famintinana - wwfeu.awsassets.panda.org · ny sampandraharaha momba ny toe-karena manga (seb), izay...

15
FAMINTINANA TOE-JAVATRA SY T ANJONA Ny taona 2016, nankatoavin’ny Tahirim-bola Iraisampirenena momba ny Tontolo iainana (FEM) ny hanohanana ny fandaharanasa momba ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasin’i Madagasikara, amin’ny halalan’ny fametrahana sy fitantanana mahomby tambazotra-na faritra arovana an-dranomasina, mba ho fikajiana ny harena an-dranomasina no sady fampitomboana ny tahiry hazandrano ho an’ny jono, ho sakafo sy ho fampiroboroboana ny toekarena amin’ny fomba maharitra. Ao anatin’ny sehatr’asa momba ny Harena Voajanahary famatsiam-bola io. Tanjona amin’izany ny hiantohana « fitantanana mahomby ny harena voajanahary sy ny harena an- dranomasin’i Madagasikara ». Nankinin’ny FEM amin’ny WWF ny fandrindrana ankapoben’ny Fandaharanasa, ka misy tetikasa roa ao anatiny : (1) Ny momba ny fitantanana mahomby ny jono sy ny fivoarana mirindra ety amin’ny faritra atsimo andrefan’ny ranomasimbe Indiana (SWIOFish2) dia tanterahina miaraka amin’ny Banky Iraisampirenana ; (2) Ny fanitarana sy fanohanana ny tambazotra-na Faritra arovana an-dranomasina eto Madagasikara (GEF6-AMP) kosa dia iarahana amin’ny WWF. Mifameno tsara ireo tetikasa roa ireo satria ny Faritra arovana an-dranomasina dia mampitombo ny tahirin’ny harena an-dranomasina izay azo trandrahina amin’ny halalan’ny jono ka hanatsara izany. Ny fitantanana mahomby kokoa ny jono ihany koa dia manatsara ny fidiram-bola sy ny fanondranana entana ary mipaka amin’ny fihatsaran’ny fahefa-mividin’ny mponina sy ny fiarahamonina eny ifotony. Anjaran’ny tetikasa GEF6-AMP ao anatin’ny fandaharanasa ny mampitombo ny velarana rakotry ny tambazotra-na Faritra arovana an-dranomasina hampiharana ny fitantanana maharitra sy mahomby. Tanjon’ny tetikasa ny haazoana antoka fa « mahomby ny fitantanana maharitra sy mari-toerana ny harena voajanahary sy ny vokatra an-dranomasina eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny tambazotra- na Faritra arovana an-dranomasina sy tantanan’ny vondron’olona ifotony». Izany dia fandraisana anjara ihany koa amin’ny fanatrarana ny finiavan’i Madagasikara hanitatra avo telo-heny ny velarana Faritra arovana an-dranomasina araka ny fampanantenana tany Sydney (Australie). Ho hita mivaingana ny fandraisan’anjaran’ny tetikasa : amin’ny fampitomboana ny tombony azon’ny mpanjono sy ny fiarahamonina misy azy avy amin’ny vokatra laharampahamehana, amin’ny fanamafisana ny fiarovana ny harena voajanahary an-dranomasina, ary amin’ny fanatrarana ny fanambin’ny firenana momba ny tambazotra-na Faritra arovana an- dranomasina sy ny tanjona faha #11 tany Aichi. Ny Governamanta, amin’ny halalan’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Maharitra (MEDD) no mandrafitra ny tetikasa miaraka amin’ny tohana ara-teknika sy ara-bolan’ny Tahirim-bola Iraisampirenenan momba ny tontolo iainana (FEM) izay solon’ny WWF tena. Mahatratra 6 284 404 dolara amerikana ny fandraisan’anjaran’ny FEM amin’ny fanatanterahana ny tetikasa izay haharitra 60 volana. T ANJONNY P AIKANDAMINA LASITRA (CP) SY NY DRAFITRA LASITRA MOMBA NY FITANTANANA NY TONTOLO IAINANA SY NY FIARAHAMONINA (CGES) Raha misy tetikasa fampandrosoana vatsin’ny Tahirim-bola iraisampirenena momba ny Tontolo iainana mandalo eo amin’ny WWF, dia ilaina manaraka ny politikam-piarovan’ny WWF momba ny tontolo iainana sy ara-piarahamonina, no sady manaja ny fenitra efa fampihatra eo amin’ny firenana. Noho izany, ny Governemanta malagasy amin’ny halalan’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny

Upload: others

Post on 25-Jan-2021

3 views

Category:

Documents


0 download

TRANSCRIPT

  • FAMINTINANA

    TOE-JAVATRA SY TANJONA Ny taona 2016, nankatoavin’ny Tahirim-bola Iraisampirenena momba ny Tontolo iainana (FEM) ny

    hanohanana ny fandaharanasa momba ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasin’i

    Madagasikara, amin’ny halalan’ny fametrahana sy fitantanana mahomby tambazotra-na faritra

    arovana an-dranomasina, mba ho fikajiana ny harena an-dranomasina no sady fampitomboana ny

    tahiry hazandrano ho an’ny jono, ho sakafo sy ho fampiroboroboana ny toekarena amin’ny fomba

    maharitra. Ao anatin’ny sehatr’asa momba ny Harena Voajanahary famatsiam-bola io. Tanjona

    amin’izany ny hiantohana « fitantanana mahomby ny harena voajanahary sy ny harena an-

    dranomasin’i Madagasikara ».

    Nankinin’ny FEM amin’ny WWF ny fandrindrana ankapoben’ny Fandaharanasa, ka misy tetikasa

    roa ao anatiny : (1) Ny momba ny fitantanana mahomby ny jono sy ny fivoarana mirindra ety

    amin’ny faritra atsimo andrefan’ny ranomasimbe Indiana (SWIOFish2) dia tanterahina miaraka

    amin’ny Banky Iraisampirenana ; (2) Ny fanitarana sy fanohanana ny tambazotra-na Faritra arovana

    an-dranomasina eto Madagasikara (GEF6-AMP) kosa dia iarahana amin’ny WWF. Mifameno tsara

    ireo tetikasa roa ireo satria ny Faritra arovana an-dranomasina dia mampitombo ny tahirin’ny harena

    an-dranomasina izay azo trandrahina amin’ny halalan’ny jono ka hanatsara izany. Ny fitantanana

    mahomby kokoa ny jono ihany koa dia manatsara ny fidiram-bola sy ny fanondranana entana ary

    mipaka amin’ny fihatsaran’ny fahefa-mividin’ny mponina sy ny fiarahamonina eny ifotony.

    Anjaran’ny tetikasa GEF6-AMP ao anatin’ny fandaharanasa ny mampitombo ny velarana rakotry ny

    tambazotra-na Faritra arovana an-dranomasina hampiharana ny fitantanana maharitra sy mahomby.

    Tanjon’ny tetikasa ny haazoana antoka fa « mahomby ny fitantanana maharitra sy mari-toerana ny

    harena voajanahary sy ny vokatra an-dranomasina eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny tambazotra-

    na Faritra arovana an-dranomasina sy tantanan’ny vondron’olona ifotony». Izany dia fandraisana

    anjara ihany koa amin’ny fanatrarana ny finiavan’i Madagasikara hanitatra avo telo-heny ny velarana

    Faritra arovana an-dranomasina araka ny fampanantenana tany Sydney (Australie). Ho hita

    mivaingana ny fandraisan’anjaran’ny tetikasa :

    amin’ny fampitomboana ny tombony azon’ny mpanjono sy ny fiarahamonina misy azy avy

    amin’ny vokatra laharampahamehana, amin’ny fanamafisana ny fiarovana ny harena voajanahary an-dranomasina, ary amin’ny fanatrarana ny fanambin’ny firenana momba ny tambazotra-na Faritra arovana an-

    dranomasina sy ny tanjona faha #11 tany Aichi.

    Ny Governamanta, amin’ny halalan’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana

    Maharitra (MEDD) no mandrafitra ny tetikasa miaraka amin’ny tohana ara-teknika sy ara-bolan’ny

    Tahirim-bola Iraisampirenenan momba ny tontolo iainana (FEM) izay solon’ny WWF tena.

    Mahatratra 6 284 404 dolara amerikana ny fandraisan’anjaran’ny FEM amin’ny fanatanterahana ny

    tetikasa izay haharitra 60 volana.

    TANJON’NY PAIKANDAMINA LASITRA (CP) SY NY DRAFITRA LASITRA MOMBA NY

    FITANTANANA NY TONTOLO IAINANA SY NY FIARAHAMONINA (CGES) Raha misy tetikasa fampandrosoana vatsin’ny Tahirim-bola iraisampirenena momba ny Tontolo

    iainana mandalo eo amin’ny WWF, dia ilaina manaraka ny politikam-piarovan’ny WWF momba ny

    tontolo iainana sy ara-piarahamonina, no sady manaja ny fenitra efa fampihatra eo amin’ny firenana.

    Noho izany, ny Governemanta malagasy amin’ny halalan’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny

  • Fampandrosoana Maharitra (MEDD), dia tsy maintsy manomana fitaovana roa dia ny Drafitra

    Lasitra momba ny Fitantanana ny Tontolo iainana sy ny Fiarahamonina (CGES) sy ny Paikandamina

    Lasitra (CP). Ireo fitaovana roa ireo no manampy ny Ministera amin’ny fomba tsotra sy mahomby

    hiatrehana ny raharaha mahakasika ny tontolo iainana sy ny fiarahamonina mifandraika amin’ny

    tetikasa. Izao ny famaritana omen’ny WWF momba ireo fitaovana ireo:

    Ny Drafitra Lasitra momba ny Fitantanana ny Tontolo iainana sy ny Fiarahamonina (CGES): dia

    fitaovana entina handinihana ny fifandraisan’ny tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny mety ho

    fihatraikany, na dia tsy mbola tena voafaritra mazava aza ny antsipirihany rehetra momba ilay

    tetikasa.

    Ny Paikandamina Lasitra (CP): Tsy hisy mihitsy ny famindrana mponina noho ny tetikasa. Na izany

    aza, mihena ny fahafahan’ny mponina misitraka ny harena voajanahary rehefa misy Faritra arovana

    an-dranomasina na faritra tantanan’ny vondron’olona ifotony atsangana, ka miatraika amin’ny velon-

    tenan’ny mponina izany. Ny Paikandamina Lasitra (CP) no mametraka ny dingana arahina,

    mampandray anjara ny mponina voakasiky ny tetikasa, entina handrafetana ny asa tokony atao, ny

    fepetra raisina hanalefahana ny fihatraikany, ny fanatanterahana sy ny fanjohina ny asa.

    Karazan’asa tsy mety

    Ho an’ny WWF, dia sokajy B ity tetikasa ity araka ny fihatraikany eo amin’ny tontolo iainana sy ny

    fiarahamonina. Araka ny Politika sy Paikandamina momba ny fitandroana tontolo iainana sy

    fiarahamonina an’ny WWF, dia tsy hahazo tohanana ny asa raha:

    Mila famindrana mponina,

    Miteraka adin-tany ka mahatonga disadisam-piarahamonina,

    Manohintohina toeram-panasinana na tany masina, na

    Fanorenana na fanarenana fotodrafitrasa misanda maherin’ny 5000 dolara (Sahabo eo amin’ny 18 tapitrisa ariary).

    Izay asa sokajy A araka ny WWF ihany koa dia tsy hahazo tohanana.

    FIRAFITRY NY TETIKASA Tanjona ankapoben’ny tetikasa GEF6-AMP ny fanamafisana sy fampaharetana ny fitantanana ny

    Harena voajanahary ny ny vokatra an-dranomasina. Misy lafiny 4 ny tetikasa:

    Lafiny 1 - Mametraka tambazotra-na Faritra arovana an-dranomasina (AMP) sy tantanan’ny

    vondron’olona Ifotony (LMMA), mivelatra sy mipariaka. Ity Lafiny voalohany ity dia mandika ny fanambin’i Madagasikara momba ny fampanantenana tany

    Sydney momba ny fanatrarana ny tanjona faha #11 tany Aichi, izay ifotoran’ny tetikasa. Ny KBA

    (Faritra ifaharan’ny harena voajanahary) any an-dranomasina sy amorontsiraka dia ho voafaritra

    mazava, miaraka amin’ny antontam-pahalalana ara-tsiansa ahafahana mametraka ny laharam-

    pamehana.

    Lafiny faha 2: Manorina tontolo sahaza sy matotra ho an’ny Faritra arovana an-dranomasina sy ny

    faritra tantanan’ny vondron’olona Ifotony. Ho fanatanterahana ny Lafiny 1, ity Lafiny faha2 ity no mametraka tontolo manome vahana ny

    fanitarana sy ny fanamafisana orina ny tambazotra-na Faritra arovana an-dranomasina (AMP) sy

    faritra andranomasina tantanan’ny vondron’olona Ifotony (LMMA). Ilaina ny mandinika sy

    manatsara raha ilaina ireo lalàna efa misy momba ny faritra arovana, niainga avy amin’ny Fehezan-

    dalàna momba ny faritra arovana (COAP), mba hifanaraka amin’ny ilain’ny fitantanana sy ny

    fifampitondrasana sy ny hay tondra anivon’ny faritra arovana an-dranomasina. Etsy ankilany, ilaina

  • ihany koa ny manana andian-dalàna sy fitsipika mazava sy ara-drariny, ampiharina amin’ny Faritra

    an-dranomasina tantanan’ny vondron’olona ifotony, indrindra ireo izay tsy voafaritra anatin’ny

    Faritra arovana an-dranomasina. Etsy andaniny, ny Ministera dia mila manana ny fahefana sy ny

    fahaiza-manao hiarovana ireny Faritra arovana an-dranomasina sy tantanan’ny vondron’olona

    ifotony ireny ao anatin’ny drafi-pampandrosoana anivon’ny firenena na eny anivon’ny Faritra,

    indrindra ny momba ny MSP na Tetipivoarana momba ny fanajariana ny fari-dranomasina

    hiarahan’ny sehatra maro.

    Lafiny faha 3: Manatsara sy mampahomby ny fitantanana sy fandraisana anjara amin’ny

    fampandrosoana maharitra eny ifotony amin’ny halalan’ny Faritra arovana an-dranomasina (AMP)

    sy faritra andranomasina tantanan’ny vondron’olona ifotony (LMMA).

    Ny fanatsarana sy fanamafisana ny fahaiza-manao sy fahaiza-mitantana dia miatoka ny

    fahombiazan’ny Lafiny 1 ary voafaritra anatin’ity Lafiny faha3 ity. Izany midika fa ireo fepetra

    momba ny tontolo sahaza ho an’ny fifampitondrasana anivon’ny AMP sy LMMA ao amin’ny Lafiny

    faha 2 dia efa tontosa. Misy lohahevitra 3 ity Lafiny ity: (i) Fomba mahomby kokoa hanatsarana ny

    fidiram-bolan’ny mponina ifotony mba hanatsarana ny velon-tenany sy hampazoto azy amin’ny

    fitantanana ny AMP sy LMMA; (ii) Fandraisana anjara amin-kitsimpo, avy amin’ny tamberim-bidy,

    ho famatsiana maharitra ny saram-pitantanana mahazatra; ary (iii) fanamafisana ny fitantanana

    amin’ny halalan’ny fotodrafitrasa sy fampitaovana ilaina, sy fanapariahana fitaovam-pitantana

    mifandraika amin’ny zava-misy eny ifotony.

    Lafiny faha 4: Fitantanana fahalalàna, fanjohina sy tombanezaka.

    Ity Lafiny faha 4 ity dia mikendry indrindra ny fampaharetana ny vokatra azo avy amin’ny tetikasa.

    Ezahina valina ny filan’ny Governemanta malagasy, ny FEM sy ny WWF momba ny fandrefesana

    ny dingana tratra mitaha amin’ny vokatra sy tanjona nifanarahana, mandritra ny fiainan’ny tetikasa.

    RINDRAN-DAMINA Ministeran’ny Tontolo iainana sy Fampandrosoana Maharitra (MEDD) Izy no mandrindra ankapobeny ny fanatanterahana ny tetikasa GEF6-AMP. Misy rafitra sasany ao

    amin’ity Ministera ity no manana andraikitra manokana amin’ny fanatanterahana ny tetikasa sy ny

    fampiharana ity CGES/CP ity. Araka ny hevitra fototra sy izay voarakitra ao amin’ny fehezan-dalàna

    fototra momba ny Tontolo iainana (Charte de l’Environnement) sy ireo fifanarahana iraisam-pirenena

    momba ny fikajina tontolo iainana, dia ny Ministera misahana ny tontolo iainana (ny MEDD) no

    mandrafitra, mandrindra, manatanteraka sy manao fanjohina sy tombanezaka ny politikam-pirenena

    momba ny tontolo iainana sy fampandrosoana maharitra. Ny antom-pisian’ny MEED dia “hiaro sy

    hanabe voho ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary miavaka ho fahatsaram-piainan’ny

    Malagasy sy ho fampandrosoana maharitra ny firenena”. Rafitra roa eo ambany fiahian’ny MEDD

    no manana andraikitra manan-danja momba ny faritra arovana: Ny Madagascar National Parks

    izay miandraikitra ny fananganana, fikajiana sy fitantanana maharitra ny tambazotra-na

    Valanjavaboary sy Tahirin-javaboary manerana an’i Madagasikara; sy ny Foibem-pirenena momba

    ny Tontolo Iainana (ONE). Ity farany moa no tompon’antoka amin’ny fisorohana ny voka-dratsy

    amin’ny tontolo iainana hoan’ny fampiasam-bola miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana, sy

    miady amin’ny fahalotoan’ny tontolo iainana. Izy ihany koa no tompon’andraikitra:

    Amin’ny fampiharana ny didim-panjakana MECIE (Fampifanarahana ny fampiasam-bola sy ny tontolo iainana),

    Amin’ny fisorohana ny loza ara-tontolo iainana, amin’ny halalan’ny fandrindrana ny fampiharana drafim-pitantanana ara-tontolo iainana (PGE) sy ny fanasaziana na fandraisana

    fepetra arak’izay zava-mitranga.

  • Araka ny lamina vaovao dia manana Tale Jeneraly roa ny Ministera: Ny Tale Jeneraly misahana ny Tontolo iainana sy ny Ala (DGEF) no tompo-marika amin’ny

    fiarovana, fitrandrahana, fitantanana ny tontolo iainana sy ny harena an’ala. Eo ambany fiahiany ny

    Tale misahana ny fitantanana ny harena voajanahary azo havaozina sy ny ekôsistema (DGRNE) izay

    tompon’andraikitra amin’ny fitantanana ny harena voajanahary azo havaozina izay anatin’ny Rafitra

    mikasika ny Faritra Arovana (Système des Aires Protégées). Izy no miantoka ny fanatanterahana ireo

    fifanarahana iraisam-pirenena nankatoavin’i Madagasikara momba ny fitantanana karazana

    ekôsistema sy harena voajanahary. Anisan’ny iahian’io Tale io ny sampandraharaha iray misahana ny

    fiarovana ny harena voajanahary sy ny ekôsistema. Misy sampandraharaha iray hafa koa misahana

    ny fitantanana ny faritra arovana sy ny famindram-pitantanana.

    Ny Tale Jeneraly misahana ny fampandrosoana maharitra (DGDD) no tompo-marika amin’ny

    fampiroboroboana ireo fepetra hatratrarana ny tanjon’ny fampandrosoana maharitra. Anisan’ny

    iahiany io Tale Jeneraly io ny Tale misahana ny fampiroboroboana ny fihariana maitso sy manga

    (DEVB), izay tompon’andraikitra amin’ny toe-karena mandala tontolo iainana. Io Tale io no miahy

    ny Sampandraharaha momba ny toe-karena manga (SEB), izay tompon’andraikitra misahana ireo asa

    fiarovana ireo tontolo an-dranomasina sy amorontsiraka saro-pady toy ny alahonko sy ny

    harandriaka.

    Misy ihany koa ireo Talem-paritra na Tale iraisam-paritra misahana ny tontolo iainana sy ny

    fampandrosoana maharitra (DREDD/DIREDD) izay solontenan’ny Ministera eny anivon’ny faritra.

    Izy ireo no tompon’andraikitra amin’ny fampiharana sy fanatanterahana ireo politika momba ny

    tontolo iainana, momba ny ala, momba ny fampandrosoana maharitra, ary miara-misalahy amin’ny

    vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, ny tsy miankina, ny mpandraharaha, ny vondron’olona

    ifotony sy ireo sampandraharaham-panjakana hafa.

    Foibe fitantanana ny tetikasa (UGP) Ny foibe fitantanana ny tetikasa na UGP dia tantanin’ny Tale iray tendren’ny Ministeran’ny Tontolo

    iainana sy ny Fampandrosoana Maharitra (MEDD) ary rafitra ao anatin’io ministera io. Ny MEDD

    miampy ny tohana arateknikan’ny WWF no mifantina ny mpiasa ao. Io UGP io no mandrindra ny

    asan’ny tetikasa, toy ny famokarana tolo-dalàna sy fitaovana, fanamafisana fahaiza-manao,

    fanatanterahana ireo fenitra ara-tontolo iainana ho an’ny tompon’asa arak’izay fifanarahana tohana

    ho an’ny Lafiny 1 sy 3 an’ny tetikasa.

    Tambazotra MIHARI MIHARI dia fanafohizan-teny midika hoe « fitantanana harena an-dranomasina eny ifotony ». Ny

    tambazotra MIHARI dia ivondronan’ny faritra andranomasina tantanan’ny vondron’olona ifotony

    (LMMA). Sahabo 200 hatreto ireo Fikambanana ifotony ary 80 no isan’ny faritra andranomasina

    tantanan’ny vondron’olona ifotony izay misitraka tohana avy amin’ny fikambanana tsy miankina 23

    (na malagasy na vahiny).

    POLITIKAM-PIAROVAN’NY WWF MOMBA NY TONTOLO IAINANA SY FIARAHAMONINA Izay tetikasa misitraka tohana avy amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena momba ny tontolo iainana

    (FEM) ka sahanin’ny WWF dia mila manaraka sy manaja ireo fenitra ara-tontolo iainana sy ara-

    piarahamonina an’ny WWF. Ireto avy ireo politika an’ny WWF mihatra amin’ny tetikasa:

    Fanadihadiana ara-tontolo iainana sy ara-piarahamonina,

    Toerana voajanahary, sy

    Famindrana mponina tsy nahy.

  • Sokajy B ho an’ny WWF ny tetikasa noho ireo mety ho fihatraikany eo amin’ny tontolo iainana sy

    fiarahamonina somary malefaka, voafetra ary azo harenina. Ny drafitra lasitra fitantanana ny tontolo

    iainana sy ny fiarahamonina (CGES) no mamaofy ireo politikan’ny WWF voakasika ireo.

    Fanadihadiana ara-tontolo iainana sy ara-piarahamonina araka ny WWF Ireo ahiahy ny amin’izay mety ho fihatraikan’ny tetikasa eo amin’ny tontolo iainana sy ny

    fiarahamonina noho ireo fotodrafitrasa madinika no tena ifantohan’ny politikan’ny WWF momba ny

    fitantanana tontolo iainana sy fiarahamonina. Koa satria mbola mandritra ny fanatanterahana ny

    tetikasa no ho faritana ny toerana izay hiasana, ny Ministera dia nandrafitra Drafitra lasitra momba

    ny fitantanana ara-tontolo iainana sy ara-piarahamonina CGES) mifandraika amin’ny Politikam-

    piarovana sy Paikan-damina an’ny WWF (PPIS). Narafitra tamin’ny teny frantsay io CGES io ary

    haparitaka amin’ny tranokalan’ny WWF sy an’ny MEED mialoha ny fankatoavana farany.

    Anisan’ny voarakitra ao anaty CGES ny dingana fanaovana sivana ny fiantraikan’ny tetikasa ara-

    tontolo iainana sy ara-piarahamonina sy ny dingana manalefaka izany, dia: ny fenitra takiana

    amin’ny asa fanorenana fotodrafitrasa; ny pitsopitsony arahina raha hanao fanadihadihana ara-

    tontolo iainana sy ara-piarahamonina (EIES); ny fampiharana, fanjohina sy tombanezaka ary

    fanaovana tatitra; ireo fanamafisana fahaiza-manaon’ny mpikatroka isan-tokony; ary ny rindran-

    damina sy teti-bola.

    Politikan’ny WWF momba ny Toerana voajanahary Mihatra izy io satria mety hisy fihatraikany ratsy amin’ny tontolo an-dranomasina sy amorontsiraka

    ihany ny tetikasa, eny fa na dia fihatraikany tsara aza no tena maro.

    Politikan’ny WWF momba ny famindrana olona tsy nahy

    Mihatra izy io, na dia tsy hiteraka fakana tany izay ahiana hitarika famindrana mponina tsy nahy aza

    ny tetikasa. Ny Lafiny 1 momba ny fananganana na fanitarana AMP sy LMMA no mahatonga

    fameperana na fandrarana amin’ny fitrandrahana harena an-dranomasina na fampiasana fitaovana

    voarara sy tsy ifanarahana ka mihatraika amin’ny velontenan’ny olona sasantsasany. Toy izany koa

    izay mety fepetra fanidina ny jono (maharitra na tsia) ao anatin’ny Lafiny faha3 an’ny tetikasa. Ny

    fidiram-bola isan’andron’ny mponina no ho voatohintohina amin’ireny. Narafitra ary ny

    Paikandamina Lasitra (CP) izay natambatra amin’ny CGES mba handravonana ireo ahiahy sy

    sosokevitra entina manatsara ny tetikasa. Io CP io no mirakitra ny vokatr’ireo fakan-kevitra teny

    ifotony. Hita ao ihany koa ny fomba hisorohana na hamahana izay mety ho disadisa amin’ny

    fanatanterahana ny tetikasa.

    FARITRA IASAN’NY TETIKASA Madagasikara no iasan’ny tetikasa GEF6-AMP. Sahabo ho 1 tapitrisa hektara ankehitriny ny

    velaran’ny faritra arovana an-dranomasina, izay tokony ho 4 isanjaton’ny ranomasina sy ny

    amorontsiraka, ary 1 isanjaton’ny faritra ara-toekarena manokana (Zone Economique Exclusive) an’i

    Madagasikara. Ny Madagascar National Parks no mitantana ny tambazotra-na AMP, ary ny

    vondron’olona ifotony no mitantana ireo LMMA miaraka amin’ny fanohanan’ny fikambanana tsy

    miankina isan-tokony. Ato anatin’ny 5 taona manaraka, vinanina ho 1 tapitrisa hektara ny faritra

    arovana an-dranomasina hisitraka feno ny sata maha ara-dalàna azy.

    Tsy mbola voafaritra mazava ny toerana hifantohan’ny asa mandritra ny fanomanana ny tetikasa. Tsy

    afaka faritana noho izany ireo tena mpisitraka mivantana. Ho fantatra miandalana izany rahatrizay

    fantatra ny toerana iasana. Hatreto, fanadihadiana ankapobeny no hatao mba hamantarana izay olona

    ho voakasiky ny tetikasa. Ny taona voalohan’ny tetikasa no hanatanterahana fanadihadiana ny

    toerana manan-danja ho an’ny harena voajanahary (KBA) izay hiankinan’ny hamehana eo amin’ny

  • faritra hiasan’ny tetikasa. Hisy drafi-pitantanana tontolo iainana sy fiaraha-monina (PGES)

    manokana isaky ny toerana hiasana, ho entina mamantatra ireo mpisitraka mivantana sy ankolaka.

    Ireo asa fihariana ho vatsiana sy ho tohanana araka ny Lafiny faha 3 no ho entina hanonerana na

    hanalefahana ny fatiantoka noho izay mety fameperana ateraky ny tetikasa.

    MPISITRAKA Mpisitraka mivantana Sarotra ny hamantatra ny mpisitraka mivantana noho ny tsy fahafahana mamaritra mazava ireo

    toerana hiasan’ny tetikasa. Ho fantatra miandalana izany rahatrizay voafaritra ny asa hatao sy ny

    toerana hanaovana azy. Hisy ihany fanadihadiana ifotony hamantarana sy hanisana ireo mpisitraka

    mivantana ireo.

    Ho mpisitraka mivantana ireo fiarahamonina ifotony mitrandraka ny voka-dranomasina anatin’ny

    AMP sy LMMA ka hiasan’ny tetikasa. Anisan’ireo ny isan-tokantrano miankin-doha amin’ny harena

    an-dranomasina ny anton’asany, anatin’ireny ireo mpanjono mpifindra monina. Ny vehivavy dia tena

    mandray andraikitra amin’ny fikirakirana sy fitahirizana ary fandafosana hazandrano. Izy ireny no

    mandrafitra ny antsasaky ny herintsandry miasa. Nefa koa izy ireny no mitantana ny volan’ny isan-

    tokantrano sy ny tahiry. Ny vehivavy ihany koa no tena mpaka ireo biby amoron-dranomasina sy

    mamboly lomotra.

    Manampy ny tompon’asa sy ny Ministera ny tetikasa amin’ny fametrahana seham-pitantanana

    (lalàna, fitaovana, fahaiza-manao) manamora ny fanatrarana ny vokatra kinasa. Ambonin’ireo,

    misitraka ireo voka-tsoa ateraky ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina sy ny

    fampiroboroboana vadin’asa mampidi-bola fanampiny ijhnay koa ny mpisehatra rehetra amin’ny

    seha-pihariana jono.

    DRAFITRA FIATREHANA FATIANTOKA NOHO NY FAMEPERANA (PARAR NA PLAN

    D’ACTION POUR LA RESTRICTION D’ACCES AUX RESSOURCES) Andiana fepetra sy endri-pitantanana ihatrehana ny fatiantoky ny mponina noho ny fameperana

    amin’ny fitrandrahana harena voajanahary ny Drafitra Fiatrehana Fatiantoka noho ny Fameperana na

    PARAR. Hevitra fototra momba izany no voaboasan’ny CP. Mety misy mampiavaka azy manokana

    kosa ny PARAR arakaraky ny toerana sy ny asa atao sy ny endriky ny fameperana. Ny iombonana

    kosa dia tsy maintsy teny ierana amin’ireo voakasiky ny tetikasa ny fandrafetana sy ny

    fanatanterahana azy. Rafetina sy tanterahina miaraka amin’ny olona voakasiky ny tetikasa (PAP) ny

    PARAR rehefa mazava ny toerana hanaovana ny asa miteraka fameperana. Tohanana amin’ny asa

    mahavelona sy mahasolo ny fatiantoka ahiana hihatra aminy ireo olona voakasiky ny tetikasa

    mialoha ny fampiarana ny fameperana. Ireto avy ireo dingana arahina rehefa mandrafitra PARAR,

    mba hiarovana ny voakasiky ny tetikasa:

    Fivoriam-pokonolona fampahafantarana sy fakan-kevitra. Ampahafantarina ny mombamomba ny asa kasaina, ny tanjona, izay mety ho fihatraikany eo amin’ny

    velontenan’ny mponina.

    Fanadihadiana momba ny fihariana sy ny fiarahamonina sy fizahana ifandrimbonana, hamantarana izay ho olana entin’ny asa sy ny vahaolana. Ezahina fantarina ireo tokantrano

    voakasika, ny mombamomba ny fiainany ankapobeny, ny tomban’ny fatiantoka ateraky ny

    fameperana. Angonina ihany koa ireo antontam-pahalalana fototra toy ny isan’ny mponina,

    ny fizakan-tany, ny saranga sy fari-piainana, ny fifampiankinan’ny tontolo iainana sy ny

  • mponina indrindra ny fampiasana harena voajanahary. Ilaina indrindra ny fahalalàna momba

    ny harena voajanahary, ny toe-tany sy izay mifandraika amin’ny asa fiveloman’ny mponina,

    na mpanjono na asa hafa.

    Fivoriana famantarana izay vahaolana hanalefahana na hiatrehana ilay fameperana voatery hampiharina. Ifampierana amin’ny voakasiky ny tetikasa moa izany.

    Fizarana andraikitra, ny famaritana teti-bola sy ny tetikandro.

    Fankatoavana ny PARAR anivon’ny voakasiky ny tetikasa, ny mpisehatra isan-tokony. Ny UGP no mamaky sy manitsy farany. Alefa any amin’ny WWF ny PARAR mba ho

    ankatoavina.

    Aparitaka amin’ny besinimaro ny PARAR aorian’ny fankatoavan’ny WWF.

    Ny tompon’asa no mamatanteraka ny PARAR.

    Fanjohina sy tombanezaka: Ifandrimbonana izany ary mandray anjara avokoa ny mpisehatra rehetra (UGP, tompon’ny asa, MEDD, PAP, Ministera hafa, Vondrom-bahoaka …).

    Firafitry ny PARAR Misokajy 2 ny asa araka ny isan’ny voakasiky ny tetikasa ho an’ny teteikasa GEF6-AMP, ka toy izao

    izany: - Raha latsaka ny 200 ny isan’ny voakasika, PARAR tsotsotra no ilaina ka ireto ny ao anatiny:

    Vokatry ny fanadihadiana momba ny fihariana sy ny fiarahamonina,

    Fepetra maha voakasika (maha PAP),

    Tomban’ny mety ho fatiantoka sy vahaolana fanarenana,

    Fameperana tsy nahy azo ampiharina, sy

    Tetikandro, teti-bola sy loharanom-bola entina hanatanterahina ny PARAR.

    - Raha 200 noho mihoatra ny voakasika, PARAR feno no ilaina ka ireto no ao anatiny:

    Mombamomba ny asa,

    Ny mety ho fihatraikany,

    Vokatry ny fanadihadiana momba ny fihariana sy ny fiarahamonina,

    Lalàna mihatra sy reafitra fampiharana,

    Fepetra maha voakasika (maha PAP),

    Tomban’ny mety ho fatiantoka sy vahaolana fanarenana,

    Fameperana tsy nahy azo ampiharina,

    Vahaolana fikajiana tontolo iainana,

    Fandraisan’anjaran’ny eny ifotony,

    Paikandamina fanehoana fitarainana (misy modely amin’ny Toko XII an’ity boky ity),

    Rindran-damina fampiharana ny PARAR,

    Tetikandro, teti-bola sy loharanom-bola entina hanatanterahina ny PARAR, ary

    Fanaraha-maso sy tombanezaka.

    Paikandamina fitantanana ny fihatraikan’ny fameperana Fotokevitra sy tanjona momba ny fameperana

    Ireto avy ireo fotokevitra sy tanjona momba ny fanalefahana ny vokatry ny fameperana araka ny

    politikan’ny WWF: (i) Raha tsy misy hevitra fa tsy maintsy hampiharina ny fameperana, ilana ny

    fanatanterahana velontena solony, izay maharitra ary nifanarahana tamin’ny voakasiky ny tetikasa ;

    (ii) Arak’izay azo atao, ilay velontena solony dia nifamperana tsy misy antery tamin’ny tokantrano

    voakasika ; (iii) Tsy mihatra ny fameperana raha tsy efa misitraka ny velontena solony ny voakasiky

    ny tetikasa ; (iv) Misy fitsinjovana manokana ho an’ireo vondron’olona marefo voakasiky ny

    tetikasa ; (v) Misitraka tohana mitohy sy arak’izay tratra ireo olona manao asa fanarenana fatiantoka,

  • izany dia mba ahazoana antoka fa mihatsara ny fari-piainany ka tsy ho latsaka ny nisy azy talohan’ny

    fameperana sy ny fanatanterahana ny asa.

    Olona voakasiky ny tetikasa (PAP) Voakasiky ny tetikasa (PAP) no ilazana ireo olona votaohitohina ny velontenany sy ny fari-piainany

    noho ny fameperana fitrandrahana harena voajanahary mifandraika amin’ny tetikasa. PAP izany ireo

    mampiasa an-kalalahana ny harena voajanahary mialoha ny fameperana toy ny mpanjono sy

    mpitrandraka harena an-dranomasina, ny mpamboly sy mpiompy ary mpaka hazo eny

    amorontsiraka, sy ny hafa. Izay rehetra mety hiena ny fidiram-bolany noho ny fampiharana

    fameperana dia afaka ny ho PAP. Takian’ny CP sy ny PARAR ny hiatohana ny faripiainan’ny PAP

    tsy ho latsaka ny teo alohan’ny fameperana, ary tsy ferana raha mihoatra.

    Hatreto aloha tsy mbola fantatra mazava ireo PAP sy ny isany, fa arakaraky ny toerana izany. Ny

    fandalinana ifandrimbonana eny ifotony no hamantarana ireo mpikatroka voakasina, arak’izay

    toerana hiasana sy ny karazana fameperana hampiharina. Misy ireo mpanjono an-tselika (hafa ny

    anton’asany fa mba manjono tsindraindray) sy mpanjono mpifindra monina (miovaova toerana

    hanjonoana mandritra ny taona) izay tsy maintsy zahana mandritra ny famantarana izay PAP satria

    afaky ny ho voan’ny fameperana.

    Vondron’olona marefo Misy ireo vondron’olona marefo amin’ny samy voakasiky ny tetikasa (PAP) araka ny masontsivana

    momba ny maha olona: : (i) tsy fananana loharanom-bola azo antoka ; (ii) sakafo tsizarizary ; (iii)

    velon-tena miankin-doha tanteraka amin’ny harena voajanahary ; (iv) trano tsizarizary ; (v) tsy

    fahafahana mampiana-jaza ; ary (vi) tsy afa-misitraka fitsaboana fototra. Mety hisy masontsivana

    ara-mpiaraha monina afaka hanampy ireo, toy ny fanilikilihana sy fanaovana ankilabao

    ankolafin’olona sasany (vehivavy, tanora tsy an’asa, be antitra, kilemaina, sy hafa)

    FANJOHINA SY TOMBANEZAKA Ny tombanezaka no hamantarana ny fihatraikan’ny tetikasa sy ny fomba nanatanterahana azy.

    Fantarina ny fihatraikan’ireo vahaolana entina hitantanana ny tontolo iainana sy ny fihariana ary ny

    fiarahamonina. Maro ny fomba fiasa azo atao. Ilay ifandrimbonana no hampiharina ato anaty

    tetikasa.

    Ny UGP no tompon’antoka voalohany amin’ny fampiharana ny CGES sy ny fampifandrindrana ny

    asa amin’ireo politikan’ny GEF6-AMP momba ny tontolo iainana sy fiarahamonina. Ny Mpandrintra

    ny tetikasa no misahana izany ankapobeny fa ampian’ny Tomponandraika Fiarovana sy

    Fampandraisanajara ny eny ifotony (RSEC na Responsable de Sauvegarde et Engagement

    Communautaire). Ny mpitantana ny AMP/LMMA isantonkony ihany no misahana ny fampiharana

    ny CGES sy fanjohina izany.

    Fanjohina ara-tontolo iainana Tsy mbola voafaritra moa izao ny karazana, ny isa, ny habe na ny toerana hananganana

    AMP/LMMA, zary ankapobeny ihany ny fandaharana fanjohina sy tombanezaka aroson’ny Drafitra

    lasitra fitantanana tontolo iainana sy fiarahamonina (CGES). Afaka hatsaraina miandalana io

    fandaharana io rehefa miha mandroso ny fandrafetana ny tetikasa. Ny anton’ny fanjohina ara-tontolo

    iainana sy ara-piarahamoninamoa dia mba ho fampanajana: (i) ireo vahaolana naroso; (ii) ireo

    toromarika ho an’ny tompon’asa sy ny mpanatanteraka azy; (iii) ireo lalàna manan-kery.

  • Fanjohina ny lafiny fihariana sy fiaraha-monina Tanjon’ity fanjohina ity ny ihantohana ny fahatanterahan’ny fanonerana ireo voakasiky ny tetikasa

    (PAP) avy amin’ny vahaolana ara-pihariana, faran’izay malaky indrindra ary tsy misy voka-dratsy

    amin’ny tontolo iainana. Fara faharatsiny, ny mpitantana mba ho afaka manam-baovao sy afaka

    mandray izay fepetra ilaina hamahana izay olana atrehan’ny voakasiky ny tetikasa.

    Fanjohina ara-pitantanana Ny mpitantana AMP/LMMA isanisany no manao ny fanjohina ara-pitantanana anaty tatitra ara-

    potoana. Ampiana sy hofanina ny mpisitraka mba hahafahany manjohy ny tetikasany. Ity fanjohina

    ity no ahafahan’ny mpitantana isan’ambaratonga manaraka ny fivoaran’ny fampiharana ny CGES.

    Ireto ny ampahan’ny tondro arahina amin’izany: (i) Isan’ny voakasiky ny tetikasa (PAP) misitraka

    asa fanarenana fatiantoka, (ii) Isan’ny fanadihadiana ifandrimbonana natao, (iii)

    Fandraisan’anjaran’ny PAP amin’ny sehatra fakan-kevitra sy fanapahan-kevitra momba ny

    fitantanana faritra arovana an-dranomasina, (iv) Fahanterahan’ny asa fanarenana fatiantoka sy ny

    fahaterahan’ny fihofanana nokinasa, (v) Fanantanterahan’izay vahaolana voarakitra ao anaty drafi-

    pitantanana tontolo iainana, ary (vi) Isan’ny disadisa voaray sy ny fahombiazan’ny fomba

    fandaminana disadisa. Mila sy afaka mampiasa ireo daholo na ny vondron’olona ifotony, na ny

    mpitantana AMP/LMMA sy mpitondra isan’ambaratonga, ho fanatsarana fanapahan-kevitra sy

    fampaobiazan’ny fitantanana.

    Tombanezaka Ny fanombanana ny fihatraika sy ny fivoaran’ny tetikasa no tanjon’ny tombanezaka. Anisan’ny

    tombanana ny fihatraikan’ny vahaolana ara-piariana, ara-piarahamonina sy ara-tontolo iainana. Maro

    ny paikandamina azo hanaovana tombanezaka. Tombanezaka mandeha ambaratonga no safidin’ny

    tetikasa, toy izao izany: Tombanezaka anatiny (ataon’ny mpisehatra mandray anjara amin’ny tetikasa), Tombanezaka ivelany (ataon’ny mpanao tombanezaka ivelan’ny tetikasa),

    Fananganana komity mandravona ny vokatry ny tombanezaka roa teo aloha, mihezaka

    mampitaha ny vokatra, mitondra fanazavana ny amin’izay elanelam-bokatra, mandray

    toakevitra sy lesona ary toromarika miaraka.

    FAKAN-KEVITRA Ny fandraisana anjaran’ny olona sy ny ankolafin-kevitra samihafa amin’ny fandrafetana ny tetikasa

    sy amin’ny fanapahan-kevitra momba izany no tanjon’ny fakan-kevitra. Nisy izany tao Antananarivo

    sy tany amin’ny faritra sasany arak’izao manaraka izao:

    Fotoana Toerana

    29 Mey -02 Jona Faritra DIANA: Ambanja, Ambilobe, Nosy Be, Antsiranana

    04 - 09 Jona Faritra Atsimo Andrefana: Toliara, Anakao, Salary Avaratra

    12 - 15 Jona Helodranon’Antongila: Maroantsetra

    Noezahina ny ahafahan’ny mpisehatra isan-tokony maneho hevitra sy manambara izay heveriny ho

    « ahiahy tsy ihavanana » momba ny tetikasa sy ireo asa kinasa, sy manolo-kevitra sy vahaolana, mba

    ho teny ierana ny fandrafetana ny tetikasa. Maro ireo vaovao sy soso-kevitra voangona nandritra ny

    fanak-kevitra. Mankasitraka ny tetikasa sy miandrandra vokatra tsara amin’ny ankapobeny ireo

    ankolafy nihaonana. Nankasitrahin’ny rehetra ilay ezaka mampandray anjara ny maro mandritra ny

    fandrafetana ny tetikasa. Ireto ny fanahiana misongadina nambaran’ireo nihaonana:

  • - Tsy fisian’ny lalana mamaritra ny LMMA, - Tsy mazava, ka mifanjevo ny fizarana andraikitra eo amin’ny VOI sy ny fikambanan’ny

    mpanjono raha ny momba ny fanaraha-maso ny alan-konko, - Sahirana ny olona eny ifotony eo anatrehan’ny “am-bava tsy ratsy” misy eo amin’ny MEDD sy

    MAEP momba ny fitantanana ny alan-konko,

    - Fahatsapana fa manangana rafitra vaovao hatrany izay tonga, fa tsy manohana izay efa misy, - Kolikolin’izay mitantana, - Fanilikilihana mahazo izay tsy VOI rehefa misy fanarenana fatiantoka, - VOI mitady hisalovana ny asan’ny fanjakana, - Am-bava tsy ratsy fa lolom-po tsy afaka (eo amin’ny samy mpiara-monina), - Raha tsara tantana ny harena an-dranomasina anaty faritra arovana, miha mafy ny tsindry mahazo

    ny any ivelany,

    - Manao fihavin’ny tafara sy tsy manaraka lamina ny mpanjono mpihavy sy mpanjono antselika ka manakivy ny tompon-tany,

    - Mirongatra ny fampiasana fitaovana voarara rehefa tonga ireo mpanjono antselika, - Mahatsiaro ankilabao ireo fikambanana eny ifotony mitaha amin’ny fikambanana iraisam-

    pirenana mandritra ny fifantenana mpiaramiombonantoka stratejika.

    Ireto kosa ireo soso-kevitra misongadina:

    - Fandrindrana ny fifamenoan’ny MEDD sy ny MAEP, - Famaritana ny lalàna momba ny LMMA, - Fandrafetana torolàlana pratika momba ny fampihrana ny lalàna TANTEZA (GELOSE) amin’ny

    ranomasina, - Fiaraha-miasa sy fanohanana ny rafitra efa misy, - Koperativa no mety kokoa raha asa mampidi-bola no iarahana (fa tsy fikambanana tsotra), - Tohana ho an’ny fampiroboroboana ny zahavoary, fitrandrahan’ny hafa izay fahombiazana efa

    hita, - Voly honko sy ala an-tanety, - Fantsarana ny fifampitondrasana eo amin’ny fitantanana morontsiraka, - Momba ny zahavoary eny ifotony, fanofanana sy fanentanana mba hisorohana ny fihatraika ratsy,

    fametrahana fifaninanana madio, - Tohizana hatramin’ny fizakan-tany ankapobeny ny fampiharana ny lalàna TANTEZA (GELOSE)

    mba hiarovana ny fonenan’ny tantsaha,

    - Atao laharampahamehana ny fiarovana ireo faritra manan-danja amin’ny lafiny Harena voajanahary (fanatodizan’ny fano sy voron-drano, sy ny hafa, …),

    - Fanganana fotodrafitrasa toy ny lasy ho an’ny mpanjono, lasy ho an’ny mpizaha tany, sy ny hafa, - Fanofanana mitohy ho an’ny VOI momba ny andraikiny sy an’ny Ben’ny ala.

    FANDAMINANA NY FAMPIHARANA NY CP SY NY CGES Anjaran’ny tetikasa GEF6-AMP ny manao izay hananan’ny rehetra ny fahaiza-manao ho

    fanatanterahana ny asa rehetra indrindra izay mifandraika amin’ny fitantanana ny tontolo iainana sy

    ny fiarahamonina araka ny lalàna malagasy sy ny politikan’ny WWF. Maromaro ireo olona sy rafitra

    mandray anjara amin’ny fitantanana ireo lafiny tontolo iainana sy fiarahamonina ireo. Fa ny MEDD

    ihany no mandrindra ny asa rehetra noho izy tompon’andraikitra voalohany amin’ny

    fampandehanana ny tetikasa.

    Ny Tale misahana ny fampiroboroboana ny fihariana maitso sy manga (DEVB), izay eo ambany fiahian’ny ny Tale Jeneraly misahana ny fampandrosoana maharitra (DGDD), no

    misahana ny fandrindrana ankapoben’ny Tetikasa GEF6-AMP.

  • Foibe Fitantanana ny Tetikasa (UGP): Ny RSEC ao anatin’ny UGP no mandrindra ny resaka tontolo iainana sy fiarahamonina ary miandraikitra ny fiarahan’ny mpisehatra momba izany.

    Ny UGP (i) no mandrindra ireo fihofanana sy fanamafisana fahaiza-manao momba ny tontolo

    iainana, (ii) mamantatra sy mandray mpanamahay hanao fanadihadiana ara-tontolo iainana

    (EIES).

    Ny RSEC no mameno ny fitaovana fanaovana sivana ara-tontolo iainana, mandrindra ny fanadihadiana ara-tontolo iainana (EIES) raha ilaina, hatramin’ny fahazoana fankatoavana.

    Mandray anjara ihany ko aizy amin’ny fanapariahana ny CGES any amin’ny vondrom-

    bahoaka itsinjaram-pahefana. Izy no misahana ireo fanofanana sy fanentanana ny mpisehatra,

    ny fampidirana ireo fenitra ata-tontolo iainana sy ara-mpiarahamonina amin’ny fiantsoana

    tolo-bidy sy fifanarahana amin’ny fanorenana fotodrafitrasa. Izy ihany koa no manao ny

    fanjohina sy tombanezaka ny lafiny fiarahamonina sy tontolo iainana.

    Ny Foibem-pirenenena momba ny tontolo iainana (ONE) no mankato na tsia ny sivana ara-tontolo iainana, sy ireo tatitry ny fanadihadiana ara-tontolo iainana (EIES). Ny ONE no

    mandrindra ny asan’ny Komity Teknika misahana ny tombana (CTE na Comité Technique

    d’Evaluation), sy ny fitantanana ny fitsarana ireo fanadihadiana ara-tontolo iainana sy ara-

    piarahamonina (EIES), ary manome ny fahazoan-dàlana ara-tontolo iainana. Ny ONE ireny

    no manana fahefana hankato ny sivana sy hanao ny fanasokajiana ara-tontolo iainana. Izy

    ihany koa no mamaky sy mankato ireo tatitra ara-tontolo iainana.

    Ny rafitra eny ifotony (VOI sy izay mahasolo azy, ny Komitin’ny Faritra arovanana COSAP, sy ny hafa …) no mampihatra ireo paikandamina sy pratika mahomby eo amin’ny fitantanana

    ny tontolo iainana sy ny harena an-dranomasina sy amorontsiraka.

    Ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana (Kominina, Faritra) dia manana anjara amin’ny fanentanana ny mponina sy ny fanaovana asa-pokonolona. Mandray anjara ihany koa izy

    amin’ny fanjohina sy fanatanterahana ireo vahaolana ara-tontolo iainana sy ara-

    mpiarahamonina voarakitra ao anaty CGES ary manao izay hahatotosan’ireo asa marolafy ka

    iarahana amin’ny sampandraharaham-panjakana hafa, ka mampiditra azy ireny ao anaty

    drafi-mpampandrosoany.

    Ny fiarahamonim-pirenena sy fikambanana eny ifotony dia afaka mandray anjara amin’ny fanofanana, fanentanana ny mponina momba ny fikajiana ny tontolo iainana sy fanatsarana

    ny fiarahamonina, ary ny fanjohina ny fitantanana ny harena an-dranomasina.

    Ny mpisehatra mpanatanteraka hafa dia tsy maintsy mampihatra ireo vahaolana sy fepetra ara-tontolo iainana sy ara-piarahamonina.

    Fanapariahana

    Manana ny toerany ny fampandraisana anjara ny mponina sy ny fangaraharana eo amin’ny politika

    sy paikandaminan’ny WWF momba ny tontolo iainana sy fiarahamonina. Samy takina na ny fakan-

    kevitra na ny fanapariahana ny tatitra. Nandritra ny fandrafetana CGES/CP dia efa nisy fakan-

    kevitra. Ho tohizana hatrany izany mandritra ny fiainan’ny tetikasa. Ny CGES/CP moa dia ho azo

    jerena amin’ny tranonkalan’ny MEDD sy an’ny WWF.

    Drafitra lasitra fitantanana tontolo iainana sy fiarahamonina

    Fihatraikany miabo Miha mora ny fananganana na fanitarana faritra arovana, ny fitantanana azy ary ny fiarovana ny

    zon’ny mpitantana, rehefa mazava ny foto-dalàna mamaritra ny AMP/LMMA. Ho mora kokoa

    arak’izany ny fananganana AMP sy LMMA manerana ny morontsirak’i Madagasikasa. Ho mora

    kokoa ny fampiharana fitantanana ifandrimbonana, ny fifampitondrasana mahomby ary ny

    fisorohana fomba fitrandrahana tsy maharitra. Rehefa ny fitrandrahana maharitra sy manaraka

    toetrandro no ampiharina, dia hitombo ny tahiri-na hazan-drano, hitombo ny fidiram-bola ary

    hihatsara ny fari-piainan’ny mpanjono sy ny taranany mifandimby.

  • Fanatsarana ireo fihatraikany miabo Efa mitanisa ireo fomba entina manamafy sy manatsara ireo fihatraika miabo ny “Tabilao B”

    mirakitra ny asa hataon’ny tetikasa. Ireto ireo hevitra voangona nandritra ny fakan-kevitra momba

    izany: (i) Fanokafana ny faritra iasan’ny tetikasa hitsinjovana ny hamehana any amin’ny faritra.

    Ohatra ny fampidirana ny morontsiraka anelanelan’Ambodivahibe sy ny vavaranon’i Loky,

    Sahamalaza Nosy Radama, sy ny hafa …; (ii) Tohana manokana ho an’ny asan’ny vehivavy : fia

    saly, asatanana, voly lomotra, sy ny hafa, …; (iii) Tantsoroka ho an’ny VOI sy fiarahamonin-

    mpirenena eny ifotony mba hampaharitra ny voka-tsoan’ny tetikasa ; (iv) Fanafainganana ny

    fampiharana lalàna tsy hanome vahana ny tsy maty manota ; (v) Fametrahana tahirim-bola ho an’ny

    asa sosialin’ny VOI mba ho fitsinjovana ny mpikambana tojo tsy fahasalamana, na ho tohana

    amin’ny fampiasam-bola; (vi) Fanavaozana ny fifanarahana famindram-pitantanana alan-konko.

    Fihatraika sy vahaolana Ny fanombanana ny fihatraikan’ny tetikasa GEF6-MPA eo amin’ny tontolo iainana sy ny

    fiarahamonina, dia miaina avy amin’ny famakafaka ireo vinan’asa isaky ny Lafiny avy. Noraisina

    ihany koa ireo ahiahy voangona nandritra ny fakan-kevitra ny 30 mey ka hatramin’ny 15 Jona 2018.

    Fintinina ato anatin’ity tabilao manaraka ity ireo fihatraika sy ny vahaolana mifandraika aminy:

  • Lafiny Vinan’asa Fihatraikany miabo Fihatraikany miiba Vahaolana Lafiny 1: Mametraka tambazotra-na Faritra arovana an-dranomasina (AMP) sy tantanan’ny vondron’olona Ifotony (LMMA), mivelatra sy

    mipariaka. 1.1. Paikady hanatrarana ny tanjona

    faha 11 tany Aichi sy drafitrasa

    fampivoarana ny tontolo an-

    dranomasina sy amorontsiraka,

    miainga avy amin’ny fahalalàna

    ara-tsiansa matotra indrindra

    - Famantarana ny toerana

    laharampahamehana ho an’ny

    faritra arovana - Famaritana masontsivana

    hifantenana izay LMMA

    mendrika ho OECM

    (katalôgy) - Fandrafetana drafitr’asa

    hanatrarana ny tanjona faha 11

    tany Aichi.

    - Fitomboan’ny tahiri-na

    hazandrano. - Fanaovana ho

    laharampahamehana izay

    toerana manan-karena

    amin’ny lafiny Harena

    voajanahary.

    Velontena voatohintohina

    noho ny fameperana

    fitrandrahana harena voa-

    janahary an-dranomasina.

    Fanarenana fatiantoka

    amin’ny halalan’ny

    vadin’asa (Lafiny faha

    3).

    1.2. Taratasy fananganana AMP sy LMMA vaovao na fanitarana

    ny efa misy mihoatra ny 1

    tapitrisa hektara, atolotra

    hankatoavin’ny governemanta,

    mahasahana ireo faritra

    mirakitra harena voajanahary

    maro sy saro-pady no sady

    tandindomin-doza.

    Fanolorana ny antontan-

    taratasy fananganana na

    fanitarana Faritra arovana an-

    dranomasina (AMP/LMMA)

    anivon’ny governemanta mba

    hankatoavina ara-panjakana.

    Voarakotra AMP sy

    LMMA araka ny antonony

    ny morotsirak’i

    Madagasikara.

    Velontena voatohintohina

    noho ny fameperana

    fitrandrahana harena voa-

    janahary an-dranomasina.

    Fanarenana fatiantoka

    amin’ny halalan’ny

    vadin’asa (Lafiny faha

    3).

    Lafiny faha 3: Manatsara sy mampahomby ny fitantanana sy fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana maharitra eny ifotony amin’ny

    halalan’ny Faritra arovana an-dranomasina (AMP) sy faritra andranomasina tantanan’ny vondron’olona ifotony (LMMA). 3.1. Tolotra maro hisafidianana

    entina hantsarana ny asa fihariana

    sy hisondrotan’ny fari-piainan’ny

    eny ifotony.

    Fametrahana masontsivana hametrahana toerana

    filamatra, asa hatao ary

    mpiara-miombonantoka. Fanaovan-tsonia fifanaraha-

    mpiaraha-miasa sy tohana. Tohana ho an’ny asa

    fihariana, anaty seha-

    mpihariana, toy ny: - Voly lomotra (tsatoka sy

    tady). - Fikarakarana hazan-

    - Fiatrehana ny fatiantoka

    noho ny fameperana

    fitrandrahana harena

    voajanahary. - Fihatsaran’ny fidiram-

    bolan’ny eny ifotony. - Fivoaran’ny teknikam-

    pihariana.

    - Mety ho fahalotoan’ny

    rivotra, ny tany sy ny rano

    noho ny asa fanorenana

    fotodrafitrasa. Ho matotra kokoa ny

    fahalalàna ireo fihatraikany

    ratsy rahatr’izay manao

    sivana ara-tontolo iainana.

    Fampiharana ny

    toromarika momba ny

    asa fanorenana (atovana

    ity CGES ity.

  • Lafiny Vinan’asa Fihatraikany miabo Fihatraikany miiba Vahaolana drano (fia saly, fia

    maiky …). - Fananganana

    fotodrafitrasa momba ny

    zahavoary (tsy mihoatra

    ny 5000 dolara). - Fambolena sy fiompiana

    madinika. 3.2. Fitomboan’ny enti-manana ho

    an’ny fitananana AMPN/LMMA,

    avy amin’ny asa fihariana.

    - Fifanarahan’ny eny ifotony. - Tamberim-bola azo avy

    amin’ny asa fihariana ka

    hihatrehana ny fitantanana

    AMP sy LMMA.

    Faharetan’ny fitantanana

    AMP/LMMA. Fanahiana disadisam-

    piarahamonina noho ny

    fitantanana tsy

    mangarahara ny volam-

    bahoaka.

    Fanamafisana ny

    fahaiza-mitantana ho

    an’ny VOI sy

    fikambanana eny

    ifotony, sy

    fampiroboroboana ny

    fitantanana mangarahara. 3.3. Fanamafisana ny fitananana

    - Fananganana fotodrafitrasa

    madinidinika ilaina : birao,

    fitazanana, mariky ny faritra

    arovana, fampitaovana ny

    mpanara-maso sy ny mpanao

    fanjohina ekôlôjika. – Fanapariahana fitaovana

    fitantanana, fanaovana

    fanjohina ekôlôjika sy

    fanaraha-maso. - Fanofanana sy fitsidihana

    fifanakalozana.

    - Mety ho fahalotoan’ny

    rivotra, ny tany sy ny rano

    noho ny asa fanorenana

    fotodrafitrasa. Ho matotra kokoa ny

    fahalalàna ireo fihatraika

    ratsy rahatr’izay manao

    sivana ara-tontolo iainana.

    Fampiharana ny

    toromarika momba ny

    asa fanorenana (atovana

    ity CGES ity.

  • Teti-bola ho an’ny CGES/CP

    69 000 dolara amerikana no atokana entina manatanteraka ny CGES/CP. Ny tetikasa GEF6-AMP no

    misahana manontolo io vola io.

    Fisorohana sy fitantanana disadisa Raha ny tokony ho izy, efa ampy hanarenana fatiantoky ny voakasiky ny tetikasa (PAP) ny

    fanatanterahana ny Drafitrasa fanarenana fatiantoka (PARAR). Fisorohana disadisa

    Efa paikady fisorohana disadisa ilay fomba fiasan’ny tetikasa mifototra amin’ny fampandraisan’anjara

    ny rehetra. Raha fintinina fohy dia toy izao ireo toetra fototr’izany paika izany: (i) Fanamafisana ny

    fahaiza-manao amin’ny lafiny maro (teknika, fahefa-mizaka, fandaminana) ho an’ny mpikatroka isan-

    tokony; (ii) Fanajana ny fady sy ny fomban-tany; (iii) Teti-pivoarana ifandrimbonana sy fampandraisana

    anjara ny mpanjono sy ny mpiara-monina voakasika.

    Famahàna disadisa

    Misy ambaratonga efatra, ka mifototra amin’ilay fiteny “izay akaiky vilany feno arina”, ny famahàna

    disadisa. Tsy miakatra ambaratonga manaraka ny raharaha raha tsy efa afa-nenina ny ambaratonga eo

    alohany. Ny ambaratonga voalohany dia raharaham-pihavanana eo amin’ny roa tonta. Raha misy

    fitarainana na an-tsoratra na am-bava ataon’ny andaniny, dia mihaona ny roa tonta ary mandravona ny

    olany amina fifanarahana teny ierana. Raha misy anefa tsy fahafam-po, na tsy fampiharana izay

    nifanarahana, dia afaka entina amin’ny ambaratonga faha roa ny raharaha.

    Ny dina no entina hamahana ny olana eo amin’ny ambaratonga faha roa. Manao ny fanelanelanana

    amin’izany ny biraon’ny VOI, na COZAP, na vovonan’ny LMMA miaraka amin’ny Fokontany sy ny

    olobe. Toy ny teo aloha ihany, miainga avy amin’ny fitarainan’ny andaniny ny raharaha. Soratan’ny

    mpanelanelana ny tsoakevitra sy fanapahana ary soniavin’ny andaniny sy ny ankilany. Mbola afaka

    ampiakarina ny raharaha raha misy tsy fahafaha-po.

    Mitovitovy tamin’ny ambaratonga faha roa ihany ny ambaratonga faha telo, saingy mpanalalana tsy

    miankina sy matianina no manao ny fanelanelanana. Raha sanatria ka tsy mbola mivaha ny raharaha

    izay vao miditra an-tsehatra ny sampandraharaham-panjakana sy ny fitsarana.

    Ny fanelanelanana ataon’ny sampan-draharahan’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra eny

    ifotony (Ben’ny ala, DREDD/DIREDD) no anombohana ny ambaratonga faha efatra. Raha tonga

    hatrany amin’ny fitsarana ny raharaha, dia manan-jo hanana mpanolo-tsaina mahay lalàna na

    mpisolovava ny andaniny avy. Mbola azo atao ny mampiakatra ny raharaha raha misy tsy fahafaham-po

    ka ny ambaratongam-pitsarana indray no anaovana izany.

    Ezahina ho mora tsy tsotra ny fomba fanaovana fitaraina amin’ny ambaratonga rehetra. Taratasy tsotra

    na fitarainana am-bava dia ampy. Afaka mitaraina na olona tsotra na vondron’olona maromaro.