambahoa- kan’ny Distrikan’ny Atsimondrano amin’izao fotoana ary efa miara-miasa ny roa tonta, indrindra amin’ny fa- nomezan-tanana ho fampandrosoana ny Kaominina. Franck Razakambelo

Upload: others

Post on 09-Mar-2021

2 views

Category:

Documents


0 download

TRANSCRIPT

Page 1: NY VALOSOA VAOVAO | NY VALOSOA VAOVAO - Ny Valosoa sy … · 2020. 6. 23. · Tsy mendrika anao izay nomem-pahefana, F`omeo re ny hasin`ny mpanao gazety, Avelao izy hiteny fa aza

Mbola mampametram-panontaniana ny marony hetsika rehetra ataon’ny fitondrana nandri-tra izay efa ho zato andro nisian’ny Covid 19

teto Madagasikara izay. Vola manodidina ny 500 ta-pitrisa dolara amerikana mantsy no nomen’ireo mpa-matsy vola mahazatra entina miady amin’ityvalanaretina ity. Tsy misy mahafantatra kosa izay mbafandraisana anjaran’ny fitondrana eo amin’ny adyatao amin’ny fahavalo tsy hita maso kanefa tena ma-mely mafy tokoa. Nipoitra tampotampoka ny CVOizay nolazaina fa tambavy mampitombo ny hery fia-rovana. Niova ho “remède traditionnelle améliorée” in-dray ary lasa tsindrona ary hiofo ho “géllule” indrayato ho ato. Ireo firenena afrikana nomena maimaim-poana ny CVO aloha dia iray ihany no niverina nakaindray kanefa tsy mazava na nividy izy na nomenafotsiny indray. Tafiditra ao amin’ny fanampiana no-men’ny mpamatsy vola mahazatra ny tohana hoan’ireo sokajin’olona antsoina ho marefo sy ireo ori-nasa sahirana noho ny fihibohana ary ireo mpiasavery asa na nampiatoana ara-teknika. Ny mitondra nytsimokaretina nampidirina any amin’ireo toerana ha-naraha-maso azy aza dia sahirana tokoa satria ny sa-kafo tsizarizary ny valin’ny fitiliana ela loatra vaomivoaka. Tsy mazava mihitsy araka izany ny fitsinja-rana izany fanampiana izany, ka mitaky ny mangara-hara ny fikambanana maro samy hafa, enyhatramin’ny parlemantera sasany aza. Toa manahyny maro sao dia lasa any amin’ny fananganana foto-drafitrasa izay tsy hitondra fampandrosoana ny fa-nampiana satria toa mifanindry an-dàlana amin’nyady atao amin’ny Covid 19 mantsy ny fihazakazahanaamin’ny fanorenana ozinina sy laboratoara ary sekoly.Etsy andaniny dia misy fandaniam-bola lazaina fa ni-vidianana izatsy sy izaroa ho an’ny mpianatra mihi-nana ny CVO, izay iaraha-mahalala fa misaringotraamin’izany ny tomponandraikitra ambony tao amin’nyminisiteran’ny fampianarana. Tao anatin’ny fihibohanaihany dia nahatsangana mangingina fotodrafitrasa“colisée” ao amin’ny Rovan’Antananarivo izao fiton-drana izao. Mangingina satria tsy nisy nahita raha tsyefa nihoatra ilay fefy ny rindrina. Toerana nokasain’nympanjaka vavy farany, Ranavalona III, nanorenana ny“Lapa Masoandro” ary ity fotodrafitrasa nataon’nympitondra ity dia nomeny ny anarana hoe “Kianja Ma-soandro”. Niteraka olana tsy eo amin’ny mponina etoan-drenivohitra ihany ity teo-draharaha ity, fa ho

an’ireo taranaka ampanjaka avy any amin’ny faritrahafa ihany koa. Ny tena olana dia tsy nisy fiaraha-mi-dinika tamin’ireo mpandala ny kolontsaina sy soatoa-vina Malagasy ny fanorenana, fa dia nokonon-kononin’olombitsy izay nantsoina ho “komity sianti-fika” sy “komity teknika”. Iaraha-mahalala eo amin’nytantara fa misy “hasiny” ny “Rova” sy ny “Doany naTranobe” eto Madagasikara. Ireo olona minia mikimpyihany no miaro ny fitondrana amin’io fanotana fady aoamin’ny Rovan’Antananarivo io. Lazain’izao fiton-drana izao fa olom-bitsy sy tsy tia fandrosoana izayrehetra manohitra ny fanorenana tsy voahevitraataony. Anisan’ny manahirana ihany koa ny filazanafa volam-panjakana madiodio ny fanorenana kanefa,tsy nisy “appel d’offres” mazava ary tsy voarakitra aoanaty tetibola 2020 io asa io. Eo amin’ny tantaran’izaotontolo izao dia tsy azo atao eo amin’ny toerana misyvakoka ny fanorenana, fa fanarenana no azo atao. Eoamin’ny tantaran’izao tontolo izao koa dia eo amin’ny“hamehana” tahaka izao no manararaotra ny manam-pahefana sy ny mpanao bizina hangoronan-karenaamin’ny alàlan’ny trafika sy ny aferafera isan-kara-zany. Amin’izao fotoana izao dia milaza ny mpitondrafa voafehy ny Covid 19, kanefa mitombo androaman’alina ny mitondra ny otrikaretina ary efa mihazoireo faritra hafa tsy mbola nahitana izany, na dia mi-fandimby tompon-daka aza ny eto Antananarivo syToamasina. Herinandro izao dia miverina amin’ny fiai-nany andavanandro ny mponina eto an-drenivohitraho an’ireo mpiasam-panjakana sy ireo mpiasaamin’ireo orinasa mbola afaka mandoa ny kara-man’ireo mpiasa sisa tavela. Mampitombo an’isa ireotsy an’asa koa izao ireo mpivarotra noravana ny tranofivarotany, toy ny eny Soarano, eo koa ireo mpivarotraetsy Mahamasina izay tsy avela ivarotra intsony.Hampitombo ny tsy fandriampahalemana izao toe-ja-vatra izao kanefa ny eo aza tsy voafehy tsara akoryna dia misy aza ny ezaka ataon’ny mpitandro ny fila-minana. Reraka ny vahoaka Malagasy, mitotonganaizay tsy izy ny sandam-bola ariary, miakatra ny vi-din’ny kojakoja ilain’ny vahoaka andavanandro kanefamidina be ny fahefa-mividy. Tsy misy maha- ratsy azyny manorina sy manangana kanefa tsara lavitra nohoizany ny fanampiana ireo orinasa hamerina ny mpiasavoatery naato sy ny famoronana asa ary ny fijerenany sosialim-bahoaka manerana ny firenena.

Andry Tsiavalona

3Lah 1033 Talata 23 jona 2020Politika

Fitondram-panjakana: variana amin’ny sehatra

tsy hitondra fampandrosoana haingana

Ny Valosoa sy hadihady

www.gvalosoa.com

Ny fizarana fanomezana tetsy Bel’Air ny sabotsy teo.

Depiote Feno Ralambomanana

nanolotra fanomezana ho an’ireo vehivavy tim

ao amin’ny boriboritany faha-3

Nandritra ny fihibohanavokatry ny valan’aretinaCoronavirus izay dia tsynijery fotsiny ny fahasahi-ranana mahazo ny mpo-nina ny depiote voafidytao amin’ny boriborintanyfaha 3, avy amin’ny an-toko Tiako i Madagasikara(TIM) Feno Ralamboma-nana avy amin’ny antokoTiako I Madagasikara, fananolotra fanomezanahatrany, mba hanalàna fa-hasahiranana ireo sahi-rana ara-pivelomana syireo mpikatroka TIM aoamin’ny boriborintany na-halàny azy. Ny faran’nyherinandro teo dia nizarafanomezana fotsimbary,macaroni, menaka, sira,sns… ho an’ireo vehivavyTIM tao amin'ny QG nyantoko TIM ao Bel'Air Am-pandrana ny mpiara-

miasa aminy, izay solon-tenan’ity solombavamba-hoaka ity noho ny tsymaha eto an-toerana azy.Marihina fa efa nisitrakaizany ihany koa ny FOK-TIM sy ny Tanora Tiako iMadagasikara. Miasa ha-trany ny solombavamba-hoaka Feno Ralambo-

manana, ka tsy ataonyambaninjavatra ny fije-rena ny sosialin’ny mpo-nina na dia tsy tabata-bainy amin’ny hainoamanjery aza izany. Fite-nin’ny depiote Feno Ra-lambomanana ny hoe:rehefa tonga any amin’nymila azy ny fanomezana

atolony dia izay no maha-faly azy, fa tsy ny fidera-deràna amin’ny hainoamanjery isan-karazany.

Helisoa Ny lapan’ny tanànan’ny kaominina Ampitatafika.

Kaominina Ampitatafika Atsimondrano

Hetsika ara-tsosialy no hanamari-hana ny fetim-pirenena

Ny alika no hoe atahorana hanaikitraKa mendrika azy ilay hoe “hidy vava”,Fa ny olo-misaina sy manana andraikitra,Tsy mendrika izany ka aoka hazava.

Ny zava-boasoratra na koa tenenina,Dia manaporofo ny fahalalahana.Matoa mitanisa amim-bava sy penina,Ny marina hatrany no tiana hibahana.

Matetika anefa ireo olona sasany,(Indrindra ireo manana ny fahefana),Matahotra mafy hotsaraina amin`nyasany,Ka dia mivily manao hadalana.

Fefeny ny vavan`ny mpanao gazety,Tsy hiteniteny na koa hitsikera,Dia indro izy mihevitra ny ho vedety:(Baikoiny sy giazany ny serasera !)

Ny zava-toy izany dia tena tsy mety.Tsy mendrika anao izay nomem-pahefana,F`omeo re ny hasin`ny mpanao gazety,Avelao izy hiteny fa aza rarana.

Mitsara eny foana ny olon-drehetra,Ka ny “fahefana” aza atao hamoretana.Ny “fahalalahana” dia misy fetra,Ka samia misaina amim-pieritreretana.

TSIMIMALO (11-06-20)

Esory ny “hidy vava”Esory ny “hidy vava”

TONONKALO

Olona miisa 30 isaky ny Fokontany no hisitraka ny fa-nampiana hatolotry ny fiadidian’ny Kaominina Ampita-tafika, Antananarivo tsimondrano, tarihan’ny Ben’nyTanàna Rado Raparaoelina hoentina hanamarihana nyfankalazana ny faha 60 taonan’ny niverenan’ny faha-leovan-tena amin’ity taona 2020 ity. Anio 23 Jona nohiroso amin’ny fidinana ifotony any amin’ny Fokontanymiisa 13 mandrafitra ny Kaominina ny tompon’andrai-kitra amin’ny fizarana ny fanampiana. Nilaza ny Ben’nyTanànan’Ampitatafika fa miato tanteraka ny hetsika“Podium” sy ny fety aman-danonana isan-karazany,izay tokony ho tanterahina eny Antanimenabe Ampita-tafika noho ny fisian’ny hamehana ara-pahasalamana.Ankoatra izany dia olona miisa 3292 amin’ny mponina65000 fotsiny no nisitraka ny vola fanampiana (Tosikafameno) avy amin’ny fitondram-panjakana raha hoan’ny Kaominina Ampitatafika manokana. Efa nanom-boka ny 18 Jona 2020 lasa teo ny fizarana izany tenyAntanimenabe, izay iandrekatan’ny FID (Fond d’Inter-vention pour le development), sy ny Paositra Malagasyary hifarana anio talata 23 Jona 2020. Ankoatra ny fa-hasahiranana ara-bola dia olana ho an’ny KaomininaAmpitatafika ny fiakaran’ny fofona maimbo eny ani-von’ny Fokontany vokatry ny fanaovan’ny olona malotoankalamanjana. Nilaza ny Ben’ny tanàna fa ireo toe-ram-pisotroana na “Bar” no tena ahitana an’izany fa-halotoana izany ary manome vahana ny zava-misyihany koa ny tsy fisian’ny toeram-pivoahana, sy ny fa-habetsahan’ny trano tsy misy toeram-pivoahana. Ni-laza ny Ben’ny Tanàna Rado Raparaoelina fa tokonyhampitomboina ny fametrahana toeram-pivoahana sytoeram-pidiovana ho an’ny be sy ny maro, hapetrakany lalàna mifehy ny fitsirihana fako na “Voirie”, hamafi-sina ny fanentanana ny olona amin’ny fanariana ma-loto, ho jerena akaiky ny fanamboarana trano enyanivon’ny Fokontany izay betsaka tsy misy W.C. An-koatra izany, nanamafy izy ankoatr’izany, fa tokony ho-jeren’ny fitondram-panjakana akaiky ny fombafiasan’ny “Contribution”, izay manome alalana ireo toe-ram-pisotroana na “Bar” satria betsaka amin’izy irenyno tsy manara-dalàna ary lavin’ny Kaominina ny fi-siany, nohon’ny fitarainan’ny mponina kanefa dia tsyandraisan’ny “Contribution” fepetra mihitsy hatra-min’izao. Mikasika ny karaman’ny mpiasa kosa dia ni-laza ny Ben’ny tanàna, fa tsy tapaka ny fanomezanany karaman’ny mpiasan’ny Kaominina Ampitatafikanandritra ny fihibohana ary hoezahina haloa avokoa nykarama volana Jona amin’ity herinandro ity. Raha nydisadisa Politika indray kosa no resahana dia nilaza nyBen’ny tanàna Rado Raparaoelina, fa efa miravona nyfifanolanana nisy teo aminy sy ny Solombavambahoa-kan’ny Distrikan’ny Atsimondrano amin’izao fotoanaary efa miara-miasa ny roa tonta, indrindra amin’ny fa-nomezan-tanana ho fampandrosoana ny Kaominina.

Franck Razakambelo