ramambason andrilaza lesona fandalinana...

29
Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA SORATRA MASINA Hoan’ny Tanora

Upload: others

Post on 25-Oct-2020

5 views

Category:

Documents


0 download

TRANSCRIPT

Page 1: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana...Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II Lesona faha 01

Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II

RAMAMBASON Andrilaza

LESONA FANDALINANA SORATRA MASINA Hoan’ny Tanora

Page 2: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana...Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II Lesona faha 01

Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II

SAVA RANONANDO

IREO FANOHARANA NATAON I JESOSY KRISTY Tome -2 Tena nahafinaritra tokoa ny nitrandraka sy nandrindra ity boky lesona mikasika ny fanoharana nataon’i Jesosy ity, Mampahatsiaro ny fianarana soratra Masina fony kely izy ity , fony tany amin’ny sehatra nisy ny tena taloha. Nahoana no ireo fanoharana no nosafidiana?

Satria raha te ahatakatra ny “fisainan’I Kristy” isika dia moramora kokoa ny manakatra azy amin’ny alalan’ny fandinihana ireo fanoharana nambarany. Tsy ny fanoharana rehetra anefa ity vita lesona ity fa ampahany ihany.

Soatoavina

Ankoatra ny fanarahana ny didin’Andriamanitra izay efa nataon’ny Jiosy hatrizay dia Ireto zavatra manaraka ireto no “soatoavina” izay noezahin’I Kristy nampitaina tamin’ireo fanoharana marobe nataony

1-Ny fitiavana ambonin’ny fombafomba fivavahana ivelany,2-Ny famindram-po sy famelan-keloka tokony hifanaovan’ny olona rehetra,3-Ny finoana marindrano sy tsy misy fangarony , 4-Ny faharetana sy fanantenana an’I Jehovah, 5-Ny famaizana sy sazy miandry ny ratsy fanahy kosa Tanora tahaka ny ahoana izany no vokatra avy amin’ity lesona ity?

Tanora feno fitiavana ny hafa,

Tanora mahay mamindra fo,

Tanora mahay manetry tena,

Tanora mino an’Andriamanitra Ray Tsy miova ny endrika isehoan’ny lesona:

Mbola fomba tanora sy teny fampiasa an-davan’andro ihany no ampiasaina , izany hoe mbola natokana hoan’ny tanora ihany ny endriky ny lesontsika

Ny teny mahafinaritra ahy manokana sady mampieritreritra ahy raha mikasika ity lohahevitra ity dia ilay tenin’I Jesosy Kristy hoe “Mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: fa famindram-po no sitrako fa tsy fanatitra alatsa-drà” Mat 9:13. Mangataka amin’ny Tompo aho mba samy ahalala ny hevitr’io teny io avokoa isika eo ampianarana ity lesona ity.

Hoan’Andriamanitra irery ny voninahitra. Zoky Andry- Mpanabe

Page 3: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana...Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II Lesona faha 01

Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II

Lesona faha 01

ILAY FANASANA LEHIBE

Lio 14:16-24

1. Fampidirana :

Atomboka amin’ny fiverenanana amin’ny ity lesontsika roa farany ity boky hoan’ny zokiny ity

Ity fanoharana ity dia vokatry ny resadresaka teo ampisakafoanana, ary mahakasika ny « fifanasana hisakafo » ny vontoatiny. Nambaran’i Jesosy fa rehefa manasa olona hisakafo dia izay olona « tsy afaka mamerina » izany soa atao azy izany no tokony hasaina fa tsy izay sakaiza na izay mpanan-karena sy manan-kaja. Hita any amin’ny Mat 22 1-14 ihany koa ity fanoharana ity,

Raha ny filazan’ny mpadinika dia mety naverimberin’i Jesosy ity fanoharana ity , ary niampy zavatra hafa arakaraky ny zava-nisy sy ireo mpihaino Azy tamin’izany, amin’ ity lesona ity dia hanaraka izay voasoratra ao amin’ny Lioka isika, fa amin’ny lesona manaraka kosa dia handinika ny fanasana ao amin’ny Matio isika

Nandritra ny fiaraha-misakafo izay natrehan’i Jesosy Kristy io no nisy anakiray niteny mafy nanao hoe « mba sambatra izay hihinan-kanina ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra » angamba natsiro ny sakafo tamin’io, ary nieritreritra ity ranamana ity fa mbola hatsiro lavitra noho izany ny sakafo any an-danitra…(ary marina ny azy !), vakio amin’izay ary ny fanoharana fa hanomboka isika…

2. Nisy olona anakiray nanao fanasana lehibe:

Tsy misy mahasoa ny olona ety ambany masoandro hafa tsy ny mihinanana sy misotro ary ny miravoravo hoy ny mpit 8: 15, Ary na ny fanjakan’ny lanitra aza dia oharina amin’izany fifaliana izany ihany koa,Fifaliana be tokoa ny any an-danitra, ary Jehovah Ray no manasa, Tsy maintsy misy fanomanana ny fanasana hisakafo, ary mandany fotoana lava ny fanomanana raha oharina amin’ny fihinanana. Raha hoan’Andriamanitra manokana dia hatramin’ny andron’ny Testamenta taloha izy no efa nanomana ny fanasany, nanomana ny planina rehetra, hatramin’ny fanolorana ny zanany ho faty, mba ho maro no olona hanatrika ny fanasany.

Sakafo be no natao satria olona marobe koa no nasaina, na izany aza dia voahomana ara-potoana avokoa ny zavatra rehetra. Nandrasana ireo vahiny kinanjo tsy tonga, nalefa ny iraka isan-karazany mba hampatsiahy ireo nasaina fa “anio ilay fanasana”

3. Niala tsiny avokoa izy mianakavy…

Fialantsiny mahazatra no nataon’ireo vahiny, ny anakiray nilaza fa nividy tany ka mila mijery izany tany vao novidiany izany, milaza izy fa mbola misy fitadiavana hataony ka tsy afaka ny hamonjy ny fanasana izy, ny faharoa kosa

Page 4: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana...Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II Lesona faha 01

Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II

vao nividy omby, miisa folo, ka mbola hamolaka ny ombiny izy. Tsy te hanova ny programany mihintsy ity faharoa ity, ilay fahatelo moa dia tena tsy nahalala fomba mihintsy fa sady tsy niala tsiny izy no nilaza fa vao nampaka-bady aho ka tsy ho any.

Inona no manjo ireto olona ireto? Ilay voalohany dia variana amin’ny fitadiavana, aminy dia izay misy tombotsoa sy izay mampisy vola miditra ihany no azy, toa tsy misy tombony ho azy ny hivavaka na hanaraka ny Tompo,Ilay faharoa kosa dia olona efa manana ny programany maty paika, ka tsy azo elingelenina amin’izany, efa nalefa mialoha ny fanasana, saingy tsy nataony ho zava-dehibe izany, ary raha nidrikina teo ireo iraka dia mety namaly izy hoe “ianareo tsy nampatsiahy ahy omaly na afak’omaly , izao mantsy efa vita daholo ny programampiainako”. Ilay fahatelo kosa dia tena tia tena tsotra izao, afaka mankany amin’ny fanasana izy mivady na ora iray na roa fotsiny aza, avy eo mody , saingy mamy loatra ilay fiarahana mitokana ho an’izy roa ka tsy te hamonjy izay fanasana izy!

4. Tezitra ilay mpanasa, “asao avokoa ny olona hafa”:

Ohatry ny mampalahelo ity iraka ao amin’ny Lioka ity, izy irery no mivoaka sy miditra manasa sy manao tatitra amin’ny tompony, ao amin’ny Matio kosa dia maromaro izireo (endrik’ireo mpaminany sy ireo apostoly izay nifandray tsy tapaka tamin’Andriamanitra).

Nasaina avokoa ireo olona tsy noeritreretina hasaina rehetra, ny mahantra , ny marary, ny jamba, ny mandringa sns izany hoe ireo izay tsy mba misy mpanasa hatramin’izay..(endrika anehoana ireo olom-belona feno tsininy, izany, dia ireo mpanota, ireo mpijangajanga, sns)

Tena be fitiavana tokoa ity tompon’ny fanasana ity, ary faly sy tonga avokoa ireo rehetra nasolo ny olona nasaina, na izany aza anefa dia mbola tsy feno ihany ny trano… , Naniraka indray ary ny Tompon’ny fanasana mba hivoahana lavitra ny tanàna, ka hasaina avokoa na ireo izay tsy mponina ao an-tanàna aza, Ireo izay tsy fiangonana akory, kanefa noraisin’Andriamanitra ho zanaka , ireo ondry hafa ivelan’ny vala.

5. Tereo izy hiditra:

Tsy fanerena ara-nofo na fampiasan-kery ity natao ity fa « fandresen-dahatra mahery vaika » , tena natao izay haneken’izireo ny fanasana, natao avokoa na fanambatambazana na fampiderana ny voninahitr’ilay mpanasa, mba ho tsapan’ireo asaina fa « tsy ho maty antoka » izy raha mamonjy ny fanasana. Mety noresena lahatra ihany koa ireo mahantra sy misy kilema ireo satria mety tsy hino izy fa « possible » izany zavatra izany. Ary dia voatery tamin’ny fomba rehetra ny hiditra ihany ireto olona ireto tamin’ny farany.

Midika izany fa na tsy hamaly ny fanasan’Andriamanitra aza isika, dia tsy ahasakana ny fanasana tsy hatao izany, ary tsy maintsy feno ny tranon’Andriamanitra.

6. Tsy hisy hanandrana ny nahandroko ireny olona nasaiko ireny:

Page 5: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana...Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II Lesona faha 01

Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II

Ity ihany koa dia mety hanazavana ilay hoe “tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay izay miteny ratsy ny Fanahy Masina », Marina fa manasa sy manambitamby ny olona rehetra Andriamanitra, kanefa izay “minia mandà” izany kosa dia tsy hisy hevitra intsony ny aminy, satria tsy manery Jehovah.

7. Toa tsy misy hasiny amin’olona ny zavatra maimaim-poana :

Raha nisy fidirana ve ity fanasana ity dia tsy ho avy ireo izay nandray zany? Sady raha amin’ny ara-nofo dia sarotra inoana ihany izany olona handà tsy ho any amin’ny fanasana izany, indrindra hoe « mariazy » saingy satria ara-panahy ilay fanasana dia tsy tsapan’ny olona ny tena lanjany.

Ahoana no endriky ny fanasana raha eto amin’izao tontolo izao ?: Ireo fikambanana kristiana maro dia manasa ny olona rehetra mba handray ny fanasàna, ary manasa azy ho isan’ny fianakaviamben’ny Kristiana, hiaraka hivavaka sy hidera an’Andriamanitra sns sns

Sao mba ratsy laza kosa ilay « Tompon’ny fanasana » ?: Raha ny zavatra mitranga eo anivon’ny fiangonana maro dia toa tsy omena tsiny raha tsy mazoto hiditra ny olona, indraindray dia malaza ratsy ny fiangonana ,toa tsy fety sy fifaliana no tsapa ao am-piangonana fa toa endrika maloka toy ny mamoaka faty, ary mangina sy manjombona, Misy koa tsy fifankazahoana tsapa. Ny fahitana sy fahatsapana ireny zavatra ireny no mety ho mahatonga ny olona tsy mazoto ny hiditra ihany koa, Mety ho “tsy mamely” ny programa, na ny fomba fitarihana, ny toetrantsika mpitarika manginy fotsiny, mety tsy mahay manasa akory isika, Mety tsy hitan’izireny amintsika sy eo amin’ny fiainantsika akory hoe “mahazo tombony isika”, fa indraindray aza dia manamarina ny fihevitry ny olona antsika ho “matiantoka” ny endrika sy sary asehontsika.

8. Fanotaniana sy famerenana:

1) Iza , na inona avy ireo karazan’olona nasaina tamin’ity fanasana ity ? 4) Raha amin’izao fotoana izao dia tahaka ny ahoana no endrik’ireo karazana fialantsiny ireo ?

Tapitra ny lesona faha 01B – Zoky Andry

Page 6: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana...Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II Lesona faha 01

Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II

Lesona faha 02 ILAY AKANJO FITONDRA AMIN’NY FAMPAKARAM-BADY

MAT 22:12-13

1. Fampidirana:

Tsara raha atao lesona mitokana mihintsy ity lesona ity, satria tena zava-dehibe iankinan’ny famonjena no raketiny, ary mampiavaka ny fiangonantsika

ihany koa.

• Fa tsy nijanona hatreo ilay tantara mikasika ilay fanasana fa any amin’ny Matio dia misy tohiny mahazendana ihany koa ; Nisy lehilahy anakiray izay tsy nitondra ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady tao, ka na isan’ny nasaina aza izy, dia tsy maintsy navoaka ary dia natsipy mihintsy fa tsy hoe nohajahajaina.

« Ry sakaiza nahoana hianao no tsy manao ny akanjo fitondra?»

Manintona ny saina ilay tenin’ ilay tompon’ny fanasana hoe “ry sakaiza” , midika izany fa fantany tsara io lehilahy tsy manao ny akanjo tokony fanaovana io, mety mpiresaka aminy isan’andro io, mety mpamita iraka, tena sakaizany mihintsy izy! Saingy tsy nahavonjy azy ny fahafantarany fotsiny an’ilay mpanasa, fa mila miakanjo ilay “akanjo” izy.

Efa fantantsika fa ny fampakarambadin’ny zanak’ondry no resahin’i Kristy eto, na ny fitsaràna farany ihany koa, ary voaasa ho any avokoa ny olona rehetra, saingy hay misy fepetra hafa ankoatry ny “fazahoana fanasana” ny fidirana ao amin’ny lanonana:

2. Inona izany akanjo izany?:

Any amin’ny tany arabo dia misy akanjo fitondran’ny rehetra rehefa manatrika lanonana mihaja na fotoam-pivavahana na koa fampakaram-bady, any amin’ny tany tandrefana koa dia ilaina mihintsy ny manao « kravato » sy lobaka rehefa mamonjy lanonana mihaja, sns, raha tsorina dia mila akanjo miavaka sady itovizana amin’olona rehefa ny famonjena fanasana.

Jesoa kristy no “Akanjo” itafiana : Rom 13 :14, « Fa na iza na iza natao batisa hoan’i Kristy dia nitafy an’i Kristy » Gal 3 :27

Misy akanjo tsy izy! Mazava eto fa ny fanaovana batisa amin’ny anaran’i kristy izany dia fandraisana akanjo, koa satria misy ny akanjo tsy izy dia misy koa izany ny kristy tsy izy.

3. Iza no Kristy tena Izy ? : I kor 15: 3-4

Ny fiainan’I Jesoa Kristy dia efa voalaza mialoha sy nambara mialohan’ny ahatongavany ara-nofo ety an-tany. Izay “maty araka ny soratra masina, nilevina , ary nitsangana araka ny saoratra Masina” Hoy ny Baiboly, izany hoe izay Jesoa manaja sy manaraka ny voalazan’ny Soratra Masina mialoha no Jesoa Kristy fa tsy izay Jesoa manohitra ny Soratra masina, Ireto misy santionany mety ahafantarana azy:

1. Zazalahy (Isa 9 :5), taranak’i Davida

Page 7: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana...Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II Lesona faha 01

Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II

2. Hateraky ny vehivavy mbola virijina (Isaia 7 :14) 3. Ho Teraka ao Betlehema (Mika 5 :1) 4. Hialohavan’ny « Elia ilay mpanamboatra na mpanomana ny lalana na I

Jaona mpanao batisa» (Mal 3 :1) 5. Hitaingina zana-boriky (Zakaria 9 :9) 6. Ivadihan’ny sakaiza mpiara-mihinana taminy (Sal 41 :9) 7. Hampijaliana sy nokapohina ary nolefonina (Isa 53 :3-5) –(Zak

12 :10) 8. Izy no zanak’ondry hovonoina (Isa 53 :7) 9. Hahatona tamin’ny hazo (Nom 21 :9) 10. Hilokana ny fitafiany (Sal 22 :18) 11. Hovonoina tamin’ny antsasaky ny herin’andro (Dan 9 :27) 12. Maty mialohan’ny paska (Eks 12-11) 13. Tsy notapahana ny taolany (Eks 12 :46) 14. Hitoetra telo andro sy telo alina anatin’ny tany (Mat 10 :40) 15. Tsy tratry ny lo (Salamo 16:10) 16. Mitoetra eo akavanan’ Atra (Sal 110 :1)/sns ireo rehetra ireo sy izay sisa mbola tsy notanisaina dia voalaza mialoha (araka ny soratra Masina) avokoa

4. Ny andro nahafatesan’ny Jesoa Kristy marina:

Noho io fanazavana io dia : Tsy marina ny fiheverana fa maty zoma ny Tompo, fa maty ny andron’ny Alarobia izy, ary nalevina mialohan’ny fidiran’ny paska Jiosy. Nitsangana ny harivan’ny Sabata Izy,

Paska Jiosy Sabata Lehibe Jaona 19 :31

Rehefa afaka ny andro sabata (Paska) dia nividy zava-manitra Mar 16 :1 Nividy sy nanamboatra menaka manitra, ny zoma ,ary nitsahatra ny ampitso sabata Lio 23 :56

Andro fiomanana Jao 19 :14 Jao 19 :31

Nitsahatra fa sabata Lio 23 :56

Efa nitsangana ny Tompo

Lio 24 :5-6

Latabatry ny Tompo Mofo sy Divay “Nihinana ny paska dieny tsy nijaly” Lio 22:15

Ora Nitsanganana Feno ny telo andro sy telo alina Mat 10:40

Nakodian’ny anjely ny vato

Lio 24:2 Mat 28:1-6

Nosamborina, tao getsemané Mat 26:36

Nalevina

Alina Alina Alina Andro Alina Andro Alina Andro Alina

Talata Alarobia Alakamisy Zoma Sabotsy alahady

Page 8: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana...Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II Lesona faha 01

Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II

5. Midika inona moa izany ?

Misy ny fitafiana tsy izy, na Jesoa Kristy sandoka, izay mamitaka ny olona , eny na ny kristiana maro aza, ka tahaka antsika izay rehefa mivavaka dia miteny hoe « Jesoa Kristy avy any nazareta sns » dia ilaina mihintsy ny manaiky sy mandray ilay Jesoa Tena Izy, ary manamafy fa Jesoa Kristy maty sy nalevina ary nitsangana araka ny soratra Masina no ivavahana (Na koa hoe maty tamin’ny antsasaky ny herin’andro, nijanona hateloan’andro sy hateloan’alina tao anatin’ny tany). Rehefa mino an’izany isika dia « Atao Batisa amin’ny anaranY” ka mandray ilay fitafiana tena izy.

6. Fanampiny:

Ity fanoharana mikasika ny akanjo tena izy ity dia mahalasa ny saina amin’ireo famantarana marobe hifankafantaran’ny Jehovah Ray amintsika vahoakany, misy maromaro koa ireo fifamantarana ireo na (tombokase) raha ny ambaran’ny baiboly:

o Ny famoràna: Rom 4:11 o Ny Sabata : Eks 31:13 o Ny Ràn’ny zanak’ondry: Gen 12:13 o Ny Fanahy Masina: Efes 1:3 o Ny anaran’ny Ray mipetraka eo amin’ny handrina Apok 14:1 o Ny Fitafiana an’I Kristy tena izy Mat 22:12-13 sy Gal 3:27 sns

Ny fifankatiavana kosa dia marika ivelany ahafantaran’izao tontolo izao ny kristiana.

7. Fanontaniana sy femerenana:

1- Araka ny hevitrao, nahoana ity lehilahy ity no nahasahy nanao akanjo

tsy mitovy amin’ny rehetra? 2- Iza no ambara fa fitafiana ara-panahy araka ny voalazan’ny Baiboly 3- Amin’ny fotoana inona no handraisana io fitafiam-panahy io? 4- Aminao, inona no antony maha diso hevitra ireo milaza fa maty zoma

Kristy? Taiza na tamin’inona ireo olona ireo no “voafandrika”?

Tapitra ny lesona faha 02B -

Page 9: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana...Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II Lesona faha 01

Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II

Lesona faha 03 Ny voatsinapy sy ny masirasira

Lio 13:20.21

1. Fampidirana

Ireto fanoharana ireto dia fanoharana fohy sy tsotra ny amin’ny fanjakan’ny lanitra, Ny hoe voa-tsinapy dia “voan’ny hazo antsona hoe sénevé” izay tena madinika tokoa kanefa rehefa ambolena dia lasa hazobe tokoa. Ny antsoin’ny baiboly hoe « masirasira » kosa dia « leviora » fanaovana mofo,

2. Ny masirasira na ny leviora:

Amin’ny teny grika dia avy amin’ny hevin-teny hoe “manotrika” na “fermenter” ny leviora na ny masirasira. Somary malaza ratsy ny masirasira raha ny ao amin’ny Baiboly, satria entina milaza “fampianaran-diso” izy matetika (Lio 12 :1 I Kor 5 :7-8), Eto amin’ity fanoharana ity anefa dia entina milaza ny fomba fiasa sy ny herin’I Jesoa Kristy izy.

Maro ny masirasira ratsy hita eto amin’izao tontolo izao, dia ireo fotokevitra ratsy izay manimba ny olona tsikelikely, Jesoa kosa anefa dia nametraka ny masirasira tsara teto anivon’ny zanak’olombelona.

Nampiasain’ny “vehivavy” anakiray io masirasira io hoy ny fanoharana, maneho ny “Fiangonana” ihany koa izany,

3. Ny fiasan’ny masirasira na leviora:

Raha ny ara-bakiteny dia milaza mihintsy ny soratra masina hoe « nafenina » ao anaty koba ny « masirasira ». Izany hoe: Tsy hita manintona na mibaribary “haderadera” ny fiasan’ny fanjakan’ny lanitra fa “miasa mangina” ao am-pon’ny olona. Araka ilay voasoratra hoe: “indro ao am-ponareo ny fanjakan’ny lanitra” Lio 17:20.

Marina tokoa fa hita maso ny vokatry ny fiasan’ny herin’ny Soratra Masina, tahaka ny mofo izay hita maso fa lasa nitombo tokoa, saingy ny fomba fiasan’ny masirasira na ny tenin’Andriamanitra kosa dia moramora sy tsikelikely.

Manova olona ny Soratra Masina, ary manova olona tsikelikely. Mety lasa tia Mamaky Soratra Masina ilay olona, mety miala tsikelikely amin’ny faharatsiany izy, manomboka tia ny hafa, sns ary amin’ny farany dia miova tanteraka tsy tahaka ny taloha izy.

4. Koba intelon’ny famarana, no nasiany masirasira :

Ny famarana dia ampahatelon’ny « efaha » (jereo Gen 18:6; Mpitsara 6:19; 1 Sam 1:24).Ny koba 3 famarana mira 1 efaha , izany hoe 35 cm3 na 35 litatra ny fatran’ilay koba. Na betsaka toa izany aza ity koba ity dia vitan’ilay masirasira ny nampitombo azy tsikelikely tsikelikely

Page 10: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana...Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II Lesona faha 01

Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II

Miasa mangina ny herin’ny filazan-tsara :

Tahaka ny voa-tsinapy izay kely sy madinika izy, kanefa mitombo miandalana ary tonga hazo be, dia toa izany ny fiasan’ny filazan-tsara, iza moa no hanam-po fa ireo apostoly 12 lahy fahizany anie ka hiteraka « fianakaviam-be kristiana » marobe aman-tapitrisa toa izao ?

Indray andro dia nisy mpitory filazan-tsara ankiray nivahiny tamin’ny toerana anakiray, efa ela io toerana io no nidiran’ny filazan-tsara, kanefa kivy ihany ilay mpitory filazan-tsara nandalo tao hoe “toa tsy misy akony eo amin’ny fiainanareo akory ny nidiran’ny fivavahana kristiana teto aminareo..” Dia namaly azy kosa ilay tompon-tany niresaka taminy hoe “diso hevitra ianao, fa nitondra fiovana tokoa, satria raha ny fombanay talohan’ny nidiran’ny fivavahana Kristiana no tratranao teto, dia efa “laninay” ianao ohatrizay!. Satria mpihinan’olona na «cannibales» ireto foko ireto taloha.

Araka izany dia miandalana sy mangina no fiasan’ny herin’ny filazan-tsara kanefa manova fiainan’olona izy, manova fiainan’ny fiaraha-monina ihany koa, ary tsy mahatohitra azy ny “fotoana” fa miasa izy na hiandrasany fotoana ela aza ny vokatra.

Tsy tokony mahakivy ny fiangonana noho izany ny fahaelan’ny fisian’ny vokatra rehefa manao asa fitoriana , na koa ny fahaelan’ny vokatra amin’ny asa fanabeazana kristiana, fa tena fomba fiasan’ny filazan-tsara mihintsy ny mivoatra miadana sy mangina tahaka ny masirasira.

Tapitra ny lesona faha 03B

Page 11: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana...Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II Lesona faha 01

Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II

Lesona faha 04

ILAY HARATO TARIHINA Mat 13:47-50

1. Fampidirana :

Tadidintsika ve ilay fanoharana mikasika ny vary sy ny tsiparifary izay nampianatra mikasika ny fanjakan’ny lanitra ihany koa ? Ity no fanoharana fahafito mikasika ny fanjakan’ny lanitra ao amin’ny Matio 13, ary mamintina azy rehetra izy ity :

2. Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harato anakiray:

Harato indray no resahina eto, tsy harato kely fanipin’ny mpanjono ambony lakana fa harato lehibe fitondra sy tarihin’ny sambokely.

Ny fanoharana dia milaza fa alaina amin’ny alalan’ny harato ny trondro ho tonga amin’ny fanavahana rehefa tapitra ny fandratoana.

Ny harato dia maneho ny « vaovao mahafaly na ny filazan-tsara ». Ny Rano kosa dia maneho an’izao tontolo izao na ny olona eo amin’izao tontolo izao.

3. Trondro isan-karazany !

Ny filazantsara dia afafy amin’ny olona rehetra tsy misy fanavahana , na lahy na vavy na harena na taona, Ary dia voasarik’izany « harato » izany avokoa ny karazan’olona rehetra. Raha tadidintsika ny lesona teo aloha , Ny fitoriana ny filazan-tsara dia mitovy amin’ny mandeha « mamafy », « manao koba na mofo », ary koa mandeha « manarato ».

4. Ny tsara atao an-karona, fa ny ratsy kosa nariana.

Fomba fanaon’ny mpanjono izany manavaka ny trondro izany, ny « harona » eto dia mitovy amin’ny « sompitra » ao amin’ny Mat 13 :30. Na ao “an-tranon’ny Ray” (Jao 14 :2) na koa ny “fonenana mandrakizay” (Lio 16 :9).

Tsy ny trondro rehetra akory dia azo hanina na azo amidy avokoa, misy ny trondro tsy misy vidiny, misy koa ireo ratsy hena ka tsy azo hanina (biby maloto hoy ny baiboly) sns… Ny trondro tsara dia ireo izay mendrika ny fiainana mandrakizay, ireto tondro ratsy kosa dia ireo izay tsy mendrika ny ho amin’izany.

5. Dia toa izany amin’ny andro farany! Samy manana ny anjara asany

Ny fitoriana ny filazan-tsara, fanaparitahana ny famonjena amin’izao tontolo izao dia anjara asantsika fiangonana tokoa, Ny manavaka ny marina amin’ny tsy marina kosa, na ny manary ny sasany any amin’ny afobe na mitondra ny sasany any an-danitra kosa dia anjaran’ny anjely irahin’ny Tompo irery ihany, Ary ny fahatanterahan’izany dia miandry mialohan’ny fahataperan’izao “vanim-potoana” izao (Mat 13:41.42; 25:3).

Page 12: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana...Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II Lesona faha 01

Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II

6. Misy « trondro tsy izy » ao am-piangonana!

Izay hevitra izany no nampiavaka ity fanoharana ity, Tsy zava-baovao amintsika anefa ny fisian’izany.

Amin’ny toerana rehetra na sehatra rehetra itoriana ny tenin’Andriamanitra dia misy ny “mino” sy ny « tsy mino”, Ary tsy afaka miala amin’izany ny fiangonana, Tsy ny fiombonam-be ara-panahy iraisan’ny zanaky ny Ray akory no fiangonana resahina eto ,fa ny “fiangonana” fikambanana hita maso na ilay fiangonana rafitra ety an-tany.

Mety eny ambony dabilio, eny anilantsika eny, any anaty rejistra any no hisitrian’ny trondro tsy izy, mety eny ambony alitara na pilpiotra na anaty biraon’ny fiangonana sns

Sarotra ny manavaka azy ireny, satria mitonon-tena sy miseho ho Kristiana tokoa izy, Saingy voasariky ny “harato tarihina” mantsy izy ka tafiditra eo anivon’ny fiangonana.

Ireo izay hita maso fa tsy izy “satria tsy mahalala menatra manota sy tsy mety anarina” kosa dia azon’ny fandaminana atao ny manavaka azy hiala amin’ny fiangonana (I-Kor 5:1-13),

Fa ireo mpihatsara ivelatsihy kosa dia ireo “Anjelin’ny Tompo” irery ihany no mahalala sy mahay manavaka azy, (marihiko fa tena anjely no resahina eto, fa tsy hoe olom-belona manao ny asan’ny anjely akory na mpanadihady sy mpitsikilo) ary amin’ny Andro farany no anatanterahina izany fa tsy amin’izao vanim-potoana izao ihany koa tsy akory.

7. Famitinana sy fanotaniana:

1) Inona no nampiavaka ity fanoharana ity amin’ireo namany hafa? 2) Inona no anjara asa nomen’ny Tompo ny fiangonana? 3) Inona no anjara asa natokan’ny Tompo hoan’ny anjely? 4) Azo ampiasaina ve io fanoharana io, hilazàna ny tsy ilaina ny

« fitsipipifehezana na discipline » eo anivon’ny fiangonana? Hazavao ny hevitrao, manomeza Toko sy Andinin-tsoratra Masina.

5) Mamorona teny fanentanana (publicité), maneho hoe « samy manana ny anjara asany, ny anjely sy ny Kristiana.

Tapitra ny lesona faha 04B

Page 13: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana...Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II Lesona faha 01

Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II

Lesona faha 05

ILAY MPITSARA TSY MARINA Lio 18:1-8

Tanjon’ny lesona : Famporisihina ny tanora kristiana mba hatoky ny Ray any an-danitra sy aharitra miandry ny valim-bavaka rehefa mivavaka.

1. Fampidirana : Nandritra ny firesahan’i JK momba ny fihaviany fanindroany no nivoaka ity fanoharana ity, noho izany dia famporisihina ny Kristiana hahery hivavaka sy haharitra amin’ny andro farany izy ity.

2. Mpitsara tsy matahotra an’Andriamanitra sy tsy mena-maso olona:

Nomarihin’i Jesoa Kristy fa tena ratsy fanahy ity mpitsara ity, tsy miraharaha an’Andriamanitra na ny olona izy, izany hoe « tsy matahotra na iza na iza » izy no sady tsy mino an’Andriamanitra ihany koa.

Matetika ny olona rehefa tsy mino an’Andriamanitra dia lasa manao tsinontsinona ny mpiara-belona aminy, Marina fa misy ihany ireo « tsara fanahy » saingy vitsy dia vitsy izireny. Raha ny tsara indrindra dia mba hanana mpitsara « matahotra » an’Andriamanitra sy « hantra olona » ny firenentsika.

Tsy maneho an’i Jehovah Ray akory ity mpitsara tsy marina ity, fa dia mifanohitra aminy tanteraka ny toetrany, fa ny hevitry ny fanoharana dia ny hoe « Raha mpitsara ratsy fanahy aza, manaiky (na koa hoe tsy mahazaka) ho elingelenin’ny vehivavy mpitondratena , ka manome rariny azy ,mainka fa Jehovah Ray izay marina sy mahintsy ary mpamindra fo?

3. Fa nisy mpitondratena …:

Vehivavy maty vady izany, tsy misy olona mamelona na mikarakara azy, mahantra izy ary tsy mahalala « olona ambony » hanampy azy, Tsy misy « tsolotra » azo antenaina avy aminy raha izay no andrasan’ity mpitsara ity !

Tamin’izany fotoana izany dia tsy misy « mpisolovava » afaka hiaro na hanaraka ny ady any amin’ny mpitsara, ka azon’ny mpitsara ratsy fanahy atao mihintsy ny tsy miraharaha sy manao ny fitoriana ho toy ny tsy misy.

Tonga manelingelina azy hatrany anefa ravehivavy, ary tsy miova sy miverimberina ny zavatra angatahiny dia ny hanomezana rariny azy eo anoloan’ilay manana ady aminy. Mety eo ampikarakarana «fitsaràna hafa» azahoana volabe ity mpitsara ity, ka tsy miraharaha izay « aferan’ity ramatoa ity » kanefa tsy nahasakana ilay ramatoa tsy ho avy isan’andro izany.

Teo anatrehan’ny fikirizan’ity vehivavy ity dia « resy » ihany ilay mpitsara ratsy fanahy.Ny antony dia tsotra ihany: Mba tsy hanelingelenan’ilay vehivavy azy intsony dia nomeny azy izay ilainy.

Page 14: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana...Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II Lesona faha 01

Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II

4. Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va? Izay mitaraina aminy andro aman’alina ?

Io fehezan-teny io no fanazavana ilay fanoharana nataon’i JK, Nasehon’i Jesoa Kristy tamin’ny fampitahàna ny mahasamihafa ny Ray amin’ilay mpitsara voalazan’ny tantara :

1. Ilay mpitsara dia tsy mahalala ity vehivavy ity, sady tsy manana fitiavana azy izy, Jehovah Ray kosa dia mifanohitra amin’izany « miraharaha » antsika Kristiana Izy, isika izay « olona nofinidiny » satria « tiany ».

2. Isan’andro no tonga manantona ilay mpitsara ravehivavy, ny olom-boafidy kosa dia mitaraina andro sy alina (Sal 35:17; 74:10; 94:3; Ap 6:10).

3. Niandry elaela vao namaly andravehivavy ilay mpitsara, Jehovah kosa dia tsy mba mitaredretra hoy Kristy.

4. Ny tombotsoan’ilay mpitsara na ny fitiavan-tenany (mba tsy hoelingelenina) no nahatonga azy hamaly, Jehovah kosa dia asesiky ny fitiavana.

Iza marina moa no lazaina olom-boafidy ? Izay mino sy nandray an’I Kristy! Jao 10:14.16; II-Tim 2:19; I-Pet 1:2.

5. Tsy mitaredretra Jehovah !

Tsy mba mitaredretra Jehovah amin’ny fanatanterahana ny sitrapony, Sady manafohy izy no manome fe-trandro ihany koa anefa. Ampiandrasany ny fiavian’ny andro farany mba hampiova ny fon’ ny olona ka hamonjena « maro araka izay tratra » II-Pet 3 :8-9. kanefa Afoheziny kosa ny « andro mahory mba hitsinjovana fijalian’ireo « olom-boafidy » Mat 24 :22.

Tsy mitaredretra Jehovah amin’ny famaliana ny vavaky ny mpino,

6. Kanefa raha avy ny zanak’olona, moa ahita finoana ety ambonin’ny tany va Izy?

Fanotaniana tsy misy valiny no namaranan’i Jesoa ny fanoharana eto, ary anisan’ny mahavaka ny mpandinika soratra masina mihintsy ny manazava azy: ireto misy petrak’evitra azo dinihina (tsy milaza aho hoe marina na diso ireto petrak’evitra ireto, fa aoka ny tsirairay no samy handinika ny heviny)

1. Petrak’evitra voalohany : Misy mpandinika izay milaza fa Jesoa dia mamporisika ny olona tsy hijanona hivavaka sy hangataka mandra-pahazoana valiny mahafa-po, kanefa na Izy tenany aza dia mahalala dieny amboalohany fa vitsy no hanatanteraka izany

2. Petrak’evitra faharoa : Misy kosa milaza fa : Nampianatra ny olona hanana finoana Kristy, ka tsy ilaina ny mangataka lavareny tsy mijanonana , fa mila miandry amim-paharetana fotsiny isika rehefa avy mangataka amim-pinoana indray mandeha. Ny famerimberenanana

Page 15: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana...Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II Lesona faha 01

Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II

fangatahana tahaka ny nataon’ity vehivavy ity dia midika ho « tsy finoana », Midika ho fampitoviana an’Andriamanitra ho tahaka ilay mpitsara tsy marina ny fanaovana izany. Satria izay mangataka dia tokony hino avy hatrany fa efa nahazo, ny famerimberenana ny fangatahana anefa dia mariky ny tsy finoana fa « efa nahazo ».

Asa re iza no marina na iza no diso, sa samy marina? fa raha amin’ny maha mpanabe antsika dia izao no azo ambara:

Raha mbola “kely” ny finoana dia tsy omena tsiny izay tsy mitsahatra mangataka mandra-pahazahoany izay angatahiny, fa ny mendrika indrindra dia ny mino fa “mahita sy Maheno ary tsy mitaredretra” ny Ray, Izany hoe mangataka amim-pinoana ary miandry amim-paharetana sy filaminan-tsaina no “anjara asa”-n’izay mino.

Anjaranao no mandinika ny toerana misy anao, ary aoka tsy hitsara ny hafa . Ny azo hambara aloha raha ny tenin’i Kristy dia « ho vitsy no hanana finoana” sy aharitra amin’ny fiandrasana ny “mpamonjy” rehefa tonga ny andro farany.

7. NY FAHARETANA

o Ity fanoharana ity dia mampianatra antsika betsaka momba ny faharetana, na « maharitra mangataka » io na « maharitra miandry valiny » dia samy faharetana avokoa no azo ilazàna azy. Tsy maintsy misy fandresena rehefa misy faharetana, ny olona manana faharetana dia izay « mandray ny fotoana ho namany » (accepter le temps comme allié),

o Tsy misy mafy tahaka ny vato, kanefa rehefa itetevan’ny rano kely mandritra ny fotoana maharitra izy dia tsy maintsy zary« lavaka » ihany , Tahaka izany no fomba nentin’ilay vehivavy nandresy ity mpitsara tsy marina ity.

8. Ny tsy matahotra an’Andriamanitra? Ireny no tena “Gravy”!

o Ny olona tsy mino an’Andriamanitra dia tena sarotra iaraha-monina mihintsy. Tsy azonao ampitahorina ny « afobe » izy satria tsy mino ny fisian’izany, tsy matahotra ny lanitra sy ny famaizany izy satria tsy mino ny fisian’izany. Ary tsy matahotra olona ihany koa izy mazava hoazy, Tsy mety manana fo antra izy ireny fa izay ahitany tombotsoa sy tombom-barotra no mahaliana azy,

o Saingy vehivavy mananotena no naharesy azy. Vehivavy malemy kely, tsy misy mpiaro, tsy manana n’inon’inona akory, no naharesy azy. Ny tsiambaratelon’ny fandresena azon’ity vehivavy ity dia ny faharetana! Ny fikirizana, ny fanantenana, ny finoana.

9. Nanana fahalemena (na point faible) ilay mpitsara

o Na dia mahery sy tsy manana fo hantra, ary tsy matimanota aza ity mpitsara ity dia nanana ny « point faible-ny » izy, tsy inona izany fa ny « fitiavan-tenany ». Satria tsy te ho voaelingelina izy dia nanjary

Page 16: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana...Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II Lesona faha 01

Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II

nanome rariny ilay vehivavy mananotena. Ny toetra ratsiny ihany no nahavoazan’ndravehivavy azy.

o Raha mahomby ny faharetana sy ny fikirizana eo anoloan’ny olona tsy manam-pitiavana, maika tsy ahazo valiny vetivety sy mahafa-po isika raha mangataka sy miandry ilay “tena fitiavana sy tompon’ny fitiavana” ?

o Noho izany dia mampahery antsika rehetra izahay, misy fotoana izay maika loatra isika handray valim-bavaka, misy fotoana ihany koa izay tsy hananantsika finoana akory aza hoe handray valim-bavaka, saingy ity lesona ity dia mampatsiahy antsika fa “mahita sy mandre, ary tsy mitaredretra” ny Tompo, koa mahareta miandry Azy”.

o Efa isan’ny sarotsarotra iny lesona iny, kanefa natao hampitombo antsika no nanolorana izany.

10. Famintinana sy famerenana:

o Tahaka ilay vehivavy eo anatrehan’ilay mpitsara tsy marina ve isika Kristiana eo anatrehan’ny Ray? Hazavao ny hevitrao

o Inona no tsiambaratelo nahatonga ity vehivavy nivoaka mpandresy? o Iza na inona no atao hoe olom-boafidy? o Inona no mahatonga ny Ray hamaly ny fangatahantsika zanany?

Tapitra ny lesona faha 05B

Page 17: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana...Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II Lesona faha 01

Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II

Lesona faha 06

ILAY FARISEO SY ILAY MPAMORY HETRA

Lio18: 9-14

“Ary Jesosy nanao ity fanoharana ity tamin’ny sasany izay nahatoky tena ho marina ka mamingavinga ny hafa. Lio 18:9”

Anisan’ny fanoharana malaza nataon’i Jesoa Kristy ity resahintsika eto ity, Fanoherana ny toetran’ny fariseo sy ny fombany no tanjon’ny Jesoa teto, ary nambaran’i lioka mialoha ny fitantarany ilay fanoharana moa izany tanjona izany,

1. Inona moa ireo fomban’ny fariseo tiana hambara eto?

Ny fariseo dia manaraka antsipirihany ireo fomba fivavahana hita maso na fomba ivelany mikasika ny fivavahana, ary mahay manafina ny faharatsian’ny fony sy na ny kilemany amin’ny alalan’izany fanarahana tsy misy kianina ny fombafomba ivelany izany izy. Eo anatrehan’izany dia mahatsiaro ny tenany ho marina izy satria tsy ahitàna kilema ivelany mihintsy (raha oharina amin’ny lalàna) ary dia enjehiny mafy sy kianiny mafy ny mpivavaka hafa izay tsy manao tahaka azy. Ary tena tsy zakan’I Jesoa Kristy mihintsy izany fombafomba sy toetran’ny fariseo izany! (Raha te hiditra amin’ny antsipirihany dia Jereo Lio 11:37-44)

2. Maro ny olona no mihevitra samirery ny tenany fa masina sy mendrika na koa hoe « marina »:

Misy olona izay mihevitra samirery ny tenany ho marina, kanefa ny soratra masina dia milaza fa “tsy misy marina na dia iray aza, fa efa nanota avokoa izy rehetra » (Rom 3 :10 .22.23). Tsy misy afaka ny hanamarina ny tenany, na hahatsapa tena fa marina eo anatrehan’ny Ray. Fa ny hany fomba tokana azahoana ny fanamarinana dia avy amin’ny “ràn’I Kristy” irery ihany, izany hoe Jesoa irery ihany no mamela heloka sy manamarina.

3. Olona roa samihafa no tonga hivavaka:

Fotoana fanaovan’ny be sy ny maro vavaka eo amin’ny tempoly tamin’izay, Nisy olona roa samihafa tonga teo , ny anakiray “fariseo”, ny anakiray “mpamory hetra”, samy miantso ny anaran’ny Ray avokoa izy mirahalahy, Karazan’olona tena mifanipaka iziroa ireto: ny iray dia sangany amin’ny mpitondra fivavahana, ny anakiray dia nosokajian’ny fiaraha-monina ho olona ratsy toetra sy ratsy saina.

Ny mpamory hetra tamin’ny andron’ny Jesoa dia Jiosy izay mitaky vola sy hetra amin’ny Jiosy namany, haloa amin’ny Fanjakana Romana. Nanana fahefana teo amin’ny vahoaka izireny ary nanambàka sy nanararaom-pahefana tokoa, “mpangalatra” hoy ny fiteny mahazatra.

Page 18: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana...Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II Lesona faha 01

Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II

Misy karazany roa ny fivavaky ny Jiosy: ny karazany voalohany dia ny vavaka mahazatra sy litania izay fomba fivavahana raikitra na tarazo, ny faharoa kosa dia vavaka malalaka na tora-po!

Tahaka antsika izay manao tora-po rehefa mivavaka dia amin’io fotoana io no samy mandoatra izay mahafeno ny fony sy ny eritreriny ny tsirairay.

(Mazava hoazy fa tsy mifankaheno izy mirahalahy raha tsy izany mety halahelo ilay mpamory hetra satria noharatsian’ilay fariseo izy)

4. Ny fivavak’ ilay fariseo

Mijoro miatrika tsara ilay fariseo (mety nanamboatra fijoro sy fihetsika mihintsy izy sao misy mijery ka mba hitan’ny olona), nidera sy nisaotra an’Andriamanitra izy, tsy hoe nanao teny fisaorana fotsiny izy fa nisy vontoatiny mihintsy ny fisaorany :

« Misaotra anao aho fa tsy tahaka itsy lehilahy mpamory hetra itsy »…ary dia notanisainy avokoa ireo « ezaka » vitany ho fanamasinany ny tenany.., Raha ny marina dia tsy misaotra an’Andriamanitra ity lehilahy ity fa misaotra ny tenany eo anatrehan’Andriamanitra. Raha tokony ho ny « fahasoavan’Andriamanitra » no naha toa izao azy, dia asehony kosa fa ny « ezaka sy fikirizany ho masina » no naha toa izao azy, ary milaza amin’Andriamanitra izy fa nahavita tokoa.

Mpanamarin-tena eo anatrehan’ny olona ny fariseo (Jereo Lio 16 :15), kanefa manamarin-tena eo anatrehan’ny Ray ihany koa izy eto.

5. Notanisainy ny ratsy tsy mba ataony:

Manohatra ny tenany amin’ny olona hafa izy ka mahatsiaro fa mendrika kokoa, Tena marina tokoa fa tsy ratsy fitondran-tena izy, tsy mangalatra izy, tsy mbola nijangajanga izy (izany hoe tsy mbola nandry tamin’ny vehivavy hafa akoatra ny vadiny ) sns, Ary dia « notononiny amin’ny tenany fa marina izy » ka tsy miandry mpanamarina na mpamela heloka, tsy mahagaga izany fiheviny izany satria tsy mahatsiaro tena ho nanota tsinona izy…

6. Nalainy baraka ny hafa:

Rehefa nitantara ny “ratsy tsy ataony” izy dia nitatibolana tamin’Andriamanitra kosa hoe “I Ranona kosa dia tena manao izao sy izao mihintsy”

Misy olona izay mody miteny hoe “amim-panetren-tena lehibe no hitenenako, kanefa dia te hirehareha izy; Misy koa ny te hanala baraka olona dia mody m iteny hoe “mila entina am-bavaka I Ranona fa zao sy zao, sady eo imason’ny fiangonana no anaovany izany sns . Ireny fomba ireny dia tena fomba ratsin’ny fariseo avokoa.

7. Notanisainy ny asa tsara vitany :

Page 19: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana...Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II Lesona faha 01

Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II

Tsy vitan’izany ihany, fa rehefa avy nitanisa ireo zavatra ratsy tsy mba ataony izy , rehefa avy niapanga ny hafa; dia mbola nitanisa ireo zavatra tsara fanaony kosa indray : « Mifady hanina indroa isan-kerin’andro aho ! mahatoky amin’ny ampahafolon-karena aho »

Ny fifandian-kanina (fampahorian-tena) teo amin’ny Jiosy tany amboalohany dia indray mandeha isan-taona, izany hoe amin’ny « andro fanavotana » Lev 16:29 sy 23:27, taorian’ny fivoahana an’I Babylona kosa dia lasa fomba fanao ny mifady hanina hoan’ny tsirairay (privé), saingy tsy takatry ny Jiosy tamin’izany ny fomba fifadian-kanina ankasitrahan’I Jehovah (Isa 25:4-7)

Mandoa ampahafolon-karena ihany koa ity Fariseo ity, eny na dia mpitondra fivavahana aza ny tenany dia mandoa soamantsara izany ampahafolony izany hoan’ny levita sy mpikarakara ny tempoly (izay namany ihany).

Ary tafahoatra ny mety mihintsy aza satria tsy amin’ny vokatry ny tany na ny fiompiana ihany fa hatramin’ny anana amboleny any an-tsaha aza dia andoavany ampahafolony avokoa (Lio11:42). Raha ny amin’ny asa fanamasinan-tena sy ny asa tsara dia « milamina sy mahazo antoka” ity fariseo ity fa “marina sy masina” izy sady mihoatra noho izay takiana aza no vitany.

8. Nijanona teny lavidavitra ilay mpamory hetra:

Tsy mety niroso teny aloha kosa ilay mpamory hetra, mety teo ambaravarana fidirana ihany dia efa nijanona izy, hita fa menatra izy, ary mahatsiaro fa tsy mendrika ny hiroso eo anoloan’ny hotely fivavahana akory. Tsy sahy miandrandra ny lanitra na manao fihetsiketsehana be hoe “mivavaka » (manao “dessin animée” hoy isika). Satria tena menatra izy, ary tsy menatra olona akory fa menatra ny Ray, Miondrika izy ary niteha-tratra sady nanao hoe « Andriamanitra ô! Mamindrà fo amiko fa mpanota aho! », Mangataka famindram-po izy mba tsy ho azon’ny fahatezeran’Andriamanitra.

Tsy mandry ny sainy na dia fantany aza fa tsy izy irery anie no manota fa manota daholo ny olona e! Saingy fantany fa tsy maha marina ny tenany akory ny fisian’ny olona sasany izay mpanota be kokoa noho izy. Ny fantany dia « mpanota izy eo anatrehan’ny Jehovah », ary tsy mandrefy ny otany amin’ny fahotan’ny hafa izy. Ka hanao tahaka ilay mpamory hetra hoe « mbola misy mpanota be noho izaho anie ry Tompo e! HIanao indray ve no atoro an’ izany ? » . Fantany fa tsy afaka manamarina ny tenany izy ka «mila fanamarinana avy amin’ny Ray” »

Mangataka famelàna izy, ary zony tanteraka izany, sady toerana azo hangatahana izany ny “toeram-pivavahana”, sady any ampiangonana ihany koa dia toerana hilazàna sy handraisana famelan-kelokoa hoan’izay miaiky ny helony, sy miaiky ny herin’ny ràn’ny zanak’ondry.

9. "Lazaiko aminareo...":

Nambaran’i Jesoa tamin’ny teny maneho fahefàna fa nahazo famelana sy noharaminina ilay mpamory hetra, Satria nahoana ? « Satria izay manafina ny

Page 20: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana...Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II Lesona faha 01

Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II

fahotany tsy mba ambinina fa izay mitsotra ka mahafoy azy no ahazo famindram-po » Ohab 28 :13. Ary koa « izay manandra-tena no hahetry »

INONA NO LESONA AZO TSOAHINA ANKOATR’IZAY?

10. Tsy ny ezaky ny tenatsika no manamarina antsika:

Mbola maro tokoa ny olona no mihevitra fa arakaraky ny ezaka fanamasinan-tena vitany no maha marina azy, ao koa ny mihevitra fa ny fanarahana fombafomba ivelany isan-karazany dia maha masina azy mihoatra amin’ny hafa, misy ohatra izay mitsara ny mihevitra fa izay be fihetsiketsehana rehefa mivavaka, na manao Angolan-teny amboarimboarinia no tena mahay mivavaka na iasan’ny Fanahy Masina, na koa izay mahavita mifady hanina lava na mafy indrindra (Mat 9:14), izay manao fitafy maotina indrindra sns, hadinontsika matetika fa ireny fombafomba ireny dia tsy hanamarina antsika mihintsy raha tsy ny fontsika mihintsy no madio sy marina eo anatrehan’ny Ray sy feno fitiavana sy famindram-po amin’ny hafa ihany koa.

11. Aza mampitaha ny tenatsika amin’ny hafa:

Misy aloha ny olona izay tsy azo anarina sy ahitsy mihintsy satria “ny sasany ve manao (ratsy) dia ahoana izy no tsy mba mahazo hanao (ratsy)?

Nefa araka ny asehon’ny lesona eto dia misy koa ireo izay mampitaha ny tenany amin’ny hafa, ka mahatsiaro tena fa masina kokoa raha oharina amin’ny hafa, Ireny olona ireny dia zarany aza misy “mpanota” eo akaikiny mba azahoany aina hoe “masina izy”, zarany aza misy mpanota eo akaikiny mba ho kianiny , fa raha manao izany izy dia mahatsiaro ho masina.

Dia tahaka ilay zokin’ilay zanaka adala izireny, tsy zakany ny mahita ny hafa manota kanefa mbola mahazo famindram-po sy famelan-keloka avy eo. Ny fon’ny olona tratran’io toetran’ny fariseo io dia tena tsy misy fitiavana na famindram-po mihintsy. Raha ny marina dia te hanota koa izy ao anatiny ao fa tsy mivaky an’izany, na mitsiriritra na mialona ny sasany manota,

Tsy ny fahotana akory no tsy tiany fa ireo mpanota no halany, ary tiany raha mba ataon’Andriamanitra zava-dehibe ny ezaka ivelany ataony, Satria mafy aminy ilay mitandrina ivelany… ary mafy tokoa izany, raha mba fantatsika mantsy ilay teny hoe “fa famindram-po no sitrako fa tsy fanatitra alatsa-drà, (Hos 6:6)

12. Aza malaky mitsara ivelany!

Ity lesona ity koa dia mampianatra antsika fa tsy mijery ivelany tahaka ny olombelona ny Ray, Ary tsy mahasoa ihany koa ny mitsara ny hafa amin’ny fombafombany, fa eo anatrehan’Andriamanitra dia samy mianjahanja avokoa ny ao am-pon’ny tsirairay.

13. Aza mifaneso! : Fandre matetika rehefa misy manome tsiny ny hoe “mba Pasitera na diakona na mba loholona , na mba tompon’andraikitra amin’ny fiangonana ihany kanefa dia manao ratsy ,izao sy zao…” ny

Page 21: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana...Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II Lesona faha 01

Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II

fiteny na firesaka toa izany dia tena fihevitry ny fariseo tokoa, koa fadio ny mifaneso sy ny mandrefy ny hafa amin’ny andraikitra tanany na ny toerana misy azy eo anivon’ny fiangonana, ka hilazàna fa “tsy manana zo hanota” izy, satria izany dia midika avy hatrany hoe “tsy manana zo ahazo famelan-keloka” izy, Fa manan-jo ho voavela heloka avokoa ny olona rehetra, na dia izay ratsy fitondran-tena indrindra sy izay tsy mba mpanao asa soa mihintsy aza! (saingy mila antsika miaiky heloka amin’ny Ray izany)

14. Fanotaniana sy famintinana:

1. Tanisao, Inona avy ireo toetra mampiavaka ny fariseo izay tena tsy zakan’I Jesosy, ary hazavao

2. Inona no Antony mahatonga ny fariseo ho tsy tia ny mpanota? 3. Nahoana no tsy nahavonjy na nahamarina ny fahamaroan’ny asa sy ny

fanamasinan-tena vita? 4. Nahoana no nahazo famindram-po sy famelan-keloka ilay mpamory hetra?

Tapitra ny lesona faha 06B - Zoky Andry

Page 22: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana...Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II Lesona faha 01

Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II

Lesona faha 07

ILAY MPANOMPO RATSY FANAHY Mat 24:39-44-51 – Lio 12 :42-46

Ny fiandrasana ny fiverenan’ny Jesoa.

I. Fampidirana: Ity fanoharana ity dia lesona manokana hoantsika mpiandraikitra kristiana, ny amin’ny endriky ny fomba hifandraisantsika amin’ny namantsika (fiarahamonina kristiana) eo ampiandrasana ny fiverenan’ny Tompo fanindroany. Tsy zavatra maivana ity resahina eto ity satria any amin’ny faran’ny tantara dia misy olona anakiray ratsy fahafatesana satria voatetitetika.

II. Nahoana no mila miambina ! na mila vonona ?

Satria tsy misy mahalala ny andro sy ny ora hiverenan’i Kristy , ary amin’ny fotoana efa tsy ampoizina mihintsy izy no ho tonga tampoka. Efa nisy fotoana ve hianao tratra hariva, ka tsy nitondra fanalahidy, ary efa natory avokoa ny olona ka tsy nisy mifoha hamoha anao? Inona no tsapanao tamin’izay? Mazava ho azy fa tahotra na fahasorenana. Raha zanaka na mpanompo ianao dia tahotra no betsaka, fa hoan’ny tompo na raiamandreny kosa dia « hatezerana » no mitranga.

Mora ny miambina raha fantatra ny ora hiavian’ny mpandromba na ny fahavalo, fa sarotra kosa ny manao izany fiambenana izany raha tsy fantatra mihintsy na rahoviana na rahoviana izy no ho avy.

Hoavy tokoa Jesoa Kristy, Izy mihintsy no nanome toky an’izany. Nanome “famantarana” maro izy, kanefa tsy nilaza kosa hoe rahoviana na andro tahaky ny ahoana no ahatongavany. Ity fanoharana ity dia mampianatra ny olona ho “malina” na hiambina mandrakariva, mba tsy ho tampoka aminy ny fahatongavany.

III. Iza re no mpanompo mahatoky sy manantsaina ?

Mpanompo anakiray miavaka no eritreretin’i Jesoa Kristy eto, Olona itokisany hitandrina ny tranony sy ny fananany rehetra, hatramin’ireo mpanompo kely hafa aza. Mpitandrina no anarany hoy isika teo, maneho ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny finoana kristiana izany. Isika tompon’andraikitra eo anivon’ny fiangonana no mikarakara ny fiangonana, mandra-piverin’ny tena tompony (I Kristy no Tompo). Olona mendri-pitokisana no manao ny asan’ny mpitandrina eo anivon’ny Kristiana, ary mila olona « mahatoky » sy « manan-tsaina » izany hoe azao itokisana sy vonona amin’ny fotoana rehetra.

IV. Inona no asan’ireo mpanompo ireo ?

Hifehy sy hanome hanina ny mpanompo namany, amin’ny fotoana ilàny izany. Hikarakara azy, tahaka ny nataon’ny Tompony izay nanome andraikitra azy.Sambatra izany mpanompo izany hoy i Kristy raha miverina ilay Tena Tompony ka mahatratra azy eo amperin’asa.

Page 23: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana...Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II Lesona faha 01

Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II

V. Inona moa izany hoe « manome hanina ny mpanompo namany amin’ny fotoana ilàny izany » ?

Na tsy eo aza ny tompony, dia miasa tsara ihany izy, tsy manao ala safay, na koa manaotao foana, tsy manararao-pahefana ihany koa, fa mikarakara tsara ireo mpanompo kely nomena azy ho andraikiny. Manao izay hampitombo azy ireo, fa tsy hampahia azy, mikarakara sns hampazoto azireo hiasa. Ireo « mpitandrina » ireo dia hanana anjara toerana lehibe tokoa rehefa any amin’ny fanjakan’ny lanitra.

VI. Fa angaha tsy mitovy avokoa rehefa any amin’ny fanjakan’ny lanitra?

Ity fanoharana ity dia milaza fa hiaraka manapaka amin’I Jesosy Kristy ireo mpanompo mafatra-po ireo, ary hisy ambaratonga izany fanapahana izany. (Mat 25:21.23)

VII. Ahoana kosa raha mpanompo ratsy fanahy no omena andraikitra ?

Olona tsy mba mifandray amin’olona ity mpanompo ity, mieritreritra sy miketrika samirery izy (miteny irery ao ampony izay hataony izy), Mety ho olona tsara ihany izy teo amboalohany, saingy niova ranamana, nahazo tsirony tamin’ny fahefàna nomena azy izy, ary nampiasa izany tamin’ny fomba ratsy, ratsy fanahy izy ary karaman’ny ratsy fanahy koa no homena azy, hotetitetehina izy !

VIII. Inona faharatsiana nataon’ity mpanompo ity ?

Raha tokony hikarakara ny mpanompo nasaina nadrasany izy dia izy indray no nampijaly azy sy namiravira (nikapoka) azy. Nivadika ho olona masiaka sy mpanjakazaka izy, Na mety olona ratsy fanahy mihintsy saingy nahay nanafina ny toetra ratsiny tamin’ny mpanompony. Maneho ireo mpitandrina sy mpitarika ratsy fanahy izany, izireo dia manao izay hifaliana amin’ny filàny fotsiny, mitady tombo-tsoa manokana, ary manao izay tiany sy sitrapony, ary mikapoka sy manisy ratsy izay rehetra tsy manaraka ny sitrapony.

IX. Inona no anton’izany fihetsika ratsy izany?

Satria nihevitra izy hoe “mbola ho ela vao hiverina ny Tompony”, izany hoe very tanteraka ny finoana sy ny fanantenan’ity mpanompo ity, ary koa mety nanao kajikajy izy hoe “rehefa akaiky ny Tompoko dia vao hanao tsara fanahy aho, ary dia hanafaka ahy amin’ny laza ratsiko ny soa nataoko hitan’ny tompoko rehefa tonga izy”

X. Nefa ho avy amin’ny fotoana izay tsy ho ampoizina mihintsy…:

Nambaran’ I Kristy , fa hanao fanahy iniana mihintsy ilay “Tompo” mba ho amin’ny fotoana tsy ampoizin’ilay ratsy fanahy no ho avy izy. Ary dia voan’ny nataony ilay mpanompo ratsy fanahy, Tratra amperin’asa mihintsy ilay ranamana ity, tsy afaka namafa ny porofo rehetra izy, tsy afaka niverina

Page 24: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana...Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II Lesona faha 01

Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II

nanao tsara fanahy intsony satria tsy nanam-potoana, Raha variana nanaram-po amin’ny filàn’ny nofony izy , sady nampijaly ny olona teo niandraiketany dia tsy tao antsainy intsony fa mety hiverina tampoka anie ny tompony.

Nahatsiravina ny sazy azon’ity mpanompo ity satria notetitetehina ho toy ny kitoza izy. Milaza izany fa tena tsy vazivazy ity resaka resahin’i Jesoa eto ity, fa fampitandremana hoantsika kristiana rehetra , indrindra indrindra fa hoantsika mpitarika sy tompon’andraikitra kristiana rehetra.

XI. Aza manaiky andairan’ny tsaho !

Marina tokoa fa ilaina ny miambina mandrakariva, kanefa aoka tsy hanely tsaho na manaiky handairan’ny tsaho isika Kristiana , hoe « ho avy amin’izao daty izao sy izao hono i Kristy e ! » ka dia miomana fatratra ery, Tsara ny manamarika fa ny kristiana tao Tesalonia dia efa tratran’izany tsaho izany fahiny, ary dia nisy aza tsy nety nanao ny asa fivelomany intsony fa hoe « efa ny ara-panahy izao no homanina tsara », kinanjo notenenin’i Paoly mafy hoe « miasà » ataovy izay hivelomana sns. (1Tes 4 :11 sy 2Tes 2 :3)

XII. Aza miesona !

Na dia hoe tsy tokony handairan’ny tsaho aza ny kristina dia tsy tokony « hiesona » na hatoritory kosa isika, fa hitandrina hatrany tahaka ny hoe efa mahafantatra mialoha fa ho avy afaka fotoana fohy ny Tompo.

XIII. Ireo karazan’olona roa eo anivon’ny fiangonana :

Tsy resaka hoan’ny tsy mino no resahin’i Kristy eto fa resaky ny efa samy kristiana, ary ny kristiana dia misy karazany roa samy tsy « tsara » raha ny momba ny fihavian’ny Tompo no resahina.

Misy ireo « lasa saina tafahoatra na obsédé » amin’ny fiverenan’ny Tompo ka mihevitra tenany ho efa tsy ety an-tany intsony. Ireny dia tafasaraka tanteraka amin’ny fiainana eto ambonin’ny tany, hany ka dia sady « matahotra » no « mampitahotra » ny fihavian’ny Tompo foana foana no ataony.

Misy kosa ireo efa manadino tanteraka fa mbola hiverina anie ny Tompo, variana amin’ny fitadiavana tombon-tsoa ara-nofo eo anivon’ny fiangonana sisa izireny, Variana mitady voninahitra sy miady lohany, variana manjakazaka amin’ireo kristiana namany, Ary dia manampatra ny hadalàny tokoa. Toy ny « tsy ho avy ireny ny tompo », kanefa ny Malagasy aza efa niteny hoe « Andriamanitra tsy andrin’ny hafa, andriko ihany ». Ireny olona ireny dia zarany aza « ela ela» ny Tompo ary izireo no mandray ny toeran’ny Tompo eo anivon’ny fiangonana izay andrasany.

• Mikapoka sy mandratra no mba manavanana antsika mpanompo ratsy fanahy . Tsy hoe tsy tokony hananatra na hanafay ny ondry andrasantsika akory isika, fa tokony hitondra azy ireny tahaka ny tenantsika, tsy ho mpanompo, fa mpiara-miasa. Raha mila mandratra isika indraindray dia tsy maintsy manao izay ahasitrana ny fery isika avy

Page 25: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana...Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II Lesona faha 01

Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II

eo, Fa tsy fanaovana “Demonstration de pouvoir” akory ny fiangonana. (Toeram-panompoana fa tsy toeram-boninahitra hoy izay Rny Randrianasolo filohan’ny Dpt Asa Pastoraly izay, (miala tsiny manorona ny anarany.)

XIV. Fa akaiky tokoa ve ny fanjakan’ny lanitra na ny farany e ?

Efa imbetsaka no nitoriana izany, efa 2 000 taona hoy ny sasany kanefa mbola tsy tonga foana izany ankehitriny ! Koa ity misy fomba fijery izay tiako zaraina amintsika tanora :

Marina tokoa fa tsy maintsy ho tonga ny “andro farany” hoan’izao tontolo izao, ary marina tokoa fa io andro farany na fotoana farany io dia mbola tsy tonga aloha hatreto.

Manao ahoana moa ny olona rehefa maty?

Matory izy hoy ny soratra masina, tsy maheno n’inon’inona ary tsy mahatsiaro na inona na inona, tsy manisa andro izy izany hoe lasa izay ny 1 taona na roa taona…

Inona no mitranga amin’ny fihavian’I Kristy fanindroany?

Hiakatra eny an-danitra ny olomboavonjy, ho any an-danitra 1000 taona ary ny maty ao amin’ny tompo dia hitsangana, izany hoe ny “tsiaro” na “tadidy” ao anatin’ny olona izany dia tsy misy hafa tsy ny andro hafatesany ary mitohy avy hatrany amin’ny andro hitsanganany (andro farany).

Torak’izany koa amin’ny fiverenan’ny olom-boavonjy afaka 1000 taona:

Hitsangana amin’ny maty ireo ratsy fanahy, ary tsy misy tsaroany hafa tsy “izy vao avy nodimandry”, Raha vao mitsangana anefa izy dia ny fitsaràna farany no avy hatrany dia hitany.

Inona no fihatraikan’ izay?

Tsy manana fotoana hafa tsy ny andro ahavelomantsika sisa isika dia ho avy ny fanjakan’ny lanitra. Mety ho 100 taona, mety 1 ora, mety ho afaka segondra vitsy. Noho izany dia tena Marina tokoa fa akaiky ny fanjakan’ny lanitra .

XV. Fanotaniana sy famerenana:

1. Inona no mahasamihafa ireo mpanompo tsara sy ratsy fanahy 2. Inona no nahatonga ilay faharoa ho ratsy fanahy? 3. Araka ity fanoharana ity, inona aminao no tokony ho tetran’ny

mpiandry tsara eo anivon’ny fiangonana.

Tapitra ny lesona faha 07B – Zoky Andry

Page 26: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana...Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II Lesona faha 01

Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II

Lesona faha 08

NY TANIM-BOALOBOKA

Marka 12 :1-12

1. Fampidirana : Anisan’ny fanoharana tsotra sady tsara ity fanoharana ity nohon’ny « code » izay mora hazavaina, sy noho izy maneho ny fitiavan’Andriamanitra ny zanak’olombelona. Kanefa kosa dia isan’ny fanoharana mahery vaika, manakiana ny Jiosy tamin’izany fotoana izany, ary manakiana ny mpino Kristiana amin’ny ankapobeany.

Vao avy nandroaka tamin-katezerana ireo mpivarotra tao amin’ny tempoly Jesosy teo. Nanantona azy ny Fariseo hoe “avy aiza ny pouvoir na ny fahefana anaovanao izao fihetsika izao?” Ary namaly azy Jesosy ny amin’izany, rehefa vita izay dia nanao ity fanoharana ity Jesosy, ary tsy fanoharana mikasika ny fanjakan’ny lanitra akory izy ity, fa fanoharana nanambaràny mialoha indrindra ny hisamborany azy.

Samy nirakitra ity fanoharana ity avokoa i Matio (21 :33-46) na Lioka (20 :9-19). (Vakio ary ny fanoharana)

2. Ilay mpamboly sy ny tanim-boalobony (Isa 5 :1-7):

Ω Vakio ny soratr’Isaia fa mitovitovy amin’ny fanoharana izay nataon’I Jesosy ihany koa , sady ahitana ireo « code » mikasika ny fanoharana ao amin’ny Marka. Ny maha samihafa azy dia ny filazan’Isaia fa meloka avokoa ny Jiosy rehetra, Nabaribarin’i Jesosy kosa anefa fa ireo mpitondra fivavahana no tena fototry ny ratsy rehetra.

Ω Nisy lehilahy iray nanao tanim-boaloboka, namefy azy, sy nihady famiazana ary nametraka tilikambo...

Ω Ny tany dia maneho an’ity planeta ity, na koa ny vahoakan’Andriamanitra ihany koa

Ω Ny fefy dia maneho ny didy sy ny lalàna nomen’I Jehovah mba hiarovana ny olona tsy ho simba. (Simban’ny inona anefa? Tsy hifindran’ny haratsian’ireo vahoaka hafa)

Ω Ny famiazam-boaloboka dia maneho ny fomba fivavahana tokony atao, ny tilikambo dia maneho ny Tempoly sns. Nomeny avokoa ireo ilaina rehetra mba hahasoa ny “voaloboka”. Navelany ho hita maso mihintsy ireo mba ho tsarovan’ny vahoakany fa nisy nikarakara izireo.

Ω Rehefa izany dia lasa nanao « voyage » any amin’ny toeran-kafa indray ilay mpamboly, ka nampanofainy tamin’ny olona hafa ilay tanim-boaloboka. Io « nivahiny an-tanilavitra » io dia miverina foana isaky ny fanoharana mikasika ny fanjakan’ny lanitra, (izany dia manamafy fa tsy maintsy hiverina ny Tompo, ary tsy ferana fa mety nanao tanim-boaloboka hafa ihany koa izy tany ampandehanany tany)

Ω Ireo olona nampiandraiketana ny tanim-boaloboka ireo dia maneho ny mpitondra sy mpitarika fivavahana.

3. Tsy namokatra ilay voaloboka sady ratsy fanahy ireo mpikarakara:

Page 27: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana...Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II Lesona faha 01

Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II

Ω Isaia dia nilaza fa tsy namoha tsara ilay voaloboka, Jesosy kosa dia nanambara fa ireo mpikarakara mihintsy no “tsy mamely”. Nandefa “iraka” ary Jehovah mba hanotany sy haka ny “ampahany” izay anjarany amin’ny vokatra, (tsy ny vokatra rehetra fa ny ampahany fotsiny ihany). Ireo iraka ireo dia maneho ireo “mpaminany” maro izay efa nifandimby teto. Ny vokatra nandrasana dia ny “fibebahana, ny finoana, ny fifankatiavana, ny fanajana sns. Saingy ny iraka voalohany dia “voadaroka” sady niala maina, Ny iraka faharoa kosa nataony vaky loha sy afa-baraka, ny fahatelo moa dia maty novonoina mihintsy, ary tsy telo fa maro hoy Jesosy ny iraka nalefa no niveri-maina sy namoy ny ainy .

Ω Na dia dia izay fariseo isan’ny vendrana indrindra aza dia nahatakatra avy hatrany fa izireo no kianin’i Jesoa mafy eto, tsy izireo mivantana fa ireo Mpitondra fivavahana nifandimby. Saingy tsy nijanona hatreo akory ilay fanoharana…

Ω Mbola nitady hevitra hafa ihany ilay tompon’ny tanim-boaloboka ka nanao hoe « aleo ny zanako no halefako, iny angamba mba ho hajainy sy atahorany » saingy mbola ratsy lavitra noho izay nanjo ny teo alohany no nanjo ilay zanaka lahy hoy Jesosy satria tena novonoiny sy navoakany ivelan’ny tanim-boaloboka mihitsy ity farany. Izany hoe ivelan’I Jerosalema na koa hoe natao izay tsy ahatsiarovan’ny Jerosaleman ny anarany.

Ω Tena nabaribarin’I Jesoa azireo mihintsy fa fantany ny tetika kotrehin’ireto Fariseo ireto dia ny hisambotra sy hamono azy, ary zara raha “niolaka” ny teny nanambara fa “zanak’Andriamanitra” izy izay kasaina hovonoina io.

Ω Afa-baraka teo imason’ny olona rehetra teo ny “teti-dratsin’ireo fariseo”, ary tsy afaka nisambotra azy izy teo, satria “tonga saina” avokoa ireo vahoaka nanatrika teo fa mazava be loatra ilay fanoharana

4. Koa ahoana no ataon’ny tompon’ny tanimboaloboka amin’izany?

Tsy maintsy valin-kafatra mahery vaika no hataony, ary hofaiziny tokoa ireto mpiasa tany ireto, ary homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka.

Nampitandrina an’ireo Fariseo I Jesosy Kristy , fa hizaka fanamelohana sy famaizana izireo raha mikiry biby hanatanteraka ny teti-dratsiny, ka hamono ny zanak’Andriamanitra.

5. Tsy novakianareo va izay voasoratra?

Efa voalazan’ny faminaniana efa ela ny hatao sy hanjo an’I Jesosy, ary dia mahafantatra izany Soratra Masina izany ireto Fariseo ireto, saingy “Jamba” izy ka tsy fantany fa “manatanteraka ny faminaniana” anie izy raha manao io tetika io.

Nampatsiahivin’I JK azireo ihany koa fa na mahafaty azy aza ireo Fariseo ireo dia tsy hampitsahatra ny “fanorenana vaovao” izany. Satria ny “Vato= Jesosy Kristy” izay holavin’ny “mpanao trano=Fariseo” no ho lasa “vato fehizoro”-n’ny zavatra rehetra aty aoriana.

Page 28: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana...Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II Lesona faha 01

Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II

6. Nahoana moa ny mpitondra fivavahana tamin’izany no nankahala an’I Jesosy Kristy?

Satria nialona Azy izireo, nampihena ny fahefany sy ny lanjany tamin’ireo mpino jiosy ny fisian’I Jesosy Kristy sy ny fampianarany. Ka raha maty Kristy dia tsy hisy hanelingelina ny fahefana sy ny voninahitr’izireo, Midika koa izany fa na iza na iza no mandala fahamarinana sy mikatsaka izany dia tsy maintsy hisedra fanenjehana sy fankahalàna izy.

7. Inona no lesona azo tsoahina?

Ny fitiavana fahefana sy laza sy voninahitra, dia mahatonga antsika “ho jamba” ka tsy hahita ny fiasan’ny Fanahy Masina sy ny fahamarinana eo amin’ny fiarahamonina na ny vondrona Kristiana izay misy antsika. Hany ka na dia Jehovah miasa izao aza no eo anoloantsika dia tapina ny masontsika, ary na dia efa misy faminaniana mitsilo mialoha aza dia mbola ho jamba tanteraka isika.

8. Tena tia ny zanak’olombelona Jehovah:

Ω Namorona ity planeta tany ity Jehovah, ary namboly ny taranak’olombelona teto, Lasa nandeha izy , tsy hoe nandao fa naneho fitokisana antsika mba hitantana ny fiainantsika samirery, saingy nivarilavo ny taranak’olombelona

Ω Tena Azy ity planeta ity, saingy nanome fitokisana ireo mpitarika izy, rehefa hitany fa ho very isika dia nandefa ireo iraka marobe ireo ireo Izy, Fantany tokoa fa hovonointsika ny zanany raha tonga, saingy nalefany ihany satria tia Izy.

Ω Tena fanakianana mivantana ireo Fariseo sy mpanora-dalàna no nataon’i JK teto, ary ny fanoharana efa fantatr’ireto fariseo ireto tao amin’ny Isaia 5 ihany no naveriny. Saingy nohizingizininy kosa fa matoa ny vahoaka no manao diso dia ireo « mpitondra ara-pivavahana » no mamporisika azy ho ratsy toetra.

9. Misy fetra anefa ny faharetan’i Jehovah:

Marina tokoa fa be fitiavana ny Ray , saingy ambaran’I Jesosy marimarina kosa fa rehefa mivadika ny fitiavana dia …“mamay” izay tratrany eo , rehefa tonga Jehovah. Fa araka ny habean’ny fitiavan’I Jehovah, dia toa izany koa ny habean’ny famaizany rehefa avy izy.

10. Fanotaniana sy famerenana:

1. Inona no maha samihafa ny fanoharana ao amin’ny Isa 5 sy ity fanoharana ity ?

2. Araka ny hevitrao , inona no antony tsy nitiavan’ny Fariseo an’I Jesosy sy ny fampianarany

3. Iza marina no namono an’I Jesosy araka ny hevitrao? Ny vahoaka Jiosy sa ny mpitondra fivavahana Jiosy?

4. Inona no lesona azon’ny mpitondra fivavahana kristiana raisina manoloana ity fanoharana ity?

Page 29: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana...Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II Lesona faha 01

Ny hevitry ny fanoharana nataon’i Jesosy - Zoky Andry / Tome II

5. Ambarao amin’ny lahatsoratra fohy “ahoana no ilazàna fa tena tia antsika zanak’olombelona Jehovah?”

6. Fanotaniana malalaka: Araka ny hevitrao, eto amin’ity tany ity irery ve no tanimboaloboka nambolen’I Jehovah sa tsia?

Tapitra ny lesona faha 08B – Zoky Andry