bv_6083 alakamisy 6 may 2010

8
Gazetim-baovao mivoaka intelo isan-kerinandro Alakamisy, 06 Mey 2010-44 Taona-Laharana : 6083 Vidiny : Ar 200 Mahatsangy no hary TETEZAMITA MANDEHA ILA Ho Rava tsy ho ela Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina ! Taitra tamin’ny torimasony ireo tsy te-hanan- dratsy eo anivon’ny foloalindahy, ka nisesisesy ny fanambarana tamin’ity herinandro ity. Fanambarana izay miendrika ho fandraisana fahefana, ary hametrahana fitondrana hiaraha-mitantana. Rava fitiavana : Ny lakilen’ny famerenana Vehivavy marary Tsy afaka mitsangana fa be nono loatra Pejy 5 Mba mipiapiaka ihany ny akoholahy, fa raha tratry ny rano mafana miraraka ompana Pejy 2 Pejy 5 Mihetsika ny mpianatry ny Oniversite Tsy matin’ny fitondrana ny afo Pejy 4 MENAKA 100% NATORALY Lehilahy : - Te hanalehibe filahiana - Tsy mahavita firaisana ara-dalana - Mora tonga ny ranon’aina izay mahatonga ny vehivavy ho sorena Vehivavy : - Te hanalehibe nono - Malaina manao firaisana - Ela vao mi-jouir... na tsy tonga mihintsy Tél: 033 04 074 24 NATOKANA ho an’ny TENA MAHOMBY!!! Tahirin-tsary

Upload: evitras

Post on 27-Apr-2015

186 views

Category:

Documents


5 download

TRANSCRIPT

Page 1: BV_6083 Alakamisy 6 may 2010

Gazetim-baovao mivoaka intelo isan-kerinandro

Alakamisy, 06 Mey 2010-44 Taona-Laharana : 6083 Vidiny : Ar 200

Mahatsangy no hary

TeTezamiTa mandeha ila

Ho Rava tsy ho ela

Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina ! Taitra tamin’ny torimasony ireo tsy te-hanan-dratsy eo anivon’ny foloalindahy, ka nisesisesy ny fanambarana tamin’ity herinandro ity. Fanambarana izay miendrika ho fandraisana fahefana, ary hametrahana fitondrana hiaraha-mitantana.

Rava fitiavana : Ny lakilen’ny famerenana

Vehivavy marary Tsy afaka mitsangana fa be nono loatra

Pejy 5

Mba mipiapiaka ihany ny akoholahy, fa raha tratry ny rano mafana miraraka ompana

Pejy 2

Pejy 5

Mihetsika ny mpianatry ny Oniversite Tsy matin’ny fitondrana ny afo

Pejy 4

MENAKA 100% NATORALYLehilahy :- Te hanalehibe filahiana

- Tsy mahavita firaisana ara-dalana

- Mora tonga ny ranon’aina izay mahatonga ny vehivavy ho sorena

Vehivavy :- Te hanalehibe nono

- Malaina manao firaisana

- Ela vao mi-jouir... na tsy tonga mihintsy

Tél: 033 04 074 24

NATOKANA ho an’ny TENA MAHOMBY!!!

Tahirin-tsary

Page 2: BV_6083 Alakamisy 6 may 2010

� N° 6083 - Alakamisy 06 Mey 2010Politika

Hafa ihany i Maman !Ndriiii ry tony e ! Nitsangana tokoa iny olona iny na dia mananon-tena sy vao nidonam-pahoriana vao haingana aza. Tsy ilaina tokoa ny mifendrofendro fa tsy maintsy atrehana ny fiainam-pirenena. « Malagasy mandroso » no fikambanana natsangan’iny olona iny. Fikambanana hanao politika tokoa satria dia vonona handray anjara avy hatrany amin’izay fifidianana hiseho eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Nomarihan’iny olona iny mano-kana fa ny fifidianana izay hananganana ilay ante-nimieram-panorenana no handraisan’izy ireo anjara voalohany.Nohazavain’iny olona iny ihany koa fa na dia manka-sitraka ny volavolam-pifidianana kasain’ny mpitondra ankehitriny aza ity fikambanana vaovao ity, dia tsy vono-na velively handray anjara amin’ilay governemantan’ity tetezamita ity, mba hampahomby tsara ny fiampitana any amin’ny Reppoblika vaovao dia tokony tsy handray anjara velively amin’ny tetezamita ny olona hirotsaka amin’ny fifidianana ho avy. Milaza ho efa manana olo-na mpikambana hatrany amin’ny faritra rehetra any ity fikambanan’iny olona iny ity, na dia tsy mbola maha-rakotra tanteraka ireo faritra 22 aza.Tazana tao aoriana sy nanotrona iny olona iny ny anka-beazan’ireo mpanao politika efa fantampatatra teo amin’ity sehatra ity. Hery vaovao tokoa ve no entin’iny olona iny sa dia hamerin-desona sy hanara-davahana fotsiny ny zavatra niainana teto hatrizay? Hafa ihany iny olona iny, ary matoa nisy fahombiazana teo amin’ny vady andefimandrin’iny olona iny fony fahavelony, dia inoana fa iny olona iny no tena nahatonga izany sy tao ambadika. Asa na ho isan’ireo birao foiben’ny fikam-banan’iny olona iny koa ny zanany vavy ? Mety hahita fahombiazana kokoa iny olona iny raha tanteraka izany !

Dadan’I Ranto.

Tarasin’ny mpamakyIreo ota fady tao anatin’ny herintaonaMenatra aho tompoko manoratra aty aminareo gazety Basy vava, saingy ampitaiko aty aminareo ihany ity mba vetsovetsoko ity.

Tsy tafarina ny tanindrazana, satria be loatra ny ota fady nataon’izao fitondrana milaza ho mahefa ankehitriny izao. Voa-ota fady ny haino aman-jerim-pirenena, izay nitahiry ny vakoka hatramin’izay. Mitovy tamin’ny naha-may ny rovan’i Manjakamiadana io tompoko amiko. Tsy ho teneniko eto intsony ireo haino aman-jery maro nodorana sy ny orinasa maro samihafa izay norobaina, ary nodorana ihany koa avy eo. Ireo faty maro be nofon-garina tao anaty tranom-barotra iray tao Analakely, ary nentina teny amin’ny kianjan’ny 13 Mey.

Tsaroantsika tsara ireny. Tsy misy fifanajana intsony eo anivon’ny tafika, fa izay mahazo vola, dia manary ny fitsipika amin’ny maha-tandroka aron’ny vozona azy. Mikorosy fahana ny toe-karena Malagasy, mitombo andro aman’alina ny very asa sy ny mahantra. Nanome lamosina antsika avokoa ny firenena rehetra afa-tsy La Frantsa. Mikatso ireo tetik’asa goavana tokony hatao eto, isan’io ny lalam-pirenena maro manerana ny faritra. Inona re tompoko no mba asa vitan’ireto FAT-FAT-nareo ireto e ? Inona no tena mba asa ataon’izy ireo, satria sady tsy mpanao lalana no tsy mitondra ny fiainam-bahoaka hiala amin’izao krizy izao.

Mba saino ihany, fa misy farany anie ry zareo izao zava-tra ataonareo izao e. Voaota fady ny firenena, ary voa-vingavinga ireo ray aman-drenin’ny vahoaka Malagasy nitondra teto amin’ny firenena noho ny ataon’ireto mila-za azy ho mpitondra mahefa ireto. Dia misaotra indrin-dra anareo ato amin’ity gazety ity, ho amin’ny manaraka indray.

Dadan’i Navalona sy Mendrika Faliarivo Ambanidia

Tetezamita mandeha ilaHo rava tsy ho ela

Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina ! Taitra tamin’ny torimasony ireo tsy te-hanan-dratsy eo anivon’ny foloalindahy, ka nisesisesy ny fanambarana tamin’ity heri-nandro ity. Fanambarana izay miendrika ho fandraisana fahefana, ary hametrahana fitondrana hiaraha-mitantana. Tapitra omaly ilay 48 ora noka-sain’ingahy Andry Rajoelina handraisana fanapahan-kevi-tra nambarany ny alatsinainy teo. Amin’ny ora hanoratanay izao, dia mbola tsy nisy vao-vao azo momba izay tiany ho atao eto.

Ny eo anivon’ny FIGN kosa izay nahitana ireo manambo-ninahitra lefitra sy ny mpan-kasitraka iny fanambarana nataony iny, dia tsy hihemo-tra amin’izay efa nambarany, fa handray fepetra hentitra hanavotana ny tanindrazana. Hatreto dia tsy hita tabilao ilay ‘Plan B’ kasain’ingahy Andry

Rajoelina hatao ao anatin’ny fotoana fohy.

Ny tantara tsy fanadino

Handray fepetra ny tafi-ka! Hatreto aloha dia mbola mijanona ho fanambarana izany. Nivarahontsana ny mpiray donak’afo amin’ny FAT, satria mipoitra indray ny fanambarana eny anivon’ny lakazera. Tsy voahaja hoy ny sasany amin’izy ireny ny fitsipi-pitondrana ara-mia-ramila, satria mbola manana ny lehibeny mibaiko azy izy ireo. Tsy tokony hiteny ny manamboninahitra lefitra, satria mbola misy Jeneraly sy lehiben’ny vondron-tafika ao? Dia mba lasa ny saina hoe hay ve tsapan’ireo olona ireo ihany izany e? Ny tan-tara tsy fanadino, fa kapôraly anie no nibaiko sy naminga-vinga minisitra izay mitondra ny galona visy amiraly teny Ampahibe ny taona 2009 iny

e. Nitohy tamin’ny fihetsika nataon’ny manamboninahitra lefitra teny amin’ny toby mia-ramila Capsat izany, ary dia ireny niarahana nahita ireny ny niafaran’ny mpitondra teo aloha. Aoka ny tantara tsy ho hadinoina. Raha ity fihetsika ataon’ny tafika ankehitriny ity no asian-teny, dia mahat-sapa izy ireo, fa tsy ahafahana mivoaka amin’ny krizy ny lalan-tokana kasain’ny fiton-drana FAT izay tarihan’ingahy Andry Rajoelina hatao eto. Tsy hahazo ny fankatoavana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izany hoy ny FIGN ary miantso ny vahoaka hiara-dalana aminy izy ireo.

Hivadika ny rasa

Sasatry ny miarina ny tete-zamita mandeha ila ankehi-triny. Tsy misy ny vola entina mampihodina izao fitondrana izao. Manao fitakiana avokoa ny hery samihafa eto. Isan’io

ny fitakiana vatsim-piana-rana ataon’ny mpianatra eny anivon’ny anjerimanontolo eto Madagasikara. Mitohy ny fanoherana ataon’ny ankolafy telo, ary mandrahona hanan-gana ny Governemantany ny fikambanana “HAZOLAVA” avy any Toliara. Tsy mahita lalan-kivoahana amin’ny krizy ny mpikambana FAT, ary mipati-taka tanteraka ny eo anivon’ny folalindahy. Dia sanatria ve ka hisy mpitondra handeha han-dositra any ivelany indray ato ho ato, raha hivadika tampoka eo ny rasa? hoy ny mpitazana. Izay no ilàna maika ny fifam-pihainoana, ary hanaovana ny fampihavanam-pirenena. Heloka be vava tokoa ve ny fampiharana ny sata natao sonia tany Maputo sy Addis Abeba? Sa ilay fizaran-toerana amin’ny hafa mihitsy no tsy zakan’ny vavon’ny mpikatroka ao amin’ity FAT ity. Dia hiara-hana mahita eo ny tohiny.

Vainafo zanany

CeniManaiky esorina ireo mpikambana

Nandeha ny resaka tany Pretoria fa hiova ho CENA ny CENI na ilay vaomieram-pifi-dianana nasiônaly tsy mian-kina. Nilaza ny filohan’ity vaomiera ity fa « fandavan-tena lehibe no nidirana tato amin’ny CENI”. Samy mana-na ny anton’asany avokoa ireo mpikambana rehetra. « Manaiky hiala izahay rehefa izay no tapaka ». Notsindriany fa manana teti-bola nolovaina tamin’ny filan-kevi- pirenena ho amin’ny fifidianana ny CENI. Miandry ny fahatonga-van’ny teti-bola ho amin’ny fifidianana ho avy izy ireo

ankehitriny, izay mbola an-dalam-pamindram-pahefana eo anivon’ny minisiteran’ny

ati-tany. Mihalalina ny asan’ity vaomiera ity satria andiany iray amin’ny iraka no lasa

nijery ny fanomanana fifi-dianana any amin’ny faritra Atsimo atsinanana, Vatovavy Fitovinany, Amoron’i Mania ary Vakinankaratra tamin’ny alahady lasa teo. Ny Andiany faharoa kosa dia hihazo an’i Bongolava sy Itasy. Efa maro ihany koa ireo mpanara-maso ny fifidianana no nanatona ny vaomiera. Nangatahan’ny filohan’ny CENI ny mba hidi-ran’ny antoko mpanohitra ao anatin’izany rafitra izany satria raha any ivelany izy ireo dia ho voatsikera hatrany

Tsiry

ankolafy madagasikaraHidina any amin’ny faritra ny mpitarika

Ampy izay! Rehefa be marenina, dia atao amin’ny f a n a o va n a a z y. I s a n’ ny teny nambaran’ireo mpi-tarika ao amin’ny ankolafy Madagasikara izany. Ingahy Tabera Randrimanantsoa, dia nanamafy, fa ho rava tsy ho ela ity fitondran’olon-tokana ny tetezamita ity.

Ny faran’ny herinandro izao, dia hidina any Toamasina ireo lohandohan’ny mpiso-rona ao amin’ny ankolafy telo. Hanome hery ny any amin’ny faritra izy ireo, mba hamita haingana izao tolona izao. Rehefa miziriziry amin’ny heviny ny olona iray, dia ahi-lika tanteraka tsy ho isan’ny

mpiara-mitantana ny teteza-mita hitambarana izay hijoro eo, hoy izy ireo. Aoka izay ny fitondrana mpandainga, fa mampahory vahoaka, ary nohamafisin’ingahy Robert Razaka tamin’ny haino aman-jery iray, fa hajoron’izy ireo ny Governemanta any Toliara. Taorian’ny fanambaran’ny

FIGN farany teo iny, dia tsa-pa ho nahazo hery indray ny tolon’ny ara-dalana teny amin’ny Magro Tanjombato. Mila hafainganina hoy izy ireo ny fanilihana izao fitondrana izao, rehefa tsy manaiky ny hiarahana mitondra ity fire-nena ity.

B.V

Herinirina Rakotomanana, filohan’ny CENI

Page 3: BV_6083 Alakamisy 6 may 2010

�Alakamisy 06 Mey 2010 - N° 6083 ZAVA-MISY

Chef Arison

Tokony hiakatra ny kalitaon’ny ivon-toeram-panofanana momba ny fahandroan-tsakafo eto amintsika. Mila mijery zava-baovao hatrany isika ary tokony hanana ivon-toeram-pampiana-rana mamaly ny filan’ny mpanjifa amin’izao foto-ana izao.

Rojo

Tsy manana ny lanjany loatra izany fahandroan-tsakafo izany ho antsika Malagasy.

Efa manana ny faha-zarantsika isika, izay nolo-vaina hatramin’izay, nefa dia azo trandrahana tsara izy io. Betsaka ny zava-baovao tokony hampahafantarina ny olona.

Mamy

Toy ny fiainana rehetra ihany ny fahandroan-tsa-kafo. Mila olona hoe liana aminy aloha vao ho afaka hivoatra ao anatiny e. Ny mahavoa antsika matetika dia ity tsy fitiavana hivoa-tra ity. Izany hoe mananasy na paoma atao fangaron-daoka izany izao dia efa tsy maharisika antsika.

Hanta

Tsy voahaja loatra ny resaka fahadiovana amin’ny resaka sakafo amidy eto amintsika.

Tsy hiresaka ny hotely lehibe kosa aho aloha satria tsy mpiditra amin’izy ireny loatra, fa ny amin’ny ankapo-beny no resahako. Miankina betsaka amin’izay anefa ny fahasalaman’ny mpihinana.

Tontolo ambanivohitraNy soa azo amin’ny ananambo

Ny fihinanana ny ananam-bo, sy ny soa azo avy aminy, no fantatra fa hanaovana fanentanana, araka ny fifana-rahan’ny ONN sy ny minisite-ran’ny mponina. Nisongadina tokoa ny soa azo amin’ny ananambo raha tsy hilaza afa-tsy ny kaloria entiny. Ny zokiolona dia tsara tokoa raha mihinana ananambo. Manana tombondahiny hatrany ny mponina ambanivohitra izay fantatra fa betsaka ny tsy fanjarian-tsakafo, indrindra ho an’ny ankizy. Ho tsinjo-

vin’ity tetik’asa ity hatreny anivon’ny fokontany ary hiely eran’ny faritra 22. Voalaza fa mahavaha olana ho an’ny olona sahirana ka mahaton-ga tsy fahampian-tsakafo ny tetik’asa. Hitety ireny akany fitaizana olona sahirana ireny ny fanentanana hamboly ana-nambo, ary ho azy ireo ihany ny vokatra. Voakasak’izany ny fokontany be olona sahirana, ny akany fitaizana zokiolona sy fitaizana zaza kamboty, sns…

HERY A

Basy tsy mipoaka S.O.S, saosy, vonjeo e !

Planina, tetik’ady, vinan-kevitra, sori-dalana, sata... Misy isan-karazany mihitsy ny karatra efa naseho sy noeritreretina hamahana ny kizon-dramalagasy, fa tsy nisy na iray aza mba nahomby sy nifanarahan’ny rehetra eto an-toerana. Izany seha-tra iraisam-pirenena izany moa dia any an-kibon’ny omby, tsy misy mpankato, tsy misy mpiantra, tsy misy mba mitsetra akory fa dia ataon’ny olona fihomehezana fotsiny. Dia havoaka indray izao ny joker farany, ary tena tsy misy afa-tsy io sisa no azo hitampikirana : « gouvernement du salut public ». Dia hanao ahoana ny tohiny?

Nokenokenonina tany an-dapa tany indray ny hanomezana toerana mahabe voninahitra ny tafika malagasy mba hitantana ny governemanta vaoavao. Nivory, nikaon-doha, lany ihany ny ora sy ny fotoana fa tsy hita izay lalan-kivoahana. Vao mainka koa nitresaka sy nitriatra tanteraka ny foloalindahy malagasy. Fanambaràna etsy sy eroa no nameno ny lakazera sy ny toby isan-karazany. Tsy voafaritra mazava tsara intsony ny tena ola-na tokony ho vahana. Mampalahelo fa ny fototry ny olana teto dia fitakiana fiovàna sy fahafahana ary demokrasia. Ny zavatra notakiana ve no mbola tsy zakantsika malagasy sa mikoro-paka sy maika loatra isika ka niseho tamin’ny fotoana tokony tsy mbola nisehoany ny fitakiana? Voazarazara tanteraka ny fia-raha-monina. Ahoana no fomba hampiraisana indray ny faha-vakisana? Tena afa-nenina tokoa ve ny mpitantana ny firenena ankehitriny? Leom-boanana ka tsy tia zava-boribory intsony? Ampiasaina avy hatrany amin’izay ve ilay karatra joker farany? Vita izany ny fihavanana fa ny lalàn’ny mahery setra no hajoro eto? Aiza ny fahatsapan-tena ho tsy maharaka sy tsy mahafehy ny zava-misy ? Dia hiandry inona indray? Hiandry gidragidra vaovao ? Dia mbola hahazaka izany indray ve ny fiaraha-monina malagasy ?

Salut public? Vao hiainga dia olana vaovao no hosedrainy, dia iza indray no hanao salut an’iza? Miseho indray izao ilay vata-tay mibaiko jeneraly, ny mpianatra mamingavinga mpam-pianatra, ny mpivarotra amoron-dalana tsy matahotra pds, ny zanaka miampanga ny ray aman-dreny ho mpandainga, ny minisitra tsy mahafehy ny olom-peheziny, sos e! Vonjeo e! Omeo saosy fa reraka e! Vaky tanteraka ny sambo ka velona ny hiran’ny dimbaka avy any nazareta: “ry jesoa mba tantano!” Mikiakiaka ny bebaoty ka miala amin’ny fahanginany, mifanao tsindrom-pain-gotra ny mpampahalala vaovao, hiadivana tanteraka ny gilet de sauvetage. Tsy misy ankizy sy vehivavy izany intsony fa ny sandry sy ny loha no miketrika…tadidio fa tsy rehefa matanjaka dia manana ny fahamarinana rahavako!

Ony [email protected]

madagasikara mandrosoVato namelan-kafatr’i Jacques Sylla

Niditra amin’ny sehatry ny pôlitika tanteraka Yvette Sylla, vadin’itompokolahy Jacques Sylla, filohan’ny antenimieram-pirenena teo aloha. « Tsy fitadiavan-toerana ny fiaraha-monim-pirenena ». Ny antoko Madagasikara mandroso dia misokatra ho an’ny rehetra ary vonona hiatrika ny fiainam-pirenena. Manana vina ho an’ny fiaraha-monina », hoy ny filoha nasiônalin’ny Madagasikara Mandroso. Tsy misy afa-tsy ny fifidianana solom-bavam-bahoaka ihany no enti-mamaha ny krizy ary handray anjara amin’izany ny antokony. Vato namelan-kafatr’i Jacques Sylla izy ireo ary hitondra am-pahamendrehana ny hafany. « Nametraka soa toavina izy », hoy Yvette Sylla. Raha ny hilatsaka ho amin’ny fifidianana filoham-pirenena indray, dia nambarany fa mbola lavitra izany. Hilatsaka solombavambahoaka aiza ary ramatoa Yvette Sylla ? Miandry ny hivoahan’ny lalàna lasitra izy vao mitonona amin’izay distrika hilatsahany.

Tsiry

Hifandovàna hatrany ve ny fanaovana pôlitika eto Madagasikara ?

Fahandroan-tsakafoMisy ny tsiambaratelo

Raha vao hoe sakafo dia vary sy laoka hatrany no mby ao an-tsaintsika Malagasy. Manana kara-zana tsiambaratelo anefa i o t o n t o l o n ’ n y f a h a n -droan-tsakafo io. Anisan’ny nivoitra izany nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’ny chef de cuisine Arison Tojo Andrianiraisantsoa, tetsy amin’ny hotely Palissandre, toeram-piasany, ny talata lasa teo.

Akora ilaina

Voalohany indr indra aloha, araka ny fanazavany, dia mila mailo tsara ny mpa-handro amin’ireny trano fandraisam-bahiny ireny, eo amin’ny fisafidianana ny akora hampiasaina. Mandany fotoana be izany, satria vitsy amin’ireo mpamatsy no tena mahafantatra ny akora mana-raka ny fenitra ilaina. Miankina amin’izay anefa no hahatsara na tsia ny sakafo haroso.

Zava-dehibe ihany koa ny resaka tsiro, amin’ny maha-sakafo azy izay. Samy manana

ny ankafiziny ny mpihinana tsirairay. Mila manaja sy maha-fantatra an’izay ihany koa ny trano fisakafoana. Anisan’ireo zavatra sarotra anatin’ny ton-tolon’ny fahandroana izay, satria samy manana ny fan-kafizany ny olona tsirairay.

Maso mijery

Tsy azo atao ambanin-javatra, ankoatra izany, ny maso mijery sakafo ananki-ray. Ao ny mampilendalenda avy hatrany, raha vao jere-na fotsiny. Tokony hajaina hatramin’ny farany izany, fa tsy hoe hamitaka amin’ny maso dia tsy arakaraka izay ny tsirony rehefa hohanina. Mitovy amin’izay ihany koa ny fofony.

Lanjalanjaina

I re o re h e t ra i re o n o tokony holanja lanja ina rehefa hanolotra sakafo hoe tena tsara ho an’ny mpan-jifa. Ary izay no ezahan’ny hotely Palissandre avoitra amin’ny tolotra vaovao aro-sony. Manova ny “carte” saka-

fo ao aminy mantsy izy ireo amin’izao fotoana izao, izay nomeny ny lohahevitra hoe “de l’équilibre à notre cuisine”. Nomeny laharam-pahameha-na ao anatin’ny fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa ao aminy ny fahaizana mampifa-naraka ny sakafo sy ny tonto-lo manodidina. Hezahana, hoy ihany ny chef Arison, ny hano-lorana sakafo hanaraka ny

toetrandro. Ampifangaroany amin’izany ny nahandro nen-tim-paharazana sy ny maode-rina, izay tokony hifandanja amin’ny fahefa-mividin’ny rehetra. Marihina fa ny 65%-n’ny mpanjifa ao amin’ity hotely ity dia saika teratany Frantsay avokoa.

Misy hevitra vitsivitsy ireto nangoninay mikasika izany.

Harimbola M.

Faly manasa anao hisakafo ny hotely Palissandre

Page 4: BV_6083 Alakamisy 6 may 2010

� N° 6083 - Alakamisy 06 Mey 2010SARY

Sopapan’i mama ZilyFitehirizana fanafody

Ny tokantrano rehetra dia mitahiry fanafody. Tsara ihany ny mahafantatra fa saro-pady ny fiarovana azy ireny, mba tsy halaky lany daty. Ny fitehirizana ny fana-fody rehetra no hanomezana sopapa anao anio. Ao ana-tin’izany ny fanafody nampiasaina, kanefa mety mbola azo ampiasaina. Apetraho amin’ny toerana maina sady tsy be rivotra ny fanafody. Aza hadinoina fa tokony hisy fonony hatrany ireny fanafody fampiasa andavanandro ireny. Fadio ny mametraka azy amin’ny toerana azon’ny hamandoana, torak’izany koa ny hafanana be loatra. Na dia tsy lany daty aza ny fanafody ratsy tahiry dia mety ho poizina hampidi-doza.

mihetsika ny mpianatry ny OniversiteTsy matin’ny fitondrana ny afo

R aik i t ra ny sakorok a manerana ny Oniversite manerana an’i Madagasikara. Nikorontana ny teny Ankatso, ary tsy manaiky raha tsy mivoaka ny vatsim-pianarana mandritra ny roa volana sy ny vola ho an’ny kojakoja ilain’ny mpianatra. Nikoropaka ny teo anivon’ny minisiteran’ny fampianarana namoaka ny vatsim-pianarana, saingy voalaza fa vatsim-pianarana iray volana ihany no afaka homena ?

Nanao barazy amin’ny fidi-rana eny amin’ny oniversite ny mpianatra nanomboka ny alarobia teo. Tsy nisy nianatra ny mpianatra. Nihetsika ihany koa ny tany Mahajanga, ary nisy ny tora-bato, ka nisy ny fahasimban-javatra. Niantso maika ny hisian’ny fifanato-nana ireo tompon’andraiki-

panjakana tany an-toerana io omaly io. Ny tany Toliara dia nisy ny sakana nataon’ny mpianatra hatramin’ny ala-robia alina ary nitohy hatra-min’ny omaly. Mbola resaka vatsim-pianarana avokoa ny

anton’izao hetsika izao. Ny tany Antsiranana dia nikaroka vola hatramin’ny Ar 60 tapi-trisa handoavana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra.

Vola voalaza fa handoa-vana ny karaman’ny mpan-

draharaha any an-toerana izao nomena maika ny mpia-natra izao. Taorian’ny nahafa-tesan’ny mpianatra iray tany Antsiranana, ary nisy olona enina naratra mafy, dia mie-zaka mandamina sy mamono afo tanteraka ny fanjakana.

Heno hatreto, fa nilamina ny any Antsiranana rehefa nahazo ny volany ny mpia-natra. Raha milamina ny any Antsiranana, mokorontana kosa ny oniversite hafa. Izany tokoa no hoe sasatry ny mamono afo ity fitondrana ity an? F’angaha tsy manam-bola indray izao fitondrana izao e? Ny fifidianana aza ananany vola, koa izay vatsim-piana-ran’ny mpianatra ve tsy hahi-tana vaha-olana.

Raleva zokiny

Fonenam-baovaoHifandrombahana ny fanariam-pako

Mahazo vahana hatrany ny fahantrana vokatry ny krizy tsy mety mivaha eto Madagasikara eto. Tsy manan-kevitra int-sony ny vahoaka fa very fanahy mbola velona. Mitombo andro aman’alina ny hala-botry etsy sy eroa. Ny toby fanariana fako moa dia efa misy mpiambina avokoa. Mponina vaovao ny ankamaroan’ireny izay porofoin’ny fahadiovana asehony eny am-pitsimponana fako eny.

Herintaona izay no nanorim-ponenana amin’ny fanariam-pako ny fianakavian’i RG. Mpiasan’ny orinasa afakaba teo aloha saingy iaraha-mahalala ny zava-nisy. Tonga dia tampi-dalan-kaleha. Tsy nijery azy na ny havana akaiky aza noho ny firehana politika. Efa nanao vy very ny ainy i RG teo antenan-tenan’ny volana martsa 2009 ka voatifitra teo amin’ny feny nandritra ny tifitra nataon’ny mpitandro filaminana teny Anosy sy Ambohidahy. Rehefa nivoaka ny hopitaly HJRA izy dia tsy nanan-ko vantanina ka eny amin’ny zoridira no niafara.

Te hioitra mafy hanarina ny fiainana fa tsy ampy hery int-sony. Telo mianadahy no zanany, ary marary lava koa ny vadi-ny. Vita hatreo ny aminay hoy i RG nisento. Menatra moa ny lehilahy ka miafina ambadiky ny fanariam-pako no androan-tokon’ny fiainany tao anatin’izay herintaona izay. Fako no atao sakafo. Ny ankizy dia zary lasa mpangataka eny amoron-dala-na, mamelona ny tenany. Ny faniriany dia ny hifaranan’ny krizy mba ahafahany manantena zava-baovao eto amin’ny firenena. Raha izao no mitohy, hoy izy namarana ny resaka dia tsy hisy intsony na ny fako ho tsimponina aza.

HERY A

Voady nivadika ho ozonaNy fananana ripaka, ny vady nandositra

Niasa tamin’ny banky iray etsy Antaninarenina ny raiko. Niteraka ahy izy, ary rehefa tonga ireny fisintahan’ny fan-jakana tamin’ny orinasa izay notantanany ireny, dia niala tamin’ny asany ity raiko ity, hoy i Bakoly tovovavy 22 tao-na monina etsy Anosizato.

Raha vao 16 taona ity tovovavy ity no namoy ny ainy ny reniny vokatry ny aretina homamiadana tamin’ny nono. Herintaona taorian’io, dia nanambady vehivavy tokony ho 30 taona ny rainy. Natao ny soratra teny anivon’ny firaisa-na, ary nitohy tamin’ny maria-zy nisarom-boaly. Tsaroako tsara na dia mbola tao ana-tin’ny alahelo an-dreniko aza aho, hoy Bakoly, ilay voady nataon’i Dada sy ity renikely ity manao hoe “tsy hifandao na ho amin’ny mora na ho sarotra, na ho kilemaina aza dia hiara-dalana mandraki-zay”. Ny fitondrany an’i Bakoly araka ny tatitra nataon’ity tovovavy ity, dia toy ny anki-zy rehetra ihany, satria misy fotoana maha-bedy azy, ary misy fotoana voatambitam-by. Manana trano lehibe iray mihofa ihany koa izy ireo eny

Fiadanana, saingy nafoy tao anatin’ny fotoana fohy avokoa ireo. Nandro tao amin’ny tra-no fidiovana ny rain’i Bakoly indray maraina tamin’ny tao-na 2000. Raha nitraka anefa rangahy, dia nitolantsika avy hatrany, ary dia tapaka lalan-dra. Voalazan’ny vaovao nam-pitain’i Bakoly taty amin’ny gazety fa misy tosi-dra ity rai-ny ity. Nanomboka teo, dia tsy afaka niasa intsony izy, satria

nanao varotra ambongadiny ry zareo taorian’ny nialàny tamin’ny asany.

Narary teo am-pandriana izy, ary i Fanja ilay renikely no nikarakara azy. Nanomboka nikatona ilay tranom-barotra tetsy Anosibe. Ny vola tahiry nitsaboana ity rangahy avo-koa. Folo volana tato aoriana, dia tsy mbola sitrana ran-gahy. Nanomboka nampi-rafy ihany koa ilay renikelin’i

Bakoly. Namidy hatramin’ny trano izay nampanofaina teny Fiadanana, ary nandritra ireny krizy 2002 ireny, dia tsy hita intsony ity vehivavy ity. Nijanona tamin’ny fianarako aho, hoy i Fanja, ary niasa tamin’ny orinasa afaka haba mba hamelomako ny raiko, ka nitsaboako azy. Nikatona anefa ny orinasa afaka haba tamin’ny desambra teo, ary tsy an’asa izy ankehitriny. Ny volana martsa teo no maty ity rainy tapaka lalan-dra ity, ary ny alahady teo no nahi-tany ilay renikeliny tetsy Ambohimanarina. Mitaiza kely izy io, miaraka amin’ny lehi-lahy somary efa lehibe izay ihany. Tsy rototra ity renikeliny taloha ity nanambara taminy, fa tsy miaraka amin’olona kilemaina aho hoy izy. Dia gaga aho hoy Bakoly, satria hay ve ka voady mifangaro ozona ireny ataon’ny sasany eny ambony alitara ireny e. Mipetraka amin’ny anabavin-drainy i Bakoly ankehitriny, ary hitady asa ahafahany miavo-tena ho an’izay afaka mandray azy.

Raleva zokiny

zaza gasy mitia vazahaAnao misy vôla ?

Herinandro lasa izay no nahitana tranga mampiho-mehy sy mahamenatra tao Toamasina. Teo amoron-dra-nomasina no nisehoan’ity tantara mampalahelo ity.

V e h i v a v y m a l a g a s y manam-bady vazaha, no nila-lao teo amoron-dranomasina. Niteraka roalahy kely izy ireo, izay tokony ho 6 taona ilay zokiny, ary 4 taona ilay zan-driny. Nahitana izany ireo ankizy vavy kely izay nilalao teny, ary avy dia nitangorona

teo amin’ireto ankizy kely. Tokony ho 8 taona sy 9 taona ireo zazavavy malagasy ireto, ary dia nosafosafoiny teo ireo zana-bazaha kely ireto. Norohany tamin’ny molotra, ary nilaza ireto ankizy hoe “Anao misy vôla? raha misy vôla any aminao, dia safosa-foina foana eto amoron-dra-nomasina ianareo roalahy”. Ny ray aman-drenin’ireto zana-bazaha no nanala azy teo, vao niala ireto ankizy. Dia lasa ny saina hoe hay ve ka

efa tafita any amin’ny ankizy madinika toy izao izany hoe fivarotan-tena izany e? Sa raha vao vazaha, dia efa izay

no mby tonga ao an-tsain’ny malagasy rehetr ?

Nanangona Raleva zokiny

Page 5: BV_6083 Alakamisy 6 may 2010

�Alakamisy 06 Mey 2010 - N° 6083 ERAN-TANY

Natokana ho an’ny zatovo sy ny olon-dehibeNanangona Harimbola M.

Rava fitiavanaNy lakilen’ny famerenana

Tsy vitsy ny mpifanka-tia misaraka dia mifame-rina indray avy eo. Raha tojo an’izany ianao, vehivavy, dia ireto misy torohevitra hanam-py anao, hamerenana indray ny olon-tianao.

Mialoha ny zavatra rehe-tra dia tokony hihataka kely aminy aloha ianao, aorian’ny fotoana nisarahana. Raha voatahiry an-tsaina ny foto-ana mamy rehetra niarahana dia ny fampifilafilana kely azy mandritra ny fotoana maha-ritra mihitsy no hampanem-bonembona azy sy hitiavany hiverina indray.

Efa nanana ny fomba fijeriny anao ilay olon-tianao nandritra ny fotoana niaraha-nareo. Mila ovaina kely izay, ka tokony hijery izay zavatra azo-nao ovaina entina hisarihana azy indray ianao. Ataovy izay hahatonga azy ho taitaitra aminao indray.

Manaraka izany dia ampa-hafantaro azy ihany koa fa

misy olona hafa mitsiriritra ny hifankatia aminao. Manaitra ny hambom-pony ny fahat-sapana izany, ka hahalatsa-panenenana azy ary ho mora ny hiverenany.

Tsara fantarina ihany koa aloha ny antony nahatonga ny fisarahana. Raha toetra ratsy avy aminao no nitarika izany dia tokony hampaha-

fantarinao azy ary tokony ho vonona hiala amin’izany ianao amin’izao manaraka izao. Aza aseho be azy loatra kosa anefa hoe maniry hive-rina aminy ianao. Ataovy fot-siny izay hisaritsarihana azy indray. Mahafantatra tsara ny fombany ianao tao anatin’ny fotoana nifaneraseranareo. Ampiasao ireny, trandraho

hatao fitaovana hampiverina azy. Ataovy ny zavatra tiany ary fadio ny zavatra halany. Andramo ary ireo. Raha toa moa ka tsy misafidy ny hive-rina aminao intsony izy, dia saintsaino mangina hoe tena izy marina ve no olon-tianao eo amin’ny fiainana ? Mendrika ny hisahiranana tahaka izany ve izy ?

ho virjiny mandra-pahafaty� % ny lehilahy, � % ny vehivavy

Tsy voatery hifanaraka amin’ny zava-misy hitantsika ny antontanisa avoakan’ireny ivon-toerana mpanao fanadi-hadiana ireny. Jereo amin’ire-to voka-panadihadiana mana-raka ireto ny mahakasika ny olombelona sy ny fitiavana.

Fantatra ary fa efa nanao firaisana ara-nofo farafaha-ratsiny indray mandeha tao anatin’ny fiainany avokoa ny 96%-n’ny lehilahy sy ny 95%-n’ny vehivavy 18 ka hatra-min’ny 69 taona. Mivoitra amin’izany ary fa tsy nandia izany tontolo izany velively ny 4%-n’ny lehilahy sy ny 5%-n’ny vehivavy. Ny 89%-n’ny lehilahy sy ny 84%-n’ny vehi-vavy feno 24 taona indray no voalaza fa nanao firaisana ara-nofo indray mandeha raha kely indrindra.

Ny 21,1%-n’ireo lehilahy teraka teo anelanelan’ny tao-na 1922 sy 1925 no fantatra fa nanandrana ny fanaovana firaisana ara-nofo voalohany niaraka tamin’ny mpivaro-tena. 0% kosa no nanao izany

ho an’ireo teraka taorian’ny taona 1972.

Ny ¾-n’ny tanora latsaky ny 25 taona indray no fantatra fa nanandrana ny “fellation” sy ny “cunnilingus”, na ilay mitsentsitra taovam-panana-

hana. Ny 25%-n’ny mpivady no tsy nanao izany.

Momba ny fifindrafin-drana olon-tiana indray dia voalaza fa misolosolo vehi-vavy in-11 eo ny lehilahy iray amin’ny ankapobeny man-dritra ny fiainany, raha 3,3 ny

an’ny vehivavy. Anjaran’ny tsirairay hatrany no manama-rina ny mampitombina itony voka-panadihadiana itony satria safidy ny fitiavana ary tsy ny fombafomba atao no manan-danja, fa ilay fitiavana ifanolorana mihitsy.

« dogging »Firaisana ara-nofo ima-son’olona

Ry zareo vahiny no tena mankafy ny manao firaisana ara-nofo anaty fiarakodia. Raha efa nanandrana izany ianao dia azonao an-tsaina avy hatrany ny antsoina hoe “dogging”. Inona marina moa izany izy io ?

Nalaina avy amin’ny teny hoe “jogging” ihany ny “dogging”. Ry zareo any Grande Bretagne sy Canada no voalaza fa tena mpanao azy. Tsy inona izy io fa ny fanaovana firaisana ara-nofo amina toerana misy mahita, toy ny any anaty fiarakodia. Azo sokajiana roa izy, dia ilay antsoina hoe “exhib” sy ny “voyeur”. Raha misafidy ny voalohany ianao dia ianao mihitsy no manao ny firaisana ara-nofo manaiky hotazanin’ny olona avy any ive-lany. Raha iry faharoa kosa indray no andrian’ny fonao dia ianao indray no mitazana olona manao firaisana an-kalamanjana.

Toy ny zavatra rehetra dia manana ny fitsipika mifehy azy ihany koa ny “dogging”. Any anaty ala, eny amin’ny toerana fihantsonan’ny fiarakodia, eny amina toerana malalaka no tena fanaovana azy. Ho an’ireo mampiasa fiarakodia dia tokony hahi-dina ny fitaratry ny fiarakodia, na somary sokafana ny varava-rana. Raran’ny lalàna kosa anefa ny fanaovana izany any Frantsa. Tsy mbola tafiditra ao anatin’ny fomba fiainantsika Malagasy rahateo ny momba izany, saingy vaovao no ilaina ampitaina dia fampahafantarana fotsiny ihany no ataonay.

Vehivavy mararyTsy afaka mitsangana fa be nono loatra

Manana olana vokatry ny halehiben’ny nonony tafahoatra ity renim-pianakaviana iray, 29 taona, avy any Pérou. Diso goa-vana loatra ny nonony, ka nahatonga azy hijanona teo am-pan-driana nandritra ny enim-bolana maninjitra. Araka ny nambara-ny tamin’ny mpanao gazetin’ny “Sun” dia tsy afaka namindra sy nitsangana mihitsy izy noho izay nonobeny izay. Rehefa natao ny fizahana ara-pahasalamana dia hita fa aretina “gynécomastie”, tsy fahatomombanana ara-batana no mahazo azy. Mitombo tsy mitsahatra ny hozatra amin’ny nonony. Natahorana ny haha-sempotra ity renim-pianakaviana ity, satria hoe voatsindrin’ny nonony ny havokavony. Natao ny fandidiana, ka nahatratra 16kg ny lanjan’ny nofo nesorina taminy. Fanirian’ny olona maro ny hanalehibe nono sy ny tahaka izany. Ny ara-boajanahary aza ity izany namoa-tsampona, koa mainka fa ny foronina.

Kilalaon’ny mpifankatiaAdy miravona amin’ny ondana

« R aha tsy miady tsy mifankatia », hoy ny oha-pite-nenantsika malagasy izay. Ho an’ny manam-pahaizana dia ny ondana sy ny kidoro ihany no fanefitra sy fandravonana ny adiadikelin’ny mpivady.

Zavatra tsy misy dikany akory matetika dia mitarika ady ao an-tokantrano ao.

Manaratsy ny endrika sy ny bika anefa izay hatezerana izay rehefa mivoaka ety ive-lany. Raha mitranga izany dia tsotra ihany ny vahaolana aroson’ny mpikaroka.

Makà ondana dia amparo amin’iny ny hatezerana rehe-tra, hipoaka any. Tsy ajanona

eo aminao fotsiny ny fikapo-kapohana amin’ny ondana fa azonao atao ihany koa ny manipy azy eny amin’ny vadi-nao (ny manam-pahaizana no milaza an’izany an).

Tokony hivadika ho sangy iarahana mitokelaka izany rehefa ela ny ela. Ataovy amin’izay ny fifanalana fita-

fiana. Somary laroina fihetsika maherihery setra izany rehe-tra izany, hahatsara ny fiara-hana. Azonareo atao avokoa ny zavatra rehetra mahery setra tonga ao an-tsainareo, mialoha ny firaisana ara-nofo, izay tsy ho afaka ao an-tsai-nareo intsony amin’ny andro manaraka.

Page 6: BV_6083 Alakamisy 6 may 2010

� N° 6083 - Alakamisy 06 Mey 2010FIALAM-BOLY

Mbala

Valifatin-dRakarandohaIty tantara ity dia noforonina tanteraka ka vokatry ny kisendransendra ihany raha misy hifandraisany amin’ny fianan’olona na trangam-piaraha-monina

Diso fito

VALINY NY RARITENY FARANY

MITSANGANA1/ Dobo 2/babo – hitsy 3 / nilofosanareo (br)4 / lera – avotsotra 5 / diso fidirana ( miv – br) – naka ronono 6 / atody roa –omby mitrena 7 / feno 8/ ahitsy 9 / zavama-niry ( bl ) – lohan- gidro – mpampitohy 10/ folo – fama-liana antso – aotra roa- mpanondro

MITSIVALANAA/ fihinambela –folo b / adabohy –refy sinoa c /fikitra( miv-br) sahalao(miv- br) d /kely e/ fokon’ambatondra-zaka f/ aholika –dikao g/ boribory ( br) –voronkely h/ hamorana(miv-bl) –lio i / nanavy (br ) – naoty faha- 7 j /roa-fanalana loto

MITSIVALANA

A/fanefitra b/ikaki-ma c/lavalava d/ano-afahik e/mite-ny-da f/azafadi h/roahinao i/iv-hani janalov

MITSANGANA

1/Filamatrao 2/akani-eo 3/navotana 4/eka-ezahin 5/filana-iva 6/afifin 7/tava-avaho 8/ah-oav 9/am idio 10/aika - rtib

Page 7: BV_6083 Alakamisy 6 may 2010

�Alakamisy 06 Mey 2010 - N° 6083 SAMIHAFA

Immeuble STOI 1er étage Village des jeux Ankorondrano Antananarivo

Tel : 26 420 27/26 420 28

TALEN’NY FAMOAHANA :RAKOTONIRINA Gerard TONIAN’NY FANORATANA :RANDRIANARISOA Penjy SEKRETERAN’NY FANORATANA :ANDRIAMITANTSOA Hery 034 08 760 50

[email protected]@blueline.mg

[email protected] Web : www.basyvava.com

Nanorina RAMANANJATO GabrielGazetim-baovao mivoaka intelo isan-kerinandro 6083-44 Taona

Vidiny : Ar 200Fametrahana : Lah : 6083/06 -05-10 - Isan’ny natonta: 22 100

In-telo maty… in-telo velona-Bolida a! Bolida! Hoy i Jaona nitabataba sady nihaza-

kazaka nanerana ny efitrano. Tapitra nozahany ny efitra rehetra fa tsy nisy ako namaly

na dia kely aza. Tsembo-dratsy tsy fidiny teo ity tovolahy. Tsy fantany intsony izay hataony sy halehany. Honjohonjon’izy irery sisa fa tsy nisy namana intsony hiara-dalana sy hizaka izay fisedrana mety hitranga.Rehefa nandinika nandritra ny minitra vitsy izy dia tapakevitra fa handositra ity toerana tsy azo antoka ity. Mbola nivoha nidanadana rahateo ny varavarana izay tsy fantatra ny nahatonga izany na ahoana na ahoana. Ny azo antoka dia tsara hidy ity varavaram-be ity teo aloha ary tsy nanonofy mihitsy i Jaona fa ny tenany izao no nanao izany.Nilomay ny anao lahy namonjy ny varavaram-be, kinanjo tamin’izay indrindra no niseho ny tsy nampoizina fa nisy rivotra nifofofofo be nanakatona an’izany. Feona fanalahidy toa nitsofoka no sady nanidy no re nanaraka avy eo. Niezaka namoha i Jaona fa herim-po very maina fotsiny. Nihidy tanteraka avy tany ivelany ilay varavaram-be. Nipatrapatraka tsy misy toy izany ny hatsem-bohany. Lasa indray namonjy ireo varavarankely sao mba any no mety hahitana lalana hivoahana. Zava-poana koa anefa ireny fihetsika ireny. Mafy hidy manoatra noho ireny fonja ireny ny hirika saika hilàna vonjy. Tsy misy hevitra azo atao, tsy misy lalana azo hivoahana . Tafatombina tamin’ny tany ny tovolahy. Kivy tanteraka ny saina aman’eritreriny. Ny ranomasony sisa no tsy nirotsaka.

(hitohy)

Diampenin’i R. Alain Bruno

Kitra any afrika : Vaovao tapatapany

-Nifindra atsy Afrika Atsimo indray ilay mpanazatra ny ekipam-pirenena Zimbaboeanina, Sunday Chidzambwa ka hitantana indray ny ekipa afrikanina tatsimo, Free Sate Stars mandritra ny roa taona indray. Hisolo toerana ny mpanazatra teo aloha, Gordon Igesund izay nametra-pialana. 10.000 Euros na 13.500 Dolara isam-bolana no ho karamany amin’izany. Ingahy Chidzambwa moa no hany mpanazatra nahavita din-gana goavana niatrehan’ny Zimbabwe ireo ho any amin’ny avoavo kokoa amin’ny fiadiana izay ho tompon-dakan’I Afrika (CAN).

-Mondial 2010 : Ho fisaorana noho ny asa lehibe sy goa-vana vitan’izy ireo dia notoloran’ny komity mpanomana ny Mondial 2010 tamin’ny alalan’ny filohany, Danny Jordaan tapakila roa avy ireo mpiasa miisa 27.000 nanorina sy nanavao ireo kianja 10 handraisana ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany ny 11 jona ka hatramin’ny 11 jolay ho avy izao. Samy hahazo tapakila roa avy ireo mpiasa, izany hoe tapakila miisa 54.000 no hozaraina maimaimpoana. Ankoatra ireo dia noto-loran’ny FIFA tapakila maimaimpoana miisa 66.000 ihany koa ireo afrikanina tatsimo ao anatin’ny fandaharan’asa sosialy sy ara-piaraha-monina. Nahazo fihenam-bidy ihany koa ireo afrikanina tatsimo ka ho tafidina hatramin’ny 140 rands na 14 euros ny vidin’ny tapakila iray amin’izany.

antsahamanitraNiova endrika tao anatin’ny fotoana fohy

Ren-tany ren-danitra, andro vitsivitsy lasa izay fa lasan’ny minisitra iray teo aloha ny ampahan’Antsa-hamanitra. Nampiaka-peo ireo sampana isan-tsoka-jiny mpampiasa ity sehatra maitso ity, indrindra ry zareo ao amin’ny sampana tennis. Raha ny fantatra mantsy dia

an’ny FFPM Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara, izay hivon-dronan’ny FJKM sy ny FLM Antsahamanitra. Ankehitriny anefa dia efa mamefy ny anjara taniny ity minisitra teo aloha ity. Efa an-taonany maro no novidiany tamin’ny FLM ny ampahany amin’ny dobo filo-

manosana, ireo kianja filalao-vana tennis.

Hiova endrika tanteraka ny sehatra ao Antsahamanitra manomboka izao. Toerana manan-tantara ary azo kila-siana ho vakoka ity sehatra ity. Ara-dalana tanteraka ny taratasim-barotra raha ny

filazan’ny tompon’andraikitra iray ao Antsahamanitra. Tsy nahenoana teny loatra mika-sika ity raharaha ity ny FLM. Tsy misy azo atao intsony na fifampiraharahana amin’ny hitazonana ny endrik’ity seha-tra ity ankehitriny aza.

Tsiry

Fivorian’ny FFKmBanga ny toeran’ny mpitarika

Tsy dia re feo loatra ny tompon’andraikitra iray izay tompon’andraikitra amin’izao zavatra manjo ny firenena izao. Raha nisy mantsy ny fotoam-pivavahana nokara-karain’ny FFKM teny amin’ny Fjkm Andrainarivo farany teo, dia teo bang any toe-ran’ny filoham-piangonana. Manontany tena ny mpa-nara-baovao sy ny mpino fa nankaiza tokoa? Manimanina

azy isika rehetra satria ray amandreny tena mpampi-havana izy.Tsaroana fa na dia teo an-tanànany aza ny fisehoan-javatra tamin’ny 17 martsa 2OO9, dia nanomboka teo ny fahanginany. Tsy te-hiady angamba ka tsy niditra an-tsehatra mihitsy fa nitaza-na fotsiny ny famingavingana ny mpitarika fiangonana mpi-ray fikambanana aminy. Ny adiady rehetra niseho teto dia

nikatsahany ny fihavanana hatrany. Fanambaràna maro no nanehoany izany. Hainy ny nandresy lahatra ireo mpi-fanandrina ara-politika mba hampandefitra ny hambo-po sy ny fitiavan-tena. Tsy nety kivy izy na dia efa nitambesa-ran’ny taona aza, fa dia nant-soina andro aman’alina mba hitarika ny fanelanelanana.

Nankaiza tokoa e! manan-tena ny fiverenany tokoa anie

ireo ondry marobe mbola eny ivelan’ny Eglizy e! Miandry azy hitondra fankaherezana ny olona rehetra hianjadian’ity krizy mahavalalanina ity. Aza ilaozana ny fitolokon’ny tsy manan-tsiny marobe mbola mila sy mitady ray aman-dre-ny to teny, toa azy. Sa ve kivy izy? Sa mihevitra fa efa vita ny adidiny? Tsy izany kosa e!

Dadan’i Ranto.

hetsika fifohazam-panahyHo avy ny « Zafindraony fanafahana »

Tohin’ny asa fitoriana nataony teto Antananarivo Renivohitra tamin’ny taona 2004, dia hanao hetsika goavana etsy amin’ny seha-tra maitso Antsahamanitra indray ny zanaka am-piele-zana ao amin’ny toby lehibe fifohazana Soatanàna miray amin’ny FFPM, ny sabotsy 8 may ho avy izao, manomboka amin’ny iray ora tolakandro. « Zafindraony fanafahana » no hotanterahana amin’iza-ny, izay iarahany manomana miaraka amin’ny zana-toby Soatanàna Ilafy.

Fotoam-pivavahana

Fotoam-pivavahana no hatao amin’io tolakandron’ny sabotsy io. Ifarimbonan’ny mpitandrina avy amin’ny FJKM sy ny FLM ny toriteny. Ny hira zafindraony kosa no handravaka ny fotoana, izay hafanain’ny tarika Ny Mpidera avy amin’ny Aumonerie Protestante Universitaire sy ny tarika Ly Andriamamy. Hisy ihany koa ny asa fandroa-hana devoly, izay tafiditra ao anatin’ny asa fitoriana, fa tsy fanehoana ny fahaiza-manao,

araka ny filazan-dRazaka Oliva, tompon’andraikitry ny serasera amin’ny hetsika.

Tsy hisy ny vidim-pidi-rana fa rakitra no hotata-zana. Ankoatra izay fano-hizana ny asa fitoriana izay mantsy dia misy ihany koa ny vinavina hanorina zana-toby vaovao Soatanàna any Ambohitrolomahitsy, amina tany fanomezana av y amin’olona nahazo fahasoavana.

Manaitaitra fanahy

Kolontsaina malagasy avy any amin’iny faritr ’ i Betsileo iny ny zafindraony. Izany no nentina nitoriana tany amin’ny taona 1900 tany, hatrany Taolagnaro, A n t s i r a n a n a , B e t s i r i r y, Vatomandry. Manaitaitra sy mamelombelona fanahy ihany koa izy. Ara-tantara dia ny zafindraony no tena fam-piasa amina fiandrasam-paty, indrindra tany amin’ny vanim-potoana nialoha ny taona 1975 tany. Ny zafindraony no ampiasaina rehefa hamory olona, na hanao asam-piraisa-na. Izany no anisan’ny antony

nisafidianan’ny mpikarakara ity hetsika ity ny zafindraony.

Tantara

Raha mahaliana anao dia fantaro amin’ny amban-g o v a n g o n y f a i n g a h y Rainisoalambo no loharano nipoiran’ny toby lehibe fifoha-zana ao Soatanàna tamin’ny taona 1894, araka ny fitan-taran’Idada Ra-Bernard, ray aman-drenin’ny zana-toby Soatanàna Ilafy. Tonga tao Ambatoreny izy, hila ravina-hatra ary nanao solona kate-kista tao. Nolazoin’aretina izy

tamin’izany. Voalaza fa sady nanoko sikidy izy no nivavaka. Nandany ny fananany tamina sikidy isan-karazany ingahy Rainisoalambo nefa tsy nahita fahasitranana. Rehefa niantso an’Andriamanitra tompoin’ny kristiana izy dia nisehoan’ny fahitana, izay nandrisika azy hanary ny odiny. Nony sitrana soa aman-tsara izy dia nanori-na ny toby lehibe, izay mbola mitoetra mandraka ankehi-triny. Miisa 17 kosa ny zana-toby Soatanàna mipariaka manerana ny Nosy amin’izao fotoana izao.

Harimbola M.

“Zafindraony fanafahana” hiainga avy aty amin’ny toby Soatanàna

Page 8: BV_6083 Alakamisy 6 may 2010

� N° 6083 - Alakamisy 06 Mey 2010KOLONTSAINA SY FANATANJAHANTENA

aS ademaNasiam-panavaozana lehibe

Nasiam-panavaozana goavana ny eo anivon’ny klioban’ny AS Adema, ilay tompon’ny amboaran’ny Madagasikara farany teo sady tompon-dakan’Analamanga saingy tsy navelan’ny federa-siona Malagasy taranja bao-lina kitra hiatrika ny fiadiana izay ho tompondakan’ny Madagasikara. Nisaorana ny mpanazatra, Rajaonarisamba Frank sy mpanazatra mpa-nampy, Rakotondramanana Johnny ka nosoloina an’An-drianjoelison Nirina na Raniry. Efa nitantana ny ekipan’ny AS Adema ihany Raniry nia-lohan’ny nifindrany tany amin’ny USCA Foot. Na dia tsy nahavita dingana firy aza izy tamin’izany dia namira-tra kosa tao amin’ny USCA Foot, satria nahavita niton-dra ity ekipan’ny kaominina Antananarivo renivohitra ity hatrany amin’ny lalao ampa-hefa-dalana amin’ny fiadiana izay ho tompon-dakan’ny Afrika isan-tarika. Noho io din-gana goavana io indrindra no nahatonga ny mpitantana ny AS Adema hanapa-kevitra ny hamerina azy eo amin’ny toe-

ran’ny mpanazatra. “Hiezaka tokoa aho hanatratra ny tan-jona napetraka tamiko, ka ny zavatra hataoko voalohany dia hanavao ny ekipa ho tano-ra”, hoy Raniry raha tafaresaka taminay izy omaly. Mandra-panendry izay hanampy azy dia i Tojo kapiteny teo aloha ihany no hanome tanana an-dRaniry hanazatra ny AS Adema. Noho izany dia mpi-lalao dimy mirahalahy no nisaorana noho ny taona efa mihamandroso dia Raherisoa

Gilbert (Rahery), Raberanto Guy Rene Patrick (Guy Sola), Rajaonarisoa Tojo Navalona, Rajaozara Bruno ary Herisoa Gerard (Roda). Ny alahady ho avy izao no ho fitsapana voa-lohany ho an-dRaniry sy ny ekipany vaovao, ka ny ekipa notantanany teo aloha ihany, dia ny Tana Formation no hifandona aminy.

Nialoha izany rehetra izany dia nohavaozina ihany koa ny komity mpitantana ny AS Adema. Mbola tafa-

janona ho filoha hatrany ny DAF an’ny Adema SA, Randriamialisoa Yves Marius izay filoha teo aloha ihany. Tafajanona tamin’ny toerany ihany koa ny filoha lefitra sy ny mpitam-bola. Ankoatra ireo dia nasiam-panavaozana avokoa ny ambiny. Tanjon’ny klioban’ny AS Adema hatra-ny moa ny hahavita dinga-na lavitra any Afrika sy eto Madagasikara.

Zaka Fils

ligy analamangaHanomboka ny taom-pilalaovana

Lalao goavana roa no hanokafan’ny ligin’Anala-manga ny taom-pilalao-vany ny alahady ho avy izao etsy amin’ny kianjaben’ny Mahamasina. Lalao izay heve-rina ho isan’ny tena hifampi-tady tokoa amin’ny fiadiana izay ho tompondakan’Anala-manga. Hanomboka amin’ny 1 o ra to l a k a n d ro i z a ny amin’ny alalan’ny fihaonan’ny AJESAIA sy ny Japan Actuel’s FC. Lalao izay andrasan’ny maro fatratra. Na dia nilao-zan’ny mpilalaony roa lehibe aza ny ekipan’Antaninkatsaka dia mbola ao anatin’ny heri-ny hatrany ary mbola bet-saka ireo tanora mpandimby. Aorian’io kosa ny fifampika-trohan’ny AS Adema sy ny Tana Formation FC, izany hoe hanomboka amin’ny 3 ora tolakandro. “Remake” ho an’ny famaranana ny fiadiana ny amboaran’ny Madagasikara

farany teo izany. Nandresy tamin’ny isa mazava 2 no 0 ny ekipan’Ivato tamin’izay. Samy nanomana anefa amin’ity

sady ny baolina rahateo bori-bory ka tsy mbola fantatra izay hivoaka ho mpandresy. Mazava ho azy fa samy tafidi-

tra ao anatin’ny fifanintsana-na hiadiana izay ho tompon-dakan’Analamanga ireo.

Zaka Fils

Rugby – Fifidianana « section » antananarivo renivohitraHotapahina eo anivon’ny AG ny famerenana azy

Eo anivon’ny “assemblée generale” no hanapahana ny famerenana na tsia ny fifidia-nana fanavaozana ny komity mpitantana ny “section” Antananarivo renivohitra taranja rugby farany teo, dia ilay fifidianana nahabe resaka. Izay no fanapahan-kevitra niraisan’ny komity mpitanta-na ny federasiona Malagasy taranja baolina lavalava sy ny komity mahaleo tena nikarakara ny fifidianana ary

ny ministeran’ny fanatanja-hantena Malagasy ny talata hariva lasa teo. Hampiantso fivoriambe noho izany ny eo anivon’ny FMR ato ho ato mba hanapahana izany.

Raha hiverenana kely ny tantara dia nandresy tamin’ny elanelan’isam-bato betsaka nanoloana ny kandida nifa-nandrina taminy, Ravelojaona Andry ny filohan’ny “sec-tion” teo aloha Razafiarison

Francois Xavier na i Fafah. Samy nahita tsy fetezan-java-tra betsaka sy tsy fanarahan-dalana anefa na ny komity mpanohana an’i Andry, izay nametraka fitarainana na ny komity mahaleo tena nika-rakara ny fifidianana na ny solontenan’ny ministeran’ny fanatanjahantena. Noho ireo dia nanapa-kevitra ny komity mahaleo tena sy ny FMR fa averina iny fifidianana iny. Tsy nanaiky izany anefa ny komi-

ty mpanohana an’i Fafah ary nanambara ihany koa ny teo anivon’ny ministeran’ny fana-tanjahantena fa ara-dalana ka tsy mila averina intsony iny fifidianana iny. Tsy nanaiky ary tsy hanaiky hatramin’ny farany anefa ny eo anivon’ny komity mpitantana ny FMR ka izao nandray ny fanapa-han-kevitra hitondra ny raha-raha eo anivon’ny “assemblée generale” izao.

Zaka Fils

njakatiana sy Poopy« Duo inédit » indray

Taorian’ny “du jamais vu” dia hitondra ny “duo inedit” indray i Najakatiana izay hiarahany amin’i Poopy. Eny amin’ny Espace Le Lion d’Or Anosy Avaratra no hanaovana izany ny zoma 7 mey ho avy izao hanomboka amin’ny 9 ora alina. Hizara telo miavaka tsara ny seho amin’io. Ny voalohany sy faharoa dia ny fihirana manokana ho an’i Poopy sy ho an’i Njakatiana, izany hoe samy hihira irery ny sangan’asany izy ireo. Tsy ho latsaky ny adiny roa izany, satria mpa-nakanto samy manana ny lazany ary samy mahazaka fampisehoana irery izy mianadahy ireto. Aorian’io ny tena ventin’ny fampisehoana, dia ny fampiaraham-peo tsy mbola nisy toy izany hiarahan’i Poopy sy i Njakatiana. Efa nahitana ampahany betsaka tamin’io “duo” io nandri-tra ny fampisehoana “che bel canto” an’i Poopy farany teo. Anisan’ireo nasain’I Njakatiana hiara-hihira taminy teny amin’ny lapan’ny kolont-saina Mahamasina ihany koa nandritra ny “spectacle inedit” farany teo i Poopy. Maro no nankafy ireny ka ho fanomezana fahafaham-po azy ireo no nikarakaran’i Tex Pro azy ity. Tongava maro fa tsy mbola nisy toy ity ary tsy hisy toy ity “duo inedit” ity.

Zaka Fils

Olombelo RickyCCAC, CGM dia Antsahamanitra

Hankalaza ny fahatelopolo taona niakarany an-tsehatra ny Olombelo Ricky amin’ity taona ity. Seho maromaro eto an-toerana sy any ivelany no hanamarihany izany taon-jobily goavana izany, izay nomeny ny lohateny hoe : “organic live music”. Hanokafana azy io ny seho voalohany ho etsy amin’ny CCAC Analakely ny zoma 7 mey ho avy izao. Hanomboka amin’ny 7 ora hariva izany, ka hahenoana ireo hira nahafantarana azy hatrizay dia ireo hira am-panahy sy mampani-dintsidina nahafantarana azy hatrizay. Hifindra kely eny amin’ny CGM Analakely indray ny Olombelo Ricky ny 22 mey ho avy izao. Mbola karazana seho anaty trano hatrany izy io ary hanomboka amin’ny 7 ora hariva ihany koa. Ny tena goavana amin’ity fankalazana ny taon-jobily ity moa dia ny seho lehibe atao eny Antsahamanitra izay tsy mbola fantatra ny daty sy ora hanaovana izany. Ankoatra ireo dia hamoaka raki-kira vaovao ihany koa i Ricky, izay hitondra ny lohateny hoe : “Zara hasina”. Mpanakanto feno ny Olombelo Ricky. Mpitendry tao amin’ny tarika Mahera no niantombohany tany amin’ny taona 70 tany ho any. Nively amponga maro anaka tao amin’ny Ramy Franck sy ny Mélodie Jazz avy teo ary nanafana cabaret niaraka tamin’ny Speedy, ka tamin’izany no nihaonany tamin’ireo andrarezin’ny mozika Malagasy toa an-dry Tôty sy ny maro hafa. Namorona ny tarika “Hiraky ny vava-rano” i Ricky taorian’io. Tao amin’ilay fandaharan’i Tsilavina Ralaindimby nitondra ny lohateny hoe “Salohy” no tena nisongadinany voalohany niaraka tamin’ireo mpitendry sy mpihira kalaza toa an-dry Vahombey, D. Gary, Silo, Xhi sy Maa ary Tôty. Nandeha irery amin’izay izy avy teo ary isan’ny nahafantarana azy ny seho : « manala azy vita bacc », isaky ny alakamisy hariva rehefa vita adina baccalauréat. Somary nangingina ny Olombelo Ricky tao ho ao ary izao hiverina amin-kery hankalaza ny fahatelopolo taona niakarany an-tsehatra izao.

Zaka Fils