ireo fototry ny famerenana amin'ny laoniny - bokin'ny mpampianatra

193
Fianarana ny filazantsara faha-225 Fandaharam-pianarana Fehizoro Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny Laoniny Bokin’ny Mpampianatra

Upload: buikhue

Post on 09-Jan-2017

319 views

Category:

Documents


12 download

TRANSCRIPT

Fianarana ny filazantsara faha- 225 Fandaharam- pianarana Fehizoro

Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny LaoninyBokin’ny Mpampianatra

Ireo Fototry ny Famerenana amin’nyLaoniny - Bokin’ny mpampianatraFianarana ny filazantsara faha-225

Navoakan’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro FaranySalt Lake City, Utah

Sary eo amin’ny fonony: Famerenana ny Fisoronana Melkizedeka amin’ny laoniny, nataon’i Walter Rane

Ho raisina an-tanan-droa ireo fanamarihana sy fanitsiana. Mba alefaso izany, miaraka amin’ireozavatra diso, ao amin’ny:

Seminaries and Institutes of Religion Curriculum Services50 E. North Temple St., Floor 8

Salt Lake City, Utah 84150-0008USA

Email: [email protected] soraty azafady ny anaranao feno, ny adiresinao, ny paroasy sy ny tsatòka misy anao.

Aza adino ny manome mazava ny lohatenin’ilay boky. Avy eo dia zarao ny fanamarihana avyaminao.

© 2015 an’ny Intellectual Reserve, Inc.Zo Rehetra Voatokana.Natonta tany Etazonia

Version 2, 6/15

Fankatoavana ny tamin’ny teny Anglisy: 8/14Fankatoavana ny Fandikana: 8/14

Fandikana ny Foundations of the Restoration Teacher ManualLanguage

PD10052298 xxx

VotoatinyFampahafantarana Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny Laoniny - Bokin’nympampianatra (Fianarana ny filazantsara faha-225)

1

Asa Mahagaga sy Mahatalanjona

2

Ny Fahitana Voalohany

3

Ny Fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna

4

Ny Bokin’i Môrmôna—Vato Ifaharan’ny Fivavahantsika

5

Ny Famerenana amin’ny Laoniny ny Filazantsara

6

Ny Firafitry ny Fiangonana

7

Mitory ilay Filazantsara Mandrakizay

8

Ny Fanangonana an’i Isiraely amin’ny Andro Farany

9

Manaraka ny Mpaminany Velona

10

Mikatsaka Fahamarinana

11

Ny Feon’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

12

Soratra Masina fanampiny amin’ny Androntsika

13

“Ilay Fahitana”

14

Ny Tempolin’i Kirtland sy ireo Fanalahidin’ny Fisoronana

15

Hery ao anatin’ny Fanoherana

16

Ny Fanavotana ny Maty

17

Ireo Fampianaran’ny Filazantsara tany Nauvoo

18

Ny Fikambanana Ifanampiana sy ny Fiangonana

19

Ny Fotopampianarana momba ny Fanambadiana sy ny Fianakaviana Mandrakizay

20

Ny Fanambadiana Maro

21

Ny Iraka amin’ny maha-mpaminany an’i Joseph Smith

22

Ny Fahafatesan’ny Mpaminany Joseph Smith ho maritiora

23

Ny fifandimbiasana ao amin’ny Fiadidiana

24

Ny fandaozana an’i Nauvoo sy ny dia niankandrefana

25

Ny Ady tao Utah sy ny Fandripahana tao Mountain Meadows

26

Ny Fanambarana mikasika ny Fisoronana

27

Manomana an’Izao Tontolo Izao ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany

28

Fanafainganana ny Asa Famonjena

Fampahafantarana ny Ireo Fototry nyFamerenana amin’ny Laoniny -Bokin’ny mpampianatra (Fianarana nyfilazantsara faha-225)Inona no andrasana amin’ny mpampianatra filazantsara?Rehefa miomana hampianatra ianao, dia zava-dehibe ny mahatakatra ireo Tanjon’nySeminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara:

“Ny tanjontsika dia ny hanampy ny zatovo sy ny tanora manambady sy tsy manambady hahatakatrasy hiantehitra amin’ny fampianarana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, sy ho mendrika ny hahazoireo fitahiana avy amin’ny tempoly, ary hiomana sy hanomana ny fianakaviany ary ny hafa ho amin’nyfiainana mandrakizay miaraka amin’ny Ray any An-danitra” (Fampianarana sy Fianarana nyFilazantsara: Boky Torolalana ho an’ireo Mpampianatra sy Mpitarika ao amin’ny Seminera sy Institiotafianarana ny Filazantsara [2012], x).

Afaka manatratra io tanjona io ianao raha miaina ny filazantsara, sy mampianatraamin’ny fomba mahomby ny filazantsara ho an’ireo mpianatra, ary mitantana araka nytokony ho izy ny kilasinao na ny fandaharam-pianaranao. Rehefa miomana symampianatra ny filazantsara araka ireo fomba ireo ianao, dia ho mendrika ny hahazony fitarihan’ny Fanahy Masina (jereo ny F&F 42:14).

Fahafahana ho anao ny manampy ireo mpianatra hianatra amin’ny alalan’ny FanahyMasina mba hahafahan’izy ireo mampahatanjaka ny finoany sy hampiorim-paka nyfiovam-pony. Afaka manampy ireo mpianatra hanatanteraka izany ianao rehefamitarika azy ireo mba hamantatra sy hahatakatra ary hahatsapa ny fahamarinan’ireofotopampianarana sy fitsipika manan-danjan’ny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy nymaha-zava-dehibe ka miomana hampihatra izany.

Ilay boky torolalana hoe Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara dia loharano tenailaina mba hahatakarana ny fandehan’ny fampianarana sy ny fomba hahitanafahombiazana ao an-dakilasy. Jereo matetika io boky torolalana io.

Inona avy ireo tanjon’ity fampianarana ity?Ity fampianarana ity, Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny Laoniny (Fianarana nyfilazantsara faha-225), dia manome fahafahana ny mpianatra mba handalina nyfanambarana fototra, ny fotopampianarana, ny zava-nitranga ara-tantara ary ny olonamanan-danja tamin’ny fanatanterahana ny Famerenana tamin’ny laoniny nyFiangonan’i Jesoa Kristy araka ny hita ao amin’ireo soratra masina nankatoavina, syireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ityfampianarana ity dia hitondra fototra ara-potopampianarana sy fahafantarana ara-tantara ho an’ny mpianatra izay ilaina amin’ny fahatakarana marina nyfotopampianarana sy tantaran’ny Fiangonana. Hitombo ny fahafahan’ny mpianatramikatsaka fahamarinana, handanjalanja ny fahamarinana sy ny maha-azo antoka nyloharanom-pitaovana ary hanavaka ny marina sy ny diso. Handalina ny soratramasina, ny fotopampianaran’ny Fiangonana, ary ny tantaran’ny Fiangonana amin’nyfomba izay ahafahany mampihatra izany amin’ny fiainany sy ny toe-javatra misy azy

v

manokana ny mpianatra. Ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) dia nijoro hovavolombelona fa tena misy ny Famerenana amin’ny laoniny:

“Ity no Fiangonan’i Jesoa Kristy tafaverina amin’ny laoniny. Olomasin’ny Andro Faranyisika amin’ny maha-vahoaka antsika. Mijoro ho vavolombelona isika fa ny lanitra dianisokatra, ary ny voaly dia nisinda, Andriamanitra dia miresaka ary i Jesoa Kristy tenanymihitsy no niseho. …

“Isaorana anie Andriamanitra amin’ny fanolorany fijoroana ho vavolombelona syfahefana ary Fotopampianarana miaraka amin’ity fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoninyity.

“Tsy maintsy izany no hafatra lehibe sy tokana atolotsika an’izao tontolo izao. Tsy manolotra izanyamim-pireharehana isika. Mijoro ho vavolombelona amim-panetrentena isika, saingy amim-pahamatorana sy amim-pahatsorana tanteraka” (“The Marvelous Foundation of Our Faith,” Ensign,nôv. 2002, 81).

Rehefa mampitombo misimisy kokoa ny finoany an’i Jesoa Kristy sy mankahery bebekokoa ny fijoroany ho vavolombelona momba ny filazantsara tafaverina amin’nylaoniny ny mpianatra, dia hitombo hatrany ny fanapahany hevitra hanao sy hitandrinafanekempihavanana masina ary ho vonona bebe kokoa amin’ny fizarana ny hafatry nyFamerenana amin’ny laoniny izy ireo.

Inona no andrasana amin’ireo mpianatra?Mba hahazoana ny salan’isa ilaina amin’ny fanatanterahana hatramin’ny farany nyinstitiota, dia takiana amin’ny mpianatra ny hamakiany ireo andinin-tsoratra masina,ny lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana, ary ny fitaovana hafa voatanisa aoamin’ny Vakitenin’ny Mpianatra amin’ny lesona tsirairay. Tokony hahafeno ireo fepetratakiana mikasika ny fanatrehana fotoam-pianarana ihany koa ireo mpianatra aryhaneho fahaizana momba ireo fitaovana ampiasaina amin’ny fampianarana.

Ahoana no firafitr’ireo lesona ao amin’ity boky torolalanaity?Ity fampianarana ity dia narafitra ho an’ny fampianarana mandritra ny tapa-taona aryahitana lesona 28 izay nosoratana ho an’ny fotoam-pianarana maharitra 50 minitra.Raha mianatra in-droa isan-kerinandro ny mpianatrao dia mampianara lesona irayisaky ny fotoam-pianarana. Raha indray mandeha isan-kerinandro ihany nympianatrao no mianatra mandritra ny 90 na 100 minitra dia mampianara lesona roanatambatra isaky ny fotoam-pianarana. Ny topimaso amin’ny ankapobeny ho an’nylesona tsirairay dia ahitana fizarana efatra:

• Fampidirana

• Vakiteny enti-mampianatra

• Sosokevitra Enti-mampianatra

• Vakintenin’ny mpianatra

FampidiranaIo fizarana io dia manome fampahalalana fohy momba ny lohahevitra sy ireo tanjon’nylesona.

FAMPAHAFANTARANA NY IREO FOTOTRY NY FAMERENANA AMIN’NY LAONINY - BOKIN’NY MPAMPIANATRA (FIANARANA NY

vi

Vakiteny enti-mandalinaIo fizarana io dia manolotra loharanom-pitaovana hovakiana, toy ny hafatra avyamin’ny mpaminany maoderina, izay hanampy anao hahatakatra bebe kokoa ireofotopampianarana sy fitsipika ary ireo fahamarinan’ny filazantsara izay tafiditra aoamin’ilay topimaso amin’ny ankapobeny ho an’ny lesona.

Sosokevitra Enti-mampianatraIlay fizarana hoe Sosokevitra enti-mampianatra dia ahitana fitaovana izay manampyanao mba hahafantatra ny hoe inona no ampianarina sy ny hoe fomba ahoana nohampianarana azy (jereo koa ny fizarana 4.3.3 sy 4.3.4 ao amin’ny boky torolalanaFampianarana sy Fianarana ny Filazantsara). Ireo asa ampanaovina ho enti-mianatraizay aroso dia narafitra mba hanampiana ireo mpianatra hamantatra sy hahatakatra aryhampihatra fahamarinana masina. Azonao atao ny mampiasa ny sasany amin’ireo izaytolo-kevitra na izy rehetra rehefa ataonao izay hampifandray azy ireny amin’ny fombafampianaranao sy izay hanomezana ny zavatra ilain’ny mpianatra sy mety amin’nytoe-javatra misy azy ireo. Rehefa mandinika ny fomba hampifanarahana ny votoatin’nylesona amin’izay zavatra ilaina ianao, dia ataovy izay hanarahana ity torohevitra avyamin’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

“Matetika ny Filoha Packer no nampianatra, araka ny fahenoako azy, hoe mandrayaloha isika, ary avy eo vao mampifanaraka. Raha mahay tsara ny fitaovana ampiasainaamin’ny lesona izay ampianarintsika isika, dia ho afaka hanaraka ny Fanahy Masinaisika mba hahafahana mampifanaraka tsara ny lesona amin’izay ilaina avy eo. Kanefaraha ny fahafahana manova no resahina dia misy fakam-panahy hanomboka amin’ny

fampifanarahana raha tokony hoe manomboka amin’ny fanarahana. Mila fandanjalanjana izany.Olana mipetraka mandrakariva izany. Kanefa ilay hoe manaraka aloha vao mampifanaraka dia tenafomba tsara ahafahana mijanona amin’ny tany marina” (“A Panel Discussion with Elder Dallin H.Oaks” [Fampitana amin’ny alalan’ny zanabolana ataon’ny Seminera sy Institiota fianarana nyFilazantsara, 7 aog. 2012]; lds.org/broadcasts).

Hita ao anatin’ity fampianarana ity ny fanambarana nomen’ny mpitarika ao amin’nyFiangonana izay tena mety misy amin’ny fiteny hafa maro tokoa. Rehefa miomanahampianatra ianao, dia mety ho ilainao ny mampifanaraka ny lesona amin’ny alalan’nyfampiasana ireo fanambarana hafa nomen’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana izaymisy eo am-pelatanana ka mifanaraka amin’ny lohahevitra dinihina.

Ilay fizarana hoe Sosokevitra Enti-mampianatra dia ahitana fanambarana irayfarafahakeliny miseho amin’ny sora-matevina mikasika fotopampianarana na fitsipikairay. Rehefa hitan’ireo mpianatra ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ka mizara nyzavatra nianarany izy, dia mety tsy hitovy amin’izay voasoratra ao amin’ity bokytorolalana ity ny teny ampiasainy. Rehefa izay no mitranga, dia tandremo sao manaoizay hiheveran’izy ireo hoe diso ny valinteniny. Na izany aza, raha misy fanambaranaizay azo ahitsy mba ho marina kokoa, dia ataovy amim-pahamalinana izayhahatakaran’izy ireo izany mazava tsara.

Ity fandaharam-pianarana ity dia maodely mampiseho ny fomba hampidirana nyfototra hiaingana amin’ny fampianarana sy fianarana ny filazantsara ao amin’nyfampianarana araka ny lohahevitra (jereo ny Gospel Teaching and Learning, 10, 23–31,38–41). Afaka volana vitsivitsy, dia hamoaka lahatsoratra atao hoe “Fampianarana syfianarana ny soratra masina ao amin’ny Institiota Fianarana ny filazantsara” nySeminera sy Institiota, izay hanazava misimisy kokoa ny fomba hampidirana ny fototra

FAMPAHAFANTARANA NY IREO FOTOTRY NY FAMERENANA AMIN’NY LAONINY - BOKIN’NY MPAMPIANATRA (FIANARANA NY

vii

hiaingana amin’ny fampianarana sy fianarana ny filazantsara ao amin’ny fampianaranaaraka ny lohahevitra.

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dianamariparitra ny tombontsoa sasany izay azo avy amin’ny fandalinana ny filazantsaraaraka ny lohahevitra:

“Raha ny famakiana ny bokin’ny soratra masina manomboka amin’ny voalohany kahatramin’ny farany no mampanome fahalalana fototra maro, ny fandalinana izanyaraka ny lohahevitra kosa dia mampivelatra ny fahalalantsika. Ny fikarohanafifandraisana, maodely, sy lohahevitra ao amin’ireo fanambarana dia manorina symanampy ny fahalalantsika ara-panahy … . Mampivelatra ny fomba fijerintsika sy nyfahatakarantsika ny drafitry ny famonjena izany.

“Araka ny fahitako azy, ny fikarohana amim-pahazotoana mba hahita ireofifandraisana, maodely ary lohahevitra dia tafiditra ao anatin’ny hoe ‘mivoky’ amin’nytenin’i Kristy. Io fomba fanao io dia afaka manokatra ireo vavahadin’ny dobofitehirizana rano ara-panahy, sy manazava ny fahatakarantsika amin’ny alalan’nyFanahiny, ary mitondra fankasitrahana lalina noho ny soratra masina sy fanoloran-tenaara-panahy izay tsy afaka raisina amin’ny alalan’ny fomba hafa. Izany fikarohana izanydia mahatonga antsika ho mafy orina eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsikaary hahatohitra ny rivotry ny faharatsiana amin’izao andro farany izao” (“A Reservoir ofLiving Water” [Brigham Young University fireside, 4 feb, 2007], 3, speeches.byu.edu).

Ny fitaovana sasany ao amin’ity boky torolalana ity dia miainga avy amin’ny fitaovanaao amin’ny Boky torolalana ho an’ny Seminera - Fotopampianarana sy Fanekempihavananasy Tantaran’ny Fiangonana.

Vakitenin’ny MpianatraIo fizarana io dia mitanisa ny andinin-tsoratra masina, lahatenin’ny mpitarika aoamin’ny Fiangonana ary ny fitaovana hafa izay hampitombo ny fahatakaran’nympianatra ny lohahevitra antitranterina ao amin’ny lesona. Amporisiho ireo mpianatrahamaky ireo fitaovana ireo alohan’ny handehanany hanatrika ny fotoam-pianaranatsirairay. Rehefa mandalina ireo fitaovana nentanim-panahy ireo izy dia tsy vitan’nyhoe ho vonona kokoa handray anjara amin’ny fifanakalozan-kevitra ao am-pianarana,fa hahazo fahatakarana misimisy ihany koa momba ireo lohahevitra ao amin’nyfandaharam-pianarana. Omeo ny mpianatra ny lisitry ny Vakitenin’ny Mpianatrarehetra any am-piandohan’ny tapa-taona.

Ahoana no ahafahako miomana hampianatra?Hanampy anao ny Tompo rehefa miomana ny hampianatra ianao. Rehefa miomanaianao, dia mety ho hitanao hoe manampy ny mametraka ireto fanontaniana manarakaireto amin’ny tenanao:

• Efa nivavaka ve aho mba hahazo ny fitarihan’ny Fanahy Masina?

• Efa nandalina ireo andinin-tsoratra masina sy vakiteny enti-mandalina nasainanovakiana ve aho?

• Efa namaky ny fandaharam-pianarana ve aho sy namaritra raha misy zavatratokony amboarina mba hampifanaraka izany amin’ny zavatra ilain’ny mpianatro?

• Ahoana no ahafahako manara-maso ny mpianatra mba hahazoana antoka famahazo tombony betsaka indrindra izy ireo avy amin’ny vakiteny nomena azy?

FAMPAHAFANTARANA NY IREO FOTOTRY NY FAMERENANA AMIN’NY LAONINY - BOKIN’NY MPAMPIANATRA (FIANARANA NY

viii

• Ahoana no ahafahako manampy ny mpianatro tsirairay handray anjara fenoamin’ny lesona?

Mety hanampy ireto sosokevitra manaraka ireto.

• Amporisiho ireo mpianatra hamaky ireo andinin-tsoratra masina sy ireolahatsoratra nasaina novakiana alohan’ny lesona tsirairay.

• Andrandrao ny mba hanatontosan’ireo mpianatra ny anjara asany amin’ny maha-mpandranto fahalalana azy.

• Omeo fahafahana matetika ireo mpianatra hanazava ireo fotopampianarana syfitsipika amin’ny fomba filazany azy manokana sy hizara traikefa izay tenamanampy ary hijoro ho vavolombelona momba ny zavatra fantany sy tsapany.

• Ovaovao ireo asa ampanaovina sy ny fomba fampianaranao isaky ny fotoam-pianarana ary koa Ovaovao isan’andro.

• Mamorona tontolo ahafahana mianatra izay manasa ny Fanahy Masina aryhahazoan’ireo mpianatra fahafahana sy andraikitra hifampianatra (jereo ny F&F88:78, 122).

Nampianatra ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahyhoe:

“Ataovy izay hisian’ny fandraisana anjara betsaka satria ny fampiasan’ny mpianatra nyfahafahana misafidy toy izany no manome fahafahana ny Fanahy Masina hampianatra.… Rehefa tenenin’ireo mpianatra ny fahamarinana, dia voamarina ao amin’nyfanahin’izy ireo izany ary manamafy ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireomanokana” (“To Understand and Live Truth” [evening with Elder Richard G. Scott, feb.

4, 2005], 3; si.lds.org).

Ahoana no ahafahako mampifanaraka ny lesona ho an’ireoizay manana kilema?Rehefa miomana ny hampianatra ianao dia aoka hahatsiaro ireo mpianatra izay milafanampiana manokana. Amboary ireo atrikasa sy ny zavatra takiana mba hanampianaazy ireo hahomby.

Mba hahazoana hevitra sy loharano fanampiny, dia jereo ny pejin’ny Loharano hoan’ireo manana kilema ao amin’ny disabilities.lds.org sy ny fizarana mikasika ny Kilasysy Fandaharam-pianarana Mifanaraka amin’ireo Mpianatra manana Kilema aoamin’ny boky torolalana mikasika ny fitsipika arahin’ny Seminera sy InstitiotaFianarana ny filazantsara.

Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny Laoniny (Fianaranany filazantsara faha-225)Vakitenin’ny mpianatraFanamarihana: Tsy takiana aminao ny hamaky ny fitaovana atolotra ho vakiana izay tsy misy amin’nyfiteninao.

FAMPAHAFANTARANA NY IREO FOTOTRY NY FAMERENANA AMIN’NY LAONINY - BOKIN’NY MPAMPIANATRA (FIANARANA NY

ix

Lesona Lohateny Vakiteny atolotra mba ho vakiana

1 Asa Mahagaga syMahatalanjona

• Isaia 29:13–14; Amosa 8:11–12; 2 Nefia 27:1–5, 25–26;Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:12–30; JosephSmith—Tantara 1:5–10.

• Gordon B. Hinckley, “At the Summit of the Ages,” Ensign,nôv. 1999, 72–74.

• Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny asafanompoan’ny misiônera (2004), 36–43.

2 Ny FahitanaVoalohany

• Joseph Smith—Tantara 1:1–26.

• Gordon B. Hinckley, “The Marvelous Foundation of OurFaith,” Ensign, nôv. 2002, 78–81.

• “First Vision Accounts,” Gospel Topics, lds.org/topics.

3 Ny Fahatongavan’nyBokin’i Môrmôna

• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17; JosephSmith—Tantara 1:29–54.

• Neal A. Maxwell, “By the Gift and Power of God,” Ensign,jan. 1997, 36–41.

• “Book of Mormon Translation,” Gospel Topics, lds.org/topics.

• “Coming Forth of the Book of Mormon and Restoration ofthe Priesthood,” toko 5 ao amin’ny Church History in theFulness of Times Student Manual, ed. faharoa (Bokytorolalan’ny Departemantan’ny Fampianarana an’nyFiangonana, 2003), 52–66.

4 Ny Bokin’iMôrmôna—VatoIfaharan’nyFivavahantsika

• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:6; 19:26;20:5–12.

• Ezra Taft Benson, “The Book of Mormon—Keystone of OurReligion,” Ensign, nôv. 1986, 4–7.

• Jeffrey R. Holland, “Safety for the Soul,” Ensign na Liahona,nôv. 2009, 88–90.

5 Ny Famerenanaamin’ny Laoniny nyFisoronana

• Joseph Smith—Tantara 1:68–72; Fotopampianarana syFanekempihavanana 13:1; 84:18–22; 107:1–19.

• Thomas S. Monson, “The Priesthood—a Sacred Gift,”Ensign na Liahona, mey 2007, 57–60.

6 Ny Firafitry nyFiangonana

• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30; 20:1–3,17–37, 68–69.

• Henry B. Eyring, “The True and Living Church,” Ensign naLiahona, mey 2008, 20–24.

7 Mitory ilayFilazantsaraMandrakizay

• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:1–7;18:10–16; 29:4–7; 31:1–12; 33:2–7; 34:5–6; 39:20–23;88:81.

• Neil L. Andersen, “Fahagagana izany,” Ensign na Liahona,mey 2013, 77–80.

FAMPAHAFANTARANA NY IREO FOTOTRY NY FAMERENANA AMIN’NY LAONINY - BOKIN’NY MPAMPIANATRA (FIANARANA NY

x

Lesona Lohateny Vakiteny atolotra mba ho vakiana

8 Ny Fanangonanaan’i Isiraely amin’nyAndro Farany

• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37:1–3;38:31–33; 39:15; 45:62–67; 95:8; 110:9; 115:5–6.

• Russell M. Nelson, “The Gathering of Scattered Israel,”Ensign na Liahona, nôv. 2006, 79–82.

9 Manaraka nyMpaminany Velona

• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:1–6; 28:2,6–7; 43:1–7; 90:1–6, 16.

• Kevin R. Duncan, “Our Very Survival,” Ensign na Liahona,nôv. 2010, 34–36.

• Russell M. Nelson, “Fanohanana ireo mpaminany,” Ensignna Liahona, nôv. 2014, 74–77.

10 MikatsakaFahamarinana

• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118–26;91:1–6.

• Dieter F. Uchtdorf, “What Is Truth?” (Fampaherezam-panahin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’nyFiangonana, 13 jan. 2013), lds.org/broadcasts.

• David A. Bednar, “Quick to Observe,” Ensign na Liahona,des. 2006, 31–36.

11 Ny Feon’ny Tompoao amin’nyFotopampianaranasyFanekempihavanana

• Sasin-tenin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana;Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:1–39; 5:10.

• Ezra Taft Benson, “The Book of Mormon and the Doctrineand Covenants,” Ensign, jan. 2005, 24–28.

12 Soratra Masinafanampiny amin’nyAndrontsika

• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38; 42:56;45:60–62; 68:3–5; 76:15–19; 93:53; 94:10.

• Jeffrey R. Holland, “My Words … Never Cease,” Ensign naLiahona, mey 2008, 91–94.

• “Translation and Historicity of the Book of Abraham,”Gospel Topics, lds.org/topics.

13 “Ilay Fahitana” • Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76.

• L. Tom Perry, “The Plan of Salvation,” Ensign na Liahona,nôv. 2006, 69–72.

14 Ny Tempolin’iKirtland sy ireoFanalahidin’nyFisoronana

• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:1–28;110:1–16.

• Jeffrey R. Holland, “Our Most Distinguishing Feature,”Ensign na Liahona, mey 2005, 43–45.

• David A. Bednar, “Honorably Hold a Name and Standing,”Ensign na Liahona, mey 2009, 97–100.

15 Hery ao anatin’nyFanoherana

• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:10–15;121:1–10, 16–17; 122:1–9.

• Neil L. Andersen, “Fitsapana ny finoanao,” Ensign naLiahona, nôv. 2012, 39–42.

FAMPAHAFANTARANA NY IREO FOTOTRY NY FAMERENANA AMIN’NY LAONINY - BOKIN’NY MPAMPIANATRA (FIANARANA NY

xi

Lesona Lohateny Vakiteny atolotra mba ho vakiana

16 Fanavotana ny Maty • Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:30–41;127:1–9; 128:1–18; 137:1–10; 138:28–37.

• Richard G. Scott, “Ny fifaliana avy amin’ny fanavotana nymaty,” Ensign na Liahona, nôv. 2012, 93–95.

• D. Todd Christofferson, “The Redemption of the Dead andthe Testimony of Jesus,” Ensign, nôv. 2000, 9–12.

17 Ireo Fampianaran’nyFilazantsara tanyNauvoo

• Salamo 82:6; Matio 5:48; Jaona 10:32–34; Romana8:16–17; 2 Petera 1:3–4; 1 Jaona 3:2–3; Fotopampianaranasy Fanekempihavanana 93:11–22; 124:25–28, 37–42;132:20–24.

• “God the Eternal Father,” toko 2 ao amin’ny Enseignementsdes Présidents de l’Église: Joseph Smith (2007), 41–47.

• “Becoming Like God,” Gospel Topics, lds.org/topics.

18 Ny FikambananaIfanampiana sy nyFiangonana

• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25.

• Dallin H. Oaks, “Ny fanalahidy sy ny fahefan’ny fisoronana,”Ensign na Liahona, mey 2014, 49–52.

• Julie B. Beck, “Ny fahitan’ireo mpaminany mikasika nyFikambanana Ifanampiana: Finoana, fianakaviana,fanampiana,” Ensign na Liahona, mey 2012, 83–85.

19 NyFotopampianaranamomba nyFanambadiana sy nyFianakavianaMandrakizay

• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–17;131:1–4; 132:1–24.

• Russell M. Nelson, “Celestial Marriage,” Ensign na Liahona,nôv. 2008, 92–95.

• Joshua J. Perkey, “Why Temple Marriage?” New Era, aog.2013, 30–32.

20 Ny FanambadianaMaro

• Jakôba 2:27–30; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana132:1–3, 34–48, 54, 63; Filazana Ofisialy 1.

• “Plural Marriage in The Church of Jesus Christ of Latter-daySaints,” Gospel Topics, lds.org/topics.

Azonao vakina ireto manaraka ireto:

• “Plural Marriage in Kirtland and Nauvoo,” Gospel Topics,lds.org/topics.

• “Plural Marriage and Families in Early Utah,” Gospel Topics,lds.org/topics.

• “The Manifesto and the End of Plural Marriage,” GospelTopics, lds.org/topics.

FAMPAHAFANTARANA NY IREO FOTOTRY NY FAMERENANA AMIN’NY LAONINY - BOKIN’NY MPAMPIANATRA (FIANARANA NY

xii

Lesona Lohateny Vakiteny atolotra mba ho vakiana

21 Ny Iraka amin’nymaha-mpaminanyan’i Joseph Smith

• 2 Nefia 3:1–21; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana122:1–2; 135:3; Joseph Smith—Tantara 1:33.

• Neil L. Andersen, “Joseph Smith,” Ensign na Liahona, nôv.2014, 28–31.

• Tad R. Callister, “Joseph Smith—Prophet of theRestoration,” Ensign na Liahona, nôv. 2009, 35–37.

22 Ny Fahafatesan’nyMpaminany JosephSmith ho maritiora

• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:1–7;136:36–39.

• Thomas S. Monson, “The Prophet Joseph Smith: Teacher byExample,” Ensign na Liahona, nôv. 2005, 67–70.

• “The Martyrdom,” toko 22 ao amin’ny Church History in theFulness of Times Student Manual, ed. faharoa (Bokytorolalan’ny Departemantan’ny Fampianarana an’nyFiangonana, 2003), 273–85.

23 Ny fifandimbiasanaao amin’nyFiadidiana

• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:33;112:30–32; 124:127–28.

• Boyd K. Packer, “The Twelve,” Ensign na Liahona, mey2008, 83–87.

• “The Twelve to Bear Off the Kingdom,” toko 23 ao amin’nyChurch History in the Fulness of Times Student Manual, ed.faharoa (Boky torolalan’ny Departemantan’nyFampianarana an’ny Fiangonana, 2003), 286–96.

24 Ny fandaozana an’iNauvoo sy ny dianiankandrefana

• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136.

• Gordon B. Hinckley, “True to the Faith,” Ensign, mey 1997,65–67.

• “Faith in Every Footstep,” toko 6 ao amin’ny Ny Lovantsika:Tantara Fohy mikasika Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’nyOlomasin’ny Andro Farany (1996), 85–98.

25 Ny Ady tao Utah syny Fandripahanatao MountainMeadows

• “Peace and Violence among 19th-Century Latter-daySaints,” Gospel Topics, lds.org/topics.

• Richard E. Turley Zanany, “The Mountain MeadowsMassacre,” Ensign, sept. 2007, 17–21.

26 Ny Fanambaranamikasika nyFisoronana

• 2 Nefia 26:33; Filazana Ofisialy 2.

• “Race and the Priesthood,” Gospel Topics, lds.org/topics.

• Ahmad Corbitt, “A Personal Essay on Race and thePriesthood,” andiany 1–4, Perspectives on Church Historyseries [Ireo andian’ny Fomba fijery mikasika ny tantaran’nyFiangonana], history.lds.org/section/perspectives-on-church-history.

FAMPAHAFANTARANA NY IREO FOTOTRY NY FAMERENANA AMIN’NY LAONINY - BOKIN’NY MPAMPIANATRA (FIANARANA NY

xiii

Lesona Lohateny Vakiteny atolotra mba ho vakiana

27 Manomana an’IzaoTontolo Izao hoamin’ny Fiavian’iJesoa KristyFanindroany

• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:7–9; 34:5–7;39:19–23; 45:15–46, 56–57; 88:81–87.

• Neil L. Andersen, “Fanomanana an’izao tontolo izao hoamin’ny Fiaviana Fanindroany,” Ensign na Liahona, mey2011, 49–52.

• “Preparing for the Second Coming of Christ,” toko 44 aoamin’ny Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph F.Smith (1998), 391–99.

28 Fanafainganana nyAsa Famonjena

• Dieter F. Uchtdorf, “Sondrian-tory ve ianareo mandritra nyFamerenana amin’ny laoniny?”Ensign na Liahona, mey2014, 58–62.

• “Fanafainganana ny asa famonjena,” Ensign, ôkt. 2013,36–39.

FAMPAHAFANTARANA NY IREO FOTOTRY NY FAMERENANA AMIN’NY LAONINY - BOKIN’NY MPAMPIANATRA (FIANARANA NY

xiv

1Asa Mahagaga syMahatalanjona

FampidiranaHatrany am-piandohan’ny tantara, dia namarana ny vanim-potoan’ny apôstazia ny Ray any an-danitra tamin’ny fiantsoanampaminany izay mandray fahefana avy any an-danitra mbahamerina amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsara syhanangana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. I Joseph Smith iompaminany io, izay an’ny fotoampitantanana misy antsika. Ny

fahatakarana ny fomba hitarihan’ Andriamanitra ny vahoakany syny fomba hananganany ny Fiangonany amin’ny alalan’nympaminany dia hanampy ny mpianatra hampitombo bebe kokoa nyfankafizany ny antony ilàna ny Famerenana amin’ny laoniny syhampitombo ny fahaizany hampianatra ny hafa momba nyFamerenana amin’ny laoniny.

Vakiteny enti-mandalina• M. Russell Ballard, “The Miracle of the Holy Bible,” Ensign na Liahona, mey 2007,

80–82.

• Gordon B. Hinckley, “At the Summit of the Ages,” Ensign, nôv. 1999, 72–74.

• Neal A. Maxwell, “From the Beginning,” Ensign, nôv. 1993, 18–20.

• Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny Asa Fanompoan’ny Misiônera (2004),36–43.

Sosokevitra Enti-mampianatraAmosa 8:11–12; Joseph Smith—Tantara 1:5–10Ny Apôstazia Lehibe sy ny antony ilàna ny Famerenana amin’ny laoninyAtombohy amin’ny fanoratana izao manaraka izao eo amin’ny solaitrabeny lesona:

Mosary =

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Amosa 8:11–12. Asaivo manaraka ny vakitenyny mpianatra ka hamantatra ny fomba nampiasana ny teny hoe mosary ho tandindona.

• Karazana mosary manao ahoana no naminanian’i Amosa fa hitranga? (Soraty eoamin’ny solaitrabe eo akaikin’ny hoe “Mosary =” ny valintenin’ny mpianatra.)

• Inona ny faminanian’i Amosa mikasika ny zavatra hataon’ny olona noho io mosaryio?

• Inona ny porofo hitanao eo amin’izao tontolo izao izay maneho fa nisy hatrany nymosary momba ny “[fandrenesana] ny tenin’i Jehovah”? (Amosa 8:11).

Hazavao fa na dia tena nitranga tamin’ny fotoana maro teo amin’ny tantara aza nyfaminaniana ao amin’ny Amosa 8:11–12, ny fahatanterahan’izany iray lehibe diafantatra amin’ny hoe ny Apôstazia Lehibe. Azonao atao ny manoro hevitra nympianatra mba hanoratra hoe Apôstazia, anisan’izany ny Apôstazia Lehibe eo amin’nysisin’ny pejin’ny soratra masina eo akaikin’ny Amosa 8:11–12.

Asehoy ity fanambarana manaraka ity, ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy.Asao ny mpianatra hijery ny antony sasany izay nahatonga ny Apôstazia Lehibe.

1

“Taorian’ny nahafatesan’i Jesoa Kristy dia nenjehin’ireo olona ratsy fanahy ireo Apôstôly sy ireompikamban’ny Fiangonana ary novonoiny ny maro tamin’izy ireo. Niaraka tamin’ny fahafatesan’nyApôstôly, dia nesorina teto an-tany ireo fanalahidin’ny fisoronana sy ny fahefana miahy ao amin’nyfisoronana. Ireo Apôstôly dia nitazona ireo fotopampianaran’ny filazantsara ho madio tsy misypentina ary nitandrina ny filaminana sy nametraka ny fitsipiky ny fahamendrehana ho an’nympikamban’ny Fiangonana. Noho ny tsy fisian’ny Apôstôly dia niova ireo fotopampianarana rehefanandeha ny fotoana, ary nisy ireo fanovana tsy nahazoana lalana natao teo amin’ny rafitry nyFiangonana sy ireo ôrdônansin’ny fisoronana, toy ny batisa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina.

“Noho ny tsy fisian’ny fanambarana sy ny fahefan’ny fisoronana dia niantehitra tamin’nyfahaizan’olombelona ny olona nentina nanazavana ny soratra masina sy ireo fitsipika syôrdônansin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Hevi-diso no nampianarina ho fahamarinana. Very avokoany ankamaroan’ny fahalalana momba ny toe-tena sy ny toetoetra marin’ Andriamanitra Ray sy nyZanany Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina. Ireo fotopampianarana momba ny finoana an’i JesoaKristy, ny fibebahana, ny batisa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina dia novaina na nohadinoina. Nyfahefan’ny fisoronana izay nomena ireo Apôstôlin’i Kristy dia tsy teto an-tany intsony” (Torio nyFilazantsarako: Torolalana Ho an’ny Asa Fanompoan’ny Misiônera [2004], 41).

• Inona ireo antony sasany izay nahatonga ny Apôstazia Lehibe, araka ny voalazan’iofanambarana io?

• Inona ny maha-zava-dehibe ny fahatakarana fa tena nitranga tokoa ny ApôstaziaLehibe? (Mety ho samihafa ny teny hampiasan’ny mpianatra, saingy ataovy izayahitan’izy ireo ity fitsipika manaraka ity: Ny fahafantarana fa nisy ny ApôstaziaLehibe dia afaka manampy antsika hahita fa nilaina ny Famerenana amin’nylaoniny ny filazantsara.)

Hazavao fa nandritra ny vanim-potoan’ny apôstazia, ny Ray any an-danitra dia tsynitsahatra nampiasa ny fitaomany teo amin’izao tontolo izao tamin’ny alalan’nyFahazavan’i Kristy, izay “omena ny olona tsirairay” (Môrônia 7:16), sy tamin’nyalalan’ny herin’ny Fanahy Masina, izay mijoro ho vavolombelona fa marina nyfilazantsara (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanahy Masina,”scriptures.lds.org). Nanome fanentanam-panahy ny lehilahy sy vehivavy avy amin’nykolontsaina maro izay nikatsaka ny fanampiany Izy tamin’io vanim-potoana io. Niasamafy ireo mpitondra fanavaozana Kristianina toa an’i Martin Luther sy i WilliamTyndale mba hanampy ny Kristianina hanana fiainana akaiky kokoa ireo fitsipikamarina izay hitany tao amin’ny Baiboly. Nanamafy hatrany ny fahamendrehanaamin’ny maha-olombelona sy ny fahalalahana ara-pivavahana tany amin’ny faritramaro teo amin’izao tontolo izao ireo ezaka nataon’ny mpitondra fanavaozana sy nympahay filôzôfia ary na dia ireo olom-panjakana tany Eoropa sy Amerika Avaratra aza.Na dia teo aza ireo fivoarana manan-danja ireo, dia mbola tsy namerina tamin’nylaoniny tanteraka ny Fiangonany Andriamanitra. (Jereo ny Torio ny Filazantsarako,53–54.)

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley ity (1910–2008), aryasao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

“Nihidy nandritra ny taon-jato maro ny lanitra. Lehilahy sy vehivavy tsara, izay tsyvitsy—ary olona tena lehibe sy mahavariana tokoa—no nanandrana nanitsy synankahery ary nanatsara ny fomba fiderany sy ny votoatin’ny fotopampianarany.Manome voninahitra sy haja ho azy ireo ny tenako. Akory ny hatsaran’izao tontolo izaonoho ny hetsika feno fahasahiana nataon’izy ireo. Raha mino aho fa nentanim-panahy

LESONA 1 : ASA MAHAGAGA SY MAHATALANJONA

2

ny asan’izy ireo, dia tsy nitranga niaraka tamin’izany ny fisokafan’ny lanitra, omban’ny fisehoan’Andriamanitra” (“The Marvelous Foundation of Our Faith,” Ensign, nôv. 2002, 80).

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa tamin’ny taona 1820, dia nitady ny Fiangonanamarina ny zatovolahy kely Joseph Smith kanefa tsy nahita izany. Asao ny mpianatrahamaky mangina ny Joseph Smith—Tantara 1:5–10, ary hitady ireo andian-teny izaymamariparitra ny toe-javatra sarotra izay vokatry ny Apôstazia Lehibe.

• Inona ireo andian-teny sasany izay nampiasan’i Joseph Smith mba hilazana nyfahasahiranana ara-panahy izy nisy tamin’izany?

• Ahoana no namariparitan’i Joseph ny fahatsapana nananany noho ny korontanaara-pivavahana izay nanodidina azy?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny fikarohan’i Joseph Smith ny fahamarinana dianahatonga ny Fahitana Voalohany sy ny fiantsoana azy ho mpaminany. (Mbolahoresahina ao amin’ny lesona manaraka izany.) Hamafiso fa ny fiantsoana an’nyMpaminany Joseph Smith sy ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara diananaraka maodely izay napetrak’ Andriamanitra izay niverimberina hatrany teoamin’ny tantara. Ohatra: ny niantsoana an’i Enôka (jereo ny Mosesy 6:26–32) sy i Noa(jereo ny Mosesy 8:17–20) dia nanaraka io maodely io. Asehoy ity fanazavanamanaraka ity momba io maodely io, ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

“Ny tantara ao amin’ny Baiboly dia mirakitra ohatra maro momba ny niresahan’ Andriamanitratamin’ireo mpaminany, ary miresaka ihany koa ohatra maro momba ny apôstazia. Mba hamarananany vanim-potoan’ny apôstazia teo anivon’ny olona dia nampiseho ny fitiavany an’ireo zananyAndriamanitra tamin’ny fiantsoana mpaminany sy tamin’ny fanomezana azy ny fahefan’ny fisoronanamba hamerenana amin’ny laoniny sy hampianarana indray ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Raha nymarina, dia miasa ho toy ny mpitandrina izay miambina ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany nympaminany. Ireo vanim-potoana tarihan’ny mpaminany ireo dia antsoina hoe fotoampitantanana”(Torio ny Filazantsarako, 39; jereo koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fotoampitantanana”).

• Amin’ny fomba ahoana no hilazana fa manaraka ny maodely hita tamin’nyfotoampitantanana taloha ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara tamin’nyalalan’i Joseph Smith? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra, saingy ataovy izayahitan’izy ireo ity fotopampianarana manaraka ity: Aorian’ny fotoan’ny apôstaziamiseho eo anivon’ny olona, dia miantso mpaminany sy manome azy ireofahefana hamerina amin’ny laoniny sy hampianatra ny filazantsara indrayAndriamanitra. Tokony hahatakatra ity fotopampianarana ity koa ny mpianatra:Nantsoin’ Andriamanitra i Joseph Smith mba hamerina amin’ny laoniny nyfilazantsara ho an’ny fotoampitantanana misy antsika.)

• Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana an’io maodely io hanampy anao hanazavaamin’ny olona avy amin’ny fivavahana hafa ny Famerenana amin’ny laoniny nyfilazantsara?

Hamafiso fa nandritra ny Fahitana Voalohany dia nianatra i Joseph Smith fa tsy nisyFiangonana marina teto an-tany ary ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Kristy dia milaaverina amin’ny laoniny. Na dia ahitana faminaniana momba ny Apôstazia Lehibe azaao amin’ny Baiboly, dia ny niantsoana an’i Joseph Smith ho mpaminany sy nynamerenana tamin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsara no nampiseho indrindrafa nisy tokoa io apôstazia io.

LESONA 1 : ASA MAHAGAGA SY MAHATALANJONA

3

2 Nefia 27:25–26; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:12–30“Asa mahagaga sy mahatalanjona” ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaraHazavao fa ny soratra masina dia milaza ny antony sasany izay namerenan’ny Tompotamin’ny laoniny ny filazantsara eto an-tany amin’ny andro farany.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny faminanian’i Isaia mikasika ny Famerenanaamin’ny laoniny izay hita ao amin’ny 2 Nefia 27:25–26, ary hijery ny fombanamariparitan’ny Tompo ny toe-piainana ara-panahy misy eo amin’izao tontolo izaoamin’ny fotoan’ny Famerenana amin’ny laoniny. Azonao atao ny manoro hevitra nympianatra mba hanisy marika ny teny sy andian-teny izay mamariparitra ireo toe-piainana ara-panahy ireo. (Fanamarihana: Ny fanisiana marika ny teny na andian-tenymanan-danja dia anisan’ny fomba tsara indrindra manampy ny mpianatra handray syhitadidy ny zavatra ianarany avy amin’ny soratra masina.) Rehefa avy nanome fotoanaampy ho azy ireo dia asao ireo mpianatra hizara izay zavatra hitany.

• Nahoana, araka ny hevitrao, no hilazana ny Famerenana amin’ny laoniny nyfilazantsara ho “asa mahagaga sy mahatalanjona”?

• Inona no hitanao fa “mahagaga” sy “mahatalanjona” momba ny Famerenanaamin’ny laoniny? (Rehefa manome valinteny ny mpianatra, dia mariho fa nyFamerenana amin’ny laoniny ny filazantsara izay “asa mahagaga symahatalanjona” dia ohatra iray mikasika ny lohahevitra izay miverimberina hatranyao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. “Ny lohahevitra dia toetrana hevitra izay mavesa-danja, miverimberina ary mampiray” [David A. Bednar, “AReservoir of Living Water” (Takariva amorom-patana an’ny Oniversite BrighamYoung, feb. 4, 2007), 6, speeches.byu.edu].)

Asao ny antsasakin’ny mpianatra mba handalina ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 1:12–17, ary hitady ny antony nomen’ny Tompo momba nynanatanterahany ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara. Asao ny mpianatraambiny mba handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:18–30, aryhitady ny fomba izay hitahian’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara nyzanak’ Andriamanitra. (Fanamarihana: ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana1:30 dia hohalalinina bebe kokoa amin’ny antsipiriany ao amin’ny lesona 6.)

Rehefa avy nanome fotoana ampy, dia asao izy ireo hanao tatitra ny zavatra hitan’izyireo. Ataovy izay ahatakaran’ny mpianatra ity fahamarinana manaraka ity: NyFamerenana amin’ny laoniny ny filazantsara dia manampy an’ireo izay mino an’iKristy amin’ny fampitomboana ny finoany sy amin’ny fandresena ny antamboamin’ny andro farany.

Vakio mafy ity teny manaraka nataon’ny Mpaminany Joseph Smith (1805–1844) ity:

“[Ireo mpaminany] dia niandrandra am-pifaliana ny andro izay iainantsika; arynientanentana amin’ny fiandrasana izany am-pifaliana sy miaraka amin’ny lanitra izyireo ka nihira sy nanoratra ary naminany an’izao andro misy antsika izao”(Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 198).

• Nahoana ny mpaminany taloha no niandrandra an’izao androntsika izao? (Nyhevitra iray izay tena mety hitan’ny mpianatra dia ny hoe ny Famerenana amin’nylaoniny dia miely patrana maneran-tany ary manomana an’izao tontolo izaoho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.)

LESONA 1 : ASA MAHAGAGA SY MAHATALANJONA

4

Asehoy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley, aryasao ny mpianatra vitsivitsy mba hifandimby hamaky izany mafy:

“Ry rahalahiko sy anabaviko, azonareo an-tsaina ve ny zavatra ananantsika? Moa veianareo mahafantatra ny toerana misy antsika ao amin’ilay tantara an-tsehatra lehibeeo amin’ny tantaram-piainan’ny olombelona? Io no ivon’ny zavatra rehetra lasa teoaloha. …

“… Ny asan’Ilay Tsitoha amin’ny andro farany, izay noresahin’ny olona taloha, izaynaminanian’ny mpaminany sy ny apôstôly, dia mitranga. Eto amintsika no misy izany. Noho ny antonyizay tsy fantatsika, fa araka ny fahendren’ Andriamanitra, dia manana tombontsoa isika ny hitoetraeto an-tany amin’izao vanim-potoana feno voninahitra izao. …

“Noho ny zavatra ananantsika sy fantatsika, dia tokony ho vahoaka tsaratsara kokoa hatrany isika.Tokony hitovy bebe kokoa amin’i Kristy, sy tokony hamela heloka bebe kokoa, ary tokony hanampy syhahatsiaro bebe kokoa ny manodidina antsika isika.

“Mitsangana eo amin’ny tendron’ny vanim-potoana rehetra isika, ary talanjona noho ny tantara izaylehibe sy feno voninahitra. Ity no fotoampitantanana farany indrindra izay nifantohan’ny lasa rehetra.Mijoro ho vavolombelona aho fa tena misy ary marina ireo zavatra rehetra ireo” (“At the Summit ofthe Ages,” Ensign, nôv. 1999, 74).

• Inona no eritreritra sy fahatsapana misy ateraky ny fanambarana manao hoe“mitsangana eo amin’ny tendron’ny vanim-potoana rehetra isika” aminao?

• Raha tsy mahakasika ny tenanao manokana loatra izany, dia mizarà zavatra iraytamin’ny fiainanao izay nankahery ny fijoroanao ho vavolombelona momba nyfilazantsaran’i Jesoa Kristy tafaverina amin’ny laoniny.

• Inona no azontsika atao mba hanehoana fankasitrahana ny Famerenana amin’nylaoniny ny filazantsara?

Vakitenin’ny Mpianatra• Isaia 29:13–14; Amosa 8:11–12; 2 Nefia 27:1–5, 25–26; Fotopampianarana sy

Fanekempihavanana 1:12–30; Joseph Smith—Tantara 1:5–10.

• Gordon B. Hinckley, “At the Summit of the Ages,” Ensign, nôv. 1999, 72–74.

• Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny Asa Fanompoan’ny Misiônera (2004),36–43.

LESONA 1 : ASA MAHAGAGA SY MAHATALANJONA

5

2 Ny Fahitana Voalohany

FampidiranaNy tantaran’ny Fahitana Voalohan’i Joseph Smith izay hita aoamin’ny Voahangy Lafo Vidy dia nosoratana mba hanitsiana ireotatitra diso momba ny Fiangonana. Nandritra ny fiainanymanontolo, dia nitantara zavatra maro momba ny FahitanaVoalohany ny Mpaminany Joseph Smith. Ireo zavatra notantarainy

ireo dia afaka mampitombo ny fahatakarantsika io zava-nitranga ioary mankahery ny finoantsika ny Famerenana amin’ny laoniny. Itylesona ity dia natao mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra nymaha-zava-dehibe ny fananana fijoroana ho vavolombelonamomba io zava-nitranga mahagaga tsy manam-paharoa io.

Vakiteny enti-mandalina• Gordon B. Hinckley, “The Marvelous Foundation of Our Faith,” Ensign, nôv. 2002,

78–81.

• “First Vision Accounts,” Gospel Topics, lds.org/topics.

Sosokevitra Enti-mampianatraJoseph Smith—Tantara 1:1–2Nanoratra momba ny Fahitana Voalohany ny Mpaminany mba hanitsiana ireo tatitradiso.Hazavao fa nanomboka nanao asa mikasika ny tantara ôfisialiny i Joseph Smithtamin’ny 1838. Ny fizarana ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy fantatra amin’ny anaranahoe Joseph Smith—Tantara dia notsoahina tamin’ny tantara izay lava kokoa.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Joseph Smith—Tantara 1:1–2. Asao nympianatra hanaraka ny vakiteny ary hikaroka ny antony nomen’i Joseph Smithnahatonga azy nanoratra ny tantarany.

• Araka ny andininy 1, inona no niely teo anivon’ny vahoaka tany am-piandohan’nyFiangonana?

• Inona no tanjon’ireo izay namporisika ny famoahana ny tatitra diso hanoherana nyFiangonana?

• Inona ireo trangan-javatra misy izay mitovy amin’io zava-nitranga io amin’izaovanim-potoanantsika izao?

Hazavao fa ankehitriny dia mbola mitohy ny fisian’olona manokana sy andian’olonaizay mampiely fampahalalana diso na mamitaka momba ny Fiangonana mbahampihozongozonana ny finoana.

• Inona no antony nomen’i Joseph Smith nahatonga azy nanoratra ny tantarany?(Mba “hanazavana ny saim-bahoaka, ka ireo mpikatsaka ny fahamarinana rehetradia mba hahalala ny zava-misy araka ny … fitrangany” [Joseph Smith—Tantara1:1].)

• Nahoana no zava-dehibe ny fianteheran’ireo “mpikatsaka fahamarinana” mikasikany Famerenana amin’ny laoniny amin’ny zavatra notantarain’i Joseph Smith izytenany? (Mety ho samihafa ny teny hampiasan’ny mpianatra, nefa alaivo antoka famazava ny hoe ny fahatokisana ny zavatra notantarain’i Joseph Smith diaafaka manampy ny tsirairay mba tsy ho voafitakin’ny fampahalalana diso namamitaka.)

6

Asehoy ity torohevitra manaraka ity izay nomen’ny Loholona Neil L. Andersen, avy aoamin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary asao ny mpianatra hamaky izany am-pahanginana:

“Nisy hatrany ny olom-bitsy izay te-hanoso-potaka ny Fiangonana sy handrava nyfinoana. Mampiasa ny Internet izy ireo amin’izao fotoana izao.

“Ny fampahalalana sasany mikasika ny Fiangonana, na dia mandresy lahatra tahaka nyinona aza, dia tsy marina tsotra izao. (“Fitsapana ny finoanao,” Ensign na Liahona, nôv.2012, 41).

• Inona no loharano tokony hotadiavintsika sy hatokisantsika rehefa mikarokamanokana ny fahamarinana mikasika ny Fahitana Voalohany sy ny Famerenanaamin’ny laoniny ny filazantsara, ary ny zava-nitranga hafa amin’ny tantaran’nyFiangonana isika? Nahoana? (Ampio ny mpianatra hahatakatra ity fahamarinanamanaraka ity: Mba tsy ho voafitaky ny fampahalalana diso na mamitaka, diatokony hikaroka ireo loharanon’ny fampahalalana momba ny Fiangonana syny tantarany izay azo atokisana ny mpikatsaka fahamarinana fa tsy manaikyfotsiny ny fampahalalana rehetra izay re na vakiana, anisan’izany nyfampahalalana avy amin’ny fikarohana amin’ny Internet.)

Hazavao fa ny mpitsikera ny Fiangonana dia miady hevitra fa tsy tena nitranga nyFahitana Voalohany amin’ny filazana fa taona maro taorian’ny nitrangan’izany nonanoratan’i Joseph Smith ny tantarany. Hazavao fa i Joseph Smith izay 14 taona, dianisalasala ny hiresaka momba ny fahitany taorian’ny fihetsika nasehon’ny olona izaynotantarany izany tany am-boalohany (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:21–26).Noraisiny an-tsoratra ny zavatra niainany rehefa nahatsapa izy fa tonga ny fotoanatokony hanaovany izany. Nanome torolalana an’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona nyMpamonjy mba tsy hiresaka ny zava-nitranga teny amin’ny Tendrombohitry nyFiovan-tarehy raha tsy taorian’ny Fitsanganany tamin’ny Maty (jereo ny Matio 17:9), kamazava tsara fa ny traikefa ara-panahy sasany dia tsy tokony zaraina raha tsy hoeentanin’ny Fanahy Masina.

Ireo tantaran’ny Fahitana VoalohanyFanamarihana: Rehefa mampianatra ity ampahan-desona ity ianao; dia manokànafotoana ampy tsara hampianarana ny fizarana farany amin’ny lesona, izay mikasika nyao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:8–20.

Hazavao amin’ny mpianatra fa, na tamin’ny alalan’ny tenany samirery, na tamin’nyalalan’ny mpitan-tsoratra, dia nanome fitantarana farafahakeliny efatra isan-karazanymikasika ny Fahitana Voalohany i Joseph Smith. Ho fanampin’izany, dia tantara maromomba io fahitana io no noraketin’ny olona sasany izay niaina tamin’ny vanim-potoan’i Joseph Smith. Ny tantara tsirairay dia manantitrantitra ny lafiny samihafamomba ny zavatra niainan’i Joseph, saingy samy mizara ny zavatra manan-danjamikasika ny zavatra hita sy ren’i Joseph avokoa anefa izy rehetra. Mba hanazavana nyhoe maninona no nisy fahasamihafana ny tantara isan-karazany, dia asao nympianatra handinika momba izao manaraka izao:

• Mieritrereta zavatra izay niainanao ka tena miavaka na manan-danja tokoa aminao.Inona no mety hahasamihafa ny fitantaranao izany, arakaraka ny olona izayhitantarana azy? Ahoana no mety hiovan’izany arakaraka ny fotoana na ny antonyhitantarana azy?

LESONA 2: NY FAHITANA VOALOHANY

7

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity, ary asao nympianatra hihaino ny zavatra izay andrasan’ny mpahay tantara rehefa tantaraina im-betsaka ny zava-nitranga iray:

“Ireo tantara isan-karazany momba ny Fahitana Voalohany dia milaza zavatra iray ihany, na dia samyhafa aza ny fomba fanamafisany azy sy ny antsipiriany. Ny zavatra andrasan’ireo mpahay tantara diany hoe rehefa tantarain’ny olona iray amin’ny sehatra samy hafa sy amin’ny mpihaino samy hafa nyzava-nitranga iray, dia hanantitrantitra lafiny isan-karazany mikasika an’ilay zava-nitranga sy hahitanaantsipiriany miavaka ny fitantarana tsirairay. Eny tokoa, misy tsy fitoviana toy ny amin’ireo izay hitaao amin’ny fitantarana ny Fahitana Voalohany ny fitantarana momba ny fahitan’i Paoly tany amin’nylalana nankany Damaskosy sy ny zavatra niainan’ny Apôstôly tany amin’ny Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy [Asan’ny Apôstôly 9:3–9; 22:6–21; 26:12–18; Matio 17:1–13; Marka 9:2–13; Lioka 9:28–36].Na dia eo aza anefa ireo fahasamihafana, dia misy fototra iray izay tsy miova mitoetra manerana ireotantaran’ny Fahitana Voalohany. Ny olona sasany dia milaza am-pahadisoana fa ny fiovana rehetramety hita amin’ny famerenana ilay tantara dia mampiseho fa tsy tena marina ilay izy. Ny fisian’nyrakitsoratra ara-tantara isan-karazany anefa dia afaka mampianatra antsika bebe kokoa momba an’iozava-nitranga manan-danja io, noho ny hoe tsy manana loharanom-pahafantarana firy isika” (“FirstVision Accounts,” Gospel Topics, lds.org/topics).

Ho ohatra mikasika ny fahasamihafana amin’ireo tantara, dia afaka milaza amin’nympianatra ianao fa “raha manantitrantitra ny zava-nitranga manokana tamin’i JosephSmith tamin’ny naha-tovolahy nikatsaka famelan-keloka azy ny tantara tamin’ny 1832,ny tamin’ny 1838 kosa dia mifantoka amin’ilay fahitana amin’ny maha-fanombohan’ny ‘fitsanganana sy fivoaran’ny Fiangonana’ azy” (“First VisionAccounts,” Gospel Topics, lds.org/topics). Ampatsiahivo ny mpianatra fa ny vakitenyasaina ataony dia ahitana ny lahatsoratr’ireo Lohahevitry ny Filazantsara hoe “IreoTantaran’ny Fahitana Voalohany,” izay mitondra fanadihadiana amin’ny antsipirianybebe kokoa momba ireo fitantarana isan-karazany mikasika ny Fahitana Voalohany.Asao ny mpianatra handalina ny lahatsoratra amin’ny fotoana ivelan’ny fotoam-pianarana mba hahatakarana ny fandraisan’ny tantara tsirairay anjara amin’nyfahalalantsika momba ny Fahitana Voalohany. (Fanamarihana: Ampatsiahivo nympianatra fa zava-dehibe ny mamaky ny zavatra nomena ao amin’ny “Vakitenin’nyMpianatra” alohan’ny fotoam-pianarana. Ny fanaovana izany dia hanampy azy ireohandray anjara amin’ny fifanakalozan-kevitra atao ao amin’ny kilasy.)

• Ahoana no nahafahan’ireo fitantarana isan-karazany momba ny FahitanaVoalohany manamafy amintsika ny fahamarinan’izany sy mampitombo nyfahatakarantsika an’io zava-nitranga masina io? (Ampio ny mpianatra hahatakatrafa ny fisian’ny fitantarana isan-karazany momba ny Fahitana Voalohan’iJoseph Smith dia afaka mampianatra antsika misimisy kokoa momba an’iozava-nitranga masina io noho ny hoe tsy nanana loharanom-pahafantaranafiry isika.)

Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008)ity, ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

“Tsy manahirana ny saiko ny hoe nanome fitantarana isan-karazany ny FahitanaVoalohany ny Mpaminany Joseph Smith, tahaka ny hoe tsy manahirana ny saiko nyfisian’ny mpanoratra ny filazantsara efatra samy hafa ao amin’ny Testamenta Vaovao,izay samy manana ny zavatra tsapany manokana, ary samy milaza ny zava-nitrangamba hanatanterahana ny tanjona manokana nananany amin’ny fanoratana tamin’izany

fotoana izany” (“God Hath Not Given Us the Spirit of Fear,” Ensign, ôkt. 1984, 5).

LESONA 2: NY FAHITANA VOALOHANY

8

Mijoroa ho vavolombelona fa tena nisy ny Fahitana Voalohany sy ny Famerenana nyfilazantsara amin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith.

Joseph Smith—Tantara 1: 8–20Ny fahamarinan’ny Fiangonana dia miankina amin’ny fahamarinan’ny FahitanaVoalohanyManasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny JosephSmith—Tantara 1:8–15.

• Inona ireo zavatra sasany nataon’i Joseph Smith mba hahazoana ny valin’nyfanontaniany?

• Nahoana araka ny eritreritrao no niezaka nanakana an’i Joseph Smith tsy hivavakai Satana?

Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny JosephSmith—Tantara 1:16–19.

• Inona ireo fahamarinana manan-danja sasany izay ianarantsika avy amin’nyandininy 16–17? (Rehefa mamaly ny mpianatra, dia antitrantero fa fahamarinanamandrakizay no naverina tamin’ny laoniny teto an-tany rehefa niseho tamin’iJoseph Smith ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy.)

Asehoy sy vakio mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Tad R. Callisterity, izay nanompo tao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy. Rehefa mamaky ityfanambarana ity ianao, dia azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisymarika ny fahamarinana nantitranterin’ny Rahalahy Callister ao amin’ny soratramasin’izy ireo. Azonao atao koa ny manoro hevitra azy ireo ny hanoratany hoe ireofahamarinana izay nianaran’i Joseph eo amin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masina eoakaikin’ny Joseph Smith—Tantara 1:16–19. (Fanamarihana: Ny fianarana manisymarika sy manoratra fanamarihana ao amin’ny soratra masina dia fahaizanamandalina soratra masina manan-danja izay afaka hanampianao ny mpianatra nyfanatsarana ny fanaovany izany [jereo ny Gospel Teaching and Learning: A Handbook forTeachers and Leaders in Seminaries and Institutes of Religion (2012), 21].)

“I Joseph Smith no voahosotrin’ny Tompo mba hamerina amin’ny laoniny nyFiangonan’i Kristy eto an-tany. Rehefa nivoaka avy tao amin’ilay alakely izy, dia nianatrafahamarinana fototra efatra izay tsy nampianarin’ny ankabeazan’ny fiangonanaKristianina tamin’izany fotoana.

“Voalohany, Nianatra izy fa Andriamanitra Ray sy ny Zanany, Jesoa Kristy, dia olona roamitokana sy samy hafa. …

“Ny fahamarinana lehibe faharoa hitan’i Joseph Smith dia ny fananan’ny Ray sy ny Zanaka vatananofo sy taolana feno voninahitra. …

“Ny fahamarinana fahatelo nianaran’i Joseph Smith dia ny hoe mbola miresaka amin’ny olombelonaAndriamanitra ankehitriny—tsy mikatona ny lanitra. …

“Ny fahamarinana fahefatra nianaran’i Joseph Smith dia ny hoe tsy teto an-tany izany ny Fiangonan’iJesoa Kristy tamin’ny fahafenoany” (“Joseph Smith—Prophet of the Restoration,” Ensign na Liahona,nôv. 2009, 35–36).

• Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe mila fantarina sy takarina ireofahamarinana mikasika ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy ireo?

LESONA 2: NY FAHITANA VOALOHANY

9

• Nahoana no manampy amin’ny fanazavana ny antony nanandraman’i Satana nyfanakanana ny zatovolahy kely Joseph Smith hivavaka ny filàna an’ireofahamarinana ireo?

Mba hanamafisana ny maha-zava-dehibe ny Fahitana Voalohan’i Joseph Smith, diaasehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley ity ary asao nympianatra iray hamaky izany mafy:

“Ny herintsika manontolo dia miankina amin’ny fahamarinan’ny [Fahitana Voalohany].Na nitranga izany na tsy nitranga. Raha tsy nitranga izany dia lainga ity asa ity. Rahanitranga izany, dia ity izany no asa manan-danja sy mahatalanjona indrindra etoambany lanitra. …

“… Tamin’ny 1820 no tonga ilay fisehoana feno voninahitra mba ho valin’ny vavakaizay nataon’ny zazalahy iray izay namaky tao amin’ny Baibolin’ny fianakaviany ny tenin’i Jakobamanao hoe: ‘Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azyizany’ (Jakoba 1:5).

“Miankina amin’ny fahamarinan’io zava-nitranga miavaka sy mahatalanjona io ny fahamarinan’ityFiangonana ity” (“The Marvelous Foundation of Our Faith,” Ensign, nôv. 2002, 80).

• Inona no ifandraisan’ny fahamarinan’ny Fiangonana amin’ny Fahitana Voalohan’iJoseph Smith?

• Nahoana no manan-danja ny manana fijoroana ho vavolombelona fa nahita an’Andriamanitra sy ny Zanany Jesoa Kristy i Joseph Smith? (Mety hanome karazanavalinteny samy hafa ny mpianatra, nefa alaivo antoka fa mazava ity fitsipikamanaraka ity: Rehefa mahazo fijoroana ho vavolombelona isika fa nahita an’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy i Joseph Smith, dia afaka mahafantatraihany koa ny fahamarinan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaraisika.)

Rehefa mamarana ny lesona ianao, dia antitrantero ny maha-zava-dehibe ny fanananafijoroana ho vavolombelona manokana ny fahamarinan’ny Fahitana Voalohany. Iofijoroana ho vavolombelona manokana io, izay miorina eo amin’ny vatolampin’nyfanambarana, dia manampy antsika hitoetra ho mafy orina amin’ny finoantsika rehefamanoloana ny fampahalalana diso momba ny Mpaminany Joseph Smith sy nyFiangonana isika. Mijoroa ho vavolombelona fa ny fomba nianaran’i Joseph Smith nyfahamarinana dia hahomby amin’ny tenantsika ihany koa. Afaka mikatsakafahamarinana isika, mamaky ireo soratra masina, misaintsaina ary manontany an’Andriamanitra amin’ny farany, ka dia hamaly Izy (jereo ny Jakoba 1:5). Asao nympianatra hisaintsaina ny fomba nahazoany fijoroana ho vavolombelona fa ny Ray syny Zanaka dia niseho tamin’i Joseph Smith. Manokàna fotoana mba hahafahan’nympianatra iray na roa mizara ny fomba nahazoany fijoroana ho vavolombelonamikasika ny Fahitana Voalohany.

Vakitenin’ny Mpianatra• Joseph Smith—Tantara 1:1–26.

• Gordon B. Hinckley, “The Marvelous Foundation of Our Faith,” Ensign, nôv. 2002,78–81.

• “First Vision Accounts,” Gospel Topics, lds.org/topics.

LESONA 2: NY FAHITANA VOALOHANY

10

3Ny Fahatongavan’ny Bokin’iMôrmôna

FampidiranaNaniraka ny anjely Môrônia mba hanomana ny Mpaminany JosephSmith amin’ny fandraisana sy amin’ny fandikana ny Bokin’iMôrmôna ny Tompo. Kely ny zavatra fantatra momba ny fombananatanterahana ny dikan-teny. I Joseph Smith dia nilaza fa nyBokin’i Môrmôna dia nadika “araka ny fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra sy ny heriny” (sasin-tenin’ny Bokin’i Môrmôna,

edisiona tamin’ny 1830). Mba hifanaraka amin’ny ny lalàn’nyfisian’ny vavolombelona (jereo ny 2 Korintiana 13:1), dia namelaolona vitsivitsy hafa ny Tompo mba ho vavolombelon’iorakitsoratra fahiny io. Ny tenivavolombelon’izy ireo dia manamafyny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna ho an’izao tontolo izao.

Vakiteny enti-mandalina• Neal A. Maxwell, “By the Gift and Power of God,” Ensign, jan. 1997, 36–41.

• “Book of Mormon Translation,” Gospel Topics, lds.org/topics.

• “Coming Forth of the Book of Mormon and Restoration of the Priesthood,” tokofaha 5 ao amin’ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, ed. faha 2(Boky torolalan’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003),52–66.

Sosokevitra Enti-mampianatraJoseph Smith—Tantara 1:30–35, 42–54Nadika araka ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny herinyAsao ny mpianatra iray na roa mba hanolo-tena hamintina amin’ny mpianatra rehetrany zavatra tadidin’izy ireo mikasika ny famangian’ny anjely Môrônia ny tovolahyJoseph Smith tamin’ny alin’ny 21 septambra 1823. Raha ilaina izany, dia zarao ityfampahafantarana manaraka ity:

“Ny alin’ny 21 septambra 1823, dia namonjy ny efitrano fandriany tao amin’ny tranohazon’nyfianakaviany tany Palmyra, New York i Joseph Smith, fa tsy natory anefa izy rehefa lasa natory daholony olona hafa, fa nivavaka amim-pahatsorana mba hahafantarany ny tanjon’ Andriamanitra ho an’nytenany. …

“Ho valin’ny vavaka nataony, dia nahita hazavana nipoitra tao an’efitranony, izay tsy nitsaha-nitombomandra-pahatongan’ny efitrano ‘hazava bebe kokoa noho ny mitataovovonana’izy. Dia nisy iraka avyany an-danitra niseho teo anilan’ny fandriany, sy nitsingevaheva ka tsy nandia tany ny tongony arynanao akanjo lava malalaka izay ‘fotsy mangatsakatsaka’. (Joseph Smith—Tantara 1:30–31.) IMôrônia io iraka io, ilay mpaminany Nefita farany indrindra, izay nandevina tany ambanin’ny tany,taonjato maro lasa izay ny takelaka izay mirakitra ny Bokin’i Môrmôna ary mihazona ny fanalahidymomba an’io rakitsoratra masina io izy ankehitriny (jereo ny F&F 27:5). Nirahina izy mba hilaza amin’iJoseph fa navelan’ Andriamanitra ny fahotany ary manana asa lehibe hampanaovina azy Izy.Ampahan’izany asa izany ny tokony hankanesan’i Joseph any amin’ny vohitra salasalany iray tsylavitra ny toerana misy azy, izay nilevenan’ny rakitsoratra masina iray, voasoratra amin’ny takela-bolamena. … i Joseph dia handika ny rakitsoratra ary hitondra izany ho an’izao tontolo izao.

“Ny ampitson’iny, dia namonjy ilay vohitra salasalany izay nilevenan’ny takelaka mirakitra ny Bokin’iMôrmôna i Joseph. Nifankahita tamin’i Môrônia izy ary nahita ny takelaka, fa nolazaina kosa izy fa tsymbola afaka mandray izany mandritra ny efatra taona. …

11

“… Ny 22 septambra 1827, dia niaraka taminy tany amin’ilay vohitra salasalany [i Emma, vadin’iJoseph] ary niandry azy tsy lavitra tao izy raha napetrak’i Môrônia teo am-pelatanan’ny Mpaminanyny takelaka” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 63–65).

Asao ny mpianatra hanokatra ny pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna ka hamaky nyandinin-tsoratra voalohany, ka hijery ny fampahalalana momba an’io rakitsoratrataloha io izay ho tonga sy ho voadika. Rehefa vita ny famakiana, dia asao ny mpianatrahizara ny zavatra hitany. (Tokony hahita ity fahamarinana manaraka ity ny mpianatra:Nadika araka ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny nyBokin’i Môrmôna.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Joseph Smith—Tantara 1:34–35. Asaivomanaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady ny fomba iray izay nanampian’nyTompo an’i Joseph Smith tamin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna.

• Araka ireo andininy ireo, inona no fomba iray izay nanampian’ny Tompo an’iJoseph Smith tamin’ny fandikana ny rakitsoratra taloha? (Nanome ny Orima sy nyTomima ho an’ny fandikan-teny ny Tompo.)

Hazavao fa fitaovana hafa izay nampiasain’i Joseph Smith tamin’ny fandikana nyBokin’i Môrmôna ny vato kely miendrika atody, antsoina indraindray hoe “ny vaton’nympahita,” izay hitany taona vitsivitsy talohan’ny nandraisany ny takela-bolamena(jereo ny “Book of Mormon Translation,” Gospel Topics, lds.org/topics). Ny tantara diamilaza fa indraindray ny Mpaminany dia nampiasa ny Orima sy ny Tomima aryindraindray izy dia nampiasa ny vaton’ny mpahita tamin’ny fandikan-teny.

Vakio mafy ity fanambarana manaraka ity mba hanampiana ny mpianatra hahatakatrafa nanambara ny dikan-tenin’ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny teny Anglisy ny Tompo hoan’ny Mpaminany tamin’ny alalan’ny Orima sy ny Tomima ary ny vaton’ny mpahita.

“Rehefa nanaovana fanadihadiana momba ny antsipirian’ny fomba nanaovana ny fandikan-teny iJoseph, dia namerimberina hatrany izy fa nanatontosa izany ‘araka ny fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra sy ny heriny’, ary nisy fotoana izy nanampy hoe: ‘Tsy natao izany mba hilazana an’izaotontolo izao mikasika ny pitsipitsiny manokana rehetra momba ny fahatongavan’ny Bokin’iMôrmôna.’

“Na dia teo aza izany, dia namela tantara maro ireo mpitan-tsoratra sy ireo olona hafa izay nandinikany fandikan-teny, izay manome fampahafantarana mikasika ny fandikan-teny. Ny tantara sasany diamanamarika fa nandalina ny litera teo amin’ny takelaka i Joseph. Ny ankamaroan’ny tantara diamiresaka mikasika ny nampiasan’i Joseph ny Orima sy ny Tomima (ny fitaovana nampiasaina tamin’nyfandikan-teny na ny vaton’ny mpahita), ary ny tantara maro dia milaza ny nampiasany vato tokanairay. Araka ireo tantara ireo, dia napetrak’i Joseph tao anatin’ny satroka iray ny fitaovana nampiasainatamin’ny fandikan-teny na ny vaton’ny mpahita, dia nametraka ny tarehiny tao amin’ny satroka izymba hanakanana ny hazavana ivelany ary namaky mafy ny teny anglisy izay niseho tamin’ilayfitaovana. Ny fomba fandikan-teny izay voalaza io dia mampahatsiahy ny andinin-tsoratra masina aoamin’ny Bokin’i Môrmôna izay milaza fa Andriamanitra dia nanomana ‘vato iray izay hamirapiratra aoamin’ny haizina ho fahazavana’ [Alma 37: 23–24]” (“Book of Mormon Translation,” Gospel Topics,lds.org/topics).

Hazavao fa niharihary ny fanampian’ny Tompo tamin’ny fotoana kely monjananaovan’i Joseph Smith ny fandikan-tenin’ny Bokin’i Môrmôna. Asehoy ityfanambarana nataon’ny Loholona Russell M. Nelson avy ao amin’ny Kôlejin’nyApôstôly Roambinifolo ity, ary miangavia mpianatra iray hamaky izany mafy:

LESONA 3: NY FAHATONGAVAN’NY BOKIN’I MÔRMÔNA

12

“Diniho ilay fotoana kely monja nandikan’i Joseph ny Bokin’i Môrmôna. Raha niasananomboka tamin’ny aprily ka hatramin’ny jona 1828 i Joseph, dia nandika ny pejy 116izay narian’i Martin Harris. Namerina indray ny fandikan-teny tamin’ny talata 7 aprily1829, niaraka tamin’i Oliver Cowdery izay mpitan-tsoratra i Joseph. Vonona ilayrakitsoratra dimy amby valopolo andro taty aoriana, tamin’ny 30 jona an’io taona io.

Mazava ho azy fa tsy natokana tamin’ny fandikan-teny daholo izany fotoana rehetra izany. … Rahaheverina tsara izany rehetra izany ka atao tombatombana, dia hita fa dimy amby enimpolo androniasana na latsak’izany no nanaovan’ny mpaminany sy ireo mpitantsoratra ny fandikan-teny an’ityboky ity, izay ahitana 531 pejy ny edisiôna amin’izao fotoana. (See John W. Welch, Ensign, jan. 1988,pp. 46–47.) Raha aravona ny kajy dia manome pejy valo isan’andro. Diniho izany rehefa mandikaboky iray ianao, na rehefa mandamina ny famakianao manokana ny Bokin’i Môrmôna” (“A TreasuredTestament,” Ensign, jolay 1993, 61–62).

• Inona avy ireo fomba sasany izay nitrangan’ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna‘araka ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny”?

• Ahoana no ahafantarantsika fa marina ny Bokin’i Môrmôna, raha tsy mahafantatrany pitsipitsiny rehetra manodidina ny fahatongavan’io boky io isika? (Afakamandray fijoroana ho vavolombelona ara-panahy ny Bokin’i Môrmôna isika na diatsy mahafantratra ny pitsipitsiny rehetra momba ny fandikan-teny.)

• Inona no nanampy anao hahazo fijoroana ho vavolombelona ny Bokin’i Môrmôna?

Asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka ity, izay nataon’ny Filoha Gordon B.Hinckley:

“Tamin’ny voalohany dia tonga aloha i Môrônia, niaraka tamin’ny takelaka izaynanaovana ny fandikan-tenin’ny Bokin’i Môrmôna. Tena zava-nitranga tsy manam-paharoa sy manan-danja tokoa izany. Mahatalanjona ny tantaran’i Joseph mikasika nytakela-bolamena. Sarotra ninoana izany fa mora toherina. Mety afaka nanoratratamin’ny alalan’ny fahaizany manokana ve izy? Ity ilay boky, ry rahalahiko sy

rahavaviko, mba ho hitan’ny tsirairay, mba ho tsapain’ny tsirairay, mba ho vakian’ny tsirairay. Ireo izaynanandrana ny hanazava ny fiaviany, ankoatra ny fitantaran’i Joseph Smith, dia tsy nahomby avokoa.Tena tsy nandalo fianarana firy i Joseph; tao anatin’ny fe-potoana kely dia kely anefa no nitondrany nydikan-teny izay ahitana mihoatran’ny 500 pejy rehefa vita printy. …

“Nandritra izay taona rehetra izay dia maro ny mpitsikera izay nanandrana nanazava izany. Nanohitraizany izy ireo. Nanesoeso izany izy ireo. Mbola naharitra kokoa noho izy rehetra anefa ny boky, arylehibe kokoa ny fitaomany ankehitriny raha oharina amin’ny fotoana hafa rehetra ao amin’nytantarany” (“The Stone Cut Out of the Mountain,” Ensign na Liahona, nôv. 2007, 85).

• Inona no azonao tenenina mba hanampiana ny olona iray izay manana olanaamin’ny finoana ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna?

Mijoroa ho vavolombelona fa ny Bokin’i Môrmôna dia tonga araka ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo sy ireo Vavolombelona ValoHazavao fa teo am-panaovana ny fandikan-tenin’ny Bokin’i Môrmôna i Joseph Smithno nianatra fa hanendry olona hafa ny Tompo ho vavolombelon’ilay rakitsoratra taloha(jereo ny 2 Nefia 27:12–13; Etera 5:2–5). Tamin’izany fotoana izany i Oliver Cowdery,David Whitmer, sy Martin Harris no samy naneho ny fanirian’izy ireo ho

LESONA 3: NY FAHATONGAVAN’NY BOKIN’I MÔRMÔNA

13

vavolombelona telo manokana. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17 diaahitana ny torolalana nomen’ny Tompo ho an’ireo lehilahy ireo.

Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy avy ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:1–6. Asaivo manaraka ny vakiteny nympianatra ka hitady ny zavatra nasain’ny Tompo hataon’ireo vavolombelona aorian’nyhahitan’izy ireo ny takelaka. Rehefa nizara ny zavatra hitany ny mpianatra, diamanontania hoe:

• Araka ny eritreritrareo, nahoana ireo lehilahy ireo no nila nampiseho finoanatahaka ireo mpaminany fahiny talohan’ny nanomezan’ny Tompo alalana azy ireohahita ireo takelaka?

• Araka ny andininy 3–5, inona no andraikitra ananan’ireo vavolombelona ireoaorian’ny ahitany ny takelaka?

• Inona no andraikitra ananantsika rehefa asehon’ny Tompo antsika ny amin’nyfahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna? (Tokony hahita ity fitsipika manaraka ity ireompianatra: Rehefa avy mahazo fijoroana ho vavolombelona ny amin’nyfahamarinana isika dia manana andraikitra hijoro ho vavolombelonamikasika izany. [Jereo koa ny F&F 88:81. ]) Azonao atao ny manamarika fa ityfitsipika ity dia ohatra iray ihany koa momba ny fomba fanao iray izay hita aoamin’ny soratra masina. “Ny fomba fanao dia drafitra, maodely, na fenitra izayafaka ampiasana ho torolalana amin’ny fanaovana na fanamboarana zavatra irayombieny ombieny” [David A. Bednar, “A Reservoir of Living Water” (Takarivaamorom-patan’ny Oniversite Brigham Young, feb. 4, 2007), 5, speeches.byu.edu].)

• Amin’ny fomba ahoana no ilazana fa fanehoana ny finoantsika ny mijoro hovavolombelon’ny fahamarinana?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny tantaran’i Joseph Smith momba ny zavatraniainany niaraka tamin’ny Vavolombelona Telo:

“I Martin Harris, David Whitmer, Oliver Cowdery ary ny tenako dia nifanaiky mba hisitaka ho anyan’ala, ary ny hanandrana handray ny fanatanterahan’ny fampanantenana amin’ny alalan’ny vavakaatao an-kafanam-po sy am-panetrentena. … [Taorian]’ny andrana faharoa nataonay, izay tsynahomby ihany koa dia niteny taminay i Martin Harris fa tokony hisitaka ny tenany tsy hiara-hivavakaaminay satria, araka ny nolazainy, dia nino izy fa ny naha-teo azy no antony tsy nahazoanay nyzavatra nirinay. Noho izany dia nisitaka izy, nandohalika indray izahay, ary tsy nivavaka nandritra nyminitra maro akory, no … nitsanganan’ny anjely [Môrônia] teo anoloanay. Nihazona ny takelaka teoan-tanany izy. … Navadibadiny tsirairay ireo takelaka, mba hahafahanay mahita izany, sy manavakatsara ireo soratra voasokitra eo aminy. … Nahare feo avy amin’ilay hazavana mamirapiratra teoamboninay izahay, nilaza hoe: ‘Nambara tamin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra sy nadika tamin’nyalalan’ny herin’ Andriamanitra ireo takelaka ireo. Marina ny dikan-tenin’izy ireo izay hitanareo, arymandidy anareo aho hijoro ho vavolombelon’ny zavatra izay hitanareo sy renareo ankehitriny.’

“Nandao an’i David sy Oliver aho avy eo, ka nandeha nankany amin’i Martin Harris, izay hitakonivavaka tamin-kafanampo tamin’ny toerana lavitra avy teo amin’ny nisy anay. Nilaza tamiko avyhatrany izy anefa fa tsy mbola naharesy lahatra ny Tompo, ary nangataka ahy fatratra izy ny mbahiarahako mivavaka aminy, mba hahazoany fitahiana mitovy amin’izay vao azonay teo. Niara-nivavaka araka izany izahay ka nahazo izay nirinay ihany nony farany, satria tsy mbola vita akory nyvavaka nataonay dia naseho mba ho hitanay ilay fahitana toy ny teo aloha ihany, farafahakeliny dianaseho tamiko indray izany, ary nahita sy nandre indray ireo zavatra toy ny teo aloha; izay nahatongaan’i Martin Harris, izay hita fa heniky ny fifaliana tokoa, hihiaka tamin’izay fotoana izay hoe: ‘‘Ampyizay; ‘ampy izay; nahita ny masoko; nahita ny masoko’” (ao amin’ny History of the Church, 1:54–55).

LESONA 3: NY FAHATONGAVAN’NY BOKIN’I MÔRMÔNA

14

Niverina tany an-tranon’ny Whitmer i Joseph ary nilaza tamin’ny ray aman-dreniny hoe: “Ny Tompodia namela ny takelaka ho aseho ny vavolombelona telo hafa ankoatran’ny tenako, izay nahita anjelyary hanana ny andraikitra ny hanome tenivavolombelona momba ny fahamarinan’ny zavatra voalaza,satria mahafantatra ho an’ny tenany izy ireo fa tsy mandehandeha fotsiny aho mba hamitaka nyolona, ary mahatsapa aho fa toy ny nohamaivanina tamin’ny zioga mavesatra izay lehibe loatra ka tsyhay zakaina, … ary mahafaly ny fanahiko ny mahafantatra fa tsy irery intsony aho eto amin’izaotontolo izao” (ao amin’ny Lucy Mack Smith, History, 1844–1845, boky 8, pejy 11,josephsmithpapers.org/paperSummarylucy-mack-smith-history-1844-1845).

• Nahoana araka ny hevitrao no nifaly i Joseph taorian’io zavatra niainany io? (Tsyirery intsony izy amin’ny maha-vavolombelon’ny takelaka sy ny iraka avy any an-danitra.)

Hazavao fa nisy ihany koa vavolombelona valo fanampiny izay nanana fahafahanahahita ny takelaka.

Asao ny antsasakin’ny mpianatra hamaky “Ny Tenivavolombelon’ireo VavolombelonaTelo” ary ny antsasany hafa hamaky “Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Valo”,izay samy hita ao amin’ny pejy teny fampidirana ny Bokin’i Môrmôna. Asaivo mijeryny singa manan-danja mikasika ny zavatra niainan’ireo vavolombelona ny mpianatra.Rehefa avy nomena fotoana ampy izy ireo dia asao ny mpianatra maromaro hizara nyzavatra hitany.

• Inona no maha-samy hafa ny zavatra niainan’ny Vavolombelona Telo sy ny an’nyVavolombelona Valo? (Ny Vavolombelona Telo dia naheno ny feon’ Andriamanitrasy nahita anjely iray fa tsy nihazona ny takelaka. Ny Vavolombelona Valo dia nahitany takelaka tamin’ny alalan’i Joseph Smith ary afaka nihazona izany. NyVavolombelona Valo dia nahazo vavolombelona notsapain-tanana kokoa mombany fisian’ny takelaka, raha traikefa ara-panahy kosa ny an’ny Vavolombelona Telo.)

• Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe ny fisian’ny vavolombelona maromomba ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna?

Mety tsy mahafantatra ny mpianatra sasany fa ny tsirairay amin’ny Vavolombelona Telosy ny sasany amin’ny Vavolombelona Valo dia nandao ny Fiangonana taty aoriana.Asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’nyLoholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

“Raha ampitahana amin’ny … fanoherana mety hisy rehetra, dia mitsangana ho herylehibe ny tenivavolombelon’ny Vavolombelona Telo. … Tena fantatra tokoa fa, noho nytsy fifankahazoana na ny fialonana izay nisy teo amin’ny mpitarika hafa tao amin’nyFiangonana, dia nesorina tsy ho mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’nyOlomasin’ny Andro Farany ny tsirairay amin’ny vavolombelona telo, teo amin’ny valo

taona taorian’ny namoahana ny tenivavolombelona nomen’izy ireo teo. … Na dia teo aza izany ary nahihatra amin’ny fahafatesan’izy ireo … dia tsy nisy na iray aza no nivadika tamin’nytenivavolombelona nomeny na nilaza zavatra izay mety niteraka ahiahy mikasika ny fahamarinany.

“Ho fanampin’izany dia hita fa tsy nifanohitra tamin’ny tenivavolombelona nomen’ny vavolombelonavalo mihitsy ny an’izy ireo. Mety handà izany ny olona iray, nefa ahoana no hanazavana ny firaisan-kina sy ny fikirizana nananan’ny olona tsara laza telo amin’ny fampahafantarana nytenivavolombelon’izy ireo, eny fa na dia niantraika tamin’ny fiainany teo anoloan’ny esoeso lehibe syny fahavoazana manokana aza? Tahaka ny Bokin’i Môrmôna, dia tsy misy fanazavana tsaratsarakokoa noho izay nomen’ilay tenivavolombelona, ilay fanambarana natao am-boninahitra nomen’nylehilahy tsara sy mari-toetra izay nilaza fa marina ny zavatra hitany” (“The Witness: Martin Harris,”Ensign, mey 1999, 36).

LESONA 3: NY FAHATONGAVAN’NY BOKIN’I MÔRMÔNA

15

• Amin’ny fomba ahoana araka ny hevitrao no mahatonga ny tsy fandavany mihitsyny tenivavolombelona nomeny manamafy ny tenivavolombelon’ireoVavolombelona Telo, na dia taorian’ny nanesorana azy ireo tsy ho mpikamban’nyFiangonana aza? (Hazavao fa taty aoriana dia natao batisa indray i Oliver Cowderysy i Martin Harris.)

Asaivo mijery indray ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:6 nympianatra, ary antitrantero fa ity andininy ity dia ahitana ny mety hotenivavolombelona lehibe indrindra momba ny Bokin’i Môrmôna. Io andininy io diamirakitra ny tenivavolombelon’ Andriamanitra Tenany mihitsy, izay nianiana tamin’nyvelirano, fa ny Bokin’i Môrmôna dia marina.

Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina hoe azo ampidirina ao amin’ny Bokin’iMôrmôna tsirairay avy ny fijoroana ho vavolombelona an’izy ireo manokana mombany Bokin’i Môrmôna. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra izay mety hanampiany nytenivavolombelony na ny fijoroana ho vavolombelona ananany.

Asao ny mpianatra hizara ny fijoroany ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmônaamin’ny olona iray, alohan’ny fotoam-pianarana manaraka.

Vakitenin’ny Mpianatra• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17; Joseph Smith—Tantara 1:29–54.

• Neal A. Maxwell, “By the Gift and Power of God,” Ensign, jan. 1997, 36–41.

• “Book of Mormon Translation,” Gospel Topics, lds.org/topics.

• “Coming Forth of the Book of Mormon and Restoration of the Priesthood,” tokofaha 5 ao amin’ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, ed. faharoa(Boky torolalan’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003),52–66.

LESONA 3: NY FAHATONGAVAN’NY BOKIN’I MÔRMÔNA

16

4Ny Bokin’i Môrmôna—VatoIfaharan’ny Fivavahantsika

FampidiranaNy Bokin’i Môrmôna no vato ifaharan’ny fivavahantsika ary porofofa Andriamanitra dia namerina tamin’ny laoniny ny filazantsaran’iJesoa Kristy teto an-tany, ho an’ny vanim-potoana iainantsika. NyFiloha Ezra Taft Benson (1899–1994) dia nampianatra fa ny Bokin’iMôrmôna “no vato ifaharana ao amin’ny fijoroantsika hovavolombelona momba an’i Kristy. Vato ifaharan’ny

fotopampianarantsika izany. Vato ifaharan’ny fijoroana hovavolombelona izany” (“The Book of Mormon—Keystone of OurReligion,” Ensign, nôv. 1986, 5). Rehefa manao izay hahatonga nyfijoroany ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna ho lalinakokoa ny mpianatra, dia afaka ho mafy orina manoloana an’ireoizay mikatsaka ny hanaporofo ny tsy fahamarinany izy ireo.

Vakiteny enti-mandalina• Ezra Taft Benson, “The Book of Mormon—Keystone of Our Religion,” Ensign, nôv.

1986, 4–7.

• Jeffrey R. Holland, “Safety for the Soul,” Ensign na Liahona, nôv. 2009, 88–90.

• “Book of Mormon and DNA Studies,” Gospel Topics, lds.org/topics.

Sosokevitra enti-mampianatraFotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:6; 19:26; 20:5–12Ny Bokin’i Môrmôna no mampiseho fa Andriamanitra dia namerina tamin’ny laoninyfahamarinana amin’izao fotoana izao.Alohan’ny fotoam-pianarana dia soraty eo amin’ny solaitrabe ireto daty sy zava-nitranga manaraka ireto.

1820 Nandraisana ny Fahitana Voalohany

1823 Nanomboka namangy i Môrônia

1829 Naverina tamin’ny laoniny ny fisoronana

Jona 1829 Vita ny fandikan-teny ny Bokin’i Môrmôna

6 aprily 1830 Natsangana ny Fiangonana

• Inona no zavatra afaka ianarantsika momba ny fomba nifandimbiasan’ireotrangan-javatra ireo mikasika ny anjara asan’ny Bokin’i Môrmôna amin’nyFamerenana amin’ny laoniny ny filazantsara? (Tsy maintsy vitaina aloha ny Bokin’iMôrmôna izay vao afaka averina amin’ny laoniny ny Fiangonana. Hanana anjaraasa manan-danja amin’ny fampielezana ny filazantsara izany.)

Hazavao fa rehefa naorina tamin’ny aprily 1830 ny Fiangonana, dia vao tapitra tsy elany nanaovana printy ny Bokin’i Môrmôna, ary ny boky dia vao natao doka ho amin’nyvarotra latsaky ny roa herinandro talohan’izay. Asao ny mpianatra hamaky mangina nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:8–12 ary hitady ny zavatra hita aoanatin’ny Bokin’i Môrmôna ary ny zavatra izay porofoiny. Azonao atao ny miteny ireompianatra hanisy marika ny zavatra hitany. (Fanamarihana: Mandritra ity fandaharam-pianarana ity, dia azonao atao ny mamporisika ny mpianatra ny hanisiany marika nyfahamarinana manan-danja izay hitany ao amin’ny soratra masiny.) Rehefa eo am-

17

pamakiana ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fanambarana tsy fenomanaraka ity:

Manaporofo amin’izao tontolo izao ny Bokin’i Môrmôna fa …

Rehefa nahazo fotoana ampy izy ireo dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

• Araka ny zavatra izay novakianao, ahoana no hamenoanao ny fanambarana tsyampy eo amin’ny solaitrabe. (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra, saingy ataovyizay ahitan’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Ny Bokin’i Môrmôna diamanaporofo amin’izao tontolo izao fa marina ireo soratra masina, faAndriamanitra dia mitaona ny olona am-panahy sy miantso azy ho amin’nyasany amin’izao fotoana izao, ary Andriamanitra dia tsy miova.)

• Ahoana no fomba hanaporofoin’ny Bokin’i Môrmôna fa Andriamanitra diamitaona ny olona am-panahy sy miantso azy ho amin’ny asany amin’izao fotoanaizao?

• Inona ny fahalalana azon’ny olona iray momba an’i Joseph Smith, rehefa tongaamin’ny fahafantarana izy fa marina ny Bokin’i Môrmôna?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana17:6 sy 19:26 ka hitady ny zavatra izay mampitovy ireo andininy roa ireo.

• Inona no mampitovy ireo andininy roa ireo? (Ny fanambaran’ny Tompo momba nyfahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna.)

• Inona no lanjan’ny fahafantaranao fa ny Tompo dia nanambara nytenivavolombelony momba ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna?

Vato ifaharan’ny fivavahantsika ny Bokin’i Môrmôna.Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Vato ifaharan’nyfivavahantsika ny Bokin’i Môrmôna.

• Inona no dikan’izany araka ny eritreritrareo?

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson ity (1899–1994), ary asao nympianatra iray hamaky izany mafy:

“Misy antony telo mahatonga ny Bokin’i Môrmôna ho vato ifaharan’ny fivavahantsika.Vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’i Kristy izany. Vatoifaharan’ny fotopampianarantsika izany. Vato ifaharan’ny fijoroana ho vavolombelonaizany” (“The Book of Mormon—Keystone of Our Religion,” Ensign, nôv. 1986, 5).

Zarao ho vondrona madinidinika ireo mpianatra. Omeo anjara ny vondrona tsirairaymba hifanakalo hevitra momba ireto lohahevitra manaraka ireto: nahoana ny Bokin’iMôrmôna no “vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’i Kristy”,nahoana ny Bokin’i Môrmôna no “vato ifaharan’ny fotopampianarantsika”, nanahoana ny Bokin’i Môrmôna no “vato ifaharan’ny fijoroana ho vavolombelona”.(Mety ho ilaina ny hanomezanao anjara ny lohahevitra tsirairay ho an’ny vondronamaromaro.) Omeo ny vondrona tsirairay ny tahadika mitovy amin’ity taratasy zarainamanaraka ity ary asao izy ireo hampiasa ny fanambarana izay mifandray amin’nylohahevitry ny fifanakalozan-kevitra voarainy.

LESONA 4: NY BOKIN’I MÔRMÔNA—VATO IFAHARAN’NY FIVAVAHANTSIKA

18

Ny Bokin’i Môrmôna— Vato Ifaharan’ny Fivavahantsika“Vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’i Kristy”

“Ny Bokin’i Môrmôna no vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’iJesoa Kristy, ary Izy dia vato ifaharan’ny zava-drehetra ataontsika koa. Mijoro hovavolombelona izany fa tena misy Izy. … Ny fijoroany ho vavolombelon’ny Tompo diamazava, madio tsara ary feno hery. … Maro amin’ireo Kristianina eto amin’izao tontoloizao ankehitriny no mandà ny maha-Andriamanitra ny Mpamonjy. Mametra-panontaniana

mikasika ilay Fahaterahany mahagaga izy ireo, ilay Fiainany tonga lafatra ary ilay Fitsanganany tamin’nymaty tamim-boninahitra izay tena nisy marina. Mampianatra mikasika ny fahamarinan’ireo rehetra ireomazava tsara ny Bokin’i Môrmôna. Mitondra ny fanazavana feno indrindra ny amin’nyfotopampianaran’ny Sorompanavotana koa izany” (Ezra Taft Benson, “The Book of Mormon—Keystoneof Our Religion,” Ensign, nôv. 1986, 5).

“Vato ifaharan’ny Fotopampianarantsika”“Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna no ahitantsika ireo fahafenoan’ny fotopampianarana izayilaina amin’ny famonjena. Ary nampianarina amin’ny fomba mazava sy tsotra izy ireo kana dia ny zaza madinika aza dia afaka ny hianatra ireo lalan’ny famonjena syfisandratana. Manolotra zavatra maro izay mampivelatra ny fahatakarantsika nyfotopampianaran’ny famonjena ny Bokin’i Môrmôna. Raha tsy teo izany, dia tsy ho feno

sy sarobidy toy izao ny ankabeazan’ny fampianarana any amin’ny soratra masina hafa” (Ezra TaftBenson, “The Book of Mormon—Keystone of Our Religion,” Ensign, nôv. 1986, 6).

“Vato ifaharan’ny Fijoroana ho Vavolombelona”“Vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona ny Bokin’i Môrmôna. Toy nyfirodanan’ny andohalambo rehefa esorina ny vato ifaharana dia ny fahamarinan’nyBokin’i Môrmôna ihany koa no mampijoro na maharava ny Fiangonana. … Raha marinany Bokin’i Môrmôna … dia tsy azo lavina ireo zavatra takian’ny Famerenana amin’nylaoniny sy izay rehetra miaraka amin’izany” (Ezra Taft Benson, “The Book of

Mormon—Keystone of Our Religion,” Ensign, nôv. 1986, 6).

Rehefa nomena fotoana ampy, dia asao ny vondrona tsirairay hizara amin’nympianatra rehetra ny zavatra izay nanaovany fifanakalozan-kevitra.

Farano ity ampahan-desona ity amin’ny fangatahana ny mpianatra mba hizara nyzavatra tsapany momba ny Bokin’i Môrmôna ary mba hizara ny nahatonga izany hovato ifaharan’ny fijoroana ho vavolombelona ho an’ny tenany manokana.

Ireo fahavalo dia miezaka ny hanaporofo fa diso ny Bokin’i MôrmônaAsao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’nyLoholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Nandritra ny fotoana [mihoatra ny 180] taona dia nodinihina sy nenjehina, nolavina synofakafakaina tamin’ny singany rehetra ary natao tsikera fatratra mihoatra lavitra nohony boky hafa tamin’ny tantaran’ny fivavahana maoderina—na mihoatra lavitra noho nyboky rehetra amin’ny tantaran’ny fivavahana ity boky ity. Ary mbola mijoro izany. Nyfoto-kevitra tsy nahomby momba ny niandohany dia niforona sy niverimberina ary

nanjavona—izay nanomboka tamin’i Ethan Smith ka hatrany amin’i Solomon Spaulding sy hatranyamin’ny olona nifikitra tamin’ny hadalany ary hatrany amin’ny olona nanana fahaizana ambonymanokana izay nanana hevi-dratsy manoloana ny boky. Tsy nisy na dia iray aza tamin’ireo valintenytena mampalahelo tokoa ireo no nahomby tamin’ny fanadihadiana satria tsy misy valinteny hafaankoatra ny hany izay nomen’i Joseph, ilay mpandika teny vao herotrerony tsy nanam-pahaizana.

LESONA 4: NY BOKIN’I MÔRMÔNA—VATO IFAHARAN’NY FIVAVAHANTSIKA

19

Amin’izany no hijoroako miaraka amin’ny razambeko, izay nilaza tsotra fotsiny hoe: ‘Tsy misy olon-dratsy afaka nanoratra boky tahaka ity; ary tsy misy olona tsara afaka nanoratra izany, raha tsy hoemarina izany ary nodidian’ Andriamanitra hanao izany izy’” (“Safety for the Soul,” Ensign na Liahona,nôv. 2009, 89).

• Nahoana no zava-dehibe ny mahatsiaro fa ireo fahavalon’ny Fiangonana amin’izaofotoana izao dia matetika manandrana ny hanoso-potaka ny Bokin’i Môrmôna?

• Ahoana no hanohanan’ny fanambarana nataon’ny razamben’i Loholona Hollandny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna?

Ho ohatra, dia azonao atao ny manazava fa ny fomba iray hanandraman’nyfahavalon’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao amin’ny fanosoram-potaka ny Bokin’iMôrmôna dia ny fampiasana ny porofo amin’ny alalan’ny ADN mba hanandramana nyfanaporofoana fa diso ny rohy rehetra izay mety hisy amin’ny vahoaka ao amin’nyBokin’i Môrmôna sy ny Amerikana Indiana. Raha manana olana manoloana an’ityzavatra ity ny mpianatra dia amporisiho izy ireo mba hamaky ny lahatsoratra aoamin’ny Ireo Lohahevitry ny Filazantsara “Book of Mormon and DNA Studies,” izayhita ao amin’ny lds.org/topics.

Hazony mafy ny fahamarinana fantatraoAsaivo maka sary an-tsaina ny mpianatra hoe misy namany iray izay nilaza fa naharezavatra izay toa mifanohitra amin’ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna.

• Inona no torohevitra izay homenao an’ilay namanao?

• Ahoana no hanampian’ny fijoroanao ho vavolombelona momba nyfahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna anao rehefa miatrika tsikera manenjika nyBokin’i Môrmôna ianao?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’nyLolohona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Amin’ny fotoan’ny … ahiahy na ny tebiteby dia hazony ilay finoana izay efa anananao,na dia voafetra ihany aza izany. … Rehefa tonga ireny fotoana ireny ka mitranga nyolana dia tsy ho tonga avy hatrany ny vahaolana, hazony mafy izay efa fantatrao arymahatanjaha hatrany mandra-pahazoanao fahalalana misimisy kokoa” (“Tompo ô,Mino aho” Ensign na Liahona, mey 2013, 93–94).

• Ahoana no mety hampiharanao ny fanambarana nataon’ny Loholona Hollandrehefa miatrika fanontaniana momba ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna ianao?(Mety handroso valinteny isan-karazany ny mpianatra, kanefa tokonyantitranterinao ity fitsipika manaraka ity: Rehefa miatrika fanontaniana nafisalasalana momba ny filazantsara isika, dia tokony hihazona mafy izay efafantatsika fa marina isika ary mahatoky fa na hahita valinteny amin’nyfandalinana misimisy kokoa isika na Andriamanitra no hanambara nyvalinteny amin’ny fotoana ho avy.)

• Inona ireo fahamarinana efa fantatrao momba ny Bokin’i Môrmôna sy ny fitsipikahita ao aminy? Ahoana no nahafantaranao izany?

Farano ny lesona amin’ny fampisehoana ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’nyFiloha Ezra Taft Benson ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

LESONA 4: NY BOKIN’I MÔRMÔNA—VATO IFAHARAN’NY FIVAVAHANTSIKA

20

“Tokony handalina ny Bokin’i Môrmôna mandritra ny androm-piainany ny Olomasin’nyAndro Farany tsirairay. Fa raha tsy izany dia tandindomin-doza ny fanahiny ary mandàireo zavatra izay tokony hitondra firaisan-kina ara-panahy sy ara-pahalalana eo amin’nyfiainany manontolo izy. Misy maha-samy hafa azy ny olona iray izay niova fo ka miorinaeo amin’ny vatolampin’i Kristy amin’ny alalan’ny Bokin’i Môrmôna ary mihazona mafy

ny anjam-by, sy ny olona izay tsy manao izany” (“The Book of Mormon Is the Word of God,” Ensign,jan. 1988, 5).

• Ahoana no fomba niarovan’ny fandalinana tsy tapaka ny Bokin’i Môrmôna anao hoafaka amin’ireo izay mikasa ny hamotika ny finoanao?

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna. Asao ireompianatra handinika ny fomba nisian’ny Bokin’i Môrmôna fiantraikany teo amin’nyfiainan’izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra ny zavatra afaka ataony mba hanaovanylaharam-pahamehana bebe kokoa ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna.Ampahatsiahivo ny mpianatra ny fampanantenana nomen’i Môrônia, izay hita aoamin’ny Môrônia 10:3–5, fa ireo izay maniry ny hankahery ny fijoroana hovavolombelona ananany momba ny Bokin’i Môrmôna dia afaka manao izany amin’nyfandalinana ny boky sy amin’ny fivavahana mikasika ny fahamarinany.

Vakitenin’ny Mpianatra• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:6; 19:26; 20:5–12.

• Ezra Taft Benson, “The Book of Mormon—Keystone of Our Religion,” Ensign, nôv.1986, 4–7.

• Jeffrey R. Holland, “Safety for the Soul,” Ensign na Liahona, nôv. 2009, 88–90.

LESONA 4: NY BOKIN’I MÔRMÔNA—VATO IFAHARAN’NY FIVAVAHANTSIKA

21

5 Ny Famerenana amin’nyLaoniny ny Fisoronana

FampidiranaNy 15 mey 1829, dia niseho tamin’i Joseph Smith sy i OliverCowdery i Jaona Mpanao Batisa ary namerina tamin’ny laoniny nyFisoronana Aharôna. Fotoana fohy taorian’izay, dia niseho tamin’iJoseph sy i Oliver i Petera, Jakoba ary Jaona, Apôstôly taloha arynamerina tamin’ny laoniny ny Fisoronana Melkizedeka. Ny

Fisoronana Melkizedeka no mihazona ny fahefana eo ambonin’nyanjara fanompoana rehetra ao amin’ny Fiangonana ary mitantanany zavatra ara-panahy rehetra. Ity lesona ity dia hanampy nympianatra hahatakatra ny fomba fiasan’ny Fiangonana eo ambanyfitarihan’ny Fisoronana Melkizedeka.

Vakiteny enti-mandalina• Thomas S. Monson, “The Priesthood—a Sacred Gift,” Ensign na Liahona, mey 2007,

57–60.

• Dallin H. Oaks, “Ny fanalahidy sy ny fahefan’ny Fisoronana,” Ensign na Liahona,mey 2014, 49–52.

• Larry C. Porter, “The Restoration of the Aaronic and Melchizedek Priesthoods,”Ensign, des. 1996, 30–47.

Sosokevitra Enti-mampianatraJoseph Smith—Tantara 1:68–71; Fotopampianarana syFanekempihavanana 13:1Namerina tamin’ny laoniny ny Fisoronana Aharôna i Jaona Mpanao BatisaAsehoy ny sarin’ ny batisa iray (jereo ny Zatovolahy iray atao Batisa [Boky mirakitra sarymomba ny Filazantsara (2009), lah. 103; jereo koa ny LDS.org]) ary ny sary izaymampiseho ny fanamasinana ny fanasan’ny Tompo (jereo ny Manamasina nyFanasan’ny Tompo [ Boky mirakitra sary momba ny Filazantsara, lah. 107; jereo koa nyLDS.org]). Asao ny mpianatra hamariparitra ny mety hiova amin’ny fiainany raha tsynanana fahafahana handray ireo ôrdônansy masina ireo izy. Ampahatsiahivo nympianatra fa ireo ôrdônansy ireo dia anisan’ireo fitahiana azontsika noho nyfamerenana tamin’ny laoniny ny Fisoronana Aharôna.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Joseph Smith—Tantara 1:68. Asaivo manarakany vakiteny ny mpianatra ka hamantatra ny zavatra nataon’i Joseph Smith sy i OliverCowdery izay nitarika azy ireo hanontany ny Tompo mikasika ny batisa. Asaivo manaotatitra ny zavatra hitany izy ireo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Joseph Smith—Tantara 1:69. Mariho fa nyteny nolazain’ilay iraka, i Jaona Mpanao Batisa, dia voasoratra ihany koa ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 13. Anontanio ny iray kilasy hoe:

• Nahoana no nilain’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ny fandraisana nyfisoronana avy amin’ny iraka avy any an-danitra? (Tsy nisy olona nihazona nyfanalahidin’ny fisoronana teto an-tany tamin’izany fotoana izany [jereo ny IreoFanekem-pinoana 1:5].)

Asao ny mpianatra hamaky ny Joseph Smith—Tantara 1:70–71. Hazavao fa ireoandininy ireo dia manome fanazavana ny hoe ny Mpaminany Joseph no nampiasavoalohany indrindra ny fisoronana tamin’ity fotoampitantanana ity. Manontany tena

22

ny olona sasany hoe nahoana i Jaona Mpanao Batisa no tsy nanao batisa an’i JosephSmith sy i Oliver Cowdery ary nahoana ny lehilahy roa no nodidiana ny hifanomeindray ny fisoronana. Azonao atao ny manazava fa raha nilain’ny iraka avy any an-danitra izay mihazona ny fahefana ny namerina ny fahefan’ny fisoronana tamin’nylaoniny teto an-tany ho an’ny fotoampitantanana vaovao, ny ôrdônansy atao eto an-tany rehetra kosa toy ny batisa na ny fanendrena dia tokony tontosain’ny olona metymaty, vantany vao tafaverina amin’ny laoniny io fahefana io. Ho fanampin’izay, nytorolalana nomen’i Jaona Mpanao Batisa fa tokony hifanome ny fisoronana indray iJoseph sy i Oliver dia nametraka “ny fanendrena sy ny batisa ho eo amin’nyfifandraisana tokony hisy azy [na amin’ny lamina tokony hisy azy]” (Joseph FieldingSmith, Doctrines of Salvation, natambatr’i Bruce R. McConkie, boky 3. [1954–56], 3:91).

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity:

Ahoana no fomba hanampian’ny Fisoronana Aharôna antsika amin’ny fandraisana nyfitahian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

Amporisiho ny mpianatra handinika an’io fanontaniana io rehefa mamaky mafy ityfanambarana manaraka nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks avy ao amin’ny Kolejin’nyApôstôly Roambinifolo ity ianao:

“Inona no hevitry ny hoe ny Fisoronana Aharôna dia mihazona ny ‘fanalahidin’nyfanompoan’ny anjely’ sy ny ‘an’ny filazantsaran’ny fibebahana ary ny batisa sy nyfamelana ny fahotana’? Ny hevitr’izany dia hita ao amin’ny ôrdônansin’ny batisa sy nyfanasan’ny Tompo. Ny batisa dia ho an’ny famelana ny fahotana, ary ny fanasan’nyTompo dia fanavaozana ny fanekempihavanan’ny batisa sy ireo fitahiana entiny. Samy

tokony hialohavan’ny fibebahana izy roa ireo. …

“Tsy misy na dia iray aza [amintsika] ka hoe niaina tsy nanao fahotana hafa taorian’ny batisa[ntsika].Raha tsy misy fanadiovana fanampiny atolotra aorian’ny batisantsika dia samy very avokoa isikatsirairay raha ny ara-panahy. …

“Didiana isika mba hibebaka amin’ny fahotantsika ka hanatona ny Tompo amin’ny fo torotoro syfanahy manenina ka handray ny fanasan’ny Tompo mba hankatoavana ny fanakempihavananamifandraika amin’izany. Rehefa manavao ny fanekempihavanantsika tamin’ny batisa amin’io fomba ioisika, dia havaozin’ny Tompo ilay hery manadio ananan’ny batisantsika. …

“Tsy afaka ny hoe diso manantitrantitra be loatra ny lanjan’ny Fisoronana Aharôna isika mikasikaizany. Ireo dingana manan-danja rehetra ireo izay mikasika ny famelan-keloka dia tanterahina amin’nyalalan’ny ôrdônansin’ny famonjen’ny batisa sy ny ôrdônansy manavaon’ny fanasan’ny Tompo” (“TheAaronic Priesthood and the Sacrament,” Ensign, nôv. 1998, 37–38).

Asao ny mpianatra hizara ny valintenin’izy ireo mikasika ilay fanontaniana enyamin’ny solaitrabe. Mijoroa ho vavolombelona fa ny ôrdônansin’ny FisoronanaAharôna dia mamela antsika ny fitahiana maro avy amin’ny Sorompanavotan’iJesoa Kristy, anisan’izany ny batisa ho an’ny famelan-keloka.

Joseph Smith—Tantara 1:72; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana84:19–22; 107:8, 18–19Namerina tamin’ny laoniny ny Fisoronana Melkizedeka i Petera, sy i Jakôba ary iJaona.Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra rehefa nasainao hamaky mafy ny JosephSmith—Tantara 1:72 ny mpianatra iray. Mba hanampiana ny mpianatra hanana

LESONA 5: NY FAMERENANA AMIN’NY LAONINY NY FISORONANA

23

fahatakarana mivelatra kokoa momba ny toe-javatra nisy tamin’ity andinin-tsoratramasina ity, dia hazavao fa fotoana kely taorian’ny famangian’i Jaona Mpanao Batisa, nonandraisan’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ny Fisoronana Melkizedeka avy tamin’iPetera, sy i Jakoba ary i Jaona. Tamin’ny mey 1829 izany no nitranga, tamin’ny toeranaakaiky ny Renirano Susquehanna (jereo ny Larry C. Porter, “The Restoration of theAaronic and Melchizedek Priesthoods,” Ensign, des. 1996, 30–47). Taorian’nynananganana ny Fiangonana, dia nandray fanambarana hafa mikasika nyfotopampianarana sy tanjon’ny fisoronana ny Mpaminany. Ny fisoronana dialohahevitra iray miverimberina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Asao ny mpianatra handalina am-pahanginana ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 84:19 sy ny 107:8, 18–19, ary hitady ny fomba hamariparitan’ireoandininy ireo ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka. Azonao atao ny manoro hevitrany mpianatra ny hampifandraisany ny soratra masina eo amin’ireo andininy ireo.(Fanamarihana: Ny fampifandraisana soratra masina dia fitaovana fandalinana soratramasina iray izay afaka mitondra fampahafantarana fanampiny sy hevi-baovao amin’nyandinin-tsoratra masina izay ianarana. Rehefa nomena fotoana ampy ny mpianatra,dia asao izy ireo hizara ny zavatra izay nianarany momba ny Fisoronana Melkizedeka.Rehefa manome valinteny izy ireo, dia soraty ireto andian-teny ireto eo amin’nysolaitrabe:

Mitantana ny filazantsara

Mihazona ireo fanalahidin’ny misterin’ny fanjakana

Mihazona ny fanalahidin’ny fahalalana an’ Andriamanitra

Mihazona ny fanalahidin’ny fitahiana ara-panahy ao amin’ny Fiangonana

Mihazona ireo fanalahidin’ny fandraisana fanambarana

Mihazona ireo fanalahidy mba hifanerasera amin’ny tafika avy any an-danitra aryamin’ny fitoerana miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka

Azonao atao ny mamintina ireo valinteny eo amin’ny solaitrabe amin’ny fanaovana nyfanantitranterana ity fahamarinana manaraka ity: Ny Fisoronana Melkizedeka diamihazona ny fanalahidin’ny ôrdônansy sy ny fitahiana ara-panahy rehetra aoamin’ny Fiangonana. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa nyandian-teny eo amin’ny solaitrabe, dia manaova fifanakalozan-kevitra mikasika nysasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na mikasika an’ireo fanontanianamanontolo:

• Inona no fomba sasany izay mahatonga ny Fisoronana Melkizedeka “mitantana nyfilazantsara”? (F&F 84:19). (Ny valinteny dia mety ahitana ny fitantananaôrdônansy manokana na ny fiahiana sy fitarihana ny Fiangonana.)

• Inona araka ny hevitrao no mety ho dikan’ny hoe ny Fisoronana Melkizedeka dia“mihazona ny fanalahidin’ny misterin’ny fanjakana”? (F&F 84:19). (Mety ilaina nyhanazavanao fa “ny misterin’ny fanjakan’ Andriamanitra dia ireo fahamarinanaara-panahy tsy hay fantarina afa-tsy amin’ny alalan’ny fanambarana” [Torolalanaho an’ny Soratra Masina, “Misterin’ Andriamanitra,” scriptures.lds.org].Ankoatran’ny mistery hafa, ity andininy ity dia milaza momba ny ôrdônansin’nytempoly izay hambara tsy ho ela amin’i Joseph Smith ary ny tsy maintsyhitantanana izany amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka. Nympikamban’ny Fiangonana mendrika dia afaka mianatra ny sasantsasany amin’ny

LESONA 5: NY FAMERENANA AMIN’NY LAONINY NY FISORONANA

24

“misterin’ Andriamanitra” ao amin’ny tempoly, rehefa mandray anjara amin’nyôrdônansy izay tanterahina any ary rehefa mitandrina ny fanekempihavananamifanaraka amin’izany.)

• Ahoana no hanampian’ny Fisoronana Melkizedeka antsika hahazo “fahalalana an’Andriamanitra”? (F&F 84:19). (Mahazo fahalalana an’ Andriamanitra isika rehefamandray anjara amin’ny ôrdônansy izay tanterahin’ny Fisoronana Melkizedeka.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny andian-teny hoe “ny fahalalana an’Andriamanitra” dia azonao atao ny mamaky ity fanambarana manaraka nataon’nyFiloha James E. Faust (1920–2007) tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity:

“Inona no atao hoe fanalahidin’ny fahalalana an’ Andriamanitra, ary afaka mandrayizany daholo ve ny rehetra? Raha tsy misy ny fisoronana dia tsy misy ny fahafenoan’nyfahalalana an’ Andriamanitra. Ny Mpaminany Joseph Smith dia nilaza fa ny ‘FisoronanaMelkizedeka … no lalana hahatongavan’ny fahalalana rehetra, ny fotopampianaranarehetra, ny drafitry ny famonjena, ary ny zavatra manan-danja rehetra izay hambara avy

any an-danitra’ [Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith (2007), 115]” (“The Key ofthe Knowledge of God,” Ensign, nôv. 2004, 52).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana84:20–22. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra, ka hitady ny fombahandraisan’ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay ny fitahiana ara-panahy izay misynoho ny Fisoronana Melkizedeka. Avy eo dia apetraho ireto fanontaniana ireto:

• Inona no ôrdônansy izay tsy afaka tanterahina afa-tsy amin’ny alalan’ny fahefan’nyFisoronana Melkizedeka? (Ny fandraisana ho mpikambana, ny fanomezana nyFisoronana Melkizedeka, ny ôrdônansin’ny tempoly, ny fitsofandrano ny zazakely,ny fametrahan-tanana ny marary, ny tsodranon’ny patriarika, ny fanokanana nyolona iray ho amin’ny antso iray)

• Ahoana no hanampian’ny ôrdônansin’ny fisoronana ny olona mba hiaina “nyherin’ny toetra araka an’ Andriamanitra”, izany hoe ny hery mba ho lasa tahaka an’Andriamanitra?

• Ahoana no hanampian’ny ôrdônansin’ny Fisoronana Melkizedeka antsika hiomanahahita ny tavan’ Andriamanitra?

• Ahoana no nanampian’ny ôrdônansin’ny fisoronana anao hitovy bebe kokoa amin’Andriamanitra?

• Inona ireo traikefa hafa izay nandray anjara tamin’ny fankasitrahanao sy tamin’nyfanananao fijoroana ho vavolombelona momba ny fisoronana?

Hevero ny hizara ny fijoroana ho vavolombelona izay anananao mikasika nyfitahian’ny fisoronana. Amporisiho ny mpianatra handinika ny zavatra afaka ataonymba hanarahany bebe kokoa ny torolalana avy amin’ny mpitarika ao amin’nyfisoronana.

Vakitenin’ny Mpianatra• Joseph Smith—Tantara 1:68–72; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1;

84:18–22; 107:1–19.

• Thomas S. Monson, “The Priesthood—a Sacred Gift,” Ensign na Liahona, mey 2007,57–60.

LESONA 5: NY FAMERENANA AMIN’NY LAONINY NY FISORONANA

25

6 Ny Firafitry ny Fiangonana

FampidiranaNandidy ny Tompo, tamin’ny alalan’ny fanambarana nomena nyMpaminany Joseph Smith, fa tokony hatsangana ny 6 aprily 1830ny Fiangonany (jereo ny F&F 20, sasin-tenin’ny fizarana; F&F 20:1).Io fanambarana io koa dia nanome fahatakarana misimisy kokoany mpikambana mikasika ny asa sy fampianaran’ny Mpamonjy.Tamin’ny fanambarana izay voarakitra ao amin’ny

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30, dia nolazain’nyTompo ho ilay “hany fiangonana marina sy velona eto ambonin’nytany manontolo” ny Fiangonana tafaverina amin’ny laoniny, izaymanantitrantitra hatrany ny anjara asan’ny Fiangonana amin’nyandro farany sy amin’ny fiainantsika.

Vakiteny enti-mandalina• Henry B. Eyring, “The True and Living Church,” Ensign na Liahona, mey 2008,

20–24.

• “Organization of the Church of Jesus Christ,” toko 6 ao amin’ny Church History inthe Fulness of Times Student Manual, ed. faharoa (Boky torolalan’nyDepartemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003), 67–68.

• Boyd K. Packer, “The Only True Church,” Ensign, nôv. 1985, 80–83.

• Jeffrey G. Cannon, “‘Build Up My Church’: D&C 18, 20, 21, 22,” Revelations inContext series, jan. 3, 2013, history.lds.org.

Sosokevitra Enti-mampianatraFotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:1–3Ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa KristyAtombohy ny lesona amin’ny fangatahana ireo mpianatra mba hamariparitra nyzavatra fantany momba ny Fiangonana natsangan’i Jesoa Kristy tamin’ny vanim-potoan’ny Testamenta Vaovao. Anontanio avy eo hoe:

• Inona no zavatra fantatsika fa nitranga tamin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy taorian’nynahafatesan’ireo Apôstôly?

• Ahoana no hanazavan’izany fa ilaina ny famerenana amin’ny laoniny nyFiangonan’i Jesoa Kristy?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity ary asaivo mihainony vakiteny ny mpianatra ka hitady ny fomba nahafahan’ny fananganana NyFiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany namerina tamin’nylaoniny ny toetra manokana manan-danja nisy tao amin’ny Fiangonana natsangan’iJesoa Kristy tamin’ny vanim-potoan’ny Testamenta Vaovao.

“Ny 6 aprily 1830, 11 andro monja taorian’ny namoahana ny Bokin’i Môrmôna ho amin’ny varotra,dia nisy vondrona olona niisa 60 teo ho eo niangona tao amin’ny tranohazon’i Peter Whitmer rainytao Fayette, New York. Tao no nandrafetana tamin’ny fomba ôfisialy ny Fiangonana, izay nantsoinataty aoriana tamin’ny alalan’ny fanambarana hoe Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’nyAndro Farany (jereo ny F&F 115:4). Izany dia fotoan-kafaliana, izay nahatsapana betsaka ny Fanahy.Notanterahina ny fanasan’ny Tompo, natao batisa ny mpino, noraisina ny fanomezan’ny FanahyMasina, ary notendrena tao amin’ny fisoronana ny lehilahy. Tamin’ny fanambarana noraisinanandritra ny fivoriana, no nanendren’ny Tompo an’i Joseph Smith ho mpitarika ny Fiangonana: ‘ho

26

mpahita, ho mpandika teny, ho mpaminany, ho apostolin’i Jesoa Kristy, ho loholon’ny fiangonana,noho ny sitrapon’ Andriamanitra Ray sy ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tomponao’ (F&F 21:1). NyFiangonan’i Jesoa Kristy dia tafaorina indray teto ambonin’ny tany” (Enseignements des Présidents del’Église: Joseph Smith [2007], 9–10).

Asao ny mpianatra hamariparitra ny toetra manokana sasany izay itovizan’nyFiangonan’i Jesoa Kristy tafaverina amin’ny laoniny sy ny Fiangonana tamin’nyTestamenta Vaovao.

Hazavao fa rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, dia afakamanampy ny famakiana ny sasin-tenin’ny fizarana. Izany dia manampy amin’nyfahafantarana ny sahan-kevitra ara-tantaran’ny fanambarana. Asao ny mpianatra irayhamaky mafy ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 20. (Mety ho ilainao ny manamarika fa ao amin’ny edisiona 2013ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, dia nampiana tao amin’ny sasin-tenin’ny fizarana ny fampahafantarana ara-tantara sasany izay tsy tafiditra tao amin’nyedisiona 1981.) Asao ny mpianatra iray hafa hamaky mafy ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 20:1–3. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra, ary hitady nyhevi-baovao momba ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara. Anontanio hoe:

• Inona ireo fahamarinana mikasika ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara,izay ampianarina ao amin’ireo andininy ireo? (Iray amin’ireo fotopampianaranaizay mety ho hitan’ireo mpianatra ny hoe: Voantson’ Andriamanitra i JosephSmith ary nodidiany handamina ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

Vakio mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley(1910–2008) ity:

“I Joseph Smith sy ny mpiara-miasa taminy dia nivory tao amin’ny tranohazo tsy nisyhaingony tao amin’ny toeram-piompiana sy fambolen’i Peter Whitmer tao amin’nytanana kelin’i Fayette, New York, ary nanorina ny Fiangonan’i Kristy. …

“Avy tamin’ireo mpikambana enina tany am-piandohana no nitomboan’nyfianakaviamben’ny mpivavaka. … Avy tamin’ny tanana kely tsotsotra no nitomboan’ny

asa lehibe izay mieli-patrana maneran’ny firenena miisa 160 eto an-tany ankehitriny. … Fitomboanatena mahavariana izany. Betsaka kokoa ny mpikamban’ny Fiangonana monina ivelan’ity firenena itynoho ireo monina ao aminy. Izany, koa, dia zavatra tena mahavariana. Tsy nisy fiangonana hafanipoitra avy tamin’ny Amerika izay nitombo haingana kokoa na niely bebe kokoa. … Zava-nitrangatsy mbola nisy tamin’ny tantara izany” (“The Church Goes Forward,” Ensign, mey 2002, 4).

• Inona no zavatra mahavariana anao amin’ny fitombon’ny Fiangonana hainganaamin’ny andro farany?

• Amin’ny maha olon-tsotra antsika, Inona no fomba hanampiana ny Fiangonan’nyTompo mba hitombo hatrany amin’izao fotoana izao?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:17–37, 68–69Ny fotopampianaran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy sy ny adidin’ny mpikambana vitabatisa.Hazavao fa ny fizarana 20 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana diafantatry ny mpikambana teny am-piandohana ho Fanekem-pinoana syFanekempihavanan’ny Fiangonana. Mirakitra torolalana maro avy amin’ny Tompomikasika ny fotopampianaran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy sy ny adidin’ny mpikambana

LESONA 6: NY FIRAFITRY NY FIANGONANA

27

ao aminy io fizarana io. Novakiana mafy tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana tanyam-piandohana sasany ity fanambarana ity.

Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina fa izy ireo dia mpikambana vaovao tao amin’nyFiangonana tamin’ny 1830 ary mikatsaka ny hahafantatra ny zavatra tokony hinoanyamin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy azy ireo. Asao ny antsasakin’nympianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:17–28ary ny antsasany ambiny hamaky ny andininy 29–36, ka hitady ny fotopampianaranaizay zava-dehibe ny fahafantaran’ny mpikambana tsirairay ao amin’ny Fiangonan’nyTompo tafaverina amin’ny laoniny azy. Azonao atao ny manasa azy ireo hanisy marikany zavatra hitany.

Rehefa nomena fotoana ampy ny mpianatra, dia asao izy ireo hizara ny fahamarinanahitany ary hanazava ny antony maha-zava-dehibe ny fahamarinana tsirairay. Azonaoatao ny manoratra ity fahamarinana manaraka ity eo amin’ny solaitrabe: Tamin’nyalalan’ny fanambarana no nanazavan’ny Tompo ny fotopampianarana sy nyfitsipika izay ifotoran’ny filazantsara.

Azonao atao ny manasa ny antsasakin’ny mpianatra mba hamaky nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37, ka hitady ny fepetra takianaamin’ireo izay maniry hatao batisa. Asao ny antsasany ambiny hamaky nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:68–69, ka hitady ny zavatra andrasan’nyTompo amintsika aorian’ny batisantsika. Mariho fa ny torolalana hita ao amin’ireoandininy ireo dia mandrafitra fomba mazava tsara ho an’ny mpikamban’nyFiangonana.

Ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny mpianatra ireto fanontaniana manaraka ireto:

• Inona no zavatra tsy maintsy asehon’ny olona iray alohan’ny hanaovana batisa azy?(Tokony hahita ity manaraka ity ny mpianatra: Alohan’ny tokony hanaovanabatisa ny olona iray, dia tsy maintsy mampiseho izy fa manetry tena,mibebaka, vonona ny hitondra ny anaran’i Jesoa Kristy ary manana nyfiniavana hanompo Azy hatramin’ny farany.)

• Inona no zavatra andrasan’ny Tompo amintsika aorian’ny batisantsika? (Mety hosamy hafa ny valintenin’ireo mpianatra, kanefa tokony ho hitan’izy ireo ity fitsipikamanaraka ity: Aorian’ny batisa dia maneho amin’ny Tompo nyfahamendrehantsika isika amin’ny alalan’ny fandehanantsika sy nyfiresahantsika araka an’ Andriamanitra.

• Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “maneho … fandehanana sy firesahanaaraka an’ Andriamanitra”? (F&F 20:69).

• Nahoana no afaka tonga amin’ny mpikamban’ny Fiangonana izay “[mandeha]amin’ny fahamasinana eo anoloan’ny Tompo” ny fitahiana? (F&F 20:69).

Raha mbola misy ny fotoana, dia manaova fanamarihana amin’ny mpianatra fa nyfotopampianarana sy ny fombafomba ao amin’ny Fiangonana voasoratra ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 20 dia hita ihany koa ao amin’ny Bokin’iMôrmôna, izay manampy antsika hahatakatra fa ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’nyfotoampitantanana rehetra dia mitovy hatrany. Ohatra, ireo fotopampianarana hita aoamin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:17–36 dia hita ihany koa aoamin’ny Bokin’i Môrmôna. Tahaka izany koa, ireo ôrdônansy sy ireo fombafombavoasoratra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:73–80 diavoasoratra ihany koa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

LESONA 6: NY FIRAFITRY NY FIANGONANA

28

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30Ilay “hany Fiangonana velona sady marina”Hazavao fa betsaka ny olona ankehitriny no mino fa ny fiangonana rehetra dia marinaavokoa ary manana zo mitovy eo anatrehan’ Andriamanitra. Teo amin’ny herintaona sytapany teo ho eo taorian’ny nandrafetana Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’nyOlomasin’ny Andro Farany anefa, dia nanome famariparitana manan-danja tokoamikasika ny Fiangonana ny Tompo. Asao ny mpianatra hamaky mangina nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30. Anontanio avy eo hoe:

• Ahoana no namariparitan’ny Tompo ny Fiangonana tafaverina amin’ny laoniny?(Tokony haneho ity fahamarinana manaraka ity ny mpianatra: Ny Fiangonan’iJesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no hany fiangonana marinasady velona eto ambonin’ny tany.)

• Midika inona aminao ny hoe Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’nyAndro Farany no “hany fiangonana marina sady velona” eto ambonin’ny tany?(Alohan’ny fanomezan’ny mpianatra valinteny, dia mety ilaina nyhampahatsiahivanao azy ireo fa ity fotopampianarana ity dia tsy natao mbahahatsapantsika ny tenantsika ho ambonimbony kokoa noho ny hafa.)

Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Henry B. Eyring avy amin’nyFiadidiana Voalohany sy ny Loholona David A. Bednar avy amin’ny Kolejin’nyApôstôly Roambinifolo ity, ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy. Asaivomanaraka ny vakiteny ny mpianatra ambiny, ary hitady ny antony hilazana fa NyFiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ho ilay “hany fiangonanamarina sy velona.”

“Ity no Fiangonana marina, ilay hany Fiangonana marina, satria hita ao aminy nyfanalahidin’ny fisoronana. Ato amin’ity Fiangonana ity ihany no nametrahan’ny Tompony hery mamehy eto an-tany sy mamehy any an-danitra tahaka ny nataony tamin’nyvanim-potoan’ny Apôstôly Petera. Ireo fanalahidy ireo dia naverina tamin’ny laoninytamin’i Joseph Smith, izay nahazo alalana avy eo ny hanome izany ho an’ny

mpikamban’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo” (Henry B. Eyring, “The True and Living Church,”Ensign na Liahona, mey 2008, 20).

“Ny Tompo dia nanambara fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny AndroFarany dia “ilay hany Fiangonana marina sy velona eto ambony tany manontolo’ (F&F1:30). Ity Fiangonana naverina tamin’ny laoniny ity dia marina satria Fiangonan’nyMpamonjy; Izy no ‘lalana sy fahamarinana ary fiainana’ (Jaona 14:6). Ary fiangonanavelona izany satria ahitana ireo fiasa sy fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy Masina”

(David A. Bednar, “Receive the Holy Ghost,” Ensign na Liahona, nôv. 2010, 97).

• Nahoana ireo fahamarinana nolazain’ny Filoha Eyring sy ny Loholona Bednar ireono mampiavaka Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Faranyamin’ny fiangonana hafa rehetra eto an-tany? (Fiangonan’ny Mpamonjy izany,ahitana ireo fiasa sy fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy Masina, ary nyfanalahidin’ny fisoronana dia hita ao aminy. Azonao atao ny manoro hevitra nympianatra ny hanoratany ny sasany amin’ireo hevitra ireo eo amin’ny sisin’nypejin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 1:30.)

LESONA 6: NY FIRAFITRY NY FIANGONANA

29

Hazavao fa ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo diananonona ny teny avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30 arynazavainy avy eo ny antony maha-zava-dehibe an’ity famariparitana ny Fiangonanaavy amin’ Andriamanitra ity. Manasà mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarananataon’ny Filoha Packer ity:

“Raha manalavitra ity fotopampianarana ity ianao, dia tsy afaka hanamarina nyFamerenana amin’ny laoniny. …

“Tsy namorona velively ny fotopampianaran’ilay hany fiangonana marina isika. Avyamin’ny Tompo izany. Na manao ahoana na manao ahoana fandraisan’ny hafa antsika,na dia toa miseho ho mpianjonanjona aza isika, na manao ahoana na manao ahoana

ireo tsikera atao amintsika, dia tsy maintsy mampianatra izany amin’ireo rehetra izay hihaino antsikaisika. …

“Tsy milaza akory isika fa tsy manana fahamarinana ny hafa. Ny Tompo dia nilaza fa izy ireo diamanana “endriky ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra.” Ireo niova fo tamin’ny Fiangonana diaafaka mitondra ny fahamarinana rehetra ananany miaraka aminy ary hampiana eo aminy izany”(“The Only True Church,” Ensign, nôv. 1985, 82).

• Amin’ny fomba ahoana no anazavan’ity fotopampianarana ity bebe kokoa ny filànany Famerenana tamin’ny laoniny?

Asao ny mpianatra hanazava ny fomba ahafahan’ny olona tsirairay mahafantatra hoan’ny tenany manokana fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny AndroFarany dia marina.

Vakitenin’ny Mpianatra• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30; 20:1–3, 17–37, 68–69.

• Henry B. Eyring, “The True and Living Church,” Ensign na Liahona, mey 2008,20–24.

LESONA 6: NY FIRAFITRY NY FIANGONANA

30

7Mitory ilay FilazantsaraMandrakizay

FampidiranaNy Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia mirakitrafanambarana avy amin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny MpaminanyJoseph Smith ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana sasanymanokana, izay manome didy ny mpikambana mba hitory nyfibebahana sy hanangona ny olom-boafidny. Nitombo haingana nyFiangonana rehefa nantsoin’ny Mpaminany Joseph Smith ny

misiônera izay lasa fitaovana teo am-pelantanan’ Andriamanitra.Mandray fitahiana avy amin’ny asa fitoriana ny mpikamban’nyFiangonana ankehitriny rehefa mahafantatra sy manatanteraka nyandraikiny amin’ny fandraisana anjara amin’ny fizarana nyfilazantsara izy ireo.

Vakiteny enti-mandalina• Neil L. Andersen, “Fahagagana izany,” Ensign na Liahona, mey 2013, 77–80.

• L. Tom Perry, “Bring Souls unto Me,” Ensign na Liahona, mey 2009, 109–12.

Sosokevitra Enti-mampianatraFotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:4–7; 33:2–7Miantso mpanompo ny Tompo mba hanampy amin’ny fanangonana ny zananyAsehoy ity fanambarana nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley ity (1910–2008), aryasao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

“Ny asa fitoriana no manome aina ny Fiangonana. Amin’ny alalany no fomba voalohanyhitomboan’ny Fiangonana. Noho io fanompoana io no nahafahan’ny Fiangonana hotonga amin’izao halehibeny izao” (“Missionary Service,” First Worldwide LeadershipTraining Meeting, 11 jan. 2003, 17).

• Araka ny hevitrao manokana, nahoana no afaka lazaina fa “manome aina nyFiangonana” ny asa fitoriana?

Hazavao fa tany am-piandohan’ny Famerenana tamin’ny laoniny, dia matetikamanontany ny Mpaminany ny olon-tokana mba hikatsaka fanambarana ho an’nytenan’izy ireo manokana mba hahafantaran’izy ireo ny fomba handraisany anjaraamin’ny asan’ny Tompo. Indraindray ireo fanambarana ireo dia voaray ho an’ny olon-tokana ary indraindray ho an’ny olona maro. Hazavao fa ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 33 dia ohatra iray mikasika ny fanambarana voaray ho an’nyolona roa: Ezra Thayer (na Thayre) sy i Northrop Sweet.

Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hifandimby hamaky mafy ny ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:2–7. Asaivo manaraka ny vakiteny nympianatra, ka hitady ny teny na andian-teny, na fanoharana ampiasan’ny Tompo izayafaka ampiharina amin’ny anjara asantsika manoloana ny asa fitoriana sy ny teny naandian-teny, na fanoharana izay manantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny fitoriana nyfilazantsara amin’ny andro farany.

• Inona ireo fanoharana nampiasan’ny Tompo? (Rehefa mamaly ny mpianatra diaazonao atao ny manoratra ny valinteniny eny amin’ny solaitrabe.)

31

• Ahoana no hamariparitan’ireo fanoharana ireo ny anjara asantsika manoloana nyasa fitoriana sy ny fanantitranterany ny maha-zava-dehibe ny fitoriana nyfilazantsara?

Asao ny mpianatra handalina tsara ny andininy 6 ary hamantatra ny zavatra tanterakarehefa mitory ny filazantsara amin’ny hafa isika. Rehefa izany dia asaivo milaza nyzavatra hitany amin’ny alalan’ny fiteniny manokana izy ireo. (Mety hampiasa tenysamihafa ny mpianatra, kanefa tokony hahita ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Rehefamitory ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny hafa isika, dia manampy amin’nyfanangonana ny olom-boafidin’ny Tompo. Mety ilaina ny hitantaranao fa taorian’ityfanambarana ity, dia “nameno ny trano fitoeram-biby nananany” tamin’ny olonananiry ny hihaino an’i Joseph Smith sy ny olon-kafa mitory ny filazantsara i EzraThayer [Documents, Boky 1: jolay 1828–jona 1831, boky. 1 ao amin’ireoandian’antontan-taratasy ao amin’ny The Joseph Smith Papers(2013), 206].)

Zarao amin’ny mpianatra ity famaritana ny fanangonana an’i Isiraely manaraka ity izaynataon’ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–85) tao amin’ny Kolejin’ny ApôstôlyRoambinifolo:

“Ny fanangonana an’i Isiraely dia ahitana ny finoana sy ny fanekena ary ny fiainanaaraka ireo zavatra rehetra natolotry ny Tompo ho an’ny vahoaka nofinidiny fahiny. …Izany dia ny finoana ny filazantsara, ny fidirana ho mpikamban’ny Fiangonana, ary nyfanatonana ny fanjakana” (A New Witness for the Articles of Faith [1985], 515).

Asaivo vakian’ny mpianatra iray mafy ity tantara manaraka ity izay mikasika ny sasanyamin’ireo misiônera nantsoina voalohany indrindra taorian’ny nandrafetana nyFiangonana. Asaivo mihaino ny fomba nahafahan’ireo mpitory tany am-boalohanyireo nahita fahombiazana tamin’ny fanangonana ny sasany amin’ny olom-boafidin’nyTompo ny mpianatra.

“[Ny fararanon’ny taona 1830], dia nanambara tamin’i Joseph Smith ny Tompo hoe i Oliver Cowdery,Peter Whitmer zanany, Parley P. Pratt, ary Ziba Peterson dia ‘handeha ho any amin’ny Lamanita aryhitory ny filazantsarako aminy’ (F&F 28:8; 30:5–6; 32:1–3). Ireo misiônera ireo dia nandeha teoamin’ny 2.414 km, ary nitory nandritra ny fotoana fohy tamin’ny foko Indiana isan-karazany. … Nyfahombiazan’ny misiônera lehibe indrindra anefa dia tamin’ny nijanonany tany amin’ny faritr’iKirtland, Ohio. Nanao batisa olona niova fo 130 izy ireo tany, izay avy tao amin’ny fiangonana BatistaNohavaozina izay nosahanin’i Sidney Rigdon ny ankamaroany, ka nisava lalana ny ho lasa toeram-piangonan’ny mpikamban’ny Fiangonana aman-jatony herintaona taty aoriana. Nahita olona niova fosasany izay anisan’ny mpiorim-ponenana tany amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri, ihany koa ireomisiônera, izay nananganana ny tananan’i Ziona taty aoriana” (Enseignements des Présidents del’Église: Joseph Smith [2007], 160; jereo koa ny Richard Dilworth Rust, “A Mission to the Lamanites:D&C 28, 30, 32,” Revelations in Context series, feb. 22, 2013, history.lds.org).

Hazavao fa ireo fiovam-po tany Ohio avaratra ireo dia nampitombo mihoatra ny indroany isan’ny mpikamban’ny Fiangonana tamin’izany fotoana izany.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana29:4–7 ary hijery ny famariparitana iray nomena ny “olom-boafidin’ny Tompo.”

• Ahoana no namaritan’ny Mpamonjy ny olom-boafidiny?

Hazavao amin’ny mpianatra fa ny asan’ireo misiônera voalohany izay nanompoivelan’ny Amerika Avaratra dia ahitana ohatra mahatalanjona ny amin’ny fomba

LESONA 7: MITORY ILAY FILAZANTSARA MANDRAKIZAY

32

ampiasan’ny Tompo ny mpanompony amin’ny fanangonana ny olom-boafidiny.Manasà mpianatra iray hamaky mafy ity famintinana manaraka ity. Asaivo manarakany vakiteny ny mpianatra ka hihaino ny torohevitra nomen’ny Mpaminany JosephSmith an’i Heber C. Kimball (1801–1868).

“Heber C. Kimball, izay mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nahatsiarohoe: ‘Teo amin’ny andro voalohan’ny jona 1837, dia nanatona ahy ny Mpaminany Joseph Smith,nandritra ny fotoana nipetrahako … tao amin’ny Tempoly, tao Kirtland, ary nibitsibitsika tamiko hoe:“Rahalahy Heber, nibitsibitsika tamiko ny Fanahin’ny Tompo hoe: ‘Aoka ny mpanompoko Heberhandeha any Angletera sy hitory ny filazantsara ary hanokatra ny varavaran’ny famonjena ho an’iofirenena io.’”‘ Tsy nampino ny Loholona Kimball ny fieritreretana izany adidy goavana izany:‘Nahatsapa ny tenako fa isan’ny mpanompon’ Andriamanitra bitika indrindra. Nanontaniako i Josephmomba ny zavatra tokony holazaiko rehefa tonga any. Namaly izy fa tokony hanatona ny Tompo ahoary Izy no hitarika ahy, ary hiresaka amiko amin’ny alalan’ilay fanahy izay [notarihany] azy.’

“Ny Mpaminany dia niantso ihany koa an’i Orson Hyde, Willard Richards, Joseph Fielding avy tanyKirtland, ary i Isaac Russell, John Snyder, ary John Goodson avy tany Toronto, Canada. Ireo ralalahyireo dia tokony niaraka tamin’ny Loholola Kimball tamin’ny fitoriana tany Angletera. Taorian’nynifanaovany fotoana tany New York City, dia niainga tamin’ny sambo Garrick nankany GrandeBretagne ny 1 jolay 1837 izy ireo. Ny asa fitoriana voalohany ivelan’ny Amerika Avaratra dianahafahana nanao batisa olona niisa 2.000 tao amin’ny Fiangonana nandritra ny taona voalohanyniasan’ireo misiônera tany Angletera. Nanoratra tamin-kafaliana tamin’ny Mpaminany ny LoholonaKimball hoe: ‘Voninahitra ho an’ Andriamanitra, ry Joseph, miaraka amintsika ny Tompo, etoanivon’ny firenena rehetra!’

“Ny iraka apôstôlika faharoa ho any Grande Bretagne, izay nandraisan’ny ankamaroan’ireompikambana tao amin’ny Roambinifolo anjara teo ambany fitarihan’i Brigham Young, dianotantanan’ny Mpaminany avy tany Nauvoo. Niainga tamin’ny fararanon’ny taona 1839 nyRoambinifololahy ary tonga tany Angletera ny taona 1840. Tany no nanomboka niasan’izy ireo, aryhatramin’ny 1841 dia nitondra olona niova fo nihoatra ny 6.000 tao amin’ny Fiangonana izy ireo”(Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith, 351, 354).

• Inona no torohevitra azon’i Heber C. Kimball avy tamin’ny Mpaminany JosephSmith?

• Miresaha fotoana iray izay niainanao ny fanampian’ny Tompo anao tamin’ny ezakanataonao tamin’ny fizarana ny filazantsara.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:1–7; 18:10–16; 31:1–12; 34:5–6;39:20–23; 88:81Ireo izay nampitandremana dia tokony hampitandrina ny namanyHazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia mampahatsiahy hatranyhatrany ny mpikamban’ny Fiangonana momba ny andraikitra sy ny fitahiana avyamin’ny fandraisana anjara amin’ny asa fitoriana. Ny andraikitsika amin’ny fizarana nyfilazantsara amin’ny hafa dia maodely sy lohahevitra miverimberina ao amin’ireofanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Nyfianarana mamantatra ny maodely sy lohahevitra dia mahatonga ny mpamaky hivokymisimisy kokoa amin’ny tenin’i Kristy (jereo ny David A. Bednar, “A Reservoir ofLiving Water” [Takariva amorom-patan’ny Oniversite Brigham Young, 4 feb. 2007],speeches.byu.edu).

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana88:81 ary hamintina amin’ny teniny manokana ny fomba izay iantefan’izany amin’nympikamban’ny Fiangonana ankehitriny. (Ny valinteny iray mety homen’ny mpianatra

LESONA 7: MITORY ILAY FILAZANTSARA MANDRAKIZAY

33

dia ny hoe ireo rehetra izay nanaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mananaandraikitra ny hizara izany amin’ny hafa.)

Asehoy ity tabilao manaraka ity, na adikao eny amin’ny solaitrabeizany. Zarao hovondrona telo ny mpianatra ary omeo anjara iray amin’ireto andinin-tsoratra masinaireto ny vondrona tsirairay. Asao ny mpianatra hamaky ny andinin-tsoratra masinanomena azy ka hitady ny andraikitra sy fitahiana nampanantenana amin’ny fizarana nyfilazantsara.

Andraikitra Fitahiana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:1–7

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–16

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31:1–12

Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra, dia asao izy ireo hizara ny zavatrahitany amin’ny mpianatra hafa.

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Loholona David A. Bednar avy ao amin’nyKôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary miangavia mpianatra iray hamaky izanymafy: Asaivo mihaino ny famariparitan’ny Loholona Bednar ny andraikitsikamanokana amin’ny fitoriana ny filazantsara ny mpianatra ambiny.

“Hatrizay ireo mpianatr’i Jesoa Kristy feno fanolorantena dia misiônera mazoto hatranyary ho toy izany foana rahatrizay. Ny misiônera dia mpanara-dia an’i Kristy izay mijoroho vavolombelona ny amin’ny maha-Mpanavotra Azy sy manambara ireofahamarinan’ny Filazantsarany.

“Hatrizay ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia fiangonana mitory ny filazantsara ary ho toyizany foana rahatrizay. Ireo mpikambana tsirairay ao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy dia nanaikyilay andraikitra sarobidy hanampy amin’ny fanatanterahana ilay fanendrena avy amin’ Andriamanitranomen’ny Tompo ireo Apôstôliny, araka ny voasoratra ao amin’ny Testamenta Vaovao:

“‘Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’nyanaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina:

“‘Sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareomandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao. Amena’ (Matio 28:19–20).

“Manan-danja lehibe ho an’ireo Olomasin’ny Andro Farany io andraikitra io, dia ny hampianatra nyolona rehetra momba an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny. …

“Eny tokoa, mahatsapa ho manana andraikitra goavana izahay ny hitondra ity hafatra ity ho anyamin’ny firenena, ny foko sy ny samy hafa fiteny ary ny mponina rehetra” (“Avia fa ho hitanareo,”Ensign na Liahona, nôv. 2014, 107).

• Nahoana ny mpikamban’ny Fiangonan’ny Mpamonjy no tokony handray ny asafitoriana ho andraikitra sarobidy?

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Loholona L. Tom Perry avy ao amin’ny Kôlejin’nyApôstôly Roambinifolo ity, ary miangavia mpianatra iray hamaky izany mafy: Asaivomanaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hisaintsaina ny antony tokony hiheveran’izyireo ny ho mpizara ny filazantsara mazoto kokoa.

LESONA 7: MITORY ILAY FILAZANTSARA MANDRAKIZAY

34

“Mifototra amin’ny Sorompanavotan’ny Tompo sy Mpamonjy ny filazantsara. NySorompanavotana dia mitondra hery mba hanadiovana ny fahotana, mba hanasitrananaary mba handraisana fiainana mandrakizay. Ireo izay miaina ny fitsipika sy mandray nyôrdônansin’ny filazantsara—finoana an’i Jesoa Kristy, fibebahana, batisa, fandraisanany Fanahy Masina, sy faharetana hatramin’ny farany ihany no afaka omena ireo

fitahiana tsy azo saintsainina avy amin’ny Sorompanavotana. Ny hafatra fitoriana lehibe omentsikaan’izao tontolo izao dia ny hoe asaina ny olombelona rehetra mba ho avotra sy hiditra ao amin’nyvalan’ny Mpiandry Ondry Tsara, dia i Jesoa Kristy izany.

“Ny hafatra fitoriana lehibe omentsika dia mandray hery avy amin’ny fahafantarana ny Famerenanaamin’ny laoniny. Fantatsika fa Andriamanitra dia miresaka amin’ny Mpaminaniny ankehitriny, tahakany tamin’ny fotoana fahiny. Fantatsika koa fa ny Filazantsarany dia tantanina amin’ny alalan’ny herysy fahefan’ny fisoronana tafaverina amin’ny laoniny. Tsy misy hafatra hafa ho an’ny olona eto an-tanyankehitriny izay manan-danja mandrakizay noho io hafatra io” (“Bring Souls unto Me,” Ensign naLiahona, mey 2009, 110–11).

• Nahoana araka ny hevitrao no tokony hihamazoto bebe kokoa ny tsirairay amin’nyfizarana ny filazantsara? (Ny valinteny dia tokony hahitana ity manaraka ity:Rehefa mizara ny filazantsara amin’ny hafa isika, dia manome azy ireofahafahana handray ny fitahian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.)

Asao ny mpianatra handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 34:5–6;39:20–23, ka hitady antony manan-danja iray hafa nandidian’ny Tompo hizara nyhafatry ny filazantsara amin’ny hafa. (Mety ho samihafa ny teny hampiasan’nympianatra, kanefa tokony hahita ity fahamarinana manaraka ity izy ireo: Rehefamizara ny hafatry ny filazantsara amin’ny hafa isika, dia manampy azy ireohiomana ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.)

• Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ny maha-zava-dehibemandrakizay ny filazantsara manampy anao mba hazoto kokoa amin’ny fizaranaizany amin’ny olona hafa tsy mitovy finoana amintsika?

• Mitantarà traikefa iray izay niainanao mikasika ny fizarana ny filazantsara amin’nyhafa.

Omeo minitra vitsivitsy ny mpianatra mba hisaintsaina sy hanoratra ny zavatra afakaataony amin’ny fandraisana anjara amin’ny fizarana ny filazantsara. Azony atao,ohatra, ny manoratra ny anaran’ny olona iray fantany izay tsy mpikamban’nyFiangonana ankehitriny ary mandray fanapahan-kevitra ny hizara ny filazantsaraamin’io olona io. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra kasainy hatao.Amporisiho ny mpianatra hampihatra ny fitsapana voarainy ary hivavaka isan’andro hoan’ny fahafahana ny hizara ny filazantsara amin’ny hafa.

Vakitenin’ny Mpianatra• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:1–7; 18:10–16; 29:4–7; 31:1–12; 33:2–7;

34:5–6; 39:20–23; 88:81.

• Neil L. Andersen, “Fahagagana izany,” Ensign na Liahona, mey 2013, 77–80.

LESONA 7: MITORY ILAY FILAZANTSARA MANDRAKIZAY

35

8 Ny Fanangonana an’i Isiraelyamin’ny Andro Farany

FampidiranaTao anatin’ny herin-taona nananganana ny Fiangonana, dianandidy ireo Olomasina ny Tompo mba hiangona ao amin’ny faritr’iOhio (jereo ny F&F 37:3). Nanomboka tamin’izany fotoana izany,dia niangona tamin’ny toerana samihafa ireo Olomasina rehefanikatsaka ny hanaraka ny mpaminany velona sy hanorina toerana

azo antoka mba honenany. Ao amin’ity lesona ity ireo mpianatradia hahita fa manangona ny vahoakany mba hampatanjahana azyireo sy hanomanana azy ireo handray fitahiana lehibe kokoa nyTompo, anisan’izany ireo fitahiana avy amin’ny tempoly (jereo nyF&F 84:4).

Vakiteny enti-mandalina• Russell M. Nelson, “The Gathering of Scattered Israel,” Ensign na Liahona, nôv.

2006, 79–82.

Sosokevitra Enti-mampianatraFotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:31–33; 39:15; 95:8; 110:9Antso mba hiangona any OhioAsehoy ny sarintany “Ny faritr’i New York, Pennsylvanie ary Ohio any Etazonia”(Sarintanin’ny Tantaran’ny Fiangonana, lah. 3), hita ao amin’ny faran’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana na sarintany hafa maneho io faritra io.

Asao ireo mpianatra hitady ireo toerana ankapobeny nisehoan’ireto zava-nitrangatamin’ny Famerenana amin’ny laoniny ireto: Ny Fahitana Voalohany (Manchester,New York), ny famerenana amin’ny laoniny ny fisoronana (Harmony, Pennsylvanie),ary ny fananganana ny Fiangonana (Fayette, New York).

Avy eo dia mangataha mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy iretofanambarana manaraka ireto:

“I Sidney Rigdon, izay mpitandrina teo aloha ka nanjary niova fo tao amin’ny faritr’i Kirtland, synamana iray tsy mpikambana atao hoe Edward Partridge dia naniry fatratra ny hihaona amin’nympaminany ka hianatra misimisy kokoa momba ireo fampianaran’ny fiangonana. Tamin’ny volanadesambra 1830 dia nandeha nihoatra ny [400 km] ho any Fayette, New York, izy ireo mba hitsidikaan’i Joseph Smith. Nangataka azy mba hikatsaka ny sitrapon’ny Tompo mikasika azy ireo sy nyOlomasina ao Kirtland izy ireo. Ho valin’izany, dia nambaran’ny Tompo fa ny Olomasina ao New York

36

dia tokony ‘hiara-hitambatra ao Ohio’ (F&F 37:3). Tamin’ny fihaonamben’ny fiangonana fahatelo sadyfarany tao New York, izay natao tao amin’ny toeram-piompiana sy fambolen’i Whitmer tamin’ny 2Janoary 1831, dia naverin’ny Tompo ho an’ny mpikambana ny torolalana nomeny [dia nyhifindran’ireo mpikamban’ny Fiangonana ho any Ohio]. … Izany no antso voalohany ho an’nyOlomasina mba hiaraka hiangona amin’izao fotoampitantanana izao. …

“… Mpikambana avy any Colesville miisa 68 no nanainga ho any Ohio tamin’ny tapaky ny volanaAprily 1831. Olomasina 80 avy any amin’ny sampana tao Fayette sy 50 avy ao amin’ny sampana aoManchester no samy nankatò ny didin’ny Tompo, ka nandao ny toeram-ponenany tamin’nyfiandohan’ny volana Mey 1831. … Talohan’ny tapaky ny volana Mey, ny sampan’ny fiangonana avyany New York dia afaka nandeha sambo namakivaky ny farihin’i Erie ho any Fairport Harbor, Ohio,izay toerana nifankahitany tamin’ny Olomasina namany ka nitondrana azy tany amin’ny fiantsonanatany Kirtland sy tany Thompson. Nanomboka teo ny fanangonana lehibe natao tamin’ny Isiraelin’nyandro farany” (Ny Lovantsika: Tantara Fohy mikasika Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’nyOlomasin’ny Andro Farany [1996], 21–23).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana38:31–33. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ireo fomba izay honitahiana ireo Olomasina raha nankatò ilay didy hiangona tany Ohio izy ireo. Tokonyhahita fitahiana efatra ny mpianatra: (1) “mba [ho afaka hiala] ny herin’ny fahavalo”izy ireo; (2) “hangonina [ao amin’ Andriamanitra] ho vahoaka marina” izy ireo;(3) omena ny didin’ Andriamanitra izy ireo; ary (4) “[hotafiana] amin-kery avy anyambony” izy ireo. Azonao atao ny manoro hevitra ny mba hitanisan’ireo mpianatraireo fitahiana efatra ireo ao anatin’ny soratra masin’izy ireo. (Fanamarihana: Nyfitadiavana lisitra ao amin’ny soratra masina dia manampy ireo mpianatra hamantatraireo hevitra manan-danja izay antintranterin’ny Tompo na ny mpaminany.)

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Manangona ny olony nyTompo mba hiarovana azy ireo sy hampatanjahana azy ireo ara-panahy. Azonaoatao ny manamarika fa ao amin’ny soratra masina, dia matetika mifandray amin’nyfiarovana ny fotopampianaran’ny fanangonana. “Ny fifampifandraisana diafampikambanana na fitohizan’ny hevitra, olona, zavatra na trangan-javatra, ary nysoratra masina dia feno fifampifandraisana” (David A. Bednar, “A Reservoir of LivingWater” (takariva amorom-patana tao Brigham Young University, feb. 4, 2007), 4,speeches.byu.edu).

Hazavao fa tahaka ny nitondran’ny Tompo an’i Isiraely tany amin’ny TendrombohitraSinay sy nanomezany azy ireo ny lalàny, dia toy izany no nanomezany torolalana ireoOlomasin’ny Andro Farany mba hiangona ao Ohio mba hahafahan’izy ireo mandrayny lalàny amin’ity fotoampitantanana ity (jereo ny F&F 38:32). Tao Ohio, diananomboka nanambara ny lalàny ho an’ny Fiangonana ny Tompo (jereo ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny F&F 42). Anontanio avy eo hoe:

• Ahoana no hahatonga anao ho voaro amin’ny herin’i Satana rehefa miangonamiaraka amin’ireo izay mitovy finoana sy fenitra aminao ianao?

• Ahoana no hampatanjahana antsika ara-panahy rehefa mahazo ireo lalàn’Andriamanitra?

• Inona araka ny eritreritrao no hevitry ny hoe ireo Olomasina ao Ohio dia“[hotafiana] amin-kery avy any ambony.”

Hazavao fa ilay fitahiana nampanantenaina hoe “[hotafiana] amin-kery avy anyambony” dia nanomboka tanteraka rehefa vita ny Tempolin’i Kirtland dimy taonataorian’ny niangonan’ireo Olomasina tao Ohio. Nisy iraka avy any an-danitra

LESONA 8: NY FANANGONANA AN’I ISIRAELY AMIN’NY ANDRO FARANY

37

namangy ilay tempoly voaorina mba hamerina tamin’i Joseph Smith sy i OliverCowdery ireo fanalahidy sy fahefana izay ilaina mba hanatanterahana ireo ôrdônansymasina. Nirotsaka tamim-pahafenoana teo amin’ny Olomasina maro ny fisehoana ara-panahy tamin’ny fotoana nanokanana ny tempoly. Ary nisy Olomasina vitsivitsynandray ny fidiovana sy ny fanosorana tao amin’ny tempoly. Taona vitsivitsy tatyaoriana tao Nauvoo, dia mbola niampy ny fahatanterahan’ilay fampanantenana hoe hovoatafy amin-kery rehefa nampahafantarina ireo Olomasina ireo ôrdônansin’nyfanafiana masina any amin’ny tempoly. Asehoy ity fanambarana nomena tao Nauvooity izay nataon’ny Mpaminany Joseph Smith, ary asao ny mpianatra iray hamaky izanymafy:

“Inona no antony nanangonana ny … vahoakan’ Andriamanitra amin’ny vanim-potoana rehetra an’izao tontolo izao? … Ny antony lehibe indrindra dia ny hanorenanatrano ho an’ny Tompo izay hahafahany manambara amin’ny vahoakany ireoôrdônansin’ny tranony sy ireo voninahitry ny fanjakany, sy ampianarana ny vahoakanyny fomba hahazoana famonjena” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph

Smith [2007], 447).

• Inona avy ireo fomba hitanao fa nitahian’ Andriamanitra ireo Olomasina rehefaniangona izy ireo sy nanorina tempoly araka izay efa nitarihan’ Andriamanitra azyireo?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:62–67Mamariparitra ilay Jerosalema Vaovao, na Ziona ny TompoHazavao fa tsy ela taorian’ny niangonan’ireo Olomasina avy any New York ho aoOhio, dia maro ny lahatsoratra an-gazety sy sihosihon-dresaka diso izay nanaratsy synanoso-potaka ny Fiangonana. Nandritra izany fotoana izany, ny Mpaminany JosephSmith dia nandray fanambarana momba ny toerana izay voatondro ho toerana fenofiadanana sy fandriam-pahalemana.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana45:62–67. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra sady mitady ireo tanjon’nyTompo tamin’ny nandidiany ireo Olomasina mba hiaraka hivory mankany amin’ny“tany andrefana” (F&F 45:64). Apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

• Inona no nolazain’ny Tompo fa “[efa] eo am-baravaranareo aza”? Midika inonaaminao ny andian-teny hoe “[efa] eo am-baravaranareo aza”?

• Inona no tian’ny Tompo hataon’ireo Olomasina rehefa niaraka nivory nankanyamin’ny tany andrefana izy ireo?

• Nahoana izy ireo no nasaina nanangona ny hareny? (Hazavao fa ny teny hoe lovadia milaza ny tany hovidian’izy ireo izay ahafahan’izy ireo mitoetra sy mitsaoka nyTompo.)

• Inona no anarana hiantsoana ny tany lovan’ny Olomasina?

Hazavao fa ao amin’ny soratra masina, ny teny hoe Ziona dia mety manana hevinymaro. Indraindray ilay teny dia entina ilazana ny vahoakan’i Ziona ary mamaritra azyireo ho “ny madio am-po” (F&F 97:21). Any an-kafa indray ny hoe Ziona dia entinailazana ny Fiangonana sy ireo tsatòka ao aminy (jereo ny F&F 82:14). Mety mamaritratoerana manokana koa ny teny hoe Ziona. Ao amin’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 45:66–67, ny hoe Ziona dia milaza tanàna iray tena misy izayhaorin’ireo Olomasina sy hiangonan’izy ireo, indraindray izy io dia antsoina hoe

LESONA 8: NY FANANGONANA AN’I ISIRAELY AMIN’NY ANDRO FARANY

38

Jerosalema Vaovao (jereo koa ny 3 Nefia 20:22; 21:23; Etera 13:1–8; Bible Dictionary,“Zion”). Mifanakaloza hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto:

• Ahoana no namaritan’ny Tompo an’i Jerosalema Vaovao na i Ziona? (Tokony hahitaireto fotopampianarana ireto ireo mpianatra: Ilay Jerosalema Vaovao dia hotoerana feno fiadanana, fialofana ary fiarovana, ary ho ao ny voninahitry nyTompo.)

• Inona avy ireo fomba izay nahazoanao fandriam-pahalemana sy fiadanana taoZiona noho ny maha-mpikamban’ny Fiangonana anao?

Hazavao fa teo am-pamaranana ny fihaonamben’ny Fiangonana fahefatra, izay nataotamin’ny volana Jona 1831, tany Kirtland, Ohio, dia nodidian’ny Tompo i Joseph Smithsy ireo loholona hafa mba handeha tsiroaroa hanao dia teo ho eo amin’ny 1.450kilometatra teo ho any Missouri, mba hitory ny filazantsara ombieny ombieny (jereo nyfamintinana ny andininy ho an’ny F&F 52, ). Taorian’ny nahatongavany, dia nandrayfanambarana ny Mpaminany izay nanondro an’i Missouri ho “tanin’nyfampanantenana sy toeran’ny tanànan’i Ziona” ary i Independance, Missouri novoatondro ho ilay “toerana afovoany” (F&F 57:1–3). Roa taona taty aoriana diaOlomasin’ny Andro Farany an’arivony maro izay naniry mafy ny hanorina an’i Zionano nifindra ho any amin’ny Fivondronan’i Jackson any amin’ny faritr’i Missouri. Indrisyanefa, fa niseho ny fifandirana teo amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana sy ireomponina hafa tao amin’ilay faritra ary nony farany dia nivadika ho herisetra ny toe-draharaha. Noterena handao ny fonenany tao amin’ny Fivondronan’i Jackson nyvolana Nôvambra sy Desambra 1833 ireo Olomasina.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:5–6Ankehitriny ny vahoakan’ Andriamanitra dia miangona ao amin’ireo tsatòkan’i ZionaMba hanehoana ireo ezaka nataon’ny Olomasina mba hiangona ho any amin’nytoerana hafa feno fandriam-pahalemana sy fiadanana, dia asehoy ny sarintany “Nydian’ny Fiangonana miankandrefana” (Sarintanin’ny Tantaran’ny Fiangonana, lah. 6),izay hita any amin’ny faran’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Hazavao fa tamin’ny farany ireo Olomasina dia voatery nandao an’i Kirtland, Ohio, syireo toerana tany andrefan’i Missouri. Nanomboka niangona tany Nauvoo, Illinois, ireoOlomasina tamin’ny taona 1839 ary tany no nanorenan’izy ireo tanàna iray lehibe.Kanefa fotoana fohy taorian’ny nahafatesan’ny Mpaminany Joseph Smith, dia voaterynandao ny fonenany indray ireo mpikamban’ny Fiangonana. Nifindra ho any amin’nyMontagnes Rocheuses izy ireo ary nanorim-ponenana nanerana ny faritra Avaratraatsinanan’i Amerika ary nanorina ny foiben’ny Fiangonana tao Salt Lake City.

LESONA 8: NY FANANGONANA AN’I ISIRAELY AMIN’NY ANDRO FARANY

39

Asao hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:5–6 ireo mpianatra.Anontanio avy eo hoe:

• Araka ireo andinin-tsoratra masina ireo, inona avy ireo fitahiana izayampanantenaina an’ireo izay miangona ao amin’ny tsatòkan’i Ziona? (Tokonyhahitana ireto fahamarinana manaraka ireto ny valiny: Miangona ao amin’nytsatòkan’i Ziona isika mba hahazoana fiarovana sy fialofana tsy ho azon’nyratsy.)

• Inona avy ireo fomba mety hanomezan’i Ziona fiarovana sy fialofana ho an’ireompikamban’ny Fiangonana any amin’ny tanindrazan’izy ireo?

• Oviana ianao no nahatsapa hery sy fiarovana rehefa niangona niaraka tamin’ireoOlomasina tao amin’ny paroasy na ny sampana misy anao?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa hoe inona ankehitriny nodikan’ny hoe miangona any amin’ireo tsatòkan’i Ziona ho an’ireo mpikamban’nyFiangonana, dia asehoy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny LoholonaDallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary asao ny mpianatrairay hamaky azy mafy:

“Nandritra ireo taona voalohany amin’ity fotoampitantanana ity, dia toerana maro anyEtazonia no voakasika amin’ny fanangonana ho ao Ziona: Kirtland, Missouri, Nauvooary eo an-tampon-tendrombohitra. Izy ireny dia fanangonana ho eo amin’ny toeranaizay hanorenana tempoly. Amin’ny fisian’ny fananganana tsatòka maro sy nyfanorenana tempoly maro any amin’ny ankamaroan’ny firenena izay misy

mpikamban’ny Fiangonana maro an’isa, dia tsy ny miangona ho amin’ny toerana iray no didy omenaankehitriny fa ny miangona ho any amin’ireo tsatòka ao amin’ny firenentsika. Any no ahafahan’ireomahatoky migoka ireo fitahiana fenon’ny mandrakizay ao amin’ny tranon’ny Tompo. … Toy izany nomahatonga ireo tsatòkan’i Ziona ho ‘fiarovana sy fialofana amin’ny tafio-drivotra, sy amin’nyfisafoahana, rehefa haidina tsy misy fangarony amin’ny tany manontolo izany’ (F&F 115:6)”(“Preparation for the Second Coming,” Ensign na Liahona, mey 2004, 8).

Asao ny mpianatra iray hamaky ity filazana manaraka ity izay nataon’ny FilohaSpencer W. Kimball (1895–1985):

“Ny fanangonana an’i Isiraely dia ny fidirana ho mpikambana ao amin’ny fiangonanamarina sy ny fahafantarany ilay Andriamanitra marina. … Na iza na iza, noho izany, nonanaiky ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, ary mitady ny hitsaoka ny Tompoamin’ny fiteniny manokana sy miaraka amin’ireo Olomasina any amin’ny firenena misyazy amin’izao fotoana izao, dia efa nanaraka ny lalàn’ny fanangonana an’i Isiraely ary

izy dia mpandova ireo fitahiana nampanantenaina an’ireo Olomasina amin’izao andro farany izao”(The Teachings of Spencer W. Kimball, ed. Edward L. Kimball [1982], 439). 439).

• Inona no hitanao fa nitranga tamin’ny isan’ny tempoly izay naorin’ny Fiangonananandritra ny androm-piainanao?

• Ahoana no nitahiana anao noho ny maha-mpikambana anao ao amin’ny tsatòkana distrikan’i Ziona? Ahoana no nitahian’ny tempoly masina anao?

Farano ny lesona amin’ny fangatahana ireo mpianatra mba hieritreritra hoe inona noafaka ataon’izy ireo mba hanampiana ny hafa handray ny fiarovana sy hery ara-panahyizay azo amin’ny fandraisana anjara amim-pahatokiana ao amin’ireo tsatòkan’i Ziona

LESONA 8: NY FANANGONANA AN’I ISIRAELY AMIN’NY ANDRO FARANY

40

sy amin’ny fandehanana any amin’ny tempoly. Asao ireo mpianatra hanaraka ireobitsiky ny Fanahy Masina izay mety ho voarain’izy ireo.

Vakitenin’ny Mpianatra• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37:1–3; 38:31–33; 39:15; 45:62–67; 95:8;

110:9; 115:5–6.

• Russell M. Nelson, “The Gathering of Scattered Israel,” Ensign na Liahona, nôv.2006, 79–82.

LESONA 8: NY FANANGONANA AN’I ISIRAELY AMIN’NY ANDRO FARANY

41

9 Manaraka ny MpaminanyVelona

FampidiranaTamin’ny andro nananganana ny Fiangonana, dia nampanantenafiarovana ara-panahy ho an’ireo izay mampandry sofina amin’nytenin’ny mpaminaniny ny Tompo (jereo ny F&F 21:4–6). Fotoanafohy taorian’izay, mba hanampiana ireo mpikamban’ny Fiangonanahiala amin’ny famitahana, dia nanambara ihany koa ny Tompo fa

ny mpaminany ihany no nahazo lalana handray fanambarana hoan’ny Fiangonana manontolo (jereo ny F&F 28:1–7). Manana nyfahefana hanazava ny soratra masina ihany koa ny mpaminany. Nyfahatakarana ireo fahamarinana ireo dia mitondra fiarovana ara-panahy fanampiny amin’izao andro farany izao.

Vakiteny enti-mandalina• Russell M. Nelson, “Fanohanana ireo mpaminany,” Ensign na Liahona, nôv.

2014, 74–77.

• Kevin R. Duncan, “Our very survival”, speeches.byu.edu Ensign na Liahona nôv.2010, 34–36.

Sosokevitra Enti-mampianatraFotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:1–6Mampandria sofina amin’ireo tenin’ny mpaminanyAnontanio ireo mpianatra hoe inona avy ireo anarana entintsika hiantsoana nyFilohan’ny Fiangonana indraindray. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireompianatra. Avy eo asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 21:1 ary manaraka ny vakiteny kosa ireo mpianatra ambiny.Tanisao eny amin’ny solaitrabe izay mety ho anarana fiantsoana fanampiny. Anontanioavy eo hoe:

• Amin’ny fomba ahoana no hamariparitan’ny anarana fiantsoana tsirairay aoamin’io andinin-tsoratra masina io ny asan’ny Filohan’ny Fiangonana?

Ampio ireo mpianatra hahatakatra ny toe-javatra nisy tao amin’ny Fotopampianaranasy Fanekempihavanana 21 amin’ny fanazavana fa ny fanambarana izay voarakitra aodia nomena tamin’ny andro nananganana ny Fiangonana. (Fanamarihana: Rehefamianatra ny mahatakatra ny toe-javatra misy ao amin’ny soratra masina iray nympianatra, dia mora amin’izy ireo kokoa ny mahatakatra ny hevitra sy ny maha-zava-dehibe ny zavatra vakiany.) Anontanio avy eo hoe:

• Nahoana no ho zava-dehibe ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana taloha nymahafantatra fa ny antson’i Joseph Smith amin’ny maha-mpaminany azy dia misyfahasamihafana lehibe raha miohatra amin’ny anjara asan’ireo mpitarika anyamin’ny fiangonana hafa?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana21:4–5 ary ireo mpianatra kosa dia manaraka ny vakiteny. Avy eo dia mifanakalozahevitra momba izao manaraka izao:

• Nahoana no mila faharetana sy finoana indraindray ny mampandry sofina amin’nytorohevitry ny mpaminany?

Raha ilaina, dia azonao atao ny mizara amin’ireo mpianatra ity teny manaraka ity izaynataon’ny Filoha Harold B. Lee (1899–1973):

42

“Tsy maintsy mianatra mampandry sofina amin’ireo teny sy didy izay homen’ny Tompoamin’ny alalan’ny mpaminany isika. … Mety tsy ho tianareo ny zavatra lazain’ireomanam-pahefana ambonin’ny Fiangonana. Mety hifanohitra amin’ny fomba fijerinaoara-pôlitika izany. Mety hifanohitra amin’ny fomba fijerinareo ara-piaraha-monina izany.Mety hanelingelina ny sasany amin’ny fiainanareo ara-piaraha-monina izany. Kanefa

raha mihaino ireo zavatra ireo ianareo, toy ny hoe avy amin’ny vavan’ny Tompo mihitsy izany, amim-paharetana sy am-pinoana, ny fampanantenana dia hoe ‘tsy haharesy anareo ny vavahadin’ny helo;… ary ny Tompo Andriamanitra dia hampihahaka ny herin’ny maizina eo anoloanareo, aryhampihozongozona ny lanitra mba ho soa ho anareo sy ho voninahitry ny anarany’ (F&F 21:6)”(Enseignements des Présidents de l’Église: Harold B. Lee [2000], 84)

Arakaraky ny bitsiky ny Fanahy Masina, dia azonao atao ny manazava izao manarakaizao:

1. Amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany antsika, dia tsy mino isika hoe olonatonga lafatra ny mpaminany. Na izany aza, ny Tompo dia tsy hamela azy ireo naoviana na oviana hitarika ny Fiangonana haniasia (jereo ny Filazana Ôfisialy 1,“Ampahany amin’ny Fandraisam-pitenenana Telo nataon’ny Filoha WilfordWoodruff mikasika ny Manifesto”).

2. Mino sy mifaly amin’ny fitohizan’ny fanambarana isika. Nisy fotoana tao amin’nytantaran’ny Fiangonana izay nanazavan’ny mpaminany iray torohevitra araka nyfaminaniana teo aloha na nahitan’ny mpaminany iray fampianarana na fombafanao izay nekena amin’ny ankapobeny taloha kanefa taty aoriana dia nila novaina.Ohatra, tamin’ny fiatombohan’ny Fiangonana dia namporisihana ireo mpikambanamba hiangona ho amin’ny foiben-toerana iray, toa an’i Kirtland, Ohio, na nyFivondronan’i Jackson, Missouri. Ankehitriny, ireo mpikamban’ny Fiangonana diaamporisihina hiangona ao amin’ny tsatòkany na ny distrikany eny an-toerana.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana21:6. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra sady mitady ilay fampanantenananomena ireo izay mampandry sofina amin’ny tenin’ny mpaminany. Afaka asainaoasian’ireo mpianatra marika ireo zavatra hitany. Anontanio avy eo hoe:

• Ahoana no hamintinanao ireo fampanantenana nomena ireo izay mihaino nytenin’ny mpaminany? (Mety ho amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatraizany, kanefa tokony hilaza ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Raha mihaino nytenin’ny mpaminany isika dia ho voaro amin’ilay fahavalo. Rehefa mamalyireo mpianatra, dia azonao atao ny manazava fa ny dikan’ny hoe mampihozongozonadia manaisotra na mamaha zavatra iray tsy ho eo amin’ny fitoerany na ny fasianaazy. Noho izany, azo adika toy izao ny andininy 6 hoe rehefa mihozongozona nylanitra “mba ho soa ho [antsika],” dia “vahana” ireo fitahiana ka arotsakaamintsika.)

Asehoy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Henry B. Eyring aoamin’ny Fiadidiana Voalohany, ary mangataha mpianatra iray mba hamaky izany mafy:

“Mitombina ho an’ireo izay manam-pinoana matanjaka ny fitadiavana ilay lalanaahitana fiarovana ao anatin’ny torohevitr’ireo mpaminany. Rehefa miteny nympaminany iray dia mety mieritreritra ireo izay kely finoana fa mihaino lehilahy irayhendry fotsiny izay manolotra torohevitra tsara izy ireo. …

“… Kanefa ny fisafidianana ny tsy hanaiky ireo torohevitra nomena tamin’nyfaminaniana dia manova tanteraka ny faritra ijoroantsika. Lasa mampidi-doza kokoa izany. Ny tsy

LESONA 9: MANARAKA NY MPAMINANY VELONA

43

fanekena ny torohevitra nomena tamin’ny faminaniana dia mampihena ny herintsika handraytorohevitra nentanim-panahy amin’ny ho avy” (“Finding Safety in Counsel,” Ensign, mey 1997, 25).

• Nahoana ny “faritra ijoroantsika” no ho lasa “mampidi-doza kokoa” raha toa isikaka mandà ny torohevitr’ireo mpaminany? Inona no ohatra maneho fa marinaizany?

• Oviana ianao na ny olona iray fantatrao no voatahy noho ny fampandriana sofinatamin’ny torohevitry ny mpaminany velona?

• Amin’ny fomba ahoana no hiharan’ilay fitsipika hoe mihaino ny torohevitranomena tamin’ny faminaniana amin’ireo fanontaniana ara-pivavahana sy ara-pitondrantena ary ara-piarahamonina amin’izao androntsika izao?

Amporisiho ireo mpianatra hisaintsaina ny zavatra tsy maintsy ataon’izy ireo mbahangatahana ireo fitahiana nampanantenaina ao amin’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 21:6. Omeo toky izy ireo fa rehefa mihaino amim-pahazotoanany tenin’ny mpaminany izy ireo dia hahazo fitahiana lehibe maro amin’izao fotoanaizao sy amin’ny mandrakizay. Hazavao fa ny fihainoana ny torohevitr’ireo mpaminanydia tsy midika hoe mankatò an-jambany ny teniny isika.

Vakio ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Harold B. Lee:

“Tsy ampy ho antsika Olomasin’ny Andro Farany ny manaraka ireo mpitarika antsika symanaiky ireo toroheviny, fa manana andraikitra lehibe kokoa isika ny hahazo ho antsikamanokana ny fijoroana ho vavolombelona tsy voahozongozona momba ny antso avyamin’ Andriamanitra azon’ireo lehilahy ireo sy ny tenivavolombelona fa izay nolazain’izyireo tamintsika dia sitrapon’ny Raintsika any An-danitra” (Enseignements des Présidents

de l’Église: Harold B. Lee, 44).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:2, 6–7; 43:1–7Manome fanambarana amin’ny fomba voalamina ny TompoHazavao fa fotoana fohy taorian’ny nananganana ny Fiangonana, dia nisympikamban’ny Fiangonana sasany izay voafitaka noho ny ezaka nataon’ilay fahavalomba hanome torolalana ara-paminaniana diso. Asao ny mpianatra iray hamaky mafyny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28 aryny mpianatra ambiny kosa manaraka ny vakiteny (jereo koa ny Jeffrey G. Cannon, “AllThings Must Be Done in Order: D&C 28, 43,” Revelations in Context series, apr. 4,2013, history.lds.org). Anontanio avy eo hoe:

• Inona no olana mety ho nitranga raha toa ireo mpikamban’ny Fiangonana kananohy nino ilay nambara fa fanambarana avy tamin’i Hiram Page?

Omeo fotoana ireo mpianatra handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana28:2, 6–7. Anontanio avy eo hoe:

• Tamin’ny fomba ahoana no nanazavan’ilay hafatra avy amin’ny Tompo ny anjaraasan’ny Filohan’ny Fiangonana? (Tokony hahatakatra izao fotopampianaranamanaraka izao ireo mpianatra: Ny Filohan’ny Fiangonana no mihazona nyfanalahidy handray fanambarana ho an’ny Fiangonana.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hampitombo bebe kokoa ny fahatakarany iofotopampianarana io, dia angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ity fampahalalanaara-tantara ity izay mikasika ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:

LESONA 9: MANARAKA NY MPAMINANY VELONA

44

Tamin’ny volana febroary 1831 dia nisy vehivavy iray atao hoe Ramatoa Hubble tonga teo anivon’ireoOlomasina tao Kirtland, Ohio. Nambarany fa mpaminany vavy izy, ary naharay fanambarana ho an’nyFiangonana, ary fantany koa fa marina ny Bokin’i Môrmôna, ary tokony ho lasa mpampianatra aoamin’ny Fiangonana izy. Nahavita namitaka ny sasany tamin’ireo Olomasina izy. Nitebiteby noho nyfitaomana nananany sy ireo fanambarana sandoka teo anivon’ny Olomasina i Joseph Smith sy ireoolona hafa. Nanapa-kevitra ny hanontany ny Tompo momba ny zavatra tokony hatao ny Mpaminany,ary naharay fanambarana izy, izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana43 (jereo ny Documents, Boky 1: jolay 1828–jona 1831, boky 1 ao amin’ireo andian’antontan-taratasyao amin’ny The Joseph Smith Papers [2013], 257).

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana43:1–7 ka hitady ireo fotopampianarana izay nampianarin’ny Tompo tamin’izanyfotoana izany. Afaka asainao asian’ireo mpianatra marika ireo zavatra hitany. Azonaoatao koa ny manoro hevitra mba hampifandray ireo andinin-tsoratra masina ireoamin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:2. Hazavao fa ilay fanambaranavoarakitra ao amin’ny fizarana 28 dia niantefa tany amin’ireo Olomasina tany NewYork, ary ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny fizarana 43 dia niantefa tanyamin’ireo Olomasina tany Kirtland. Anontanio avy eo hoe:

• Tamin’ny fotoana nanomezana ny fanambarana voarakitra ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 43 dia iza no voatendry handray ireodidy sy fanambarana ho an’ny Fiangonana manontolo?

• Inona no fotopampianarana azontsika ianarana avy amin’ireo andinin-tsoratramasina ireo? (Mety hampiasa teny samihafa ireo mpianatra, kanefa tokony hahitaity fotopampianarana manaraka ity izy ireo: Olona iray ihany no notendrenaamin’ny fotoana iray mba handray ny fanambarana ho an’ny Fiangonanamanontolo. Ireo izay mihaino ny Filohan’ny Fiangonana dia tsy hovoafitaka.)

Zarao ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona L. Tom Perry ao amin’nyKôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

“Misy lamina ny fomba hanambaran’ny Tompo ny sitrapony amin’ny olombelona. Isikarehetra dia manana zo hangataka amin’ny Tompo sy handray fitaomam-panahy amin’nyalalan’ny Fanahy Masina ao amin’ny sehatra izay iandraiketantsika. Afaka mandrayfanambarana ho an’ny fianakaviany ny ray aman-dreny, ary ny eveka ho an’nympiangona izay iandraiketany, ary toy izany hatrany amin’ny Fiadidiana Voalohany ho

an’ny Fiangonana manontolo. … Nanambara ny Mpaminany Joseph Smith hoe:

“‘Tsy mifanaraka amin’ny fitantanan’ Andriamanitra raha misy mpikamban’ny Fiangonana iray, naolona iray, mandray torolalana ho an’ireo izay manana fahefana lehibe kokoa noho ny azy’[Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith (2007), 210–98]” (“We Believe All That GodHas Revealed,” Ensign na Liahona, nôv. 2003, 85–86).

• Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao misoroka ny famitahana rehefamahafantatra fa ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra dia azo hatrany amin’nyalalan’ireo lalam-pifandraisan’ny fisoronana izay efa nankatoavina? Ahoana nohitondran’izany fahalalana izany fiadanana eo amin’ny fiainanao?

• Ahoana no hahatonga ny filaminana ao amin’ny Fiangonana ho voatandro nohoilay fomba napetraky ny Tompo hanomezany fanambarana?

LESONA 9: MANARAKA NY MPAMINANY VELONA

45

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:1–6Nametraka lamina ao amin’ny Fiangonana ny TompoHazavao fa rehefa nitombo ny Fiangonana dia nanome torolalana ny MpaminanyJoseph Smith ny Tompo momba ny handaminana ny fisoronana sy ny maha-mpikambana ao amin’ny Fiangonana.

Vakio mafy na fintino ity fanambarana manaraka ity:

“Rehefa nitombo ny mpikambana ao amin’ny fiangonana, ny mpaminany dia mbola nahazofanambarana momba ny asan’ny fisoronana ihany. Araka ny nitarihan’ny Tompo, dia izy nonanangana ny Fiadidiana Voalohany, izay misy azy ho filoha sy misy an’i Sidney Rigdon sy iFrederick G. Williams ho mpanolotsaina. Natsangany koa ny Kolejin’ny Apostoly Roambinifolo sy nyKolejin’ny Fitopololahy voalohany. Niantso sy nanendry ny eveka sy ireo mpanolotsainy izy, nympisorona avo, ny patriarika, ny filankevitra avo, ny fitopololahy, ary ny loholona. Natsangany nytsatòka voalohany” (Ny Lovantsika: Tantara Fohy mikasika Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’nyOlomasin’ny Andro Farany [1996], 32).

Hazavao fa ny Fiadidiana Voalohany dia mihazona ny andraikitra tena miavaka aoamin’ny Fiangonana. Asao ireo mpianatra handalina ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 90:1–6 ary hitady ny andraikitra manokana an’ny FiadidianaVoalohany. (Ny Fiadidiana Voalohany dia “mitondra ny fanalahidin’ny fanjakana”[andininy 2] ary amin’ny alalany no “hanomezana ny … fanambarana” ho an’nyFiangonana [andininy 4]). Rehefa mamaly ireo mpianatra dia azonao atao nymanazava fa ny teny hoe “fanambarana” dia entina ilazana ireo fanambarana izayomen’ Andriamanitra amin’ny alalan’ireo mpaminaniny.

Asao ny mpianatra iray hamaky izao teny manaraka izao, izay nataon’ny LoholonaD. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asao ireompianatra mba hihaino ny fomba roa izay ametrahana ny fotopampianarana aoamin’ny Fiangonana.

“Tamin’ny 1954, ny Filoha J. Reuben Clark zanany, izay mpanolotsaina iray tao amin’nyFiadidiana Voalohany dia nanazava ny fomba hampahafantarana ny andraikitrafaran’izay lehibe indrindra sahanin’ny Filohan’ny Fiangonana. Raha niresaka mombaireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny ApôstôlyRoambinifolo izy dia nilaza hoe: ‘Tokony ho [ataontsika] ao an-tsaina fa ny sasany

amin’ireo Manampahefana Ambony dia nomena antso manokana ho sahanin’izy ireo. Mananafanomezam-pahasoavana manokana izy ireo, ary tohanana ho mpaminany, mpahita ary mpanambaraizay manome azy ireo fanomezam-pahasoavana manokana ara-panahy mifandray amin’nyfampianarany ny olona. Izy ireo dia manana ny zo sy ny hery ary ny fahefana mba hanambara nysaina sy ny sitrapon’ Andriamanitra amin’ny fampianariny ny olony, izay mifanaraka amin’ny hery syny fahefana faran’izay lehibe ananan’ny Filohan’ny Fiangonana. …’

“… Ny Filohan’ny Fiangonana dia afaka manambara na manazava fotopampianarana izay mifototraamin’ny fanambarana omena azy (jereo ohatra ny F&F 138). Ny fanazavana ara-potopampianaranakoa dia mety tonga amin’ny alalan’ny filankevitra itambaran’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’nyApôstôly Roambinifolo (jereo ohatra ny Fanambarana Ôfisialy 2)” (“Ny fotopampianaran’i Kristy,”Ensign na Liahona, mey 2012, 86–88).

• Nahoana no zava-dehibe ny mahatsiaro hoe iza no manana fahefana hanambarany “saina sy ny sitrapon’ Andriamanitra” amin’izao tontolo izao?

LESONA 9: MANARAKA NY MPAMINANY VELONA

46

Farano ny lesona amin’ny fangatahana ireo mpianatra mba hieritreritra ny zavatra izaynianaran’izy ireo avy amin’ny hafatr’ireo mpaminany sy apôstôly velona. Asao ireompianatra hizara ny fijoroany ho vavolombelona momba ny fomba nahazoan’izy ireofitahiana avy amin’ireo hafatra ireo.

Vakitenin’ny Mpianatra• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:1–6; 28:2, 6–7; 43:1–7; 90:1–6, 16.

• Kevin R. Duncan, “Our Very Survival,” Ensign na Liahona, nôv. 2010, 34–36.

• Russell M. Nelson, “Fanohanana ireo mpaminany,” Ensign na Liahona, nôv.2014, 74–77.

LESONA 9: MANARAKA NY MPAMINANY VELONA

47

10 Mikatsaka Fahamarinana

FampidiranaAmporisihina ny zanak’ Andriamanitra mba “[hikatsaka] nyfianarana, … amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’nyalalan’ny finoana” (F&F 88:118). Ny fanarahana io fombafianarana io dia manampy ny tsirairay ho mendriky nyfanampian’ny Fanahy Masina mandritra ilay fianarana. Ny Internetsy ny loharano hafa, ankehitriny, dia mitondra fampahafantaranabetsaka—ny sasany marina, ny sasany diso, ary ny sasany

mamitaka—momba ny fotopampianaran’ny Fiangonana sy nytantara ary ny fomba fijery mikasika ny olana ara-piaraha-monina,ka hahatonga izany ho manan-danja manokana amintsika tokoa nymiantehitra amin’ny Fanahy Masina mba hanampiana antsikahanavaka ny marina amin’ny diso. Ny fianarana mamantatra symampiasa ireo loharanom-pahalalana azo ampiasaina dia tafiditraao amin’izany fikatsahana izany.

Vakiteny enti-mandalina• Dieter F. Uchtdorf, “What Is Truth?” (Fampaherezam-panahin’ny

Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 13 jan. 2013), lds.org/broadcasts.

• “Gospel Learning,” Gospel Topics, lds.org/topics.

Sosokevitra Enti-mampianatraFotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118, 121–26Fomba iray ho an’ny fianaranaVakio mafy ity famariparitana ny Sekolin’ny Mpaminany ity, izay nitranga tanyKirtland, Ohio:

“Ny taona 1833, dia nanana fahafahana tsy nanam-paharoa handalina ny filazantsara ny Mpaminanysy ny vondron’ny Olomasina avy tao Kirtland. Ny volana janoary tamin’io taona io, ary araka nydidin’ny Tompo (jereo ny F&F 88:127–41), dia nanangana ny Sekolin’ny Mpaminany i Joseph mbahanofanana ny mpitarika ao amin’ny fisoronana amin’ny asa fanompoana sy hanomanana azy ireoamin’ny fitoriana ny filazantsara. Ilay sekoly dia natao tao amin’ny efitry ny rihana faharoa taoamin’ny tranofitehirizan’i Newel K. Whitney, izay toeram-ponenan’ny Mpaminany. Teo amin’nyrahalahy niisa 25 teo ho eo no nanatrika izany, ny sasany nanao ny dia izay naharitra kilaometatraaman-jatony maro mba hanana tombontsoa handalina ny filazantsara ao amin’ny efitra izay tsynihoatra ny 3,3 metatra sy 4,3 metatra. Ny ankabeazan’ireo lehilahy ireo dia ho lasa Apôstôly,Fitopololahy, na mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana aty aoriana. Na dia nianatra fitenytsindraindray aza ny Mpaminany sy ny olona hafa dia nifantoka voalohany indrindra tamin’nyfianarana ireo fotopampianaran’ny filazantsara izy ireo, ka tamim-pahazotoana no nanatontosana nyfandalinana izay nanomboka vao maraina ka tsy nifarana raha tsy tamin’ny fiafaran’ny tolakandro.Naharitra teo amin’ny efa-bolana teo ho eo io sekoly io, ary ny sekoly hafa toy izany dia natsanganatany Kirtland sy tany Missouri koa taty aoriana, izay natrehan’ny olona aman-jatony” (Enseignementsdes Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 279).

Hazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88 dia mirakitra torolalanaavy amin’ny Tompo ho an’ireo izay handray anjara amin’ny Sekolin’ny Mpaminany.Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana88:118 ka hitady ny fomba fianarana izay nomen’ny Tompo. Avy eo dia mifanakalozahevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto:

48

• Araka ny hevitrao, midika inona aminao ny hoe “katsahonareo ny fianarana …amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana”?

• Ahoana no fomba hitomboan’ny fahafahantsika mianatra amin’ny fanarahana iofomba io? (Mety ho samihafa ny valinteny omen’ny mpianatra, nefa ataovy mazavatsara fa rehefa ampidirintsika ny finoana mandritra ilay fianarana, diamendrika ny fanampian’ny Tompo isika.)

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 88:121–26, izay mirakitra torolalana misimisy kokoa avy amin’nyTompo ho an’ny Sekolin’ny Mpaminany. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra,sy hitady ireo fitsipika izay manampy antsika hahatakatra ny fianarana amin’nyalalan’ny finoana. Afaka asainao asian’ireo mpianatra marika ireo zavatra hitany.Azonao atao ny manao lisitra an’ireo fitsipika ireo eny amin’ny solaitrabe rehefa mizaraizany ny mpianatra. Azonao atao koa ny manoro hevitra ny mpianatra ny hanoratanyny andian-teny “fitsipika izay mampianatra ny fomba fianarana amin’ny alalan’nyfinoana” eo amin’ny sisin’ny soratra masina, eo akaikin’ireo andininy ireo.(Fanamarihana: Ny fanaovana naoty eny amin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masina diaafaka manampy ny mpianatra hahita sy hitadidy ireo fitsipika manan-danja moramorakokoa.) Raha ampy ny fotoana, dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hitadyfitsipika fanampiny ao amin’ny Almà 32:28, 41–43 sy Jaona 7:17.

• Nahoana no manampy antsika hianatra amin’ny alalan’ny fandinihana ary koaamin’ny alalan’ny finoana ny fanarahana ireo fitsipika nampianarina tao amin’ireoandininy ireo? (Rehefa mamaly ny mpianatra, dia mety ilainao ny manantitrantitrafa ny fanarahana ireo fitsipika ireo dia hanampy antsika ho mendriky nyfanampian’ny Fanahy.)

• Inona no fiantraikan’ny Fanahin’ny Tompo amin’ny fikarohantsika fahamarinana,rehefa mendrika ny fiarahana amin’io Fanahy io isika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 91:1–6Manavaka ny marina amin’ny disoAsehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, avy amin’nyFiadidiana Voalohany ity ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

“Tsy mbola nisy teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao fotoana ahafahantsika, tahakany amin’izao fotoana izao, mahazo mora foana ireo karazam-baovao rehetra—misymarina ny sasany amin’izy ireny, ny sasany diso, ary betsaka no tsy dia tena marinatanteraka.

“Vokatr’izany dia tsy mbola nisy teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao fotoana tahakany amin’izao fotoana izao izay mampanan-danja bebe kokoa ny ianarana ny fomba anavahanaamin’ny fomba mahitsy ny marina amin’ny diso” (“What Is Truth?” [Fampaherezam-panahin’nyDepartemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 13 jan 2013], 3, lds.org/broadcasts).

• Inona no mety hitranga raha toa tsy mianatra manavaka ny marina amin’ny disoisika?

Soraty eny amin’ny solaitrabeity fanontaniana manaraka ity:

Ahoana no ahafahantsika manavaka amin’ny fomba mahitsy ny marina amin’ny diso?

LESONA 10: MIKATSAKA FAHAMARINANA

49

Hazavao fa ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 91 dia nampianatra an’i Joseph Smith ny fomba hoenti-manavaka raha toa marina ny zavatra iray vakiany ao amin’ny Apôkrifa. Asao nympianatra iray hamaky mafy ny sasin-tenin’ny fizarana 91 ary ny mpianatra ambinyhanaraka ny vakiteny. Asao ireo mpianatra, avy eo, handinika ny fanontaniana enyamin’ny solaitrabe rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanan 91ny kilasy iray manontolo.

Hazavao fa ny Apôkrifa dia fitambaran’ireo boky masin’ny vahoaka Jiosy. Ireo bokyireo dia tsy nampidirina tao amin’ny Baiboly Hebreo (Testamenta Taloha) tany am-boalohany, fa nampidirina tao amin’ny dikan-teny Grika ny Baiboly kosa fotoana fohytalohan’ny vanim-potoan’i Kristy. Rehefa nanambatra ireo bokin’ny Baiboly nyKristianina tany am-boalohany taonjato maro taty aoriana, dia nampidirin’izy ireo hotovana ny bokin’ny Apôkrifa. Ny fivavahana Kristianina sasany dia manaiky nybokin’ny Apôkrifa ho soratra masina, fa ny fivavahana hafa kosa dia tsy mino izany holahatsoratra nentanim-panahy. Ny tahadikan’ny Baiboly izay nampiasain’i JosephSmith mba hanaovany ny dikan-teniny nentanim-panahy dia nahitana ny Apôkrifa.Nanontany ny Tompo i Joseph raha tokony hampidirina ao amin’ny dikan-tenin’nyBaiboly ataony ireo boky ireo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana91:1–3.

• Inona no nianaran’i Joseph Smith mikasika ny Apôkrifa? (Mety ho ilainao nymanazava fa ny soratra mifangaro dia soratra izay natsofoka tao amin’ny sora-tanana, ka indraindray miteraka ny fiovan’ilay lahatsoratra tany am-boalohany.)

Asao ny mpianatra iray hafa hamaky mafy ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 91:4–6.

• Ahoana no hanampian’ny torohevitra ao amin’ny andininy 4–6 antsika amin’nyfanavahana ny marina amin’ny diso ary amin’ny fandanjalanjana ny maha-azoantoka na tsia ny zavatra vakiantsika? (Mety hampiasa teny samihafa ny mpianatra,saingy ataovy izay ahitan’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Ny FanahyMasina dia afaka manampy antsika hahafantatra ny amin’ny fahamarinan’nyzavatra vakiantsika.)

Hazavao fa ny zava-baovao betsaka azo fantarina amin’ny Internet dia nampitombohatrany hatrany ny filantsika tsirairay ny fananana ny fanomezam-pahasoavana ara-panahin’ny famantarana (jereo ny F&F 46:23) mba hahafahantsika manavaka amin’nyfomba mahitsy ny marina amin’ny diso. (Raha mila fampahafantarana misimisy kokoamomba ny antony maha-tena-zava-dehibe ny fanomezam-pahasoavan’nyfamantarana amin’ny fiainantsika, dia jereo ny lahatsoratry ny Loholona David A.Bednar “Quick to Observe,” Ensign na Liahona, des. 2006, 31–36.)

Omeo tahadikan’ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Steven E. Snow aoamin’ny Kôlejin’ny Fitopololahy ity ny mpianatra. Asao ny mpianatra hikaroka nytorolalana nomen’ny Loholona Snow ao amin’ny andinin-tsoratra roa voalohany, izaymomba ny fandanjalanjana ny zava-baovao mety hovakiantsika mikasika ny tantara syny fampianaran’ny Fiangonana.

LESONA 10: MIKATSAKA FAHAMARINANA

50

Fandanjalanjana ny Tantaran’ny FiangonanaHoy ny Loholona Steven E. Snow ao amin’ny Fitopololahy:

“Ny Internet dia manome fampahafantarana mora alaina tokoa—ao ny tsara, ao ny ratsy,ny marina, ny tsy marina—anisan’izany ny fampahafantarana momba ny tantaran’nyFiangonana. Afaka mamaky zavatra maro dia maro momba ny tantarantsika ianareo,kanefa zava-dehibe ny mamaky mikasika izany sy mahatakatra izany ao anatin’ny toe-

javatra nisehoany. Ny mahasarotra ny fampahafantarana amin’ny Internet dia satria izy ireny dia tsy aoanatin’ny sahan-kevitra tena misy azy akory ary tsy tena hitanao avokoa izay zavatra manodidina azyrehetra.

“Ny fampahafantarana izay miezaka ny manala-baraka ny Fiangonana dia amin’ny ankapobenyhevitr’olon-tokana sy hevitra mitanila. Tokony hikaroka loharano izay milazalaza ny finoantsika sy nytantarantsika amin’ny fomba tsy miangatra kokoa isika. Ny tranonkala sasany dia manana fikasan-dratsy ary mety hanaitra tokoa ny fomba fanehoany ny fampahafantarana. Mitadiava loharano avyamin’ny mpahay tantara fanta-daza sy azo antoka, na mpikamban’ny Fiangonana izy ireo na tsia.

“Ny tanora sasany dia taitra sy tohina amin’ireo fitaovana manenjika ny Môrmôna ao amin’ny Internetsatria izy ireo tsy nanamafy ny tenany mba hanohitra izany. Mety tsy ampy ny fotoana natokan’izy ireoamin’ny lafiny ara-panahy mba hiomanana sy hampatanjahana ny tenany ho amin’izay rehetra metyhitranga. Rehefa misy zavatra mitranga eo amin’ny fiainany izay mitondra olana tsy nampoizina, diazava-dehibe ny hanaovan’izy ireo ireo zavatra fototra izay resahantsika hatrany hatrany: manohymandalina ny soratra masina ary mivavaka lalina amin’ny Raintsika any An-danitra. Ireo zavatra fototraireo dia manomana ny olona amin’ny karazana fotoan-tsarotra rehetra, anisan’izany ireo lahatsoratry nympanenjika ny Môrmôna izay sendra hitan’izy ireo ao amin’ny Internet” (“Balancing Church History,”New Era, jona 2013, 21–22).

• Koa satria isika mila mandanjalanja tsara ny maha-azo antoka na tsia nyloharanon’ny zava-baovao mikasika ny tantara sy fampianaran’ny Fiangonana,ahoana no ahafahanao mampiasa ny fampianaran’ny Loholona Snow mbahanampy anao handanjalanja ny maha-azo antoka ny zavatra iray izay vakianaomomba ny Fiangonana?

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny andinin-tsoratra fahatelo ao amin’ilayfanambarana nataon’ny Loholona Snow. Avy eo dia mifanakaloza hevitra momba ityfanontaniana manaraka ity:

• Ahoana no fomba mety hanampian’ny torohevitry ny Loholona Snow rehefamanoloana fampahafantarana izay mifanohitra amin’ny zavatra inoanao ianao?

Mijanona ho mahatoky rehefa misy fanontaniana mipoitraHazavao fa ireo mpikamban’ny Fiangonana dia mety hametra-panontaniana nahanana ahiahy momba ny fotopampianarana, ny tantara na hevitra ijoroan’nyFiangonana momba ny olana iray ara-piaraha-monina. Zarao amin’ireo mpianatrao ityfanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf:

“Voajanahary ny fananana fanontaniana—ny voa kelin’ny fangatahana amin-kitsimpomatetika dia nitsimoka ary nitombo ka lasa hazo lehiben’ny fahatakarana. Misympikambana vitsivitsy ato amin’ny Fiangonana izay tsy niady mafy nanontany tenanametraka fanontaniana lehibe na manohina, tao anatin’ny fotoana iray na ny fotoanahafa. Iray amin’ireo tanjon’ny Fiangonana ny mikolokolo sy mamboly ny voan’ny

finoana—eny fa na dia ao anatin’ireo tany fasiky ny ahiahy sy ny tsy fahazoana antoka azaindraindray” (“Andao hiaraka aminay,” Ensign na Liahona, nôv. 2013, 23).

LESONA 10: MIKATSAKA FAHAMARINANA

51

Omeo tahadikan’ny taratasy zaraina “Manavaka ny marina amin’ny diso” nympianatra tsirairay, izay ahitana torohevitra avy amin’ny mpitarika ao amin’nyFiangonana ho an’ireo izay manana fanontaniana na ahiahy. Asao ny mpianatrahamaky ireo fanambarana ao amin’ny taratasy zaraina ary hamantatra ireo fitsipikaizay hanampy ny olona iray hiatrika ny fanontaniany na ny ahiahiny amim-pahatokiana. Rehefa avy nomena fotoana ampy, dia asao ny mpianatra hanazava nyfomba hanampian’ny zavatra iray novakiany tao amin’ny taratasy zaraina ny olona irayizay manana fanontaniana na ahiahy mikasika ny fotopampianarana, tantara, nafomba fijerin’ny Fiangonana momba ny olana ara-piaraha-monina.

Eo am-pamaranana ny lesona, dia antitrantero fa na dia mety hisy aza ny fanontanianaizay tsy hahazoantsika valiny mandritra ity fiainana ity dia afaka mahita ireovalintenin’ny fanontaniantsika manan-danja indrindra isika rehefa mankatò nydidy, mandalina ireo loharano nankatoavina—indrindra indrindra ny tenin’nympaminany velona—ary mikatsaka fitarihana amin’ny alalan’ny vavaka, syamin’ny fanehoana faharetana sy finoana.

Asaivo mizara traikefa izay nahatsapany ny fanampian’ny Tompo amin’ny fahitanafahamarinana sy valintenin’ny fanontaniany ny mpianatra.

Amporisiho ny mpianatra hanao famerenana ny fanambarana ao amin’ny taratasyzaraina, ary asao izy ireo hanaraka ny torolalana avy amin’ny lesona, dia ny fikatsahanafianarana amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana.

Vakitenin’ny Mpianatra• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118–26; 91:1–6.

• Dieter F. Uchtdorf, “What Is Truth?” (Fampaherezam-panahin’nyDepartemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 13 jan. 2013), lds.org/broadcasts.

• David A. Bednar, “Quick to Observe,” Ensign na Liahona, des. 2006, 31–36.

Manavaka ny marina amin’ny disoNy herin’ny ratsy dia nanohitra an’ Andriamanitra sy ny asany hatrany hatrany, nandritra nyfotoampitantanan’ny filazantsara rehetra. Fa ny asan’ Andriamanitra dia tsy azo sakanana ary tsy azofoanana. Amin’izao andro farany izao, ny vato [dia] nendahina hiala tamin’ny tendrombohitra nefa tsynendahan-tanana, ary izany dia “hikodiadia ambara-pamenoany ny tany manontolo” (F&F 65:2). Satriaanefa, ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay dia mety ho voafitaka dia tsy maintsy “miambina symivavaka mandrakariva” ny tsirairay (3 Nefia 18:18).

“Tsy ilaintsika sy ianao, amin’izao andro ananana fahalalana betsaka izao, izay hoe efatafaverina amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsara, ny mikaroka ny fahamarinanaamin’ny fomba sarotra sy tsy mbola nisy nanao mihitsy teo aloha. Ny Ray any An-danitrabe fitiavana dia nanoritra ny lalantsika ary nanome mpitarika mahatoky—dia nyfankatoavana. Tonga eo amintsika ny fahalalana ny fahamarinana sy valin’ireo

fanontaniana lehibe ananantsika rehefa mankatò ny didin’ Andriamanitra isika” (Thomas S. Monson,“Mitondra fitahiana ny fankatoavana,” Ensign na Liahona, mey 2013, 89).

“Ry namako malala—miangavy anareo aho hoe ny ahiahinareo aloha no ahiahioalohan’ny hiahiahianareo ny finoanareo. Tsy tokony hamela ny ahiahintsika mihitsy isikahanagadra sy hanakana antsika tsy hahazo ilay fitiavan’ Andriamanitra sy ny fiadananyary ireo fanomezam-pahasoavana izay tonga amin’ny alalan’ny finoana ny Tompo JesoaKristy” (Dieter F. Uchtdorf, “Andao hiaraka aminay,” Ensign na Liahona, nôv. 2013, 23).

LESONA 10: MIKATSAKA FAHAMARINANA

52

“I Satana no ilay mpamitaka lehibe, ‘ilay mpiampanga ny rahalah[y]’ [Apokalypsy 12:10],ilay rain’ny lainga [jereo ny Jaona 8:44], izay mikatsaka hatrany ny hamitaka mbahandresena antsika [jereo ny F&F 50:3]. …

“Ho an’ireo izay efa nandray ny fahamarinana, dia ny hanaparitaka ny voan’nyfiahiahiana no tetik’adiny. Ohatra, mpikamban’ny Fiangonana maro no nataony izay

hahatafintohina azy rehefa nahita fampahafantarana momba ny Fiangonana izy ireo izay toamifanohitra amin’ny zavatra izay efa nianarany taloha.

“Raha miaina zavatra toy izany ianao, tsarovy fa amin’izao fotoana mampitosaka ny fampahalalanaizao dia maro ny olona izay mampisy ahiahy momba izao zavatra rehetra izao, amin’ny fotoana rehetrasy amin’ny toerana rehetra. …

“… Ary tsara foana ny mitadidy fa tsy hoe satria ny zavatra iray natonta an-taratasy, miseho amin’nyInternet, averimberina matetika, na manana vondron’olona matanjaka manaraka azy dia hoe marina izyizay.

“Indraindray ny fanambarana sy fampahalalana diso dia aseho amin’ny fomba izay toa mitombinaihany. …

“… Izay toa feno fifanoherana dia toa mora takarina ankehitriny rehefa mikatsaka sy mahazofampahalalana azo itokisana kokoa isika” (Dieter F. Uchtdorf, “What Is Truth?” [Fampaherezam-panahyan’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 13 jan. 2013], lds.org/broadcasts).

“Rehefa manomboka mampitaha ireo fomba fanao sy firehan-kevitra maoderina amin’nyzavatra fantatsika momba ny drafitr’ Andriamanitra sy ireo fialofana nomena antsika aoamin’ny tenin’ Andriamanitra ary ny fampianaran’ireo mpaminaniny velona isika, … diafantatsika fa mametraka antsika amin’ny toerana azo antoka mandrakizay izany ”(Dallin H. Oaks, “As He Thinketh in His Heart” [takariva iarahana amin’ny Loholona

Dallin H. Oaks, 8 feb. 2013], lds.org/broadcasts).

“Amin’ny fotoan’ny tahotra na ny ahiahy na ny tebiteby dia hazony ilay finoana izay efaanananao, na dia voafetra ihany aza izany. … Rehefa tonga ireny fotoana ireny kamitranga ny olana dia tsy ho tonga avy hatrany ny vahaolana, hazony mafy izay efafantatrao ary mahatanjaha hatrany mandra-pahazoanao fahalalana misimisy kokoa”(Jeffrey R. Holland, “Tompo ô, Mino Aho” Ensign na Liahona, mey 2013, 93–94).

“Afaka mampahatsiahy an’ilay olona mikatsaka marina ny hahafantatra isika fa tsy misysivana hanesorana ireo fampahalalana tsy marina ao amin’ny Internet. Ny fampahalalanasasany, na dia mandresy lahatra toy ny ahoana aza, dia tsy marina tsotra izao” (Neil L.Andersen, “Joseph Smith,” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 29).

“Ny valin’ireo fanontaniana ara-panahy dia omena ho an’ny olona tsirairay izay tsymanamafy ny fony; izay mangataka amim-pinoana, mahatoky fa handray; ary mitandrinaamim-pahazotoana ireo didy” (Paul V. Johnson, “A Pattern for Learning Spiritual Things”[Lahateny nataon’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana ho an’ireompanabe ara-pivavahana, 7 aôg 2012], si.lds.org).

“Ny mandalina ny momba ny Fiangonana … amin’ny fomba fijerin’ireo mpanenjika azydia toy ny manao dinidinika amin’i Jodasy mba hahatakarana an’i Jesoa” (Neal A.Maxwell, “All Hell Is Moved” [fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite BrighamYoung, 8 nôv 1977], 3, speeches.byu.edu).

LESONA 10: MIKATSAKA FAHAMARINANA

53

11 Ny Feon’ny Tompo ao amin’nyFotopampianarana syFanekempihavanana

FampidiranaNy Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia mampiseho faAndriamanitra dia miresaka amin’ny mpaminany amin’ny androfarany ary manomana an’izao tontolo izao ho amin’ny Fiavian’iJesoa Kristy Fanindroany Izy. Rehefa mamaky ny fanambarana hitaao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana isika, dia

afaka mahare ny feon’i Jesoa Kristy. Rehefa tonga amin’nyfahatakarana ny maha-zava-dehibe ny Fotopampianarana syFanekempihavanana isika, dia hanome lanja izany mihoatra nyharen’ny tany rehetra.

Vakiteny enti-mandalina• Ezra Taft Benson, “The Book of Mormon and the Doctrine and Covenants,” Ensign,

jan. 2005, 24–28.

Sosokevitra Enti-mampianatraFampidiran’ny Fotopampianarana sy FanekempihavananaNy feon’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy FanekempihavananaVakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) ity.Mangataha mpianatra iray hamaky izany mafy ary asaivo manaraka ny vakiteny nympianatra ambiny.

“Mitondra ny olona ho eo amin’i Kristy ny Bokin’i Môrmôna. Ny Fotopampianarana syFanekempihavanana dia mitondra ny olona ho eo amin’ny fanjakan’i Kristy, dia NyFiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, ‘Ilay hany fiangonanamarina sy velona eto ambonin’ny tany manontolo’ [F&F 1:30]. Fantatro izany.

“Ny Bokin’i Môrmôna no ‘vato ifaharan’ny’ finoantsika, ary ny Fotopampianarana syFanekempihavanana no tilikambo, miaraka amin’ny fanambarana mitohin’ny andro farany. Napetrakyny Tompo teo amin’ny vato ifaharana sy ny vato faratampony ny tombokase maneho nyfankatoavany” (“The Book of Mormon and the Doctrine and Covenants,” Ensign, jan. 2005, 26)

• Inona no zavatra hitanao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavananaizay mampiseho ny maha-zava-dehibe izany boky izany ho an’ny Fiangonana sy nympikambana tsirairay?

Asao ireo mpianatra mba hanokatra ny soratra masin’izy ireo ao amin’nyFampidiran’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, izay hita eny amin’nyfanombohan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Asao ny mpianatravitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny andinin-tsoratra voalohany sy fahatelo ary nympianatra ambiny hanaraka ny vakiteny. Asaivo mitady ireo antony tsy mampitovy nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana amin’ny boky soratra masina hafa nympianatra ary hanamarika ny fanatitranteran’ny teny fampidirana ny fihainoana nyfeon’ny Tompo. Anontanio avy eo hoe:

• Inona no tsy mampitovy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana amin’nyboky soratra masina nankatoavina hafa?

54

• Inona no lazain’ny fampidirana momba ny “feon’i Jesoa Kristy Tompo”? (Ampio nympianatra mba hahatakatra fa rehefa mandalina ny Fotopampianarana syFanekempihavanana isika dia afaka mianatra mamantatra ny feon’i JesoaKristy Tompo. Hazavao fa ny andian-teny hoe “feon’ny Tompo,” na nyfiovan’izany, dia mitranga mihoatra ny in-40 ao amin’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana [ohatra, jereo ny F&F 1:2; 18:35–36; 76:30]; ny andian-tenyhoe “Izao no lazain’ny Tompo” dia mitranga mihoatra ny in-60 ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana [ohatra, jereo ny F&F 36:1; 56:14].) Nyfihainoana ny feon’ny Tompo dia lohahevitra manan-danja ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Asehoy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Neal A. Maxwell(1926–2004) ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asao ny mpianatra irayhamaky izany mafy ary ny mpianatra ambiny hanaraka ny vakiteny.

“Raha anontaniana hoe boky inona amin’ireo soratra masina no manome fahafahanaim-betsaka indrindra mba ‘hihaino’ ny Tompo miresaka, dia ny Testamenta Vaovao noeritreretin’ny ankabeazan’ny olona voalohany indrindra. Ny Testamenta Vaovao diafitambarana mahatalanjona ny asa sy ny fotopampianarana maro an’ny Mesia. Fa aoamin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana kosa no handraisana ny feo sy ny

tenin’ny Tompo. Tena ohatran’ny hoe ‘henontsika’ mihitsy Izy miresaka” (“The Doctrine andCovenants: The Voice of the Lord,” Ensign, des. 1978, 4).

• Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fianarana mihaino sy mamantatra nyfeon’ny Tompo amin’ny alalan’ny fandalinana sy Fotopampianarana syFanekempihavanana mety hitondra fiovana eo amin’ny fiainanao?

Omeo minitra vitsivitsy ny mpianatra mba handalinany ny andinin-tsoratra fahavaloao amin’ny fampidiran’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Asaivo mitadyireo fotopampianarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana izy ireo. Rehefa avy nanome fotoana ampy ho an’ny mpianatradia manontania hoe:

• Nahoana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana no “sarobidy mihoatranoho ny haren’ny tany manontolo”?

Azonao atao ny mizara ny zavatra nolazain’ny Loholona Steven E. Snow ao amin’nyFitopololahy momba ireo fanambarana hita ao amin’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana:

“Amin’ny alalan’ireo fanambarana nentanim-panahy sy mankahery ireo, diamampianatra sy manamafy fotopampianarana manan-danja ny Fotopampianarana syFanekempihavanana. … Ny Loholona John A. Widtsoe (1872–1952) dia nanoratra hoe:‘Ny fotopampianarana tsirairay ampianarin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’nyOlomasin’ny Andro Farany dia hita, na amin’ny fanazavana izany na amin’ny

faminaniana ao amin’ny bokin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Raha ny fantatromanokana aloha, dia tsy misy fotopampianarana izay ampianarin’ny Fiangonana ka tsy hita naamin’ny fomba na endrika hafa aza izany ao anatin’io boky io.’ Nanampy izy fa ny Fotopampianaranasy Fanekempihavanana dia manan-danja satria ‘tsy misy na iray aza amin’ireo boky masina hafaananantsika no afaka milaza toa azy ny fahafahany misahana feno ireo fotopampianaran’nyFiangonana rehetra’ [The Message of the Doctrine and Covenants (1969), 117]” (“Treasuring theDoctrine and Covenants,” Ensign, jan. 2009, 52).

LESSON 11: NY FEON’NY TOMPO AO AMIN’NY FOTOPAMPIANARANA SY FANEKEMPIHAVANANA

55

Asao ny mpianatra hizara ny fomba notahian’ny fandalinana ny Fotopampianarana syFanekempihavanana azy ireo teo amin’ny fiainany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:1–17; 5:10Fampahalalana ny Fotopampianarana sy FanekempihavananaHazavao amin’ny mpianatra fa ny fanambarana voarakitra ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 1 dia nomen’ny Tompo tamin’ny voalohanyho sasin-tenin’ny Bokin’ny Didy, izay boky firaketana voalohany ny fanambaran’iJoseph Smith. Io firaketana ny fanambarana io, miaraka amin’ny fanambaran’nyMpaminany hafa sy ny Lectures on Faith, dia natonta taty aoriana ho Fotopampianaranasy Fanekempihavanana. Nyfizarana 1 dia miresaka momba ny ilàna an’ity boky soratramasina ity amin’izao fotoana izao. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1. Ampio nympianatra hamakafaka ny sasin-tenin’ny fizarana amin’ny fametrahana ityfanontaniana ity:

• Inona no fanapahan-kevitra tapaka tamin’ny fihaonambe manokana nataon’nyloholona? (Ireo fanambarana izay noraisin’i Joseph Smith hatramin’io fotoana iodia havoaka printy ho boky. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa na dia nantsoina hoeBokin’ny Didy aza io boky io tany am-boalohany, dia nantsoina hoeFotopampianarana sy Fanekempihavanana izany taty aoriana.)

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ao amin’ny Fotopampianaranasy Fanekempihavanana 1:1–5. Avy eo dia anontanio ireo mpianatra hoe:

• Niresaka tamin’iza i Jesoa Kristy tao amin’ireo andininy ireo?

• Ahoana no hamintinanao ny faminaniana voarakitra ao amin’ireo andinin-tsoratramasina ireo?

• Amin’ny fomba ahoana hoy ny Tompo no hanomezany ny fampitandremanyamin’ny olona rehetra? (Ny mpianatra dia tokony hahita ity fotopampianarana ity:Ny Tompo dia mampitandrina ny vahoaka rehetra amin’ny alalan’nympanompony voafidy.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana1:12. Anontanio avy eo hoe:

• Araka ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejyb amin’ny andininy 12, inona noirian’ny Tompo hampiomanana an’izao tontolo izao? (Rehefa manome valinteny nympianatra, dia mety ilaina ny hamporisihanao azy ireo mba hijery matetika nyfanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy ho fanazavana sy fampitomboana misimisykokoa ny fahatakarany ny lahatsoratry ny soratra masina.)

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana1:14–16, ka hitady ny famariparitan’ny Tompo ny tontolo izay misy antsika ankehitriny.Rehefa avy nizara ny zavatra hitany ny mpianatra, dia asaivo mamaky ny andininy 17izy ireo ary hanazava ny zavatra nataon’ny Tompo mba hiatrehana ny olana hita aoamin’ny andininy 14–16.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana5:10 ary ny mpianatra ambiny hanaraka ny vakiteny. Rehefa izany dia ifanakalozyhevitra ity manaraka ity

• Inona no zavatra ianaranao mikasika ny antso tsy manam-paharoa an’i JosephSmith avy amin’io andinin-tsoratra masina io? (Tokony hahita ity fahamarinana

LESSON 11: NY FEON’NY TOMPO AO AMIN’NY FOTOPAMPIANARANA SY FANEKEMPIHAVANANA

56

manaraka ity ny mpianatra: Ny Tompo dia niantso an’i Joseph Smith mbahitondra ny Teniny ho an’izao tontolo izao.)

Asao ny mpianatra iray hamaky ity teny nambara ity izay nataon’ny Loholona Jeffrey R.Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Tamin’ireo zavatra rehetra notanterahany … i Joseph [Smith] dia namela, ambonin’nyzavatra rehetra, ho antsika ny lova matotry ny fanambarana avy amin’Andriamanitra—tsy fanambarana tokana izay fanambarana miavaka tsy misy porofo sytsy misy tohiny, ary tsy ‘karazana fanentanam-panahy matimaty izay hiampita tsikelikelyany an-tsain’ny olona tsara sitrapo’ rehetra, fa torolalana voatokana sy tsara omana ary

tsy tapaka avy amin’ Andriamanitra. Ny namana akaiky sy manam-pahaizana OMAF mahatoky iraydia nanazava tsara momba an’izany nanao hoe: ‘Tamin’ny vanim-potoana izay nanafihan’ny herin’nytsara lahatry ny Fanazavana ny fiavian’ny maha-Kristianina, i Joseph Smith dia namerina [tsy tamim-pisalasalana sy tamin’ny herin’ny tenany manokana] ny maha-Kristianina maoderina tamin’nyniaviany, tao amin’ny fanambarana’ [Richard L. Bushman, “A Joseph Smith for the Twenty-FirstCentury,” ao amin’ny Believing History (2004), 274]” (“Prophets, Seers, and Revelators,” Ensign naLiahona, nôv. 2004, 8).

• Tamin’ny fomba ahoana no nampitomboan’ity lesona ity ny fahatakaranao nytanjona sy ny maha-zava-dehibe ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana?

• Ahoana no nanamafisan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana nyfijoroanao ho vavolombelona mikasika ny maha-mpaminany nantsoin’Andriamanitra an’i Joseph Smith?

Farano ny lesona amin’ny fangatahana raha misy ny maniry hizara ny fijoroany hovavolombelona mikasika ireo fotopampianarana, fitsipika, ary fahamarinana voarakitraao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Vakitenin’ny Mpianatra• Fampidiran’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ; Fotopampianarana sy

Fanekempihavanana 1:1–39; 5:10.

• Ezra Taft Benson, “The Book of Mormon and the Doctrine and Covenants,” Ensign,jan. 2005, 24–28.

LESSON 11: NY FEON’NY TOMPO AO AMIN’NY FOTOPAMPIANARANA SY FANEKEMPIHAVANANA

57

12 Soratra Masina fanampinyamin’ny Androntsika

FampidiranaMbola manome torolalana ho antsika hatrany ny Tompo amin’nyfanambarana ny Teniny sy ny Sitrapony amin’ny mpanomponyamin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Satria mbola miresaka amin’nympaminany maoderina Andriamanitra, dia mbola miampy hatranyny soratra masina ankatoavina. Ireo soratra masina fanampiny

navoaka ho antsika amin’izao fotoana—toy ny Dikan-tenin’nyBaiboly nataon’i Joseph Smith sy ny Bokin’i Abrahama—diamanamafy, manazava, ary manitatra ny fahatakarantsika nyfilazantsara.

Vakiteny enti-mandalina• Jeffrey R. Holland, “My Words … Never Cease,” Ensign na Liahona, mey 2008,

91–94.

• “Translation and Historicity of the Book of Abraham,” Gospel Topics, lds.org/topics.

• Elizabeth Maki, “Joseph Smith’s Bible Translation: D&C 45, 76, 77, 86, 91,”Revelations in Context series, 20 mar. 2013, history.lds.org.

Sosokevitra Enti-mampianatraSoratra masina amin’ny andro faranyAsao ireo mpianatra haka sary an-tsaina hoe manontany amim-pahatsorana azy ireony namany iray manao hoe: “Nahoana ny Môrmôna no manana soratra masinafanampiny amin’ny Baiboly? Nihevitra aho hoe ny Baiboly no nirakitra ny tenin’Andriamanitra rehetra.” Asao ny mpianatra hanangana ny tanany raha efanametrahana fanontaniana tahaka izany. Mangataha mpianatra vitsivitsy hizara nyfomba namaliany ny fanontaniana sy ny zavatra tsapany rehefa nijoro hovavolombelona momba ny soratra masina izy ireo.

Soraty eo amin’ny solaitrabe ny teny hoe soratra masina nankatoavina. Asehoy iretofanambarana ireto izay nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland sy ny LoholonaDallin H. Oaks izay samy avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary asaony mpianatra roa hifandimby hamaky izany mafy. Asaivo mihaino ny dikan’ny andian-teny hoe soratra masina nankatoavina ny mpianatra raha ny toe-javatra misy amin’ireofanambarana ireo no heverina.

“Betsaka tokoa ny Kristianina no nilaza, noho ny fitiavana marina ananany ho an’nyBaiboly fa tsy afaka misy soratra masina nahazo lalana hafa intsony ankoatra nyBaiboly. Amin’ny fanapahana fa tapitra hatreo ny fanambaran’ny soratra masinanankatoavina, dia mandà ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra izay sarobidyamintsika ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny

namantsika avy amin’ny finoana hafa: ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana syFanekempihavanana, ny Voahangy Lafo Vidy ary ny fitarihana tsy tapaka izay raisin’ny mpaminany syapôstôly voahosotr’ Andriamanitra” (Jeffrey R. Holland, “My Words … Never Cease,” Ensign naLiahona, mey 2008, 91).

58

“Ny ankamaroan’ny Kristianina dia mino fa nofaranan’ Andriamanitra ny soratra masinanankatoavina—izany hoe ny firaketana ny boky masina izay ampiasaina ho soratramasina—fotoana fohy taorian’ny nahafatesan’i Kristy ary mino fa tsy nisy intsony nyfanambarana nitovy lenta tamin’izany taty aoriana. I Joseph Smith dia nampianatra synanamarina fa mbola misy hatrany ny soratra masina nankatoavina [jereo ny

Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith (2007), 208]. …

“… I Joseph Smith dia nampianatra fa Andriamanitra dia hitarika ny zanany amin’ny fanampianasoratra masina nankatoavina. Ny Bokin’i Môrmôna dia anisan’izany soratra masina nampiana izany.Toy izany koa ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary ny VoahangyLafo Vidy” (Dallin H. Oaks, “Fundamental to Our Faith,” Ensign, jan. 2011, 29).

• Inona ny dikan’ny andian-teny hoe “soratra masina nankatoavina”? (Izany dia“firaketana nekena sy nahazoana lalana ny boky masina. Ny boky nekena hosoratra masina, ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny AndroFarany, dia antsoina koa hoe soratra masina nankatoavina” [Guide to theScriptures, “Canon,” scriptures.lds.org].)

• Midika inona ny hoe ny Olomasin’ny Andro Farany dia mino fa mbola misyhatrany ny soratra masina nankatoavina? (Na dia samihafa aza ny tenyhampiasany, dia alaivo antoka fa mahatakatra ity fahamarinana manaraka ity nympianatra: Ny tenin’ Andriamanitra manan-kery dia tsy hita ao amin’nyBaiboly fotsiny [jereo ny Ireo Fanekem-pinoana 1:9].)

• Inona no mety hiova noho ny finoana fa mbola manambara soratra masina amin’nympaminany amin’ny andro farany foana ny Tompo?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:56; 45:60–62; 76:15–19; 93:53;94:10Ny Dikan-tenin’ny Baiboly nataon’i Joseph SmithSoraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity:

Tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith, no nanambara soratra masinafanampiny ny Tompo, izay manamafy, manazava sy manitatra nyfahalalantsika ny fahamarinana.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 35. Asaivo manaraka ny vakiteny nympianatra ambiny ary hitady ny zavatra nataon’ny Mpaminany Joseph Smith sy iSidney Rigdon tamin’ny fotoana nandraisan’izy ireo ny fanambarana hita ao amin’ityfizarana ity.

• Inona ny asa izay nanoloran’ny Mpaminany Joseph Smith sy i Sidney Rigdon tenatamin’ny fotoana nandraisan’izy ireo ity fanambarana ity?

Mba hanampiana ny fanazavana ny atao hoe Dikan-tenin’ny Baiboly nataon’i JosephSmith, dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ireto andinin-tsoratra roa ireto:

Nanodidina ny fararanon’ny taona 1830 dia nandidy ny Mpaminany Joseph Smith mba handika nyBaiboly ny Tompo. Tsy nandika ny Baiboly avy amin’ny fiteny iray ho amin’ny fiteny iray hafa izy, nahoe nanana sora-tanana voalohany momba ny Baiboly mba hanaovana ny fandikana. Fa i Joseph kosadia namaky sy nandalina ireo andinin-tsoratra masina avy ao amin’ny Baiboly King James Version aryavy eo dia nanao fanitsiana sy nanampy zavatra araka izay nitaoman’ny Fanahy Masina. Noho izany,

LESONA 12: SORATRA MASINA FANAMPINY AMIN’NY ANDRONTSIKA

59

ilay fandikana dia nirona bebe kokoa tamin’ny fanitsiana mazava kokoa fa tsy fandikan-teny araka nyfomba mahazatra hatrizay.

Ny Dikan-tenin’ny Baiboly nataon’i Joseph Smith dia niantefa tamin’ny andininy miisa 3.000 ao nyBaiboly King James Version. Ireo fahasamihafana ireo dia nahitana ny fanampiana (mba hanazavanany dikany na ny toe-javatra na mba hamerenana faminaniana amin’ny laoniny, tahaka ny bokin’iMosesy), famafana, andininy naverina narindra ary fanovana tanteraka ny firafitry ny toko sasany. Hofanazavana misimisy kokoa ny mikasika ny Dikan-tenin’i Joseph Smith, dia jereo ny Bible Dictionary nany Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Dikan-tenin’i Joseph Smith (DJS).”

Adikao eny amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity:

Fotopampianarana syFanekempihavanana 45:60–62

Fotopampianarana syFanekempihavanana 42:56, fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy a

Fotopampianarana syFanekempihavanana 76:15–19

Fotopampianarana syFanekempihavanana 93:53

Sasin-tenin’ny fizarana ho an’nyFotopampianarana syFanekempihavanana 35; 76; 77; 86; 91

Fotopampianarana syFanekempihavanana 94:10, fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy b

Zarao ho vondrona roa ireo mpianatra. Asao ny vondrona tsirairay handalina nyzavatra ao amin’iray amin’ireo tsanganana ireo, ary hitady fampahafantarana mikasikany Dikan-tenin’ny Baiboly nataon’i Joseph Smith. Rehefa avy nanome fotoana ampyho azy ireo dia asao ireo mpianatra hizara izay zavatra nianarany. Dia apetraho ityfanontaniana manaraka ity avy eo:

• Inona araka ny hevitrao no vokatry ny asa fandikan-teny tamin’ny fanabeazanaara-panahin’i Joseph Smith sy tamin’ny famerenana tamin’ny laoniny nyfahamarinan’ny filazantsara?

Mba hanampiana ny mpianatra hankafỳ ny fiantraikan’ny asa fandikan-tenin’nyBaiboly nataon’i Joseph Smith teo amin’ny Fiangonana, dia asao ny mpianatra irayhankany amin’ny “Filahatr’ireo fizarana araka ny vanim-potoany” (izay hita enyamin’ny fiatombohan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana) ary hanazava fany Mpaminany dia nifantoka indrindra indrindra tamin’ny asa fandikan-teny teoanelanelan’ny jona 1830 sy jolay 1833. Anontanio avy eo hoe:

• Firy no isan’ny fizarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavananavoaray teo anelanelan’ny jona 1830 sy jolay 1833? (Ny Mpaminany dia nandrayfanambarana niisa 74 izay lasa ho anisan’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana tamin’io fotoana io.)

Mety ilainao ny manoritra fa ny bokinʼi Mosesy sy ny Joseph Smith--Matio, izay samyhita ao aminʼny Voahangy Lafo Vidy, dia ampahanʼny fandikan-teninʼi Joseph Smith nyBaiboly ihany koa ary noraisiny nandritra izany fotoana fandikana izany. Ny bokinʼiMosesy dia ny fandikana ny toko fahavalonʼny Genesisy izay nataonʼi Joseph Smith.Tsikaritrʼi Joseph Smith fa misy tsy ampy betsaka ny avy tao aminʼny Baiboly teo am-pandikana ireo andininy mikasika anʼi Enôka izy. Ahitana teny 109 mikasika anʼi

LESONA 12: SORATRA MASINA FANAMPINY AMIN’NY ANDRONTSIKA

60

Enôka ny Baiboly King James ary teny 5.240 mikasika anʼi Enôka kosa ny ao aminʼnybokinʼi Mosesy.

• Inona no mety ho hevitry ny fisian’ny fanambarana maro voaray nandritra iofotoana io manoloana ny anjara asan’ny Dikan-tenin’i Joseph Smith amin’nyFamerenana amin’ny laoniny?

• Inona no fotopampianarana manan-danja sasany izay nomena nandritra io vanim-potoana io, raha mijery ny fizaran’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavananavoaray nandritra io fotoana io ianao? (Ireo ohatra mikasika ny fotopampianaranamanan-danja nomena nandritra io vanim-potoana io dia afaka hita ao amin’nyandininy 29, 42, 45, 76, 88, sy 93.)

Asehoy ity manaraka ity ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

“Ny dikan-tenin’ny Baiboly nataon’ny Mpaminany dia ampahany lehibe iray amin’ny fanabeazanaara-panahy ny tenany manokana sy amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fahamarinan’nyfilazantsara. Raha nanao fanitsiana ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao izy, dia matetikanandray ny fanambarana izay nanazava na nanitatra ny andinin-tsoratra masina tao amin’ny Baiboly.Tamin’izany fomba izany no nahafahan’ny Mpaminany nandray fotopampianarana maro avy amin’nyTompo, anisan’izany ny hita ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 74, 76, 77, 86, sy91, ary ny ampahan’ny fizarana maro ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana”(Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith, 222).

Mijoroa ho vavolombelona fa ny Tompo dia nanambara ampahany manan-danjaamin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izay vokatra mivantan’ny asan’iJoseph Smith amin’ny fandikana teny ny Baiboly. Azonao atao koa ny manazava fanisy ireo ampahan’ny Dikan-tenin’i Joseph Smith izay nampiana tao amin’ny BaibolyKing James Version, edisionan’ny OMAF tamin’ny 1979, izay nahafahan’ireofanambarana manan-danja ireo mitahy ny fiainan’ny mpikamban’ny Fiangonanamaro.

Ny bokin’i AbrahamaAsao ny mpianatra hamaky ny sasin-teny ho an’ny bokin’i Abrahama. Ifanakalozyhevitra amin’ny mpianatra vetivety monja ny votoatin’ny bokin’i Abrahama. Rehefaizany dia hazavao fa ny fahavaratry ny 1835, dia nisy lehilahy iray antsoina hoe MichaelChandler izay nitondra nankany Kirtland, Ohio ny faty maina voatahiry efatra avy tanyEgypta sy papirosy maromaro nahitana lahatsoratra egyptiana tranainy. Nympikamban’ny Fiangonana dia nividy ny faty maina voatahiry sy ny papirosy. Na diatsy fantatra mazava tsara aza ny fomba nanatontosaina ny dikan-teny, dia nataon’nyMpaminany Joseph Smith ny fandikana teny ny sasany amin’ny lahatsoratra nandritrany volana vitsivitsy taorian’ny nandraisana ny papirosy egyptiana. Nanombokatamin’ny martsa 1842, dia natonta tao amin’ny gazety fananan’ny Fiangonana atao hoeTimes and Seasons, ny ampahany maromaro ao amin’ny bokin’i Abrahama. Navoaka taoamin’ny Voahangy Lafo Vidy ny bokin’i Abrahama taty aoriana.

Zarao ity famintinana ny mombamomba ny fahatongavan’ny bokin’i Abrahama ity.Asao ny mpianatra hihaino ny zavatra fantatsika momba ny fomba nanaovana nydikan-teny.

Ny tsy fanekena ny fahamarinan’ny bokin’i Abrahama mazàna mitranga dia ny hoe ireo lahatsoratra(papirosy) ireo dia tsy tranainy loatra ka tsy afaka nosoratan’i Abrahama, izay niaina teo amin’ny

LESONA 12: SORATRA MASINA FANAMPINY AMIN’NY ANDRONTSIKA

61

2.000 taona teo ho eo talohan’i Jesoa Kristy. I Joseph Smith dia tsy nilaza velively fa ny papirosy dianosoratan’i Abrahama izy tenany na hoe izany dia avy amin’ny vanim-potoan’i Abrahama. “Matetikany rakitsoratra fahiny dia miampita amin’ny endrika tahadika na tahadikan’ny tahadika. Nyrakitsoratr’i Abrahama dia mety novain’ny … mpanoratra taty aoriana tahaka ny hoe nohavaozin’nympaminany-mpahay tantara Môrmôna sy Môrônia ny rakitsoratry ny vahoaka tany aloha, ao amin’nyBokin’i Môrmôna ” (“Translation and Historicity of the Book of Abraham,” Gospel Topics, lds.org/topics).

Raha nandika teny ny Mpaminany Joseph Smith, dia mety niasa tamin’ny fizaran’ny papirosy izaynopotehana taty aoriana izy. Araka izany, dia “tokony ho zava-poana ny fanadihadiana ny fahafahan’iJoseph mandika teny ny papirosy raha ampahan’izany fotsiny ihany no eo am-pelatanantsikaankehitriny” (“Translation and Historicity of the Book of Abraham”). Mety azo heverina koa fa nyfandinihan’i Joseph Smith tsara ny rakitsoratra no nahatonga azy handray “fanambarana momba nyzava-nitranga nanan-danja sy fampianarana avy amin’ny fiainan’i Abrahama, tahaka ny nandraisanytany aloha fanambarana mikasika ny fiainan’i Mosesy tamin’ny fotoana nandalinany ny Baiboly”(“Translation and Historicity of the Book of Abraham”). Na dia tsy fantatsika mazava tsara aza nyfomba nandikan’i Joseph Smith ny bokin’i Abrahama, dia fantatsika fa natao tamin’ny alalan’nyfanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny ny dikan-teny.

• Inona ireo ohatra sasany mikasika ny fomba nanampian’ny fisian’ny soratra masinafanampiny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith amin’ny fahatakarantsikany drafitr’ Andriamanitra ho an’ny zanany?

Mety ilaina ny hijoroanao ho vavolombelona fa rehefa ny mpianatra no mandalina nybokin’i Abrahama izay manan-danja ara-potopampianarana, dia hijoro hovavolombelona aminy ny Fanahy Masina ny amin’ny maha-zava-dehibe izany sy nyamin’ny fahamarinany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38; 68:3–5Ny fanambarana mitohy dia tonga amin’ny alalan’ireo mpaminany velonaAsao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana1:38 ary ny mpianatra iray hafa hamaky mafy ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 68:4. Manontania ny mpianatra momba ny zavatra nianarany avyamin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. (Tokony hitan’ny mpianatra ity fitsipikamanaraka ity: Rehefa miteny amin’ny herin’ny Fanahy Masina nympanompon’ny Tompo, dia mampita ny sitrapon’ny Tompo ny tenin’izy ireo.)

• Inona no zavatra niainanao izay nahatonga anao hahatsapa fankasitrahana nyamin’ny hoe ny Tompo dia mbola mampidina fanambarana ankehitriny?

Hazavao amin’ny mpianatra fa ao amin’ny Fiangonana, dia hankatoavina ho soratramasina (ekena ho soratra masina) ny fanambaran’ny mpaminany amin’ny andro faranysasany amin’ny alalan’ny lalàn’ny faneken’ny rehetra (jereo ny F&F 26:1–2). Nympikamban’ny Fiangonana dia asaina hanohana ny mpaminany sy ny apôstôlyamin’ny fanampiana ny fanambarana ao amin’ny soratra masina. Ohatra, nandritra nyfihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny ôktôbra 1978, dia nanohana ny mpaminany syny apôstôly amin’ny fanampiana ny Filazana Ôfisialy 2, ho anisan’ny soratra masinanankatoavina ny mpikambana, izay namela ny fandraisan’ny mpikambana lehilahymendrika rehetra ny fisoronana.

Asao ny mpianatra hitodika any amin’ny olona mipetraka eo akaikiny ary hifanakalohevitra mandritra ny fotoana fohy ny amin’ny mety holazainy ny olona iray mino fa nysoratra masina nankatoavina dia tsy azo ampiana intsony ary isika dia tsy afakamandray soratra masina fanampiny avy amin’ Andriamanitra.

LESONA 12: SORATRA MASINA FANAMPINY AMIN’NY ANDRONTSIKA

62

Farano amin’ny fangatahana ny mpianatra mba handinika ny zavatra mety hataonymba hankaherezany ny fijoroany ho vavolombelona fa misokatra ny lanitra ary nyTompo dia mbola manambara ny teniny ankehitriny.

Vakitenin’ny Mpianatra• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38; 42:56; 45:60–62; 68:3–5; 76:15–19;

93:53; 94:10.

• Jeffrey R. Holland, “My Words … Never Cease,” Ensign na Liahona, mey 2008,91–94.

• “Translation and Historicity of the Book of Abraham,” Gospel Topics, lds.org/topics.

LESONA 12: SORATRA MASINA FANAMPINY AMIN’NY ANDRONTSIKA

63

13 “Ilay Fahitana”

FampidiranaIlay fahitana nomena ny Mpaminany Joseph Smith izay voarakitraankehitriny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana76 dia manome antsika fahatakarana fototra ny amin’ny fiainanaaorian’ny fahafatesana, anisan’izany ny ambaratongam-

boninahitra. Avy amin’izany no ianarantsika koa ny zavatra tsymaintsy ataontsika mba hiverenana indray eo anatrehan’ny Rayany An-danitra sy Jesoa Kristy.

Vakiteny enti-mandalina• L. Tom Perry, “The Plan of Salvation,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 69–72.

• Matthew McBride, “‘The Vision’: D&C 76,” Revelations in Context series, 11 mar.2013, history.lds.org.

Sosokevitra Enti-mampianatraFotopampianarana sy Fanekempihavanana 76Fahatakarana fototra momba ny fiainana aorian’ny fahafatesanaHazavao fa tamin’ny taona 1830 dia maro ny Kristianina no nihazona finoanaankapobeny iray na roa mikasika ny lanitra sy ny helo, izay atao indraindray hoe fijery“nentim-paharazana” na “araka izao tontolo izao.” “Ny fijery “nentim-paharazana”dia lanitra tsotra fotsiny ho an’ny marina ary helo ho an’ny tsy mpankatò. Ny fijery“araka izao tontolo izao” dia ny hoe tsy afaka hanasazy ny mpanota mandrakizayAndriamanitra, satria any amin’ny farany any dia ho voavonjy ao fanjakan’Andriamanitra izy ireo. Tamin’io fotoana io dia kely kokoa ny zavatra fantatry nympikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy mikasika ny lanitra sy ny helo noho nyKristianina hafa. Ny febroary 1832, dia niaina fahitana izay hampiova betsaka nyfahatakaran’ny Olomasin’ny Andro Farany momba ny fiainana aorian’ny fahafatesana iJoseph Smith sy i Sidney Rigdon. Io fahitana io, izay voarakitra ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 76, dia nanambara fampiraisana marososona iray ny fitiavana, famindrampo, fahamarinana ary fitsaran’ Andriamanitra, arynanokatra ny varavaran’ny fijery tonga lafatra kokoa ny drafitry ny famonjen’ny Rayany An-danitra. Nandritra ny taona maro, ny mpikamban’ny Fiangonana tany am-piandohana dia nanome anarana an’io fahitana io tamin’ny fomba tsotra ho “IlayFahitana.” (Jereo ny Matthew McBride, “‘The Vision’: D&C 76,” Revelations inContext series, mar. 11, 2013, history.lds.org.)

Asaivo manome famariparitana fohy mikasika ny zavatra voasoratra ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 ny mpianatra iray. Asehoy ityfanambarana nataon’ny Filoha Wilford Woodruff ity (1807–98), ary asao ny mpianatrairay hamaky izany mafy:

“Azoko heverina fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia [mirakitra] nyfanambarana avy amin’ Andriamanitra indrindra izay nomena ny olombelona rehetrahatrizay. Raha ny “Fahitana’ [ao amin’nyfizarana 76] fotsiny no resahiko diaampitahaiko amin’ny fanambarana manome fahazavana bebe kokoa, fahamarinanabebe kokoa, ary fitsipika bebe kokoa mihoatra ny fanambarana hafa izay voarakitra

amin’ny boky hafa izay vakiantsika izany. Manome fahatakarana mazava tsara mikasika ny toerana

64

misy antsika amin’izao izany, avy aiza isika, nahoana isika no eto, ary handeha ho aiza isika. Ny olonatsirairay dia afaka mahafantatra amin’ny alalan’ny fanambarana ny anjara toerany sy ny mety hofepetra iainany” (Enseignements des Présidents de l’Église: Wilford Woodruff [2004], 126–27).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 76. Miangavia mpianatra iray hafa hamakymafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:15–19.

• Inona no zavatra nataon’i Joseph sy i Sidney izay nitondra tamin’ny fandraisana ityfanambarana ity?

• Inona no afaka ianarantsika avy amin’ny zavatra niainan’izy ireo mikasika nymaha-zava-dehibe ny mandalina sy misaintsaina momba ny soratra masina?(Alaivo antoka fa takatry ny mpianatra ny fifandraisan’ny misaintsaina momba nysoratra masina sy ny fandraisana fanambarana.)

Fanamarihana: Antitrantero fa ny fianarana misaintsaina momba ny soratra masina diafitaovana sarobidy fandalinana ny soratra masina izay manome fahafahana lehibekokoa ny Fanahy Masina hanambara amintsika ny fahamarinana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76: 1–10Fampanantenana ho an’ny mahatokyAsao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana76:1–4. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra, ary hitady ny teny na andian-tenyizay mamariparitra an’i Jesoa Kristy. Afaka asainao asian’ireo mpianatra marika ireozavatra hitany. Hazavao fa ny toetran’ny Mpamonjy hita ao amin’ireo andininy ireo diaohatra iray mikasika ny lisitra ao amin’ny soratra masina. Ny lisitra dia“fitambaran’ireo eritreritra, hevitra na torolalana mifandray. Ny fikarohana ireo lisitraao amin’ny soratra masina dia afaka manampy ny mpampianatra sy ny mpianatrahamantatra ny hevitra fototra izay tian’ny mpanoratra antitranterina” (Gospel Teachingand Learning [2012], 23). Mariho fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76dia ahitana lisitra maro avy ao amin’ny soratra masina.

• Inona no toetran’ny Mpamonjy voalaza ao amin’ny andininy 1–4 izay manan-danjaindrindra aminao? Nahoana?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana76:5–10 ary hijery ny fampanantenan’ny Tompo ho an’ny mahatoky. Asao nympianatra hikaroka ireo fampanantenana voatanisa ao amin’ny andininy 6–10. Azonaoatao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ny zavatra ao amin’io lisitraio izay manantitrantitra ny fampanantenan’ny Tompo.

• Araka ny andininy 5, inona no tsy maintsy ataontsika mba hahazoana nyfamindrampo sy ny fiantrana ary ny fankalazan’ny Tompo?

Ampio ny mpianatra hamantatra ity fitsipika manaraka ity avy amin’ny fandalinanyireo andininy ireo: Rehefa matahotra ny Tompo sy manompo Azy am-pahamarinana isika, dia hankalaza sy hamindra fo antsika Izy. Ampahatsiahivony mpianatra fa ny tiana holazaina amin’ny hoe “matahotra” ny Tompo eto dia nyfanajana Azy.

Mba hanampiana ny mpianatra hanana fahatakarana lalina mikasika ireo andinin-tsoratra masina ireo dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

LESONA 13: “ILAY FAHITANA”

65

• Inona amin’ireo fampanantenana hitanao tao amin’ny andininy 5–10 no tianao horaisina manokana? Nahoana?

• Inona araka ny hevitrao no zavatra ilainao atao mba handraisana io fitahiana io?

Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsaina ny antony mahatonga ireo fitahiana ireo homendrika ny hokatsahina ary hanao tomban’ezaka ny amin’ny fanajan’izy ireo nyTompo sy ny fanompoana Azy amim-pahamarinana sy am-pahatokiana.

Hazavao amin’ny mpianatra fa manomboka amin’ny andininy 11, dia voarakitra aoamin’ny ambin’ny fizarana 76 ny fanambaran’ny Tompo mikasika ny “misterin’nyfanjakana,” izay “manoatra noho ny fahatakarana rehetra” (andininy 114). Manokatrany fahatakarantsika an’ireo zavatra mahatalanjona mikasika ny fiainana mandrakizayny fanambarana, mampianatra antsika momba ny fiainan-koavy sy mampahafantatrany zavatra izay tsy fantatra teo aloha.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:19–24Fahitana ny Ray sy ny ZanakaHazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 dia ahitana andianafahitana. Mba hanomezana ny mpianatra topimaso ny amin’ny zavatra hitan’i JosephSmith sy i Sidney Rigdon tao amin’ireo fahitana ireo dia asehoy ity sary manaraka ityna omeo tahadikan’izany ny mpianatra tsirairay. Hazavao fa ny singa iray avy amin’nysary dia mifantoka amin’ny fahitana iray.

Mariho fa ny iray amin’ny fahitana nisokatra tamin’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdontamin’io andro io dia fahitana ny Ray sy ny Zanany Jesoa Kristy. Asehoy iretofanontaniana manaraka ireto, na soraty eny amin’ny solaitrabe:

Inona no fahamarinana ianarantsika avy amin’io fanambarana io mikasika an’i JesoaKristy?

Iza amin’ireo fotopampianarana ireo no azonao hijoroana ho vavolombelona? Ahoana noahafantaranao fa marina izany?

Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 76:19–24 ka hieritreritra ny fomba hamaliana ireo fanontanianaeny amin’ny solaitrabe. Rehefa avy nomena fotoana ampy ireo mpianatra, dia asao izyireo hizara ny valinteniny. Mety ho samihafa ireo valinteny, nefa alaivo antoka famahatakatra ireto fitsipika manaraka ireto ny mpianatra. I Jesoa Kristy dia olonavelona sy feno voninahitra. I Jesoa Kristy no Zanakalahy Tokan’ny Ray. I JesoaKristy no Mpahary ity tontolo ity sy ny tontolo hafa. Ny vahoaka amin’ity

LESONA 13: “ILAY FAHITANA”

66

tontolo ity sy amin’ny tontolo hafa dia zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra.

Hevero ny hizaranao ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Mpamonjy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:25–113Ny drafitry ny famonjenaHazavao fa ny andininy 25–113 amin’ny fizarana 76 dia mampianatra fahamarinanamahatalanjona mikasika ny drafitry ny famonjena. Asao ny mpianatra hisafidyvondrona iray amin’ireo andininy ireo araka ny voatanisa eo amin’ny sary ary hamakyizany haingana. Zarao tsiroaroa ny mpianatra ary asaivo manao fifanakalozan-kevitramikasika ny zavatra nianarany na ny zavatra izay hitany fa tena mampientam-panahyavy amin’ny vakiteniny. Rehefa izany dia manaova fifanakalozan-kevitra momba ityfanontaniana manaraka ity:

• Inona no fotopampianarana fototra mikasika ny fiainana sy ny fahafatesana izayampian’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 antsika ho takarina?(Mety hampiasa teny samihafa ny mpianatra, nefa alaivo antoka ny hahatakaranyfa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 noandraisantsika fahatakarana fototra ny amin’ny fiainana sy ny fahafatesanaary ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba hiainantsika indray eoanatrehan’ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy.)

Hazavao fa iray amin’ireo fahitana manan-danja indrindra nomena an’i Joseph Smithsy i Sidney Rigdon ny mikasika ny fanjakana selestialy. Asao ny mpianatra hamaky nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–53, sy hitady ny lisitry ny fepetratakiana amin’ny fidirana ao amin’ny fanjakana selestialy. Azonao atao ny manorohevitra ny mpianatra mba hanisy marika na hanisy tarehimarika an’ireo fepetra ireo aoamin’ny soratra masiny. Rehefa avy nizara ny zavatra hitany ny mpianatra iray, diamanontania fanontaniana tahaka ity manaraka ity:

• Araka ny eritreritrao, inona no dikan’ny hoe mandray ny “tenivavolombelon’iJesoa”? (Manana finoana ny asa fanavotan’ny Mpamonjy sy miaina araka nydidiny.)

• Inona ny dikan’ny hoe “mandresy amin’ny finoana”? (Mahatohitra ny fakam-panahy sy ny fahotana amin’ny fanehoana finoana an’i Jesoa Kristy sy maharitraamim-pahatokiana hatramin’ny farany.)

• Inona no dikan’ny hoe “fehezin’ny Fanahy Masin’ny fampanantenana”? (NyFanahy Masina, izay Fanahy Masin’ny Fampanantenana ihany koa, dia mijoro hovavolombelona amin’ny Ray fa nandray araka ny tokony ho izy ny ôrdônansin’nyfamonjena ao amin’ny Filazantsarany isika ary nitandrina amim-pahatokiana nyfanekempihavanana nataontsika.)

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:54–70 amin’ny alalan’nyfanazavana fa mitanisa ireo fitahiana maro izay horaisin’ireo mponin’ny fanjakanaselestialy io andinin-tsoratra masina io. Omeo fotoana fohy ny mpianatra hamakianyireo andininy ireo sy hitadiavany ireo fitahiana nampanantenaina na ny fepetra izaymanan-danja manokana ho azy ireo.

• Inona no fitahiana nampanantenaina ny mahatoky izay manan-danja manokanaaminao? Nahoana?

• Ahoana no hanampian’ny andininy 69 antsika amin’ny fahatakarana ny anjaraasan’ny Mpamonjy amin’ny fiainan’ireo izay mandova ny fanjakana selestialy?

LESONA 13: “ILAY FAHITANA”

67

(Isika tsirairay dia tsy hahomby amin’ny fanaovana ny zavatra rehetra ilainaamin’ny fandraisana ny fanjakana selestialy, na dia manao izay faran’ny vitantsikaaza. Amin’ny alalan’ny sorompanavotan’ny Mpamonjy ihany no ahafahantsika hovoadio amin’ny fahotantsika sy ho lasa tonga lafatra.)

• Ahoana no hanampian’ny fahafantarana ireo fahamarinana mikasika ny drafitry nyfamonjena voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76antsika amin’ny fanaovana safidy tsaratsara eo amin’ny fiainana?

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Filoha Boyd K. Packer ity, ary asao ny mpianatrairay hamaky izany mafy:

“Raha tsy misy ny fahafantarana ny drafitry ny filazantsara, dia toa mandeha ho azy, sytsy hananan-tsiny na voamarina mihitsy aza ny fandikan-dalàna. Tsy misy fiarovanaamin’ny fahavalo lehibe kokoa noho ny fahafantarantsika ny fahamarinana—nyfahafantarantsika ilay drafitra!” (Our Father’s Plan [1994], 27).

• Ahoana no fomba hanampian’ny fahafantarana ny fahamarinana hita ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 antsika amin’ny fiarovan-tenaamin’ny fitaoman’i Satana?

• Ahoana no fomba nanampiana sy notahiana anao amin’ny alalan’ny fahafantaranany drafitry ny Ray any An-danitra?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana76:114–117. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady ny fampanantenananomena an’ireo izay manadio ny tenany. Asao ny mpianatra hamariparitra nyfampanantenana ao amin’io andinin-tsoratra masina io.

Rehefa avy namaly ny mpianatra, dia asehoy ity fanambarana manaraka nataon’nyMpaminany Joseph Smith (1805–44) ity izay mifandray amin’ny fahitana voarakitra aoamin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:

“Afaka nazavaiko in-jato, eny mihoatra ny nataoko hatramin’izay ny voninahitry nyfanjakana izay nampisehoana ahy tamin’ny fahitana, izay nahazoako lalana, ary izaynisian’ny olona vonona hihaino izany” (ao amin’ny History of the Church, 5:402).

Mba hanampiana ny mpianatra hampihatra ny zavatra nianarany tao amin’ny fotoam-pampianarana, dia asehoy na soraty eny amin’ny solaitrabe ity andian-teny tsy fenoity:

Rehefa avy nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:

Fantatro fa …

Izaho dia maniry ny …

Izaho dia …

Asao ny mpianatra hameno ireo andian-teny ireo amin’ny taratasy iray. Amporisiho izyireo mba handinika raha toa ka hahatonga azy ho mendrika ny handova ny fanjakanaselestialy sy hanampy azy ho mendrika ny fitahiana hafa nampanantenana tao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 ny safidy izay ataon’izy ireo. Zarao ny

LESONA 13: “ILAY FAHITANA”

68

fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ireo fahamarinana izay noresahinaandroany nandritra ny fotoam-pampianarana.

Vakitenin’ny Mpianatra• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76.

• L. Tom Perry, “The Plan of Salvation,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 69–72.

LESONA 13: “ILAY FAHITANA”

69

14 Ny Tempolin’i Kirtland sy ireoFanalahidin’ny Fisoronana

FampidiranaTaorian’ny telo taona teo ho eo izay niainana fahasahiranana syfahafoizana ara-bola, dia notokanana tamin’ny 27 mey 1836 nyTempolin’i Kirtland. Nisy ny zava-nitranga nahagaga izay nanarakany fanokanana, ary herinandro taty aoriana dia namerina tamin’nylaoniny ireo fanalahidin’ny fisoronana tamin’i Joseph Smith sy i

Oliver Cowdery ny iraka avy any an-danitra. Ireo fanalahidy ireo diatoetra manokana mampiavaka ny Fiangonana ary nitondrafitahiana ho an’ny olona an-tapitrisany izay niangona tao amin’nyFiangonana.

Vakiteny enti-mandalina• Jeffrey R. Holland, “Our Most Distinguishing Feature,” Ensign na Liahona, mey

2005, 43–45.

• David A. Bednar, “Honorably Hold a Name and Standing,” Ensign na Liahona, mey2009, 97–100.

• “Glorious Days in Kirtland, 1834–1836,” toko 13 ao amin’ny Church History in theFulness of Times Student Manual, ed. faharoa (Boky Torolalan’ny Departemantan’nyFampianarana an’ny Fiangonana, 2003), 153–68.

Sosokevitra Enti-mampianatraFotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:1–28Nahafoy tena ireo Olomasina mba hanorenana ny Tempolin’i KirtlandAsehoy ny mpianatra ny sarin’ny Tempolin’i Kirtland (jereo ny Boky mirakitra sarymomba ny Filazantsara [2009], lah. 117; jereo koa ny LDS.org). Hazavao fa nyOlomasina dia niasa mafy sy nahafoy tena nandritra ny telo taona teo ho eo mbahanorenana ny Tempolin’i Kirtland. Rehefa nanao izany izy ireo, dia nahita nyfahatanterahan’ny fampanantenan’ny Tompo fa raha mitandrina ny Didiny izy ireo, dia“hanan-kery hanorenana izany” (F&F 95:11). Teo amin’ny 1.000 teo ho eo no isan’nyolona nanatrika ny fanokanana ny tempoly, izay natao ny 27 martsa 1836. Ny vavakafanokanana, izay voarain’i Joseph Smith tamin’ny alalan’ny fanambarana diavoarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109.

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ao amin’ny Fotopampianaranasy Fanekempihavanana 109:1–5. Amporisiho ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny,ary haka naoty ny andian-teny izay mamariparitra ny fahafoizan-tenan’ireo Olomasinamba hanorina ny tempoly. Avy eo dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

• Inona ireo andian-teny nampiasan’i Joseph Smith mba hamariparitana nyfahafoizan-tenan’ireo Olomasina?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny fahafoizan-tenan’ireoOlomasina, dia asaivo mamaky mafy ity famintinana ity ny mpianatra iray:

Teo anelanelan’ny jona 1833 sy martsa 1836, no niasan’ny lehilahy sy vehivavy niaraka mbahanorenana sy hamitàna ny tranon’ny Tompo. Ny sasany nandrafitra vato, ary ny hafa kosa nitatitravato, nisy ireo nanodinkodina kofehy ary ny hafa kosa nanjaitra akanjo ho an’ny mpiasa, sy niasa hoan’ny lambam-baravaran’ny tranon’ny Tompo. Izany rehetra izany dia natao “mba hananan’ny

70

© Busath.com

Zanak’olona toerana hanehoana ny tenany amin’ny vahoakany” (F&F 109:5). Misy Olomasin’ny AndroFarany, toa an’i John Tanner, izay nanome betsaka tamin’ny harenany ho an’ny fanorenana nytempoly. Raha atambatra, dia mety nitentina teo amin’ny 40.000 dolara amerikana ny vidin’nyfanorenana ny tempoly—izay vola betsaka tokoa tamin’izany fotoana izany. Na dia teo aza ny vidinysy ny fahafoizan-tena natao, dia nahatoky tamin’ny asa fankatoavana ny didin’ Andriamanitra nyOlomasina (jereo ny F&F 95:11). Ny Tempolin’i Kirtland dia asa natao vokatry ny fo sy fampisehoanafankatoavana, fahafoizan-tena ary finoana.

• Inona ireo fahafoizan-tena takiana amintsika ankehitriny mba handraisana ireofitahian’ny tempoly?

• Inona ireo fitahiana tonga amin’ny fiainantsika rehefa mahafoy tena isikamanoloana ny fanatanterahana ny asan’ny Tompo?

Mba hamaliana ity fanontaniana ity dia asehoy izao fanambarana nataon’ny RahavavyCarol B. Thomas izao, izay tao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany. Asaony mpianatra iray hamaky izany mafy:

“Ny fahafoizan-tena dia fitsipika mahatalanjona. Rehefa manome ny fotoana sy talentaary ny rehetra ananantsika an-tsitrapo isika, dia lasa fomba fiderantsika marinaindrindra izany. Afaka mampitombo ao anatintsika ny fitiavana lalina ho an’ny hafa syho an’ny Mpamonjy, Jesoa Kristy izany. Afaka miova ny fontsika, amin’ny alalan’nyfahafoizan-tena; miaina akaiky kokoa amin’ny Fanahy isika ary mihena tsikelikely nyfaniriantsika ny zavatr’izao tontolo izao ” (“Sacrifice: An Eternal Investment,” Ensign,

mey 2001, 64).

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana109:12–13 sy 20–21, ka hitady ny fomba nanehoana ny fahamasinan’ny tempoly aoamin’io vavaka io. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra niavaka taminy indrindra aoamin’ireo andininy ireo.

Lazao ny mpianatra fa nandritra ny vavaka fanokanana, dia nangataka fitahianamanokana amin’ny Tompo i Joseph Smith. Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimbyhamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:12–15, 22–28.Amporisiho ny mpianatra ambiny mba hanaraka ny vakiteny ary hitady ny fitahianaafaka azon’ireo izay manompo amim-pahamendrehana any amin’ny tempoly. Azonaoatao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ireo teny sy andian-teny izaymanan-danja amin’izy ireo. Avy eo dia mifanakaloza hevitra momba iretofanontaniana manaraka ireto:

• Inona amin’ireo fitahiana hitanao no manan-danja aminao indrindra? Nahoana?

• Inona no fotopampianarana na fitsipika afaka ianarantsika avy amin’ireo andininyireo? (Alaivo antoka fa hitan’ireo mpianatra ity fitsipika manaraka ity: Rehefamanompo amim-pahamendrehana ao amin’ny tempoly isika, dia afakamandray fiarovana bebe kokoa ary hery hiadiana amin’ny faharatsian’izaotontolo izao.)

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Loholona David A. Bednar avy ao amin’nyKôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

LESONA 14: NY TEMPOLIN’I KIRTLAND SY IREO FANALAHIDIN’NY FISORONANA

71

“Mba diniho anie ny [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:24–28]manoloana ny fahaviniran’ny fahavalo ankehitriny ary … ny fahavononantsika hitondraeo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy sy ny fitahian’ny fiarovana nampanantenanaan’ireo izay mihazona amin-kaja ny anarana sy mitoetra ao amin’ny tempoly masina.Noho izany ireo fitahiana ireo dia natokana ho an’ny taranaka rehetra ary haharitra

mandrakizay. Manasa anao aho mba handalina tsy an-kiato ary hisaintsaina am-bavaka ny vokatr’ireosoratra masina ireo eo amin’ny fiainanao sy ny fianakavianao.

“Tsy tokony ho gaga isika amin’ny ezaka ataon’i Satana mba hanakanana na hanosoram-potaka nyfiderana sy ny asan’ny tempoly. Ny devoly dia mankahala ny fahadiovana sy ny hery ao amin’nytranon’ny Tompo. Ary ny fiarovana izay azontsika tsirairay ao amin’ny ôrdônansin’ny tempoly sy nyfanekempihavanana sy amin’ny alalan’izany dia mijoro ho sakana lehibe ho an’ny tanjona ratsin’iLosifera” (“Honorably Hold a Name and Standing,” Ensign na Liahona, mey 2009, 99–100).

• Ahoana no nahatsapanao fitomboan’ny herinao ara-panahy noho ny fanompoanatany amin’ny tempoly?

Asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra tokony hataony mba handraisany bebekokoa ny fitahiana nampanantenana an’ireo izay manompo amim-pahatokiana anyamin’ny tempoly. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa rehefa misaintsaina ny soratramasina sy ny tenin’ny mpaminany izy ireo, dia misokatra bebe kokoa amin’nyfanentanam-panahy avy amin’ny Tompo ny fo sy ny sain’izy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110I Jesoa Kristy, Mosesy, Elia ary Elià dia niseho tao amin’ny Tempolin’i KirtlandHazavao fa Andriamanitra dia namaly soa ny fahafoizan-tenan’ireo Olomasinatamin’ny fanorenana ny Tempolin’i Kirtland tamin’ny alalan’ny fandrotsahanafahagagana ara-panahy isan-karazany nandritra ny fanokanana. Raha mbola misy nyfotoana, dia zarao vetivety ny sasany amin’ny tantara hita ao amin’ny toko 13(“Glorious Days in Kirtland, 1834–36”) amin’ny Church History in the Fulness of TimesStudent Manual, ed. faharoa (Boky Torolalan’ny Departemantan’ny Fampianaranaan’ny Fiangonana, 2003), indrindra indrindra ny ao amin’ny fizarana mitondra nylohateny hoe “A Pentecostal Season” (pejy 164–67). Lazao ny mpianatra fa angambany tranga nanan-danja indrindra tamin’ireo dia niseho ny 3 aprily 1836, herinandrotaorian’ny fanokanana.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 110, ary asaivo manaraka ny vakiteny nympianatra ambiny. Avy eo dia manontania hoe:

• Natokana ho an’iza ity fahitana ity? Inona no zavatra nataon’i Joseph Smith sy iOliver Cowdery talohan’ny nitrangan’io fahitana io?

Hazavao amin’ny mpianatra fa ny andininy folo voalohany ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 110 dia fahitana feno voninahitra nomenaan’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ny Mpamonjy, izay niseho tamin’izy ireo mbahilazana fa nekeny ny Tempolin’i Kirtland. Asaivo mamaky ireo andininy ireo am-pahanginana ny mpianatra ka hitady ireo fahamarinana lehibe izay sady mikasika nyMpamonjy no mikasika ny tempoly. Rehefa nahazo fotoana ampy izy ireo dia anotaniohoe:

• Inona amin’ireto andininy ireto no manan-danja aminao? Nahoana?

LESONA 14: NY TEMPOLIN’I KIRTLAND SY IREO FANALAHIDIN’NY FISORONANA

72

• Araka ny andininy 6, dia nilaza ny Mpamonjy hoe: “Aoka ny fon’ny vahoakakorehetra hifaly.” Nahoana araka ny eritreritrao no nanana antony hifaliana nyvahoaka tamin’io fotoana io?

Hazavao fa rehefa tanteraka ilay fahitana ny Mpamonjy, dia nisy andiana fahitana hafananaraka izany. Tao amin’ireo fahitana ireo no nisehoan’i Mosesy, Elià ary Elia izayniseho tsirairay tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery.

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao:

Mosesy: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11

Elià: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:12

Elia: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:13–15

Zarao ho vondrona telo ny mpianatra. Ampandraiketo ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina eo amin’ny solaitrabe ny vondrona mpianatra tsirairay. Asao nympianatra handalina ny andinin-tsoratra masina nomena azy mba hianatra mikasikafanalahidin’ny fisoronana manokana izay naverina tamin’ny laoniny. Rehefa avynanome fotoana ampy, dia asao izy ireo hanao tatitra ny zavatra hitan’izy ireo.

Ity fanazavana manaraka ity dia afaka manome ny mpianatra fahatakarana lalinakokoa momba ny zavatra novakiany. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy nyfanambarana tsirairay aorian’ny fanaovana fifanakalozan-kevitra mikasika ny andinin-tsoratra masina mifandray aminy.

Mosesy: Ny fanalahidin’ny fanangonana an’i Isiraely dia manome ny fahefana hitarika ny fitoriana nyfilazantsara avy any amin’ny vazan-tany efatra. “Tena mety tokoa ny hoe i Mosesy, izay nitarika nyzanak’ Andriamanitra nankany amin’ny tany nampanantenana tany am-boalohany no manolotra nyfanalahidin’ny fanangonana an’i Isiraely sy ny Fiangonana tafaverina amin’ny laoniny” (Russell M.Nelson, “The Gathering of Scattered Israel,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 82, Fanovozan-kevitra enyambanin’ny pejy 28).

Elià: “Ny lehilahy iray nantsoina hoe Elià dia toa hoe niaina teto an-tany nandritra ny vanim-potoan’iAbrahama, ary izy dia nanolotra ny fotoampitantanan’ny filazantsaran’i Abrahama tamin’i JosephSmith sy i Oliver Cowdery tao amin’ny Tempolin’i Kirtland (Ohio) ny 3 aprily 1836” (Bible Dictionary,“Elias”). “I Elià dia [namerina] indray ny ‘filazantsaran’i Abrahama,’ ilay Fanekempihavanan’iAbrahama lehibe izay ahafahan’ny mahatoky mandray ireo fampanantenana ny fitomboanamandrakizay, ny fampanantenana fa amin’ny alalan’ny fanambadiana selestialy dia ho maro toy nykintana eny amin’ny lanitra sy toy ny fasika eny amoron-dranomasina, izay tsy hita isa ny taranany”(Bruce R. McConkie, “The Keys of the Kingdom,” Ensign, mey 1983, 22).

Elia: “Io hery famehezana nomena an’i Elia io, no ilay hery mamehy ny mpivady, sy ny zanakaamin’ny ray aman-dreny mandritra izao fiainana izao sy ho amin’ny mandrakizay. Io no herymamatotra misy isaky ny ôrdônansin’ny Filazantsara. … Amin’ny alalan’io hery io no voafatotra, navoafehy ny ôrdônansy mikasika ny famonjena rehetra, ary iraka nampandraiketina an’i Elia ny ho avysy hamerina izany amin’ny laoniny” (Joseph Fielding Smith, Elijah the Prophet and His Mission [1957],5).

Vakio mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:16 ary amporisiho nympianatra mba hanaraka ny vakiteny. Asao ny mpianatra hamantatra ny zavatranatolotra an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tamin’io fotoana io (“ireofanalahidin’ity fotoampitantanana ity”). Rehefa izany dia manontania hoe:

LESONA 14: NY TEMPOLIN’I KIRTLAND SY IREO FANALAHIDIN’NY FISORONANA

73

• Araka ny voalaza ao amin’ny andininy 16, inona no zavatra afaka fantarintsikanoho ny namerenana ireo fanalahidy ireo tamin’ny laoniny? (Efa akaiky ny FiavianaFanindroany.)

• Raha heverina hatrany ny andininy 16, nahoana no nilaina ny namerenan’i Mosesy,Elià ary Elia an’ireo fanalahidy ireo alohan’ny “andron’ny Tompo, izay lehibe symahatahotra”?

• Ahoana no nandraisanao fitahiana noho ny namerenana ireo fanalahidin’nyfisoronana ireo tamin’ny laoniny? (Rehefa avy namaly ny mpianatra, dia fintino nymaha-zava-dehibe ny famerenana ireo fanalahidy ireo tamin’ny laoniny amin’nyfanambarana ity fitsipika ity: Ny fanalahidin’ny asa fitoriana, ny fianakavianamandrakizay, sy ny asan’ny tempoly dia manampy antsika hiomana syhampiomana an’izao tontolo izao ho amin’ny Fiavian’i Jesoa KristyFanindroany.)

Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’nyKôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

“Ny fisoronan’ Andriamanitra, miaraka amin’ny fanalahidiny, ny ôrdônansiny, nyfiandohany tany amin’ Andriamanitra ary ny fahafahana mamatotra any an-danitra izayvoafatotra eto an-tany, dia sady tsy azo soloina ao amin’ny Fiangonana marin’Andriamanitra no tsy manam-paharoa ao aminy ary … raha tsy misy izany dia tsy misyNy Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany” (“Our Most

Distinguishing Feature,” Ensign na Liahona, mey 2005, 43).

Zarao ny fomba nitahiana anao noho ny namerenana tamin’ny laoniny ireofanalahidin’ny fisoronana ireo. Mijoroa ho vavolombelona fa ny fanalahidin’nyfisoronana dia zavatra ananana manokana mampiavaka ny Fiangonana; manasarakaNy Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’ny fiangonanahafa eto an-tany izany.

Vakitenin’ny Mpianatra• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:1–28; 110:1–16.

• Jeffrey R. Holland, “Our Most Distinguishing Feature,” Ensign na Liahona, mey2005, 43–45.

• David A. Bednar, “Honorably Hold a Name and Standing,” Ensign na Liahona, mey2009, 97–100.

LESONA 14: NY TEMPOLIN’I KIRTLAND SY IREO FANALAHIDIN’NY FISORONANA

74

15Tanjaka ao anatin’nyFanoheranaNandritra ny taona 1837 sy 1838 dia niely patrana teo amin’ny mpitarika sympikamban’ny Fiangonana sasany tany Kirtland sy Ohio ary Missouri avaratra nytoetran’ny fanakianana sy ny fifandirana ary ny apôstazia. Nitombo ny olana rehefanampiseho mivantana ny fanoherana ny mpaminany Joseph Smith ny olona. Afakamianatra isika avy amin’ireo zavatra izay niainan’ny Olomasina tany am-boalohany farehefa miaina amim-pahamarinana sy manohana ireo mpanompon’ny Tompo isika diamahazo hery ara-panahy ao anatin’ny fanoherana.

Vakiteny Enti-mandalina• “Prenez garde aux fruits amers de l’apostasie,” toko 27 ao amin’ny Enseignements

des Présidents de l’Église: Joseph Smith (2007), 339–50.

• Jeffrey R. Holland, “Lessons from Liberty Jail” (takariva amorom-patana an’nyDepartemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 7 sept. 2008), lds.org/broadcasts.

• Neil L. Andersen, “Fitsapana ny Finoanao,” Ensign na Liahona, nôv. 2012, 39–42.

Sosokevitra Enti-mampianatraFotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:10–15Apôstazia tao Kirtland, OhioSoraty eny amin’ny solaitrabe ireto teny manaraka ireto: tezitra, tafintohina, mialona.Asao ireo mpianatra mba hieritreritra ny fotoana izay efa nahatsapany an’ireofahatsapana ireo.

Asehoy ity tantara manaraka ity ary asao ny mpianatra iray mba hamaky izany mafy.Asao ireo mpianatra mba hamantatra ny toe-javatra izay nahatonga an’i Thomas B.Marsh hahatsapa ireo fahatsapana voasoratra eny amin’ny solaitrabe ireo.

Taoriana kelin’ny niantsoana an’i Thomas B. Marsh ho Apôstôly tamin’ny 1835, diavoatendry ho Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izy. Tamin’nylohataonan’ny 1837 dia nahare ny Filoha Marsh fa nikasa ny hanao asa fitoriana nyfilazantsara tany Angletera ny iray tamin’ireo Apôstôly, ny Loholona Parley P. Pratt,kanefa tsy nahazo tari-dàlana avy tamin’ny Filoha Marsh akory. Nanoratra taratasy hoan’ny Loholona Pratt sy ireo mpikambana hafa tao amin’ny Roambinifololahy nyFiloha Marsh, izay tany Missouri, ary nanasa azy ireo mba hihaona aminy tao Kirtland,Ohio, ny 24 jolay 1837, mba hahatonga azy ireo hitovy drafitra mikasika ny fanaovanaasa fitoriana. Volana iray talohan’ny fotoana nanaovana io fivoriana io anefa dianandeha tany Angletera ny mpikambana roa hafa tao amin’ny Roambinifololahy, nyLoholona Heber C. Kimball sy ny Loholona Orson Hyde, rehefa nahazo antso avytamin’ny Mpaminany Joseph Smith mba hitory ny filazantsara. Tezitra ny Filoha Marshfa nandeha nitory ny filazantsara tany Angletera ireo mpikambana tao amin’nyRoambinifololahy kanefa tsy nisy ny fandraisany anjara.

• Manoloana an’io trangan-javatra io, inona no afaka nataon’ny Filoha Marsh mbahisorohana ireo fahatsapana voatanisa eny amin’ny solaitrabe ireo?

• Inona ireo loza sasany izay ateraky ny famelana ny fahatsapana toy izany hifehy nyeritreritsika sy ny zavatra ataontsika? (Mariho amin’ny mpianatra fa manafintohina

75

ny Fanahy Masina ny fahatsapana toy izany ary matetika mitarika ho amin’nyfahotana lehibe kokoa.)

Asaivo manohy amin’ny famakiana izao manaraka izao ny mpianatra:

Nilaza ny ahiahiny tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ny Filoha Marsh ary nangatakany toroheviny. Ho valin’izany dia nanome ny fanambarana izay voarakitra ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 112 ny Tompo.

Tamin’ny fotoana nanomezan’ny Tompo ity fanambarana ity, ny volana jolay 1837, dianahitana fisaraham-bazana sy fifandirana ary apôstazia teo amin’ny Fiangonana.Nitarika ireo mpikamban’ny Fiangonana sasany hitsikera ampahibemaso nyMpaminany Joseph Smith sy hisalasala ny amin’ny fahefany ny avonavona sy nyfitiavan-karena. Nikatsaka ny hanala an’i Joseph Smith amin’ny maha-Filohan’nyFiangonana azy mihitsy aza ny mpikamban’ny Fiangonana sasany, anisan’izany nysasany tamin’ireo mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

• Inona no fahatsapana nahatonga ny mpikamban’ny Fiangonana sasany tsyniraharaha ny fijoroany ho vavolombelona momba ny fahamarinana ka nanohitraampahibemaso ny Mpaminany Joseph Smith?

Asao ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:10–12,15, ka hitady ny torohevitra izay nomen’ny Tompo an’ny Filoha Marsh sy ireompikambana hafa tao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy izay afaka manampy nympikamban’ny Fiangonana mba tsy ho lasa mpitsikera ny mpitarika.

Asao ny mpianatra hanao ny tatitra momba ny zavatra hitany. Anontanio avy eo hoe:

• Ahoana no fomba hanampian’ny torohevitra ao amin’ireo andininy ireo nympikamban’ny Fiangonana mba tsy ho lasa mpitsikera ny mpitarika ao amin’nyFiangonana? (Rehefa mizara ny valinteniny ireo mpianatra dia ampio izy ireohahatakatra izao fitsipika manaraka izao: Hitarika antsika sy hanome antsika nyvalin’ny vavaka ataontsika ny Tompo raha manetry tena isika. Takian’nyTompo amintsika ny hanohana ireo mpitarika izay mihazona ny fanalahidyhitarihana ny Fiangonana. Toroy hevitra ny mpianatra fa soratra masinamifandray ny andininy 15 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana84:35–38. Azonao atao ihany koa ny manamarika fa nomena ny Filohan’nyKôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny torohevitra mba hananatra ny mpikambanaao amin’ny Roambinifololahy fa tsy an’ny mpikamban’ny Fiangonana.)

Omeo tahadikan’ny taratasy zaraina izay hita any amin’ny faran’ny lesona nympianatra tsirairay. Zarao ho vondrona kely ireo mpianatra ary asao ny vondronatsirairay hamaky miaraka ny fizarana mitondra ny lohateny hoe: “Apôstazia taoKirtland: Ny Ilàna ny Fanarahana ny Mpitarika ao amin’ny Fiangonana.” Asao ireompianatra mba hifanakalo hevitra momba ilay fanontaniana amin’ny faran’ilay fizarànaamin’ny vondrona misy azy.

Azonao faranana ity ampahan-desona ity amin’ny fampisehoana ity fanambaranamanaraka nataon’ny Filoha Heber C. Kimball (1801–68) tao amin’ny FiadidianaVoalohany ity, ka hifanakalo hevitra mikasika izany:

“Homeko fanalahidy iray izay fanolotry Rahalahy Joseph Smith tany Nauvoo ianareo.Nilaza izy fa ny dingana voalohany indrindra izay mitondra mankany amin’ny apôstaziadia manomboka rehefa very ny fahatokisantsika ireo mpitarika ato amin’ity fiangonanasy fanjakana ity, ary isaky ny mamantatra izany fahatsapana izany ianao dia fantaro fa

LESONA 15: TANJAKA AO ANATIN’NY FANOHERANA

76

ny fananana izany dia hitarika any amin’ny làlan’ny apôstazia” (Enseignements des Présidents del’Église: Joseph Smith [2007], 341).

Mba hanamafisana ny maha-zava-dehibe ny fanarahana amim-pahatokiana nympaminany sy ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia vakio ity traikefa manaraka ityavy tamin’ny fiainan’i Brigham Young (1801–77), izay mpikambana tao amin’nyKôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’izany fotoana izany:

“Raha tao Kirtland ny Filoha Brigham Young dia nifanena tamin’ny vondron’olonanihemotra izay nikonokonona ny hanohitra ny Mpaminany Joseph Smith tao amin’nytempoly. Hoy izy: ‘Nitsangana aho ary nilaza tamin’izy ireo tamin’ny fomba mazavatsara sy feno fahefana fa Mpaminany i Joseph, ary fantatro izany, ary izy ireo dia afakamitsikera sy mivazavaza araka izay mahafinaritra azy ireo fa tsy afaka hanafoana ny

fanendren’ Andriamanitra, ny fahefan’izy ireo manokana no afaka potehiny, manapaka ny tady izaynampifamatotra azy ireo tamin’ny Mpaminany sy tamin’ Andriamanitra, ary mitsoraka any amin’nyhelo’” (Enseignements des Présidents de l’Église: Brigham Young [1997], 79).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–10, 16–17; 122:1–9Fanoherana tao Missouri AvaratraHevero ny hijanonan’ny mpianatra ao amin’ny vondrona kely ary asao ny vondronatsirairay hamaky ny fizarana faharoa izay mitondra ny lohateny hoe: “Fifandirana taoMissouri Avaratra: Mianatra ny Miaritra Tsara ny Fanoherana” ao amin’ny taratasyzaraina. Hazavao fa ity fizarana ity dia mamariparitra ny sasany tamin’ireo zavatranahatonga ny Olomasina ho voaroaka avy tao Missouri Avaratra sy nahatonga nyMpaminany Joseph Smith ho voatazona tao amin’ny fonjan’i Liberty. Asao ireompianatra hifanakalo hevitra mikasika ireo fanontaniana amin’ny faran’ity fizaràna ityamin’ny vondrona misy azy.

Rehefa vitan’ireo mpianatra ny taratasy zaraina, dia hazavao fa misy fantina avytamin’ny taratasy ho an’ireo Olomasina izay nosoratan’ny Mpaminany Joseph Smithtamin’ny faramparan’ny nahavoafonja azy tao amin’ny fonjan’i Liberty nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–23.

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ao amin’ny Fotopampianaranasy Fanekempihavanana 121:1–6. Asao ireo mpianatra mba hitady ny fanontaniana izaynapetraky ny Mpaminany tamin’ny Tompo.

• Inona ireo fanontaniana hitanao?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana121:7–10, 16–17; 122:7–9. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hieritreritrany fomba nankaherezan’ny valintenin’ny Tompo an’i Joseph Smith mba hiatrika nyfanoheran’ireo fahavalony.

Asao ireo mpianatra mba hilaza ny fotopampianarana sy ny fitsipika izay nianarany avytamin’ireo andininy izay novakiany ireo. (Mety ho toy izao ireo valinteny: Rahamiaritra tsara ny fanoherana eto amin’ny fiainana an-tany isika, dia hitahyantsika Andriamanitra ankehitriny ary amin’ny mandrakizay. Ireo izaymiampanga ny mpanompon’ny Tompo dia mpanompon’ny fahotana. Afakamahazo hery isika ao anatin’ny fitsapana rehefa miantehitra amin’nySorompanavotan’ny Mpamonjy sy mahatsiaro ny ohatry ny faharetana amim-pahatokiana izay nasehony.)

LESONA 15: TANJAKA AO ANATIN’NY FANOHERANA

77

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Loholona Neil L. Andersen avy ao amin’nyKôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary miangavia mpianatra iray hamaky izanymafy:

“Raha jerena ifotony dia tena hizaha-toetra tokoa ireo fizahan-toetra. Mety hisyfanaintainana, fikorontanan-tsaina, alina tsy ahitan-tory, ary ondana kotsan-dranomaso.Saingy tsy tokony hiteraka fahafatesana ara-panahy ireo fizahan-toetra antsika. Tsytokony hanala antsika amin’ireo fanekempihavanana nataontsika na hanala antsika tsyho ao amin’ny ankohonan’ Andriamanitra izy ireo. …

“Toy ilay afo midedadeda izay manova ny vy ho lasa vy tsy, rehefa mitoetra ho mahatoky isikamandritra ny fizahan-toetra ny finoantsika, dia misy fandiovana ara-panahy mitranga ary dia mitombony herintsika ara-panahy” (“Fitsapana ny Finoanao,” Ensign or Liahona, nôv. 2012, 41–42).

Asao ny mpianatra mba hieritreritra ny zavatra izay efa nataony na mbola hataony mbahahatsiarovana fa afaka mampatanjaka azy ireo Andriamanitra rehefa mandalofitsapana na fanoherana ny finoany izy ireo. Omeo fotoana ireo mpianatra mbahizaràny ny traikefany na ny eritreriny mikasika ny fianteherana amin’ Andriamanitramandritra ny fotoan-tsarotra.

Vakitenin’ny Mpianatra• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:10–15; 121:1–10, 16–17; 122:1–9.

• Neil L. Andersen, “Fitsapana ny Finoanao,” Ensign na Liahona, nôv. 2012, 39–42.

Mijanona ho Mafy Orina ao anatin’ny Fotoan’nyFanoheranaApôstazia tao Kirtland: Ny Ilàna ny Fanarahana ny Mpitarika ao amin’nyFiangonanaTamin’ny taona 1837, dia nandalo olana ara-bola ireo Olomasina teo Kirtland, Ohio. Mba hanampianaireo Olomasina hahaleo tena bebe kokoa ara-bola dia nanangana orinasa iray mitovitovy amin’ny bankyi Joseph Smith sy ny mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana izay nantsoina hoe Kirtland Safety Society.Noho ny fahaketrahana ara-toekarena izay niely patrana tamin’izany fotoana izany dia maro ireo bankyizay maty antoka nanerana an’i Etazonia. Maty antoka koa ny Kirtland Safety Society tamin’ny fararano1837. Mpampiasa vola roan-jato tao amin’ilay banky no very saika ny rehetra izay nananany ary iJoseph Smith no nianteheran’ny fatiantoka lehibe indrindra. Na dia tsy ny Fiangonana aza no namatsyny Kirtland Safety Society dia maro tamin’ireo Olomasina no nihevitra izany ho bankin’ny Fiangonana nabankin’ny Mpaminany ka nanome tsiny an’i Joseph Smith noho ny olany ara-bola. Nanomboka niantsoazy ho mpaminany lany hery mihitsy aza ny sasany. Fa na dia teo aza ny tsy fahombiazan’ilay banky diamaro tamin’ireo izay very vola no nanohy tao amin’ny finoana ka nijanona ho marina tamin’nyMpaminany.

Nanomboka niely patrana teo amin’ireo Olomasina maro ny toetran’ny apôstazia sy ny fanakianana. Nyvolana jona 1838, olona nihemotra 200 na 300 teo ho eo no niala ny Fiangonana, anisan’izany nyApôstôly efatra, ireo Vavolombelona Telon’ny Bokin’i Môrmôna ary mpikambana iray tao amin’nyFiadidiana Voalohany. Na izany aza maro tamin’ireo Olomasina no nandray io fotoan’ny fitsapana iotamim-pinoana, tahaka ny nataon’i Brigham Young. Nampatanjahan’ny Tompo izy ireo ary nijanona homarina tamin’ny fijoroana ho vavolombelona izay nananany. Maro tamin’ireo izay nandao nyFiangonana nandritra io fotoan’ny apôstazia io no niverina indray taty aoriana ary nangataka nyhampiraisana azy ireo indray tamin’ny Fiangonan’ny Tompo. Anisan’izany i Oliver Cowdery sy i MartinHarris sy Luke Johnson ary i Frederick G. Williams.

LESONA 15: TANJAKA AO ANATIN’NY FANOHERANA

78

Tao anatin’ireo fahasahiranana tao Kirtland ireo dia nisy olona izay nihemotra vitsivitsy nitady hamonoan’i Joseph Smith. Rehefa nampitandreman’ny Fanahy izy sy i Sidney Rigdon dia nandeha nandritra nyalina tamin’ny 12 janoary 1838. Nanenjika azy ireo ny fahavalony nandritra ny andro maromaro saingyniaro azy ireo ny Tompo. Tonga tao Far West, Missouri izy ireo niaraka tamin’ny fianakaviany tamin’ny14 martsa 1838.

Ifampiresaho amin’ny mpianatra rehetra ireto fanontaniana manaraka ireto:

• Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ireo zava-nitranga ireo momba ny fombahandraisana ny fanoherana eo amin’ny fiainantsika. Inona no azontsika ianarana avy amin’ireozava-nitranga ireo momba ny fomba handraisantsika ny fanoherana ny Fiangonana?

• Inona no azontsika atao mba hijanonana ho mahatoky amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonanana dia mety haheno ny olona hafa mitsikera azy ireo aza isika?

• Amin’ny fomba ahoana no nitahiana anao satria nanaraka ny tenin’ny mpaminany ianao?

Fifandirana tao Missouri Avaratra: Mianatra ny Miaritra Tsara nyFanoheranaTamin’ny taona 1837 sy 1838 dia nanomboka nitory ny Fiangonana sy ny mpitarika tao aminy nympikambana tsy faly sy nesorina tsy ho mpikambana sasany izay nonina niaraka tamin’ireo Olomasinatao Far West ary nampijaly ny Fiangonana. Tamin’ny volana Jona 1838, dia nanao lahatenynampientanentana tokoa izay lasa fantatra amin’ny hoe “Toriteny momba ny Fanasina” i SydneyRigdon. Naka hevitra avy tamin’ny Matio 5:13 izy ary nilaza fa raha ny fanasina no tonga matsatso, diatsy ho tsara na amin’ny inona na amin’ny inona izany ka tokony hariana, izay nidika fa tokony horoahina hiala teo anivon’ny Olomasina ireo izay niala ny Fiangonana. Tapa-bolana taty aoriana,tamin’ny 4 jolay, dia nanao lahateny i Sidney Rigdon izay nampanantenany fa hiaro tena ny Olomasinana dia hiafara amin’ny “ady fandringanana” aza izany. Na dia nifanohitra tamin’ny fampianaran’nyTompo amin’ny hoe “mamitràna fihavanana” (F&F 105:38) aza ireo lahateny roa ireo, dia navoakaavokoa ireo lahateny ireo ka niteraka fahatairana be teo amin’ireo tsy Olomasin’ny Andro Farany.

Nandritra io fotoana io dia nisy olona niova fo iray atao hoe Sampson Avard izay nampanao fianiananamiafina ho an’ireo izay hiaraka aminy amin’ny fananganana vondrona jiolahy atao hoe Danita. Nilazatamin’izy ireo i Avard mba hangalatra sy handroba ny mponin’i Missouri, fa hoe hanampy amin’nyfananganana ny fanjakan’ Andriamanitra izany. Nandresy lahatra ireo mpanara-dia azy i Avard fa avytany amin’ny Fiadidiana Voalohany ny fitarihany. Hita ny marina taty aoriana ka nesorina tsy hompikambana i Avard. Niteraka fahavoazana lehibe teo amin’ny fijerin’ny olona ny Fiangonana nyzavatra nataon’i Avard ary nitarika ny fampidirana am-ponja ny Mpaminany tao amin’ny Fonjan’iLiberty.

Tamin’ny volana ôktôbra 1837 dia namela fatin’olona vitsy teo amin’ny roa tonta ny ady nifanaovan’nympikamban’ny Fiangonana sasany sy ny milisy tao Missouri. Tonga tany amin’ny Governora Lilburn W.Boggs, governoran’i Missouri, ny tatitra feno lainga mihoapampana momba ilay ady ary namoaka ilaydidy izay fantatra amin’ny hoe didy fandripahana izy avy eo: “Tsy maintsy raisina ho toy ny fahavalo nyMôrmôna ary tsy maintsy ripahina na roahina hiala amin’ny fanjakana raha ilaina izany mba hotombotsoan’ny vahoaka” (voalaza ao amin’ny History of the Church, 3:175). Tsy ela dia voadidinin’ireomilisy izay maro an’isa lavitra, efa ho dimy avo heny noho ny herin’ny Olomasina ny tanànan’i Far West.Naiditra am-ponja tao amin’ny Fonjan’i Liberty i Joseph Smith sy ny mpitarika tao amin’ny Fiangonanahafa ary nijanona tany izy ireo nandritra ny ririnina manontolo. Noterena hiala ny fanjakana ireoOlomasina sisa.

Ifampiresaho amin’ny mpianatra rehetra ireto fanontaniana manaraka ireto:

• Inona no fitsipika izay azontsika ianarana avy amin’ireo trangan-javatra ireo mba hanampianaantsika hiaritra ny fanoherana?

LESONA 15: TANJAKA AO ANATIN’NY FANOHERANA

79

• Nahoana no zava-dehibe amintsika tsirairay ny manaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy amin’ny fotoan-tsarotra sy ny fanoherana? Inona no nitranga tao Missouri Avaratra noho ny tsy fanaovan’ireoOlomasina izany?

• Oviana no efa nahitanao ny teny na zavatra izay nataon’ny olona iray ka nisy fiantraikany tsaratamin’ny fomba fijerin’ny olona iray hafa ny Fiangonana?

LESONA 15: TANJAKA AO ANATIN’NY FANOHERANA

80

16Ny Fanavotana ny Maty

Tao anatin’ny Famerenana amin’ny Laoniny ny zava-drehetra amin’nyfotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana no namerenan’ny Tompo tamin’nylaoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny fotopampianaran’nyfanavotana ny maty. Naverina tamin’ny laoniny “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra” ity fotopampianarana ity. Ilaina amin’ny famonjena an’ilay velona sy ilaymaty ny asan’ny fanavotana ny maty ary dia nampianatra ny maha-zava-dehibe nyfandraisana anjara amin’izany asa izany ny Mpaminany Joseph Smith: “Ny andraikitralehibe indrindra izay nankinin’ Andriamanitra tamintsika eto an-tany dia ny mitadyireo matintsika” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 509).

Vakiteny Enti-mandalina• Richard G. Scott, “Ny Fifaliana amin’ny Fanavotana ny Maty,” Ensign na Liahona,

nôv. 2012, 93–95.

• D. Todd Christofferson, “The Redemption of the Dead and the Testimony of Jesus,”Ensign, nôv. 2000, 9–12.

• “Devenir des libérateurs sur la montagne de Sion,” toko 41 ao amin’nyEnseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 503–14.

• Matthew S. McBride, “Letters on Baptism for the Dead: D&C 127, 128,”Revelations in Context series, 29 mey 2013; history.lds.org.

Sosokevitra Enti-mampianatraFotopampianarana sy Fanekempihavanana 137Ny fahitan’ny Mpaminany Joseph Smith ny fanjakana selestialyAsehoy ny mpianatra ity fampahalalana ara-tantara manaraka ity:

“Tamin’ny volana nôvambra 1823 dia narary mafy sady efa akaiky ho faty i Alvin Smith, zanak’i LucyMack Smith sy i Joseph Smith Rainy, zokiny indrindra. 25 taona i Alvin tamin’izay, zatovolahymatanjaka sy mahavita azy ary ny fiasany mafy no nandray anjara lehibe tamin’ny fahampiana ara-bolan’ny fianakaviana. Nofaritan’ny reniny ho ‘zatovo izay manana toetra amin’ny fahatsaranamiavaka’ izy, izay mitahy ny manodidina azy ‘isan’ora teo amin’ny fiainany’ ny ‘fiavahany sy nyfahalalan-tànany.’ …

“Rehefa fantany fa ho faty izy dia nantsoin’i Alvin ho eo aminy ireo rahalahiny sy ireo anabaviny aryniresaka taminy tsirairay izy. Hoy i Alvin tamin’i Joseph, izay efa ho 18 taona ary mbola tsy nahazoireo takela-bolamena tamin’izay, nanao hoe: ‘Tiako ho lehilahy hendry ianao ka hanao izay rehetravitan’ny herinao mba hahazoana ireo rakitsoratra. Mahatokia amin’ny fandraisana torolalana, syamin’ny fitandremana ny didy rehetra izay omena anao. …’

“Rehefa nodimandry i Alvin, dia nangataka mpitondra fivavahana Presbyterianina iray tao Palmyra,New York, ny fianakaviana mba hitarika ny fotoam-pandevenana azy. Koa satria tsy mpikambana taoamin’ilay antokom-pivavahana i Alvin dia nilaza ilay mpitondra fivavahana tao amin’ny toriteniny fatsy ho azo vonjena i Alvin. Hoy i William Smith, zandrilahin’i Joseph Smith, nitantara izany:‘Nanantitrantitra mafy mihitsy ilay [pasitera] fa lasa tany amin’ny helo i [Alvin] satria tsy mba niditraho mpikamban’ny fiangonana, kanefa zazalahy tsara izy hany ka tsy dia nankasitrahan’ny raikoizany’” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 431, 433).

81

• Noho ny fotopampianarana momba ny fanavotana ho an’ny maty izay tsy mbolanaverina tamin’ny laoniny tamin’ny fotoana nahafatesan’i Alvin, dia inona noahiahin’ny fianakaviana Smith mikasika ny famonjena an’i Alvin?

Lazao ireo mpianatra fa ity lesona ity dia hanampy azy ireo hahatakatra fanambaran’ny Tompo tsikelikely, andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra nyfotopampianarana momba ny fanavotana ho an’ny maty. Asao ireo mpianatra hamakyam-pahanginana ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 137. Hazavao fa nialoha ny fanokanana ny Tempolin’i Kirtlandvolana vitsy monja ity fanambarana ity. (Azonao marihina fa ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana fanontana 2013, dia nasiana fanitsianavitsivitsy ny sasin-tenin’ny fizarana 137.)

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 137:1–6 ary ny ambiny kosa hanaraka ny vakiteny. Ifanakalozyhevitra ity manaraka ity:

• Iza no hitan’i Joseph Smith tao amin’ny fanjakana selestialy? (Mety ho liana nyhahafantatra ireo mpianatra fa velona ny ray sy renin’i Joseph Smith tamin’nyfotoana nahazoana ity fahitana ity. Tao amin’ilay efitrano niaraka taminy mihitsyaza ny rainy tamin’ny nitrangan’ilay fanambarana.)

• Araka ny andininy 6, nahoana no nahagaga an’i Joseph Smith ny nahita an’i Alvinrahalahiny tao amin’ny fanjakana selestialy? (Azonao atao ny mampahatsiahy ireompianatra fa taona maro talohan’ny nianaran’i Joseph Smith mikasika nyfotopampianarana momba ny fanavotana ho an’ny maty no nandraisana ityfahitana ity.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana137:7–9. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady fotopampianarana irayizay nanampy ny Olomasin’ny Andro Farany hahatakatra bebe kokoa ny drafitr’Andriamanitra mba hamonjena ireo zanany.

• Inona no zavatra nomanin’ Andriamanitra ao amin’ny drafiny ho an’ny olonatahaka an’i Alvin Smith izay maty tsy nanana fahafahana ny handray nyfilazantsaran’i Jesoa Kristy na ny ôrdônansin’ny batisa? (Rehefa mizara ny hevinyireo mpianatra dia ampio izy ireo hamantatra izao fotopampianarana izao: Nyolona rehetra izay maty tsy nahalala ny filazantsara, fa mety nandray izanyfahalalana izany raha toa ka nandre izany, dia handova ny fanjakanaselestialy.)

• Inona no ampianarin’ity fotopampianarana ity mikasika ny toetran’ny Ray any An-danitra sy ny fitiavany ireo zanany?

• Oviana ianao no efa nampaherezin’izany fotopampianarana izany? Oviana no efanahitanao ny hafa, mety ireo olona izay nampianarinao tamin’ny naha-misiôneraanao, nahazo fampaherezana avy tamin’ny fahatakarana io fotopampianarana io?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:30–34; 127:5–8; 128:1–18;138:28–37Ôrdônansy isoloana tena ho an’ny matyNandritra ny fandevenana an’i Seymour Brunson ny 15 aogôsitra 1840, fotoana fohytaorian’ny nitoeran’ireo Olomasina tao Nauvoo, Illinois no niresahan’ny MpaminanyJoseph Smith voalohany momba ny fotopampianaranan’ny batisa ho an’ny maty.Talanjona sy faly ireo mpikamban’ny Fiangonana rehefa nahare ity fotopampianarana

LESONA 16: NY FANAVOTANA NY MATY

82

nambara ity. Nandritra ny volana maro taorian’ny nilazana izany dia tao amin’nyrenirano akaikin’ny Mississipi no nanaovan’ireo Olomasina ny batisa ho an’ireo olonatiany izay efa nodimandry (jereo ny Teachings: Joseph Smith, 403; Church History in theFulness of Times Student Manual, fanontana faha-2 [Boky fampianarana an’nyDepartemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, 2003], 251).

• Ahoana no nampitomboan’ity toriteny ity ny fahatakarana ny drafitry ny Ray anyAn-danitra mba hamonjena ireo zanany? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia soratyeny amin’ny solaitrabe izao fahamarinana manaraka izao: Azo tanterahina hoan’ireo izay tsy nandray ny filazantsara tamin’ny fiainana mety maty nyôrdônansin’ny famonjenan’ny batisa.)

• Ahoana no mety ho fandraisanao izany, araka ny hevitrao, raha toa ka nahenoan’ny Mpaminany Joseph Smith miresaka momba ny fotopampianarana momba nybatisa ho an’ny maty voalohany ianao tamin’ity fotoampitantanana ity?

Hazavao fa nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana tao Nauvoo, Illinois, tamin’nyôktôbra 1841, dia nanambara i Joseph Smith fa tian’ny Tompo ny hitsaharan’ireoOlomasina amin’ny fanatanterahana ny batisa ho an’ny maty mandra-pahafahanamanatanteraka ny batisa ho an’ny maty ao amin’ny Tranony (jereo ny F&F 124:29–34).Tamin’ny 8 nôvambra 1841, dia notokanan’i Brigham Young, izay Filohan’ny Kôlejin’nyApôstôly Roambinifolo tamin’izany, ny toerana fanaovana batisa tao ambany rihan’nyTempolin’i Nauvoo izay mbola tsy vita, ka nanomboka nanatanteraka ny batisaisoloana tena ho an’ny maty ireo mpikamban’ny Fiangonana.

Asao ny mpianatra mba hamaky ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 127, izay manazava fa ny fizarana 127 diataratasy avy tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ho an’ireo Olomasina, izay manorohevitra azy ireo mba handray an-tsoratra ireo batisa izay notanterahiny ho an’ny maty.Hazavao fa tokony ho iray volana taty aoriana dia nanoratra taratasy hafa izay niresakamomba ny batisa ho an’ny maty i Joseph izay hita ao amin’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 128.

Soraty eo amin’ny solaitrabeireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto. (Azaampidirina ao ny zavatra izay ao anaty fononteny fa natao ho anao mpampianatraizany.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127:5–7; 128:8 (Rehefa atao amin’nyalalan’ny fahefan’ny fisoronana sy voarakitra an-tsoratra araka ny tokonyho izy ny ôrdônansy iray dia fehezina eto an-tany sy any an-danitra izany.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:6–7 (Tafiditra ao anatin’ireo bokyizay hovelarina ny rakitsoratry ny ôrdônansy isoloana tena mba hitsarana nymaty.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:15, 17–18 (Manan-danja amin’nyfamonjena antsika ny famonjena ireo razambentsika efa nodimandry.)

Asaivo mamaky ireo andinin-tsoratra masina voasoratra eny amin’ny solaitrabe ireompianatra. Asao izy ireo hitady ireo fotopampianarana izay niampy tamin’nyfahatakarantsika ny drafitr’ Andriamanitra momba ny fanavotana ny maty. Asao nympianatra hamintina ny fotopampianarana mikasika ny fanavotana ny maty izayampianarina ao amin’ny andinin-tsoratra masina tsirairay. Asao ny mpianatra vitsivitsymba hanoratra ireo fotopampianarana eny amin’ny solaitrabe eo akaikin’ireo andinin-

LESONA 16: NY FANAVOTANA NY MATY

83

tsoratra masina. Mariho fa ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianaranasy Fanekempihavanana 127 sy 128 dia mampiseho ny fomba iray izay mahazatra aoamin’ny Famerenana amin’ny Laoniny ny filazantsara—manambara ny fahamarinanaandalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra ny Tompo, fa tsy tonga dia indray mandeha.

Hazavao fa taona maro taorian’ny nahazoana ireo fanambarana ireo dia nanomefahatakarana bebe kokoa momba ny drafiny mba hanavotana ny maty ny Tompo.Tamin’ny taona 1918 dia nahazo fahitana ny Filoha Joseph F. Smith momba nyfanavotana ny maty. Tonga ilay fahitana raha nisaona ny fahafatesan’ny zananyHyrum M. Smith izy, izay maty tamin’ny voalohandohan’izany taona izany nandritrany fotoana naha mpikambana azy tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Asao ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:28–37,sady hitady ny fahamarinana izay nambara tamin’ny Filoha Joseph F. Smith momba nyfanavotana ny maty.

• Inona no fahamarinana momba ny fanavotana ny maty ampianarina ao amin’ireoandininy ireo? (Rehefa mizara ireo fahamarinana izay hitany ny mpianatra, diaataovy izay ahatakarany izao fahamarinana izao: Eo ambany fitarihan’i JesoaKristy dia mampianatra ny filazantsara amin’ireo izay any amin’nytranomaizina ireo iraka marina.)

• Ahoana no hanampian’ireo fahamarinana fanampiny ireo antsika amin’nyfahatakarana fa ny olona izay maty nefa tsy nandray ireo ôrdônansin’nyfilazantsara, toa an’i Alvin Smith, dia afaka mahazo anjara ao amin’ny fanjakanaselestialy?

Avy eo dia vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona David A. Bednar aoamin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

“Amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonan’i Kristy naverina tamin’ny laoniny antsika, nyandraikitra nekentsika tamin’ny alalan’ny fanaovana fanekempihavanana dia ny hanaofikarohana momba ireo razambentsika ary hanome azy ireo ireo ôrdônansin’nyfamonjena ao amin’ny filazantsara. ‘Mba tsy hatao tanteraka ireo, raha tsy efa mby eokoa isika’ (Hebreo 11:40; jereo koa ny Teachings: Joseph Smith,475.) Ary ‘isika koa dia

tsy hatao tanteraka raha tsy eo ny maty eo amintsika’ (F&F 128:15)” (“Hitodika ny Fon’ny Zanaka,”Ensign na Liahona, nôv. 2011, 25).

• Nahoana no tsy maintsy atao ho laharam-pahamehana eo amin’ny fiainantsika nyasan’ny fanavotana ny maty?

• Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fanatanterahana ireo ôrdônansin’nyfamonjena an’ireo havantsika efa maty antsika, isika sy ireo maty, mba ho lasatanteraka?

Vakio ity filazana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’nyKôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Raha manana hery hitahiana ireo izay any ampitan’ny voaly ny asan’ny tempoly sy nytantaram-pianakaviana, dia manana hery mitovy mba hitahiana ny velona koa izany.Izany dia mitondra hery manadio ho an’ireo izay mirotsaka amin’izany. Manampy ara-bakiteny amin’ny fisandratan’ireo fianakaviany izy ireo” (“Generations Linked in Love,”Ensign na Liahona, mey 2010, 93).

LESONA 16: NY FANAVOTANA NY MATY

84

• Amin’ny fomba ahoana no hanamarinan’ny fotopampianarana momba nyfanavotana ny maty ny maha-tsy misy fetra ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

Vakio ity fanambarana nataon’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kolejin’nyApôstôly Roambinifolo manaraka ity:

“Nanambara fotopampianarana ambony dia ambony mikasika ny ôrdônansy masin’nybatisa tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo. Tonga izany fanambarana izanytamin’ny fotoana nampianaran’ireo fiangonana Kristianina hafa fa ny toe-panahinaoamin’ny fotoana ahafatesanao no mamaritra tanteraka sy mandrakizay izay hiafaran’nyfanahy. Nampianatra izy ireo fa izay vita batisa dia hahazo fifaliana mandrakizay ary

ireo hafa rehetra kosa dia hiaina fijaliana mandrakizay ka tsy hanana fanantenana ny hahazofanavotana. …

“Vavolombelona iray hafa mikasika ny maha-tonga lafatra sy tsy manam-petra ny Sorompanavotan’iJesoa Kristy izany fotopampianarana lehibe izany. Nanao izay ahafahan’ny olona mibebaka rehetrahahazo famonjena Izy. Nandresy ny fahafatesana ny Sorompanavotany ary nataony izay ahafahan’ireoolona mendrika efa nodimandry mandray ireo ôrdônansin’ny famonjena amin’ny alalan’ny fisoloanatena azy ireo” (“Ny Fifaliana avy amin’ny Fanavotanana ny Maty,” Ensign na Liahona, nôv. 2012, 93).

• Inona ireo traikefa izay nampianatra anao momba ny maha-zava-dehibe nyfandraisana anjara amin’ny asa fanavotana ny maty?

• Tamin’ny fomba ahoana no nitomboan’ny fijoroanao ho vavolombelona noho nyfandraisanao anjara tamin’ny asa fanavotana ny maty? (Asao ny mpianatravitsivitsy hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo.)

Amporisiho ireo mpianatra mba handinika ny fomba mety handraisan’izy ireo anjaraamin’ny asa lehiben’ny fanavotana ny maty, na amin’ny alalan’ny fikarohana nytantaram-pianakaviana na amin’ny alalan’ny fanompoana amin’ny maha-mpisolo tenaamin’ny fanatanterahana ôrdônansy any amin’ny tempoly. Zarao ny fijoroanao hovavolombelona fa afaka handray ireo ôrdônansy rehetra ilaina amin’ny fanavotana ireozanaky ny Ray any An-danitra rehetra amin’ny alalan’ny asa tanterahina any amin’ireotempoly maoderina.

Vakitenin’ny Mpianatra• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:30–41; 127:1–9; 128:1–18; 137:1–10;

138:28–37.

• Richard G. Scott, “Ny Fifaliana avy amin’ny Fanavotana ny Maty,” Ensign naLiahona, nôv. 2012, 93–95.

• D. Todd Christofferson, “The Redemption of the Dead and the Testimony of Jesus,”Ensign, nôv. 2000, 9–12.

LESONA 16: NY FANAVOTANA NY MATY

85

17 Ireo Fampianaran’nyFilazantsara tany NauvooFiadanana sy firoboroboana no nanamarika ireo taona maro voalohany niainan’ireoOlomasina tao Nauvoo, Illinois. Nandritra io fotoana io dia nandray fanambarana synampianatra ary nanazava ireo fotopampianarana sasany izay an’ny Fiangonan’i JesoaKristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany manokana i Joseph Smith. Anisan’izany nytanjon’ny tempoly sy ny fahafahana masina izay ananantsika ho tonga tahaka ny Rayany An-danitra ary ireo fotopampianarana hafa izay ampianarina ao amin’nyFanekem-pinoana. Hanampy ny mpianatra hahatakatra ny halehiben’ny MpaminanyJoseph Smith sy ny fahafahantsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra ity lesona ity.

Vakiteny Enti-mandalina• “Dieu le Père Éternel,” toko 2 ao amin’ny Enseignements des Présidents de l’Église:

Joseph Smith (2007), 41–48.

• “Doctrinal Developments in Nauvoo,” toko 20 ao amin’ny Church History in theFulness of Times Student Manual, fanontana faha-2 (Boky fampianarana an’nyDepartemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, 2003), 251–62.

• “Becoming Like God,” Gospel Topics, lds.org/topics.

Sosokevitra Enti-mampianatraFanekem-pinoanaIreo fanambarana mikasika ny fotopampianaran’ny filazantsaraHazavao fa tao Nauvoo, Illinois, i Joseph Smith dia nanoratra taratasy ho an’i JohnWentworth, mpamoaka lahatsoratry ny gazety iray antsoina hoe Chicago Democrat, izaynangataka fampahalalana momba ny Môrmôna. Nitantara mikasika ny tantaran’nyOlomasin’ny Andro Farany i Joseph Smith tao amin’ilay taratasy ary nasiany lisitra fohymisy ireo finoana ara-potopampianarana izay fantatra taty aoriana amin’ny hoeFanekem-pinoana. (Hita ao amin’ny Enseignements des Présidents de l’Église: JosephSmith [2007], 467–78 ny taratasy iray manontolo.)

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Loholona L. Tom Perry tao amin’ny Kôlejin’nyApôstôly Roambinifolo ity, ary miangavia mpianatra iray hamaky izany mafy:

“Anisan’ny fanambarana manan-danja indrindra [ireo Fanekem-pinoana] ary azo antokafa fanambarana tsara fintina indrindra mikasika ny fotopampianarana ato amin’nyFiangonana. Raha mampiasa azy ireo ianareo ho toy ny torolalana hitantanana nyfandalinanareo ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia ho hitanareo fa ho vonona ianareohanambara amin’izao tontolo izao ny fijoroanareo ho vavolombelona momba ny

fahamarinana naverina amin’ny laoniny. Ho vitanareo ny hanambara amin’ny fomba tsotra symivantana ary lalina ireo zavatra fototra inoanareo mafy amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonan’iJesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany anareo” (“Ireo Fotopampianarana sy Fitsipika aoanatin’ireo Fanekem-pinoana,” Ensign na Liahona, nôv. 2013, 48).

• Ahoana no hamintinanao ny zavatra nampianarin’ny Loholona Perry? (Rehefamizara ireo teny famintinany ny mpianatra, dia ampio izy ireo hahatakatra izaofahamarinana izao: Ho vonona tsara hilaza amin’ny hafa momba nyfinoantsika isika rehefa mianatra ireo fotopampianarana izay ampianarina aoamin’ireo Fanekem-pinoana.)

86

• Oviana ianao no efa nampiasa ireo Fanekem-pinoana mba hanampiana ny hafahahatakatra ny filazantsara?

Asaivo mijery ao amin’ireo Fanekem-pinoana ireo mpianatra ka hamaky izany am-pahanginana. Mifanakaloza hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto rehefaavy nanome fotoana ampy tsara ho an’ireo mpianatra:

• Inona amin’ireo fanekem-pinoana no tena ankasitrahanao manokana arynahoana?

• Ahoana no anampian’ireo fotopampianarana ao amin’ireo Fanekem-pinoana mbahitari-dalana anao sy hampatanjaka ny fijoroanao ho vavolombelona fampaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:25–28, 37–42Famerenana amin’ny Laoniny ny ôrdônansin’ny tempolyHazavao fa nahazo didy mba hanorina tempoly ny Mpaminany Joseph Smithtaorian’ny nitoeran’ireo Olomasina tao Nauvoo, Illinois. Tamin’ny nanorenana nytempoly tao Kirtland, Ohio, dia nitaky fahafoizana lehibe avy tamin’ireo Olomasin’nyAndro farany ity asa ity.

Asao ny mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 124:25–28, 37–42. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra kahitady ny fampianaran’ny Tompo mikasika ny antony nilan’ireo Olomasina tempoly.Alohan’ny handinihana ireo andininy ireo dia hazavao fa miresaka momba nytabernakely izay namboarin’i Mosesy sy ny vahoakany izany. Tsy nanatanteraka batisaho an’ny maty ny vahoakan’i Mosesy. Tsy mbola nisy asa ho an’ny maty notanterahinatalohan’ny nametrahan’ny Mpamonjy izany asa izany tao amin’ny tontolon’ny fanahytaorian’ny nahafatesany. Avy eo dia anontanio ireo mpianatra hoe:

• Nahoana no mila Tempoly ireo Olomasina tao Nauvoo araka ny fampianaran’nyTompo ao amin’ireo andininy ireo? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia hamafisoizao fotopampianarana izao: Misy ireo ôrdônansin’ny famonjena sasany izaytsy eken’ny Tompo raha tsy any amin’ny tempoly ihany no anatanterahanaazy.)

Hazavao amin’ny mpianatra fa ny Tempolin’ny Kirtland “tamin’ny voalohany dianaorina ho amin’ny famerenana tamin’ny laoniny ny fanalahidin’ny fahefana” (JosephFielding Smith, Doctrines of Salvation, natambatr’i Bruce R. McConkie, boky 3[1954–56], 2:242). Nampiasaina mba hanatanterahana ireo ôrdônansin’ny famonjenaho an’ny velona sy batisa isoloana tena ho an’ny maty ireo fanalahidin’ny fisoronanaireo tao amin’ny Tempolin’i Nauvoo. Nandritra ny roa taona farany tamin’ny fiainanydia nampiditra ny fanafiana masina tao amin’ny tempoly i Joseph Smith ho an’nyvondrona mpikambana mahatoky vitsivitsy. Nampiditra ny ôrdônansin’ny famehezanamandrakizay ny mpivady koa izy.

• Inona ireo ôrdônansin’ny tempoly izay voalaza ao amin’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 124:39?

Angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity. Asao ireo mpianatramba hihaino ny antony maha-zava-dehibe ireo ôrdônasin’ny tempoly ao amin’nydrafitry ny Ray any An-danitra:

“Ho valin’ny didin’ny Tompo [mba hanorina tempoly tao Nauvoo], dia nandroso haingana araka izayazony natao ny Mpaminany sy ireo Olomasina mba hanomboka amin’ny fanorenana ny tranon’ny

LESONA 17: IREO FAMPIANARAN’NY FILAZANTSARA TANY NAUVOO

87

Tompo. Saingy fantatry ny Mpaminany fa haharitra aman-taona ny fanorenana ary fantany koa fa nilaireo fitahiana fenon’ny tempoly ireo Olomasina. Noho izany dia nanatanteraka ny fanafiana masinaho an’ny vondron’ny rahalahy mahatoky vitsivitsy izy tamin’ny 4 mey 1842, na dia mbola tsy vita azany tempoly.

“Nihaona tao amin’ny efitrano lehibe ambony rihan’ny Trano Fitehirizam-bokatry ny Mpaminany vitaamin’ny biriky mena io vondrona io. …

“Toy izao ny firaketana ara-tantara an’ny Mpaminany: ‘Tao amin’ny rihana ambonin’ilay tranofitehirizam-bokatra no nandaniako ny tontolo andro, … nivory niaraka tamin’ny Jeneraly JamesAdams, avy tao Springfield, ny Patriarka Hyrum Smith, ny Eveka Newel K. Whitney sy i George Miller,ny Filoha Brigham Young sy ny Loholona Heber C. Kimball ary i Williard Richards, nampianatra azy ireony fitsipika sy ny lamin’ny Fisoronana, ny fanatanterahana ny fanasana, fanosorana, fanafiana ary nyfifandraisan’ireo fanalahidy izay an’ny Fisoronana Aharôna sy ny sisa, ho amin’ny lamina ambonyindrindra an’ny Fisoronana Melkizedeka, namelabelatra ny lamin’ilay Fahagolan’ny Andro, ireodrafitra sy fitsipika izay ahafahan’ny tsirairay mandray ny fahafenoan’ireo fitahiana izay efa nomaninaho an’ny Fiangonan’ny Lahimatoa, ka ho tonga sy hitoetra eo anatrehan’ilay Elohima ao amin’ilaytontolo mandrakizay’” (Teachings: Joseph Smith, 413–14).

Anontanio ireo mpianatra hoe:

• Inona no antony nilàna ny famerenana ireo ôrdônansin’ny tempoly amin’nylaoniny?

Rehefa mamaly ny mpianatra dia ampitomboy ny fahatakaran’izy ireo amin’ny fizaranaizao fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Robert D. Hales ao amin’nyKôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izao:

“Ny tanjona voalohan’ny tempoly dia ny hanome ireo ôrdônansy ilaina ho an’nyfisandratantsika any amin’ny fanjakana selestialy. Mitari-dalana antsika mankanyamin’ny Mpamonjintsika ireo ôrdônansin’ny tempoly ary manome antsika ireo fitahianaizay tonga amintsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy” (“Blessings ofthe Temple,” Ensign, ôkt. 2009, 48).

• Tamin’ny fomba ahoana no nitahian’ny famerenana ireo ôrdônansin’ny tempolytamin’ny laoniny ny fiainanao?

Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina mandritra ny herinandro ho avy ny fombahanaovany ny fitsaohana ao amin’ny tranon’ny Tompo ho laharam-pahamehana eoamin’ny fiainany.

Salamo 82:6; Matio 5:48; Jaona 10:32–34; Romana 8:16–17; 2 Petera 1:3–4;1 Jaona 3:2–3; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:11–20; 132:20Ny fahafahantsika ho tonga tahaka an’ AndriamanitraHazavao fa mirakitra ny soratr’ireo mpaminany fahiny ny Baiboly izay nanoratramomba ny fahafahantsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra. Soraty eny amin’nysolaitrabe ireto andinin-tsoratra masina ireto ary asao ny mpianatra mba hamaky izanyka hitady ny zavatra izay ampianarin’izany momba ny hery anaty ananantsikamandrakizay: Salamo 82:6; Matio 5:48; Jaona 10:32–34; Romana 8:16–17; 2 Petera1:3–4; 1 Jaona 3:2–3. Azonao amporisihina ireo mpianatra mba hampifandray nahampifandrohy ireo andinin-tsoratra masina ireo eo am-pandalinan’izy ireo izany.

Rehefa avy nanome fotoana ampy ho an’ny mpianatra dia manontania hoe:

LESONA 17: IREO FAMPIANARAN’NY FILAZANTSARA TANY NAUVOO

88

• Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mikasikany fahafahantsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra? (Na dia mety hampiasa tenyhafa aza ny mpianatra, dia tokony hahatakatra izao fotopampianarana izao izy ireo:Amin’ny maha-zanaky ny Ray any An-danitra antsika dia manana nyfahafahana ho lasa tahaka Azy isika.)

• Inona tao amin’ireo andininy ireo no andian-teny mamariparitra ny fahafahantsikaho tonga tahaka an’ Andriamanitra?

Hazavao fa ampianarina ao amin’ny soratra masina maoderina ihany koa nyfahafahantsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra. Asao ny mpianatra iray mbahamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:11–13, 19–20 sy nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:20. Ampio ireo mpianatra hahatakatraizao fotopampianarana izao: Tahaka ny mpamonjy, dia afaka mitombo amin’nyfahasoavana miampy fahasoavana isika ambara-pandraisantsika nyfahafenoan’ny Ray.

Hazavao fa iray tamin’ireo lahateny lehibe indrindra nataon’ny Mpaminany JosephSmith ny lahateny izay nataony nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’nyaprily 1844. Nandritra io lahateny io dia nahatsiaro an’i Rahalahy King Follett, izaymaty vao haingana, ny Mpaminany. Lasa fantatra tamin’ny hoe lahateny King Follettizany lahateny izany. Omeo ny tahadikan’ny taratasy zaraina “Sombin-dahateny avytamin’ny Lahateny King Follett” ny mpianatra rehetra. Asao izy ireo mba hamaky ilaysombin-dahateny ka hanipika ireo teny na andian-teny izay manazava ny antonytokony hikatsahantsika ny hahatakatra ny toetran’ Andriamanitra.

Sombin-dahateny avy tamin’ny Lahateny King FollettNampianatra ny Mpaminany Joseph Smith (1805–44) hoe:

“Raha tsy mianatra na inona na inona ankoatra ny mihinana sy misotro ary matory nyolona, ka tsy mahatakatra ny fikasan’ Andriamanitra, dia mitovy amin’izany ny zavatratakatry ny biby. Ny biby dia mihinana, misotro, matory, ary tsy mahafantatra zavatraankoatra izany momba an’ Andriamanitra. Ka dia mitovy amin’ny zavatra fantatsika nyzavatra fantany raha tsy hoe afaka mahatakatra isika amin’ny alalan’ny fitaomam-panahy

avy amin’ Andriamanitra Tsitoha. Raha tsy mahatakatra ny toetran’ Andriamanitra ny olombelona diatsy mahatakatra ny tenany manokana izy. …

“Ny tanjoko voalohany dia ny hijery ny toetran’ilay hany Andriamanitra hendry sy marina sy ny hoekarazan’olona manao ahoana Izy. …

“Andriamanitra koa dia tahaka antsika izao tany aloha tany, ary olona nisandratra izy ary mipetraka eoamin’ny seza fiandrianany any an-danitra ambony any! Zava-miafina lehibe izany. Raha tritra ny voalyankehitriny, ka mampiseho ny tenany ilay Andriamanitra lehibe izay mihazona ity tontolo ity sy nymanodidina azy, ary mihazona izao tontolo rehetra izao sy ny zava-drehetra amin’ny heriny,—dia hoyaho hoe raha toa ka mahita azy ianareo androany, dia ho hitanareo izy fa tahaka ny olona—tahakaanareo, ny endrikareo, satria i Adama dia noforonina araka ny hatsara sy endrika ary mitovy amin’Andriamanitra, ary nandray ny torolalana, nandeha, niresaka ary nifanakalo hevitra taminy, tahaka nyolona iray miresaka amin’ny iray hafa” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith[2007], 44-45).

“Izao ary no fiainana mandrakizay—ny mahafantatra an’ilay hany Andriamanitra hendry sy marina; aryhianatra ny fomba ahafahana ho lasa andriamanitra koa ianareo, ary ho mpanjaka sy mpisorona ho an’Andriamanitra, … amin’ny fiaingana avy amin’ny ambaratonga kely iray miampy iray hafa, sy avyamin’ny fahafahana kely iray miampy iray lehibe; avy amin’ny fahasoavana miampy fahasoavana, avyamin’ny fisandratana miampy fisandratana, mandra-pahatratraranareo ny fitsanganan’ny maty, ka afaka

LESONA 17: IREO FAMPIANARAN’NY FILAZANTSARA TANY NAUVOO

89

mitoetra ao amin’ny lelafo mandrakizay, sy hipetraka amim-boninahitra, tahaka ireo izay mipetraka eoamin’ny seza fiandrianana amin’ny hery maharitra mandrakizay” (Teachings: Joseph Smith, 221).

Ampio ireo mpianatra mba handinika ireo fampianarana ireo amin’ny fametrahafanontaniana hoe:

• Nahoana no zava-dehibe amintsika ny mianatra momba ny toetra sy ny toetoetran’Andriamanitra sy ny fifandraisantsika aminy amin’ny maha-Raintsika any An-danitra Azy?

• Inona no dingana hahatongavana ho tahaka ny Ray any An-danitra?

Mba hampitombo bebe kokoa ny fahatakaran’ireo mpianatra ny fahafahany ho tongatahaka an’ Andriamanitra dia asehoy ity fanambarana manaraka izay nataon’ny FilohaGordon B. Hinckley (1910–2008) ity. Asao ny mpianatra iray mba hamaky izany mafy:

“Ny tanjon’ny filazantsara manontolo dia ny hitarika antsika handroso sy hiakatra hoamin’ny fahombiazana tsaratsara kokoa dia ny ho lasa andriamanitra amin’ny farany.Nolazain’ny Mpaminany Joseph Smith io fahafahana lehibe io tao amin’ny lahatenyKing Follett [jereo ny History of the Church, 6:302–17] ary nohamafisin’ny FilohaLorenzo Snow. Izao no fotokevitra lehibe sy tsy manam-paharoa: Ny toetran’

Andriamanitra amin’izao, afaka ny ho tahaka izany ny olona! [Jereo ny The Teachings of LorenzoSnow, natambatr’i Clyde J. Williams (1984), 1.]

“Nitsikera antsika ireo fahavalo noho ny finoantsika izany. Ny havalintsika manoloana izany dia hoetsy mampihena an’ Andriamanitra ilay Ray Mandrakizay velively io fotokevitra avo io. Izy no ilayTsitoha. Izy no Mpahary sy Mpanapaka izao rehetra izao. Izy no lehibe indrindra ary ho izany foanamandrakizay. Fa tahaka ny ray ety an-tany izay maniry ny fahombiazana rehetra ho an’ny zanany, diatoy izany koa no inoako fa maniry ireo zanany mba ho tonga lehibe tahaka Azy sy hitsangana eoanilany, feno voninahitry ny hery sy ny fahendrena araka an’ Andriamanitra ny Raintsika any An-danitra” (“Don’t Drop the Ball,” Ensign, nôv. 1994, 48).

Ho famintinana dia apetraho ireto fanontaninana manaraka ireto:

• Inona no fahasamihafana nentin’ny fahalalana ireo fahamarinana manan-danjamomba ny Ray any An-danitra sy ny fahafahantsika ho tonga tahaka an’Andriamanitra ireo eo amin’ny fiainantsika?

• Rehefa misaintsaina ireo zavatra izay nodinihantsika androany ianao (ireoFanekem-pinoana, ireo ôrdônansin’ny tempoly ary ny fahafahantsika ho tongatahaka an’ Andriamanitra), nahoana no hahatonga anao hankasitraka nyMpaminany Joseph Smith ny fahatakarana ireo fahamarinana ireo? Ahoana nofomba hanampian’ny fahatakarana ireo fahamarinana ireo anao mba hahatakatrany toetran’ Andriamanitra sy ny fifandraisanao aminy amin’ny maha-Rainao anyAn-danitra Azy? (Omeo fotoana ireo mpianatra mba hahafahany manoratra nyfahatsapany.)

Asao ireo mpianatra mba hijoro ho vavolombelona na hizara ny sasany amin’ireofahatsapana izay nosoratany, raha toa ka tsy dia mahakasika azy irery ihany loatraizany. Farano amin’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ireofotopampianarana izay nianarana tato amin’ity lesona ity sy mikasika ny MpaminanyJoseph Smith amin’ny maha mpanambara mahery azy.

LESONA 17: IREO FAMPIANARAN’NY FILAZANTSARA TANY NAUVOO

90

Vakitenin’ny Mpianatra• Salamo 82:6; Matio 5:48; Jaona 10:32–34; Romana 8:16–17; 2 Petera 1:3–4; 1 Jaona

3:2–3; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana–22; 124:25–28, 37–42; 132:20–24.

• “Dieu le Père Éternel,” toko 2 ao amin’ny Enseignements des Présidents de l’Église:Joseph Smith (2007), 41–48.

• “Becoming Like God,” Gospel Topics, lds.org/topics.

LESONA 17: IREO FAMPIANARAN’NY FILAZANTSARA TANY NAUVOO

91

18 Ny Fikambanana Ifanampianasy ny Fiangonana“Ny Fikambanana Ifanampiana dia manomana ny vehivavy amin’ireo fitahiana avyamin’ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo hampitombo nyfinoany sy ny fahamarinany, hampatanjaka ny fianakaviana sy ny tokantrano, aryhanampy ny sahirana” (“The Purpose of Relief Society,” lds.org/callings/relief-society/purposes). Hanampy ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny fananganana nyFikambanana Ifanampiana sy ny tanjony ity lesona ity. Ho hitan’ireo mpianatra ihanykoa fa ny vehivavy dia manana fahafahana sy andraikitra lehibe izay manokana ho azyireo amin’ny fanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra.

Vakiteny Enti-mandalina• Dallin H. Oaks, “Ny Fanalahidy sy ny Fahefan’ny Fisoronana,” Ensign na Liahona,

mey 2014, 49–52.

• M. Russell Ballard, “Men and Women and Priesthood Power,” Ensign, sept. 2014,28–33.

• Julie B. Beck, “Ny Tanjon’ireo Mpaminany mikasika ny Fikambanana Ifanampiana:Finoana, Fianakaviana, Fanampiana,” Ensign na Liahona, mey 2012, 83–85.

Sosokevitra Enti-mampianatraFotopampianarana sy Fanekempihavanana 25Ny torolalan’ny Tompo ho an’i Emma SmithAsehoy ity fanambarana ity izay nataon’ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985), arymiangavia mpianatra iray hamaky mafy an’izany:

“Ny ankamaroan’ny fitomboana izay hitranga amin’ny Fiangonana amin’ny androfarany dia hiseho satria maro amin’ireo vehivavy tsara eto an-tany … no ho voasarikaho ato amin’ny Fiangonana. Hitranga izany amin’ny fomba izay hahatonga nyvehivavin’ny Fiangonana ho fitaratry ny fahamarinana sy ho afaka haneho hevitra tsaraeo amin’ny fiainany ary amin’ny fomba izay hahatonga ny vehivavin’ny Fiangonana ho

hita miavaka sy hafa—amin’ny fomba mahafaly—amin’ireo vehivavin’izao tontolo izao”(Enseignements des Présidents de l’Église: Spencer W. Kimball [2006], 247).

• Inona no eritreritrao rehefa mandinika io fanambarana io ianao?

• Mahafantatra vehivavy ve ianao izay ohatra tsara azo alain-tahaka amin’ny hoemahazo fifaliana rehefa miaina amim-pahamarinana? Tamin’ny fomba ahoana nonitondrany fiovana teo amin’ny fiainan’ireo izay mahafantatra azy?

Hazavao fa ifantoka amin’ny fomba itahian’ny Fikambanana Ifanampiana an’ireozanakavavy sy zanakalahin’ny Ray any An-danitra ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristynaverina tamin’ny laoniny ity lesona ity.

Asao ireo mpianatra mba hanokatra ao amin’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 25 ka hijery ny sasin-tenin’ny fizarana hitadiavana ny olona izayresahin’ny Tompo ao amin’io fanambarana io. Avy eo dia vakio mafy ny andininy 3.Hazavao amin’ny mpianatra fa teo imason’ny Tompo dia “vehivavy nofinidy” i EmmaSmith. Tamin’ny fivoriana voalohan’ny Fikambanana Ifanampian’ny Vehivavy taoNauvoo dia nanazava i Joseph Smith fa “ny hoe nofinidy dia nidika hoe voafidy ho

92

amin’ny asa iray.” Nilaza ihany koa izy fa ilay fanambarana nomena an’i Emma Smithdia “tanteraka tamin’ny fifidianana an’ny Rahavavy Emma ho ao amin’nyFiadidian’ilay Fikambanana [Ifanampiana]” (ao amin’ny History of the Church,4:552–53). Zarao ho vondrona roa ireo mpianatra, ary asao ny antsasany mba hamakyny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:4–9 ary ny antsasany hafa mbahamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:10–15. Asao ireo mpianatramba hitady ireo andraikitra na antso izay nomen’ny Tompo an’i Emma Smith. Afakamanao ny lisitr’ireo andraikitra ireo izy ireo na hanamarika izany ao amin’ny soratramasin’izy ireo. Rehefa avy nanome fotoana ampy, dia asao izy ireo hanao tatitra nyzavatra izay hitany.

• Amin’ny fomba ahoana no mety handraisan’ny fahatanterahan’ireo andraikitra ireoanjara amin’ny fitomboan’ny Fiangonana?

• Inona no fitahiana izay nampanantenan’ny Tompo an’i Emma Smith raha toa kanankatò ny didiny izy?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana25:16.

• Raha toa ka nomena an’i Emma Smith io fanambarana io, dia amin’ny fombaahoana kosa no azo ampiharina amintsika ireo tenin’ny Tompo tamin’i Emma ireo?(Ny fampianarana mikasika ny fankatoavana sy ny fotopampianaran’ny filazantsaraizay ampianarina ao amin’io fanambarana io dia azo ampiharina amin’ny olon-drehetra. [Fanamarihana: Hazavao fa ny fampiharana ny soratra masina amin’nyfiainantsika manokana dia fahaizana mandalina ny soratra masina tena manan-danja izay manampy antsika hahita ny fitoviana misy eo amin’ny fiainantsikamanokana sy ny an’ireo izay ao anatin’ny soratra masina.])

Rehefa mizara ny valinteniny mikasika io fanontaniana io ny mpianatra, dia ampio izyireo hahatakatra izao fahamarinana manaraka izao: Raha toa ka mitandrina amim-pahatokiana ny didy sy manatanteraka ireo andraikitsika avy amin’ny Tompoisika, dia hahazo ny satroboninahitry ny fahamarinana. Azonao atao ny mijoro hovavolombelona ny amin’io fahamarinana io.

Ny Fikambanana Ifanampiana dia anisan’ny zavatra manan-danja ao amin’nyFiangonan’ny Jesoa Kristy naverina amin’ny laoniny.Lazao ny mpianatra fa nambaran’ny Tompo andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratrany firafitry ny Fiangonana. Tao anatin’ny dingan’izany no nanomezany antso iray tenamanan-danja an’i Emma Smith. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity famintinanamanaraka ity mikasika ny fananganana ny Fikambanana Ifanampiana. Asao ireompianatra mba hihaino ny fomba ahafahan’ny fijerin’ny Mpaminany Joseph Smith nyFikambanana Ifanampiana nampivelatra ny fijerin’ny vehivavy tamin’ny voalohany.

Tao Nauvoo dia voatahy ny vehivavin’ny Olomasin’ny Andro Farany tamin’nynananan’izy ireo manokana fikambanana tao amin’ny Fiangonana. Nanomboka izanyrehefa niara-niasa ireo vehivavy maromaro, izay notarihin’i Sarah Granger Kimball,nanamboatra lobaka ho an’ireo lehilahy niasa tao amin’ny tempoly. Nanapa-kevitraireo vehivavy fa hatsangana ara-dalàna ny fikambanana ka nangataka an’i Eliza R.Snow izy ireo mba hanoratra ny sata mifehy ny fikambanana. Rehefa nakàna hevitrany Mpaminany Joseph Smith dia nilaza izy fa tena tsara ny satan’izy ireo saingy nanorohevitra izy ny handamina ny vehivavy amin’ny fomba tsaratsara kokoa. Tamin’ny17 martsa 1842, dia nivory ny Mpaminany, niaraka tamin’ny Loholona John Taylor sy iWillard Richards ary vehivavy niisa 20 tao amin’ny efitrano ambony rihan’ny Trano

LESONA 18: NY FIKAMBANANA IFANAMPIANA SY NY FIANGONANA

93

Fitehirizam-bokatra vita amin’ny biriky mena, izay nananganan’ny Mpaminany an’ilayFikambanana Ifanampian’ny vehivavy tao Nauvoo. I Emma Smith no voafidy hofilohan’ilay fikambanana, dia toy izany no nahatanterahan’ilay fanambarana nilaza azyho “vehivavy nofinidy” (F&F 25:3). Nolazain’ny Mpaminany taty aoriana ny tanjon’ilayfikambanana dia ny “hanampy ny mahantra” sy “hamonjy fanahy” (Enseignements desPrésidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 453).

Ny 28 aprily 1842 dia nivory niaraka tamin’ireo vehivavy indray ny Mpaminany.Nolazainy izy ireo fa hahazo toromarika amin’ny alalan’ny lamin’ny fisoronana izy ireoary nilaza izy avy eo hoe: “Atolotro anareo izao ny fanalahidy amin’ny anaran’nyTompo, ary ity fikambanana ity dia hifaly, ary ny fahalalana sy ny faharanitan-tsaina nohirotsaka manomboka amin’izao fotoana izao” (Teachings: Joseph Smith, 484).

Azonao marihina amin’ny mpianatra fa afaka vakiany ao amin’nyjosephsmithpapers.org/paperSummary/Nauvoo-relief-society-minute-book nytantaran’ireo fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana tany am-boalohany.

• Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fijerin’ny Mpaminany ny zavatra mety hovitan’ny Fikambanana Ifanampiana mampivelatra ny tolokevitra nomen’i SarahKimball tany am-boalohany?

• Inona, araka ny hevitrao, no tiana hambara amin’ity fanambarana nataon’nyMpaminany Joseph Smith manaraka ity: “Atolotro anareo izao ny fanalahidyamin’ny anaran’ny Tompo”? (Natsangana teo ambany fitarihan’ny fisoronana nyFikambanana Ifanampiana tamin’ny alalan’ireo izay nihazona ny fanalahidin’nyfisoronana.)

Asehoy ity fanambarana manaraka mikasika ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampianaizay nataon’ny Rahavavy Zina D. H. Young (1821–1901) sy Rahavavy Julie B. Beck,filoha teo aloha an’ny Fikambanana Ifanampiana ity ary angataho ny mpianatra telomba hamaky ny fanambarana. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hijery nyzavatra ampianarin’ireo fanambarana ireo mikasika ny tanjon’ny FikambananaIfanampiana.

“Ny Fikambanana Ifanampiana … dia natsangan’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’nyvoalohany, efa ho dimampolo taona lasa izay; araka ny lamin’ny fisoronana sy teoambany fitarihany mba hitondra fitahiana ara-nofo ho an’ny mahantra sy ny sahirana:ary hanome fankaherezana ho an’ny ketraka, hitazona ireo izay nania, ary ho an’nyfandrosoana tsara kokoa, sy ho an’ny fampiasana ny fangorahana sy ny fiantran’ny

vehivavy, mba hananany fahafahana mahatratra ny tanjaka ara-panahy, sy ny hery hanatanterahanany soa lehibe kokoa ao amin’ny asan’ny fanavotana ny fianakaviamben’ny olombelona” (Zina D. H.Young, “Fivoriamben’ny Fikambanana Ifanampiana voalohany,” Woman’s Exponent, 15 apr.1889, 172).

Busath.com

“Ny Mpaminany Joseph Smith no namaritra ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana arynampianatra ireo vehivavy mikasika ny tanjon’izy ireo. … Mbola tarihin’ireompaminany sy mpahita ary mpanambara ny fikambanantsika ankehitriny” (Julie B.Beck, “Relief Society: A Sacred Work,” Ensign na Liahona, nôv. 2009, 110–11).

“Toy ny nampianaran’ireo mpaminanin’ny Tompo an’ireo loholona sy ireo mpisorona avo mikasika nytanjony sy ny adidy dia nizara ny fahitan’izy ireo mikasika ny Fikambanana Ifanampiana izy ireo. Rahajerena ny torohevitra nomen’izy ireo dia mazava fa ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana dia nyhampitombo ny finoana sy ny fahamarinan-toetran’ny tena manokana, hanamafy orina ny

LESONA 18: NY FIKAMBANANA IFANAMPIANA SY NY FIANGONANA

94

fianakaviana sy ny tokantrano ary hitady sy hanampy an’ireo izay mila fanampiana. Finoana,fianakaviana, ary fanampiana—ireo teny tsotra telo ireo dia lasa maneho ny tanjon’ireo mpaminanymikasika an’ireo rahavavy ao amin’ny Fiangonana” (Julie B. Beck, “Ny Tanjon’ireo Mpaminanymikasika ny Fikambanana Ifanampiana: Finoana, Fianakaviana, Fanampiana,” Ensign na Liahona, mey2012, 83).

• Ahoana no hitahian’ireo tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana ny Fiangonanamanontolo? (Tokony hahita izao fahamarinana manaraka izao ny mpianatra: NyFikambanana Ifanampiana dia mikatsaka ny hampitombo ny finoana sy nyfahamarinan’ny tena manokana, mampatanjaka ny fianakaviana sy nytokantrano ary mitondra fanamaivanana fahasahiranana amin’ny fitadiavanasy fanampiana ireo izay mila fanampiana. Voatahy ny fiangonana manontolorehefa manatanteraka ireo tanjona ireo ny vehivavy.)

• Oviana ianao no nahita ny Fikambanana Ifanampiana nanatanteraka ireo tanjony?

Asehoy ity fanambarana manaraka ity, ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

“Hoy ny Mpaminany Joseph Smith: ‘Tsy mbola tafatsangana tsara mihitsy ny Fiangonana raha tsyvoarindra toy izao ny vehivavy’ [Teachings: Joseph Smith, 451]. …

“Ankoatra an’i Joseph Smith, dia nijoro ho vavolombelona ireo mpaminanin’ny andro farany hafa fany fananganana ny Fikambanana Ifanampiana dia anisan’ny zavatra nentanim-panahy tao amin’nyFamerenana amin’ny Laoniny, izay ahafahan’ny vehivavy ato amin’ny fiangonana ho voantso amin’nytoerana ao amin’ny Fiangonana mba hifanompo sy hitondra fitahiana ho an’ny Fiangonanamanontolo. Hoy ny Filoha Joseph F. Smith: ‘Ity fikambanana ity dia natao araka an’ Andriamanitra,nahazo fankatoavana avy amin’ Andriamanitra, natsangana araka an’ Andriamanitra, voatendry arakaan’ Andriamanitra mba hanompo amin’ny famonjena ny fanahin’ny vehivavy sy ny lehilahy’[Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph F. Smith (1998), 184]” (Filles dans Mon Royaume:L’histoire et l’Oeuvre de la Société de Secours [2011], 7).

• Inona no ampianarin’ity fanambarana ity mikasika ny anjara asa sahanin’nyFikambanana Ifanampiana ao amin’ny Famerenana amin’ny Laoniny nyfilazantsara? (Rehefa mamaly ny mpianatra, dia ataovy izay hahatakarany izaofahamarinana izao, na dia lazaina amin’ny teny hafa aza izany: Ny FikambananaIfanampiana dia anisan’ny zavatra nentanim-panahy araka an’Andriamanitra ao amin’ny Famerenana amin’ny Laoniny. Soraty eo amin’nysolaitrabe io fahamarinana io.)

• Mitondra fiovana manao ahoana eo amin’ny fiainanao ny fahafantarana fa nynananganana ny Fikambanana Ifanampiana dia ao anatin’ny Famerenana amin’nyLaoniny?

• Ahoana no anampian’ny fandraisan’ny vehivavy anjara amin’ireo antso ao amin’nyFiangonana ny Fiangonana mba ho “tafatsangana tsara”?

Ny vehivavy sy ny fisoronanaHazavao amin’ny mpianatra fa misy ny sasany izay manontany ny antony mahatongany vehivavy tsy ho tendrena ho amin’ny anjara fanompoan’ny fisoronana. Hamafiso fana dia tsy fantatsika aza ny antony mahatonga ny vehivavy tsy ho tendrena amin’nyanjara fanompoan’ny fisoronana, dia fantatsika fa ny vehivavy dia mandray anjara aoamin’ny fisoronana ao amin’ny antsony ao am-piangonana sy any an-tokantranony.

LESONA 18: NY FIKAMBANANA IFANAMPIANA SY NY FIANGONANA

95

Zarao amin’ny mpianatra tsirairay ny tahadikan’ity fanambarana manaraka izaynataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity,ary angataho ny mpianatra iray hamaky mafy izany. Asao ireo mpianatra mbahamantatra ireo fomba ahafahan’ny vehivavy mampiasa ny fahefan’ny fisoronana:

Ny Vehivavy sy ny FisoronanaHoy ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, hoe:

“Tao amin’ny lahateny izay nataony tamin’ny Fikambanana Ifanampiana, ny Filoha JosephFielding Smith, izay Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’izany, dia nilazaizao: ‘Na dia tsy nomena ny Fisoronana aza ny vehivavy, tsy nomena ho azy ireo izany, diatsy midika akory izany fa ny Tompo dia tsy nanome azy ireo ny fahefana. … Mety misyolona manana fahefana izay nomena azy, na vehivavy izay manana ny fahefana, mba

hanaovany zavatra sasantsasany ao amin’ny Fiangonana izay tsy afa-misaraka sy tena ilaina amin’nyfamonjena antsika, toy ny asa izay ataon’ireo rahavavintsika any amin’ny Tranon’ny Tompo. Manana nyfahefana izay nomena azy izy mba hanaovana zavatra lehibe sy mahatalanjona, masina eo anatrehan’nyTompo, ary mamehy mitovy tsy misy hafa amin’ireo fitahiana izay omen’ny lehilahy mihazona nyFisoronana’ [‘Relief Society—An Aid to the Priesthood,’ Relief Society Magazine, jan. 1959, 4].

“Tao anatin’io lahateny manan-danja io ny Filoha Smith dia namerimberina hatrany fa ireo vehivavy dianomena fahefana. Hoy izy tamin’ireo vehivavy hoe: ‘Afaka miteny ombam-pahefana ianareo satrianametrahan’ny Tompo fahefana.’ Nilaza ihany koa izy fa ny Fikambanana Ifanampiana ‘[dia] nomenahery sy fahefana hanao zavatra lehibe maro. Ny asa izay ataon’izy ireo dia atao amin’ny alalan’nyfahefan’ Andriamanitra.’ Ary mazava ho azy fa ny asam-piangonana izay ataon’ny vehivavy na nylehilahy, na any amin’ny tempoly izany na any amin’ny paroasy na sampana dia atao eo ambanyfitarihan’ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana. Noho izany, raha niresaka momba nyFikambanana Ifanampiana ny Filoha Smith dia nanazava hoe: Nomen’ny [Tompo] azy ireo ityfikambanana lehibe ity ary ao izy ireo no manana fahefana hanompo eo ambany fitarihan’ireoevekan’ny paroasy … , mikarakara ny tombontsoan’ny vahoakantsika na ara-batana izany na ara-panahy’ [‘Relief Society—An Aid to the Priesthood,’ 4–5]. …

“Tsy mahazatra antsika ny fitenenana mikasika ny fananan’ny vehivavy ny fahefan’ny fisoronana aoamin’ny antson’izy ireo ato am-piangonana, saingy fahefana hafa inona ary izany? Rehefa atokana nyvehivavy iray—na tanora na antitra—hitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno, dia omena fahefan’nyfisoronana izy hanatanterahana andraikitra iray izay an’ny fisoronana. Marina koa izany rehefa atokanaamin’ny andraikitra toy ny mpiandraikitra na mpampianatra ao amin’ny rafitra iray ao amin’nyFiangonana ny vehivavy iray eo ambany fitarihan’ny olona iray izay mihazona ireo fanalahidin’nyfisoronana. Na iza na iza miasa eo amin’ny toerana na antso iray voaray avy tamin’olona iray izaymihazona fanalahidin’ny fisoronana dia mampiasa ny fahefan’ny fisoronana eo am-panatanterahanaireo andraikitra nanendrena azy” (“Ny Fanalahidy sy ny Fahefan’ny Fisoronana,” Ensign na Liahona,mey 2014, 50–51).

• Inona no fahamarinana nianaranao mikasika ny anjara asa sy andraikitry nyvehivavy ao amin’ny Fiangonana avy amin’ny Loholona Oaks? (Rehefa mizara nyvalinteniny ny mpianatra, dia ataovy izay ahatakarany izao fahamarinana manarakaizao: Rehefa atokana ny vehivavy mba hanompo ao amin’ny Fiangonana, diamandray ny fahefan’ny fisoronana izy ireo mba hanatanterahana nyandraikiny.)

Mba hampitomboana ny fahatakaran’ireo mpianatra sy ny fahatsapany mikasika ireofahamarinana izay nifanakalozany hevitra tao an-dakilasy dia zarao ho tsiroaroa izyireo ka asao mba hifanakalo hevitra momba ity manaraka ity:

LESONA 18: NY FIKAMBANANA IFANAMPIANA SY NY FIANGONANA

96

• Ahoana no ahafahantsika manatsara ny zavatra lazaintsika mikasika ny vehivavy aoamin’ny Fiangonana mba hifanaraka amin’ny tena dikan’ny fandraisan’izy ireoanjara?

Asao ireo mpianatra mba hizara ny fahatsapany mikasika ny fitaoman’ny vehivavy syny asa ataony amin’ny maha-mpianatra ao amin’ny fanjakan’ny Tompo azy ireo.Amporisiho ireo mpianatra mba hanao zavatra mifanaraka amin’izay tsapan’izy ireonandritra ny lesona, indrindra indrindra amin’ny fampiakarana ny lanjan’nyFikambanana Ifanampiana eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Vakitenin’ny Mpianatra• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25.

• Dallin H. Oaks, “Ny Fanalahidy sy ny Fahefan’ny Fisoronana,” Ensign na Liahona,mey 2014, 49–52.

• Julie B. Beck, “Ny Tanjon’ireo Mpaminany mikasika ny Fikambanana Ifanampiana:Finoana, Fianakaviana, Fanampiana,” Ensign na Liahona, mey 2012, 83–85.

LESONA 18: NY FIKAMBANANA IFANAMPIANA SY NY FIANGONANA

97

19 Ny Fotopampianaran’nyFanambadiana sy nyFianakaviana MandrakizayNy filazantsaran’i Jesoa Kristy dia manantitrantitra ilay fotopampianarana hoe nyfanambadiana sy ny fianakaviana dia voatendrin’ Andriamanitra. Nampianatra nyMpaminany Joseph Smith fa ny mpivady dia afaka mbola hitohy ho mpivady aorian’nyfitsanganana amin’ny maty. Ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra dia manazavafa ny “fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana” (F&F131:2) dia ilaina mba hahazoana ny fisandratana. Ity lesona ity dia hanazava tsaraamin’ireo mpianatra fa mba hampaharitra mandrakizay ny fanambadiana dia tsymaintsy fehezin’ny olona izay manana ireo fanalahidin’ny fisoronana ny mpivady arymiaina amim-pahamarinana avy eo.

Vakiteny Enti-mandalina• Russell M. Nelson, “Celestial Marriage,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 92–95.

• David A. Bednar, “Marriage Is Essential to His Eternal Plan,” Ensign, jona 2006,82–87.

• Joshua J. Perkey, “Why Temple Marriage?” New Era, aog. 2013, 30–32.

Sosokevitra Enti-mampianatraFotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–17131:1–4“Ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana”Fanamarihana: Rehefa mampianatra ity lesona ity ianao, dia fantaro fa mety misympianatra izay efa nanana fiainana an-tokantrano sarotra na efa nandalo ratram-po nafanaintainana mifandray amin’ny fanambadiana na ny fananan-janaka. Eritrereto nyfilàn’ireo mpianatra ireo rehefa manomana sy mampianatra ny lesona ianao.

Lazao ireo mpianatra fa tamin’ny 1831 tao Kirtland, Ohio, dia niditra hompikamban’ny Fiangonana i Leman Copley. Mpikambana tao amin’ny FikambananaMitambatry ny Mpino ny Fisehoan’i Jesoa Kristy Fanindroany izy izay nantsoin’nymaro hoe Shakers noho ny fomba fitsaohan’izy ireo izay manetsiketsika ny vatanyrehefa mihira ary mandihy sy mitehaka amin’ny mozika. Rehefa nino ny filazantsara iLeman Copley dia mbola nino foana ny sasany tamin’ireo fampianaran’ny Shakers izy.Nitsidika an’i Joseph Smith izy, ka ho valin’ilay fitsidihana, dia nanome an’i JosephSmith ny fanambarana izay fantatra ankehitriny amin’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 49 ny Tompo tamin’ny 7 mey 1831. (Ny sasin-tenin’ny fizaranatao amin’ny fanontana tany am-boalohany an’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana dia nanome io daty io ho martsa 1831. Vao tsy ela ny mpahaytantara no nahatsikaritra fa ny daty marina kokoa dia ny 7 mey 1831.)

Notsipahin’ny Shakers ny fanambadiana ary nino ny fitokanan-tena tanteraka izy ireo(fifadiana ny firaisana ara-nofo). Nahitsin’ny Tompo io fotopampianarana diso io taoanatin’ilay fanambarana ary nandidy an’i Leman Copley sy ny hafa koa Izy mba hitoryny filazantsara amin’ny Shakers.

98

Asao ny mpianatra mba hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana49:15–17, mba hitady ny zavatra izay nolazain’ny Tompo momba ny maha-zava-dehibeny fanambadiana sy ny fianakaviana. Anontanio hoe:

• Araka ireo andininy ireo, inona no ampianarin’ny Tompo momba nyfanambadiana? (Tokony ho fantatry ny mpianatra ity fotopampianarana manarakaity: Ny fanambadian’ny lahy sy ny vavy dia voatendrin’ Andriamanitra.)

• Inona araka ny hevitrao ny dikan’ny hoe ny fanambadiana dia voatendrin’Andriamanitra “mba hahatratraran’ny tany ny tanjona namoronana azy”? (Metyahitana ireto fahamarinana manaraka ireto ny valintenin’ny mpianatra: Nodidianany mpivady mba hanan-janaka. Noforonina ny tany mba hanome toeranahahafahan’ireo zanak’ Andriamanitra hiaina ny fiainana miaraka amin’nyfianakaviana.)

• Ahoana no mety ahafahan’ny fahatakarana ireo fahamarinana ampianarina aoamin’ireo andininy ireo manampy antsika hanazava ny fampianaran’ny Fiangonanamomba ny fanambadiana?

Hazavao fa taona maro taty aoriana dia nitombo be ny fahatakaran’ny Olomasina nymaha-zava-dehibe ny fotopampianarana momba ny fanambadiana sy ny fianakavianamandrakizay. Ny 16 mey 1843, dia nandeha nankany Ramus, Illinois, i Joseph Smith.Rehefa nipetraka tao amin’ny tranon’i Benjamin sy Melissa Johnson ny Mpaminany dianampianatra azy ireo momba ny fanambadiana mandrakizay. Ny sasany tamin’ireofampianaran’ny Mpaminany tao Ramus dia voarakitra ao amin’ny Fotopampianaranasy Fanekempihavanana 131. Asao ireo mpianatra hamaky mafy ny Fotopampianaranasy Fanekempihavanana 131:1–4, ary anontanio avy eo hoe:

• Inona no zavatra tsy maintsy ataontsika mba hahazoana ny ambaratonga avoindrindra ao amin’ny fanjakana selestialy? (Tokony ho fantatry ny mpianatra ityfotopampianarana manaraka ity: Mba hahazoana ny ambaratonga avoindrindra ao amin’ny fanjakana selestialy, dia tsy maintsy miditra ao amin’nyfanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadianaisika. Hazavao fa ny teny hoe vaovao eto amin’ity sahan-kevitra ity dia midika favao haingana io fanekempihavanana io no tafaverina amin’ny laoniny amin’izaofotoampitantanana misy antsika izao. Ny teny hoe maharitra mandrakizay diamidika fa efa nisy hatrizay io fanekempihavanana io ary haharitra mandrakizay.Azonao atao ny mangataka ireo mpianatra hanoratra ireo fahamarinana ireo eoamin’ny sisin’ny pejy ao amin’ny soratra masiny.)

• Amin’izao androntsika izao, ahoana no idiran’ny lehilahy iray sy vehivavy iray aoamin’io “fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’nyfanambadiana” io?

Hamafiso fa any amin’ny tempoly masina ihany no ahafahan’ny lehilahy sy nyvehivavy miditra amin’ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’nyfanambadiana. Mety hampiasa ny teny hoe “vady mandritra izao fiainana izao symandrakizay” ny olona izay manambady ivelan’ny tempoly ao amin’ny voadin’nyfanambadiany, saingy tsy hankasitrahan’ Andriamanitra izany fanambadiana izany anyamin’ny mandrakizay.

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Loholona Russell M. Nelson avy ao amin’nyKôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary miangavia mpianatra iray hamaky izanymafy: Amporisiho ny mpianatra mba hitady ny zavatra nampianarin’ny Loholona

LESONA 19: NY FOTOPAMPIANARAN’NY FANAMBADIANA SY NY FIANAKAVIANA MANDRAKIZAY

99

Nelson mikasika ny antony mahatonga ny fanambadiana ho manan-danja lehibeaok’izany:

“Iadian-kevitra manerana izao tontolo izao ny momba ny fanambadiana, izay ahitanakarazana fifanarahana maro ho amin’ny olona roa izay miara-mipetraka toy ny mpivady.Ny tanjoko amin’ny firesahana momba io lohahevitra io dia ny hanambara, amin’nymaha-Apôstôlin’ny Tompo ahy, fa ny fanambadian’ny lahy sy ny vavy diamasina—voatendrin’ Andriamanitra izany. Milaza ihany koa aho ny amin’ny

fahamasinan’ny fanambadiana any amin’ny tempoly. Io no karazana fanambadiana ambony indrindrasy maharitra indrindra izay afaka omen’ Andriamanitra ireo zanany.

“Raha zavatra mahakasika ny tsirairay ny fanavotana, ny fisandratana kosa dia zavatra mahakasikany fianakaviana. …

“… Mba ho mendriky ny hahazo ny fiainana mandrakizay, dia tsy maintsy manaofanekempihavanana mandrakizay sy maharitra mandrakizay amin’ny Raintsika any An-danitra isika[jereo ny F&F 132:19]. Midika izany fa tsy ho an’ny mpivady ihany ny fanambadiana any amin’nytempoly fa mahafaoka ny fiaraha-miasa miaraka amin’ Andriamanitra ihany koa izany [jereo ny Matio19:6]” (“Celestial Marriage,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 92–93).

• Inona araka ny hevitrao ny dikan’ity fehezanteny ity: “Raha zavatra mahakasika nytsirairay ny fanavotana, ny fisandratana kosa dia zavatra mahakasika nyfianakaviana”?

• Inona ny dikan’ny hoe mahafaoka “ny fiaraha-miasa miaraka amin’Andriamanitra” ao amin’ny fanambadiana mandrakizay? Nahoana araka nyhevitrao no manan-danja ny manana fiaraha-miasa amin’ Andriamanitra aoamin’ny fanambadiana mandrakizay? (Ao amin’ny fanambadiana ihany noanaovan’ny olona iray fanekempihavanana amin’ny olona iray hafa miaraka amin’Andriamanitra. Ireo fanekempihavan’ny filazantsara hafa rehetra dia ataon’nyolona iray amin’ Andriamanitra.)

• Ahoana ahafahan’ny fotopampianarana momba ny fanambadiana sy nyfianakaviana mandrakizay izay naverina tamin’ny laoniny mampiakatra nyfanirian’ny olona iray hanorina fanambadiana feno fitiavana sy maharitra?

Ny Loholona Parley P. Pratt (1807–57) avy tao amin’ny Kôlejin’ny ApôstôlyRoambinifolo dia nanazava ny vokatry ny fahalalana an’io fotopampianarana naverinatamin’ny laoniny io teo aminy. Asao ny mpianatra iray hamaky izao manaraka izao:

“Avy tamin’i [Joseph Smith] no nianarako fa ny vady malalako dia mety ho fehezinaamiko mandritra izao fiainana izao sy mandrakizay. … Avy taminy no nianarako faafaka kolokolointsika ireo fitiavana ireo, ary hitombo ka hampivoatra izany mankanyamin’ny mandrakizay; raha toa ka ny vokatry ny fiarahantsika tsy misy fiafarany dia hotaranaka maro be tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra na ny fasika eny amoron-

dranomasina. … Efa nitia aho teo aloha, fa tsy fantatro hoe nahoana. Fa ankehitriny kosa dia mitiaaho—amin’ny fahadiovana—fahatsapana mahery vaika sy tretrika eo amin’ny hamafiny”(Autobiography of Parley P. Pratt, ed. Parley P. Pratt Jr. [1938], 297–98).

Alohan’ny hanohizana ity lesona ity dia mety ho fahendrena ny mifanakalo hevitramomba ity manaraka ity:

“Ireo mpikambana sasany ato am-piangonana dia mijanona ho tokan-tena tsy fidiny na dia manam-paniriana ny hanambady aza izy ireo. Raha ao anatin’izany toe-javatra izany ianao dia matokia fa ‘ny

LESONA 19: NY FOTOPAMPIANARAN’NY FANAMBADIANA SY NY FIANAKAVIANA MANDRAKIZAY

100

zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’ Andriamanitra’ (Romana 8:28). Rehefa mitoetraho mendrika ianao dia indray andro any, eto amin’ity fiainana ity na amin’ny fiainana ho avy, diahomena ireo fitahiana rehetra an’ny fifandraisan’ny fianakaviana mandrakizay” (True to the Faith: AGospel Reference [2004], 99).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:1–21Ilaina ho an’ny fisandratana ny fanambadiana mandrakizayHazavao fa tokony ho roa volana taorian’ny nanomezan’i Joseph Smith nyfampianarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 131, dia nanonona ny fanambarana izay fantatra ankehitrinyamin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132 izy. Asao ny mpianatrahamaky mafy ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 132. Hazavao fa horesahina ao amin’ny lesona manaraka nymikasika ny fananana vady maro. Asao ny mpianatra iray hafa hamaky mafy nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:3–6. Asaivo manaraka ny vakiteny nympianatra ka hamantatra ireo teny na andian-teny izay milaza ny maha-zava-dehibeny fidirana ao amin’ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’nyfanambadiana. Mifanakaloza hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto:

• Inona ao amin’ireo andininy ireo no teny na andian-teny manazava ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana?

• Inona no vokatry ny fandavana an’io fotopampianarana io? (Azonao atao nymanazava fa ny teny hoe voaheloka dia milaza fa tsy afaka ny hivoatra mandrakizayintsony ny olona iray.)

Fanamarihana: Makà minitra vitsivitsy mba hanamarihana amin’ny mpianatra fafahaiza-mandalina ny soratra masina tena manan-danja ny mijery ireo teny na andian-teny, ilay fahaiza-manao izay vao avy nampiharin’izy ireo tamin’ny Fotopampianaranasy Fanekempihavanana 132:3–6. Tena ilaina ny mijery sy manakatra ireo teny naandian-teny rehefa mandalina ny soratra masina. Ao amin’ny andininy 3–6, dia ilainany mahatakatra ireto andian-teny manaraka ireto: “handray sy hankatò,” “tsy maintsymankatò,” “raha tsy mandray izany ianareo dia voaheloka,” “tsy misy afakamitsipaka,” “tsy maintsy sy tokony.” Ohatra mampiseho ny fifandraisan’ireo hevitra aoamin’ny soratra masina ihany koa ny sasany amin’ireo andian-teny ireo. Nyfifandraisana dia mampiseho ny fifandraisana na rohy mampifandray ireo hevitra.Ohatra: ny andininy 3 dia mampiseho ny fifandraisana eo amin’ny fiomanana,fandraisana ary fankatoavana.

Asao ireo mpianatra hamaky am-pahanginana ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 132:7–8, ka hitady ireo fepetran’ny lalàn’ny Tompo izaymahatonga ny mpivady ho afaka ny hiaina amin’ny maha-mpivady azy aorian’izaofiainana izao.

• Araka ireo andininy ireo, inona avy ireo fepetra ilaina amin’ny fanambadiana mbahaharitra mandrakizay? (Rehefa mamaly ny mpianatra, dia soraty eny amin’nysolaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Rehefa atao amin’ny alalan’nyfahefan’ny fisoronana sy fehezina amin’ny alalan’ny Fanahy Masin’nyFampanantenana ny fanekempihavanana, dia haharitra mandrakizay.)

Zarao ity famaritana ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana manaraka ity: “Ny FanahyMasina dia ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana (Asa 2:33). Amafisiny ho azo ekenaamin’ Andriamanitra ny asa marina sy ny ôrdônansy ary ny fanekempihavanan’ny

LESONA 19: NY FOTOPAMPIANARAN’NY FANAMBADIANA SY NY FIANAKAVIANA MANDRAKIZAY

101

olona. Ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana dia vavolombelona manambara amin’nyRay fa efa notontosaina araka ny fanao ireo ôrdônansy mamonjy ary efa notandremanany fanekempihavanana mifandray amin’izany” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina,“Fanahy Masin’ny Fampanantenana,” scriptures.lds.org).

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa an’io fitsipika io, dia heverony hampiseho ity fanambarana manaraka izay nataon’ny Loholona Bruce R. McConkie(1915–85) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

“Ny atao hoe mamehy dia mankatò, manamarina, na manaiky. Araka izany, ny asa ataoiray izay fehezin’ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana dia asa iray izay ankatoavin’nyFanahy Masina; izay eken’ny Tompo; ary ilay olona izay nandray ilay asa natao teoaminy dia hamarinin’ny Fanahy amin’ny zavatra izay nataony. Tsy apetraka eo amin’ilayasa atao iray ihany ilay hery famehezan’ny fanekena raha toa ka tsy mendrika ireo izay

manao ny fifanekena noho ny fahamarinan’ny tenany manokana mba ahafahany mahazo nyfankatoavana avy amin’ Andriamanitra” (Mormon Doctrine, fanontana faha-2 [1966], 361–62).

Nanoritra hatrany ireo fepetra ilaina sy ireo fitahian’ny fanambadiana mandrakizay nyTompo, izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana132:19–21. Asaivo miasa anaty vondrona tsiroaroa ireo mpianatra mba handalina ioandinin-tsoratra masina io. Asao ireo vondrona mba hanao lisitra anankiroa: (1) ireofepetra takiana mba hampaharitra mandrakizay ny fanambadiana, ary (2) ireo fitahianaazo rehefa feno ireo fepetra ireo. Rehefa vita dia mety ahitana izao manaraka izao ireolisitra:

Fepetra takiana mba hampaharitra mandrakizay ny fanambadianaTsy maintsy tanterahina mifanaraka amin’ny lalàn’ny Tompo sy “nyfanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay” ny fanambadiana.

Tsy maintsy fehezin’ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana ny fanambadiana.

Tsy maintsy tanterahin’ny olona izay mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana nyfanambadiana.

Tsy maintsy mandray ny fanekempihavanan’ Andriamanitra ny mpivady.

Ireo fitahiana izay ho azoHitsangana amin’ny Fitsanganan’ny Maty Voalohany ny mpivady.

Handova fiandrianana, fanjakana, fanapahana, hery sy ireo rehetra izay avo sylalina ilay mpivady.

Hanan-kery tanteraka ilay fanambadiana aorian’ny fahafatesan’ny vatana.

Handalo amin’ireo anjely ilay mpivady.

Hasandratra ilay mpivady ka hahazo ny voninahitra amin’ny zavatra rehetra.

Hahazo ny “fitohizan’ny voa mandrakizay” ilay mpivady (hitohy mandritra nymandrakizay ny fianakaviany sy ny taranany; hanana fitohizana mandrakizay izyireo).

Ho lasa andriamanitra ilay mpivady ka tsy hanana fahataperana.

Ho ambonin’ny zava-drehetra ilay mpivady ka hanana ny hery rehetra, ary ny zava-drehetra dia hankatò azy ireo.

LESONA 19: NY FOTOPAMPIANARAN’NY FANAMBADIANA SY NY FIANAKAVIANA MANDRAKIZAY

102

Ifanakalozy hevitra ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana ireo mpianatrahahatakatra bebe kokoa ireo fepetra ilaina sy ireo fitahiana nampanantenaina an’nyfanambadiana mandrakizay:

• Inona araka ny hevitrao ny dikan’ny hoe “mandray” ao amin’nyfanekempihavanan’ny fanambadiana? (Azonao atao ny manazava fa dikany irayan’ny teny hoe mandray ny hoe mijanona na manohy. Midika ihany koa izany hoemiaina mifanaraka amin’ilay fanekempihavanana.)

• Nahoana no tsy ampy hahatratrarana ny fanambadiana mandrakizay ny hoefehezina fotsiny any amin’ny tempoly?

• Inona no eritreritra sy fahatsapana anananao rehefa mieritreritra ny zavatranampanantenan’ny Ray any An-danitra anao ianao?

Vakio ity filazana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’nyKôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Zavatra iray tena manan-danja amin’ny fiomanana ho amin’ny fiainana mandrakizayny fanambadiana selestialy. Izany dia mitaky ho an’ny olona iray mba hanambady nyolona tokony hovadiany, amin’ny toerana izay maha-mety izany, amin’ny alalan’nyfahefana izay tokony hanao izany, ary mba hankatò amim-pahatokiana izanyfanekempihavanana izany. Afaka mahazo antoka avy eo ilay olona fa hahazo ny

fisandratana ao amin’ny fanjakana selestialin’ Andriamanitra” (“Celestial Marriage,” Ensign naLiahona, nôv. 2008, 94).

• Ahoana no hanazavanao amin’ny olona iray izay tsy mpikamban’ny Fiangonana nymaha-zava-dehibe ny manambady “amin’ny toerana izay maha-mety izany syamin’ny alalan’ny fahefana izay tokony hanao izany”?

• Noho ny maha-zava-dehibe ny fotopampianarana momba ny fanambadiana sy nyfianakaviana mandrakizay, inona no azonao atao izao mba hiomanana amin’nyfanambadiana mandrakizay sy hanorina fiarahana matanjaka?

Asao ireo mpianatra mba handinika ny zavatra izay mila fiovana amin’ny fiainany mbaho voaomana tsara kokoa amin’ny famehezana any amin’ny tempoly na hitandrinaireo fanekempihavanana miaraka amin’izany famehezana izany. Zarao ny fijoroanaoho vavolombelona fa mendrika ny hanaovantsika fahafoizan-tena sy ezaka nyfikatsahana ny fanambadiana mandrakizay.

Vakitenin’ny Mpianatra• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana–17; 131:1–4; 132:1–24.

• Russell M. Nelson, “Celestial Marriage,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 92–95.

• Joshua J. Perkey, “Why Temple Marriage?” New Era, aog. 2013, 30–32.

LESONA 19: NY FOTOPAMPIANARAN’NY FANAMBADIANA SY NY FIANAKAVIANA MANDRAKIZAY

103

20 Ny Fanambadiana Maro

Ny fanambadian’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia lalàn’ny Tompo raha tsy hoeIzy no mandidy hanova izany (jereo ny Jakôba 2:27–30). Nodidiana ny hamerina nyfampiharana ny fanambadiana maro ny Mpaminany Joseph Smith, izay nampiharinatao amin’ny Fiangonana efa ho dimampolo taona mandra-pahatonga an’ny FilohaWilford Woodruff nahazo aingam-panahy avy tamin’ny Tompo mba hanajanona ilayfomba fanao. Fitsapam-pinoana lehibe ho an’i Joseph Smith sy ny ankamaroan’ireoizay nanao izany ny fanambadiana maro. Rehefa mampihatra finoana ireo mpianatra,dia afaka ho tonga amin’ny fahafantarana fa ny fananana vady maro tamin’ny androfarany dia tao anatin’ny Famerenana amin’ny Laoniny ny zava-drehetra.

Vakiteny Enti-mandalina• “Plural Marriage in The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints,” [Ny

Fanambadiana Maro tao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’nyAndro Farany] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics.

• “Plural Marriage in Kirtland and Nauvoo,” [Ny Fanambadiana Maro tao Kirtland]Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics.

• “Plural Marriage and Families in Early Utah,” [Ny Fanambadiana sy FianakavianaMaro tao Utah Fahiny] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics.

• “The Manifesto and the End of Plural Marriage,” [Ilay Manifesto sy ny Fiafaran’nyFanambadiana Maro] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics.

Fanamarihana: Ireo fanadihadiana ao amin’ny Lohahevitry ny Filazantsara ireo diahanome anao fitaovana maro lavitra ka tsy ho ampy ny fotoana anananao rahahampianatra izany. Aoka hotsaroana izany rehefa manomana sy mampianatra nylesona ianao.

Sosokevitra Enti-mampianatraJakôba 2:27–30; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:1–2, 34–48,54, 63Nanambara ny fampiharana ny fanambadiana maro ny TompoHazavao fa tamin’ny taona 1831, raha mbola niasa tamin’ny fandikan-teny nentanim-panahy ny bokin’ny Testamenta Taloha i Joseph Smith, izay fantatra amin’ny hoeDikantenin’i Joseph Smith, dia namaky izy fa ny sasany tamin’ireo mpaminany talohadia nanambady maro. Anisan’ireo mpaminany ireo i Abrahama, Jakoba, Mosesy ary iDavida. Nandalina sy nisaintsaina ny soratra masina i Joseph Smith hahafantarany nyfomba nanamarinana ireo mpaminany ireo tamin’io fomba fanao io (jereo ny F&F132:1–2). Nambaran’ny Tompo ny valin’ny fanontaniany tao amin’ny fanambarana izayfantatra ankehitriny amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132. Na diatamin’ny 12 jolay 1843 aza ny datin’ity fanambarana ity, dia azo inoana fa voarain’iJoseph Smith niandalana ny fanambarana momba ireo fitsipika voarakitra ato amin’ityfizarana ity rehefa nandeha ny fotoana, nanomboka hatramin’ny 1831.

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ao amin’ny Fotopampianaranasy Fanekempihavanana 132:34–36. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra kahitady ny antony nahatonga an’i Abrahama sy i Saraha nanomboka nampihatra nyfanambadiana maro.

104

• Araka ny andininy 34, nahoana i Saraha no nanome vady hafa an’i Abrahama?Inona no ampianarin’izany mikasika ny fampiharana ny fanambadiana maro?(Rehefa mamaly ny mpianatra, dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipikamanaraka ity: Tsy azo ekena ny fanambadiana maro raha tsy ny Tompo nomandidy izany.)

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy Jakôba 2:27, 30. Hamafiso ity fitsipikamanaraka ity: Ny fanambadian’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray no fenitr’Andriamanitra raha tsy hoe Izy no mandidy ny ankoatr’izany. Mariho fa ahitanany antony izay nomen’ny Tompo ny amin’ny fampiharana ny fanambadiana maroihany koa ireo andininy ireo—mba “hanangana taranaka ho [an’ny Tompo]” amin’nyfampitomboana ny isan’ireo zanaka ateraky ny ray aman-dreny mahatoky (jereo koany F&F 132:63).

Hazavao fa nambaran’ny Tompo tamin’i Joseph Smith, izay voarakitra ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:37–43, fa rehefa mampihatra nyfanambadiana maro ny vahoakany satria nodidiany hanao izany, dia tsy meloka nohoilay fahotan’ny fijanganjagana izy ireo. Kanefa, na iza na iza mampihatra nyfanambadiana maro ka tsy nahazo didy avy tamin’ny Tompo tamin’ny alalan’nympaminaniny dia meloka noho ny fijanganjangana. Mariho amin’ny mpianatra fa nyteny hoe hofongorana ao amin’ny andininy 41 sy ny 54 dia midika fa ireo izay mandikany fanekempihavanany masina, anisan’izany ny fanekampihavanan’ny fanambadiany,dia hosarahina amin’ Andriamanitra sy ny vahoakan’ny fanekempihavanany (jereo koany Asa 3:22–23; 1 Nefia 22:20).

Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 132:40 ka hamantatra ny antony iray hafa izay nomen’ny Tompony amin’ny fampiharana ny fanambadiana maro.

• Araka ny andininy 40, inona no zavatra hataon’ny Tompo ao amin’nyfotoampitantanana farany? (“Hamerina amin’ny laoniny ny zava-drehetra.”)

Hazavao fa ny teny hoe “zava-drehetra” dia manondro ireo lalàna sy ôrdônansin’nyfilazantsara izay nambara tao amin’ny fotoampitantanana teo aloha. Soraty enyamin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Ny didy mba hiaina ny lalàn’nyfanambadiana mandrakizay dia tao anatin’ny Famerenana amin’ny Laoniny nyzava-drehetra (jereo koa ny Asa 3:20–21).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana132:45, 48. Asao ireo mpianatra mba hanaraka ny vakiteny, sady hitady ny fombanahafahan’i Joseph Smith nandray anjara tamin’ny fanatanterahana ny Famerenanaamin’ny Laoniny ny zava-drehetra. Ampio ireo mpianatra hahatakatra ity fitsipikamanaraka ity: Amin’ny alalan’ireo fanalahidin’ny fisoronana izay nomena nyFilohan’ny Fiangonana ihany no hahazoana lalana ny fanambadianamandrakizay.

Omeo tahadikan’ny taratasy zaraina izay hita any amin’ny faran’ny lesona nympianatra tsirairay. Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny fizarana voalohany,izay mitondra ny lohateny hoe “Fanambadiana Maro.”

LESONA 20: NY FANAMBADIANA MARO

105

• Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fahafantarana fa ny fampiharana nyfanambadiana maro dia nomena tamin’ny alalan’ny fanambarana tamin’nyMpaminany Joseph Smith manampy anao hahatakatra tsara kokoa ny fampiharanaizany tamin’ny andro voalohan’ny Fiangonana?

Fitsapam-pinoana ny fampiharana ny fanambadiana maroAsao ny antsasaky ny mpianatra mba hamaky am-pahanginana ny fizarana izaymitondra ny lohateny hoe “Didy Iray Sarotra” ao amin’ny taratasy zaraina. Asao naantsasany hafa hamaky ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Fitsapam-pinoana.”Avy eo dia mifanakaloza hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto:

• Inona avy ireo antony mety nahatonga ny Mpaminany Joseph Smith sy ny hafahisalasala ny amin’ny fampiharana ny fanambadiana maro?

• Inona no niainan’i Joseph Smith sy i Lucy Walker ary ny hafa izay nanampy azyireo handresy ireo fahasarotana lehibe tamin’ny farany ka nahafahan’izy ireonanaiky sy niaina ny lalàn’ny fanambadiana maro?

Asao ny mpianatra maromaro mba hifandimby hamaky mafy ny fizarana izay mitondrany lohateny hoe “Joseph Smith sy ny Fanambadiana Maro” ao amin’ny taratasyzaraina.

Hazavao amin’ny mpianatra fa misy zavatra maro izay tsy fantatsika mikasika nyfananana vady maro tao amin’ny Fiangonana tany am-boalohany. Ohatra, nyfahatakarantsika ny teny hoe famehezana dia tsy mitovy loatra tamin’ny fahatakaranaizany teny izany tany amin’ny taona 1840, tamin’ny mbola vaovao ny fomba fanaovanany famehezana ary ny lafin-javatra sasany mikasika an’ilay fomba fanao dia mbola tsytakatra tanteraka. Rehefa maheno ny teny hoe famehezana isika dia tonga diamieritreritra hoe fanambadiana, fa ho an’i Joseph Smith sy ireo Olomasina tany am-boalohany, ny hoe famehezana dia tsy nidika foana hoe fanambadiana amin’ny hevinyfeno, izany hoe miara-miaina amin’ny maha-mpivady. Notazonina ho tsiambaratelony antsipiriany maro tamin’ny fampiharana ny fanambadiana maro, ary ireo firaketanaara-tantara fotsiny dia tsy mamaly ny fanontaniantsika rehetra. Amporisiho ireompianatra handalina ireo Vakitenin’ny Mpianatra hita amin’ny faran’ny lesona mba hofampahalalana fanampiny mikasika ny fampiharana ny fanambadiana maro.

Azonao atao ny mampahatsiahy ny mpianatra fa rehefa mandalina momba nyfanambadiana maro izy ireo dia tokony hotsaroany ny fomba fianarana ny filazantsaraizay narahin’ny Mpaminany Joseph Smith. Nandalina izy, nisaintsaina ary nivavakamba hahazo fahalalana. Tokony hotsaroany ihany koa fa misy fampahalalana maro izaytsy azo antoka mikasika ny fanambadiana maro eny amin’ny Internet sy amin’nyloharano vita printy maro. Ny mpanoratra sasany izay manoratra momba nyFiangonana sy ny tantarany dia maneho fampahalalana tsy marina akory namampiditra fahamarinana tsy feno izay mety hamitaka. Ny fikasan’ny sasany amin’ireosoratra ireo dia ny handrava ny finoana.

Fanambarana Ôfisialy 1Nanambara ny Tompo fa tokony hatsahatr’ireo Olomasin’ny Andro Farany nyfampiharana ny fanambadiana maroHazavao fa mbola nitohy ny fampiharana ny fanambadiana maro taorian’nynahatongavan’ireo Olomasina tao Utah ary najanona izany taty aoriana araka nyfanambarana. Asao ireo mpianatra mba hifandimby hamaky mafy ireo fizarana izay

LESONA 20: NY FANAMBADIANA MARO

106

mitondra ny lohateny hoe “Fanoherana ny Fanambadiana Maro” sy “Ny ManifestoFaharoa” ao amin’ny taratasy zaraina.

• Inona no zavatra niainan’ireo Olomasin’ny Andro Farany tany am-boalohany nohony fankatoavany ny didin’ny Tompo hampihatra ny fanambadiana maro?

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy avy amin’ny andinin-tsoratraroa farany amin’ny Fanambarana Ôfisialy 1 ao amin’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana ary ny andian-tsoratra voalohany sy fahafito amin’ny “Ampahanytamin’ireo Lahateny Telo nataon’ny Filoha Wilford Woodruff Mikasika ny Manifesto,”izay manaraka ny Fanambarana Ôfisialy 1. Anontanio avy eo hoe:

• Inona no zavatra nampianarin’ny Filoha Woodruff an’ireo Olomasina? (Anisan’nyfitsipika sasany izay nampianariny ireto manaraka ireto: Tsy hamela nyFilohan’ny Fiangonana hitarika ny Fiangonana ho any amin’ny lalan-disovelively ny Tompo. Mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanambaranaamin’ny Filohan’ny Fiangonana ny Tompo.)

Mety hanampy amin’ny fanazavana an’ilay fanapahan-kevitra ny hanajanona nyfampiharana ny fanambadiana maro ity manaraka ity:

“Ny Filoha George Q. Cannon dia niresaka momba ny dingana ara-panambarana izaynahatonga ny Manifesto: ‘Mba mandeha tahaka anareo ihany koa ny Fiadidian’nyFiangonana,’ hoy izy. ‘Mila mandroso tahaka ny ataonareo izy ireo. Mila miantehitraamin’ireo fanambaran’ Andriamanitra izy ireo rehefa tonga aminy izany. Tsy afakamahita ny farany hatrany am-boalohany izy ireo, tahaka ny ataon’ny Tompo.’ ‘Ny

zavatra izay azontsika atao,’ hoy i Cannon, niresaka momba ny Fiadidiana Voalohany, ‘dia nymikatsaka ny fisainana sy ny fikasan’ Andriamanitra, ary rehefa tonga amintsika izany, na dia metyhifanohitra amin’ireo fahatsapana rehetra izay efa tsapantsika teo aloha aza, dia tsy manana safidyafa-tsy ny hanaraka ilay dingana izay tondroin’ Andriamanitra isika, ka hatoky Azy’” (“The Manifestoand the End of Plural Marriage,” [Ilay Manifesto sy ny Fiafaran’ny Fanambadiana Maro] Lohahevitryny Filazantsara, lds.org/topics).

Farano ny lesona amin’ny fanontaniana ireo mpianatra hoe:

• Araka ny zavatra izay nianaranao, inona no mety havalinao raha misy manontanyanao hoe mampihatra ny fanambadiana maro ve ny Olomasin’ny Andro Farany?

Zarao ity fanambarana manaraka izay nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley(1910–2008) ity:

“Raha misy mpikambana ato amintsika tratra mampihatra ny fanambadiana maro, diaesorina tsy ho mpikambana izy, ilay sazy lehibe indrindra afaka omen’ny Fiangonana. …Mihoatra ny zato taona lasa izay no nambaran’ Andriamanitra mazava tsara tamin’nyMpaminaniny Wilford Woodruff fa ny fampiharana ny fanambadiana maro dia tokonyhajanona, izany hoe ankehitriny izany dia mifanohitra amin’ny lalàn’ Andriamanitra. Na

dia any amin’ny firenena izay manana lalàna sivily sy lalàm-piangonana manaiky ny fananana vadymaro aza, dia mampianatra ny Fiangonana fa vady tokana ihany no ao amin’ny fanambadiana ary tsyekena ny fampiharan’ny mpikambana ao aminy ny fanambadiana maro” (“What Are People Askingabout Us?” Ensign, nôv. 1998, 71–72).

Mety hanampy ihany koa ity andinin-tsoratra manaraka ity rehefa mifanakalo hevitramomba ny fanaon’ny Fiangonana ankehitriny ianao:

LESONA 20: NY FANAMBADIANA MARO

107

“Araka ny fampianaran’i Joseph Smith, ny Fiangonana dia mamela ny lehilahy iray izay maty vadymba ho fehezina amin’ny vehivavy iray hafa rehefa manambady indray izy. Ankoatra izany, nympikambana dia afaka manatanteraka ny ôrdônansy ho an’ny lehilahy sy vehivavy efa maty izaynanambady maro teto an-tany, ka hamehy ilay lehilahy amin’ireo vady rehetra izay novadiany ara-dalàna. Ny toetran’ireo fanambadiana ireo any amin’ny fiainana manaraka izao fiainana izao dia tsyfantatra, ary fifandraisam-pianakaviana maro no halamina any amin’ny fiainan-ko avy. Amporisihinany Olomasin’ny Andro Farany mba hatoky ny fahendren’ny Ray any An-danitra, izay tia an’ireo zananysy manao ny zava-drehetra ho amin’ny fivoarany sy ny famonjena azy ireo” (“Plural Marriage inKirtland and Nauvoo,” [Ny Fanambadiana Maro tao Kirtland sy Nauvoo] Lohahevitry ny Filazantsara,lds.org/topics).

Alohan’ny hamaranana ity lesona ity dia mety ho fahendrena ny milaza amin’ireompianatra fa misy olona sasany izay nihemotra avy tamin’ny Fiangonana nomampihatra ny fanambadiana maro ankehitriny. Mamporisika ny olona izy ireo mbahivavaka sy hisaintsaina momba fampiharana ny fanambadiana maro raha mety. Tsytokony hikatsaka ny hahazo fanambarana izay mifanohitra amin’ny zavatra izay efanambaran’ny Tompo tamin’ny Mpaminaniny isika. Nanambara ny Tompo tamin’nyalalan’ny mpaminaniny fa efa natsahatra ny fampiharana ny fanambadiana maro aoamin’ny Fiangonana. Na iza na iza manohana ny fampiharana ny fanambadiana maroankehitriny dia tsy mpanompon’ny Tompo izy.

Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona momba an’i Joseph Smith. Azonao atao nymijoro ho vavolombelona fa nandray ary nankatò fanambarana avy tamin’Andriamanitra izy, tahaka ny nataon’ireo mpaminany taloha toa an’i Abrahama syIsaka ary Jakoba (jereo ny F&F 132:37).

Vakitenin’ny Mpianatra• Jakôba 2:27–30; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:1–3, 34–48, 54, 63;

Fanambarana Ôfisialy 1.

• “Plural Marriage in The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints,” [NyFanambadiana Maro tao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’nyAndro Farany] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics.

Ataovy izay hamakiana ireto manaraka ireto:

• “Plural Marriage in Kirtland and Nauvoo,” [Ny Fanambadiana Maro tao Kirtland syNauvoo] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics.

• “Plural Marriage and Families in Early Utah,” [Ny Fanambadiana sy FifanakavianaMaro tao Utah Fahiny] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics.

• “The Manifesto and the End of Plural Marriage,” [Ilay Manifesto sy ny Fiafaran’nyFanambadiana Maro] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics.

Fahatakarana ny Fanambadiana MaroFanambadiana Maro“Mino ny Olomasin’ny Andro farany fa ny fanambadian’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray no lalàn’nyTompo manan-kery mikasika ny fanambadiana. Tamin’ny fotoan’andron’ny Baiboly, dia nandidy nysasany hanana vady maro ny Tompo—ny fanambadian’ny lehilahy iray sy ny vehivavy maro. Tamin’nyalalan’ny fanambarana, dia nandidy an’i Joseph Smith ny Tompo mba hametraka ny fomba fampiharanany fanambadiana maro teo anivon’ny mpikamban’ny Fiangonanana tamin’ny fiandohan’ny taona 1840.Nandritra ny dimampolo taona mihoatra, dia nampiharin’ny Olomasin’ny Andro Farany sasany ny

LESONA 20: NY FANAMBADIANA MARO

108

fanambadiana maro teo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Fiangonana” (“Plural Marriage in The Church ofJesus Christ of Latter-day Saints,” [Ny Fanambadiana Maro tao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy hoan’ny Olomasin’ny Andro Farany] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics).

Didy Iray SarotraI Eliza R. Snow (1804–87), filoha faharoa an’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, dianofehezina tamin’ny Mpaminany Joseph Smith. Nanoratra izao traikefa manaraka izao izy izay ahitanany Mpaminany Joseph Smith nampianatra ny fitsipiky ny fanambadiana maro tamin’ny Lorenzo Snowanadahiny.

“Nanokatra ny fony tamin’ [i Lorenzo Snow] ny Mpaminany Joseph Smith, ary namariparitra nyhasarotan’ny fahorian-tsaina niainany mba handresy ny rikorikon’ny fahatsapany, ilay vokatravoajanaharin’ny fanabeazana sy ny fomba amam-panao ara-piaraha-monina, izay mifandray amin’nyfampidirana ny fanambadiana maro. Fantany ny feon’ Andriamanitra—fantany fa mila mandroso ilaydidin’ilay Tsitoha ho azy—mba haneho ny ohatra, ka hanorina ny fanambadiana maro araka ny fombaselestialy. Fantany fa tsy ny fomba fiheviny sy ny fahatakarany taloha ihany no tsy maintsy niadiany synoreseny, fa ireo fitsarana an-tendrony izay avy amin’ny Kristianina rehetra ihany koa; saingyAndriamanitra, izay ambonin’ny rehetra, no nanome azy ny didy, ary tsy maintsy ankatoavina Izy. Kanefadia nisalasala ny Mpaminany ary nanemotra ombieny ombieny raha tsy nisy anjelin’ Andriamanitranitsangana teo anilany niaraka tamin’ny sabatra, ka niteny azy hoe raha tsy nandroso izy ka nampiorinany fanambadiana maro dia hoesorina ny Fisoronany ary tsy maintsy hofongorana izy. Tsy tamin’nyanadahiko ihany no nizarany izany tenivavolombelona izany, fa tamin’ny hafa ihanykoa—tenivavolombelona izay tsy azo tsipahina” (Biography and Family Record of Lorenzo Snow [1884],69–70).

Fitsapam-pinoanaMaro ireo izay nanana fahasahiranana tamin’ny fitsipiky ny fanambadiana maro no nahazo nyfitahian’ny tenivavolombelona izay nohamafisin’ny fanahy mikasika ny fahamarinan’ilay fitsipika.

“Araka ny nolazain’i Helen Mar Kimball, i Joseph Smith dia nilaza fa ‘ny fampiharana io fitsipika io nofitsapana mafy indrindra izay mety hitsapana ny finoan’ny Olomasina.’ Na dia iray tamin’ireo fitsapana‘mafy’ indrindra tamin’ny fiainany aza izany, dia nijoro ho vavolombelona izy fa ‘iray tamin’ireo fitahianalehibe’ azony ihany koa izany. …

“Nampahatsiahivin’i Lucy Walker ny korontana nisy tao aminy rehefa nasain’i Joseph Smith ho lasavadiny izy. ‘Ny fahatsapan’ny fanahiko rehetra dia nikomy nanohitra izany,’ hoy ny nosoratany. Kanefa,taorian’ny tsy fatoriana maro nandohalihana amim-bavaka, dia nahazo fahamaivanana izy rehefa ‘fenony fitaomana masina’ tahaka ny ‘masoandro mamiratra’ ny efitranony. Hoy izy hoe: ‘Feno fiadananamilamina sy tony ny fanahiko izay mbola tsy fantatro mihitsy,’ ary ‘fahasambaranana ambony diaambony no nameno ny tenako manontolo’” (“Plural Marriage in Kirtland and Nauvoo,” [NyFanambadiana Maro tao Kirtland sy Nauvoo] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics).

I Joseph Smith sy ny Fanambadiana MaroMaro ireo vehivavy nofehezina tamin’i Joseph Smith, saingy tsy fantatra ny tena isany marina.

“Nandritra ny fotoana izay nampiharana ny fanambadiana maro, ny Olomasin’ny Andro Farany dianampiavaka ny famehezana mandritra izao fiainana izao sy ho an’ny mandrakizay amin’ny famehezanaho an’ny mandrakizay fotsiny. Ny famehezana mandritra izao fiainana izao sy ny mandrakizay diaahitana ny fanoloran-tena sy ny fifandraisana mandritra ity fiainana ity, amin’ny ankapobeny dia nymety hisian’ny firaisana ara-nofo. Ny famehezana ho amin’ny mandrakizay fotsiny dia milaza nyfifandraisana any amin’ny fiainana aorian’izao fiainana izao fotsiny.

“… Nijoro ho vavolombelona ny sasany tamin’ireo vehivavy izay nofehezina tamin’i Joseph taty aorianafa ny fanambadiany dia mandritra izao fiainana izao sy ny mandrakizay, raha toa ka ny hafa dia nilazafa ny fifandraisany dia ho amin’ny mandrakizay fotsiny ihany.

LESONA 20: NY FANAMBADIANA MARO

109

“Ny ankamaroan’ireo izay nofehezina tamin’i Joseph Smith ireo dia nanelanelana ny 20 ka hatramin’ny40 taona tamin’ny fotoana izay nanaovana ny famehezana taminy. Ny zokiny indrindra dia i FannyYoung, izay 56 taona tamin’izay. Ny zandriny indrindra dia i Helen Mar Kimball, … izay nofehezinatamin’i Joseph Smith volana vitsivitsy talohan’ny faha-15 taonany. Ny fanambadiana amin’izany taonaizany, izay tsy mety amin’ny fitsipika amin’izao androntsika izao, dia ara-dalàna tamin’izany vanim-potoana izany, ary ny vehivavy sasany dia nanambady tany anelanelan’ny fahatanorany. Nilaza i HelenMar Kimball momba ny famehezana azy tamin’i Joseph Smith fa ‘ho an’ny mandrakizay fotsiny’ izany,izay midika fa tsy tafiditra tao amin’ny fiarahany ny firaisana ara-nofo. …

“… I Joseph Smith dia nofehezina tamin’ny vehivavy maro efa nanambady. Samy tsy nisy nanazavabetsaka mikasika an’ireo famehezana ireo na ireo vehivavy na i Joseph Smith, na dia betsaka aza ireovehivavy nilaza fa ho an’ny mandrakizay fotsiny izany. Ny vehivavy hafa dia tsy nametraka rakitsoratra,ka nanjary tsy fantatra na nandritra izao fiainana izao sy ny mandrakizay ny famehezany na ho an’nymandrakizay fotsiny.

“Misy fanazavana maro izay afaka ho hita momba an’io fomba io. Mety ho nanome lalana nahafahananamorona fifamatorana mandrakizay na rohy mampifandray ny fianakavian’i Joseph sy ny fianakavianahafa tao amin’ny fiangonana ireo famehezana ireo. Ireo famehezana ireo dia sady mivelatra amin’nylafiny iray dia, manomboka amin’ny ray aman-dreny hatrany amin’ny zanaka, sy amin’ny ankilany, avyamin’ny fianakaviana iray mankany amin’ny fianakaviana iray hafa. Ankehitriny dia tanteraka nyfamatorana mandrakizay toy izany amin’ny alalan’ny fanambadiana any amin’ny tempolin’ny olona izayfehezina ihany koa amin’ny zanaka ateraky ny fianakaviany, dia toy izany no ampifandraisana miarakany fianakaviana” (“Plural Marriage in Kirtland and Nauvoo,” [Ny Fanambadiana Maro tao Kirtland syNauvoo] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics).

Taorian’ny nahafatesan’ny Mpaminany, dia maro ireo vehivavy nofehezina taminy izay tsy nananafifandraisana taminy teto an-tany.

Fanoherana ny Fanambadiana MaroMpitarika fivavahana sy ara-pôlitika maro tao Etazonia no nanohitra ny rafitry ny fanambadiana maro,izay noheveriny fa tsy mendrika sy tsy manaraka ny fandrosoana. Noesoina ny Olomasin’ny AndroFarany teny amin’ny resadresaka isan-karazany teo anivon’ny fiaraha-monina, ny boky, ny gazetibokyary ny gazety. Namoaka lalàna ny Kongresy Amerikanina izay nametra ny fahalalahan’ny mpikamban’nyFiangonana sy nanimba ara-toe-karena ny Fiangonana tamin’ny fampihenana ny isan’ny fananana izayazon’ny Fiangonana ananana. “Izany lalàna izany dia nahatonga ny manampahefana hihazona syhampiditra am-ponja ireo lehilahy izay nanam-bady mihoatra ny iray ary nanaisotra tamin’izy ireo ny zohifidy, ny zo ananany fiainana manokana any an-tokantranony, ary ny fizakana ireo ny zo hafa an’nyolom-pirenena” (Ny Lovantsika: Tantara fohy mikasika Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’nyOlomasin’ny Andro Farany [1996], 119-120). Ny taona 1890, dia Olomasin’ny Andro Farany an-jatonymaro no naiditra am-ponja. Ny hafa kosa dia niafina mba tsy ho voasambotra na tafiditra am-ponja.Tamin’izany toe-javatra izany, maro ireo fianakaviana izay nijaly noho ny adin-tsaina, fahoriana,fahantrana, ary hanoanana.

Na dia naneso azy ireo aza izao tontolo izao noho ny fampiharany ny fanambadiana maro, diaOlomasin’ny Andro Farany maro no niaro ilay fomba sy nijoro ho vavolombelona fa nambaran’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith izany.

Ireo toe-javatra sarotra ireo no nitarika an’ny Filoha Wilford Woodruff ho nikatsaka amim-bavaka nyfitarihan’ny Tompo mikasika ny fampiharan’ny Olomasina ny fanambadiana maro. Tamin’ny taona1889, dia nampianatra ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana ny Filoha Woodruff mba hanajanona nyfampianarana ny fitsipiky ny fanambadiana maro. Tamin’ny taona 1890, fanambadiana maro vitsivitsyno notanterahina, ary ireo dia tsy araky ny torohevitry ny Filoha Woodruff. Na dia izany aza, diamamoaka tatitra ny olona sasany fa mbola namporisika ny fampiharana ny fanambadiana maro nyFiangonana. Ireo tatitra ireo no nitondra fanoherana bebe kokoa ny Fiangonana. Tamin’ny volanaseptambra 1890, dia namoaka ilay Manifesto ny Filoha Wilford Woodruff, izay fantatra amin’nyFanambarana Ôfisialy 1 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

LESONA 20: NY FANAMBADIANA MARO

110

Ny Manifesto Faharoa“Ny Manifesto [Fanambarana Ôfisialy 1] dia milaza ny fikasan’ny Filoha [Wilford] Woodruff izay nanaikyny lalàn’ny Etazonia. Tsy nilaza ny mikasika ny lalàn’ny firenena hafa izany. Hatramin’ny nisokafan’nyfanjanahana tany Mexique sy Canada, dia nanatanteraka ny fanambadiana maro ny mpitarika taoamin’ny Fiangonana tamin’ireo firenena ireo, ary taorian’ny ôktôbra 1890, dia mbola notanterahinamangingina tany hatrany ny fanambadiana maro. … Manoloana toe-javatra miavaka, diafanambadiana maro vitsivitsy no notanterahina tany Etazonia teo anelanelan’ny taona 1890 sy 1904, fatsy mazava na nahazo lalana ireo fanambadiana ireo mba ho tanterahina tao amin’ireo firenenananaovana azy” (“The Manifesto and the End of Plural Marriage,” [Ilay Manifesto sy ny Fiafaran’nyFanambadiana Maro] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics).

“Tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana aprily 1904, dia namoaka filazana feno fanerena ny Filoha[Joseph F.] Smith, izay fantatra amin’ny hoe Manifesto Faharoa, izay milaza fa saziana amin’ny fanalanatsy ho mpikambana ny fanambadiana maro” (“Plural Marriage in The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints,” [Ny Fanambadiana Maro tao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’nyAndro Farany] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics).

LESONA 20: NY FANAMBADIANA MARO

111

21 Ilay Iraka amin’ny maha-Mpaminany an’i Joseph SmithTaorian’ny nahafaty maritiora an’i Joseph Smith, ny Loholona John Taylor, izay niarakatamin’i Joseph Smith tamin’ny namonoana azy, dia nidera ny Mpaminany (angambaniaraka tamin’ny Olomasina iray na mihoatra) tamin’ny filazana hoe: “Joseph Smith,ilay Mpaminany sy Mpahitan’ny Tompo dia efa nahavita mihoatra noho ny olonarehetra niaina teto afa-tsy i Jesoa Kristy irery ihany, ho famonjena ny olona eo amin’ityizao tontolo izao ity” (F&F 135:3). Hanampy ny mpianatra hahita ny fombananatanterahan’ny asa fanompoan’ny Mpaminany an’ireo faminaniana taloha itylesona ity. Ity lesona ity ihany koa dia handinika ny anjara biriky izay nentin’i Josephho amin’ny famonjena ny zanak’ Andriamanitra rehetra.

Vakiteny Enti-mandalina• Neil L. Andersen, “Joseph Smith,” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 28–31.

• Tad R. Callister, “Joseph Smith—Prophet of the Restoration,” Ensign na Liahona,nôv. 2009, 35–37.

• “F&F 135:3. I Joseph Smith dia nahavita mihoatra noho ny olona rehetra niainateto, afa-tsy i Jesoa irery ihany,” Doctrine and Covenants Student Manual (Bokyfampianarana an’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, 2001),349–50.

Sosokevitra Enti-mampianatra2 Nefia 3:1–21Ilay iraka nanendrena mialoha an’i Joseph SmithAsao ny mpianatra hizara ny zavatra tonga ao an-tsainy voalohany rehefa mieritreritraan’i Joseph Smith izy ireo. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara fohifohy ny fotoana irayizay nahafeno fankasitrahana azy ireo an’ny Mpaminany Joseph Smith.

Lazao ireo mpianatra fa i Nefia dia nanoratra torohevitra vitsivitsy izay nomen’i Lehiaan’i Josefa zanany. Io torohevitra io dia voarakitra ao amin’ny 2 Nefia 3 ary ahitanafaminaniana izay nomen’i Josefa tany Egypta mikasika ny fianakavian’i Lehia sy nyandro farany. Azo inoana fa nianatra ireo faminaniana ireo i Lehia avy tamin’nyfamakiana ireo takela-barahina. Ao amin’ny 2 Nefia 3 isika dia mianatra fa i Josefa tanyEgypta dia nilaza mialoha ilay asa nanirahana an’i Joseph Smith amin’ny andro farany.Angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Nefia 3:6–9. Amporisiho ny mpianatramba hanaraka ny vakiteny sady hitady ny fomba namariparitan’i Josefa tany Egyptaan’i Joseph Smith.

• Inona ireo teny na andian-teny sasany izay nampiasain’i Josefa tany Egypta mbahamariparitana an’i Joseph Smith? (Tokony hahitana ireto ny valinteny: “mpahitanofinidy,” “hohajaina fatratra,” “lehibe eo imasoko,” ary “lehibe tahaka an’iMosesy.” Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ireoteny ireo ao amin’ny soratra masiny; eo amin’ny sisin’ny pejy akaikin’nyandininy 6–9, afaka soratany ihany koa hoe Joseph Smith.)

• Amin’ny fomba ahoana i Joseph Smith no tahaka an’i Mosesy sy i Josefa tanyEgypta? (Jereo koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 50:24–35 [ao amin’nyTorolalana ho an’ny Soraatra Masina].)

112

• Araka ny andininy 7–8, inona no hitan’i Josefa tany Egypta mialoha momba ny asafanompoan’i Joseph Smith? (Alaivo antoka fa mahatakatra ity fahamarinanamanaraka ity ny mpianatra: Hatsangan’ny Tompo i Joseph Smith mba hitondrany vahoaka ho amin’ny fahalalana ny fanekempihavanany sy hanao nyasany.)

Asao ireo mpianatra mba hiasa tsiroaroa ka handalina ny 2 Nefia 3:7, 11–15, 18–21.Asao ny ekipa tsirairay mba hanao ny lisitr’ireo zavatra izay lazain’ny soratra masina fahataon’i Joseph Smith mba hanampiana ny fanatanterahana ny asan’ny Tompo.Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra ny hanaovan’izy ireo io lisitra io amin’nyfanisiana marika ireo andian-teny manan-danja hitany ao amin’ireo andininy ireo.Rehefa avy nanome fotoana ampy, dia asao ny ekipa maromaro mba hizara ny zavatrahitany. (Tokony hahitana ireto ny valinteny: hitondra ny olona ho amin’ny fahalalanaireo fanekempihavanana [andininy 7]; hamoaka ny Bokin’i Môrmôna [andininy 13,18–21]; handresy lahatra ny olona ny amin’ny fahamarinan’ny Baiboly [andininy 11];hohatanjahina [andininy 13]; ary hitondra ny olona ho amin’ny famonjena[andininy 15].)

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Filoha Brigham Young (1801–77) ity, ary asao nympianatra iray hamaky izany mafy:

“Efa nodidiana tany amin’ny filankevitry ny mandrakizay, ela be talohan’nynametrahana ny fototry ny tany, fa izy, Joseph Smith, no ilay lehilahy, amin’ityfotoampitantanana faran’ity tontolo ity, hamoaka ny tenin’ Andriamanitra ho an’nyvahoaka. … Ny Tompo dia nametraka ny fiahiany teo aminy, sy teo amin’ny rainy, sy teoamin’ny rain’ny rainy, ary teo amin’ny razambeny mihemotra hatrany amin’i … Adama.

Efa narahiny maso izany fianakaviana izany sy izany firazanana izany nanomboka hatrany am-boalohany ka hatramin’ny nahaterahan’izany lehilahy izany. Notendrena mialoha izy tao amin’nymandrakizay mba hitarika ity fotoampitantanana farany ity” (Enseignements des Présidents del’Église: Brigham Young [1997], 343).

Mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibeny iraka nanendrena mialoha an’i Joseph Smith, dia ifanakalozy hevitra ity manarakaity:

• Nahoana no manan-danja aminao ny mahafantatra fa i Joseph Smith dia efanotendrena mialoha sy efa nomanina tany amin’ny fiainana talohan’nynahaterahana mba ho Mpaminanin’ny Famerenana amin’ny Laoniny?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3I Joseph Smith dia efa “nahavita mihoatra noho ny olona rehetra niaina teto afa-tsy iJesoa Kristy irery ihany, ho famonjena ny olona”Asao ny mpianatra hizara ny zavatra izay holazainy na hijoroany ho vavolombelonamikasika an’i Joseph Smith raha toa ka fehezanteny vitsy fotsiny no asaina anaovanyizany. Hazavao fa taorian’ny nahafatesan’i Joseph Smith, dia nisy fanomezam-boninahitra an’i Joseph Smith izay nosoratana ary notehirizina ho antsika taty aorianaao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Asao ny mpianatra irayhamaky mafy ny fehezanteny voalohany ao amin’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 135:3. Anontanio hoe:

• Inona no fahamarinana ambara ao amin’io fehezanteny io mikasika an’i JosephSmith? (Tokony ho hitan’ny mpianatra ity fahamarinana manaraka ity: I Joseph

LESONA 21: ILAY IRAKA AMIN’NY MAHA-MPAMINANY AN’I JOSEPH SMITH

113

Smith dia efa nahavita mihoatra noho ny olona rehetra niaina teto afa-tsy iJesoa Kristy, ho famonjena ny olona eo amin’ity izao tontolo izao ity.)

Mba hijerena ny asa sy ny fandraisana anjaran’ny Mpaminany Joseph Smith, diaalamino ho vondrona kely ireo mpianatra. Asaivo manao jery todika nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana izy ireo ary hieritreritra ireo lesona izay efanianarana tato amin’ity fandaharam-pianarana ity hatreto. Asao izy ireo hanao nylisitr’ireo fitahiana sy fotopampianarana naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’nyMpaminany Joseph Smith izay manampy amin’ny famonjena antsika. Rehafa avynanome fotoana ampy, dia asao ny mpianatra mba hisafidy lohahevitra iray amin’nylisitra izay nataony ka hizara amin’ny vondrona misy azy ny fomba iasan’izany eoamin’ny fiainany sy ny fomba itondran’izany azy mankany amin’ny famonjena.

Mba hamintinana ny valintenin’ny mpianatra, dia asehoy ity fanambarana manarakanataon’ny Loholona Tad R. Callister ity, izay nanompo tao amin’ny Fiadidian’nyFitopololahy. Asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy ka manaraka ny mpianatrahafa:

“Tamin’ny alalan’i Joseph Smith no namerenana tamin’ny laoniny ny hery, nyfanalahidy, ny fampianarana, ary ny ôrdônansy rehetra ilaina amin’ny fanavotana sy nyfisandratana. Tsy afaka ny handeha any an-toeran-kafa ianao eto an-tany ka hahitaizany. Tsy natao ho hita any amin’ny fiangonana hafa izany. Tsy natao ho hita aoamin’ny filôzôfian’ny olombelona na ny fikarohana ara-tsiansa na ny fivahinianana

masina izany, na manao ahoana na manao ahoana ny mety ho fahaizan’izany. Amin’ny toerana irayirery ihany no ahitana ny famonjena, araka izay notondroin’ny Tompo rehefa nilaza Izy fa ity no ‘ilayhany fiangonana marina sy velona eto ambonin’ny tany manontolo’ (F&F 1:30)” (“JosephSmith—Prophet of the Restoration,” Ensign na Liahona, nôv. 2009, 37).

Omeo fotoana ireo mpianatra mba hisaintsaina ny fomba nandraisan’ny asafanompoan’i Joseph Smith anjara tamin’ny fanavotana azy ireo, dia anontanio avy eohoe:

• Inona no fomba manokana izay mety hampiova ny fiainanao raha tsy nisy ny asafanompoan’ny Mpaminany Joseph Smith?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:1–2; Joseph Smith—Tantara1:33“Ho tsara sy ho ratsy laza any anivon’ny firenena … rehetra” ny anaran’i JosephSmithLazao ireo mpianatra fa na dia teo aza ireo zavatra tsara izay nataon’i Joseph Smith, diamaro ireo mpanaratsy azy, indrindra indrindra rehefa akaiky ho faty izy. Efa hitan’ireompaminany taloha mialoha ihany koa io lafiny amin’ny fiainany io (jereo ohatra ny,3 Nefia 21:10). Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny zavatra izay nolazain’i Môrôniatamin’i Joseph Smith momba ireo izay hanohitra azy, araka ny voarakitra ao amin’nyJoseph Smith—Tantara 1:33. Asao ny mpianatra iray hafa hamaky mafy nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:1–2. Ampio ireo mpianatra mba hilazafahamarinana iray avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny fanontanianahoe:

• Ahoana no hamintinanao ny zavatra nianarantsika tamin’ireo andinin-tsoratramasina roa ireo momba ny fomba izay handraisan’ny olona an’i Joseph Smith?(Rehefa mizara ny famintinana izay natolony ny mpianatra, dia ampio izy ireohahatakatra ity fahamarinana ity: Raha maro amin’izao tontolo izao no haneso

LESONA 21: ILAY IRAKA AMIN’NY MAHA-MPAMINANY AN’I JOSEPH SMITH

114

sy tsy hanaja an’i Joseph Smith, ireo marina kosa dia hikatsaka ireo fitahianaazo avy amin’ny alalan’ny asa fanompoany.)

• Nahoana araka ny hevitrao no manana mpitsikera sy fahavalo maro ny MpaminanyJoseph Smith, na dia efa taona maro aza no efa lasa hatramin’ny nahafatesany? (Nyfijoroana ho vavolombelona momba ny Famerenana amin’ny Laoniny dia miankinaamin’ny hoe mpaminany nanatanteraka ny asan’Andriamantra ve i Joseph Smithsa tsia. Noho izany i Satana dia tsy mitsahatra nanaratsy an’i Joseph Smith.)

Asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’nyLoholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Ireo izay tsy mino ny asan’ny Famerenana amin’ny Laoniny dia tsy mino tsotra izao famiteny amin’ny olona eto an-tany ny olona any an-danitra. Tsy mety ho hisy izany, hoyizy ireo, ny hoe nisy takela-bolamena natolotry ny anjely iray ka nadika tamin’ny herin’Andriamanitra. Noho izany tsy finoana izany, dia mandà haingana nytenivavolombelon’i Joseph izy ireo, ary indrisy ny sasany dia hiafara amin’ny fanalam-

baraka ny fiainan’ny mpaminany ka hanendrikendrika azy.

“Malahelo isika indrindra fa rehefa misy olona iray izay nanaja an’i Joseph miala amin’izanyfahatokiany izany ka manaratsy ny Mpaminany.

“‘Ny mandalina ny Fiangonana … amin’ny mason’ireo mpamadika,’ hoy ny Loholona Neal A.Maxwell indray andro, dia ‘mitovy amin’ny hoe manadihady an’i Jodasy mba hahatakatra an’i Jesoa.Ireo mpamadika dia milaza momba ny tenany manokana kokoa noho ny zavatra na olona izaynovadihany’ [“All Hell Is Moved” (Fivoriana fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite BrighamYoung, 8 nôv. 1977), 3; speeches.byu.edu]. …

“Hitombo ireo fanaratsiana atao momba ny Mpaminany Joseph Smith arakaraky ny fanatonan’nyFiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Tsy hihena ny filazana zavatra tsy tena marina sy ny famitahanamiaro hafetsena. Hisy olona ao amin’ny fianakaviana sy namana izay hila ny fanampianao. Izao nofotoana [hiomananao] hanampy ny hafa izay mikatsaka ny fahamarinana” (“Joseph Smith,” Ensignna Liahona, nôv. 2014, 28–30).

Mifanakaloza hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto:

• Nahoana no manampy ny mahafantatra fa na dia taona maro aza no efa lasahatramin’ny nahafatesan’i Joseph Smith, dia tsy mitsahatra mamely ny lazany ireofahavalon’ny Fiangonana?

• Inona no azontsika atao mba hanampiana ireo izay mikatsaka ny fahamarinanahahafantatra fa mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith?

Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Neil L. Andersen ity, ary asaony mpianatra iray mba hamaky mafy izany:

“Ny olona mikatsaka marina ny hahafantatra dia tokony hahita fa ny fielezan’nyfilazantsara naverina tamin’ny laoniny dia vokatry ny asan’ny Tompo amin’ny alalan’nyMpaminany. …

“Hoy i Jesoa hoe:

“‘Ny hazo tsara tsy afaka mamoa voa ratsy, ny hazo ratsy tsy mamoa voa tsara. …

“‘… Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy’ [Matio 7:18, 20].

“Mandresy lahatra ireo fanazavana ireo saingy tsy tokony hiantehitra amin’izy ireo fotsiny ny olonamikatsaka marina ny hahafantatra raha te-hampiorina ny fikarohany ny fahamarinana.

LESONA 21: ILAY IRAKA AMIN’NY MAHA-MPAMINANY AN’I JOSEPH SMITH

115

“Ny mpino tsirairay dia mila fanamafisana ara-panahy mikasika ny iraka masina nampanaovina nyMpaminany Joseph Smith sy mikasika ny toetrany. Marina izany ho an’ny taranaka rehetra izaymifandimby. Mendrika valinteny ara-panahy avy amin’ Andriamanitra ireo fanontaniana ara-panahy”(“Joseph Smith,” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 29–30).

Omeo fahafahana hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany mikasika nyMpaminany Joseph Smith ny mpianatra amin’ny fametrahana ireto fanontanianamanaraka ireto:

• Inona eo amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Faranyno hitanao fa manamarina ilay iraka amin’ny maha-Mpaminany an’i Joseph Smith?

• Inona no zavatra izay efa niainanao ka nanampy tamin’ny fanananao fijoroana hovavolombelona momba ny Mpaminany Joseph Smith?

Farano ny lesona amin’ny fampisehoana ireto fanambarana manaraka ireto, izaynataon’i Bathsheba W. Smith (1822–1910), filoha fahefatra an’ny FikambananaIfanampiana maneran-tany, sy ny Filoha Brigham Young (1801–77). Samy nahafantatraan’i Joseph Smith ny Rahavavy Smith sy ny Filoha Young tamin’ny fahavelony. Asao nympianatra iray hamaky mafy ireo fanambarana ireo:

“Vao naheno ny Filazantsara aho dia fantatro fa marina izany. Vao namaky voalohanyny Bokin’i Môrmôna aho, dia fantatro fa araka ny tsindrimandrin’ Andriamanitra izany.Vao nahita voalohany an’i Joseph Smith aho dia fantatro fa nijoro nifanatrika tamin’nympaminan’ilay Andriamanitra velona, ary tsy nanana fisalasalana tao an-tsaiko ahomikasika ny fahefany” (Bathsheba W. Smith, voalaza ao amin’ny Filles dans Mon

Royaume: L’histoire et l’Oeuvre de la Société de Secours [2011], 38).

“Te hihoby hoe ‘aleloia’ foana aho rehefa mieritreritra fa nahafantatra an’i JosephSmith, ilay Mpaminany natsangana sy voatendrin’ny Tompo, sy nomeny ireo fanalahidysy hery hananganana ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany” (voalaza ao amin’nyEnseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 531).

Asao ny mpianatra handinika ny fijoroany ho vavolombelona momba ny MpaminanyJoseph Smith sy ny zavatra tokony hataony mba hizarana izany amin’ny hafa, na izanyamin’olona mivantana na amin’ny alalan’ny tambazotra ifaneraserana. Amporisiho izyireo mba hamantatra olona izay tiany hizarana izany fijoroana ho vavolombelona izanyka hampihatra izany faniriana izany.

Vakitenin’ny Mpianatra• 2 Nefia 3:1–21; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:1–2; 135:3; Joseph

Smith—Tantara 1:33.

• Neil L. Andersen, “Joseph Smith,” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 28–31.

• Tad R. Callister, “Joseph Smith—Prophet of the Restoration,” Ensign na Liahona,nôv. 2009, 35–37.

LESONA 21: ILAY IRAKA AMIN’NY MAHA-MPAMINANY AN’I JOSEPH SMITH

116

22Maty Maritiora ny MpaminanyJoseph SmithIreo mpikomy tao anatin’ny Fiangonana sy ireo mpanohitra ivelan’ny Fiangonana nonahatonga ny Mpaminany Joseph Smith sy i Hyrum Smith rahalahiny ho matymaritiora. Nanampy tamin’ny famehezana mahery ny tenivavolombelon’izy ireomomba ny Bokin’i Môrmôna sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary nyfilazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ny fahafatesan’izy ireo. Hanampyireo mpianatra hanome lanja ireo fitahiana maro izay nomen’ny Tompo azy ireotamin’ny alalan’ny asa fanompoan’ny Mpaminany Joseph Smith ny fandalinana nyfiainana sy ny nahafaty maritiora an’ny Mpaminany Joseph Smith, izay tamin’nyalalany no namerenan’ny Tompo tamin’ny laoniny ny filazantsarany tamin’ny androfarany.

Vakiteny Enti-mandalina• Thomas S. Monson, “The Prophet Joseph Smith: Teacher by Example,” Ensign na

Liahona, nôv. 2005, 67–70.

• “The Martyrdom,” toko 22 ao amin’ny Church History in the Fulness of Times StudentManual, fanon. faharoa (Boky fampianarana an’ny Departemantan’nyFampianaran’ny Fiangonana, 2003), 273–85.

• “Le martyre, le prophète scelle son témoignage de son sang,” toko 46 ao amin’nyEnseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith (2007), 567–80.

Sosokevitra Enti-mampianatraFotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:4–5; 136:36–39Nikasa hamono an’i Joseph Smith ireo fahavaloAsehoy ny sarin’ ny Fonjan’i Carthage. Hazavao amin’ny mpianatra fa tamin’ny27 jona 1844, dia maty maritiora tao amin’io fonja tao Carthage io ny mpaminanyJoseph Smith sy i Hyrum rahalahiny, izay Patriarikan’ny Fiangonana. 38 taona i JosephSmith tamin’ny fotoana nahafatesany, ary i Hyrum kosa 44.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana136:36–39 raha manaraka ny vakiteny ny mpianatra. Amporisiho ireo mpianatra rehefamamaky mba hamantatra ny fomba namintinan’ny Tompo ny fiainan’i Joseph Smith syny asa notanterahiny. Avy eo dia mifanakaloza hevitra momba ity fanontanianamanaraka ity:

• Ahoana no fomba namariparitan’ny Tompo ny fiainana sy ny asan’ny MpaminanyJoseph Smith? (Tokony hahitana izao fahamarinana manaraka izao ny valintenin’nympianatra: Napetrak’i Joseph Smith ireo fototry ny asan’ Andriamanitra hoan’ity fotoampitantanan’ny filazantsara ity. Tsy nanan-tsiny ny MpaminanyJoseph Smith tamin’ny fotoana nahafatesany, ary notanterahiny tamin-pahatokiana ny iraka izay nomen’ Andriamanitra azy.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny sasany tamin’ireo toe-javatra izaynitondra tamin’ny fahafatesan’ny Mpaminany dia lazao izy ireo fa niaina fiadananaireo Olomasina tao amin’ny fanjakan’i Illinois nandritra ny telo taona, saingy tamin’ny1842 dia nanomboka niatrika fanoherana indray izy ireo. Mponina tao Illinois izaynatahotra ny tanjaka ara-pôlitikan’ny Olomasina no anisan’ireo mpanohitra nyFiangonana. Ny hafa indray dia nampitombo ny fialonana ny firoboroboana ara-

117

toekarena tao Nauvoo sy nitsikera ny herin’ny governemanta sy ny milisin’nytanànan’i Nauvoo. Ny sasany dia diso fandray ny amin’ireo fotopampianarana syfombafomba manokan’ny Môrmôna. Ireo mpikomy tao amin’ny Fiangonana sy ireompanohitra ivelan’ny Fiangonana no nanambatra ny ezaka nataony mba hiadytamin’ny Mpaminany sy ny Fiangonana.

Omeo tahadikan’ny taratasy zaraina izay hita any amin’ny faran’ity lesona ity nympianatra tsirairay. Asao ny mpianatra iray hamaky ny fizarana izay mitondra nylohateny hoe “Fanoherana ny Mpaminany sy ny Fiangonana.”

Hazavao fa tsy fandikan-dalàna ny manimba ny toerana fanaovan-gazety araka nylalàna izay nisy tamin’ny fotoana nahafatesan’ny Mpaminany. Vakio ity fanambaranamanaraka nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny ApôstôlyRoambinifolo ity:

“Mbola tsy nolaniana ny fanitsiana ny lalam-panorenan’i Etazonia izay nanitatra nyantoka amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety hiarovana amin’ny asan’nygovernemantan’ny tany sy ny firenena raha tsy tamin’ny taona 1868, ary tsynampiharina ho raharahan’ny lalàna federaly izany raha tsy tamin’ny taona 1931. …Tokony hifototra amin’ny lalàna sy ny didy ary ny toe-javatra nisy tamin’ny andron’izy

ireo no hitsarantsika ny asan’ireo izay nialoha lalana antsika fa tsy araka ny androntsika” (“Joseph,the Man and the Prophet,” Ensign, mey 1996, 72).

• Nahoana no zava-dehibe ny mitadidy an’io fehezanteny farany amin’nyfanambaran’ny Loholona Oaks io rehefa mandinika na zavatra nataon’ireompitarika tao amin’ny Fiangonana tany am-boalohany isika? (Azonao atao nymanamarika fa mpikamban’ny Fiangonana ny ankamaroan’ireo mpikambana taoamin’ny filankevitry ny tanànan’i Nauvoo, kanefa dia nampihatra ny fahefanyamin’ny maha mpiasam-panjakana voafidy azy izy ireo rehefa nandidy nyhandravàna asa fanaovan-gazety. Tsy nanao zavatra nanoherana ny asa fanaovan-gazety ny Fiangonana amin’ny maha fikambanana azy, fa ny filankevitry ny tanànano nandray fepetra mba “hampihena ny … fanakorontanana” [ao amin’nyTantaran’ny Fiangonana, 6:432]).

Asao ny mpianatra mba hamaky mafy ny fizarana izay mitondra ny lohateny hoe“Noampangaina tsy ara-drariny i Joseph sy i Hyrum” ao amin’ny taratasy zaraina.Miangavia mpianatra iray hafa hamaky mafy ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 135:4. Asaivo manaraka ny mpianatra sady mitady nyfaminaniana nataon’i Joseph Smith rehefa nandeha tany Carthage izy.

• Na dia tsy lavorary avokoa aza ny olombelona rehetra, inona araka ny hevitrao nohilaina amin’ny olona iray mba ho “madio ny fieritrereta[ny] ary tsy meloka amin’Andriamanitra sy amin’ny olon-drehetra” izy? (F&F 135:4).

Hazavao fa rehefa niomana ny ho any amin’ny Fonjan’i Carthage i Hyrum Smith dianamaky ny Etera 12:36–38 izy ary avy eo dia navadiny ilay pejy. Asao ny mpianatra irayhamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:5, izay tenynindramina mivantana avy ao amin’ny Etera, sady manaraka ny mpianatra. Asao nympianatra handinika ny antony nahatonga an’io andinin-tsoratra masina io ho nanan-danja tamin’i Hyrum. Afaka atoronao hevitra ireo mpianatra mba hanisy marika nyteny na andian-teny izay hitan’izy ireo fa miavaka.

LESONA 22: MATY MARITIORA NY MPAMINANY JOSEPH SMITH

118

• Inona ireo teny na andian-teny manokana amin’ireo andininy avy amin’ny bokin’iEtera ireo no heverinao fa mety ho nanan-danja tamin’i Hyrum rehefa niatrika nyfanagadrana sy ny mety ho fahafatesana izy?

• Inona araka ny hevitrao no dikan’ity andian-teny ity: “Hahafantaran’ny olon-drehetra fa tsy voapentin’ny ranareo ny fitafiako”? (Asaivo ampifandraisan’nympianatra ny andininy 5 sy ny Jakôba 1:19 ary ny Môsià 2:27 hahitana ny hevitr’ioandian-teny io. Fomba fandalinana soratra masina tena manan-danja ny mianatramampifandray ny andinin-tsoratra masina iray amin’ny andininy hafa izay misyhevi-baovao fanampiny.)

Asao ny mpianatra mba handinika ny fahatsapana izay mety ho nananan’i Joseph sy iHyrum rehefa nahafantatra fa nahatanteraka ny antsony sy ny andraikiny manoloanaan’ Andriamanitra tamin’ny fahafahana izay tsara indrindra vitany izy ireo.

• Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatr’i Joseph sy i Hyrum izay metyhanampy antsika hanatanteraka ireo adidy omen’ Andriamanitra antsika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:1–3, 6–7Famonoana ho maritiora tao amin’ny Fonjan’i Carthage sy ireo fanomezam-boninahitra an’i Joseph SmithAsao ny mpianatra iray hamaky mafy ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 135. (Azonao atao ny manamarika fa nyfahasamihafana misy ao amin’ny sasin-teny ho an’io fizarana io ao amin’ny soratramasina fanontana 1981 sy 2013 dia mampiseho ny fikarohana natao vao tsy ela.) Asaony mpianatra maromaro hifandimby hamaky ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 135:1–2 sy ny fizarana izay mitondra ny lohateny hoe “MatyMaritiora tao amin’ny Fonjan’i Carthage” ao amin’ny taratasy zaraina. Asaivomanaraka ny vakiteny ny mpianatra mandritra ny famakian’ireo mpianatra ireo.

• Inona araka ny hevitrao no dikan’ny andian-teny hoe: “ho famehezana nytenivavolombelon’ity boky ity sy ny Bokin’i Môrmôna”?

Rehefa mizara ny heviny ireo mpianatra, dia soraty eny amin’ny solaitrabe ityfamaritana manaraka ity: ny hoe “famehezana” dia fanorenana zavatra maharitra, toy nytenivavolombelona. Azonao toroina hevitra ny mpianatra mba hanoratra io famaritana ioao amin’ny soratra masiny eo akaikin’ny andininy 1.

Asao ny mpianatra mba hamaky am-pahanginana ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 135:3, 6–7, sady hitady ny sasany amin’ireo fahamarinana izayianarantsika avy amin’io filazana ny fahafatesana ho maritiora an’i Joseph sy i HyrumSmith io.

• Inona no fahamarinana nianaranao avy amin’io filazana ny fahafatesana homaritiora an’i Joseph sy i Hyrum Smith io? (Mety hahita fahamarinana maro nympianatra, anisan’izany ity manaraka ity: I Joseph Smith dia efa nahavitamihoatra noho ny olona rehetra niaina teto afa-tsy i Jesoa Kristy, hofamonjena ny olona eto amin’ity izao tontolo izao ity. Navoaka ny Bokin’iMôrmôna sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ho famonjenaan’izao tontolo izao ity.)

• Amin’ny fomba manokana ahoana, araka ny hevitrao, no mety hiovan’ny fiainanaoraha tsy nisy ny asa fanompoan’ny Mpaminany Joseph Smith?

LESONA 22: MATY MARITIORA NY MPAMINANY JOSEPH SMITH

119

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fanambarana avy amin’ny Loholona Dallin H.Oaks izay hita eo amin’ny taratasy zaraina, fizarana mitondra ny lohateny hoe“Fanomezam-boninahitra ny Mpaminany Joseph Smith.”

• Inona no maha-zava-dehibe ny fahafantarana fa nihevitra an’i Joseph Smith hompaminany ary “olona manan-kaja sy tsara toetra” ireo mpiara-miasa akaikyaminy?

Farano amin’ny fanontaniana ny mpianatra raha misy te hizara ny fijoroany hovavolombelona mikasika an’i Joseph Smith ny sasany amin’izy ireo. Amporisiho nympianatra mba hitady fahafahana hizara ny fijoroany ho vavolombelona amin’ny hafamandritra ny andro vitsivitsy manaraka mikasika ny Mpaminany Joseph Smith sy nyandraikiny tamin’ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Vakitenin’ny Mpianatra• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:1–7; 136:36–39.

• Thomas S. Monson, “The Prophet Joseph Smith: Teacher by Example,” Ensign naLiahona, nôv. 2005, 67–70.

• “The Martyrdom,” toko 22 ao amin’ny Church History in the Fulness of Times StudentManual, fanontana faha-2 (Boky fampianarana an’ny Departemantan’nyFampianaran’ny Fiangonana, 2003), 273–85.

Maty Maritiora ny Mpaminany Joseph SmithFanoherana ny Mpaminany sy ny FiangonanaNihamafy ny lolom-pon’ny olona tamin’ny Fiangonana ny volana jona 1844. Nifanakalo hevitramikasika ny fandroahana ny Olomasina hiala ny firenena ny mponina sasany tao Illinois, raha ny hafakosa nitetika ny hamono an’i Joseph Smith. Mpikamban’ny Fiangonana taloha izay nihemotra ny sasanytamin’ireo izay niray tetika nanohitra an’i Joseph Smith sy ny Fiangonana. Tamin’ny 7 jona 1844, dianamoaka ny laharana voalohan’ny gazety iray izay nantsoina hoe Nauvoo Expositor i William Law, izaynanompo tamin’ny maha-Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany niaraka tamin’ireompihemotra hafa. Nampiasain’ireo lehilahy ireo io gazety io mba hanendrikendrehana an’i Joseph Smithsy ny mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana, tao anatin’ny fikasana hampirehitra ny vahoaka hanohitraan’i Joseph Smith sy ny Fiangonana. Niaiky i Joseph, izay niasa tamin’ny naha-ben’ny tanànan’i Nauvooazy, niaraka tamin’ny ankamaroan’ny filankevitry tanànan’i Nauvoo fa hiteraka korontana ao amin’nytanàna io gazety nilaza zavatra mampiady io. Nambaran’izy ireo fa mpihetraketraka vahoaka ilay gazetyka nanome baiko ny handravana ilay gazety Nauvoo Expositor izy ireo.

Noampangaina tsy ara-drariny i Joseph sy i Hyrum“Noho ny [fandravana ny Nauvoo Expositor] izay nataon’ny ben’ny tanàna sy ny filankevitry ny tanàna,dia namoaka fiampangana tsy marim-pototra ho famporisihana ho amin’ny korontana nanohitra an’iJoseph Smith, Hyrum rahalahiny sy manampahefana hafa tao an-tanànan’i Nauvoo ireomanampahefana tao Illinois. Nandidy ireo lehilahy mba hotsaraina tany Carthage, Illinois, izay toeranamisy ny fitantanana ny fanjakana, i Thomas Ford, governoran’i Illinois ary nampanantena fiarovana hoazy ireo. Fantatr’i Joseph fa hiharan-doza lehibe ny ainy raha mankany Carthage izy, noho ireompihetraketraka izay nandrahona azy.

“Noho ny fieritreretany fa izy ireo ihany no tadiavin’ireo mpihetraketraka, dia nanapa-kevitra i Joseph syi Hyrum ny hiala nankany andrefana mba hitsimbinana ny ain’izy ireo. Niampita ny renirano Mississipiizy ireo ny 23 jona, fa taorian’izay tamin’io andro io, dia nisy rahalahy avy tany Nauvoo nahita nyMpaminany ka nilaza taminy fa hisy andian’olona hanafika ny tanàna raha toa ka tsy nivoaka nanatonany manampahefana tany Carthage izy. Nanaiky nanao izany ny Mpaminany, nanantena fa nampitony ny

LESONA 22: MATY MARITIORA NY MPAMINANY JOSEPH SMITH

120

governemanta sy ireo mpihetraketraka. Ny 24 jona dia nanao veloma ny fianakaviany i Joseph sy iHyrum Smith ary nandeha tany Carthage niaraka tamin’ireo manampahefan’ny tanàna, nitonon-tenaan-tsitrapo tamin’ireo manampahefana tao Carthage ny ampitson’iny. Rehefa nahazo fahafahanavonjimaika ireo mpirahalahy tamin’ny fiampangana voalohany, dia noampangaina tsy ara-drariny hompamadika ny faritanin’i Illinois izy ireo, nosamborina ary naiditra am-ponja tao amin’ny Fonjan’iCarthage mandra-piandry ny fitsarana. Niaraka tamin’izy ireo an-tsitrapo ny Loholona John Taylor syWillard Richards, ireo hany mpikambana tao amin’ny Roambinifololahy izay tsy nanao asa fitoriana”(Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 567–68).

Fahafatesana ho Maritiora tao amin’ny Fonjan’i CarthageNandritra ny andro tamin’ny 27 jona 1844, dia nisy mpitsidika iray nanome basy an’i Joseph. Rehefaniezaka niditra ny efitrano nisy ny Mpaminany sy ireo lehilahy hafa ireo mpihetraketraka, dia voatifitra iHyrum ka maty, ho fiarovana ireo rehetra izay tao anatin’ilay efitrano. Nihazakazaka nankeo amin’nyvaravarana i Joseph ka nahazo ny sisin’ny varavarana ka nitifitra nankany amin’ny lalantsara. Telotamin’ireo bala enina ihany no nipoaka, ka nahavoa ny maro tamin’ireo mpihetraketraka.Nampidirin’ireo mpihetraketraka tamin’ny varavarana izay tsy mikatona tsara ny basiny, ary nanandrananikapoka tamin’ny tehina ny loham-basin’izy ireo i John Taylor.

Rehefa nihamafy ny ady teo am-baravarana, dia niezaka nitsoaka ny efitrano teo am-baravarankely iJohn Taylor. Rehefa nanandrana nitsambikina teo am-baravarankely izy, dia voatifitra tamin’ny feny arynisy olona ihany koa nahatifitra azy avy tany ivelany. Lavo tamin’ny tany izy, ary raha nanandrana nyhisitrika tao ambany fandriana teo akaikin’ny varavarana izy dia voatifitra intelo ka naratra mafy.Nandritra izany fotoana izany, rehefa niditra teo amin’ny varavarana ny basy maro, dia nanombokanamely azy ireo tamin’ny tehina i Willard Richards.

Ary nanapa-kevitra ny hitsoaka tamin’ilay varavarankely i Joseph Smith. Raha mbola nanohy nampialaireo mpihetraketraka teo amin’ny varavarana i Willard Richards, dia nitsambikina avy teo amin’nyvaravarankely i Joseph Smith. Teo am-panaovany izany no nahavoa azy ny bala na avy tao anaty na tanyivelan’ny fonja. Nianjera teo amin’ny varavarankely izy sady nihiaka hoe: “Tompo, Andriamanitro ô!” kalatsaka tamin’ny tany. Nihazakazaka nankany ivelany ireo izay anisan’ny mpihetraketraka tao anatin’nyfonja mba haka toky fa maty i Joseph. Na dia tsy nisy mpikamban’ny Fiangonana aza tamin’ny lalananankany Carthage, dia nisy olona nihiaka hoe: “Tonga ny Môrmôna!” ka nandositra ireompihetraketraka rehetra.

Ireo fanomezam-boninahitra ny Mpaminany Joseph SmithNilaza ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, hoe:

“Ny olona izay nahafantatra an’i Joseph Smith sy niaraka taminy teo akaikiny tao amin’nyfitarihana ny Fiangonana dia tia sy nanohana azy ho mpaminany. Nisafidy ny ho faty teoakaikiny i Hyrum rahalahiny. I John Taylor, izay niaraka taminy koa tamin’ny namonoanaazy, dia nilaza hoe: ‘Mijoro ho vavolombelona aho manoloana an’ Andriamanitra sy ireoanjely ary ny olona, fa olona tsara sy mendri-kaja ary tsara toetra izy … —fa fakan-

tahaka ny toetrany manokana sy ny toetrany amin’ny olona—ary niaina sy maty tamin’ny naha olon’Andriamanitra azy izy’ (The Gospel Kingdom [1987], 355; jereo koa ny F&F 135:3). Hoy i BrighamYoung: ‘Tsy mino aho hoe misy lehilahy miaina eto an-tany ka nahafantatra an’i [Joseph Smith] kokoanoho izaho; ary sahy aho milaza fa, ankoatra an’i Jesoa Kristy, dia tsy misy olona tsara noho izy izayniaina na miaina eto an-tany’ [Discourses of Brigham Young, sel. John A. Widtsoe (1954), 459]”(“Joseph, the Man and the Prophet,” Ensign, mey 1996, 73).

LESONA 22: MATY MARITIORA NY MPAMINANY JOSEPH SMITH

121

23 Ny Fifandimbiasana aoamin’ny FiadidianaTamin’ny faramparan’ny fiainany dia nanome ny fanalahidin’ny fisoronana an’ityfotoampitantanana ity tamin’ireo mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny ApôstolyRoambinifolo i Joseph Smith. Taorian’ny nahafaty maritiora an’ny Mpaminany dia nisyfivoriana natao tamin’ny 8 aogôsitra 1844, izay nahazoan’ny Olomasina marofisehoana ara-panahy nanamafy azy ireo fa i Brigham Young, izay Filohan’nyKôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, no hitantana ny Fiangonana. Rehefa mahatakatrany fitsipika mifandray amin’ny fifandimbiasana ao amin’ny Fiadidian’ny Fiangonanaireo mpianatra, dia hanana fahatokiana izy ireo fa efa nofinidy sy nomanin’ny Tompony olona tsirairay izay lasa Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’nyAndro Farany.

Vakiteny Enti-mandalina• “Succession in the Presidency,” toko 3 ao amin’ny Teachings of the Living Prophets

Student Manual (Boky fampianarana an’ny Departemantan’ny Fampianaran’nyFiangonana, 2010), 28–41.

• “The Twelve to Bear Off the Kingdom,” toko 23 ao amin’ny Church History in theFulness of Times Student Manual, fanontana faha-2 (Boky fampianarana an’nyDepartemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, 2003), 286–96.

• Brent L. Top and Lawrence R. Flake, “‘The Kingdom of God Will Roll On’:Succession in the Presidency,” Ensign, aog. 1996, 22–35.

Sosokevitra Enti-mampianatraFotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:33; 112:30–32Mihazona ireo fanalahidin’ity fotoampitantanana ity ny ApôstôlyApetraho ity fanontaniana manaraka ity:

• Inona no mahasamihafa ny fomba fifidianana ny Filohan’ Ny Fiangonan’i JesoaKristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’ny fomba fifidianana ireompitarika amin’ny fikambanana hafa?

Ampahafantaro ny mpianatra fa ity lesona ity dia handinika ny famindrana nyfitarihana ny Fiangonana taorian’ny nahafatesan’ny Mpaminany Joseph Smith.Hazavao fa taona maro talohan’ny nahafatesany dia efa nandray fanambaranamikasika ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo nyMpaminany. Asao ny mpianatra mba handalina ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 107:33 sy 112:30–32 sady hitady ny famariparitan’ny Tompo nyfahefan’ny fisoronana izay hazonin’ny mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohanysy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

• Ahoana no namariparitan’ny Tompo ny fahefan’ny Fiadidiana Voalohany sy nyKôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo? (Ataovy izay hahatakaran’ny mpianatra ityfitsipika manaraka ity: Mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana an’ityfotoampitantanana ity ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany syny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary ny Roambinifololahy dia miasa eoambany fitarihan’ny Fiadidiana Voalohany.)

122

Omeo tahadikan’ny taratasy zaraina izay hita any amin’ny faran’ny lesona nympianatra tsirairay. Hazavao fa nandany ireo volana farany izay niainany tamin’nyfivoriana matetika niaraka tamin’ireo mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny ApôstôlyRoambinifolo i Joseph Smith mba hanomana azy ireo hitarika ny Fiangonana. Asaivomamaky mafy ny fizarana izay mitondra ny lohateny hoe “Fivoriana niaraka tamin’ireoApôstôly Roambinifolo, martsa 1844” ao amin’ny taratasy zaraina ny mpianatra iray.Lazao ireo mpianatra fa fitantarana fohy ny fivoriana nataon’ny Mpaminany JosephSmith niaraka tamin’ireo Apôstôly sy ny mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana ity,araka ny fitantarana izay nataon’i Wilford Woodruff, izay Apôstôly tamin’izany fotoanaizany. Aorian’ny vakiteny, dia anontanio hoe:

• Tamin’ny fomba ahoana no nahafahan’io fanomezana fanalahidy an’ireompikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo io nanampy tamin’nyfanomanana azy ireo amin’ny fotoana izay tsy hiarahan’ny Mpaminany JosephSmith intsony amin’izy ireo? (Nahazo ireo fanalahidin’ny fisoronana nitovytamin’ireo izay nohazonin’ny Mpaminany Joseph izy ireo.)

• Inona no naha-zava-dehibe ny nanomezan’i Joseph Smith ireo fanalahidin’nyfisoronana ireo ho an’ireo Apôstôly talohan’ny nahafatesany? (Tamin’izany fotoanaizany dia i Joseph Smith irery ihany no hany nihazona ireo fanalahidin’nyfisoronana rehetra an’ity fotoampitantanana ity. Raha tsy nanome ireo fanalahidyireo tamin’ny hafa izy, dia tsy maintsy ho tonga ety an-tany indray ireo anjely mbahamerina izany.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:127–28Nandimby an’i Joseph Smith i Brigham Young ho Filohan’ny FiangonanaHazavao fa tamin’ny voalohany izay nananganana ny Kôlejin’ny ApôstôlyRoambinifolo tamin’ny 1835, dia arakaraka ny taona no namaritana ny fizokiana. IThomas B. Marsh, izay noheverina ho be taona indrindra tamin’izany fotoana izany, nonatao ho Apôstôly zokiny indrindra (fantatra taty aoriana fa i David W. Patten no betaona indrindra tamin’ireo Apôstôly).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana124:127–28. Hazavao fa tamin’ny volana ôktôbra 1838, dia nihemotra ny Filoha Marshka nandao ny Fiangonana ary maty kosa i David W. Patten. I Brigham Young avy eo nolasa Apôstoly zokiny indrindra, araka ny voazava ao amin’ireo andininy ireo.Taorian’ny fifidianana voalohany ny Apôstôly ka hatramin’izao, dia ny datin’nyfanendrena no namaritana ny Apôstôly ela niasana indrindra.

Hazavao fa rehefa maty maritiora i Joseph Smith tamin’ny 27 jona 1844, dia nanao asafitoriana tany andrefan’i Etazonia ny Roambinifololahy, ankoatra an’i John Taylor sy iWillard Richards. Tao anatin’ny telo herinandro anefa dia nahafantatra an’ilay vaovaomampalahelo avokoa ireo Apôstôly ka niverina haingana tany Nauvoo. Rehefa tongaireo Apôstôly, dia nahita fisafotofotoana teo anivon’ny mpikambana momba ny hoe izano hitarika ny Fiangonana. Ny mpikamban’ny Fiangonana sasany dia nino fa rariny nytokony handraisan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny fitarihana. Tao anatin’nyvolana manaraka dia lehilahy maro no nihambo fa nanana ny zo hitarihana nyFiangonana izy ireo. Asao ny mpianatra roa hamaky mafy ny fizarana izay mitondra nylohateny hoe “Ny Fitakian’i Sidney Rigdon” sy “Ny Fitakian’i James Strang” aoamin’ny taratasy zaraina. Eo am-pihainoan’ny mpianatra, dia asao izy ireo hieritreritrany mety ho ahiahiny momba ireo fihamboana ireo raha toa ka tany Nauvoo izy ireotamin’izany fotoana izany.

LESONA 23: NY FIFANDIMBIASANA AO AMIN’NY FIADIDIANA

123

Tohizo izany amin’ny fanontaniana ireo mpianatra hoe:

• Nahoana no tsy ara-drariny ny fitakiana izay nataon’ireo lehilahy ireo? (Mety hoilainao ny manamarika fa na dia tao amin’ny Fiadidiana Voalohany aza i SidneyRigdon dia tsy nomen’i Joseph ireo fanalahidin’ny fisoronana izy.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fizarana izay mitondra ny lohateny hoe“7 aogôsitra 1844” ao amin’ny taratasy zaraina. Ifanakalozy hevitra miaraka amin’nympianatra izao fanontaniana izao:

• Inona no maha-zava-dehibe ny tenivavolombelon’i Brigham Young mikasika ireofanalahidin’ny maha-Apôstôly? (Aorian’ny valintenin’ny mpianatra, dia soraty enyamin’ny solaitrabe ity fotompianarana manaraka ity: Mihazona ireofanalahidin’ny fisoronana rehetra izay ilaina hitarihana ny Fiangonana ireoApôstôly.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fizarana mitondra ny lohateny hoe:“8 aogôsitra 1844, tamin’ny 10 ora maraina” ao amin’ny taratasy zaraina.

• Ahoana no nitahian’ny Tompo ireo Olomasina mba hahafantarany ny olona izayvoatendriny hitarika ny Fiangonana?

• Ahoana no ahafantarantsika fa voantson’ Andriamanitra ireo mpitarika ao amin’nyFiangonana ankehitriny? (Aorian’ny valintenin’ireo mpianatra, dia soraty enyamin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Amin’ny alalan’ny Fanahy Masinadia afaka mandray tenivavolombelona isika fa voantson’ Andriamanitra ireoizay mitarika ny Fiangonana.)

• Oviana no efa nahatsapanao ny Fanahy Masina nijoro ho vavolombelona taminaofa voantson’ Andriamanitra ny Filohan’ny Fiangonana ankehitriny?

Hazavao fa nandritra ny fivoriana izay natao tamin’ny 2 ora tolakandron’ny 8 aogôsitra,dia nandray fitenenana i Brigham Young sy ny Apôstôly hafa. Asaivo mamaky mafy nyfizarana izay mitondra ny lohateny hoe “8 aogôsitra 1844, tamin’ny 2 ora tolakandro”ao amin’ny taratasy zaraina ny mpianatra iray.

Hazavao fa rehefa maty i Joseph Smith, dia afaka nampiasa avy hatrany ireofanalahidin’ny fisoronana rehetra i Brigham Young, amin’ny maha-Apôstôly elaniasana indrindra azy. Nandritra ny telo taona mahery taorian’ny nahafaty maritioraan’ny Mpaminany dia nitarika ny Fiangonana ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo,teo ambany fitarihan’i Brigham Young. Ary tamin’ny 5 desambra 1847 dia notohananaho Filohan’ny Fiangonana i Brigham Young ary naverina narafitra ny FiadidianaVoalohany.

Nifindra tany Pittsburgh, Pennsylvanie i Sidney Rigdon ary nanangana Fiangonan’iKristy iray izay nisy apôstôly, mpaminany, mpisorona ary mpanjaka. Rava iofiangonana io tamin’ny 1847. Ary na dia tsy marina aza ny fihamboan’i James Strangho ao amin’ny fiadidiana, dia nanohana azy ny telo tamin’ireo Apôstôly tany am-boalohany—i William E. McLellin sy i John E. Page ary i William Smith. Novonoin’ireompanara-dia nanana lolom-po taminy i Strang tamin’ny 1856.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny dingana amin’ny fifandimbiasana aoamin’ny Fiadidian’ny Fiangonana ankehitriny, dia asehoy ity fanambarana manarakantaon’ny Filoha Boyd K. Packer tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, izaymiresaka momba ny zava-nitranga taorian’ny nahafatesan’ny Filoha Gordon B.Hinckley. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ilay fanambarana:

LESONA 23: NY FIFANDIMBIASANA AO AMIN’NY FIADIDIANA

124

“Tsy nisy fanontaniana mikasika ny zavatra tokony ho natao, tsy nisy fisalalasalana.Fantatray fa ny Apôstôly ela niasana indrindra no Filohan’ny Fiangonana. Arytamin’izany fivoriana masina izany dia i Thomas Spencer Monson no notohanan’nyKôlejin’ny Apôstoly Roambinifolo ho Filohan’ny Fiangonana. … Ankehitriny, araka nyvoalazan’ny soratra masina, dia izy no hany lehilahy eto an-tany izay manana ny zo

hampiasa ny fanalahidy rehetra. Saingy mihazona izany avokoa izahay amin’ny maha-Apôstôly anay.Misy lehilahy iray eo anivonay voantso sy notendrena, ka lasa Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy hoan’ny Olomasin’ny Andro Farany izy” (“The Twelve,” Ensign na Liahona, mey 2008, 83).

• Aorian’ny fahafatesan’ny Filohan’ny Fiangonana, iza foana no lasa Filohan’nyFiangonana manaraka? (Ny Apôstôly ela niasana indrindra, izay Filohan’nyKôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.)

Mety hanontany tena ireo mpianatra hoe oviana ny Filohan’ny Fiangonana nomandray ireo fanalahidy ilaina hitarihana ny Fiangonana. Hazavao fa omena nyApôstôly ireo fanalahidy rehetra rehefa tendrena ho Apôstôly izy. Asao ny mpianatrairay hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley(1910–2008) ity:

“Fa ny fahefana hampiasa ireo fanalahidy ireo dia voafetra ho an’ny Filohan’nyFiangonana ihany. Rehefa maty izy, dia lasa manan-kery eo am-pelatanan’ny Apôstôlyela niasana indrindra izany fahefana izany, izay antsoina sy atokana ary tendren’nympiara-miasa aminy ao amin’ny Filankevitry ny Roambinifololahy avy eo ho mpaminanysy Filoha” (“Come and Partake,” Ensign, mey 1986, 47).

• Inona no fahatsapana anananao rehefa mahafantatra fa handroso hatrany nyfanjakan’ny Tompo miaraka amin’ny fiatoana kely rehefa maty ny Filohan’nyFiangonana iray?

Azonao atao ny mamarana ity lesona ity amin’ny fijoroana ho vavolombelona fa ireofanalahidy sy herin’ny fisoronana izay nomen’i Joseph Smith an’i Brigham Young syireo mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ihany no hazonin’nyFilohan’ny Fiangonana sy ireo mpanolotsainy ary ireo mpikambana ao amin’nyKôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ankehitriny. Azonao zaraina ihany koa ny fombanahazoanao ny fijoroanao ho vavolombelona fa voantson’ Andriamanitra ireompitarika ao amin’ny Fiangonana. Asao ny mpianatra hikatsaka amim-bavaka mbahahazo na hampatanjaka ny fijoroany ho vavolombelona momba ny fahamarinana izaynianarany androany.

Vakitenin’ny Mpianatra• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:33; 112:30–32; 124:127–28.

• Boyd K. Packer, “The Twelve,” Ensign na Liahona, mey 2008, 83–87.

• “The Twelve to Bear Off the Kingdom,” toko 23 tao amin’ny Church History in theFulness of Times Student Manual, fanontana faha-2 (Boky fampianarana an’nyDepartemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, 2003), 286–96.

Fifandimbiasana tao amin’ny Fiadidian’ny FiangonanaFivoriana niaraka tamin’ireo Apôstôly Roambinifolo, martsa 1844Nampahatsiahy ny Filoha Wilford Woodruff (1807–98) hoe:

LESONA 23: NY FIFANDIMBIASANA AO AMIN’NY FIADIDIANA

125

“Tsaroako ny lahateny farany nomen’i [Joseph Smith] anay talohan’ny nahafatesany. …Nijoro nandritra ny telo ora izy. Tahaka ny heniky ny afo mandevona ny efitrano, nazavatahaka ny metaly mamiratra ny tarehiny, ary nitafy ny herin’ Andriamanitra izy. Nazavainytaminay ny andraikitray. Nazavainy taminay ny fahafenoan’ity asa lehiben’ Andriamanitraity; ary hoy izy nanao fanamarihana taminay: ‘Efa nofeheziko teo ambony lohako avokoa

ny fanalahidy rehetra, ny hery rehetra, ny fitsipiky ny fiainana sy ny famonjena rehetra izay nomen’Andriamanitra ny lehilahy rehetra izay niaina teto ambonin’ny tany. Ary ireo fitsipika ireo sy ioFisoronana sy hery io dia an’ity fotoampitantanana lehibe sy farany ity izay naninjiran’ Andriamanitry nyLanitra ny tanany mba hatsangana eto an-tany. Ankehitriny’ hoy izy, niresaka tamin’nyRoambinifololahy, ‘nofeheziko teo ambony lohanareo ny fanalahidy rehetra sy ny hery rehetra ary nyfitsipika rehetra izay nofehezin’ Andriamanitra tambonin’ny lohako.’ …

“Rehefa avy niresaka taminay toy izany izy dia niteny hoe: ‘Milaza aminareo aho, mipetraka eo an-tsorokareo izao ny enta-mavesatr’ity fanjakana ity; anjaranareo ny mitondra izany amin’izao tontoloizao’” (voalaza ao amin’ny Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 571-71).

Ny Fitakian’i Sidney RigdonTonga tao Nauvoo i Sidney Rigdon, Mpanolotsaina Voalohany tao amin’ny Fiadidiana Voalohany,tamin’ny 3 aogôsitra 1844, avy tany Pittsburgh, Pennsylvanie. Nanao fiantsoana fivoriana manokana izyho tanterahina tamin’ny talata 6 aogôsitra mba hahafahan’ny mpikamban’ny Fiangonana nifidy mpiahyny Fiangonana. Sahala amin’ny hoe niezaka nanao io fivoriana io i Sidney Rigdon mba hahafahan’nympikamban’ny Fiangonana hanamarina ny toerany amin’ny maha mpiahy ny Fiangonana azy alohan’nyhiverenan’ireo Apôstôly Roambinifolo avy any amin’ny asa fitoriany tany andrefan’i Etazonia. Soa ihanyfa, noho ny ezaka nataon’ny Loholona Willard Richards sy ny Loholona Parley P. Pratt, dia nahemotra nyalakamisy 8 aogôsitra 1844 ilay fivoriana, izay fotoana niverenan’ny ankamaroan’ireo Apôstôly taoNauvoo.

Nitaky i Sidney Rigdon fa satria nantsoina sy notendrena ho mpitondra tenin’i Joseph Smith izy teoaloha (jereo ny F&F 100:9), dia andraikiny ny “mijery fa voatantana amin’ny fomba mety nyFiangonana” (ao amin’ny History of the Church, 7:229).

Ny Fitakian’i James StrangTaorian’ny nahafatesan’i Joseph Smith dia nilaza i James Strang, izay natao batisa tamin’ny volanafebroary 1844, fa nahazo taratasy avy tamin’i Joseph Smith izy izay nilaza fa nanondro an’i Strang iJoseph mba ho mpandimby azy. Hosoka ilay taratasy, saingy toa nahitana ny sonian’i Joseph Smithizany, ka namitaka ny sasany tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana izany rehefa nasehon’i Strangtamin’izy ireo. Nilaza ihany koa i Strang fa notsidihin’ny anjely iray izy, izay nanome fanalahidy azy.

7 aogôsitra 1844Efa tao Nauvoo ny Loholona isany John Taylor, Willard Richards, Parley P. Pratt, ary George A. Smithtamin’ny nahatongavan’i Sydney Rigdon. Ny ankamaroan’ireo Apôstôly, anisan’izany i Brigham Young,dia niverina tao Nauvoo ny tolakandron’ny 6 aogôsitra 1844. Ny ampitson’io, ny 7 aogôsitra, dia nivorynanao filankevitra tao amin’ny tranon’i John Taylor ireo Apôstôly. Avy eo ny tolakandron’io, dia niara-nivory ireo Apôstoly Roambinifolo, ny filankevitra avo, sy ireo mpisorona avo. Nangataka an’i SidneyRigdon ny Filoha Young mba hilaza ny hafany tamin’ny Olomasina. Nilaza tamim-pahasahiana i SidneyRigdon fa nahita fahitana ary tsy misy olona afaka mandimby an’i Joseph Smith ho Filohan’nyFiangonana. Dia nanome sosokevitra izy fa izy no voatondro ho mpiahy ny vahoaka.

Taorian’ny namaranan’i Sidney Rigdon ny fanamarihany, dia niteny i Brigham Young (1801–77):

“Tsy miraharaha izay hitarika ny fiangonana aho, … fa ny zavatra iray izay tsy maintsyfantako, dia ny zavatra lazain’ Andriamanitra momba izany. Ananako ireo fanalahidy sy nyfomba hahazoana mahafantatra ny sain’ Andriamanitra momba io lohahevitra io. …

“Nomen’i Joseph teo ambony lohanay avokoa ireo fanalahidy sy hery rehetran’ny maha-Apôstôly izay nohazoniny talohan’ny nahalasana, ary tsy misy olona na olona voatokana

LESONA 23: NY FIFANDIMBIASANA AO AMIN’NY FIADIDIANA

126

eto amin’izao tontolo izao na ny tontolo hoavy izay afaka mipetraka eo anelanelan’i Joseph sy nyRoambinifololahy.

“Impiry i Joseph no niteny tamin’ny Roambinifololahy hoe: ‘Efa napetrako ny fototra ka tsy maintsymanorina eo amboniny ianareo, fa mitoetra eo an-tsorokareo ny fanjakana’” (ao amin’ny History of theChurch, 7:230).

8 aogôsitra 1844, tamin’ny 10 ora marainaTamin’ny 8 aogôsitra 1844 dia nivory ireo Olomasina tao Nauvoo tamin’ny 10 maraina mba hihaino nyfihamboan’i Sidney Rigdon ho mpiahy ny Fiangonana. Niresaka tamin’ireo Olomasina tafavoryan’arivony maro izy nandritra ny adiny iray sy sasany, nanazava ny antony tsy maintsy ho izy ny mpiahyny Fiangonana. Olona maro no nanoritsoritra ny lahateniny ho tsy nentanim-panahy.

Niteny fohifohy ny Filoha Brigham Young ka nilaza fa naleony niverina tany Nauvoo mba hisaona an’nyMpaminany toy izay hijanona nanendry mpitarika vaovao. Nanambara izy fa hisy fivorian’ny mpitarika sympikambana ny harivan’io andro io tamin’ny 2 ora tolakandro. Mpikamban’ny Fiangonana maro nonijoro ho vavolombelona taty aoriana fa rehefa niteny i Brigham Young, dia hitany niova ny endriny aryhenony niova ny feony, ka nandray ny endrika sy ny feon’ny Mpaminany Joseph Smith izy.

Nahatsiaro i Emily Smith Hoyt: “Nampihetsi-po be ny fanahiko manontolo ilay fomba fisainana, ilayfisehon’ny tarehy, ilay fahenoana ny feo. … Fantatro fa maty i Joseph. Kanefa dia matetika aho notaitra ka nijery tsy nahy teny amin’ny lampihazo mba hijery raha tsy i Joseph izany. Tsy izy izany, fa iBrigham Young” (voalaza ao amin’ny Lynne Watkins Jorgensen, “The Mantle of the Prophet JosephPasses to Brother Brigham: A Collective Spiritual Witness,” BYU Studies, boky 36, lah. 4[1996–97], 142).

Nanoratra i Wilford Woodruff hoe: “Raha tsy hitako tamin’ny masoko izy, dia tsy nisy afaka nandresylahatra ahy hoe tsy i Joseph Smith izany, ary na iza na iza dia afaka mijoro ho vavolombelon’izany izaynahafantatra an’ireo lehilahy roa ireo” (ao amin’ny History of the Church, 7:236).

8 aogôsitra 1844, tamin’ny 2 ora tolakandroTamin’ny 2 ora tolakandro dia Olomasina an’arivony maro no vory ho amin’izay noheverin’izy ireo hofivoriana manan-danja. Nilaza mazava i Brigham Young momba ilay fanosoran-tenan’i Sidney Rigdon hompiahy sy ny fisarahany tamin’i Joseph Smith nandritra ny roa taona mialoha ka hoy izy hoe:

“Raha tian’ny vahoaka hitarika azy ireo ny Filoha Rigdon dia ho izany izy; nefa milaza aminareo aho fany Kôlejin’ny Roambinifololahy no manana ireo fanalahidin’ny fanjakan’ Andriamanitra amin’izaotontolo izao manontolo.

“Ny Roambinifololahy no notendren’ny rantsantanan’ Andriamanitra. Indro i Brigham, efa niahotrahotrave izy tamin’ny zavatra tokony nataony? Efa nandainga ve izy? Indro i Heber [C. Kimball] sy ny ambinyamin’ny Roambinifolo, olona samihafa manana ireo fanalahidy—ireo fanalahidin’ny fanjakan’Andriamanitra ho an’izao tontolo izao: marina izany, koa ampio aho Andriamanitra. Nanara-dia an’iJoseph izy ireo, ary mitovy amin’ny Fiadidiana Voalohany” (ao amin’ny History of the Church, 7:233).

Nanamarika ny Olomasina maro fa nitovy tamin’i Joseph ny endrika sy ny feon’i Brigham Young rehefaniteny izy tamin’io tolakandro io. Ankoatra ilay fahagagana dia maro tamin’ny Olomasina koa nonahatsapa ny Fanahy Masina nijoro ho vavolombelona fa voantson’ Andriamanitra mba hitarika nyFiangonana i Brigham Young sy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy. Tamin’ny faran’io fivoriana io, dia nirayfeo ny Olomasina tao Nauvoo nanohana ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, niaraka tamin’i BrighamYoung ho lohany, mba hitarika ny Fiangonana. Na izany aza, dia tsy ny mpikamban’ny Fiangonanarehetra no nisafidy nanaraka ny Apôstôly tamin’ny farany. Nisafidy ny hanaraka an’ireo olon-tokana toaan-dry Sidney Rigdon sy i James Strang ny sasany tamin’ireo vahoaka izay nanangana ny fiangonanymanokana.

LESONA 23: NY FIFANDIMBIASANA AO AMIN’NY FIADIDIANA

127

24 Ny nandaozana an’i Nauvoo syny dia niankandrefanaTeo ambany fitarihana nentanim-panahy an’i Brigham Young dia vitan’ny Olomasinany fanorenana ny Tempolin’i Nauvoo, izay toerana nanaovan’izy ireofanekempihavanana masina talohan’ny nanombohan’izy ireo ny dia tena mafynankany amin’ny fonenany vaovao tany amin’ny Montagnes Rocheuses. Nanome herysy fitaomam-panahy ho an’ireo Olomasina ireo fanekempihavanan’ny tempoly ireotamin’ny fiatrehana ireo zava-tsarotra teny amin’ny lalany. Amin’ny maha-mpandovany lova napetrak’ireo Olomasina mahatoky ireo antsika dia afaka mianatra avy amin’nyohatr’izy ireo isika ka manomana ny fomba ahafahan’ny hafa mandray ny fitahian’nyfilazantsara.

Vakiteny Enti-mandalina• Gordon B. Hinckley, “True to the Faith,” Ensign, mey 1997, 65–67.

• M. Russell Ballard, “You Have Nothing to Fear from the Journey,” Ensign, mey 1997,59–61.

• Church History in the Fulness of Times Student Manual, fanontana faha-2 (Bokyfampianarana an’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, 2003),302–14, 329–36.

Sosokevitra Enti-mampianatraFahavitan’ny Tempolin’i NauvooAsehoy ny sarin’ ny Tempolin’i Nauvoo voalohany, na ampiasao ny sarin’ny Tempolin’iNauvoo Illinois vaovao (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny Filazantsara [2009],lah. 118). Lazao ireo mpianatra fa taorian’ny nandaozan’ireo Olomasina an’i Nauvoodia ravan’ny afo ny tempoly izay naorin’izy ireo tamin’ny 1848 ary saika narodan’nyrambon-danitra tanteraka izany tamin’ny 1850. Tokony ho 150 taona taty aoriana dianisy tempoly vaovao izay tena nitovy tamin’ny tempoly tamin’ny voalohany naorinaary notokanana tamin’ny jona 2002.

Hazavao fa taorian’ny nahafaty maritiora an’i Joseph Smith dia niasa teo ambanyfitarihan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny Olomasina mba hamita hainganaaraka izay vitany ilay Tempolin’i Nauvoo tany am-boalohany. Asehoy ity fanambaranamanaraka ity ary asao ny mpianatra hamaky izany mafy. Asao ireo mpianatra handraynaoty ireo sorona nataon’ireo Olomasina mba hanamboarana ny Tempolin’i Nauvoo.

“1.000 mahery ireo olona nanome ny andro fahafolo hiasana. I Louisa Decker, tovovavy kely, dianihetsi-po tokoa nahita an-dreniny nivarotra ny vilia bakoliny sy ny lambam-pandrianany tsara tarehyho fandraisany anjara amin’ny fananganana ny tempoly. Ny Olomasin’ny Andro Farany sasany diananome soavaly, kalesy, omby, kisoa ary voamaina mba hanampiana amin’ny fananganana nytempoly. Ny vehivavy tao Nauvoo dia nasaina nandoa ny anjara vola keliny amin’ny volahanamboarana tempoly” (Ny Lovantsika: Tantara fohy mikasika Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’nyOlomasin’ny Andro Farany [1996], 72).

I Elizabeth Terry Kirby Heward dia nanome ny hany fananany izay azony nomena—nyfamantaranandron’ny vadiny izay maty vao tsy ela. “Nomeko izany mba hanampiana ny Tempolin’iNauvoo sy ireo zavatra hafa rehetra izay azoko nomena ary ny vola kely farany izay mba nananako

128

tamin’izao tontolo izao, izay raha natambatra dia nanome 50 dôlara” (voalaza ao amin’ny CarolCornwall Madsen, In Their Own Words: Women and the Story of Nauvoo [1994], 180).

Hazavao fa noho ny fitombon’ny fanenjehana ny olomasina sy ny fandrahonana avyamin’ireo fahavalon’ny Fiangonana, dia nilaza ny mpitarika tao amin’ny Fiangonanatamin’ny 24 septambra 1845 fa tokony handao an’i Nauvoo ireo Olomasina nylohataona manaraka. Anontanio ireo mpianatra hoe:

• Inona araka ny hevitrao no fiantraikan’ny fanapahan-kevitra ny handao an’iNauvoo teo amin’ny ezaky ny Olomasina tamin’ny famitana ny tempoly?

Hazavao amin’ny mpianatra fa na dia efa nahafantatra aza ny Olomasina fa tokonyhandao an’i Nauvoo, dia nampitomboiny ny ezaka nataony mba hamitana ny tempolyalohan’ny niaingany. Notokanana ireo efitrano tao amin’ny tempoly rehefa vita mbahahafahana nanatanteraka ôrdônansy faran’izay aloha. Talohan’ny nahafatesany, diananatanteraka fombafomban’ny fanafiana masin’ny tempoly ho an’ny andiana lehilahysy vehivavy vitsy ny Mpaminany Joseph Smith. Tamin’ny 10 desambra 1845, diananomboka nanatanteraka ordônansin’ny tempoly ho an’ny mpikambana hafa ireolehilahy ireo tao amin’ny efitranon’ny tempoly voatokana. Asao ny mpianatra irayhamaky mafy ireto andinin-tsoratra roa ireto, izay manoritsoritra ny ezak’ireoOlomasina sy ny mpitarika azy ireo mba nahafahan’ny olona farany izay betsakaindrindra nandray ireo ôrdonansin’ny tempoly mialohan’ny nandaozana an’i Nauvoo:

Nanomboka tamin’ny 1844 ka hatramin’ny 1846, dia nataon’ny Filoha Brigham Youngsy ireo Apôstôly Roambinifolo ho laharam-pahamehana ny famitana ny Tempolin’iNauvoo. Nisy ny fanafiana masina izay notanterahina tao na dia talohan’nynahavitan’ny fanamboarana aza. Ny Filoha Brigham Young (1801–77) dia nilaza hoe:“Lehibe aok’izany ny hetahetan’ireo olomasina handraisan’izy ireo ireo ôrdônansin’[nytempoly], ary lehibe aok’izany koa ny hetahetanay nanatanteraka izany ho azy ireo, kanahatonga ahy nanolo-tena tanteraka ho amin’ny asan’ny Tompo tao amin’ny Tempolyandro aman’alina, ary tsy natory nihoatra ny adiny efatra teo isan’andro, ary tsy nodytany an-trano afa-tsy indray mandeha isan-kerinandro” (ao amin’ny History of theChurch, 7:567).

Ankoatr’ireo lehilahy izay niasa tao amin’ny Tempoly, dia “vehivavy enina ambytelopolo no lasa mpisahana ny fanaovana ôrdônansy tao amin’ny Tempolin’nyNauvoo, niasa andro aman’alina nandritra ny ririnina 1845–46 mba hanatanteraka nyôrdônansy ho an’ny olona farany izay betsaka mialohan’ny fifindrana. ‘Niasa tsy an-kijanona tao amin’ny tempoly aho isan’andro mandra-pikatony,’ hoy Elizabeth AnnWhitney, iray tamin’ireo enina amby telopolo. ‘Nahafoy ny tenako sy ny fotoanako aryny saiko aho ho amin’izany asa izany.’ Vehivavy hafa am-polony maro no nanasa nyakanjo sy nikarakara ny sakafo izay nanohana izany asa miavaka izany” (CarolCornwall Madsen, “Faith and Community: Women of Nauvoo,” ao amin’ny JosephSmith: The Prophet, The Man, ed. Susan Easton Black sy Charles D. Tate Zanany. [1993],233–34).

Hazavao fa teo anelanelan’ny 10 desambra 1845 sy ny 7 febroary 1846—daty izaynanombohan’ireo Olomasina niainga ho amin’ny dia nankany andrefana—diaOlomasina niisa 5.615 no nandray ny ôrdônansin’ny fanafiana masina tao amin’nyTempolin’i Nauvoo ary maro ireo fianakaviana izay nofehezina tao.

• Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fahafoizana izay nataon’ireo Olomasinamba hamitana ny tempoly, na dia fantany aza fa tsy ho ela dia hiala an’i Nauvoo izy

LESONA 24: NY NANDAOZANA AN’I NAUVOO SY NY DIA NIANKANDREFANA

129

ireo? (Mety hahita fitsipika isan-karazany ireo mpianatra, toy izao manaraka izao:Mendriky ny ezaka marina sy ny fahafoizana rehetra ataontsika nyfandraisana ireo ôrdônansin’ny tempoly. Soraty eny amin’ny solaitrabe izany hofanamafisana.)

• Tamin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no mety nahafahan’ny fandraisanaireo ôrdônansy ireo nanomana an’ireo izay nandao an’i Nauvoo nandeha mihoatrany 1.600 km mba hikaroka fialofana tany amin’ny faritra andrefan’i Etazonia?

Mba hanampiana amin’ny famaliana io fanontaniana io, dia asehoy ireto fanambaranamanaraka nataon’ny Rahavavy Sarah Rich sy ny Loholona Robert D. Hales ao amin’nyKôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ireto, ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

“Raha tsy ny finoana sy ny fahalalana izay nomena anay tao amin’io tempoly iotamin’ny alalan’ny fitaomana sy ny fanampian’ny Fanahin’ny Tompo, dia ho tahaka nyolona iray izay mitsambikina ao anatin’ny haizina ny dianay” (Sarah Rich, voalaza aoamin’ny Filles dans Mon Royaume: L’histoire et l’Oeuvre de la Société de Secours[2011], 34).

“Nofehezina tamin’ny naha-fianakaviana azy ireo razambentsika mpamaky lay taoNauvoo. Nitondra fiarovana ho azy ireo nandritra ny diany niankandrefana ireofanekempihavanana nataony tamin’ny Tompo tao amin’ny Tempolin’i Nauvoo, tahakaizany koa ho antsika tsirairay ankehitriny sy mandritra ny fiainantsika. …

“Ho an’ireo Olomasina tany am-boalohany ireo, dia nanan-danja tamin’ny fijoroany hovavolombelona ny fandraisany anjara tamin’ireo ôrdônansin’ny tempoly ireo rehefa niatrika ny zava-tsarotra, ny mpihetraketraka, ny fandroahana azy ireo hiala ny fonenany tsara tao Nauvoo, ary ny dialava sy sarotra hataony. Nandray ny fanafiana masina tamin-kery tao amin’ny tempoly masina izy ireo.Nofehezina ny mpivady. Nofehezina tamin’ny ray aman-dreniny ny ankizy. Maro tamin’izy ireo nonamoy fianakaviana teny an-dalana, kanefa fantatr’izy ireo fa tsy mbola tapitra teo ny an’izy ireo.Nofehezina ho amin’ny mandrakizay tany amin’ny tempoly izy ireo” (Robert D. Hales, “TempleBlessings,” New Era, feb. 2014, 4).

Anontanio ireo mpianatra hoe:

• Inona no fiantraikan’ny fandraisana ireo ôrdônasin’ny tempoly teo amin’ireoOlomasina tany am-boalohany izay voatery nanao dia lava niankandrefana?(Rehefa mizara ny valinteniny ny mpianatra, dia ampio izy ireo hahatakatra ityfitsipika manaraka ity: Afaka mitondra fiarovana sy hery ho antsika ireoôrdônansin’ny tempoly rehefa miatrika fotoan-tsarotra sy fahoriana isika.)

• Ahoana no efa niarovana sy nampaherezan’ny fitsaohana any amin’ny tempolyanao na ny olona fantatrao nandritra ny fotoan-tsarotra?

Amporisiho ireo mpianatra hisaintsaina ny zavatra izay azony atao mba hahitafiarovana sy hery bebe kokoa amin’ny alalan’ny fitsaohana any amin’ny tranon’nyTompo.

LESONA 24: NY NANDAOZANA AN’I NAUVOO SY NY DIA NIANKANDREFANA

130

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136Ny toromariky ny Tompo ho an’ireo izay nandeha niankandrefana

Asao ny mpianatra hijery ny ao amin’ny sarintanin’ny toerana manan-tantara ho an’nyFiangonana lah. 6, “Ny Dia Miankandrefana nataon’ny Fiangonana,” ary asao izy ireohitady an’i Nauvoo sy Winter Quarters. Hazavao fa noho ny orana be tafahoatra sy nytsy fahampian’ny fitaovana, dia nandany efa-bolana ireo Olomasina izay nandao an’iNauvoo tamin’ny febroary 1846 nanaovana ny 480 km namakivaky an’i Iowa.Nandritra io fotoana io dia lehilahy Olomasin’ny Andro Farany mihoatra ny 500—izaylasa fantatra tamin’ny hoe Andia-miaramila Môrmôna—no nanaiky ny fiantsoan’nyFiloha Brigham Young ka nirotsaka tao amin’ny Tafika Amerikanina mba hanomponandritra ny ady nifanaovan’i Etazonia sy i Mexique. Nanaraka ny sasany tamin’ireolehilahy ireo ny vady aman-janany. Nahazoana vola ny fanompoan’izy ireo mbahanampiana ireo mpikamban’ny Fiangonana mahantra hanao ny dia niankandrefana,kanefa fianakaviana maro no tsy nisy vady na ray nandritra ny ampahany tamin’nydian’izy ireo niankandrefana. Noho ireo antony ireo dia nanapa-kevitra ireo mpitarikatao amin’ny Fiangonana ny tsy nanohy niankandrefana ho any amin’ny MontagnesRocheuses raha tsy ny lohataonan’ny 1847. Nanorim-ponenana tao amin’ny toeranaizay nantsoin’izy ireo hoe Winter Quarters ireo Olomasina. Tao no nandraisan’iBrigham Young ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 136.

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ao amin’ny Fotopampianaranasy Fanekempihavanana 136:1–5. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sadymitady ny zavatra nampianarin’ny Tompo mba hataon’ny Olomasina hiomananaamin’ny fanohizana ny dia niankandrefana.

• Tamin’ny fomba ahoana no nandaminana ireo andiany? Ahoana araka ny hevitraono nanampian’io fandaminana io ny Olomasina tamin’ny dian’izy ireo?

• Ahoana no itovizan’io fandaminana io amin’ny fomba izay andaminana nyFiangonana ankehitriny? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra, dia azonao atao nymanoratra ity famaritana ity eny amin’ny solaitrabe: Alamin’ny Tompo hovondrona ny Olomasiny mba ahafahan’ny olona tsirairay ho voatarika syvoakarakara.)

• Inona no ampianarin’ny andininy 4 momba ny fomba hahazoan’ny Olomasinahery rehefa miezaka manatanteraka ny sitrapon’ny Tompo izy?

Asaivo mamaky am-pahanginana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana136:6–11 ny mpianatra, sady mitady ny fomba nandaminana ny Olomasina mbahifampijery ny filàn’ny tsirairay ka hanampy ireo mahantra sy ny sahirana nandritra

LESONA 24: NY NANDAOZANA AN’I NAUVOO SY NY DIA NIANKANDREFANA

131

ilay dia niakandrefana. Rehefa nanome fotoana ampy, dia apetraho ireto fanontanianamanaraka ireto mba hitarihana ny ady hevitra:

• Inona ao amin’nyandininy 6–11 no teny na andian-teny izay manondro ny fombanifampikarakaran’ireo Olomasina sy ny nikarakarany ireo mahantra? (Azonaohamafisina ny teny hoe “manomana” ao amin’ny andininy 6 sy 7 ary 9. Hanintonany saina amin’ilay fahaiza-mandalina ny soratra masina amin’ny fijerena ny tenymiverimberina izany.)

• Araka ny andininy 11, inona avy ireo fampananten’ny Tompo ho an’ireo izaymikatsaka ny hanampy ny hafa sy manomana ny lalana ho azy ireo? (Rehefamamaly ny mpianatra, dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity:Hitahy antsika ny Tompo rehefa manampy ny hafa sy manomana ny lalanaho azy ireo isika.)

• Iza no nanomana ny lalana ho anao mba handraisanao ireo fitahian’nyfilazantsara? Inona no nataon’izy ireo nanomanana ny lalana ho anao?

Azonao atao ny manazava fa ny hoe mpamaky lay dia azo faritana amin’ny hoe olonairay izay mialoha lalana mba hanomana na hanokatra ny lalana harahin’ny hafa, izanyhoe isika rehetra dia afaka ny ho mpamaky lay amin’ny heviny hafa. Omeo fotoanaireo mpianatra hisaintsainany ny zavatra azony atao mba hanampiana ny hafa syhanomanany ny lalana ho azy ireo handray ireo fitahian’ny filazantsara. Manasàmpianatra vitsivitsy hizara ny hevitr’izy ireo. Mijoroa ho vavolombelona fa maniryantsika ny Tompo mba hiezaka mandritra ny fiainantsika hanampy amin’nyfanomanana ny lalana ho an’ny zanany tsirairay mba handray ny filazantsara syhiverina hiaina miaraka aminy indray.

Hazavao fa nankatò ny didin’ny Tompo ireo Olomasina tamin’ny fifanampian’izy ireosy ny fanomanana ny lalana ho an’ireo izay mbola ho avy aorian’izy ireo. Niainga avytao Winter Quarters tamin’ny 5 aprily 1847 ny andiany voalohany tamin’ireo mpamakylay. Nandeha nihoatra ny 1.600 km izy ireo ary tonga tao amin’ny tany lemak’i SaltLake tamin’ny faramparan’ny jolay 1847. Niditra tao amin’ilay tany lemaka i BrighamYoung tamin’ny 24 jolay 1847 ary nahazo fanamafisana fa nahita ny fonenany vaovaony Olomasina.

Asehoy ity fanambarana manaraka avy tamin’ny Loholona William R. Walker,mpikambana teo aloha tao amin’ny Fotopololahy, ity ary asao ny mpianatra iray mbahamaky mafy izany:

“Na taranak’ireo mpamaky lay ianareo na tsia dia lovanareo ny lovan’ny finoana sy nyfahafoizan-tenan’ny mpamaky lay Môrmôna. Izany no lova sarobidin’ Ny Fiangonan’iJesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany” (“Aoka Ianao Hiaina ao anatin’nyFifikirana amin’ny Finoana,” Ensign na Liahona, mey 2014, 97-98).

• Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe amin’ny mpikamban’ny Fiangonanatsirairay ny mahatakatra fa lovan’izy ireo ny “lovan’ny finoana sy ny fahafoizan-tenan’ny mpamaky lay Môrmôna,” na inona na inona razambeny?

• Amin’ny fomba ahoana no anentanan’ny fianarana momba ny dian’ireo mpamakylay Môrmôna an’ireo mpikamban’ny Fiangonana ankehitriny amin’ny ezaka izayataony hanompoana ny hafa sy hanampy azy amin’ny dia miverina mankanyamin’ny Ray any An-danitra?

LESONA 24: NY NANDAOZANA AN’I NAUVOO SY NY DIA NIANKANDREFANA

132

Asehoy ity fanambarana manaraka avy tamin’ny Filoha Gordon B. Hinckley(1910–2008) ity, ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

“Mpandray ny ezaka lehiben’ireo [mpamaky lay] isika ankehitriny. Manantena aho fafeno fankasitrahana isika. Manantena aho fa misy fahatsapana lalina hankasitraka nyzavatra rehetra izay nataony ho antsika ao anatin’ny fontsika. …

“Ry rahalahiko sy anabaviko malala, tena voatahy isika! Endrey izany lova tena tsaraizay ananantsika! Nitaky sorona, fangirifiriana, fahafatesana, fahitana, finoana ary

fahalalana sy fijoroana ho vavolombelona an’ Andriamanitra ilay Ray Mandrakizay sy ny Zanany, ilayJesoa Kristy Tompo nitsangan-ko velona izany. …

“Manome voninahitra an’ireo izay efa lasa teo aloha isika rehefa manompo tsara ao amin’ny asan’nyfahamarinana” (“True to the Faith,” Ensign, mey 1997, 66–67).

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay dia efanotahian’ny hafa izay nanomana ny lalana ho azy mba handray ireo fitahian’nyfilazantsara. Amporisiho ny mpianatra mba handinika ny zavatra izay azony atao mbahanomana ny hafa, anisan’izany ny taranany, mba hiaina ao amin’ny finoana sy nyfankatoavana an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Vakitenin’ny Mpianatra• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136.

• Gordon B. Hinckley, “True to the Faith,” Ensign, mey 1997, 65–67.

• “Finoana isaky ny mandingana,” fizarana 6 ao amin’ny Ny Lovantsika: Tantara fohymikasika ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (1996),85–98.

LESONA 24: NY NANDAOZANA AN’I NAUVOO SY NY DIA NIANKANDREFANA

133

25 Ny Ady tao Utah sy nyFandripahana tao MountainMeadowsNandritra ny taona 1850, dia ny nitarika ny ady tao Utah tamin’ny 1857–58 nyfifanenjanana sy ny tsy fifankahazoana tamin’ny Olomasin’ny Andro Farany sy ireomanampahefan’ny governemanta Amerikanina. Tamin’ny volana septambra 1857, diateraka ny fifandirana teo amin’ny Olomasin’ny Andro Farany tao amin’ny faritraatsimon’i Utah sy ireo mpifindra monina an-tsarety izay teo an-dalana ho anyCalifornie, ka nikasa sy nanatanteraka ny fandripahana an’ireo mpifindra moninatokony ho 120 ireo Olomasina izay nentanin’ny fahatezerana sy ny tahotra. Fantatraamin’ny hoe ny Fandripahana tao Mountain Meadows izany habibiana izany.

Vakiteny Enti-mandalina• Richard E. Turley Zanany., “The Mountain Meadows Massacre,” Ensign, sept. 2007,

17–21.

• “Peace and Violence among 19th-Century Latter-day Saints,” Gospel Topics,lds.org/topics.

• Henry B. Eyring, “150th Anniversary of Mountain Meadows Massacre,” 11 sept.2007, mormonnewsroom.org/article/150th-anniversary-of-mountain-meadows-massacre.

Sosokevitra Enti-mampianatraNy fifanenjanana nisy teo amin’ireo Olomasin’ny Andro Farany tany am-boalohany sy ny governemanta AmerikaninaOmeo tahadikan’ny taratasy zaraina any amin’ny faran’ny lesona ny mpianatratsirairay. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fizarana mitondra ny lohateny hoe“Nitarika tany amin’ny Ady tao Utah ny fitomboan’ny fifanenjanana” ao amin’nytaratasy zaraina.

• Raha toa ka Olomasin’ny Andro Farany tamin’ny 1857 ianao ka naheno fa nisytafika lehibe nanatona ny tanànanao, inona no mety ho ahiahinao? (Mety hilaza nympianatra fa efa noroahina niala tany Ohio sy Missouri ary Illinois ireo Olomasina;maro no very fananana sy tany sarobidy; ary ny sasany novonoina na matynandritra ireo fanenjehana ireo. Ny fahenoana hoe misy tafika manatona diahiteraka fahatahorana ho an’ny Olomasina sasany fa mety hiseho indray ny zavatratoy izany any Utah.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Miomanany hiaro ny faritra” ao amin’ny taratasy zaraina.

134

Nisy fifandirana teo amin’ny Olomasin’ny Andro Farany sasany sy ireompifindra monina an-tsarety.

Asehoy ny sarintany mitovy amin’ity aseho ity, na manaova iray toy izany eny amin’nysolaitrabe.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Nyfifandirana tamin’ny Andian-tsarety nitondra Mpifindra monina” ao amin’ny taratasyzaraina.

Asao ny mpianatra mba hieritreritra ny fotoana izay efa nampifanditra azy tamin’nyolona iray na andian’olona. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 12:25.Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady mitady ny fitsipika iray nampianarin’iJesoa Kristy izay afaka manampy antsika rehefa mifanditra amin’ny olon-kafa isika.

• Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe “mihavàna faingana amin’nyfahavalonao”?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra io fehezanteny io, dia azonao atao nymanasa mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny LoholonaDavid E. Sorensen avy tao amin’ny Fitopololahy ity:

“Hoy ny Tompo: ‘Mihavàna faingana amin’ny fahavalonao … ,’ toy izany no nandidianyantsika mba handamina ny tsy fifankahazoana raha vantany vao misy izany, fandraolasa mivadika ho habibiana ara-batana sy ara-tsaina ny firehetam-po amin’io fotoana ioka ho lavo eo ambanin’ny fahatezerantsika isika” (“Forgiveness Will Change Bitternessto Love,” Ensign na Liahona, mey 2003, 11).

• Ahoana no hamintinanao ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 12:25?(Rehefa mamaly ny mpianatra, dia manorata fitsipika iray mitovy amin’itymanaraka ity eny amin’ny solaitrabe: Rehefa mandamina amin’ny fomban’nyTompo ny fifandirana amin’ny hafa isika, dia afaka misoroka ny vokatramanimban’ny fifandirana.)

• Ahoana no tokony nampiharan’ireo izay nikasa hanimba ireo olona tao amin’ilayandian-tsarety an’ity fitsipika ity?

LESONA 25: NY ADY TAO UTAH SY NY FANDRIPAHANA TAO MOUNTAIN MEADOWS

135

Asaivo mamaky ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Fiharatsian’ny Fifandonana” aoamin’ny taratasy zaraina ny mpianatra iray.

• Inona no tokony nataon’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana tao Cedar Cityrehefa nanoro hevitra azy mba tsy hampiasa ny milisy i William Dame? Nitarikaazy ireo hanao inona avy eo ny fanipahana ny torohevitra? (Rehefa avy mamaly nympianatra, dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Rehefa tsymiraharaha ny torohevitra izay mampanao zavatra tsara isika, dia lasa homora amintsika kokoa ny manao safidy ratsy sy feno fahotana mihitsy aza.Azonao marihina ihany koa fa misy fahendrena lehibe ao amin’ny rafitry nyfilankevitra izay itantanana ny Fiangonana.)

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny fizarana mitondra nylohateny hoe “Fanafihana ireo mpifindra monina” ao amin’ny taratasy zaraina, ka asaony mpianatra hitady ny fomba nanohizan’ireo mpitarika tao Cedar City tamin’nyfanaovana safidy feno fahotana rehefa tsy niraharaha ny torohevitra azon’izy ireo.

• Inona no vokatry ny fanapahan-kevitr’ireo mpitarika tao Cedar City tsy nankatò nytorohevitr’i William Dame, mpifehy ny milisy?

• Tamin’io fotoana io, inona no safidy nananan’ireo tompon’andraikitry nyfanafihana? (Afaka nibaboka ny zavatra nataony izy ireo ka nandray ny vokany, naafaka niezaka nanafina ny helony sy ny fahotany.)

Asao ireo mpianatra hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto:

• Inona no ataonao rehefa manao zavatra ratsy ianao? Mibaboka ny zavatra ratsynataonao ve ianao ka mandray ny vokany, sa moa ve ianao miezaka manafina ilayfahotana amin’ny alalan’ny fitaka?

Nikasa sy nanatanteraka ny Fandripahana tao Mountain Meadows ireoOlomasin’ny Andro Farany sasanyHazavao fa ireo mpikamban’ny Fiangonana izay nandray anjara tamin’ny fanafihanaireo mpifindra monina dia nisafidy ny hanafina ny fahotany. Asao ny mpianatra mbahihaino ny zava-nitranga vokatr’io fanapahan-kevitra io rehefa mifandimby mamakymafy ireo fizarana mitondra ny lohateny hoe “Ny Fandripahana tao MountainMeadows” sy ny hoe “Vokatra Mahatsiravina” ao amin’ny taratasy zaraina izy ireo.

Hazavao fa ny safidy izay nataon’ny Olomasin’ny Andro Farany sasany sy ireomponina tao amin’ny faritra atsimon’i Utah no nitarika tamin’ilay Fandripahanamahatsiravina tao Mountain Meadows. Teo ankilan’izany, dia nandamina ny adyniaraka tamin’ny governemanta Amerikanina ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonanasy ny an’ny faritany tamin’ny alalan’ny lahateny sy fifampiraharahana ho amin’nyfilaminana tamin’ny taona 1858. Nandritra io ady io—izay nantsoina hoe Ady tao Utahtaty aoriana—dia tsy niditra tao amin’ny ady mihitsy ny miaramilan’i Etazonia sy ireomilisy tao Utah fa kosa nanao herisetra.

• Ahoana no hamintinanao ireo safidy izay nitarika tamin’ny Fandripahana taoMountain Meadows?

• Inona avy no fitsipika azontsika hianarana avy amin’io tantara io? (Mety hahitafitsipika isan-karazany ireo mpianatra, anisan’izany izao manaraka izao: Afakamitondra antsika hanao fahotana bebe kokoa ny misafidy hanafina nyfahotantsika. Mety hitondra fanenenana sy fangirifiriana ny misafidyhanafina ny fahotantsika.)

LESONA 25: NY ADY TAO UTAH SY NY FANDRIPAHANA TAO MOUNTAIN MEADOWS

136

Omeo toky ireo mpianatra fa raha efa nanomboka nandray ny lalan’ny fahadisoana syfahotana izy ireo, dia afaka misoroka ratram-po sy fanenenana amin’ny fitodihanaamin’ny Tompo sy amin’ny fibebahana amin’ny fahotany.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Nianatraavy tamin’ilay Fandripahana ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana” ao amin’nytaratasy zaraina.

Hazavao fa nentin’ny olona sasany nanaratsiana ny fomba fijeriny ny Fiangonana iraymanontolo io trangan-javatra io noho ny hamaroan’ny Olomasin’ny Andro Farany taoan-toerana izay tompon’andraikitra tamin’ny fikasana sy fanatanterahana nyFandripahana tao Mountain Meadows.

• Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra fa tsy mamaritra ny fahamarinan’nyfilazantsara ny asa ratsy izay ataon’ny mpikamban’ny Fiangonana sasany?

Asao ny mpianatra iray hamaky ny fanambarana izay nataon’ny Filoha Henry B. Eyringao amin’ny Fiadidiana Voalohany izay hita ao amin’ny fizarana mitondra ny lohatenyhoe “Faha-150 taonan’ny Fandripahana tao Mountain Meadows” ao amin’ny taratasyzaraina.

• Inona no tokony hataontsika raha mahafantatra toe-javatra iray nahalavo nympikamban’ny Fiangonana ka tsy niaina nifanaraka tamin’ny fampianaran’i JesoaKristy isika?

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Helamàna 5:12. Asaivo manaraka nyvakiteny ny mpianatra sady mitady ny zavatra azontsika hatao mba hampivoarana syhitazonana ny fijoroantsika ho vavolombelona ka rehefa ao anatin’ny fotoan-tsarotra,tahaka ny rehefa mahafantatra mpikamban’ny Fiangonana izay lavo ka tsy niainanifanaraka tamin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy, dia tsy ho voahozongozona nyfinoantsika.

• Araka ny Helamàna 5:12, inona no azontsika atao mba hampivoarana syhitazonana ny fijoroantsika ho vavolombelona? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra,dia azonao atao ny manoratra ity fitsipika manaraka ity eny amin’ny solaitrabe:Afaka hanana fijoroana ho vavolombelona matanjaka isika amin’nyfanorenana ny finoantsika eo ambony fanorenan’i Jesoa Kristy.)

Mba hamelabelarana io fitsipika io, dia asehoy ity manaraka ity ary asao ny mpianatrairay hamaky mafy izany:

“I James Sanders dia taranaky ny … iray tamin’ireo ankizy izay tsy maty tamin’ny fandripahana [sadympikamban’ny Fiangonana ihany koa izy]. Nilaza … ny Rahalahy Sanders … fa ny fahafantarany famaty tao amin’ilay fandripahana ny razambeny dia ‘tsy nampiova ny finoany satria mifototra amin’iJesoa Kristy izany, fa tsy amin’iza na amin’iza izay ao am-piangonana’” (Richard E. Turley Jr., “TheMountain Meadows Massacre,” Ensign, sept. 2007, 21).

• Ahoana ho ahafahan’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy mankahery antsika rehefamahafantatra ny toe-javatra iray izay nahalavo ny mpikamban’ny Fiangonana katsy niaina nifanaraka tamin’ny fampianaran’ny Mpamonjy isika?

• Inona no zavatra ataonao izay manampy anao hanorina ny finoanao ifototra amin’iJesoa Kristy?

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny maha-zava-dehibe ny fiainana nyfampianaran’ny Mpamonjy sy ny mametraka ny finoantsika eo ambony fanorenany sy

LESONA 25: NY ADY TAO UTAH SY NY FANDRIPAHANA TAO MOUNTAIN MEADOWS

137

ny fanorenan’ny filazantsarany. Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fomba metyhanorenany ny finoany eo ambony fanorenan’i Jesoa Kristy ka hametraka tanjonahanaovana izany.

Vakitenin’ny Mpianatra• “Peace and Violence among 19th-Century Latter-day Saints,” Gospel Topics,

lds.org/topics.

• Richard E. Turley Jr., “The Mountain Meadows Massacre,” Ensign, sept. 2007, 17–21.

Ny Ady tao Utah sy ny Fandripahana tao MountainMeadowsNitarika ny Ady tao Utah ny fitomboan’ny fifanenjananaTelo taona taorian’ny nahatongavan’ireo mpamaky lay Olomasin’ny Andro Farany voalohany taoamin’ny tany lemak’i Salt Lake, dia nandamina ny faritanin’ny Utah ny governemanta Amerikanina kananondro an’i Brigham Young ho governora voalohan’ny faritany. Teo amin’ny tapaky ny taona 1857,dia nahare tsaho ireo Olomasin’ny Andro Farany fa hosoloin’ny governemanta federaly amin’nygovernora vaovaon’ny Faritanin’i Utah izay tohanan’ny ankamaroan’ny tafika federaly i Brigham Young.Ny 24 jolay 1857, dia niaraka tamin’ny vondrona Olomasina ny Filoha Brigham Young nankalaza nyfaha-10 taonan’ny nahatongavany tao amin’ny tany lemak’i Salt Lake raha nahazo fanamafisanamomba ny vaovao izay reny teo aloha izay nilaza fa nisy tafika ho any Salt Lake City.

Tamin’ny taona mialohan’izany, dia nisy tsy fifanarahana sy tsy fifankahazoana nateraky nyfitomboan’ny fifanenjanana teo amin’ny Olomasin’ny Andro Farany sy ny manampahefan’nygovernemanta Amerikanina. Ny tarihin’ny mpitarika izay nofidiny no tian’ny Olomasina ka nolavin’izyireo ny olona notendren’ny fanjakana izay tsy nitovy fitsipika tamin’izy ireo, ny sasany izay tsy marin-toetra, mpanao kolikoly, ary ratsy fitondran-tena. Nieritreritra ny sasany tamin’ireo manampahefana famidika ho fikomiana hanohitra ny governemanta Amerikanina ny zavatra sy ny fihetsika izay nataon’ireoOlomasina.

Nandefa miaramila tokony ho 2.500 tany Salt Lake City ny filohan’ny Etazonia, i James Buchanan,nitondra ny governora vaovao tany Utah ary nampiasa ny hery mba hanajanonana izay noheveriny hofikomiana teo anivon’ny Olomasina. Natao tsy nisy fampahalalana marina mikasika ilay toe-draharahatao Utah io fanapahan-kevitra io (jereo ny Church History in the Fulness of Times Student Manual,fanontana faha-2 [Boky fampianarana an’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, 2003],368–71).

Miomana ny hiaro ny faritanyTamin’ny lahateny izay nataony tamin’ireo Olomasina dia nofaritan’ny Filoha Young sy ireo mpitarikatao amin’ny Fiangonana ho fahavalo ireo miaramila izay ho tonga. Natahotra izy ireo sao handroaka azyireo hiala an’i Utah ireo miaramila ireo, tahaka ny nandroahana azy ireo niala avy tany Ohio sy Missouriary Illinois teo aloha. Ny Filoha Young, izay nilaza tamin’ireo Olomasina nandritra ny taona maro mbahanangona ny voa, namerimberina ny toromariny mba hananan’izy ireo sakafo hohanina rehefa milamandositra ny miaramila izy ireo. Amin’ny maha-governoran’ny faritanin’i Utah azy dia nandidy nymilisin’ny faritany koa izy mba hiomana amin’ny fiarovana ny faritany.

Ny fifandirana tamin’ny Andian-tsarety nitondra Mpifindra moninaNisy andian-tsarety nitondra mpifindra monina niainga avy tany Arkansas ka ho any Californie niditratao Utah tamin’izay, tamin’ny fotoana izay efa niomanan’ny Olomasin’ny Andro Farany hiaro nyfaritaniny tamin’ireo miaramilan’ny Etazonia. Sorena ny olona sasany avy tamin’ilay andian-tsaretysatria nandalo fotoan-tsarotra izy ireo tamin’ny fividianana voa izay nilainy tamin’ny Olomasina, izay efanomena torolalana mba hanangona ny voany. Niady tamin’ny Olomasina ihany koa ireo mpifindra

LESONA 25: NY ADY TAO UTAH SY NY FANDRIPAHANA TAO MOUNTAIN MEADOWS

138

monina noho ny tsy fitiavan’ny Olomasina ny soavaly maro sy ny biby fiompy izay nihinana ny sakafo syny rano tokony ho an’ny biby fiompiny.

Nipoaka ny fifanenjanana tao Cedar City, tanàna farany tao Utah amin’ny lalana mankany Californie. Nyfifandonana dia nifanaovan’ny olona sasany tao amin’ilay andian-tsarety sy ny Olomasin’ny AndroFarany sasany. Nandrahona ny hiaraka amin’ny miaramilan’ny governemanta izay ho tonga hanohitra nyOlomasina ny sasany tamin’ireo mpifindra monina an-tsarety. Na dia niteny mafy an’ireo mpiara-diataminy izay nanao ireo fandrahonana ireo aza ny kapitenin’ilay andian-tsarety dia noraisin’ireompitarika sy ny mpiorim-ponenana tao Cedar City ho fahavalo izy ireo. Tokony ho adiny iray taorian’nynahatongavany fotsiny dia nandeha ilay andian-tsarety, saingy nitady ny hanenjika sy hanafay ireolehilahy izay nandrahona azy ny sasany tamin’ireo mponina sy ny mpitarika tao Cedar City.

Fiharatsian’ny FifandonanaNoho ny tsy nandaminan’ireo Olomasina ireo tamin’ny fomban’ny Tompo ny ady tamin’ireo mpifindramonina dia lasa nihamafy ny toe-draharaha. Nangataka lalana tamin’ny mpibaiko ny milisy, izay noninateo akaikin’ny tanànan’ny mpifindra monin’i Parowan i Isaac Haight, ben’ny tanànan’i Cedar City, lehibetamin’ny milisy, ary filohan’ny tsatòka, mba hiantso ny milisy hifandona amin’ireo mpihetraketraka avytamin’ilay andian-tsarety. Nanoro hevitra an’i Isaac Haight i William Dane, mpibaiko ny milisy,mpikamban’ny Fiangonana, mba tsy hiraharaha ny fandrahonan’ireo mpifindra monina. Tsy nanaikyan’io torohevitra io anefa i Isaac Haight sy ny mpitarika hafa tao Cedar City ka nanapa-kevitra nyhandresy lahatra ireo Indiana teo an-toerana mba hanafika an’ilay andian-tsarety sy handroba ny bibyfiompiny mba hanafaizana ireo mpifindra monina. Nangataka an’i John D. Lee, mpikamban’nyFiangonana tao an-toerana sy lehibe tao amin’ny milisy, i Isaac Haight mba hitarika ilay fanafihana, arynikasa ny nanome tsiny ny Indiana izy ireo tamin’io zavatra io.

Fanafihana ireo mpifindra moninaNatolotr’i Isaac Haight tamin’ny filankevitry ny mpitarika tao amin’ny Fiangonana sy ny fiaraha-moninaary ny milisy teo an-toerana ilay drafitra hanafihana ny andian-tsarety. Tsy nanaiky mafy an’ilay drafitrany sasany tamin’ny filankevitra ary nanontany an’i Haight raha toa ka efa niara-nidinika momba izanyzavatra izany tamin’ny Filoha Brigham Young izy. Rehefa niteny hoe tsia i Haight dia nanaiky handefairaka, i James Haslam, izy ho any Salt Lake City miaraka amin’ny taratasy nanazava ny toe-draharaha synanontany ny zavatra tokony hatao. Kanefa, tokony ho 400 km miala avy eo Cedar City i Salt Lake City,dia hitaky dia mafy an-tsoavaly mandritra ny herinandro ho an’ilay iraka ny mihazo an’i Salt Lake City kahiverina any Cedar City miaraka amin’ny toromariky ny Filoha Young.

Fotoana fohy talohan’ny nandefasan’i Haight ny taratasiny niaraka tamin’ilay iraka, dia notafihin’iJohn D. Lee sy ny andiana Indiana ny lasin’ireo mpifindra monina teo amin’ny toerana izay antsoina hoeMountain Meadows. I Lee no nitarika ny fanafihana, saingy nanafina ny tenany izy ka nahatonga izanyho toy ny hoe ireo Indiana ihany no nandray anjara. Maty na naratra ny sasany tamin’ireo mpifindramonina, ary ny sisa dia niady tamin’ireo mpanafika, nanery an’i Lee sy ny Indiana mba hihemotra.Nosintomin’ireo mpifindra monina haingana hanome faribolana kely ny saretiny mba ho fiarovana. Nisyfanafihana roa hafa taorian’io nandritra ny dimy andro nijanonan’ny andian-tsarety.

Nisy fotoana ireo milisin’i Cedar City nahatsikaritra mpifindra monina roa ivelan’ilay faribolan-tsarety.Notifirin’ireo milisy izy ireo ka maty ny iray. Nitsoaka ny anankiray ka nampahafantatra ilay vaovaotamin’ny lasiny fa tompon’andraikitra tamin’ny fanafihana azy ireo ny fotsy. Tratra tamin’ny laingany aryizao ireo izay nanomana ny fanafihana. Raha navela nandeha tany Californie ireo mpifindra monina diahiparitaka ny vaovao fa tompon’andraikitra tamin’ny fanafihana ny andian-tsarety ny Olomasin’nyAndro Farany. Natahotra ireo mpiray tetika fa hitondra vokatra ratsy eo aminy sy eo amin’ny vahoakanyio vaovao io.

Fandripahana tao Mountain MeadowsTao anatin’ny tetika hisorohana ny fiparitahan’ny vaovao fa tompon’andraikitra tamin’ny fanafihana nyandian-tsarety ny Olomasin’ny Andro Farany dia nanao drafitra ny hamono ny mpifindra monina sisarehetra afa-tsy ny zaza madinika i Isaac Haight sy i John D. Lee ary ireo mpitarika tao amin’ny

LESONA 25: NY ADY TAO UTAH SY NY FANDRIPAHANA TAO MOUNTAIN MEADOWS

139

Fiangonana sy ny milisy tao an-toerana. Ho fampiharana ilay drafitra dia nanatona ny mpifindra moninai John D. Lee ary nilaza fa hiaro azy ireo amin’ny fanafihana hafa ny milisy ka nitondra azy ireo niverinasoa aman-tsara tany Cedar City. Teo am-pandehanana ho any Cedar City dia nivadika ny milisy kanitifitra ireo mpifindra monina. Nisy Indiana sasany izay nalain’ireo mpiorim-ponenana tao an-toerananipoitra avy tamin’ny fiafenany no nanatevin-daharana ny fanafihana. Tamin’ireo mpifindra moninatokony ho 140 izay tao amin’ilay andian-tsarety, zaza madinika 17 no voatsimbina.

Roa andro taorian’ilay fandripahana dia tonga tao Cedar City dia tonga i James Haslam niarakatamin’ny hafatra valinteny avy tamin’ny Filoha Young, izay nilaza tamin’ireo mpitarika tao an-toeranamba hamela ny andian-tsarety handeha am-pilaminana. “Rehefa namaky ny tenin’i Young i Haight, dianigogogogo nitomany toy ny zazakely ka tsy afaka niteny afa-tsy ny hoe: ‘Tara loatra, tara loatra’”(Richard E. Turley Jr., “The Mountain Meadows Massacre,” Ensign, sept. 2007, 20).

Ireo Vokany MahatsiravinaTsy ireo izay maty tokony ho 120 ihany no vokatry ny Fandripahana tao Mountain Meadows fa niterakafijaliana lehibe ho an’ireo zaza tsy maty sy ny havan’ireo maty koa izany. Nisy Olomasin’ny Andro Faranysasany nandray sy nikarakara ireo zaza mpifindra monina tsy maty tamin’ilay fandripahana. Tamin’ny1859, dia nalain’ny manampahefana federaly ireo zaza ireo ka naveriny tany amin’ny havany tanyArkansas. Nijaly ihany koa ireo Indiana Paiute noho ny fiampangana tsy ara-drariny azy ireo tamin’ilayheloka.

Nianatra avy tamin’ilay Fandripahana ireo mpitarika tao amin’nyFiangonana“Na dia fantatr’i BrighamYoung sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana tao Salt Lake City azailay fandripahana fotoana fohy taorian’ny nisehoany, dia tonga tsikelikely nandritra ny fotoana nyfahatakarany ny halehiben’ny fandraisana anjaran’ireo mponina sy ny antsipiriany mahatsiravina an’ilayvono olona. Tamin’ny taona 1859 dia nesoriny tamin’ny antsony i Isaac Haight tamin’ny naha-filohan’nytsatòka azy sy ireo mpitarika ambony tao amin’ny Fiangonana tao Cedar City izay nanana anjara asatamin’ilay fandripahana. Nalàna tsy ho mpikamban’ny Fiangonana i Isaac Haight sy i John D. Leetamin’ny 1870.

“Nisy mpitsara lehiben’ny faritany niampanga lehilahy sivy noho ny fandraisany anjara tamin’ilayfandripahana tamin’ny 1874. Nosamborina tamin’ny farany ny ankamaroan’izy ireo, fa i Lee kosa dianotsaraina sy nomelohina ka novonoina noho ilay heloka. Nisy lehilahy iray hafa izay voampanganifampiraharaha tamin’ny fanjakana [nitonon-tena nijoro ho vavolombelona sy nitondra porofohiampangana ireo voampanga hafa], ary ny hafa kosa nandany taona maro nitsoaka ny lalàna. Niainatao anatin’ny fahamelohana mahatsiravina sy fanofisan-dratsy ny zavatra nataony sy hitany nandritra nyfiainany ireo milisy maro hafa izay nandray anjara tamin’ilay fandripahana” (Richard E. Turley Jr., “TheMountain Meadows Massacre,” Ensign, sept. 2007, 20).

Faha-150 taonan’ny Fandripahana tao Mountain MeadowsNilaza ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

“Ny maha-tompon’andraikitra tamin’ny [Fandripahana tao Mountain Meadows] dia an’ny mpitarika taoamin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tao an-toerana tao amin’nyfaritra akaikin’ny Mountain Meadows izay nihazona toerana teo amin’ny fiaraha-monina sy ny tafikaihany koa niaraka tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana izay nanao zavatra teo ambanin’nyfitarihany. …

“… Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay ankamamintsika, dia mankahala ny famonoana olona an-kitsirano na lahy na vavy na ankizy. Eny tokoa, mitory fiadanana sy famelana izany. Mampiseho zavatramahatsiravina sy tsy azo leferina izay mifanohitra amin’ny fampianarana sy ny fitondrantena Kristianinany zavatra izay nataon’ireo mpikamban’ny Fiangonana [tao Mountain Meadows] fotoana ela lasa izay.… Azo inoana fa hametra ny sazy ara-drariny eo amin’ireo izay tompon’andraikitra tamin’ilayfandripahana ny Fitsaran’ Andriamanitra. …

LESONA 25: NY ADY TAO UTAH SY NY FANDRIPAHANA TAO MOUNTAIN MEADOWS

140

“… Ny Andriamanitry ny Lanitra anie, izay manana zanakalahy sy zanakavavy antsika rehetra, hitahyantsika mba hanome voninahitra ireo izay maty teto, amin’ny fifanomezantsika fitiavana madio sy nyfanahin’ny famelana izay ny Zanany Lahitokana no ohatra velona” (“150th Anniversary of MountainMeadows Massacre,” sept. 11, 2007, mormonnewsroom.org/article/150th-anniversary-of-mountain-meadows-massacre).

LESONA 25: NY ADY TAO UTAH SY NY FANDRIPAHANA TAO MOUNTAIN MEADOWS

141

26 Ny Fanambarana mikasika nyFisoronanaNandritra ny taonjato faha 20 dia nivavaka ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana,rehefa niparitaka eran’izao tontolo izao ny asa fitoriana, mba hahazo fitarihana mombany famerana ny fanendrena amin’ny fisoronana sy ny ôrdônansin’ny Tempoly ho an’nympikamban’ny Fiangonana taranaka Afrikanina. Nisy fanambarana mazava tsaratonga tamin’ny Filoha Spencer W. Kimball sy ireo mpanolotsainy tao amin’nyFiadidiana Voalohany ary ireo mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny ApôstôlyRoambinifolo tao amin’ny Tempolin’ny Salt Lake tamin’ny 1 jona 1978. Rehefamandray anjara amin’ity lesona ity ireo mpianatra dia hahatakatra bebe kokoa nyfomba hiatrehana am-pahatokiana ireo fanontanian’ny filazantsara ary hianatra ihanykoa ireo toe-javatra sy ireo fahamarinana mikasika io fanambarana mazava io.

Vakiteny Enti-mandalina• Gordon B. Hinckley, “Priesthood Restoration,” Ensign, ôkt. 1988, 69–72.

• “Race and the Priesthood,” Gospel Topics, lds.org/topics.

• Ahmad Corbitt, “A Personal Essay on Race and the Priesthood,” fizarana 1–4,Perspectives on Church History series, history.lds.org/section/perspectives-on-church-history.

Sosokevitra Enti-mampianatraFampidirana ny Fanambarana Ôfisialy 2Miatrika amim-pahatokiana ireo fanontanian’ny filazantsaraAtolory ny mpianatra ity tantara manaraka ity:

Natonin’ny mpikamban’ny Fiangonana iray hafa izay nanana fanontaniana momba nyfotopampianaran’ny Fiangonana i Scott indray andro rehefa avy nianatra. Nahatsapa iScott fa afaka nitondra fanampiana ho an’ilay namany, saingy nanontany tena izytaorian’izany ny amin’ny zavatra izay mety hataony amin’ny fomba hafa raha misympikamban’ny Fiangonana hafa manatona azy ka manana fanontaniana mitovyamin’izany indray.

Anontanio ny mpianatra ny amin’ny zavatra izay efa nataony hanampiana ireompikamban’ny Fiangonana izay manatona azy ireo manana fanontaniana avy amin’nyfo momba ny Fiangonana sy ny fotopampianarany.

Asehoy ka vakio ity fanambarana manaraka avy amin’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf aoamin’ny Fiadidiana Voalohany ity:

“Ny fanontaniana no loharano ipoiran’ny fijoroana ho vavolombelona. Mety hahatsapatena ho menatra na tsy mendrika ny sasany noho ny fananana fanontaniana mandalinamomba ny filazantsara, kanefa tsy tokony hahatsapa toy izany izy ireo. Tsy midikafahalemena ny fametrahana fanontaniana fa izany no fanombohan’ny fitomboana.

“Mandidy antsika hikatsaka ny valin’ireo fanontaniantsika Andriamanitra arymangataka ny hikatsahantsika ‘amin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’iKristy’ fotsiny [Môrônia 10:4]. Raha manao izany isika dia afaka aseho antsika ‘amin’ny herin’nyFanahy Masina’ ny fahamarinan’ny zava-drehetra [Môrônia 10:5].

142

“Aza matahotra; mametraha fanontaniana. Aoka ho lialian-javatra, kanefa aza misalasala! Mifikirafoana mafy amin’ny finoana sy amin’ny fahazavana izay efa azonao” (“The Reflection in the Water”[takariva amorom-patana ho an’ny tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony an’nyDepartemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 1 nôv. 2009], 7, ldschurchnewsarchive.com).

• Inona no zavatra nampianarin’ny Filoha Uchtdorf izay mety hanampy ny olona iraymanana fanontaniana momba ireo olana ara-potopampianarana na ara-tantara naara-tsôsialy mikasika ny Fiangonana? (Ampio ireo mpianatra mba hahatakatra ityfitsipika manaraka ity: Raha toa ka mampihatra ny finoana an’i Jesoa Kristyisika dia hitondra valiny avy amin’ny Ray any An-danitra amin’ny faranyireo fanontaniana avy amin’ny fo.)

Hazavao fa iray amin’ireo olana ara-tantara izay nananan’ny mpikamban’nyFiangonana sasany fanontaniana dia vokatry ny lalàna mifehy an’ny Fiangonana izaynisy nanomboka tamin’ny tapaky ny taona 1800 ka hatramin’ny 1978 izay mametra nylehilahy mainty hoditra taranaka Afrikanina tsy ho tendrena amin’ny fisoronana.Nandrara ny vehivavy sy lehilahy mainty hoditra amin’ny fandraisana anjara amin’nyfanafiana masina na amin’ny fombafomba famehezana ihany koa izany. Asao nympianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity izay ampahany amin’nyfampidirana ny Fanambarana Ôfisialy 2 (izay hita ao amin’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana). Asao ny mpianatra mba hieritreritra momba ny fomba metyhanampian’ity fampahalalana ity an’ireo izay manana ahiahy mikasika io olana ara-tantara io.

“Mampianatra ny Bokin’i Môrmôna fa ‘amin’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra,’ na ‘mainty nafotsy, na andevo na olon’afaka, na lahy na vavy’ (2 Nefia 26:33). Nandritra ny tantaran’ny Fiangonanadia olona avy amin’ny firazanana sy foko maro any amin’ny firenena maro no efa vita batisa sy niainaamin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana mahatoky azy. Tamin’ny androm-piainan’i Joseph Smith diampikamban’ny Fiangonana mainty hoditra vitsivitsy no notendrena ho amin’ny fisoronana. Tany am-piandohan’ny tantarany dia najanon’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana ny fanomezana nyfisoronana tamin’ny lehilahy mainty hoditra taranaka Afrikanina. Tsy manome fahalalana mazavamomba ny niandohan’io fomba fanao io ny firaketan’ny Fiangonana” (fampidirana ny FanambaranaÔfisialy 2).

• Inona no fahamarinana manan-danja izay hita ao amin’io fanambarana io hoan’ireo izay manana olana mikasika io teo-javatra io?

Mariho ny andalana izay milaza hoe: “Tsy manome fahalalana mazava momba nyniandohan’io fomba fanao io ny firaketan’ny Fiangonana.” Raha milaza ny hevinymomba ny antony tsy nanendrena ny lehilahy mainty hoditra taranaka Afrikanina hoamin’ny fisoronana ny olona sasany dia mety tsy ho marina izany antony izany. Asaony mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’ny LoholonaDallin H. Oaks ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Raha mamaky ny soratra masina miaraka amin’ity fanontaniana ity ao an-tsaina ianao,‘Nahoana ny Tompo no nandidy ity na nahoana ny Tompo no nandidy izany,’ dia hohitanao fa latsaky ny iray amin’ireo didy zato no misy antony nomena. Tsy fomban’nyTompo ny manome antony. Afaka manisy ny anton’ny fanambarana isika [olombelonamety maty]. Afaka manisy ny anton’ireo didy isika. Rehefa manao isika dia mandeha

irery isika. Misy olona sasany manisy ny anton’io zavatra resahintsika eto io [ny volonkoditra sy nyfisoronana], ary dia tena diso izy ireo. …

LESONA 26: NY FANAMBARANA MIKASIKA NY FISORONANA

143

“… Ndao tsy hanao ireo fahadisoana izay efa natao tamin’ny lasa, teto sy tany amin’ny faritra hafa,izay niezaka nanisy ny anton’ny fanambarana. Amin’ny ankapobeny dia noforonin’olombelona nyantony” (Life’s Lessons Learned [2011], 68–69).

• Nahoana no fahendrena ny tsy mamorona ny antony nahatonga ny olona taranakaAfrikanina tsy nomena ny fisoronana na tsy nomena fahafahana hahazo ireoôrdônansin’ny tempoly talohan’ny 1978? (Miteny amin’ny fijery voafetra ny olona,ary Andriamanitra mbola tsy nilaza tamintsika ny antony.)

Hamafiso fa ankehitriny dia miala amin’ny fomba fijery izay naroso teo aloha mombaan’ity resaka ity ny Fiangonana: ny hoditra mainty dia famantarana ny tsyfankasitrahana na ozona avy amin’ Andriamanitra, fahotana ny fanambadian’ny samyhafa firazanana; na olona mainty hoditra na olona avy amin’ny firazanana na foko hafadia ambaniny raha mitaha amin’ny olona iray hafa na amin’inona na amin’inona.Manameloka mazava tsara ny fanavakavahana rehetra, na taloha na ankehitriny, naamin’ny endriny manao ahoana na amin’ny endriny manao ahoana ny mpitarika aoamin’ny Fiangonana ankehitriny. (Jereo ny “Race and the Priesthood,” Gospel Topics,lds.org/topics.)

• Ahoana no ahafahan’ny finoana an’i Jesoa Kristy manampy ny olona hamaly nyfanontaniany na ny olany momba ny famerana ny fisoronana izay nisy talohan’ny1978?

Fanambarana Ôfisialy 2Omena ny mpikamban’ny Fiangonana mendrika rehetra ny fitahian’ny fisoronana syny tempolyHazavao fa talohan’ny 1978 dia olona an’arivony maro taranaka Afrikanina avyamin’ny firenena samihafa no nanomboka nahafantatra ny fahamarinan’nyfilazantsara naverina tamin’ny laoniny. Naharay taratasy betsaka avy tamin’ny olonaniova fo tsy vita batisa tany Nigeria sy Ghana ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonanatao Salt Lake City izay nangataka ny nandefasana ireo misiônera any Afrika. Nandritrany taona maro dia nandinika amim-bavaka ilay raharaha ireo mpitarika tao amin’nyFiangonana saingy nahatsapa izy ireo fa mbola tsy tonga ny fotoana nandefasana nymisiônera tany Afrika. Tany Brésil dia nisy mpikamban’ny Fiangonana mainty hoditrananampy tamin’ny fanorenana ny Tempolin’i São Paulo, izay nambara tamin’ny 1975,na dia fantatr’izy ireo aza fa tsy ho afaka ny hiditra ny tempoly izy ireo.

Ampahafantaro ny mpianatra fa ahitana ny filazana ôfisialin’ny fanambaranavoarain’ny Filoha Spencer W. Kimball sy ny mpanolotsainy ary ny mpikambana folotao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny Fanambarana Ôfisialy 2. Tamin’ny1 jona 1978 no nahazoana ny fanambarana. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy nyandinin-tsoratra voalohany eo ambanin’ny “Ry Rahalahy Malala.” Asao ny mpianatrahanaraka sady hitady ny zavatra nolazain’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana fahitan’izy ireo maso.

• Inona no natrehin’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana maso manerana ny tany?

• Inona no nanentana an’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana rehefa nanatri-maso ny fihitaran’ny asan’ny Tompo?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny andinin-tsoratra manaraka, izay manombokaamin’ny hoe “Noho ny fahalalana.” Asao ireo mpianatra hitady ny fomba

LESONA 26: NY FANAMBARANA MIKASIKA NY FISORONANA

144

nandraisan’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana andraikitra tamin’ny fanentanan’nyfaniriany? Anontanio hoe:

• Ahoana no nandraisan’ny Filoha Spencer W. Kimball sy ireo mpitarika hafa taoamin’ny Fiangonana andraikitra tamin’ny fanentanan’ny faniriany?

• Araka ny andalana telo voalohany amin’ity andinin-tsoratra ity, inona no zavatrafantatr’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana mikasika ny famerana nyfisoronana? (Nahafantatra izy ireo fa amin’ny fotoana iray, ireo rahalahy mendrikarehetra dia hahazo ny fahafahana mandray ny fisoronana.)

Hazavao fa taona maro talohan’ny 1978, rehefa nahafantatra fa tsy maintsy nisy nyfanambarana vao misy ny fanovana, dia efa niady hevitra momba ny famerana nyfisoronana ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary efanivavaka momba izany. Asehoy ity fanambarana nataon’ny Filoha Spencer W. Kimball(1895–1985) manaraka ity, ary miangavia mpianatra iray hamaky mafy izany:

“Nandeha irery aho isan’andro isan’andro, tamin’ny fomba manetriketrika sy tamin-kafanam-po lehibe tao amin’ny efitrano ambony rihan’ny tempoly, ary tao aho nonanolotra ny fanahiko sy nanolotra ny ezako hampandroso ilay fandaharanasa. Tehanao ny zavatra tiany aho. Noresahiko taminy izany ka hoy aho hoe: ‘Tompo ô, izaymety ihany no tadiaviko. Tsy mieritreritra ny hanao zavatra lehibe izahay. Izay zavatra

tianao ihany no tadiavinay, ka tianay izany amin’ny fotoana itiavanao azy ary tsy aloha’”(Enseignements des Présidents de l’Église: Spencer W. Kimball [2006], 262).

• Inona no ampianarin’ny tenin’ny Filoha Kimball antsika momba ny fombafikatsahan’ny mpaminany fanambarana? (Rehefa mamaly ny mpianatra, diaazonao atao ny manoratra ity fahamarinana manaraka ity eny amin’ny solaitrabe:Mikatsaka ny fikasan’ Andriamanitra ny mpaminany amin’ny fitarihana nyFiangonana.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny andinin-tsoratra roa manaraka ao amin’nyFanambarana Ôfisialy 2, izay manomboka amin’ny hoe “Efa nihaino ny fivavakay Izy.”Asao ny mpianatra hitady ny valintenin’ny Tompo tamin’ny vavaka nataon’ny FilohaKimball sy ny mpanolotsainy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ary ny mpikambanatao amin’ny Apôstôly Roambinifolo.

• Inona no valintenin’ny Tompo tamin’ny vavaka nataon’ny mpaminaniny?(Hamafiso ny hafatry ny Tompo izay voaray ao amin’ity fanambarana ity: Natao hoan’ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra ireo fitahian’ny filazantsaran’iJesoa Kristy.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba nahazoana ny fanambaranavoarakitra ao amin’ny Fanambarana Ôfisialy 2, dia zarao ity fanambarana manarakanataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) ity, izay teo tamin’ny nandraisanaity fanambarana ity tao amin’ny tempoly:

“Nisy tontolo masina sy nohamasinina tao amin’ilay efitrano. Ho ahy dia nahatsapa hotoy ny nisy lalantsara nisokatra nanelanelana ny seza fiandrianana tany an-danitra sy nympaminanin’ Andriamanitra izay niaraka tamin’ireo rahalahiny nandohalika sy nitalaho.Teo ny Fanahin’ Andriamanitra. Ary tamin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina diatonga tamin’izany mpaminany izany ny fanomezan-toky fa ny zavatra izay nivavahany

dia marina, ary efa tonga ny fotoana, ka ankehitriny dia tokony homena ny lehilahy mendrika ireofitahiana mahatalanjon’ny fisoronana na aiza na aiza, na inona na inona rohim-pihavanany. …

LESONA 26: NY FANAMBARANA MIKASIKA NY FISORONANA

145

“Nahafantatra izahay rehetra fa efa tonga ny fotoana izay hisian’ny fiovana ary ilay fanapahan-kevitradia avy any an-danitra. Nazava ny valinteny. Nisy firaisankina feno teo anivonay tamin’ny zavatraniainanay sy tao amin’ny fahatakaranay” (“Priesthood Restoration,” Ensign, ôkt. 1988, 70).

Hazavao fa fotoana fohy taorian’ny nandraisana ilay fanambarana hanajanonana nyfamerana ny fisoronana dia nisy misiônera nalefa tany Afrika. Nanomboka nisytempoly naorina tamin’izany kaontinanta izany, tsatòka mihoatra ny zato nonatsangana, ary olona an’arivony maro no nandray ireo ôrdônansin’ny filazantsara hoan’ny tenany sy ho an’ireo razambeny efa maty. (Jereo ohatra ny, “Mormons in Africa:A Bright Land of Hope,” mormonnewsroom.org; “Emerging with Faith in Africa,”fizarana 1–3, lds.org/prophets-and-apostles/unto-all-the-world.)

Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’nyKôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary mangataha mpianatra iray hamaky izany:

“Any amin’ny kaontinanta sy ny nosin-dranomasina rehetra, dia angonina ao amin’ NyFiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny mpino rehetra. Tsy misylanjany ny tsy fitoviana ara-kolontsaina, fiteny, ny maha-lahy sy maha-vavy, ary nyendrikendrika ara-tarehy rehefa mahafoy tena amin’ny fanompoana ny Tompo malalanyizy ireo. Tanteraka ny fanambaran’i Paoly manao hoe: ‘Fa na iza na iza hianareo no

natao batisa ho an’i Kristy dia nitafy an’i Kristy.

“‘Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany hianareorehetra ao amin’i Kristy Jesosy’ [Galatiana 3:27–28].

“Ny fahatakarana ny maha Ray marina an’ Andriamanitra ihany no afaka mitondra fankasitrahanafeno ny maha mpirahalahy marina ny olombelona. Izany fahatakarana izany dia manentana nyfaniriana hanorina tetezan’ny fiaraha-miasa fa tsy rindrin’ny fanavakavahana” (“Teach Us Toleranceand Love,” Ensign, mey 1994, 70).

• Ahoana no anomanan’ny filazantsara antsika hiray hina amin’ny olona tsy mitovyfiaviana amintsika?

• Inona no ohatra efa hitanao ny amin’ny mpikamban’ny Fiangonana avy amin’nyfiaviana samihafa niara-nitombo tamin’ny firaisan-kina sy fiaraha-miasa?

Ho famaranana dia asao ny mpianatra handinika ny fomba mety havaliny rahaanontaniana hoe nahoana ny Fiangonana no tsy nanendry ireo lehilahy taranakaAfrikanina ho amin’ny fisoronana nandritra ny fotoana voafetra? Hamafiso fa tsara nymanazava amin’ny hafa fa tsy fantatsika hoe nahoana no nisy ny famerana nyfisoronana ary tokony hozaraintsika sy hijoroantsika ho vavolombelona nyfahamarinana izay fantatsika.

Vakitenin’ny Mpianatra• 2 Nefia 26:33; Fanambarana Ôfisialy 2.

• “Race and the Priesthood,” Gospel Topics, lds.org/topics.

• Ahmad Corbitt, “A Personal Essay on Race and the Priesthood,” fizarana 1–4,Perspectives on Church History series, history.lds.org/section/perspectives-on-church-history.

LESONA 26: NY FANAMBARANA MIKASIKA NY FISORONANA

146

27Fanomanana an’Izao TontoloIzao ho amin’ny Fiavian’i JesoaKristy FanindroanyHiverina eto an-tany amin-kery sy amim-boninahitra lehibe ny Mpamonjy indrayandro any. Ho fiomanana amin’izany andro lehibe izany, dia ampianarina nyOlomasina mba handalina ireo famantarana ny fiaviany sy hiomana ho amin’izanyamin’ny fitsanganana eo amin’ny toerana masina sy mandray “ny Fanahy Masina hompitari-dàlana” (F&F 45:57). Nanambara ny Tompo fa manana andraikitra amin’nyfanomanana an’izao tontolo izao amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany nyFiangonana sy ny mpikambana ao aminy.

Vakiteny Enti-mandalina• Neil L. Andersen, “Fanomanana an’Izao Tontolo Izao ho amin’ny Fiaviana

Fanindroany,” Ensign na Liahona, mey 2011, 49–52.

• Dallin H. Oaks, “Preparation for the Second Coming,” Ensign na Liahona, mey2004, 7–10.

• “Se préparer à la seconde venue du Christ,” toko 44 ao amin’ny Enseignements desPrésidents de l’Église: Joseph F. Smith (1998), 391–400.

Sosokevitra Enti-mampianatraFotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:15–46, 56–57Ireo famantarana izay hialoha ny Fiaviana FanindroanyApetraho amin’ny mpianatra ity fanontaniana manaraka ity:

• Ahoana no ahafahanao milaza fa mitady ho avy ny orana?

Hazavao fa tahaka ny fisian’ireo famantarana izay manampy antsika hamantatra nyfotoana hiavian’ny orana dia misy ihany koa ireo famantarana izay hanampy antsikahahafantatra ny fotoana hitrangan’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Lazao nympianatra fa araka ny vosoratra ao amin’ny Matio 24, dia nihaona taomin’ireompianany teo amin’ny Tendrombohitra Oliva ny Mpamonjy taloha kelin’nynahafatesany ary nilazalaza ny famantarana ny Fiaviany Fanindroany. Naveriny tamin’iJoseph ny sasany tamin’ireo fampianarana ireo amin’izao androntsika izao, araka nyvoasoratra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45. Hamafisoamin’ny mpianatra fa lohahevitra manan-danja ao amin’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana ny fiomanana amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Asaony mpianatra haka fotoana hanamarihana ireo fampianarana mikasika ny FiavianaFanindroany rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana kahisaintsaina ny fomba ahafahany miomana amin’izany.

Asao ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:15–17,sady hitady ny zavatra izay nanontanian’ireo mpianatry ny Mpamonjy Azy sy ny fombanamaliany izany.

• Inona no nanontanian’ireo mpianatra an’i Jesoa?

• Inona no valinteniny?

147

Mba hanampiana ny mpianatra hamantatra ireo famantarana izay hialoha ny FiavianaFanindroany dia soraty eny amin’ny solaitrabeireto andinin-tsoratra masina ireto:

F&F 45:25–27

F&F 45:28–31, 33

F&F 45:40–43

Zarao ho tsiroaroa ny mpianatra ka omeo ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina eoamin’ny solaitrabe isanisany avy ny mpiara-miasa tsiroaroa. Asao izy ireo hiara-hamaky ireo andininy ireo ka hitady ireo famantarana voalaza ao anatin’izany. Marihofa efa tanteraka na eo an-dalam-pahatanterahana ny sasany amin’ireo famantarana.Azonao atao ny mizara ity fampahafantarana manaraka ity izay mifandray amin’nyandininy 30: “Ny vanim-potoana izay naha-laharam-pahamehana ny Jentilisatamin’ny fandraisana ny filazantsara dia antsoina hoe andron’ny Jentilisa. Aoamin’izany ireo izay tsy Jiosy … dia manana fahafahana hanaiky ny filazantsara kahahazo ny famonjena alohan’ny hanomezana izany zo izany, amin’ny ambaratongaambony, farafahakeliny, amin’ny Jiosy” (Bruce R. McConkie, Mormon Doctrine,fanontana faha-2 [1966], 721–22).

Rehefa avy nanome fotoana ampy dia asao ny mpiara-miasa tsiroaroa hilaza ny zavatrahitany amin’ny mpianatra rehetra. Azonao toroina hevitra ny mpianatra mbahanasongadina ireo famantarana ao amin’ny soratra masin’izy ireo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana45:34 raha manaraka kosa ny mpianatra. Anontanio avy eo hoe:

• Matahotra ve ianao rehefa mamaky na maheno ireo tranga na famantarana izayhialoha ny Fiaviana Fanindroany? Nahoana, na nahoana no tsia?

• Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fianarana mikasika ireo famantarana nyFiavian’ny Mpamonjy Fanindroany manampy antsika handresy ny tahotra sy nyfanahiana amin’ny fiainantsika?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana45:35–38 handalinana ny antony nanambaran’ny Tompo ireo famantarana izay hialohany Fiaviany Fanindroany.

• Inona no maha-zava-dehibe ny mahafantatra ny fotoana maha-tanteraka ireofamantarana ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany?

Asao ny mpianatra hitady ny fomba fiomanana amin’ny Fiavian’i Kristy Fanindroanyrehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:32, 39, 56–57 izy ireo.Manaova fifanakalozan-kevitra mikasika izao manaraka izao avy eo:

• Inona no ianaranao avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny fomba hiomananaamin’ny Fiaviana Fanindroany? (Rehefa mizara ny heviny ny mpianatra diahamafiso ity fitsipika manaraka ity: Zava-dehibe ny mitsangana eo amin’nytoerana masina sy mandray ny Fanahy Masina ho mpitari-dàlana rehefamiomana amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany isika.)

• Inona no tsy maintsy ataontsika mba hananana ny Fanahy Masina ho mpitari-dàlana antsika?

• Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrareo no ahafahan’ny mpanara-dia an’iJesoa Kristy “hitsangana eo amin’ny toerana masina”? (Ny toerana masina dia

LESONA 27: FANOMANANA AN’IZAO TONTOLO IZAO HO AMIN’NY FIAVIAN’I JESOA KRISTY FANINDROANY

148

milaza ny tempoly sy ny trano fiangonana ary ny tokantrano. Afaka ho masina nytokantrano amin’ny alalan’ny vavaka ataon’ny tena manokana sy miaraka amin’nyfianakaviana tsy tapaka, ny fandalinana ny soratra masina, ny fanompoana ary nytakarivan’ny mpianakavy. Ny fitsanganana eo amin’ny toerana masina ihany koadia misy idirany amin’ny fomba fiainantsika. Raha miaina mba ho mendrika nyfananana lalandava ny Fanahy Masina ho namana isika dia mitsangana eo amin’nytoerana masina isika izay. Toroy hevitra ny mpianatra mba hanoratra ny sasanyamin’ireo hevitra ireo amin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masiny eo akaikin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:32.)

• Ahoana no efa nitsangananao tamin’ny toerana masina na dia miaina ao anatin’nytontolo ratsy aza?

• Inona no sasany amin’ireo antony izay tsy andrinao amin’ny Fiavian’ny MpamonjyFanindroany? Nahoana ianao no feno fankasitrahana fa hiverina indray nyMpamonjy?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:7–9; 34:5–7; 39:19–23Fanomanana an’Izao Tontolo Izao ho amin’ny Fiaviana FanindroanyAmpahatsiahivo ny mpianatra fa ny lohatenin’ity fandaharam-pianarana ity dia: IreoFototry ny Famerenana amin’ny Laoniny. Anontanio ny mpianatra hoe:

• Inona no fifandraisana hitanao amin’ny Famerenana amin’ny Laoniny nyfilazantsara sy ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany?

Soraty eny amin’ny solaitrabeireto andinin-tsoratra masina ireto. Asaivo mandalinaizany ny mpianatra ka hitady ny lohahevitra izay ifandraisany:

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:7–9

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 34:5–7

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:19–23

Rehefa avy nanome fotoana ampy dia asao ny mpianatra hitodika amin’ny olonamipetraka eo akaikiny ka hifanakalo hevitra momba ny zavatra izay ifandraisan’ireoandinin-tsoratra masina ireo. Anontanio ny mpianatra vitsitsivitsy ny fombahamintinany ny hafatra ao amin’ireo soratra masina ireo. (Rehefa mizara ny heviny nympianatra, dia ampio izy ireo hamantatra sy hahatakatra izao fitsipika izao: Rehefamitory ny filazantsara amin’ny hafa isika dia manampy amin’ny fanomananaan’izao tontolo izao amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.)

Asao ny mpianatra hiverina hijery ny andininy 29 sy ny 34, ary ny 39 ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana ka hanamarika ny daty nanomezana nyfanambarana. Anontanio hoe:

• Hafiriana taorian’ny nananganana ny Fiangonana ny Tompo no nanombokanampianatra io fitsipika vao fantatra io?

Asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’nyLoholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

LESONA 27: FANOMANANA AN’IZAO TONTOLO IZAO HO AMIN’NY FIAVIAN’I JESOA KRISTY FANINDROANY

149

“Hatramin’ny fotoana niantombohan’ny Famerenana amin’ny Laoniny dia noraisin’ireorahalahy tsy ho sangisangy tokoa ny adidy ny hitory ny filazantsara. Tamin’ny 1837, fitotaona monja taorian’ny nanorenana ny Fiangonana, tao anatin’ny fotoan’ny fahantranasy fanenjehana, dia nandefasana misiônera hampianatra ny filazantsara tany Angletera.Tao anatin’ny taona vitsivitsy manaraka dia efa nitory ny filazantsara tamin’ny toerana

maro samihafa toa an’i Autriche, Polynésie Française, Inde, Barbades, Chili, ary Chine ireo mpitory nyfilazantsara.

“Nitahy ity asa ity ny Tompo ary nanomboka naorina nanerana an’izao tontolo izao ny Fiangonana.… Tsy maty masoandro mihitsy ireo mpitory ny filazantsara mijoro ho vavolombelon’ny Mpamonjy.Eritrereto ny hery ara-panahin’ireo mpitory ny filazantsara miisa 52.000, mitafy ny Fanahin’ny Tompo,manambara amim-pahasahiana ‘fa tsy hisy anarana hafa omena na làlan-kafa na fomba izay metyhahatongavan’ny famonjena amin’ny zanak’ olombelona … , afa-tsy ao Aminy sy amin’ny alalan’nyanaran’i Kristy ihany’ [Môsià 3:17]. … Voaomana amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany izaotontolo izao vokatry ny asan’ny Tompo ataon’ireo mpitory ny filazantsarany” (“Fanomanana an’IzaoTontolo Izao ho amin’ny Fiaviana Fanindroany,” Ensign na Liahona, mey 2011, 51).

Manaova fifanakalozan-kevitra ny amin’ireto manaraka ireto:

• Ahoana no anampian’ny hafatra ampianarin’ireo mpitory ny filazantsaran’nyFiangonana ny olona amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany?

• Inona no naha-zava-dehibe ny Famerenana amin’ny Laoniny ny filazantsaraalohan’ny ahatongavan’ny Mpamonjy indray eto an-tany?

Asehoy ireto fanambarana manaraka ireto izay nataon’ny Filoha Joseph F. Smith(1838–1918), ka angataho ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

“Mampianatra ny olona mba hanetry tena, ho mahatoky, ho marin-toetra sy marina eoanoloan’ny Tompo sy izy samy izy ny filazantsara, ary raha amin’izany toetra izany noampiharana ny fampianarany dia hitombo sy hiorina eto an-tany ny fiadanana sy nyfahamarinana, ary ny fahotana, ny fifandirana, ny fandatsahan-drà sy ny kolikoly isan-karazany dia tsy ho hisy intsony ka ho lasa madio sy mendrika hatao toerana

hipetrahan’ny olona avy any an-danitra ny tany; ary ho tonga ny Mpamonjy ka hitoetra eo amboniny,araka izay hataony mandritra ny Arivotaona” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph F.Smith [1998], 396–97).

“Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany … dia mihevitra fa anisan’ny irakanomena azy ny manomana ny lalana ho amin’ny Fiaviana ara-bakiteny sy amim-boninahitra an’nyZanak’ Andriamanitra eto an-tany, mba hanjaka eo aminy sy hitoetra miaraka amin’ny vahoakany”(Teachings: Joseph F. Smith, 397).

Anontanio hoe:

• Nandritra ny fotoam-pianarana an’ity lesona ity, inona ny eritreritra na fahatsapanaara-panahy izay nanananao momba ny andraikitry ny Fiangonana sy nympikambana ao aminy amin’ny fanomanana an’izao tontolo izao amin’ny FiavianaFanindroany?

• Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny fanampiana ny hafahiomana amin’ny Fiaviana Fanindroany manampy anao hiomana ihany koa?

Mba hamaranana ity lesona ity, dia asao ny mpianatra hizara ny zavatra izay efanataon’izy ireo mba hizarana ny hafatry ny Famerenana amin’ny Laoniny amin’ireoizay tsy mitovy finoana amintsika.

LESONA 27: FANOMANANA AN’IZAO TONTOLO IZAO HO AMIN’NY FIAVIAN’I JESOA KRISTY FANINDROANY

150

Vakitenin’ny Mpianatra• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:7–9; 34:5–7; 39:19–23; 45:15–46,

56–57; 88:81–87.

• Neil L. Andersen, “Fanomanana an’Izao Tontolo Izao ho amin’ny FiavianaFanindroany,” Ensign na Liahona, mey 2011, 49–52.

• “Se préparer à la seconde venue du Christ,” toko 44 ao amin’ny Enseignements desPrésidents de l’Église: Joseph F. Smith (1998), 391–400.

LESONA 27: FANOMANANA AN’IZAO TONTOLO IZAO HO AMIN’NY FIAVIAN’I JESOA KRISTY FANINDROANY

151

28 Fanafainganana ny AsaFamonjenaTao anatin’ny taona vitsy lasa izay, dia nanamafy ilay faminanian’ny Tompo manaohoe: “hohafainganiko … ny asako” (F&F 88:73) ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana.Ny asa famonjena dia ahitana ny asa fitoriana ataon’ny mpikambana, ny fihazonanaireo niova fo, ny fampavitrihana ireo mpikambana malaindaina, ny asa atao anyamin’ny tempoly sy tantaram-pianakaviana, ary ny fampianarana ny filazantsara. Itylesona ity dia hanampy ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny andraikiny amin’nymaha mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Faranyazy amin’ny fandraisana anjara amin’io asa io.

Vakiteny Enti-mandalina• Dieter F. Uchtdorf, “Sondrian-tory Ve Ianareo mandritra ny Famerenana amin’ny

Laoniny?”Ensign na Liahona, mey 2014, 58–62.

• “Hastening the Work of Salvation,” Ensign, ôkt. 2013, 36–39.

Sosokevitra Enti-mampianatraFotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:53–56Manafaingana ny asany ny TompoLazao ny mpianatra fa fotoana fohy talohan’ny nahafatesany, dia nanana fahitanamomba ny tontolon’ny fanahy, izay voarakitra ankehitriny ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 138 ny Filoha Joseph F. Smith. Nianatra izyfa ireo mpitarika an’ity fotoampitantanana farany ity sy ireo “maro hafa” dia efavoaomana hatrany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterana ho amin’ny andraikitr’izyireo eto an-tany. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 138:53–56 raha manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ireoandraikitra izay nomena an’ireo mpitarika ireo tany amin’ny fiainana talohan’nynahaterahana.

• Inona ireo andraikitra izay nomena an’ireo mpitarika ireo tany amin’ny fiainanatalohan’ny nahaterahana? Inona avy ireo fiomanana izay noraisin’izy ireo tany?

• Inona ireo andraikitra izay mety efa nomena anao tany amin’ny fiainana talohan’nynahaterahana? Inona avy ireo fiomanana izay mety efa noraisinao tany? (Rehefamizara ny heviny ireo mpianatra dia ampio izy ireo hahita ity fitsipika ity: Efavoaomana tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana isika mba ho tongaeto an-tany amin’ny fahafenoan’ny fotoana ka hiasa ho amin’ny famonjenany fanahin’ny olombelona.)

Asehoy ity fanambarana manaraka izay nataon’ny Filoha Thomas S. Monson ity, aryasao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

“Fantatrareo ve fa 98 taona ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny izay vao nananatsatòka 100? Kanefa 30 taona latsaka taty aoriana dia nandrafitra ny tsatòkany 100faharoa ny Fiangonana. Ary valo taona monja taorian’izay dia nanana tsatòka mihoatrany 300 ny Fiangonana. Ankehitriny [2014] dia manana tsatòka mihoatra ny 3.000 isika.

“Nahoana no mihazakazaka toy izany ny tahan’io firoboroboana io? Moa ve mitrangaizany satria efa be mpahalala kokoa ny Fiangonana? Moa ve mitranga izany satria manana tranofiangonana tsara tarehy isika?

152

“Manan-danja ireo zavatra ireo, saingy ny antony mampiroborobo ny Fiangonana amin’izao fotoanaizao dia satria ny Tompo no nilaza fa hiroborobo izany. Hoy Izy ao amin’ny Fotopampianarana syFanekempihavanana hoe: “Indro, hohafainganiko amin’ny fotoany ny asako” [F&F 88:73].

“Amin’ny maha-zanaka ara-panahin’ny Raintsika any An-danitra antsika dia nalefa tety an-tany isikaamin’izao fotoana izao mba hahafahantsika mandray anjara amin’ny fanafainganana ilay asa lehibe”(“Hastening the Work, Ensign, jona 2014, 4).

• Araka ny voalazan’ny Filoha Monson, nahoana isika no nalefa tety an-tanyamin’izao fotoana izao? (Rehefa mizara ny valiteniny ny mpianatra, dia ampio izyireo hahatakatra izao fitsipika izao: Andraikitsika ny mandray anjara amin’nyfanafainganana ny asan’ny Ray any An-dranitra.)

• Inona ny sasany amin’ireo fomba izay efa nanatrehanao maso ny “fanafainganana”ny asan’ Andriamanitra? (Misy valiny maro io fanontaniana io, anisan’izany nyfanovana ny taona ho amin’ny asa fitoriana, ny fampitomboana ny isan’ireompitory ny filazantsara, ny fampitomboana ny isan’ny tempoly, ary nyfampitomboana ireo fitaovana izay manamora ny asan’ny tantaram-pianakaviana.)

Mariho fa ireo valinteny ireo dia mampiseho fa manafaingana ny asany ao amin’nylafiny roa an’ny voaly ny Tompo. Hazavao fa ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonanaankehitriny dia nanome lanja sahan-kevitra dimy ao anatin’ny asan’ny famonjena arynangataka antsika tsirairay avy mba handray anjara ao amin’ireo sahan-kevitra ireoamin’ny fanafainganana ny asan’ Andriamanitra amin’izao andro farany izao. Asehoyity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona L. Whitney Clayton avy ao amin’nyFiadidian’ny Fitopololahy ity, ary manasà mpianatra iray hamaky izany mafy. Asaivomamantatra ireo sahan-kevitra dimy izay ao anatin’ny asa famonjena ny mpianatra:

“Mampianatra antsika ireo mpaminany velona sy ireo apôstôly fa ‘nirahina nympikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Olomasin’ny AndroFarany mba “hiasa ao amin’ny tanim-boalobony ho famonjena ny fanahin’ny olona”(F&F 138:56). Io asa famonjena io dia ahitana ny asa fitoriana ataon’ireo mpikambana,ny fihazonana ireo vao niova fo, ny famerenana ireo mpikambana malaindaina, ny

asan’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana, ary ny fampianarana ny filazantsara’ [Manuel 2:Administration de l’Eglise (2010), 5.0]” (“The Work of Salvation: Then and Now,” Ensign, sept.2014, 63).

Eo ampitadiavan’ny mpianatra ireo sahan-kevitra dia soraty eny amin’ny solaitrabeitymanaraka ity:

Ny Asa Fitoriana Ataon’ireo Mpikambana

Fihazonana ireo vao niova fo

Famerenana ireo mpikambana malaindaina

Ny Asan’ny Tempoly sy ny Tantaram-pianakaviana

Mampianatra ny filazantsara

LESONA 28: FANAFAINGANANA NY ASA FAMONJENA

153

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:73Afaka mandray anjara amin’ny fanafainganana ny asan’ny Tompo isika tsirairay avyAsao ny mpianatra iray mba hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana88:73 ary ny mpianatra sisa kosa manaraka ny vakiteny. Hazavao amin’ny mpianatra fatokony hiezaka ny hampitombo ny fandraisantsika anjara amin’ny fanafainganana nyasan’ny Tompo ny tsirairay avy amintsika. Zarao amin’ny mpianatra ny taratasy zarainaizay hita any amin’ny faran’ny lesona, ka hazavao fa hanampy azy ireo handinika nyfomba ahafahan’izy ireo mampitombo ny fandraisany anjara ity taratasy zaraina ity.Asao ireo mpianatra mba hisafidy sy hamaky am-pahanginana ny iray na maromaroamin’ireo fanambarana ao anatin’ilay taratasy zaraina ka asao izy ireo mba hiomanahamaly ireo fanontaniana hita ao anatin’ilay taratasy zaraina.

Rehefa nanana fotoana ampy ny mpianatra hamakiana sy hiomanana dia asao nympianatra iray mba hamaky mafy ny fanambarana voalohany. Avy eo dia asao nympianatra maromaro hanome ny valintenin’izy ireo ho an’ny fanontaniana telo aoanatin’ilay taratasy zaraina, ka hifantoka amin’ny asa fitoriana ataon’ireo mpikambana.Avereno io dingana io ho an’ireo fanambarana dimy.

Ampio ireo mpianatra mba hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe nyfandraisana anjara amin’ny asa famonjena amin’ny fametrahana ireto fanontanianamanaraka ireto:

• Inona avy ireo fitahiana efa noraisinao rehefa nandray anjara tamin’ny iray na maroamin’ireo sahan-kevitry ny asa famonjena ianao? Inona no traikefa efa noraisinaoraha nandray anjara tamin’ny iray amin’ireo sahan-kevitra ireo izay nanan-danjamanokana taminao ianao?

Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf avy ao amin’nyFiadidiana Voalohany ity, ary asao ny mpianatra iray mba hamaky izany mafy:

“Rehefa tapitra ny fotoana iainantsika eto an-tany, dia traikefa manao ahoana noazontsika hozaraina mikasika ny anjara biriky nentintsika tao anatin’ity vanim-potoanamanan-danja teo amin’ny fiainantsika ity sy teo amin’ny fampandrosoana ny asan’Andriamanitra? Ho afaka hilaza ve isika fa namoritra tanan’akanjo isika ka niasatamin’ny fo manontolo, tamin’ny hery sy ny saina ary ny tanjatsika manontolo? Sa ve

isika ho voatery hibaboka fa ny anjara asantsika raha bangoina dia mpitazana fotsiny? (“Sondrian-tory Ve Ianareo Mandritra ny Famerenana Amin’ny Laoniny?”Ensign na Liahona, mey 2014, 59).

Asao ireo mpianatra handrafitra ireo zavatra izay azon’izy ireo atao mba handrayanjara misimisy kokoa amin’ny asa famonjena amin’ny fanontaniana azy ireo hoe:

• Inona ireo fomba sasany izay efa nahitanao ny hafa nanampy tamin’nyfanafainganana ny asan’ny Tompo?

• Inona ireo fomba sasany izay hanaovanao drafitra mba handraisana anjara amin’nyfanafainganana ny asan’ny Tompo.

• Ahoana no fomba ahafahan’ny fahalalantsika sy ny fijoroana ho vavolombenaananantsika momba ny Famerenana amin’ny Laoniny manampy antsika mbahandray anjara misimisy kokoa amin’ny asan’ny famonjena?

Asao ny mpianatra vitsy mba hizara sy hijoro ho vavolombelona ny amin’ny zavatraizay nianaran’izy ireo momba ny Famerenana amin’ny Laoniny ny filazantsaratamin’ny fandalinana ity fandaharam-pianarana ity. Farano amin’ny fijoroanao ho

LESONA 28: FANAFAINGANANA NY ASA FAMONJENA

154

vavolombelona momba ny fahamarinan’ny Famerenana amin’ny Laoniny nyfilazantsara tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith.

Vakitenin’ny Mpianatra• Dieter F. Uchtdorf, “Sondrian-tory Ve Ianareo mandritra ny Famerenana amin’ny

Laoniny?”Ensign na Liahona, mey 2014, 58–62.

• “Hastening the Work of Salvation,” Ensign, ôkt. 2013, 36–39.

Fanafainganana ny Asa FamonjenaSaintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto izay mifandray amin’ny tsirairay amin’ireo sahan-kevitradimy izay ao anatin’ny asa famonjena:

• Ahoana no ahafahan’ny ezaka ataonao ao anatin’io sahan-kevitry ny asan’Andriamanitra io mitondra ny hafa hanakaiky kokoa ny fitahiana entin’nyfamonjena?

• Inona ireo traikefa efa nanananao ary inona ireo fitahiana izay efa noraisinaorehefa nandray anjara tamin’io sahan-kevitry ny asan’ny famonjen’ny Tompoio ianao?

• Inona no azonao atao mba hitondrana ny anjara birikinao ao amin’io sahan-kevitry ny asan’ny famonjena io, na inona na inona antsonao ao am-piangonana?

Ny Asa Fitoriana Ataon’ireo MpikambanaNampianatra ny Loholona Neil L. Andersen avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo nanao hoe:

“Ry rahalahy sy rahavavy, tahaka ny hanentanan’ny Tompo ny fanahin’ireo misiônerabetsaka kokoa mba hanompo dia mamoha ny saina sy manokatra ny fon’ny olon-tsara symarin-toetra ihany koa Izy handray ny misiônerany. Efa fantatrao izy ireny na mbola hofantatrao. Ao amin’ny fianakavianao izy ireny ary mipetraka ao amin’ny fiaraha-moninao.Mandalo eo amin’ny lalanao izy ireny, mipetraka eo akaikinao any am-pianarana, ary

mifanerasera aminao amin’ny Internet. Ampahany amin’ity fahagagana izay mirongatra ity ianao.

“Raha toa ianao ka tsy misiônera manompo amin’ny fotoana feno manana mari-pamantarana iraymipaingotra eo amin’ny palitaonao, dia izao no fotoana hanoratanao anankiray amin’izany ao amin’nyfonao—soratana araka ny nolazain’i Paoly, ‘tsy tamin’ny ranomainty anefa, fa amin’ny Fanahin’Andriamanitra velona’ [2 Korintiana 3:3]. … Misy anjara tokony hataontsika rehetra amin’ityfahagagana ity” (“Fahagagana izany,” Ensign na Liahona, mey 2013, 78).

Ny Fihazonana ireo Niova FoHoy ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Tsy maintsy manao izay rehetra azontsika atao izaho sy ianao mba hahatonga nympikamban’ny Fiangonana tsirairay hahazo namana sy hankafy ireo fitahiana rehetra izayomen’ny filazantsara.

“Ny Filoha Gordon B. Hinckley dia efa nampahatsiahy ahy sy anao momba ireoandraikitsika mba ho mpiara-miasa amin’ny Tompo ho fanatanterahana ny drafitra

nataony ho an’ny Fiangonana. Hoy ny Filoha Hinckley tao anatin’ny fampitana tamin’ny zanabolanairay:

“ ‘Ny Tompo dia nametraka teo amintsika ny adidy mba hampianatra ny filazantsara amin’nyolombelona rehetra. Hitaky ny ezaka tsara indrindra avy amin’ny misiônera tsirairay—amin’ny fotoanafeno sy ny an’ny tsatòka—izany. Hitaky ny ezaka tsara indrindra avy amin’ny eveka, avy amin’nympanolotsain’ny eveka, avy amin’ny mpikambana tsirairay ao amin’ny filan-kevitry ny paroasy izany …’

LESONA 28: FANAFAINGANANA NY ASA FAMONJENA

155

(’Find the Lambs, Feed the Sheep,’ Ensign, mey 1999, 107). Hitaky ny ezaka tsara indrindra avy amin’nympikambana tsirairay izany” (“Members Are the Key,” Ensign, sept. 2000, 10).

Ny famerenana ireo mpikambana malaindaina“Ny andraikitsika [amin’ny maha-mpikambana antsika] dia ny mandray anjara tanteraka amin’nyfitiavana sy fanompoana ny manodidina antsika—mankahery ny mpiara-miasa iray izay milafanampiana, manasa ny namanao hanatrika batisa, manampy ny mpiray vodirindrina iray izay efaantitra amin’ny asa fikarakarana ny tokotaniny, manasa mpikambana izay malaindaina iray mba hiara-misakafo, na manampy ny mpiray vodirindrina amin’ny tantaram-pianakaviany. Fomba voajanahary symahafaly ahafahana manasa ireo mpikambana malaindaina sy ireo izay tsy miray finoana amitsika mbahiditra ao amin’ny fiainantsika ka ho vokatr’izay dia hiditra koa ao amin’ny fahazavan’ny filazantsaraizany rehetra izany. Ny fizarana amin’izy ireo ireo fotoana mahafinaritra sy ireo fotoana masina tamin’nyfiainantsika no mety ho fomba mahomby indrindra ahafahan’ny tsirairay amintsika ‘hiasa ao amin’nytanimboalobo[n’i Jesoa Kristy] ho famonjena ny fanahin’ny olona’ (F&F 138:56)” (“Hastening the Workof Salvation,” Ensign, okt. 2013, 36).

Ny Asan’ny Tempoly sy ny Tantaram-pianakavianaNampianatra ny Loholona Quentin L. Cook avy aomin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

“Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia nandefa antso mazava tsara ho an’nytaranaka vao misondrotra mba hitarika ny dia amin’ny fampiasana ny teknôlôjiaahafahana miaina ny fanahin’i Elia, sy hikaroka ireo razambeny, ary hanatanteraka ireoôrdônansy any amin’ny tempoly ho azy ireo. Ny ankamaroan’ireo asa sarotra amin’nyfanafainganana ilay asa famonjena ho an’ny velona sy ny maty dia ianareo tanora no

hanao azy” (“Faka sy Sampana,” Ensign na Liahona, mey 2014, 46).

Fampianarana ny Filazantsara“Ny andraikitra hampianatra amim-pahombiazana dia tsy voafetra ho an’ireo izay manana antso hompampianatra ihany. Amin’ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’nyAndro Farany anao, dia manana ny andraikitra ny hampianatra ny filazantsara ianao. Amin’ny maha-rayaman-dreny, zanakalahy, zanakavavy, vady, rahalahy, rahavavy, mpitarika ao amin’ny Fiangonana,mpampianatra, mpampianatra isan-tokantrano, mpamangy isan-tokantrano, mpiara-miasa, mpirayvodirindrina na namana anao dia manana fahafahana hampianatra ianao. Afaka mampianatra an-karihary sy mivantana ianao indraindray amin’ireo zavatra izay lazainao sy ny tenivavolombelona izayzarainao. Ary mampianatra foana amin’ny alalan’ny ohatra asehonao ianao” (L’enseignement, Pas dePlus Grand Appel: Guide pour l’Enseignement de l’Évangile [1999], 3–4).

LESONA 28: FANAFAINGANANA NY ASA FAMONJENA

156

Taratasy zaraina

157

Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny Laoniny (Fianarana ny Filazantsara faha- 225)Vakitenin’ny mpianatraFanamarihana: Tsy takiana aminao ny hamaky ny fitaovana atolotra ho vakiana izay tsy misy amin’ny fiteninao.

Lesona Lohateny Vakiteny atolotra mba ho vakiana

1 Asa Mahagaga sy Mahatalanjona

• Isaia 29:13–14; Amosa 8:11–12; 2 Nefia 27:1–5, 25–26; Fotopampianarana sy Fanekempihava-nana 1:12–30; Joseph Smith—Tantara 1:5–10.

• Gordon B. Hinckley, “At the Summit of the Ages,” Ensign, nôv. 1999, 72–74.• Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny asa fanompoan’ny misiônera (2004), 36–43.

2 Ny Fahitana Voalohany

• Joseph Smith—Tantara 1:1–26.• Gordon B. Hinckley, “The Marvelous Foundation of Our Faith,” Ensign, nôv. 2002, 78–81.• “First Vision Accounts,” Gospel Topics, lds.org/topics.

3Ny Fahatonga-van’ny Bokin’i Môrmôna

• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17; Joseph Smith—Tantara 1:29–54.• Neal A. Maxwell, “By the Gift and Power of God,” Ensign, jan. 1997, 36–41.• “Book of Mormon Translation,” Gospel Topics, lds.org/topics.• “Coming Forth of the Book of Mormon and Restoration of the Priesthood,” toko 5 ao amin’ny

Church History in the Fulness of Times Student Manual, ed. faharoa (Boky torolalan’ny Departe-mantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003), 52–66.

4

Ny Bokin’i Môrmôna— Vato Ifaharan’ny Fivavahantsika

• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:6; 19:26; 20:5–12.• Ezra Taft Benson, “The Book of Mormon—Keystone of Our Religion,” Ensign, nôv. 1986, 4–7.• Jeffrey R. Holland, “Safety for the Soul,” Ensign na Liahona, nôv. 2009, 88–90.

5Ny Famerenana amin’ny Laoniny ny Fisoronana

• Joseph Smith—Tantara 1:68–72; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1; 84:18–22; 107:1–19.

• Thomas S. Monson, “The Priesthood—a Sacred Gift,” Ensign na Liahona, mey 2007, 57–60.

6 Ny Firafitry ny Fiangonana

• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30; 20:1–3, 17–37, 68–69.• Henry B. Eyring, “The True and Living Church,” Ensign na Liahona, mey 2008, 20–24.

7 Mitory ilay Filazan-tsara Mandrakizay

• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:1–7; 18:10–16; 29:4–7; 31:1–12; 33:2–7; 34:5–6; 39:20–23; 88:81.

• Neil L. Andersen, “Fahagagana izany,” Ensign na Liahona, mey 2013, 77–80.

8

Ny Fanangonana an’i Isiraely amin’ny Andro Farany

• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37:1–3; 38:31–33; 39:15; 45:62–67; 95:8; 110:9; 115:5–6.

• Russell M. Nelson, “The Gathering of Scattered Israel,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 79–82.

9Manaraka ny Mpaminany Velona

• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:1–6; 28:2, 6–7; 43:1–7; 90:1–6, 16.• Kevin R. Duncan, “Our Very Survival,” Ensign na Liahona, nôv. 2010, 34–36.• Russell M. Nelson, “Fanohanana ireo mpaminany,” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 74–77.

10 Mikatsaka Fahamarinana

• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118–26; 91:1–6.• Dieter F. Uchtdorf, “What Is Truth?” (Fampaherezam- panahin’ny Departemantan’ny Fampiana-

rana an’ny Fiangonana, jan. 13, 2013), lds.org/broadcasts.• David A. Bednar, “Quick to Observe,” Ensign na Liahona, des. 2006, 31–36.

11

Ny Feon’ny Tompo ao amin’ny Foto-pampianarana sy Fanekempiha-vanana

• Sasin- tenin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana; Fotopampianarana sy Fanekempihava-nana 1:1–39; 5:10.

• Ezra Taft Benson, “The Book of Mormon and the Doctrine and Covenants,” Ensign, jan. 2005, 24–28.

Lesona Lohateny Vakiteny atolotra mba ho vakiana

12Soratra Masina fa-nampiny amin’ny Androntsika

• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38; 42:56; 45:60–62; 68:3–5; 76:15–19; 93:53; 94:10.

• Jeffrey R. Holland, “My Words . . . Never Cease,” Ensign na Liahona, mey 2008, 91–94.• “Translation and Historicity of the Book of Abraham,” Gospel Topics, lds.org/topics.

13 “Ilay Fahitana” • Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76• L. Tom Perry, “The Plan of Salvation,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 69–72.

14

Ny Tempolin’i Kirtland sy ireo Fanalahidin’ny Fisoronana

• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:1–28; 110:1–16.• Jeffrey R. Holland, “Our Most Distinguishing Feature,” Ensign na Liahona, mey 2005, 43–45.• David A. Bednar, “Honorably Hold a Name and Standing,” Ensign na Liahona, mey 2009, 97–100.

15 Hery ao anatin’ny Fanoherana

• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:10–15; 121:1–10, 16–17; 122:1–9.• Neil L. Andersen, “Fitsapana ny finoanao,” Ensign na Liahona, nôv. 2012, 39–42.

16 Fanavotana ny Maty

• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:30–41; 127:1–9; 128:1–18; 137:1–10; 138:28–37.• Richard G. Scott, “Ny fifaliana avy amin’ny fanavotana ny maty,” Ensign na Liahona, nôv. 2012,

93–95.• D. Todd Christofferson, “The Redemption of the Dead and the Testimony of Jesus,” Ensign, nôv.

2000, 9–12.

17Ireo Fampiana-ran’ny Filazantsara tany Nauvoo

• Salamo 82:6; Matio 5:48; Jaona 10:32–34; Romana 8:16–17; 2 Petera 1:3–4; 1 Jaona 3:2–3; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:11–22; 124:25–28, 37–42; 132:20–24.

• “God the Eternal Father,” toko 2 ao amin’ny Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith (2007), 41–47.

• “Becoming Like God,” Gospel Topics, lds.org/topics.

18Ny Fikambanana Ifanampiana sy ny Fiangonana

• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25• Dallin H. Oaks, “Ny fanalahidy sy ny fahefan’ny fisoronana,” Ensign na Liahona, mey 2014, 49–52.• Julie B. Beck, “Ny fahitan’ireo mpaminany mikasika ny Fikambanana Ifanampiana: Finoana,

fianakaviana, fanampiana,” Ensign na Liahona, mey 2012, 83–85.

19

Ny Fotopampia-narana momba ny Fanambadiana sy ny Fianakaviana Mandrakizay

• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–17; 131:1–4; 132:1–24.• Russell M. Nelson, “Celestial Marriage,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 92–95.• Joshua J. Perkey, “Why Temple Marriage?” New Era, aog. 2013, 30–32.

20 Ny Fanambadiana Maro

• Jakôba 2:27–30; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:1–3, 34–48, 54, 63; Filazana Ofisialy 1.

• “Plural Marriage in The Church of Jesus Christ of Latter - day Saints,” Gospel Topics, lds.org/topics.Azonao vakina ireto manaraka ireto:• “Plural Marriage in Kirtland and Nauvoo,” Gospel Topics, lds.org/topics.• “Plural Marriage and Families in Early Utah,” Gospel Topics, lds.org/topics.• “The Manifesto and the End of Plural Marriage,” Gospel Topics, lds.org/topics.

21Ny Iraka amin’ny maha mpaminany an’i Joseph Smith

• 2 Nefia 3:1–21; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:1–2; 135:3; Joseph Smith—Tantara 1:33.

• Neil L. Andersen, “Joseph Smith,” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 28–31.• Tad R. Callister, “Joseph Smith—Prophet of the Restoration,” Ensign na Liahona, nôv. 2009, 35–37.

22

Ny fahafatesan'ny Mpaminany Joseph Smith ho maritiora

• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:1–7; 136:36–39.• Thomas S. Monson, “The Prophet Joseph Smith: Teacher by Example,” Ensign na Liahona, nôv.

2005, 67–70.• “The Martyrdom,” toko 22 ao amin’ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, ed.

faharoa (Boky torolalan’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003), 273–85.

23Ny fifandimbia-sana ao amin’ny Fiadidiana

• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:33; 112:30–32; 124:127–28.• Boyd K. Packer, “The Twelve,” Ensign na Liahona, mey 2008, 83–87.• “The Twelve to Bear Off the Kingdom,” toko 23 ao amin’ny Church History in the Fulness of

Times Student Manual, ed. faharoa (Boky torolalan’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003), 286–96.

© 2

015

AN’N

Y IN

TELL

ECTU

AL R

ESER

VE, I

NC. Z

O R

EHET

RA V

OAT

OKA

NA.

Lesona Lohateny Vakiteny atolotra mba ho vakiana

24

Ny fandaozana an’i Nauvoo sy ny dia niankandre-fana

• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136.• Gordon B. Hinckley, “True to the Faith,” Ensign, mey 1997, 65–67.• “Faith in Every Footstep,” toko 6 ao amin’ny Ny Lovantsika: Tantara Fohy mikasika Ny Fiangonan’

i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany (1996), 85–98.

25

Ny Ady tao Utah sy ny Fandripa-hana tao Mountain Meadows

• “Peace and Violence among 19th - Century Latter - day Saints,” Gospel Topics, lds.org/topics.• Richard E. Turley Zanany, “The Mountain Meadows Massacre,” Ensign, sept. 2007, 17–21.

26Ny Fanambarana mikasika ny Fiso-ronana

• 2 Nefia 26:33; Filazana Ofisialy 2.• “Race and the Priesthood,” Gospel Topics, lds.org/topics.• Ahmad Corbitt, “A Personal Essay on Race and the Priesthood,” andiany 1–4, Perspectives on

Church History series [Ireo andian’ny Fomba fijery mikasika ny tantaran’ny Fiangonana], history. lds. org/ section/ perspectives - on - church - history.

27

Manomana an’Izao Tontolo Izao ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanin-droany

• Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:7–9; 34:5–7; 39:19–23; 45:15–46, 56–57; 88:81–87.

• Neil L. Andersen, “Fanomanana an’izao tontolo izao ho amin’ny Fiaviana Fanindroany,” Ensign na Liahona, mey 2011, 49–52.

• “Preparing for the Second Coming of Christ,” toko 44 ao amin’ny Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph F. Smith (1998), 391–99.

28 Fanafainganana ny Asa Famonjena

• Dieter F. Uchtdorf, “Sondrian- tory ve ianareo mandritra ny Famerenana amin’ny laoniny?”Ensign na Liahona, mey 2014, 58–62.

• “Fanafainganana ny asa famonjena,” Ensign, ôkt. 2013, 36–39.

IREO FOTOTRY NY FAMERENANA AMIN’NY LAONINY—LESONA 4

Ny Bokin’i Môrmôna — Vato Ifaharan’ny Fivavahantsika

Ny Bokin’i Môrmôna — Vato Ifaharan’ny Fivavahantsika

Ny Bokin’i Môrmôna — Vato Ifaharan’ny Fivavahantsika

© 2

015

AN’N

Y IN

TELL

ECTU

AL R

ESER

VE, I

NC. Z

O R

EHET

RA V

OAT

OKA

NA.

“Vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’i Kristy”“Ny Bokin’i Môrmôna no vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy, ary Izy dia vato ifaharan’ny zava- drehetra ataontsika koa. Mijoro ho vavolombelona izany fa tena misy Izy. . . . Ny fijoroany ho vavolombelon’ny Tompo dia mazava, madio tsara ary feno hery. . . . Maro amin’ireo Kristianina eto amin’izao tontolo izao ankehitriny no mandà ny maha- Andriamanitra ny Mpamonjy.

Mametra- panontaniana mikasika ilay Fahaterahany mahagaga izy ireo, ilay Fiainany tonga lafatra ary ilay Fitsanga-nany tamin’ny maty tamim- boninahitra izay tena nisy marina. Mampianatra mikasika ny fahamarinan’ireo rehetra ireo mazava tsara ny Bokin’i Môrmôna. Mitondra ny fanazavana feno indrindra ny amin’ny fotopampianaran’ny Sorompa-navotana koa izany” (Ezra Taft Benson, “The Book of Mormon—Keystone of Our Religion,” Ensign, nôv. 1986, 5).

“Vato ifaharan’ny Fotopampianarantsika”“Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna no ahitantsika ireo fahafenoan’ny fotopampianarana izay ilaina amin’ny famonjena. Ary nampianarina amin’ny fomba mazava sy tsotra izy ireo ka na dia ny zaza madinika aza dia afaka ny hianatra ireo lalan’ny famonjena sy fisandratana. Manolotra zavatra maro izay mampivelatra ny fahatakarantsika ny fotopampianaran’ny famonjena ny Bokin’i Môrmôna.

Raha tsy teo izany, dia tsy ho feno sy sarobidy toy izao ny ankabeazan’ny fampianarana any amin’ny soratra masina hafa” (Ezra Taft Benson, “The Book of Mormon—Keystone of Our Religion,” Ensign, nôv. 1986, 6).

“Vato ifaharan’ny Fijoroana ho Vavolombelona”“Vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona ny Bokin’i Môrmôna. Toy ny firodanan’ny ando-halambo rehefa esorina ny vato ifaharana dia ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna ihany koa no mampijoro na maharava ny Fiangonana. . . . Raha marina ny Bokin’i Môrmôna . . . dia tsy azo lavina ireo zavatra takian’ny Famerenana amin’ny laoniny sy izay rehetra miaraka amin’izany” (Ezra Taft

Benson, “The Book of Mormon—Keystone of Our Religion,” Ensign, nôv. 1986, 6).

IREO FOTOTRY NY FAMERENANA AMIN’NY LAONINY—LESONA 10

© 2

015

AN’N

Y IN

TELL

ECTU

AL R

ESER

VE, I

NC. Z

O R

EHET

RA V

OAT

OKA

NA.

Fandanjalanjana ny Tantaran’ny FiangonanaHoy ny Loholona Steven E. Snow ao amin’ny Fitopololahy:

“Ny Internet dia manome fampahafantarana mora alaina tokoa—ao ny tsara, ao ny ratsy, ny marina, ny tsy marina—anisan’izany ny fampahafantarana momba ny tantaran’ny Fiangonana. Afaka mamaky zavatra maro dia maro momba ny tantarantsika ianareo, kanefa zava- dehibe ny mamaky mikasika izany sy mahatakatra izany ao anatin’ny toe- javatra nisehoany. Ny mahasarotra ny fampahafantarana amin’ny Internet dia satria izy ireny dia tsy ao anatin’ny sahan- kevitra tena misy azy akory ary tsy tena hitanao avokoa izay zavatra manodidina azy rehetra.

“Ny fampahafantarana izay miezaka ny manala- baraka ny Fiangonana dia amin’ny ankapobeny hevitr’olon- tokana sy hevitra mitanila. Tokony hikaroka loharano izay milazalaza ny finoantsika sy ny tantarantsika amin’ny fomba tsy miangatra kokoa isika. Ny tranonkala sasany dia manana fikasan- dratsy ary mety hanaitra tokoa ny fomba fanehoany ny fampahafantarana. Mitadiava loharano avy amin’ny mpahay tantara fanta-daza sy azo antoka, na mpikamban’ny Fiangonana izy ireo na tsia.

“Ny tanora sasany dia taitra sy tohina amin’ireo fitaovana manenjika ny Môrmôna ao amin’ny Internet satria izy ireo tsy nana-mafy ny tenany mba hanohitra izany. Mety tsy ampy ny fotoana natokan’izy ireo amin’ny lafiny ara- panahy mba hiomanana sy hampatanjahana ny tenany ho amin’izay rehetra mety hitranga. Rehefa misy zavatra mitranga eo amin’ny fiainany izay miton-dra olana tsy nampoizina, dia zava- dehibe ny hanaovan’izy ireo ireo zavatra fototra izay resahantsika hatrany hatrany: manohy mandalina ny soratra masina ary mivavaka lalina amin’ny Raintsika any An- danitra. Ireo zavatra fototra ireo dia manomana ny olona amin’ny karazana fotoan- tsarotra rehetra, anisan’izany ireo lahatsoratry ny mpanenjika ny Môrmôna izay sendra hitan’izy ireo ao amin’ny Internet” (“Balancing Church History,” New Era, jona 2013, 21–22).

Fandanjalanjana ny Tantaran’ny FiangonanaHoy ny Loholona Steven E. Snow ao amin’ny Fitopololahy:

“Ny Internet dia manome fampahafantarana mora alaina tokoa—ao ny tsara, ao ny ratsy, ny marina, ny tsy marina—anisan’izany ny fampahafantarana momba ny tantaran’ny Fiangonana. Afaka mamaky zavatra maro dia maro momba ny tantarantsika ianareo, kanefa zava- dehibe ny mamaky mikasika izany sy mahatakatra izany ao anatin’ny toe- javatra nisehoany. Ny mahasarotra ny fampahafantarana amin’ny Internet dia satria izy ireny dia tsy ao anatin’ny sahan- kevitra tena misy azy akory ary tsy tena hitanao avokoa izay zavatra manodidina azy rehetra.

“Ny fampahafantarana izay miezaka ny manala- baraka ny Fiangonana dia amin’ny ankapobeny hevitr’olon- tokana sy hevitra mitanila. Tokony hikaroka loharano izay milazalaza ny finoantsika sy ny tantarantsika amin’ny fomba tsy miangatra kokoa isika. Ny tranonkala sasany dia manana fikasan- dratsy ary mety hanaitra tokoa ny fomba fanehoany ny fampahafantarana. Mitadiava loharano avy amin’ny mpahay tantara fanta-daza sy azo antoka, na mpikamban’ny Fiangonana izy ireo na tsia.

“Ny tanora sasany dia taitra sy tohina amin’ireo fitaovana manenjika ny Môrmôna ao amin’ny Internet satria izy ireo tsy nana-mafy ny tenany mba hanohitra izany. Mety tsy ampy ny fotoana natokan’izy ireo amin’ny lafiny ara- panahy mba hiomanana sy hampatanjahana ny tenany ho amin’izay rehetra mety hitranga. Rehefa misy zavatra mitranga eo amin’ny fiainany izay miton-dra olana tsy nampoizina, dia zava- dehibe ny hanaovan’izy ireo ireo zavatra fototra izay resahantsika hatrany hatrany: manohy mandalina ny soratra masina ary mivavaka lalina amin’ny Raintsika any An- danitra. Ireo zavatra fototra ireo dia manomana ny olona amin’ny karazana fotoan- tsarotra rehetra, anisan’izany ireo lahatsoratry ny mpanenjika ny Môrmôna izay sendra hitan’izy ireo ao amin’ny Internet” (“Balancing Church History,” New Era, jona 2013, 21–22).

IREO FOTOTRY NY FAMERENANA AMIN’NY LAONINY—LESONA 10

© 2

015

AN’N

Y IN

TELL

ECTU

AL R

ESER

VE, I

NC. Z

O R

EHET

RA V

OAT

OKA

NA.

Manavaka ny marina amin’ny disoNy herin’ny ratsy dia nanohitra an’Andriamanitra sy ny asany hatrany hatrany, nandritra ny fotoampitantanan’ny filazantsara rehe-tra. Fa ny asan’Andriamanitra dia tsy azo sakanana ary tsy azo foanana. Amin’izao andro farany izao, ny vato [dia] nendahina hiala tamin’ny tendrombohitra nefa tsy nendahan- tanana, ary izany dia “hikodiadia ambara- pamenoany ny tany manontolo” (F&F 65:2). Satria anefa, ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay dia mety ho voafitaka dia tsy maintsy “miambina sy mivavaka mandrakariva” ny tsirairay (3 Nefia 18:18).

“Tsy ilaintsika sy ianao, amin’izao andro ananana fahalalana betsaka izao, izay hoe efa tafaverina amin’ny laoniny ny fahafe-noan’ny filazantsara, ny mikaroka ny fahamari-nana amin’ny fomba sarotra sy tsy mbola nisy nanao mihitsy teo aloha. Ny Ray any An- danitra be fitiavana dia nanoritra ny lalantsika ary

nanome mpitarika mahatoky—dia ny fankatoavana. Tonga eo amintsika ny fahalalana ny fahamarinana sy valin’ireo fanonta-niana lehibe ananantsika rehefa mankatò ny didin’Andriamani-tra isika” (Thomas S. Monson, “Mitondra fitahiana ny fankatoavana,” Ensign na Liahona, mey 2013, 89).

“Ry namako malala—miangavy anareo aho hoe ny ahiahinareo aloha no ahiahio alo-han’ny hiahiahianareo ny finoanareo. Tsy tokony hamela ny ahiahintsika mihitsy isika hanagadra sy hanakana antsika tsy hahazo ilay fitiavan’Andriamanitra sy ny fiadanany ary ireo fanomezam- pahasoavana izay tonga amin’ny

alalan’ny finoana ny Tompo Jesoa Kristy” (Dieter F. Uchtdorf, “Andao hiaraka aminay,” Ensign na Liahona, nôv. 2013, 23).

“I Satana no ilay mpamitaka lehibe, ‘ilay mpiampanga ny rahalah[y]’ [Apokalypsy 12:10], ilay rain’ny lainga [jereo ny Jaona 8:44], izay mikatsaka hatrany ny hamitaka mba handresena antsika [jereo ny F&F 50:3]. . . .

“Ho an’ireo izay efa nandray ny fahamari-nana, dia ny hanaparitaka ny voan’ny fiahiahiana no tetik’a-diny. Ohatra, mpikamban’ny Fiangonana maro no nataony izay hahatafintohina azy rehefa nahita fampahafantarana momba ny Fiangonana izy ireo izay toa mifanohitra amin’ny zavatra izay efa nianarany taloha.

“Raha miaina zavatra toy izany ianao, tsarovy fa amin’izao fotoana mampitosaka ny fampahalalana izao dia maro ny olona izay mampisy ahiahy momba izao zavatra rehetra izao, amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra. . . .

“. . . Ary tsara foana ny mitadidy fa tsy hoe satria ny zavatra iray natonta an- taratasy, miseho amin’ny Internet, averimberina matetika, na manana vondron’olona matanjaka manaraka azy dia hoe marina izy izay.

“Indraindray ny fanambarana sy fampahalalana diso dia aseho amin’ny fomba izay toa mitombina ihany. . . .

“. . . Izay toa feno fifanoherana dia toa mora takarina an-kehitriny rehefa mikatsaka sy mahazo fampahalalana azo

itokisana kokoa isika” (Dieter F. Uchtdorf, “What Is Truth?” [Fampaherezam- panahy an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 13 jan. 2013], lds.org/broadcasts).

“Rehefa manomboka mampitaha ireo fomba fanao sy firehan- kevitra maoderina amin’ny zavatra fantatsika momba ny drafitr’Andria-manitra sy ireo fialofana nomena antsika ao amin’ny tenin’Andriamanitra ary ny fampiana-ran’ireo mpaminaniny velona isika, . . . dia fantatsika fa mametraka antsika amin’ny

toerana azo antoka mandrakizay izany ” (Dallin H. Oaks, “As He Thinketh in His Heart” [takariva iarahana amin’ny Loholona Dallin H. Oaks, 8 feb. 2013], lds.org/broadcasts).

“Amin’ny fotoan’ny tahotra na ny ahiahy na ny tebiteby dia hazony ilay finoana izay efa anananao, na dia voafetra ihany aza izany. . . . Rehefa tonga ireny fotoana ireny ka mitranga ny olana dia tsy ho tonga avy hatrany ny vahaolana, hazony mafy izay efa fantatrao ary mahatanjaha hatrany mandra- pahazoanao

fahalalana misimisy kokoa” (Jeffrey R. Holland, “Tompo ô, Mino Aho” Ensign na Liahona, mey 2013, 93–94).

“Afaka mampahatsiahy an’ilay olona mikatsaka marina ny hahafantatra isika fa tsy misy sivana hanesorana ireo fampahalalana tsy marina ao amin’ny Internet. Ny Fampahalalana sasany, na dia mandresy lahatra toy ny ahoana aza, dia tsy marina tsotra izao” (Neil L. Andersen, “Joseph Smith,” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 29).

“Ny valin’ireo fanontaniana ara- panahy dia omena ho an’ny olona tsirairay izay tsy manamafy ny fony; izay mangataka amim- pinoana, mahatoky fa handray; ary mitandrina amim- pahazotoana ireo didy” (Paul V. Johnson, “A Pattern for Learning Spiritual Things” [Lahateny nataon’ny Departemantan’ny

Fampianarana an’ny Fiangonana ho an’ireo mpanabe ara- pivavahana, 7 aôg 2012], si.lds.org).

“Ny mandalina ny momba ny Fiangonana . . . amin’ny fomba fijerin’ireo mpanenjika azy dia toy ny manao dinidinika amin’i Jodasy mba hahatakarana an’i Jesoa” (Neal A. Maxwell, “All Hell Is Moved” [fampaherezam- panahy tao amin’ny Oniversite Brigham Young, 8 nôv 1977], 3, speeches. byu. edu).

IREO FOTOTRY NY FAMERENANA AMIN’ NY LAONINY—LESONA 15

Mijanona ho Mafy Orina ao anatin’ny Fotoan’ny FanoheranaApôstazia tao Kirtland: Ny Ilàna ny Fanarahana ny Mpi-tarika ao amin’ny FiangonanaTamin’ny taona 1837, dia nandalo olana ara- bola ireo Olo-masina teo Kirtland, Ohio. Mba hanampiana ireo Olomasina hahaleo tena bebe kokoa ara- bola dia nanangana orinasa iray mitovitovy amin’ny banky i Joseph Smith sy ny mpitarika hafa tao amin’ ny Fiangonana izay nantsoina hoe Kirtland Safety Society. Noho ny fahaketrahana ara- toekarena izay niely pa-trana tamin’izany fotoana izany dia maro ireo banky izay maty antoka nanerana an’i Etazonia. Maty antoka koa ny Kirtland Safety Society tamin’ny fararano 1837. Mpampiasa vola roan- jato tao amin’ilay banky no very saika ny rehetra izay nananany ary i Joseph Smith no nianteheran’ny fatiantoka lehibe indrindra. Na dia tsy ny Fiangonana aza no namatsy ny Kirtland Safety Society dia maro tamin’ireo Olomasina no nihevitra izany ho bankin’ny Fiangonana na bankin’ny Mpaminany ka nanome tsiny an’i Joseph Smith noho ny olany ara- bola. Nanomboka niantso azy ho mpaminany lany hery mihitsy aza ny sasany. Fa na dia teo aza ny tsy fahombiazan’i-lay banky dia maro tamin’ireo izay very vola no nanohy tao amin’ny finoana ka nijanona ho marina tamin’ny Mpaminany.

Nanomboka niely patrana teo amin’ireo Olomasina maro ny toetran’ny apôstazia sy ny fanakianana. Ny volana jona 1838, olona nihemotra 200 na 300 teo ho eo no niala ny Fiango-nana, anisan’izany ny Apôstôly efatra, ireo Vavolombelona Telon’ny Bokin’i Môrmôna ary mpikambana iray tao amin’ny Fiadidiana Voalohany. Na izany aza maro tamin’ireo Oloma-sina no nandray io fotoan’ny fitsapana io tamim- pinoana, tahaka ny nataon’i Brigham Young. Nampatanjahan’ny Tompo izy ireo ary nijanona ho marina tamin’ny fijoroana ho vavolombelona izay nananany. Maro tamin’ireo izay nandao ny Fiangonana nandritra io fotoan’ny apôstazia io no niverina indray taty aoriana ary nangataka ny hampiraisana azy ireo indray tamin’ny Fiangonan’ny Tompo. Anisan’izany i Oliver Cowdery sy i Martin Harris sy Luke Johnson ary i Frederick G. Williams.

Tao anatin’ireo fahasahiranana tao Kirtland ireo dia nisy olona izay nihemotra vitsivitsy nitady hamono an’i Joseph Smith. Rehefa nampitandreman’ny Fanahy izy sy i Sidney Rigdon dia nandeha nandritra ny alina tamin’ny 12 janoary 1838. Nanen-jika azy ireo ny fahavalony nandritra ny andro maromaro saingy niaro azy ireo ny Tompo. Tonga tao Far West, Missouri izy ireo niaraka tamin’ny fianakaviany tamin’ny 14 martsa 1838.

Ifampiresaho amin’ny mpianatra rehetra ireto fanontaniana manaraka ireto:

• Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ireo zava- nitranga ireo momba ny fomba handraisana ny fanoherana eo amin’ny fiainantsika. Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo zava- nitranga ireo momba ny fomba handraisan-tsika ny fanoherana ny Fiangonana?

• Inona no azontsika atao mba hijanonana ho mahatoky amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana na dia mety haheno ny olona hafa mitsikera azy ireo aza isika?

• Amin’ny fomba ahoana no nitahiana anao satria nanaraka ny tenin’ny mpaminany ianao?

Fifandirana tao Missouri Avaratra: Mianatra ny Miaritra Tsara ny FanoheranaTamin’ny taona 1837 sy 1838 dia nanomboka nitory ny Fian-gonana sy ny mpitarika tao aminy ny mpikambana tsy faly sy nesorina tsy ho mpikambana sasany izay nonina niaraka tami-n’ireo Olomasina tao Far West ary nampijaly ny Fiangonana. Tamin’ny volana Jona 1838, dia nanao lahateny nampienta-nentana tokoa izay lasa fantatra amin’ny hoe “Toritenin’ny Fanasina” i Sydney Rigdon. Naka hevitra avy tamin’ny Matio 5:13 izy ary nilaza fa raha ny fanasina no tonga matsatso, dia tsy ho tsara na amin’inona na amin’inona izany ka tokony hariana, izay nidika fa tokony ho roahina hiala teo anivon’ny Olomasina ireo izay niala ny Fiangonana. Tapa- bolana taty aoriana, tamin’ny 4 jolay, dia nanao lahateny i Sidney Rigdon izay nampanantenany fa hiaro tena ny Olomasina na dia hia-fara amin’ny “ady fandringanana” aza izany. Na dia nifanohi-tra tamin’ny fampianaran’ny Tompo amin’ny hoe “mamitràna fihavanana” (F&F 105:38) aza ireo lahateny roa ireo, dia navoaka avokoa ireo lahateny ireo ka niteraka fanairana be teo amin’ireo tsy Olomasin’ny Andro Farany.

Nandritra io fotoana io dia nisy olona niova fo iray atao hoe Sampson Avard izay nampanao fianianana miafina ho an’ireo izay hiaraka aminy amin’ny fananganana vondrona jiolahy atao hoe Danita. Nilaza tamin’izy ireo i Avard mba hangalatra sy handroba ny mponin’i Missouri, fa hoe hanampy amin’ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra izany. Nandresy lahatra ireo mpanara- dia azy i Avard fa avy tany amin’ny Fia-didiana Voalohany ny fitarihany. Hita ny marina taty aoriana ka nesorina tsy ho mpikambana i Avard. Niteraka fahavoa-zana lehibe teo amin’ny fijerin’ny olona ny Fiangonana ny zavatra nataon’i Avard ary nitarika ny fampidirana am- ponja ny Mpaminany tao amin’ny Fonjan’ny Liberty.

Tamin’ny volana oktôbra 1837 dia namela fatin’olona vitsy teo amin’ny roa tonta ny ady nifanaovan’ny mpikamban’ny

IREO FOTOTRY NY FAMERENANA AMIN’ NY LAONINY—LESONA 15

© 2

015

AN’N

Y IN

TELL

ECTU

AL R

ESER

VE, I

NC. Z

O R

EHET

RA V

OAT

OKA

NA.

Fiangonana sasany sy ny milisy tao Missouri. Tonga tany amin’ny Governora Lilburn W. Boggs, governoran’i Missouri, ny tatitra nitarina momba ilay ady ary namoaka ilay didy izay fantatra amin’ny hoe didy fandripahana izy avy eo: “Tsy maintsy raisina ho toy ny fahavalo ny Môrmôna ary tsy main-tsy ripahina na roahina hiala amin’ny fanjakana raha ilaina izany mba ho tombontsoan’ny vahoaka” (voalaza ao amin’ny History of the Church, 3:175). Tsy ela dia voadidin’ireo milisy iray ny tanànan’i Far West izay maro an’isa lavitra ho dimy ho an’ny iray noho ny herin’ny Olomasina. Naiditra am- ponja tao amin’ny Fonjan’i Liberty i Joseph Smith sy ny mpitarika tao amin’ny Fiangonana hafa ary nijanona tany izy ireo nandri-tra ny ririnina manontolo. Noterena hiala ny fanjakana ireo Olomasina sisa.

Ifampiresaho amin’ny mpianatra rehetra ireto fanontaniana manaraka ireto:

• Inona no fitsipika izay azontsika ianarana avy amin’ireo trangan- javatra ireo mba hanampiana antsika hiaritra ny fanoherana?

• Nahoana no zava- dehibe amintsika tsirairay ny manaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy amin’ny fotoan- tsarotra sy ny fano-herana? Inona no nitranga tao Missouri Avaratra noho ny tsy fanaovan’ireo Olomasina izany?

• Oviana no efa nahitanao ny teny na zavatra izay nataon’ny olona iray ka nisy fiantraikany tsara tamin’ny fomba fije-rin’ny olona iray hafa ny Fiangonana?

IREO FOTOTRY NY FAMERENANA AMIN’ NY LAONINY—LESONA 17

© 2

015

AN’N

Y IN

TELL

ECTU

AL R

ESER

VE, I

NC. Z

O R

EHET

RA V

OAT

OKA

NA.

Sombin-dahateny avy tamin’ny Lahateny King FollettNampianatra ny Mpaminany Joseph Smith (1805–44) hoe:

“Raha tsy mianatra na inona na inona ankoatra ny mihinana sy misotro ary matory ny olona, ka tsy mahatakatra ny fikasan’ Andriamanitra, dia mitovy amin’izany ny zavatra takatry ny biby. Ny biby dia mihinana, misotro, matory, ary tsy mahafantatra zavatra ankoatra izany momba an’ Andriamanitra. Ka dia mitovy amin’ny zavatra fantatsika ny

zavatra fantany raha tsy hoe afaka mahatakatra isika amin’ny alalan’ny fitaomam- panahy avy amin’ Andriamanitra Tsitoha. Raha tsy mahatakatra ny toetran’ Andriamanitra ny olombelona dia tsy mahatakatra ny tenany manokana izy. . . .

“Ny tanjoko voalohany dia ny hijery ny toetran’ilay hany Andriamani-tra hendry sy marina sy ny hoe karazan’olona manao ahoana izy. . . .

“Andriamanitra koa dia tahaka antsika izao tany aloha tany, ary olona nisandratra izy ary mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany any an- danitra ambony any! Zava- miafina lehibe izany. Raha tritra ny voaly ankehitriny, ka mampiseho ny tenany ilay Andriamanitra lehibe izay mihazona ity tontolo ity sy ny manodidina azy, ary mihazona

izao tontolo rehetra izao sy ny zava- drehetra amin’ny heriny,—dia hoy aho hoe raha toa ka mahita azy ianareo androany, dia ho hitanareo izy fa tahaka ny olona—tahaka anareo, ny endrikareo, satria i Adama dia noforonina araka ny hatsara sy endrika ary mitovy amin’ Andriamanitra, ary nandray ny torolalana, nandeha, niresaka ary nifanakalo hevitra taminy, tahaka ny olona iray miresaka amin’ny iray hafa” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 44- 45).

“Izao ary no fiainana mandrakizay—ny mahafantatra an’ilay hany Andriamanitra hendry sy marina; ary hianatra ny fomba ahafahana ho lasa andriamanitra koa ianareo, ary ho mpanjaka sy mpisorona ho an’ Andriamanitra, . . . amin’ny fiaingana avy amin’ny ambaratonga kely iray miampy iray hafa, sy avy amin’ny fahafahana kely iray miampy iray lehibe; avy amin’ny fahasoa-vana miampy fahasoavana, avy amin’ny fisandratana miampy fisandratana, mandra- pahatratraranareo ny fitsanganan’ny maty amin’ny maty, ka afaka mitoetra ao amin’ny lelafo mandrakizay, sy hipetraka amim- boninahitra, tahaka ireo izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana amin’ny hery maharitra mandrakizay” (Teachings: Joseph Smith, 221).

Sombin-dahateny avy tamin’ny Lahateny King FollettNampianatra ny Mpaminany Joseph Smith (1805–44) hoe:

“Raha tsy mianatra na inona na inona ankoatra ny mihinana sy misotro ary matory ny olona, ka tsy mahatakatra ny fikasan’ Andriamanitra, dia mitovy amin’izany ny zavatra takatry ny biby. Ny biby dia mihinana, misotro, matory, ary tsy mahafantatra zavatra ankoatra izany momba an’ Andriamanitra. Ka dia mitovy amin’ny zavatra fantatsika ny

zavatra fantany raha tsy hoe afaka mahatakatra isika amin’ny alalan’ny fitaomam- panahy avy amin’ Andriamanitra Tsitoha. Raha tsy mahatakatra ny toetran’ Andriamanitra ny olombelona dia tsy mahatakatra ny tenany manokana izy. . . .

“Ny tanjoko voalohany dia ny hijery ny toetran’ilay hany Andriamani-tra hendry sy marina sy ny hoe karazan’olona manao ahoana izy. . . .

“Andriamanitra koa dia tahaka antsika izao tany aloha tany, ary olona nisandratra izy ary mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany any an- danitra ambony any! Zava- miafina lehibe izany. Raha tritra ny voaly ankehitriny, ka mampiseho ny tenany ilay Andriamanitra lehibe izay mihazona ity tontolo ity sy ny manodidina azy, ary mihazona

izao tontolo rehetra izao sy ny zava- drehetra amin’ny heriny,—dia hoy aho hoe raha toa ka mahita azy ianareo androany, dia ho hitanareo izy fa tahaka ny olona—tahaka anareo, ny endrikareo, satria i Adama dia noforonina araka ny hatsara sy endrika ary mitovy amin’ Andriamanitra, ary nandray ny torolalana, nandeha, niresaka ary nifanakalo hevitra taminy, tahaka ny olona iray miresaka amin’ny iray hafa” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 44- 45).

“Izao ary no fiainana mandrakizay—ny mahafantatra an’ilay hany Andriamanitra hendry sy marina; ary hianatra ny fomba ahafahana ho lasa andriamanitra koa ianareo, ary ho mpanjaka sy mpisorona ho an’ Andriamanitra, . . . amin’ny fiaingana avy amin’ny ambaratonga kely iray miampy iray hafa, sy avy amin’ny fahafahana kely iray miampy iray lehibe; avy amin’ny fahasoa-vana miampy fahasoavana, avy amin’ny fisandratana miampy fisandratana, mandra- pahatratraranareo ny fitsanganan’ny maty amin’ny maty, ka afaka mitoetra ao amin’ny lelafo mandrakizay, sy hipetraka amim- boninahitra, tahaka ireo izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana amin’ny hery maharitra mandrakizay” (Teachings: Joseph Smith, 221).

IREO FOTOTRY NY FAMERENANA AMIN’ NY LAONINY—LESONA 18

© 2

015

AN’N

Y IN

TELL

ECTU

AL R

ESER

VE, I

NC. Z

O R

EHET

RA V

OAT

OKA

NA.

Ny Vehivavy sy ny FisoronanaHoy ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, hoe:

“Tao amin’ny lahateny izay nataony tamin’ny Fikambanana Ifanampiana, ny Filoha Joseph Fielding Smith, izay Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’izay, dia nilaza izao: ‘Na dia tsy nomena ny Fisoronana aza ny vehivavy, tsy nomena ho azy ireo izany, dia tsy midika akory izany fa ny Tompo dia tsy nanome azy ireo ny fahefana. . . .

Mety misy olona manana fahefana izay nomena azy, na vehivavy izay manana ny fahefana, mba hanaovany zavatra sasantsasany ao amin’ny Fiangonana izay tsy afa- misaraka sy tena ilaina amin’ny famonjena antsika, toy ny asa izay ataon’ireo rahavavintsika any amin’ny Tranon’ny Tompo. Manana ny fahefana izay nomena azy izy mba hanaovana zavatra lehibe sy mahatalanjona, masina eo anatrehan’ny Tompo, ary mamehy mitovy tsy misy hafa amin’ireo fitahiana izay omen’ny lehilahy mihazona ny Fisoronana’ [‘Relief Society—An Aid to the Priesthood,’ Relief Society Magazine, jan. 1959, 4].

“Tao anatin’io lahateny manan- danja io ny Filoha Smith dia name-rimberina hatrany fa ireo vehivavy dia nomena fahefana. Hoy izy tamin’ireo vehivavy hoe ‘Afaka miteny ombam- pahefana ianareo satria nametrahan’ny Tompo fahefana ianareo.’ Nilaza ihany koa izy fa ny Fikambanana Ifanampiana ‘[dia] nomena hery sy fahefana ha-

nao zavatra lehibe maro. Ny asa izay ataon’izy ireo dia atao amin’ny alalan’ny fahefan’ Andriamanitra.’ Ary mazava ho azy fa ny asam- piangonana izay ataon’ny vehivavy na ny lehilahy, na any amin’ny tempoly izany na any amin’ny paroasy na sampana dia atao eo am-bany fitarihan’ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana. Noho izany, raha niresaka momba ny Fikambanana Ifanampiana ny Filoha Smith dia nanazava hoe: Nomen’ny [Tompo] azy ireo ity fikambanana lehibe ity ary ao izy ireo no manana fahefana hanompo eo ambany fitarihan’ireo evekan’ny paroasy . . . , mikarakara ny tombontsoan’ny vahoakantsika na ara- batana izany na ara- panahy’ [‘Relief Society—An Aid to the Priesthood,’ 4–5]. . . .

“Tsy mahazatra antsika ny fitenenana mikasika ny fananan’ny vehivavy ny fahefan’ny fisoronana ao amin’ny antson’izy ireo ato am- piangonana, saingy fahefana hafa inona ary izany? Rehefa atokana ny vehivavy iray—na tanora na antitra—hitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno, dia omena fahefan’ny fisoronana izy hanatantera-hana andraikitra iray izay an’ny fisoronana. Marina koa izany rehefa atokana amin’ny andraikitra toy ny mpiandraikitra na mpampianatra ao amin’ny rafitra iray ao amin’ny Fiangonana ny vehivavy iray eo ambany fitarihan’ny olona iray izay mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana. Na iza na iza miasa eo amin’ny toerana na antso iray voaray avy tamin’olona iray izay mihazona fanalahidin’ny fisoronana dia mampiasa ny fahefan’ny fisoronana eo am- panatanterahana ireo andraikitra nanendrena azy” (“Ny Fanalahidy sy ny Fahefan’ny Fisoronana,” Ensign na Liahona, mey 2014, 50–51).

Ny Vehivavy sy ny FisoronanaHoy ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, hoe:

“Tao amin’ny lahateny izay nataony tamin’ny Fikambanana Ifanampiana, ny Filoha Joseph Fielding Smith, izay Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’izay, dia nilaza izao: ‘Na dia tsy nomena ny Fisoronana aza ny vehivavy, tsy nomena ho azy ireo izany, dia tsy midika akory izany fa ny Tompo dia tsy nanome azy ireo ny fahefana. . . .

Mety misy olona manana fahefana izay nomena azy, na vehivavy izay manana ny fahefana, mba hanaovany zavatra sasantsasany ao amin’ny Fiangonana izay tsy afa- misaraka sy tena ilaina amin’ny famonjena antsika, toy ny asa izay ataon’ireo rahavavintsika any amin’ny Tranon’ny Tompo. Manana ny fahefana izay nomena azy izy mba hanaovana zavatra lehibe sy mahatalanjona, masina eo anatrehan’ny Tompo, ary mamehy mitovy tsy misy hafa amin’ireo fitahiana izay omen’ny lehilahy mihazona ny Fisoronana’ [‘Relief Society—An Aid to the Priesthood,’ Relief Society Magazine, jan. 1959, 4].

“Tao anatin’io lahateny manan- danja io ny Filoha Smith dia name-rimberina hatrany fa ireo vehivavy dia nomena fahefana. Hoy izy tamin’ireo vehivavy hoe ‘Afaka miteny ombam- pahefana ianareo satria nametrahan’ny Tompo fahefana ianareo.’ Nilaza ihany koa izy fa ny Fikambanana Ifanampiana ‘[dia] nomena hery sy fahefana ha-

nao zavatra lehibe maro. Ny asa izay ataon’izy ireo dia atao amin’ny alalan’ny fahefan’ Andriamanitra.’ Ary mazava ho azy fa ny asam- piangonana izay ataon’ny vehivavy na ny lehilahy, na any amin’ny tempoly izany na any amin’ny paroasy na sampana dia atao eo am-bany fitarihan’ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana. Noho izany, raha niresaka momba ny Fikambanana Ifanampiana ny Filoha Smith dia nanazava hoe: Nomen’ny [Tompo] azy ireo ity fikambanana lehibe ity ary ao izy ireo no manana fahefana hanompo eo ambany fitarihan’ireo evekan’ny paroasy . . . , mikarakara ny tombontsoan’ny vahoakantsika na ara- batana izany na ara- panahy’ [‘Relief Society—An Aid to the Priesthood,’ 4–5]. . . .

“Tsy mahazatra antsika ny fitenenana mikasika ny fananan’ny vehivavy ny fahefan’ny fisoronana ao amin’ny antson’izy ireo ato am- piangonana, saingy fahefana hafa inona ary izany? Rehefa atokana ny vehivavy iray—na tanora na antitra—hitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno, dia omena fahefan’ny fisoronana izy hanatantera-hana andraikitra iray izay an’ny fisoronana. Marina koa izany rehefa atokana amin’ny andraikitra toy ny mpiandraikitra na mpampianatra ao amin’ny rafitra iray ao amin’ny Fiangonana ny vehivavy iray eo ambany fitarihan’ny olona iray izay mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana. Na iza na iza miasa eo amin’ny toerana na antso iray voaray avy tamin’olona iray izay mihazona fanalahidin’ny fisoronana dia mampiasa ny fahefan’ny fisoronana eo am- panatanterahana ireo andraikitra nanendrena azy” (“Ny Fanalahidy sy ny Fahefan’ny Fisoronana,” Ensign na Liahona, mey 2014, 50–51).

IREO FOTOTRY NY FAMERENANA AMIN’ NY LAONINY—LESONA 20

Fahatakarana ny Fanambadiana MaroFanambadiana Maro

“Mino ny Olomasin’ny Andro farany fa ny fanambadian’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray no lalàn’ny Tompo manan- kery mikasika ny fanambadiana. Tamin’ny fotoan’andron’ny Baiboly, dia nandidy ny sasany hanana vady maro ny Tompo—ny fanambadian’ny lehilahy iray sy ny vehivavy maro. Tamin’ny alalan’ny fanambarana, dia nandidy an’i Joseph Smith ny Tompo mba hametraka ny fomba fampiharana ny fanambadiana maro teo anivon’ny mpikamban’ny Fiango-nanana tamin’ny fiandohan’ny taona 1840. Nandritra ny dimampolo taona mihoatra, dia nampiharin’ny Olomasin’ny Andro Farany sasany ny fanambadiana maro teo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Fiangonana” (“Plural Marriage in The Church of Jesus Christ of Latter - day Saints,” [Ny Fanamba-diana Maro tao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics).

Didiy Iray Sarotra

I Eliza R. Snow (1804–87), filoha faharoa an’ny Fikambanana Ifanampiana maneran- tany, dia nofehezina tamin’ny Mpami-nany Joseph Smith. Nanoratra izao traikefa manaraka izao izy izay ahitana ny Mpaminany Joseph Smith nampianatra ny fitsi-piky ny fanambadiana maro tamin’ny Lorenzo Snow anadahiny.

“Nanokatra ny fony tamin’ [i Lorenzo Snow] ny Mpaminany Joseph Smith, ary namariparitra ny hasarotan’ny faho-rian’ny saina izay niainany mba handresy ny rikorikon’ny fahatsapany, ilay vokatra voa- janaharin’ny fanabeazana sy ny fomba amam- panao ara- piaraha- monina, izay mifandray amin’ny fampidirana ny fanambadiana maro. Fantany ny feon’ Andriamanitra—fantany fa mila mandroso ilay didin’i-lay Tsitoha ho azy—mba haneho ny ohatra, ka hanorina ny fanambadiana maro araka ny fomba selestialy. Fantany fa tsy ny fomba fiheviny sy ny fahatakarany taloha ihany no tsy maintsy niadivany sy noreseny, fa ireo fitsarana an- tendrony izay avy amin’ny Kristianina rehetra ihany koa; saingy Andria-manitra, izay ambonin’ny rehetra, no nanome azy ny didy, ary tsy maintsy ankatoavina Izy. Kanefa dia nisalasala ny Mpami-nany ary nanemotra ombieny ombieny raha tsy nisy anjelin’ Andriamanitra nitsangana teo anilany niaraka tamin’ny sa-batra, ka niteny azy hoe raha tsy nandroso izy ka nampiorina ny fanambadiana maro dia hoesorina ny Fisoronany ary tsy maintsy hofongorana izy. Tsy tamin’ny anadahiko ihany no ni-zarany izany tenivavolombelona izany, fa tamin’ny hafa ihany koa—tenivavolombelona izay tsy azo tsipahina” (Biography and Family Record of Lorenzo Snow [1884], 69–70).

Fitsapam- pinoana

Maro ireo izay nanana fahasahiranana tamin’ny fitsi-piky ny fanambadiana maro no nahazo ny fitahian’ny

tenivavolombelona izay nohamafisin’ny fanahy mikasika ny fahamarinan’ilay fitsipika.

“Araka ny nolazain’i Helen Mar Kimball, i Joseph Smith dia nilaza fa ‘ny fampiharana io fitsipika io no fitsapana mafy in-drindra izay mety hitsapana ny finoan’ny Olomasina.’ Na dia iray tamin’ireo fitsapana ‘mafy’ indrindra tamin’ny fiainany aza izany, dia nijoro ho vavolombelona izy fa ‘iray tamin’ireo fitahiana lehibe’ azony ihany koa izany. . . .

“Nampahatsiahivin’i Lucy Walker ny korontana nisy tao aminy rehefa nasain’i Joseph Smith ho lasa vadiny izy. ‘Ny fahatsapan’ny fanahiko rehetra dia nikomy nanohitra izany,’ hoy ny nosoratany. Kanefa, taorian’ny tsy fatoriana maro nandohalihana amim- bavaka, dia nahazo fahamaivanana izy rehefa ‘feno ny fitaomana masina’ tahaka ny ‘masoan-dro mamiratra’ ny efitranony. Hoy izy hoe: ‘Feno fiadanana milamina sy tony ny fanahiko izay mbola tsy fantatro mihitsy,’ ary ‘fahasambaranana ambony dia ambony no nameno ny tenako manontolo’” (“Plural Marriage in Kirtland and Nauvoo,” [Ny Fanambadiana Maro tao Kirtland sy Nauvoo] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics).

I Joseph Smith sy ny Fanambadiana Maro

Maro ireo vehivavy nofehezina tamin’i Joseph Smith, saingy tsy fantatra ny tena isany marina.

“Nandritra ny fotoana izay nampiharana ny fanambadiana maro, ny Olomasin’ny Andro Farany dia nampiavaka ny fa-mehezana mandritra izao fiainana izao sy ho an’ny mandra-kizay amin’ny famehezana ho an’ny mandrakizay fotsiny. Ny famehezana mandritra izao fiainana izao sy ny mandrakizay dia ahitana ny fanoloran- tena sy ny fifandraisana mandritra ity fiainana ity, amin’ny ankapobeny dia ny mety hisian’ny firaisana ara- nofo. Ny famehezana ho amin’ny mandrakizay fotsiny dia milaza ny fifandraisana any amin’ny fiainana aoria-n’izao fiainana izao fotsiny.

“. . . Nijoro ho vavolombelona ny sasany tamin’ireo vehivavy izay nofehezina tamin’i Joseph taty aoriana fa ny fanamba-diany dia mandritra izao fiainana izao sy ny mandrakizay, raha toa ka ny hafa dia nilaza fa ny fifandraisany dia ho amin’ny mandrakizay fotsiny ihany.

“Ny ankamaroan’ireo izay nofehezina tamin’i Joseph Smith ireo dia nanelanelana ny 20 ka hatramin’ny 40 taona ta-min’ny fotoana izay nanaovana ny famehezana taminy. Ny zokiny indrindra dia i Fanny Young, izay 56 taona tamin’i-zay. Ny zandriny indrindra dia i Helen Mar Kimball, . . . izay nofehezina tamin’i Joseph Smith volana vitsivitsy talohan’ny faha- 15 taonany. Ny fanambadiana amin’izany taona izany, izay tsy mety amin’ny fitsipika amin’izao androntsika izao, dia ara- dalàna tamin’izany vanim- potoana izany, ary ny vehivavy sasany dia nanambady tany anelanelan’ny fahatanorany.

IREO FOTOTRY NY FAMERENANA AMIN’ NY LAONINY—LESONA 20

© 2

015

AN’N

Y IN

TELL

ECTU

AL R

ESER

VE, I

NC. Z

O R

EHET

RA V

OAT

OKA

NA.

Nilaza i Helen Mar Kimball momba ny famehezana azy tamin’i Joseph Smith fa ‘ho an’ny mandrakizay fotsiny’ izany, izay midika fa tsy tafiditra tao amin’ny fiarahany ny firaisana ara- nofo. . . .

“. . . I Joseph Smith dia nofehezina tamin’ny vehivavy maro efa nanambady. Samy tsy nisy nanazava betsaka mikasika an’i-reo famehezana ireo na ireo vehivavy na i Joseph Smith, na dia betsaka aza ireo vehivavy nilaza fa ho an’ny mandrakizay fotsiny izany. Ny vehivavy hafa dia tsy nametraka rakitsoratra, ka nanjary tsy fantatra na nandritra izao fiainana izao sy ny mandrikizay ny famehezany na ho an’ny mandrakizay fotsiny.

“Misy fanazavana maro izay afaka ho hita momba an’io fomba io. Mety ho nanome lalana nahafahana namorona fifamatorana mandrakizay na rohy mampifandray ny fianaka-vian’i Joseph sy ny fianakaviana hafa tao amin’ny fiangonana ireo famehezana ireo. Ireo famehezana ireo dia sady mivelatra amin’ny lafiny iray dia, manomboka amin’ny ray aman- dreny hatrany amin’ny zanaka, sy amin’ny ankilany, avy amin’ny fianakaviana iray mankany amin’ny fianakaviana iray hafa. Ankehitriny dia tanteraka ny famatorana mandrakizay toy izany amin’ny alalan’ny fanambadiana any amin’ny tempo-lin’ny olona izay fehezina ihany koa amin’ny zanaka ateraky ny fianakaviany, dia toy izany no ampifandraisana miaraka ny fianakaviana” (“Plural Marriage in Kirtland and Nauvoo,” [Ny Fanambadiana Maro tao Kirtland sy Nauvoo] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics).

Taorian’ny nahafatesan’ny Mpaminany, dia maro ireo vehi-vavy nofehezina taminy izay tsy nanana fifandraisana taminy teto an- tany.

Fanoherana ny Fanambadiana Maro

Mpitarika fivavahana sy ara- pôlitika maro tao Etazonia no nanohitra ny rafitry ny fanambadiana maro, izay noheveriny fa tsy mendrika sy tsy manaraka ny fandrosoana. Noesoina ny Olomasin’ny Andro Farany teny amin’ny resadresaka isan- karazany teo anivon’ny fiaraha- monina, ny boky, ny gazeti-boky ary ny gazety. Namoaka lalàna ny Kongresy Amerikanina izay nametra ny fahalalahan’ny mpikamban’ny Fiangonana sy nanimba ara- toe- karena ny Fiangonana tamin’ny fampihe-nana ny isan’ny fananana izay azon’ny Fiangonana ananana. “Izany lalàna izany dia nahatonga ny manampahefana hiha-zona sy hampiditra am- ponja ireo lehilahy izay nanam- bady mihoatra ny iray ary nanaisotra tamin’ izy ireo ny zo hifidy, ny zo ananany fiainana manokana any an- tokantranony, ary ny fizakana ireo ny zo hafa an’ ny olom- pirenena.” (Ny Lovantsika: Tantara fohy mikasika ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany [1996], 119- 120). Ny taona 1890, dia Olomasin’ny Andro Farany an- jatony maro no naiditra am- ponja. Ny hafa kosa dia niafina mba tsy ho

voasambotra na tafiditra am- ponja. Tamin’izany toe- javatra izany, maro ireo fianakaviana izay nijaly noho ny adin- tsaina, fahoriana, fahantrana, ary hanoanana.

Na dia naneso azy ireo aza izao tontolo izao noho ny fam-piharany ny fanambadiana maro, dia Olomasin’ny Andro Farany maro no niaro ilay fomba sy nijoro ho vavolombelona fa nambaran’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith izany.

Ireo toe- javatra sarotra ireo no nitarika an’ny Filoha Wilford Woodruff ho nikatsaka amim- bavaka ny fitarihan’ny Tompo mikasika ny fampiharan’ny Olomasina ny fanambadiana maro. Tamin’ny taona 1889, dia nampianatra ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana ny Filoha Woodruff mba hanaja-nona ny fampianarana ny fitsipiky ny fanambadiana maro. Tamin’ny taona 1890, fanambadiana maro vitsivitsy no notanterahina, ary ireo dia tsy araky ny torohevitry ny Filoha Woodruff. Na dia izany aza, dia mamoaka tatitra ny olona sasany fa mbola namporisika ny fampiharana ny fanam-badiana maro ny Fiangonana. Ireo tatitra ireo no nitondra fanoherana bebe kokoa ny Fiangonana. Tamin’ny volana sep-tambra 1890, dia namoaka ilay Manifesto ny Filoha Wilford Woodruff, izay fantatra amin’ny Fanambarana Ôfisialy 1 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Ny Manifesto Faharoa

“Ny Manifesto [Fanambarana Ôfisialy 1] dia milaza ny fikasan’ny Filoha [Wilford] Woodruff izay nanaiky ny lalàn’ny Etazonia. Tsy nilaza ny mikasika ny lalàn’ny firenena hafa izany. Hatramin’ny nisokafan’ny fanjanahana tany Mexique sy Canada, dia nanatanteraka ny fanambadiana maro ny mpitarika tao amin’ny Fiangonana tamin’ireo firenena ireo, ary taorian’ny oktôbra 1890, dia mbola notanterahina man-gingina tany hatrany ny fanambadiana maro. . . . Manoloana toe- javatra miavaka, dia fanambadiana maro vitsivitsy no notanterahina tany Etazonia teo anelanelan’ny taona 1890 sy 1904, fa tsy mazava na nahazo lalana ireo fanambadiana ireo mba ho tanterahina tao amin’ireo firenena nanaovana azy” (“The Manifesto and the End of Plural Marriage,” [Ilay Manifesto sy ny Fiafaran’ny Fanambadiana Maro] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics).

“Tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana aprily 1904, dia namoaka filazana feno fanerena ny Filoha [Joseph F.] Smith, izay fantatra amin’ny hoe Manifesto Faharoa, izay milaza fa saziana amin’ny fanalana tsy ho mpikambana ny fanamba-diana maro” (“Plural Marriage in The Church of Jesus Christ of Latter - day Saints,” [Ny Fanambadiana Maro tao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics).

IREO FOTOTRY NY FAMERENANA AMIN’ NY LAONINY—LESONA 22

© 2

015

AN’N

Y IN

TELL

ECTU

AL R

ESER

VE, I

NC. Z

O R

EHET

RA V

OAT

OKA

NA.

Maty Maritiora ny Mpaminany Joseph SmithFanoherana ny Mpaminany sy ny FiangonanaNihamafy ny lolom- pon’ny olona tamin’ny Fiangonana ny volana jona 1844. Nifanakalo hevitra mikasika ny fandroahana ny Olomasina hiala ny firenena ny mponina sasany tao Illinois, raha ny hafa kosa nitetika ny hamono an’i Joseph Smith. Mpikamban’ny Fiangonana taloha izay nihemotra ny sasany tamin’ireo izay niray tetika nanohi-tra an’i Joseph Smith sy ny Fiangonana. Tamin’ny 7 jona 1844, dia namoaka ny laharana voalohan’ny gazety iray izay nantsoina hoe Nauvoo Expositor i William Law, izay nanompo tamin’ny maha- Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany niaraka ta-min’ireo mpihemotra hafa. Nampiasain’ireo lehilahy ireo io gazety io mba hanendrikendrehana an’i Joseph Smith sy ny mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana, tao anatin’ny fikasana hampirehitra ny vahoaka hanohitra an’i Joseph Smith sy ny Fiangonana. Niaiky i Joseph, izay niasa tamin’ny naha ben’ny tanànan’i Nauvoo azy, niaraka tamin’ny ankamaroan’ny filankevitry tanànan’i Nauvoo fa hiteraka korontana ao amin’ny tanàna io gazety nilaza zavatra mampiady io. Nambara-n’izy ireo fa mpihetraketraka vahoaka ilay gazety ka nanome baiko ny handravana ilay gazety Nauvoo Expositor izy ireo.

Noampangaina tsy ara-drariny i Joseph sy i Hyrum“Noho ny [fandravana ny Nauvoo Expositor ] izay nataon’ny ben’ny tanàna sy ny filankevitry ny tanàna, dia namoaka fiampangana tsy marim- pototra ho famporisihana ho amin’ny korontana nanohitra an’i Joseph Smith, Hyrum rahalahiny sy manampahefana hafa tao an- tanànan’i Nauvoo ireo manampahefana tao Illinois. Nandidy ireo lehilahy mba hotsaraina tany Carthage, Illinois, izay toerana misy ny fitantanana ny fanjakana, i Thomas Ford, governoran’i Illinois ary nampanantena fiarovana ho azy ireo. Fantatr’i Joseph fa hiharan- doza lehibe ny ainy raha mankany Carthage izy, noho ireo mpihetra-ketraka izay nandrahona azy.

“Noho ny fieritreretany fa izy ireo ihany no tadiavin’ireo mpihetra-ketraka, dia nanapa- kevitra i Joseph sy Hyrum ny hiala nankany andrefana mba hitsimbinana ny ain’izy ireo. Niampita ny renirano Mississipi izy ireo ny 23 jona, fa taorian’izay tamin’io andro io, dia nisy rahalahy avy tany Nauvoo nahita ny Mpaminany ka nilaza taminy fa hisy andian’olona hanafika ny tanàna raha toa ka tsy nivoaka na-natona ny manampahefana tany Carthage izy. Nanaiky nanao izany ny Mpaminany, nanantena fa nampitony ny governemanta sy ireo mpihetraketraka. Ny 24 jona dia nanao veloma ny fianakaviany i Jo-seph sy Hyrum Smith ary nandeha tany Carthage niaraka tamin’ireo manampahefan’ny tanàna, nitonon- tena an- tsitrapo tamin’ireo ma-nampahefana tao Carthage ny ampitson’iny. Rehefa nahazo fahafa-hana vonjimaika ireo mpirahalahy tamin’ny fiampangana voalohany, dia noampangaina tsy ara-drariny ho mpamadika ny faritanin’i Illinois izy ireo, nosamborina ary naiditra am- ponja tao amin’ny Fonjan’i Carthage niandry ny fitsarana. Niaraka tamin’izy ireo an- tsitrapo ny Loholona John Taylor sy Willard Richards, ireo hany mpikambana tao amin’ny Roambinifololahy izay tsy nanao asa fitoriana” (Enseigne-ments des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 567–68).

Fahafatesana ho tao amin’ny Fonjan’i CarthageNandritra ny andro tamin’ny 27 jona 1844, dia nisy mpitsidika iray nanome basy an’i Joseph. Rehefa niezaka niditra ny efitrano nisy ny Mpaminany sy ireo lehilahy hafa ireo mpihetraketraka, dia voatifitra i Hyrum ka maty, ho fiarovana ireo rehetra izay tao anatin’ilay efitrano. Nihazakazaka nankeo amin’ny varavarana i Joseph ka nahazo ny sisin’ny varavarana ka nitifitra nankany amin’ny lalantsara. Telo tami-n’ireo bala enina ihany no nipoaka, ka nahavoa ny maro tamin’ireo mpihetraketraka. Nampidirin’ireo mpihetraketraka tamin’ny vara-varana izay tsy mikatona tsara ny basiny, ary nanandrana nikapoka tamin’ny tehina ny loham- basin’izy ireo i John Taylor.

Rehefa nihamafy ny ady teo am- baravarana, dia niezaka nitsoaka ny efitrano teo am-baravarankely i John Taylor. Rehefa nanandrana nitsambikina teo am-baravarankely izy, dia voatifitra tamin’ny feny izy teo amin’ny varavarana ary nisy olona ihany koa nahatifitra azy avy tany ivelany. Lavo tamin’ny tany izy, ary raha nanandrana ny hahazo ny tao ambany fandriana teo akaikin’ny varavarana izy dia voatifitra in- telo ka naratra mafy. Nandritra izany fotoana izany, rehefa niditra teo amin’ny varavarana ny basy maro, dia nanomboka namely azy ireo tamin’ny tehina i Willard Richards.

Ary nanapa- kevitra ny hitsoaka tamin’ilay varavarankely i Joseph Smith. Raha mbola nanohy nampiala ireo mpihetraketraka teo amin’ny varavarana i Willard Richards, dia nitsambikina avy teo amin’ny varavarankely i Joseph Smith. Teo am- panaovany izany no namely ny bala na avy tao anaty na tany ivelan’ny fonja. Nianjera teo amin’ny varavarankely izy nihiaka hoe: “Tompo, Andriamanitro ô!” ka latsaka tamin’ny tany. Nihazakazaka nankany ivelany ireo izay ani-san’ny mpihetraketraka tao anatin’ny fonja mba haka toky fa maty i Joseph. Na dia tsy nisy mpikamban’ny Fiangonana aza tamin’ny lalana nankany Carthage, dia nisy olona nihiaka hoe: “Tonga ny Môrmôna!” ka nandositra ireo mpihetraketraka rehetra.

Ireo fanomezam- boninahitra ny Mpaminany Joseph SmithNilaza ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, hoe:

“Ny olona izay nahafantatra an’i Joseph Smith sy niaraka taminy teo akaikiny tao amin’ny fitarihana ny Fiangonana dia tia azy sy nanohana azy ho mpaminany. Nisafidy ny ho faty teo akaikiny i Hyrum rahalahiny. I John Taylor, izay niaraka taminy koa tamin’ny namonoana azy, dia nilaza hoe: ‘Mijoro ho vavolombelona aho manoloana an’

Andriamanitra sy ireo anjely ary ny olona, fa olona tsara sy mendri- kaja ary tsara toetra izy . . . —fa fakan- tahaka ny toetrany manokana sy ny toetrany amin’ny olona—ary niaina sy maty tamin’ny naha olon’ Andriamanitra azy izy’ (The Gospel Kingdom [1987], 355; jereo koa ny F&F 135:3). Hoy i Brigham Young: ‘Tsy mino aho hoe misy lehilahy miaina eto an- tany ka nahafantatra an’i [Joseph Smith] kokoa noho izaho; ary sahy aho milaza fa, ankoatra an’i Jesoa Kristy, dia tsy misy olona tsara noho izy izay niaina na miaina eto an- tany’ [Discourses of Brigham Young, sel. John A. Widtsoe (1954), 459]” (“Joseph, the Man and the Prophet,” Ensign, mey 1996, 73).

IREO FOTOTRY NY FAMERENANA AMIN’ NY LAONINY—LESONA 23

Fifandimbiasana tao amin’ny Fiadidian’ny FiangonanaFivoriana niaraka tamin’ireo Apôstôly Roambinifolo, martsa 1844

Nampahatsiahy ny Filoha Wilford Woodruff (1807–98) hoe:

“Tsaroako ny lahateny farany nomen’i [Joseph Smith] anay talohan’ny nahafatesany. . . . Nijoro nandritra ny telo ora izy. Feno tahaka ny afo mandevona ny efitrano, nazava tahaka ny metaly mamiratra ny tarehiny, ary nitafy ny herin’ Andriamanitra izy. Nazavainy taminay ny

andraikitray. Nazavainy taminay ny fahafenoan’ity asa lehiben’ Andriamanitra ity; ary hoy izy nanao fanamarihana taminay: ‘Efa nofeheziko teo ambony lohako avokoa ny fanalahidy rehe-tra, ny hery rehetra, ny fitsipiky ny fiainana sy ny famonjena rehetra izay nomen’ Andriamanitra ny lehilahy rehetra izay niaina teto ambonin’ny tany. Ary ireo fitsipika ireo sy io Fisoronana sy hery io dia an’ity fotoampitantanana lehibe sy farany ity izay naninjiran’ Andriamanitry ny Lanitra ny tanany mba hatsangana eto an- tany. Ankehitriny’ hoy izy, niresaka tamin’ny Roambinifololahy, ‘nofeheziko teo ambony lohanareo ny fanalahidy rehetra sy ny hery rehetra ary ny fitsipika rehetra izay nofehezin’ Andriamanitra tambonin’ny lohako.’ . . .

“Rehefa avy niresaka taminay toy izany izy dia niteny hoe: ‘Milaza aminareo aho, mipetraka eo an- tsorokareo izao ny enta- mavesatr’ity fanjakana ity; anjaranareo ny mitondra izany amin’izao tontolo izao’” (voalaza ao amin’ny Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 571- 71).

Ny Fitakian’i Sidney Rigdon

Tonga tao Nauvoo i Sidney Rigdon, Mpanolotsaina Voalo-hany tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, tamin’ny 3 aogôsitra 1844, avy tany Pittsburgh, Pennsylvanie. Nanao fiantsoana fivoriana manokana izy ho tanterahina tamin’ny talata 6 ao-gôsitra mba hahafahan’ny mpikamban’ny Fiangonana nifidy mpiahy ny Fiangonana. Sahala amin’ny hoe niezaka nanao io fivoriana io i Sidney Rigdon mba hahafahan’ny mpikam-ban’ny Fiangonana hanamarina ny toerany amin’ny maha mpiahy ny Fiangonana azy alohan’ny hiverenan’ ireo Apôstôly Roambinifolo avy any amin’ny asa fitoriany tany andrefan’i Etazonia. Soa ihany fa, noho ny ezaka nataon’ny Loholona Willard Richards sy ny Loholona Parley P. Pratt, dia nahemotra ny alakamisy 8 aogôsitra 1844 ilay fivoriana, izay fotoana niverenan’ny ankamaroan’ireo Apôstôly tao Nauvoo.

Nitaky i Sidney Rigdon fa satria nantsoina sy notendrena ho mpitondra tenin’i Joseph Smith izy teo aloha (jereo ny F&F 100:9), dia andraikiny ny “mijery fa voatantana amin’ny

fomba mety ny Fiangonana” (ao amin’ny History of the Church, 7:229).

Ny Fitakian’i James Strang

Taorian’ny nahafatean’i Joseph Smith dia nilaza i James Strang, izay natao batisa tamin’ny volana febroary 1844, fa nahazo taratasy avy tamin’i Joseph Smith izy izay nilaza fa nanondro an’i Strang i Joseph mba ho mpandimby azy. Hosoka ilay taratasy, saingy toa nahitana ny sonian’i Joseph Smith izany, ka namitaka ny sasany tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana izany rehefa nasehon’i Strang tamin’izy ireo. Nilaza ihany koa i Strang fa notsidihin’ny anjely iray izy, izay nanome fanalahidy azy.

7 aogôsitra 1844

Efa tao Nauvoo ny Loholona isany John Taylor, Willard Richards, Parley P. Pratt, ary George A. Smith tamin’ny nahatongavan’i Sydney Rigdon. Ny ankamaroan’ireo Apôs-tôly, anisan’izany i Brigham Young, dia niverina tao Nauvoo ny tolakandron’ny 6 aogôsitra 1844. Ny ampitson’io, ny 7 aogôsitra, dia nivory nanao filankevitra tao amin’ny tranon’i John Taylor ireo Apôstôly. Avy eo ny tolakandron’io, dia niara- nivory ireo Apôstoly Roambinifolo, ny filankevitra avo, sy ireo mpisorona avo. Nangataka an’i Sidney Rigdon ny Filoha Young mba hilaza ny hafany tamin’ny Olomasina. Nilaza tamim- pahasahiana i Sidney Rigdon fa nahita fahitana ary tsy misy olona afaka mandimby an’i Joseph Smith ho Filohan’ny Fiangonana. Dia nanome sosokevitra izy fa izy no voatondro ho mpiahy ny vahoaka.

Taorian’ny namaranan’i Sidney Rigdon ny fanamarihany, dia niteny i Brigham Young (1801–77):

“Tsy miraharaha izay hitarika ny fiangonana aho, . . . fa ny zavatra iray izay tsy maintsy fantako, dia ny zavatra lazain’ Andriamanitra momba izany. Ananako ireo fanalahidy sy ny fomba hahazoana mahafantatra ny sain’ Andriamanitra momba io foto- kevitra io. . . .

“Nomen’i Joseph teo ambony lohanay avokoa ireo fanalahidy sy hery rehetran’ny maha Apôstôly izay nohazoniny talo-han’ny nahalasana azy, ary tsy misy olona na olona voatokana eto amin’izao tontolo izao na ny tontolo ho avy izay afaka mipetraka eo anelanelan’ny Joseph sy ny Roambinifololahy.

“Impiry i Joseph no niteny tamin’ny Roambinifololahy hoe, ‘Efa napetrako ny fototra ka tsy maintsy manorina eo ambo-niny ianareo, fa mitoetra eo an- tsorokareo ny fanjakana’” (ao amin’ny History of the Church, 7:230).

IREO FOTOTRY NY FAMERENANA AMIN’ NY LAONINY—LESONA 23

© 2

015

AN’N

Y IN

TELL

ECTU

AL R

ESER

VE, I

NC. Z

O R

EHET

RA V

OAT

OKA

NA.

8 aogôsitra 1844, tamin’ny 10 ora maraina

Tamin’ny 8 aogôsitra 1844 dia nivory ireo Olomasina tao Nauvoo tamin’ny 10 maraina mba hihaino ny fihamboan’i Sidney Rigdon ho mpiahy ny Fiangonana. Niresaka tamin’ireo Olomasina tafavory an’arivony maro izy nandritra ny adiny iray sy sasany, nanazava ny antony naha tsy maintsy ho mpiaro ny Fiangonana azy. Olona maro no nanoritsoritra ny lahateniny ho tsy nentanim- panahy.

Niteny fohifohy ny Filoha Brigham Young ka nilaza fa naleony niverina tany Nauvoo mba hisaona an’ny Mpaminany toy izay hijanona nanendry mpitarika vaovao. Nanambara izy fa hisy fivorian’ny mpitarika sy mpikambana ny harivan’io andro io tamin’ny 2 ora tolakandro. Mpikamban’ny Fiangonana maro no nijoro ho vavolombelona taty aoriana fa rehefa niteny i Brigham Young, dia hitany niova ny endriny ary henony niova ny feony, ka nandray ny endrika sy ny feon’ny Mpaminany Joseph Smith izy.

Nahatsiaro i Emily Smith Hoyt: “Nampihetsi- po be ny fana-hiko manontolo ilay fomba fisainana, ilay fisehon’ny tarehy, ilay fahenoana ny feo. . . . Fantatro fa maty i Joseph. Kanefa dia matetika aho no taitra ka nijery tsy nahy teny amin’ny lampihazo mba hijery raha tsy i Joseph izany. Tsy izy izany, fa i Brigham Young” (voalaza ao amin’ny Lynne Watkins Jorgen-sen, “The Mantle of the Prophet Joseph Passes to Brother Brigham: A Collective Spiritual Witness,” BYU Studies, boky 36, lah. 4 [1996–97], 142).

Nanoratra i Wilford Woodruff hoe: “Raha tsy hitako tamin’ny masoko izy, dia tsy nisy afaka nandresy lahatra ahy hoe tsy i Joseph Smith izany, ary na iza na iza dia afaka mijoro ho va-volombelon’izany izay nahafantatra an’ireo lehilahy roa ireo” (ao amin’ny History of the Church, 7:236).

8 aogôsitra 1844, tamin’ny 2 ora tolakandro

Tamin’ny 2 ora tolakandro dia Olomasina an’arivony maro no vory ho amin’izay noheverin’izy ireo ho fivoriana manan- danja. Nilaza mazava i Brigham Young momba ilay fanoso-ran-tenan’i Sidney Rigdon ho mpiahy sy ny fisarahany tamin’i Joseph Smith nandritra ny roa taona mialoha ka hoy izy hoe:

“Raha tian’ny vahoaka hitarika azy ireo ny Filoha Rigdon dia ho izany izy; nefa milaza aminareo aho fa ny Kôlejin’ny Roambinifololahy no manana ireo fanalahidin’ny fanjakan’ Andriamanitra amin’izao tontolo izao manontolo.

“Ny Roambinifololahy no notendren’ny rantsantanan’ Andria-manitra.. Indro i Brigham, efa niahotrahotra ve izy tamin’ny zavatra tokony nataony? Efa nandainga ve izy? Indro i Heber [C. Kimball] sy ny ambiny amin’ny Roambinifolo, olona sami-hafa manana ireo fanalahidy—ireo fanalahidin’ny fanjakan’ Andriamanitra ho an’izao tontolo izao: marina izany, koa ampio aho Andriamanitra. Nanara- dia an’i Joseph izy ireo, ary mitovy amin’ny Fiadidiana Voalohany” (ao amin’ny History of the Church, 7:233).

Nanamarika ny Olomasina maro fa nitovy tamin’i Joseph ny endrika sy ny feon’i Brigham Young rehefa niteny izy tamin’io tolakandro io. Ankoatra ilay fahagagana dia maro tamin’ny Olomasina koa no nahatsapa ny Fanahy Masina nijoro ho vavolombelona fa voantson’ Andriamanitra mba hitarika ny Fiangonana i Brigham Young sy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy. Tamin’ny faran’io fivoriana io, dia niray feo ny Olomasina tao Nauvoo nanohana ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, niaraka tamin’i Brigham Young ho lohany, mba hitarika ny Fiangonana. Na izany aza, dia tsy ny mpikam-ban’ny Fiangonana rehetra no nisafidy nanaraka ny Apôstôly tamin’ny farany. Nisafidy ny hanaraka an’ireo olon- tokana toa an- dry Sidney Rigdon sy i James Strang ny sasany tamin’ireo vahoaka izay nanangana ny fiangonany manokana.

IREO FOTOTRY NY FAMERENANA AMIN’ NY LAONINY—LESONA 25

Ny Ady tao Utah sy ny Fandripahana tao Mountain MeadowsNitarika ny Ady tao Utah ny fitomboan’ny fifanenjanana

Telo taona taorian’ny nahatongavan’ireo mpamaky lay Olomasin’ny Andro Farany voalohany tao amin’ny tany lemak’i Salt Lake, dia nandamina ny faritanin’ny Utah ny governemanta Amerikanina ka nanondro an’i Brigham Young ho governora voalohan’ny faritany. Teo amin’ny tapaky ny taona 1857, dia nahare tsaho ireo Olomasin’ny Andro farany fa hosoloin’ny governemanta federaly amin’ny governora vaovaon’ny Faritanin’i Utah izay tohanan’ny ankamaroan’ny tafika federaly i Brigham Young. Ny 24 jolay 1857, dia nia-raka tamin’ny vondrona Olomasina ny Filoha Brigham Young nankalaza ny faha 10 taonan’ny nahatongavany tao amin’ny tany lemak’i Salt Lake raha nahazo fanamafisana momba ny vaovao izay reny teo aloha izay nilaza fa nisy tafika ho any Salt Lake City.

Tamin’ny taona mialohan’izany, dia nisy tsy fifanarahana sy tsy fifankahazoana nateraky ny fitomboan’ny fifanenjanana teo amin’ny Olomasin’ny Andro Farany sy ny manampahe-fan’ny governemanta amerikanina. Ny tarihin’ny mpitarika izay nofidiny no tian’ny Olomasina ka nolavin’izy ireo ny olona notendren’ny fanjakana izay tsy nitovy fitsipika tami-n’izy ireo, ny sasany izay tsy marin- toetra, mpanao kolikoly, ary ratsy fitondran- tena. Nieritreritra ny sasany tamin’ireo ma-nampahefana fa midika ho fikomiana hanohitra ny governe-manta Amerikanina ny zavatra sy ny fihetsika izay nataon’ireo Olomasina.

Nandefa miaramila tokony ho 2.500 tany Salt Lake City ny filohan’ny Etazonia, i James Buchanan, nitondra ny governora vaovao tany Utah ary nampiasa ny hery mba hanajanonana izay noheveriny ho fikomiana teo anivon’ny Olomasina. Natao tsy nisy fampahalalana marina mikasika ilay toe- draharaha tao Utah io fanapahan- kevitra io (jereo ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, ed. faha- 2 [bokin’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, 2003], 368–71).

Miomana ny hiaro ny faritany

Tamin’ny lahateny izay nataony tamin’ireo Olomasina dia nofaritan’ ny Filoha Young sy ireo mpitarika tao amin’ny Fian-gonana ho fahavalo ireo miaramila izay ho tonga. Natahotra izy ireo sao handroaka azy ireo hiala an’i Utah ireo miaramila ireo, tahaka ny nandroahana azy ireo niala avy tany Ohio sy Missouri ary Illinois teo aloha. Ny Filoha Young, izay nilaza tamin’ireo Olomasina nandritra ny taona maro mba hanan-gona ny voa, namerimberina ny toromariny mba hananan’izy

ireo sakafo hohanina rehefa mila mandositra ny miaramila izy ireo. Amin’ny maha governoran’ny faritanin’i Utah azy dia nandidy ny milisin’ny faritany koa izy mba hiomana amin’ny fiarovana ny faritany.

Ny fifandirana tamin’ny Andian- tsarety nitondra Mpifindra monina

Nisy andian- tsarety nitondra mpifindra monina niainga avy tany Arkansas ka ho any Californie niditra tao Utah tamin’ny fotoana izay efa niomanan’ny Olomasin’ny Andro Farany hiaro ny faritaniny tamin’ireo miaramilan’ny Etazonia. Sorena ny olona sasany avy tamin’ilay andian- tsarety satria nandalo fotoan- tsarotra izy ireo tamin’ny fividianana voa izay ni-lainy tamin’ny Olomasina, izay efa nomena torolalana mba hanangona ny voany. Niady tamin’ny Olomasina ihany koa ireo mpifindra monina noho ny tsy fitiavan’ny Olomasina ny soavaly maro sy ny biby fiompy izay nihinana ny sakafo sy ny rano tokony ho an’ny biby fiompiny.

Nipoaka ny fifanenjanana tao Cedar City, tanàna farany tao Utah amin’ny lalana mankany Californie. Ny fifandonana dia nifanaovan’ny olona sasany tao amin’ilay andian- tsarety sy ny Olomasin’ny Andro Farany sasany. Nandrahona ny hiaraka amin’ny miaramilan’ny governemanta izay ho tonga hano-hitra ny Olomasina ny sasany tamin’ireo mpifindra monina an- tsarety. Na dia niteny mafy an’ireo mpiara- dia taminy izay nanao ireo fandrahonana ireo aza ny kapitenin’ilay andian- tsarety dia noraisin’ireo mpitarika sy ny mpiorim-ponenana tao Cedar City ho fahavalo izy ireo. Tokony ho adiny iray taorian’ny nahatongavany fotsiny dia nandeha ilay andian- tsarety, saingy nitady ny hanenjika sy hanafay ireo lehilahy izay nandrahona azy ny sasany tamin’ireo mponina sy ny mpitarika tao Cedar City.

Fitomboan’ny Fifandonana

Noho ny tsy nandaminan’ireo Olomasina ireo tamin’ny fomban’ny Tompo ny ady tamin’ireo mpifindra monina dia lasa nihamafy ny toe- draharaha. Nangataka alalana tamin’ny mpibaiko ny milisy, izay nonina teo akaikin’ny tanànan’ny mpifindra monin’i Parowan i Isaac Haight, ben’ny tanànan’i Cedar City, lehibe tamin’ny milisy, ary filohan’ny tsatòka, mba hiantso ny milisy hifandona amin’ireo mpihetraketraka avy tamin’ilay andian- tsarety. Nanoro hevitra an’i Isaac haight i William Dane, mpibaiko ny milisy, mpikamban’ny Fiango-nana, mba tsy hiraharaha ny fandrahonan’ireo mpifindra monina. Tsy nanaiky an’io torohevitra io anefa i Isaac Haight sy ny mpitarika hafa tao Cedar City ka nanapa- kevitra ny handresy lahatra ireo Indiana teo an- toerana mba hanafika

IREO FOTOTRY NY FAMERENANA AMIN’ NY LAONINY—LESONA 25

an’ilay andian- tsarety sy handroba ny biby fiompiny mba hanafaizana ireo mpifindra monina. Nangataka an’i John D. Lee, mpikamban’ny Fiangonana tao an- toerana sy lehibe tao amin’ny milisy, i Isaac Haight mba hitarika ilay fanafihana, ary nikasa ny nanome tsiny ny Indiana izy ireo tamin’io zavatra io.

Fanafihana ireo mpifindra monina

Natolotr’i Isaac Haight tamin’ny filankevitry ny mpitarika tao amin’ny Fiangonana sy ny fiaraha- monina ary ny milisy teo an- toerana ilay drafitra hanafihana ny andian- tsarety. Tsy na-naiky mafy an’ilay drafitra ny sasany tamin’ny filankevitra ary nanontany an’i Haight raha toa ka efa niara- nidinika momba izany zavatra izany tamin’ny Filoha Brigham Young izy. Rehefa niteny hoe tsia i Haight dia nanaiky nandefa iraka, i James Haslam, izy ho any Salt Lake City miaraka amin’ny taratasy nanazava ny toe- draharaha sy nanontany ny zavatra tokony hatao. Kanefa, tokony ho 400 km miala avy eo Cedar City i Salt Lake City, dia hitaky dia mafy an- tsoavaly mandritra ny herinandro ho an’ilay iraka ny mihazo an’i Salt Lake City ka hiverina any Cedar City miaraka amin’ny toromariky ny Filoha Young.

Fotoana fohy talohan’ny nandefasan’i Haight ny taratasiny niaraka tamin’ilay iraka, dia notafihin’i John D. Lee sy ny andiana Indiana ny lasin’ireo mpifindra monina teo amin’ny toerana izay antsoina hoe Mountain Meadows. I Lee no nitarika ny fanafihana, saingy nanafina ny tenany izy ka nahatonga izany ho toy ny hoe ireo Indiana ihany no nandray anjara. Maty na naratra ny sasany tamin’ireo mpifindra mo-nina, ary ny sisa dia niady tamin’ireo mpanafika, nanery an’i Lee sy ny Indiana mba hihemotra. Nosintomin’ireo mpifindra monina haingana hanome faribolana kely ny saretiny mba ho fiarovana. Nisy fanafihana roa hafa taorian’io nandritra ny dimy andro nijanonan’ny andian- tsarety.

Nisy fotoana ireo milisin'i Cedar City nahatsikaritra mpifindra monina roa ivelan’ilay faribolan- tsarety Notifirin’ireo milisy izy ireo ka maty ny iray. Nitsoaka ny anankiray ka nampahafanta-tra ilay vaovao tamin’ny lasiny fa tompon’andraikitra tamin’ny fanafihana azy ireo ny fotsy. Tratra tamin’ny laingany ary izao ireo izay nanomana ny fanafihana. Raha navela nandeha tany Californie ireo mpifindra monina dia hiparitaka ny vaovao fa tompon’andraikitra tamin’ny fanafihana ny andian- tsarety ny Olomasin’ny Andro Farany. Natahotra ireo mpiray tetika fa hitondra vokatra ratsy eo aminy sy eo amin’ny vahoakany io vaovao io.

Fandripahana tao Mountain Meadows

Tao anatin’ny tetika hisorohana ny fiparitahan’ny vaovao fa tompon’andraikitra tamin’ny fanafihana ny andian- tsarety ny Olomasin’ny Andro Farany dia nanao drafitra ny hamono ny mpifindra monina sisa rehetra afa- tsy ny zaza madinika i Isaac Haight sy i John D. Lee ary ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana sy ny milisy tao an- toerana. Ho fampiharana ilay

drafitra dia nanatona ny mpifindra monina i John D. Lee ary nilaza fa hiaro azy ireo amin’ny fanafihana hafa ny milisy ka nitondra azy ireo niverina soa aman- tsara tany Cedar City. Teo am- pandehanana ho any Cedar City dia nivadika ny milisy ka nitifitra ireo mpifindra monina. Nisy indiana sasany izay nalai-n’ireo mpifindra monina tao an- toerana nipoitra avy tamin’ny fiafonany nanatevin- daharana ny fanafihana. Tamin’ireo mpifindra monina tokony ho 140 izay tao amin’ilay andian- tsarety, zaza madinika 17 no voatsimbina

Roa andro taorian’ilay fandripahana dia tonga tao Cedar City i James Haslam niaraka tamin’ny hafatra valiteny avy tamin’ny Filoha Young, izay nilaza tamin’ireo mpitarika tao an- toerana mba hamela ny andian- tsarety handeha am- pilaminana. “Rehefa namaky ny tenin’i Young i Haight, dia nigogogogo nitomany toy ny zazakely ka tsy afaka niteny afa- tsy ny hoe: ‘Tara loatra, tara loatra’” (Richard E. Turley Jr., “The Mountain Meadows Massacre,” Ensign, sept. 2007, 20).

Ireo Vokany Mahatsiravina

Tsy ireo izay maty tokony ho 120 ihany no vokatry ny Fandri-pahana tao Mountain Meadows fa niteraka fijaliana lehibe ho an’ireo zaza tsy maty sy ny havan’ireo maty koa izany. Nisy Olomasin’ny Andro Farany sasany nandray sy nikarakara ireo zaza mpifindra monina tsy maty tamin’ilay fandripahana. Tamin’ny 1859, dia nalain’ny manampahefana federaly ireo zaza ireo ka naveriny tany amin’ny havany tany Arkansas. Nijaly ihany koa ireo Indiana Paiute noho ny fiampangana tsy ara- drariny azy ireo tamin’ilay heloka.

Nianatra avy tamin’ilay Fandripahana ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana

“Na dia fantatr’i BrighamYoung sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana tao Salt Lake City aza ilay fandripahana fotoana fohy taorian’ny nisehoany, dia tonga tsikelikely nandritra ny fotoana ny fahatakarany ny halehiben’ny fan-draisana anajaran’ireo mponina sy ny antsipiriany mahatsi-ravina an’ilay vono olona. Tamin’ny taona 1859 dia nesoriny tamin’ny antsony i Isaac Haight tamin’ny naha filohan’ny tsatòka azy sy ireo mpitarika ambony tao amin’ny Fiangonana tao Cedar City izay nanana anjara asa tamin’ilay fandripa-hana. Nalàna tsy ho mpikamban’ny Fiangonana i Isaac Haight sy i John D. Lee tamin’ny 1870.

“Nisy mpitsara lehiben’ny faritany niampanga lehilahy sivy noho ny fandraisany anjara tamin’ilay fandripahana tamin’ny 1874. Nosamborina tamin’ny farany ny ankamaroan’izy ireo, fa i Lee kosa dia notsaraina sy nomelohina ka novonoina noho ilay heloka. Nisy lehilahy iray hafa izay voampanga nifampiraharaha tamin’ny fanjakana [nitonon- tena nijoro ho vavolombelona sy nitondra porofo hiampangana ireo voam-panga hafa], ary ny hafa kosa nandany taona maro nitsoaka ny lalàna. Niaina tao anatin’ny fahamelohana mahatsiravina sy fanofisan- dratsy ny zavatra nataony sy hitany nandritra ny

IREO FOTOTRY NY FAMERENANA AMIN’ NY LAONINY—LESONA 25

© 2

015

AN’N

Y IN

TELL

ECTU

AL R

ESER

VE, I

NC. Z

O R

EHET

RA V

OAT

OKA

NA.

fiainany ireo milisy maro hafa izay nandray anjara tamin’ilay fandripahana” (Richard E. Turley Jr., “The Mountain Mea-dows Massacre,” Ensign, sept. 2007, 20).

Faha 150 taonan’ny Fandripahana tao Mountain Meadows

Nilaza ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

“Ny maha tompon’andraikitra tamin’ny [Fandripahana tao Mountain Meadows] dia an’ny mpitarika tao amin’ Ny Fian-gonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tao an- toerana tao amin’ny faritra akaikin’ny Mountain Meadows izay nihazona toerana teo amin’ny fiaraha- monina sy ny ta-fika ihany koa niaraka tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana izay nanao zavatra teo ambanin’ ny fitarihany. . . .

“. . . Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay ankamamintsika, dia mankahala ny famonoana olona an- kitsirano na lahy

na vavy na ankizy. Eny tokoa, mitory fiadanana sy famelana izany. Mampiseho zavatra mahatsiravina sy tsy azo leferina izay mifanohitra amin’ny fampianarana sy ny fitondrantena Kristianina ny zavatra izay nataon’ireo mpikamban’ny Fian-gonana [tao Mountain Meadows] fotoana ela lasa izay. . . . Azo inoana fa hametra ny sazy ara- drariny eo amin’ireo izay tompon’andraikitra tamin’ilay fandripahana ny Fahamarinan’ Andriamanitra. . . .

“. . . Ny Andriamanitry ny Lanitra anie, izay manana zana-kalahy sy zanakavavy antsika rehetra, hitahy antsika mba hanome voninahitra ireo izay maty teto, amin’ny fifanome-zantsika fitiavana madio sy ny fanahin’ny famelana izay ny Zanany Lahitokana no ohatra velona” (“150th Anniversary of Mountain Meadows Massacre,” sept. 11, 2007, mor-monnewsroom.org/article/150th- anniversary- of- mountain- meadows- massacre).

IREO FOTOTRY NY FAMERENANA AMIN’NY LAONINY—LESONA 28

Fanafainganana ny Asa FamonjenaSaintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto izay mifandray amin’ny tsirairay amin’ireo sahan- kevitra dimy izay ao anatin’ny asa famonjena:

• Ahoana no ahafahan’ny ezaka ataonao ao anatin’io sahan- kevitry ny asan’ Andriamanitra io mitondra ny hafa hanakaiky kokoa ny fitahiana entin’ny famonjena?

• Inona ireo traikefa efa nanananao ary inona ireo fitahiana izay efa noraisinao rehefa nandray anjara tamin’io sahan- kevitry ny asan’ny famonjen’ny Tompo io ianao?

• Inona no azonao atao mba hitondrana ny anjara birikinao ao amin’io sahan- kevitry ny asan’ny famonjena io, na inona na inona antsonao ao am- piangonana?

Ny Asa Fitoriana Ataon’ ireo Mpikambana

Nampianatra ny Loholona Neil L. Andersen avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo nanao hoe:

“Ry rahalahy sy rahavavy, tahaka ny hanenta-nan’ny Tompo ny fanahin’ireo misiônera betsaka kokoa mba hanompo dia mamoha ny saina sy manokatra ny fon’ny olon- tsara sy marin- toetra ihany koa Izy handray ny misiônerany. Efa fantatrao izy ireny na mbola

ho fantatrao. Ao amin’ny fianakavianao izy ireny ary mipe-traka ao amin’ny fiaraha- moninao. Mandalo eo amin’ny lalanao izy ireny, mipetraka eo akaikinao any am- pianarana, ary mifanerasera aminao amin’ny Internet. Ampahany amin’ity fahagagana izay mirongatra ity ianao.

“Raha toa ianao ka tsy misiônera manompo amin’ny fotoana feno manana mari- pamantarana iray mipaingotra eo amin’ny palitaonao, dia izao no fotoana hanoratanao anankiray amin’izany ao amin’ny fonao —soratana araka ny nolazain’i Paoly, ‘tsy tamin’ny ranomainty anefa, fa amin’ny Fanahin’ Andriamanitra velona’ [2 Korintiana 3:3]. . . . Misy anjara tokony hataontsika rehetra amin’ity fahagagana ity” (“Faha-gagana izany,” Ensign na Liahona, mey 2013, 78).

Ny Fihazonana ireo Niova Fo

Hoy ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Tsy maintsy manao izay rehetra azontsika atao izaho sy ianao mba hahatonga ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay hahazo namana sy hankafy ireo fitahiana rehetra izay omen’ny filazantsara.

“Ny Filoha Gordon B. Hinckley dia efa nam-pahatsiahy ahy sy anao momba ireo andraikitsika mba ho mpiaramiasa amin’ny Tompo ho fanatanterahana ny drafitra nataony ho an’ny Fiangonana. Hoy ny Filoha Hinckley tao anatin’ny fampitana tamin’ny zanabolana iray:

“ ‘Ny Tompo dia nametraka teo amintsika ny adidy mba ham-pianatra ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra. Hitaky ny ezaka tsara indrindra avy amin’ny misiônera tsirairay—

amin’ny fotoana feno sy ny an’ny tsatòka—izany. Hitaky ny ezaka tsara indrindra avy amin’ny eveka, avy amin’ny mpanolotsain’ny eveka, avy amin’ny mpikambana tsirairay ao amin’ny filan- kevitry ny paroasy izany . . .’ (’Find the Lambs, Feed the Sheep,’ Ensign, mey 1999, 107). Hitaky ny ezaka tsara indrindra avy amin’ny mpikambana tsirairay izany” (“Members Are the Key,” Ensign, sept. 2000, 10).

Ny famerenana ireo mpikambana malaindaina

“Ny andraikitsika [amin’ny maha mpikambana antsika] dia ny mandray anjara tanteraka amin’ny fitiavana sy fanompoana ny manodidina antsika—mankahery ny mpiara- miasa iray izay mila fanampiana, manasa ny namanao hanatrika batisa, manampy ny mpiray vodirindrina iray izay efa antitra amin’ny asa fikarakarana ny tokotaniny, manasa mpikambana izay malaindaina iray mba hiara- misakafo, na manampy ny mpiray vodirindrina amin’ny tantaram- pianakaviany. Fomba voajana-hary sy mahafaly ahafahana manasa ireo mpikambana ma-laindaina sy ireo izay tsy miray finoana amitsika mba hiditra ao amin’ny fiainantsika ka ho vokatr’izay dia hiditra koa ao amin’ny fahazavan’ny filazantsara izany rehetra izany. Ny fiza-rana amin’izy ireo ireo fotoana mahafinaritra sy ireo fotoana masina tamin’ny fiainantsika no mety ho fomba mahomby indrindra ahafahan’ny tsirairay amintsika ‘hiasa ao amin’ ny tanimboalobo[n’i Jesoa Kristy] ho famonjena ny fanahin’ ny olona’ (F&F 138:56)” (“Hastening the Work of Salvation,” Ensign, okt. 2013, 36).

Ny Asan’ny Tempoly sy ny Tantaram- pianakaviana

Nampianatra ny Loholona Quentin L. Cook avy aomin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

“Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia nandefa antso mazava tsara ho an’ny taranaka vao misondrotra mba hitarika ny dia amin’ny fampiasana ny teknôlôjia ahafahana miaina ny fanahin’i Elia, sy hikaroka ireo razambeny, ary hanatanteraka ireo ôrdônansy

any amin’ny tempoly ho azy ireo. Ny ankamaroan’ireo asa sarotra amin’ny fanafainganana ilay asa famonjena ho an’ny velona sy ny maty dia ianareo tanora no hanao azy.” (“Faka sy Sampana,” Ensign na Liahona, mey 2014, 46).

IREO FOTOTRY NY FAMERENANA AMIN’NY LAONINY—LESONA 28

© 2

015

AN’N

Y IN

TELL

ECTU

AL R

ESER

VE, I

NC. Z

O R

EHET

RA V

OAT

OKA

NA.

Fampianarana ny Filazantsara

“Ny andraikitra hampianatra amim- pahombiazana dia tsy voafetra ho an’ ireo izay manana antso ho mpampianatra ihany. Amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany anao, dia manana ny an-draikitra ny hampianatra ny filazantsara ianao. Amin’ny maha ray aman- dreny, zanakalahy, zanakavavy, vady, rahalahy, rahavavy, mpitarika ao amin’ny Fiangonana, mpampianatra,

mpampianatra isan- tokantrano, mpamangy isan- tokantrano, mpiara- miasa, mpiray vodirindrina na namana anao dia manana fahafahana hampianatra ianao. Afaka mampianatra an- karihary sy mivantana ianao indraindray amin’ireo zavatra izay lazainao sy ny tenivavolombelona izay zarainao. Ary mampianatra foana amin’ny alalan’ny ohatra asehonao ia-nao” (L’enseignement, Pas de Plus Grand Appel: Guide pour l’Enseignement de l’Évangile [1999], 3–4).